Categories
Apôkalipsa nosoratan’i Md Joany

Apôkalipsa nosoratan’i Md Joany 18

Anjely manambara ny haharavàn’i Bibilôna

1 Taorian’izany, dia hitako nidina avy any an-danitra ity Anjely anankiray hafa koa, nanam-pahefana lehibe, sy nanazava ny tany tamin’ny voninahiny.

2 Niantso tamin’ny feo mahery izy, nanao hoe: «Rava, rava i Babilôna lehibe, ka tonga fonenan’ny demony, sy fitoeran’ny fanahy maloto rehetra, ary fieren’ny vorona maloto halan’ny olona rehetra!

3 Satria ny firenena rehetra nisotro ny divaim-pahatezerana noho ny fijangajangany; ny mpanjakan’ny tany nijangajanga taminy, ary ny mpivarotra etỳ an-tany nahazo harena tamin’ny filibàny amin’ny zava-mahafinaritra azy nihoa-pampana.»

Ny vahoakan’Andriamanitra tsy maintsy mandositra

4 Dia nandre feo iray hafa koa avy any an-danitra aho, nanao hoe: Mihataha aminy ianareo, ry vahoakako, mba tsy hiray heloka aminy, sy tsy hiombon-doza aminy,

5 fa efa mitehika amin’ny lanitra ny fahotany, ary efa tsarovan’Andriamanitra ny haratsiany.

6 Valio araka ny asany izy, ary ataovy avo sasaka noho izay nataony; ampisotroy amin’ny kapoaka nanomezany izy, ka omeo indroa hoatra izay nampisotroiny anareo;

7 ataovy toraka ny niavonavonany sy nilibàny tamin’ny zava-mahafinaritra azy no hamafin’ny fampijaliana sy fampahoriana azy. Fa izao no hambom-pony: «Mpanjakavavy aho fa tsy mpitondratena, ka lavitra ahy raha izay fisaonana!»

8 Noho izany kosa, indray hiantonta aminy indray andro monja ny lozany, dia fahafatesana, fisaonana, mosary, ary fandevonan’ny afo ny tenany, satria mahery Andriamanitra Izay hitsara azy.

Fitomaniana an’i Babilôna

9 Hitomany azy sy higogogogo ny mpanjakan’ny tany, izay nijangajanga taminy, sy niara-niliba taminy tamin’ny fahafinaretan’ny nofo, rehefa mahita ny setroky ny fandoroana azy.

10 Hijanona eny lavitra eny izy ireo, fa tsiravina noho ny fijaliany, ka hanao hoe: «Loza ity! loza ity! ry Babilôna lehibe, ry tanàna mafy, fa ora iray monja, dia tonga ny fanamelohana anao!»

11 Ny mpivarotra etỳ an-tany koa hitomany azy sy higogogogo, fa tsy hisy mpividy intsony ny entam-barony,

12 dia ny volamena, volafotsy, vatosoa, voahangy, rongonim-bazaha, lamba volomparasy, parasily, jaky; sy ny hazo manitra isan-karazany rehetra, ny fanaka ivoara isan-karazany rehetra, ny fanaka isan-karazany rehetra natao tamin’ny hazo sarobidy sy ny varahina ary ny vy mbamin’ny vato sanga;

13 dia ny havozomamy, zava-manitra, menaka manitra, emboka manitra, divay, diloilo, lafarina tsara indrindra, varimbazaha, biby manompo, ondry, soavaly, kalesy, ary ny tena aman’ain’olona. –

14 Ny voankazo nifalian’ny fonao, nanalavitra anao; ny hanim-py aman-java-tsoa rehetra, very tsy ho hitanao intsony.

15 Ny mpivarotra ireny zavatra rehetra ireny, izay nahazo harena taminy, dia hijanona eny lavitra eny, fa tsiravina noho ny fijaliany, ka hitomany sy hiferin’aina hoe:

16 «Loza ity! loza ity! ry ilay tanàna lehibe, izay nitafy rongony fotsy madinika, sy lamba volomparasy ary jaky, sady niravaka volamena sy vatosoa mbamin’ny voahangy; kanjo ora iray monja lahy, dia levona izany harem-bevava izany!»

17 Ary ny mpitondra sambo rehetra, sy izay rehetra mandeha eny ambony ranomasina, mbamin’ny matilò sy izay rehetra manan-draharaha amin’ny ranomasina, dia nijanona eny lavitra eny koa,

18 ka niantsoantso nahita ny setroky ny fandoroana azy, nanao hoe: «Aiza intsony no hahita tahaka izany tanàna lehibe izany?»

19 Sady nanisy vovoka ny lohany izy ireo no nitomany sy nigogogogo, nanao hoe: «Loza ity! loza ity! fa ilay tanàna lehibe, nampanan-karena ny nanan-tsambo rehetra teny amin’ny ranomasina noho ny zava-tsarobidy tao aminy lahy, ka levona ora iray monja!»

20 Mifalia noho ny nanjò azy ianao, ry lanitra, sy ianareo olo-masina, mbaminareo apôstôly sy mpaminany koa, fa fanomezan-drariny anareo no nanamelohan’Andriamanitra azy.

21 Tamin’izay dia nisy Anjely anankiray naka vato hoatra ny vato lehibe fikosohan-dafarina, ka nanipy azy tany anaty ranomasina, nanao hoe: «Hazera tampoka hoatra izany i Babilôna tanàna lehibe, ka tsy ho hita intsony!

22 Dia tsy ho re ao aminao intsony ny feon’ny mpitendry harpa, sy ny mpitsoka mozika, mbamin’ny mpitsoka sodina sy trômpetra. Ny mpanao taozavatra rehetra tsy ho hita eo aminao intsony, ary ny feon’ny vato fikosohan-dafarina tsy ho re ao intsony koa.

23 Ny fahazavan’ny jiro tsy hamirapiratra ao aminao intsony, ary ny feon’ny mpampakatra sy ampakarina tsy ho re ao aminao intsony; satria ny mpandrantonao dia lehiben’ny tany, ary ny ody fandrebirebenao no nampivily ny firenena rehetra.

24 Tao anatin’io tanàna io koa no nahitana ny ran’ny mpaminany sy ny olo-masina, mbamin’izay rehetra novonoina tetỳ ambonin’ny tany.»

Categories
Apôkalipsa nosoratan’i Md Joany

Apôkalipsa nosoratan’i Md Joany 19

Hira fandresena any an-danitra

1 Raha efa izany, dia nisy hoatra ny feom-bahoaka betsaka tany an-danitra, reko nanao hoe: «Aleloia! An’Andriamanitra ny famonjena sy ny voninahitra ary ny hery,

2 fa marina sy mahitsy ny fitsaràny, satria Izy nanameloka ilay Vehivavy janga malaza izay nandoto ny tany tamin’ny fijangajangany, sy namely an’io noho ny ran’ny mpanompony izay nalatsaky ny tanany.»

3 Dia naverin’izy ireo fanindroany indray ny hoe: «Aleloia!» Ary niakatra mandrakizay mandrakizay ny setroky ny tanàna.

4 Tamin’izany ny Anti-dahy efatra amby roapolo sy ny Zava-manana aina efatra dia niankohoka nitsaoka an’Andriamanitra, nanao hoe: «Amen! Aleloia!»

5 Dia nisy koa feo nivoaka avy ao amin’ny seza fiandrianana nanao hoe: «Miderà an’Andriamanitra ianareo mpanompony rehetra, sy ianareo matahotra azy rehetra, na kely na lehibe.»

6 Ary nisy hoatra ny feon’olona marobe, sy tahaka ny firohondrohon’ny ranobe, ary sahala amin’ny fikotrokotroky ny kotro-baratra mafy, reko nanao hoe: «Aleloia! fa ny Tompo Andriamanitsika tsitoha no manjaka.

7 Mifalia sy miravoravoa isika, ary manomeza voninahitra Azy, fa tonga ny fampakaram-badin’ny Zanak’ondry, ary efa voahaingo ny Vadiny;

8 rongonim-bazaha madinika fotsy mamirapiratra no nomena hitafiany, dia ny asa soan’ny olo-masina izany.»

9 Dia hoy ilay Anjely tamiko: «Soraty: Sambatra izay nasaina ho amin’ny fampakaram-badin’ny Zanak’ondry.» Sady nampiany hoe: Tena tenin’Andriamanitra marina tokoa ireo teny ireo.

10 Dia nidaboka tamin’ny tongony aho, mba hiankohokaaminy, nefa hoy izy tamiko: «Tandremo, aza manao izany, fa mpanompo namanao ihany koa aho, sy naman’ny havanao izay manana ny fanambaràn’i Jesoa. Andriamanitra no iankohofy. Fa mifanaraka ny fanambaràn’i Jesoa sy ny fanahin’ny faminaniana.»

Ady voalohany eo amin’ny farandro

11 Nanaraka izany, dia indro hitako nisokatra ny lanitra, ary nisy soavaly fotsy niseho teo; Mahatoky sy Marina no anaran’ilay nitaingina azy, ary ara-drariny no itsaràny sy iadiany;

12 tahaka ny lelafo ny masony, ary satroboninahitra maro no teny an-dohany; nisy anaranavoasoratra teny aminy, izay tsy nisy nahalala afa-tsy izy irery;

13 akanjo nipentina ra no niakanjoany, ary ny TENIN’ANDRIAMANITRA no anarany;

14 nanaraka azy ny tafiky ny lanitra, soavaly fotsy no nitaingenan’ireo ary rongonim-bazaha fotsy madio no nitafiany;

15 nisy sabatra marani-dany roa nivoaka avy ao am-bavany, mba hamelezany ny firenena, ary hifehy azy amin’ny tsora-by izy, sady ny tenany ihany no hanitsaka ny famiazana ny divain’ny fahatezeran’Andriamanitra tsitoha;

16 izao no anarany voasoratra tamin’ny lambany sy ny feny:Mpanjakan’ny mpanjaka sy Tompon’ny tompo.

17 Ary indro hitako nisy Anjely anankiray nitsangana teo amin’ny masoandro, niantso ny voromanidina rehetra teo amin’ny habakabaky ny lanitra, ka nanao tamin’ny feo mahery hoe: «Avia, mivoria ianareo ho amin’ny fihinanam-ben’Andriamanitra,

18 mba hihinana ny nofon’ny mpanjaka, ny nofon’ny tomponarivo, ny nofon’ny olo-mahery, ny nofon’ny soavaly mbamin’ny mpitaingina azy, sy ny nofon’ny olona rehetra, na mpanompo na olona tsotra, na kely na lehibe.»

19 Dia hitako fa nivory ny Biby sy ny mpanjakan’ny tany mbamin’ny tafiny, mba hiady amin’ilay nitaingina ny soavaly sy amin’ny tafiny.

20 Voasambotra ilay Biby sy ny mpaminany sandoka, izay nanao fahagagana teo anatrehany mba hoentiny mamitaka ireo nandray ny mariky ny Biby sy nivavaka tamin’ny sariny, ka indray natsipy velona tany amin’ny farihy mirehitra afon-tsolifara;

21 ary ny olona sisa dia matin’ny sabatra nivoaka avy ao am-bavan’ilay nitaingina ny soavaly, ka vokin’ny nofony ny vorona rehetra.

Categories
Apôkalipsa nosoratan’i Md Joany

Apôkalipsa nosoratan’i Md Joany 20

Fanjakana mandritra ny arivo taona

1 Ary nahita Anjely anankiray nidina avy any an-danitra aho, izay nitana ny fanalahidin’ny lavaka tsy hita noanoa sy rojo vy lehibe anankiray teny an-tanany.

2 Nosamborin’izy io ny Dragona, ilay menarana antitra, dia ny demony sy i Satana, ka nafatony arivo taona,

3 dia nazerany tao amin’ny lavaka tsy hita noanoa, ary nohidiany tao sy nasiany tombokase teo amboniny, mba tsy hamitahany ny firenena maro intsony, mandra-pahatapitry ny arivo taona; fa rehefa afaka izany dia tsy maintsy hovahana kelikely indray izy aloha.

4 Dia nahita seza fiandrianana maro aho, izay nipetrahan’olona nahazo fahefana hitsara, sy nahita ny fanahin’ireo notapahin-doha noho ny fanambaràn’ireo sy noho ny tenin’Andriamanitra mbamin’ny an’ireo tsy nivavaka tamin’ny Biby na tamin’ny sariny, sy tsy nandray ny mariny na tamin’ny handriny, na tamin’ny tanany, fa efa velona ireo ka niara-nanjaka arivo taona tamin’i Kristy.

5 Ny maty sisa kosa dia mbola tsy velona, raha tsy efa tapitra ny arivo taona. Izany no fitsanganana voalohanyavy any amin’ny maty.

6 Sambatra sy masina izay manana anjara amin’ny fitsanganana voalohany! Tsy mba hanam-pahefana amin’izy ireo ny fahafatesana faharoa, fa ho mpisoron’Andriamanitra sy i Kristy izy, ka hiara-manjaka aminy arivo taona.

Ady faharoa eo amin’ny farandro

7 Rehefa tapitra ny arivo taona, dia hovahana hiala amin’ny tranomaizina i Satana, ka hivoaka hamitaka ny firenena amin’ny vazantany efatra, dia i Goga sy i Magôga, izay hoatra ny fasiky ny ranomasina ny isany, mba hamory azy ho amin’ny ady.

8 Dia niakatra tamin’ny tany izy ireo, ka nanodidina ny tobin’ny olo-masina sy ny tanàna malala.

9 Kanjo nisy afo nampidinin’Andriamanitra avy any an-danitra kosa, ka nandevona azy ireo; ary ny demony izay namitaka azy koa nazera any amin’ny farihy afo aman-tsolifara,

10 itoeran’ilay Biby sy ny mpaminany sandoka, sy hijalian’izy ireo andro aman’alina mandrakizay mandrakizay.

Fitsarana ny Firenena rehetra

11 Raha efa izany, indro hitako ity seza fiandrianana lehibe fotsy mamirapiratra, sy Ilay mipetraka eo amboniny; ka ny tany sy ny lanitra nandositra ny tavany, fa tsy nisy hitoerany intsony;

12 ny maty rehetra koa, na kely na lehibe, hitako nitsangana teo anoloan’ny seza fiandrianana. Dia nisy boky maro novelarina, ary nisy boky iray hafa koa novelarina, dia ny bokin’ny fiainana izany; ka notsaraina araka izay voasoratra tamin’ireo boky ireo, manaraka ny asany avy, ny maty rehetra.

13 Ny ranomasina namoaka ny maty tao aminy; ny Fahafatesana sy ny Fonenan’ny maty koa namoaka ny azy, dia samy notsaraina araka ny asany avy izy.

14 Ary ny fahafatesana sy ny afobe dia natsipy tany amin’ny farihy afo: – izany no fahafatesana faharoa: ny farihy afo.

15 Ka izay rehetra tsy voasoratra tao amin’ny bokin’ny fiainana dia natsipy tany amin’ny farihy afo avokoa.

Categories
Apôkalipsa nosoratan’i Md Joany

Apôkalipsa nosoratan’i Md Joany 21

Ilay Jerosalema any an-danitra

1 Ary nahita lanitra vaovao sy tany vaovao aho; fa efa lasa ny lanitra voalohany sy ny tany voalohany, ary tsy nisy intsony koa ny ranomasina.

2 Dia indro hitako nidina avy any an-danitra ny tanàna masina avy any amin’Andriamanitra, dia Jerosalema vaovao, voahaingo toy ny vehivavy ampakarina, voaomana hihaona amin’ny vadiny.

3 Ary inay nisy feo mahery reko avy ao amin’ny seza fiandrianana nanao hoe: «Indro ny tranolain’Andriamanitra tonga eny amin’ny olona, ary Izy hiara-monina amin’izy ireo. Izy ireo moa ho vahoakany, ary Izy Andriamanitra mitoetra eny aminy kosa, ho Andriamanitr’izy ireo.

4 Hofafan’Andriamanitra ny ranomaso rehetra amin’ny mason’izy ireo, ary ny fahafatesana dia tsy hisy intsony; ny alahelo amam-pitarainana sy fahoriana koa tsy hisy intsony, fa efa lasa ny toetra taloha.»

5 Dia hoy Ilay nipetraka teo ambony seza fiandrianana: «Indro havaoziko ny zavatra rehetra.» Ary hoy koa Izy: «Soraty fa marina sy mahatoky ireo teny ireo.»

6 Nanaraka izany, dia hoy Izy tamiko: «Vita izany. Izaho no Alfà sy Omegà, fiandohana sy fiafarana. Hampisotroiko maimaim-poana amin’ny loharanon’aina izay mangetaheta.

7 Ary izay mandresy no hanana ireo zavatra ireo, ka Izaho ho Andriamaniny, izy ho zanako.

8 Fa ny kanosa kosa, sy ny tsy mino, ny tsy valahara, ny mpamono olona, ny mpijangajanga, ny mpimasy, ny mpanompo sampy, mbamin’ny mpandainga rehetra, dia any amin’ny farihy afo aman-tsolifara mirehitra no ho anjarany; izany no fahafatesana faharoa.»

Ilay Jerosaleman’ny Mesia

9 Tamin’izay, ny iray tamin’ny Anjely fito nitondra ny kapoaka fito feno ny loza fito farany, dia tonga nilaza tamiko hoe: «Avia fa hasehoko anao ny Vehivavy ampakarina ho Vadin’ny Zanak’ondry.»

10 Dia nentiny am-panahy tany amin’ity tendrombohitra sady lehibe no avo aho, ka nasehony ahy ny tanàna masina, dia Jerosalema nidina avy any an-danitra, avy amin’Andriamanitra.

11 Namirapiratry ny voninahitr’Andriamanitra izy, ary voazavan’ny kintana toy ny vato sarobidy, dia ny vato jaspa izay azo itarafana toy ny kristaly.

12 Sady avo no lehibe ny mandany, ary roa ambin’ny folo ny vavahadiny; nisy Anjely roa ambin’ny folo tamin’ireo vavahady ireo, ary nisy anarana voasoratra koa, dia ny anaran’ny foko roa ambin’ny folon’ny zanak’i Israely.

13 Vavahady telo no eo atsinanana, vavahady telo no eo avaratra, vavahady telo no eo atsimo, vavahady telo no eo andrefana.

14 Misy vato fanorenana roa ambin’ny folo ny mandan’ny tanàna; ary misy anarana roa ambin’ny folo amin’ireo, dia ny anaran’ny Apôstôly roa ambin’ny folon’ny Zanak’ondry.

15 Nitondra volotara volamena fandrefesana ilay niteny tamiko, mba handrefesany ny tanàna sy ny vavahadiny ary ny mandany.

16 Efa-joro ny tanàna, ary nitovy ny halavany sy ny sakany. Dia nandrefy ny tanàna tamin’ny volotarany izy, ka roa arivo sy iray alina stady, ary nitovy ny halavany sy ny sakany ary ny haavony.

17 Norefesiny koa ny mandany ka efatra amby efapolo amby zato hakiho araka ny refin’ny olona sy ny an’ny Anjely koa.

18 Vato jaspa no nanaovana ny mandan’ny tanàna; ary tena volamena madio toy ny fitaratra kristaly ny tanàna.

19 Voaravaka vatosoa isan-karazany ny vato fanorenana ny mandan’ny tanàna. Jaspa ny fanorenana voalohany, safira ny faharoa, kalsedoàna ny fahatelo, emeraoda ny fahefatra,

20 sardôniksa ny fahadimy, sardoana ny fahenina, krisôlita ny fahafito, berila ny fahavalo, tôpazy ny fahasivy, krisôpazy ny fahafolo, hiasenty ny faharaika ambin’ny folo, ary ametista ny faharoa ambin’ny folo.

21 Ny vavahady roa ambin’ny folo dia voahangy roa ambin’ny folo, fa voahangy iray ihany ny vavahady iray, ary ny lalam-ben’ny tanàna dia tena volamena madio, manganohano hoatra ny fitaratra.

22 Tsy nahita Tempoly tao aho, fa ny Tompo Andriamanitra mahefa ny zavatra rehetra sy ny Zanak’ondry no Tempoliny.

23 Tsy mila masoandro ny tanàna, na volana hanazava azy, fa ny voninahitr’Andriamanitra no mamirapiratra ao aminy, ary ny Zanak’ondry no fanilony.

24 Ny firenena rehetra handeha amin’ny fahazavany, ary ny mpanjakan’ny tany hitondra ny fiamboniany ao aminy.

25 Tsy hihidy ny vavahadiny isan’andro, fa ny alina tsy mba hisy ao aminy.

26 Ny laza aman-java-tsoan’ny firenena rehetra ho tapitra ao avokoa;

27 ary tsy hiditra ao mihitsy izay tsy masina, na izay manao vetaveta, na izay mandainga, fa izay voasoratra anarana ao amin’ny bokin’ny fiainan’ny Zanak’ondry ihany.

Categories
Apôkalipsa nosoratan’i Md Joany

Apôkalipsa nosoratan’i Md Joany 22

1 Dia nasehony ahy ity onin-dranovelona, mangarangarana toy ny kristaly, nivoaka avy ao amin’ny seza fiandrianan’Andriamanitra sy ny Zanak’ondry, namaky ny kianjan’ny tanàna.

2 Teo an-daniny roa amin’ny ony, dia nisy hazon’aina mamoa indroa ambin’ny folo, dia indray mandeha isam-bolana, ary mandravina fanasitranana ny firenena.

3 Ny ozona tsy hisy intsony; ny seza fiandrianan’Andriamanitra sy ny Zanak’ondry ho ao an-tanàna; ary ny mpanompony, hanompo Azy,

4 sady hahita ny tavany sy hanana ny Anarany eo an-kandriny.

5 Tsy hisy alina intsony; ary tsy hila ny fanazavan’ny jiro, na ny fanazavan’ny masoandro izy ireo, fa ny Tompo Andriamanitra no hanazava azy; sady hanjaka mandrakizay mandrakizay izy rehetra.

6 Ary hoy ilay Anjely tamiko: «Marina sy mahatoky ireo teny ireo; ary ny Tompo Andriamanitry ny fanahin’ny mpaminany no efa naniraka ny Anjeliny, mba hanambara amin’ny mpanompony ny zavatra rehetra tsy maintsy ho tonga faingana.

7 Indro, avy faingana Aho. Sambatra izay mitandrina ny tenin’ny faminaniana amin’ity boky ity.»

8 Izaho Joany no nahita sy nandre ireo zavatra ireo. Nony efa nahita sy nandre izany aho, dia nidaboka teo an-tongotr’ilay Anjely naneho izany tamiko, mba hiankohokataminy:

9 nefa hoy izy tamiko: «Tandremo, aza manao izany, fa mpanompo namanao ihany koa aho, sy naman’ny mpaminany havanao, mbamin’izay mitandrina ny teny amin’ity boky ity; Andriamanitra no tsaohy.»

10 Ary hoy izy tamiko: Aza asiana tombokase ny teny faminaniana amin’ity boky ity, fa efa antomotra ny fotoana.

11 Ka ny olon-dratsy avelao hanao ratsy ihany; izay maloto avelao hihamaloto ihany. Fa ny olo-marina kosa, aoka hihamarina kokoa, ary ny efa masina aoka hihamasina kokoa.

12 Indro, avy faingana Aho; efa eo am-pelatanako ny valy hamaliako ny olona rehetra araka ny asany avy.

13 Izaho no Alfà sy Omegà, voalohany sy farany, ary fiandohana sy fiafarana.

14 Sambatra izay manasa ny akanjony amin’ny Ran’ny Zanak’ondry, mba hananany fahefana amin’ny hazon’aina, sy hidirany amin’ny vavahady ho ao an-tanàna.

15 Fa any ivelany kosa ny alika sy ny mpimasy, ny mpijangajanga, ny mpamono olona, ny mpanompo sampy, mbamin’izay rehetra tia lainga sy mpandainga.

FEHIN-TANTARA

16 Izaho Jesoa no naniraka ny Anjeliko hanambara ireo zavatra ireo aminareo ho an’ny Eglizy. Dia Izaho ilay solofo sy taranak’i Davida ary kintana mamirapiratra fitarika andro.

17 Ary hoy ny Fanahy sy ny Ampakarina: Avia! Aoka izay nandre koa hanao hoe: Avia. Ary aoka ho avy izay mangetaheta, mbamin’izay maniry izany, ka hisotro maimaim-poana amin’ny ranon’aina!

18 Ary izao no lazaiko amin’izay rehetra mandre ny teny faminaniana amin’ity boky ity: Raha misy manampy azy, dia hasian’Andriamanitra amin’ny loza voasoratra amin’ity boky ity.

19 Ary raha misy kosa manesotra teny amin’ity boky faminaniana ity, dia hoesorin’Andriamanitra ny anjarany amin’ny hazon’aina sy ny tanàna masina voasoratra amin’ity boky ity.

20 Izao no lazain’ilay manambara ireo zavatra ireo: Eny, avy faingana aho. Amen! Avia, ry Jesoa Tompo!

21 Ho ao aminareo rehetra anie ny fahasoavan’i Jesoa Kristy Tompontsika. Amen.