Categories
Marka

Marka 8

Fanindroany nampitomboana mofo

1 Tamin’izany andro izany, nony betsaka indray ny vahoaka teo sady tsy nanan-ko hanina, dia niantso ny mpianany Izy ka nanao taminy hoe:

2 «Mampalahelo Ahy ity vahoaka, fa efa hateloana izay tsy nisaraka tamiko ka tsy manan-kohanina;

3 ary raha ampodiko ho any an-tranony izy tsy mihinana dia ho reraka eny an-dalana, fa avy lavitra ny sasany.»

4 Dia hoy ny mpianany namaly Azy: «Aiza no hahitana mofo hahavoky ireo atỳ an’efitra?»

5 Ary Izy nanontany azy hoe: «Manana mofo firy hianareo?» «Fito» hoy izy ireo.

6 Dia nasainy nipetraka tamin’ny tany ny vahoaka ary noraisiny ny mofo fito, ka nony vita ny fisaorana dia novakiny, sy nomeny hozarain’ny mpianany, ary nozarainy tamin’ny vahoaka.

7 Ary nanana hazandrano madinika vitsivitsy koa izy, ka notsofiny rano dia nasainy nozaraina.

8 Ary nihinana ny olona ka voky, ary ny sombintsombiny sisa tsy lany nentiny, dia nisy fito sobika.

9 Tokony ho efatra arivo anefa no nihinana; dia nampodiny.

10 Dia niondrana an-tsambo kely niaraka tamin’izay Izy sy ny mpianany, ka tonga tany amin’ny faritanin’i Dalmanotà.

Ny nangatahan’ny Farisianina famantarana avy any an-danitra

11 Ary nanatona Azy ny Farisianina, ka niady hevitra taminy sy nangataka famantarana avy any an-danitra taminy, mba hakany fanahy Azy.

12 Dia nisento mafy Izy ka nanao hoe: «Ahoana no itadiavan’ity taranaka ity famantarana? Lazaiko aminareo marina tokoa fa tsy homena famantarana ity taranaka ity.»

13 Dia nilaozany izy ireo ka niondrana an-tsambo kely indray Izy nankeny am-pita.

Ny lalivain’ny Farisianina sy ny lalivain’i Herôda

14 Ary nanadino tsy nitondra mofo ny mpianatra, ka tsy nisy afa-tsy mofo iray monja teo an-tsambo kely.

15 I Jesoa kosa nananatra azy nanao hoe: «Mitandrema tsara ianareo fandrao azon’ny lalivain’ny Farisianina sy ny lalivain’i Herôda.»

16 Dia niara-nihevitra izy ireo ka nifampilaza hoe: «Noho isika tsy manana mofo izay.»

17 Fantatr’i Jesoa ny heviny ka hoy Izy taminy: «Ahoana no iheveranareo izay tsy fanananareo mofo? Mbola tsy misy hevitra sy tsy mahazo saina ihany va ianareo? Donto ny fonareo?

18 Mana-maso fa tsy mahita va ianareo? ary manan-tsofina fa tsy mahare? Ary tsy mahatadidy va ianareo?

19 Raha nizara ny mofo dimy tamin’ny olona dimy arivo Aho, firy no sobiky feno ny sombintsombiny sisa tsy lany nangoninareo?» «Roa ambin’ny folo,» hoy ireo taminy.

20 «Ary raha nizara ny mofo fito tamin’ny olona efatra arivo Aho, firy no sobika feno ny sombintsombiny sisa tsy lany nangoninareo?» «Fito,» hoy ireo taminy.

21 «Ka nahoana àry, hoy Izy taminy, no mbola tsy mahalala ihany ianareo?»

Ny nanasitranana an’ilay jamba tao Betsaida

22 Dia tonga tany Betsaida izy ireo, ary nisy nitondra lehilahy jamba anankiray teo aminy, sy nangataka taminy mba hanendry azy.

23 Dia noraisin’i Jesoa ny tanan’ilay jamba, ka nentiny nivoaka ny tanàna izy; nasiany rora ny masony, nametrahany tanana izy, ary nanontaniany raha mahita zavatra.

24 Dia niandrandra ilay jamba ka nanao hoe: «Ny fahitako ny olona mamindra dia sahalahala amin’ny hazo.»

25 Dia nametrahany tanana indray ny masony, ka nasainy nijery izy, izay vao sitrana tsara sy nahita mazava ny zavatra rehetra.

26 Ary nasain’i Jesoa nody tany an-tranony izy sy nilazany hoe: «Modia any an-tranonao, fa aza miakatra ao an-tanàna na milaza izany amin’ny olona ao an-tanàna.»

Fiekem-pinoana nataon’i Piera

27 Avy ao i Jesoa sy ny mpianany, dia nankany amin’ny vohitra manodidina an’i Sezarean’i Filipo, ary teny an-dalana dia nanontany ny mpianany Izy nanao hoe: «Ataon’ny olona ho iza moa Aho?»

28 Ary namaly Azy ireo, nanao hoe: «I Joany Batista, hoy ny sasany; i Elia, hoy ny sasany; ary anankiray amin’ny mpaminany, hoy kosa ny sasany.»

29 «Fa ianareo kosa, manao Ahy ho iza?» hoy Izy tamin’izy ireo. Dia namaly i Piera ka nanao taminy hoe: «Ianao no Kristy.»

30 Ary norarany mafy izy ireo mba tsy hilazalaza Azyna amin’iza na amin’iza.

Voalohany nanambaràn’i Jesoa ny hijaliany

31 Tamin’izay nambarany tamin’izy ireo fa ny Zanak’olona dia tsy maintsy hijaly mafy sy hatosiky ny loholona mbamin’ny lohandohan’ny mpisorona sy ny mpanora-dalàna, ary hovonoina, fa hitsangana indray raha afaka hateloana,

32 sady nataony mazava tsara no filaza izany. Dia nentin’i Piera nitanila Izy ka noteneniny mafy.

33 Fa nihodina nijery ny mpianany Izy, ary niteny mafy an’i Piera hoe: «Mialà amiko, ry Satana, satria tsy mihevitra araka an’Andriamanitra ianao, fa araka ny olombelona.»

Ny tsy maintsy atao hanarahana an’i Jesoa

34 Dia nantsoiny ny vahoaka mbamin’ny mpianany ka nilazany hoe: «Raha misy ta hanaraka Ahy, aoka izy handà ny tenany sy hitondra ny hazofijaliana ka hanaraka Ahy.

35 Fa izay te hamonjy ny ainy no hahavery azy, ary izay hahafoy azy noho ny fitiavany Ahy sy ny Evanjely no hamonjy azy.

36 Inona no soa azon’ny olona raha mahazo izao tontolo izao izy, nefa very ny fanahiny?

37 Sa inona no azon’ny olona omena ho takalon’ny fanahiny?

38 Izay ho menatra Ahy sy ny teniko amin’ity taranaka mpijangajanga sy mpanota ity, dia ho menatra azy koa ny Zanak’olona rehefa avy, amin’ny voninahitry ny Rainy Izy, otronin’ny Anjely masina.»

39 Dia hoy koa Izy: «Lazaiko marina aminareo fa ny sasany aminareo eto dia tsy hanandra-pahafatesana raha tsy efa mahita ny fanjakan’Andriamanitra tonga amin’ny voninahitra.»

Categories
Marka

Marka 9

Ny niovan’i Jesoa tarehy

1 Henemana taorian’izany dia nalain’i Jesoa i Piera sy i Jakôba ary i Joany ka nentiny nitokana tany an-tampon’ny tendrombohitra avo anankiray, dia niova tarehy teo anatrehany Izy.

2 Tonga nanjelanjelatra sady fotsy hoatra ny oram-panala ny fitafiany, ka tsy misy mpamotsy lamba mahafotsy toy izany etỳ an-tany.

3 Ary niseho tamin’izy ireo i Elia sy i Môizy, sady niresaka tamin’i Jesoa.

4 Dia niteny i Piera ka nanao tamin’i Jesoa hoe: «Raby ô, mahafinaritra ny mitoetra atỳ; aoka hanao lay telo izahay, ny iray ho Anao, ny iray ho an’i Môizy, ary ny iray ho an’i Elia.»

5 Fa tsy fantany izay nolazainy, satria raiki-tahotra loatra izy ireo.

6 Tamin’izay dia nisy rahona nanarona azy; ary nisy feo avy tao amin’io rahona io nanao hoe: «Ity no Zanako malalako indrindra, henoy Izy.»

7 Niaraka tamin’izay dia nijerijery manodidina izy ireo, nefa tsy nahita olona intsony, fa i Jesoa irery sisa teo aminy.

Fanontaniana momba an’i Elia

8 Nony nidina avy tany an-tendrombohitra izy ireo, dia norarany tsy hilazalaza amin’olona ny zavatra vao hitany, mandra-pitsangan’ny Zanak’olona ho velona avy any amin’ny maty.

9 Dia notanany tao am-pony izany zavatra izany, sady nifampaka saina izy ny amin’izay hevitr’izany hoe, mitsangan-ko velona avy any amin’ny maty.

10 Ary nanontany Azy izy ireo nanao hoe: «Ahoana àry no ilazan’ny Farisianina sy ny mpanora-dalàna fa tsy maintsy ho avy aloha i Elia?»

11 Dia hoy i Jesoa hoe: «Tsy maintsy ho avy aloha i Elia sy hanavao ny zavatra rehetra; fa ahoana kosa no nanoratana ny amin’ny Zanak’olona fa tokony hijaly mafy Izy sy hotevatevaina izaitsizy?

12 Ary lazaiko aminareo fa efa tonga sahady i Elia, sady nataon’ny olona taminy izay sitraky ny fony, araka ny nanoratana azy.»

Ilay malemy azon’ny demony

13 Nony tafaverina teo amin’ny mpianany Izy dia nahita vahoaka betsaka nanodidina Azy, sy mpanora-dalàna niady hevitra taminy.

14 Gaga ny olona rehetra nony nahita an’i Jesoa, ka nidodododo hiarahaba Azy niaraka tamin’izay.

15 Dia nanontany azy ireo Izy nanao hoe: «Ny amin’inona no iadianareo hevitra amin’ireto?»

16 ka novalian’ny anankiray tamin’ny vahoaka hoe: «Ry Mpampianatra ô, nitondra ny zanako lahy azon’ny demony moana nankatỳ aminao Aho:

17 fa na aiza na aiza ahazoany azy dia sady akapokapony izy no mandoa vory sy mikitro-nify, fa efa mihamalazolazo erỳ; ary efa nangataka ny mpianatrao handroaka azy aho, fa tsy nahomby izy ireo.»

18 Dia niteny i Jesoa nanao hoe: «Ry taranaka tsy mino, mandra-pahoviana no hitoerako aminareo? mandra-pahoviana no handeferako aminareo? Ento atỳ amiko izy.»

19 Dia nentiny nankeo aminy izy, ary vantany vao nahita Azy ny demony, dia nampifanintontsintona ny zaza, ka lavo nitsinkasina sady nandoa vory.

20 Dia nanontany ny rain-drazazalahy i Jesoa nanao hoe: «Hoatrinona izay no nahatongavan’izao taminy?» ka novaliany hoe: «Hatry ny fony izy mbola kely;

21 ary matetika izy no nazeran’ny demony tamin’ny afo sy tany anaty rano mba hahafaty azy; ka raha mba misy hainao re, mamindrà fo aminay, ary vonjeo izahay!»

22 Dia hoy i Jesoa taminy: «Raha hainao ny mino, tsy misy tsy azo atao ho an’izay mino.»

23 Niaraka tamin’izay, dia sady niantso mafy ny rain-drazazalahy no nanao an-dranomaso hoe: «Mino aho, Tompoko, fa vonjeo re ity tsy finoako.»

24 Ary nony nahita ny vahoaka nidodododo nanatona Azy i Jesoa, dia niteny mafy ny fanahy maloto Izy nanao hoe: «Ry fanahy marenina sy moana, Izaho mandidy anao, mivoaha amin’io zaza io, ka aza miditra ao aminy intsony.»

25 Dia sady ninananàna ny demony no nampifanintontsintona azy mafy vao niala taminy, ka efa toy ny maty ilay zazalahy, ary efa nataon’ny maro hoe maty aza.

26 Fa noraisin’i Jesoa tamin’ny tanany izy, dia nareniny, ka nitsangana.

27 Nony tonga tany an-trano Izy, dia nanontanian’ny mpianany mangingina hoe: «Nahoana no tsy naharoaka azy izahay?»

28 Ka hoy Izy taminy: «Tsy azo roahina afa-tsy amin’ny fivavahana sy ny fifadian-kanina izany karazan-demony izany.»

Fanindroany nanambaràn’i Jesoa ny hijaliany

29 Nony niala teo izy ireo, dia namaky an’i Galilea, ary tsy tian’i Jesoa ho fantatr’olona izany,

30 fa nampianatra ny mpianany Izy ary nanao taminy hoe: «Hatolotra eo an-tanan’ny olombelona ny Zanak’olona, dia hovonoiny, fa hitsangan-ko velona avy any amin’ny maty Izy raha afaka hateloana aorian’ny hahafatesany.»

31 Tsy fantatr’izy ireoanefa izany teny izany, sady tsy sahiny nanontaniana Azy koa.

Iza no lehibe indrindra?

32 Dia tonga tany Kafarnaoma izy ireo, ary nony mby tao an-trano, dia nanontany ny mpianany i Jesoa nanao hoe: «Inona izany niadianareo hevitra tany an-dalana izany?».

33 Fa tsy niteny tsy nivolana izy, satria ny amin’ny izay ho lehibe indrindra amin’izy rehetra no niadiany hevitra teny an-dalana.

34 Dia nipetraka Izy ary niantso ny roa ambin’ny folo lahy ka nanao taminy hoe: «Izay te ho voalohany no ho farany indrindra sy ho mpanompon’ny olona rehetra.»

35 Ary nandray zaza anankiray Izy, napetrany teo afovoany, sy nofihininy, ary hoy Izy tamin’ny mpianany hoe:

36 «Na iza na iza handray anankiray amin’ny zazakely toy itony amin’ny Anarako, dia handray Ahy, ary izay mandray Ahy dia tsy mandray Ahy, fa Izay naniraka Ahy.»

Fampiasana ny Anaran’i Jesoa

37 Ary niteny i Joany ka nanao taminy hoe: «Mpampianatra ô, nahita olona anankiray nandroaka demony amin’ny Anaranao izahay; nefa tsy namantsìka ka noraranay.»

38 Fa hoy i Jesoa: «Aza raranareo izy; fa tsy misy olona hanao fahagagana amin’ny Anarako ka hanaratsy Ahy vetivety foana.

39 Fa izay tsy manohitra antsika dia momba antsika.»

Fitiavana ny mpianatr’i Jesoa

40 Na iza na iza hanome rano eran’ny kapoaka anareo amin’ny Anarako, satria an’i Kristy ianareo, dia lazaiko marina aminareo fa tsy ho very valisoa izy.

Ny fanafintohinana

41 Ary na iza na iza hanafintohina ny anankiray amin’ireny madinika mino Ahy ireny, dia tsaratsara kokoa ho azy ny hanantonana vato fikosohan-dafarina amin’ny vozony, ka havarina any anaty ranomasina izy.

42 Raha ny tananao no manafintohina anao, tapaho izy; fa aleo kilemaina miditra any amin’ny fiainana ianao, toy izay manan-tanan-droa avarina any amin’ny Gehena, dia any amin’ny afo tsy azo vonoina,

43 izay misy olitra tsy mety maty sy afo tsy maty mandrakizay.

44 Ary raha ny tongotrao no manafintohina anao, tapaho izy, fa aleo tapa-tongotra an’ila miditra any amin’ny fiainana ianao toy izay manana tongotra roa avarina any amin’ny gehen’afo tsy azo vonoina,

45 izay misy olitra tsy mety maty sy afo tsy maty mandrakizay.

46 Raha ny masonao no manafintohina anao, esory izy, fa aleo toka-maso miditra any amin’ny fanjakan’Andriamanitra ianao, toy izay mana-maso roa avarina any amin’ny gehen’afo,

47 izay tsy mety maty ny olitr’izy ireo ary tsy azo vonoina ny afo.

48 Fa izy rehetra any hosiraina amin’ny afo, toy ny sorona rehetra siraina amin’ny sira.

49 «Tsara ny fanasina: fa rehefa lefy izy, inona no hampodianareo ny tsirony? Tano tsara ny siraaminareo, ka mihavàna ianareo.»

Categories
Marka

Marka 10

Fanontaniana momba ny fisaoram-bady

1 Nony niala teo izy dia tonga tany amin’ny sisin-tanin’i Jodea, andafin’i Jordany; ary nivory teo aminy indray ny vahoaka, ka nampianariny indray araka ny fanaony.

2 Dia nanatona Azy ny Farisianina mba haka fanahy Azy ka nanontany hoe: «Mahazo misao-bady va ny lehilahy?».

3 Ary izao no navaliny azy ireo: «Ahoana no nandidian’i Môizy anareo?»

4 Dia hoy Izy: «Nomen’i Môizy alalana hanao taratasy fisaoram-bady sy hisao-bady ny lehilahy.»

5 Fa hoy kosa i Jesoa: «Ny hamafin’ny fonareo no nanoratany izany didy izany ho anareo.

6 Fa tamin’ny niandohan’izao tontolo izao, dia lehilahy iray sy vehivavy iray ihany no nataon’Andriamanitra;

7 noho izany dia handao ny ray aman-dreniny ny lehilahy, ka hikambana amin’ny vadiny,

8 ary ho nofo iray izy roroa; koa tsy roa intsony izy, fa nofo iray ihany.

9 Koa aoka izay nakamban’Andriamanitra tsy hosarahin’olombelona.»

10 Nony mby tao an-trano, dia nanontany Azy ny amin’izany indray ny mpianany,

11 ka hoy Izy taminy: «Na iza na iza misaotra ny vadiny ka mampakatra vehivavy hafa, dia mijangajanga mandika ny lalàm-panambadiana;

12 ary raha ny vavy koa no misaotra ny lahy ka manambady hafa, dia mijangajanga.»

I Jesoa sy ireo zazakely

13 Ary nisy nitondra zazakely maromaro mba hametrahany tanana, nefa notenenin’ny mpianatra mafy ireo nitondra;

14 ka tezitra i Jesoa nony nahita izany sady nanao taminy hoe: «Avelao hanatona Ahy ny zaza, fa aza raranareo, satria ny toa azy no hanana ny fanjakan’Andriamanitra.

15 Lazaiko marina aminareo fa na iza na iza tsy handray ny fanjakan’Andriamanitra tahaka ny zazakely, dia tsy hiditra any.»

16 Dia nofihininy izy ireo, sy nametrahany tanana, ary notsofiny rano.

Ilay lehilahy mpanan-karena

17 Nony nivoaka handeha Izy, dia nisy lehilahy anankiray nidodododo nandohalika teo anatrehany ka nanontany Azy hoe: «Ry Mpampianatra tsara ô, inona no hataoko hahazoako ny fiainana mandrakizay?»

18 Ary hoy i Jesoa taminy: «Nahoana no ataonao hoe tsara Aho? Tsy misy tsara afa-tsy Andriamanitra irery.

19 Fantatrao ny didy hoe: Aza mijangajanga; aza mamono olona; aza mangalatra; aza mety ho vavolombelona tsy marina; aza manambaka; manajà ny rainao aman-dreninao.»

20 Dia hoy ny navaliny Azy: «Mpampianatra ô, hatry ny fony kely aho no efa nitandrina izany rehetra izany.»

21 Ary nijery azy i Jesoa, dia tia azy ka nanao taminy hoe: «Zavatra iray loha no tsy ampy aminao: mandehana, amidio ny fanananao rehetra ka omeo ny mahantra, dia hanan-drakitra any an-danitra ianao, ary raha efa izany dia avia hanaraka Ahy.»

22 Nampahory azy izany teny izany fa nanan-karena be izy, ka niala tamin’alahelo.

Ny loza vokatry ny harena

23 Ary nijerijery manodidina i Jesoa ka nanao tamin’ny mpianany hoe: «Akory ny hasarotry ny hidiran’ny mpanan-karena amin’ny fanjakan’Andriamanitra!»

24 Nony gaga tamin’izany teniny izany ny mpianany, dia hoy indray i Jesoa taminy: «Sarotra, anaka, ny hidiran’ny miankina amin’ny harena ao amin’ny fanjakan’Andriamanitra.

25 Moramora kokoa ny hidiran’ny rameva amin’ny vody fanjaitra noho ny hidiran’ny mpanan-karena ao amin’ny fanjakan’Andriamanitra.»

26 Vao mainka gaga izy ireo ka nifampilaza hoe: «Iza àry no mety ho voavonjy?»

27 Fa nojeren’i Jesoa izy ka nilazany hoe: «Amin’ny olombelona, zava-tsy vitany izany; tsy mba toy izany amin’Andriamanitra, satria mahavita ny zavatra rehetra Andriamanitra.»

Valisoan’izay mahafoy

28 Ary hoy i Piera taminy: «Indro izahay efa nahafoy ny zavatra rehetra ka nanaraka Anao.»

29 Dia hoy ny navalin’i Jesoa azy: «Lazaiko marina aminareo fa tsy misy olona mahafoy trano, na rahalahy, na anabavy, na ray, na reny, na zanaka, na tany noho ny fitiavany Ahy sy ny Evanjely,

30 ka tsy hahazo zato heny ankehitriny amin’ity fiainana ity, dia trano, rahalahy, anabavy, reny, zanaka, tany, na dia ao anatin’ny fanenjehana aza, ary ny fiainana mandrakizay any amin’ny ho avy.

31 Fa maro amin’izay farany no ho voalohany, ary amin’izay voalohany no ho farany.»

Fanintelony nanambaràn’i Jesoa ny hijaliany

32 Ary nony mby teny an-dalana ho any Jerosalema izy ireo, dia i Jesoa no lohalalana, ka sady gaga ny mpianany no natahotrateny am-panarahana Azy. Dia nalainy indray ny roa ambin’ny folo lahy ka nilazany ny hanjò Azy:

33 «Indro fa miakatra ho any Jerosalema isika, ary ny Zanak’olona dia hatolotra amin’ny lohandohan’ny mpisorona sy ny mpanora-dalàna, ary hohelohina ho faty ka hatolony amin’ny Jentily;

34 dia ho esoiny, hororany, hokapohiny, ary hovonoiny, fa hitsangana indray amin’ny andro fahatelo.»

Fangatahan’ireo zanak’i Zebede

35 Ary nanatona Azy i Jakôba sy i Joany zanak’i Zebede ka nanao hoe: «Ry Mpampianatra ô, tianay mba hataonao aminay izay hangatahinay aminao.»

36 «Inona, hoy Izy, no tianareo hataoko aminareo?»

37 Dia hoy ireo: «Aoka ny anankiray aminay mba hipetraka eo ankavananao, ary ny anankiray mba ho eo ankavianao any amin’ny voninahitrao.»

38 Ary hoy i Jesoa taminy: «Tsy fantatrareo izay angatahinareo; moa mahasotro ny kapoaka izay hosotroiko va ianareo, na mahazaka ny batemy izay hanaovana batemy Ahy?»

39 «Zakanay» hoy ireo taminy. Fa hoy kosa i Jesoa: «Raha ny kapoaka hosotroiko, dia hosotroinareo ihany tokoa, ary ny batemy hanaovana batemy Ahy dia hanaovana batemy anareo ihany koa;

40 fa raha ny hipetraka ao ankavanako na ao ankaviako kosa dia tsy Ahy ny hanome izany, fa ho an’izay nanamboarana azy ihany izany.»

Ny mpifehy tokony hanompo

41 Nony nandre izany izy folo lahy dia tezitra tamin’i Jakôba sy i Joany;

42 fa nantsoin’i Jesoa izy ireo ka nilazany hoe: «Fantatreo fa amin’ny fanjakan’izao tontolo izao, dia ny mpifehy no mitsangana ho tompo mandidy, ary ny lehibe no miseho ho mpanapaka manam-pahefana.

43 Fa aminareo kosa tsy mba tahaka izany; fa izay te ho lehibe indrindra no aoka ho mpanomponareo,

44 ary izay te ho ambony indrindra eo aminareo no aoka ho andevonareo rehetra.

45 Fa ny Zanak’olona tsy tonga mba hotompoina, fa mba hanompo ary hahafoy ny ainy ho fanavotana ny maro.»

Ilay jamba avy ao Jerikô

46 Dia tonga tao Jerikô izy ireo. Ary tamin’Izy sy ny mpianany mbamin’ny vahoaka betsaka niala tao Jerikô, dia nipetraka nangataka teo amoron-dalana kosa i Bartime jamba zanak’i Time.

47 Nony reny fa hoe i Jesoa Nazareanina izay, dia rafitra niantso Izy nanao hoe: «Ry Jesoa Zanak’i Davida ô, mamindrà fo amiko.»

48 Ary maro no nandrahona azy mafy mba hampangina azy, fa vao mainka niantso mafimafy kokoa izy nanao hoe: «Ry Zanak’i Davida ô, mamindra fo amiko.»

49 Dia nijanona i Jesoa, ka nampiantso azy. Ary nantsoin’ny olona izy sy nilazany hoe: «Matokia! mitsangàna, fa antsoiny ianao.»

50 Dia nariany ny lambany, ka niezaka nanatona an’i Jesoa izy.

51 «Inona, hoy i Jesoa taminy, no tianao hataoko aminao?» Dia hoy ilay jamba: «Rabònyô, aoka mba hahiratra aho.»

52 «Mandehana, hoy i Jesoa, fa ny finoanao no nahavonjy anao.» Dia nahiratra niaraka tamin’izay izy, ka nanaraka Azy teny an-dalana.

Categories
Marka

Marka 11

Ny nidirany tao Jerosalema amin’ny maha Mesia Azy

1 Nony mby akaiky an’i Jerosalema sy tonga tao Betania anilan’ny tendrombohitra Oliva Izy, dia naniraka roalahy tamin’ny mpianany,

2 ary nilaza taminy hoe: «Mankanesa amin’itsy vohitra tandrifinareo itsy; raha vao tonga any ianareo, dia hahita zanak’ampondra anankiray mifatotra, izay tsy mbola nitaingenan’olona; vahao izy ka ento mankatỳ amiko.

3 Ary raha misy manao aminareo hoe: ‹Ahoana no anaovanareo izao?› valio hoe: ‹Misy ilàn’ny Tompo azy›, dia halefany hoentina atỳ miaraka amin’izay izy.»

4 Dia nandeha izy ireo ka nahita zanak’ampondra mifatotra teo alatrano anilan’ny varavarana, teo an-tsampanan-dalana, dia novahany.

5 Ary ny sasany tamin’ny olona teo nanao taminy hoe: «Ahoana no amahanareo io zanak’ampondra io?»

6 Fa novaliany araka ny nandidian’ny Tompo azy izy ireo, ka namela azy hoentiny.

7 Dia nentiny tany amin’i Jesoa ny zanak’ampondra, ka nataony teo amboniny ny fitafiany, ary nitaingina teo Izy.

8 Maro no namelatra ny fitafiany teny amin’ny lalan-kalehany, ary ny sasany nanapaka rantsan-kazo dia namafy izany teny amin’ny lalana koa.

9 Ary na izay nandeha teo alohany, na izay nanaraka teo aoriany dia samy niantso hoe:«Hôzàna!

10 Hohasoavina anie Ilay avy, amin’ny Anaran’ny Tompo; hohasoavina anie ny fanjakan’i Davida raintsika, izay efa tonga izao;Hôzànaany amin’ny Avo indrindra».

11 Dia niditra tao Jerosalema Izy namantana tao amin’ny Tempoly, ka nony avy nijerijery ny zavatra rehetra dia nankany Betania nomban’ny roa ambin’ny folo lahy, fa efa hariva rahateo ny andro.

Ilay aviavy tsy namoa

12 Nony ampitso, raha niala tany Betania Izy, dia noana,

13 ary nahatazan-davitra aviavy iray mandravina Izy, dia nankao hizaha raha sendra misy voany; fa nony mby teo Izy, dia tsy nahita na inona na inona afa-tsy ravina, satria tsy taom-pamoazan’ny aviavy tamin’izay.

14 Dia hoy Izy tamin’ny aviavy: «Aoka tsy hisy olona hihinana voa aminao intsony mandrakizay,» ary ren’ny mpianany izany.

Ireo mpivarotra tao an-Tempoly noroahina

15 Dia tonga tany Jerosalema izy ireo, ka nony niditra tao amin’ny Tempoly i Jesoa, dia nandroaka izay nivarotra sy nividy tao, ary nanjera ny latabatry ny mpampisambo-bola sy ny fipetrahan’ny mpivaro-boromahailala,

16 ary tsy navelany hisy olona mitondra entana hamaky ny Tempoly,

17 sady nampianatra Izy, nanao hoe: «Moa tsy voasoratra hoe:Ny tranoko dia hatao trano fivavahana ho an’ny firenena rehetra?fa ianareo kosa efa nanao azy hozohy fieren’ny jiolahy.»

18 Nony nahare izany ny lohandohan’ny mpisorona sy ny mpanora-dalàna dia nitady izay hahafaty Azy; saingy natahotra Azy izy ireo satria nigagan’ny vahoaka rehetra ny fampianarany.

19 Nony hariva ny andro dia niala tao an-tanàna Izy.

Ilay aviavy nanjary maina. Finoana sy vavaka

20 Ary ny ampitso maraina raha nandalo izy ireo, dia hitan’ny mpianany fa maina hatramin’ny fotony ilay aviavy.

21 Dia nahatsiahy i Piera ka nanao taminy hoe: «Raby ô, he! maina ilay aviavy nozoninao.»

22 Ary hoy ny navalin’i Jesoa azy: «Manàna finoana an’Andriamanitra.

23 Fa lazaiko marina aminareo fa na zovy na zovy hilaza amin’ity tendrombohitra ity hoe: ‹Mialà ianao eo, ka mianjera any an-dranomasina›, raha mino tsy amim-pisalasalana ao am-pony izy, fa ho tanteraka tokoa izay lazainy, dia ho hitany ny fahatanterahan’izany.

24 Koa amin’izany lazaiko aminareo, fa na inona na inona angatahinareo amin’ny fivavahana, minoa fa ho azonareoizany, dia ho tanteraka tokoa izany.

25 Ary raha mitsangana hivavaka ianareo ka sendra manana alahelo amin’olona, dia mamelà azy, mba hamelan’ny Rainareo any an-danitra ny helokareo koa.

26 Fa raha tsy mamela ianareo, dia tsy havelan’ny Rainareo any an-danitra koa ny helokareo.»

Fanontanian’ny Jody momba ny fahefan’i Jesoa

27 Dia tonga tany Jerosalema indray izy ireo. Ary raha niasa dia, teo anatin’ny Tempoly i Jesoa, dia nanatona Azy ny lohandohan’ny mpisorona sy ny mpanora-dalàna ary ny loholona,

28 ka nilaza taminy hoe: «Fahefana avy aiza no anaovanao izao zavatra izao? Ary iza no nanome fahefana Anao hanao izany?»

29 Dia hoy i Jesoa taminy: «Mba hanontaniako zavatra iray loha koa àry ianareo, ka raha voavalinareo, dia holazaiko aminareo izay fahefana anaovako izao.

30 Avy aiza ny batemin’i Joany, avy any an-danitra sa avy amin’ny olona? Valio Aho.»

31 Dia nieritreritra izy ireo, ka nanao hoe: «Raha valiantsika hoe avy any an-danitra mantsy, dia hataony hoe: Nahoana àry no tsy ninoanareo?

32 Ary raha ataontsika hoe avy amin’ny olona kosa, ny vahoaka indray no atahorantsika; fa ataon’izy rehetra ho mpaminany marina tokoa i Joany.»

33 Dia izao no navaliny an’i Jesoa. «Tsy fantatray.» «Ary Izaho kosa, hoy i Jesoa taminy, tsy hilaza aminareo izay fahefana anaovako izao.»

Categories
Marka

Marka 12

Fanoharana amin’ireo mpiasa tanimboaloboka mpamono olona

1 Ary niteny tamin’izy ireo tamin’ny fanoharana Izy nanao hoe: «Nisy lehilahy anankiray namboly voaloboka, ka namefy azy manodidina, nandavaka tany hanaovana famiazana, nanorina tilikambo tao, ary nampanofa azy tamin’ny mpamboly voaloboka, dia lasa nankany an-tany hafa.

2 Nony tonga ny fotoana, dia naniraka ankizilahy anankiray ho any amin’ny mpamboly izy mba handray ny vokatry ny tanimboaloboka:

3 fa nosamborin’izy ireo ilay mpanompo, ka sady nokapohiny no nampodiny maina.

4 Dia naniraka ankizilahy anankiray hafa ho any aminy indray izy, fa io koa dia sady noratrainy ny lohany no nalany baràka.

5 Ary naniraka ankizilahy anankiray hafa koa izy, fa novonoiny; ary nisy maro hafa koa, fa ny sasany nokapohiny, ary ny sasany novonoiny.

6 Dia ny zanany lahy tokana malalany indrindra no sisa tao aminy, ka io no nirahiny tamin’ny farany, fa hoy izy: ‹Hanaja ny zanako izy›.

7 Kanjo ireto mpiasa nifampilaza hoe: ‹Inty ny mpandova; andeha hovonointsika izy, dia ho lasantsika ny lova.›

8 Dia nosamboriny izy ka novonoiny, ary natsipiny any ivelan’ny tanimboaloboka.

9 Inona àry no hataon’ny tompon’ny tanimboaloboka amin’izany? Ho avy izy, ka ny mpiasa haringany, ary ny tanimboalobony hafindrany amin’ny hafa.

10 Moa tsy mbola novakinareo va ny teny ao amin’ny Soratra Masina hoe:

Ny vato narian’ny mpanao trano

no tonga vato fehizoro;

11 avy tamin’Andriamanitra izao

ka mahagaga eo imasontsika.»

12 Ary nitady hisambotra Azy izy ireo, satria fantany fa izy ihany no lazainy amin’izany fanoharana izany, saingy natahotra ny vahoaka izy; koa nandao Azy, dia lasa.

Ny hetra ho an’i Sezara

13 Tamin’izay dia naniraka ny sasany tamin’ny Farisianina sy Herôdianina izy ireo mba hamandrika Azy amin’ny teniny,

14 ka nony tonga ireo dia nanao taminy hoe: «Ry Mpampianatra ô, fantatray fa marina ianao ka tsy mampaninona Anao ny olona, satria tsy mba mizaha tavan’olona ianao, fa mampianatra ny lalan’Andriamanitra araka ny marina. Moa mety va sa tsia ny mandoa hetra ho an’i Sezara: handoa izahay sa tsy handoa?»

15 Fa fantatr’i Jesoa ny fihatsarambelatsihiny, ka hoy Izy taminy: «Nahoana ianareo no maka fanahy Ahy? Itondray denie iray Aho hozahako.»

16 Dia nitondrany iray Izy ka hoy Izy taminy: «Sarin’iza, sy anaran’iza io?» «An’i Sezara» hoy iretsy.

17 Dia hoy i Jesoa taminy: «Aloavy ho an’i Sezara àry izay an’i Sezara, ary ho an’Andriamanitra izay an’Andriamanitra.» Dia nigagan’izy ireo Izy.

Ny fitsanganan’ny maty

18 Dia ny Sadoseanina izay mandà ny fitsanganan’ny maty kosa indray no nankeo aminy ka nanontany Azy hoe:

19 «Ry Mpampianatra ô, izao no nosoratan’i Môizy ho antsika: ‹Raha misy lehilahy maty momba ka mbola velona ny vadiny, dia aoka ny rahalahiny no hampakatra ny vadiny mba hiteraka hamelo-maso azy?›

20 Ary nisy olona fito mirahalahy, ka nanambady aloha ny lahimatoa, dia maty momba.

21 Dia nanambady an-dravehivavy indray ny faharoa, fa maty momba koa izy; toraka izany koa ny fahatelo.

22 Ary samy nanambady azy izy fito, fa maty momba avokoa. Faran’izy rehetra dia maty koa ravehivavy.

23 Koa amin’ny fitsanganan’ny maty, rehefa tafatsangana izy ireo, iza no ho vadin-dravehivavy, fa efa samy nanambady azy avokoa izy fito mirahalahy?»

24 Ary hoy ny navalin’i Jesoa azy: «Moa tsy diso hevitra va ianareo noho ny tsy fahafantaranareo ny Soratra Masina sy ny fahefan’Andriamanitra?

25 Fa rehefa tafatsangana ny maty, dia tsy hisy mpampakatra sy ampakarina intsony, fa ho tahaka ny Anjely any an-danitra izy.

26 Ary raha ny amin’ny fitsanganan’ny maty, moa tsy mbola novakinareo va ao amin’ny bokin’i Môizy, amin’ilay misy ny voaroy, izay nilazan’Andriamanitra taminy hoe:Izaho no Andriamanitr’i Abrahama, sy Andriamanitr’i Isaaka, ary Andriamanitr’i Jakôba?

27 Tsy Andriamanitry ny matyizy, fa an’ny velona. Koa diso lehibe loatra ianareo.»

Ny didy voalohany

28 Ary nisy mpanora-dalàna anankiray nahare izany ady hevitra izany sy nahita ny namalian’i Jesoa azy tsara, ka mba rafitra nanatona Azy koa sy nanontany Azy hoe: «Inona no voalohany amin’ny didy rehetra?»

29 Ary i Jesoa namaly azy hoe: «Ny voalohany indrindra amin’izy rehetra dia ity:Mihainoa, ry Israely: ny Tompo Andriamanitsika no hany Tompo tokana:

30 koa tiavo ny Tompo Andriamanitrao amin’ny fonao manontolo, sy amin’ny fanahinao manontolo,sy amin’ny sainao manontolo,ary amin’ny herinao manontolo.Izany no didy voalohany.

31 Ary ity no faharoa mitovy aminy ihany koa:Tiavo ny namanao tahaka ny tenanao. Tsy misy didy lehibe mihoatra noho ireo.»

32 Dia hoy ilay mpanora-dalàna taminy: «Tsara izany, ry Mpampianatra, marina indrindra ny nilazanao fatokana Andriamanitra, ary tsy misy hafa afa-tsy Izy,

33 ka ny tia Azy amin’ny fo manontolo, sy amin’ny fanahy manontolo, ary amin’ny hery manontolo, ary ny tia namana tahaka ny tena, dia lehibe lavitra noho ny sorona dorana rehetra sy ny fanatitra hafa rehetra.»

34 Nony hitan’i Jesoa fa namaly tamim-pahendrena izy, dia hoy Izy taminy: «Tsy lavitra ny fanjakan’Andriamanitra ianao.» Ary hatramin’izay dia tsy nisy olona sahy nanontany Azy intsony.

I Kristy, Zanak’i Davida sady Tompony

35 Ary mbola nampianatra tao anatin’ny Tempoly i Jesoa, dia niteny nanao hoe: Ahoana no ilazan’ny mpanora-dalàna fa i Kristy dia zanak’i Davida?

36 Nefa i Davida ihany no nampilazain’ny Fanahy Masina hoe:

Ny Tompo nilaza tamin’ny Tompoko hoe:

Mipetraha eo ankavanako ianao

mandra-panaoko ny fahavalonao

ho fitoeran-tongotrao.

37 Koa raha antsoin’i Davida ho Tompony izy, ahoana no maha-Zanany Azy? Ary nihaino Azy an-kafaliana ny vahoaka be.

Ireo mpanora-dalàna tsarain’i Jesoa

38 Dia izao koa no nolazainy tamin’ny fampianarany: «Mahìna amin’ny mpanora-dalàna, izay tia ny mitsangantsangana miakanjo mirebareba, sy ny arahabaina eny an-kianja,

39 ary ny fipetrahana voalohany ao amin’ny sinagoga, mbamin’ny fitoerana ambony amin’ny fanasana.

40 Fa miseho ho manao fivavahana lavareny izy ireny, kanjo mihinana ny fananan’ny mpitondratena, ka vao mainka hohelohina mafimafy kokoa».

Ny rakitr’ilay mpitondratena

41 Raha nipetraka tandrifin’ny fandatsahan-drakitra i Jesoa, dia nijery ny fandatsaky ny olona tao, ary maro ny manankarena no nandatsaka be.

42 Ary nisy mpitondratena mahantra anankiray tonga tao koa, ka nandatsaka farantsa kely roaankevitry ny variroaventy avy.

43 Dia nantsoin’i Jesoa ny mpianany ka nilazany hoe: «Lazaiko marina aminareo fa io mpitondratena mahantra io no nandatsaka indrindra tamin’izay rehetra nandatsaka tao amin’ny fandatsahan-drakitra;

44 satria ireo rehetra ireo nandatsaka ny ambim-bavany, fa izy kosa nandatsaka izay ilainy, dia izay rehetra nananany sy ivelomany.»

Categories
Marka

Marka 13

Toriteny momba ny farandro. Fanombohana

1 Nony nivoaka avy ao amin’ny Tempoly Izy, dia hoy ny mpianany anankiray taminy: «Ry Mpampianatra ô, jereo ange, endrey ireto vato sy izato rafitra!»

2 Ary hoy ny navalin’i Jesoa azy: «Hitanao va ireo rafitra lehibe ireo? Tsy havela hisy vato mifanongoa eo izay tsy horavana.»

3 Ary nony nipetraka teo amin’ny tendrombohitra Oliva tandrifin’ny Tempoly Izy, dia nanontany Azy manokana i Piera sy i Jakôba sy i Joany ary i Andre nanao hoe:

4 «Lazao aminay rahoviana no ho tonga izany, ary inona no ho famantarana hahalalana fa efa ho tanteraka izany rehetra izany?»

Fanombohan’ny fijaliana

5 Ary izao no navalin’i Jesoa azy: «Tandremo fandrao hisy hamitaka anareo;

6 fa maro no ho avy, amin’ny Anarako hanao hoe: ‹Izaho no Izy›; ary maro no ho voafitany.

7 Ary raha mandre ady sy honohono hoe: hiady, ianareo, dia aza matahotra; fa tsy maintsy ho tonga izany, nefa tsy mbola izany no farany;

8 Fa hisy firenena hitsangana hiady amin’ny firenena, sy fanjakana hiady amin’ny fanjakana, ary hisy horohoron-tany amin’ny tany samihafa, sady hisy mosary. Izany no ho fiandohan’ny fahoriana.»

9 «Tandremo koa ny amin’ny tenanareo, fa hotorìna amin’ny mpitsara ianareo, sy hokapohina ao amin’ny sinagoga, ary hoentina eo anatrehan’ny mpifehy sy ny mpanjaka noho ny Amiko, mba ho vavolombeloko eo aminy.

10 Kanefa tsy maintsy hotorìna amin’ny firenena rehetra aloha ny Evanjely.

11 Ary rehefa entina hanatrika ny mpitsara ianareo, dia aza heverina mialoha izay holazainareo; fa izay hevitra homena anareo no lazao, satria tsy ianareo no hiteny, fa ny Fanahy Masina.

12 Amin’izany, ny rahalahy dia hanolotra ny rahalahiny hovonoina, ny ray hanolotra ny zanany lahy, ny zanaka hikomy amin-drainy aman-dreniny ka hamono azy;

13 ary ho halan’ny olona rehetra ianareo noho ny Anarako; fa izay haharitra hatramin’ny farany no ho voavonjy.»

Fahoriana lehibe hanjò an’i Jerosalema

14 «Ary raha hitanareo eo amin’izay tsy tokony hisy azy ny fahavetavetan’ny fandravana (aoka hahafantatra izay mamaky ity), dia aoka izay any Jodea handositra any an-tendrombohitra;

15 aoka izay any ambony tafon-trano, tsy hidina ao an-tranony, na hiditra haka zavatra ao,

16 ary aoka izay any an-tsaha, tsy hiverina haka ny fitafiany.

17 Loza ny hanjò ny bevohoka sy ny mitaiza kely amin’izany andro izany!

18 Mivavaha mba tsy ho amin’ny ririnina izany,

19 fa amin’izany andro izanydia hisy fahoriana lehibe izay tsy mbola nisy toa azyhatramin’ny naharian’Andriamanitra ny zavatra rehetra ka mandraka ankehitriny, ary tsy hisy toy izany intsony.

20 Ary raha tsy nohafohezin’ny Tompo izany andro izany, dia tsy hisy olona ho voavonjy; fa nohafoheziny izany noho ny olom-pinidy izay nofidiny.

21 Amin’izany, raha misy milaza aminareo hoe: ‹Indro ato i Kristy, na indro arỳ Izy!› Aza mino ianareo;

22 fa hisy Kristy sandoka sy mpaminany sandoka hiseho ary hanao famantarana sy fahagagana hamitahany na dia ny olom-pinidy aza, raha azo atao izany.

23 Koa mitandrema ianareo, fa efa voalazako anareo rahateo izao ny zavatra rehetra.»

Ny hiavian’ny Zanak’olona

24 «Fa amin’izany andro izany, rehefa afaka izany fahoriana izany, ny masoandro hihamaizina, ny volana tsy hazava intsony,

25 ny kintana any an-danitra hiraraka, ary ny herin’ny lanitra hihozongozona.

26 Dia ho hita amin’izay ny Zanak’olona avy, eo ambonin’ny rahona amin-kery lehibe sy voninahitra.

27 Amin’izay Izy dia haniraka ny Anjely ary hanangona ny olom-pinidy avy amin’ny vazantany efatra, hatramin’ny faran’ny tany ka hatramin’ny faran’ny lanitra.»

Ny fotoana hiaviany

28 «Alaovy ho fanoharana ny aviavy. Raha vao manaroka ny rantsany ka mandravina, dia fantatrareo fa efa antomotra ny fahavaratra.

29 Toy izany koa, rehefa hitanareo fa tonga izany zavatra izany, dia fantaro fa efa antomotra mby eo am-baravarana Izy.

30 Lazaiko marina aminareo fa tsy ho lany ity taranaka ity mandra-pahatongan’izany rehetra izany.

31 Ho levona ny tany aman-danitra, fa ny teniko tsy mba ho levona.

32 Izany andro sy ora izany anefa, dia tsy misy mahalala, na ny Anjely any an-danitra, na ny Zanaka aza, afa-tsy ny Ray ihany.»

Miambena mba tsy hotampohina

33 «Mitandrema, miambena ary mivavaha, fa tsy fantatrareo izay hiavian’ny fotoana;

34 tahaka ny lehilahy iray nandeha hivahiny, ka nandao ny tranony, ary nanome fahefana ny mpanompony sy nanolo-draharaha hataony avy, dia nandidy ny mpiandry varavarana hiambina.

35 Koa miambena àry, fa tsy fantatrareo izay hahatongavan’ny tompon-trano, na ho hariva, na ho misasak’alina, na ho maneno akoho, na ho maraina,

36 fandrao tonga tampoka izy ka tratrany matory ianareo.

37 Ary izao lazaiko aminareo izao, dia lazaiko amin’ny olona rehetra koa: Miambena.»

Categories
Marka

Marka 14

Tetika hamelezana an’i Jesoa

1 Rehefa indroa andro sisa ny Paka sy ny Azima, dia nitady hisambotra am-pitaka an’i Jesoa ny lohandohan’ny mpisorona sy ny mpanora-dalàna mba hamonoany Azy;

2 nefa, hoy izy «tsy tokony ho amin’ny andro fety fandrao mitabataba ny vahoaka.»

Fanosorana tao Betania

3 Ary nony tany Betania tao an-tranon’i Simôna boka izy, dia nisy vehivavy anankiray niditra raha mbola nipetraka nihinana izy. Nitondra tavoara alabastrafeno diloilo manitra sarobidy natao tamin’ny salohin’ny narda ravehivavy, ary novakiny ny tavoara, dia naidiny tamin’ny lohan’i Jesoa ny menaka.

4 Maro tamin’izay teo no tezitra ka nifampilaza hoe: «Nahoana re no lanìna foana toy izao ity zava-manitra?

5 Denie telon-jato mahery iny raha namidy ka homena ny mahantra.» Dia nimonomonona tamin-dravehivavy izy ireo.

6 Fa hoy i Jesoa taminy: «Avelao izy; nahoana ianareo no manao ny mampalahelo azy? Asa soa no nataony tamiko,

7 fa ny mahantra dia hisy eto aminareo mandrakariva, ka azonareo asian-tsoa araka izay tianareo, fa Izaho kosa tsy ho eto aminareo mandrakariva;

8 nanao izay azony natao izy; nohosorany rahateo ny Tenako ho fandevenana Ahy.

9 Lazaiko marina aminareo fa na aiza na aiza hitoriana ity Evanjely ity amin’izao tontolo izao, dia holazaina koa izao nataon-dravehivavy izao ho fankalazana azy.»

Ny namadihan’i Jodasy

10 Ary i Jodasy IsKariota, ilay isan’izy roa ambin’ny folo lahy, dia nankany amin’ny lohandohan’ny mpisorona mba hanolotra Azy.

11 Faly ireo nony nandre izany, ka nanaiky hanome vola azy. Ary i Jodasy dia nitady izay fotoana mety hamadihany Azy.

Fanomanana ny sakafo Paka

12 Ary tamin’ny andro voalohan’ny Azima izay fanomanana ny Paka, dia nilaza tamin’i Jesoa ny mpianany nanao hoe: «Aiza no tianao halehanay hamboaranay ny hihinananao ny Paka?»

13 Dia naniraka roa lahy tamin’ny mpianany Izy ka nilazany hoe: «Mankanesa any an-tanàna, ary hifanena amin’ny lehilahy iray mitondra siny feno rano ianareo, ka manaraha azy.

14 Dia lazao amin’ny tompon’ny trano izay hidirany hoe: ‹Izao no asain’ny Mpampianatra lazaina aminao: Aiza ny efitrano hiarahako mihinana ny Paka amin’ny mpianatro?›

15 Dia hotoroany efitrano malalaka voavoatra tsara ianareo ka ao no anamboary ho antsika.»

16 Dia nandeha ny mpianany ka tonga tany an-tanàna, ary nahita araka izay nolazainy taminy sy nanamboatra ny Paka.

Ny nanambaràna ny hamadihan’i Jodasy

17 Nony hariva ny andro, dia tonga Izy sy ny roa ambin’ny folo lahy.

18 Ary raha nipetraka nihinana izy, dia hoy i Jesoa: «Lazaiko marina aminareo fa hamadika Ahy ny anankiray aminareo izay miara-mihinana amiko.»

19 Dia nalahelo izy ireo, ka samy nanontany Azy tsirairay hoe: «Izaho va izany?»

20 Ary hoy Izy taminy: «Ny anankiray aminareo roa ambin’ny folo lahy, izay miara-mandray amiko amin’ny tanany ao an-dovia.

21 Ny Zanak’olona dia mandeha araka ny nanoratana Azy; nefa loza no hanjò an’izay hamadika Azy! Tsara ho an’izany lehilahy izany ny tsy teraka.»

Ny namoronana ny Eokaristia

22 Ary raha mbola nihinana izy, dia nandray mofo i Jesoa, ka nony efa notsofiny rano sy novakiny dia nomeny azy ireo, sy nataony hoe: «Raiso, Vatako ity.»

23 Raha efa izany dia nandray ny kalisy Izy, ka nony efa nisaotra, dia nomeny azy izany sy nisotroan’izy rehetra.

24 Ary nolazainy taminy hoe: «Rako ity, dia ny Ran’ny fanekena vaovao izay halatsaka ho an’ny maro.

25 Lazaiko marina aminareo fa tsy hisotro ny vokatry ny voaloboka intsony Aho mandra-piavin’ny andro hisotroako izay vaovao any amin’ny fanjakan’Andriamanitra.»

Ny nilazana mialoha, ny handavan’i Piera

26 Nony efa nanao hira fiderana izy ireo, dia nankany amin’ny tendrombohitra Oliva.

27 Ary hoy i Jesoa taminy: «Ho tafintohina noho ny amiko ianareo rehetra anio alina; fa efa voasoratra hoe:‹Hokapohina ny mpiandry, dia hihahaka ny ondry›;

28 fa rehefa tafatsangana indray Aho, dia hialoha anareo any Galilea.»

29 Dia hoy i Piera taminy: «Na dia ho tafintohina noho ny aminao aza izy rehetra, izaho tsy mba ho tafintohina na oviana na oviana.»

30 Ary hoy i Jesoa taminy: «Lazaiko marina aminao fa anio alina ihany, raha mbola tsy maneno fanindroanyakory ny akoho, dia handà Ahy intelo ianao.»

31 Fa vao mainka niteny mafimafy kokoa izy nanao hoe: «Na dia hiara-maty aminao aza aho, dia tsy handà Anao.» Ary nilaza toy izany koa izy rehetra.

Tao Getsemanỳ

32 Ary tonga tany amin’ny saha atao hoe Getsemanỳ izy ireo, dia hoy Izy tamin’ny mpianany: «Mipetraha eto ianareo mandra-pivàvako.»

33 Ary nentiny hiaraka aminy i Piera sy i Jakôba ary i Joany, dia nihoron-koditra sy ory indrindra Izy.

34 Ary hoy Izy taminy: «Ory ny fanahiko ka hila hahafaty Ahy; mijanòna eto ianareo, ary miareta tory.»

35 Dia nandroso kely Izy, ka niankohoka tamin’ny tany, ary nivavaka mba ho afaka amin’izany ora izany, raha azo atao,

36 nanao hoe: «Aba, Raiko, azonao atao ny zavatra rehetra, ka aoka tsy hikasika Ahy ity kapoaka ity; kanefa aoka tsy ny sitrapoko no ho tanteraka, fa ny Anao.»

37 Dia nankeo amin’ny mpianany Izy, ka nahita azy natory, ary nilaza tamin’i Piera hoe: «Ry Simôna, matory va ianao? Tsy nahari-tory ora iray akory va ianao?

38 Miambena ianareo, ary mivavaha, mba tsy ho latsaka amin’ny fakam-panahy. Marisika ihany ny fanahy, fa ny nofo no osa.»

39 Dia lasa indray Izy nivavaka, ka ilay teny teo ihany no nataony.

40 Nony niverina indray Izy, dia nahita azy natory fa efa nilondolondo ny masony, ka tsy hitan’izy ireo izay havaly Azy.

41 Ary niverina fanintelony Izy, ka nanao taminy hoe: «Matoria amin’izao ianareo, ary mialà sasatra. – Aoka izay; tonga ny fotoana: indro hatolotra eo an-tanan’ny mpanota ny Zanak’olona.

42 Mitsangàna ianareo, andeha isika: indro efa akaiky ilay hamadika Ahy.»

Ny nisamborana an’i Jesoa

43 Niaraka tamin’izay raha mbola niteny Izy, dia tamy i Jodasy IsKariota isan’izy roa ambin’ny folo lahy, mbamin’ny vahoaka be nitondra sabatra sy langilangy, nirahin’ny lohandohan’ny mpisorona sy ny mpanora-dalàna ary ny loholona.

44 Izy ireo dia efa nomen’ilay mpamadika Azy famantarana toy izao: «Izay horohako no Izy, ka sambory, ary ento tsy amim-pisalasalana.»

45 Vantany vao tonga izy dia nanatona an’i Jesoa ka nanao hoe: «Arahaba, Raby,» dia nanoroka Azy izy.

46 Ary nosamborin’ireo Izy, dia nohazoniny.

47 Fa ny anankiray amin’izay teo aminy nanatsoaka sabatra, dia namely ny mpanompon’ny lehiben’ny mpisorona, ka nahafaka ny sofiny an’ila.

48 Ary niteny i Jesoa ka nanao tamin’izy ireo hoe: «Mova tsy ny hisambotra jiolahy no fiavinareo nitondra sabatra sy langilangy hisambotra Ahy!

49 Teo aminareo isan’androAho, nampianatra teo amin’ny Tempoly, kanefa tsy nosamborinareo, fa izany no ahatanterahan’ny Soratra Masina,»

50 Dia nandao Azy ny mpianany rehetra fa lasa nandositra.

51 Ary nisy tovolahyanankiray nanaraka Azy, lamba fotsiny no teny an-kodiny, nosamborin’ireo koa;

52 dia nariany ny lambany, ka lasa nandositra niboridana izy.

I Jesoa eo anatrehan’ny Sanedrìna

53 Ary i Jesoa nentin’izy ireo ho any amin’ny lehiben’ny mpisorona izay nivorian’ny lohandohan’ny mpisorona rehetra sy ny mpanora-dalàna ary ny loholona.

54 I Piera kosa nanaraka Azy teny lavidavitra eny hatrany an-tokotanin’ny lehiben’ny mpisorona, dia niara-nipetraka tamin’ny mpanompo teo anilan’ny afo, sy namindro.

55 Tamin’izay ny lohandohan’ny mpisorona sy ny mpisaina rehetra dia nitady izay hiampangana an’i Jesoa hamonoany Azy, nefa tsy nahita;

56 fa maro no niampanga lainga Azy, nefa tsy nifanaraka ny fiampangany.

57 Nony inona dia nisy nitsangana niampanga lainga Azy nanao hoe:

58 «Renay Izy io nanao hoe: ‹Horavako ity tempoly nataon-tanana ity, dia hanangana hafa tsy nataon-tanana indray Aho amin’ny hateloana› »;

59 fa tsy nifanaraka ny fiampangany na dia tamin’izany aza.

60 Dia nitsangana teo afovoan’izy rehetra ny lehiben’ny mpisorona, ka nanontany an’i Jesoa hoe: «Nahoana no tsy valianao izany fiampangan’ireo Anao izany?»

61 Fa tsy niteny Izy, na namaly akory. Dia nanontany Azy indray ny lehiben’ny mpisorona nanao hoe: «Ianao va no Kristy Zanak’Ilay isaorana?»

62 ka novalian’i Jesoa hoe: «Izaho no Izy; ary ho hitanareony Zanak’olona mipetraka eo ankavanan’Ilay mahefa ny zavatra rehetra sy avy, eo ambonin’ny rahon’ny lanitra.»

63 Dia notriarin’ny lehiben’ny mpisorona ny fitafiany, ka hoy izy hoe: «Inona indray no ilantsika vavolombelona?

64 Efa renareo teo ny nitenenany ratsy an’Andriamanitra, ka ahoana no hevitrareo?» Dia nataon’izy rehetra fa mendrika ho faty Izy,

65 ka ny sasany nandrora Azy, dia nanarona ny Tavany, sy namely totohondry Azy ary nanao hoe: «Vinanio»; ny mpanompo avy no namely tehamaina Azy.

Ny fandavan’i Piera

66 Ary raha mbola teo ambany amin’ny tokotany i Piera, dia nankeo aminy ny anankiray tamin’ny ankizivavin’ny lehiben’ny mpisorona.

67 Nony nahita an’i Piera namindro izy, dia nijery azy, ka nanao taminy hoe: «Ianao koa naman’i Jesoa Nazareanina.»

68 Fa nolaviny hoe: «Tsy fantatro, ary tsy azoko akory izay lazainao.» Dia nivoaka nankany alatrano izy ary naneno ny akoho.

69 Fa nahita azy indray ilay ankizivavy, ka nilaza tamin’izay teo hoe: «Naman’ireny koa io lehilahy io,»

70 fa nandà indray izy. Nony afaka kelikely, dia hoy indray ny olona teo tamin’i Piera: «Naman’ireny tokoa ianao, fa Galileanina koa.»

71 Tamin’izay sady niozona izy no nianiana hoe: «Tsy fantatro akory izany Lehilahy antsoinareo izany.»

72 Niaraka tamin’izay dia naneno fanindroany ny akoho. Ary tsaroan’i Piera ilay teny nolazain’i Jesoa taminy hoe: «Tsy mbola haneno fanindroany akory ny akoho, dia handà Ahy intelo ianao»; ka dia nitomany izy.

Categories
Marka

Marka 15

I Jesoa teo anatrehan’i Pilaty

1 Raha vao maraina ny andro, ny lohandohan’ny mpisorona dia niara-nihevitra tamin’ny loholona sy ny mpanora-dalàna ary ny mpisaina rehetra, ka namatotra an’i Jesoa, dia nitondra Azy sy nanolotra Azy tamin’i Pilaty.

2 Ary i Pilaty nanontany Azy hoe: «Ianao va no mpanjakan’ny Jody?» Dia namaly Izy, ka nanao taminy hoe: «Voalazanao.»

3 Ary maro ny zavatra niampangan’ny lohandohan’ny mpisorona Azy,

4 ka nanontany Azy indray i Pilaty nanao hoe: «Tsy mamaly akory va ianao? He izato hamaroan’ny zavatra iampangany Anao!»

5 Fa tsy namaly intsony i Jesoa na dia kely aza, ka gaga i Pilaty.

6 Ary isaky ny fetin’ny Paka dia fanaony ny mandefa mpifatotra iray, izay angatahin’ny vahoaka;

7 ka nisy kosa lehilahy iray atao hoe Barabasy niara-nifatotra tamin’ny mpikomy namany, satria nahafaty olona tamin’ny fikomiana.

8 Dia niakatra ny vahoakaka nangataka azy mba hanao araka izay fanaony aminy;

9 fa namaly i Pilaty hoe: «Tianareo va raha ny mpanjakan’ny Jody no alefako ho anareo?»

10 satria fantany fa fialonana no nanoloran’ny lohandohan’ny mpisorona Azy taminy.

11 Kanjo ny mpisorona namoky ny vahoaka fa aleo i Barabasy no halefany ho azy.

12 Ka hoy indray i Pilaty taminy: «Inona àry no tianareo hataoko amin’Ilay antsoinareo hoe mpanjakan’ny Jody?»

13 Dia niantso indray izy ireo nanao hoe: «Fantsiho amin’ny Hazofijaliana Izy.»

14 «Fa inona àry no ratsy nataony?» hoy i Pilaty taminy. Dia vao mainka niantso mafimafy kokoa izy ireo nanao hoe: «Fantsiho amin’ny Hazofijaliana Izy.»

15 Ary noho i Pilaty te-hahazo sitraka amin’ny vahoaka, dia nandefa an’i Barabasy ho azy izy, ary nampikapoka an’i Jesoa sy nanolotra Azy hofantsihana amin’ny Hazofijaliana.

Fehiloha tsilo

16 Dia nentin’ny miaramila i Jesoa ho ao amin’ny tokotany, izany hoe ao amin’ny fitsarana, sady novoriny ny miaramila namany.

17 Nony efa nampitafîny kapaoty jaky Izy; dia nosatrohany fehiloha tsilo izay norandraniny ny lohany.

18 Ary dia niarahaba Azy izy nanao hoe: «Arahaba, ry mpanjakan’ny Jody.»

19 Sady nikapoka volotara ny lohany sy nandrora Azy, ary nandohalika nitsaoka Azy.

20 Nony efa nolalaoviny toy izany Izy, dia noesoriny ny kapaoty jaky teny aminy, ka natafiny Azy indray ny fitafiany.

Lalan’ny Hazofijaliana

Nentiny hofantsihana amin’ny Hazofijaliana Izy.

21 Ary nisy lehilahy Sireneanina atao hoe Simôna, rain’i Aleksandra sy i Rofosa, nandalo avy any an-tsaha, dia noteren’izy ireo hilanja ny Hazofijaliany.

22 ary Izy dia nentiny tao amin’ny tany atao hoe Golgotà izay adika hoe Tanin’ny karan-doha.

Famantsihana amin’ny Hazofijaliana

23 Dia nomeny divay miharo mira Izy hosotroiny, fa tsy nety nisotro.

24 Nony voafantsika tamin’ny Hazofijaliana Izy, dia nozarainy ny akanjony, ka loka no nataony hahazoany izay ho anjarany avy.

25 Ary tamin’ny ora fahatelono namantsihana Azy tamin’ny Hazofijaliana.

26 Ny filazana ny anton’ny namonoana Azy dia voasoratra hoe: MPANJAKAN’NY JODY.

27 Ary nisy mpangalatra roa lahy niara-nofantsihany taminy tamin’ny hazofijaliana; ny anankiray teo ankavanany, ary ny iray teo ankaviany;

28 ka tanteraka ny Soratra Masina manao hoe: «Natao isan’ny ratsy fanahy Izy.»

I Jesoa eo amin’ny Hazofijaliana esoina sy tevatevaina

29 Ary izay nandalo dia sady nanevateva Azy no nanakifikifi-doha nanao hoe: «Hia! ry Ilay mandrava ny Tempolin’Andriamanitra, sy manangana azy indray amin’ny hateloana ity!

30 Vonjeo ilay ity ny Tenan’Ialahy, ka mialà amin’ny Hazofijaliana!»

31 Ny lohandohan’ny mpisorona sy ny mpanora-dalàna dia naneso Azy toy izany koa, fa izao no resany eo: «Ny sasany novonjeny, fa ny Tenany kosa tsy hainy vonjena.

32 Aoka i Kristy mpanjakan’i Israely hidina hiala amin’ny hazofijaliana amin’izao, mba ho hitantsika ka hinoantsika.» Dia ireo niara-nofantsihana taminy avy koa no naneso Azy.

Ny nahafatesan’i Jesoa

33 Nony tamin’ny enina, dia rakotra haizina ny tany rehetra hatramin’ny sivy;

34 ary tamin’ny sivy, dia niantso mafy i Jesoa nanao hoe: «Elôỳ, Elôỳ, lamà sabaktany?»izany hoe:«Ry Andriamanitro ô! Ry Andriamanitro ô! Nahoana no dia nilaozanao Aho?»

35 Nony nandre izany ny sasany tamin’izay teo, dia nanao hoe: «Indro miantso an’i Elia Izy.»

36 Dia nihazakazaka ny anankiray tamin’izy ireo, novontosany vinaingitra ny spônjy sy notohizany volotara, dia natohony Azy hotsentsefiny, ka hoy izy: «Aoka hoe hozahantsikaraha ho avy hanafaka Azy i Elia!»

37 Fa niantso mafy i Jesoa, dia niala aina.

38 Ary rovitra nisasaka roa hatrany ambony ka hatrany ambany ny efitra lamba tao amin’ny Tempoly.

39 Ilay kapiteny nitsangana teo tandrifin’i Jesoa, nony nahita fa niala aina tamim-piantsoana mafy toy izany Izy, dia nanao hoe: «Zanak’Andriamanitra tokoa io lehilahy io.»

Ireo vehivavy masina teo amin’ny Kalvery

40 Ary nisy vehivavy nijery teny lavidavitra teny koa: anisan’ireny i Maria Madelenina, sy i Maria renin’i Jakôba zandriny sy i Josefa, ary koa i Salôme,

41 izay nanaraka Azy sy nanompo Azy fony izy tany Galilea. Fanampin’ireo koa nisy vehivavy maro izay niara-niakatra taminy tany Jerosalema.

Ny nandevenana an’i Jesoa

42 Ary nony harivany andro, satria andro Fiomanana, izany hoe andro mialoha ny sabata.

43 dia tonga i Josefa avy any Arimatia, loholona malaza izay nanantena ny fanjakan’Andriamanitra koa. Sahy nanatona an’i Pilaty izy, nangataka ny vatan’i Jesoa.

44 Gaga i Pilaty noho Izy maty sahady, ka nampaka ilay kapiteny sy nanontany azy na efa maty ela Izy na tsia.

45 Nony reny ny filazan’ilay kapiteny, dia nomeny an’i Josefa ny faty.

46 Dia nividylamba i Josefa, ka nony efa nampidina ny maty dia namono lamba Azy, sy nandevina Azy tamin’ny fasana nolavahana tamin’ny vato, ary nanakodia ny vato tamin’ny varavaram-pasana.

47 Nojeren’i Maria Madelenina sy i Maria renin’i Josefa tsara izay nametrahany Azy.

Categories
Marka

Marka 16

Ny fasana foana sy ny hafatry ny Anjely

1 Ary rehefa afaka ny sabata, dia nividy zava-manitra i Maria Madelenina, sy i Maria renin’i Jakôba, ary i Salôme, mba handeha hanosotra ny vatan’i Jesoa.

2 Nony marainakoan’ny andro voalohanyamin’ny herinandro, dia nandeha izy, ka tonga teo amin’ny fasana, ilay vao miposaka iny ny masoandro.

3 Ary izy nifampilaza hoe: «Iza re no hasaintsika manakodia ny vato amin’ny varavaram-pasana e?»

4 Kanjo nony nitraka izy, dia tazany ny vato, fa lehibe dia lehibe, ka indro efa voakodia izy.

5 Nony niditra tao am-pasana izy, dia nahita tovolahy iray niakanjo fotsy nipetraka teo an-kavanam-pasana, ka taitra.

6 Fa hoy ilay zatovo taminy: «Aza matahotra ianareo; mitady an’i Jesoa Nazareanina ilay nofantsihana tamin’ny Hazofijaliana ianareo; efa nitsangan-ko velona Izy, ka tsy eto; teo no nametrahany Azy.

7 Fa mandehana lazao amin’ny mpianany sy amin’i Piera fa hialoha anareo any Galilea Izy, ka any no hahitanareo Azy araka ny efa voalazany taminareo.»

8 Dia nivoaka ny fasana izy ireo ka nandositra, fa sady toran-kovitra no raiki-tahotra, ary tsy nilaza na inona na inona tamin’ny olona izy noho ny tahony.

Ireo fisehoan’i Jesoa tafatsangan-ko velona

9 Rehefa nitsangan-ko velona i Jesoa ny marainakoan’ny andro voalohany amin’ny herinandro, dia i Maria Madelenina, ilay namoahany demony fito, no nisehoany voalohany.

10 Ka lasa io nilaza izany tamin’ireo mpanaraka Azy, izay mbola nalahelo sy nitomany.

11 Nefa nony nandre izy ireo fa hoe velona indray Izy ka efa hitan-dravehivavy, dia tsy nino izany izy.

12 Manaraka izany i Jesoa dia niseho tamin’ny endrika hafa tamin’ny roalahy amin’izy ireo, izay nankany an-tsaha.

13 Dia lasa ireo nilaza tamin’ny namany; fa tsy ninoany koa.

14 Tamin’ny faranydia ny tenan’izy iraika ambin’ny folo lahy no nisehoany teo am-pihinanana indrindra, ka nomeny tsiny noho ny tsy finoany sy ny hamafin’ny fony, satria tsy nino izay nahita Azy tafatsangan-ko velona izy ireo.

15 Ary hoy Izy taminy; «Mandehana ianareo amin’izao tontolo izao, mitoria ny Evanjely amin’ny voaary rehetra.

16 Izay hino ka hatao Batemy dia ho voavonjy; fa izay tsy hino dia hohelohina.

17 Ary izao no famantarana homba izay mino: Handroaka demony amin’ny Anarako izy, hiteny amin’ny fiteny tsy mbola hainy izy,

18 handray menarana izy, ary na misotro zava-mahafaty aza izy, dia tsy hampaninona azy izany; hametra-tanana amin’ny marary izy, dia ho sitrana ireny.»

19 Ary rehefa niteny tamin’izy ireo i Jesoa Tompo, dia nakarinaany an-danitra, ka mipetraka eo ankavanan’Andriamanitra.

20 Ary izy ireo kosa dia lasanitory hatraiza hatraiza, ka sady niara-niasa taminy ny Tompo no nankatò ny fampianarany tamin’ny fahagagana nomba azy.

Categories
Lioka

Lioka 1

I

1 Noho ny maro efa nanoratra ny tantaran’ny zavatra inoana tokoa amintsika

2 sy noraisintsika tamin’ny vavolombelona sady nahita masono mpitory teny hatramin’ny voalohany,

3 dia nataoko fa mety koa, rehefa niala nenina aho hahalala tsara ny zavatra rehetra hatramin’ny niandohany, ny hanoratra azy milamina tsara ho anao, ry Teôfilymanan-kaja,

4 mba ho fantatrao fa marina tokoa izay nampianarina anao.

Ny nanambaràna ny hahaterahan’i Joany Batista

5 Tamin’ny andron’i Herôda mpanjakan’i Jodea, nisy mpisorona anankiray atao hoe Zakaria isan’ny fianakavian’i Abià, ary ny vadiny dia taranak’i Aarôna sy natao hoe Elizabeta.

6 Samy marina teo imason’Andriamanitra izy mivady, sady nitondra tena tsy nanan-tsiny tamin’ny didy sy ny tenin’ny Tompo rehetra.

7 Tsy nanan-janaka izy, fa momba i Elizabeta, ary efa samy zokiolona ihany izy mivady.

8 Indray andro, nony nanao ny raharahan’ny mpisorona teo anatrehan’Andriamanitra i Zakaria araka ny anjaran’ny antokony,

9 dia voatendrin’ny loka araka ny fanaon’ny mpisorona hiditra ao amin’ny Tempolin’ny Tompo, hanolotra ny emboka,

10 ary ny vahoaka rehetra dia tao alatrano no nivavaka, tamin’ny ora fanolorana ny emboka.

11 Fa nisy Anjelin’ny Tompo niseho taminy, nitsangana teo ankavanan’ny ôtely fanolorana ny emboka.

12 Taitra i Zakaria nony nahita azy ka raiki-tahotra.

13 Fa hoy ny Anjely taminy. «Aza matahotra, ry Zakaria, fa efa nohenoina ny fangatahanao, ka i Elizabeta vadinao dia hiteraka zazalahy aminao, ary Joanyno hataonao anarany:

14 dia ho faly sy ho ravo ianao, ary maro koa no ho faly amin’ny hahaterahany.

15 Fa ho lehibe eo imason’ny Tompo izy: tsy hisotro divayna zava-mahamamo izy, sady ho fenon’ny Fanahy Masina hatrany an-kibon-dreniny;

16 maro amin’ny zanak’i Israely no hampodiny amin’ny Tompo Andriamanitra,

17 dia hialoha azy amin’ny fanahy sy ny herin’i Elia izyhampody ny fon’ny ray ho amin’ny zanakaary ny tsy manoa ho amin’ny fahendren’ny olo-marina, hamboatra firenena voavonona ho an’ny Tompo.»

18 Dia hoy i Zakaria tamin’ny Anjely:«Inona no hahafantarako izanyfa izaho efa antitra, ary koa efa zokiolona ny vadiko?».

19 Namaly ny Anjely nanao taminy hoe: «Izaho no Gabriely, ilay mitsangana eo anatrehan’Andriamanitra, ary nirahina aho hiteny aminao hampandre anao izany teny mahafaly izany;

20 fa indro ho moana ianao ka tsy hahay miteny ambara-pahatongan’izany, noho ianao tsy nino ny teniko, izay ho tanteraka amin’ny fotoan’androny.»

21 Niandry an’i Zakaria anefa ny olona ka gaga noho izy naharitra ela tao amin’ny Tempoly;

22 kanjo nony nivoaka izy, dia tsy nahay niteny taminy, ka fantatry ny olona fa nahita fahitana tao anatin’ny Tempoly izy: dia baikon’ny moana no nitenenany taminy, fa moanatokoa izy.

23 Ary nony tapitra ny anjara androny amin’ny raharahany, dia nody tany an-tranony izy.

24 Ary taorian’izany andro izany dia nitoe-jaza i Elizabeta vadiny, ary niery dimy volana ka nanao hoe:

25 «Izao no nataon’ny Tompo tamiko, tamin’ny andro nitsinjovany ahy hahafa-tondro-maso ahy amin’ny olona.»

Ny Filazana

26 Ary rehefa nandray enina izy, dia nirahin’Andriamanitra ny Anjely Gabriely ho any amin’ny tanàna anankiray any Galilea atao hoe Nazareta,

27 ho any amin’ny Virjiny anankiray fofom-badin’ilay lehilahy atao hoe Josefa, taranak’i Davida, ary ny anaran’ilay Virjiny dia Maria.

28 Ary nony niditra tao aminy ilay Anjely dia nanao hoe: «Arahaba, ry ilay feno hasoavana; ny Tompo ao aminao; nosoavina noho ny vehivavy ianao.»

29 Taitra izy nahare izany, ka nieritreritra izay tokony ho hevitr’izany fiarahabana izany.

30 Fa hoy ny Anjely taminy: «Aza matahotra, ry Maria, fa sitrak’Andriamanitra ianao.

31 Ary indro, hitoe-jaza ianao, ka hiteraka zazalahy, ary Jesoa no hataonao Anarany.

32 Ho lehibe Izy ka hatao hoe Zanaky ny Avo indrindra; dia homen’Andriamanitra ny fiketrahan’i Davida rainy Izy, ka hanjaka mandrakizay amin’ny taranak’i Jakôba,

33 ary tsy hanam-pahataperana ny fanjakany.»

34 Fa hoy i Maria tamin’ilay Anjely: «Ahoana no hahatongavan’izany, fa tsy mahalala lahyaho?»

35 «Ny Fanahy Masina, hoy ny Anjely namaly azy, no ho tonga ao aminao, ary ny herin’ny Avo indrindra hanaloka anao; noho izany dia hatao hoe Zanak’Andriamanitra ny Masina haterakao.

36 Ary indro, i Elizabeta rahavavinao dia efa mitoe-jaza koa na dia efa antitra aza, ary efa mandray enina izy izao ilay natao hoe momba,

37 fa tsy hisy tsy ho hain’Andriamanitra atao.»

38 Dia hoy i Maria: «Inty aho ankizivavin’ny Tompo, aoka anie ho tanterakaamiko araka ny teninao.» Dia niala teo aminy ny Anjely.

Ny Famangiana

39 Niainga i Maria tamin’izany andro izany, ka nandeha haingana ho any amin’ny tany be tendrombohitra, ho any an-tanàna anankiray any Jodà,

40 ary niditra tao an-tranon’i Zakaria ka niarahaba an’i Elizabeta.

41 Nony vao ren’i Elizabeta ny fiarahaban’i Maria azy, dia nientana ny zaza tao an-kibony, ary feno ny Fanahy Masina i Elizabeta,

42 ka nanandra-peo niantso mafy hoe: «Nosoavina noho ny vehivavy rehetra ianao, ary nosoavina ny hateraky ny kibonao.

43 Ary avy aiza amiko izao no mba vangian’ny Renin’ny Tompokoaho?

44 Fa indro raha vao ren’ny sofiko ny feonao niarahaba ahy, dia nientan-kafaliana ny zaza tato an-kiboko.

45 Ary sambatra ilay nino fa ho tanteraka izay nampilazain’ny Tompo taminy!»

46 Ary hoy i Maria:

Ny «Magnificat»

«Mankalaza ny Tompo ny fanahiko,

47 ary faly sy ravo amin’Andriamanitra Mpamonjy ahy ny foko,

48 fa notsinjoviny ny fiambanian’ny ankizy vaviny.Fa indro, hatramin’izao, dia hataon’ny taranaka rehetra hoe sambatra aho,

49 satria efa nanao zavatra lehibe tamiko ilay Mahefa. Arymasina ny Anarany,

50 sady amin’izay matahotra Azy hatramin’ny taranaka fara mandimby ny famindram-pony.

51 Nahefa asa mahery tamin’ny sandriny Izy: dia nampihàfiny izay niavonavona tamin’ny fisainan’ny fony;

52 Naongany hiala tamin’ny fiketrahany ny mpanapaka, fa ny ambany kosa nasandrany;

53 ary ny noana novokisany soa,fa ny mpanan-karena kosa dia nampodiny mitondra tanam-polo.

54 Niahy an’i Israely mpanompony Izy, fa tsy hadinony ny famindram-pony

55 tamin’i Abrahama sy ny taranany mandrakizay, araka ny efa voalazany tamin’ny razantsika.»

56 Nitoetra tokony ho telo volana tao amin’i Elizabeta i Maria vao nody tany an-tranony.

Ny nahaterahan’i Joany Batista sy ny famangian’ny mpiara-monina

57 Ary nony tonga ny andro hiterahan’i Elizabeta dia tera-dahy izy.

58 Ary nahare ny mpiara-monina aminy sy ny havany fa efa nankalazain’ny Tompo ny famindram-pony taminy, ka dia niara-nifaly taminy.

Ny namoràna an’i Joany Batista

59 Nony afaka havaloana, dia tonga izy hamora ny zaza, ary Zakaria, araka ny anaran-drainy no ndeha hataony anarany.

60 Fa niteny reniny nanao hoe: «Tsia, tsy izany, fa hatao hoe Joany izy.»

61 Fa hoy izy ireo taminy: «Tsy misy na dia iray aza amin’ny havanao manana izany anarana izany.»

62 Ary nanao baikon’ny moana tamin’ny rainy izy ireo nanontany izay tiany hatao anarany.

63 Dia nangataka fàfana izy, ary nanoratra hoe: «Joany no anarany»; ka gaga daholo izy rehetra.

64 Niaraka tamin’izay dia nisokatra ny vavany, ary nivaha ny lelany, dia niteny izy ka nisaotra an’Andriamanitra.

65 Azon’ny tahotra avokoa ny mponina rehetra teny manodidina, ary niely hatraiza hatraiza tany amin’ny tendrombohitr’i Jodea izany zava-mahatalanjona rehetra izany.

66 Ary izay rehetra nahare dia nandatsaka izany tao am-pony ka nanao hoe: «Ho inona re ity zaza ity? Fa nomba azy ny tanan’ny Tompo.»

Ny «Benedictus»

67 Ary dia feno ny Fanahy Masina i Zakaria rainy, ka naminany hoe:

68 «Hisaorana anie ny Tompo Andriamanitr’i Israely,noho Izy namangy synanavotra ny olony,

69 ary nanangana tandro-pamonjenaho antsika tao amin’ny fokon’i Davida mpanompony,

70 araka ny nolazainy tamin’ny vavan’ireo mpaminaniny masina hatramin’ny andro tany aloha,

71 mba hamonjy antsika amin’nyfahavalontsika sy amin’ny tanan’izay rehetra mankahala antsika.

72 He izany nanaovanyfamindram-po tamin’ny razantsika sy nahatsiarovany ny fanekeny masina,

73 dia ilay fianianana nataony tamin’i Abrahama razantsika hanome antsika

74 fahafahana amin’ny tanan’ny fahavalontsika, mba hanompoantsika Azy tsy aman-tahotra,

75 amim-pahamasinana sy fahamarinana, eo anatrehany amin’ny andro rehetra hiainantsika.

76 Ary ianao kosa, ry zaza, dia hatao hoe mpaminanin’ny Avo indrindra, fa hialoha ny Tompo ianaohamboatra ny halehany,

77 mba hanome ny olony ny fahalalàm-pamonjena amin’ny famelana ny helony.

78 Noho ny halehiben’ny famindram-pon’ny Andriamanitsika nampiposaka ny Masoandrohamangy antsika avy any ambony,

79 mba haniloizay rehetra mipetraka ao amin’ny maizina sy amin’ny aloky ny fahafatesana,ka hitarika ny diantsika ho amin’nylàlam-piadanana.»

Ny fiainana miafin’i Joany Batista

80 Dia nitombo sy nihanahery fanahy ny zaza, ary nitoetra tany an’efitra, ambara-pahatongan’ny andro hisehoany amin’i Israely.