Categories
Zakaria

Zakaria 11

1 Vohay ny vavahadinareo, ry Libàna,

ary koa ho levon’ny afo ny sederanao!

2 Midradradradrà, ry sipresa, fa lavo ny sedera,

voasimba ny hazo tsara mahagaga.

Midradradradrà, ry oaka ao Basàna,

fa ripaka ny ala mikirindro!

3 Re mitomany migogogogo ny mpiandry ondry,

satria rava ny voninahiny;

re mieronerona ny liona tanora,

fa rava izay nireharehan’i Jordany.

Mpiandry ondry roa

4 Izao no lazain’i Iaveh, Andriamanitro: «Aoka ianao ho mpiandry an’ireo ondry atao famono,

5 izay vonoin’ny mpividy azy ka tsy misy mpiaro, ary ataon’ny mpivarotra azy hoe: ‹Hisaorana anie i Iaveh fa mitombo harena aho!› Ary ny mpiandry tsy mitsimbina azy akory.

6 Fa tsy hitsitsy ny mponina amin’ny tany intsony Aho, – teny marin’i Iaveh – indro Aho hanolotra ny lehilahy samy ho eo an-tanan’ny namany avy, sy ho eo an-tanan’ny mpanjakany avy, ka handrava ny tany ireo, nefa tsy hanafaka amin’ny tanan’ireo Aho.»

7 Dia nilatsaka ho mpiandry ireo ondry natao famono aho, mbamin’ireo mahantra indrindraamin’ny andiany. Naka tehim-piandrasana roa aho, ka ny iray nataoko hoe i Fahasoavana; ary ny iray nataoko hoe i Kofehy; dia nandrasako ny ondry.

8 Telo no mpiandry noesorikotanatin’ny iray volana monja.

Ary izaho, tsy nahatsindry fo tamin’ny ondry; izy ireo koa tofoka ahy.

9 Dia hoy aho: «Tsy hiandry anareo intsony aho, fa matesa izay ho faty, vereza izay ho very, ary mifampihinàna izay sisa!»

10 Nalaiko ilay tehiko Fahasoavana, dia notapahiko, mba hanafoanako ny fanekena nataoko tamin’ny firenena rehetra.

11 Dia voatapaka tamin’izay andro izay io ka dia fantatr’ireo ondry mahantra indrindra, izay nanao ahy ho zavatra, fa izany no tenin’i Iaveh.

12 Ary hoy aho taminy: «Omeo ny karamako, raha tsara eo imasonao izany; fa raha tsy izany, aza manome foana.» Dia nolanjain’izy ireo ny karamako ka sikla volafotsy telopolo.

13 Ary hoy i Iaveh tamiko: «Atsipazo ao amin’ny mpanefytanimanga izany, dia izay vidy benanombanana ahy!» Dia noraisiko ny vola telopolo sikla ka natsipiko tao an-tranon’i Iaveh ao amin’ny mpanefy tanimanga.

14 Raha efa izany, notapahiko koa ilay tehiko, i Kofehy, hanafoanako ny firahalahian’i Jodà sy i Israely.

15 Hoy i Iaveh tamiko: «Raiso amin’izao ny forongon’ny mpiandry vaovao.

16 Fa indro Aho hanangana mpiandry amin’ny tany, izay tsy hanan-draharaha amin’ny ondry maniasia, tsy hitady ny mihahaka, tsy hitsabo ny naratra, tsy hamahana ny salama, fa hihinana ny nofon’izay matavy, sy hamaky ny kitrony.

17 Loza ho an’ny mpiandry tsinontsinona, izay mandao ny ondry! Aoka hasian’ny sabatra ny sandriny sy ny masony ankavanana; ka ny sandriny ho maina, ary ny masony ankavanana ho faty!»

Categories
Zakaria

Zakaria 12

Fanafahana an’i Jerosalema sy fanavaozana azy

1 Didim-pitsarana.

Tenin’i Iaveh amin’i Israely.

Teny marin’i Iaveh,

izay namelatra ny lanitra sy nanorina ny tany,

ary namorona ny fanahin’ny olombelona ao anatiny:

2 Indro hataoko tokonana fanozongozonai Jerosalema

ho an’ny firenena manodidina rehetra;

ary ho an’i Jodà koa izany,

amin’ny hanaovana fahirano an’i Jerosalema.

3 Ary dia hisy zavatra toy izao amin’izany andro izany:

i Jerosalema hataoko vato haingaina

ho an’ny firenena rehetra;

ka izay hanainga azy haratra mafy avokoa,

ary hiangon-kamely azy, ny firenena rehetra amin’ny tany.

4 Amin’izany andro izany, – teny marin’i Iaveh, –

hataoko azon’ny fahatahorana mafy ny soavaly rehetra,

ary azon’ny fahaverezan-kevitra ny mpitaingina azy;

ny taranak’i Jodà, hisokafan’ny masoko;

fa ny soavalin’ny firenena kosa, hasiako fanjambana avokoa.

5 Ny filohan’i Jodà hanao anakampo hoe:

Ny mponina ao Jerosalema dia hery ho ahy

avy amin’i Iavehn’ny tafika, Andriamanitr’izy ireo.

6 Amin’izany andro izany, ireo filohan’i Jodà,

hataoko toy ny fatana mivaivay ao amin’ny hazo,

toy ny fanilo mirehitra, ao anaty amboaram-bary,

ka handevona ny firenena rehetra manodidina

eo amin’ny ankavanana sy eo amin’ny ankavia,

ary i Jerosalema dia mbola ho eo amin’ny fitoerana ao Jerosalema ihany.

7 Ny lain’i Jodà aloha no hovonjen’i Iaveh,

mba tsy hisandratra ambonin’i Jodà,

ny reharehan’ny taranak’i Davida,

sy ny reharehan’ny mponina ao Jerosalema.

8 Amin’izany andro izany, i Iaveh hanangana manda

manodidina ny mponina ao Jerosalema,

ary izay mangozohozo eo amin’izy ireo,

dia ho tahaka an’i Davida amin’izany andro izany,

ary ny taranak’i Davida ho tahaka an’Andriamanitra,

dia ho tahaka ilay Anjelin’i Iaveh, eo anoloan’izy ireo.

9 Ary hisy zavatra toy izao amin’izany andro izany:

Hataoko izay handringanana ny firenena rehetra,

tonga hamely an’i Jerosalema.

10 Ary haidiko amin’ny taranak’i Davida

sy amin’ny mponina ao Jerosalema

ny fanahin’ny fahasoavana amam-piofanana;

ka hatodiny ny masony hijery ahy izay nolefoniny.

Ary hanao fisaonana azy izy,

toy ny fisaonana zanaka lahitokana;

hitomany mafy azy izy ireo

toy ny fitomany zanaka lahy matoa.

11 Amin’izany andro izany, ao Jerosalema, hisy fisaonana lehibe

toy ny fisaonana tao Adadremôna,

amin’ny lohasahan’i Magedao.

12 Ho ao anatin’ny fisaonana ny tany, isam-pianakaviana manokana avy;

ny fianakavian’ny taranak’i Davida manokana,

ny vadin’ireo manokana;

ny fianakavian’ny taranak’i Natàna manokana,

ny vadin’ireo manokana;

13 ny fianakavian’ny taranak’i Levì manokana,

ny vadin’ireo manokana;

ny fianakavian’i Semeì manokana,

ny vadin’ireo manokana;

14 ny fianakaviana sisa rehetra,

samy manokana isam-pianakaviana, ary ny vadin’ireo manokana.

Categories
Zakaria

Zakaria 13

1 Amin’izany andro izany, hisy loharano hisokatra,

ho an’ny taranak’i Davida sy ny mponina ao Jerosalema,

hanasa ny fahotana amam-pahalotoana.

2 Ary hisy zavatra toy izao amin’izany andro izany,

– teny marin’i Iavehn’ny tafika: –

Hofoanako amin’ny tany ny anaran-tsampy,

ka tsy hotononina intsony izany;

ary hoesoriko amin’ny tany koa

ny mpaminany mbamin’ny fanahim-pahalotoana.

3 Ary raha misy mbola maminany ihany,

dia hilazan’ny ray aman-dreniny niteraka azy hoe:

«Tsy ho velona ianao, fa nilaza lainga,

tamin’ny Anaran’i Iaveh!»

Dia ny ray aman-dreniny niteraka azy ihany

no handefona azy eo am-paminaniany eo.

4 Ary hisy zavatra toy izao amin’izany andro izany:

Ny mpaminany samy ho menatra ny fahitany avy

raha maminany izy;

ary tsy hitafy ny kapaoty volom-biby intsony,

mba handaingany.

5 Hisy hilaza hoe: «Tsy mpaminany aho,

fa izaho dia olona mpiasa tany;

satria voavidin’olona hatry ny fony mbola kely aho.»

6 Ary hisy hilaza aminy hoe: «Ka inona itony ratra

amin’ny tananao itony?»

ary hovaliany hoe: «Ny nahavoa ahy toy izao dia tao an-tranon’ny sakaizako.»

Fanomezana aina ny sabatra; ilay vahoaka vaovao

7 Mifohaza, ry sabatra, hamely ny mpiandry ondrikosy hamely ny lehilahy namako! – teny marin’i Iavehn’ny tafika. – Kapohy ny mpiandry, hihahàfan’ny ondry. Dia hamerina ny tanako ho amin’ny madinika Aho.

8 Amin’ny tany rehetra, – teny marin’i Iavehn’ny tafika, – ny androatokony haringana ho faty, ary ny ampahatelony sisa, havela ho ao ihany.

9 Fa io ampahatelony io hampidiriko ao amin’ny afo, hodioviko toy ny fandio volafotsy, haofana toy ny fanofana volamena. Izy hiantso ny Anarako; ary Izaho hamaly azy. Izaho hanao hoe: «Oloko izy!» Ary izy hilaza hoe: «Andriamanitro i Iaveh!»

Categories
Zakaria

Zakaria 14

Ady any am-parany; famirapiratan’i Jerosalema

1 Indro misy andro ho avy ho an’i Iaveh ka ny babo aminao hozaraina eo afovoanao.

2 Hangoniko eo anoloan’i Jerosalema ny firenena rehetra hiady, ary ny tanàna, ho afaka; ny trano horobaina, ny vehivavy hanaovana an-keriny; ary ny antsasaky ny tanàna ho lasan-ko babo; fa ny vahoaka sisa kosa, tsy hofongorana eo an-tanàna akory.

3 Fa hivoaka i Iaveh hiady amin’ireo firenena ireo, toy ny fiadiny amin’ny andro fiadiana.

4 Amin’izany andro izany, ny tongony hipetraka eo an-tendrombohitry ny Oliva, izay manandrify an’i Jerosalema amin’ny lafiny atsinanana, ka hitresaka eo afovoany miantsinanana sy miankandrefana ny tendrombohitry ny Oliva, ka hisy lohasaha lehibe, fa ny antsasaky ny tendrombohitra hitresaka mianavaratra, ary ny antsasany kosa hianatsimo;

5 dia eo amin’ny lohasahan’ny tendrombohitro, no handosiranareo, fa hipaka hatrany Atsalany lohasahan’ny tendrombohitro: toy ny nandosiranareo ny horohoron-tany, tamin’ny andron’i Osiasa, mpanjakan’i Jodà, no handosiranareo. Ary ho avy i Iaveh Andriamanitro, ary ny olo-masinarehetra hiaraka aminy.

6 Amin’izany andro izany, dia hisy zavatra toy izao: ny mazava tsy hisy, fa ny hatsiaka sy ny ranomandry.

7 Izany andro izany, dia ho safatsiroa ary fantatr’i Iaveh, ka tsy ho andro izy, tsy ho alina, ary amin’ny fotoan’ny hariva dia hisy ny mazava.

8 Amin’izany andro izany, dia hisy zavatra toy izao: Hisy rano velona, hivoaka avy ao Jerosalema, ny antsasany hankany amin’ny ranomasina atsinanana, ny antsasany hankany amin’ny ranomasina andrefana; dia ho toy izany na amin’ny fahavaratra na amin’ny ririnina.

9 Ary i Iaveh ho tonga mpanjaka amin’ny tany rehetra; ary amin’izany andro izany, dia ho tokana ihany i Iaveh, ary ny Anarany ho tokana ihany.

10 Hovana ho tany lemaka ny tany rehetra, hatrany Bagaà ka hatrany Remôna, eo atsimon’i Jerosalema.

Ary hasandratra sy hipetraka amin’ny toerany i Jerosalema, dia hatreo amin’ny vavahadin’i Benjamina ka hatreo amin’ny fitoeran’ny vavahadin’ny Zoro, ary hatreo amin’ny tilikambo Hananeely ka hatrany amin’ny famiazam-boaloboky ny mpanjaka.

11 Ny olona, honina ao, ny anatema tsy hisy intsony; ary i Jerosalema handry feizay.

12 Izao no fery hamelezan’i Iaveh ny firenena niady tamin’i Jerosalema: ny nofony hataony hihalò am-pitsanganana; ny masony hihalò ao anaty taola-masony; ary ny lelany hihalò ao am-bavany.

13 Amin’izany andro izany dia hisy zavatra toy izao: Avy amin’i Iaveh no hisian’ny fikorontanana lehibe eo amin’izy ireo, ka samy hisambotra ny tanan’ny rahalahiny avy ny olona, sady hanainga tanana hamely ny namany avy.

14 I Jodà koa hiady amin’i Jerosalema. Ary ho voaangona ny harena amin’ny firenena rehetra manodidina, dia volamena sy volafotsy, ary fitafiana be dia be.

15 Ary ny fery hamely ny soavaly, ny mole, ny rameva, ny ampondra, mbamin’ny biby rehetra amin’ireny toby ireny, ho sahala amin’io fery io ihany.

16 Izay rehetra sisa tavela amin’ny firenena niakatra namely an’i Jerosalema, hiakatra isan-taona avokoa, hiankohoka eo anatrehan’ny Mpanjaka, Iavehn’ny tafika, sy hankalaza ny fetin’ny Tabernakla.

17 Izay fianakaviana tsy mba hiakatra any Jerosalema hiankohoka eo anatrehan’ny Mpanjaka, Iavehn’ny tafika, dia tsy mba hilatsahan’ny orana.

18 Ary raha ny fianakavian’i Ejipta no tsy miakatra sy tsy tonga, dia tsy hilatsahan’ny ranonorana koa izy, sady hasian’ny fery hamelezan’i Iaveh an’izay tsy miakatra hankalaza ny fetin’ny Tabernakla.

19 Izany no sazy hanjò an’i Ejipta sady sazy hanjò ny firenena rehetra, izay tsy miakatra hankalaza ny fetin’ny Tabernakla.

20 Amin’izany andro izany, ny korintsandrintsan-tsoavaly, dia hisy hoe: Fahamasinana ho an’i Iaveh; ary ny vilany ao an-tranon’i Iaveh, ho toy ny kapoaka eo anoloan’ny ôtely.

21 Ny vilany rehetra ao Jerosalema sy any Jodà koa, dia ho zava-boatokana ho an’i Iavehn’ny tafika avokoa. Ka izay hanao sorona rehetra, dia ho avy haka amin’ireny sy hahandro ny henany ao aminy avokoa; ary tsy hisy Kananeanina intsony, ao an-tranon’i Iavehn’ny tafika, amin’izany andro izany.