Categories
Fanisana

Fanisana 4

A. Ny Kaatita

1 Ary niteny tamin’i Môizy sy i Aarôna i Iaveh ka nanao hoe:

2 Isao ny taranak’i Kaata amin’ny taranak’i Levỳ, araka ny fianakaviany sy ny fokom-pianakaviany avy,

3 hatramin’ny telopolo taona no ho miakatra ka hatramin’ny dimampolo taona; dia izay rehetra voatendry hanao fanompoana hahavita raharaha ao amin’ny trano lay fihaonana.

4 Izao no raharaha hataon’ny taranak’i Kaata ao amin’ny trano lay fihaonana: hitondra ny fanaka masina indrindraizy.

5 Rehefa hifindra lasy, dia i Aarôna sy ny zanany aloha no ho avy hampidina ny lamba fanakonana, ka ny fiaran’ny vavolombelona, dia hosaronany amin’io;

6 ary hodi-dogaona no harakony eo ambonin’io; lamba jaky volomparasy iray volo no hovelariny ambonin’izay; izay vao hapetany eo ny baony.

7 Ny latabatry ny mofo alahatra, dia hovelarany lamba jaky volomparasy ka hapetrany eo amboniny, ny lovia, ny kalisy, ny kapoaka, ary ny kôpy amin’ny fanatitra araraka, ary ny mofo mifandimby tsy tapaka, dia hatao eo ambonin’ny latabatra.

8 Hovelarany lamba mena antitra eo amboniny ireo, sy horakofany firakotra hodi-dogaona vao hapetany ny baon’ny latabatra.

9 Haka lamba jaky volomparasy izy ireo handrakofany ny fanaovan-jiro mbamin’ny lalampiny, ny hetin-jirony, ny fitoeran-davenon-jirony, ny fitoeran-diloilo fanao aminy, sy izay ilaina aminy;

10 ary hataony ao anatin’ny firakotra hodi-dogaona izy mbamin’ny fanaka rehetra momba azy, vao hapetrany eo ambonin’ny filanjana izy.

11 Ny ôtely volamena dia hovelariny lamba jaky volomparasy sy hofonosiny firakotra hodi-dogaona vao hametahany ny baony.

12 Halainy ny fanaka rehetra fanaovana ny fanompoana ao amin’ny fitoerana masina, ka hataony ao anatin’ny lamba jaky volomparasy sy hofonosiny firakotra hodi-dogaona, vao hapetrany eo ambonin’ny filanjana azy.

13 Hoesoriny ny lavenona eo amin’ny ôtely dia hovelarany lamba jaky mena mangatrakatraka eo amboniny;

14 ka hapetrany eo amboniny avokoa ny fanaka rehetra ilaina amin’ny raharaha atao aminy, dia ny fatana, ny fitrebika, ny sotron’afo, ny tavy ary ny fanaka rehetra momba ny ôtely; hovelarany firakotra hodi-dogaona eo amboniny ireo, vao hapetany eo ny baony.

15 Rehefa vitan’i Aarôna sy ny zanany ny fanaronana ny fitoerana masina mbamin’ny fanaka rehetra momba azy, ka hifindra lasy, dia ho avy ny taranak’i Kaata hitondra azy; tsy hikasika ny zavatra masinaanefa izy ireo, fandrao maty. Izany zavatra momba ny trano lay fihaonana izany, no ho anjara entan’ny taranak’i Kaata.

16 I Eleazara zanak’i Aarôna mpisorona, no hitandrina ny diloilon’ny fanaovan-jiro, ny zava-manitra mani-pofona, ny fanatitra tsy tapaka ary ny diloilo fanosorana, dia hitandrina ny Fonenana manontolo mbamin’izay rehetra ao anatiny, ny fitoerana masina mbamin’ny fanaka rehetra momba azy.

17 Ary niteny tamin’i Môizy sy i Aarôna i Iaveh ka nanao hoe:

18 Tandremo sao voafongotra ny fokon’ny fianakavian’ny Kaatita eo afovoan’ny Levita.

19 Izao no ataovy amin’izy ireo, mba ho velona izy fa tsy ho faty, raha manatona ny zavatra masina indrindra: i Aarôna sy ny zanany ihany no hiditra, dia hanome azy ireo ny anjara raharaha sy anjara entany tsirairay avy,

20 fa ny Levita kosa dia tsy hiditra hijery ny zavatra masina, na dia indray mipỳ maso aza, fandrao maty izy.

B. Ny Gersônita

21 Niteny tamin’i Môizy i Iaveh ka nanao hoe:

22 Isao koa ny taranak’i Gersôna, araka ny fianakaviany avy;

23 ny hatramin’ny telopolo taona no ho miakatra, dia hatramin’ny dimampolo, no alao isa, dia izay rehetra tsy maintsy manao ny fanompoana izay manana anjara raharaha ao amin’ny trano lay fihaonana.

24 Izao no fanompoana hataon’ny fokon’ny Gersônita, dia ny anjara raharahany sy ny anjara entany:

25 Hitondra ny ambain’ny Fonenana sy ny trano lay fihaonana izy, mbamin’ny firakony sy ny sarona hodi-dogaona izay fanao eo amboniny, ny varavarana lamba izay eo amin’ny fidiran’ny trano lay fihaonana,

26 ny fefy lamban’ny kianja manodidina ny Fonenana sy ny ôtely, ary ny kofehy amam-panaka rehetra momba azy; dia izy ireo no hanao ny fanompoana rehetra momba izany.

27 I Aarôna sy ny zanany no handahatra ny raharaha rehetra hataon’ny taranaky ny Gersônita momba ny zavatra rehetra hoentiny sy ny zavatra rehetra hataony; homenareo hotandremany ny zavatra rehetra tsy maintsy entiny.

28 Izany no fanompoan’ny fianakavian’ny zanaky ny Gersônita amin’ny trano lay fihaonana, izany no raharahany eo ambanin’ny fitandreman’i Itamara, zanak’i Aarôna mpisorona.

D. Ny Merarita

29 Alao isa ny taranak’i Merarỳ, araka ny fianakaviany, araka ny fokom-pianakaviany avy,

30 ny hatramin’ny telopolo taona no ho miakatra, dia hatramin’ny dimampolo taona no hisainao, dia izay rehetra tsy maintsy manao ny fanompoana, izay manana anjara raharaha ao amin’ny trano lay fihaonana.

31 Ka izao no omena hokarakarainy, dia ny zavatra hoentiny araka ny fanompoany rehetra ao amin’ny trano lay fihaonana: ny hazo fisaka amin’ny Fonenana, ny barany, ny andriny, ny faladiany,

32 ny andry amin’ny kianja manodidina azy, ny faladian’ireo, ny tsîmany, ny kofehiny, mbamin’ny fanaka rehetra momba azy, ary ny zavatra rehetra ilaina aminy. Tano an-tsoratra ny anaran’ny zavatra nomeny hoentiny.

33 Izany no fanompoan’ny fianakavian’ny zanak’i Merarỳ, dia ny fanompoana rehetra momba ny trano lay fihaonana, eo ambany fifehezan’i Itamara, zanak’i Aarôna mpisorona.

Fanisana ny Levita

34 Ary i Môizy sy i Aarôna mbamin’ny filohan’ny fiangonana nanisa ny taranaky ny Kaatita, araka ny fianakaviany, araka ny fokom-pianakaviany avy,

35 hatramin’ny telopolo taona no ho miakatra, dia hatramin’ny dimampolo taona, izay rehetra tsy maintsy manao ny fanompoana, izay manana anjara raharaha ao amin’ny trano lay fihaonana.

36 Dia 2.750 no isan’ny voaisa araka ny fianakaviany.

37 Ireo no voaisa tamin’ny fianakavian’ny Kaatita, dia izay rehetra manao fanompoana ao amin’ny trano lay fihaonana. Araka ny didy nomen’i Iaveh tamin’ny alalan’i Môizy no nanaovan’i Môizy sy i Aarôna izany fanisana izany.

38 Ny voaisa tamin’ny taranak’i Gersôna araka ny fianakaviany, araka ny fokom-pianakaviany avy,

39 ny hatramin’ny telopolo taona no ho miakatra dia hatramin’ny dimampolo taona, izay rehetra tsy maintsy manao ny fanompoana, izay manana anjara raharaha ao amin’ny trano lay fihaonana,

40 dia 2.630 no voaisa araka ny fianakaviany, araka ny fokom-pianakaviany avy.

41 Ireo no voaisa tamin’ny fianakavian’ny taranak’i Gersôna, dia izay rehetra nanao fanompoana ao amin’ny trano lay fihaonana. Didin’i Iaveh no nanaovan’i Môizy sy i Aarôna izany fanisana izany.

42 Ny voaisa tamin’ny fianakavian’ny taranak’i Merarỳ, araka ny fianakaviany, araka ny fokom-pianakaviany avy,

43 ny hatramin’ny telopolo taona no ho miakatra dia hatramin’ny dimampolo taona, izay tsy maintsy manao ny fanompoana, izay manana anjara raharaha ao amin’ny trano lay fihaonana,

44 dia 3.200 no voaisa, araka ny fianakaviany avy.

45 Ireo no voaisa tamin’ny fianakavian’ny taranak’i Merarỳ. Didy nomen’i Iaveh tamin’ny alalan’i Môizy sy i Aarôna izany fanisana izany.

46 Ny voaisa rehetra tamin’ny Levita, izay nisain’i Môizy sy i Aarôna mbamin’ny filohan’i Israely, araka ny fianakaviany, araka ny fokom-pianakaviany avy,

47 hatramin’ny telopolo taona no ho miakatra dia hatramin’ny dimampolo taona, izay rehetra tsy maintsy manana anjara raharaha amin’ny fanompoana sy ny fitondrana entana momba ny trano lay fihaonana,

48 dia 8.580 no voaisa.

49 Noho ny didy nomen’i Iaveh tamin’ny alalan’i Môizy no nanaovana izany fanisana izany sy nanomezana azy tsirairay ny fanompoana tsy maintsy hataony sy ny entana tsy maintsy hoentiny avy, ka dia voaisa araka ny nandidian’i Iaveh an’i Môizy izy ireo.

Categories
Fanisana

Fanisana 5

Fanesorana ny olona maloto

1 Ary niteny tamin’i Môizy i Iaveh ka nanao hoe:

2 «Asaovy avoaky ny zanak’i Israely any ivelan’ny toby izay rehetra boka, na voan’ny fitsihana, na voaloton’ny faty.

3 Avoahy any ivelan’ny toby avokoa ireny, na lahy na vavy mba tsy handoto ny tobiny, izay onenako eo afovoany.

4 Dia nataon’ny zanak’i Israely izany, ka navoakany any ivelan’ny toby ireny: araka ny nandidian’i Iaveh an’i Môizy no nataon’ny zanak’i Israely.»

Fanonerana

5 Niteny tamin’i Môizy i Iaveh ka nanao hoe:

6 «Lazao amin’ny zanak’i Israely hoe: Raha misy lehilahy na vehivavy diso amin’i Iaveh manao fahotana isan’ireo mahafaty antoka ny namana, fa tsy manaraka an’i Iaveh, ka dia meloka izy,

7 dia tsy maintsy hiaiky fa fahotany, sy hamerina ny zavatra rehetra azony tsy an-drariny, tongoaviny ny fahadiminy, hatolony amin’izay olona nanaovany hadisoana.

8 Ary raha tsy manana solony io olona io, izay azo amerenana ny zavatra azo tamim-pahotana, dia ho an’i Iaveh izany zavatra izany, ho an’ny mpisorona, miaraka amin’ny ondralahy fanonerana, izay hanaovana ny fanonerana ho an’ilay meloka.

9 An’ny mpisorona ny fanatitra rehetra avahana amin’ny zava-masina aterin’ny zanak’i Israely amin’ny mpisorona;

10 azy avokoa ny zavatra atokan’ny olona rehetra na iza na iza. Izay omen’ny olona ho an’ny mpisorona dia ho azy.»

Ny fanati-piahiahiana

11 Niteny tamin’i Môizy i Iaveh ka nanao hoe:

12 «Mitenena amin’ny zanak’i Israely, ka lazao aminy hoe: Na iza na iza vehivavy manambady, mivily ka manao izay mahadiso azy amin’ny lahy,

13 fa misy lehilahy hafa miray aminy, nefa zavatra miafina amin’ny mason’ny lahy izany, fa mangingina no anaovan-dravehivavy fahalotoana, tsy misy vavolombelona hiampanga azy, ary tsy azo olan-tanana izy,

14 raha voan’ny fiahiahiana ny lahy, ka miahiahy ny vadiny manao fahalotoana, na raha voan’ny fiahiahiana ny lahy, ka miahiahy ny vadiny tsy manao fahalotoana,

15 dia hoentin’ny lahy ho eo amin’ny mpisorona ny vadiny, ka hitondra fanatitra noho ny amin’ny vavy izy, dia lafarina orja ampahafolon’ny efah, tsy hanidinana diloilo izany na hasiana emboka manitra, satria fanati-piahiahiana, fanati-pahatsiarovana, mampahatsiaro heloka io.

16 «Ary ny mpisorona hampanatona an-dravehivavy hitsangana eo anatrehan’i Iaveh;

17 dia haka rano masina amin’ny lovia tany ny mpisorona ka hasiany vovoka nalainy avy amin’ny tanin’ny Fonenana ny rano.

18 Hasain’ny mpisorona mitsangana eo anatrehan’i Iaveh ny vehivavy, harakarakany ny volon-dohan-dravehivavy, ary hataony eo an-tanany ny fanati-pahatsiarovana, fanati-piahiahiana izany. Ary ho eo an-tanan’izy mpisorona kosa ny rano mangidy mitondra ozona.

19 Dia handidy an-dravehivavy ny mpisorona, ka hanao aminy hoe: Raha tsy nisy lehilahy nandry taminao, ka tsy nivily hanao fahalotoana ianao, raha mbola eo am-pelatanan’ny vadinao dia afàha amin’ity rano mangidy mitondra ozona ity ianao.

20 Fa raha nivily kosa nanao fahalotoana ianao, dieny mbola eo am-pelatanan’i vadinao, fa lehilahy hafa afa-tsy ny vadinao no nandry taminao,

21 dia handidy an-dravehivavy ny mpisorona amin’ny fianianam-panozonana, ka hanao aminy hoe: ‹Aoka i Iaveh hahatonga anao ho fanozona sy ho fisahato eo amin’ny firenenao, ka hampifezaka ny ilànao sy hampivonto ny kibonao,

22 ary aoka ity rano mitondra ozona ity no hiditra ao an-kibonao, ka hampivonto ny kibonao sy hampifezaka ny ilanao.› Dia hiteny ravehivavy hanao hoe: ‹Amen, amen.›

23 «Hosoratan’ny mpisorona amin’ny horonan-taratasy izany fanozonana izany, vao hosasany amin’ny rano mangidy indray,

24 dia hampisotroiny an-dravehivavy ny rano mangidy mitondra ozona ary hiditra ao anatiny ka ho mangidy aminy ny rano mitondra ozona.

25 «Dia halain’ny mpisorona ny fanati-piahiahiana teny an-tanan-dravehivavy ka hahevahevany eo anatrehan’i Iaveh sy hoentiny eo akaikin’ny ôtely.

26 Ary handraofany eran-tanana ila hatao fanati-pahatsiarovana izany fanatitra izany, ka hodorany hanetona eo ambonin’ny ôtely; raha efa izany dia hampisotroiny an-dravehivavy ny rano.

27 Rehefa hampisotroiny azy ny rano, dia izao ny hitranga: raha nanao fahalotoana, ka diso tamin’ny lahy tokoa izy, dia hiditra ao anatiny, mba ho mangidy aminy, ny rano mitondra ozona, hivonto ny kibony, ary hifezaka ny ilany, ka dia fanozona eo amin’ny fireneny izany vehivavy izany.

28 Fa raha tsy nanao fahalotoana kosa ravehivavy, fa madio, dia ho afaka izy, ary hanana anaka.

29 «Izany no lalàna momba ny fiahiahiana, raha misy vehivavy eo am-pelatanan’ny lahy, nivily nanao fahalotoana;

30 na misy lehilahy azon’ny fiahiahiana, ka miahiahy ny vadiny, dia hasainy mitsangana eo anatrehan’i Iaveh ny vadiny, ary hampiharin’ny mpisorona aminy izany lalàna rehetra izany;

31 ka ralehilahy tsy hanan-tsiny, fa ny vavy no hitondra ny fahotany.»

Categories
Fanisana

Fanisana 6

Ny hoe «nazira»

1 Niteny tamin’i Môizy i Iaveh ka nanao hoe:

2 «Mitenena amin’ny zanak’i Israely ka lazao aminy hoe: Raha misy lehilahy na vehivavy mitokana noho ny voady, dia voady ho nazareàna izany, mba hanokan-tena ho voninahitra ho an’i Iaveh,

3 dia hifady divay amam-pisotro mahamamo izy; tsy hisotro vinaingitra avy amin’ny divay na vinaingitra avy amin’ny fisotro mahamamo. Rehefa mety ho ranom-boaloboka koa na ny lena na ny maina.

4 Mandritra ny fotoana rehetra maha nazareàna azy, dia tsy hihinan-javatra avy amin’ny voaloboka izy, hatramin’ny voany ka hatramin’ny hodiny.

5 Mandritra ny fotoana rehetra nivoadiny ho nazareàna, dia tsy hokasihin-kareza ny lohany; mandra-pahatapitry ny andro itokanany ho hajan’i Iaveh, dia ho masina izy, ka havelany haniry ho azy ny volon-dohany.

6 Mandritra ny fotoana rehetra itokanany ho hajan’i Iaveh dia tsy hiditra am-paty izy;

7 na dia ny rainy, na ny reniny, na ny rahalahiny, na ny anabaviny aza no maty, dia aoka tsy handoto tena amin’ireo izy, fa efa eo an-dohany ny fitokanany ho an’ny Andriamaniny.

8 Voatokana ho an’i Iaveh izy, amin’ny fotoana rehetra maha-nazareàna azy.

9 Raha misy olona maty tampoka eo anilany, ka voaloto ny lohany voahasina dia hoharatany ny lohany amin’ny fandiovany azy; amin’ny andro fahafito no hanaratany azy.

10 Ary amin’ny andro fahavalo, dia hitondra domohina roa na vanto-boromahailala roa amin’ny mpisorona izy, eo anoloan’ny trano lay fihaonana.

11 Ary ny mpisorona hanolotra ny anankiray ho sorona noho ny ota, ny iray kosa sorona dorana, dia hanao ny fanonerana ho azy, noho ny otany ny amin’ny faty. Hanokana ny lohany ilay nazareàna amin’izany andro izany.

12 Hanokana ho an’i Iaveh ny andro haha-nazareàna azy, ary hanatitra zanak’ondry anankiray, efa iray taona, izy, ho fanati-panonerana; ary ny andro teo aloha dia ho very noho ny fitokanany efa voaloto.

13 «Izao no lalàna mahazo ny nazareàna: Rehefa tapitra ny andro maha nazareàna azy, dia asaina mankeo am-baravaran’ny trano lay fihaonana izy;

14 ka hanatitra ny fanatiny ho an’i Iaveh, zanak’ondry efa iray taona, tsy misy kilema, iray hatao sorona dorana; ondry vavy iray tsy misy kilema, efa iray taona, hatao sorona noho ny ota; ondry lahy iray tsy misy kilema hatao fanati-pihavanana;

15 ary koa mofo tsy misy lalivay iray harona, mofomamy natao tamin’ny lafarina tsara indrindra voadity tamin’ny diloilo, mofo manify tsy misy lalivay voaidina diloilo, mbamin’ny fanatitra sy ny fanatitra araraka.

16 Hatolotry ny mpisorona ho an’i Iaveh ireo; hatolony koa ny sorony noho ny ota sy ny sorony dorana.

17 Dia hatolony ny ondralahy ho fanati-pihavanana amin’i Iaveh, mbamin’ny mofo tsy misy lalivay iray harona, ary hataon’ny mpisorona ny fanatitra amam-panatitra araraka momba azy.

18 Ilay nazareàna kosa hanaratra ny lohany voatokana, eo am-baravaran’ny trano lay fihaonana; dia halainy ny volon-dohany voatokana ka hataony ao amin’ny afo eo ambanin’ny fanati-pihavanana.

19 Ary halain’ny mpisorona ny sorok’ondralahy rehefa masaka, mbamin’ny mofo tsy misy lalivay amin’ny harona, ka hataony eo an-tanan’ilay nazareàna, rehefa voaharatra ny lohany voatokana,

20 dia hahevahevan’ny mpisorona eo anatrehan’i Iaveh ireo. Zava-masina anjaran’ny mpisorona izany, fanampin’ny tratra ahevaheva, sy ny fe avahana koa. Aorian’izany, dia mahazo misotro divay ny nazareàna.

21 «Izany no lalàna ny amin’ny nazareàna izay nivoady, izany no fanatiny ho an’i Iaveh amin’ny maha nazareàna azy, afa-tsy izay azony atao araka ny ananany. Araka ny voady nataony no hanatanterahany ny lalàna ny amin’ny maha nazareàna azy.»

Teny fitsofan-drano

22 Ary niteny tamin’i Môizy i Iaveh ka nanao hoe:

23 «Mitenena amin’i Aarôna sy ny zanany hoe: Hitso-drano ny zanak’i Israely ianareo, dia hanao aminy hoe:

24 ‹Hitahy anao sy hiaro anao anie i Iaveh.

25 Hampamirapiratra ny tavany aminao sy hamindra fo aminao anie i Iaveh.

26 Hanandratra ny tavany aminao sy hanome fiadanana anao anie i Iaveh.›

27 Dia izany no hametrahany ny Anarako amin’ny zanak’i Israely, ary Izaho hitahy azy.»

Categories
Fanisana

Fanisana 7

Fanatitra sarety

1 Tamin’ny andro nahavitan’i Môizy ny fananganana ny Fonenana ka nanosorany sy nanamasinany azy mbamin’ny fanaka rehetra momba azy, hatramin’ny ôtely mbamin’ny fanaka rehetra momba azy koa, rehefa nanosotra sy nanamasina an’ireo izy,

2 dia nanatitra ny fanatiny ny lehibe amin’i Israely izay filohan’ny isam-pokony avy; izy ireo no filohan’ny isam-poko izay nitarika ny fanisana.

3 Nentiny teo anatrehan’i Iaveh ny fanatiny; sarety mirakotra enina, ary omby roa ambin’ny folo, izany hoe: sarety iray no avy amin’ny filohany roa, ary omby iray, avy amin’ny filohany iray. Teo anoloan’ny Fonenana no nanolorany an’ireo.

4 Dia niteny tamin’i Môizy i Iaveh ka nanao hoe:

5 «Raiso ireo zavatra avy aminy ireo, hoentina hanaovana ny raharaha momba ny trano lay fihaonana, ka omeo ny Levita, samy araka izay ilainy amin’ny raharahany avy.»

6 Dia noraisin’i Môizy ny sarety sy ny omby, ka napetrany amin’ny Levita.

7 Sarety roa sy omby efatra no nomeny ny taranak’i Gersôna, araka ny ilainy amin’ny raharahany.

8 Sarety efatra sy omby valo kosa, no nomen’ny taranak’i Merarỳ, fehin’i Itamara, zanak’i Aarôna mpisorona, araka izay ilainy amin’ny raharahany.

9 Fa tsy nomeny kosa ny taranak’i Kaata, satria ny fanaka masina no anjara fanompoany, ka tsy maintsy lanjainy an-tsoroka.

Fanatitra hitokanana ny ôtely

10 Natolotry ny filohany ny fanatitra hitokanana ny ôtely tamin’ny andro nanosorana azy. Natolotry ny filohany eo anoloan’ny ôtely ny fanatiny.

11 Ary hoy i Iaveh tamin’i Môizy: «Aoka hisy iray isan’andro ny filohany no tonga manolotra ny fanatiny, amin’ny fitokanana ny ôtely.»

12 Ka tamin’ny andro voalohany, dia i Nahasôna, zanak’i Aminadaba, avy amin’ny fokon’i Jodà no nanolotra ny fanatiny.

13 Izao no nateriny: Lovia volafotsy iray, lanjana 130 sikla, kapoaka volafotsy iray, 70 sikla, araka ny sikla masina; samy feno lafarina tsara indrindra voadity tamin’ny diloilo ireo, ho fanatitra;

14 lovia kely volamena iray, 10 sikla, feno zava-manitra;

15 vantotr’ombalahy iray, ondralahy iray, zanak’ondry efa iray taona, iray, ho sorona dorana,

16 osy lahy iray, ho sorona noho ny ota,

17 ary omby roa, ondralahy dimy, osy lahy dimy, zanak’ondry dimy, efa iray taona, ho sorom-pihavanana. Ireo no fanatitr’i Nahasôna zanak’i Aminadaba.

18 Tamin’ny andro faharoa, i Natanaely zanak’i Soara, filohan’i Isakara, no nanolotra ny fanatiny.

19 Izao no nateriny: lovia volafotsy iray, lanjana telopolo amby zato sikla, kapoaka volafotsy iray, fitopolo sikla, araka ny sikla masina, samy feno lafarina tsara indrindra izy roa ireo, ho fanatitra,

20 lovia kely volamena, folo sikla, feno zava-manitra,

21 vantotr’ombalahy iray, ondralahy iray, zanak’ondry iray, efa iray taona, ho sorona dorana;

22 osy lahy iray, ho sorona noho ny ota;

23 ary omby roa, ondralahy dimy, osy lahy dimy, zanak’ondry dimy, efa iray taona, ho sorom-pihavanana. Ireo no fanatitr’i Natanaely zanak’i Soara.

24 Tamin’ny andro fahatelo dia an’i Eliaba zanak’i Helona, filohan’ny taranak’i Zabolôna.

25 Izao no nateriny: lovia volafotsy iray, lanjana 130 sikla, kapoaka volafotsy iray, 70 sikla, araka ny sikla masina, samy feno lafarina tsara indrindra voadity tamin’ny diloilo izy roa ireo, ho fanatitra;

26 lovia kely volamena, folo sikla, feno zava-manitra;

27 vantotr’ombalahy iray, ondralahy iray, zanak’ondry iray, efa iray taona, ho sorona dorana;

28 osy lahy iray, ho sorona noho ny ota;

29 ary omby roa, ondralahy dimy, osy lahy dimy, zanak’ondry dimy, efa iray taona, ho sorom-pihavanana. Ireo no fanatitr’i Eliaba, zanak’i Helona.

30 Tamin’ny andro fahefatra dia an’i Elisora zanak’i Sedeora, filohan’ny tarana-dRobena;

31 izao no nateriny: lovia volafotsy iray, lanjana 130 sikla, kapoaka volafotsy iray, 70 sikla, araka ny sikla masina, samy feno lafarina tsara indrindra voadity tamin’ny diloilo izy roa ireo, ho fanatitra;

32 lovia kely volamena iray, 10 sikla, feno zava-manitra;

33 vantotr’ombalahy iray, ondralahy iray, zanak’ondry iray, efa iray taona, sorona dorana;

34 osy lahy iray, ho sorona noho ny ota;

35 ary omby roa, ondralahy dimy, zanak’ondry dimy, osilahy dimy, zanak’ondry dimy, efa iray taona, ho sorom-pihavanana. Ireo no fanatitr’i Elisora zanak’i Sedeora.

36 Tamin’ny andro fahadimy, an’i Salamiela zanak’i Sorisadaia, filohan’ny zanak’i Simeôna,

37 izao no nateriny: lovia volafotsy iray, lanjana 130 sikla, kapoaka volafotsy iray, 70 sikla, araka ny sikla masina, samy feno lafarina tsara indrindra voadity tamin’ny diloilo izy roa ireo, ho fanatitra;

38 lovia kely volamena iray, 10 sikla, feno zava-manitra,

39 vantotr’ombalahy iray, zanak’ondry iray, efa iray taona, ho sorona dorana,

40 osy lahy iray ho sorona noho ny ota,

41 ary omby roa, ondrilahy dimy, osy lahy dimy, zanak’ondry dimy, efa iray taona, ho sorom-pihavanana. Ireo no fanatitr’i Salamiela, zanak’i Sorisadaia.

42 Tamin’ny andro fahenina an’i Eliazafa, zanak’i Doela, filohan’ny zanak’i Gada,

43 izao no nateriny: lovia volafotsy iray, lanjana 130 sikla, kapoaka volafotsy iray, 70 sikla, araka ny sikla masina; samy feno lafarina tsara indrindra voadity tamin’ny diloilo izy roa ireo, ho fanatitra;

44 lovia kely volamena iray, 10 sikla, feno zava-manitra;

45 vantotr’ombalahy iray, ondralahy iray, zanak’ondry iray, efa iray taona, ho sorona dorana;

46 osy lahy iray, ho sorona noho ny ota;

47 ary omby roa, ondrilahy dimy, osy lahy dimy, zanak’ondry dimy, efa iray taona, ho sorom-pihavanana. Ireo no fanatitr’i Eliefaza zanak’i Doela.

48 Tamin’ny andro fahafito, an’i Elisamà zanak’i Amioda, filohan’ny zanak’i Efraima;

49 izao no nateriny: lovia volafotsy iray, lanjana 130 sikla, kapoaka volafotsy iray, 70 sikla, araka ny sikla masina; samy feno lafarina tsara indrindra voadity tamin’ny diloilo izy roa ireo, ho fanatitra;

50 lovia kely volamena iray, 10 sikla, feno zava-manitra;

51 vantotr’ombalahy iray, ondralahy iray, zanak’ondry iray, efa iray taona, ho sorona dorana;

52 osy lahy iray, ho sorona noho ny ota,

53 ary omby roa, ondralahy dimy, osy lahy dimy, zanak’ondry dimy, efa iray taona, ho sorom-pihavanana. Ireo no fanatitr’i Elisamà zanak’i Amioda.

54 Tamin’ny andro fahavalo, an’i Gamaliela, zanak’i Fadasora, filohan’ny zanak’i Manase;

55 izao no nateriny: lovia volafotsy iray, lanjana 130 sikla, kapoaka volafotsy iray, 70 sikla, araka ny sikla masina; samy feno lafarina tsara indrindra voadity tamin’ny diloilo izy roa ireo, ho fanatitra;

56 lovia kely volamena iray, 10 sikla, feno zava-manitra;

57 vantotr’ombalahy iray, ondralahy iray, zanak’ondry iray, efa iray taona, ho sorona dorana;

58 osy lahy iray, ho sorona noho ny ota,

59 ary omby roa, ondralahy dimy, osy lahy dimy, zanak’ondry dimy, efa iray taona, ho sorom-pihavanana. Ireo no fanatitr’i Gamaliela zanak’i Fadasora.

60 Tamin’ny andro fahasivy an’i Abidàna zanak’i Jedeôna, filohan’ny zanak’i Benjamina;

61 izao no nateriny: lovia volafotsy iray, lanjana 130 sikla, kapoaka volafotsy iray, 70 sikla, araka ny sikla masina; samy feno lafarina tsara indrindra voadity tamin’ny diloilo izy roa ireo, ho fanatitra;

62 lovia kely volamena iray, feno zava-manitra;

63 vantotr’ombalahy iray, ondralahy iray, zanak’ondry iray, efa iray taona, ho sorona dorana;

64 osy lahy iray ho sorona noho ny ota;

65 ary omby roa, ondralahy dimy, osy lahy dimy, zanak’ondry dimy, efa iray taona, ho sorom-pihavanana. Ireo no fanatitr’i Abidàna, zanak’i Jedeôna.

66 Tamin’ny andro fahafolo, an’i Ahiesera, zanak’i Amisadaìa, filohan’ny zanak’i Dana;

67 izao no nateriny: lovia volafotsy iray, lanjana 130 sikla, kapoaka volafotsy iray, 70 sikla, araka ny sikla masina; samy feno lafarina tsara indrindra voadity tamin’ny diloilo izy roa ireo, ho fanatitra;

68 lovia kely volamena iray, 10 sikla, feno zava-manitra,

69 vantotr’ombalahy iray, ondralahy iray, zanak’ondry iray, efa iray taona, ho sorona dorana;

70 osy lahy iray ho sorona noho ny ota;

71 ary omby roa, ondralahy dimy, osy lahy dimy, zanak’ondry dimy, efa iray taona, ho sorom-pihavanana. Ireo no fanatitr’i Ahiesera, zanak’i Amisadaìa.

72 Tamin’ny andro faha-11, an’i Fegiela zanak’i Okrana, filohan’ny zanak’i Asera;

73 izao no nateriny: lovia volafotsy iray, lanjana 130 sikla, kapoaka volafotsy iray, 70 sikla, araka ny sikla masina; samy feno lafarina tsara indrindra voadity tamin’ny diloilo izy roa ireo, ho fanatitra;

74 lovia kely volamena iray, 10 sikla, feno zava-manitra;

75 vantotr’ombalahy iray, ondralahy iray, zanak’ondry iray, efa iray taona, ho sorona dorana,

76 osy lahy iray, ho sorona noho ny ota;

77 ary omby roa, ondralahy dimy, osy lahy dimy, zanak’ondry dimy, efa iray taona, ho sorom-pihavanana. Ireo no fanatitr’i Fegiela zanak’i Okrana.

78 Tamin’ny andro faha-12, an’i Ahirà, zanak’i Enàna, filohan’ny zanak’i Neftalì;

79 izao no nateriny: lovia volafotsy iray, lanjana 130 sikla, kapoaka volafotsy iray, 70 sikla, araka ny sikla masina; samy feno lafarina tsara indrindra voadity tamin’ny diloilo izy roa ireo, ho fanatitra;

80 lovia kely volamena iray, 10 sikla, feno zava-manitra;

81 vantotr’ombalahy iray, ondralahy iray, zanak’ondry iray, efa iray taona, ho sorona dorana;

82 osy lahy iray, ho sorona noho ny ota;

83 ary omby roa, ondralahy dimy, osy lahy dimy, zanak’ondry dimy, efa iray taona, ho sorom-pihavanana. Ireo no fanatitr’i Ahirà zanak’i Enàna.

84 Ireo no fanomezana avy amin’ny filohan’i Israely, tamin’ny fitokanana ny ôtely, tamin’ny andro nanosorana azy; lovia volafotsy 12, kapoaka volafotsy 12, ary lovia kely volamena 12.

85 Ny lovia volafotsy lanjana 130 sikla avy; ary ny kapoaka, 70 avy, ka 2.400 sikla, araka ny sikla masina, no totalin’ny volafotsy amin’ireo fanaka ireo,

86 Ny lovia kely volamena 12, feno zava-manitra, dia samy 10 sikla avy, araka ny sikla masina; 120 sikla no totalin’ny volamenan’ny lovia kely.

87 Ny totalin’ny biby hatao sorona, dia vantotr’ombalahy 12; ondralahy 12 sy zanak’ondry 12, efa iray taona, mbamin’ny fanatitra momba azy; osy lahy 12, hatao sorona noho ny ota;

88 Ny totalin’ny biby hatao sorom-pihavanana, dia omby 24, ondralahy 60, osy lahy 60, ary zanak’ondry efa iray taona 60. Ireo no fanomezana naterina tamin’ny fitokanana ny ôtely, nony efa voahosotra izy.

89 Raha niditra tao an-trano lay fihaonana i Môizy, mba hiteny amin’i Iaveh, dia nandre feo niresaka taminy, avy ao amin’ny fanaovam-panavotana izay nipetraka teo ambonin’ny fiaran’ny vavolombelona, anelanelan’ny kerobima roa.

Ary niteny taminy izy.

Categories
Fanisana

Fanisana 8

Ny jiro eo amin’ny fanaovan-jiro

1 Niteny tamin’i Môizy i Iaveh ka nanao hoe:

2 «Mitenena amin’i Aarôna, ka lazao aminy hoe: Rehefa mametraka ny lalampy eo amin’ny fanaovan-jiro ianao, dia ataovy manazava eo anoloan’ny fanaovan-jiro ny lalampy fito.»

3 Dia nataon’i Aarôna izany, napetrany eo amin’ny anoloan’ny fanaovan-jiro ny lalampy araka ny nandidian’i Iaveh an’i Môizy.

4 Ny fanaovan-jiro, dia volamena tefy manta avokoa, hatramin’ny faladiany ka hatramin’ny voniny. Môdely nasehon’i Iaveh an’i Môizy no nanaovany azy

Atokana ho an’i Iaveh ny Levita

5 Niteny tamin’i Môizy i Iaveh ka nanao hoe:

6 «Avaho amin’ny zanak’i Israely ny Levita, ka diovy. Toy izao no hanadiovanao azy:

7 Fafazo rano fanonerana izy: aoka izy hanaratra ny tenany rehetra sy hanasa ny fitafiany, dia hidio izy.

8 Dia haka vantotr’ombalahy iray izy ireo mbamin’ny fanatitra momba azy, dia lafarina tsara indrindra voadity tamin’ny diloilo, ary haka vantotr’ombalahy iray hafa ianao, ho sorona noho ny ota.

9 Hasainao mandroso eo anoloan’ny trano lay fihaonana ny Levita, ary hovorìnao ny fiangonan’ny zanak’i Israely rehetra.

10 Ny Levita, hasainao manatona eo anatrehan’i Iaveh, ary ny zanak’i Israely hametraka ny tanany amin’ny Levita.

11 I Aarôna hanolotra ny Levita ho fanatitra ahevaheva eo anatrehan’i Iaveh, avy amin’ny zanak’i Israely, mba ho voatokana hanao ny fanompoan’i Iaveh izy ireo.

12 Ny Levita hametra-tanana amin’ny lohan’ny ombalahy, ka ny iray hatolotrao ho sorona noho ny ota, ary ny iray ho sorona dorana ho an’i Iaveh, mba hanaovana ny fanonerana ho an’ny Levita.

13 Dia asaovy mijoro eo anatrehan’i Aarôna sy ny zanany ny Levita, ka atolory ho fanatitra ahevaheva ho an’i Iaveh.

14 Havahanao amin’ny zanak’i Israely ny Levita, ka dia ho Ahy ny Levita;

15 ary raha efa izany, dia hiditra hanao fanompoana amin’ny trano lay fihaonana ny Levita. Toy izany no hanadiovanao azy sy hanoloranao azy ho fanatitra ahevaheva.

16 Fa efa nomena Ahy mihitsy izy eo afovoan’ny zanak’i Israely; nalaiko ho Ahy, ho solon’ny lahy rehetra voalohan-teraky ny reniny izy,

17 dia ny lahy matoan’ny zanak’i Israely rehetra, na amin’ny olona na amin’ny biby; tamin’ilay andro namelezako ny lahy voalohan-teraka rehetra tany amin’ny tany Ejipta, no nanokanako azy ho Ahy.

18 Ary ny Levita no nalaiko ho solon’ny lahy matoan’ny zanak’i Israely rehetra;

19 dia natolotro mba ho an’i Aarôna sy ny zanany mihitsy ny Levita eo amin’ny zanak’i Israely mba hanao ny fanompoan’ny zanak’i Israely ao amin’ny trano lay fihaonana, mba hanao ny fanonerana ho an’ny zanak’i Israely, mba tsy ho voan’ny loza na inona na inona ny zanak’i Israely, rehefa hanakaiky ny fitoerana masina.»

20 Dia nataon’i Môizy sy i Aarôna mbamin’ny fiangonan’ny zanak’i Israely rehetra tamin’ny Levita, izay rehetra nandidian’i Iaveh an’i Môizy momba ny Levita; izany no nataon’ny zanak’i Israely tamin’izy ireo.

21 Nandio tena sy nanasa ny fitafiany ny Levita, ary i Aarôna nanolotra azy ho fanatitra ahevaheva teo anatrehan’i Iaveh sy nanao ny fanonerana ho azy ireo, mba hanadio azy;

22 raha efa izany dia niditra ny Levita nanao ny fanompoany tao amin’ny trano lay fihaonana teo anatrehan’i Aarôna sy ny zanany. Araka izay nandidian’i Iaveh an’i Môizy ny amin’ny Levita, dia araka izany no natao tamin’izy ireo.

Taona hiasany

23 Ary niteny tamin’i Môizy i Iaveh ka nanao hoe:

24 «Izao ny amin’ny Levita: Hatramin’ny 25 taonano ho miakatra, dia hilatsaka hanao ny fanompoana momba ny trano lay fihaonana izy ireo hanaovany raharaha ao.

25 Rehefa dimampolo taona izy, dia hiala amin’ny raharaha ka tsy hanao ny fanompoana intsony.

26 Hanampy ny rahalahiny ihany izy ao an-trano lay fihaonana, hitandrina izay rehetra tsy maintsy arahina, fa tsy hanao ny fanompoana intsony izy. Izany no hataonareo amin’ny Levita momba ny raharahany.»

Categories
Fanisana

Fanisana 9

Datin’ny Paka

1 Tamin’ny volana voalohany amin’ny taona faharoa taorian’ny nivoahany tany amin’ny tany Ejipta, dia niteny tamin’i Môizy i Iaveh tany an’efitra Sinaia, ka nanao hoe:

2 «Aoka ny zanak’i Israely hanao ny Paka amin’ny fotoana voatendry.

3 Amin’ny fotoana voatendry, amin’ny andro faha 14n’ity volana ity, amin’ny àty takariva no hanaovanareo azy: io no fotoana voatendry; ataonareo izany araka ny lalàna amam-pitsipika rehetra momba azy.»

4 Dia niteny tamin’ny zanak’i Israely i Môizy mba hanaovan’izy ireo ny Paka.

5 Ka tamin’ny andro faha 14n’ny volana voalohany, tamin’ny àty takariva dia nanao ny Paka tany an’efitra Sinaia izy ireo. Notanterahin’ny zanak’i Israely avokoa izay rehetra nandidian’i Iaveh an’i Môizy.

Zava-mitranga manokana

6 Nisy olona sasany sendra voaloto tamim-paty ka tsy afa-nanao ny Paka tamin’izany andro izany. Nankeo anatrehan’i Môizy sy i Aarôna androtr’izay ihany izy ireo, ka nanao tamin’i Môizy hoe:

7 «Voaloto tamim-paty izahay, nahoana izahay no tsy afaka hanolotra ny fanatitray amin’i Iaveh amin’ny fotoana voatendry, eo afovoan’ny zanak’i Israely?»

8 Hoy ny navalin’i Môizy azy: «Andraso aloha handrenesako izay handidian’i Iaveh anareo.»

9 Niteny tamin’i Môizy i Iaveh ka nanao hoe:

10 «Mitenena amin’ny zanak’i Israely ka lazao aminy hoe: Raha misy aminareo, na amin’ny taranakareo, maloto am-paty na lasa nivahiny an-tany lavitra, dia hanao ny Pakaho hajan’i Iaveh izy;

11 amin’ny andro faha 14n’ny volana faharoa kosa, amin’ny àty takariva no hanaovany azy: mofo tsy misy lalivay sy anana mangidy no hiara-kohaniny aminy.

12 Tsy hamelany hisy tra-maraina izy, ary tsy hotapahiny ny taolany. Ho araka ny fitsipika rehetra momba ny Paka no hankalazany azy.

13 Raha olona madio sady tsy misy dia nalehany, no tsy mankalaza ny Paka, dia hoesorina amin’ny fireneny izy; noho izy tsy nanolotra ny fanatitra ho an’i Iaveh amin’ny fotoana voatendry dia hilonjy ny fahotany izy.

14 Raha vahinymitoetra eo aminareo no manao ny Pakan’i Iaveh dia hotandremany ny lalàna amam-pitsipika momba ny Paka. Lalàna iray ihany no ho anareo, na ho an’ny vahiny na ho an’ny tompon-tany.»

Ny andry rahona

15 Tamin’ny andro nananganana ny Fonenana, dia nosaronan’ny rahona ny Fonenana, dia ny trano lain’ny vavolombelona izany: nisy zavatra mitarehin’afo teo ambonin’ny Fonenana hatramin’ny hariva ka mandra-paharain’ny andro.

16 Toy izany ihany hatrany hatrany: ny rahona nanarona ny Fonenana ary nitarehin’afo izy amin’ny alina.

17 Nony nisondrotra niala tamin’ny trano lay ny rahona, dia niainga nifindra toby ny zanak’i Israely; ary eo amin’izay ijanonan’ny rahona no itobiany.

18 Didy avy amin’i Iaveh no niaingan’ny zanak’i Israely nifindrany toby; didy avy amin’i Iaveh no nitobiany; ary naharitra nitoby teo izy mandritra izay nipetrahan’ny rahona teo ambonin’ny Fonenana.

19 Raha nipetraka ela teo ambonin’ny Fonenana ny rahona, dia nanaraka ny didin’i Iaveh ny zanak’i Israely ka tsy nifindra.

20 Toy izany koa raha andro vitsy foana no nipetrahan’ny rahona teo ambonin’ny Fonenana; didin’i Iaveh no nitobiany, didin’i Iaveh no niaingany.

21 Raha nipetraka hatramin’ny hariva ka hatramin’ny maraina ny rahona, ary niakatra nony maraina, dia niainga izy ireo, na raha afaka indray andro sy indray alina, vao niakatra ny rahona, dia niainga izy ireo.

22 Raha nipetraka teo ambonin’ny Fonenana andro maro, na volana iray na taona iray, ny rahona, dia naharitra nitoby teo ny zanak’i Israely, fa tsy niainga; fa nony vao niakatra izy dia niainga izy ireo.

23 Didin’i Iaveh no nitobiany, didin’i Iaveh no niaingany: nitandrina ny didin’i Iaveh izy ireo, araka ny tenin’i Iaveh izay nomeny tamin’ny alalan’i Môizy.

Categories
Fanisana

Fanisana 10

Ny trômpetra

1 Niteny tamin’i Môizy i Iaveh ka nanao hoe:

2 «Manaova trômpetra volafotsy roa; ka ataovy amin’ny volafotsy tefy manta izy. Hataonao fiantsoana ny fiangonana sy fampiaingana ny olona hifindra toby izy.

3 Nony tsofina ireo dia hivory ao aminao ny fiangonana rehetra ao anoloan’ny trano lay fihaonana.

4 Raha trômpetra iray ihany no tsofina, dia ny filohany, ny mpifehy ny arivo amin’i Israely no hivory ao aminao.

5 Raha tsofinao mikarantsana, dia ireo mitoby eo amin’ny lafiny atsinanana no hiainga.

6 Raha tsofinao mikarantsana fanindroany, dia ireo mitoby amin’ny lafiny atsimo no hiainga. Hotsofina mikarantsana amin’ny fiaingany.

7 Ary hotsofinao fa tsy atao mikarantsana amin’ny fiantsoana ny fiangonana.

8 Ireo mpisorona zanak’i Aarôna, no hitsoka ny trômpetra; lalàna ho anareo sy ny taranakareo hatrany hatrany izany.

9 Any amin’ny taninareo raha handeha hiantafika amin’ny fahavalo mananika anareo ianareo, dia hitsoka ny trômpetra mikarantsana, ka ho tonga ao amin’i Iaveh Andriamanitrareo ny fahatsiarovana anareo, ka ho voavonjy amin’ny fahavalonareo.

10 Amin’ny andro fifalianareo sy amin’ny fetinareo, ary amin’ny voaloham-bolanareo, hitsoka ny trômpetra ianareo, eo am-panolorana ny sorona doranareo, sy ny sorom-pihavananareo, dia ho fampahatsiarovana anareo izany, eo anatrehan’i Iaveh Andriamanitrareo. Izaho no Iaveh Andriamanitrareo.»

Baiko fiaingàna

11 Tamin’ny taona faharoa andro faha-20n’ny volana faharoa, dia nisondrotra niala teo ambonin’ny Fonenan’ny vavolombelona ny rahona.

12 Ka nanohy ny diany ny zanak’i Israely, dia niala tao amin’ny efitra Sinaia, ary tany amin’ny efitra Faràna no nijanona ny rahona.

13 Izany no niaingany voalohany araka ny didin’i Iaveh tamin’ny alalan’i Môizy.

14 Ny niainga voalohany, dia ny fanevan’ny tobin’ny zanak’i Jodà araka ny antokony avy; ary ny antokon’i Jodà, dia nofehezin’i Nahasôna zanak’i Aminadaba.

15 Ny antokon’ny fokon’ny zanak’i Isakara, dia nofehezin’i Natanaely zanak’i Soara;

16 ary ny antokon’ny fokon’ny zanak’i Zabolôna, dia nofehezin’i Eliaba, zanak’i Helona.

17 Dia nahorona ny Fonenana ka niainga nitondra ny Fonenana ny zanak’i Gersôna sy ny zanak’i Merarỳ.

18 Dia niainga ny fanevan’ny tobin-dRobena araka ny antokony avy, ary ny antokony dia nofehezin’i Elisora, zanak’i Sedeora;

19 ny antokon’ny fokon’ny zanak’i Simeôna, dia nofehezin’i Salamiela, zanak’i Sorisadaia,

20 ary ny antokon’ny fokon’ny zanak’i Gada, nofehezin’i Eliazafa, zanak’i Doela.

21 Niainga ny Kaatita mitondra ny zavatra masina, ka mandra-pahatongany, dia atsangana ny Fonenana.

22 Dia niainga ny fanevan’ny tobin’ny zanak’i Efraima, araka ny antokony avy; ary ny antokony dia nofehezin’i Amioda;

23 ny antokon’ny fokon’ny zanak’i Manase dia nofehezin’i Gamaliela zanak’i Fadasora,

24 ary ny antokon’ny fokon’i Benjamina dia nofehezin’i Abidàna, zanak’i Jedeôna.

25 Dia niainga ny fanevan’ny tobin’ny zanak’i Dana, araka ny antokony avy; izy no vodilalan’ny toby rehetra. Ny antokon’i Dana dia nofehezin’i Ahiezera zanak’i Amisadaia;

26 ny antokon’ny fokon’ny zanak’i Asera dia nofehezin’i Fegiela zanak’i Okrana;

27 ary ny antokon’ny zanak’i Neftalì dia nofehezin’i Ahirà, zanak’i Enàna.

28 Izany no filaharan’ny zanak’i Israely teny an-dalana araka ny antokony avy. Dia niainga handeha izy ireo.

Tolo-kevitr’i Môizy tamin’i Hobaba

29 Ary hoy i Môizy tamin’i Hobaba zana-dRagoela, Madianita, rafozan’i Môizy: «Ny dianay izao, dia ho any amin’ny tany nolazain’i Iaveh hoe: Homeko anareo izy. Koa andeha hiaraka aminay, fa hasiany soa ianao, satria i Iaveh efa nampanantena ny hanisy soa an’i Israely.»

30 Fa izao no navalin’i Hobaba azy: «Tsy handeha aho, fa hody any amin’ny taniko sy ny havako.»

31 Dia hoy i Môizy: «Masìna ianao, aza dia ilaozanao izahay, fa fantatrao izay toerana tokony hitobianay any an’efitra; ka dia ianao no ho masonay.

32 Raha miaraka aminay ianao, dia hataonay miombona izay soa hataon’i Iaveh aminay.»

Niainga ny dia

33 Nony niala tany an-tendrombohitr’i Iaveh izy ireo dia nandeha lalan-kateloana, ary nandritra izany dia, nandehanany hateloana izany, dia nandroso teo alohany ny fiaran’ny faneken’i Iaveh nitady fitoerana hialan-tsasatra ho azy ireo.

34 Ary rehefa niala tamin’ny toby izy ireo, dia eo amboniny mandritra ny andro ny rahon’i Iaveh.

35 Nony niainga ny fiara, dia hoy i Môizy: «Mitsangàna, ry Iaveh, ka aoka hihahaka ny fahavalonao, aoka handositra ny Tavanao izay mankahala Anao.»

36 Nony nijanona kosa indray izy dia hoy izy: «Avia, ry Iaveh, miverena amin’ny isan’arivon’i Israely tsy omby alinalina.»

Categories
Fanisana

Fanisana 11

Tabeerà

1 Nanomboka nimonomonona zavatra tsy mety tamin’ny sofin’i Iaveh ny vahoaka. Nandre an’izany i Iaveh ka nirehitra ny hatezerany ary nirehitra tamin’izy ireo ny afon’i Iaveh, ka may ny teny an-tsisin’ny toby.

2 Dia nibabababa tamin’i Môizy ny vahoaka, ary i Môizy nifona tamin’i Iaveh, ary maty ny afo.

3 Noho ny afon’i Iaveh nirehitra tamin’izy ireo, dia nomena anarana hoe Tabeerà io fitoerana io.

Monomonon’ny vahoaka

4 Nirehitry ny fahalianana ny benahoana tafaharo tamin’i Israely; ary rafitra nitomany indray koa aza ny zanak’i Israely nanao hoe: «Iza re no mba hanome hena hohaninay?

5 Tsaroanay izany hazandrano, nohaninay maimaim-poana tany Ejipta, ny voatango, ny voanketsihetsy, ny tongolobe sy ny tongolon-kova.

6 Izao kosa maina ny aina; tsy misy na inona na inona intsony; tsy mahita afa-tsy ny mana ny masonay.»

7 Nitovy amin’ny voan-koriandao ny mana, toy ny bdeliômany tarehiny.

8 Nihahaka nanangona azy ny vahoaka, dia nanorotoro azy tamin’ny vato fitotoam-bary, na nitoto azy tamin’ny laona, dia nahandro azy tamin’ny vilany sy nanao mofo aminy. Sahala amin’ny mofomamy misy diloilo ny tsirony.

9 Amin’ny alina filatsahan’ny ando amin’ny toby, no nilatsahan’ny mana ao koa.

Tarainan’i Môizy

10 Ren’i Môizy ny vahoaka samy nitomany, isam-pianakaviany avy, eo am-baravaran-dainy. Nirehitra mafy ny fahatezeran’i Iaveh.

11 Dia nalahelo i Môizy ka nilaza tamin’i Iaveh hoe: «Nahoana no dia nasianao izao ratsy izao ny mpanomponao, ary nahoana no dia tsy nahita fitia taminao aho, ka novesaranao ny fitondrana ity vahoaka ity?

12 Izaho va no torontoronina an’ity vahoaka rehetra ity, ary izaho va no niteraka azy, no dia izaho no ilazanao hoe: Trotroinao izy, toy ny itondran’ny ray mpitaiza ny zaza minono, ho any amin’ny tany izay nianiananao tamin’ny razany homena azy?

13 Aiza no hangalako hena homena an’izao vahoaka rehetra izao? Fa mitomany manodidina ahy izy, manao hoe: Omeo hena izahay hohaninay.

14 Tsy zakako izaho irery izao vahoaka rehetra izao, fa mavesatra amiko loatra.

15 Koa raha izao no ataonao amiko mihanta aminao aho, raha mahita fitia eo imasonao, vonoy aho mba tsy hahita ny fahoriako.»

Ny navalin’i Iaveh

16 Hoy i Iaveh tamin’i Môizy: «Anangony 70 lahy amin’ny loholon’i Israely aho, dia izay fantatrao ho loholona amin’ny vahoaka sy mpitondra azy; ka ento ao amin’ny trano lay fihaonana izy, ary aoka hijanona ao miaraka aminao.

17 Fa hidina Aho, ka hiteny aminao Aho; ary haka amin’ny fanahy izay ao aminao Aho, ka hametraka izany ao amin’izy ireo, mba hiarahany miadidy aminao ny fitondrana ny vahoaka dia tsy ho anao irery intsony no hitondra azy.

18 Izao no lazao amin’ny vahoaka: Mankamasìna ny tenanareoho amin’ny rahampitso, dia hahazo hena hohanina ianareo, fa nitomany ka ren’ny sofin’i Iaveh ianareo nanao hoe: Iza no mba hanome hena hohaninay? Fa finaritra izahay tany Ejipta! Koa homen’i Iaveh hena ianareo, dia hihinananareo izany.

19 Tsy andro iray, na roa, na dimy, na folo, na roapolo no hihinananareo izany,

20 fa hatramin’ny iray volana maninjitra, dia mandra-pivoakany amin’ny vavoronareo, sy hampaharikoriko anareo; satria ianareo efa nitsipaka an’i Iaveh izay eo afovoanareo, sy nitomany teo anatrehany nanao hoe: Naninona re no nivoaka tany Ejipta foana izahay?»

21 Hoy i Môizy: «Ny vahoaka manodidina ahy, dia enina hetsy ny lehilahy mandeha tongotra, ka lazainao hoe: Homeko hena izy ireo, sady hihinana izany iray volana maninjitra.

22 Ny omby aman’ondry va no hovonoina ho azy ireo, mba ho ampy ho azy sa ny hazan-drano rehetra any an-dranomasina no hangonina, mba ho ampy ho azy?»

23 Dia hoy ny navalin’i Iaveh an’i Môizy: «Fohy loatra va ny tanan’i Iaveh? Ho hitanao izao na ho tanteraka aminao na tsia izay voalazako.»

Ny nidinan’ny Fanahy

24 Dia nivoaka i Môizy, ka nilaza ny tenin’i Iaveh tamin’ny vahoaka, ary nanangona 70 lahy tamin’ny loholon’ny vahoaka izy, sy nandahatra azy manodidina ny trano lay.

25 Nidina teny amin’ny rahona i Iaveh dia niteny tamin’i Môizy; nangalany ny fanahy izay tao amin’i Môizy, ka nataony tao amin’ny loholona fitopolo lahy, naminany izy ireo raha vao tonga tao aminy ny fanahy, nefa tsy notohizany izany.

26 Nisy olona roa lahy, atao hoe Eldada ny anankiray, ary Medada ny anankiray, nijanona teo an-toby; ary tonga tao amin’izy ireo ny fanahy; anisan’ny voasoratra izy ireo nefa tsy nankany amin’ny trano lay, ary naminany teo an-toby izy.

27 Dia nihazakazaka nilaza izany tamin’i Môizy ny zazalahy anankiray, nanao hoe: «Maminany atsy an-toby i Eldada sy i Medada.»

28 Niteny niaraka tamin’izay i Jôsoe, zanak’i Nona, mpanompon’i Môizy hatry ny fony tanora, ka nanao hoe: «Ry Môizy tompoko ô, rarao izy roa lahy.»

29 Fa hoy ny navalin’i Môizy azy: «Noho ny amiko va no ialonanao? Enga anie ka ho mpaminany avokoa ny vahoakan’i Iaveh, ary hataon’i Iaveh ao aminy ny fanahiny.»

30 Dia nihataka nankeo an-toby i Môizy sy ny loholon’i Israely.

Ny papelika

31 Ary nisy rivotra nifofofofo avy amin’i Iaveh ka nitondra papelika avy any amin’ny ranomasina, sy nandatsaka azy teny amin’ny toby, ka tokony ho lalana indray andro amin’ny lafiny iray manodidina ny toby no nisy azy, ary sahabo ho roa hakiho ambonin’ny tanyizy.

32 Dia nitsangana ny vahoaka ary nandritra izany andro izany, sy nandritra ny alina, ary ampitso tontolo andro, dia nanangona ny papelika; izay kely fanangona no nahazo folo gômôra, ary nahahiny izany manodidina ny toby mba ho azy ireo.

33 Kanjo raha mbola teo am-bavany ny hena, fa mbola tsy lany akory, dia nirehitra tamin’ny vahoaka ny fahatezeran’i Iaveh, ka nasian’i Iaveh tamin’ny loza mafy indrindra ny vahoaka.

34 Nomena anarana hoe Kibrôta-Hataavà izany fitoerana izany, fa tao no nandevenana ny vahoaka izay nirehitry ny fahalianan-kanina.

35 Niainga avy tao Kibrôta-Hataavà ny vahoaka ho any Hazerôta, dia nijanona tao Hazerôta.

Categories
Fanisana

Fanisana 12

Monomonon’i Maria sy i Aarôna

1 Ary i Maria mbamin’i Aarôna nanome tsiny an’i Môizy noho ny amin’ny vehivavy Kosita izay efa nalainy ho vady, fa nanambady vehivavy kosita izy.

2 Hoy izy ireo: «Moa dia amin’ny alalan’i Môizy ihany va no nitenenan’i Iaveh? Moa tsy efa niteny tamin’ny alalanay va izy?»

3 Ren’i Iaveh izany. I Môizy anefa dia lehilahy malemy fanahy indrindra, mihoatra noho ny olona rehetra etỳ ambonin’ny tany.

Valy nataon’Andriamanitra

4 Niteny tampoka tamin’i Môizy sy i Aarôna ary i Maria i Iaveh nanao hoe: «Mivoaha ianareo telo mianadahy ho any an-trano lay fihaonana.» Dia nivoaka daholo izy telo mianadahy.

5 Ary i Iaveh nidina tamin’ny andry rahona, ka nitoetra teo am-baravaran’ny trano lay. Niantso an’i Aarôna sy i Maria izy, dia nandroso izy mianadahy ireo;

6 ary hoy izy hoe: «Henoy tsara izao teniko izao: Raha misy mpaminanin’i Iaveh eo aminareo, dia fahitana no hisehoako aminy, ary nofy no hitenenako aminy.

7 Tsy mba toy izany i Môizy mpanompoko; ekena ho olo-mahatoky amin’ny tranoko rehetra izy.

8 Miteny aminy mifanatrika ka miseho miharihary aminy Aho, fa tsy aman’ohatra, dia mijery ny Endrik’i Iavehizy. Koa nahoana àry ianareo no dia tsy natahotra ny hanome tsiny ny mpanompoko, dia i Môizy?»

9 Ary nirehitra tamin’izy mianadahy ny fahatezeran’i Iaveh, ka lasa Izy.

10 Ny rahona niala teo ambonin’ny trano lay. Ary indro Maria tonga boka, mova tsy ny oram-panala. Nitodika an’i Maria i Aarôna, dia indro fa boka izy.

Tarainan’i Aarôna sy i Môizy

11 Ary hoy i Aarôna tamin’i Môizy: «Aoka re, tompoko, mba tsy hatsindrinao anay izany fahotana nataonay tamin-kadalana sy mahameloka anay izany.

12 Aoka re tsy ho toy ny zaza maty hatrany am-bohoka izy; ka raha vao teraka dia efa lany sasaka ny nofony.»

13 Dia nitaraina tamin’i Iaveh i Môizy, ka nanao hoe: «Ry Andriamanitra, mihanta aminao aho, sitrano izy.»

14 Ary hoy i Iaveh tamin’i Môizy: «Raha nororan-drainy ny tavany, moa tsy ho menatra hafitoana va izy? Mitokàna any ivelan’ny toby izy hafitoana, fa rehefa afaka izany vao horaisina ao indray.»

15 Natokana hafitoana tany ivelan’ny toby i Maria, ary tsy niainga ny vahoaka raha tsy efa voaray indray i Maria.

16 Nony afaka izany, dia niainga niala tao Hazerôta ny vahoaka ka nitoby tao amin’ny efitra Faràna.

Categories
Fanisana

Fanisana 13

Mpisafo tany, tany Kanaana

1 Niteny tamin’i Môizy i Iaveh ka nanao hoe:

2 «Maniraha olona hisafo ny tany Kanaana, izay omeko ny zanak’i Israely. Lehilahy iray isam-pokom-pianakaviana no hirahinareo; aoka izy rehetra ho samy filohany amin’izy ireo avy.»

3 Dia nirahin’i Môizy avy ao amin’ny efitra Faràna, araka ny didin’i Iaveh, izy ireo; ary samy filohan’ny zanak’i Israely avokoa ireo lehilahy rehetra ireo.

4 Ireto no anarany: Samoà zanak’i Zekora, avy amin’ny fokon-dRobena;

5 Safata zanak’i Hori, avy amin’ny fokon’i Simeôna;

6 Kaleba zanak’i Jefone, avy amin’ny fokon’i Jodà;

7 Igala zanak’i Josefa, avy amin’ny fokon’i Isakara;

8 Ozea, zanak’i Nona, avy amin’ny fokon’i Efraima;

9 Faltỳ, zanak’i Rafò avy amin’ny fokon’i Benjamina;

10 Gediela, zanak’i Sodỳ, avy amin’ny fokon’i Zabolôna;

11 Gadì, zanak’i Sozì, avy amin’ny fokon’i Josefa, fokon’i Manase;

12 Amilea, zanak’i Gemalì avy amin’ny fokon’i Dana;

13 Sotora, zanak’i Mikaela, avy amin’ny fokon’i Asera;

14 Nahabì, zanak’i Vapsì, avy amin’ny fokon’i Neftalì;

15 Goela, zanak’i Makì, avy amin’ny fokon’i Gada.

16 Ireo no anaran’ny lehilahy nirahin’i Môizy hisafo ny tany. I Ozea, zanak’i Nona dia nomen’i Môizy anarana hoe Jôsoe.

17 Nirahin’i Môizy hisafo ny tany Kanaana izy ireo, nataony hoe: «Miakara ianareo, mihazoa ny Negeba, dia miakara amin’ny tendrombohitra.

18 Hozahanareo ny tany, ny toetrany, ary ny olona monina eo aminy, na matanjaka na osa izy ireo, na vitsy na maro;

19 ny toetry ny tany onenany, na tsara na ratsy, ny toetry ny tanàna onenany, na tsy mimanda na mimanda;

20 ny toetry ny tany na lali-nofo na marivo nofo, na misy hazo na tsia. Mahereza tsara ary mangalà amin’ny vokatry ny tany.» Voaloham-pahavokaran’ny voaloboka tamin’izay.

21 Dia niakatra izy ireo, ka nisafo ny tany hatrany amin’ny efitra Sina, ka hatrany Rohoba, amin’ny lalan’i Hemata.

22 Niakatra an’i Negeba izy ireo, ka nandroso hatrany Hebrôna, izay nisy an’i Akimàna sy i Sizaia ary i Tolmaia, taranak’i Enàka. I Hebrôna dia naorina fito taona talohan’i Tanisa any Ejipta.

23 Nony tonga tao amin’ny lohasaha Eskôla izy ireo dia nanapaka rantsam-boaloboka iray nisy sampahony, ka roa lahy izy no nilanja an’io tamin’ny hazo lava; naka ampongabendanitra sy aviavy koa izy.

24 Noho ny sampahom-boaloboka notapahin’ny zanak’i Israely teo, dia nomena anarana hoe Lohasahan’i Eskôla io fitoerana io.

Tatitry ny mpisafo tany

25 Nony afaka 40 andro dia niverina avy any am-pisafoana ny tany izy ireo.

26 Tonga izy, dia nanatona an’i Môizy sy i Aarôna, mbamin’ny fiangonan’ny zanak’i Israely rehetra, tao Kadesy tany an’efitra Faràna. Nanao filazana taminy sy tamin’ny fiangonana rehetra izy ireo ary naneho ny vokatry ny tany taminy.

27 Izao no filazana nataony tamin’i Môizy: «Nankany amin’ny tany nanirahanao anay izahay. Tany tondra-dronono sy tantely tokoa izany, ary itony no vokatry ny tany avy any.

28 Fa ny vahoaka monina any, mahery; ny tanàna, sady mimanda no lehibe; ny zanak’i Enàka aza, hitanay any koa.

29 I Amaleka no monina amin’ny faritanin’ny Negeba; ny Heteanina, ny Jebozeanina, ary ny Amôreana no monina amin’ny tendrombohitra; ary ny Kananeanina no monina amin’ny moron-dranomasina sy ny amoron’i Jordany.»

30 Fa i Kaleba nampangina ny vahoaka ny amin’i Môizy: «Andeha isika, hoy izy, hiakatra haka ny tany fa mety ho lasantsika tokoa izy.»

31 Nefa hoy kosa ireto olona niara-niakatra taminy: «Tsy manan-kery isika hananika izany vahoaka izany, fa mahery noho isika izy.»

32 Sady nataony laza ratsy teo anatrehan’ny zanak’i Israely ny tany izay nosafoiny, ka hoy izy: «Ny tany notetezinay nosafoina dia tany mandevona ny mponina aminy; ny olona rehetra hitanay tany dia olona avo ranjanana daholo;

33 ary hitanay tany koa ny Rapeto zanak’i Enàka, taranaky ny Rapeto: mova tsy ny valala izahay teo imasony sy teo imasonay.»