Categories
Habakoka

Habakoka 1

Lohateny

1 Teny fitsarana izay nahazoan’i Habakokampaminany fahitana.

Taraina voalohany ataon’ny Mpaminany

2 Iaveh ô, mandra-pahoviana no hiantsoako Anao,

nefa tsy nihaino ahy Ianao,

ary hitaraina aminao aho hoe: fahasiahana!

nefa tsy vonjenao ihany aho?

3 Nahoana aho no ataonao mahita ny tsy fahamarinana

ary Ianao mijery ny fahoriana?

Fa fandravana amam-pahasiahana no eo anatrehako;

misy fifandirana ary mitranga ny tsy fifanarahana,

4 noho izany maty ny lalàna,

ary tsy mahita mangirana ny fahamarinana;

fa solokian’ny ratsy fanahy ny marina,

ka rariny mivaona no mivoaka.

Ny Kladeanina, loza afitsok’Andriamanitra

5 Topazo masoireo firenena ka zahao;

dia migagà sy mitalanjòna.

Fa indroAho amin’ny andronareo hanao zavatra,

izay tsy hinoanareo raha olona no mitantara aminareo.

6 Satria indro Aho hamoky ny Kaldeanina,

firenena masiaka sy mirehidrehitra,

izay mandroso ho any amin’ireo tany midadasika be

mba haka fonenana izay tsy azy.

7 Mahatsiravina sy mahatahotra izy;

ary avy amin’ny tenany ihany ny fahefanyamam-pahalehibeazany.

8 Mailaka noho ny leopardany soavaliny,

sady liana noho ny amboadia amin’ny hariva.

Mampiriotra ny mpitaingin-tsoavaliny;

avy lavitra ny mpitaingin-tsoavaliny,

manidina toy ny voromahery lian-te hihinana.

9 Tonga mba hanao hasiahana avokoa izany firenena izany;

ny masony feno hanoanana mijery any alohany any;

manangona babo toy ny fasika izy.

10 Izy io dia mihomehy izay mpanjaka,

mihanihany izay mpifehy;

ny trano mimanda rehetra ihomehezany,

vovo-tany no asavovony dia afany ireny.

11 Dia mandroso ny tafio-drivotra ka mihoatra,

ary izy mahazo heloka;

ny herin’ny tenany dia izay no andriamaniny!

Fitarainan’ny mpaminany fanindroany sy fanamparam-pahefan’ny mpamoritra

12 Moa tsy hatramin’ny fiandohana va Ianao,

ry Iaveh Andriamanitro, ilay Màsiko?

Tsy ho faty izahay.

Iaveh ô, ny nanorenanao izany vahoaka izany dia hahatanteraka ny rariny,

ny mba hamay no nanaovanao mafy orina azy,

ry Vatolampiko.

13 Ny masonao madio loatra, tsy hahajery ny ratsy;

ary Ianao tsy mety mibanjina ny fahoriana.

Ka nahoana no hojerenao fotsiny ireo mpamitaka;

ary hangìna Ianao, raha mihinana ny marina ho izy, ny ratsy fanahy?

14 Hataonao toy ny hazan-dranomasina va ny olombelona,

sy toy ny biby mandadytsy manan-dehibe?…

15 Fa alainy amin’ny fintana izany rehetra izany,

sy sarihany amin’ny haratony,

ary angoniny amin’ny harato tarihina,

ka dia mifaly sy mientan-karavoana izy.

16 Ka noho izany, izy manao sorona ho an’ny haratony,

sy manatitra emboka manitra ho an’ny harato tarihiny;

satria ireo no ahazoany anjara hanina matavy

sy sakafo matsiro.

17 Hitohy mandrakariva va ny fandoarany ny ao amin’ny haratony,

sy ny famonoany, tsy ananany antra, ny firenena?

Categories
Habakoka

Habakoka 2

Ho velona amin’ny finoany ny olo-marina

1 Tiako ny mitana ny anjara toerako,

sy mipetraka eo amin’ny tilikambo fiambenana,

dia hitandrina aho hahitako izay holazain’i Iaveh amiko,

sy izay havaliko ny fananarana hatao amiko.

2 Dia namaly ahy i Iaveh, ka nanao hoe:

Soraty ny fahitana ka sokiro amin’ny fàfana,

mba hamakian’ny olona azy moramora.

3 Fa mbola misy fahitana amin’ny fotoam-boafetra;

efa mandroso ho amin’ny fotoana fanaperana azy izy,

ka tsy hamitaka;

raha miadam-piavy izy, andraso ihany,

satria ho avy tokoa, fa tsy ho diso.

4 Izay mibohibohyny fanahy ao anatiny, dia

tsy mba amin’ny lala-mahitsy,

fa ny marinano ho velona amin’ny finoany.

Teny mialoha

5 Ary fanampin’izany koa, mamitaka ny divay.

Tsy haharitra ny olona miavonavona,

izay mampitombo ny fahalianany ho lehibe toy ny seoly

sy tsy mety voky, hoatra ny fahafatesana;

mamory ny firenena rehetra ho ao aminy,

ary manangona ny vahoaka rehetra ho azy.

6 Moa va izy ireo, dia izy rehetra,

tsy hanonona oha-teny momba azy

amam-panoharana sy ankamantatra mihatra aminy?

Hanao hoe:

1

Mila loza izay mandroaka ny tsy azy,

– mandra-pahoviana? –

sy ho an’izay mandray ho entana tataoviny ny zavatra natao tsatòka.

7 Tsy hitsangana tampoka va ireo tompon-trosa,

tsy hifoha va ireo mpanompo anao

ka ianao kosa indray, moa tsy ho rembiny?

8 Noho ianao namabo firenena maro,

dia mba hobaboin’ny firenena sisa rehetra kosa,

noho ny ran’olona nalatsaka,

sy ny fandozàna natao tamin’ny tany,

na tamin’ny tanàna, na tamin’ny mponina rehetra ao aminy.

2

9 Loza ho an’izay manangon-karenatsy an-drariny ho an’ny taranany,

hanaovany amin’ny avo dia avo ny akaniny,

mba handosirany tsy ho tratry ny loza!

10 Manao hevitra hanala baraka ny taranakao ianao;

tamin’ny nandringananao firenena maro

dia nanota tamin’ny tenanao ianao.

11 Fa ny vato amin’ny rindrina hataraina,

ary ny sakamandimby amin’ny rafi-trano no hamaly azy.

3

12 Mila loza izay manao tanàna amin’ny fandatsahan-dra;

sy manorina renivohitra amin’ny tsy marina!

13 Tsy izao va no sitrapon’i Iavehn’ny tafika

dia ny hiasan’ny olona ho an’ny afo,

sy ny hisasaran’ny firenena ho an’ny zava-poana?

14 Fa ny tany ho feno ny fahalalana ny voninahitr’i Iaveh,

toy ny fandrakotry ny rano ny fanambanin’ny ranomasina.

4

15 Loza ho an’izay mampisotrony namany,

dia ianao izay mampidina ny hatezeranao, mandra-pahamamony,

mba hijery ny fitanjahany!

16 Henatra no nivokisanao fa tsy voninahitra;

misotroa koa ianao, ka asehoy ny tsy mahavoafora anao;

havadika hirotsaka aminao ny kapoaka ao an-tanana ankavanan’i Iaveh;

ho sarona fahafaham-baraka ny voninahitrao.

17 Fa hitsingerina aminao ny fahasiahana namelezana an’i Libàna

mbamin’ny fandringanana ny biby raiki-tahotra mahatsiravina,

noho ny ran’olona nalatsaka,

sy ny loza natao tamin’ny tany,

na tamin’ny tanàna na tamin’ny mponina rehetra ao aminy.

18 Inona no asan’izay sarin-javatra voapaika,

no mipaika azy ny mpamorona azy,

na ny sampy anidina sy ny mpanambara lainga,

no matoky izay asan-tanany ny mpamorona azy,

amin’ny fanamboarana andriamanitra moana?

5

19 Loza ho an’izay manao amin’ny hazo hoe: Mitsangàna!

sy amin’ny vato moana hoe: Mifohaza!

Hampianatra va izy?

Indro fa voapetaka volamena sy volafotsy izy,

nefa tsy mba misy fofon’aina akory ao anatiny.

20 I Iaveh kosa, ao amin’ny Tempolinymasina;

aoka hangìna eo anatrehany ianao, ry tany rehetra.

Categories
Habakoka

Habakoka 3

3. FIANTSOANA AN’ANDRIAMANITRA HIDITRA AN-TSEHATRA

1 Vavaka nataon’i Habakoka, mpaminany.

Araka ny fomban-dahateny ditirambìka.

2 Iaveh ô, nandre izay nampandrenesinao aho,

dia raiki-tahotra aho, Iaveh ô!

Velomy ny asanao amin’ny taona mifandimby;

ataovy fantatra amin’ny taona mifandimby izy.

Na eo amin’ny hatezeranao aza, mahatsiarova ny hamindra fo.

3 Tamy avy any Temàna Andriamanitra,

ary avy any an-tendrombohitra Farànailay Masina (Selà).

Nanarona ny lanitra ny fiandrianany;

ary nameno ny tany ny voninahiny.

4 Toy ny fahazavan’ny masoandro miposaka ny famirapiratany;

misy tanamasoandro avy eo amin’ny tanany;

ao no ieren’ny heriny.

5 Mandeha eo anoloany ny fandripahana;

ary manaraka ny diany ny tazo mahamay.

6 Nijanona Izy, ka nampihorohoro ny tany;

nijery Izy ka nampihozongozona ny firenena;

torotoro ny tendrombohitra mandrakizay,

nietry ny havoana fahagola;

ny lalany taloha no narahiny.

7 Hitako latsaka am-pahoriana, ny lain’i Kosàna,

ary mihorohoro ny lay amin’ny tanin’i Moaba.

8 Amin’ny ony vano mahatezitra an’i Iaveh?

sa amin’ny ony no irehetan’ny fahatezeranao?

amin’ny ranomasina no mampisafoaka anao,

raha ilay mitaingina ny soavalinao iny Ianao,

raha mitaingina ny kalesim-pamonjenao?

9 Ny tsipìkanao miseho miharihary;

ny zana-tsipìkanao dia ireo fiainana voatononao (Selà).

Ataonao mivava ny tany ho ranon-driaka.

10 Nahita anao ny tendrombohitra ka mangovitra,

nisy rambon-danitra nandalo, niloa-peo ny hantsana

sady nanangan-tanana mankany ambony.

11 Tafajanona eo amin’ny fitoerany ny masoandro amam-bolana;

ka ny fanjelajelatry ny zana-tsipìkanao no andehanan’ny olona,

sy ny fahazavan’ny lefonao mamirapiratra.

12 Mitetitety ny tany amim-pahatezerana Ianao,

hitsahinao amim-pahavinirana ny firenena.

13 Nivoaka hamonjy ny olonao Ianao,

hanafaka an’ilay Voahosotrao;

notapahinao ny vovonan’ny tranon’ny ratsy fanahy,

nahariharinao hatrany ambany ny fiorenany (Selà).

14 Notrobaranao tamin’ny zana-tsipìkany ihany,

ny lohan’ireo antokon’olony,

izay nibosesika hamely ahy,

tamim-panaovana hobin-kafaliana toy ny efa handevona

ny ory ao amin’ny fierin’izy ireo.

15 Hitsahinao amin’ny tongo-tsoavalinao ny ranomasina,

ny fitambaran’ny rano be.

16 Vao nandre aho dianivadika ny tsinaiko;

mipararetra amin’izany feo izany ny molotro,

idiran’ny fahalòvana ny taolako,

mangovitra ny lohaliko eo ambaniko,

noho ny tsy maintsy hiandrasako amim-piadanana ny andro mahory,

izay hiakaran’ny fahavalo hampahory ny vahoaka anankiray.

17 Satria amin’izany ny aviavytsy hamontsina,

ny voaloboka tsy hisy hotoazana;

ny ôliva tsy hisy voany;

ary ny saha tsy hahavoka-kanina;

tsy hisy intsony ao amin’ny vala ny ondry

ary ny fahitra tsy hisy omby intsony.

18 Fa izaho dia te hiravoravo amin’i Iaveh,

te hientan-kafaliana amin’ny Andriamanitry ny famonjena ahy.

19 I Iaveh Tompo no heriko;

ataony toy ny an’ny serfa vavy ny tongotro,

ary ampandehaniny eny amin’ny fitoerako avo aho.

Ho an’ny filohan’ny mpihira, amin’ny zava-manenoko tendrena.

Categories
Sôfônia

Sôfônia 1

1 Ny tenin’i Iaveh izay natao tamin’i Sôfônia, zanak’i Kozì, zanak’i Godoliasa, zanak’i Amariaza, zanak’i Ezekiasa, tamin’ny andron’i Josiasa, zanak’i Amôna, mpanjakan’i Jodà.

Ny ataon’i Iaveh mialoha eo amin’izao tontolo izao

2 Hoesorikoeo ambonin’ny tany ny zavatra rehetra,

– teny marin’i Iaveh; –

3 Hoesoriko ny olombelona sy ny biby;

hoesoriko ny voromanidina sy ny hazan-dranomasina,

ary ny fanafintohinanambamin’ny ratsy fanahy;

ka haringako eo ambonin’ny tany ny olombelona,

– teny marin’i Iaveh. –

Famelezana ny fanompoan-tsampy

4 Dia haninji-tanana hamely an’i Jodà Aho,

sy hamely ny mponina rehetra ao Jerosalema,

ary haringako amin’ity fitoerana ity ny sisan’i Baala,

ny anaran’ny mpandraharahany miaraka amin’ny mpisorona.

5 Ireo miankohoka eny ambonin’ny tafon-trano,

eo anatrehan’ny tafiky ny lanitra;

sy ireo miankohoka manao fianianana amin’i Iaveh,

sady mianiana amin’ny mpanjakany;

6 sy ireo mihataka miala amin’i Iaveh,

izay tsy mitady an’i Iaveh,

ary tsy manan-draharaha Aminy akory.

7 Mangina eo anatrehan’ny Tompo Iaveh,

fa efa akaiky ny andron’i Iaveh,

satria efa nanomana soronai Iaveh,

efa nanamasina ny olo-nasainy Izy.

Famelezana ireo ambony tany amin’ny lapa

8 Ary izao no hitranga: Amin’ny andron’ny soron’i Iaveh

hofaizako ny mpanapaka

sy ny zanak’andriana,

mbamin’izay rehetra manao fitafian’ny hafa firenena.

9 Hofaizako avokoa amin’izany andro izany,

izay rehetramiezaka mihoatra ny tokonana,

ka nameno fahasahiana amam-pitaka

ny tranon’ny tompony.

Famelezana ny mpivarotr’i Jerosalema

10 Amin’izany andro izany dia izao no hatao,

– teny marin’i Iaveh: –

Hisy antsoantso hitatatata avy ao am-bavahadin’ny hazandrano;

hisy hitarainana, avy ao an-tanàna faharoa;

ary hisy kotrokotroka be avy amin’ny havoana.

11 Midradradradrà, ry mponina ao amin’ny Feta,

fa ringana avokoa ny vahoaka kananeanina,

levona avokoa izay rehetra mivesatra vola.

Famelezana ny tsy mpino

12 Izao no hatao amin’izany andro izany:

Hokarohiko amin’ny fanala i Jerosalema,

ka hofaizako ny olona mandry mifetaka amin’ny faikany,

izay manao anakampo hoe:

Tsy manisy soa, tsy manisy ratsy i Iaveh!

13 Hatolotra hobaboina, ny fananany,

ary hatolotra horavana ny tranony;

hanao trano izy, fa tsy hitoetra ao;

hamboly voaloboka izy, fa tsy hisotro divay avy amin’izany.

Ny andron’i Iaveh

14 Efa akaiky ny androlehiben’i Iaveh,

efa akaiky izy sady tamy haingana dia haingana!

Injay migàdona ny andron’i Iaveh!

Ho velon-taraina mangidy amin’izay ny olo-mahery fo.

15 Fa izany andro izany, dia androm-pahatezerana,

androm-pahoriana aman-tebiteby,

andro fahalahelovana amam-pandravana,

androm-pahamaizinana sy fanjombonana,

andro mandrahona sady manjavona mainty,

16 andron’ny trômpetra sy ny fanairana,

eo ambonin’ny tanàna mimanda, mbamin’ny nongonongona avo amin’ny manda.

17 Halatsako am-pahoriana ny olona,

ka hiraparapa toy ny jamba,

satria nanota tamin’i Iaveh izy.

Hiraraka toy ny vovoka ny rany,

ary toy ny zezika ny nofony.

18 Tsy hisy hahavonjy azy na ny volafotsiny na ny volamenany,

amin’ny andron’ny fisafoahan’i Iaveh;

holevonin’ny fahasaro-piarony avokoa ny tany;

fa hataony rava tsy misy miangana, ataony fongotra tampoka,

ny mponina rehetra amin’ny tany.

Categories
Sôfônia

Sôfônia 2

Famaranana: Fiantsoana hibebaka

1 Mitombena saina, mieritrereta ao anatinareo,

ry karazan’olona lany henatra,

2 alohan’ny hiterahan’ny biby

sy hihelenan’ny andro toy ny mololo;

alohan’ny hiharan’ny firehitry ny fahatezeran’i Iaveh aminareo,

alohan’ny hidonan’ny andron’ny fahaviniran’i Iaveh aminareo.

3 Mitadiava an’i Iaveh, ianareo manetry tena rehetra amin’ny tany,

izay efa nanaraka ny lalàny;

katsaho ny fahamarinana, katsaho ny fanetren-tena.

Ho tafaàloka angamba ianareo amin’ny andron’ny fahatezeran’i Iaveh!

Ny fahavalo any Andrefana: Ny Filistinina

4 Fa i Gazàhafoy;

i Askalôna hanjary efitra;

i Azota horoahina mitataovovonana;

ary i Akarôna hofongorana.

5 Loza ho an’ny mponina any amin’ny faritanin’ny ranomasina,

dia ny firenenan’ny Kretoà!

Efa voatonona ny tenin’i Iaveh mamely anareo

ry Kanaàna, tanin’ny Filistinina:

Ary haringako ianao ka tsy hisy mponina sisa eo aminao intsony.

6 Ny faritanin’ny ranomasina hanjary tany fiandrasana ondry

sy zohin’ny mpiandry ondry, ary valan’ondry.

7 Ho faritany ho an’ny sisa amin’ny taranak’i Jodà izany,

hiandry ny ondriny eo izy;

dia handry ao amin’ny tranon’i Askalôna nony hariva,

fa hamangy sy hanangana azy indray i Iaveh Andriamaniny.

Ny fahavalo any Atsinanana: i Moaba sy i Amôna

8 Reko avokoa ny fanevatevan’i Moaba

sy ny fanaratsian’ny taranak’i Amôna,

izay nanevateva ny vahoakako,

sy nitatra nihoby taminy teny amin’ny sisin-taniny.

9 Ka noho izany dia velona Aho,

– teny marin’i Iavehn’ny tafika, Andriamanitr’i Israely: –

i Moaba hanahaka an’i Sôdôma;

ary ny taranak’i Amôna ho tahaka an’i Gômôra:

fitoerana nafoy ho an’ny amiana sy tany ihadian-tsira,

ho efitra mandrakizay.

Izay sisa amin’ny vahoakako hamabo azy,

ary izay tavela amin’ny fireneko no hahazo azy ho lovany.

10 Izany no hihatra aminy dia noho ny avonavony,

satria naneso sy niangiangy

tamin’ny vahoakan’i Iavehn’ny tafika.

11 Ho fampatahorana mafy ho azy i Iaveh,

fa hofoanany ireo andriamanitra rehetra ambonin’ny tany;

ary hiankohoka eo anatrehany

samy any amin’izay misy azy avy,

ny mponina amin’ny nosim-pirenenarehetra.

Ny fahavalo any Atsimo: i Etiôpia

12 Ianareo koa, ry Etiôpianina!…

Ho voatrobaky ny sabatro izy ireo.

Ny fahavalo any Avaratra: i Asora

13 Haninji-tanana hamely ny Avaratra koa izy,

handringana an’i Asora,

ary hahalao an’i Niniva,

ka hahatonga azy ho karankaina toy ny efitra.

14 Eo afovoany no handrian’ny biby fiompy

ny biby isan-karazany;

ny sama sy ny sokina vy

no haka fonenana any amin’ny loha andriny;

hisy feo mihira ho re eny am-baravarankely;

ary fandravana no ho eo an-tokonana,

fa efa nendahana ny peta-kazo sedera.

15 Io no ilay tanàna niravoravo,

nipetraka amin-toky nanao anakampo hoe:

Izaho, ary tsy misy afa-tsy izaho!

Ahoana no nanjariany ho efitra,

sy fonenan’ny biby!

Na iza na iza handia azy,

dia hisitrìsitra sy hanifikifi-tanana.

Categories
Sôfônia

Sôfônia 3

Famelezana an’ireo mitondra ny firenena

1 Mila loza ilay miodina sy voaloto

dia ny tanàna fampahoriana!

2 Tsy nisy feo nohenoiny akory, tsy nandray anatra izy,

tsy niankina tamin’i Iaveh,

tsy nanatona an’Andriamaniny.

3 Ao aminy, ny mpanapaka, liona mierona;

ny mpitsarany amboadia hariva,

tsy mamela na inona na inona ho tra-maraina.

4 Ny mpaminaniny vavànasady olona mamitaka;

ny mpisorony mandoto ny zava-masina

sy mandika ny lalàna.

5 Marina i Iaveh eo afovoany,

tsy misy tsy rariny ny ataony;

mamoaka ny fitsaràny isa-maraina izy

mba hanome ny fahazavana,

ary tsy diso amin’izany izy na oviana na oviana;

fa ny olona tsy tia vavaka tsy mahalala henatra!

Fianarana avy amin’ny natao tamin’ireo hafa firenena

6 Firenena maro no naringako, ka rava ny tilikambony,

nataoko lao ny arabeny, ka tsy hisy mpandia intsony;

voarava ny tanànany ka tsy misy olona intsony,

tsy misy mponina na iray aza.

7 Hoy aho: Hatahotra Ahy ahay ianao, handray ny anatra;

dia tsy ho rava ny fonenany,

araka izay rehetra notapahiko ny aminy.

Kanjo vao mainka nirotoroto izy ireo

hanimba ny asa rehetra ataony.

8 Koa andrasonareo Aho, – teny marin’i Iaveh, –

amin’ny andro hitsanganako haka babo!

Satria izao no didiko, dia ny hanangonako ny firenena,

hamoriako ny fanjakana,

hanidinako ny fahatezerako amin’izy ireo,

dia ny firehetan’ny fahatezerako rehetra.

Fa ny afon’ny fahasaro-piaroko

no handevona ny tany rehetra.

Ny hibebahan’ny tsy mpino

9 Fa amin’izany ny firenenahomeko molotra madio

hiantsoan’izy rehetra ny Anaran’i Iaveh

sy hanompoany Azy amim-piraisan-kina.

10 Avy any an-dafin’ny onin’i Etiôpia

ireo mpivavaka amiko, ireo naeliko, hitondra ny fanatitra ho Ahy.

Ireo sisa amin’i Israely: ambany ny osa

11 Amin’izany andro izanytsy ho henatra ho anao intsony,

ny asanao rehetra izay nanotanao tamiko;

satria amin’izany hoesoriko hiala eo aminao

ireo izay nifaly tamim-pireharehana;

ary ianao tsy hiavonavona intsony

eo an-tendrombohitro masina.

12 Havelako eo aminao

ny vahoaka ambany sy manetry tena anankiray

izay hatoky ny Anaran’i Iaveh.

13 Ny sisa amin’i Israely dia tsy hanao ny tsy marina,

na hilaza lainga,

ary tsy hahitana eo am-bavany intsony

izay lela mandainga.

Fa hihinana sy handry feizay izy ireo,

ary tsy hisy olona hanaitaitra azy.

Salamo fifaliana ao Siôna

14 Mihobia, ry zanaka vavin’i Siôna!

manaova feo firavoravoana, ry Israely!

Mifalia sy miraharahà amin’ny fonao rehetra,

ry zanaka vavin’i Jerosalema.

15 Fa ny fitsarana nanameloka anao nesorin’i Iaveh,

ny fahavalonao nentiny mihodivitra anao.

I Iaveh, Mpanjakan’i Israely, no eo aminao,

ka tsy hahita loza intsony ianao.

16 Amin’izany andro izany, izao no holazaina amin’i Jerosalema:

Aza matahotra, ry Siôna, ary aza miraviravy tanana!

17 I Iaveh, Andriamanitrao no eo aminao, mpamonjy mahery!

Ary Izy haneho ny hafaliany lehibe noho ny aminao;

hangina Izy amin’ny fitiavany;

noho ny aminao dia hisebiseby amin’ny hobin-kafaliana.

Ny hiverenan’ireo niely

18 Hovoriko ireo latsaka am-pahoriana,

tsy mahita fety lehibe hankalazaina;

satria isan’ny anao ireny, itambesaran’ny latsa.

19 Amin’izany andro izany hofaranako

ny amin’ny momba an’ireo rehetra mpampahory anao:

Hovonjeko ikala mandringa,

hangoniko ikala voaroaka,

ka hataoko be voninahitra sy malaza izy ireo,

any amin’ny tany rehetra nanakoràna azy.

20 Amin’izany andro izany, hampodiko ianareo;

ary amin’ny andro hanangonako anareo,

hataoko malaza sy be voninahitra ianareo,

any amin’ny firenena rehetra eto an-tany,

rehefa hatsahatro ny fahababoanareo,

eo imasonareo, hoy i Iaveh.

Categories
Akjea

Akjea 1

Naorina indray ny Tempoly

1 Tamin’ny taona faharoa nanjakan’i Dariosampanjaka, tamin’ny volana fahenina, andro voalohan’ny volana, no nahatongavan’ny tenin’i Iaveh, tamin’ny alalan’i Akjea, mpaminany, tamin’i Zôrôbabela, zanak’i Salatiela, governora tany Jodà, sy tamin’i Jesosy, zanak’i Josedeka, mpisorona lehibe, nanao hoe:

2 Izao no lazain’i Iavehn’ny tafika: Ity firenena ity manao hoe: Tsy mbola tonga ny fotoana, ny fotoana hanaovana ny tranon’i Iaveh indray.

3 Ary tonga ny tenin’i Iaveh, tamin’ny alalan’i Akjea mpaminany manao hoe:

4 Ary ho anareo kosa moa dia fotoana

hitoerana ao an-tranonareo voaisy peta-drindrina,

amin’izao aharavan’io trano io izao?

5 Koa ankehitriny, izao no lazain’i Iavehn’ny tafika:

Diniho tsara ny lalanareo.

6 Namafy be ianareo, fa nijinja kely;

mihinana, fa tsy ampy hahavoky;

misotro, fa tsy ampy hahafa-po;

mitafy, fa tsy ampy hanafàna;

ary ny mpikarama mahazo ny karama

hatao an-kitapo loaka.

7 Izao no lazain’i Iavehn’ny tafika:

Diniho tsara ny lalanareo.

8 Mandehana any an-tendrombohitra ka mitondrà hazo,

ary ataovy ny trano;

hankasitrahiko sy hahazoako voninahitra izany, hoy i Iaveh.

9 Nanantena be ianao, nefa tsy nisy afa-tsy kely foana;

nanangona ny vokatrareo, nefa notsofiko izany.

Nahoana? – teny marin’i Iavehn’ny tafika. –

Satria ny Tranoko mbola rava;

nefa ianareo isany, samy maimay be ihany ny amin’ny tranony avy.

10 Noho izany ny lanitra tsy nandefa ny ando ho anareo,

ary ny tany mandà tsy hanome ny vokany.

11 Niantso ny fahamainana Aho,

ho amin’ny tany sy ny tendrombohitra,

ho amin’ny vary, ny divay vaovao, ny diloilo,

sy izay rehetra mety ho vokatry ny tany,

mbamin’ny olona sy ny biby,

ary ny asan-tanana rehetra.

12 Tamin’izay i Zôrôbabela, zanak’i Salatiela, sy i Jesosy, zanak’i Josedeka, mpisorona lehibe, mbamin’ny vahoaka sisa rehetra nihaino ny feon’i Iaveh Andriamaniny, sy ny tenin’i Akjea, mpaminany, araka ny hafatra nomen’i Iaveh Andriamaniny azy, ka natahotra ny vahoaka teo anatrehan’i Iaveh.

13 Ary i Akjea, irak’i Iaveh, araka ny didin’i Iaveh, niteny tamin’ny vahoaka, nanao hoe: Momba anareo Aho – teny marin’i Iaveh.

14 Ary notairin’i Iaveh ny fanahin’i Zôrôbabela, zanak’i Salatiela, governora tany Jodà, ny fanahin’i Jesosy, zanak’i Josedeka, mpisorona lehibe, sy ny fanahin’ny vahoaka sisa rehetra; ka dia tonga izy ireo ary niasa tamin’ny Tranon’i Iavehn’ny tafika Andriamaniny,

15 tamin’ny andro faha-24n’ny volana fahenina, taona faharoa, nanjakan’i Dariosa.

Categories
Akjea

Akjea 2

Ny voninahitry ny Tempoly

1 Tamin’ny volana faha-7, andro faha-21n’ny volana, tonga ny tenin’i Iaveh, tamin’ny alalan’i Akjea, mpaminany, nanao hoe:

2 Lazao amin’i Zôrôbabela, zanak’i Salatiela, governora any Jodà, sy amin’i Jesosy zanak’i Josedeka, mpisorona lehibe, ary ny vahoaka sisa rehetra, ataovy hoe:

3 Iza aminareo sisa velona,

no nahita ity Trano ity tanatin’ny vonihaniny taloha,

sy ahoana no toetra ahitanareo azy ankehitriny?

Tsy toy ny tsinontsinona eo imasonareo va ity?

4 Ary ankehitriny matokia, ry Zôrôbabela,

– teny marin’i Iaveh. –

Matokia, ry Jesosy, zanak’i Josedeka, mpisorona lehibe!

Matokia ianareo vahoaka rehetra amin’ny tany,

– teny marin’i Iaveh, – ary miasà!

fa momba anareo Aho, – teny marin’i Iavehn’ny tafika. –

5 Mbola eo ihany ny fanekena nataoko taminareo,

fony ianareo nivoaka avy tany Ejipta;

ary mitoetra eo aminareo ny Fanahiko; koa aza matahotra akory.

6 Fa izao no lazain’i Iavehn’ny tafika:

Indray mandeha ihany, sady tsy ho ela,

no mba hanozongozonakony lanitra sy ny tany,

– mbamin’ny ranomasina sy ny tanety.

7 Hanozongozona ny firenena rehetra Aho

ka ho tonga ny rakitry ny firenena rehetra;

ary hofenoiko voninahitra ity trano ity,

hoy i Iavehn’ny tafika.

8 Ahy ny volafotsy, Ahy ny volamena,

– teny marin’i Iavehn’ny tafika. –

9 Ho lehibe ny voninahitr’ity trano ity,

ny voninahitra farany hihoatra ny voalohany;

ary eto amin’ity fitoerana ity no hametrahako ny fiadanana,

– teny marin’i Iavehn’ny tafika. –

Filàna hevitra amin’ireo mpisorona

10 Tamin’ny andro faha-24n’ny volana fahasivy, taona faharoa, nanjakan’i Dariosa, tonga ny tenin’i Iaveh, tamin’ny alalan’i Akjea, mpaminany, nanao hoe:

11 Izao no lazain’i Iavehn’ny tafika: Mangataha amin’ny mpisorona mba hanome valy mahatapaka, manaova hoe:

12 Raha misy olona mitondra hena voahasina amin’ny sisin-dambany, ka misy mofo na zavatra nandrahoina, na divay, na diloilo, na zava-pihinana hafa, voakasiny amin’izany sisin-dambany izany, moa ho voahasina va ireo zavatra ireo? Dia namaly ireo mpisorona nanao hoe: Tsia. –

13 Ary hoy i Akjea: Raha olona voaloto amim-patykosa no mikasika an’izany, ho voaloto va izany? Namaly ny mpisorona nanao hoe: Ho voaloto izany.

14 – Dia niteny indray i Akjea nanao hoe:

Toy izany ity vahoaka ity,

toy izany ity firenena ity eo anatrehako, –

– teny marin’i Iaveh; –

toy izany ny asa rehetra ataon’ny tanany;

izay ateriny eo dia maloto.

Fampanantenana fahavokaran’ny tany

15 Ary ankehitriny, hevero ny hatramin’izao anio izao no mankany;

dia fony mbola tsy nisy vato nifanongoa,

natao teo amin’ny Tempolin’i Iaveh.

16 Tamin’izany, ny nankamin’ny antontam-bary roapolo mifatra,

tsy nahazo afa-tsy folo;

ny nankamin’ny famiazam-boaloboka hanovo dimampolon’ny famarana,

tsy nahazo afa-tsy roapolo.

17 Nasiako tamin’ny vary maty fotsy,

sy ny ahi-dratsy aman-kavandra ianareo;

nasiako avokoa ny asan-tananareo;

nefa tsy mbola niverina tamiko ihany ianareo,

– teny marin’i Iaveh. –

18 Koa diniho hatramin’izao anio izao no mankany,

ny hatramin’ny andro faha-24n’ny volana fahasivy,

ka hatramin’ny andro nanorenana ny Tempolin’i Iaveh,

diniho!

19 Mbola nisy voa famafy va tao an-tsompitra?

Na ny voaloboka aza, na ny aviavy,

na ny ampongabendanitra, na ny ôliva,

tsy misy nahavokatra kely akory;

fa hatramin’izao andro izao kosa, dia hotahìko ianareo.

Fampanantenana ho an’i Zôrôbabela

20 Tonga fanindroany tamin’i Akjea ny tenin’i Iaveh, tamin’ny andro faha-24n’ny volana nanao hoe:

21 Lazao amin’i Zôrôbabela, governora any Jodà, hoe:

Hampihorohoroiko ny lanitra sy ny tany;

22 haongako ny seza fiandrianan’ny fanjakana,

hofoanako ny herin’ny fanjakan’ny firenena;

hazerako ny kalesy fiadiana mbamin’ny mpitaingina azy;

ny soavaly mbamin’ny mpitaingina azy

samy ho lavon’ny sabatry ny namany avy.

23 Amin’izany andro izany, – teny marin’i Iavehn’ny tafika,

halaiko ianao, ry Zôrôbabela, zanak’i Salatiela,

ry mpanompoko, – teny marin’i Iaveh, –

ka hataoko toy ny fanombohan-kase;

satria efa voafidiko ianao, – teny marin’i Iavehn’ny tafika.

Categories
Zakaria

Zakaria 1

Famporisihana hibebaka

1 Tamin’ny volana fahavalo, taona faharoa nanjakan’i Dariosa, ny tenin’i Iaveh dia natao tamin’i Zakaria, mpaminany, zanak’i Barakia, zanak’i Adô, nanao hoe:

2 Tezitra mafy tamin’ny razanareo i Iaveh.

3 Koa lazao amin’izy ireo hoe:

«Izao no lazain’i Iavehn’ny tafika: Miverena amiko ianareo, – teny marin’i Iavehn’ny tafika, – dia hiverina aminareo Aho, – hoy i Iavehn’ny tafika.

4 Aza manaraka ny razanareo, izay nitorian’ny mpaminany taloha hoe: Izao no lazain’i Iavehn’ny tafika: Miverena ianareo, mialà amin’ny lalan-dratsinareo, sy amin’ny asa ratsinareo! nefa tsy nihaino sy tsy nasiany raharaha akory Aho, – teny marin’i Iaveh. –

5 Ny razanareo aiza intsony ankehitriny? Ary ny mpaminany koa, moa mba nety ho velona mandrakizay va?

6 Fa ny teniko sy ny didiko kosa, izay nasaiko nentin’ny mpaminany mpanompoko, moa tsy nahatratra ny razanareo va, ka dia nibebaka izy ireoary nanao hoe: Izay efa notapahin’i Iavehn’ny tafika hatao amintsika araka ny lalantsika sy araka ny asantsika dia nataony tamintsika tokoa.»

Fisehoana hita voalohany: ireo mpitaingin-tsoavaly

7 Tamin’ny andro faha-24n’ny volana, izay volana Sabata, tamin’ny taona faharoa nanjakan’i Dariosa, tonga tamin’i Zakaria mpaminany, zanak’i Barakia, zanak’i Adô, ny tenin’Andriamanitra, dia izao:

8 Fahitana no azoko tamin’ny alina: ka nisy lehilahy nitaingin-tsoavalymenapìny nijanona teo amin’ny hazo mirta, amin’ny toerana malokaloka; sady nisy soavaly nemapìny sy mavomena ary fotsy teo aoriany.

9 Ka hoy aho: Inona ireo, tompoko? Dia hoy ilay Anjely niresaka tamiko: Hasehoko anao ny amin’ireo.

10 Ary ralehilahy izay teo amin’ny mirta, niteny nanao hoe: Ireo no nirahin’i Iaveh hitety ny tany.

11 Ka dia namaly ireo tamin’ny Anjelin’i Iaveh, izay teo amin’ny mirta ka nanao hoe: Efa nitety ny tany izahay, ka miadana sy mandry feizay avokoa ny tany.

12 Dia niteny ilay Anjelin’i Iaveh nanao hoe: Ry Iavehn’ny tafika ô, mandra-pahoviana Ianao no tsy hamindra fo amin’i Jerosalema sy ny tanànan’i Jodà, izay itezeranao efa hatramin’ny fitopolo taona?

13 Ary i Iaveh nilaza teny soa, teny fampiononana tamin’ilay Anjely niresaka tamiko.

14 Ary ity Anjely niresaka tamiko kosa nanao tamiko hoe: Ataovy antso avo izao:

Izao no lazain’i Iavehn’ny tafika: Efa azon’ny fahasaro-piaro mafy, an’i Jerosalema sy an’i Siôna Aho.

15 Ary mbola azon’ny fahasaro-piaro mafy Aho hamely ny firenenaizay milomano amin’ny harem-be. Satria Izaho moa, efa tezitra kely sahady, izy kosa niasa nankamin’ny fandravana ihany.

16 Koa izao no lazain’i Iaveh: Miverina eto Jerosalema amin’indrafo Aho, ka ny tranoko haorina eto indray, – teny marin’i Iavehn’ny tafika, – ary ny famolaina hohenjanina amin’i Jerosalema.

17 Ataovy antso avo koa izao: Izao no lazain’i Iavehn’ny tafika: Mbola hitobaka eto an-tanànako ny harem-be; ary mbola hampionona an’i Siôna i Iaveh, sy mbola hifidy an’i Jerosalema.

Categories
Zakaria

Zakaria 2

Fisehoana hita faharoa: tandroka sy mpanefy

1 Nanopy ny masoko aho, ka nahita: dia indreo nisy tandroka efatra.

2 Dia hoy aho tamin’ilay Anjely niresaka tamiko: «Inona moa ireto?» Ary hoy izy tamiko: «Ireo no tandroka nampihahaka an’i Jodà sy i Israely ary i Jerosalema.»

3 Ary naneho mpanefy efatra tamiko i Iaveh. Ka hoy aho: «Tonga haninona ireto?»

4 Dia namaly Izy nanao hoe: «Iretsy no tandroka nampihahaka an’i Jodà, ka tsy nisy olona nanatràka loha akory; fa ireto kosa, tonga hampahatahotra azy mafy, ary hanjera ny tandrok’ireo firenena nanangan-tandroka hamely ny tanin’i Jodà mba hampihahaka azy.»

Fisehoana hita fahatelo: ilay mpandrefy

5 Nanopy ny masoko aho, ka nahita: ka indro nisy lehilahy nitondra kofehy famolainateny an-tanany.

6 Dia hoy aho: «Ho aiza ianao?» Ary hoy izy tamiko: «Handrefy an’i Jerosalema hahitana izay hatao sakany sy izay hatao lavany.»

7 Tamin’izay niseho ilay Anjely niresaka tamiko, sady nisy Anjely anankiray hafa niseho hitsena azy;

8 ka hoy izy taminyhoe: «Mandehana faingana, milazà amin’io zatovo io, ataovy hoe: ‹Honenana toy ny tanàna tsy mimandai Jerosalema, fa ho betsaka loatra ny olona sy ny biby ao aminy.

9 Ary Izaho, – teny marin’i Iaveh, – no ho manda afo manodidina azy sy hahazo voninahitra eo afovoany.› »

Fiantsoana indroa an’ireo voasesitany

10 Avia! Avia! Mandosira avy any amin’ny tany avaratra,

– teny marin’i Iaveh, –

fa naeliko eny amin’ny faravazantany efatra ianareo

– teny marin’i Iaveh. –

11 Avia, ry Siôna, vonjeo ny tenanao,

ianao izay monina ao amin’ny zanaka vavin’i Babilôna!

12 Fa izao no lazain’i Iavehn’ny tafika:

Ho voninahiny no nanirahany ahy

ho any amin’ny firenena namabo anareo;

satria izay mikasika anareo

mikasika ny anakandriamasony.

13 Fa indro Aho manetsika ny tanako eo ambonin’ireny,

ka izy ireo ho tonga remby ho an’ireo manompo azy;

ary ianareo, hahalala fa i Iavehn’ny tafika no naniraka ahy.

14 Manaova hobim-pifaliana sy miravoravoa, ry zanaka vavin’i Siôna,

fa indro Aho tamy, ary honina ao afovoanao,

– teny marin’i Iaveh. –

15 Amin’izany andro izany,

maro ny firenena hiraiki-po amin’i Iaveh,

ka ho vahoakako izy ireo;

ary Izaho honina ao afovoanao,

dia ho fantatrao fa i Iavehn’ny tafika

no naniraka ahy ho aminao.

16 I Iaveh hanana an’i Jodà ho anjarany

eo amin’ny tany masina;

ary mbola hifidy an’i Jerosalema Izy.

17 Aoka hangina eo anatrehan’i Iaveh ny nofo rehetra,

fa hitsangana avy eo amin’ny fitoeran’ny masina Izy.