Categories
Zakaria

Zakaria 1

Famporisihana hibebaka

1 Tamin’ny volana fahavalo, taona faharoa nanjakan’i Dariosa, ny tenin’i Iaveh dia natao tamin’i Zakaria, mpaminany, zanak’i Barakia, zanak’i Adô, nanao hoe:

2 Tezitra mafy tamin’ny razanareo i Iaveh.

3 Koa lazao amin’izy ireo hoe:

«Izao no lazain’i Iavehn’ny tafika: Miverena amiko ianareo, – teny marin’i Iavehn’ny tafika, – dia hiverina aminareo Aho, – hoy i Iavehn’ny tafika.

4 Aza manaraka ny razanareo, izay nitorian’ny mpaminany taloha hoe: Izao no lazain’i Iavehn’ny tafika: Miverena ianareo, mialà amin’ny lalan-dratsinareo, sy amin’ny asa ratsinareo! nefa tsy nihaino sy tsy nasiany raharaha akory Aho, – teny marin’i Iaveh. –

5 Ny razanareo aiza intsony ankehitriny? Ary ny mpaminany koa, moa mba nety ho velona mandrakizay va?

6 Fa ny teniko sy ny didiko kosa, izay nasaiko nentin’ny mpaminany mpanompoko, moa tsy nahatratra ny razanareo va, ka dia nibebaka izy ireoary nanao hoe: Izay efa notapahin’i Iavehn’ny tafika hatao amintsika araka ny lalantsika sy araka ny asantsika dia nataony tamintsika tokoa.»

Fisehoana hita voalohany: ireo mpitaingin-tsoavaly

7 Tamin’ny andro faha-24n’ny volana, izay volana Sabata, tamin’ny taona faharoa nanjakan’i Dariosa, tonga tamin’i Zakaria mpaminany, zanak’i Barakia, zanak’i Adô, ny tenin’Andriamanitra, dia izao:

8 Fahitana no azoko tamin’ny alina: ka nisy lehilahy nitaingin-tsoavalymenapìny nijanona teo amin’ny hazo mirta, amin’ny toerana malokaloka; sady nisy soavaly nemapìny sy mavomena ary fotsy teo aoriany.

9 Ka hoy aho: Inona ireo, tompoko? Dia hoy ilay Anjely niresaka tamiko: Hasehoko anao ny amin’ireo.

10 Ary ralehilahy izay teo amin’ny mirta, niteny nanao hoe: Ireo no nirahin’i Iaveh hitety ny tany.

11 Ka dia namaly ireo tamin’ny Anjelin’i Iaveh, izay teo amin’ny mirta ka nanao hoe: Efa nitety ny tany izahay, ka miadana sy mandry feizay avokoa ny tany.

12 Dia niteny ilay Anjelin’i Iaveh nanao hoe: Ry Iavehn’ny tafika ô, mandra-pahoviana Ianao no tsy hamindra fo amin’i Jerosalema sy ny tanànan’i Jodà, izay itezeranao efa hatramin’ny fitopolo taona?

13 Ary i Iaveh nilaza teny soa, teny fampiononana tamin’ilay Anjely niresaka tamiko.

14 Ary ity Anjely niresaka tamiko kosa nanao tamiko hoe: Ataovy antso avo izao:

Izao no lazain’i Iavehn’ny tafika: Efa azon’ny fahasaro-piaro mafy, an’i Jerosalema sy an’i Siôna Aho.

15 Ary mbola azon’ny fahasaro-piaro mafy Aho hamely ny firenenaizay milomano amin’ny harem-be. Satria Izaho moa, efa tezitra kely sahady, izy kosa niasa nankamin’ny fandravana ihany.

16 Koa izao no lazain’i Iaveh: Miverina eto Jerosalema amin’indrafo Aho, ka ny tranoko haorina eto indray, – teny marin’i Iavehn’ny tafika, – ary ny famolaina hohenjanina amin’i Jerosalema.

17 Ataovy antso avo koa izao: Izao no lazain’i Iavehn’ny tafika: Mbola hitobaka eto an-tanànako ny harem-be; ary mbola hampionona an’i Siôna i Iaveh, sy mbola hifidy an’i Jerosalema.

Categories
Zakaria

Zakaria 2

Fisehoana hita faharoa: tandroka sy mpanefy

1 Nanopy ny masoko aho, ka nahita: dia indreo nisy tandroka efatra.

2 Dia hoy aho tamin’ilay Anjely niresaka tamiko: «Inona moa ireto?» Ary hoy izy tamiko: «Ireo no tandroka nampihahaka an’i Jodà sy i Israely ary i Jerosalema.»

3 Ary naneho mpanefy efatra tamiko i Iaveh. Ka hoy aho: «Tonga haninona ireto?»

4 Dia namaly Izy nanao hoe: «Iretsy no tandroka nampihahaka an’i Jodà, ka tsy nisy olona nanatràka loha akory; fa ireto kosa, tonga hampahatahotra azy mafy, ary hanjera ny tandrok’ireo firenena nanangan-tandroka hamely ny tanin’i Jodà mba hampihahaka azy.»

Fisehoana hita fahatelo: ilay mpandrefy

5 Nanopy ny masoko aho, ka nahita: ka indro nisy lehilahy nitondra kofehy famolainateny an-tanany.

6 Dia hoy aho: «Ho aiza ianao?» Ary hoy izy tamiko: «Handrefy an’i Jerosalema hahitana izay hatao sakany sy izay hatao lavany.»

7 Tamin’izay niseho ilay Anjely niresaka tamiko, sady nisy Anjely anankiray hafa niseho hitsena azy;

8 ka hoy izy taminyhoe: «Mandehana faingana, milazà amin’io zatovo io, ataovy hoe: ‹Honenana toy ny tanàna tsy mimandai Jerosalema, fa ho betsaka loatra ny olona sy ny biby ao aminy.

9 Ary Izaho, – teny marin’i Iaveh, – no ho manda afo manodidina azy sy hahazo voninahitra eo afovoany.› »

Fiantsoana indroa an’ireo voasesitany

10 Avia! Avia! Mandosira avy any amin’ny tany avaratra,

– teny marin’i Iaveh, –

fa naeliko eny amin’ny faravazantany efatra ianareo

– teny marin’i Iaveh. –

11 Avia, ry Siôna, vonjeo ny tenanao,

ianao izay monina ao amin’ny zanaka vavin’i Babilôna!

12 Fa izao no lazain’i Iavehn’ny tafika:

Ho voninahiny no nanirahany ahy

ho any amin’ny firenena namabo anareo;

satria izay mikasika anareo

mikasika ny anakandriamasony.

13 Fa indro Aho manetsika ny tanako eo ambonin’ireny,

ka izy ireo ho tonga remby ho an’ireo manompo azy;

ary ianareo, hahalala fa i Iavehn’ny tafika no naniraka ahy.

14 Manaova hobim-pifaliana sy miravoravoa, ry zanaka vavin’i Siôna,

fa indro Aho tamy, ary honina ao afovoanao,

– teny marin’i Iaveh. –

15 Amin’izany andro izany,

maro ny firenena hiraiki-po amin’i Iaveh,

ka ho vahoakako izy ireo;

ary Izaho honina ao afovoanao,

dia ho fantatrao fa i Iavehn’ny tafika

no naniraka ahy ho aminao.

16 I Iaveh hanana an’i Jodà ho anjarany

eo amin’ny tany masina;

ary mbola hifidy an’i Jerosalema Izy.

17 Aoka hangina eo anatrehan’i Iaveh ny nofo rehetra,

fa hitsangana avy eo amin’ny fitoeran’ny masina Izy.

Categories
Zakaria

Zakaria 3

Fisehoana hita fahefatra: ny nampitafiana an’i Jesosy

1 Nasehony ahy i Jesosy, mpisorona lehibe, nitsangana teo anatrehan’ilay Anjelin’i Iaveh, ary i Satana nitsangana teo ankavanan’iomba hanohitra azy.

2 Dia hoy i Iaveh tamin’i Satana: «Aoka hosakanan’i Iaveh ianao, izay nifidy an’i Jerosalema! Tsy forohana nosarihina avy amin’ny afo va ity?»

3 Ary nitafy maloto i Jesosy sy nitsangana teo anatrehan’ilay Anjely.

4 Ary niteny ilay Anjely ka nilaza tamin’ireo nitsangana teo anatrehany nanao hoe: «Esory ny fitafiana maloto eny aminy.» Dia hoy izy taminy: «Jereo, efa noesoriko taminao ny haratsianao; sady fitafiana fitondra amin’ny fetyno natafiko anao.»

5 Ary hoy aho: «Aoka hasiana hamama madioeo an-dohany.» Dia nasian’izy ireo hamama madio teo an-dohany, sady notafiany izy; ary nitsangana teo ilay Anjelin’i Iaveh.

6 Ka izao no fanambaràna nolazain’ilay Anjelin’i Iaveh, tamin’i Jesosy:

7 Izao no lazain’i Iavehn’ny tafika: Raha mizotra amin’ny lalako ianao sy mahatoky ianao amin’ny fanaovana ny raharahako, dia hanapaka ny tranoko koa ianao; sy hiambina ny kianjako, sady havelako malalaka hiditra ho isan’ireto izay mitoetra atỳ.

Ny nahatongavan’ilay «Solofo»

8 Mihainoa àry, ry Jesosy, mpisorona lehibe,

ianao sy ireo namanaomipetraka eo anoloanao:

– fa olona hatao fambara ireo:

Indro Aho efa hampiavy ilay Solofo, mpanompoko.

9 Fa inty ny vatonapetrako eo anoloan’i Jesosy;

maso fito no amin’izay vato tokana izay;

indro Aho efa hisikotra ny hosokirina aminy,

– teny marin’i Iavehn’ny tafika, –

ary hoesoriko indray andro monja

ny helok’ity tany ity!

10 Amin’izany andro izany, – teny marin’i Iavehn’ny tafika, –

samy hifanasa avy ianareo, eo ambanin’ny voaloboka sy eo ambanin’ny aviavy.

Categories
Zakaria

Zakaria 4

Fisehoana hita fahadimy: ny fanaovan-jiro sy ireo fototr’ôliva

1 Niverina ilay Anjely niresaka tamiko, ary nofohaziny, toy ny famoha olo-matory, aho,

2 sy nilazany hoe: «Inona no hitanao?» Ka hoy ny navaliko azy: «Nahita aho ka inty fanaovan-jiro maro rantsanairay, tena volamena izy manontolo misy tavy eo an-tampony, mitondra lalampy fito amam-pantsona fito avy amin’ireo lalampy eo an-tampon’ny fanaovan-jiro.

3 Ary hazo ôliva roa no manotrona azy, ny iray eo ankavanan’ny tavy, ary ny iray eo ankaviany.»

4 Dia notohizako ny teniko, ka hoy aho tamin’ilay Anjely niresaka tamiko: «Inona no hevitr’ireo zavatra ireo, tompoko?»

5 Namaly ilay Anjely niresaka tamiko ka nanao tamiko hoe: «Tsy fantatrao va ny hevitr’ireo zavatra ireo?» Ary hoy ny navaliko azy: «Tsia, tompoko.»

6 Dia namaly niteny ilay Anjely ka nanao tamiko hoe:

Teny telo momba an’i Zôrôbabela

«Izao no tenin’i Iaveh tamin’i Zôrôbabela, izany hoe: Tsy amin-tafika na amin-kery, fa amin’ny Fanahiko, hoy i Iavehn’ny tafika.

7 Iza moa ianao, ry tendrombohitra lehibe, eo anoloan’i Zôrôbabela? Ho tany lemaka ihany ianao. Ary izy hanangana ny vato hatao tendrony, eo amin’ny fihobiana hoe: ‹Fahasoavana, fahasoavana anie ho ao aminy!› »

8 Tonga tamiko ny tenin’i Iaveh nanao hoe:

9 Ny tanan’i Zôrôbabela no nametraka ny fanorenan’ity trano ity, ary ny tanany koa no hamita azy; ka dia ho fantatrao fa i Iavehn’ny tafika no naniraka ahy ho aminao.

10 Fa iza no hanamavo ny andron’ny zava-madinika? Hifaly izy ireo mahita ny pilao eny an-tanan’i Zôrôbabela.

Ireo lalampy fito ireo, dia ny mason’i Iaveh mitety ny tany rehetra.

11 Dia niteny indray aho, ka nanao taminy hoe: «Inona ireto ôliva roa, eo ankavanan’ny fanaovan-jiro sy eo ankaviany?»

12 Mbola niteny fanindroany koa aho, ka nanao taminy hoe: «Inona ireo sampahon’ôliva roa eo amin’ny lantônoara volamena, ikararànam-bolamena, ireo?»

13 Niteny tamiko izy nanao hoe: «Tsy fantatrao va ireo?» Ka hoy ny navaliko azy: «Tsia, tompoko.»

14 Ary hoy izy tamiko: «Ireo no zanaka roan’ny fanosorana, izay mitsangana eo akaikin’ny Tompon’ny tany rehetra.»

Categories
Zakaria

Zakaria 5

Fisehoana hita fahenina: ilay boky manidina

1 Natopiko indray ny masoko, ka nahita aho: Ary indro nisy horonan-taratasy nanidina.

2 Ary hoy izy tamiko: «Inona no hitanao?» Ka hoy aho: «Horonan-taratasy manidina, roapolo hakiho ny lavany, folo hakiho ny sakany, no hitako.»

3 Dia hoy izy tamiko: «Io no ozona mivoaka ho eo ambonin’ny tany rehetra; fa araka ny voasoratra ao, izay rehetra mangalatra, hosorohina hiala eto; ary araka ny voasoratra ao, izay rehetra mianiana hosorohina hiala eto.

4 Izaho no nandefa izany ozona izany, – teny marin’i Iavehn’ny tafika, – ka ho tonga ao amin’ny tranon’ny mpangalatra sy amin’ny tranon’ny mianiana tsy tò amin’ny Anarako, dia hitoetra ao afovoan’izany trano izany ary handevona azy mbamin’ny hazony sy ny vatony.»

Fisehoana hita fahafito: ilay vehivavy anaty vata famarana

5 Niseho indray ilay Anjely niresaka tamiko, ary nanao tamiko hoe: «Atopazo ny masonao, ka jereo io miseho io.» Dia hoy aho: «Inona io?»

6 Ary hoy izy: «Ny efahno miseho»; sady nampiany hoe: «Mifantoka amin’io avokoa ny fijerin’izy ireo, any amin’ny tany rehetra.»

7 Ary indro nisy vongam-pìraka boribory naingaina, ary nisy vehivavy anankiraynipetraka teo afovoan’ny efah.

8 Dia hoy izy hoe: «Io vehivavy io no haratsiam-panahy.» Dia natosiny ho ao afovoan’ny efahizy io, sady natontany teo am-bavan’io ilay vongam-pìraka.

9 Ary natopiko ny masoko, dia nahita aho. Ary indro nisy vehivavy roa niseho, ka ny rivotra, nitsoka tamin’ny elany; nanana elatra toy ny an’ny vano izy; ary ny efah nentiny ho eo anelanelan’ny lanitra sy ny tany.

10 Ka hoy aho tamin’ilay vehivavy niresaka tamiko: «Hoentiny ho aiza ity efah?»

11 Dia hoy ny navaliny ahy: «Hoentiny hanaovan-trano ho azy, any amin’ny tany Senaara, ka rehefa voaorina izany, dia hapetraka ao izy, ao amin’ny fitoerany.»

Categories
Zakaria

Zakaria 6

Fisehoana hita fahavalo: ireo kalesy

1 Natopiko indray ny masoko ka nahita aho: Dia indro kalesy efatra nivoaka avy tao anelanelan’ny tendrombohitra roa, ary tendrombohitra varahinaireo tendrombohitra ireo.

2 Ny kalesy voalohany nisy soavaly menapìny, ny kalesy faharoa nisy soavaly mainty;

3 ny kalesy fahatelo nisy soavaly fotsy, ary ny kalesy fahefatra nisy soavaly sadamena mavitrika.

4 Dia niteny tamin’ilay Anjely niresaka tamiko aho, ka nanao hoe: «Iza moa ireto, tompoko?»

5 Ary namaly ahy ny Anjely, ka nanao hoe: «Ireo no rivotra efatry ny lanitratonga avy nitsangana teo anatrehan’ny Tompon’ny tany rehetra.

6 Ny kalesy nisy ireo soavaly mainty no nivoaka ho amin’ny tany avaratra; ireto fotsy no nivoaka nanaraka ireo, ary ireto sada no nivoaka ho amin’ny tany atsimo.»

7 Nony nivoaka ireo mavitrika, dia nangataka hiainga mba hitety ny tany; ka hoy ny Anjely tamin’ireo: «Mandehana mitety ny tany»; dia nitety ny tanyireo.

8 Ary niantso ahy izy, ka nanao tamiko hoe: «Jereo, fa ireo nivoaka ho amin’ny tany avaratra, dia nampionona ny fanahiko tamin’ny tany avaratra.»

Satroboninahitra atolotra

9 Tonga tamiko ny tenin’i Iaveh, nanao hoe:

10 «Handray avy eo an-tanan’ireo babo ianao, dia avy eny an-tanan’i Holdaì sy i Tobia ary i Idaia; – ka ny tenanao no handeha amin’izany andro izany ho any an-tranon’i Josiasa, izay nidiran’izy ireo, nony vao tonga avy any Babilôna izy;

11 – ka mandraisa volafotsy sy volamena, hanaovanao satroboninahitra, dia ataovy eo an-dohan’i Jesosy, mpisorona lehibe, zanak’i Josedeka.

12 Lazao aminy hoe: Izao no lazain’i Iavehn’ny tafika: ‹Indro lehilahy anankiray atao hoe Solofo; hitsimoka eo amin’ny fitoeranyizy, ka hanao ny tempolin’i Iaveh.

13 Izy no hanao ny tempolin’i Iaveh, hotafiana fiandrianana, hipetraka ho mpanjaka eo amin’ny seza fiandrianany, ho mpisorona eo amin’ny seza fiandrianany, ary hisy fisainam-pihavanana eo amin’izy roaroa.

14 Ary ny satroboninahitra dia ho an’i Helema, i Tobia, i Idaia ary i Hena, zanak’i Sôfônia, ho fahatsiarovana ao an-tempolin’i Iaveh.

15 Ho tonga hanao ny tempolin’i Iaveh ny avy lavitra, ka ho fantatrareo fa i Iavehn’ny tafika no naniraka ahy ho atỳ aminareo. Ho tanteraka izany, raha manaiky tsara ny feon’i Iaveh ianareo.› »

Categories
Zakaria

Zakaria 7

Momba ny fifadian-kanina

1 Tamin’ny taona fahefatra nanjakan’i Dariosa, tonga tamin’i Zakaria ny tenin’i Iaveh, tamin’ny andro fahefatry ny volana fahasivy, volana Kasleo.

2 Naniraka an’i Sarasara sy i Rogomeleky mbamin’ny olony, ny tany Betela hitalaho amin’i Iaveh,

3 hiteny amin’ireo mpisorona ao an-tranon’i Iavehn’ny tafika mbamin’ireo mpaminany hoe: «Tokony hitomany va aho, amin’ny volana fahadimy, sy hanao fifadian-kanina, toy ny efa nataoko hatramin’ny taona maro be?»

Fiverenana amin’ny tantaram-pirenena

4 Dia tonga tamiko ny tenin’i Iavehn’ny tafika nanao hoe:

5 «Mitenena ianao amin’ny vahoaka rehetra amin’ny tany mbamin’ny mpisorona, ka lazao amin’izy ireo hoe: ‹Raha nifady hanina sy nanao fisaonana ianareo, tamin’ny volana fahadimy sy fahafito, efa hatramin’ny fitopolo taona izay, moa ho Ahy va no nifadianareo hanina?

6 Ary raha mihinana sy misotro ianareo moa tsy ny tenanareo va no mihinana sy misotro?

7 Moa tsy eo va ireo teny nolazain’i Iaveh tamin’ny vavan’ny mpaminany fahiny, fony mbola nonenana sy nandry feizay i Jerosalema, mbamin’ny zana-bohiny manodidina azy, sady mbola nonenana koa ny Negeba sy ny Sefelah?› »

8 Tonga tamin’i Zakaria ny tenin’i Iaveh, nanao hoe:

9 Izao no nolazain’i Iavehn’ny tafika: «Manaova fitsarana marina; samia mamindra fo sy miantra ny namany avy,

10 aza mampahory ny mpitondratena, na ny kamboty, na ny vahiny, na ny mahantra; ary aza misain-dratsy ao am-ponareo, hamelezana ny namanareo.»

11 Tsy nety nihaino anefa izy ireo, fa nampiodina ny sorony sy nanamafy ny sofiny tsy hahare.

12 Nataony tonga toy ny diamondra ny fony tsy hihaino ny lalàna sy ny teny nampitondrain’i Iavehn’ny tafika azy ireo, nolazain’ny Fanahiny tamin’ny alalan’ny mpaminany fahiny. Koa nisy fahatezerana mafy avy amin’i Iavehn’ny tafika.

13 Ka dia nisy toy izao: Toy ny niantsoany, fa tsy nohenoin’izy ireo; no hiantsoan’izy ireo koa, fa tsy hohenoiko izy ireo, hoy i Iavehn’ny tafika.

14 Haeliko any amin’ny firenena rehetra tsy fantany izy ireo, ka ny tany eo aorian’izy ireo hipetraka foana, ary tsy hisy olona handalo na hiverina ao. Ilay tany mahafinaritra iny, ka nataony zary efitra.

Categories
Zakaria

Zakaria 8

Fanantenam-pamonjena hoentin’ny Mesia

1 Tonga ny tenin’i Iavehn’ny tafika, nanao hoe:

2 Izao no lazain’i Iavehn’ny tafika: «Saro-piaro dia saro-piaro an’i Siôna Aho, sady entim-pahatezerana mafy Aho noho ny aminy.»

3 Izao no lazain’i Iaveh: «Tafaverina eto i Siôna Aho, ka te honina eo afovoan’i Jerosalema; i Jerosalema hantsoina hoe: ny tanànan’ny fahamarinana; ary ny tendrombohitr’i Iavehn’ny tafika, hatao hoe: ny tendrombohitry ny fahamasinana.»

4 Izao no lazain’i Iavehn’ny tafika: «Mbola hisy anti-dahy sy anti-bavy indray, hipetraka eny amin’ny kianja any Jerosalema, samy hitana tehina avy noho ny andro niainany efa maro.

5 Ny kianjan’ny tanàna ho feno zazalahy aman-jazavavy milalao, eny amin’ny kianjany.»

6 Izao no lazain’i Iavehn’ny tafika: «Amin’izany andro izany, na hiseho ho zava-mahagaga aza izany eo imason’izay sisa amin’ity firenena ity, moa ho zava-mahagaga eo imasoko koa va izany.» – teny marin’i Iavehn’ny tafika? –

7 Izao no lazain’i Iavehn’ny tafika: «Indro Aho hanafaka ny vahoakako avy any amin’ny tany atsinanana sy ny tany andrefana;

8 hoentiko mody izy honina ao afovoan’i Jerosalema, ka izy ho vahoakako ary Izaho ho Andriamaniny, amin’ny rariny sy ny hitsiny.»

9 Izao no lazain’i Iavehn’ny tafika: «Aoka hatanjaka ny tananareo, ianareo izay mandre amin’izao andro izao, ireto teny avy amin’ny vavan’ny mpaminanyireto, izay niteny tamin’ny andro nametrahana ny fanorenana ny tranon’i Iavehn’ny tafika, mba ho voaorina indray ny tempoly.

10 Talohan’izany andro izanytsy nisy karama ho an’ny olona, tsy nisy karama ho an’ny biby, tsy nisy azon’izay nivoaka sy niditra hitokiana amin’ny fahavalo, fa nalefako hifamely avokoa ny olona rehetra.

11 Ankehitriny kosa Aho efa tsy tahaka ny tamin’ny andro taloha intsony, amin’izay sisa amin’ity firenena ity, – teny marin’i Iavehn’ny tafika. –

12 – Fa ny voa afafy hirobona, ny voaloboka, hamoa ny voany; ny tany, hahavokatra ny vokany; ny lanitra, handatsaka ny andony; ary izay sisa amin’ity firenena ity no hataoko tompon’izany zavatra rehetra izany.

13 Ary hisy toy izao: Toy ny naha-fanozonana anareo tany amin’ny firenena, ry taranak’i Jodà sy taranak’i Israely, no hanafahako anareo, ka hahatongavanareo ho fitsofan-drano. Aza matahotra fa aoka hatanjaka ny tananareo!»

14 Fa izao no lazain’i Iavehn’ny tafika: «Toy ny nikasako hahatonga loza taminareo fony nihantsy ny hatezerako ny razanareo, hoy i Iavehn’ny tafika, ka tsy nanenenako izany,

15 no ikasako kosa indray amin’izao andro izao, ny hanisy soa amin’i Jerosalema sy amin’ny taranak’i Jodà; ka aza matahotra.

16 Izao no zavatra tsy maintsy hotandremanareo: Samia milaza ny marina amin’ny namany avy; mamoaha fitsarana eo am-bavahadinareo araka ny marina ary mba hihavanan’ny olona;

17 aza misaintsaina ao am-ponareo ny lozan’ny namanareo, ary aza tia ny fianianan-tsy to; fa halako avokoa izany rehetra izany,» – teny marin’i Iaveh. –

Valin’ny fanontaniana momba ny fifadian-kanina

18 Tonga tamiko ny tenin’i Iavehn’ny tafika, nanao hoe:

19 Izao no lazain’i Iavehn’ny tafika: «Ny fifadian-kanina amin’ny volana fahefatra, ny fifadian-kanina amin’ny fahadimy, ny fifadian-kanina amin’ny fahafito, ary ny fifadian-kanina amin’ny volana fahafolo, dia hanjary andro fifaliana amam-piravoravoana sy ho fety lehibe, ho an’ny taranak’i Jodà.»

Fanantenam-pamonjena hoentin’ny Mesia

20 Izao no lazain’i Iavehn’ny tafika: «Mbola ho avy koa ny firenena ama-mponina avy amin’ny tanàna maro.

21 Ny mponina avy amin’ny iray, hankany amin’ny iray hafa, ka hanao hoe: ‹Andao, andao re isika, hifona amin’i Iaveh sy hitady an’i Iavehn’ny tafika! – Izaho koa mba handeha!›

22 Ka vahoaka maro amam-pirenena mahery no ho avy hitady an’i Iavehn’ny tafika ao Jerosalema, sy hifona amin’i Iaveh.»

23 Izao no lazain’i Iavehn’ny tafika: «Amin’izany andro izany, hisy folo lahy avy amin’ny fitenim-pirenena rehetra, ka hihazona, eny hihazona ny sisin-damban’ny Jody anankiray, ka hanao hoe: Mba handeha hiaraka aminareo koa izahay, fa efa renay fa momba anareo Andriamanitra!»

Categories
Zakaria

Zakaria 9

Ny tany vaovao

1 Teny fitsarana.

Tenin’i Iaveh mamely ny tany Hadràky;

ary ao Damasa no ho fonenany,

– fa ny mason’i Iaveh dia eo amin’ny olona,

sy eo amin’ny fokon’i Israely rehetra; –

2 ary koa ao Hamata, mifanolotra amin’i Damasa,

sy ao Tira mbamin’i Sidona,

satria be fahendrena izy.

3 I Tira dia nanao trano mimandaho azy,

nanangona volafotsy hoatra ny vovoka,

sy volamena hoatra ny fotaka eny an-dalambe.

4 Indro fa ho azon’ny Tompo izy io;

hasiany ny heriny eny amin’ny ranomasina,

ary ny tenany ho levonin’ny afo.

5 Hahita izany i Askalôna, ka hatahotra;

i Gazà koa hiolanolana azon’ny fijaliana;

ary i Akarôna koa, fa efa ho levona ny fanantenany.

I Gazà, tsy hana-mpanjaka intsony,

ary tsy honenana intsony i Askalôna.

6 Vahiny tsy manjary no haka fonenana ao Azota,

ary hofoanako ny avonavon’ny Filistinina.

7 Hoesoriko avy any am-bavany ny rany;

ary avy eo anelanelan’ny nifiny ny fahavetavetany;

ka izy koa dia ho sisa ho an’ny Andriamanitsika;

ho toy ny lohany amin’i Jodà,

ary i Akarôna ho toy ny Jeboseanina.

8 Hitoby manodidina ny tranoko Aho;

hiaro azy amin’ny tafika rehetra sy amin’ny mpandehandeha rehetra;

ka tsy hisy mpampahory hamaky eo aminy intsony,

fa ny masoko no efa nahita ankehitriny.

Ny Mesia

9 Mifalia amin’ny hafaliana lehibe, ry zanaka vavin’i Siôna!

Manaova feo firavoravoana, ry zanaka vavin’i Jerosalema.

Fa indro ny Mpanjakanao avy ho atỳ aminao;

marina izy sady arovan’Andriamanitra;

manetry tena mitaingina ampondra

dia ampondra tanora, zanak’ampondravavy.

10 Hofoanako tsy hisy ny kalesy fiadiana any Efraima,

mbamin’ny soavaly ao Jerosalema,

ary hopotehina ny tsipìka fiadiana.

Hilaza fiadanana amin’ny firenena izy;

ny fanjakany dia hahatratra ny hatramin’ny ranomasina

ka hatramin’ny ranomasina;

ary hatramin’ny ony ka hatramin’ny faran’ny tany.

Fiarenan’i Israely

11 Ho anao koa, noho ny ran’ny fanekena taminao,

no efa hamoahako ny mpifatotrao, avy ao an-davaka tsy misy rano.

12 Miverena ho ao amin’ny fitoerana mimanda,

ianareo babon’ny fanantenana.

Mbola lazaiko anio izao:

Indroa heny no haveriko aminao.

13 Fa henjaniko ho Ahy i Jodà,

ary ataoko amin’ny tsipìka i Efraima.

Hamporisika ny zanakao Aho, ry Siôna,

hiady amin’ny zanakao, ry Javàna,

ary hataoko toy ny sabatry ny lehilahy mahery ianao.

14 Hiseho eo ambonin’izy ireo i Iaveh,

hitsoriaka toy ny helatra, ny zana-tsipìkany.

Hampaneno ny trômpetra ny Tompo Iaveh,

ary handroso amin’ny tafio-drivotra any atsimo.

15 Harovan’i Iavehn’ny tafika izy ireo;

ka handevona, hanitsakitsaka ny vaton’antsamotady,

hisotro, hihavatràvatra toy ny azon-divay,

ary ho feno toy ny kapoaka fisoronana,

toy ny tandroky ny ôtely.

16 I Iaveh, Andriamaniny, no ho famonjena azy ireo,

amin’izany andro izany;

dia ho famonjena ny andian’ondry izay vahoakany;

izy ireo ho toy ny vaton-tsatroboninahitra,

hamirapiratra eo amin’ny taniny.

17 Endrey izany fandrosoana,

endrey izany hatsaran-tarehin’izy ireo!

Ny vary, hampitombo ny zatovo,

ary ny divay vaovao, hampitombo ny virjiny.

Categories
Zakaria

Zakaria 10

Firaiketam-po amin’i Iaveh

1 Mangataha amin’i Iaveh ny ranonorana amin’ny lohataona.

Satria fa i Iaveh no manao ny helatra;

ka homeny ranonorana be izy ireo,

ary ahitra, eny an-tsahan’izy rehetra tsirairay avy.

2 Fa ny terafima nilaza zava-poana,

ary ny ombiasy nahazo fahitana lainga;

nofy foana no ambaran’ireny,

ary fampiononana sandoka no omeny;

ka noho izany, izy ireo mandeha toy ny ondry;

nampahorina, fa tsy nisy mpiandry.

Fanafahana an’i Israely sy fiverenany

3 Nirehitra tamin’ny mpiandry ny fahatezerako,

ary hofaiziko ireo osy lahy!

Fa i Iavehn’ny tafika mamangy ny ondriny,

ny taranak’i Jodà,

ka manao azy toy ny soavalim-boninahiny eo amin’ny ady.

4 Avy aminy no hiavian’ny antoko-miaramila,

avy aminy ny orin-kazo, avy aminy ny tsipìka fiadiana;

avy aminy avokoa no hivoahan’ny filoha rehetra.

5 Izy ireo ho toy ny mpiady mahery,

manitsaka ny fotaka eny an-dalambe amin’ny ady;

hiady izy ireo, satria omban’i Iaveh,

ka hahasafo-kenatra an’ireo mitaingin-tsoavaly.

6 Hohatanjahiko ny taranak’i Jodà,

ary hovonjeko ny taranak’i Josefa;

hanangana azy indray Aho, fa mangoraka azy ireo;

ary ho toy ny tsy nariako akory izy,

fa i Iaveh Andriamaniny Aho, ka hihaino azy ireo.

7 Fa toy ny mpiady mahery, ry zareo Efraima,

hifaly toy ny fifaliana amin’ny divay ny fony;

hahita izany ireo zanany, ka hiravoravo,

ary hientan-kafaliana amin’i Iaveh ny fon’izy ireo!

8 Hisiaka eny aoriana azy eny Aho,

ka hanangona azy fa efa nanavotra azy;

dia hihamaro toy ny efa nihamaroany indray izy.

9 Rehefa nafafiko tany amin’ny firenena izy,

ka mahatsiaro Ahy any an-tany lavitra,

dia hiara-belona izy sy ny zanany, ka samy hiverina.

10 Hampodiko avy any amin’ny tany Ejipta izy ireo,

sy hangoniko avy any Asiria,

dia hoentiko ho ao amin’ny tany Galaada sy Libàna

ka tsy ho omby azy ny tany.

11 Hamaky ny ranomasina, ranomasim-pahoriana izy;

sy hikapoka ny onjan-dranomasina ao amin’ny rano,

dia ho tonga maina avokoa ny halalinan’ny ony.

Haetry ny avonavon’i Asiria,

ary halàna ny tehim-panjakan’i Ejipta.

12 Hampahereziko ao amin’i Iaveh izy ireo,

ka handeha amin’ny Anarany. – teny marin’i Iaveh. –