Categories
Apôkalipsa nosoratan’i Md Joany

Apôkalipsa nosoratan’i Md Joany 8

Ny Tombokase fahafito

1 Nony nosokafan’ny Zanak’ondry ny tombokase fahafito, dia nisy fanginana sahabo ho antsasak’adiny tany an-danitra.

Ny fivavahan’ny Olomasina manafaingana ny Andro Lehibe

2 Nony afaka izay, dia nahita ireo Anjely fitomitsangana eo anatrehan’Andriamanitra aho, ary nomena trômpetra fito izy ireo.

3 Dia indro koa nisy Anjely anankiray hafa, nitsangana teo anoloan’ny ôtely, nitana fanembohana volamena, ary nomena emboka manitra betsaka mba hanolotra ny vavaky ny olo-masina rehetra eo ambony ôtely volamena, izay eo anoloan’ny seza fiandrianan’Andriamanitra:

4 ary ny fofon’ny emboka manitra, avy amin’ny vavaky ny olo-masina, dia niakatra ho eo anatrehan’Andriamanitra avy amin’ny tanan’ny Anjely.

5 Ary nalain’ilay Anjely ny fanembohana, nofenoiny afo avy teo ambony ôtely, dia nazerany tamin’ny tany, ka nisy feo aman-kotroka sy tsela-baratra, sady nihorohoro ny tany.

Ny Trômpetra efatra voalohany

6 Ary niomana hitsoka ny trômpetra ny Anjely fito izay nitondra ny trômpetra fito.

7 Dia nitsoka ny trômpetra ny Anjely voalohany, ka nisy havandra sy afo miharo ra nalatsaka tamin’ny tany, ary may ny ampahatelon’ny tany, may ny ampahatelon’ny hazo, may koa ny ahi-maitso rehetra.

8 Nitsoka ny trômpetra indray ny Anjely faharoa, dia nisy toa tendrombohitra mirehitra nazera tany anaty ranomasina, ka nanjary ra ny ampahatelon’ny ranomasina,

9 maty ny ampahatelon’ny zava-manana aina tao amin’ny ranomasina, ary levona ny ampahatelon’ny sambo.

10 Nitsoka ny trômpetra koa ny Anjely fahatelo, dia nisy kintana lehibe anankiray, mirehitra toy ny fanilo, nilatsaka avy any an-danitra, nianjera tamin’ny ampahatelon’ny ony, sy tamin’ny loharano.

11 Imangidy no anaran’io kintana io, ka tonga mangidy ny ampahatelon’ny rano, ary maro ny olona matin’ny rano, noho izy tonga mangidy.

12 Nitsoka ny trômpetra indray ny Anjely fahefatra, dia voa ny ampahatelon’ny masoandro sy ny ampahatelon’ny volana ary ny ampahatelon’ny kintana, ka tonga maizina ny ampahatelon’ireo, tsy nazava intsony ny ampahatelon’ny andro, ary toraka izany koa ny alina.

13 Nanaraka izany dia nijery aho, ary nandre feom-boromahery anankiray nanidina teny afovoan’ny lanitra, niantso tamin’ny feo mahery hoe: «Loza, loza, loza ho an’izay monina eny ambonin’ny tany, noho ny feon’ny trômpetra telo sisa izay efa hotsofin’ny Anjely.»

Categories
Apôkalipsa nosoratan’i Md Joany

Apôkalipsa nosoratan’i Md Joany 9

Ny Trômpetra fahadimy

1 Dia nitsoka ny trômpetra ny Anjely fahadimy, ka hitako kintana anankiray avy any an-danitra, nilatsaka tetỳ an-tany; nomena azy io ny fanalahidin’ny lavaka tsy hita noanoa.

2 Dia nosokafany ny lavaka tsy hita noanoa, ka setroka toy ny avy amin’ny memy lehibe no nipololotra avy any; maizin’ny setroka avy any an-davaka terỳ ny masoandro sy ny habakabaka.

3 Io setroka io indray, namoaka valala niely tetỳ an-tany, sady nomena hery toy ny an’ny maingoka etỳ an-tany ireo,

4 ary norarana tsy hanimba ny ahitra amin’ny tany, na ny zava-maitso, na ny hazo, fa ny olona tsy manana ny fitombok’Andriamanitra teo an-kandriny ihany.

5 Tsy ny hamono azy anefa, fa ny hampanaintaina azy dimy volana no nasaina nataon’izy ireo, ary fanaintainana toy ny an’ny olona kaikerin’ny maingoka no hafitsony azy;

6 ka hitady ny fahafatesana ny olona amin’izany andro izany, fa tsy hahita azy; ary haniry ny ho faty izy, fa handositra azy ny fahafatesana.

7 Ireo valala ireo dia nanahaka ny soavaly vonon-kiady; satroboninahitra toa volamena no teny an-dohany; sahala amin’ny tavan’olona ny tavany;

8 tahaka ny volom-behivavy ny volony; ary mitovy amin’ny nifin-diona ny nifiny.

9 Ny fiarovan-tratran’izy ireo dia toy ny akanjo vy; ny fikopakopaky ny elany, sahala amin’ny fikotrokotroky ny kalesy tarihin-tsoavaly maro miriotra hiady;

10 ny rambony tahaka ny an’ny maingoka, sady nisy fitsindrona, ary ny rambony no nanan-kery hampanaintaina ny olona dimy volana.

11 Ny mpanjaka filohan’izy ireo, dia anjelin’ny lavaka tsy hita noanoa, izay atao hoe Abadôna amin’ny teny hebrio, ary Apôliôna amin’ny teny grika.

12 Lasa izay ny loza voalohany; fa indro hisosoka koa ny loza roa sisa.

Ny trômpetra fahenina

13 Dia nitsoka ny trômpetra ny Anjely fahenina, dia inay nisy feo reko nivoaka avy tamin’ny zoro efatry ny ôtely volamena eo anatrehan’Andriamanitra,

14 nilaza tamin’ny Anjely fahenina nitana ny trômpetra hoe: «Vahao ny Anjely efatra mifatotra any Eofrata ony lehibe.»

15 Dia novahana ireo Anjely efatra izay efa voaoman-drahateo ho amin’ny ora sy andro ary volana sy taona voatendry, hamono ny ampahatelon’ny olona;

16 ary roan-jato tapitrisa no isan’ny miaramila an-tsoavaly; fa nahare ny isany aho.

17 Ary toy izao no nahitako ny soavaly sy ny mpitaingina azy, tamin’ny fahitana: nivolon’afo sy hiasinta ary solifara ny fiarovan-tratran’ny mpitaingina azy, nilohan-diona ny lohan’ny soavaly, sady nivoaka afo aman-tsetroka sy solifara ny vavany,

18 Ary ireo loza telo nivoaka tamin’ny vavany ireo, dia ny afo sy ny setroka ary ny solifara, no nahafaty ny ampahatelon’ny olona;

19 fa amin’ny vavany sy ny rambony no misy ny herin’ny soavaly, satria toy ny menarana ny rambony sady manan-doha ka amin’izany no amelezany.

20 Tsy nibebaka hiala amin’ny asan-tanany anefa ny olona sisa tsy matin’ireo loza ireo, mba tsy hivavahany amin’ny demony sy ny sampy volamena sy volafotsy sy varahina ary vato aman-kazo, izay tsy mahajery na mahare na afa-mamindra akory;

21 tsy nisy nibebahany koa na ny vonoana olona, na ny ody mahery, na ny fijangajangana, na ny halatra nataon’izy ireo.

Categories
Apôkalipsa nosoratan’i Md Joany

Apôkalipsa nosoratan’i Md Joany 10

Antomotra ny sazy farany

1 Dia nahita Anjely anankiray hafa koa aho, nidina avy any an-danitra ka rahona no nitafiany, avana no teo ambony lohany, tahaka ny masoandro ny tarehiny, ary sahala amin’ny andry afo ny tongony.

2 Nitana boky kely nivelatra teny an-tanany izy; ny tongony ankavanana moa natsatony tamin’ny ranomasina, ary ny ankavia kosa tamin’ny tany;

3 niantso tamin’ny feo mahery toy ny fieron’ny liona izy, ka vao niantso izy dia nandefa ny feony ny kotrokorana fito.

4 Nony nandre ny feon-kotrokorana fito aho, dia ndeha hanoratra, kanjo nandre feo avy any an-danitra nanao tamiko hoe: «Asio tombokase ny voalazan’ny kotrokorana fito, fa aza soratana.»

5 Tamin’izay ilay Anjely hitako nitsangana teo ambony ranomasina sy teo ambonin’ny tany dia nanandratra ny tanany ankavanana tany an-danitra,

6 ka nianiana tamin’ilay Velona mandrakizay mandrakizay, dia Ilay nahary ny lanitra mbamin’izay ao aminy, sy ny tany mbamin’izay ao aminy ary ny ranomasina mbamin’izay ao aminy, fa tsy hisy andro intsony;

7 fa amin’ny andro hampandrenesan’ny Anjely fahafito ny feony, amin’ny fitsofana ny trômpetra, dia ho tanteraka ny misterin’Andriamanitra, araka ny nampilazainy ny mpaminany mpanompony,

Ilay boky kely hatelina

8 Ary niteny tamiko indray ilay feo reko avy any an-danitra, nanao hoe: «Mandehana alao ny boky kelymivelatra eny an-tanan’ilay Anjely mitsangana eo ambonin’ny ranomasina sy ny tany.»

9 Dia nankany amin’ilay Anjely aho sy nilaza taminy hanome ahy ny boky, ka hoy ny navaliny ahy: «Raiso ka atelemo izy; hangidy izy ao an-kibonao, nefa ho mamy toy ny tantely eo am-bavanao.»

10 Noraisiko ny boky teny an-tanan’ity Anjely, dia nateliko avokoa, ka mamy toy ny tantely izy tao am-bavako, fa nony nateliko kosa, dia tsaroako nangidy tao an-kiboko.

11 Tamin’izay dia nisy nilaza tamiko hoe: «Olona maro sy firenena maro sy fiteny samihafa ary mpanjaka maro koa no tsy maintsy mbola haminanianao.»

Categories
Apôkalipsa nosoratan’i Md Joany

Apôkalipsa nosoratan’i Md Joany 11

Ireo vavolombelona roa

1 Ary nomena volotara toy ny tehina aho, dia nisy nilaza tamiko hoe: Mitsangàna, refeso ny Tempolin’Andriamanitra.

2 Avelao anefa fa aza refesina ny efitrano fidirana ivelan’ny tempoly, satria efa nomena ny Jentily io, ka hanitsaka ny tanàna masina roa amby efapolo volana izy, sy ny ôtely, mbamin’izay mivavaka ao.

3 Ary ny Vavolombeloko roa, dia homeko hery haminany enimpolo amby roan-jato sy arivo andro; akanjo malailay no hiakanjoany.

4 Izy ireo no fototr’ôliva roa sy fanaovan-jiro roa, izay mitsangana eo anatrehan’ny Tompon’ny tany.

5 Ka raha misy te hanisy ratsy azy ireo, dia hisy afo mivoaka avy any am-bavany handevona ny fahavalony, ary hovonoina toy izany avokoa izay mitady hamely azy.

6 Manam-pahefana hanidy ny lanitra izy ireo, mba tsy hilatsahan’ny ranonorana amin’ny andro haminaniany; sady manam-pahefana amin’ny rano koa izy, ka mahova azy ho ra, sy hamely ny tany amin’ny loza rehetra isaky ny te-hanao izany izy.

7 Ary rehefa vita ny fanambaràn’izy ireo, dia hiady aminy ilay Biby hiakatra avy amin’ny lavaka tsy hita noanoa, ka haharesy azy sy hahafaty azy;

8 ary ny fatiny dia hiampatra eo an-kianjan’ny tanàna lehibe izay atao amin’ny teny an’ohatra hoe: Sôdôma sy Ejipta, eo amin’ilay namantsihana ny Tompony tamin’ny Hazofijaliana.

9 Olona samihafa firenena sy foko sy fiteny ary fanjakana, no hijery ny fatiny miampatra eo hateloan’andro sy tapany, fa tsy havelany halevina any am-pasana izy ireo.

10 Hifaly ny mponina etỳ ambonin’ny tany noho ny amin’izy ireo; hiara-miravoravo sy hifanati-javatra izy ireo, fa nampijaly ny mponina tetỳ an-tany ireo mpaminany roa ireo.

11 Nony afaka hateloana sy tapany anefa, dia nisy fanahin’aina avy amin’Andriamanitra, niditra tamin’ireo faty ireo, ka nijoro tamin’ny tongony izy, ary raiki-tahotra mafy izay nahita azy.

12 Sady injay koa nisy feo avy any an-danitra nanao taminy hoe: «Miakara atỳ.» Dia niakatra any an-danitra tao anatin’ny rahona, sy teo anatrehan’ny fahavalony izy ireo.

13 Ary tamin’izany ora izany, dia nisy horohoron-tany mafy, ka nirodana ny ampahafolon’ny tanàna, ary olona fito arivo no matin’izany horohoron-tany izany. Raiki-tahotra ny olona sisa ka nanome voninahitra ny Andriamanitry ny lanitra.

Ny trômpetra fahafito

14 Lasa ny loza faharoa; indro hisosoka faingana ny loza fahatelo.

15 Dia nitsoka ny trômpetra ny Anjely fahafito, ka nisy feo mahery avy any an-danitra nanao hoe: «Lasan’ny Tompontsika sy ilay Kristiny ny fanjakan’izao tontolo izao, ka hanjaka mandrakizay mandrakizay Izy.»

16 Tamin’izay ireo Anti-dahy efatra amby roapolo, nipetraka tamin’ny seza fiandrianany teo anatrehan’Andriamanitra, dia niankohoka nitsaoka an’Andriamanitra,

17 nanao hoe: «Misaotra Anao izahay, Tompo ô, Andriamanitra Tsitoha izay ankehitriny sy taloha, fa naneho ny herinao lehibe Ianao, ka manjaka izao.

18 Nisarongatra ny firenena, fa tonga ny fahatezeranao, sy ny fotoana hitsarana ny maty, mba hanomezana valisoa ny mpanomponao, dia ny mpaminany, sy ny olo-masina mbamin’izay natahotra ny Anaranao, na kely na lehibe, ary mba hamerezana izay nanimba ny tany.»

19 Dia novohaina ny Tempolin’Andriamanitra any an-danitra, ka niseho teo anatin’ny Tempoliny ny fiaran’ny fanekena; ary nisy tselatra sy tabataba ary kotro-baratra sy horohoron-tany mbamin’ny havandra vaventy.

Categories
Apôkalipsa nosoratan’i Md Joany

Apôkalipsa nosoratan’i Md Joany 12

Fahitana an’ilay Vehivavy sy ny Dragona

1 Nony inona, nisy famantarana lehibe niseho teny an-danitra, dia Vehivavy anankiraynitafy masoandro, ny volana no teo an-tongony, kintana roa ambin’ny folo no satroboninahitra teny an-dohany.

2 bevohoka izy, sady nihetsi-jaza, ka nitaraina noho ny fanaintainam-piterahana.

3 Ary nisy famantarana hafa koa niseho teny an-danitra, dia Dragona mena lehibe anankiray nitranga tampoka, fito ny lohany, folo ny tandrony, ary satroboninahitra fito no teny an-dohany.

4 Nofinaokany tamin’ny rambony ny ampahatelon’ny kintan’ny lanitra ka nazerany tamin’ny tany. Dia nijoro teo anoloan-dRavehivavy hiteraka izy mba handrapaka ny Zanany, raha vao teraka.

5 Tera-dahy Ravehivavy, ary io Zanany io no hifehy ny firenena rehetra amin’ny tsora-by, ka nakarina ho any amin’Andriamanitra eo anilan’ny seza fiandrianany.

6 Fa Ravehivavy kosa nandositra nankany an’efitra, fa any no nanamboaran’Andriamanitra toerana ho azy, mba hamelomana azy mandritra ny enimpolo amby roan-jato sy arivo andro.

7 Ary nisy ady tany an-danitra: i Misely sy ny Anjeliny moa niady tamin’ny Dragona; ny Dragona sy ny anjeliny koa namely,

8 fa tsy nahomby, sady tsy nahazo nitoetra tany an-danitra intsony;

9 ka nazera ity Dragona lehibe, dia ilay menarana antitra atao hoe Devoly sy Satana, izay mamitaka izao tontolo izao; ny tenany moa nazera tamin’ny tany, ny anjeliny koa nazera niaraka aminy.

10 Dia nandre feo mahery tany an-danitra aho, nanao hoe: «Ankehitriny dia an’Andriamanitra ny famonjena sy ny hery ary ny fanjakana; an’i Kristiny koa ny fahefana; efa voazera ilay mpiampanga ny namantsîka, dia ilay miampanga azy andro aman’alina eo anatrehan’ny Andriamanitsika.

11 Nandresy azy ireo koa ny namantsîka noho ny Ran’ny Zanak’ondry sy ny teny nambarany ary ny tsy fitandroany ny ainy, na dia ho faty aza Izy.

12 Koa mifalia, ry lanitra, mbaminareo monina ao aminy. Fa hahita loza kosa ianareo, ry tany aman-dranomasina, fa navarina any aminareo ny devoly, misafoaky ny hatezerana lehibe, satria fantany fa kely sisa ny androny.»

13 Nony hitan’ilay Dragona fa voazera amin’ny tany izy, dia ilay Vehivavy tera-dahy no nenjehiny.

14 Nomena ela-boromahery lehibe roa anefa Ravehivavy, mba hanidinany ho any an’efitra amin’ny fitoerany, izay namelomana azy fotoana iray, sy fotoana roa, ary antsasaky ny fotoana, mba tsy hahitan’ilay menarana azy.

15 Dia nandefa rano toy ny ony avy amin’ny vavany ilay menarana, hankany amin-dRavehivavy, mba hipaohan’ny ony azy.

16 Kanjo novonjen’ny tany kosa Ravehivavy, fa nivava ny tany, dia nitelina ny ony nalefan’ilay Dragona tamin’ny vavany.

17 Tezitra tamin-dRavehivavy ny Dragona, ka any amin’ny zanany sisa mitandrina ny didin’Andriamanitra sy maharitra amin’ny fanambaràn’i Jesoa, no nifotrohany niadiana.

Ny Dragona mamindra ny fahefany amin’ilay Biby

18 Dia teny amin’ny fasi-dranomasina izy no nitsatoka.

Categories
Apôkalipsa nosoratan’i Md Joany

Apôkalipsa nosoratan’i Md Joany 13

1 Raha efa izany, dia nahita Biby anankirayniakatra avy amin’ny ranomasina aho; fito ny lohany, folo ny tandrony, satroboninahitra folo no teny an-tandrony, ary anarana fanevatevana an’Andriamanitra no tamin’ny lohany.

2 Sahala amin’ny leoparda ilay Biby hitako; toy ny tongotr’orsa ny tongony, tahaka ny vavan-diona ny vavany. Nomen’ilay Dragona azy ny heriny sy ny seza fiandrianany ary fahefana lehibe.

3 Toa voan’ny ratra mahafaty ny lohany iray, nefa sitrana ihany ilay fery saika nahafaty azy ary gaga ny tany rehetra, ka sady nanaraka azy

4 no nitsaoka ny Dragona izay nanome fahefana ny Biby, sy nitsaoka ny Biby koa, nanao hoe: «Iza moa no tahaka ny Biby, ary iza no mahady aminy?»

5 Ary nomena vava mitsaontsaona sy manevateva an’Andriamanitra izy, sady nomena fahefana hanaram-po roa amby efapolo volana.

6 Dia nanokatra ny vavany izy, ka nanevateva an’Andriamanitra sy nanevateva ny Anarany mbamin’ny tranolainy, sy ireo monina any an-danitra.

7 Nomena fahefana hiady amin’ny olo-masina sy handresy ireo koa izy; ary nomena fahefana tamin’ny foko rehetra, sy ny fanjakana mbamin’ny samy hafa fiteny sy ny firenena rehetra.

8 Dia hitsaoka azy ny mponina eto an-tany rehetra, izay tsy mba voasoratra anarana teo amin’ny bokin’ny fiainan’ny Zanak’ondry, Ilay voavono hatramin’ny nanorenana izao tontolo izao.

9 Izay manan-tsofina aoka hihaino.

10 Izay tokony ho amin’ny fahababoana, dia mankany amin’ny fahababoana; izay mamono amin’ny sabatra tsy maintsy hovonoina amin’ny sabatra. Toy izany no fandeferana sy finoan’ny olo-masina.

Mpaminany sandoka manompo ilay Biby

11 Dia nahita Biby anankiray hafa koa aho.

12 Nampiasainy avokoa ny fahefan’ilay Biby voalohany eo anatrehany, ary nampivavahiny tamin’ilay Biby voalohany, sitrana tamin’ny fery saika nahafaty azy, ny tany mbamin’izay monina ao aminy, niakatra avy amin’ny tany; roa toy ny an’ny zanak’ondry ny tandrony, ary niteny toy ny dragona izy.

13 Nanao fahagagana lehibe teo imason’ny olona izy hatramin’ny nampidinana afo avy any an-danitra ho etỳ an-tany aza;

14 ary namitaka ny mponina amin’ny tany tamin’ny fahagagana nomena hataony teo anatrehan’ny Biby, nasainy nanao sarin’ilay Biby naratry ny sabatra nefa velona ihany, ny mponina eto an-tany;

15 sady navela hanisy aina ny sarin’ny Biby izy, sy hampiteny azy, ary hampamono izay rehetra tsy mivavaka amin’ny sarin’ny Biby.

16 Ny olona rehetra, na kely na lehibe, na mpanan-karena na mahantra, na olona tsotra na mpanompo, dia nasainy nasiana marika tamin’ny tanany ankavanana na tamin’ny handriny avokoa;

17 mba tsy hisy hahazo hividy na hivarotra afa-tsy izay voaisy mariky ny anaran’ny Biby, na ny isan’ny anarany.

18 Eto no ilàna fahendrena! Ka aoka izay manan-tsaina hamantatra ny isan’ny Biby, fa isa milaza olona izany, ary enina amby enimpolo sy enin-jato izany isa izany.

Categories
Apôkalipsa nosoratan’i Md Joany

Apôkalipsa nosoratan’i Md Joany 14

Ireo manaraka ny Zanak’ondry

1 Nijery indray aho, ka indro nitsangana teo an-tendrombohitr’i Siôna ny Zanak’ondry; olona 144.000 no nanaraka Azy, ary voasoratra teo an-kandrin’ireo ny Anarany sy ny Anaran-dRainy.

2 Dia nandre feo avy any an-danitra aho, tahaka ny firohondrohon’ny ranobe sy ny feon-kotro-baratra mafy; ary ny feony izay reko dia toy ny kônsertry ny mpitendry harpa mitendry harpa.

3 Nihira toa hira vaovao izy ireo, teo anoloan’ny seza fiandrianana sy ny Zava-manana aina efatra ary teo anatrehan’ireo Anti-dahy; ka tsy nisy nahazo nanao izany hira izany, afa-tsy izy 144.000 ireo, izay navotana ho afaka amin’ny tany.

4 Ireo no tsy nandoto tena tamin’ny vehivavy, fa virjiny izy. Ireo no manaraka ny Zanak’ondry na aiza na aiza alehany. Ireo no navotana avy amin’ny olona, ho santatra ho an’Andriamanitra sy ny Zanak’ondry;

5 ary tsy misy lainga eo am-bavan’izy ireo, fa tsy manan-tsiny izy.

Anjely maro manambara ny fotoana Fitsarana

6 Dia nahita Anjely anankiray hafa koa aho, nanidina teo afovoan’ny lanitra, nitondra ny Evanjely mandrakizay, hotorîny amin’ny mponina eto an-tany, dia amin’ny firenena rehetra, sy amin’ny foko aman-tsamihafa fiteny, mbamin’ny fanjakana rehetra.

7 Izao no nambarany tamin’ny feo mahery: «Matahora an’Andriamanitra; omeo voninahitra Izy, fa tonga ny andro fitsarany. Mitsaoha an’Ilay nahary ny lanitra sy ny tany, mbamin’ny ranomasina sy ny loharano.»

8 Nanaraka an’io, dia nisy Anjely anankiray hafa nanao hoe: «Rava, rava, i Babilôna lehibe, ilay nampisotro ny firenena ny divaim-pahatezerana tamin’ny fijangajangany.»

9 Ary nisy Anjely fahatelo nanaraka ireo koa, nanao tamin’ny feo mahery hoe: Raha misy mivavaka amin’ny Biby sy ny sariny, ka mandray ny mariny eo amin’ny handriny, na eo amin’ny tanany,

10 dia izy no hisotro ny divain’ny fahaviniran’Andriamanitra, izay naidina ao amin’ny kapoaky ny fahatezerany tsy misy famahony; sady hampijalin’ny afo aman-tsolifara eo anatrehan’ny Anjely masina sy ny Zanak’ondry.

11 Ary hiakatra mandrakizay mandrakizay ny setroky ny fijalian’izy ireo, ka tsy hahita hianînana na andro na alina izay nivavaka tamin’ny Biby sy ny sariny, ary izay nandray ny mariky ny anarany.

12 Fa indro kosa ny valin’ny fandeferan’ny olo-masina, izay nitandrina ny didin’Andriamanitra sy ny finoana an’i Jesoa.

13 Ary nandre feo avy any an-danitra aho, nanao hoe: Soraty: Sambatra hatramin’izao ny maty izay maty ao amin’ny Tompo. Eny, hoy ny Fanahy, aoka hiala sasatra amin’ny asany izy, ka ny asany hanaraka azy.

Hojinjaina toy ny vary ary hotohazana toy ny voaloboka ny firenena rehetra

14 Dia nijery aho, ka indro nisy rahona fotsy, ary teo amboniny nisy olona nipetraka sahala amin’ny Zanak’olona; satroboninahitra volamena no teny an-dohany, antsy fijinjana maranitra no teny an-tanany.

15 Ary nisy Anjely iray koa nivoaka avy ao amin’ny Tempoly, niantso tamin’ny feo mahery, ka nanao tamin’ilay nipetraka tambonin’ny rahona hoe: Alefaso ny antsy fijinjànao, ka mijinjà, fa tonga ny taom-pijinjana, satria masaka ny vokatry ny tany.

16 Dia nalefan’ilay nipetraka tambonin’ny rahona teny amin’ny tany ny antsy fijinjàny, ka voajinja ny tany.

17 Nisy Anjely anankiray hafa koa, nivoaka avy teo amin’ny Tempoly any an-danitra, nitana antsy fijinjana maranitra koa.

18 Dia nivoaka avy eo amin’ny ôtely ity Anjely manam-pahefana amin’ny afo; niantso tamin’ny feo mahery, ka nilaza tamin’ilay nitana antsy fijinjana maranitra hoe: Alefaso ny antsy fijinjànao, ka toazyny sampahom-boaloboka eny amin’ny tanimboaloboky ny tany, fa efa masaka ny voany.

19 Dia nalefan’ilay Anjely tany amin’ny tany ny antsy fijinjàny, ka notoazany ny voaloboky ny tany, ary natsipiny tao anatin’ny famiazana lehibe, dia ny fahatezeren’Andriamanitra izany.

20 Nohosena teny ivelan’ny tanàna ny famiazana, ka ra nahadifotra hatramin’ny vin-damboridin-tsoavaly no nivoaka avy ao, sy nitobaka hatramin’ny enin-jato sy arivo stady.

Categories
Apôkalipsa nosoratan’i Md Joany

Apôkalipsa nosoratan’i Md Joany 15

Tononkiran’i Môizy sy tononkiran’ny Zanak’ondry

1 Raha efa izany, dia nahita famantarana hafa sady lehibe no mahagaga tany an-danitra aho, dia Anjely fito nitondra loza fito farany, fa amin’ireo no hanaperana ny fahatezeran’Andriamanitra.

2 Ary nahita toa ranomasina fitaratra miharo afo aho; ka izay nandresy ny Biby sy ny sariny ary ny isan’ny anarany no nitsangana teo amoron’io ranomasina fitaratra io, mitana ny harp’Andriamanitra.

3 Ny hiran’i Môizy mpanompon’Andriamanitra sy ny hiran’ny Zanak’ondry no nohirain’izy ireo, ka hoy izy: «Lehibe sy mahagaga ny asanao, ry Tompo, Andriamanitra tsitoha! Marina sy mahitsy ny lalànao, ry Mpanjakan’ny taona mandrakizay!

4 Iza no tsy hatahotra sy hankalaza ny Anaranao. Tompo ô? Fa Ianao irery no masina, ka ho avy hiankohoka eo anatrehanao ny firenena rehetra, satria niseho miharihary ny fitsarànao!»

Ireo loza fito sy kapoaka fito

5 Taorian’izany, indro hitako novohaina ny Tempoly nisy tranolain’ny fanambaràna tany an-danitra,

6 ka nivoaka avy tao amin’ny tempoly ny Anjely fito nitondra ny loza fito; niakanjo rongonim-bazaha fotsy mamirapiratra izy ireo, ary nietra fehikibo volamena nanodidina ny tratrany.

7 Dia natolotry ny iray amin’ny Zava-manana aina efatra ny Anjely fito ireto kapoaka volamena fito, feno ny fahatezeran’Andriamanitra, Izay velona mandrakizay mandrakizay,

8 ka feno setroka avy amin’ny voninahitr’Andriamanitra sy ny heriny ny Tempoly; ary tsy nisy afa-niditra tao amin’ny Tempoly mandra-pahatapitry ny loza fito nentin’ny Anjely fito.

Categories
Apôkalipsa nosoratan’i Md Joany

Apôkalipsa nosoratan’i Md Joany 16

1 Ary nandre feo mahery avy tao amin’ny Tempoly aho, nilaza tamin’ny Anjely fito hoe: «Mandehana araraho amin’ny tany ny ao amin’ny kapoaka fito, feno ny fahatezeran’Andriamanitra.»

2 Dia nandeha ny voalohany, nandraraka ny tao anaty kapoakany tamin’ny tany, ka nisy vay ratsy sady nampijaly mafy namely ny olona izay nisy ny mariky ny Biby sy izay nivavaka tamin’ny sariny.

3 Nandraraka ny tao anaty kapoakany tamin’ny ranomasina koa ny Anjely faharoa, dia tonga tahaka ny ran’olona maty ny ranomasina, ka may avokoa ny zava-manana aina rehetra tao anatiny.

4 Nandraraka ny tao anaty kapoakany tamin’ny ony sy ny loharano koa ny Anjely fahatelo, dia tonga ra ny rano.

5 Ary reko ny Anjelin’ny rano nanao hoe: «Marina Ianao izay ankehitriny sy taloha, ary masina Ianao izay nitsara toy izao.

6 Fa nandatsaka ny ran’ny olo-masina sy ny mpaminany izy ireo, ka tandrifiny raha ra kosa no nomenao hosotroiny.»

7 Dia nisy hafa tao amin’ny ôtely reko nanao hoe: «Eny, ry Tompo, Andriamanitra tsitoha! marina sy ara-drariny ny fitsarànao.»

8 Nandraraka ny tao anaty kapoakany tamin’ny masoandro koa ny Anjely fahefatra, dia nasaina nandoro ny olona tamin’ny afo io,

9 ka main’ny afo mafy indrindra ny olona; nefa ny manevateva ny Anaran’Andriamanitra, Izay manam-pahefana amin’ireny loza ireny no nataony, fa tsy ny mibebaka mba hanome voninahitra Azy Tompo.

10 Nandraraka ny tao anaty kapoakany tamin’ny seza fiandrianan’ny Biby koa ny Anjely fahadimy, dia tonga maizina ny fanjakany ka nanaikitra ny lelany ny olona noho ny fijaliany;

11 nefa ny manevateva an’Andriamanitra noho ny fijaliany sy ny feriny no nataony, fa tsy ny mibebaka tamin’ny asany.

12 Nandraraka ny tao anaty kapoakany tamin’i Eofrata, ony lehibe koa, ny Anjely fahenina, dia naharitra ny ranony, mba hisy lalan-kalehan’ny mpanjaka avy any atsinanana.

13 Dia nisy fanahy maloto telo, hoatra ny sahona, hitako nivoaka avy any am-bavan’ny Dragona, sy avy any am-bavan’ny Biby, ary avy any am-bavan’ny mpaminany sandoka.

14 Fanahin-devoly ireo, ary manao fahagagana sy mankany amin’ny mpanjakan’ny tany rehetra, mba hamory azy ho amin’ilay andro lehiben’Andriamanitra tsitoha. –

15 Indro, avy toy ny mpangalatra Aho. Sambatra izay miambina sy mitana ny fitafiany, fandrao mandeha miboridana izy ka ho hita ny fahamenarany. –

16 Ary any amin’ny fitoerana atao amin’ny teny hebrio hoe: Armagedaonano namoriana azy ireo.

17 Raha efa izany, nandraraka ny tao anaty kapoakany tamin’ny rivotra ny Anjely fahafito, dia nisy feo mahery nivoaka avy tao amin’ny Tempoly, teo amin’ny seza fiandrianana, nanao hoe: «Vita.»

18 Ka nisy tselatra sy feo ary kotro-baratra mbamin’ny horohoron-tany; tsy mbola nisy horohoron-tany mafy hoatra izany na oviana na oviana, hatrizay nisian’ny olona tetỳ ambonin’ny tany.

19 Nivaky telo terỳ ny tanàna lehibe, nirodana avokoa ny vohitry ny firenena maro; ary notsarovan’Andriamanitra i Babilôna lehibe, mba hampisotroany azy ny kapoakan-divain’ny fahatezerany mirehitra.

20 Ny nosy, nandositra daholo; ny tendrombohitra, tsy hita intsony,

21 ary ny olona nilatsahan’ny havandra vaventy be avy any an-danitra, sahabo ho lanjan-talenta irayny iray, ka nanevateva an’Andriamanitra izy ireo, noho ny loza avy amin’ny havandra, fa loza lehibe loatra izany.

Categories
Apôkalipsa nosoratan’i Md Joany

Apôkalipsa nosoratan’i Md Joany 17

Ilay Vehivavy janga malaza

1 Dia nanatona ahy ny iray tamin’ny Anjely fito nitondra kapoaka fito, ka nanao tamiko hoe: «Avia, fa hasehoko anao ny fitsarana ilay Vehivavy janga malaza, mipetraka amin’ny rano lehibe maro,

2 izay nijangajangan’ny mpanjakan’ny tany, sy nahamamo ny mponina ambonin’ny tany tamin’ny divain’ny fijangajangany.»

3 Dia nentiny am-panahy nankany an’efitra aho, ka inty Vehivavy nitaingina Biby mivolon-jaky, feno anarana fanevatevana an’Andriamanitra, fito loha sy folo tandroka, no hitako.

4 Lamba volomparasy sy jaky no nitafian-dRavehivavy, volamena sy vato soa ary voahangy no niravahany, ary kapoaka volamena feno zava-betavetano teny an-tanany, dia ny zava-maloton’ny fijangajangany izany.

5 Nisy anarana, dia anarana miafin-kevitra voasoratra teo an-kandriny, nanao hoe: «Babilôna lehibe, Renin’ny fijangajangana sy ny zava-betaveta amin’ny tany.»

6 Hitako fa mamon’ny ran’ny olo-masina sy ny ran’ny martirin’i Jesoa io Vehivavy io, ka gaga loatra aho nahita azy.

7 Ary hoy ilay Anjely tamiko: «Nahoana no gaga ianao? Indro hasehoko anao ny hevi-miafin’ilay Vehivavy sy ny Biby fito loha manan-tandroka folo.»

Ny maha famantarana ny Biby sy ny Vehivavy Janga

8 Ny Biby, ilay efa hitanao, dia teo ihany, ary tsy eo izao, nefa efa hiakatra avy amin’ny lavaka tsy hita noanoa izy ka hankany amin’ny fahaverezana. Ho gaga ny mponina etỳ an-tany, izay tsy mba voasoratra anarana ao amin’ny bokin’ny fiainana hatramin’ny nanorenana an’izao tontolo izao amin’ny fahitana ity Biby, noho izy teo ihany, ary tsy eo intsony, nefa mbola ho avy indray.

9 Ary eto no ilana saina manam-pahendrena. Ny loha fito dia tendrombohitra fito izay ipetrahan-dRavehivavy, sady mpanjaka fito koa ireo:

10 ny dimy moa efa lavo, ny iray dia eo, ny iray mbola tsy tonga, ary rehefa tonga izy dia tsy maintsy hitoetra kelikely.

11 Ny Biby izay teo kosa, nefa tsy eo intsony, no fahavalo, sy anisan’izy fito ihany, ary mankany amin’ny fahaverezana.

12 Ireo tandroka folo efa hitanao indray, dia mpanjaka folo tsy mbola nahazo fanjakana, nefa handray fahefan’ny mpanjaka sy hiara-manjaka ora iray amin’ny Biby.

13 Miray hevitra izy ireo, ary manolotra ny hery amam-pahefany amin’ny Biby.

14 Hiady amin’ny Zanak’ondry izy rehetra, nefa ho resin’ny Zanak’ondry, satria Izy no Tompon’ny tompo, sy Mpanjakan’ny mpanjaka, ary ny voaantso sy olom-boafidy sady mahatoky no momba Azy.

15 Izao koa, hoy izy tamiko: Ny rano efa hitanao nipetrahan-dRavehivavy janga, dia olona amam-bahoaka sy firenena aman-tsamihafa fiteny maro.

16 Ny tandroka folo efa hitanao tamin’ilay Biby kosa, no hankahala an-dRavehivavy janga, ka hampijaly sy hampitanjaka azy, ary hihinana ny nofony sy handevona azy amin’ny afo.

17 Fa Andriamanitra efa nanome fo azy ireo hanatanteraka ny heviny, sy hanome ny fanjakany ho an’ny Biby, mandra-pahatanteraky ny tenin’Andriamanitra.

18 Ary Ravehivavy hitanao no ilay tanàna lehibe, izay mifehy ny mpanjakan’ny tany.