Categories
Osea

Osea 13

Sazin’ny mpanompo sampy

1 Raha vao niteny i Efraima, dia nihorohoro ny olona;

nisandratra izy teo amin’i Israely.

Fa tonga meloka izy noho ny amin’i Baala, ka maty.

2 Ary ankehitriny izy ireo mandroso manota ihany;

nanao sarin-javatra anidinatamin’ny volany,

dia sampy araka izay hevitra foroniny;

asan’ny mpanao taozavatra foana izany!

Izao no filazan’ny olonaazy ireo! Mpanao sorona olona,

manoroka zanak’omby.

3 Noho izany izy ireo dia ho tahaka ny rahona maraina,

ho toy ny ando amin’ny maraina malaky levona,

ho tahaka ny akofa paohin’ny rivotra avy eo am-pamoloana,

ary ho tahaka ny setroka mivoaka avy eo am-baravarankely.

Sazin’ny tsy mpankasitraka

4 Ary Izaho no Iaveh Andriamanitrao,

hatrany amin’ny tany Ejipta;

tsy hahalala Andriamanitra afa-tsy Izaho ianao;

ary eo ivelan’ny Tenako tsy misy mpamonjy.

5 Nahalala anao tany an’efitra Aho

tany amin’ny tany fahamainana.

6 Nony nahazo hanina izy ireo, dia nivoky;

nivoky izy ka nisondrotra ny fony;

ka izany no nanadinoany Ahy.

7 Izaho kosa amin’izy ireo, dia ho toy ny liona,

ho tahaka ny pantera, hamitsahako eny amoron-dalana izy.

8 Hiantoraka aminy toy ny orsa very anaka Aho,

handriatra ny sarom-pony Aho

ary handrapaka azy eo, toy ny liom-bavy;

ny biby any an-tsaha hamotipotika azy.

Foana ny fanjakana

9 Izao no mahavery anao, ry Israely,

dia ianao manohitra Ahy,

manohitra an’izay vonjinao.

10 Aiza àry izay mpanjakanao,

hamonjy anao ao an-tanànanao rehetra?

Ary aiza ireo mpitsaranao, izay nilazanao hoe:

Omeo mpanjaka ama-mpanapaka Aho?

11 Omeko mpanjaka ianao amin’ny hatezerako;

ary esoriko ireny amin’ny fahavinirako.

Tsy maintsy rava

12 Voafehy ny helok’i Efraima,

atao tsara tahiryny fahotany.

13 Voan’ny fanaintainan’ny vehivavy raha miterakaizy;

zaza tsy manam-pahendrena,

fa nony tonga ny fotoana, tsy mandroso izy ho teraka.

14 Hanafaka azy amin’ny herin’ny Seoly Aho,

hanavotra azy amin’ny fahafatesana.

Ry fahafatesana ô, aiza ny aretina fandripahanao?

Ry Seoly ô, aiza ny fandringananao?

Miafina amin’ny masoko ny nenina.

15 Fa hahavokatra eo amin’ny rahalahiny i Efraima;

nefa ho tonga ny rivotra avy atsinanana;

hiakatra avy any an’efitra ny fofon’ain’i Iaveh;

ka ho maina ny loharanony;

ho tankina ny fantsakàny;

hobaboiny ny firaketan’ny zava-tsarobidy rehetra.

Categories
Osea

Osea 14

1 Hofaizina i Samaria,

fa niodina tamin’ny Andriamaniny;

ho lavon-tsabatra izy ireo!

hotorotoroina ny zanany madinika;

ary hotatahana ny kibon’ireo vadiny bevohoka.

3. FIBEBAHAN’I ISRAELY SY FAMITRANAM-PIHAVANANA NY HO AVY

2 Miverena amin’i Iaveh, ry Israely,

fa ny helokao no nahalavo anao.

3 Mitondràteny ianareo, miaraka aminareo,

ka miverena amin’i Iaveh, lazao aminy hoe:

Esory ny heloka rehetra ary raiso izay tsara.

Aoka hatolotray Anao ho solon’ny vantotr’ombalahy

ny teny avy amin’ny molotray.

4 I Asora tsy hamonjy anay,

izahay tsy hitaingin-tsoavaly;

na hiteny hoe: Ry Andriamanitray ô!

amin’ny asan’ny tananay.

Ianao, izay ahitàn’ny kamboty fiantrana!

5 Hositraniko ny fiodinany;

ho tiako amin’ny foko tokoa izy,

fa efa niala taminy ny fahatezerako.

6 Ho toy ny ando Aho amin’i Israely;

ka haniry toy ny lisy izy,

ary handatsaka ny fakany tahaka an’i Libàna.

7 Ny rantsany hisandrahaka;

ny voninahiny, ho toy ny an’ny fototr’ôliva,

ary ny fofony manitra ho tahaka ny an’i Libàna.

8 Izay ho avy hiala sasatra ao ambanin’ny alokalony,

hampahavokatra ny vary indray;

haniry toy ny voaloboka izy;

ary ho tahaka ny divain’i Libànany anarany.

9 Efraima… Inona no mbola mba hataony any amin’ny sampy?

Izahono efa mamaly ny fangatahany sy mitsinjo azy;

tahaka ny sipresamaitso Aho;

Izaho no iavian’ny voanao.

Fampitandremana farany

10 Izay hendry no aoka hahafantatra izany zavatra izany,

izay manan-tsaina aoka hiaiky izany ho marina.

Fa mahitsy ny lalan’i Iaveh;

ka ny marina no hizotra eo,

fa ny mpiodina kosa, lavo aminy.

Categories
Joely

Joely 1

1. LOZA AVY AMIN’NY VALALA

1 Tenin’i Iaveh tonga tamin’i Joelyzanak’i Fatoely.

A. Hira fitomaniana amin’ny loza manjò ny tany

2 Mihainoa an’izao ianareo anti-panahy;

mitongilàna sofina ianareo rehetra monina amin’ny tany!

Mba efa nisy toy izao va tamin’ny andronareo,

na tamin’ny andron’ny razanareo?

3 Aoka hilaza izao ianareo amin’ny zanakareo,

ny zanakareo amin’ny zanany,

ary ny zanak’izy ireo, amin’ny taranaka mandimby azy.

4 Ny sisan’ny Gazànanohanin’ny valala;

ny sisan’ny valala nohanin’ny ieleka

ny sisan’ny ieleka nohanin’ny kasila.

5 Mifohazaianareo mpimamo, ka mitomania;

ianareo rehetra mpisotro divay dia midradradradrà,

noho ny amin’ny divay vaovao;

izay notapahina tsy ho amin’ny vavanareo intsony.

6 Fa misy firenena niakatra tamin’ny taniko

sady mahery no tsy hita isa;

ka ny nifiny dia nifin-diona;

ary ny vazany vazan-diom-bavy.

7 Nosimbany ny voaloboko;

notapatapahiny ny aviaviko;

dia nataony makiky sady nazerany ireny;

ary tonga tena fotsy mihitsy ny rantsany.

8 Midradradradrà ianao toy ny virjiny mitafy lasàka

hitomany ny vadin’ny fahatanorany.

9 Tapaka tsy misy intsony ny fanatitra amam-panatitra araraka, ao an-tranon’i Iaveh;

misaona ny mpisoronampanao raharahan’i Iaveh!

10 Simba ny saha; misaona ny tany, fa levona ny vary,

mangaihay ny divay vaovao, reraka ny diloilo.

11 Mangaihaiza, ry mpiasa tany,

midradradradrà ry mpamboly voaloboka,

noho ny amin’ny vary sy ny orja;

satria majifa ny vary hojinjaina any an-tsaha.

12 Mangaihay ny voaloboka, ary reraka ny aviavy;

ny ampongabendanitra mbamin’ny antrendry sy ny paoma,

dia ny hazo rehetra any an-tsaha, no efa maina avokoa;

menatra ny hafaliana ka nihataka

lavitra ny zanak’olombelona.

B. Fiantsoana hibebaka sy hivavaka

13 Mietrà, mitolokoa, ianareo mpisorona;

midradradradrà ianareo mpanao ny fanompoana momba ny ôtely!

Avia hiari-tory mitafy lasàka,

ianareo mpandraharahan’ny Andriamanitro,

fa ny fanatitra amam-panatitra araraka

dia voatana lavitra ny tranon’ny Andriamanitrareo.

14 Miantsoa fifadian-kanina; mamoria ny fiangonana;

vorio ny loholona, izay rehetra monina amin’ny tany,

ao an-tranon’i Iaveh Andriamanitrareo,

15 ka mitaraina amin’i Iaveh hoe: «Indrisy, ity andro ity!

Fa efa antomotra ny andron’i Iaveh!

Tamy toy ny fandravana avy amin’ny Tsitoha!»

16 Tsy efa noesorina teo imasontsika va ny hanina

mbamin’ny fifaliana amam-piravoravoana izay voaesotra

tao an-tranon’ny Andriamanitsika?

17 Maina tao ambany bainga ny voa nafafy;

foana ny sompitra;

mirodana ny trano fitahirizana,

satria mangaihay ny vary.

18 Endrey izany fitolokon’ny biby;

Mihoalahoala ny andian’omby,

satria tsy manan-kanina izy,

miferinaina mbamin’ny andian’ondry.

19 Mitaraina aminao aho, Iaveh ô,

fa levon’ny afo ny kijana an’efitra,

voadoron’ny lelafo ny hazo rehetra any an-tsaha.

20 Mimamamama miantso Anao hatramin’ny biby dia,

satria ny renirano ritra;

ny kijana an’efitra levon’ny afo.

Categories
Joely

Joely 2

D. Ny andron’i Iaveh. Loza mahatsiravina fanairana amin’ny andron’i Iaveh

1 Tsofy ao Siôna ny anjomara;

ary ampanenoy ao an-tendrombohitra masina ny trômpetra.

Ary aoka hangovitra ny mponina rehetra amin’ny tany,

fa tonga ny andron’i Iaveh, fa efa antomotra!

2 Andro maizina sy manjombona,

andro mandrahona sy manjavona mainty!

Toy ny fahazavan’ny maraina, manerana ny tendrombohitra,

no iavian’ity firenena maro sady mahery,

tsy mbola nisy toy izany hatrizay hatrizay,

ary tsy hisy toy izany any aoriana any,

hatramin’izay taon-ko avy amin’ny andro mbola ho ela indrindra.

Ilay tafika mamely

3 Eo anoloany misy afo mandevona,

ary eo aoriany misy lelafo mandoro.

Ny tany eo alohany, toy ny zaridain’i Edena,

ary ny eo aoriany, toy ny efitra voarava;

tsy misy tsy asiany na kely akory aza.

4 Toy ny soavalyno fijery azy,

ary toy ny mpitaingin-tsoavaly ny firiotrany.

5 Misy re hoatra ny firodorodon’ny kalesy

mievotrevotra eny antampon-tendrombohitra;

tahaka ny firohondrohon’ny lelafo,

mandevona ny mololo;

ary tahaka ny firenena mahery,

voalahatra hiady.

6 Eo anoloan’izy ireony firenena, mangovitra matahotra,

ny tarehy mivaloarika avokoa.

7 Mihazakazaka hoatra ny olo-mahery izy ireo,

mananika ny manda, toy ny lehilahy mpiady,

samy mandeha amin’ny lalany avy;

fa tsy mifanjevo amin’ny lalana alehany akory.

8 Tsy mba misy mifanosika izy,

fa samy mizotra amin’ny lalany avy;

mirimorimo eo afovoan’ny zana-tsipìka izy,

ary tsy mba mandrava laharana.

9 Miely eran’ny tanàna izy,

mihazakazaka eo ambonin’ny manda,

mananika ny trano,

mitsofoka amin’ny varavarankely toy ny mpangalatra.

Fahitana ny andron’i Iaveh

10 Eo anoloan’izy io, mihorohoro ny tany,

mihozongozona ny lanitra,

mihamaizina ny masoandro amam-bolana,

ary mihamaloka ny kintana.

11 Ampandrenesin’i Iaveh ny feony eo amin’ny loha tafiny;

fa tsy erany ny haben’ny tobiny,

ary mahery fo ny mpanatanteraka ny teniny.

Fa lehibe sy mahatahotra indrindra ny andron’i Iaveh,

ka zovy no hahatanty an’izany?

E. Fiantsoana ny olona hibebaka

12 Na ankehitriny aza anefa, – teny marin’i Iaveh, –

miverena amiko, amin’ny fonareo rehetra,

amin’ny fifadian-kanina sy amin-dranomaso amam-pitarainana.

13 Ny fonareo no triatriaro, fa aza ny fitafianareo,

dia miverena amin’i Iaveh Andriamanitrareo,

fa mamindra fo sy miantra izy,

malain-kitezitra sy be hatsaram-po,

ary ny loza afitsony dia alahelovany.

14 Iza moa no mahalala fa tsy mihemotra sy tsy hanenina,

ary tsy hamela hitafiana eo aoriany izy,

dia ny fanatitra amam-panatitra araraka ho an’i Iaveh Andriamanitsika?

15 Tsofy ao Siôna, ny trômpetra,

miantsoa fifadian-kanina,

mamoria fiangonana.

16 Eho ny vahoaka,

miantsoa fivoriana masina,

angony ny anti-panahy,

vorio ny ankizy madinika,

sy ny zaza minono.

Aoka ny mpampakatra handao ny efitranony,

ary ny ampakarina ny trano lainy.

17 Eo anelanelan’ny alo-baravarana sy ny ôteliny,

dia aoka ny mpisorona

mpanao raharahan’i Iaveh, hitomany

ka hanao hoe: «Iaveh ô, tsimbino ny vahoakanao,

aza atolotrao halaim-baraka ny lovanao,

ka hataon’ny firenena fandatsa.

Ahoana no dia anaovanao any amin’ny firenena hoe:

Fa aiza izay Andriamaniny?»

2. Valy avy amin’i Iaveh

18 Nentanin’ny fahasaro-piaro ny taniny i Iaveh

ka namindra fo ny vahoakany.

Fiafaran’ny loza sy fanafahana

19 Dia namaly i Iaveh ka nanao tamin’ny vahoakany hoe:

«Indro ianareo efa nandefasako vary,

sy divay vaovao aman-diloilo,

dia ho vokin’izany ianareo;

ary tsy hataoko fandatsa any amin’ny firenena intsony ianareo.

20 Hampanalaviriko anareo ilay avy any avaratra,

ka horoahiko ho any amin’ny tany karankaina sy efitra izy;

Ny lohalalany ho any amin’ny ranomasina atsinanana.

Ny vodilalany ho any amin’ny ranomasina andrefana;

ka fofona mantsinano hanetona avy aminy,

ary hiakatra ny fahamaimboany!»

Satria nahefa zava-dehibe izy!

Fahitana fanambinana

21 Aza matahotra, ry tany,

fa mifalia sy miravoravoa,

satria nanao zava-dehibe i Iaveh!

22 Aza matahotra, ry biby any an-tsaha,

fa ny kijana any an’efitra efa nihamaitso indray,

ny hazo, efa namoa;

ny aviavy amam-boaloboka nanolotra ny vokany sarobidy

23 Ary ianareo, ry zanak’i Siôna, aoka hientan-kafaliana

sy ho ravoravo ao amin’i Iaveh Andriamanitrareo;

fa ny mpampianatra efa nomeny anareo hanoro ny marina,

ny andro alatsany ho anareo,

dia ny fara orana sy ny loha orana,

toy ny taloha indray.

24 Ho feno vary ny famoloanareo;

ary ho tondraka ny divay vaovao aman-diloilo ao amin’ny barìka.

25 Honerako aminareo ny taona

nolevonin’ny valala

sy ny ieleka ary ny kasila sy ny gazàna,

izay tafiko lehibe

efa nalefako hamely anareo.

26 Hihinana be ianareo ka ho voky,

dia hidera ny Anaran’i Iaveh Andriamanitrareo,

izay nanao zava-mahagaga ho anareo;

ary tsy ho menatra intsony ny vahoakako, na oviana na oviana.

27 Dia ho fantatrareo fa eo afovoan’i Israely Aho!

Izaho no Iaveh Andriamanitrareo, fa tsy misy hafa intsony;

ary tsy ho menatra intsony ny vahoakako

na oviana na oviana!

Categories
Joely

Joely 3

1. Firotsahan’ny Fanahy

1 Ary rehefa afaka izany, dia indro

fa handatsaka ny Fanahiko amin’ny nofo rehetraAho,

ka ny zanaka lahy aman-janaka vavinareo haminany;

ny anti-panahinareo hahita nofy,

ny zatovonareo hahazo fahitana.

2 Na dia ny mpanompo lahy ama-mpanompo vavy aza,

handatsahako ny Fanahiko amin’izany andro izany.

3 Haneho zava-mahagagaeny an-danitra sy etỳ

an-tany Aho,

dia ra sy afo aman-tsetroka mitankosina.

4 Ny masoandro hiova ho haizina,

ary ny volana ho ra,

alohan’ny hahatongavan’ny andron’i Iaveh,

izay sady lehibe no mahatahotra.

5 Ary na zovy na zovy hiantsony Anaran’i Iaveh, dia ho voavonjy;

fa ao an-tendrombohitra Siôna sy ao Jerosalema

dia hisy fivorian’ny voavonjy araka ny voalazan’i Iaveh,

mbamin’ireo eo amin’izay sisa velona, izay antsoin’i Iaveh.

Categories
Joely

Joely 4

2. Fitsarana ny vahoaka

1 Fa amin’izany andro izany, sy amin’izany fotoana izany,

izay hampodiakoireo lasan-ko babo avy amin’i Jodà sy i Jerosalema,

2 dia indro fa hovoriko ny firenena rehetra,

ka hoentiko midina ho eo amin’ny lohasahan’i Jôsafata;

ary eo no hifandaharako amin’izy ireo,

noho ny amin’i Israely vahoakakosy lovako,

izay naeliny tany amin’ny firenena,

sy noho ny amin’ny taniko izay nozarazarainy.

3 Satria nanaovany lokany vahoakako,

zaza lahy no nataony takalon’ny vehivavy janga,

ary zaza vavy no namidiny divay, ka nisotro izy ireo.

Fitarainana amin’ny ataon’ny Fenisianina sy ny Filistinina

4 Ny aminareo koa dia mifaninona Izaho sy ianareo, ry Tira sy Sidona,

mbaminareo faritany rehetra any Filistia?

Mitady ny hamaly Ahy va ianareo?

Raha mba mihaika Ahy ianareo,

dia vetivety foana tsy ampy toy inona no hanatsingerenako

eo an-dohanareo ny fihaikanareo;

5 fa ianareo no naka ny volafotsy amam-bolamenako,

ianareo no nitondra ho any an-tempolinareo

ny firavako sarobidy indrindra;

6 ianareo no nivarotra tamin’ireo zanak’i Javàna

ny zanaka lahin’i Jodà sy ny zanaka lahin’i Jerosalema,

mba hitondrana azy lavitra ny taniny.

7 Fa indro Aho kosa efa hampitsangana azy

any amin’ny tany nivarotanareo azy,

sy hampitsingerina ny fihaikanareo ho eo an-dohanareo.

8 Hamidiko ny zanaka lahy aman-janaka vavinareo

ho eo an-tanan’ny zanak’i Jodà,

ka hamidiny amin’ny Sabeanina

amin’ny firenena lavitra any;

fa i Iaveh efa niteny.

Fiantsoana ny vahoaka

9 Miantsoa izao any amin’ny firenena:

Miomàna hiady ianareo!

Asaovy mitsangana ny lehilahy mahery!

Aoka hanatona, aoka hiakatra avokoa,

ny lehilahy mpiady rehetra!

10 Manaova sabatra amin’ny angadinareo;

sy lefona amin’ny antsinareo;

aoka ny osa hilaza hoe: olo-mahery fo aho!

11 Faingàna ianareo, tongava avokoa

ianareo firenena manodidina rehetra, ka mivoria.

Iaveh ô, ento midina ao ny maherinao!

12 Aoka hitsangana ny firenena, ary aoka hitraka izy

ho eny amin’ny lohasahan’i Jôsafata!

Fa any no hipetrahako hitsara

ny firenena rehetra manodidina.

13 Raiso ny antsyfijinjàna fa masaka ny vary;

avia hanosihosy fa feno ny famiazam-boaloboka,

mihoatra ny barìka;

satria be ny haratsian’izy ireo.

14 Vahoaka be, vahoaka be,

ao amin’ny lohasahan’ny fanapahana!

Ny andron’i Iaveh

15 Ny masoandro amam-bolana, nihamaizina,

afaka amin’ny kintana ny famirapiratany.

16 Hierona avy ao Siôna i Iaveh,

ary hampandre ny feony avy eo Jerosalema Izy;

hihorohoro ny tany aman-danitra.

Nefa i Iaveh no ho fialofana ho an’ny vahoakany,

ho fiarovana ho an’ny zanak’i Israely.

17 Dia ho fantatrareo fa Iaveh Andriamanitrareo Aho,

izay monina ao Siôna, tendrombohitro masina;

ho fitoerana masina i Jerosalema,

ka tsy hodiavin’ny hafa firenena intsony.

Fiadanan’i Israely tafarina

18 Amin’izany andro izany dia hitete

avy amin’ny tendrombohitra rehetra

ny divay vaovao;

ny havoana handriaka ronono;

ary ny lohasahan-driaka any Jodà, hitsororohan’ny rano avokoa.

Hisy loharano hivoaka avy ao an-tranon’i Iaveh,

ka handena ny lohasahan’ny Akasià.

19 I Ejipta kosa, hanjary tany lao,

i Edôma ho efitrafaharavana,

noho ny fahasahiana namelezany ny taranak’i Jodà,

fa nandatsaka ny ra tsy manan-tsiny teo amin’ny taniny izy ireo.

20 Ary i Jodà, honenana mandrakizay,

ary i Jerosalemakoa mandritra ny taona mifandimby.

21 Fa hosasako ny ran’izy ireo, izay mbola tsy voasasako.

Dia honina ao Siôna i Iaveh.

Categories
Amôsy

Amôsy 1

Lohateny

1 Tenin’i Amôsy, isan’ireo mpiandry ondry tao Tekôe. Izay hitany momba an’i Israely, tamin’ny andron’i Oziasa, mpanjakan’i Jodà, sy tamin’ny andron’i Jerôbôama, zanak’i Jôasa, mpanjakan’i Israely, roa taona talohan’ny horohoron-tany. Hoy izy:

Sasin-teny

2 Hierona avy ao Siôna i Iaveh;

ary hampandre ny feony avy ao Jerosalema Izy;

ny tany fiandrasan’ny mpiandry ondry, hisaona;

ary ny tampon’i Karmela, ho maina.

I Damasy

3 Izao no lazain’i Iaveh:

«Noho ny heloka telonataon’i Damasy,

– ary noho ny efatra – tsy hahemotro ny didy.

Satria izy ireo nanorotoro an’i Galaada

tamin’ny ambaràmbana vy,

4 dia handefaso afo ny tranon’i Hazaely

ka handevona ny lapan’i Ben-Hadada izany.

5 Homontsaniko ny hidin’i Damasa,

haringako ny mponina ao Bikata Avena,

ny mitana ny tehim-panjakana any Bet-Edena;

ary hoentina babo ho any Kirany vahoaka any Siria,»

hoy i Iaveh.

I Gazà sy i Filistia

6 Izao no lazain’i Iaveh:

«Noho ny heloka telo nataon’i Gazà,

– sy noho ny efatra, – tsy hahemotro ny didy.

Satria olona babo an’andiany mihitsy no nentiny nataony sesitany

mba hatolony ho any Edôma,

7 dia handefa ny afo anatin’ny mandan’i Gazà Aho

ka handevona ireo lapany izany;

8 haringako ny mponina rehetra ao Azota,

sy izay mitana tehim-panjakana ao Askalôna;

dia hafotitro amin’i Akarôna indray ny tanako;

ka ho faty izay sisa amin’ny Filistinina,»

hoy ny Tompo Iaveh.

I Tira sy i Fenisia

9 Izao no lazain’i Iaveh:

«Noho ny heloka telo nataon’i Tira

– sy noho ny efatra – tsy hahemotro ny didy,

satria nanolotra olona babo an’andiany mihitsy ho any Edôma izy,

fa tsy nahatsiaro fanekem-pirahalahiana,

10 dia handefa ny afo ao ambonin’ny mandan’i Tira Aho,

ka handevona ireo lapany izany.»

I Edôma

11 Izao no lazain’i Iaveh:

«Noho ny heloka telo nataon’i Edôma,

– sy noho ny efatra – tsy hahemotro ny didy.

Satria nanenjika ny rahalahiny tamin’ny sabatra izy,

fa namono ny fangoraham-po

ary satria mamiravira lalandava ny hatezerany

sy mitahiry ny lolom-pony hatramin’ny farany,

12 dia handefa afo ho ao TemànaAho

ka handevona ny lapan’i Bôsrà izany.»

I Amôna

13 Izao no lazain’i Iaveh:

«Noho ny heloka telo nataon’ny taranak’i Amôna,

– sy noho ny efatra – tsy hahemotro ny didy.

Satria notatahany ny kibon’ny vehivavy bevohoka teo Galaada,

mba hanitarany ny faritaniny,

14 hampirehitra afo ao ambonin’ny mandan’i RahabaAho,

ka handevona ny lapany izany,

eo amin’ny akoran’ady toy ny amin’ny andro iadiana,

sy eo amin’ny rivo-mahery mitambolimbolina amin’ny andron’ny tafio-drivotra.

15 Ary ho lasan-ko babo ny mpanjakany,

dia izy sy ireo mpanapaka ao aminy koa»,

hoy i Iaveh.

Categories
Amôsy

Amôsy 2

I Moaba

1 Izao no lazain’i Iaveh:

«Noho ny heloka telonataon’i Moaba,

– sy noho ny efatra – tsy hahemotro ny didy.

Satria nodorany ny taolan’ny mpanjakan’i Edôma, nataony zary sokay,

2 dia handefa ny afo ho ao amin’i Moaba Aho,

ka handevona ny lapan’i Kariotaizany;

ary i Moaba ho faty ao anatin’ny tabataba be,

sy ny akoran’ady, mbamin’ny feon-trômpetra.

3 Hofoanako tsy hisy mpitsaraao aminy

ary hovonoiko miaraka aminy avokoa ny mpifehy ao aminy,» hoy i Iaveh.

I Jodà

4 Izao no lazain’i Iaveh:

«Noho ny heloka telo nataon’i Jodà,

– sy noho ny efatra – tsy hahemotro ny didy.

Satria nanary ny lalàn’i Iaveh izy,

sady tsy nitandrina ny didiny,

ka nety havilivilin’ny sampin-daingany,

dia ireo izay narahin’ny razany,

5 dia handefa ny afo ho ao amin’i Jodà Aho

ka handevona ny lapan’i Jerosalema izany.»

6 Izao no lazain’i Iaveh:

«Noho ny heloka telo nataon’i Israely

– sy noho ny efatra – tsy hahemotro ny didy.

Satria namidiny vola ny marina;

ary ny mahantra koa noho ny kapa iray lomisy;

7 satria iriny mafy ny hahitany vovo-tany

eo an-dohan’ny olona ory;

sy ataony izay hiketrahan’nylalan’ny madinika;

satria olo-mianaka izy samy mandeha amin’ny zazavavy iray ihany

mba handotoany ny Anarakomasina;

8 satria lamba azony tamin’ny tsatòkano iamparany

eny anilan’ny ôtely rehetra eny;

ary ny divay avy amin’izay nosaziny lamandy no sotroiny

ao an-tranon’nyandriamaniny.

9 Teo anoloan’izy ireo anefa no nandringanako ny Amôreana

izay avo be hoatra ny sedera,

sy matanjaka hoatra ny oaka.

Noravako avokoa ny voany teny ambony,

sy ny fakany teo ambany.

10 Nitondra anareo niakatra avy any amin’ny tany Ejipta anefa Aho,

sy nitari-dalana anareo, efapolo taona, tany an’efitra,

mba hametrahako anareo ho tompon’ny tanin’ny Amôreana.

11 Nanangana mpaminany, tamin’ireo zanaka lahinareo Aho,

sy nazareanina tamin’ireo zatovonareo,

sa tsy izany va, ry zanak’i Israely?»

– teny marin’i Iaveh. –

12 «Kanjo ny nazareanina nampisotroinareo divay;

ary ny mpaminany, nomenareo didy hoe: Aza maminany!

13 Indro Aho efa hanosihosy anareo,

hoatra ny fanosihosin’ny sarety

raha feno amboara.

14 Ka ny faingam-pandeha, tsy ho afa-mandositra;

ary ny matanjaka, tsy hahavonjy ny ainy;

15 ary ny mpahay tsipìka tsy hahatohitra;

ary ny faingan-tongotra, tsy ho afa-mitsoaka;

ary ny mpitaingin-tsoavaly, tsy hahavonjy ny ainy.

16 Ary ny mahery fo amin’ny mahery

handositra miboridanaamin’izany andro izany»,

– teny marin’i Iaveh. –

Categories
Amôsy

Amôsy 3

I Israely

1 Henoy izao teny izao notononin’i Iaveh

ny aminareo, ry zanak’i Israely,

ny amin’ny fianakaviana rehetra

nentiko niakatra avy any amin’ny tany Ejipta, – dia ireto hoe:

2 Ianareo irery no fantatro

tamin’ny firenena rehetra ambonin’ny tany;

ka izany no hamaizako anareo

noho ny helokareo rehetra.

Fifidianana sy sazy

3 Miara-mandeha va ny olona roa,

raha tsy efa nifanaiky izy?

4 Mierona any an’ala va ny liona,

raha tsy efa nahazo remby?

Maneno any an-davany va ny feon’ny liona tanora,

raha mbola tsy nahazo na inona na inona akory?

5 Latsaka amin’ny fandrika eo amin’ny tany va ny fody,

raha tsy misy hanim-pandrika ho azy ao?

Moa miainga avy eo amin’ny tany va ny fandrika,

raha tsy efa nahazo zavatra izy?

6 Trômpetra va no haneno ao an-tanàna,

ka tsy hivadi-po ny vahoaka?

Misy lozatonga amin’ny tanàna va,

raha tsy i Iaveh no nahatonga izany?

7 Fa tsy manao na inona na inona ny Tompo Iaveh,

raha tsy efa nanambara ny heviny miafina

tamin’ny mpaminany mpanompony.

8 Efa nierona ny liona, ka zòvy no tsy hatahotra?

Efa niteny ny Tompo Iaveh, ka iza no tsy haminany?

Nihasimba i Samaria ka ho levona

9 Ampandrenesoeo ambonin’ny lapan’i Azota izao teny izao,

ary eo ambonin’ny lapan’ny mpanjakan’i Ejipta koa,

ka ataovy hoe: «Miangòna any an-tendrombohitr’i Samaria ianareo,

ka zahao izato fikorontanam-be ao aminy,

sy izato fahasiahana ao anatiny.»

10 Ary tsy mahay manaraka ny hitsiny izy ireo,

– teny marin’i Iaveh, –

dia ireo izay mampiavosa ny fahasiahana amam-pandrobana

ao anatin’ny lapany.

11 Koa izao no lazain’ny Tompo Iaveh:

«Inty ny fahavalo, manodidina ny tany izy,

ka ny herinao hendahany aminao;

ary ny lapanao ho voaroba.»

12 Izao no lazain’i Iaveh:

«Toy ny fanatsoakan’ny mpiandry ondry, avy eo am-bavan’ny liona

ny ranjo roa na tendron-tsofina iray,

no famonjy ny zanak’i Israely

izay mipetraka ao Samaria,

eo an-joron’ny sezabe, eo ambonin’ny ondana

avy any Damasy.»

Teny mamely an’i Betela sy ireo tranony mierinerina

13 Mihainoa ianareo ka lazao marina

eny amin’ny taranak’i Jakôba,

– teny marin’ny Tompo Iaveh, Andriamanitry ny tafika: –

14 Amin’ny andro hamaliako an’i Israely noho ny fandikany ny lalàna,

no hamaliako ny momba an’ireo ôtely ao Betela koa;

hokapaina ny tandroky ny ôtely ka hianjera amin’ny tany.

15 Hasiako ny trano ririninaaman-trano fahavaratra;

hosimbana ny trano ivoara

ary horavàna ny trano maro – teny marin’i Iaveh. –

Categories
Amôsy

Amôsy 4

Teny mamely ireo vehivavy tao Samaria

1 Henoinareo izao teny izao,

ry omby vavin’iBasàna,

izay eny an-tendrombohitr’i Samaria,

dia ianareo izay mampahory ny osa,

sy manosihosy ny tsy manana,

ianareo izay milaza amin’ny vadinareo hoe:

Mitondrà hosotrointsika!

2 Nianiana tamin’ny fahamasinany, ny Tompo Iaveh:

Indro ho avy aminareo ny andro

hipaohana anareo amin’ny farango,

sy ny taranakareo amin’ny firombaka.

3 Hivoaka eo amin’ny banga

samy amin’izay hitsiny avy ianareo,

dia horoahina ho any Armôna, – teny marin’i Iaveh. –

Diso hevitra i Israely, tsy nibebaka ary nofaizina

4 Mankanesa any Betelaka manotà;

sy any Galgalà, ka mampitomboa ny fahotana!

Ento isa-maraina ny soronareo;

ary isan-kateloana, ny fahafolon-karenareo!

5 Ataovy manetonany fanati-pisaorana tsy misy lalivay;

miantsoa ny fanatitra an-tsitrapo, ka torio ampahibemaso izany!

Fa izany no tianareo, ry zanak’i Israely,

– teny marin’ny Tompo Iaveh. –

6 Koa noho izany nataoko madio nifyianareo

teny an-tanànanareo rehetra teny

sy mosaren-kanina eny amin’ny fonenanareo rehetra;

nefa tsy mbola niverina tamiko ihany ianareo,

– teny marin’i Iaveh. –

7 Koa ny orana nahantoko tsy ho aminareo,

raha mbola telo volana sisa vao ho fararano;

tamin’ny tanàna iray nataoko avy ny orana;

fa tamin’ny tanàna iray hafa kosa, tsy nalatsako ny orana;

ny faritany iray tondrahan’ny orana;

fa ny faritany iray hafa kosa, izay tsy nilatsahan’ny orana, dia nihamaina.

8 Tanàna roa aman-telo no indray miezaka mankany an-tanàna hafa,

mba hisotro rano, kanjo tsy mety afa-ketaheta ireny;

nefa tsy mbola niverina tamiko ihany ianareo,

– teny marin’i Iaveh. –

9 Nasiako ianareo, tamin’ny fahalòvan’ny vary sy tamin’ny tomboka;

ny zaridainanareo maro, ny tanimboalobokareo,

sy ny aviavy aman’ôlivanareo,

dia ny valala no nihinana izany,

nefa tsy niverina tamiko ihany ianareo,

– teny marin’i Iaveh. –

10 Ianareo, nanirahako ny pesta;

toy ny fisian’izany any Ejipta;

novonoiko tamin’ny sabatra ny zatovonareo,

ary tamin’izay indrindra no nisamborana ny soavalinareo;

nampanetona ny hamaimbon’ny tobinareo Aho

ka tonga eo am-bavoronareo;

nefa tsy niverina tamiko ianareo,

– teny marin’i Iaveh. –

11 Nahatonga fanakorokoroanaao anatinareo Aho

toy ny nanakorokoroan’Andriamanitra

an’i Sôdôma sy Gômôra,

ary ianareo izany, dia toy ny forohana

voatsoaka tamin’ny hain-trano;

nefa tsy niverina tamiko ihany ianareo,

– teny marin’i Iaveh. –

12 Ka noho izany, izao no hataoko aminareo, ry Israely.

Koa rehefa izany no hataoko aminao,

dia miomàna amin’izany fihaonana amin’ny Andriamanitrao izany ianareo, ry Israely.

Fiderana an’Andriamanitra

13 Satria izy no namorona ny tendrombohitra,

sy nahary ny rivotra;

izay mampahafantatra ny heviny amin’ny olombelona,

izay mahatonga ny maraina ho maizina,

sy mandia ny tampon’ny tany!

Iaveh, Andriamanitry ny tafika no Anarany.