Categories
Joany

Joany 18

Ny nisamborana an’i Jesoa

1 Rehefa voalazan’i Jesoa izany, dia lasa Izy sy ny mpianany nankany an-dafin’ny riakan’i Sedrôna, izay nisy saha anankiray nidiran’Izy sy ny mpianany.

2 Fantatr’i Jodasy ilay namadika Azy koa io toerana io, satria falehan’i Jesoa sy ny mpianany matetika.

3 Ka nony voarainy ny antoko-miaramila iray sy ny mpiandry raharaha avy amin’ny lohandohan’ny mpisorona sy ny Farisianina, dia nankao izy nitondra fanala sy fanilo, ary fiadiana.

4 I Jesoa tamin’izany, dia efa nahalala rahateo izay rehetra hanjò Azy, ka nitsena azy ireo sy nanao taminy hoe: «Iza no tadiavinareo?»

5 Dia hoy ny navalin’izy ireo Azy: «I Jesoa avy any Nazareta.» Ka hoy i Jesoa taminy: «Izaho no izy.» Eo koa izany i Jodasy ilay namadika Azy.

6 Vao nilazan’i Jesoa hoe: Izaho no izy, dia nianòtra izy ireo, ka niankarapoka tamin’ny tany.

7 Fa nanontany azy indray i Jesoa nanao hoe: «Iza no tadiavinareo?» Dia hoy izy ireo: «I Jesoa avy any Nazareta.»

8 Ka novalian’i Jesoa hoe: «Efa voalazako taminareo fa Izaho no Izy; koa raha Izaho no tadiavinareo, dia avelao handeha ireto.»

9 Izy no nilaza izany dia mba hahatanteraka ny teny voalazany hoe: «Tsy nisy very izay nomenao Ahy, na dia iray aza.»

10 Ary nanan-tsabatra i Simôna Piera ka notsoahany dia nasiany ny mpanompon’ny lehiben’ny mpisorona, ka afaka terỳ ny sofiny ankavanana: Malkôsy no anaran’ilay mpanompo.

11 Fa hoy i Jesoa tamin’i Piera: «Ampidiro amin’ny tranony ny sabatrao: tsy hosotroiko va ny kapoaka nomen’ny Ray Ahy?»

Fandavan’i Piera

12 Tamin’izay ny antoko-miaramila sy ny tomponarivo ary ny mpiandry raharaha nirahin’ny Jody, dia nisambotra an’i Jesoa, ka namatotra Azy.

13 Tany amin’i Ana aloha no nitondrany Azy, fa io no rafozan’i Kaifa izay lehiben’ny mpisorona tamin’izany taona izany;

14 ary i Kaifa kosa no ilay nanome saina ny Jody hoe mahasoa raha maty ho an’ny vahoaka ny lehilahy anankiray.

15 Nanaraka an’i Jesoa tamin’izany i Piera sy ny mpianatra anankiray hafa; ary fantatry ny lehiben’ny mpisorona ilay mpianatra anankiray, ka niara-niditra tamin’i Jesoa tao amin’ny tokotanin’ny lehiben’ny mpisorona.

16 Fa i Piera kosa nijanona tany ivelany tao akaikin’ny vavahady. Dia nivoaka ilay mpianatra izay fantatry ny lehiben’ny mpisorona, ka niteny tamin’ny vehivavy mpiandry vavahady, ary nampiditra an’i Piera.

17 Fa hoy ity ankizivavy mpiandry vavahady tamin’i Piera: «Moa tsy isan’ny mpianatr’io Lehilahy io koa va ianao?» Ary hoy izy: «Tsia.»

18 Nangatsiaka ny andro, ka nipetraka namindro teo amin’ny afo ny mpanompo sy ny mpiandry raharaha, ary dia mba niara-namindro taminy teo koa i Piera.

19 Ary ny lehiben’ny mpisorona nanadina an’i Jesoa ny amin’ny mpianany sy ny fampianarany;

20 ka hoy i Jesoa namaly azy: «Niteny ampahibemaso tamin’ny olona rehetra Aho, ary nampianatra mandrakariva tao amin’ny sinagoga sy ny Tempoly, izay ivorian’ny Jody rehetra, fa tsy nilaza na inona na inona an-takona;

21 ka ahoana no anontanianao Ahy? Ireo nihaino Ahy no anontanio izay voalazako taminy, fa ireo no mahalala izay nampianariko.»

22 Nony nilaza izany i Jesoa, dia nasian’ny mpiandry raharaha anankiray tehamaina sy nataony hoe: «Izany ve no famalinao ny lehiben’ny mpisorona?»

23 I Jesoa namaly azy hoe: «Raha ratsy ny teniko, lazao izay ratsy; fa raha tsara ihany kosa, nahoana no dia mamely Ahy ianao?»

24 Dia nasain’i Ana nentina am-patorana ho any amin’i Kaifa lehiben’ny mpisorona Izy.

25 Ary i Simôna Piera nijanona namindro teo koa, ka nisy nanao taminy hoe: «Moa tsy isan’ny mpianany koa va ianao?» Fa nandà izy nanao hoe: «Tsia.»

26 Dia hoy koa ny anankiray tamin’ny mpanompon’ny lehiben’ny mpisorona, izay havan’ilay notapahin’i Piera sofina: «Tsy ianao va ilay hitako niaraka taminy tao anaty saha?»

27 Fa nandà indray i Piera, ary niaraka tamin’izay dia nisy akoho naneno.

I Jesoa eo anatrehan’i Pilaty

28 Dia nentiny niala tao amin’i Kaifa i Jesoa ho any an-tranon’ny governora. Efa maraina ny andro tamin’izay. Tsy niditra tao an-trano anefa izy ireo, fandrao voalotoka tsy afa-mihinana ny Paka.

29 Koa i Pilaty no nivoaka nanatona azy ireo teo alatrano, nanao hoe: «Inona no iampanganareo io Lehilahy io?»

30 Dia hoy ny navalin’izy ireo azy: «Raha tsy mpanao ratsy Izy, dia tsy ho natolotray anao.»

31 Ka hoy i Pilaty taminy: «Ento izy, ka tsarao araka ny lalànareo.» Fa hoy ny Jody namaly azy: «Tsy manam-pahefana hanamelo-ko faty izahay.»

32 Izany no tonga dia mba hahatanteraka ny teny nambaran’i Jesoa momba ny fahafatesana hanjò Azy.

33 Dia niditra tao an-trano i Pilaty, ka niantso an’i Jesoa sy nanao taminy hoe: «Moa mpanjakan’ny Jody va Ianao?»

34 I Jesoa namaly hoe: «Anao samy irery izany teny izany, sa an’olon-kafa no nilaza Ahy taminao?»

35 Dia namaly i Pilaty nanao hoe: «Fa izaho angaha Jody? Ny firenenao sy ny mpisoronao no nanolotra Anao tamiko, ka inona no nataonao?»

36 I Jesoa namaly hoe: «Tsy anisan’izao tontolo izao ny fanjakako: fa raha anisan’izao tontolo izao ny fanjakako, dia ho niady ny oloko, ka tsy ho voarain’ny Jody Aho; fa tsy anisan’izao tontolo izao ny fanjakako.»

37 Dia hoy i Pilaty taminy: «Koa mpanjaka izany Ianao?» Ary novalian’i Jesoa hoe: «Efa voalazanao, Mpanjaka Aho. Teraka Aho, sy tonga tatỳ an-tany mba hanambara ny marina, ka izay rehetra mpanaraka ny marina, dia mihaino ny feoko.»

38 «Inona ny marina?» hoy i Pilaty taminy. Fa nony voalazany izany, dia nivoaka nankeo amin’ny Jody indray izy ka nanao tamin’ireo hoe: «Raha izaho, dia tsy mahita izay helony na dia iray aza;

39 fa araka ny fanao amin’ny Paka dia mandefa olo-meloka izay tianareo aho; koa tianareo ve ny handefasako ny Mpanjakan’ny Jody?»

40 Fa nihorakoraka indray izy rehetra ka nanao hoe: «Tsy Izy, fa i Barabasy.» Kanefa jiolahy i Barabasy.

Categories
Joany

Joany 19

1 Tamin’izany nalain’i Pilaty i Jesoa ka nasainy nokapohina.

2 Dia nandrandrana fehiloha tsilo ny miaramila ka nasatrony ny lohany, ary nampitafîny kapaoty jakyIzy.

3 Raha efa izany, dia nanatona Azy izy ireo, ka sady namely tehamaina Azy no nanao hoe: «Arahaba, ry Mpanjakan’ny Jody.»

4 Dia nivoaka indray i Pilaty ka nanao tamin’ny Jody hoe: «Indro Izy entiko manketo aminareo, mba ho fantatrareo fa tsy hitako mihitsy izay helony na dia iray aza.»

5 Tamin’izay nivoaka i Jesoa misatroka fehiloha tsilo sy mitafy kapaoty jaky, ka hoy i Pilaty tamin’ny Jody: «Indro ny Lehilahy.»

6 Nony nahita Azy ny lohan’ny mpisorona sy ny mpiandry raharaha, dia niantso nanao hoe: «Fantsiho, fantsiho amin’ny hazofijaliana izy.» Fa hoy i Pilaty tamin’izy ireo: «Ento àry ka fantsihonareo, fa izaho tsy mba mahita izay helony.»

7 Dia hoy ny Jody namaly azy: «Manana lalàna izahay, ary araka ny lalànay dia tsy maintsy hovonoina Izy, satria nanao ny Tenany ho Zanak’Andriamanitra.»

8 Nandre izany i Pilaty vao mainka natahotra.

9 Ary niditra tao an-trano indray izy ka nanao tamin’i Jesoa hoe: «Avy aiza moa Ianao?» Fa tsy namaly azy i Jesoa.

10 Ka hoy i Pilaty taminy: «Izaho indray ve no tsy itenenanao? Tsy fantatrao angaha fa sady manam-pahefana handefa Anao aho, no manam-pahefana hamantsika Anao amin’ny Hazofijaliana koa?»

11 Dia hoy i Jesoa hoe: «Tsy hanam-pahefana amiko ianao raha tsy nomena anao avy any ambony izany; koa izay nanolotra Ahy taminao no meloka kokoa noho ianao.»

Fanamelohana ho faty

12 Hatramin’izay dia nitady handefa Azy i Pilaty. Fa nantsointsoin’ny Jody hoe: «Raha mandefa Io ianao, dia tsy mba sakaizan’i Sezara, satria izay manao ny tenany ho mpanjaka dia mitsangan-kanohitra an’i Sezara.»

13 Nony nandre izany teny izany i Pilaty dia nitondra an’i Jesoa nivoaka, ka nipetraka teo amin’ny fitsarana, amin’ny fitoerana atao hoe Litôstrôtôs, na Gabatà amin’ny teny hebrio.

14 Andro fiomanana amin’ny Paka tamin’izay ary tokony ho tamin’ny ora fahenina; dia izao no nolazain’i Pilaty tamin’ny Jody: «Indro ny Mpanjakanareo.»

15 Fa niantsoantso izy ireo nanao hoe: «Esory, esory, fantsiho amin’ny Hazofijaliana Izy.» Ka hoy i Pilaty taminy: «Dia hofantsihako amin’ny Hazofijaliana ve ny Mpanjakanareo?» Fa hoy ny lohan’ny mpisorona hoe: «Izahay tsy mana-mpanjaka afa-tsy i Sezara.»

16 Tamin’izay dia natolony azy hofantsihana i Jesoa.

Ny namantsihana an’i Jesoa amin’ny Hazofijaliana

Ka noraisin’izy ireo Izy, dia nentiny.

17 Nentin’i Jesoa ny Hazofijaliany, dia tonga teo amin’ny toerana atao hoe KalveryIzy, na hoe Gôlgôtà amin’ny teny hebrio.

18 Teo no namantsihany Azy tamin’ny hazofijaliana, niaraka tamin’ny roa lahy hafa koa izay nofantsihana teo an-daniny roa, fa i Jesoa teo afovoany.

19 Ary nanao soratra i Pilaty napetany teo an-dohan’ny Hazofijaliana, ka izao no vakiny: «Jesoa avy any Nazareta mpanjakan’ny Jody.»

20 Betsaka ny Jody namaky io soratra io, fa akaikin’ny tanàna ny toerana namantsihana an’i Jesoa; sady vita tamin’ny teny hebrio sy grika ary latinina ny soratra.

21 Ka hoy ny mpisoron’ny Jody tamin’i Pilaty: «Aza atao hoe mpanjakan’ny Jody, fa hoe Izy nilaza hoe: Mpanjakan’ny Jody Aho.»

22 Fa hoy i Pilaty hoe: «Izay voasoratro dia voasoratro.»

Ny nizaràna ny fitafiany

23 Rehefa voafantsiky ny miaramila tamin’ny Hazofijaliana Izy, nalainy ny fitafiany ka nozarainy efatra, dia samy nanana ny anjarany avy izy; toy izany koa ny akanjony rebareba. Saingy tsy nizaitra kosa ny akanjony, fa tenona iray ihany hatrany ambony ka hatrany ambany,

24 ka nifampilaza izy ireo hoe: «Aoka tsy hotriarintsika izy, fa aoka hilokàntsika, dia ho lasan’izay hahazo ny loka.» Koa tanteraka tamin’izany ny Soratra Masina manao hoe:Nozarainy ny fitafiako, ary nilokany ny akanjoko.

Dia izany no nataon’ny miaramila.

I Jesoa sy ny Reniny

25 Ary nitsangana teo akaikin’ny Hazofijalian’i Jesoa ny reniny sy ny rahavavin-dreniny, dia i Maria vadin’i Kleôfasy, ary i Maria Madelenina.

26 Nony hitan’i Jesoa ny ireniny sy ilay mpianany malalany nitsangana teo akaikiny, dia hoy Izy tamin-dreniny: «Ravehivavy, indro ny zanakao.»

27 Ary hoy koa Izy tamin’ilay mpianatra: «Indro ny reninao.» Ka hatramin’izay dia noraisin’ilay mpianatra ho any aminy izy.

Ny nahafatesan’i Jesoa

28 Nony afaka izany, dia fantatr’i Jesoa fa efa tanteraka ny zavatra rehetra, ka hoy Izy mba hahatanteraka ny Soratra Masina: «Mangetaheta aho.»

29 Ary nisy bakoly feno vinaingitra kosa teo, ka nalaina ny spônjy novontosana vinaingitra, sy notohizina tamin’ny hazo hisopa, dia natohoka teo am-bavany.

30 Vao nanandrana ny vinaingitra Izy dia nanao hoe: «Tanteraka ny zavatra rehetra.» Dia nanondrika ny lohany izy ka niala aina.

Ny nandefonana an’i Jesoa

31 Ary andro fiomanana tamin’izay, ka nangataka tamin’i Pilaty ny Jody mba hotapahina ny ranjon’izy ireo, dia hoesorina, mba tsy hisy faty mihantona amin’ny hazofijaliana amin’ny andro sabata (fa andro lehibe izany sabata izany).

32 Dia tonga ny miaramila ka nanapaka ny ranjon’ny voalohany sy ny an’ilay anankiray niara-nofantsihana taminy koa;

33 fa nony nankeo amin’i Jesoa izy ireo, dia hitany fa efa maty sahady Izy, ka tsy mba notapahiny ny ranjony.

34 Fa nolefonin’ny miaramila anankiray kosa ny tratrany, ka nisy ra sy rano nivoaka niaraka tamin’izay.

35 Ary ilay nahitano milaza, ka marina ny filazany, sady fantany fa milaza ny marina izy, mba hinoanareo koa.

36 Ary izany no tonga dia mba hahatanteraka ny Soratra Masina hoe:

«Tsy hisy hotapahinany taolany, na dia iray aza.»

37 Ary hoy indray koa ny Soratra Masina: «Hijery Izay nolefoniny izy.»

Ny nandevenana an’i Jesoa

38 Rehefa afaka izany, i Josefa avy any Arimatia, izay mpianatr’i Jesoa an-tsokosoko noho ny fahatahorany ny Jody dia nangataka tamin’i Pilaty mba haka ny fatin’i Jesoa, ka neken’i Pilaty izany. Dia lasa izy naka ny fatin’i Jesoa.

39 Ary tonga koa i Nikôdema, ilay nanatona an’i Jesoa nony alina tamin’ny voalohany, nitondra mira sy aloesy nampifangaroina, tokony ho zato livatra.

40 Koa nalainy ny fatin’i Jesoa, dia nasiany zava-manitra sy nofonosiny lamba araka ny fanaon’ny Jody amin’ny fandevenana.

41 Nisy saha anankiray kosa tao amin’ilay toerana namantsihana an’i Jesoa, ary nisy fasana vaovao tsy mbola nandevenana olona tao anatin’ilay saha.

42 Ka noho ny maha-andro fiomanan’ny Jody tamin’izay dia tao no nandevenany an’i Jesoa, satria akaiky ny fasana.

Categories
Joany

Joany 20

Ny fasana foana

1 Ary tamin’ny andro voalohan’ny herinandro, dia lasa maraina koa mbola maizina nankany amin’ny fasana i Madelenina, ka nahita fa voaesotra tamin’ny fasana ny vato.

2 Dia lasa izy nihazakazaka nankany amin’i Simôna Piera sy ilay mpianatra malalan’i Jesoa, ka nanao tamin’ireo hoe: «Nalain’olona tao am-pasana ny Tompo, ka tsy fantatray izay nametrahany Azy.»

3 Dia mba lasa koa i Piera sy ilay mpianatra anankiray nankany amin’ny fasana,

4 ka niara-nihazakazaka izy roalahy, saingy nandeha faingampaingana kokoa ilay mpianatra anankiray, ka tonga talohan’i Piera tao amin’ny fasana.

5 Dia niondrika izy, ka nahita ny lamba nipetraka teo, nefa tsy niditra.

6 Nony tonga kosa i Piera nanarakaraka azy, dia niditra teo am-pasana ka nahita ny lamba nipetraka teo,

7 sy ny lamba nasarona ny lohany, tsy niara-nipetraka tamin’ny lamba fa nivalona nitokana terỳ.

8 Dia niditra koa ilay mpianatra izay tonga taloha teo amin’ny fasana, ary nahita ka nino.

9 Fa tsy mbola fantatr’izy ireo ny Soratra Masina milaza fa tsy maintsy hitsangan-ko velona avy any amin’ny maty i Jesoa.

10 Dia lasa ny mpianatra nody tany aminy.

Ny nisehoan’i Jesoa tamin’i Maria avy any Magdala

11 Fa i Mariakosa nijanona nitomany teo ivelan’ny fasana. Ary teo am-pitomaniana, dia niondrika nitsirika ny tao anaty fasana izy,

12 ka nahita Anjely roa niakanjo fotsy, nipetraka tao amin’izay nipetrahan’ny vatan’i Jesoa, ny iray teo an-doha, ary ny iray teo an-tongotra.

13 Dia hoy izy ireo taminy: «Ravehivavy, nahoana no mitomany ianao?» Ka hoy izy namaly ireo: «Satria nalain’olona ny Tompoko, ka tsy fantatro izay nametrahany Azy.»

14 Nony avy nilaza izany izy dia nitodika, ka nahita an’i Jesoa nitsangana teo, nefa tsy fantany hoe i Jesoa io.

15 Ary hoy i Jesoa taminy: «Ravehivavy, nahoana no mitomany ianao? Iza no tadiavinao?» Nataony ho mpiandry saha io, ka hoy izy taminy: «Raha ianao re no naka Azy, Tompoko, mba atoroy ahy kely izay nametrahanao Azy, hangalako Azy.»

16 Dia hoy i Jesoa taminy: «Ry Maria!» Dia nitodika izy ka nanao taminy hoe: «Rabòny!» (izany hoe Mpampianatra).

17 «Aza mikasika Ahy, hoy i Jesoa taminy, fa mbola tsy niakatra tany amin’ny Ray Aho, fa mandehana mankany amin’ny rahalahiko, ka lazao aminy hoe: Miakatra ho any amin’ny Raiko sy Rainareo Aho, ary any amin’Andriamanitro sy Andriamanitrareo.»

18 Dia lasa i Maria Madelenina ka nilaza tamin’ny mpianatra hoe: «Efa nahita ny Tompo aho, ary izany no nolazainy tamiko.»

Ny nisehoany tamin’ireo mpianatra

19 Androtr’izay ihany, izany hoe harivan’ilay andro voalohan’ny herinandro, raha nirindrina ny varavaran’ny trano nivorian’ny mpianatra noho ny fahatahorany ny Jody, dia tonga i Jesoa ka nitsangana teo afovoany, sy nilaza tamin’ireo hoe: «Ho aminareo anie ny fiadanana!»

20 Nony efa nilaza izany izy, dia nasehony azy ireo ny tanany sy ny tratrany ka faly ny mpianatra fa nahita ny Tompo.

21 Dia hoy indray Izy tamin’izy ireo: «Ho aminareo anie ny fiadanana! Tahaka ny nanirahan’ny Raiko Ahy no anirahako anareo koa.»

22 Rehefa nilaza izany Izy, dia nitsokaka nanao tamin’izy ireo hoe: «Raiso ny Fanahy Masina:

23 ny fahotana izay havelanareo dia ho voavela, ary izay hotananareo dia ho voatana.»

24 Fa i Tomà ilay atao hoe Didimo, anankiray tamin’ny roa ambin’ny folo lahy kosa, tsy mba tao amin’izy ireo tamin’ny nahatongavan’i Jesoa.

25 Ka hoy ireto mpianatra sasany taminy: «Efa nahita ny Tompo izahay.» Fa hoy izy tamin’ireo: «Raha tsy hitako ao amin’ny tanany ny loaky ny fantsika ka atsofoko eo amin’ny loaky ny fantsika ny rantsan-tanako, ary atehiko amin’ny tratrany ny tanako, dia tsy hino aho.»

26 Nony afaka havaloana, raha mbola nivory tao an-trano ihany ny mpianany sady teo koa i Tomà, dia tonga i Jesoa, nefa nirindrina ny varavarana. Nitsangana teo afovoany Izy ka nanao hoe: «Ho aminareo anie ny fiadanana!»

27 Ary hoy izy tamin’i Tomà: «Ataovy eto ny rantsan-tananao, ka zahao ny tanako, ary arosoy ny tananao, ka atehefo eto amin’ny tratrako; dia minoa, fa aza malain-kino.»

28 Dia namaly i Tomà ka nanao taminy hoe: «Tompoko sy Andriamanitro!»

29 Fa hoy i Jesoa taminy: «Nino ianao, ry Tomà, satria nahita Ahy; sambatra izay tsy nahita ka nino.»

FAMARANANA

30 Maro koa ny fahagagana hafa nataon’i Jesoa teo imason’ny mpianany no tsy voasoratra amin’ity boky ity.

31 Fa voasoratra ireto mba hinoanareo fa i Jesoa no Kristy Zanak’Andriamanitra, ary mba hahazoanareo ny fiainana amin’ny Anarany, amin’ny finoana Azy.

Categories
Joany

Joany 21

Ny nisehoan’i Jesoa teo amin’ny ranomasin’i Tiberiady

1 Taorian’izany, dia niseho tamin’ny mpianany teo amoron-dranomasin’i Tiberiady indray i Jesoa, ary toy izao no nisehoany.

2 Tafaraka i Simôna Piera sy i Tomà izay atao hoe Didimo, ary i Natanaely izay avy tany Kanàn’i Galilea, mbamin’ireo zanak’i Zebede sy mpianatra roa lahy hafa koa.

3 Fa hoy i Simôna Piera tamin’izy ireo: «Handeha hanarato aho.» Fa hoy ireo taminy: «Handeha hiaraka aminao koa izahay.» Dia nandeha izy rehetra ka niditra tao an-tsambo kely, nefa tsy nahazo na inona na inona izy tamin’iny alina iny.

4 Nony maraina ny andro, dia tonga teo amoron-drano i Jesoa; kanefa tsy fantatry ny mpianatra hoe i Jesoa Izy.

5 Ka hoy i Jesoa tamin’izy ireo: «Manan-kanina va ianareo, anaka?» Dia hoy ny navaliny Azy: «Tsia.»

6 «Alatsaho ao ankavanan’ny sambo kely àry ny haratonareo, hoy Izy tamin’izy ireo, fa hahazo ianareo.» Dia nalatsany ny harato ka tsy zakany nakarina noho ny habetsahan’ny hazandrano.

7 Ary hoy ilay mpianatra malalan’i Jesoa tamin’i Piera: «Ny Tompo io.» Nony ren’i Simôna Piera fa hoe ny Tompo io, dia noraisiny nisikinany ny akanjony ivelany fa efa nesoriny ka nirotsaka tamin’ny ranomasina izy.

8 Ny mpianatra sasany kosa nandeha an-tsambo kely (fa tsy lavitra ny tany izy, fa tokony ho roan-jato hakihomonja), nitarika ny harato feno hazandrano.

9 Nony tafakatra teo an-tanety izy ireo, dia nahita vainafo sy hazandrano iray teo amboniny ary mofo.

10 Ary hoy i Jesoa taminy: «Itondray ny hazandrano vao azonareo.»

11 Dia niakatra i Simôna Piera, ka nitarika ny harato feno hazandrano vaventy telo amby dimampolo amby zato; nefa tsy rovitra ny harato, na dia betsaka toy izany aza izy.

12 Dia hoy i Jesoa tamin’izy ireo: «Avia hisakafo.» Ny mpianatra izany tsy nisy na iray aza sahy nanontany Azy hoe: Iza moa Ianao? satria fantany ihany fa ny Tompo io.

13 Dia nanatona i Jesoa, nandray ny mofo, sy nanome azy ireo; ary toy izany koa ny hazandrano.

14 Izay no fanintelonynisehoan’i Jesoa tamin’ny mpianany, rehefa nitsangan-ko velona Izy.

15 Nony avy nisakafo izy ireo, dia hoy i Jesoa tamin’i Simôna Piera: «Ry Simôna zanak’i Joany, moa tia Ahy mihoatra noho ireto va ianao?» Ka hoy ny navaliny Azy: «Eny, Tompoko, fantatrao fa tiako Ianao.» Dia hoy Izy taminy: «Fahano ny zanak’ondriko.»

16 Ary hoy indray Izy taminy fanindroany: «Ry Simôna zanak’i Joany, moa tianao va Aho?» Ka hoy ny navaliny Azy: «Eny, Tompoko, fantatrao fa tiako Ianao.» Dia hoy Izy taminy: «Fahano ny zanak’ondriko.»

17 Ary hoy indray Izy taminy fanintelony: «Ry Simôna zanak’i Joany, moa tianao va Aho?» Dia nalahelo i Piera fa nanontaniany fanintelony hoe: Moa tia Ahy va ianao? ka hoy izy taminy: «Ianao mahalala ny zavatra rehetra, Tompoko, ka fantatrao fa tiako Ianao.» Dia hoy Izy taminy: Fahano àry ny reniondriko.

18 Lazaiko marina dia marina aminao: Fony mbola tanora ianao, dia nahasikin-tena, sy nandeha tamin’izay tianao haleha; fa rehefa antitra kosa ianao, dia hiraviravy ny tananao, ka olon-kafa no hanasikina anao, sy hitondra anao amin’izay tsy tianao.

19 Izy no nilaza izany dia mba hanambara ny fombam-pahafatesana hanomezan’i Piera voninahitra an’Andriamanitra. Ary rehefa nilaza izany Izy, dia nanao taminy hoe: «Manaraha Ahy.»

20 Nony nitodika i Piera, dia hitany teo aoriany ilay mpianatra malalan’i Jesoa izay niankina tamin’ny tratrany teo am-pisakafoana sy nanao hoe: «Tompoko, iza no hamadika Anao?»

21 Ary nony nahita azy i Piera dia hoy izy tamin’i Jesoa: «Tompoko, mba inona kosa no ho anjaran’ity?»

22 Dia hoy i Jesoa taminy: «Raha tiako hitoetra izymandra-piaviko, mampaninona anao izany? Fa manaraha Ahy ianao.»

23 Dia niely tamin’ny rahalahy fa hoe tsy ho faty izany mpianatra izany; nefa i Jesoa tsy nilaza hoe tsy ho faty izy, fa hoe: Raha tiako hitoetra izy mandra-piaviko, mampaninona anao izany?

Famaranana

24 Izy no ilay mpianatra manambara izany sy nanoratra azy, ary fantatsika fa marina ny filàzany.

25 Maro koa ny zavatra hafa nataon’i Jesoa, ka raha izany rehetra izany no hosoratana tsirairay, dia ataoko fa na izao tontolo izao aza tsy ho omby ny boky hosoratana.

Categories
Asan’i Apôstôly

Asan’i Apôstôly 1

TENY MIALOHA

1 Ry Teôfily, efa voalazako tamin’ny boky voalohany ny zavatra rehetra nataon’i Jesoa sy nampianariny,

2 hatramin’ny andro nampiakarana Azy, nony efa nomeny ny didiny tamin’ny alalan’ny Fanahy Masina ny Apôstôly izay nofidiny.

3 Taorian’ny nijaliany, dia maro ny porofo nentiny nanamarina tamin’izy ireo fa velona tokoa Izy, sady niseho taminy nandritra ny efapolo andro Izy, ary nilazalaza ny momba ny fanjakan’Andriamanitra tamin’izy ireo.

4 Ary ilay niaraka tamin’izy ireo iny Izy, dia nanafatra azy mba tsy hiala ao Jerosalema, fa hiandry izay nampanantenain’ny Ray, araka ny efa renareo tamin’ny vavako, hoy Izy.

5 Fa i Joany nanao batemy tamin’ny rano, ary ianareo kosa hatao Batemy amin’ny Fanahy Masina, raha afaka andro vitsivitsy.

Ny Niakaran’i Jesoa any an-danitra

6 Ka izay tafangona teo dia nanontany Azy hoe: «Tompoko, amin’izay va no fotoana hanangananao ny fanjakan’i Israely indray?»

7 Fa hoy ny navaliny azy ireo: «Tsy anareo ny mahalala ny andro na fotoana izay efa nalahatry ny Ray amin’ny fahefany.

8 Fa rehefa hidinan’ny Fanahy Masina ianareo dia hahazo hery, ka ho vavolombeloko any Jerosalema sy eran’i Jodea ary i Samaria ka hatrany amin’ny fara vazantany.»

9 Nony efa nilaza izany Izy, dia nakarina teo anatrehan’izy ireo; ary nisy rahona nanakona Azy, ka tsy hitan’ny masony intsony Izy.

10 Raha mbola nibanjina ny lanitra teo izy ireo, tamin’i Jesoa nisondrotra nisondrotra ihany, dia indro nisy roa lahy niakanjo fotsy niseho teo anilany,

11 nanao hoe: «Ry lehilahy avy any Galilea, nahoana ianareo no mijanona eto mibanjina ny lanitra? Iny i Jesoa nalaina taminareo ho any an-danitra iny, dia mbola ho avy indray tahaka ny nahitanareo Azy niakatra any an-danitra.»

Ireo Apôstôly tafangona

12 Tamin’izay izy ireo dia niverina tany Jerosalema, avy teo amin’ny tendrombohitra atao hoe Oliva, izay lalana azo aleha sabataraha eo Jerosalema.

13 Nony tonga, dia niakatra tao amin’ilay rihanafitoerany izy ireo, dia i Piera sy i Joany, i Jakôba sy i Andre, i Filipo sy i Tomà, i Bartelemy sy i Matio, i Jakôba zanak’i Alfe sy i Simôna Zelôty, ary i Jodà rahalahin’i Jakôba.

14 Niray saina izy rehetra, ary naharitra nivavaka niaraka tamin’ny vehivavy sasany, sy i Maria Renin’i Jesoa, ary ny rahalahiny.

Ny nifidianana an’i Matiasy

15 Tamin’izany andro izany dia nitsangana teo afovoan’ireo mpino i Piera (tokony ho roapolo amby zato ny isan’izy nivory teo) ka nanao hoe:

16 Ry hava-malala, tsy maintsy tanteraka ilay Soratra voalazan’ny Fanahy Masina tamin’ny vavan’i Davida momba an’i Jodasy, izay nitarika ny mpisambotra an’i Jesoa;

17 fa anisantsika ihany koa izy, sady nanana anjara tamin’izao fandraharahantsika izao.

18 Nefa nahazo sahatamin’ny tambin’ny otany iny lehilahy iny, ary lavo nihohoka izy ka vaky ny kibony, sady niparitaka ny tsinainy.

19 Zavatra fantatry ny mponina rehetra eto Jerosalema izany, ka io saha io dia nahazo anarana tamin’ny fiteniny hoe Haseldamà, izany hoe sahan-dra.

20 Ary izany indrindra no voasoratra ao amin’ny bokin’ny Salamo hoe:

Aoka ho lao ny fonenany,

ka tsy honenan’olona akory›;ary koa:

‹Aoka ho lasan’olon-kafa ny anjara raharahany.

21 Koa amin’ireo lehilahy niaraka tamintsika tamin’ny andro rehetra nitoeran’i Jesoa Tompo teto amintsika,

22 hatramin’ny nanaovan’i Joany batemy Azy ka hatramin’ny andro niakarany any an-danitra, dia aoka hisy anankiray ho namantsîka mba ho vavolombelon’ny nitsanganany ho velona.

23 Dia nanokana roa lahy tamin’izy ireo izy, dia i Josefa atao hoe Barsabasy sy nampiana anarana hoe ilay Marina, ary i Matiasy,

24 ka nivavaka nanao hoe: «Tompo ô, Ianao no mahalala ny fon’ny olona rehetra, ka asehoy izay voafidinao amin’izy roa lahy ireto,

25 mba hanana anjara amin’izao fandraharahan’ny Apôstôly izao, izay nialan’i Jodasy hankanesany any amin’ny fitoerany.»

26 Dia nanaovany loka izy roa lahy, ary i Matiasy no nahazo ny loka, ka izy no lany ho isan’ny Apôstôly roa ambin’ny folo lahy.

Categories
Asan’i Apôstôly

Asan’i Apôstôly 2

Ny Pantekôty

1 Nony tonga ny andro Pantekôty, dia tafavory tao amin’ny trano anankiray izy rehetra,

2 ary tampoka, injay nisy feo avy any an-danitra toy ny rivotra mifofofofo mafy ka nahenika ny trano nitoerany,

3 sady nisy lela maro mitarehin’afo niseho taminy sy nizarazara nipetraka teny amboniny tsirairay avy,

4 ka samy feno ny Fanahy Masina izy rehetra, sy niteny tamin’ny fiteny maro samihafa, araka ny nampitenenan’ny Fanahy Masina azy avy.

5 Ary nisy Jody mpivavaka tsara nitoetra tao Jerosalema, avy tamin’ny firenena rehetra ambanin’ny lanitra.

6 Nony nahare izany izy ireo, dia nidodododo maro be ka very hevitra izay tsy izy, fa samy nandre azy ireo niteny ny fiteniny avy izy rehetra.

7 Gaga sy talanjona izy ireo ka vaky nanao hoe: «Andre! tsy avy any Galilea daholo va ireo miteny ireo?

8 Ka ahoana àry ity isika no samy mandre azy miteny ny fitenin-drazantsika avy;

9 dia ny Parta, ny Meda, ny Elamita, sy ny mponina any Mesôpôtamia, Jodea, Kapadôsa, Pônto, Azia,

10 Frijia, Panfilia, Ejipta, ary ny any Libia akaikin’i Sirena, sy ny vahiny avy any Rôma,

11 na Jody na Prôselita, ary ny any Kreta sy ny Arabo, dia ahoana no samy mandre azy ireo milaza amin’ny fitenintsika avy ny zava-mahagaga ataon’Andriamanitra isika rehetra.»

12 Zendana foana izy rehetra fa tsy nahita izay antony, ka nifampilaza hoe: «Inona re no hevitr’izao e?»

13 Fa ny sasany kosa naneso nilaza hoe: «Mamon-divay vaovao ry zareo.»

Lahatenin’i Piera tamin’ny vahoaka

14 Tamin’izay, dia nitsangana niaraka tamin’ny iraika ambin’ny folo lahy i Piera ka nanao antso avo tamin’ireo hoe: Ry Jody sy ianareo rehetra izay mitoetra eto Jerosalema, fantaro tsara izao, ary mampandria sofina amin’ny teniko.

15 Tsy mamo araka ny hevitrareo akory ireo olona ireo, fa vao amin’ny ora fahateloihany izao ny andro.

16 Fa izao hitanareo izao no ilay nambaran’ny mpaminany Joely hoe.

17 Amin’ny andro farany, hoy ny Tompo,dia handrotsahako amin’ny nofo rehetra ny Fanahiko, ka haminany ny zanaka lahinareo sy ny zanaka vavinareo, ary hahita tsindry mandry ny zatovonareo ary hanonofy ny antidahinareo;

18 eny, amin’izany andro izany dia handrotsahako amin’ny mpanompoko ny Fanahiko, ka haminany izy ireo na lahy na vavy.

19 Hampiseho fahagagana eny amin’ny habakabaka ambony Aho, sy famantarana ety amin’ny tany ambany, dia ra sy afo ary zavon-tsetroka.

20 Ny masoandro hanjary maizina, ary ny volana ho ra, alohan’ny hahatongavan’ny andron’ny Tompo, dia ilay sady lehibe no malaza;

21 ary na iza na iza no hiantso ny Anaran’ny Tompo amin’izay, dia ho voavonjy.

22 Ry lehilahy Israelita, henoy izao teny izao: i Jesoa avy any Nazareta, Lehilahy nankatoavin’Andriamanitra teo imasonareo tamin’ny asa lehibe sy ny fahagagana ary ny famantarana nampanaoviny Azy teo aminareo, araka ny fantatry ny tenanareo,

23 dia natolotra araka ny lahatr’Andriamanitra tsy miovaova sy ny fahalalany mialoha, ka nofantsihanareo tamin’ny Hazofijaliana sy novonoinareo tamin’ny tanan’ny ratsy fanahy;

24 fa Andriamanitra kosa nanangana Azy ho velona sy nahafaka Azy tamin’ny fatoran’ny fahafatesana, satria tsy azo atao ny hihazonan’izany Azy,

25 araka ny voalazan’i Davida ny aminy hoe:Nijery ny Tompo teo anatrehako lalandava aho, satria eo ankavanako Izy mba tsy hihozongozona aho.

26 Noho izany, ny foko miravoravo, ny lelako mirobiroby, ary ny nofoko hitombina amin’ny fanantenana,

27 fa tsy ho foinao ao amin’ny fitoeran’ny maty ny aiko, ary tsy hatolotrao hafoy ho tratry ny lo ny Masinao.

28 Nampahafantatra ahy ny lalan’aina Ianao, ary nameno hafaliana ahy amin’ny fampisehoana ny Tavanao amiko.

29 Ry hava-malala, aoka holazaiko marimarina aminareo fa ny amin’i Davida razantsika dia efa maty izy ka nalevina, ary eto amintsika mandraka androany ny fasany.

30 Fa noho ny maha mpaminany azy, sy noho ny fahalalany ny tenynapetrak’Andriamanitra taminy tamim-pianianana fa anankiray amin’ny taranany no hapetrany handimby azy amin’ny fanjakany,

31 dia ny fitsanganan’i Kristy ho velona avy any amin’ny maty, izay efa tsinjony mialoha, no nilazany fatsy ho foiny ao amin’ny fitoeran’ny maty izy, ary ny nofony tsy ho tratry ny lo.

32 Izany Jesoa izany no natsangan’Andriamanitra ho velona, ary vavolombelon’izany izahay rehetra;

33 ary nony efa nakarin’ny tanana ankavanan’Andriamanitra Izy sy efa nandray tamin’ny Ray ny Fanahy Masina nampanantenaina, dia nampidina izany Fanahy izany, araka izao hitanareo sy renareo izao.

34 Fa i Davida tsy niakatra any an-danitra; nefa tenany no nilaza hoe:Ny Tompo nilaza tamin’ny Tompoko hoe: Mipetraha eo ankavanako,

35 ambara-panaoko ny fahavalonao ho fitoeran-tongotrao.

36 Koa amin’izany àry, aoka ho fantatry ny taranak’i Israely rehetra marimarina fa iny Jesoa nofantsihanareo tamin’ny Hazofijaliana iny, no nataon’Andriamanitra ho Tompo sy Kristy.

Ireo olona nibebaka voalohany

37 Voatsindron’izany teny izany ny fon’ny olona, ka hoy izy tamin’i Piera sy ireo Apôstôly namany: «Inona àry, ry zareo, no hataonay?»

38 Dia hoy i Piera tamin’izy ireo: «Mibebaha, ary aoka samy hatao Batemy amin’ny Anaran’i Jesoa Kristyianareo rehetra mba hahazo ny famelana ny fahotanareo, dia handray ny Fanahy Masina homena anareo.

39 Satria ho anareo no nanaovana ny fampanantenana, sy ho an’ny zanakareo, aryho an’izay rehetra any lavitra any,rehefa metyho nantsoin’ny Tompo Andriamanitsika.»

40 Ary nanambara sy namporisika azy tamin’ny teny maro hafa koa izy nanao hoe: «Vonjeo ny tenanareo mba ho afaka amin’ity taranaka ratsy ity.»

41 Dia natao Batemy izay nandray tsara ny teniny, ka niampy tokony ho telo arivo ny isan’ny mpianatra tamin’izany andro izany.

Ny iray Fiangonana voalohany

42 Ary nazoto izy ireo tamin’ny fampianaran’ny Apôstôly sy ny famonjem-pivoriana, ary tamin’ny famakiana ny mofo, sy ny fivavahana rehetra.

43 Betsaka koa ny fahagagana sy ny famantarana nataon’ny Apôstôly tao Jerosalema, ka raiki-tahotra ny olona rehetra.

44 Niray toerana ny mpino rehetra, dia niombonany ny fananany rehetra,

45 sy namidiny ny taniny sy ny fananany, ka nozarainy tamin’izy rehetra, araka izay nilainy avy.

46 Nazoto niara-nankao amin’ny Tempoly isan’andro izy rehetra, sy namaky mofotany an-tranony ary nihinan-kanina tamin-kafaliana sy fahatsoram-po,

47 niara-nidera an’Andriamanitra sady tsara laza tamin’ny vahoaka rehetra. Ary nanampin’ny Tompo isan’andro ho isan’izy ireo, ny olom-bonjena.

Categories
Asan’i Apôstôly

Asan’i Apôstôly 3

Ny nanasitranana an’ilay malemy

1 Ary i Piera sy i Joany nankao an-Tempoly tamin’ny fotoam-pivavahana amin’ny ora fahasivy.

2 Nisy kosa lehilahy anankiray malemy tongotra hatrany an-kibon-dreniny nentina isan’andro sy napetraka teo am-baravaran’ny Tempoly atao hoe Tsaraendrika, mba hangataka fiantrana tamin’izay niditra tao an-Tempoly.

3 Nony nahita an’i Piera sy i Joany ndeha hiditra ny Tempoly ralehilahy io, dia nangataka fiantrana tamin’izy ireo.

4 Nibanjina azy i Piera mbamin’i Joany nanao hoe: «Jereo izahay.»

5 Dia nataony tsara jery izy ireo, fa nanantena hahazo zavatra taminy izy.

6 Fa hoy i Piera: «Tsy manam-bolafotsy na volamena aho; fa izay ananako no omeko anao: Amin’ny Anaran’i Jesoa Kristy avy any Nazareta, mamindrà.»

7 Sady noraisiny tamin’ny tanany ankavanana izy sy natsangany. Natanjaka niaraka tamin’izay ny ranjony sy ny tongony,

8 dia niantsàmbotra izy sy nijoro ary namindra, ka niara-niditra tamin’izy ireo tao an-Tempoly namindra sy niantsambotsàmbotra, ary nidera an’Andriamanitra.

9 Nahita azy namindra sy nidera an’Andriamanitra ny vahoaka rehetra,

10 sady fantany tsara fa izy io indrindra no ilay nipetraka teo am-baravaran’ny Tempoly atao hoe Tsaraendrika mba hangataka fiantrana, ka gaga sy talanjona izy ireo noho ny zavatra nitranga tamin-dralehilahy.

Lahatenin’i Piera tamin’ny vahoaka

11 Ary noho izy io tsy niala teo amin’i Piera sy i Joany, dia nidodododo ny vahoaka nankeo amin’izy ireo teo amin’ny lavarangan’i Salômôna ka talanjona.

12 Nony nahita izany i Piera, dia niteny tamin’ny vahoaka hoe: Ry Israelita, nahoana no gaga amin’izany ianareo, ary nahoana no mibanjina anay? Angaha ataonareo fa ny herinay sy ny fahamasinanay no mampamindra azy io?

13 Ny Andriamanitr’i Abrahama sy i Isaaka ary i Jakôba, Andriamanitry ny razantsika, no nanome voninahitra an’i Jesoa Zanany,izay natolotrareo sy nolavinareo teo anatrehan’i Pilaty, na dia nataony halefa aza Izy.

14 Ny Masina sy ny Marina nolavinareo, fa ny lehilahy mpamono olona no nangatahanareo famelana.

15 Ianareo namono ny Tompon’ny aina; fa Andriamanitra kosa nanangana Azy ho velona, ary izahay ireto no vavolombelon’izany.

16 Noho ny finoana ny Anarany no nampahatanjahan’ny Anarany an’io lehilahy hitanareo sy fantatrareo io; eny, ny finoana avy aminy no nanome azy izao fahasitranana tsara teo imasonareo rehetra izao.

17 Ary ankehitriny, ry hava-malala, fantatro tsara fa ny tsy fahalalana no nanaovanareo izany, toy izany koa ireo mpifehy anareo;

18 fa notanterahin’Andriamanitra tamin’izany kosa izay voalazany rahateo tamin’ny vavan’ny mpaminany rehetra fa hijaly i Kristy.

19 Koa mivaloza, ary mibebaha, mba hovonoina ny helokareo.

20 ka ho tonga ny andro mahavelombelona avy amin’ny Tompo, sy hanirahany an’Ilay voatendry ho anareo, dia i Jesoa Kristy,

21 Ilay tsy maintsy horaisin’ny lanitra ambara-piavin’ny andro fanavaozana ny zavatra rehetra, araka izay voalazan’Andriamanitra tamin’ny vavan’ny mpaminany masina, hatramin’ny ela.

22 Fa hoy i Môizy hoe:Ny Tompo Andriamanitrareo hanangana ho anareo Mpaminany tahaka ahy avy amin’ny rahalahinareo; Izy no hohenoinareo amin’izay rehetra holazainy aminareo,

23 fa izay rehetra tsy hihaino izany Mpaminany izany, dia haringana tsy ho eo amin’ny vahoaka intsony.

24 Ary ny mpaminany rehetra izay niteny hatramin’i Samoely no mankatỳ dia samy nanambara izao andro izao avokoa.

25 Ianareo no zanaky ny mpaminany sy ny fanekena nataon’Andriamanitra tamin’ny razantsika, raha Izy nilaza tamin’i Abrahama hoe:Ny taranakao no hanasoavana ny firenena rehetra ambonin’ny tany,

26 ka ho anareo aloha no nananganan’Andriamanitra ny Mpanompony, sy nanirahany Azy hanasoa anareo mba samy hialanareo amin’ny ratsy nataonareo avy.

Categories
Asan’i Apôstôly

Asan’i Apôstôly 4

I Piera sy i Joany teo anatrehan’ny Sanedrìna

1 Raha mbola niteny tamin’ny vahoaka i Piera sy i Joany, dia indreo tonga ny mpisorona maro, sy ny lehiben’ny mpiambina ny Tempoly, ary ny Sadoseanina,

2 sosotra izy ireo noho ny nampianaran’izy roa lahy ny vahoaka sy nitoriany ny fitsanganan’ny maty efa hita tamin’i Jesoa,

3 ka nosamboriny izy ireo, sy nataony an-tranomaizina ambara-pahamaraina ny andro; fa efa hariva ny andro tamin’izay.

4 Maro anefa tamin’izay nandre ny tenin’izy ireo no nino, ka tonga dimy arivo ny isan’ny lehilahy.

5 Nony ampitso, dia nivory tao Jerosalema ny mpifehy, ny loholona, ny mpanora-dalàna,

6 ary i Ana lehiben’ny mpisorona, i Kaifa, i Joany, i Aleksandra, mbamin’ny havan’ny mpisorona rehetra,

7 ka nasainy nentina teo anatrehany izy roa lahy, dia nanontaniany hoe: «Amin’ny fahefan’iza, na amin’ny anaran’iza no anaovanareo izany?»

8 Tamin’izay i Piera dia feno ny Fanahy Masina ka nilaza tamin’izy ireo hoe: «Ry mpifehy ny vahoaka sy loholon’i Israely,

9 raha ny amin’ny soa nataonay tamin’ilay lehilahy nalemy sy ny nahasitrana azy no anadinana anay anio,

10 dia aoka ho fantatrareo rehetra sy ny vahoaka Israely rehetra fa ny Anaran’i Jesoa Kristy avy any Nazareta, Izay nofantsihanareo tamin’ny Hazofijaliana, fa natsangan’Andriamanitra ho velona, no nahasitrana io lehilahy mitsangana eto imasonareo io.

11 Iny Jesoa iny novato narianareo mpanao trano, kanjo tonga vato fehizoro kosa;

12 ary tsy misy hafa hahitana famonjena, fa tsy misy anaran-kafa ambanin’ny lanitra nomena ny olona hahazoantsika famonjena.»

13 Dia gaga ry zareo nahita ity hasahian’i Piera sy i Joany, satria fantany fa sarambaben’olona sy tsy nahita fianarana izy roa lahy, ary tandriny koa fa olona efa niaraka tamin’i Jesoa izy ireo;

14 nefa tsy hitany izay hanoherany azy ireo noho ilay lehilahy sitrana hitany nitsangana teo akaikin’izy roa lahy.

15 Ka dia nasainy niala teo amin’ny fivoriana aloha izy roa lahy, ary izy ireo kosa niara-nihevitra,

16 nanao hoe: «Inona no hataontsika amin’ireo lehilahy ireo? Raha ny fahagagana nataony aloha, dia fantatry ny mponina rehetra eto Jerosalema miharihary izany, ka tsy azontsika lavina;

17 fa mba tsy hielezan’izany intsony amin’ny vahoaka kosa, ndeha horahonantsika izy, mba tsy hiteny amin’izany Anarana izany intsony na amin’iza na amin’iza.»

18 Dia nantsoiny izy ireo ka norarany mafy mba tsy hiteny sy tsy hampianatra amin’ny Anaran’i Jesoa intsony.

19 Fa namaly i Piera sy i Joany ka nanao tamin’izy ireo hoe: «Tsaraonareo raha marina eo imason’Andriamanitra na tsia ny manaiky anareo mihoatra noho an’Andriamanitra;

20 fa raha izahay, dia tsy azonay atao akory ny tsy hilaza izay efa hitanay sy renay.»

21 Tamin’izay, norahonany indray izy ireo, dia nalefany; fa tsy hitany izay hamaizany azy noho ny tahony ny vahoaka, izay efa nankalaza an’Andriamanitra daholo noho ny zavatra vao niseho teo,

22 sady ity lehilahy sitrana tamim-pahagagana koa moa efa olona efapolo taona mahery.

Vavaky ny Apôstôly teo amin’ny fanenjehana

23 Nony afaka teo izy roa lahy, dia lasa niverina tany amin’ny namany ka nanambara tamin’izy ireo izay nolazain’ny lehiben’ny mpisorona sy ny loholona taminy.

24 Vao nandre izany kosa ireto havana iray finoana, dia niara-nivavaka tamin’Andriamanitra ka nanao hoe: Tompo ô! Ianao no nahary ny lanitra sy ny tany, ary ny ranomasina mbamin’izay rehetra eo aminy.

25 Ianao no niteny tamin’ny Fanahy Masina sy tamin’ny vavan’i Davida razanay sady mpanomponao hoe:Nahoana no nitabataba ny firenena, ary no nisaina teti-dratsy foana ny vahoaka?

26 Niodina ny mpanjakan’ny tany, ary niray tetika ny andrian-dehibe mba hanohitra ny Tompo sy ilay Kristiny.

27 Faefa nikaon-dohamarina tokoa teto amin’ity tanàna ity i Herôda sy i Pôntsy Pilaty ary ny Jentily mbamin’ny vahoaka Israely hanohitra an’i Jesoa Mpanomponao masina voahosotrao,

28 ka hanatanteraka izay voatapaky ny tananao sy ny lahatrao rahateo.

29 Ary ankehitriny, Tompo, jereo ny fandrahonany, ary omeo ny mpanomponao ny hery hitory ny teninao amin-kasahiana tokoa,

30 sady ahinjiro ny tananao mba hisy fahasitranana sy famantarana ary fahagagana tanteraka amin’ny Anaran’i Jesoa Mpanomponao masina.

31 Nony avy nivavaka izy ireo, dia nihozongozona ny trano nivoriany, ary feno ny Fanahy Masina izy rehetra, ka nitory ny tenin’Andriamanitra tamin-kasahiana.

Ilay Ankohonam-piangonana voalohany

32 Ary niray fo sy fanahy avokoa ny mpino rehetra; tsy nisy nilaza ny fananany hoe azy, fa niombonany daholo ny zavatra rehetra.

33 Tamin-kery lehibe no nanamarinan’ny Apôstôly ny nitsanganan’i Jesoa Tompo ho velona, ary fahasoavana be no teo amin’izy rehetra.

34 Tsy nisy mahantra teo amin’izy ireo, satria izay rehetra nanan-tany na trano, dia nivarotra azy sy nitondra ny vidin’izay lafo,

35 ary nametraka azy teo an-tongotry ny Apôstôly, ka nozarazaraina tamin’izy rehetra araka izay nilainy avy.

Fahafoizan’i Barnabe

36 Nisy levita anankiray atao hoe Josefa izay nomen’ny Apôstôly anarana hoe Barnabe (izany hoe zanaky ny fanalana alahelo), teraka tany Sipra:

37 nanan-tany izy, ka namidiny, dia nentiny ny vidiny sy napetrany teo an-tongotry ny Apôstôly.

Categories
Asan’i Apôstôly

Asan’i Apôstôly 5

Fitak’i Anania sy i Safira

1 Ary nisy kosa lehilahy anankiray atao hoe Anania, sy i Safira vadiny, nivarotra tany,

2 nefa nanafenany ny vidin’ny tany, araka ny tetika niraisan’izy mivady, vao nentiny napetraka teo an-tongotry ny Apôstôly ny vola sisa.

3 Fa hoy i Piera: «Ry Anania, nahoana i Satana no nameno ny fonao handainga amin’ny Fanahy Masina, ka hanafina ny vola sasany amin’ny vidin’ny tany?

4 Fony mbola tsy namidy izy, moa tsy anao va? Ary nony efa namidy indray, moa tsy anao koa va ny vidiny? Ka ahoana no dia nahavitanao hevitra toy izao? Tsy olombelona no nandainganao, fa Andriamanitra.»

5 Nony nandre izany teny izany i Anania dia lavo, ka afaka ny ainy; ary raiki-tahotra izay tsy izy izay rehetra nandre izany.

6 Dia nitsangana ny tovolahy, nofonosiny ny fatiny, ka nentiny nalevina.

7 Nony afaka tokony ho adim-pamantaranandro telo, dia inty tamy koa ny vavy, tsy nahalala izay nanjò teo akory.

8 Ka hoy i Piera taminy: «Lazao amiko, moa izany ihany va no nivarotanareo ny taninareo?» «Eny, izany ihany,» hoy izy.

9 Dia hoy i Piera taminy: «Nahoana ianareo no niray tetika haka fanahy ny Fanahin’ny Tompo? Indro mby eo am-baravarana ny tongotr’izay nandevina ny vadinao, ka hitondra anao koa.»

10 Niaraka tamin’izay dia lavo teo an-tongony izy, ka afaka ny ainy. Ary nony tafiditra ny tovolahy, dia hitany fa maty izy, ka nentiny naleviny tany anilan’ny lahy.

11 Dia raiki-tahotra mafy ny Eglizy manontolosy izay rehetra nandre izany.

Famintinana

12 Betsaka ny famantarana sy fahagagana natao teo amin’ny vahoaka, tamin’ny tanan’ny Apôstôly. Niara-nipetraka teo ambanin’ny lavarangan’i Salômôna ny mpino rehetra,

13 ary tsy nisy olon-kafa sahy nikambana tamin’izy ireo; nefa ny vahoaka nankalaza azy.

14 Nitombo isa isan’andro vaky ny olona izay nino ny Tompo, na lahy na vavy,

15 ka dia nentiny teny an-dalambe aza ny marary ka napetrany teo ambony farafara na tsihy fandriana, mba hisy ho azon’ny tandindon’i Piera ahay, raha mandalo izy.

16 Maro koa ny olona nidodododo nankao Jerosalema avy tamin’ny tanàna manodidina nitondra ny marary sy izay nampahorin’ny fanahy maloto, ary sitrana avokoa izy rehetra.

Nosamborina ny Apôstôly, dia afaka tamin’ny fomba mahagaga

17 Tamin’izay dia nentin’ny fialonana ny lehiben’ny mpisorona sy ny mpiandany aminy, dia ny Sadoseanina ireo, ka nisafoaka.

18 Nasainy nosamborina ny Apôstôly, dia nataony an-tranomaizina.

19 Fa nony alina kosa dia nisy Anjelin’ny Tompo namoha ny varavaran’ny tranomaizina, ka nitondra azy nivoaka sy nanao hoe:

20 «Mandehana mankao amin’ny Tempoly, ka torio amin’ny vahoaka ny teny rehetra, ny amin’izany fiainana izany.»

21 Rehefa nandre izany izy ireo, dia niditra maraina koa tao amin’ny Tempoly ka nampianatra.

Teo anatrehan’ny fitsaran’ny Sanedrìna

Tonga kosa ny lehiben’ny mpisorona sy izay nomba azy ka namory ny Sanedrìna mbamin’ny loholona rehetra tamin’ny zanak’i Israely, ary naniraka nankao amin’ny tranomaizina haka ny Apôstôly.

22 Dia nandeha ny iraka, nefa tsy nahita azy ireo tao an-tranomaizina intsony, ka lasa niverina nilaza izay hitany hoe:

23 «Hitanay fa ny tranomaizina dia mihidy tsara, ary ny mpiambina nitsangana teo am-baravarana; kanjo nony novohainay, tsy nisy olona tao anatiny.»

24 Vaka dia vaka ny lehiben’ny mpiambina ny Tempoly sy ry zareo lehiben’ny mpisorona nony nandre izany, satria tsy takany velively izay tokony ho nahatonga izany.

25 Fa tamin’izay kosa inty nisy olona anankiray tonga nilaza tamin’izy ireo hoe: «Indreo ry zareo nataonareo tao an-tranomaizina ireny ao an-Tempoly ao, sady mampianatra ny olona.»

26 Dia lasa naka azy ny lehiben’ny mpiambina ny Tempoly sy ny namany, nefa tsy nanao an-keriny fa natahotra sao torahan’ny vahoaka vato.

27 Dia nentiny izy ireo ka napetrany tao amin’ny Sanedrìna, sy nadinin’ny lehiben’ny mpisorona hoe:

28 «Efa noraranay mafy ianareo mba tsy hampianatra amin’izany Anarana izany, kanjo vao mainka naelinareo eran’i Jerosalema ny fampianaranareo, ary izahay indray tadiavinareo hianjeran’ny ran’iny Lehilahy iny.»

29 Fa namaly i Piera sy ny Apôstôly ka nanao hoe: «Aleo manaiky an’Andriamanitra toy izay ny olombelona.

30 Natsangan’ny Andriamanitry ny razantsika ho velona i Jesoa, izay novonoinareo nahantona tamin’ny hazo.

31 Izy nasandratry ny tanana ankavanan’Andriamanitra ho Mpifehy sy Mpamonjy, mba hanome fibebahana sy famelan-keloka an’i Israely.

32 Ary izahay sy ny Fanahy Masina, nomen’Andriamanitra an’izay rehetra manaiky Azy, no vavolombelon’izany zavatra izany.»

33 Nisafoaka izay tsy izy ry zareo tamin’ny fandrenesana izany ka nifanara-kevitra izy fa hamono azy.

Tenin’i Gamaliela

34 Fa nitsangana teo amin’ny Sanedrìna kosa ity Farisianina anankiray atao hoe Gamaliely, mpampiana-dalàna malaza tamin’ny vahoaka rehetra, ka nasainy navoaka kely ny Apôstôly.

35 Dia hoy izy: «Ry Israelita, tandremo ihany izay hataonareo amin’ireo lehilahy ireo.

36 Fa tsy ela akory izay no nisehoan’i Teôdasy izay nanao ny tenany ho zavatra, sady efa nisy tokony ho efajato lahy no nomba azy; kanjo nony novonoina izy, dia nihahaka izay rehetra nanaraka azy ka tonga tsinontsinona.

37 Taorian’izany indray, tamin’ny andro nanoratana ny vahoaka, dia nitsangana koa i Jodasy avy any Galilea nitarika ny vahoaka hanaraka azy; kanjo nony novonoina izy, dia nihahaka ihany koa izay rehetra nomba azy.

38 Koa ankehitriny, izao no hevitra omeko anareo: aza manan-draharaha amin’ireo lehilahy ireo akory, fa avelao izy handeha; satria raha avy amin’olona izao hevitra na raharaha izao, dia ho foana ho azy;

39 fa raha avy amin’Andriamanitra kosa, tsy ho hainareo foanana velively, sao dia miseho ho mpiady amin’Andriamanitra ianareo.»

40 Dia narahin’izy ireo izany toroheviny izany ka nantsoiny indray ny Apôstôly, ary nony efa nasainy nokapohina tamin’ny tsora-kazo sy norarany mafy tsy hiteny amin’ny Anaran’i Jesoa intsony, dia nalefany.

41 Nony niala tamin’ny Sanedrìna ny Apôstôly, dia nandeha an-kafaliana, satria natao ho mendrika ny hitondra fahafaham-baraka noho ny Anaran’i Jesoa.

42 Ary tsy nitsahatra ny nampianatra sy nitory isan’andro tao an-Tempoly sy tany an-tranon’olona izy ireo fa i Jesoa no Kristy.

Categories
Asan’i Apôstôly

Asan’i Apôstôly 6

Ny nanorenana ny asan’ireo Fito lahy

1 Tamin’izany andro izany, rehefa nitombo ny isan’ny mpianatra, dia nimonjomonjo tamin’ny Hebrio ny Helenista, satria tsy mba nahîna loatra tamin’ny fizaràna ny fiantrana isan’andro ny mpitondratena tao aminy.

2 Ka novorin’ny roa ambin’ny folo lahy ny mpianatra rehetra nilazany hoe: «Tsy mety raha ilaozanay mitandrina ny sakafo ny fampianarana ny tenin’Andriamanitra.

3 Koa amin’izany, ry hava-malala, mifidiana fito lahy eo aminareo, izay tsara laza sady feno ny Fanahy Masina sy fahendrena, mba hametrahanay izany raharaha izany;

4 ary izahay kosa hikely aina amin’ny fivavahana sy ny fitorian-teny.»

5 Nankasitrahin’ny olona rehetra izany teny izany, ka dia nofidiny i Etienina lehilahy feno finoana sy ny Fanahy Masina, i Filipo, i Prôkôra, i Nikanôra, i Timôna, i Parmenasy, ary i Nikôlà, prôselita avy any Antiôkia.

6 Narosony teo anatrehan’ny Apôstôly izy ireo, ka nametrahany tanananony efa vita ny fivavahana.

7 Dia niely ny tenin’Andriamanitra, nihamaro be dia be ny mpianatra tao Jerosalema, ary betsaka koa ny mpisorona nanaiky ny finoana.

Ny nisamborana an’i Etienina

8 Ary feno fahasoavana sy herim-po i Etienina, ka nanao fahagagana sy famantarana lehibe teo amin’ny vahoaka.

9 Fa ny sasany avy amin’ny sinagogan’ny Libertinina, sy ny an’ny Sireneanina sy ny Aleksandrinina mbamin’ny Jody avy any Silisia sy Azia dia nitsangana niady hevitra tamin’i Etienina,

10 ka nony tsy nahatohitra ny fahendrena sy ny Fanahy izay nitenenany izy ireo,

11 dia namoky olona hilaza hoe: «Renay nandefa teny fitenenan-dratsy an’i Môizy sy Andriamanitra izy io»

12 Nomeny fo koa ny vahoaka sy ny loholona ary ny mpanora-dalàna, ka niantoraka tamin’i Etienina sy nisambotra azy, ary nitondra azy tany amin’ny Sanedrìna.

13 Dia nanangana vavolombelona tsy marina izy nanao hoe: «Io lehilahy io tsy mitsahatra miteny ratsy ny fitoerana masina sy ny Lalàna.

14 Efa renay nilaza izy fa ilay Jesoa avy any Nazareta, hono, dia handrava ity fitoerana ity, sy hanova ny fanao nomen’i Môizy antsika.»

15 Ary raha nibanjina an’i Etienina ry zareo rehetra nipetraka tao amin’ny Sanedrìna, dia hoatra ny Anjely no fijeriny ny tarehiny.