Categories
Fanisana

Fanisana 24

1 Hitan’i Balaama fa ny hitso-drano an’i Israely no sitrak’i Iaveh ka tsy nandeha hizaha famantarana avy amin’ny fanandroana toy ny teo intsony izy, fa natodiny ny tavany hanatrika ny efitra.

2 Ary nony natopiny ny masony, dia nahita an’i Israely nitoby isam-pokony izy, ary notsindrian’ny Fanahin’Andriamanitra izy,

3 ka nilaza ny lahateniny nanao hoe:

«Faminanian’i Balaama zanak’i Beôra;

Faminanian’ny lehilahy voakimpy ny masony;

4 Faminanian’ilay mandre ny tenin’Andriamanitra,

Izay mibanjina ny fahitana avy amin’ny Tsitoha,

Izay lavo ka misokatra ny masony:

5 Endrey ity hatsaran’ny lainao, ry Jakôba!

Ary izato fonenanao, ry Israely!

6 Midadasika toa lohasaha,

Tahaka ny zaridaina amoron’ny ony,

Tahaka ny aloesy nambolen’i Iaveh,

Tahaka ny sedera amoron-drano!

7 Mitobaka ny rano amin’ny sisiny roa,

Ny taranany mitombo eo amoron’ny rano be dia be;

Ny mpanjakany misandratra ambonin’i Agaga,

Ary ny fanjakany mandroso voninahitra.

8 Nentin’Andriamanitra nivoaka avy tany Ejipta izy,

Ary nomeny azy ny herin’ny ombimanga.

Mandevona ny firenena miady aminy izy,

Manapaka ny taolany

Sy mandripaka azy amin’ny zana-tsipìkany.

9 Manongalika izy ary mandry toy ny liona,

Toy ny liom-bavy, ka zovy no hampifoha azy?

Hohasoavina anie izay hitso-drano anao!

Ho voaozona anie izay hanozona anao!»

10 Dia nirehitra tamin’i Balaama ny fahatezeran’i Balàka, ka niteha-tanana izy; ary hoy i Balàka tamin’i Balaama hoe: «Ny hanozona ny fahavaloko no niantsoako anao, kanjo ny mitso-drano azy ihany kosa no nataonao efa intelo izao.

11 Koa ankehitriny mandosira any aminao. Efa nilaza hanome voninahitra anao be dia be aho, fa indro kosa ampanalavirin’i Iaveh anao ny voninahitra.»

12 Hoy ny navalin’i Balaama an’i Balàka: «Tsy efa voalazako tamin’ny iraka nalefanao tany amiko va, fa hoe:

13 Na dia homen’i Balàka volafotsy sy volamena eran’ny tranony aza aho, dia tsy hahazo mandika ny tenin’i Iaveh, ka hanao na inona na inona, na soa na ratsy amin’ny nahim-poko, fa izay holazain’i Iaveh ihany no holazaiko.

14 Ary indro handeha ho any amin’ny fireneko aho izao; koa etsy ianao, hilazako rahateo izay hataon’ity vahoaka ity amin’ny vahoakanao, any aoriana any.»

15 Dia nilaza ny lahateniny i Balaama ka nanao hoe:

«Faminanian’i Balaama zanak’i Beôra,

Faminanian’ny lehilahy voakimpy ny masony,

16 Faminanian’ilay mandre ny tenin’Andriamanitra,

Izay mahalala ny fahaizan’ny Avo indrindra,

Izay mibanjina ny fahitan’ny Tsitoha,

Izay lavo ka misokatra ny masony:

17 Hitako izy, fa tsy toy ny ankehitriny,

Tazako izy fa tsy mba akaiky.

Misy kintana iraymiposaka avy amin’i Jakôba,

Tehim-panjakana iray mitsangana avy amin’i Israely.

Mandrava an’i Moaba eo an-daniny roa izy,

Ary mandringana ny zanaky ny fitabatabana rehetra.

18 I Edôma dia lasan-ko fananany:

Fa i Israely manampatra ny herim-pony.

19 Misy mpifehyavy amin’i Jakôba,

Ka haringany eny an-tanàna ny sisa tavela.»

20 Dia nahita an’i Amaleka i Balaama ka nilaza ny lahateniny nanao hoe:

«I Amaleka no voalohany amin’ny firenena,

Fa ho lany ringana no hiafarany.»

21 Nahita ny Kineanina i Balaama, ka nilaza ny lahateniny nanao hoe:

«Mafy orina ny fonenanao,

Voapetraka ambonin’ny vatolampy ny akaninao;

22 Nefa handroso hihalevona ny Kineanina;

Ambara-pahoviana? Hoentin’i Asora babo izy.»

23 Dia nilaza ny lahateniny i Balaama nanao hoe:

«Indrisy! zovy no ho velona

rehefa hanao izany Andriamanitra?

Misy sambo avy any Sitima,

24 Mampahory an’i Asora, mampahory an’i Hebera,

Fa efa raikitra fa ho ringana koa izy.»

25 Dia niainga i Balaama ary nandeha ka niverina ho any aminy. Ary i Balàka koa dia mba lasa nandeha.

Categories
Fanisana

Fanisana 25

I Israely any Fogôra

1 Nandritra ny fipetrahan’i Israely tao Setima, dia rafitra nijangajanga tamin’ny zanaka vavin’i Moaba ny vahoaka,

2 ary ireo nanasa ny vahoaka ho amin’ny fisoronana nataony tamin’ny andriamaniny, ka nihinana sy niankohoka tamin’ny andriamaniny ny vahoaka.

3 Niray tamin’i Beelfegôra i Israely, ka nirehitra tamin’i Israely ny fahatezeran’i Iaveh.

4 Hoy i Iaveh tamin’i Môizy: «Vorio daholo ny filohan’ny vahoaka rehetra, ka ahantòny tandrifin’ny masoandro, eo anatrehan’i Iaveh, ireo ratsy, mba hitsaharan’ny firehetan’ny fahatezeran’i Iaveh amin’i Israely.»

5 Dia hoy i Môizy tamin’ny mpitsaran’i Israely: «Samia ianareo mamono ny olom-peheziny izay niray tamin’i Beelfegôra.»

6 Ary inty nisy lehilahy anankiray amin’ny zanak’i Israely tamy mitari-behivavy Madianita anankiray nankeo amin’ny rahalahiny, teo imason’i Môizy sy ny fiangonan’ny zanak’i Israely rehetra, izay nitomany teo amin’ny varavaran’ny trano lay fihaonana.

7 Vao nahita izany i Finea, zanak’i Eleazara zanak’i Aarôna mpisorona, dia nitsangana teo afovoan’ny fiangonana; nitondra lefona teny an-tanany,

8 nanaraka ilay lehilahy Israelita tao anatin’ny lay ka nandefona azy roaroa, dia ralehilahy Israelita sy ilay vehivavy, tamin’ny kibony. Nitsahatra tamin’izay ny loza teo amin’ny zanak’i Israely.

9 Nisy 24.000 no matin’ny loza.

10 Niteny tamin’i Môizy i Iaveh ka nanao hoe:

11 «I Finea, zanak’i Eleazara, zanak’i Aarôna mpisorona, no nampiala ny hatezerako tamin’ny zanak’i Israely, satria noho izy nazoto nitandro ny voninahitro teo afovoan’izy ireo, dia tsy nandringana ny zanak’i Israely Aho tamin’ny fahazotoako hitandro ny voninahitro.

12 Koa noho izany dia ilazao izy fa homeko ny fanekem-pihavanako;

13 dia ho faneken’ny fisoronana mandrakizay, ho azy sy ny taranany mandimby azy, noho izy saro-piaro ho an’Andriamaniny, sy nanao ny fanonerana ho an’ny zanak’i Israely.»

14 Zamarì no anaran’ilay lehilahy Israelita, niara-novonoina tamin-dravehivavy Madianita; zanak’i Salò izy, sady filoham-pianakaviana tamin’ny Simeônita.

15 Ary Kozbì no anaran’ilay vehivavy Madianita novonoina, zanak’i Sora, filoham-poko, amin’ny fokom-pianakaviana, any Madiàna azy.

16 Niteny tamin’i Môizy i Iaveh nanao hoe:

17 «Ataovy fahavalonareo ny Madianita, ka vonoy ireny,

18 fa niseho ho fahavalonareo tamin’ny nataony anareo, raha nanangoly anareo tamin’ny hafetseny izy; ary i Fogôra no nentiny hanao izany, sy Kozbì koa, zanaka vavin’ny lehibe anankiray any Madiàna, anabaviny, izay novonoina tamin’ny andron’ny loza nitranga noho ny amin’i Fogôra.»

Categories
Fanisana

Fanisana 26

Fanisana indray

1 Taorian’izany loza izany, dia niteny tamin’i Môizy sy i Eleazara zanak’i Aarôna mpisorona i Iaveh nanao hoe:

2 «Alao isa ny fiangonan’ny zanak’i Israely rehetra, hatramin’ny roapolo taona no ho miakatra, araka ny fokom-pianakaviany avy, dia ny lehilahy rehetra mahatàm-piadiana amin’i Israely.»

3 Dia nilaza tamin’ny olona i Môizy sy i Eleazara mpisorona, tao amin’ny tany lemak’i Moaba, akaikin’i Jordany, tandrifin’i Jerikô, ka nanao hoe:

4 «Hisaina ny hatramin’ny roapolo taona no ho miakatra, araka ny nandidian’i Iaveh an’i Môizy sy ny zanak’i Israely, raha nivoaka avy tany amin’ny tany Ejipta izy ireo.»

5 I Robena lahimatoan’i Israely, zana-dRobena: ny fokon’ny Henôkita avy tamin’i Henoka, ny fokon’ny Faloita avy tamin’i Falò,

6 ny fokon’ny Hesrônita avy tamin’i Hesrôna, ny fokon’ny Karmita avy tamin’i Karmì.

7 Ireo no fokon’ny Robenita, 43.730 izy no voaisa.

8 Zanak’i Falò, dia i Eliaba.

9 Zanak’i Eliaba dia i Manoela sy i Datàna ary i Abirôna. Ireo ilay Datàna sy Abirôna, isan’ny mpanolo-tsaina, nikomy tamin’i Môizy sy i Aarôna tanatin’ny tarik’i Kôre, fony izy nikomy tamin’i Iaveh,

10 ary nivava ny tany nitelina azy ireo mbamin’i Kôre, raha levona izany antokony izany, ka voadoron’ny afo ny lehilahy 250, ka tonga fananarana izy ireo.

11 Fa tsy maty ny zanak’i Kôre.

12 Zanak’i Simeôna araka ny fokony avy: ny fokon’ny Namoelita avy tamin’i Namoela, ny fokon’ny Jaminita, avy tamin’i Jamina,

13 ny fokon’ny Jakinita avy tamin’i Jakîna, ny fokon’ny Zaerita avy tamin’i Zare, ny fokon’ny Saolita avy tamin’i Saoly.

14 Ireo no fokon’ny Simeônita, 22.200 izy.

15 Zanak’i Gada, araka ny fokony avy: ny fokon’ny Sefônita avy tamin’i Sefôna, ny fokon’ny Agita avy tamin’i Agỳ, ny fokon’ny Sonita avy tamin’i Sonỳ,

16 ny fokon’ny Oznita avy tamin’i Oznì, ny fokon’ny Herita avy tamin’i Hera,

17 ny fokon’ny Arôdita, avy tamin’i Aroda, ny fokon’ny Arielita avy tamin’i Ariela.

18 Ireo no fokon’ny zanak’i Gada, araka ny voaisa amin’izy ireo, dia 40.500.

19 Zanak’i Jodà: i Era sy i Onàna, fa maty tany Kanaana i Era sy i Onàna.

20 Izao no zanak’i Jodà, araka ny fokony avy: ny fokon’ny Selaita avy tamin’i Selà, ny fokon’ny Farezita avy tamin’i Farezy, ny fokon’ny Zareita avy tamin’i Zare.

21 Ny zanak’i Farezy dia izao: ny fokon’ny Hesrônita avy tamin’i Hesrôna, ny fokon’ny Hamolita avy tamin’i Hamola.

22 Ireo no fokon’i Jodà, araka ny voaisa amin’izy ireo: 76.500.

23 Zanak’i Isakara, araka ny fokony avy: ny fokon’ny Tôlaïta avy tamin’i Tolà, ny fokon’ny Foaita avy tamin’i Foà,

24 ny fokon’ny Jasobita avy tamin’i Jasoba, ny fokon’ny Semranita avy tamin’i Semrana.

25 Ireo no fokon’i Isakara araka ny voaisa amin’izy ireo: 64.300.

26 Zanak’i Zabolôna, araka ny fokony avy: ny fokon’ny Saredita avy tamin’i Sareda, ny fokon’ny Elônita avy tamin’i Elôna, ny fokon’ny Jalelita avy tamin’i Jalela.

27 Ireo no foko avy tamin’i Zabolôna, araka ny voaisa amin’izy ireo, dia 60.500.

28 Zanak’i Josefa, araka ny fokony: dia i Manase sy i Efraima.

29 Zanak’i Manase: ny fokon’ny Makirita avy tamin’i Makira, ary i Makira niteraka an’i Galaada, ny fokon’ny Galaadita avy tamin’i Galaada.

30 Izao no zanak’i Galaada: i Jezera iavian’ny fokon’ny Jezerita, avy amin’i Heleka ny fokon’ny Helikita,

31 I Asriela iavian’ny fokon’ny Asrielita, i Sekema iavian’ny fokon’ny Sekemita;

32 I Semidà iavian’ny fokon’ny Semidaïta, i Hefera iavian’ny fokon’ny Hefrita.

33 I Salfaada, zanak’i Hefera tsy nanan-janaka lahy, fa zanaka vavy ihany; ka ireto no anaran’ny zanaka vavin’i Salfaada: Maalà, Nôà, Heglà, Melkà ary Tersà.

34 Ireo no fokon’i Manase: 52.700 no voaisa amin’izy ireo.

35 Ireto no zanak’i Efraima, araka ny fokony avy: ny fokon’ny Sotalaïta avy amin’ny Sotalà, ny fokon’ny Bekrita avy amin’i Bekera, ny fokon’ny Tehenita avy amin’i Tehena.

36 Ary izao no zanak’i Sotalà: ny fokon’ny Heranita avy amin’i Heràna.

37 Ireo no fokon’ny zanak’i Efraima, araka ny voaisa amin’izy ireo: 32.500.

Dia izay no zanak’i Josefa araka ny fokony.

38 Zanak’i Benjamina, araka ny fokony avy: ny fokon’ny Belaita avy tamin’i Bela, ny fokon’ny Asbelita avy tamin’i Asbela, ny fokon’ny Ahiramita avy tamin’i Ahirama,

39 ny fokon’ny Sofamita avy tamin’i Sofama, ny fokon’ny Hofamita avy tamin’i Hofama.

40 Ary ny zanak’i Bela dia i Hereda sy i Noemana: ny fokon’ny Heredita avy tamin’ny Noemana;

41 ireo no zanak’i Benjamina, araka ny fokony avy, ary 45.600, ny voaisa amin’izy ireo.

42 Izao no zanak’i Dana, araka ny fokony: avy amin’i Sohama ny fokon’ny Sohamita. Ireo no fokon’i Dana araka ny fokony.

43 Ary nisy 64.400 no totalin’ny fokon’ny Sohamita araka ny voaisa amin’izy ireo.

44 Zanak’i Asera, araka ny fokony avy: ny fokon’ny Jemnita avy tamin’i Jemnà, ny fokon’ny Jesoita avy tamin’i Jesoỳ, ny fokon’ny Brieita avy tamin’i Brie.

45 Avy amin’ny zanak’i Brie: ny fokon’ny Hebrita avy tamin’i Hebera; ny fokon’ny Melkielita avy tamin’i Melkiela.

46 Ny anaran’ny zanaka vavin’i Asera, dia Sarà.

47 Ireo no fokon’ny zanak’i Asera araka ny voaisa amin’izy ireo: 53.400.

48 Zanak’i Neftalì, araka ny fokony avy: ny fokon’ny Jesielita avy tamin’i Jesiela, ny fokon’ny Gonita avy tamin’i Gonì,

49 ny fokon’ny Jeserita avy tamin’i Jesera, ny fokon’ny Selemita avy tamin’i Selema.

50 Ireo no fokon’i Neftalì araka ny fokony. 45.400 ny voaisa amin’izy ireo.

51 Izao no zanak’i Israely voaisa: 601.730.

52 Niteny tamin’i Môizy i Iaveh nanao hoe:

53 «Ireo no hizarana ny tany ho lovany, araka ny isan’ny anarany avy.

54 Ny maro isa homenao ny zaratany bebe kokoa, ny vitsy isa kosa homenao anjara kelikely kokoa, ka dia samy homena ny anjara lovany araka izay voaisa aminy izy.

55 Kanefa hanaovana loka no hizarana ny tany. Araka ny anaran’ny fokom-pianakaviany avy no hahazoany ny zarataniny.

56 Loka no hizarana ny lova, na ny ho an’ny maromaro kokoa, na ny ho an’ny vitsivitsy kokoa.»

Fanisana ny Levita

57 Izao kosa no voaisa tamin’ny Levita araka ny fokony avy: ny fokon’ny Gersônita avy tamin’i Gersôna, ny fokon’ny Kaatita avy tamin’i Kaata, ny fokon’ny Merarita avy tamin’i Merarỳ.

58 Izao no fokon’i Levỳ: ny fokon’ny Lobnita, ny fokon’ny Hebrônita, ny fokon’ny Moholita, ny fokon’ny Mosita, ary ny fokon’ny Kôreita.

59 I Kaata niteraka an’i Amrama, ary ny anaran’ny vadin’i Amrama dia Jôkabeda, zanaka vavin’i Levỳ, izay nateraky ny reniny tamin’i Levỳ tany Ejipta, ary izy niteraka an’i Aarôna sy i Môizy ary i Maria anabavin’ireo, tamin’i Amrama.

60 I Aarôna niteraka an’i Nadaba, i Abiò, i Eleazara ary i Itamara.

61 I Nadaba sy i Abiò maty, tamin’izy ireo nanatitra afo hafa teo anatrehan’i Iaveh.

62 Ny lahy rehetra hatramin’ny iray volana no ho miakatra voaisa tamin’izy ireo dia 23.000. Fa tsy mba anatin’ny voaisa tamin’ny zanak’i Israely izy ireo, satria tsy mba nomena zaratany teo afovoan’ny zanak’i Israely.

63 Ireo no lehilahy voaisan’i Môizy sy i Eleazara mpisorona, izay nanisa ny zanak’i Israely teo amin’ny tany lemak’i Moaba, akaikin’i Jordany, tandrifin’i Jerikô.

64 Tamin’izy ireo, dia tsy nisy na dia iray aza anisan’ny zanak’i Israely, izay efa nisain’i Môizy sy i Aarôna mpisorona tany an’efitra Sinaia.

65 Fa ireny efa nilazan’i Iaveh hoe: Ho faty any an’efitra; ka tsy nisy sisa intsony tamin’ireny, afa-tsy i Kaleba, zanak’i Jefone, sy i Jôsoe zanak’i Nona.

Categories
Fanisana

Fanisana 27

Lova ho an’ny zanaka vavy

1 Tamin’izay tonga ny zanakavavin’i Salfaada, zanak’i Hefera, zanak’i Galaada, zanak’i Makira, zanak’i Manase, avy amin’ny fokon’i Manase zanak’i Josefa; ny anaran’izy ireo dia izao: Maalà, Nôà, Heglà, ary Tersà.

2 Teo anatrehan’i Môizy sy i Eleazara mpisorona, ary ny lohan’ny fiangonana rehetra izy ireo; teo am-baravaran’ny trano lay fihaonana ka nanao hoe:

3 «Maty tany an’efitra ny rainay; izy tsy mba anatin’ilay antokony, izay niray tetika hiodina amin’i Iaveh, dia ny antokon’i Kôre, fa maty noho ny fahotany izy, ary tsy mba nanan-janakalahy izy.

4 Ka raha saingy tsy nanan-janaka lahy izy, nahoana no dia hovonoina tsy ho eo amin’ny fokony ny anaran’ny rainay? Mba omeo zaratany eo amin’ny rahalahin-drainay izahay.»

5 Dia nentin’i Môizy teo anatrehan’i Iaveh ny fitarainan’izy ireo,

6 ka hoy i Iaveh tamin’i Môizy:

7 «Zavatra araka ny rariny tsara ny nolazain’ny zanaka vavin’i Salfaada, ka omeo zaratany ho lovany eo amin’ny rahalahin-drainy izy, dia ny anjaran-drainy no atolory ho lovany.

8 Mitenena amin’ny zanak’i Israely ka lazao hoe: Raha misy lehilahy maty tsy manan-janaka lahy, dia ny zanany vavy no hamindranareo ny lovany.

9 Ary raha tsy manan-janaka vavy izy, dia ny rahalahiny no homenareo ny lovany.

10 Raha tsy manan-drahalahy izy, dia ny rahalahin-drainy no homenareo ny lovany.

11 Ary raha tsy manan-drahalahin-dray izy, dia izay havany akaiky indrindra ao amin’ny fokony no homenareo ny lovany, ka dia izay no tompony. Ho lalàna mametra ny rariny ho an’ny zanak’i Israely izany, araka ny nandidian’i Iaveh an’i Môizy.»

I Jôsoe filohan’ny vahoaka

12 Hoy i Iaveh tamin’i Môizy: «Miakara amin’io tendrombohitra Abarima io, ka tazano ny tany omeko ny zanak’i Israely.

13 Hahita izany ianao, dia hangonina any amin’ny razanao tahaka ny nanangonana an’i Aarôna rahalahinao koa,

14 satria ianareo tany amin’ny efitra Sina, ilay nilan’ny fiangonana ady iny, dia nanohitra ny teny nomeko hanamasinana Ahy teo imasony, ny amin’ny momba ny rano, dia ny ranon’i Meribà, any Kadesy, any an’efitra Sina.»

15 Dia niteny tamin’i Iaveh i Môizy, nanao hoe:

16 «Aoka i Iaveh, ilay Andriamanitry ny fanahin’ny nofo rehetra, hanendry lehilahy anankiray hitondra ny fiangonana.

17 Ka hivoaka sy hiditra eo alohanyary hitarika azy hivoaka sy hiditra, mba tsy ho tahaka ny ondry tsy misy mpiandry ny fiangonan’i Iaveh.»

18 Ary hoy i Iaveh tamin’i Môizy: Alao i Jôsoe zanak’i Nona, lehilahy itoeran’ny Fanahy ka ametraho tanana izy.

19 Dia apetraho eo anatrehan’i Eleazara mpisorona sy ny fiangonana rehetra izy, ka atokany eo imason’izy ireo.

20 Ametraho anjaraamin’ny fahefanao izy, mba haneken’ny fiangonan’ny zanak’i Israely rehetra azy.

21 Izy hankeo anatrehan’i Eleazara mpisorona izay hanadina amin’ny fitsaràn’ny Orima ho azy, eo anatrehan’i Iaveh, ka araka ny teniny no hivoahan’i Jôsoe, araka ny teniny no hidirany, dia i Jôsoe, ny zanak’i Israely rehetra miaraka aminy, ary ny fiangonana rehetra.

Hitarika azy hivoaka sy hiditra, hitondra sy hifehy azy.

22 Dia nataon’i Môizy izay nandidian’i Iaveh azy: Naka an’i Jôsoe izy, nametraka azy teo anatrehan’i Eleazara mpisorona sy ny fiangonana rehetra,

23 ka nony efa nametra-tanana taminy izy, dia nanokana azy, araka ny voalazan’i Iaveh tamin’ny alalan’i Môizy.

Categories
Fanisana

Fanisana 28

Fepetra momba ny sorona

1 Niteny tamin’i Môizy i Iaveh nanao hoe:

2 Ento amin’ny zanak’i Israely izao didy izao, ka lazao aminy hoe: Tandremo ny fanaterana ara-potoana voafetra ny fanatitra ho Ahy, dia ny fahana ho ahy amin’ny sorona atao amin’ny afo izay mani-pofona amiko.

3 Lazao aminy hoe: izao no sorona atao amin’ny afo, haterinareo ho an’i Iaveh.

A. Sorona fanao isan’andro

«Isan’andro, zanak’ondry roa, efa iray taona, tsy misy kilema, ho sorona dorana tsy tapaka:

4 Ny iray amin’ireo zanak’ondry, haterinao ny maraina, ary ny iray haterinao amin’ny àty takariva;

5 ary ny lafarina tsara indrindra ampahafolon’ny efah, voadity tamin’ny diloilo ôliva voatoto, ampahefatry ny hina, hatao fanatitra.

6 Sorona dorana tsy tapaka izany, izay efa natolotra tao an-tendrombohitra Sinaia, ho hanitra mahafinaritra, dia sorona atao amin’ny afo ho an’i Iaveh.

7 Ny fanatitra araraka momba azy dia ampahefatry ny hina amin’ny isan-janak’ondry iray, ka ao amin’ny fitoerana masina, no hanaovanao ny fanatitra araraka amin’ny divay madio ho an’i Iaveh

8 Ny zanak’ondry iray haterina amin’ny àty takariva; hataonao toy ny nanaovana ny fanatitra tamin’ny maraina, mbamin’ny fanatitra araraka momba azy. Sorona atao amin’ny afo izany, ho hanitra mahafinaritra amin’i Iaveh.»

B. Ny sabata

9 «Amin’ny andro sabata kosa, dia zanak’ondry roa, efa iray taona, tsy misy kilema, no haterinao, ary lafarina tsara indrindra roa ampahafolony, voadity tamin’ny diloilo, hatao fanatitra, mbamin’ny fanatitra araraka momba azy.

10 Sorona dorana amin’ny sabata izany, atao isan-tsabata, manampy ny sorona dorana tsy tapaka, mbamin’ny fanatitra araraka momba azy.»

D. Ny voaloham-bolana

11 «Amin’ny voaloham-bolanareo, ny haterinareo ho sorona dorana ho an’i Iaveh dia vantotr’ombalahy roa, ondralahy iray, zanak’ondry fito, efa iray taona, tsy misy kilema;

12 ary lafarina tsara indrindra telo ampahafolony, voadity tamin’ny diloilo, hatao fanatitra amin’ny isam-bantotr’ombalahy iray; lafarina tsara indrindra roa ampahafolony, voadity tamin’ny diloilo, hatao fanatitra amin’ny ondralahy;

13 ary lafarina tsara indrindra iray ampahafolony, voadity tamin’ny diloilo, hatao fanatitra amin’ny isan-janak’ondry iray; sorona dorana ho hanitra ankasitrahina izany, dia sorona atao amin’ny afo ho an’i Iaveh.

14 Ny fanatitra araraka momba izany, dia divay antsasaky ny hina, amin’ny isam-bantotr’ombalahy iray, ampahatelon’ny hina, amin’ny isan’ondralahy iray, ary ampahefatry ny hina amin’ny isan-janak’ondry iray. Izany no sorona dorana isaky ny voaloham-bolana, dia isam-bolana, amin’ny volana mandritra ny taona.

15 Ary osilahy iray koa no haterina ho sorona noho ny ota ho an’i Iaveh, manampy ny sorona dorana tsy tapaka sy ny fanatitra araraka momba azy.»

E. Ny Azima

16 «Amin’ny volana voalohany, andro faha-14n’ny volana, dia Pakan’i Iaveh.

17 Ary ny andro faha-15n’izany volana izany, dia ho andro fety. Hafitoana hihinana mofo tsy misy lalivay ianareo.

18 Amin’ny andro voalohany, dia hisy fivoriana masina; aza manao asa fanaon’ny mpiasa na inona na inona.

19 Ary izao no haterinareo ho sorona amin’ny afo, sorona dorana ho an’i Iaveh: vantotr’ombalahy roa, ondralahy iray, zanak’ondry fito, efa iray taona, tsy misy kilema,

20 ary ny hatao fanatitra momba izany dia lafarina tsara indrindra voadity tamin’ny diloilo telo ampahafolony, atao amin’ny ombalahy iray, roa ampahafolony amin’ny ondralahy iray,

21 iray ampahafolony amin’ny zanak’ondry fito tsirairay avy.

22 Ary osy lahy iray no hatao sorona noho ny ota, hanaovana ny fanonerana ho anareo.

23 Izany no hataonareo, ka tsy hajanona anefa ny sorona isa-maraina, dia ny sorona dorana tsy tapaka.

24 Isan’andro mandritra ny hafitoana no hanaovanareo izany; izany no fahana amin’ny sorona atao amin’ny afo, ho hanitra ankasitrahin’i Iaveh. Hataonareo izany, ka tsy hajanona anefa ny sorona dorana tsy tapaka mbamin’ny fanatitra araraka momba azy.

25 Amin’ny andro fahafito, dia hisy fivoriana masina ho anareo, ka tsy hanao ny asa fanaon’ny mpiasa na inona na inona ianareo.»

F. Fetin’ny Herinandro

26 «Amin’ny andron’ny voaloham-bokatra, rehefa hanolotra fanatitra avy amin’ny vokatra vaovao ho an’i Iaveh ianareo, amin’ny fetin’ny Herinandro hataonareo, dia hisy fivoriana masina ho anareo, ka tsy hanao asa fanaon’ny mpiasa na inona na inona.

27 Ary izao no haterinareo ho sorona dorana, ho hanitra ankasitrahin’i Iaveh: vantotr’ombalahy roa, ondralahy iray, zanak’ondry fito, efa iray taona;

28 ary ny hatao fanatitra momba azy, dia lafarina tsara indrindra voadity amin’ny diloilo, telo ampahafolony isan’ombalahy, roa ampahafolony amin’ny ondralahy,

29 ary iray ampahafolony amin’ny zanak’ondry fito tsirairay avy. Ary osy lahy iray koa no haterinareo hanaovana ny fanonerana ho anareo.

30 Hataonareo izany, ka tsy hajanona anefa ny sorona dorana tsy tapaka mbamin’ny fanatitra momba azy; ary izay tsy misy kilema no atero, miaraka amin’ny fanatitra araraka momba azy.»

Categories
Fanisana

Fanisana 29

G. Fetin’ny Trômpetra

1 «Amin’ny volana fahafito, amin’ny andro voalohan’ny volana, dia hisy fivoriana masina ho anareo; tsy hanao asa fanaon’ny mpiasa na inona na inona ianareo. Andron’ny feo mikarantsana ho anareo izany.

2 Ary izao no sorona dorana haterinareo, ho hanitra ankasitrahin’i Iaveh: vantotr’ombalahy iray, ondralahy iray ary zanak’ondry fito, efa iray taona, tsy misy kilema;

3 ary ny fanatitra momba azy dia lafarina tsara indrindra voadity tamin’ny diloilo: telo ampahafolony amin’ny vantotr’ombalahy,

4 roa ampahafolony amin’ny ondralahy, ary iray ampahafolony amin’ny zanak’ondry fito tsirairay avy.

5 Osy lahy iray no sorona noho ny ota, hanaovana ny fanonerana ho anareo.

6 Hataonareo izany ka tsy hajanona anefa ny sorona dorana isam-bolana, mbamin’ny fanatitra momba azy, ary ny fanatitra araraka momba azy araka ny fitsipika voadidy. Sorona atao amin’ny afo izany, ho hanitra ankasitrahin’i Iaveh.»

H. Andro Fifonana

7 «Amin’ny andro fahafolon’io volana io ihany, dia hisy fivoriana masina ho anareo, ary hampahory ny fanahinareo ianareo.

8 Ho sorona dorana ho hanitra ankasitrahin’i Iaveh, dia manatera vantotr’ombalahy iray, ondralahy iray ary zanak’ondry fito, efa iray taona, tsy misy kilema,

9 ary ny hatao fanatitra momba azy dia lafarina tsara indrindra voadity tamin’ny diloilo, telo ampahafolony amin’ny ombalahy, roa ampahafolony amin’ny ondralahy,

10 iray ampahafolony amin’ny zanak’ondry fito tsirairay avy.

11 Ary osy lahy iray ho sorona noho ny ota; fa tsy hajanona anefa ny sorom-panonerana sy ny sorona dorana tsy tapaka sy ny fanatitra momba azy, mbamin’ny fanatitra araraka momba azy.»

I. Fetin’ny Trano lay

12 Amin’ny andro faha 15n’ny volana fahafito, dia hisy fivoriana masina ho anareo, tsy hanao asa fanaon’ny mpiasa na inona na inona ianareo. Hanao fety fankalazana an’i Iaveh mandritra ny hafitoana ianareo,

13 hanatitra sorona dorana, sorona atao amin’ny afo ho hanitra mahafinaritra ho an’i Iaveh, dia vantotr’ombalahy 13, ondralahy roa, zanak’ondry 14, efa iray taona, tsy misy kilema;

14 ary ny atao fanatitra momba azy dia lafarina tsara indrindra voadity tamin’ny diloilo, telo ampahafolony amin’ny ombalahy 13 tsirairay avy, roa ampahafolony amin’ny ondralahy roa tsirairay avy,

15 ary iray ampahafolony amin’ny zanak’ondry 14 tsirairay avy.

16 Osy lahy iray no hatao sorona noho ny ota; ka tsy hajanona anefa ny sorona dorana tsy tapaka mbamin’ny fanatitra momba azy sy ny fanatitra araraka momba azy.

17 Amin’ny andro faharoa manatera vantotr’ombalahy 12, ondralahy roa, zanak’ondry 14, efa iray taona, tsy misy kilema,

18 miaraka amin’ny fanatitra momba azy sy ny fanatitra araraka momba azy, manaraka ny ombalahy sy ny ondralahy ary ny zanak’ondry samy araka ny isany avy, araka ny fitsipika.

19 Osy lahy iray no hatao sorona noho ny ota; ka tsy hajanona anefa ny sorona dorana tsy tapaka mbamin’ny fanatitra momba azy sy ny fanatitra araraka momba azy.

20 Amin’ny andro fahatelo manatera ombalahy 11, ondralahy roa, zanak’ondry 14, efa iray taona, tsy misy kilema,

21 mbamin’ny fanatitra momba azy sy ny fanatitra araraka momba azy, amin’ny ombalahy sy ny ondralahy ary ny zanak’ondry araka ny isany avy, manaraka ny fitsipika.

22 Osy lahy iray no hatao sorona noho ny ota; ka tsy hajanona anefa ny sorona dorana tsy tapaka mbamin’ny fanatitra momba azy sy ny fanatitra araraka momba azy.

23 Amin’ny andro fahefatra, manatera ombalahy folo, ondralahy roa, zanak’ondry 14, efa iray taona, tsy misy kilema,

24 mbamin’ny fanatitra momba azy sy ny fanatitra araraka momba azy, amin’ny ombalahy sy ny ondralahy ary ny zanak’ondry araka ny isany avy, manaraka ny fitsipika.

25 Osy lahy iray no hatao sorona noho ny ota; ka tsy hajanona anefa ny sorona dorana tsy tapaka mbamin’ny fanatitra momba azy sy ny fanatitra araraka momba azy.

26 Amin’ny andro fahadimy, manatera vantotr’ombalahy sivy, ondralahy roa, zanak’ondry 14, efa iray taona, tsy misy kilema,

27 mbamin’ny fanatitra momba azy sy ny fanatitra araraka momba azy, amin’ny ombalahy sy ny ondralahy ary ny zanak’ondry, araka ny isany avy, manaraka ny fitsipika.

28 Osy lahy iray no ho sorona noho ny ota, ka tsy hajanona anefa ny sorona dorana tsy tapaka mbamin’ny fanatitra momba azy sy ny fanatitra araraka momba azy.

29 Amin’ny andro fahenina, manatera vantotr’ombalahy valo, ondralahy roa, zanak’ondry 14, efa iray taona, tsy misy kilema,

30 mbamin’ny fanatitra momba azy sy ny fanatitra araraka momba azy, amin’ny ombalahy sy ny ondralahy ary ny zanak’ondry, araka ny isany avy, manaraka ny fitsipika.

31 Osy lahy iray no hatao sorona noho ny ota; ka tsy hajanona anefa ny sorona dorana tsy tapaka mbamin’ny fanatitra momba azy sy ny fanatitra araraka momba azy.

32 Amin’ny andro fahafito manatera ombalahy fito, ondralahy roa, zanak’ondry 14, efa iray taona, tsy misy kilema,

33 mbamin’ny fanatitra momba azy sy ny fanatitra araraka momba azy, amin’ny ombalahy sy ny ondralahy ary ny zanak’ondry araka ny isany avy, manaraka ny fitsipika.

34 Osy lahy iray no hatao sorona noho ny ota, ka tsy hajanona anefa ny sorona dorana tsy tapaka, mbamin’ny fanatitra momba azy sy ny fanatitra araraka momba azy.

35 Amin’ny andro fahavalo dia hisy fivoriana lehibe ho anareo, tsy hanao asa fanaon’ny mpiasa na inona na inona ianareo.

36 Hanatitra sorona dorana anankiray ianareo, sorona anankiray atao amin’ny afo, ho hanitra ankasitrahin’i Iaveh, dia ombalahy iray, ondralahy iray, zanak’ondry fito, efa iray taona, tsy misy kilema,

37 mbamin’ny fanatitra momba azy sy ny fanatitra araraka momba azy, amin’ny ombalahy sy ny ondralahy ary ny zanak’ondry manaraka ny fitsipika.

38 Osy lahy iray no hatao sorona noho ny ota; ka tsy hajanona anefa ny sorona tsy tapaka, mbamin’ny fanatitra momba azy sy ny fanatitra araraka momba azy.

39 Ireo avy no sorona haterinareo ho an’i Iaveh amin’ny fetinareo, afa-tsy ny voadinareo sy ny fanoloranareo an-tsitrapo: ny sorona doranareo, ny fanatitrareo sy ny fanatitrareo araraka ary ny fanati-pihavananareo.

Categories
Fanisana

Fanisana 30

1 Niteny tamin’ny zanak’i Israely i Môizy araka izay rehetra nandidian’i Iaveh azy.

Lalàna momba ny voady

2 Niteny tamin’ny lohan’ny fokon’i Israely i Môizy nanao hoe:

3 Izao no didian’i Iaveh: Raha misy lehilahy mivoady amin’i Iaveh, na manao fianianana hamehezany ny tenany, dia tsy mahazo mitsoa-teny izy: izay rehetra naloaky ny vavany hataony avokoa.

4 Raha misy vehivavy mbola zaza an-trano ao amin-drainy mivoady amin’i Iaveh sy manao famehezan-tena,

5 ary ren-drainy ny voady amam-pamehezan-tena nataony, nefa tsy niteniteny taminy ny rainy, dia ho raikitra ny voady rehetra nataony sy ny famehezan-tena namehezany ny tenany.

6 Fa raha mandà izany irainy amin’ny andro andrenesany an’izany, dia foana avokoa ny voady rehetra sy ny famehezan-tena namehezany ny tenany, ary i Iaveh hamela azy, satria nandà izany irainy.

7 Ary raha hampakarina izy ka efa voasingotry ny voadiny na ny teny tsy voahevitra naloaky ny vavany izay namehezany ny tenany,

8 ary ren’ny lahy izany, nefa tsy miteniteny aminy momba izany izy: amin’ny andro andrenesany an’izany, dia manan-kery ny voadiny sy ny famehezan-tena namehezany ny tenany.

9 Fa raha lavin’ny lahy kosa ny nataon-dravehivavy amin’ny andro nandrenesany an’izany, dia foana ny voady maningotra azy sy ny teny tsy voahevitra naloaky ny vavany namehezany ny tenany, ary i Iaveh hamela azy.

10 Ny voady nataon’ny vehivavy maty vady na voasaotra, izay famehezan-tena rehetra namehezany ny tenany, dia raikitra ho azy.

11 Raha ao an-tranon’ny lahy no nivoady ny vehivavy nanao famehezan-tena tamim-pianianana namehezany ny tenany,

12 ary raha avy izay handrenesan’ny lahy izany, ka tsy miteniteny aminy izy, ary tsy laviny ny nataony, dia manan-kery ny voadiny sy ny famehezan-tena namehezany ny tenany.

13 Fa raha foanan’ny lahy kosa izany amin’ny andro andrenesany azy, dia foana izay rehetra naloaky ny vavany, na voady na famehezan-tena nofoanan’ny vadiny izany, ary i Iaveh hamela azy.

14 Ny voady amam-pianianana rehetra amehezany tena hampahory ny fanahiny, dia azon’ny lahy araikitra, ary azon’ny lahy foanana.

15 Rehefa tsy niteniteny taminy androtr’iny sy ny manaraka iny izy, dia mandraikitra ny voady rehetra sy ny famehezan-tena rehetra mahazo izy: ny tsy nitenitenenany taminy tamin’ny andro nandrenesany an’izany no nandraiketany azy.

16 Raha atỳ aorian’ny andro nandrenesany izany izy vao manafoana azy, dia izy no hitondra ny heloky ny vavy.

17 Izany no lalàna nandidian’i Iaveh an’i Môizy ny amin’ny lehilahy sy ny vadiny, ary ny amin’ny ray sy ny zanany vavy, raha mbola zaza an-trano ao amin-drainy izy.

Categories
Fanisana

Fanisana 31

Ady masina tamin’ny Madianìta

1 Niteny tamin’i Môizy i Iaveh nanao hoe:

2 «Valio amin’ny Madianìta ny nataony tamin’ny zanak’i Israely: rehefa afaka izany dia hangonina any amin’ny razanao ianao.»

3 Dia niteny tamin’ny vahoaka i Môizy nanao hoe: «Omàny hiantafika ny lehilahy sasany aminareo, ka aoka handroso hanafika an’i Madiàna izy, mba hahatanteraka ny famalian’i Iaveh an’i Madiàna.

4 Mandefasa arivo lahy isam-pokony avy ho any an-tafika ianareo, avy amin’ny fokon’i Israely rehetra.»

5 Koa nakana arivo lahy isam-pokony ny isan’arivon’i Israely, dia lehilahy roa arivo sy iray alina voaoman-kiady.

6 Dia nalefan’i Môizy ho any an-tafika izy arivo lahy isam-pokony ireo, dia izy ireo sy i Finea, zanak’i Eleazara mpisorona, izay nitondra niaraka taminy ny fanaka masina sy ny trômpetra mikarantsana.

7 Nandroso hamely an’i Madiàna izy, araka ny nandidian’i Iaveh an’i Môizy, ka novonoiny avokoa ny lahy rehetra.

8 Afa-tsy izay maty an’ady dia novonoiny koa ny mpanjakan’i Madiàna: i Evỳ, i Rekema, i Sora, i Hora, ary i Reba, mpanjakan’i Madiàna dimy lahy. Novonoiny tamin’ny sabatra koa i Balaama zanak’i Beôra.

9 Nobaboin’ny zanak’i Israely avokoa ny vadin’ny Madianìta mbamin’ny zanany madinika; norobainy daholo ny biby mpitondra entany sy ny biby fiompiny rehetra ary ny fananany rehetra.

10 Nodorany avokoa ny tanàna rehetra teo amin’ny tany nonenany, mbamin’ny tobiny rehetra.

11 Rehefa nalainy daholo ny babo rehetra sy ny zavatra voaroba rehetra, na olona na biby,

12 dia nentiny ny sambotra, ny zavatra voaroba sy ny babo ho any amin’i Môizy sy i Eleazara mpisorona ary ny fiangonan’i Israely rehetra teo an-toby, teo an-dohasahan’i Moaba, akaikin’i Jordany tandrifin’i Jerikô.

Famonoana ny vehivavy sy fanadiovana ny remby

13 Nivoaka hitsena azy ireo teo ivelan’ny toby i Môizy sy i Eleazara mpisorona ary ny lohany rehetra amin’ny fiangonana.

14 Ary tezitra i Môizy tamin’ny mpitari-tafika, dia ireo tomponarivo sy tompon-jato, avy any amin’ny ady.

15 Hoy izy tamin’ireo: «Navelanareo ho velona ve ny vehivavy rehetra e?

16 Ireo ihany anefa, noho ny tenin’i Balaama, no nitarika ny zanak’i Israely hivadika tamin’i Iaveh tamin’ilay raharaha tamin’i Fogôra, ka voan’ny loza tamin’izay ny fiangonan’Iaveh;

17 koa ankehitriny vonoy ny lahy rehetra amin’ireo ankizy madinika ireo, vonoy koa ny vehivavy rehetra efa nandry tamin-dehilahy,

18 fa ny zazavavy rehetra tsy mbola nandry tamin-dehilahy no velomy ho anareo.

19 Ary ianareo dia mitobia any ivelan’ny toby mandritra ny hafitoana, ka izay rehetra nahafaty olona, na nikasika faty, dia samia mandio tena, amin’ny andro fahatelo sy amin’ny andro fahafito, na ianareo na ny sambotrareo.

20 Diovy koa ny fitafiana rehetra, ny lamba volon’osy rehetra, ary ny fanaka hazo rehetra.»

21 Hoy i Eleazara mpisorona tamin’ny lehilahy mpiantafika rehetra izay nandeha tany an’ady: «Izao no tapaky ny lalàna nandidian’i Iaveh an’i Môizy:

22 Ny volamena, ny volafotsy, ny varahina, ny vy, ny fira-potsy ary ny fira-mainty,

23 mbamin’ny zavatra rehetra sahy afo, ataovy amin’ny afo dia hadio izy; nefa mbola hodiovina amin’ny rano fandiovana izy. Ary izay rehetra tsy sahy afo, dia ataovy amin’ny rano.

24 Sasao ny lambanareo amin’ny andro fahafito; dia hadio ianareo, ka hahazo miditra amin’ny toby rehefa afaka izany.»

Fizarana ny remby

25 Ary niteny tamin’i Môizy i Iaveh nanao hoe:

26 «Alaonao sy i Eleazara mpisorona ary ny loham-pianakaviana amin’ny fiangonana, ny isan’ny zavatra nentin-ko babo, na olona na biby fiompy,

27 ka zarao ny babo ho an’ny mpiady nandeha tany an-tafika sy ho an’ny fiangonana rehetra.

28 Ny an’ny miaramila niantafika angalao iray isan-dimanjato, na olona na omby na boriky na ondry, ho anjara aloa amin’i Iaveh.

29 Ny azy ireo antsasany no hangalanareo an’izany, ka omeo an’i Eleazara mpisorona ho anjara natokana ho an’i Iaveh.

30 Ny antsasany ho an’ny zanak’i Israely kosa, anavaho iray isan-dimampolo, na olona na omby na boriky na ondry sy biby fiompy rehetra, ka omeo an’ny Levita, izay miambina ny Fonenan’i Iaveh.»

31 Dia nataon’i Môizy sy i Eleazara mpisorona izany, araka ny nandidian’i Iaveh an’i Môizy.

32 Tamin’ny zavatra norobainy, ny sisan’ny babo azon’ny mpanafika, dia nisy ondry 675.000,

33 omby 72.000,

34 boriky 61.000,

35 ary vehivavy mbola tsy nandry tamin-dehilahy 32.000.

36 Ny antsasany anjaran’ny tany an-tafika, dia ondry 337.500,

37 ka 675 no anjara naloa ho an’i Iaveh tamin’ireo;

38 omby 36.000, ka ny 72 no anjara naloa ho an’i Iaveh tamin’ireo;

39 boriky 30.500, ka 61 no anjara naloa ho an’i Iaveh tamin’ireo,

40 ary olona 16.000, ka 32 no anjara naloa ho an’i Iaveh tamin’ireo.

41 Dia nomen’i Môizy an’i Eleazara mpisorona ny anjara natokana ho an’i Iaveh, araka ny nandidian’i Iaveh an’i Môizy.

42 Ny amin’ilay antsasany an’ny zanak’i Israely kosa, izay navahan’i Môizy tamin’ny an’ny mpanafika,

43 io antsasany an’ny fiangonana io, dia nisy ondry 337.500,

44 omby 36.000,

45 boriky 30.500,

46 ary olona 16.000.

47 Nangalan’i Môizy iray isan-dimampolo io antsasany an’ny zanak’i Israely io, ka nomeny ny Levita izay miambina ny Fonenan’i Iaveh araka ny nandidian’i Iaveh an’i Môizy.

Ireo fanatitra

48 Dia nanatona an’i Môizy ny lehiben’ny arivo amin’ny tafika, ny tomponarivo, sy tompon-jato, ka nanao taminy hoe:

49 «Efa naka ny isan’ny mpanafika fehinay izahay mpanomponao, ka tsy nisy latsaka isa izahay na dia iray aza.

50 Koa aterinay ho fanatitra ho an’i Iaveh kosa, ny firavaka volamena efa hitany avy, dia fehi-tanana, rojo madinika, masom-bolamena, kavina ary fehivozona hanaovana ny fanonerana ho anay eo anatrehan’i Iaveh.»

51 Dia noraisin’i Môizy sy i Eleazara mpisorona izany volamena izany, tamin’izy ireo, izany firavaka rehetra tsara tefy izany.

52 Nisy 16.750 siklany volamena rehetra voaavaka nateriny ho an’i Iaveh avy amin’ny tomponarivo sy tompon-jato.

53 Ny mpanafika tamin’ny foloalindahy dia samy nahazo ny babony ho azy ihany.

54 Nony voarain’i Môizy sy i Eleazara mpisorona ny volamena tamin’ny tomponarivo sy tompon-jato dia nentiny tao amin’ny trano lay fihaonana ho fahatsiarovana ho an’ny zanak’i Israely eo anatrehan’i Iaveh.

Categories
Fanisana

Fanisana 32

Fizaràna ny tany ampitan’i Jordany

1 Ny zana-dRobena sy ny zanak’i Gada dia nanana biby fiompy be tokoa; ka nony hitany fa tany tsara ho fiandrasana biby fiompy ny tany ao Jazera sy ny tany ao Galaada,

2 dia nanatona an’i Môizy sy i Eleazara mpisorona ary ny lohan’ny fiangonana ny zana-dRobena sy ny zanak’i Gada ka nanao taminy hoe:

3 «I Atarôta, i Dibôna, i Jazera, i Nemrà, i Hesebona, i Eleale, i Nebô ary i Beôna,

4 izay tany nofaizin’i Iaveh teo anoloan’ny fiangonan’i Israely dia tany tsara ho fiandrasana biby fiompy; ary ny mpanomponao be biby fiompy»,

5 ka hoy izy nanampy teny hoe: «Raha nahita fitia teo imasonao izahay, dia aoka io tany io no homenao ho zarataninay mpanomponao, fa aza dia ampitaina any Jordany izahay.»

6 Fa izao no navalin’i Môizy ny zanak’i Gada sy ny zana-dRobena: «Ny rahalahinareo handeha hanafika, ka ianareo kosa va hijanona eto?

7 Nahoana ianareo no mampipetraka ny zanak’i Israely tsy hankany amin’ny tany omen’i Iaveh azy?

8 Mova tsy izao koa no nataon’ny rainareo, fony aho naniraka azy avy tany Kadesa-Barne hisafo ny tany.

9 Niakatra hatrany an-dohasahan’i Eskôla izy ary nahita ny tany, dia nampiketraka ny zanak’i Israely tsy hiditra any amin’ny tany omen’i Iaveh azy.

10 Ary nirehitra ny fahatezeran’i Iaveh tamin’izay andro izay, ka nianiana Izy nanao hoe:

11 ‹Tsy hisy hahita ny tany efa nianianako tamin’i Abrahama sy i Isaaka ary i Jakôba homena azy, ireo olona niakatra avy tany Ejipta, hatramin’ny roapolo taona no ho miakatra, satria tsy nanaraka Ahy tsara izy ireo,

12 afa-tsy i Kaleba zanak’i Jefone Kenezeanina, sy i Jôsoe zanak’i Nona, izay nanaraka tsara an’i Iaveh.›

13 Nirehitra tamin’i Israely ny fahatezeran’i Iaveh ka nataony nirenireny tany an’efitra izy ireo nandritra ny efapolo taona mandra-pahalany ritra ny taranaka rehetra izay nanao ratsy teo imason’i Iaveh.

14 Ary indreo ianareo mitsangana hisolo ny rainareo, toy ny taranaky ny mpanota, ka hampitombo indray ny firehetan’ny hatezeran’i Iaveh amin’i Israely.

15 Fa raha mandà tsy hanaraka Azy ianareo, dia mbola avelany atỳ an’efitra i Israely, ka dia ianareo no ho fototry ny fandringanana izao vahoaka rehetra izao.»

16 Dia nanakaiky an’i Môizy izy ireo, ka nanao hoe: «Hanao vala ho an’ny biby fiompinay eto izahay, sy tanàna ho an’ny zanakay madinika,

17 fa ny tenanay kosa dia vonon-kiady faingana handroso eo alohan’ny zanak’i Israely, mandra-pampiditray azy any amin’ny tany izay tsy maintsy hitoerany; fa ny zanakay no hitoetra amin’ny tanàna mimanda, noho ny amin’ny mponina amin’ny tany.

18 Tsy hody amin’ny tranonay izahay, raha tsy efa samy nahazo ny lovany avy ny zanak’i Israely.

19 Fa tsy hiara-mandray zaratany aminy any an-dafin’i Jordany izahay, na any ankoatran’izany, fa efa azonay atỳ an-dafin’i Jordany atỳ atsinanana ny anjara lovanay.»

20 Dia hoy i Môizy tamin’izy ireo: «Raha izany àry no ataonareo ka hioman-kiady eo anatrehan’i Iaveh ianareo,

21 raha ny lehilahy rehetra mitam-piadiana ao aminareo no hita an’i Jordany eo anatrehan’i Iaveh, mandra-pandroakany ny fahavalony hiala eo anatrehany,

22 ka tsy hiverina raha tsy efa resy eo anatrehan’i Iaveh ny tany, dia afa-tsiny eo anatrehan’i Iaveh sy eo anatrehan’i Israely ianareo, ary ho fanananareo eo anatrehan’i Iaveh ity faritany ity.

23 Fa raha tsy manao izany kosa ianareo, dia indro manota amin’i Iaveh ianareo, ka fantaro fa hanody anareo ny fahotanareo.

24 Aoreno àry ny tanàna ho an’ny zanakareo sy ny vala ho an’ny biby fiompinareo dia tanteraho koa ny teny naloaky ny vavanareo.»

25 Niteny tamin’i Môizy ny zanak’i Gada sy ny zana-dRobena nanao hoe: «Izay nodidian’ny tompoko, dia hataon’ny mpanomponao.

26 Ny zanakay, ny vadinay, ny biby fiompinay sy ny biby manompo rehetra anananay, dia hitoetra eto amin’ny tanànan’i Galaada;

27 fa ny mpanomponao kosa rehefa mety ho lehilahy voaoman-kiady, dia handeha eo alohan’i Iaveh mba hiantafika araka ny tenin’ny tompoko.»

28 Dia nomen’i Môizy didy ny amin’ireo, i Eleazara mpisorona sy i Jôsoe zanak’i Nona ary ny filoham-pianakaviana amin’ny fokon’ny zanak’i Israely.

29 Hoy izy taminy: «Raha mita an’i Jordany miaraka aminareo ny zanak’i Gada sy ny zana-dRobena, dia ny lehilahy rehetra voaoman-kiady eo anatrehan’i Iaveh, ka resy eo anatrehanareo ny tany, dia omeo ho fananany ny tany azo ao amin’i Galaada.

30 Fa raha tsy mandeha mitam-piadiana miaraka aminareo kosa izy, dia hitoetra eo afovoanareo any amin’ny tany Kanaana ihany.»

31 Dia namaly ny zanak’i Gada sy ny zana-dRobena nanao hoe: «Hataonay izay nolazain’i Iaveh tamin’ny mpanomponao.

32 Handeha mitam-piadiana izahay ho any amin’ny tany Kanaana eo anatrehan’i Iaveh, ary ho raikitra atỳ andafin’i Jordany ny anjara fananana ho lovanay.»

33 Dia nomen’i Môizy ny zanak’i Gada sy ny zana-dRobena ary ny antsasaky ny fokon’i Manase zanak’i Josefa, ny fanjakan’i Sehôna mpanjakan’ny Amôreana, sy ny fanjakan’i Oga mpanjakan’i Basàna, dia ny tany mbamin’ny tanànany sy ny faritany momba azy, ary ny tanàna eny amin’ny tany manodidina.

34 Ny zanak’i Gada nanorina an’i Dibôna, i Atarôta, i Arôera,

35 i Atarôta-Sôfàna, i Jezera, i Jegbàa,

36 i Betnemrà ary i Betaràna, tanàna mimanda, ary nanao vala ho an’ny biby fiompy.

37 Ny zana-dRobena nanorina an’i Hesebona, i Eleale, i Kaariataïma,

38 I Nebô ary i Baalmeôna izay samy novany anarana ary i Sabamà, ka samy nomeny ny anarana ny tanàna naoriny.

39 Ny zanak’i Makira zanak’i Manase, nananika an’i Galaada, dia nahafaka azy, sy nandroaka ny Amôreana izay nonina tao.

40 Koa nomen’i Môizy an’i Makira, zanak’i Manase i Galaada, ary niorim-ponenana tao izy.

41 Dia nandroso i Jaïra zanak’i Manase, ka nahafaka ny zana-bohiny izay nantsoiny hoe Zanabohitr’i Jaïra.

42 Nandroso koa i Nobe, ka nahafaka an’i Kanata, mbamin’ny tanàna momba azy, dia nantsoiny hoe Nobe araka ny anarany izy.

Categories
Fanisana

Fanisana 33

Ireo toerana nitobiana, tamin’ny Eksaody

1 Izao no nitobian’ny zanak’i Israely nony nivoaka avy tany amin’ny tany Ejipta, araka ny antokony avy, ambanin’ny fitondran’i Môizy sy i Aarôna.

2 Nalatsak’i Môizy an-tsoratra ny toerana niaingana araka ny nitobiany manaraka ny didin’i Iaveh, ka izao avy no nitobiany araka ny niaingany:

3 Niala tao Ramsesa tamin’ny volana voalohany izy, tamin’ny andro faha-15n’ny volana voalohany. Ny ampitson’ny Paka dia tamin’ny tanana voasandratra no nivoahan’ny zanak’i Israely teo imason’ny Ejiptianina rehetra.

4 Ary ny Ejiptianina nandevina izay novonoin’i Iaveh teo aminy, dia ny lahy matoany rehetra, ary nahatran’i Iaveh tamin’ny andriamaniny koa ny fitsarana.

5 Nony niala teo Ramsesa ny zanak’i Israely, dia nitoby tao Sokôta.

6 Niala tao Sokôta izy, dia nitoby tao Etama, izay eo an-tsisin’ny efitra.

7 Niala tao Etama izy, dia nivily tao Fihahirôta, izay mifanandrify amin’i Beelsefôna, ka nitoby teo anoloan’i Magdalôma.

8 Niala teo anoloan’i Fihahirôta izy, dia nita ny ranomasina ho any an’efitra. Nony nandeha lalan-kateloana tany an’efitra Etama izy dia nitoby tao Marà.

9 Niala tao Marà izy dia tonga teo Elima izay nisy loharano 12, ka nitoby tao.

10 Niala tao Elima izy, dia nitoby teo amoron’ny Ranomasina Mena.

11 Niala teo amin’ny Ranomasina Mena izy, dia nitoby tany an’efitra Sina.

12 Niala tany an’efitra Sina izy, dia nitoby tao Dafkà.

13 Niala tao Dafkà izy, dia nitoby tao Alosy.

14 Niala tao Alosy izy, dia nitoby tao Rafidima, ary tsy nisy rano tao hosotroin’ny vahoaka.

15 Niala tao Rafidima izy, dia nitoby tany an’efitra Sinaia.

16 Niala tany an’efitra Sinaia izy, dia nitoby tao Kibrôta-Hataavà.

17 Niala tao Kibrôta-Hataavà izy, dia nitoby tao Aserôta.

18 Niala tao Aserôta izy, dia nitoby tao Retmà.

19 Niala tao Retmà izy, dia nitoby tao Remônfaresa.

20 Niala tao Remônfaresa izy, dia nitoby tao Lebnà.

21 Niala tao Lebnà izy, dia nitoby tao Resà.

22 Niala tao Resà izy, dia nitoby tao Keelatà.

23 Niala tao Keelatà izy, dia nitoby tao an-tendrombohitra Sefera.

24 Niala tao an-tendrombohitra Sefera izy, dia nitoby tao Aradà.

25 Niala tao Aradà izy, dia nitoby tao Makelôta.

26 Niala tao Makelôta izy, dia nitoby tao Tahata.

27 Niala tao Tahata izy, dia nitoby tao Tare.

28 Niala tao Tare izy, dia nitoby tao Metkà.

29 Niala tao Metkà izy, dia nitoby tao Hesmônà.

30 Niala tao Hesmônà izy, dia nitoby tao Môserôta.

31 Niala tao Môserôta izy, dia nitoby tao Bene-Jaakàna.

32 Niala tao Bene-Jaakàna izy, dia nitoby tao Hôr-Gadgada.

33 Niala tao Hôr-Gadgada izy, dia nitoby tao Jetebata.

34 Niala tao Jetebata izy, dia nitoby tao Hebrôna.

35 Niala tao Hebrôna izy, dia nitoby tao Asiôngabera.

36 Niala tao Asiôngabera izy, dia nitoby tao Kadesy.

37 Niala tao Kadesy izy, dia nitoby tany an-tendrombohitra Hôra, tao an-tsisin’ny tany Edôma.

38 Niakatra tao an-tendrombohitra Hôra i Aarôna mpisorona araka ny didin’i Iaveh, dia maty tao izy tamin’ny taona fahefapolo taorian’ny nivoahan’ny zanak’i Israely tany amin’ny tany Ejipta, volana fahadimy, andro voalohan’ny volana.

39 Efa 123 taona i Aarôna, tamin’izy maty tao an-tendrombohitra Hôra.

40 Ary ren’ilay Kananeanina mpanjakan’i Arada izay nonina teo Negeba amin’ny tany Kanaana fa hoe tamy ny zanak’i Israely.

41 Niala tao an-tendrombohitra Hôra izy, dia nitoby tao Salmonà.

42 Niala tao Salmonà izy, dia nitoby tao Fonôna.

43 Niala tao Fonôna izy, dia nitoby tao Obôta.

44 Niala tao Obôta izy, dia nitoby tao Ije-Abarima, amin’ny sisin-tanin’i Moaba.

45 Niala tao Ije-Abarima izy, dia nitoby tao Dibôn-Gada.

46 Niala tao Dibôn-Gada izy, dia nitoby tao Helmôn- Delbataïma.

47 Niala tao Helmon-Delbataïma izy, dia nitoby tao an-tendrombohitra Abarima tandrifin’i Nebao.

48 Niala tao an-tendrombohitra Abirama izy, dia nitoby tao amin’ny tany lemak’i Moaba, amoron’i Jordany, tandrifin’i Jerikô.

49 Ny moron’i Jordany nitobiany, dia hatreo Betsimôta, ka hatrany Abela-Setima amin’ny tany lemak’i Moaba.

Fizarana amin’i Kanaana. Didy avy amin’Andriamanitra

50 Niteny tamin’i Môizy i Iaveh, tao amin’ny tany lemak’i Moaba amoron’i Jordany tandrifin’i Jerikô nanao hoe:

51 Mitenena amin’ny zanak’i Israely hoe: Rehefa tafita an’i Jordany ianareo, ka efa any amin’ny tany Kanaana,

52 dia roahy eo alohanareo ny mponina rehetra amin’ny tany, fongory avokoa ny vato misy sarin-javatra voasikotra, mbamin’ny sary anidina rehetra, ary ravao daholo ny fitoerana avony rehetra;

53 dia alao ho anareo ny tany, ka oneno, fa efa nomeko anareo ny tany hanananareo azy.

54 Filokana no hizarànareo ny tany araka ny fokonareo avy: ny maro isa homenareo anjara loka bebe kokoa, ny vitsy isa homenareo anjara lova kelikely kokoa; ka izay ho azony amin’ny filokana no ho anjarany avy; horaisinareo ho fanananareo araka ny fokom-pianakavianareo avy izany.

55 Fa raha tsy roahinareo eo alohanareo kosa ny mponina amin’ny tany dia ho tsilo amin’ny masonareo sy fitsindrona amin’ny lanivoanareo izay sisa tavela aminy. Ka ny fanao amin’ny fahavalo no hataony aminareo amin’ny tany honenanareo.

56 Ary Izaho hampihatra aminareo izay nokasaiko hatao aminy.