Categories
Joany

Joany 8

1 I Jesoa kosa nankany an-tendrombohitra Oliva,

2 fa nony maraina koa vao niverina tany an-Tempoly Izy, ka nanatona Azy ny vahoaka rehetra, dia nipetraka nampianatra azy ireo Izy.

3 Ary nisy vehivavy anankiray azo nijangajanga nentin’ny mpanora-dalàna sy ny Farisianina, ka narosony teo afovoany.

4 Dia hoy izy tamin’i Jesoa. «Ry Mpampianatra, azo nijangajanga ity vehivavy ity.

5 Ary i Môizy ao amin’ny Lalàna dia nandidy antsika hitora-bato ny olona toy izany, fa Ianao kosa mba ahoana, hoy Ianao?»

6 Izy no nanao izany dia ny hakany fanahy Azy, mba hisy hiampangany Azy. Fa i Jesoa kosa niondrika dia nanoratra tamin’ny rantsan-tanany teo amin’ny tany.

7 Ry zareo amin’izany tsy nitsahatra, fa mbola nanontany Azy ihany, ka nitraka Izy dia nanao taminy hoe: «Izay tsy manam-pahotana aminareo no aoka hitora-bato azy voalohany.»

8 Dia niondrika indray Izy ka nanoratra teo amin’ny tany.

9 Fa ry zareo kosa nony nandre izany, dia nihatakataka tsirairay, ny zokinjokiny no loha làlana, ka i Jesoa irery sisa nijanona sy ilay vehivavy teo afovoany.

10 Izay vao nitraka i Jesoa, ka nanao taminy hoe: «Ravehivavy, aiza ry zareo niampanga anao teo? Moa tsy nisy nanameloka anao va?»

11 «Tsy nisy, Tompoko, hoy izy. Izaho koa tsy hanameloka anao, hoy i Jesoa. Mandehana, ka aza manota intsony.»

I Jesoa fahazavan’izao tontolo izao

12 Ary niteny tamin’ny olona indray i Jesoa, ka nanao hoe: «Izaho no fahazavan’izao tontolo izao: izay manaraka Ahy tsy mandeha amin’ny maizina, fa hanana ny fahazavan’ny fiainana.»

Ady hevitra momba ny fanambaràn’i Jesoa ny Tenany

13 Dia hoy ny Farisianina taminy: «Manambara Tena Ianao, ka tsy marina ny fanambarànao.»

14 Fa namaly i Jesoa ka nanao taminy hoe: «Na dia manambara Tena aza Aho. dia marina ny fanambaràko, satria fantatro Izay niaviako sy izay alehako, ary ianareo tsy mahalala izay iaviako na izay alehako.

15 Ianareo mitsara araka ny nofo, fa Izaho kosa tsy mitsaraolona na iza na iza.

16 Ary raha mitsara Aho, dia marina ny fitsaràko, satria tsy Izaho irery, fa Izaho sy ny Ray izay naniraka Ahy;

17 ka araka ny voasoratra eo amin’ny Lalànareo, dia marina ny fanambaràn’ny olona roa.

18 Ary izaho sady manambara ny Tenako no ambaran’ny Ray izay naniraka Ahy koa.»

19 Dia hoy ry zareo taminy: «Aiza ny Rainao?» Fa i Jesoa namaly hoe: «Samy tsy fantatrareo na Izaho na ny Raiko; fa raha mahalala Ahy ianareo, dia ho nahalala ny Raiko koa.»

20 Teo amin’ny fandatsahan-drakitra no nilazan’i Jesoa an’izany, raha nampianatra tao amin’ny tempoly Izy; nefa tsy nisy nisambotra Azy, satria tsy mbola tonga ny fotoany.

Fampitandremana an’ireo Jody tsy mety mino

21 Hoy indray i Jesoa tamin’izy ireo: «Handeha Aho ka hitady Ahy ianareo, ary ho faty amin’ny fahotanareo. Izay alehako tsy azonareo aleha.»

22 Dia hoy ny Jody: «Hamono tena angaha Izy no manao hoe: ‹Izay alehako tsy azonareo aleha?› »

23 Fa hoy Izy tamin’izy ireo: «Ianareo avy etỳ an-tany, Izaho avy any an-danitra; ianareo olon’izao tontolo izao; Izaho tsy mba olon’izao tontolo izao.

24 Izany no nilazako taminareo fa ho faty amin’ny fahotanareo ianareo; satria raha tsy mino ianareo fa Izaho no Izy, dia ho faty amin’ny fahotanareo ianareo.»

25 Dia hoy ry zareo taminy: «Iza moa Ianao?» ka hoy ny navalin’i Jesoa azy: «Izay lazaiko aminareo indrindra.

26 Manana zavatra maro hilazana sy hitsarana anareo Aho; fa marina ilay naniraka Ahy, ary izay efa reko taminy no lazaiko amin’izao tontolo izao.»

27 Tsy nahalala izy ireo fa ny Ray no nolazainy taminy.

28 Ka hoy i Jesoa taminy: «Rehefa voasandratrareony Zanak’olona vao ho fantatrareo fa Izaho no Izy, sady tsy manao na inona na inona ho Ahy Aho, fa izay nampianarin’ny Ray Ahy no lazaiko.

29 Ary Izay naniraka Ahy dia eto amiko, fa tsy navelany ho irery Aho, satria manao izay tiany mandrakariva.»

30 Tamin’Izy niteny izany, dia maro no nino Azy.

I Jesoa sy i Abrahama

31 Koa hoy i Jesoa tamin’ireo Jody nino Azy: «Raha mahatana ny teniko ianareo dia ho mpianatro tokoa,

32 sady ho fantatrareo ny marina, ary ny marina no haha-olona afaka anareo.»

33 Dia hoy ny navalin’izy ireo Azy: «Taranak’i Abrahama izahay, ary tsy mba nandevozin’olona na oviana na oviana, ka ahoana no ilazanao hoe: ‹Ho olona afaka ianareo?› »

34 Fa hoy i Jesoa taminy: «Lazaiko marina dia marina aminareo fa izay manota dia andevon’ny ota;

35 ny mpanompo tsy mitoetra ao an-trano mandrakariva, fa ny zanaka no mitoetra ao mandrakariva.

36 Koa raha ny Zanaka no manafaka anareo, dia ho afaka tokoa ianareo.

37 Fantatro ihany fa taranak’i Abrahama ianareo, nefa mitady hamono Ahy ianareo, satria tsy tafalatsaka ao am-ponareo ny teniko.

38 Izaho milaza izay hitako eo amin’ny Raiko, ary ianareo kosa manao izay renareo ao amin’ny rainareo.»

39 Namaly ireo ka nanao taminy hoe: «I Abrahama no rainay.» Fa i hoy i Jesoa taminy: «Raha zanak’i Abrahama ianareo, dia hanao ny asan’i Abrahama.

40 Nefa mitady hamono Ahy ianareo ankehitriny, dia Izaho izay nilaza taminareo ny marina reko tamin’Andriamanitra: tsy asan’i Abrahama izany.

41 Ny asan’ny rainareo no ataonareo!.»

Dia hoy ireo taminy: «Tsy mba teraka tamin’ny fijangajangana izahay, ka iray ihany ny rainay, dia Andriamanitra.»

42 Fa hoy kosa i Jesoa tamin’izy ireo: «Raha Andriamanitra no rainareo, dia ho tia Ahy ianareo, satria Andriamanitra no niaviako, ary Izy no nahatongavako atỳ; fa tsy tonga ho Ahy Aho, fa Izy no naniraka Ahy.

43 Ahoana àry no tsy fantatrareo ny fiteniko? Satria tsy mahay mihaino ny teniko ianareo.

44 Ny devoly no ray niavinareo, ka izay tian’ny rainareo no tianareo hatao. Ary izy dia mpamono olona hatramin’ny voalohany sy tsy naharitra tamin’ny marina, satria tsy misy marina ao aminy. Raha mandainga izy, dia ny azy no lazainy izany, satria mpandainga sy rain’ny lainga izy;

45 fa Izaho kosa satria milaza ny marina Aho, dia tsy mino Ahy ianareo.

46 Iza moa aminareo no mahazo milaza marina fa nanota Aho? Raha ny marina no lazaiko, nahoana no tsy mino Ahy ianareo?

47 Izay avy amin’Andriamanitra no mihaino ny tenin’Andriamanitra, ka izany indrindra no tsy ihainoanareo, satria tsy avy amin’Andriamanitra ianareo.»

48 Dia namaly ny Jody ka nanao taminy hoe: «Moa tsy marina ny filazanay fa Samaritanina Ianao sady manana demony?»

49 Ary hoy ny navalin’i Jesoa: «Tsy manana demony Aho, fa Izaho manome voninahitra ny Raiko, ary ianareo kosa tsy manaja Ahy.

50 Izaho tsy mitady voninahitra ho Ahy, fa ao ny mitady izany sy hitsara.

51 Lazaiko marina dia marina aminareo, fa raha misy mitandrina ny teniko, dia tsy hahita fahafatesana mandrakizay izy.»

52 Dia hoy ny Jody: «Fantatray amin’izao fa manana demony Ianao; i Abrahama sy ny mpaminany aza maty, fa Ianao kosa manao hoe: ‹Raha misy mitandrina ny teniko, dia tsy hanandrana fahafatesana mandrakizay izy.›

53 Angaha Ianao lehibe noho i Abrahama rainay izay efa maty? Ny mpaminany koa efa maty; manao Anao ho iza re Ianao e?»

54 Dia hoy i Jesoa: «Raha manome voninahi-Tena Aho, dia tsinontsinona ny voninahitro; fa ny Raiko izay ataonareo ho Andriamanitrareo no manome voninahitra Ahy.

55 Tsy fantatrareo anefa Izy; fa Izaho no mahalala Azy, ary raha milaza ho tsy mahalala Azy Aho, dia ho mpandainga tahaka anareo koa; fa fantatro Izy, ary mitandrina ny teniny Aho.

56 Nientan-kafaliana i Abrahama rainareo nanantena hahita ny androko; ary nahita izyka faly.»

57 Dia hoy ny Jody taminy: «Tsy mbola dimampolo taona akory Ianao, ka dia hoe nahita an’i Abrahama?»

58 «Lazaiko marina dia marina aminareo, hoy i Jesoa taminy: Fony mbola tsy àry i Abrahama, dia efa Izaho Aho.»

59 Tamin’izay naka vato izy ireo hitorahana Azy; fa niery i Jesoa ka nivoaka ny Tempoly.

Categories
Joany

Joany 9

Ny nanasitranana ilay teraka jamba

1 Ary nony nandalo i Jesoa, dia nahita lehilahy anankiray izay teraka jamba,

2 ka hoy ny mpianany nanontany Azy: «Raby, iza moa no nanota, io lehilahy io, sa ny rainy aman-dreniny, no teraka jamba izy?»

3 I Jesoa namaly hoe: «Tsy izy no nanota, na ny rainy aman-dreniny, fa mba hisehoan’ny asan’Andriamanitra eo aminy no antony.

4 Tsy maintsy manao ny asan’Izay naniraka Ahy Aho raha mbola antoandro; fa ho avy ny alina izay tsy azon’olona na iza na iza iasana.

5 Raha mbola amin’izao tontolo izao Aho, dia fahazavan’izao tontolo izao.»

6 Nony avy nilaza izany Izy, dia nandrora tamin’ny tany ka nanao feta tamin’ny rorany, nahosony ny mason’ilay jamba,

7 dia hoy Izy taminy: «Mandehana manasa ny masonao any amin’ny farihin’i Siloe» (izany hoe Iraka). Dia nandeha nanasa izy ka niverina nahiratra.

8 Tamin’izay ny olona mifanakaiky trano taminy, sy izay nahita azy nangataka teo aloha nanao hoe: «Moa tsy ity ilay nipetraka nangataka?» Dia hoy ny sasany: «Izy io.»

9 Fa hoy kosa ny sasany: «Tsia, fa olona mitovy aminy.» Ary hoy kosa izy: «Izaho no izy.»

10 «Ka nanao ahoana, hoy ireo taminy, no nahiratan’ny masonao?»

11 Dia hoy izy: «Ilay lehilahy atao hoe i Jesoa no nanao feta, nahosony ny masoko, dia nanao tamiko hoe: ‹Mandehana manasa ny masonao any amin’ny farihin’i Siloe›, dia lasa aho nanasa, ka nahiratra.»

12 Ary hoy izy ireo taminy: «Aiza izany Lehilahy izany?» «Asa,» hoy izy.

13 Dia nentiny tany amin’ny Farisianina ilay jamba taloha,

14 fa andro sabata no nanaovan’i Jesoa feta sy nampahiratany ny masony.

15 Nanontany azy indray àry ny Farisianina momba izay nahiratany, ka hoy ny navaliny azy: «Nasiany feta ny masoko, dia nosasako, ka nahiratra aho.»

16 Tamin’izany ny sasany tamin’ny Farisianina nanao hoe: «Tsy Andriamanitra no niavian’izany Lehilahy izany, fa tsy mitandrina ny sabata Izy.» Fa ny sasany kosa nanao hoe: «Hataon’ny mpanota ahoana no fahavita fahagagana toy izany?» Koa nisara-kevitra izy ireo.

17 Dia hoy indray izy ireo tamin’ilay jamba: «Mba ahoana kosa no filazanao azy, fa nampahiratra ny masonao Izy?» Ka hoy ralehilahy: «Mpaminany Izy.»

18 Dia tsy nety nino ny Jody fa jamba sy vao nahiratra izy, ka nampiantsoiny aloha ny ray aman-drenin’ity nahiratra,

19 sy nanontaniany hoe: «Ity va no zanakareo izay lazainareo hoe teraka jamba? Ka nanao ahoana àry no nahiratany izao?»

20 Dia namaly ny ray aman-dreniny ka nanao hoe: «Fantatray fa zanakay io sady teraka jamba;

21 fa tsy fantatray izay nahiratany izao, ary tsy fantatray koa izay nampahiratra ny masony, ka izy no anontanio fa efa lehibe izy: izy ihany no aoka hilaza ny momba ny tenany.»

22 Ny ray aman-dreniny no nilaza izany, dia noho izy natahotra ny Jody, satria efa nifanaiky ny Jody fa horoahina amin’ny sinagoga izay hanaiky an’i Jesoa ho Kristy,

23 ka izany no nanaovan’ny ray aman-dreniny hoe: «Izy no anontanio fa efa lehibe izy.»

24 Dia nantsoin’ireo indray ilay lehilahy jamba taloha, ka nilazany hoe: «Andriamanitra no omeo voninahitra; fa raha iny Lehilahy iny, dia fantatray fa mpanota.»

25 Ka hoy ny navaliny azy: «Tsy fantatro na mpanota Izy na tsia, fa izao ihany no fantatro: jamba aho taloha ary mahiratra aho ankehitriny.»

26 Dia hoy izy ireo taminy: «Inona no nataony taminao? Nanao ahoana sy ahoana avy no nampahiratany ny masonao?»

27 Ka hoy ny navaliny azy ireo: «Efa voalazako taminareo, fa tsy nohenoinareo akory; ka ahoana indray no itiavanareo handre? Te ho tonga mpianany koa va ianareo?»

28 Dia notevatevain’ireo izy sy nataony hoe: «Ialahy no mpianany, fa raha izahay kosa dia mpianatr’i Môizy.

29 I Môizy fantatray fa nitenenan’Andriamanitra, fa iny kosa tsy fantatray akory izay niaviany.»

30 Namaly ralehilahy ka nanao hoe: «Ity indray no mahagaga, fa tsy fantatrareo izay niaviany, nefa Izy no nampahiratra ny masoko.

31 Fantatsika fa Andriamanitra tsy mihaino ny mpanota; fa izay manompo Azy sy manao ny sitrapony no henoiny.

32 Na oviana na oviana tsy mbola nisy olona re fa nampahiratra ny teraka jamba;

33 ka raha tsy avy amin’Andriamanitra izany Lehilahy izany, dia tsy hahefa na inona na inona akory.»

34 Dia namaly ry zareo, ka nanao taminy hoe: «Izay ialahy tena teraka tanatin’ny ota indray ve no mampianatra anay!» Sady noroahiny izy.

35 Ren’i Jesoa fa hoe noroahin-dry zareo izy, ka nony hitany dia nilazany hoe: «Mino ny Zanak’Andriamanitra va ianao?»

36 Namaly izy ka nanao hoe: «Iza moa no Izy, Tompoko, mba hinoako Azy,»

37 Dia hoy i Jesoa taminy: «Efa hitanao Izy, ary Izay miteny aminao no Izy.»

38 Ka hoy izy: «Mino aho, Tompoko,» sady niankohoka nitsaoka Azy izy.

39 Dia hoy i Jesoa: «Fanavahanano nahatongavako amin’izao tontolo izao, mba hahiratra izay tsy mahiratra ary ho tonga jamba izay mahiratra.»

Izay mahiratra.Ny mpiavonavona mihambo ho hendry.

40 Ren’ny Farisianina sasany teo izany, ka hoy izy ireo taminy: «Ary izahay ve mba jamba koa?»

41 Dia hoy i Jesoa taminy: «Raha jamba ianareo, dia tsy ho nanan-keloka; fa noho ianareo ankehitriny manao hoe: Mahiratra izahay, dia tsy afaka ny helokareo.»

Categories
Joany

Joany 10

Ny Mpiandry ondry tsara

1 «Lazaiko marina aminareo, fa izay tsy miditra amin’ny vavahady ho amin’ny valan’ondry, fa mananika any an-kafa, dia mpangalatra sy jiolahy;

2 fa izay miditra amin’ny vavahady no mpiandry ondry.

3 Ka ny mpiandry vavahady mamoha azy, ny ondry mihaino ny feony, ary izy miantso ny azy amin’ny anarany avy sy mamoaka azy.

4 Rehefa tafavoakany avokoa ny azy, dia mialoha izy, ka manaraka azy ny ondry, satria mahalala ny feony:

5 ary ny olon-kafa tsy arahiny, fa andosirany, satria tsy fantany ny feony.»

6 Nolazain’i Jesoa taminy izany fanoharana izany, nefa tsy azon’izy ireo izay nolazainy tamin’izany.

7 Koa hoy indray i Jesoa taminy: Lazaiko marina dia marina aminareo fa Izaho no varavaran’ny ondry;

8 Mpangalatra sy jiolahy izay rehetra tonga talohako, fa tsy nihaino azy ny ondry.

9 Izaho no varavarana. Raha Izaho no hidiran’ny olona, dia hovonjena izy, ka hiditra sy hivoaka, sady hahita hanina.

10 Ny mpangalatra no tonga mba hangalatra sy hamono ary handringana, fa Izaho no avy kosa dia mba hananan’ny ondry fiainana, sady hananany azy be dia be.

11 Izaho no mpiandry ondry tsara. Ny mpiandry ondry tsara dia mahafoy ny ainy ho an’ny ondriny;

12 fa ny mpikarama kosa, noho izy tsy mpiandry ondry na tompon’ny ondry, vao mahita ny amboadia tamy, dia ilaozany mandositra ny ondry, fa ny amboadia no avelany eo hisambotra sy hampihahaka azy,

13 satria mpikarama izy, ka tsy raharahainy akory ny ondry.

14 Izaho no mpiandry ondry tsara, sady mahalala ny Ahy Aho no fantatry ny Ahy,

15 tahaka ny ahalalan’ny Ray Ahy, sy ahalalako ny Ray koa, ary Izaho koa mahafoy ny aiko ho an’ny ondriko.

16 Mbola manana ondry hafakoa Aho izay tsy amin’ity vala ity, ka tsy maintsy hoentiko izy sy hihaino ny feoko; dia ho tonga andian’ondry tokana sy mpiandry ondry tokana.

17 Izao no itiavan’ny Ray Ahy: satria mahafoy ny aiko Aho, mba handraisako azy indray.

18 Tsy misy maka azy amiko, fa ny Tenako ihany no mahafoy azy; manam-pahefana hahafoy azy Aho, ary manam-pahefana handray azy indray: izany no didy azoko tamin’ny Raiko.

19 Dia nifanditra indray ny Jody nony nandre ireo teny ireo.

20 Ny maro tamin’ireo moa nanao hoe: «Manana demony Izy sady very saina, ka nahoana no mihaino Azy ianareo?»

21 Fa ny sasany kosa nanao hoe: «Tsy mba tenin’olona manana demony izany; ary demony koa ve hahay mampahiratra ny mason’ny jamba?»

I Jesoa manambara fa Zanak’Andriamanitra

22 Tamin’izay tonga ny fetin’ny Fitokanana tany Jerosalema, sady ririnina ny andro,

23 ary i Jesoa nitsangantsangana tao an-Tempoly tao amin’ny lavarangan’i Salômôna.

24 Dia nitangoronan’ny Jody Izy ka nilazany hoe: «Ambara-pahoviana no hampisalasalanao anay? Raha Ianao no Kristy, mba lazao tsotra aminay.»

25 Dia hoy i Jesoa namaly azy: «Efa nilaza taminareo Aho, fa tsy mino ianareo; manambara Ahy koa ny asa ataoko amin’ny Anaran’ny Raiko;

26 fa tsy mino ianareo satria tsy mba isan’ny ondriko.

27 Ny ondriko mihaino ny feoko, Izaho mahalala azy, ary izy manaraka Ahy;

28 omeko ny fiainana mandrakizay izy ka tsy ho very na oviana na oviana, ary tsy hisy haharombaka azy eo an-tanako.

29 Izay nomen’ny Raiko Ahydia lehibe noho izao rehetra izao, ka tsy misy maharombaka eo an-tanan’ny Ray.

30 Izaho sy ny Raydia iray ihany.»

31 Dia naka vato hitorahana Azy indray ny Jody;

32 fa hoy i Jesoa tamin’izy ireo: «Be ny asa soa nasehoko teo taminareo, avy tamin’ny Ray, ka iza amin’ireny asa ireny no itorahanareo Ahy?»

33 Dia hoy ny Jody namaly Azy: «Tsy ny asa soa no itorahanay Anao, fa ny teninao miteny ratsy an’Andriamanitra; satria olombelona fotsiny Ianao, nefa manao ny Tenanao ho Andriamanitra.»

34 Ary i Jesoa namaly azy hoe: «Moa tsy izao no voasoratra ao amin’ny Lalànareo:Hoy Izaho: Andriamanitra ianareo?

35 Ka raha ireny nanambaràna ny tenin’Andriamanitra ireny aza antsoin’ny lalàna hoe andriamanitra, ary tsy azo foanana ny Soratra Masina,

36 ahoana no ilazanareo an’Ilay nohamasinin’ny Ray sy nirahiny etỳ ambonin’ny tany hoe: miteny ratsy an’Andriamanitra Ianao satria nilaza hoe: Zanak’Andriamanitra Aho?

37 Raha tsy manao ny asan’ny Raiko Aho, dia aza mino Ahy ianareo;

38 fa raha manao ihany kosa Aho, na dia tsy te hino Ahy aza ianareo, dia minoa ny asako, dia ho fantatrareo fa ny Ray eto amiko, ary Izaho ao amin’ny Ray.»

39 Tamin’izay dia nitady hisambotra Azy indray izy ireo, fa niala teo an-tanany Izy.

I Jesoa mihataka any an-dafin’i Jordany

40 Dia lasa Izy nankany an-dafin’i Jordany, amin’ilay tany nanaovan’i Joany batemy voalohany, ka nitoetra tany.

41 Ary maro no nanatona Azy, fa nanao hoe: «Tsy nanao fahagagana i Joany;

42 nefa marina avokoa ny teny rehetra nilazan’i Joany Azy.» Koa maro no nino Azy teo.

Categories
Joany

Joany 11

Ny namelomana an’i Lazara efa maty

1 Nisy lehilahy anankiray narary, dia i Lazara avy any Betania, vohitr’i Maria sy Marta rahavaviny.

2 I Maria dia ilay vehivavy nanosotra diloilo manitra ny Tompo sy namaoka ny tongony tamin’ny volon-dohany; ary i Lazara anadahiny no narary.

3 Dia naniraka tany amin’i Jesoa ireto anabaviny hilaza hoe: «Tompo, marary ilay tianao.»

4 Nony ren’i Jesoa izany dia hoy Izy: «Aretina tsy ho fahafatesana ity, fa ho voninahitr’Andriamanitra, sy hahazoan’ny Zanak’Andriamanitra voninahitra.»

5 Ary tian’i Jesoa i Marta sy i Maria rahavaviny ary i Lazara.

6 Nefa nony reny hoe marary i Lazara, dia mbola nitoetra indroa andro tamin’izay nitoerany ihany Izy.

7 Nony afaka izany vao hoy Izy tamin’ny mpianany: «Andeha isika ho any Jodea indray.»

8 Ka hoy ny mpianany taminy: «Raby ô, vao haingana teo no nitady hitora-bato Anao ny Jody, ka dia hankany indray ve Ianao?»

9 Dia hoy i Jesoa taminy: «Tsy roa ambin’ny folo ora va ny indray andro? Ka ny mandeha antoandro tsy mba tafintohina, satria mahita ny fahazavan’izao tontolo izao;

10 fa ny mandeha alina no tafintohina, satria tsy manam-pahazavana.»

11 Nony voalazany izany dia nampiany hoe: «Matory i Lazara sakaizantsika, fa ndeha hamoha azy Aho.»

12 Ka hoy ny mpianany: «Raha matory izy, Tompoko, dia ho sitrana.»

13 Ny nahafatesany no nolazain’i Jesoa, nefa torimaso tsotra izao kosa no nampoizin’izy ireo.

14 Izay i Jesoa vao nilaza tsotra tamin’izy ireo hoe: «Maty i Lazara,

15 ary noho ianareo dia faly Aho satria tsy tao, mba hinoanareo; koa andeha isika hankany aminy.»

16 Dia hoy i Tomà izay atao hoe Didimo tamin’ny mpianatra namany: «Andeha koa isika mba hiara-maty aminy.»

17 Nony tonga tany i Jesoa, dia hitany fa efa nilevina hefarana izy.

18 Ary i Betania dia tao akaikin’i Jerosalema tokony ho dimy ambin’ny folo stady,

19 ka maro tamin’ny Jody no tonga tao amin’i Marta sy i Maria mba hitsapa alahelo azy noho ny nahafatesan’ny anadahiny.

20 Vantany vao ren’i Marta fa hoe tamy i Jesoa, dia nandeha nitsena Azy izy, fa i Maria no nijanona tao an-trano.

21 Dia hoy i Marta tamin’i Jesoa: «Raha tatỳ Ianao, Tompoko, dia tsy maty ny anadahiko.

22 Ary na dia izao aza, dia fantatro fa na inona na inona hangatahinao amin’Andriamanitra, dia homen’Andriamanitra Anao.»

23 Hoy i Jesoa taminy: «Hitsangana ny anadahinao.»

24 Fa hoy i Marta taminy: «Fantatro fa hitsangana izy amin’ny farandro fitsanganan’ny maty.»

25 Hoy i Jesoa taminy: «Izaho no fananganana sy fiainana; izay mino Ahy, na dia maty aza, dia ho velona indray;

26 ary izay rehetra velona ka mino Ahy, dia tsy ho faty mandrakizay. Mino izany va ianao?»

27 «Eny, Tompoko, hoy izy taminy, mino aho fa Ianao no Kristy Zanak’Andriamanitra velona, Ilay hoe ho tonga amin’izao tontolo izao.»

28 Ary rehefa nilaza izany Izy, dia lasa niantso mangingina an’i Maria rahavaviny nanao hoe: «Ao ny Tompo, ka miantso anao Izy.»

29 Vao nandre izany kosa i Maria, dia nitsangana niaraka tamin’izay, ka nankao aminy.

30 Fa mbola tsy tonga tao an-tanàna i Jesoa, fa mbola teo amin’izay nitsenan’i Marta Azy ihany.

31 Nony hitan’ny Jody izay tao amin’i Maria tao an-trano sy nitsapa alahelo azy fa nitsangana haingana izy ka nivoaka, dia nanaraka azy izy ireo, fa nihevitra hoe: «Lasa hitomany any amin’ny fasana izy.»

32 I Maria kosa, nony tonga teo amin’izay nitoeran’i Jesoa ka nahita Azy, dia niankohoka tamin’ny tongony sy nanao taminy hoe: «Raha tatỳ Ianao, Tompoko, dia tsy maty ny anadahiko.»

33 Nony nahita azy nitomany i Jesoa sy ireto Jody niara-nitomany taminy koa, dia nandevy ny fony ary nientana iray ihany ny tenany rehetra.

34 «Aiza no nandevenanareo azy,» hoy Izy? Dia hoy ireo taminy: «Andeha Ianao hizaha, Tompoko.»

35 Ary nitomany i Jesoa.

36 Dia hoy ny Jody: «Akory ity haben’ny fitiavany azy!»

37 Fa hoy kosa ny sasany tamin’izy ireo: «Tsy azony natao va re ny nisakana an-dralehilahy ity tsy ho faty, nefa ny mason’ilay teraka jamba nampahiratiny?»

38 Dia niontana indray ny Fon’i Jesoa, ary lasa Izy nankeo amin’ny fasana, izay zohy norakofana vato.

39 «Esory ny vato,» hoy Izy. Ka hoy i Marta anabavin’ny maty taminy: «Efa maimbo izy, Tompoko, fa efa hefarana izay.»

40 Ary hoy i Jesoa taminy: «Tsy efa voalazako taminao va fa raha mino ianao, dia hahita ny voninahitr’Andriamanitra?»

41 Dia noesoriny ny vato, ka niandrandra i Jesoa sy nanao hoe: «Misaotra Anao Aho, Raiko, satria efa nihaino Ahy Ianao.

42 Raha Izaho, dia fantatro fa mihaino Ahy mandrakariva Ianao; fa noho ireto vahoaka manodidina Ahy kosa no nilazako izany mba hinoany fa Ianao no naniraka Ahy.»

43 Rehefa nilaza izany Izy dia niantso tamin’ny feo mahery hoe: «Mivoaha, ry Lazara.»

44 Ka niaraka tamin’izay dia nivoaka ny maty, ny tongotra aman-tanany nisy fehim-paty, ary ny tavany nisarona lamba. Dia hoy i Jesoa tamin’ny olona: «Vahao izy ka avelao handeha.»

Ireo filohan’ny Jody manapa-kevitra hampamono an’i Jesoa

45 Ary maro tamin’ny Jody izay tonga tao amin’i Maria sy i Marta sy nahita ny nataon’i Jesoa no nino Azy.

46 Fa ny sasany tamin’izy ireo kosa dia lasa nankany amin’ny Farisianina, ka nilaza taminy izay nataon’i Jesoa.

47 Dia namory ny mpanolo-tsaina ny lehiben’ny mpisorona sy ny Farisianina ka nanao hoe: «Inona ity ataontsika, fa manao fahagagana maro iny Lehilahy iny?

48 Raha avelantsika hanao ihany Izy, dia hino Azy ny olona rehetra, ka ho avy ny Rômanina dia haka ny tanànantsika sy ny firenentsika.»

49 Dia hoy ny anankiray tamin’izy ireo atao hoe Kaifa, izay lehiben’ny mpisorona tamin’izany taona izany: «Tsy mahalala na inona na inona ianareo,

50 na tsy mihevitra akory fa tsara ho anareo raha maty ho an’ny vahoaka ny Lehilahy anankiray, mba tsy ho rava ny firenena manontolo.»

51 Tsy avy aminy anefa no nitenenany an’izany, fa noho izy lehiben’ny mpisorona tamin’izay taona izay, dia naminany izy fa ho faty ho an’ny firenena i Jesoa;

52 ary tsy ho an’ny firenena ihany, fa mba hamory ny zanak’Andriamanitra izay efa niely koa, ho antokony iray.

53 Hatramin’izany andro izany dia nikendry izay hahafaty Azy izy ireo.

54 Koa tsy nandeha ampahibemaso tany amin’ny Jody intsony i Jesoa, fa niala teo nankany amin’ny tany akaikin’ny efitra, ho any an-tanàna atao hoe: Efrema, dia nitoetra tany Izy mbamin’ny mpianany.

Efa akaiky ny Paka

55 Efa akaiky ny Pakan’ny Jody tamin’izay, ka maro ny olona avy tamin’izany tany izany no niakatra tany Jerosalema alohan’ny Paka, mba handio tena.

56 Dia nitady an’i Jesoa izy ireo ka nifampilaza tao anatin’ny Tempoly hoe: «Ahoana no hevitrareo, dia tsy ho avy hamonjy ny fety ve Izy?» Ny lehiben’ny mpisorona sy ny Farisianina tamin’izany efa nandidy fa izay mahita ny itoerany dia tsy maintsy milaza, mba hisamborany Azy.

Categories
Joany

Joany 12

Fanosorana tao Betania

1 Nony henemana sisa tsy hahatongavan’ny Paka, dia tonga tany Betania i Jesoa tany amin’izay nitoeran’i Lazara, ilay natsangan’i Jesoa ho velona.

2 Nanaovan’ny tao nahandro Izy, ka i Marta nampihinana, i Lazara isan’izay niara-nihinana taminy.

3 Ary i Maria kosa naka diloilo manitra sarobidy lanjana iray livatranatao tamin’ny salohin’ny narda, dia nanosotra ny tongotr’i Jesoa sy namaoka ny tongony tamin’ny volon-dohany, ka nandraraka eran’ny trano ny hanitry ny diloilo.

4 Tamin’izay hoy i Jodasy IsKariota, anankiray tamin’ny mpianany, ilay efa hamadika Azy hoe:

5 «Tsy naleo re namidy denie telon-jato iny diloilo manitra iny ka nomena ny mahantra?»

6 Tsy ny fiahiany ny mahantra anefa no nilazany an’izany, fa noho izy mpangalatra sy mpitana ny kitapom-bola, ary nifetsy izay nalatsaka tao anatiny.

7 Ka hoy i Jesoa taminy: «Avelao izy hanao, fa nitahiry izany ho amin’ny andro handevenana Ahy.

8 Fa ny mahantra dia hisy mandrakariva eto aminareo, ary Izaho kosa tsy mba ho eto aminareo lalandava.»

9 Maro tamin’ny Jody no nahare hoe tao Betania i Jesoa, ka tonga tao, tsy noho i Jesoa ihany, fa mba hahita an’i Lazara ilay natsangany ho velona koa.

10 Fa i Lazara koa dia efa notetehin’ny lehiben’ny mpisorona hovonoina,

11 satria noho izy, dia maro ny olona niala tamin’ny Jody ka nino an’i Jesoa.

Ny nidiran’i Jesoa tao Jerosalema amin’ny maha Mesia Azy

12 Nony ampitso, dia ren’ny vahoaka be izay tonga hanao ny fety fa ho avy ao Jerosalema i Jesoa,

13 ka naka sampan-drofia izy, dia nitsena Azy sy niantso hoe: «Hôzàna, hohasoavina anie Ilay avy, amin’ny Anaran’ny Tompo, sy Mpanjakan’i Israely.

14 Ary i Jesoa nahita zana-boriky anankiray, dia nitaingina azy, araka ny voasoratra hoe:

15 Aza matahotra, ry zanakavavin’i Siôna; Indro avy ny Mpanjakanao mitaingina zana-boriky.»

16 Tamin’izay dia tsy mbola fantatry ny mpianany ny hevitr’izany, fa nony efa voasandratra tamin’ny voninahiny i Jesoa vao tsaroany fa sady voasoratra ny aminy izany no nataon’izy ireo taminy koa.

17 Koa nanambara Azy ny vahoaka izay nanatrika ny fiantsoany an’i Lazara hivoaka tamin’ny fasana sy ny nananganany azy ho velona,

18 ka ny nandrenesan’ny vahoaka be ny nanaovany an’izany fahagagana izany indrindra no niaviany hitsena Azy.

19 Dia vaky ny Farisianina nifampilaza hoe: «Hitanareo fa tsy mahomby ianareo; indro fa mirohotra manaraka Azy avokoa izao tontolo izao.»

I Jesoa manambara ny voninahitra ho azony amin’ny hahafatesany

20 Ary nisy Jentily sasany anisan’izay niakatra hivavaka tamin’ny andro fety,

21 nanatona an’i Filipo, izay avy tany Betsaidan’i Galilea, ka nihanta taminy nanao hoe: «Tompoko, mba te hahita an’i Jesoa izahay.»

22 Dia lasa i Filipo nilaza tamin’i Andre ka dia i Andre sy i Filipo no niara-nilaza tamin’i Jesoa.

23 Ary namaly azy i Jesoa, ka nanao hoe: «Tonga ny fotoana hanomezam-boninahitra ny Zanak’olona.

24 Lazaiko marina dia marina aminareo fa raha tsy maty ny voam-bary nafafy tamin’ny tany,

25 dia mitoetra foana izy; fa raha maty kosa izy, dia mahavokatra be. Izay tia ny ainy no hahavery azy; fa izay mankahala ny ainy amin’izao fiainana izao no hitahiry azy ho amin’ny fiainana mandrakizay;

26 Raha misy manompo Ahy, dia aoka izy hanaraka Ahy, ary izay itoerako no hitoeran’ny mpanompoko koa. Raha misy manompo Ahy, dia homen’ny Raiko voninahitra izy.

27 Ankehitriny, mitebiteby ny fanahiko, ka inona re no holazaiko? Raiko ô, vonjeo Aho ho afaka amin’ity ora ity. Nefa izao indrindra no nahatongavako ho amin’izao ora izao.

28 Raiko ô, omeo voninahitra ny Anaranao.»

29 Tamin’izay dia nisy feo avy tany an-danitra nanao hoe: «Efa nomeko voninahitra Izy,» ary nahare izany ny vahoaka izay teo, dia nanao hoe: «Kotro-baratra izany,» fa hoy kosa ny sasany hoe: «Anjely niteny taminy izay.»

30 Dia hoy i Jesoa hoe: «Tsy ho Ahy izany feo izany, fa ho anareo.

31 Ankehitriny dia tonga ny fitsaranaan’izao tontolo izao; ankehitriny ny mpanapaka an’izao tontolo izao no horoahina.

32 Ary Izaho rehefa tafasandratra hiala amin’ny tany, dia hitarika ny olona rehetra hanatona Ahy.»

33 (Ny nolazainy tamin’izany dia ny karazam-pahafatesana tokony hahafatesany).

34 Ka hoy ny vahoaka namaly Azy: «Efa renay tamin’ny Lalàna fa maharitra mandrakizay i Kristy, ka ahoana no lazainao hoe: ‹Tsy maintsy hasandratrany Zanak’olona?› Iza moa izany Zanak’olona izany?»

35 Dia hoy i Jesoa taminy: «Kely foana sisa hitoeran’ny mazava eto aminareo, ka mandehana dieny mbola eo aminareo ny mazava, fandrao tratry ny haizina ianareo, satria izay mandeha amin’ny haizina dia tsy mahalala izay alehany akory.

36 Minoa ny fahazavana dieny mbola eo aminareo ny fahazavana, mba ho zanaky ny fahazavana ianareo.» Nony voalazan’i Jesoa izany, dia lasa Izy niery azy ireo.

Famaranana: ny tsy finoan’ny Jody

37 Na dia betsaka aza ny fahagagana nataony teo imason’izy ireo, dia tsy nino Azy izy,

38 mba hahatanteraka ny tenin’i Izaia mpaminany manao hoe:«Tompo ô, iza moa no nino izay teny nampilazaina anay, ary zovy no nampisehoana ny sandrin’ny Tompo?»

39 Izany no tsy nahazoan’izy ireo nino, sady hoy koa i Izaia:

40 «Efa nohajambainy ny masony, ary nohamafisiny ny fony, fandrao mahita ny masony ka hahafantatra ny fony, dia hibebaka izy, ka sao sitraniko.»

41 I Izaia no nilaza izany dia nahita ny voninahitry ny Tompo izy, ka nanambara Azy.

42 Kanefa na eo aza izany, dia maro ihany na hatramin’ny loholona aza no nino Azy, saingy tsy nampiseho ny finoany izy ireo noho ny Farisianina, fandrao dia roahiny amin’ny sinagoga,

43 satria naleony ny voninahitra avy amin’ny olona toy izay ny voninahitra avy amin’Andriamanitra.

44 Ary niantso i Jesoa nanao hoe: «Izay mino Ahy, dia tsy Izaho no inoany, fa Izay naniraka Ahy;

45 ary izay mahita Ahy, dia mahita Izay naniraka Ahy.

46 Tonga amin’izao tontolo izao ho fahazavana Aho, mba tsy hitoetra ao anatin’ny maizina izay rehetra mino Ahy.

47 Ary raha misy mandre ny teniko, ka tsy mitandrina azy, dia tsy mitsara azy Aho; satria tsy hitsara izao tontolo izao no nahatongavako fa hamonjy azy.

48 Izay manamavo Ahy ka tsy mandray ny teniko, misy izay hitsara azy: dia ny teny voalazako no hitsara azy amin’ny farandro,

49 satria tsy niteny ho Ahy Aho, fa ny Ray izay naniraka Ahy no nandidy izay tsy maintsy lazaiko sy ampianariko.

50 Ary fantatro fa ny didiny no fiainana mandrakizay. Koa ny zavatra lazaiko àry dia lazaiko araka ny voalazan’ny Ray tamiko.»

Categories
Joany

Joany 13

B. Ny Sakafo farany

1 Talohan’ny fetin’ny Paka, fantatr’i Jesoa fa tonga ny fotoana hialany amin’izao tontolo izao ho any amin’ny Ray, ka rehefa notiaviny tokoa ny Azy izay amin’izao tontolo izao, dia fara fitiavana no nataony taminy.

2 Ary raha mbola teo amin’ny fisakafoana hariva, i Jodasy IsKariota zanak’i Simôna moa efa nomen’ny devoly hevitra hamadika Azy,

3 i Jesoa kosa nahalala fa efa napetraky ny Ray eo an-tanany ny zavatra rehetra, ary Andriamanitra no niaviany sady Andriamanitra koa no hiverenany,

4 dia nitsangana teo am-pihinanana Izy: napetrany ny lambany, nalainy ny lamba famaohana ka nisikinany;

5 raha efa izany, nampidina rano tamin’ny tavy Izy dia nanomboka nanasa ny tongotry ny mpianatra, sy namaoka azy tamin’ny lamba nisikinany.

6 Ary nanatona an’i Simôna Piera Izy; fa hoy i Piera taminy: «Adre! Ianao ve, Tompoko, no hanasa ny tongotro?»

7 Dia namaly i Jesoa ka nanao taminy hoe: «Tsy fantatrao izao izay ataoko, fa ho fantatrao aoriana.»

8 Fa hoy i Piera taminy: «Sanatria, tsy hanasa ny tongotro na oviana na oviana Ianao.» Ka hoy i Jesoa namaly azy: «Raha tsy sasako ianao, dia tsy hanana anjara amiko.»

9 Dia hoy i Simôna Piera taminy: «Tsy ny tongotro ihany àry, Tompoko, fa ny tanako sy ny lohako koa.»

10 Fa hoy i Jesoa taminy: «Izay efa nandro, tsy mila hosasana afa-tsy ny tongotra, fa efa madio avokoa ny tenany manontolo. Ary ianareo koa dia madio, nefa tsy ianareo rehetra.»

11 Izy no nanao hoe: Tsy ianareo rehetra no madio, dia satria fantany ilay hamadika Azy.

12 Nony efa voasasany ny tongotr’izy ireo, dia nandray ny lamba Izy, ka nipetraka indray, ary nanao taminy hoe: Moa fantatrareo va izay nataoko taminareo?

13 Ianareo manao Ahy hoe Mpampianatra sy Tompo, ary marina ny filazanareo; fa izany tokoa Aho.

14 Ka raha Izaho Tompo sy Mpampianatra aza nanasa ny tongotrareo, ianareo samy ianareo koa dia tsy maintsy mifanasa tongotra;

15 satria nomeko fianarana ianareo mba hanaovanareo toy ny nataoko taminareo.

16 Lazaiko marina dia marina aminareo: Ny mpanompo tsy ambony noho ny tompony; na ny iraka tsy ambony noho izay naniraka azy.

17 Raha fantatrareo izany, dia ho sambatra ianareo raha manao izany.

18 Tsy ianareo rehetra no antsoiko (fantatro izay nofidiko); fa mba ho tanteraka ny Soratra Masina manao hoe:Izay miara-mihina-mofo amiko no nanainga ny ombalahin-tongony hamely Ahy.

19 Ilazako izany ianareo ankehitriny dieny mbola tsy tanteraka izany, mba hinoanareo rehefa tanteraka fa Izaho Aho.

20 Lazaiko marina dia marina aminareo: Izay mandray izay irahiko, dia mandray Ahy; ary izay mandray Ahy, dia mandray Izay naniraka Ahy.

Fanambaràna ny hamadihan’i Jodasy

21 Rehefa nilaza izany i Jesoa, nangorohoro ny fony, ka nanambara mazava Izy nanao hoe: «Lazaiko marina dia marina aminareo, fa hamadika Ahy ny anankiray aminareo.»

22 Dia nifampijery ny mpianatra, fa tsy nahalala izay iray nolazainy.

23 Ary ny anankiray tamin’izy ireo, ilay tian’i Jesoa no teo anilany niankina tamin’ny tratrany,

24 ka nanàtsika azy i Piera nanao taminy hoe: «Iza ilay lazainy izay?»

25 Dia naraikany tamin’ny tratran’i Jesoa ny lohany, ka hoy izy taminy: «Iza moa izany, Tompoko?»

26 Ary hoy i Jesoa hoe: «Izay hotolorako sombi-mofo natsoboka tamin’ny ro no izy.» Dia natsobony ny mofo ka natolony an’i Jodasy IsKariota zanak’i Simôna.

27 Vantany vao nihinana ilay sombi-mofo i Jodasy dia nidiran’ny demony, ka hoy i Jesoa taminy: «Ataovy haingana izay hataonao.»

28 Tsy nisy nahalala izay anton’ny nilazany izany taminy anefa ry zareo izay nipetraka nihinana;

29 fa noho i Jodasy nitahiry ny kitapom-bola, dia nataon’ny sasany fa izao no nolazain’i Jesoa taminy: Vidio ny zavatra ilaintsika amin’ny fety, na mba omeo zavatra ny mahantra.

30 Vao nandray ilay sombi-mofoi Jodasy dia nivoaka niaraka tamin’izay. Efa alina ny andro tamin’izany.

31 Nony efa nivoaka izy, dia hoy i Jesoa: «Nomem-boninahitra izao ny Zanak’olona, ary Andriamanitra kosa no nomena voninahitra eo aminy.

32 Ary raha Andriamanitra no nomem-boninahitra eo aminy, dia Andriamanitra kosa no hanome voninahitra Azy eo amin’ny Tenany sy hanome voninahitra Azy faingana.»

Ny veloma farany

33 «Anaka, kely foana sisa hitoerako aminareo. Hitady Ahy ianareo, ary toy ny voalazako tamin’ny Jody hoe: Izay alehako tsy azonareo aleha no lazaiko aminareo koa ankehitriny.

34 Didy vaovao no omeko anareo, dia izao: Mifankatiava ary aoka ho toy ny nitiavako anareo no hifankatiavanareo.

35 Izany no hahafantaran’ny olona rehetra fa mpianatro ianareo, raha mifankatia.»

36 Hoy i Simôna Piera taminy: «Ho aiza Ianao, Tompoko?» Dia hoy i Jesoa: «Ankehitriny tsy azonao aleha izay alehako, fa any aoriana mbola hanaraka Ahy ianao.»

37 Ary hoy i Piera taminy: «Ahoana, Tompoko, no tsy ahazoako manaraka Anao ankehitriny? Hafoiko ho Anao hatramin’ny aiko aza.»

38 Fa hoy i Jesoa: «Hafoinao ho Ahy ny ainao? Lazaiko marina dia marina aminao: Alohan’ny maneno akoho, dia handà Ahy intelo ianao.»

Categories
Joany

Joany 14

1 Aoka tsy hitebiteby ny fonareo. Mino an’Andriamanitra ianareo, ka minoa Ahy koa.

2 Misy fitoerana maroao an-tranon’ny Raiko; raha tsy izany, dia efa nilaza taminareo Aho; fa handeha Aho hanamboatra fitoerana ho anareo,

3 rehefa lasa Aho ka voavoatra ny fitoerana ho anareo, dia ho avy indray Aho haka anareo ho any amiko, dia izay itoerako no hitoeranareo koa.

4 Ary fantatrareo koa ny lalanaho any amin’izay alehako.

5 Dia hoy i Tomà taminy: «Tsy fantatray izay alehanao Tompoko, ka ahoana no hahafantaranay ny lalana?»

6 Ary hoy i Jesoa taminy: Izaho no lalana sy fahamarinana ary fiainana; tsy misy olona mankany amin’ny Ray afa-tsy amin’ny alalako.

7 Raha nahafantatra Ahy ianareo, dia ho nahafantatra ny Raiko koa; hatramin’izao, dia mahafantatra Azy ianareo, sady efa nahita Azy.

8 Dia hoy i Filipo taminy: Asehoy anay ny Ray, Tompoko, dia ampy ho anay izany.

9 Fa hoy i Jesoa taminy: Izay ela izay no nitoerako teto aminareo ka tsy mbola fantatrareo ihany ve Aho, ry Filipo? Izay nahita Ahy, dia nahita ny Ray koa; ka ahoana no anaovanao hoe: Asehoy anay ny Ray?

10 Tsy mino va ianao fa Izaho ao amin’ny Ray, ary ny Ray ato amiko? Ny teny izay lazaiko aminareo dia tsy avy amiko; fa ny Ray izay mitoetra ato amiko no manao ny asa.

11 Minoa ny teniko fa Izaho ao amin’ny Ray ary ny Ray ato amiko;

12 na fara fahakeliny minoa ahay noho ny asa ihany.

Lazaiko marina dia marina aminareo fa izay mino Ahy, dia hanao ny asa ataoko koa, ary hanao mihoatra noho izany aza izy, satria mankany amin’ny Ray Aho,

13 ka izay rehetra hangatahinareo amin’ny Ray amin’ny Anarako dia hotanterahiko avokoa, mba hahazoan’ny Ray voninahitra eo amin’ny Zanaka.

14 Raha mangataka zavatra amiko amin’ny Anarako ianareo, dia hotanterahiko izany.

15 Raha tia Ahy ianareo, dia hitandrina ny didiko.

16 Ary Izaho kosa hangataka amin’ny Ray, ka homeny Mpanafaka alahelo hafa ianareo, mba hitoetra ao aminareo mandrakizay,

17 dia ny Fanahin’ny fahamarinana, izay tsy azon’izao tontolo izao raisina, satria tsy hitany ka tsy fantany, fa ianareo no hahafantatra Azy, satria hitoetra ao aminareo sy ao anatinareo Izy.

18 Tsy havelako ho kamboty ianareo, fa hankatỳ aminareo Aho,

19 Raha afaka kelikely, dia tsy hahita Ahy intsony izao tontolo izao; fa ianareo no hahita Ahy, satria velona Aho, ary ho velona koa ianareo.

20 Amin’izany andro izany, dia ho fantatrareo fa Izaho ao amin’ny Raiko, ianareo ato amiko, ary Izaho ao aminareo.

21 Izay manana ny didiko ka mitandrina azy no tia Ahy; ary izay tia Ahy, dia ho tian’ny Raiko, sy ho tiako koa, ka haneho ny Tenako aminy Aho.»

22 Ary i Jodasy, tsy ilay IsKariota, nanao taminy hoe: «Ahoana, Tompoko, no itiavanao haneho ny Tenanao aminay ihany, fa tsy amin’izao tontolo izao koa?»

23 Namaly i Jesoa ka nanao taminy hoe: «Raha misy tia Ahy, dia hitandrina ny teniko izy, ka ho tian’ny Raiko, ary hankao aminy izahay ka honina ao aminy.

24 Fa izay tsy tia Ahy kosa, dia tsy mba mitandrina ny teniko; ary ny teny izay renareo, dia tsy Ahy, fa an’ny Ray Izay naniraka Ahy.

25 Voalazako taminareo izany, raha mbola mitoetra eto aminareo Aho.

26 Fa ny Mpanafaka alahelo, dia ny Fanahy Masina, Izay hirahin’ny Ray amin’ny Anarako, no hampianatra anareo ny zavatra rehetra, sy hampahatsiaro anareo ny zavatra rehetra nolazaiko taminareo.

27 Fiadanana no avelako aminareo fiadanako no omeko anareo, tsy mba tahaka ny fanomen’izao tontolo izao no omeko anareo. Aoka tsy hitebiteby na hatahotra ny fonareo.

28 Efa renareo fa izao no voalazako taminareo: Handeha Aho, nefa mbola hiverina ho atỳ aminareo. Raha tia Ahy ianareo, dia ho faly tokoa amin’izao handehanako ho any amin’ny Ray izao satria lehibe noho Izaho ny Ray.

29 Ary Izaho no milaza izany aminareo dieny ankehitriny mbola tsy tonga izany, dia ny mba hinoanareo rehefa tonga izany.

30 Tsy hilaza zavatra maro aminareo intsony Aho, fa avy ny mpanapaka izao tontolo izao; tsy manana na inona na inona amiko anefa izy,

31 fa mba ho fantatr’izao tontolo izaofa tiako ny Ray, ka araka izay nandidiany Ahy no ataoko. Mitsangàna, andeha isika hiala eto.

Categories
Joany

Joany 15

Ny tena foto-boaloboka

1 Izaho no tena foto-boaloboka, ary ny Raiko no mpamboly.

2 Ny sampana rehetra tsy mamoa eo amiko dia esoriny, ary izay rehetra mamoa dia rantsanany mba hampamoa azy bebe kokoa.

3 Efa madio ianareo izao, noho ny fampianarana nataoko taminareo.

4 Mitomoera ao amiko, ary Izaho hitoetra ao aminareo. Fa ny sampana izay tsy miray amin’ny foto-boaloboka tsy mahazo mamoa ho azy, ary toy izany koa ianareo raha tsy mitoetra ao amiko.

5 Izaho no foto-boaloboka, ary ianareo no sampany. Izay mitoetra ao amiko sy itoerako no mamoa be, satria raha tsy Izaho dia tsy mahefa na inona na inona ianareo.

6 Izay tsy mitoetra ao amiko dia ariana any ivelany tahaka ny sampana ka maina; ary hangonina ny sampana ka hatsipy ao anaty afo, dia may.

7 Raha mitoetra ao amiko ianareo ka mitoetra ao aminareo ny teniko, dia hangataka izay tianareo ianareo, ka hatao aminareo izany.

8 Ho voninahitra ho an’ny Raiko raha mamoa be ianareo sy tonga mpianatro.

9 Tahaka ny nitiavan’ny Ray Ahy no nitiavako anareo koa, ka mitomoera amin’ny fitiavako ianareo.

10 Raha mitandrina ny didiko ianareo no hitoetra amin’ny fitiavako, tahaka ny nitandremako ny didin’ny Raiko sy itoerako amin’ny fitiavany.

11 Izaho no milaza izany aminareo, dia mba ho ao aminareo ny fifaliako, ary mba ho lavorary ny fifalianareo.

12 Izao no didiko, dia ny mba hifankatiavanareo tahaka ny nitiavako anareo.

13 Tsy misy manam-pitiavana lehibe kokoa noho ny mahafoy ny ainy ho an’ny sakaizany.

14 Ianareo no sakaizako, raha manatanteraka izay andidiako anareo.

15 Tsy ataoko hoe mpanompo intsony ianareo, satria ny mpanompo tsy mahalala izay ataon’ny tompony; fa efa nataoko hoe sakaiza ianareo, satria efa nambarako taminareo avokoa izay rehetra reko tamin’ny Raiko.

16 Tsy ianareo no nifidy Ahy, fa Izaho no nifidy anareo, ka nanendry anareo mba handehananareo, sy hahavokaranareo, ary haharetan’ny vokatrareo, sy hanomezan’ny Raiko anareo izay rehetra hangatahinareo amin’ny Anarako.

17 Ny andidiako anareo dia ny mba hifankatiavanareo.

Fankahalàn’izao tontolo izao

18 Raha halan’izao tontolo izao ianareo, dia fantaro fa Izaho no halany talohanareo.

19 Raha olon’izao tontolo izao ianareo, dia ho tian’izao tontolo izao satria azy; fa noho ianareo tsy olon’izao tontolo izao dia halan’izao tontolo izao ianareo.

20 Tsarovy ny teny izay nolazaiko taminareo hoe: Ny mpanompo tsy ambony noho ny tompony. Raha nenjehiny Aho, dia hoenjehiny koa ianareo; ary raha nitandrina ny teniko izy, dia hitandrina ny anareo koa.

21 Fa hataony aminareo izany rehetra izany noho ny Anarako, satria tsy fantany Ilay naniraka Ahy.

22 Raha tsy tonga Aho ka tsy niteny taminy, dia tsy nanan-keloka izy; fa ankehitriny tsy manana fialan-tsiny izy amin’ny fahotany.

23 Izay mankahala Ahy dia mankahala ny Raiko koa.

24 Raha tsy nataoko teo aminy izay asa tsy nataon’ny olona na iza na iza, dia tsy nanan-keloka izy; fa ankehitriny efa nahita izy sady efa nankahala Ahy sy ny Raiko.

25 Ary izany no tonga dia mba hahatanteraka ny teny voasoratra ao amin’ny Lalàna hoe:Nankahala Ahy foana izy ireo.

26 Rehefa tonga ny Mpanafaka alahelo izay hirahiko aminareo avy amin’ny Ray dia ny Fanahin’ny fahamarinana izay avy amin’ny Ray, dia Izy no hanambara Ahy.

27 Ary ianareo koa hanambara, satria teo amiko hatramin’ny voalohany ianareo.

Categories
Joany

Joany 16

1 Izaho no nilaza izany taminareo dia ny mba tsy hahatafintohina anareo.

2 Fa horoahiny amin’ny sinagoga ianareo ary ho avy aza ny andro hiheveran’izay rehetra hamono anareo ho manao fanompoana an’Andriamanitra.

3 Izy no hanao izany aminareo, dia satria tsy misy fantany na ny Ray na Izaho.

4 Ary Izaho no nilaza izany taminareo kosa, dia mba hahatsiarovanareo, rehefa tonga ny fotoana, fa efa voalazako taminareo izany.

Ny hiavian’ny Mpanafaka alahelo

5 Tsy mbola nolazaiko taminareo izany tamin’ny voalohany, satria mbola teto aminareo Aho; fa ankehitriny handeha ho any amin’Ilay naniraka Ahy Aho, ka tsy misy aminareo manontany hoe: Ho aiza Ianao?

6 Fa noho Izaho nilaza izany taminareo, dia feno alahelo ny fonareo.

7 Milaza ny marina aminareo anefa Aho fa mahasoa anareo ny handehanako; satria raha tsy mandeha Aho, dia tsy ho avy aminareo ny Mpanafaka alahelo; fa raha mandeha Aho, dia haniraka Azy ho atỳ aminareo.

8 Ary rehefa tonga Izy, dia handresy lahatra an’izao tontolo izao ny amin’ny fahotana, sy ny amin’ny fahamarinana, ary ny amin’ny fitsarana:

9 ny amin’ny fahotana, satria tsy mino Ahy izy ireo;

10 ny amin’ny fahamarinana, satria mankany amin’ny Ray Aho, ka tsy ho hitanareo intsony;

11 ary ny amin’ny fitsarana, satria voatsara sahady ny mpanapaka izao tontolo izao.

12 Mbola manan-javatra betsaka holazaina aminareo Aho, nefa tsy zakanareo ankehitriny;

13 fa rehefa tonga ny Fanahin’ny fahamarinana, dia Izy no hitari-dalana anareo amin’ny marina rehetra, satria tsy hiteny ho Azy Izy, fa izay rehetra ho reny no holazainy, ary ny zavatra ho avy no hambarany aminareo.

14 Hanome voninahitra Ahy Izy satria handray ny avy amiko ka hanambara izany aminareo.

15 Ahy izay rehetra ananan’ny Raiko, ka izany no nanaovako hoe: Handray ny avy amiko Izy ka hanambara izany aminareo.

Fanambaràn’i Jesoa ny hiverenany haingana

16 Rehefa afaka kelikely, dia tsy hahita Ahy intsony ianareo; ary rehefa afaka kelikely indray, dia hahita Ahy ianareo, satria mankany amin’ny Ray Aho.

17 Tamin’izay ny mpianany sasany dia nifampilaza hoe: «Ahoana no ilazany amintsika hoe: Rehefa afaka kelikely, dia tsy hahita Ahy intsony ianareo; ary rehefa afaka kelikely indray, dia hahita Ahy ianareo, satria mankany amin’ny Ray Aho?»

18 Dia hoy izy ireo: «Inona izany lazainy hoe: Rehefa afaka kelikely? Tsy fantatsika izay lazainy.»

19 Ary fantatr’i Jesoa fa te hanontany Azy izy ireo, ka hoy Izy taminy: Ianareo mifanontany ny amin’ny teniko hoe: Rehefa afaka kelikely, dia tsy hahita Ahy intsony ianareo; ary rehefa afaka kelikely indray, dia hahita Ahy ianareo.

20 Lazaiko marina aminareo fa hitomany sy higogogogo ianareo, ary hifaly izao tontolo izao; halahelo ianareo, fa hody hafaliana ny alahelonareo.

21 Ory ny vehivavy raha miteraka satria tonga ny fotoany; nefa tsy tsaroany intsony izay fahoriany rehefa teraka izy, noho ny hafaliany fa hoe misy olona teraka amin’izao tontolo izao.

22 Manana alahelo koa ianareo ankehitriny, nefa ho hitako indray ianareo, ka ho faly ny fonareo, ary tsy hisy olona hanesotra ny hafalianareo.

23 Amin’izany andro izanydia tsy hanontany Ahy na inona na inona intsony ianareo. Lazaiko marina dia marina aminareo fa na inona na inona hangatahinareo amin’ny Ray, dia homeny anareo amin’ny Anarako.

24 Mandraka ankehitrinydia mbola tsy nangataka na inona na inona tamin’ny Anarako ianareo; mangataha àry, dia hahazo ianareo, ka ho tanteraka ny fifalianareo.

25 Fanoharana no nilazako izany taminareo; fa avy ny andro tsy hanaovako fanoharana aminareo intsony, fa hambarako aminareo miharihary ny amin’ny Ray.

26 Amin’izany andro izany dia hangataka amin’ny Anarako ianareo, ary Izaho tsy milaza aminareo fa hangataka ho anareo amin’ny Ray Aho,

27 satria ny Ray tia anareo koa noho ny nitiavanareo Ahy sy ny ninoanareo fa avy amin’Andriamanitra Aho.

28 Avy amin’ny Ray no tonga amin’izao tontolo izao Aho; ary hilaozako indray izao tontolo izao ka hankany amin’ny Ray Aho.

29 Dia hoy ny mpianany taminy: «Indro milaza tsotra Ianao ankehitriny, fa tsy manao fanoharana akory.

30 Fantatray amin’izao fa mahalala ny zavatra rehetra Ianao, ka tsy mila hanontanian’olona: izany no inoanay fa avy amin’Andriamanitra Ianao.

31 I Jesoa namaly azy hoe: Mino ange ianareo ankehitriny?

32 Indro avy ny andro, na efa tonga sahady aza, izay hielezanareo samy ho any amin’izay halehany avy, sy handaozanareo Ahy ho irery; nefa tsy irery Aho tsy akory, fa ato amiko ny Ray.

33 Izaho no nilaza izany taminareo, dia mba hanananareo fiadanana amiko. Hozoim-pahoriana ianareo eto amin’izao tontolo izao; fa matokia, efa nandresy an’izao tontolo izao Aho.

Categories
Joany

Joany 17

Vavak’i Jesoa Mpisorona

1 Rehefa voalazan’i Jesoa izany, dia niandrandra ny lanitra Izy, ka nanao hoe: Raiko ô, tonga ny fotoana: omeo voninahitra ny Zanakao mba hanomezan’ny Zanaka voninahitra Anao,

2 fa efa nomenao fahefana amin’ny nofo rehetra Izy, mba hanomezany ny fiainana mandrakizay an’izay rehetra nomenao Azy.

3 Ary izao no fiainana mandrakizay, dia ny mahalala Anao hany Andriamanitra marina sy i Jesoa Kristy izay nirahinao.

4 Nanome voninahitra Anao Aho tetỳ ambonin’ny tany, fa tanterako ny asa nomenao Ahy hataoko.

5 Ary ankehitriny kosa dia Anao, Raiko ô, ny manome voninahitra Ahy eo aminao, dia ny voninahitra ananako tao aminao talohan’ny nahariana izao tontolo izao.

6 Nitory ny Anaranao tamin’ny olona nomenao Ahy ao amin’izao tontolo izao Aho; Anao izy ireo, ka nomenao Ahy, ary efa nitandrina ny teninao izy.

7 Fantany ankehitriny fa avy aminao ny zavatra rehetra nomenao Ahy;

8 satria nomeko azy ny teny nomenao Ahy ka noraisiny; dia fantany marina fa avy aminao Aho, ary ninoany tokoa fa Ianao no naniraka Ahy.

9 Mangataka ho azyireo Aho. Tsy mangataka ho an’izao tontolo izao Aho, fa ho an’izay nomenao Ahy, satria Anao izy ireo

10 fa Anao izay Ahy rehetra, ary Ahy izay Anao rehetra, ary nahazo voninahitra amin’izy ireo Aho.

11 Tsy ho eto amin’izao tontolo izao intsony Aho; izy ireo no ho eto amin’izao tontolo izao, fa Izaho kosa ho any aminao. Ray masina ô, arovy amin’ny Anaranao izay nomenao Ahy, mba ho iray tahaka Antsika izy.

12 Raha mbola teo amin’izy ireo Aho, dia niaro azy tamin’ny Anaranao. Eny, niaro izay nomenao Ahy Aho, ka tsy nisy very izy na dia iray aza, afa-tsy ilay zanaky ny fahaverezana, mba ho tanteraka ny Soratra Masina.

13 Ankehitriny mankany aminao Aho, ka manao izany fangatahana izany, dieny mbola amin’izao tontolo izao, mba hananan’izy ireo ny fifaliako tanteraka ao aminy.

14 Nomeko azy ny teninao, ka halan’izao tontolo izao izy ireo, satria tahaka ny tsy maha-olon’izao tontolo izao Ahy no tsy maha-olon’izao tontolo izao azy koa.

15 Tsy ny hanesoranao azy amin’izao tontolo izao no angatahiko, fa ny hiarovanao azy amin’ny ratsy.

16 Tahaka ny tsy maha-olon’izao tontolo izao Ahy no tsy maha-olon’izao tontolo izao azy ireo koa.

17 Ankamasino amin’ny fahamarinana izy ireo. Ny teninao no fahamarinana.

18 Tahaka ny nanirahanao Ahy ho ao amin’izao tontolo izao no nanirahako azy ho ao amin’izao tontolo izao koa.

19 Manamasina ny Tenakoho azy ireo Aho, mba hohamasinina amin’ny fahamarinana koa izy.

20 Tsy ho azy ireto ihany no angatahako, fa ho an’izay hino Ahy noho ny teniny koa:

21 mba ho iray izy rehetra, tahaka Anao, Ray, ato amiko, ary Izaho ao aminao, ary mba ho iray ao amintsika koa izy, ka hinoan’ny olona fa Ianao no naniraka Ahy.

22 Efa nomeko azy ny voninahitra nomenao Ahy, mba ho iray izy tahaka ny maha-iray Antsika:

23 Izaho moa ao aminy, Ianao kosa ato amiko, mba ho tena iray tokoa izy ireo, ka ho fantatr’izao tontolo izao fa Ianao no naniraka Ahy.

24 Ray ô, tiako hiaraka amiko, any amin’izay itoerako, ireo nomenao Ahy, mba hahita ny voninahitra nomenao Ahy, satria efa tia Ahy talohan’ny nahariana izao tontolo izao Ianao.

25 Ray marina ô, tsy nahalala Anao izao tontolo izao, fa Izaho no nahalala Anao, ary ireto koa no nahalala fa Ianao no naniraka Ahy.

26 Efa nampahafantariko ny Anaranao izy, sady mbola hampahafantariko koa, mba ho ao aminy ny fitiavana izay nitiavanao Ahy, ary mba ho ao aminy koa Aho.