Categories
Asan’i Apôstôly

Asan’i Apôstôly 27

Dian’i Paoly nankany Rôma

1 Raha voadidy hiondrana an-tsambo hankany Italia izahay, dia natolotra ny kapiteny anankiray atao hoe Joliosy, amin’ny antokon’i Aogosta, i Paoly sy ny mpifatotra sasany.

2 Dia niakatra tamin’ny sambo anankiray avy any Adramita hanaraka ny sisin-tanin’i Azia izahay, ka nony voampakatra ny vatofantsika, dia niainga; ary niaraka taminay koa i Aristarka Masedôniana avy any Tesalonika.

3 Nony ampitso dia tonga tany Sidona izahay. Ary tsara ny nitondran’i Joliosy an’i Paoly, fa navelany hankany amin’ny sakaizany sy handray zavatra avy amin’ireny izy.

4 Niala teo izahay, dia nanara-morona an’i Sipra, fa nanoha ny rivotra.

5 Ary rehefa namaky ny ranomasin’i Silisia sy i Panfilia izahay, dia tonga tany Mira any Lisia.

6 Teo no nahitan’ny kapiteny sambon’i Aleksandria anankiray hankany Italia, ka dia nafindrany tao izahay.

7 Niadam-pandeha ny sambonay nandritra ny andro maromaro, ary nananosarotra erỳ izahay vao tonga tandrifin’i Knida, fa nanoha anay ny rivotra. Dia nanara-morona an’i Kreta tandrifin’i Salmône izahay.

8 Nony efa nisahirana nanara-morona izahay, dia tonga tamin’ny fitoerana anankiray atao hoe Tsarafitodiana, takaikin’ny tanàna Talasà.

Tafio-drivotra nahafefika ny sambo

9 Nony afaka andro maromaro, dia tsy nahatoky intsony ny mandeha an-tsambo, fa efa lasa ny andro fifadiana, ka notoroan’i Paoly hevitra ny mpiantsambo,

10 nataony hoe: «Ry sakaiza, hitako fa hanimba sy hampidi-doza antsika izao fandehanana an-tsambo izao; sady tsy ny zavatra entintsika sy ny sambo ihany, fa ny aintsika koa aza.»

11 Ny tenin’ny mpitondra sy tompon-tsambo anefa no ninoan’ny kapiteny noho ny an’i Paoly.

12 Ary tsy tsara hitoerana amin’ny ririnina ny fitodian-tsambo teo, ka dia nataon’ny maro fa tsara ny miala eo sy manao izay hahatongavana any Fenisy, dia handany ny ririnina any; fitodian-tsambo any Kreta izany, izay manatrika ny rivotra avy any atsimo andrefana sy avaratra andrefana.

13 Nitsoka malemy kosa ny rivotra avy any atsimo tamin’izay, ka nataon’izy ireo fa ho tanteraka izay niriny, dia niala tao izy ireo, ka nandalo akaikikaikin’i Kreta.

14 Nony afaka kely foana anefa, dia namely ny tafio-drivotra avy any avaratra atsinanana, izay atao hoe Eorakilna,

15 ka nopaohin’ny rivotra ny sambo, fa tsy nahatoha azy, ka navelanay hoentiny amin’izay halehany.

16 Dia nentiny tany akaikin’ny nosy anankiray atao hoe Kaodà izahay, ka saiky tsy tafakatray ny salopy.

17 Nony tafakatra io, niala nenina ny matilò mba hamonjy anay; nafatony nanodidina ny sambo, ary nampidininy ny lay, fa natahorany hihitsoka amin’ny vorim-pasika ny sambo, dia navelany handeha amin’izay halehany.

18 Nony ampitso, mbola nasian’ny tafio-drivotra mafy izahay, ka nanariana ny zavatra nentinay.

19 Ary tamin’ny andro fahatelo aza, dia ny tananay mihitsy no nanary ny fanaky ny sambo.

20 Nandritra ny andro maro ny masoandro aman-kintana tsy hita intsony, ny tafio-drivotra namely mafy, ka dia tsy nanantena ho voavonjy intsony izahay.

21 Ary nony ela no nifadian-kanina, dia nitsangana teo afovoan-dry zareo i Paoly, ka nanao hoe: «Ry sakaiza, tsara raha nihaino ahy ianareo, ka tsy niala tao Kreta, mba tsy hiharan’izao loza amam-patiantoka izao.

22 Ary na dia ankehitriny aza, dia mamporisika anareo aho mba samy hatoky tsara, fa tsy hisy ho faty ianareo, ny sambo ihany no ho very.

23 Fa nisy Anjelin’ny Andriamanitra izay Tompoko sady tompoiko, niseho tamiko halina,

24 nanao hoe: ‹Aza matahotra, ry Paoly, fa tsy maintsy hanatrika an’i Sezara ianao, ary indro efa nomen’Andriamanitra anao izay rehetra miara-miantsambo aminao.›

25 Koa amin’izany, matokia ianareo, ry sakaiza; fa matoky an’Andriamanitra aho, ka ho tanteraka izay voalaza tamiko.

26 Nefa tsy maintsy fefika eo amin’ny nosy anankiray isika.»

27 Tamin’ny alina fahefatra ambin’ny folo, raha navezivezin’ny ranomasina Adriatìka izahay, ilay sahabo ho nisasaka tsara iny ny alina, dia nataon’ny matilò fa nanakaiky tany izahay,

28 ka nanaka-drano izy ireo, ary hitany fa faharoapolo refy ny halaliny; nony nandroso kelikely indray notsapainy ka nisy fahadimy ambin’ny folo refy.

29 Ary natahotra ny hidona amin’ny harambato izy ireo, ka nandatsaka vatofantsika efatra teo ambody sambo, dia naniry ny andro ho maraina.

30 Nitady handositra hiala amin’ny sambo ny matilò tamin’izay, ka nampidina ny salopy eo amin’ny ranomasina, nody handatsaka vatofantsika ao an-doha sambo;

31 fa hoy i Paoly tamin’ny kapiteny sy ny miaramila: «Raha tsy mitoetraeto an-tsambo ireo, tsy ho voavonjy ianareo.»

32 Dia notapahin’ny miaramila ny mahazaka rehetra tamin’ny salopy, ka navelany ho latsaka izy.

33 Nony nazava ratsy ny andro, dia namporisika ny olona rehetra hihinan-kanina i Paoly, nanao hoe: «Anio fahefatra ambin’ny folo andro niaretanareo ny fifadian-kanina, sady tsy nitendry hanina akory ianareo.

34 Koa mamporisika anareo hihinan-kanina aho, fa ilaina hamonjena anareo izany; ary tsy ho very aminareo rehetra, na dia ny singam-bolonareo iray akory aza.»

35 Nony avy nilaza izany izy, dia nandray mofo, ka nisaotra an’Andriamanitra teo anatrehan’izy rehetra; ary novakiny ny mofo dia nihinana izy.

36 Nahazo toky terỳ izy rehetra, ka nihinana koa.

37 Enina amby fitopolo sy roan-jato no isanay rehetra teo anaty sambo.

38 Ary rehefa voky izy ireo, dia nanariany tany anaty ranomasina ny varimbazaha, mba hanamaivana ny sambo.

39 Nony nazava ny andro, dia tsy fantatr’izy ireo ny tany teo; fa helo-drano anankiray tsara morona izay no hitany, dia teo no nokasainy hampiantsonana ny sambo raha azony atao.

40 Ka nesoriny ny vatofantsika, nalefany ho any an-dranomasina; novahany ny mahazakan’ny fanamory, novelariny koa ny lay teo an-doha sambo mba ho azon’ny rivotra, dia nanatona ny tany izy ireo.

41 Nony tonga tao amin’ny andilan-tany anankiray izy, dia niantsona teo ny sambo; ka ny loha sambo moa nihizina tsy afa-nihetsika teo, fa ny vody sambo kosa vaky azon’ny herin’ny onja.

42 Niray tetika hamono ny mpifatotra ny miaramila, fandrao misy mitsoaka milomano izy ireo,

43 nefa tsy navelan’ny kapiteny hanao izany izy ireo noho ny fitiavany hamonjy an’i Paoly. Izay nahay nilomano aloha no nasainy nirotsaka hiakatra eny an-tanety,

44 ary ny sisa kosa nasainy nitaingina hazo fisaka na zavatra hafa tao an-tsambo. Dia tonga soa aman-tsara teny an-tanety avokoa ny olona rehetra.

Categories
Asan’i Apôstôly

Asan’i Apôstôly 28

I Paoly tao Malta

1 Efa voavonjy izahay vao nahalala fa Malta no anaran’ny nosy. Be tokoa ny soa nataon’ny tompon-tany taminay:

2 noraisiny tsara avokoa izahay rehetra; namelona afo hamindroanay izy, fa sady avy ny orana no nangatsiaka ny andro.

3 Dia mba nanangona kitay hazo iray trotroana koa i Paoly; kanjo nony nanohoka izany teo amin’ny afo, dia indrỳ nisy menarana anankiray voasinton’ny hafanana, ka niantsampy tamin’ny tanany.

4 Nony nahita ity bibilava niraviravy tamin’ny tanany ry zareo tompon-tany, dia nifampilaza hoe: «Tena mpamono olona mihitsy io lehilahy io, fa na afaka tamin’ny ranomasina aza, tsy avelan’ny fahamarinan’Andriamanitra ho velona intsony.»

5 Nakifik’i Paoly tamin’ny afo anefa ilay biby, sady tsy nampaninona azy kely akory.

6 Niandry ihany ny tompon-tany izay hahita azy mivonto, na hiankapoka maty tampoka; nefa nony hitany fa tsy naninon-tsy naninona akory izy, dia niova indray ny heviny, ka vaky nilaza hoe: «Isan’ny andriamanitra io.»

7 Tao akaikinay, dia nisy sahan’i Pobliosy mpanapaka ny nosy, izay nandray sy nampiantrano anay tsara hateloana.

8 Nasian’ny tazo sy ny fivalanan-dra ny rain’i Pobliosy, ka nihonaka teo am-pandriana. Lasa namangy azy tao i Paoly, dia nanao fivavahana sy nametra-tanana taminy ka nahasitrana azy.

9 Nandre izany ny marary rehetra tao amin’ny nosy, dia mba nanatona koa, ka sitrana avokoa.

10 Nony hiala tao izahay, dia nomen’ny olona voninahitra lehibe, sy novatsiany izay rehetra ilainay.

Avy ao Malta nankany Rôma

11 Nony afaka telo volana, dia niondrana izahay tamin’ny sambon’i Aleksandria, izay efa nandany ny ririnina tamin’izany nosy izany, sy nisy ny sarin’ny Diôskôraho famantarana azy.

12 Nony tody tao Sirakoza izahay, dia nijanona tao hateloana.

13 Avy ao dia nanara-tsisina izahay ka tonga tao Rejiô; ary ny ampitso, nisy rivotra nifofofofo avy any atsimo, ka indroa andro dia tonga tany Pozôly izahay.

14 Tao no nahitanay havana iray finoana sasany, izay niangavy taminay mba hitoetra ao aminy hafitoana; raha efa izany dia nandroso ho any Rôma izahay.

15 Vao nandre anay tonga ny tao an-tanàna, dia tamy nitsenaanay hatrany an-tsenan’i Apiosa sy Tranombahinitelo. Nony nahita azy ireo i Paoly dia nisaotra an’Andriamanitra sady nahazo toky erỳ.

16 Rehefa tonga tany Rôma izahay, dia nahazo nitoetra nitokana i Paoly, fa miaramila iray no niambina azy.

Ny nihaonan’i Paoly tamin’ny Jody tao Rôma

17 Nony afaka hateloana, dia nampiantsoin’i Paoly ny lohandohan’ny Jody, ka nony tafavory izy ireo dia hoy izy taminy: «Ry hava-malala, izaho dia nafatotra hatrany Jerosalema sy natolotra teo an-tanan’ny Rômanina, na dia tsy nanao na inona na inona manohitra ny firenentsika sy ny fanaon-drazantsika aza.

18 Nony namototra ahy ireo, ka nahita fa tsy nisy tokony hahafaty ahy, dia nikasa handefa ahy ihany izy ireo;

19 nefa notoherin’ny Jody izany, ka voatery nangataka hotsarain’i Sezara aho; tsy ao an-tsaiko velively anefa izay hiampanga ny fireneko amin’izany.

20 Izany no niangaviako ny mba hifankahita sy hidinika aminareo; fa noho ny fanantenan’i Israely ity, no ifatorako amin’izao rojo vy izao.»

21 Dia izao no navalin-dry zareo azy: «Tsy nahazo taratasy avy any Jodea milaza anao izahay; ary tsy nisy havana iray finoana tonga nanondro anao, na nanaratsy anao akory;

22 fa izao ihany no fantatray: toherina hatraiza hatraiza izany antokom-pivavahana izany; koa maniry handre izay hevitrao izahay.»

Fanambaràn’i Paoly tamin’ny Jody tao Rôma

23 Dia nanao fotoana taminy izy ireo, ka maro no tonga tao an-trano nitoerany. Teny manetsiketsika no nanehoan’i Paoly ny fanjakan’Andriamanitra tamin’izy ireo, hatramin’ny maraina ka hatramin’ny hariva; sady ny teny ao amin’ny Lalàn’i Môizy sy ny mpaminany manambara an’i Jesoa ihany no nentiny nitaona azy ireo hino Azy.

24 Ka ny sasany nino izay nolazainy; fa ny sasany kosa tsy nino.

25 Noho izy ireo tsy niray saina ka ndeha hiala, dia izao ihany no nanampin’i Paoly: «Marina tokoa lahy ny tenin’ny Fanahy Masina, nampilazainy an’i Izaia mpaminany tamin’ny razanareo hoe:

26 ‹Mankanesa amin’io firenena io ianao, ka lazao amin’izy ireo hoe: Handre amin’ny sofinareo ianareo, fa tsy hahalala; ary hijery amin’ny masonareo, fa tsy hahita

27 Satria efa nihadonto ny fon’io firenena io, efa nihamarenina ny sofiny, ary efa nakimpiny ny masony, fandrao mahita ny masony, sy mandre ny sofiny, ary mahalala ny fony, ka ndeha hibebaka izy, ka tonga mahazo famonjena avy amiko.› »

28 Koa aoka ho fantatrareo fa izao famonjen’Andriamanitra izao, dia hoentina any amin’ny Jentily, ka horaisiny an-kafaliana.

29 Nony voalazany izany, dia lasa ny Jody, sady rafitra ady hevitra mafy.

Fehin-teny

30 Nitoetra roa taona nipaka tao amin’ny trano anankiray nohofany i Paoly; ary nandray tsara an’izay rehetra nankao aminy.

31 Nitory ny fanjakan’Andriamanitra sy nampianatra ny amin’i Jesoa Kristy Tompo tamin-kasahiana lehibe izy, sady tsy nisy nisakana.

Categories
Rômanina

Rômanina 1

Fiarahabana

1 I Paoly mpanompon’i Kristy Jesoa, voaantso ho Apôstôly, sy voatokana hitory ny Evanjelin’Andriamanitra, –

2 izay nampanantenainy rahateo tamin’ny alalan’ny mpaminany ao amin’ny Soratra Masina,

3 momba ny Zanany izay nateraky ny taranak’i Davida araka ny nofo,

4 ary naseho tamin-keryho Zanak’Andriamanitra tamin’ny fitsanganan’ny maty, araka ny fanahin’ny fahamasinana, dia i Jesoa Kristy Tompontsika,

5 izay nandraisanay ny fahasoavana sy ny maha Apôstôly anay mba hampanaiky ny Jentily rehetra ny finoana, amin’ny Anarany,

6 ary anisan’ireny koa ianareo, noho ny fiantsoan’i Jesoa Kristy; –

7 mamangy anareo rehetra malalan’Andriamanitra any Rôma, izay olo-masina voaantsony: ho ao aminareo anie ny fahasoavana amam-piadanana avy amin’Andriamanitra Raintsika, sy i Jesoa Kristy Tompo.

Fisaorana an’Andriamanitra sy vavaka

8 Voalohany aloha, misaotra an’Andriamanitra amin’ny alalan’i Jesoa Kristy aho, noho ny aminareo rehetra, fa malaza amin’izao tontolo izao ny finoanareo.

9 Andriamanitra izay tompoiko amin’ny foko tokoa, amin’ny fitoriana ny Evanjelin-Janany, no vavolombeloko fa mahatsiaro anareo lalandava aho,

10 ary mangataka mandrakariva amin’ny fivavahako, mba hisy hahafahako mankany aminareo indray andro any, raha sitrapon’Andriamanitra.

11 Fa maniry hahita anareo aho, mba hampahazo anareo fahasoavam-panahy hankahery anareo,

12 izany hoe, mba hiarahantsika mifamporisika eo aminareo, amin’ny finoana iombonako izaho sy ianareo.

13 Tsy tiako tsy ho fantatrareo, ry kristianina havana, fa imbetsaka no saika hankany aminareo aho (saingy azon-tsampona mandraka ankehitriny), mba hijinjako vokatra kely aminareo, toy ny amin’ny Jentily sasany koa.

14 Manana adidy amin’ny Grika sy ny firenena hafa aho, na amin’ny hendry, na amin’ny tsy mahalala;

15 koa raha izaho, dia vonon-kitory ny Evanjely aminareo izay any Rôma koa aho.

Filazana ny foto-kevitra

16 Fa tsy menatra ny Evanjely aho, satria herin’Andriamanitra izany ho famonjena izay rehetra mino, dia ny Jody aloha, vao ny Jentily.

17 Fa ambara mazava ao aminy ny fahamarinan’Andriamanitraavy amin’ny finoana ho amin’ny finoana, araka ny voasoratra hoe: «Ho velona noho ny finoana ny olo-marina.»

Nahatezitra an’Andriamanitra ny Jentily

18 Fa hita miharihary avy any an-danitra ny hatezeran’Andriamanitra, mamely ny tsy fanajana an’Andriamanitra sy ny tsy fahamarinan’ireo olona izay misakana ny marina amin’ny tsy fahamarinany,

19 satria miseho miharihary ao aminy izay mba mety ho fantatra momba an’Andriamanitra, fa nasehon’Andriamanitra taminy izany.

20 Fa ny fombany tsy hita, toy ny fahefany mandrakizay mbamin’ny maha-Andriamanitra Azy, dia hitan’ny saina amin’ny asan-tanany ka miseho amin’ny zava-boaary rehetra; koa tsy afa-miala tsiny izy ireo,

21 fa nahalala an’Andriamanitra izy, nefa tsy nankalaza Azy ho Andriamanitra na nisaotra Azy; fa nanjary zava-poana Izy tamin’ny fisainany, ary tonga maizina ny fony donto.

22 Nihambo ho hendry izy, ka tonga adala,

23 fa ny voninahitry ny Andriamanitra tsy mety lo dia nosoloiny sarin-javatra mety lo, toy ny olombelona, na ny vorona, na biby mandady tongotra efatra, na biby mikisaka.

24 Noho izany, dia navelan’Andriamanitra izy ireo hoentin’ny filàn-dratsin’ny fony ho amin’ny fahalotoana, mba hifanala baràka amin’ny tenany avy;

25 nosoloiny lainga ny fahamarinan’Andriamanitra, ary naleony ny zava-boaary no nivavahana sy notompoina toy izay ny Nahary izay isaorana mandrakizay, Amen!

26 Koa natolotr’Andriamanitra ho amin’ny fitongilanan-dratsiny mahavoafady izy ireo; fa ny vehivavy tao aminy nanova ny fanaony ho amin’izay tsy fanaony;

27 toraka izany koa ny lehilahy, fa namela ny fanao amin’ny vehivavy izy, ka izy samy lehilahy no maimay nifampila sy nifanao izay mahamenatra, dia nandray tao amin’ny tenany ny valy mendrika ny fivilian-tsainy.

28 Ary noho izy nanao tsirambina ny hahalala tsara an’Andriamanitra, dia navelan’Andriamanitra kosa izy hoentin’ny hevi-dratsiny hanao izay tsy tokony hatao,

29 ka rakotra izao karazam-paharatsiana rehetra izao, halozana, fahalotoana, fahalianan-karena, fisomparana, feno fialonana, vonoana olona, fifandirana, fitaka, otri-po, mpanely tsaho,

30 mpanendrikendrika, halan’Andriamanitra, miavonavona, misolanandrana, be rehaka, mpamorona sain-dratsy, tsy manoa ray aman-dreny,

31 tsy ampy saina, mpivadi-panekena, tsy manam-piononana, tsy manana olon-tiana, tsy miantra.

32 Ary na dia fantany aza, fa araka ny fitsaràn’Andriamanitra, mendrika ho fatyizay diso amin’izany rehetra izany, dia tsy hoe manao izany fotsiny izy, fa mbola mankasitraka ny hafa manao koa aza.

Categories
Rômanina

Rômanina 2

Nahatezitra an’Andriamanitra indray koa ny Jody

1 Toy izany koa ianao, ry olona, na zovy na zovy ianao no mitsara, dia tsy manan-kalahatra ianao; fa amin’ny fitsarànao ny hafa, dia manameloka ny tenanao koa ianao, satria toy ny ataon’ny hafa ihany koa no ataonao mitsara.

2 Fantatsika anefa fa marina ny fitsaràn’Andriamanitra an’izay manao toy izany;

3 ka moa ataonao va, ry olona, fa ianao mitsara ny manao izany, nefa manao koa, dia ho afa-mandositra ny fitsaràn’Andriamanitra?

4 Sa, saingy be famindram-po sy fandeferana amam-piaretana Izy ka dia tsy ahoanao? Tsy fantatrao va fa ny hatsaram-pon’Andriamanitra dia mitaona anao hibebaka?

5 Fahatezeran’Andriamanitra anie no angonin’ny ditranao sy ny fonao tsy mibebaka ho anao, amin’ny andron’ny fahatezerana sy fampisehoana ny fitsarana marin’Andriamanitra e!

6 dia Ilay hamaly ny olona rehetra araka ny asany avy:

7 fiainana mandrakizay moa ho an’izay maharitra manao ny tsara ka mitady ny haja amam-boninahitra sy ny tsy fahafatesana;

8 fa fahatezerana amam-pahavinirana kosa ho an’izay fatra-pikiry sy tsy manaiky ny marina, fa mpanaraka ny ratsy.

9 Eny, fahoriana aman-tebiteby no ho an’izay manao ny ratsy, dia ho an’ny Jody aloha, vao ho an’ny Jentily koa;

10 fa haja amam-boninahitra sy fiadanana kosa ho an’izay manao ny tsara, dia ho an’ny Jody aloha, vao ho an’ny Jentily koa,

11 satria Andriamanitra tsy mizaha tavan’olona.

Teo anefa ny Lalàna

12 Izay rehetra nanota tsy nanan-dalàna, dia ho very tsy aman-dalàna; ary izay rehetra nanota nanan-dalàna kosa dia hotsaraina ara-dalàna;

13 satria tsy ny mandre ny lalàna no marina eo anatrehan’Andriamanitra, fa ny mankatò ny lalàna no hohamarinina.

14 Raha ny Jentily tsy manan-dalàna no manao ho azyizay voadidin’ny Lalàna, na dia tsy manan-dalàna aza izy, dia izy ihany no lalàna ho an’ny tenany.

15 Asehon’izy ireo amin’ny hitsim-pony mitsangan-ko vavolombelona, sy ny fisainany mifanome na mifanala tsiny koa, fa voasoratra ao am-pony ny asan’ny Lalàna,

16 mandra-pahatongan’ny andro hampitsaràn’Andriamanitra an’i Jesoa Kristy ny asa takona ataon’ny olona, araka ny Evanjely ampianariko.

17 Ary inty ny aminao, izay mitondra anarana hoe Jody: ianao dia mitoky amin’ny Lalàna sy manao an’Andriamanitra ho reharehanao,

18 mahalala ny sitrapony, sy mahafantatra izay tsaratsara kokoa, fa nampianarin’ny Lalàna,

19 mihambo ho mpitarika ny jamba, ho mpanazava ny ao amin’ny maizina,

20 ho mpananatra ny adala, ho mpanoro ny bodo, fa eo an-tananao ny Lalàna izay fitsipiky ny fahalalana sy ny fahamarinana;

21 nefa, mampianatra ny sasany ianao, fa tsy mampianatra ny tenanao: mitory hoe: aza mangalatra, nefa mangalatra ihany;

22 mandrara tsy hijangajanga, nefa mijangajanga ihany; fatra-pankahala ny sampy, nefa manazimba ny zavatra masina;

23 mirehareha ho manan-dalàna, nefa manala baràka an’Andriamanitra amin’ny fandikana ny Lalàna,

24 satria noho ianareo ihany noitenenan-dratsy ny Anaran’Andriamanitra any amin’ny Jentily,araka ny lazain’ny Soratra Masina.

Teo koa ny famorana

25 Marina fa mahasoa ihany ny famorana, raha mitandrina ny Lalàna ianao; fa manjary tsy fiforàna kosa ny fiforàna raha mandika ny Lalàna ianao.

26 Koa raha ny tsy voafora no mankatò ny didin’ny Lalàna, moa tsy hoisaina ho fiforàna va ny tsy fiforàny?

27 Eny, fa raha ny olona tsy nifora hatrizay niainany no mahatanteraka ny Lalàna, dia hanameloka anao izy, fa manana ny Soratra Masina sy ny famorana ianao, nefa mandika ny Lalàna.

28 Satria tsy izay miseho eto ivelany ho Jody no tena izy, ary tsy izay miseho eto ivelany amin’ny nofo no tena famorana;

29 fa ny Jody ao anatiny sy ny famorana ny fo no tena izy: dia ny araka ny fanahy, fa tsy araka ny soratra; ary ny toy izany no mahazo dera, tsy amin’olombelona, fa amin’Andriamanitra.

Categories
Rômanina

Rômanina 3

Teo koa ny fampanantenan’Andriamanitra

1 Koa inona àry no tombon-tsoa ananan’ny Jody, ary inona no soa azo amin’ny famorana?

2 Azo lazaina fa be ihany: voalohany, izy no nametrahana ny teny fampanantenana nataon’Andriamanitra.

3 Fa ahoana kosa raha tsy nino ny sasany? Moa ny tsy finoan’ireo va hahafoana ny tsy fivadihan’Andriamanitra? Sanatria izany!

4 fa Andriamanitra tsy maintsy ho marina, na diampandainga aza ny olona rehetraaraka ny Soratra Masina hoe:«Mba ho marina ianao raha miteny, ary tsy hanan-tsiny raha mitsara».

5 Fa raha ny tsy fahamarinantsika no mampiseho ny fahamarinan’Andriamanitra, ahoana àry no holazaintsika? Tsy marina angaha Andriamanitra raha manampatra ny fahatezerany amintsika? (miteny araka ny fanaon’ny olona aho).

6 Sanatria izany! fa raha izany, ahoana no hitsaràn’Andriamanitra an’izao tontolo izao?

7 Nefa, raha ny laingakono nampiharihary kokoa ny fahamarinan’Andriamanitra ho voninahiny, ahoana indray no itsarana ahy ho mpanota?

8 Ary nahoana no tsy hanao ratsy isika hiavian’ny soa? Atomboky ny sasany anay izany, ary tondroiny ho mampianatra izany izahay; ho voaheloka marina anefa izy ireny.

Samy meloka daholo

9 Ahoana àry: manan-tombo tokoa va isika? Tsy manana velively, satria efa voasehontsika fa voan’ny fahotana avokoa, na Jody na Jentily,

10 araka ny voasoratra hoe: «Tsy misy marina, na dia iray aza;

11 tsy misy manan-tsaina, tsy misy mitady an’Andriamanitra;

12 samy nania avokoa izy rehetra; tsy misy manao ny tsara na dia iray aza.

13 Fasana misokatra ny tendany; entiny mamitaka ny lelany; poizi-menarana no ao ambany molony;

14 ozona amam-pangidiana no mameno ny vavany;

15 ny handatsa-dra no mahamailaka ny tongony;

16 fandravana sy fampahoriana no eo amin’ny alehany;

17 ny lalan’ny fiadanana tsy fantany;

18 ary ny fahatahorana an’Andriamanitra tsy eo anoloan’ny masony»

19 Fantatsika anefa fa izay fehezin’ny Lalàna no ilazan’ny Lalàna ny zavatra rehetra lazainy, mba ho tampina ny vava rehetra, ary mba hiharan’ny fitsaràn’Andriamanitra avokoa izao tontolo izao,

20 satria tsy misy olona hohamarinina amin’ny asan’ny Lalànaeo anatrehany, fa ny ahalalana tsara ny ota ihany no nataon’ny Lalàna.

Fanambaràna ny fahamarinana avy amin’Andriamanitra

21 Fa ankehitriny, tsy amin’ny Lalàna, dia naseho ny fahamarinana avy amin’Andriamanitra, izay nambaran’ny Lalàna sy ny Mpaminany,

22 dia fahamarinana avy amin’Andriamanitra, noho ny finoana an’i Jesoa Kristy, ho an’ny mpino rehetra; satria tsy misy avaka,

23 fa samy efa nanota ihany izy rehetra, ka tsy manana ny voninahitr’Andriamanitra,

24 fa hamarininy maimaim-poana amin’ny fahasoavanynoho ny fanavotana izay ao amin’i Kristy Jesoa.

25 Fa Izy no natsangan’Andriamanitra ampahibemaso ho sorom-pifonana amin’ny Rany noho ny finoana, mba hampiharihary ny fahamarinany noho Izy tsy dia namaly loatrany fahotana fahiny tamin’ny andron’ny fandeferany:

26 dia hampiharihary ny fahamarinany Izy amin’ny andro ankehitriny, mba ho hita ho marina sady manamarina izay manam-pinoana an’i Jesoa.

Ny herin’ny finoana

27 Koa aiza àry no hireharehana? Efa nofoanana izany; fa tamin’ny lalàna inona? Tamin’ny lalàn’ny asa va? Tsia, fa tamin’ny lalàn’ny finoana;

28 satria miaiky marina isika fa ny finoana no anamarinana ny olona, fa tsy ny asan’ny Lalàna.

29 Sa Andriamanitry ny Jody ihany Andriamanitra, fa tsy mba Andriamanitry ny Jentily koa? Eny, Andriamanitry ny Jentily koa izy;

30 satria Andriamanitra iray ihany no hanamarina ny voafora amin’ny finoana, sy ny tsy voafora amin’ny finoana koa.

31 Koa mandrava ny Lalàna amin’ny finoana va isika? Sanatria! fa mainka mampiorina ny Lalàna isika.

Categories
Rômanina

Rômanina 4

I Abrahama nohamarinina noho ny finoany

1 Inona àry, ny amin’i Abrahama razantsika, no holazaintsika, fa azony araka ny nofo?

2 Raha noho ny asa no nanamarinana an’i Abrahama, dia manana hireharehana ihany izy; nefa tsy manana izany akory izy, eo anatrehan’Andriamanitra.

3 Fa ahoana hoy ny Soratra Masina? Izao:«Nino an’Andriamanitra i Abrahama, ka izany no notanana ho fahamarinana.»

4 Satria amin’izay miasa, dia tsy heverina ho fahasoavana ho azy ny karama, fa hoe trosa;

5 ary amin’izay tsy miasa, fa mino an’Ilay manamarina ny ratsy fanahy, no tanana ho fahamarinana ho azy ny finoany, araka ny lahatry ny fahasoavan’Andriamanitra.

6 Izany no ilazan’i Davida ny hasambaran’ny olona itanan’Andriamanitra fahamarinana tsy aman’asa hoe:

7 Sambatra ny olona izay voavela ny helony

sy voasarona ny fahotany;

8 sambatra ny olona tsy hitanan’Andriamanitra heloka.

Na tsy teo aza ny famorana

9 Ary izany hasambarana izany ve, an’ny voafora ihany, sa an’ny tsy voafora koa?

10 Voalazantsika fany finoana dia notanana ho fahamarinan’i Abrahama.Oviana àry no nitanana izany? Tamin’izy efa voafora ve, sa fony izy mbola tsy voafora? Tsy tamin’izy efa voafora tsy akory, fa fony izy mbola tsy voafora.

11 Fa famantarana ny famorana,ka dia noraisiny tatỳ aoriana, mba ho tombokasen’ny fahamarinana azony noho ny finoana, fony izy mbola tsy voafora, mba ho rain’ny mpino rehetra izy, na dia ny tsy voafora aza, ka dia hotanana ho azy ireny koa ny fahamarinana;

12 ary ho rain’ny voafora koa, tsy izay voafora fe voafora anefa, fa izay manara-dia ny finoana nananan’i Abrahama razantsika, fony izy mbola tsy voafora.

Nandova na tsy teo aza ny fampanantenana

13 Tsy ny Lalàna no nahazoan’i Abrahama sy ny taranany fampanantenana handova izao tontolo izao, fa ny fahamarinana avy amin’ny finoana.

14 Fa raha izay amin’ny Lalàna no mpandova, dia foana ny finoana, ary tsinontsinona ny fampanantenana,

15 satria ny Lalàna mitarika fahatezerana, fa raha tsy misy Lalàna, dia tsy misy koa fandikan-dalàna.

16 Koa nyfinoana no andovana,mba ho araka ny fahasoavana, ka ho mafy ho an’ny taranaka rehetra ny fampanantenana, dia tsy ho an’izay amin’ny Lalàna ihany, fa ho an’izay amin’ny finoan’i Abrahama koa, satria raintsika rehetra izy,

17 araka ny voasoratra hoe:Natsangako ho rain’ny firenena maro ianao,eo anatrehan’izay ninoany, dia Andriamanitra mpamelona ny maty, sy mpiantso ny tsy misy toy ny misy.

Ny finoan’i Abrahama sy ny finoan’ny kristianina

18 Nino izy, fa nanantena na dia tsy nisy tokony hanantenany aza, ka tongarain’ny firenena maro,araka ny voalaza taminy hoe: «Ho tahaka izany ny taranakao.»

19 Sady tsy mba nalemy finoana izy, fa tsy noheveriny akory ity tenany efa hoatra ny maty (efa tokony ho zato taona izy fahizany) sy izato kibon’i Sarà efa ritra aina.

20 Tsy nasiany fisalasalana na ahiahy kely akory ny teny napetrak’Andriamanitra taminy, fa nampaherezin’ny finoana izy, ka nanome voninahitra an’Andriamanitra

21 tamin’ny fitokiana mafy Azy ho mahay manatanteraka ny zavatra rehetra nampanantenainy;

22 koa notanana ho fahamarinany izany.

23 Ary tsy ho azy ihany no nanoratana fanotanana ho fahamarinana izany;

24 fa ho antsika izay hitanana izany koa, dia isika izay mino an’Ilay nanangan-ko velona an’i Jesoa Kristy Tompontsika,

25 Izaynatolotra noho ny fahadisoantsika,ary nitsangana indray mba ho fanamarinana antsika.

Categories
Rômanina

Rômanina 5

Ny fanamarinana, antoky ny famonjena

1 Koa amin’izany, efa nohamarinina noho ny finoana isika, ka mihavana amin’Andriamanitra amin’ny alalan’i Jesoa Kristy Tompontsika,

2 izay ahazoantsika manatona amim-pinoana izao fahasoavana itoerantsika tsara izao, sy mifaly amim-panantenana ny voninahitr’Andriamanitra.

3 Tsy izany ihany, fa ny fahoriana aza dia ifaliantsika koa, satria fantatsika fa ny fahoriana mahatonga faharetana,

4 ny faharetana hahatonga hatsaram-panahy voazaha toetra, ny hatsaram-panahy voazaha toetra mahatonga fanantenana;

5 ary ny fanantenana tsy mba manodòka, satria efa voarotsaka ao am-pontsika tamin’ny Fanahy Masina nomena antsika ny fitiavan’Andriamanitra.

6 Fa fony mbola tsy nanan-kery isika, dia maty tamin’ny fotoana voatendry i Kristy mba hamonjy ny ratsy fanahy.

7 Saika tsy misy manaiky ho faty hamonjy ny olo-marina; ary angamba hisy ihany sahy maty hamonjy ny manao soa.

8 Fa izao kosa no nanehoan’Andriamanitra ny fitiavany antsika: fony mbola mpanota isika

9 no maty hamonjy antsika i Kristy; koa mainka ka izao efa nohamarinina tamin’ny Rany izao, dia tsy maintsy afany amin’ny fahatezerana mihitsy.

10 Satria, raha fony mbola fahavalo aza isika, nampihavanina tamin’Andriamanitra noho ny nahafatesan’ny Zanany, mainka fa rehefa nampihavanina, dia tsy maintsy voavonjy noho ny fahavelomany tokoa.

11 Tsy izany ihany koa, fa isika dia mifaly amin’Andriamanitra amin’ny alalan’i Jesoa Kristy Tompontsika, izay nahazoantsika ny fihavanana ankehitriny.

I Adama sy i Jesoa Kristy

12 Noho izany àry, dia tahakany nidiran’ny fahotanatamin’izao tontolo izao tamin’ny olona iray, sy nidiran’ny fahafatesana noho ny fahotana, ka nifindra tamin’ny olona rehetra ny fahafatesana, satria nanota avokoa izy rehetra:

13 fa nisy ota ihanytamin’izao tontolo izao na talohan’ny Lalàna aza, saingy tsy tananahisy saziny ny otaraha tsy misy lalàna…

14 Nanjaka ihany anefa ny fahafatesana hatramin’i Adama ka hatramin’i Môizy, na dia tamin’izay tsy nanao fahotana toraka ny fandikana nataon’i Adama aza; ary i Adama dia tandindon’ilay Adama ho avy.

15 Ary tsy mba tahaka ny fahadisoana ny fanomezam-pahasoavana; fa raha ny fahadisoan’ny anankiray aza nahafatesan’ny olona rehetra, mainka fa ny fahasoavan’ny olona iray, dia i Jesoa Kristy, no nandraisan’ny olona rehetra ankabetsahana ny fahasoavan’Andriamanitra sy ny fanomezana.

16 Ary tsy mba tahaka izay tonga noho ny anankiray nanota ny fanomezana; satria noho ny ota anankiray no nisian’ny fitsarana ho fanamelohana; fa noho ny fahadisoana maro kosa no nisian’ny fahasoavana ho fanamarinana.

17 Satria raha ny fahadisoan’ny anankiray aza nanjakan’ny fahafatesana noho ny nataon’io anankiray io, mainka fa ny nataon’ny anankiray, dia i Jesoa Kristy, no hanjakan’izay mahazo ny haben’ny fahasoavana amam-panomezam-pahamarinana amin’ny fiainana.

18 Koa tahaka ny nahatongavan’ny fanamelohana ho an’ny olona rehetra noho ny fahadisoana iray no nahatongavan’ny fanamarinana ahazoam-piainana ho an’ny olona rehetra kosa noho ny fahamarinana iray.

19 Fa tahaka ny nahatongavan’ny maro ho mpanota noho ny tsy naneken’ny olona iray no hahatongavan’ny maro ho marina kosa noho ny naneken’ny olona iray.

20 Ny Lalàna dia nisisika nahabe ny fahadisoana; nefa tao amin’izay nahabe ny fahadisoana indrindra no nihoaran’ny fahasoavana ho ambony lavitra,

21 mba ho tahaka ny nanjakan’ny fahotana hahafaty, no hanjakan’ny fahasoavana amin’ny fahamarinana hahavelona mandrakizay kosa, amin’ny alalan’i Jesoa Kristy Tompontsika.

Categories
Rômanina

Rômanina 6

Ny Batemy

1 Inona àry no holazaintsika: mbola hitoetra amin’ny fahotanaihany va isika, hitomboan’ny fahasoavana?

2 Sanatria izany! Hataontsika efa maty ny amin’ny fahotana ahoana no mbola ho velona aminy ihany?

3 Moa tsy fantatrareo va fa isika rehetra natao Batemy ho an’i Kristy Jesoa, dia natao Batemy ho amin’ny fahafatesany?

4 Koa niara-nalevina taminy tamin’ny Batemy ho amin’ny fahafatesana isika, mba ho tahaka ny nananganana an’i Kristy ho velona, tamin’ny voninahitry ny Ray, no handehanantsika amin’ny fiainam-baovao koa.

5 Fa raha nampiraisina taminy tamin’ny fakan-tahaka ny nahafatesany isika, dia ho tahaka izany koa amin’ny fitsanganany;

6 fa fantatsika fa ilay olona tranainytoetrantsika dia niara-nofantsihana taminy, mba ho levona ny tenan’ny fahotana, ka tsy hanompo ny fahotana intsony isika,

7 satria izay maty dia afaka amin’ny fahotana.

8 Ary raha niara-maty tamin’i Kristy isika, dia mino fa hiara-belona aminy koa;

9 sady fantatsika fa rehefa nitsangan-ko velona Izy dia tsy maty intsony, tsy manan-kery aminy intsony ny fahafatesana.

10 Satria ny fahafatesany moa, dia fahafatesana indray maka ny amin’ny fahotana; fa ny fahavelomany kosa, dia fahavelomana ho an’Andriamanitra.

11 Ary aoka ho toy izany koa ianareo ka hanao ny tenanareo ho toy ny efa maty ny amin’ny fahotana, fa velona kosa ho an’Andriamanitra ao amin’i Kristy Jesoa.

Asan’ny fahotana sy asan’ny fahamarinana

12 Koa aoka ny fahotana tsy hanjaka amin’ny tenanareo mety maty, amin’ny fanarahana ny filàn-dratsiny;

13 ary aoka ny rantsam-batanareo tsy hatolotrareo ho an’ny fahotana hataony fiasana fanaovan-dratsy; fa atolory an’Andriamanitra ny tenanareo, izay maty no velona indray, sy ny rantsam-batanareo hataony fiasana fanaovam-pahamarinana.

14 Fa tsy hanan-kery aminareo ny fahotana, satria ianareo tsy ambanin’ny Lalàna, fa ambanin’ny fahasoavana.

Afahana amin’ny fahotana ny kristianina

15 Ahoana àry: hanota va isika, satria tsy ao ambanin’ny Lalàna, fa ao ambanin’ny fahasoavana? Sanatria izany!

16 Tsy fantatrareo va fa na iza na iza anoloranareo tena ho mpanompo mba hanaiky azy, dia mpanompon’izay ekenareo ianareo, na ny fahotana ho amin’ny fahafatesana izany, na ny fanekena ho amin’ny fahamarinana?

17 Ary isaorana Andriamanitra, fa na dia nanompo ny fahotana aza anie ianareo, dia nanaiky tao am-po tokoa ny fitsipi-pampianarana natolotra anareo;

18 ary rehefa afaka tamin’ny fahotana ianareo, dia tonga mpanompon’ny fahamarinana.

19 Miteny araka ny fanaon’ny olona aho, noho ny fahalemen’ny nofonareo: tahaka ny nanoloranareo ny tenanareo hanompo ny fahalotoana sy ny tsy fahamarinana hahatanteraka ny tsy fahamarinana, no aoka hanoloranareo ny rantsam-batanareo ankehitriny hanompo ny fahamarinana hahatanteraka ny fahamasinana.

20 Fa fony mpanompon’ny ota ianareo, dia olon-ko azy tamin’ny fahamarinana.

Ireo vokatry ny fahotana sy vokatry ny fahamarinana

21 Inona àry no vokatra azonareo tamin’izay? Vokatra mahamenatra anareo fe ankehitriny, fa fahafatesana no iafarany.

22 Ary ankehitriny kosa, rehefa afaka tamin’ny fahotana ianareo, ka efa tonga mpanompon’Andriamanitra, dia ny fahamasinana no vokatra azonareo, ary ny fiainana mandrakizay no hiafaranareo.

23 Fa ny fahafatesana no tambin’ny ota, ary ny fiainana mandrakizay ao amin’i Kristy Jesoa Tompontsika kosa no fanomezan’Andriamanitra.

Categories
Rômanina

Rômanina 7

Afahana amin’ny Lalàna ny kristianina

1 Tsy fantatrareo va, ry hava-malala (miteny amin’ny mahalala ny Lalàna aho), fa raha mbola velona ny olona no fehezin’ny lalàna?

2 Ohatra: ny vehivavy manam-bady dia fehezin’ny lalàna ho an’ny lahy raha mbola velona ny lahy: fa afaka amin’ny lalàn’ny lahy kosa izy rehefa maty ny lahy.

3 Koa raha mbola velona ny lahy no manambady olon-kafa izy, dia hatao hoe mpijangajanga izy; fa rehefa maty kosa ny lahy, na manam-bady olon-kafa aza izy, dia tsy mba mpijangajanga intsony, fa efa afaka amin’ny lalàn’ny lahy.

4 Toy izany koa ianareo, ry havako malala, maty ny amin’ny Lalàna noho ny Tenan’i Jesoa Kristy ianareo, mba ho vadin’ny hafa, dia Ilay nitsangan-ko velona, mba hahavokarantsika ho an’Andriamanitra.

5 Fa fony mbola tao amin’ny nofo isika, dia ny filàn’ny ota, izay nohetsehin’ny Lalàna, no niasa tao amin’ny rantsam-batantsika, hahavokatra ho an’ny fahafatesana;

6 fa ankehitriny kosa dia afaka amin’ny Lalàna isika fa efa maty ny amin’ny Lalàna izay nifehezana antsika, ka manompoan’Andriamanitraamin’ny fanahy vaovao, fa tsy amin’ny soratra lany taona.

Asan’ny Lalàna

7 Inona àry no holazaintsika: ota va ny Lalàna? Sanatria izany! Fa tsy nahalala ny fahotana aho, raha tsy tamin’ny Lalàna; ohatra, tsy ho nahalala ny fanirian-dratsy aho, raha tsy ny Lalàna no nilaza hoe:Aza maniry ratsy.

8 Dia io didy io no nohararaotin’ny fahotana hampihetsika ny fanirian-dratsy rehetra tato anatiko; satria raha tsy misy Lalàna, dia maty ny fahotana.

9 Izahodia olona tsy nanan-dalàna fahiny; fa nony tonga ny didy, dia nahazo aina ny fahotana,

10 ka maty terỳ aho. Noho izany, ny didy natao hahazoana fiainana no tonga nahazoako fahafatesana,

11 satria nohararaotin’ny fahotana hamitaka sy hamono ahy ny didy.

12 Masina ihany anefa ny Lalàna, ary masina ny didy, sady marina no tsara.

13 Koa zavatra tsara izany nanjary fahafatesana ho ahy? Sanatria izany! fa ny fahotana no nahafaty ahy tamin’ny zavatra tsara, mba hiharihary ny faharatsiany ka ho tonga mpanota erỳ ny fahotana noho ny didy.

Tolona ao anaty

14 Fa fantatsika fa ny Lalàna dia ara-panahy, ary izaho kosa dia ara-nofo, namidy ho andevon’ny fahotana.

15 Satria tsy hitako be ihany izay ataoko; tsy ny tiako no ataoko, fa ny hàlako no anoiko.

16 Koa rehefa ny tsy tiako no ataoko, dia miaiky aho fa tsara ny Lalàna.

17 Ary amin’izany dia tsy izaho intsony no manao izany, fa ny fahotana izay mitoetra ato anatiko.

18 Fa fantatro fa tsy mitoetra ato amiko ny tsara, izany hoe tsy ato amin’ny nofoko; ny fikasana fotsiny no ato amiko, fa tsy ny manatanteraka ny tsara,

19 satria tsy ny tsara izay tiako no ataoko, fa ny ratsy izay tsy tiako;

20 ka rehefa tsy ny tiako no ataoko, dia tsy izaho intsony no manao izany, fa ny fahotana izay mitoetra ato amiko.

21 Ka toa misy lalàna toy izao ato amiko: nony te hanao ny tsara aho, dia ny ratsy no indro misosoka.

22 Satria amin’ny olona ao anaty aho, dia mankasitraka ny lalàn’Andriamanitra ihany,

23 fa ny lalàna hitako amin’ny rantsam-batako sy manohitra ny lalàn’ny saina no manandevo ahy amin’ny lalàn’ny fahotana izay ao amin’ny rantsam-batako.

24 Indrisy! olo-mahantra aho; iza re no hanafaka ahy amin’ity vatam-pahafatesana ity?

25 Hisaorana anie Andriamanitra, amin’ny alalan’i Jesoa Kristy Tompontsika! Izaho izany, dia sady mpanompon’ny lalàn’Andriamanitra amin’ny saina no andevon’ny lalàn’ny fahotana amin’ny nofo koa.

Categories
Rômanina

Rômanina 8

Fiainana ao amin’ny Fanahy Masina

1 Koa ankehitriny, tsy misy fanamelohana intsony ho an’izay ao amin’i Kristy Jesoa sady tsy mandeha ara-nofo;

2 fa ny lalàn’ny Fanahin’ny aina no nanafaka ahy tamin’ny fahotana sy ny fahafatesana, tamin’ny alalan’i Kristy Jesoa.

3 Satria izay tsy vitan’ny Lalàna noho izy tsy nanan-kery azon’ny nofo, dia vitan’Andriamanitra tamin’ny nanirahany ny Zanany tao amin’ny endriky ny nofom-pahotana sy noho ny fahotana, ka nanameloka ny fahotana tao amin’ny nofony,

4 mba ho tanteraka ny fahamarinan’ny Lalàna ao amintsika, izay tsy mandeha ara-nofo, fa ara-panahy.

5 Fa izay ara-nofo dia mankafy ny zavatry ny nofo ary izay ara-panahy dia mankafy ny zava-panahy.

6 Ny fitiavan’ny nofo dia fahafatesana, fa ny fitiavan’ny Fanahy kosa dia fiainana amam-piadanana.

7 Satria ny fitiavan’ny nofo dia mifandrafy amin’Andriamanitra, fa tsy manaiky ny lalàn’Andriamanitra izy; sady tsy hainy aza izany.

8 Koa izay ao amin’ny nofo dia tsy mety ho sitrak’Andriamanitra.

9 Fa ianareo dia tsy ao amin’ny nofo, fa ao amin’ny Fanahy, raha mitoetra ao anatinareo koa ny Fanahin’Andriamanitra. Raha misy tsy manana ny Fanahin’i Kristy, dia tsy Azy izy;

10 fa raha ao anatinareo i Kristy, na dia maty aza ny vatana noho ny fahotana, dia miaina kosa ny fanahy noho ny fahamarinana.

11 Ary raha ny Fanahin’izay nanangana an’i Jesoa ho velona no mitoetra ao anatinareo, dia Izay nanangana an’i Kristy Jesoa koa no hamelona ny vatanareo mety maty, noho ny Fanahiny izay mitoetra ao anatinareo.

12 Koa amin’izany, ry kristianina havana, tsy mpitrosa amin’ny nofo isika, ka ho velona ara-nofo.

13 Satria raha velona ara-nofo ianareo dia ho faty; fa raha vonoinareo amin’ny Fanahy ny asan’ny nofo, dia ho velona ianareo.

Zanak’Andriamanitra noho ny asan’ny Fanahy Masina

14 Satria izay rehetra tarihin’ny Fanahin’Andriamanitra dia zanak’Andriamanitra.

15 Ary izany tokoa, satria tsy Fanahim-panandevozana no noraisinareo, ka hatahotra indray ianareo, fa Fanahim-pananganan-janaka, ka iantsoantsika hoe: Aba! Ray!

16 Ary ny Tenan’io Fanahy io ihany no vavolombelona miaraka amin’ny fanahintsika fa zanak’Andriamanitra isika.

17 Ary raha zanaka dia mpandova, eny sady mpandova an’Andriamanitra no mpiray lova amin’i Kristy, satria raha miara-mijaly aminy isika, dia hiara-komen-boninahitra aminy koa.

Nomanina homena voninahitra

18 Satria ataoko fa ny fahorian’izao fiainana izao dia tsy azo oharina amin’ny voninahitra ho avy izay haseho amintsika.

19 Fa indrakindrafana be ihany ny zava-boaary rehetra miandry ny fampisehoana ireo zanak’Andriamanitra;

20 satria izao zava-boaary rehetra izao dia natao mpanompo ny zava-poana, tsy araka ny nàhiny, fa noho ilay nampanompo azy,

21 nefa nahazo fanantenana fa izy aza dia hoalàna amin’ny fanandevozam-pahalòvana ho amin’ny fahafahana amam-boninahitr’ireo zanak’Andriamanitra.

22 Fa fantatsika fa, mandraka ankehitriny, dia miara-misento sy mijaly toy ny mihetsi-jaza izao zava-boaary rehetra izao.

23 Ary tsy izy ihany, fa na isika efa manana ny voaloham-bokatry ny Fanahy koa aza, dia misento ao anatintsika ao, miandry ny fananganan-janaka amam-panavotana ny vatantsika.

24 Fa vao amin’ny fanantenana fotsiny no nahavoavonjy antsika. Ary ny mahita izay antenaina, dia tsy mba manantena intsony, fa efa hitany ka ahoana indray no hanantenany?

25 Fa raha ny tsy hita no antenaintsika, dia miandry amim-paharetana isika.

26 Manaraka izany, ny Fanahy koa no manohana ny fahalementsika, satria na izay mety hangatahintsika aza tsy fantatsika, fa ny tenan’Izy Fanahy ihany no mangataka amin’ny fitarainana tsy hay lazaina;

27 ary izy mikaroka ny fo no mahalala izay irin’ny Fanahy, sy ny fifonany araka an’Andriamanitra ho an’ny olo-masina.

28 Fantatsika koa fa ny zavatra rehetra dia entin’Andriamanitra hahasoa izay tia Azy, dia ireo efa voaantso araka ny fandaharany.

29 Satria izay fantany rahateo no notendreny hitovy endrika amin’ny Zananykoa, mba ho Lahimatoa amin’ny rahalahy maro Izy.

Ny rafitra famonjena

30 Ary izay notendreny no nantsoiny koa; izay nantsoiny no nohamarininy koa; izay nohamarininy no nomeny voninahitra koa.

Antsa fiderana ny fitiavan’Andriamanitra

31 Inona àry no holazaintsika ny amin’izany? Raha Andriamanitra no momba antsika, iza no hahatohitra antsika?

32 Izy tsy nandala ny tena Zanany, fa nahafoy Azy ho antsika rehetra, ka ahoana no tsy hanomezany antsika ny zavatra rehetra koa miaraka aminy?

33 Iza no hiampanga an’izay voafidin’Andriamanitra?Andriamanitra no manamarina azy

34 ka zovy no hanameloka?Moa i Kristy va, Ilay efa maty, fa nitsangan-ko velona, sy mipetraka eo ankavanan’Andriamanitra ary mifona ho antsika?

35 Koa iza àry no hahasaraka antsika amin’ny fitiavan’i Kristy? Fahoriana va, sa fahaterena, sa fanenjehana, sa fahanoanana, sa tsy fananana inoninona, sa loza, sa sabatra?

36 Araka ny voasoratra hoe: «Ianao no amonoana anay isan’andro; mova tsy ny ondry famono no fihevitry ny olona anay.»

37 Amin’izany rehetra izany anefa, dia mihoatra noho ny mpandresy isika, amin’ny alalan’Ilay tia antsika.

38 Satria matoky aho fa na fahafatesana, na fiainana, na Anjely na ireo fahefana, na zavatra ankehitriny, na zavatra ho avy, na ireo fahefana,

39 na ny any ambony, na ny any ambany, na zava-boaary hafa, dia tsy hahasaraka antsika amin’ny fitiavan’Andriamanitra izay ao amin’i Kristy Jesoa Tompontsika.