Categories
1Timote

1Timote 6

Ireo mpanompon’olona

1 Ny mpanompo rehetra ao ambany jiogan’ny sasany, dia aoka hanao ny tompony ho mendrika hohajaina tokoa, mba tsy ho voateny ratsy ny Anaran’Andriamanitra sy ny fampianarany.

2 Ary raha mpino no tompon’izy ireo, dia havana iray finoana ihany ka aoka tsy hoesoiny, fa vao mainka hotompoiny tsaratsara kokoa aza, satria tsy iza fa havana iray finoana malalany ihany no tompoiny.

Ny tena mpampianatra sy ny mpampianatra sandoka

Tokony hampianarina sy hatorotoro tsara ny olona izany.

3 Raha misy mampianatra zavatra hafa noho izany, ka tsy manaiky ny teny marin’i Jesoa Kristy Tompontsika, sy ny teny fampianarana mampanaja an’Andriamanitra,

4 dia olona mpieboebo foana izany, sy tsy mahalala na inona na inona, fa adalan’ady hevitra aman’ady teny, izay miteraka fialonana, fifandirana, fanaratsiana, fiahiahian-dratsy,

5 fifanoherana tsy misy farany, fanaon’ny olona efa ratsy saina sy nialan’ny fahamarinana, ka manao ny fivavahana ho filan-karena.

6 Eny, harem-be tokoa ny fahazotoa-mivavaka, omban’ny fianinana;

7 satria tsy nitondra na inona na inona isika no niditra tamin’izao tontolo izao, ka iaraha-mahita fa tsy hahatondra na inona na inona koa no hiala eto:

8 koa rehefa manan-kohanina sy hitafiana, dia aoka hianina amin’izany.

9 Fa izay te hanan-karena, dia tafalatsaka amin’ny fakam-panahy sy ny fandrika amam-pilàna maro tsy misy heviny sy mampidi-doza, izay mandentika ny olona amin’ny fandringanana amam-pahaverezana.

10 Satria ny fitiavam-bola no fototry ny ratsy rehetra, ka ny sasany nentin’izany, dia efa nivily lavitry ny finoana, sy nandefona ny tenany tamin’ny fijaliana maro.

Fiangaviana mafy an’i Timote

11 Koa aoka àry ianao, ry olon’Andriamanitra, handositra izany zavatra izany, fa hikatsaka fahamarinana, fahazotoa-mivavaka, finoana, fitiavana, faharetana, fahalemem-panahy.

12 Miadia ny ady tsaran’ny finoana, ary mahazoa ny fiainana mandrakizay, izay niantsoana anao, sy nanaovanao fanekem-pinoana fatratra teo imason’ny vavolombelona maro.

13 Izao no ananarako anao eo anatrehan’Andriamanitra, mpamelona ny zavatra rehetra, sy i Kristy Jesoa, izay vavolombelona nanao ilay fanekena fatratra faha-Pôntsy-Pilaty:

14 tahirizo tsy hanam-pentina na hisy tsiny ny didy, hatramin’ny fisehoan’i Jesoa Kristy Tompontsika,

15 izay hasehon’Andriamanitra amin’ny fotoany, dia ilay Andriamanitra sambatra, Mpandidy tokana, Mpanjakan’ny mpanjaka, Tompon’ny tompo.

16 Izy irery no manana ny tsy fahafatesana, mipetraka ao amin’ny fahazavana tsy hay hatonina, tsy misy olombelona nahita Azy na mety hahita Azy, ary Azy ny voninahitra sy ny fanjakana mandrakizay. Amen.

Endriky ny mpanan-karena kristianina

17 Anaro ny mpanan-karena amin’izao fiainana izao, mba tsy hiavonavona, na hanantena harena tsy mateza, fa hanantena an’Andriamanitra, mpanome antsika malalaka ny zavatra ilaintsika;

18 ary hanao soa, sy ho tonga tena mpanan-karena amin’ny asa soa, hazoto manome sy miantra,

19 dia hihary fanorenana tsara ho an’ny tenany ho amin’ny andro ho avy izy, izay hahazoany manana ny tena fiainana.

Fiangaviana farany sy fanaovam-beloma

20 Ry Timote! tano izay napetrako taminao, ary halaviro ny lahateny foana tsy mahasoa, mbamin’ny fanoheran-kevitra avy amin’ny fahaizana mpisandoka anarana,

21 izay narahin’ny sasany ka nampihataka azy tamin’ny finoana.

Ho ao aminareo anie ny fahasoavana!

Categories
2Timote

2Timote 1

Fiarahabana sy fisaorana an’Andriamanitra

1 Izaho Paoly, Apôstôlin’i Jesoa Kristy noho ny sitrapon’Andriamanitra, mba hitory ny teny fampanantenana izay ao amin’i Kristy Jesoa,

2 mamangy an’i Timote, zanako malala: ho ao aminao anie ny fahasoavana sy ny famindram-po amam-piadanana, avy amin’Andriamanitra Ray sy i Kristy Jesoa Tompontsika.

3 Misaotra an’Andriamanitra Izay tompoiko amin’ny saina madio aho, araka ny nataon’ny razako; ary tsy mitsahatra ny mahatsiaro anao andro aman’alina amin’ny fivavahako.

4 Tsaroako izany ranomasonao, ka maniry hahita anao aho mba ho feno fifaliana.

5 Tsaroako koa ny finoana tsy misy famahony ao anatinao, izay nitoetra tao amin’i Loisa renibenao taloha, dia tao amin’i Eônisa reninao indray, ary matoky marina aho fa ao aminao koa izao.

Ireo fahasoavana azon’i Timote

6 Noho izany, mananatra anao aho mba hamelombelona indray ny fanomezam-pahasoavan’Andriamanitra ao anatinao, izay noraisinao tamin’ny fametrahako tanana taminao.

7 Fa tsy fanahy osa no nomen’Andriamanitra antsika, fa fanahy mahery sy be fitiavana ary mahonon-tena.

8 Koa aoka ianao tsy ho menatra ny ho vavolombelon’ny Tompontsika, sy noho ny amiko izay mpifatotra ho Azy, fa hiara-mijaly amiko noho ny Evanjely, miankina amin’ny herin’Andriamanitra,

9 izay namonjy antsika sy niantso antsika tamin’ny fiantsoana masina, tsy noho ny asantsika, fa araka ny fikasany sy ny fahasoavany izay nomeny antsika tao amin’i Kristy Jesoa, talohan’ny taona rehetra,

10 sy naharihary ankehitriny, tamin’ny nisehoan’i Jesoa Kristy Mpamonjy antsika, Ilay nanafoana ny fahafatesana, sy nanambara ny fiainana aman-tsy fahalòvana tamin’ny Evanjely.

11 Izany Evanjely izany no nanendrena ahy ho mpitory sy Apôstôly ary mpampianatra ny Jentily;

12 ary izany ihany koa no iaretako izao fijaliana ankehitriny izao; tsy menatra amin’izany anefa aho, fa fantatro Izay ninoako, ary matoky aho fa Izy no hahatahiry izay napetrakatamiko mandra-piavin’izay andro izay.

13 Tano amin’ny finoana sy ny fitiavana ao amin’i Kristy Jesoa ny mariky ny fampianarana marina renao tamiko.

14 Ary aoka ny Fanahy Masina, izay mitoetra ao amintsika, no hoentinao mitahiry ny zavatra tsara napetraka taminao.

15 Fantatrao fa efa nandao ahy ry zareo rehetra any Asia, isan’ireny i Figèlo sy i Hermôgena.

16 Fa homen’ny Tompo famindram-po kosa anie, ry i Onesifôro mianakavy, satria mazàna no namelom-bolo ahy izy, sady tsy menatra ny gadrako,

17 fa vao mainka koa nitady ahy fatratra aza izy tany Rôma ka nahita ahy;

18 ny Tompo anie hampahita azy famindram-po amin’ny Tompo amin’izay andro izay, ary ianao no mahalala indrindra ny fanompoana rehetra nataony tamiko tany Efezy.

Categories
2Timote

2Timote 2

Hevitry ny fijaliana iaretan’ny kristianina apôstôly

1 Koa ny aminao àry, anaka, dia aoka hihamahery amin’ny fahasoavana ao amin’i Kristy Jesoa ianao;

2 ary aoka ny fampianarana renao tamiko teo anatrehan’ny vavolombelona maro, hafindranao amin’ny olona mahatoky izay hahay mampianatra ny sasany kosa indray.

3 Miareta ny anjara fijalianao amin’ny maha-miaramila tsaran’i Kristy Jesoa anao.

4 Ny miaramila te hahazo sitraka amin’izay nandatsaka azy, dia tsy mba misy maningo-tena amin’ny raharahan’izao fiainana izao;

5 izay mifaninana hahazo loka amin’ny kianja filalaovana koa, tsy mahazo satroboninahitra raha tsy niady ara-dalàna;

6 ary ny mpiasa tany tsy maintsy misasatra aloha, ka raha efa izany vao mandray ny vokatra.

7 Diniho izay lazaiko aminao, fa homen’ny Tompo fahalalana amin’ny zavatra rehetra ianao.

8 Tsarovy fa i Jesoa Kristy, Ilay avy amin’ny taranak’i Davida, dia nitsangan-ko velona araka ny Evanjely toriko,

9 izay iaretako fijaliana hatramin’ny fatorana toy ny olon-dratsy aza; ny tenin’Andriamanitra anefa tsy mba voafatotra.

10 Noho izany dia miaritra ny zavatra rehetra aho, noho ny amin’ny olom-pinidy, mba hahazoan’izy ireo koa ny famonjena izay ao amin’i Kristy Jesoa, mbamin’ny voninahitra mandrakizay.

11 Teny mahatoky tokoa izao: raha miara-maty aminy isika, dia hiara-belona aminy koa;

12 raha miaritra isika, dia hiara-manjaka aminy; raha mandà Azy isika, dia Izy koa handà antsika;

13 raha mivadika isika, Izy tsy mivadika na oviana na oviana, fa tsy mahazo mandà ny Tenany.

Fanoherana ireo mpampianatra sandoka

14 Ampahatsiarovy ny olona izany, ary anaro eo anatrehan’Andriamanitra izy mba tsy hiady teny foana, satria tsy mahasoa akory izany, fa mamohehatra ny mpihaino aza.

15 Mikeleza aina mba hiseho amin’Andriamanitra ho lehilahy voazaha toetra, sy mpanompo tsy mahazo henatra, ary mizotra mahitsy amin’ny teny fahamarinana.

16 Halaviro ireny fibedibedena mandoza ireny, fa mbola handroso ny haratsian’ireny mpanao izany,

17 ary mihinana toy ny fery mihady ny tenany; amin’ireny i Himeneo sy i Fileto,

18 izay nania tamin’ny marina, ka milaza fa efa vita sahady ny fitsanganan’ny maty, ary mandrava ny finoan’ny sasany.

19 Tsara orina anefa ny fanorenana mafy nataon’Andriamanitra, sady voaisy tombokase hoe:Fantatry ny Tompo ny Azy,sy hoe: Aoka hiala amin’ny ratsy izay rehetramanonona ny Anaran’ny Tompo.

20 Tsy fanaka volamena sy volafotsy ihany no ao amin’ny trano be soa, fa fanaka hazo sy tany koa, ka ny sasany hajaina, fa ny sasany kosa atao tsinontsinona.

21 Koa izay nandio ny tenany ho afaka amin’ireny zavatra ratsy ireny, dia ho fanaka mihaja, voahasina, mahasoa ho an’ny tompony ary voaomana amin’ny asa soa rehetra.

22 Andosiro ny filàn’ny tanora fanahy; ary mikatsaha fahamarinana, finoana, fitiavana, ary fihavanana amin’izay miantso ny Anaran’ny Tompo amin’ny fo madio.

23 Ialao ny ady hevitra adaladala sy tsy misy antony, satria fantatrao ihany fa mahatonga fifandirana ireny.

24 Fa tsy mety amin’ny mpanompon’Andriamanitra ny miady; fa izy tsy maintsy ho olona malemy fanahy amin’ny olona rehetra, mahay mampianatra, mahay mandefitra,

25 mananatra ny mpanohitra amin-kalemem-panahy, fa angamba homen’Andriamanitra fibebahana hahalala ny marina izy,

26 ka hody ny sainy, ary ho afaka amin’ny fandriky ny demony izy, izay nanao azy sambo-belona mba hanao ny sitrapony.

Categories
2Timote

2Timote 3

Fampitandremana amin’ny loza amin’ny andro farany

1 Aoka ho fantatrao fa any aoriana any, dia hisy andro sarotra;

2 fa ho tia tena ny olona, ho tia vola, ho mpandoka tena, mpiavonavona, mpiteny ratsy, mpanohi-dray aman-dreny, tsy mankasitraka, tsy tia vavaka,

3 tsy manam-pitiavana, tsy azo havanina, mpanendrikendrika, tsy mahonon-tena, lozabe, tsy tia ny tsara fanahy,

4 mpamadika, mpidaondaom-bava, mpieboebo, tia ny fahafinaretan’ny nofo mihoatra noho Andriamanitra,

5 ary manana ny endriky ny fitiavam-bavaka, nefa tsy manana ny heriny: ireny koa halaviro.

6 Fa anisan’izany ireo mitsofoka any an-tranon’ny sasany mambabo vehivavy adala vesaran’ny ota sy tarihin’ny filana maro,

7 ary mianatra mandrakariva, nefa tsy mahatratra ny fahalalana ny marina na oviana na oviana.

8 Tahaka ny nanoheran’i Janesy sy i Jambresy an’i Môizy no anoheran’ireo koa ny fahamarinana, dia olona ratsy fanahy sy melo-pinoana,

9 kanefa tsy handroso intsony izy, fa hiharihary amin’ny olona rehetra tahaka ny azy roa lahy ireo koa ny hadalany.

10 Fa ianao kosa efa nanaraka tsara ny fampianarako, ny fitondran-tenako, ny kendreko, ny finoako, ny fandeferako, ny fitiavako, ny faharetako,

11 ny fanenjehana sy ny fahoriana nanjò ahy, toy ny tany Antiôkia sy tany Ikonioma ary tany Listra; niaritra fanenjehana tokoa aho, fa nanafaka ahy hatrany hatrany ny Tompo.

12 Dia hita fa izay rehetra te ho velona araka an’Andriamanitra ao amin’i Kristy Jesoa dia hoenjehina,

13 fa ny ratsy fanahy sy ny mpisandoka kosa dia handroso miharatsy ihany, sady mpamitaka no fitahina.

14 Ary ianao kosa dia mahareta amin’izay zavatra nianaranao sy azonao antoka, fa fantatrao ilay nampianatra anao,

15 sady hatry ny fony mbola zaza ianao no efa nahalala Soratra Masina, izay mampahendry anao ho amin’ny famonjena noho ny finoana an’i Kristy Jesoa.

16 Satria ny Soratra rehetra avy amin’ny fanilovan’Andriamanitra dia mahasoa ho fampianarana, ho fandresen-dahatra, ho fananarana, ho fanabeazana amin’ny fahamarinana,

17 mba hahalavorary ny olon’Andriamanitra sy hahavonona azy ho amin’ny asa soa rehetra.

Categories
2Timote

2Timote 4

Fiangaviana amin’ny fomba manetriketrika

1 Izao no angatahina aminao, eo anatrehan’Andriamanitra sy i Kristy Jesoa, izay hitsara ny velona sy ny maty, ary noho ny andro hahatongavany sy hanjakany:

2 mitoria ny teny, ary mahareta amin’izany na amin’ny fotoana, na tsy amin’ny fotoana: manitsia, mananara, mamporisiha, amim-pandeferana sy amim-pahaizana mandrakariva,

3 Fa ho avy ny andro tsy hahazakàn’ny olona ny fampianarana marina intsony; fa mpampianatra araka ny filàny no hovoriny ho azy sy hahalian-tsofina azy;

4 dia hanentsin-tadîny amin’ny marina izy ireo, fa hanongilan-tsofina amin’ny angano foana.

5 Fa ianao kosa, malìna amin’ny zavatra rehetra, miareta amin’ny fahoriana, ataovy ny asan’ny mpitory Evanjely, ary imasoy ny anjara raharahanao.

I Paoly eo amin’ny faran’ny fiainany

6 Fa izaho dia mova tsy ny efa haidinaho fanatitra sahady, ary efa antomotra ny andro hialako.

7 Niady ny ady tsara aho, nahatanteraka ny fihazakazahana aho, nitahiry ny finoana aho;

8 hany sisa hataoko dia ny mandray ny satroboninahitry ny fahamarinana, izay homen’ny Tompo mpitsara marina ahy amin’izany andro izany, ary tsy ho ahy ihany, fa ho an’izay rehetra tia ny hahatongavany koa.

Fara hafatra

9 Tongava faingana atỳ amiko ianao; fa nilaozan’i Demasy aho, noho ny fitiavany an’izao tontolo izao, ka lasa nankany Tesalonika izy.

10 I Kresensy lasa nankany Galasia, ary i Tito any Dalmasia,

11 i Lioka irery no eto amiko, ka alao i Marka, ento miaraka aminao, fa manampy ahy fatratra amin’ny raharaha izy.

12 I Tisìko dia nirahiko ho any Efezy.

13 Ento kely ilay kapaoty navelako tany Trôasy ao amin’i Karposy rehefa mankatỳ ianao, ary ny boky koa, fa indrindrany taratasy hoditra.

14 Be loatra ny ratsy nafitsok’i Aleksandra mpanefy varahina tamiko; ny Tompo no hamaly azy araka ny asany.

15 Ary ianao koa mitandrema tena tsara aminy, fa mafy izay nanoherany ny teninay izay.

16 Tsy nisy nanampy ahy tamin’ny nandaharako voalohany hiaro tena; fa nilaozan’izy rehetra aho; enga anie ka tsy hotanana ho helony izany!

17 Kanefa tonga namonjy ahy ny Tompo, sy nankahery fo ahy, mba hanatontosako ny fitorian-teny, sy handrenesan’ny Jentily rehetra azy, sady nesorina teo am-bavan’ny liona aho.

18 Hanafaka ahy amin’ny asa ratsy rehetra ny Tompo, ary hamonjy ahy ho amin’ny fanjakany any an-danitra. Ho Azy anie ny voninahitra mandrakizay. Amen.

Veloma sy firariana farany

19 Veloma any amin’i Priska sy i Akilasy ary ny fianakavian’i Onesifôro.

20 Nijanona any Kôrinto i Erasta; ary navelako any Mileto i Trôfima fa narary.

21 Aza ela, fa tongava atỳ alohan’ny ririnina. Manao veloma anao i Eobôlo, sy i Pôdensy, sy i Lino, ary i Klaodià, mbamin’ny havana rehetra iray finoana.

22 Ho ao amin’ny fanahinao anie i Jesoa Kristy Tompo. Ary ho ao aminareo anie ny fahasoavana.

Categories
Tito

Tito 1

Fiarahabana

1 Izaho Paoly, mpanompon’Andriamanitra sy Apôstôlin’i Jesoa Kristy momba ny finoan’ny olom-pinidin’Andriamanitra sy ny fahalalana tsara ny marina izay mahasoa ny fanahy,

2 noho ny fanantenana ny fiainana mandrakizay izay nampanantenain’Andriamanitra tsy mahay mandainga, talohan’ny taona rehetra,

3 fa tamin’ny fotoana voatendriny no nampiharihariany ny teniny tamin’ny fitorian-teny izay napetraka tamiko araka ny didin’Andriamanitra Mpamonjy antsika:

4 dia mamangy an’i Tito, zanako malala amin’ny finoana iombonantsika; ho ao aminao anie ny fahasoavana sy ny fiadanana avy amin’Andriamanitra Ray sy i Jesoa Kristy Mpamonjy antsika.

Fametrahana an’ireo Pretra

5 Ny antony namelako anao tany Kreta dia ny mba hamitanao ny fandaminana ny zavatra rehetra, sy hanendrenao Pretra isan-tanàna, araka ny nandidiako anao:

6 dia olona tsy manan-tsiny, nanambady indray mandeha ihany, sady mpino ny zanany no tsy ampangaina ho mpanaram-po amin’ny ratsy, na maditra.

7 Fa ny miadidy ny Eglizy, dia mpitandrin’Andriamanitra, ka tsy maintsy ho olona tsy manan-tsiny, tsy miavonavona, tsy mora tezitra, tsy tia divay loatra, tsy mpikapoka, tsy mpila vola;

8 fa ho tsara fandray vahiny, mazoto manao soa, malina, marina, masina, mahafehy tena,

9 mitana mafy ny teny marina nampianarina azy, mba hahaizany mamporisika araka ny fampianarana marina, sy handresy lahatra izay manohitra izany.

Fanoherana an’ireo mpampianatra sandoka

10 Fa maro no manohitra sy mpanao laha-pahitra ary manambosy ny sasany, indrindra fa amin-dry zareo voafora,

11 ka tsy maintsy tampenam-bava ireny, fa manakorontana fianakaviana maro, sy mampianatra ny tsy mety mba hilany vola.

12 Hoy ny anankiraytamin’izy ireny, izay ataony ho mpaminaniny: «Ny olona any Kreta dia fandainga lalandava, biby masiaka, kamo be tenda.»

13 Filazana marina izany. Ka asio mafy izy ireo mba ho marim-pinoana,

14 sy tsy hihaino izay anganongano foanan’ny Jody, na ny didin’ny olona mihataka amin’ny fahamarinana.

15 Madio ny zavatra rehetra amin’ny olona madio; fa amin’ny olona maloto sy tsy mino kosa, dia tsy misy madio na inona na inona, fa voaloto avokoa na ny sainy na ny fieritreretany.

16 Manao azy ho mahalala an’Andriamanitra izy ireo, nefa mandà Azy amin’ny asany, satria olona vetaveta sy manohitra ary tsy mahavita asa soa na inona na inona.

Categories
Tito

Tito 2

Adidy manokana amin’ny sokajin’ny mpino sasany

1 Fa ianao kosa, milazà mety araka ny fampianarana marina;

2 amin’ny lehilahy lehibe, mba hahalala onony, mendrika, malina, mijoro tsara amin’ny finoana sy amin’ny fitiavana ary amin’ny fandeferana;

3 amin’ny vehivavy lehibe kosa, mba hiseho maotona sy masina, tsy mpanendrikendrika, tsy andevozin’ny divay be, fa mpampianatra ny zavatra tsara,

4 mba ho afa-manoro ny vehivavy tanora fanahy ho tia ny vadiny aman-janany,

5 hahonon-tena, ho madio fitondran-tena, hikarakara ny tokantranony, halemy fanahy, hanaiky ny vadiny, mba tsy hitenenan-dratsy ny tenin’Andriamanitra.

6 Amporisiho toy izany koa ny tovolahy mba ho hendry,

7 ka ny tenanao no misehoa ho fakan-tahaka ny asa tsara rehetra amin’ny zavatra rehetra; aoka ny fampianaranao ho madio, maotona,

8 marina, ary tsy manan-tsiny, mba ho menatra ny mpanohitra antsika, fa tsy hahita kilema hanesoana antsika.

9 Ny mpanompo koa dia anaro hanaiky ny tompony, hanao izay mahafaly azy amin’ny zavatra rehetra, fa tsy hamalivaly foana,

10 tsy hangala-tety, fa hiseho ho olo-mahatoky tokoa, mba hahazo voninahitra amin’ny zavatra rehetra ny fampianaran’Andriamanitra, Mpamonjy antsika.

Fototra ara-pinoana iorenan’ireo zavatra takina ireo

11 Fa efa niseho ny fahasoavan’Andriamanitra, loharanom-pamonjena ho an’ny olona rehetra,

12 mampianatra antsika hamela ny toe-panahy tsy araka an’Andriamanitra sy ny filàn’izao tontolo izao, fa ho velona amin’ity fiainana ity manana ny toetr’olona mahalala onony, marina, tia vavaka,

13 miandry ny fahasambarana antenaintsika sy ny voninahitr’Andriamanitra lehibe sy Mpamonjy antsika, dia i Jesoa Kristy,

14 Izay nanolo-tena ho antsika mba hanavotra antsika ho afaka amin’ny ota rehetra, sy hanadiovany ho an’ny Tenany ny vahoaka izay ho Azy tokoa sady fatra-pitia ny asa soa rehetra.

15 Izany no tsy maintsy hotorìnao sy hamporisihanao ary hananaranao amim-pahefana lehibe. Aza avela hisy olona maneso anao.

Categories
Tito

Tito 3

Adidin’ny mpino amin’ny ankapobeny

1 Ampahatsiarovy ny mpino fa adidin’izy ireo ny manaiky ny mpanapaka sy ny manam-pahefana, ka tsy maintsy manoa azy ireo izy sy vonon-kanao ny asa soa rehetra,

2 tsy hilaza ratsy olona, tsy hifanditra, fa hifanaraka sy hampiseho halemem-panahy lehibe amin’ny olona rehetra.

3 Fa isika koa fahiny mba efa adala, tsy nanaiky, naniasia, andevon’ny faniriana amam-pilàn-dratsin’ny nofo rehetra, mpisompatra sy mpialona ka sady tandrifiny hankahalaina no nifankahala koa.

4 Saingy nony niseho ny famindram-po amam-pitiavan’Andriamanitra Mpamonjy antsika olombelona,

5 dia tsy noho ny asan’ny fahamarinana nataontsika, fa noho ny famindram-pony; Izy no namonjy antsika tamin’ny fanasananahaterahantsika indray sy ny fanavaozan’ny Fanahy Masina,

6 Izay nampidininy be dia be tamintsika tamin’ny alalan’i Jesoa Kristy Mpamonjy antsika;

7 mba hohamarinin’ny fahasoavana isika ka ho tonga mpandova am-panantenana ny fiainana mandrakizay.

Torohevitra manokana ho an’i Tito

8 Teny marina tokoa izany ka tiako hoanterinao tsara ny filaza azy, mba hikely aina amin’ny fanaovana asa soa izay mino an’Andriamanitra. Izany no tsara sy mahasoa ny olona.

9 Fa raha ny amin’ny fandinihan-javatra tsy misy heviny kosa, mbamin’ny tantaram-pirazanana, ny fifandirana, ny ady hevitra foana momba ny Lalàna, dia ialao ireny, fa sady tsy mahasoa no zava-poana.

10 Ny olona tia fisarahan-kevitra koa ialao rehefa nanarinao tsy zaka, indray maka na indroa,

11 satria fantatrao fa efa ratsy mihitsy ny toy izany sady manota, fa ny tenany aza no manameloka azy.

Hafatra sy firariana ary veloma

12 Rehefa maniraka an’i Artemasy na i Tisìko atỳ aminao aho, dia tongava faingana atỳ amiko atỳ Nikôpôlisy, fa mikasa handany ny ririnina any aho.

13 Vonony tsara izay ilain’i Zenasy mpahay ny Lalàna sy i Apôlô amin’ny diany, mba tsy hisy tsy ampy izay ilainy.

14 Aoka ny havantsika iray finoana koa hianatra hanao asa soa mba ho afa-manampy rehefa misy mahaporitra, fandrao olona tsy misy vokany izy.

15 Manao veloma anao avokoa izay rehetra tia antsika amin’ny finoana. Ho ao aminareo rehetra anie ny fahasoavana.

Categories
Filemôna

Filemôna 1

Fiarahabana

1 I Paoly mpifatotra noho ny amin’i Kristy Jesoa sy i Timote namana iray finoana, mamangy an’i Filemôna malala sady mpiara-miasa aminay,

2 sy i Apia anabavy malala, sy i Arkipo mpiara-miady aminay, ary ny Eglizy izay ao an-tranonao:

3 ho ao aminareo anie ny fahasoavana sy ny fiadanana avy amin’Andriamanitra Raintsika sy i Jesoa Kristy Tompo.

Be fitiava-namana i Filemôna.

Fisaorana an’Andriamanitra sy vavaka

4 Mahatsiaro anao mandrakariva amin’ny fivavahako aho ka misaotra an’Andriamanitra,

5 satria reko ny finoanao an’i Jesoa Tompo sy ny fitiavanao ny olona masina rehetra.

6 Enga anie ny hazavam-ponao avy amin’ny finoana ka hanan-kery tokoa hampiharihary fatratra ny soa rehetra ananantsika amin’ny alalan’i Kristy!

7 Fa mameno hafaliana amam-panalana alahelo ahy ny fitiavanao, noho ianao efa namelombelona ny fon’ny olona masina, ry rahavana.

Fiangaviana handraisana an’i Onesimo

8 Koa amin’izany, na dia azoko atao aza ny mandidy anao ao amin’i Kristy amin’izay tokony hataonao,

9 dia aleoko miangavy aminao noho ny fitiavana. Hitanao izaho Paoly efa antitra sady mpifatotr’i Jesoa Kristy koa ankehitriny,

10 dia mifona aminao ho an’i Onesimo zanako naterako teto am-patorana,

11 izay tsy nahasoa anaoloatra fahiny, fa mahasoa antsika tokoa ankehitriny, dia ianao sy izaho.

12 Ampodiko atỳ aminao izy, ilay sombin’ny aiko.

13 Nikasa hihazona azy tatỳ amiko aho, mba hanompo ahy ho solonao, eto amin’ny fifatorako noho ny amin’ny Evanjely;

14 saingy naleoko tsy nanao na inona na inona raha tsy teny ierana aminao, mba tsy ho an-tery setra ny asa soanao, fa ho an-tsitrapo tokoa.

15 Angamba koa i Onesimo no niala vetivety teto aminao, dia ny mba hanananao azy mandrakizay,

16 tsy toy ny mpanompo intsony, fa mihoatra noho ny mpanompo, dia tahaka ny rahalahy malala, ho ahy indrindra ary mainka fa ho anao, na araka ny nofo, na araka ny Tompo.

17 Koa raha ataonao ho namanao tokoa aho, dia raiso tahaka ny tenako izy;

18 ary raha nanao ny tsy marina taminao izy, na nitrosa taminao, dia ataovy ho trosako aminao izany.

19 Izaho Paoly no manoratra ity amin’ny tanako, izaho no hanefa izany, mba tsy hilazako aminao fa mpitrosako ianao, ary ahy mbamin’ny tenanao aza.

20 Eny, rahavako, aoka hifaliako ao amin’ny Tompo ianao, ka velombelomy ao amin’i Kristy ny foko.

21 Izaho no nanoratra ity taminao, dia matoky marina fa hoekenao ary hanao mihoatra noho izay angatahiko aza ianao.

Torohevitra sy fanaovam-beloma

22 Dia mba anomano trano hitoerako koa aho, fa noho ny vavaka ataonareo dia manantena aho fa haverina aminareo.

23 Manao veloma anao i Epafrasy, mpiara-mifatotra amiko ao amin’i Kristy Jesoa,

24 sy i Marka, sy i Aristarka sy i Demasy, ary i Lioka, izay mpiara-miasa amiko.

25 Ho ao amin’ny fanahinareo anie ny fahasoavan’i Jesoa Kristy Tompontsika.

Categories
Hebrio

Hebrio 1

Fahambonian’ny Zanak’Andriamanitra tonga nofo

1 Fahiny, tamin’ny fotoana sy ny fomba samihafa, dia efa niteny tamin’ny razantsika Andriamanitra, tamin’ny vavan’ny mpaminany;

2 fa amin’izao andro farany izao kosa indray, dia tamin’ny Zanany no nitenenany tamintsika, dia Ilay notendreny ho mpandova ny zavatra rehetra, sy nahariany an’izao tontolo izao.

3 Io Zanany io izay famirapiratan’ny voninahiny, sy mariky ny Tenany, ary manohana ny zavatra rehetra amin’ny herin’ny teniny, dia mipetraka eo ankavanan’ny fiandrianany masina any amin’ny avo indrindra nony avy nanao ny fanadiovana ny fahotantsika.

4 ka natao ambonin’ny Anjely, arakaraka ny fahambonian’Anarana nolovany, fa tsy tahaka ny azy ireo.

Porofo araka ny Soratra Masina

5 Fa Anjely iza no mba nilazan’Andriamanitra hoe:Zanako Ianao, Izaho no niteraka Anao androany? sy ny hoe:Izaho no Rainy, ary Izy no Zanako?

6 Ary rehefa mampiditrany Lahimatoa atỳ ambonin’ny tany indray izy, dia manao hoe:Aoka hitsaoka azy ny Anjelin’Andriamanitra rehetra.

7 Ny Anjely lazainy hoe:Nanao ny Anjeliny ho rivotra Izy, ary ny mpanompony ho lelafo;

8 fa ny Zanaka kosa ataony hoe:Ny seza fiandriananao, Andriamanitra ô, dia mandrakizay doria, ary ny tehim-pahitsiana no tehim-panjakanao.

9 Tia ny fahamarinana Ianao, fa mankahala ny heloka kosa, ka nohosoran’Andriamanitra, izay Andriamanitrao, diloilom-pifaliana mihoatra noho ny namanao rehetra.

10 Ary izao koa:Ianao, Tompo ô, no nanorina ny tany tamin’ny voalohany, ary asan-tananao ny lanitra.

11 Izy ireo ho levona, fa Ianao haharitra; ho tonta toy ny fitafiana izy,

12 ary havalonao toy ny lamba, ka hovana avokoa; fa Ianao no tsy miova, ary ny taonanao no tsy ho tapitra.

13 Ary iza tamin’ny Anjely no nataony hoe:Mipetraha eo ankavanako, ambara-panaoko ny fahavalonao ho fitoeran-tongotrao?

14 Moa tsy fanahy manompo va izy rehetra, nirahina hanao fanompoana ho an’izay handova ny famonjena?