Categories
1Samoela

1Samoela 5

Ny nanjò ny Filistinina tamin’ny Fiaran’ny Fanekena

1 Nony azon’ny Filistinina ny Fiaran’Andriamanitra dia nentiny avy tany Eben-Ezera ho any Azota.

2 Nalain’ny Filistinina ny Fiaran’Andriamanitra ka nampidiriny tao an-tranon’i Dagôna sy napetrany teo anilan’i Dagôna.

3 Nony ampitso, nifoha maraina ny Azôtianina, ka indro i Dagôna nitsingidina nihohoka tamin’ny tany, teo anoloan’ny Fiaran’i Iaveh. Dia nalainy i Dagôna ka napetrany teo amin’ny fitoerany indray.

4 Ny ampitson’izay dia nifoha maraina koa izy ireo, ka indro i Dagôna fa nitsingidina nihohoka tamin’ny tany, teo anoloan’ny Fiaran’i Iaveh, ary ny lohan’i Dagôna sy ny tanany roa tapaka, ka teo an-tokonam-baravarana,

5 fa ny tenabeny miendri-kazandrano no sisa. Izany no tsy anitsahan’ny mpisoron’i Dagôna mbamin’izay rehetra miditra ao an-tranon’i Dagôna any Azota, ny tokonam-baravaran’i Dagôna mandrak’androany.

6 Ary niampatra namely ny Azôtianinany tanan’i Iaveh ka nampiferin’aina azy; fa namely azy tamin’ny vay, tao Azota sy tao amin’ny faritaniny.

7 Nony nahita ny nahazo azy ny Azôtianina dia nanao hoe: «Aoka tsy hijanona atỳ amintsika ny Fiaran’ny Andriamanitr’i Israely, fa manampatra ny tanany amintsika sy amin’i Dagôna andriamanitsika izy».

8 Dia naniraka olona izy ireo, niantso ny filohan’ny Filistinina rehetra hankeo aminy, ary nilaza hoe: «Hataontsika ahoana ity Fiaran’ny Andriamanitr’i Israely?» Ka hoy ny navalin’ireo: «Aoka hafindra any Geta ny Fiaran’ny Andriamanitr’i Israely»; ka nafindra tao ny Fiaran’ny Andriamanitr’i Israely.

9 Kanjo vantany vao nafindra tany dia niampatra namely ny tanàna ny tanan’i Iaveh, ka tsiravina indrindra ny tao, fa namely ny olona tao an-tanàna izy hatramin’ny kely ka hatramin’ny lehibe ka nipoiran’ny vay izy ireo.

10 Tamin’izany dia nalefany hankany Akarôna ny Fiaran’Andriamanitra, dia nibabababa ny Akarônita nanao hoe: «Nentiny tatỳ amintsika ny Fiaran’ny Andriamanitr’i Israely mba hahafaty antsika sy ny firenentsika.»

11 Ka naniraka ny olona niantso ny filohan’ny Filistinina rehetra izy, ka hoy izy: «Alefaso ny Fiaran’ny Andriamanitr’i Israely, hiverina any amin’izay nitoerany indray, mba tsy hahafaty anay sy ny firenenay.»

12 Fa nanerana ny tanàna ny horohoron’ny fahafatesana, ary namely azy mafy ny tanan’Andriamanitra. Ny olona sisa tsy maty dia nasian’ny vay, ka nanakatra ny lanitra ny fibabababam-pahoriana avy tao an-tanàna.

Categories
1Samoela

1Samoela 6

Naverina ny Fiaran’ny Fanekena

1 Fito volana no nipetrahan’ny Fiaran’i Iaveh tany amin’ny Filistinina,

2 dia nantsoin’ny Filistinina ny mpisorona mbamin’ny mpimasy, nilazany hoe: «Hatao ahoana ity Fiaran’i Iaveh? Lazao anay izay famerina azy amin’ny fitoerany».

3 Ary hoy ny navaliny: «Raha mamerina ny Fiaran’ny Andriamanitr’i Israely ianareo, aza mamerina azy fotsiny, fa tsy maintsy ombanareo fanati-panonerana izy; amin’izay dia ho sitrana ianareo, ka ho fantatrareo ny tsy nialan’ny tanany taminareo».

4 Ka hoy ny Filistinina: «Inona no fanati-panonerana hataonay aminy?»

5 Dia hoy ny navaliny: «Vay volamena dimy, sy totozy volamena dimy, araka ny isan’ny andrian’ny Filistinina, fa aretina iray ihany no nahazo anareo sy ny andrianareo. Koa manaova sarin’ny vainareo sy sarin’ny totozinareo, izay manimba ny tany; izany no anomezo voninahitra ny Andriamanitr’i Israely; fa angamba Izy hitsahatra tsy hanampatra ny tanany aminareo sy ny andriamanitrareo ary ny taninareo.

6 Nahoana ianareo no dia hanamafy ny fonareo, toy ny nanamafisan’i Ejipta sy i Faraôna ny fony? Tsy nalefan’ireo handeha va ny zanak’i Israely, nony efa nasiany tamin’ny saziny izy ireo?

7 Koa ankehitriny manaova sarety iray vaovao, ary mangalà omby vavy roa mitaiza, tsy mbola nitondra jioga; afehezo amin’ny sarety ny ombivavy, ary ny zanany ento lavitra azy any an-tranon’omby.

8 Dia alaovy ny Fiaran’i Iaveh, apetraho eo ambonin’ny sarety, ary apetraho ao anilany anaty vata kely, ireo fanaka volamena homenareo ho fanati-panonerana, ka alefaso izy dia handeha any.

9 Dia araho maso izy, ka raha miakatra amin’ny lalana mankany amin’ny tanànany, ho any Bety-Samesy izy, dia i Iaveh no nahatonga izao loza lehibe izao tamintsika, fa raha tsy izany kosa, dia ho fantatsika fa tsy ny tanany no namely antsika, fa sendrasendra no nahatongavan’izany tamintsika.»

10 Dia nataon’ny olona izany; naka omby vavy roa mitaiza izy, nafehiny tamin’ny sarety, ary nohidiany tao an-tranon’omby ny zanany;

11 dia napetrany teo ambony sarety ny Fiaran’i Iaveh mbamin’ny vata kely nisy ny totozy volamena sy ny sarim-bainy.

12 Avy hatrany dia ny lalana mankany Bety-Samesy no nalehan’ireto omby vavy. Nizotra tamin’izany lalana izany izy sady nandroso no nimamà, ka tsy nivily ho amin’ny ankavanana izy, na ho amin’ny ankavia. Narahin’ny andrian’ny Filistinina avy eo aoriany izy hatrany amin’ny faritanin’i Bety-Samesy.

Ny Fiara tany Bety-Samesy

13 Nijinja varimbazaha tany an-dohasaha ny olona tao Bety-Samesy. Nony nanopy ny masony izy dia nahatazana ny Fiara, ka nifaly nahita azy.

14 Tonga teo amin’ny sahan’i Jôsoe Betisamita ny sarety ka nijanona teo. Nisy vato lehibe teo, ka novakina ny hazon-tsarety dia nateriny ho sorona dorana ho an’i Iaveh ny ombivavy.

15 Nony voampidin’ny Levita ny Fiaran’i Iaveh mbamin’ny vata kely teo akaikiny nisy fanaka volamena, dia napetrany teo ambonin’ilay vato lehibe. Nanatitra sorona dorana sy sorona ho an’i Iaveh ny mponina tao Bety-Samesy tamin’izany andro izany.

16 Rehefa nahita izany ireo andriana dimy amin’ny Filistinina, dia niverina tany Akarôna androtr’izay ihany.

17 Izao no vay volamena nomen’ny Filistinina ho an’i Iaveh ho fanati-panonerana: iray tamin’i Azota, iray tamin’i Gazà, iray tamin’i Askalôna, iray tamin’i Geta, iray tamin’i Akarôna.

18 Ny totozy volamena koa dia araka ny isan’ny tanànan’ny Filistinina rehetra an’ireo andriana dimy, na ny tanàna mimanda, na ny vohitra tsy misy manda. Vavolombelon’izany ny vatolampy lehibe izay nametrahana ny Fiaran’i Iaveh izay mbola eo amin’ny tanimbarin’i Jôsoe Betisamita mandrak’androany.

19 Nokapohin’i Iaveh ny olona tao Bety-Samesy, fa nijerijery foanany Fiaran’i Iaveh, ka olona fitopolo sy dimy alinano novonoiny tamin’ny vahoaka. Dia nisaona fatratra ny vahoaka noho ny namelezan’i Iaveh ny vahoaka tamin’ny loza mafy.

Ny Fiara tany Kariatiarima

20 Ary hoy ny olona tao Bety-Samesy: «Iza no ho velona eo anoloan’i Iaveh, dia izany Andriamanitra masina izany? Ary ho any amin’iza no hiakarany, avy eto amintsika?»

21 Dia nandefa iraka nankany amin’ny mponina any Kariatiarima izy ireo, hilaza hoe: «Naverin’ny Filistinina ny Fiaran’i Iaveh ka midìna ianareo hampiakatra azy ho any aminareo».

Categories
1Samoela

1Samoela 7

1 Dia tonga ny olona ao Kariatiarima ka nampiakatra ny Fiaran’i Iaveh, nentiny nankany an-tranon’i Abinadaba any amin’ny havoana; ary i Eleazara zanany nohamasininyhiandry ny Fiaran’i Iaveh.

I Samoela mpitsara sy mpanafaka

2 Hatramin’ny andro nametrahana ny Fiaran’i Iaveh tany Kariatiarima dia lava ny andro nifandimby, roapolo taona, ary nitaraina tamin’i Iaveh ny tranon’i Israelyrehetra.

3 Ka hoy i Samoela tamin’ny tranon’i Israely rehetra; «Raha miverina amin’i Iaveh amin’ny fonareo rehetra tokoa ianareo, dia esory hiala eo aminareo ny andriamani-kafa sy ny Astarte, ary araiketo mafy amin’i Iaveh ny fonareo, ka Izy irery ihany no tompoy, ka hanafaka anareo amin’ny tanan’ny Filistinina Izy.»

4 Dia nesorin’ny taranak’i Israely teo aminy ny Baala sy ny Astarte, ka i Iaveh irery ihany no notompoiny.

5 Ary hoy i Samoela: «Vorio any Masfà i Israely rehetra ary hivavaka amin’i Iaveh ho anareo aho.»

6 Dia nivory tany Masfà izy ireo. Nanovo rano izy, nararany teo anatrehan’i Iaveh ary nifady hanina tamin’izany andro izany, fa hoy izy: «Efa nanota tamin’i Iaveh isika!» Ary i Samoela nitsara an’i Israely tany Masfà.

7 Ren’ny Filistinina fa nivory tany Masfà ny zanak’i Israely ka niakatra ny andrian’ny Filistinina hamely an’i Israely. Nandre izany ny zanak’i Israely ka raiki-tahotra ny Filistinina izy ireo,

8 ka hoy ny zanak’i Israely tamin’i Samoela hoe: «Aza atsahatra ny fitarainana ho antsika amin’i Iaveh Andriamanitsika, mba hamonjy antsika amin’ny tanan’ny Filistinina.»

9 Naka zanak’ondry mbola minono i Samoela, natolony manontolo ho sorona dorana ho an’i Iaveh, dia nitaraina tamin’i Iaveh ho an’i Israely i Samoela, ka nohenoin’i Iaveh.

10 Mbola manatitra ny sorona dorana eo i Samoela, no tamy hamely an’i Israely ny Filistinina; fa nampikotroka mafy ny varatra tamin’ny Filistinina kosa i Iaveh tamin’izay andro izay, ka nampifanaritaka azy; dia resy teo anoloan’i Israely.

11 Ary nivoaka avy tao Masfà ny lehilahy amin’i Israely, ka nanenjika ny Filistinina, sy namely azy hatrany ambanin’i Bety-Kara.

12 Naka vato i Samoela napetrany teo anelanelan’i Masfà sy i Sena, ary nomeny anarana hoe Eben-Ezera, fa hoy izy: «Efa novonjen’i Iaveh isika hatramin’izao.»

13 Nony voaetry toy izany ny Filistinina, dia tsy niverina teo amin’ny faritanin’i Israely intsony; fa namely ny Filistinina ny tanan’i Iaveh, tamin’ny andro rehetra niainan’i Samoela.

14 Ka ny tanàna nalain’ny Filistinina tamin’i Israely, tafaverina amin’i Israely indray, hatrany Akarôna ka hatrany Geta; ny faritanin’izy ireo dia nalain’i Israely teo an-tanan’ny Filistinina. Ary ny Amôreana, nihavana tamin’i Israely.

15 Nitsara an’i Israely tamin’ny andro rehetra niainany i Samoela.

16 Isan-taona dia nandeha izy nitety an’i Betela sy i Galgalà ary i Masfà ka nitsara an’i Israely tamin’ireo fitoerana rehetra ireo.

17 Raha efa izany dia niverina any Ramà izay misy ny tranony izy, dia nitsara an’i Israely tao, ary nanorina ôtely tao ho an’i Iaveh.

Categories
1Samoela

1Samoela 8

Nangataka mpanjaka ny vahoaka

1 Nony efa antitra i Samoela, dia ireo zanany no natsangany hitsara an’i Israely.

2 I Joela no anaran’ny zanany lahimatoa, ary i Abià no anaran’ny faharoa. Tany Bersabe izy ireo no nitsara.

3 Tsy mba nanara-dia azy ny zanany, fa nivily nanao izay hahazoana, nandray kolikoly sy nandika ny fahamarinana.

4 Nivory ny loholon’i Israely rehetra nankany amin’i Samoela, tany Ramà,

5 nanao taminy hoe: «Ianao ity efa antitra ary ny zanakao tsy manara-dia anao, koa mpanjaka toy ny an’ny firenena rehetra no atsangano aminay hitsara anay».

6 Tsy sitrak’i Samoela izany teny izany noho izy ireo nanao hoe: «Omeo mpanjaka izahay hitsara anay». Dia nivavaka tamin’i Iaveh i Samoela; ary hoy i Iaveh tamin’i Samoela;

7 «Henoy ny feon’ny vahoaka araka izay rehetra holazainy aminao, satria tsy mba ianao no ariany fa Izaho no ariany, dia ny tsy hanjakako aminy intsony;

8 toy ny efa nataony mandrakariva hatramin’ny andro nitondrako azy niakatra avy tany Ejipta ka mandrak’izao, fa nilaozany nanompo andriamani-kafa Aho, toy izany koa no anaovany anao.

9 Ary ankehitriny, henoy ny feony; nefa manaova teny vavolombelona aminy, ary ampahafantaro azy ny fahefan’ny mpanjaka izay hanjaka aminy».

Ny tsy nahamety ny hisian’ny mpanjaka

10 Dia nambaran’i Samoela tamin’ny vahoaka nangataka mpanjaka taminy ny tenin’i Iaveh rehetra,

11 ka hoy izy: «Izao no fahefana ampiasain’ny mpanjaka, izay hanjaka aminareo: Ny zanaka lahinareo halainy ary hampitaingenany ny kalesiny sy hataony mpitaingin-tsoavaliny, ary hihazakazaka eo anoloan’ny kalesiny izy ireo.

12 Hataony mpifehy arivo, mpifehy dimampolo izy; hampiasainy ny taniny, hampijinjainy ny variny, hampanaoviny ny fiadiany, mbamin’ny forongon-kalesiny.

13 Ny zanaka vavinareo halainy ho mpanamboatra zava-manitra, ho mpahandro, ho mpanao mofo.

14 Ny tanimbarinareo, ny tanimboalobokareo, ny fototr’ôlivanareo tsara indrindra dia halainy ka homeny ny mpanompony.

15 Ny Ampahafolon’ny vokatra aman-tanimboalobokareo halainy ka homeny ny tandapa ama-mpanompony.

16 Ny mpanomponareo, na lahy na vavy, mbamin’ny ombinareo aman’ampondra tsara indrindra halainy hampanaovina ny asany.

17 Ny ampahafolon’ny biby fiompinareo halainy, ary ny tenanareo aza ho andevony.

18 Hitaraina ianareo amin’izany andro izany, noho ny amin’ny mpanjaka nofidinareo, nefa tsy hihaino anareo i Iaveh».

19 Tsy nety nihaino ny feon’i Samoela akory ny vahoaka, fa hoy izy: «Tsia, fa aoka ihany izahay mba hana-mpanjaka!

20 Dia mba ho toy ny firenena koa izahay: ny mpanjakanay no hitsara anay, hitari-dalana anay, ary hitari-tafika anay».

21 Nony ren’i Samoela ny teny rehetra nataon’ny vahoaka dia nolazainy indray ho ren’i Iaveh;

22 ka hoy i Iaveh tamin’i Samoela: «Henoy ny feony ka manangàna mpanjaka ho azy». Dia hoy i Samoela tamin’ny lehilahy amin’i Israely: «Samia mody any an-tanànanareo avy ianareo».

Categories
1Samoela

1Samoela 9

I Saola sy ireo ampondra vavin-drainy

1 Nisy lehilahy anankiray avy amin’i Benjamina atao hoe Kisy, zanak’i Abiela, zanak’i Serôra, zanak’i Bekôrata, zanak’i Afià, zanaky ny Benjaminita anankiray; lehilahy mahery fo izy io.

2 Nanan-janaka lahy anankiray atao hoe Saola izy, izay sady mbola tanora no tsara tarehy; tsy nisy tsara tarehy noho izy teo amin’ny zanak’i Israely rehetra, ary nanan-tombo ny lohany izy amin’ny halavany noho ny olona rehetra.

3 Ary nania ny ampondra vavin’i Kisy, rain’i Saola, ka hoy i Kisy tamin’i Saola zanany: «Mangalà mpanompo anankiray hiaraka aminao dia mandehana mitady ny ampondra».

4 Dia namaky ny tendrombohitr’i Efraima, ary namaky ny tany Salisa izy, nefa tsy nahita; novakiny koa ny tany Salima, fa tsy tany izy; namaky ny tanin’i Benjamina izy, fa tsy nahita.

5 Nony tonga teo amin’ny tanin’i Sofa izy ireo, dia hoy i Saola tamin’ity mpanompony nanaraka azy: «Handeha isika hiverina, fandrao dia isika indray no ahin’i dada, fa ny ampondra tsy hoheveriny intsony».

6 Ka hoy ilay mpanompo taminy: «Indro misy olon’Andriamanitra amin’itsy tanàna itsy, lehilahy hajaina tokoa izy; izay lazainy tanteraka avokoa. Ka andeha isika ho ao, fa angamba holazainy amintsika ny lalana tsy maintsy hombantsika».

7 Ary hoy i Saola tamin’ny mpanompony: «Raha hankao isika, dia inona no hatolotsika ho an-dralehilahy? Lany ity ny vatsy tamin’ny lasàkantsika, ka tsy manan-javatra hatolotra ho an’ny olon’Andriamanitra isika. Fa manana inona isika?»

8 Dia namaly indray ilay mpanompo ka hoy izy tamin’i Saola: «Inty eto nahita vola ampahefatry ny sikla aho tatỳ amiko, ka homeko ilay olon’Andriamanitra ity, dia hatorony antsika izay lalan-kalehantsika».

9 Teo amin’i Israely fahiny ny olona mandeha hanontany amin’Andriamanitra dia nifampilaza hoe: «Handeha isika ho any amin’ny mpahita». Fa mpahita no fiantson’ny taloha ny atao ankehitriny hoe mpaminany.

10 Dia hoy i Saola tamin’ny mpanompony: «Tsara ny hevitra ka andao ary». Ka dia lasa izy ireo nankany amin’ny tanàna nisy ilay olon’Andriamanitra.

I Saola mihaona amin’i Samoela

11 Niakatra ny fiakarana mankao an-tanàna izy ireo, no nifanena tamin’ireto zazavavy nivoaka hantsaka rano, ka nanao tamin’ireo hoe: «Ao ihany va ny mpahita?»

12 Dia hoy iretsy zazavavy namaly azy: «Ao ihany izy, indro izy ao alohanareo ao, fa mandehana faingana satria izy no tonga atỳ an-tanàna anio, dia misy sorona haterin’ny vahoaka anio eo amin’ny fitoerana avo.

13 Raha vao miditra ao an-tanàna ianareo, dia hahita azy, alohan’ny hiakarany eo amin’ny fitoerana avo hisakafoany, fa tsy hihinana ny vahoaka raha tsy efa tonga izy, satria tsy maintsy mitso-drano ny sorona izy aloha, izay vao mihinana, izay nasaina. Ka miakara izao fa mahita azy ianareo anio».

14 Dia niakatra tao an-tanàna izy.

Efa tafiditra teo afovoan’ny tanàna izy, dia inty i Samoela nivoaka nitsena azy, dia ndeha ho eo amin’ny fitoerana avo.

15 Ary omalin’ny nahatongavan’i Saola, dia efa nanambara tamin’i Samoela i Iaveh nanao hoe:

16 «Rahampitso toy izao dia hirahiko atỳ aminao ny lehilahy iray avy amin’ny tanin’i Benjamina, ary hohosoranao izy ho mpanjakan’i Israely oloko, ary hanafaka ny oloko amin’ny tanan’ny Filistinina izy, satria efa nijery ny oloko Aho, fa efa mby atỳ amiko ny fitarainany.»

17 Ka vao nahita an’i Saola i Samoela dia hoy i Iaveh taminy: «Io no lehilahy voalazako taminao, izy no hanjaka amin’ny oloko».

18 Nanatona an’i Samoela tao am-pamatonan’ny vavahady i Saola nanao hoe: «Aza mahafady, mba atoroy ahy kely ny tranon’ny mpahita».

19 Dia hoy i Samoela tamin’i Saola: «Izaho no ilay mpahita, miakara eo alohako ho any amin’ny fitoerana avo, fa hiara-mihinana amiko ianareo anio; rahampitso vao halefako handeha ianareo, ary holazaiko aminao izay rehetra ao am-ponao.

20 Ary aza manana eritreritra ny amin’ireo ampondranao izay verinao efa hateloana izay, fa efa hita ireny. Sady ho an’iza koa moa ny zava-tsoa rehetra ao amin’i Israely? Moa tsy ho anao sy ny ankohonan-drainao rehetra va izany?»

21 Ka hoy ny navalin’i Saola: «Moa tsy Benjaminita aho, amin’ny kely indrindra amin’ny fokon’i Israely? Ary amin’ny fokon’i Benjamina moa tsy dia ny fianakaviako va no kely indrindra! Ka ahoana ange no nilazanao teny toy izany amiko?»

22 Fa nentin’i Samoela, i Saola sy ny mpanompony ka nampidiriny tao amin’ny efitrano, sy nomeny ny toerana voalohany teo amin’ireo nasaina, izay lehilahy tokony ho telopolo.

23 Ary hoy i Samoela tamin’ny mpanao nahandro: «Arosoy ilay anjara napetrako taminao sady nilazako hoe: avaho hotahirizina.»

24 Dia nalain’ny mpanao nahandro ny soro-kena mbamin’ny momba azy, ka narosony teo anoloan’i Saola. Ary hoy i Samoela: «Indro ny anjara voaavako, raiso ho eo anoloanao io ary hano, fa hatramin’ny nanasako ny olona no nitahirizana azy ho amin’ity fotoana ity.» Dia niara-nihinana tamin’i Samoela i Saola tamin’izay andro izay.

25 Nidina avy eo amin’ny fitoerana avo izy ka nankao an-tanàna, ary niresaka tamin’i Saola tao ambony tafon-tranoi Samoela.

Ny nanamasinana an’i Saola

26 Nifoha vao maraina koa izy ireo ary nony nazava atsinanana, dia nantsoin’i Samoela ho ao ambony tafo i Saola nataony hoe: «Mitsangàna fa halefako ianao». Dia nitsangana i Saola, ka niara-nivoaka izy roa lahy, dia izy sy i Samoela.

27 Nony tafidina any amin’ny faran’ny tanàna izy ireo, dia hoy i Samoela tamin’i Saola: «Asaovy mialoha antsika ny mpanomponao». Dia nialoha ilay mpanompo. «Ary mijanòna ianao izao hampandrenesako anao izay nambaran’Andriamanitra».

Categories
1Samoela

1Samoela 10

1 Nalain’i Samoela ny tavoara nisy diloilo, naidiny tamin’ny lohan’i Saola, dia norohany izy, sady nataony hoe: «Moa tsy nohosoran’i Iaveh ho mpanapaka amin’ny lovany va ianao?

2 Rehefa tafasaraka amiko ianao anio, dia hahita olona roa lahy, eo akaikin’ny fasan-dRasela amin’ny faritanin’i Benjamina, any Selsaky, hilaza aminao hoe: Ny ampondra notadiavinao efa hita ka tsy heverin-drainao intsony ny momba ny ampondravavy fa ny aminareo indray no ahiny sy ataony hoe: Inona no tsy maintsy hataoko ny amin’ity zanako ity?

3 Avy eo ianao, dia hanohy ny dianao, ary ho tonga eo amin’ny aokan’i Tabôra, ka hotsenain’olona telo lahy miakatra ho any amin’Andriamanitra any Betela: ny iray mitondra zanak’osy telo, ny iray mitondra mofo telo, ny iray mitondra divay iray siny hoditra;

4 rehefa avy miarahaba anao izy ireo, dia hanome anao mofo roa, ka horaisinao avy amin’ny tanany izany.

5 Manaraka izany ho tonga ao Gabaàn’Andriamanitraianao, izay misy miaramila Filistinina mpiambina. Rehefa miditra ao an-tanàna, hifanena amin’ny mpaminanymaro, andiany iray, midina avy any amin’ny fitoerana avo, ialohan’ny lokanga, ampongatapaka, sodina, valiha, sady maminany.

6 Hilatsaka aminao ny Fanahin’i Iaveh dia hiara-maminany amin’ireo ianao, ka ho voaova ho olom-baovao.

7 Rehefa tanteraka ho anao ireo famantarana ireo, dia ataovy araka izay sendra eo anoloanaofa momba anao Andriamanitra.

8 Ary midìna alohako any Galgalà, ary indro fa hidina aho hanatona anao, mba hanatitra sorona dorana sy fanati-panorenana. Dia miandrasa hafitoana mandra-pahatongako any aminao, dia holazaiko aminao izay tokony hataonao.»

Ny niverenan’i Saola

9 Vao nihodina nisaraka tamin’i Samoela i Saola, dia nomen’Andriamanitra fo vaovao; ary tanteraka androtr’izay ihany ireo famantarana rehetra ireo.

10 Nony tonga tany Gabaà, indreto ny mpaminany maro, andiany iray, nifanena taminy, dia nilatsaka taminy ny Fanahin’Andriamanitra ka naminany teo afovoan’ireo izy.

11 Nony hitan’izay rehetra nahalala azy taloha fa niara-naminany tamin’ireo mpaminany koa izy, dia nifampilaza ireo olon-drehetra ireo hoe: «Fa naninona ity zanak’i Kisy? Mba isan’ny mpaminany koa va i Saola?»

12 Niteny ny iray teo amin’ny vahoaka ka nanao hoe: «Ary iza moa no rain’izy ireo?» Izany no nahatonga ilay fitenenana manao hoe: «Mba isan’ny mpaminany koa va i Saola?»

13 Nony efa nitsahatra tsy naminany izy, dia nankeo amin’ny fitoerana avo.

14 Ary hoy ny rahalahin-drain’i Saola taminy sy tamin’ity mpanompony: «Nankaiza ianareo?» Dia hoy ny navalin’i Saola: «Nitady ny ampondra izahay, fa nony tsy nahita azy hatraiza hatraiza dia nankany amin’i Samoela.»

15 Ary hoy ny rahalahin-drain’i Saola: «Tantarao amiko izay nambaran’i Samoela taminareo.»

16 Dia hoy i Saola tamin’ity rahalahin-drainy: «Nambarany taminay fa efa hita ny ampondra.» Fa tsy nolazainy taminy ny momba ny fanjakana nambaran’i Samoela azy.

Voatendry ho mpanjaka i Saola

17 Novorin’i Samoela ho eo anatrehan’i Iaveh any Masfà ny vahoaka,

18 dia hoy izy tamin’ny zanak’i Israely: «Izao no lazain’i Iaveh Andriamanitr’i Israely: Izaho no nampiakatra an’i Israely avy any Ejipta; Izaho no nanafaka anareo tamin’ny tanan’ny Ejiptianina, sy tamin’ny tanan’ireo fanjakana nampahory anareo.

19 Fa ianareo kosa izao manary ny Andriamanitrareo, izay nanafaka anareo tamin’ny loza amam-pijalianareo rehetra, ary milaza aminy hoe: Manangàna mpanjaka aminay! Koa ankehitriny misehoa ianareo isam-poko sy isam-pianakaviana, eo anatrehan’i Iaveh.»

20 Dia nasain’i Samoela nanatona ny fokon’i Israely rehetra, ka ny fokon’i Benjamina no voafidy.

21 Nampanatoniny isam-pianakaviana indray ny fokon’i Benjamina, ka ny fianakavian’i Metry no voafidy, ary i Saola zanak’i Kisy no voatendry. Dia notadiavina izy nefa tsy hita.

22 Amin’izany dia nanontany an’i Iaveh indray ny olona hoe: «Moa mbola misy olona tonga eto va?» Hoy ny navalin’i Iaveh: «Indro izy miery eo amin’ny entana.»

23 Dia nihazakazaka naka azy tao ny olona, ary nitsangana teo afovoan’ny vahoaka izy, dia nanan-tombo noho ny olona rehetra hatramin’ny sorony no ho miakatra.

24 Ary hoy i Samoela tamin’ny vahoaka rehetra: «Hitanareo va ilay voafidin’i Iaveh, fa tsy misy toa azy eo amin’ny vahoaka rehetra!» Dia nihoby ny vahoaka rehetra, ka nanao hoe: «Ho ela velona anie ny mpanjaka!»

25 Tamin’izay nasehon’i Samoela ny vahoaka ny fahefanahampiasain’ny fanjakana, sady nosoratany tamin’ny boky, izay napetrany teo anatrehan’i Iaveh. Izay vao nampodiny ny vahoaka, samy ho any an-tranony avy.

26 I Saola koa nandeha nody ho any an-tranony, any Gabaà, notronin’olona mahery fo, izay nohetsehin’i Iaveh ny fony. Fa ny olon’i Beliala kosa dia nanao hoe: «Dia iny ve no hamonjy antsika?» sady naneso azy izy no nitondra fanatitra ho azy, nefa tsy nasian’i Saola raharaha akory izany.

Categories
1Samoela

1Samoela 11

Ny nandresen’i Saola ny Amônita

1 Ary i Naasy Amônita niakatra dia nitoby teo anoloan’i Jabesy any Galaada. Ka hoy ny mponina rehetra tany Jabesy tamin’i Naasy: «Manaova fanekem-pihavanana aminay dia hanompo anao izahay.»

2 Fa izao no navalin’i Naasy Amônita azy ireo: «Hifampiraharaha aminareo aho, raha manaiky ianareo ny hamotsirako tsirairay ny masonareo rehetra ankavanana, mba hanalako baraka an’i Israely rehetra.»

3 Ka hoy ny loholon’i Jabesy taminy: «Mba omeo andro hafitoana àry izahay handefasanay iraka ho any amin’ny faritanin’i Israely rehetra; ka raha tany tsy misy olona hamonjy anay, dia hitolo-tena aminao izahay.»

4 Nankany Gabaàn’i Saola ny iraka, dia nilaza izany zavatra izany mba ho ren’ny vahoaka, ka nanandratra ny feony ny vahoaka rehetra ary nitomany.

5 Ary indro fa tonga avy any an-tsaha, nandroaka ny ombiny i Saola tamin’izay, ka hoy i Saola hoe: «Maninona ity vahoaka no mitomany?» Dia nambaran’ny olona azy ny voalazan’ny olona avy any Jabesy.

6 Vao nandre izany teny izany i Saola, dia nilatsaka taminy ny Fanahin’i Iaveh ka nirehitra ny hatezerany.

7 Naka omby roa izy, norasarasainy ho madinika, dia nampitondrainy iraka ho any amin’ny faritanin’i Israely rehetra nataony hoe: «Na zovy na zovy tsy handeha manaraka an’i Saola sy i Samoela dia hatao tahaka ireny ny ombiny.» Azon’ny tahotra an’i Iaveh ny vahoaka, ka indray niainga toy ny olona iray ihany izy rehetra.

8 Notsapain’i Saola tamin’ny matso ny toetrany tany Bezeka, ka telo hetsy no isan’ny zanak’i Israely, ary telo alinany lehilahy amin’i Jodà.

9 Dia hoy izy tamin’iretsy iraka tonga: «Lazao amin’ny olona any Jabesy any Galaada fa rahampitso ilay efa mahery iny ny andro dia hahazo famonjena ianareo.» Nambaran’ny iraka tamin’ny olona tany Jabesy izany, ka feno hafaliana izy ireo.

10 Ary hoy ny olona tany Jabesy tamin’ny Amônita: «Rahampitso hitolo-tena hanaiky anareo izahay ka dia hataonareo aminay izay tianareo.»

11 Nony ampitso, nozarain’i Saola ho telo toko ny vahoaka dia nankany an-tobin’ny Amônita, tamin’ny fiambenana maraina izy ireo, ka namely azy ireo mandra-pahafanàn’ny andro. Nielipatrana izay afa-nitsoaka ka tsy nisy tafaraka na roa monja aza.

I Saola natsangana ho mpanjaka

12 Ary hoy ny vahoaka tamin’i Samoela: «Zovy moa no nilaza hoe: Dia i Saola ve no hanjaka aminay? Atolory anay izany olona izany fa hataonay maty.»

13 Fa hoy i Saola: «Tsy misy olona hatao maty anio, fa androany no namonjen’i Iaveh an’i Israely.»

14 Ary hoy i Samoela tamin’ny vahoaka: «Andeha isika ho any Galgalà, hanavao ny fanjakana any.»

15 Dia nankany Galgalà ny vahoaka rehetra ka nanangana an’i Saola ho mpanjaka, teo anatrehan’i Iaveh, tany Galgalà, ary teo no nanateran’izy ireo sorom-pisaorana teo anatrehan’i Iaveh; ary teo i Saola sy ny lehilahy rehetra amin’i Israely dia nanao firobirobiana fatratra.

Categories
1Samoela

1Samoela 12

Niala tsy ho mpitsara i Samoela eo anatrehan’i Saola

1 Hoy i Samoela tamin’i Israely rehetra: «Izao àry efa nihaino ny feonareo aho, tamin’izay rehetra nolazainareo tamiko, ary efa nanangana mpanjaka aminareo.

2 Koa ankehitriny, indro ny mpanjaka handeha alohanareo. Izaho ity efa antitra sy fotsy volo, ary ny zanako indreo eo aminareo. Hatra ny fony mbola tanora aho no nandeha teo alohanareo ka mandrak’ankehitriny;

3 ary inty aho, ataovy tenin’ny vavolombelona ny amiko eto anatrehan’i Iaveh sy ny voahosony: ombin’iza no mba nalaiko ary ampondran’iza no mba nalaiko? Zovy no mba nanaovako tsy an-drariny, ary iza no nampahoriko? Zovy no nandraisako kolikoly, mba hodiako tsy mahita azy? Fa honerako aminareo izany».

4 Dia hoy ny navalin’izy ireo: «Tsy nanaovanao tsy an-drariny izahay, na nampahory anay ianao, na nandray inona na inona teo an-tanan’olona».

5 Ary hoy izy taminy: «I Iaveh no vavolombelona anio, fa tsy nahita na inona na inona teo an-tanako ianareo». Hoy ny vahoaka namaly azy: «Vavolombelona Izy».

6 Dia hoy i Samoela tamin’ny vahoaka: Eny, vavolombelona i Iaveh izay nanangana an’i Môizy sy i Aarôna, ary nitondra ny razanareo niakatra avy tany an-tany Ejipta.

7 Koa ankehitriny avia eto anatrehako ianareo, fa tiako ny miantso anareo amin’ny fitsarana eto anatrehan’i Iaveh ny amin’ny soa rehetra nataony taminareo sy ny razanareo.

8 Taorian’ny nahatongavan’i Jakôba tany Ejipta, dia nitaraina tamin’i Iaveh ny razanareo, ka naniraka an’i Môizy sy i Aarôna i Iaveh, ary izy ireo nitondra ny razanareo hivoaka avy tany Ejipta, sy namponina azy tamin’ity tany ity.

9 Nanadino an’i Iaveh Andriamaniny anefa izy ireo, ka natolony ho eo an-tanan’i Sisarà, filohan’ny tafik’i Hasora, sy ho eo an-tanan’ny Filistinina, ary ho eo an-tanan’ny mpanjakan’i Moaba, izay niady taminy.

10 Dia nitaraina tamin’i Iaveh izy ireo nanao hoe: Nanota izahay, fa nandao an’i Iaveh sy nanompo ny Baala sy ny Astarte! Fa izao dia afaho amin’ny tanan’ny fahavalonay izahay ary hanompo Anao!

11 Dia nirahin’i Iaveh i Jerobaala, i Badana, i Jefte, ary i Samoela, ka nanafaka anareo tamin’ny fahavalonareo rehetra manodidina anareo izy, dia nandry feizay, teo amin’ny fonenanareo ianareo.

12 Ary nony nahita an’i Naasy mpanjakan’ny taranak’i Amôna tamy hiady aminareo anefa ianareo, dia nanao tamiko hoe: Tsia, fa aoka hisy mpanjaka hanjaka aminay! Kanefa i Iaveh no mpanjakanareo fahizay.

13 Koa indro àry ny mpanjaka nofidinareo sy nangatahinareo: indro fa misy mpanjaka natsangan’i Iaveh aminareo.

14 Raha matahotra an’i Iaveh ianareo, raha manompo Azy, sy mankatò ny teniny, raha tsy mandika ny tenin’i Iaveh ary raha samy manaraka an’i Iaveh Andriamanitrareo ianareo sy ny mpanjaka manjaka aminareo…

Ny hanjò raha tsy manaiky an’i Iaveh

15 Fa raha tsy mankatò ny tenin’i Iaveh kosa ianareo ary mandika ny didin’i Iaveh dia hamely anareo ny tanan’i Iaveh toy ny efa namelezany ny razanareo.

16 Ary ankehitriny andraso kely koa ka jereo ny zava-dehibe efa hataon’i Iaveh eo imasonareo.

17 Tsy izao va no fijinjana ny varimbazaha? Hiantso an’i Iaveh aho, ary hahatonga kotrokorana sy ranonorana Izy, ary ho fantatrareo amin’izany fa lehibe loatra eo imason’i Iaveh ny ratsy nataonareo tamin’ny nangatahanareo mpanjaka ho anareo.

18 Dia niantso an’i Iaveh i Samoela, ary nampiavy kotrokorana sy ranonorana i Iaveh androtr’izay ihany ka natahotra mafy an’i Iaveh sy an’i Samoela ny vahoaka.

19 Hoy ny vahoaka rehetra tamin’i Samoela: «Mivavaha amin’i Iaveh Andriamanitrao ho an’ny mpanomponao, mba tsy ho faty izahay, fa nanampy ny fahotanay rehetra ny hadisoanay nangataka mpanjaka ho anay!»

20 Dia hoy i Samoela tamin’ny vahoaka: «Aza matahotra. Efa nataonareo tokoa izany ratsy rehetra izany, nefa aza mitsahatra manaraka an’i Iaveh, ary manompoa an’i Iaveh amin’ny fonareo rehetra.

21 Aza mivily sao mankany amin’ny zava-poana izay tsy hahazoan-tsoana fahafahana akory, satria zava-poana.

22 Fa tsy handao ny olony i Iaveh, noho ny Anarany lehibe, satria sitrak’i Iaveh ny nanao anareo ho olony.

23 Ary raha ny amiko, dia lavitra ahy izay hanota amin’i Iaveh ka hitsahatra ny tsy hivavaka ho anareo. Fa hatoroko anareo ny lalana tsara sy mahitsy.

24 Izao ihany, matahora an’i Iaveh ary manompoa Azy marina, amin’ny fonareo rehetra. Satria jereo ange ireo zava-dehibe nataony teo aminareo!

25 Raha mbola mikiry manao ratsy ihany anefa ianareo dia ho levona ianareo sy ny mpanjakanareo».

Categories
1Samoela

1Samoela 13

Ny namelezana ny Filistinina

1 Ny taonan’i Saola nony tonga mpanjaka izy dia…, ary roa taona no nanjakany tamin’i Israely.

2 Telo arivo lahy no nofantenan’i Saola tamin’i Israely homba azy; ny roa arivo nitoetra tao aminy tao Makmasy sy tany amin’ny tendrombohitr’i Betela ary ny arivo teo amin’i Jônatasy tany Gabaàn’i Benjamina, fa ny vahoaka sisa, samy nampodiny ho any an-dainy avy.

3 Namely ny miaramilan’ny Filistinina izay tao Gabea i Jônatasy ka ren’ny Filistinina izany. Ary nampitsoka ny trômpetra tany amin’ny tany rehetra i Saola ka nanao hoe: «Aoka handre ny Hebrio».

4 Dia ren’i Israely rehetra ny vaovao: Namely ny miaramilan’ny Filistinina i Saola, ary tonga mahadikidiky ny Filistinina aza i Israely. Ary nantsoina ho any amin’i Saola any Galgalà ny vahoaka.

5 Dia nivory hiady amin’i Israely ny Filistinina: telo alina ny kalesiny, enina arivo ny olona an-tsoavaly, ary ny vahoaka tsy hita isa hoatra ny fasika eny amoron-dranomasina. Tonga nitoby teo Makmasy atsinanan’i Bety Avena izy.

6 Nony hitan’ny lehilahy amin’i Israely fa poritra mafy izy, satria voatery mafy indrindra, dia lasa izy niery tany an-johy, tany anaty ala kely, tany amin’ny haram-bato, tany an-davaka ary tany an-davaka famorian-drano.

7 Nisy Hebrio sasany koa nita an’i Jordany ho any amin’ny tany Gada sy Galaada.

Tapaka ny fivavahan’i Samoela sy i Saola

I Saola izany dia mbola tany Galgalà ary tera-kovitra avokoa ny vahoaka nanaraka azy.

8 Niandry hafitoana izy, araka ny fotoana noferan’i Samoela. Nefa tsy tonga tany Galgalà i Samoela, ka nihahaka lavitra an’i Saola ny vahoaka.

9 Hoy i Saola tamin’izay: «Ento atỳ amiko ny sorona dorana sy ny fanati-pihavanana». Dia nanatitra ny sorona dorana izy.

10 Nony avy nanatitra ny sorona dorana izy, dia indro tonga i Samoela, ka nivoaka hitsena azy i Saola mba hiarahaba azy.

11 Ary hoy i Samoela: «Fa inona ity nataonao?» Dia hoy i Saola: «Nony hitako fa nihahaka lavitra ahy ny vahoaka, ianao tsy tonga tamin’ny fotoana voafetra ary ny Filistinina efa tafavory tany Makmasy

12 dia niteny anankampo aho: Hidina hamely ahy atỳ Galgalà ity ny Filistinina, nefa aho mbola tsy nanao fifonana tamin’i Iaveh akory. Koa na dia tsy tiako velively aza, dia voatery nanatitra ny sorona dorana aho.»

13 Hoy i Samoela tamin’i Saola: «Fanaon’ny adala ny anao tamin’izany, fa tsy nitandrina ny didy nomen’i Iaveh Andriamanitrao anao ianao. Fa ho nampaharetin’i Iaveh mandrakizay ny fanjakanao amin’i Israely.

14 Fa ankehitriny tsy haharitra ny fanjakanao. Fa efa nitady lehilahy araka ny fony i Iaveh, ary i Iaveh efa nanendry azy ho mpanjakan’ny olony; satria ianao tsy nitandrina izay nandidian’i Iaveh anao.»

15 Dia niainga i Samoela niakatra avy any Galgalà ho any Gabaàn’i Benjamina. Ary i Saola nampanao matso ny olona teo aminy; sahabo ho enin-jato lahy ny isany.

Fiomanana amin’ny ady

16 I Saola sy i Jônatasy zanany mbamin’ny vahoaka momba azy, nitoby tao Gabaàn’i Benjamina, ary ny Filistinina kosa nitoby tao Makmasy.

17 Ny tafi-pandringanana nivoaka avy teo an-tobin’ny Filistinina ka nizara telo toko: ny toko iray nihazo ny lalana mankany Efrà ho any amin’ny tany Soala,

18 ny toko iray nihazo ny lalana mankany Bety-Hôrôna; ary ny toko fahatelo, ny lalana mankany amin’ny faritany eo ambonin’ny lohasaha Seboima amin’ny ilan’ny efitra.

19 Tsy nisy mpanefy teo amin’ny tanin’i Israely rehetra, fa nataon’i Filistinina hoe: «Aoka ny Hebrio tsy hahazo manefy sabatra na lefona intsony.»

20 Ka samy nidina nankany amin’ny Filistinina i Israely rehetra hanasa ny angadiny, ny angady mibaka roa, ny famaky, ny angadin’omby;

21 hany ka dombo matetika ny lela angady, ny angady mibaka roa, ny angady telo rantsana sy ny famaky, ary tsy voahitsy indray ny fanindronana omby.

22 Koa noho izany dia indro fa tamin’ny andro hiadiana dia tsy nisy lefona na sabatra teo an-tanan’ny vahoaka rehetra nomba an’i Saola sy i Jônatasy, fa teo an-tanan’i Saola sy i Jônatasy zanany ihany no nisy.

23 Ny andian’ny miaramilan’ny Filistinina anankiray nankao amin’ny hadilalan’i Makmasy.

Categories
1Samoela

1Samoela 14

Nasian’i Jônatasy ny Filistinina

1 Indray andro izay, hoy i Jônatasy tamin’ny zatovo nitondra ny fiadiny: «Andeha isika hiampita eny amin’ny antoko miaramilan’ny Filistinina erỳ an-dafy». Tsy nolazainy tamin-drainy anefa izany.

2 I Saola nitoetra teo an-tsisin’i Gabaà, ambanin’ny ampongabendanitra any Magrôna, ary sahabo ho enin-jato lahy ny vahoaka teo aminy.

3 Ary nitafy ny efôda i Akiasy zanak’i Akitoba, rahalahin’i Ikabôda, zanak’i Finea zanak’i Helì, mpisoron’i Iaveh tany Silô. Tsy nahalala ny vahoaka, fa hoe lasa i Jônatasy.

4 Teo an-tenatenan’ny hadilalana, notadiavin’i Jônatasy hankanesana eny amin’ny antoko-miaramilan’ny Filistinina, dia nisy haram-bato kitso loha tamin’ny laniny iray, ary haram-bato kitso loha tamin’ny laniny iray; ny iray natao hoe Bosesa ary ny iray kosa Sene.

5 Ny iray tamin’ireo haram-bato ireo nijoro teo avaratra, tandrifin’i Makmasy; ny iray kosa teo atsimo, tandrifin’i Gabea.

6 Dia hoy i Jônatsy tamin’ny zatovo nitondra ny fiadiany: «Andeha isika ho any amin’ny antoko-miaramilan’ireo tsy mifora ireo; angamba hiasa hanampy antsika i Iaveh, satria tsy misy mahasakana an’i Iaveh tsy hamonjy, na amin’ny maro na amin’ny vitsy».

7 Dia hoy ity mpitondra fiadiana: «Ataovy izay rehetra tianao, fa inty aho momba anao, vonon-kanaraka anao».

8 Ary hoy i Jônatasy: «Izao àry, dia handeha amin’ireo olona ireo isika ary hiseho aminy koa isika.

9 Raha ataony hoe: Andraso aloha ho tonga any aminareo izahay, dia hiandry eo amin’izay itoerantsika isika, fa tsy hiakatra ho any aminy.

10 Fa raha ataony hoe: Miakara atỳ aminay, dia hiakatra isika, fa natolotr’i Iaveh eo an-tanantsika izy. Famantarana ho antsika izany».

11 Dia niseho tamin’ny antoko-miaramilan’ny Filistinina izy roa lahy, ka hoy ny Filistinina: «Indreto ny Hebrio mivoaka avy any an-davaka niereny».

12 Ary niteny tamin’i Jônatasy sy ny mpitondra fiadiany ny miaramila amin’io antokony io nanao hoe: «Miakara atỳ aminay, fa hataonay mahita raha ianareo». Dia hoy i Jônatasy tamin’ity mpitondra fiadiany: «Manaraha ahy, fa efa natolotr’i Iaveh eo an-tanantsika izy ireo».

13 Koa niakatra nandady tongotra aman-tanana i Jônatasy narahin’ity mpitondra fiadiany. Ary lavo teo anoloan’i Jônatasy ny Filistinina, sady namono teo aoriany koa ity mpitondra fiadiany.

14 Dia sahabo ho roapolo lahy aloha no matin’i Jônatasy sy ny mpitondra fiadiany tamin’io famelezany voalohany tao anatin’ny tany antsasaky ny vava asa aminy tany irayarpenta.

Ady nifanaritaka

15 Niely tao an-toby ny fahatahorana mafy, tany an-tany lemaka ary tamin’ny vahoaka rehetra; raiki-tahotra koa ny antoko-miaramila mbamin’ny tafi-pandringanana; nihorohoro ny tany. Fahatsiravina avy amin’Andriamanitra izany.

16 Tazan’ny mpitilin’i Saola izay tao Gabaàn’i Benjamina, ny ielezany sy ifanaritahan’ny vahoaka be tamin’ny Filistinina.

17 Ka hoy i Saola tamin’ny vahoaka nomba azy: «Ataovy ny matso, ka zahao izay niala tamintsika». Dia nanao matso izy ireo, ka hita fa i Jônatasy sy ny mpitondra fiadiany no tsy teo.

18 Ary hoy i Saola tamin’ny Akiasy: «Ento mankatỳ ny Fiaran’Andriamanitra», fa teo amin’ny zanak’i Israely ny Fiaran’Andriamanitra tamin’izany andro izany.

19 Raha mbola niteny tamin’ny mpisorona i Saola dia nitombo ny tabataba teny an-tobin’ny Filistinina, ka hoy i Saola tamin’ny mpisorona: «Tsoahy ny tananao».

20 Raha efa izany dia nivory i Saola mbamin’ireo vahoaka rehetra nomba azy, ka nandroso tonga hatrany amin’ny toerana niadiana; ka indro fa izy samy izy no nifamely sabatra ary efa nifanaritaka be ihany.

21 Ny Hebrio, izay teo amin’ny Filistinina teo taloha koa, dia niara-niakatra taminy ho eo an-toby, eny manodidina eny, ary rafitra niandany tamin’i Israely nomba an’i Saola sy i Jônatasy.

22 Ireo lehilahy rehetra amin’i Israely, izay niery tany amin’ny tendrombohitra Efraima, nony nandre ny nandosiran’ny Filistinina, dia rafitra nanenjika sy niady tamin’ireny koa.

23 Toy izany no nanafahan’i Iaveh an’i Israely tamin’izany andro izany. Ary notohizany ny ady mandra-pahatonga any Bety-Avena.

Fandraràn’i Saola nodikain’i Jônatasy

24 Reraka mafy ny lehilahy amin’i Israely tamin’izany andro izany. Nampianiana ny vahoaka i Saola nanao hoe: «Ho voaozona anie izay lehilahy mihinan-kanina, mandra-paharivan’ny andro, mandra-pamaliako ny fahavaloko». Ka tsy nisy olona nitendry hanina na dia iray aza.

25 Tonga tany amin’ny ala ny vahoaka ary nisy tantely teny ambonin’ny tany.

26 Ary niditra ny ala ny vahoaka ka nahita tantely nitsononòka, nefa tsy nisy sahy nanainga ny tananyho eo am-bavany, fa natahotra ny fianianana ny vahoaka.

27 Tsy mba nandre anefa i Jônatasy nony nampanaovin-drainy fianianana ny vahoaka, ka narosony ny loha tehina teny an-tanany dia natsoboka tao amin’ny toho-tantely ary nataony tao am-bavany ny tanany, dia nihiratra ny masony.

28 Fa niteny kosa tamin’izay ity olona iray tamin’ny vahoaka, nanao hoe: «Rainao anie ka nampianiana ny vahoaka nanao hoe: Ho voaozona anie izay lehilahy mihinan-kanina anio! Efa reraka erỳ ny vahoaka».

29 Dia hoy i Jônatasy: «Nampidirin’i dada angano lahy ny vahoaka! Jereo ange ity fihiratry ny masoko, azon’ilay izaho nanandrana kely tamin’ny tantely teo!

30 Raha izay ny vahoaka no nihinana androany tamin’ny babo azony tamin’ny fahavalony dia ho mafy lavitra ny nandresena ny Filistinina».

Hadisoana ara-pombam-pivavahana nataon’ny vahoaka

31 Namely ny Filistinina hatrany Makmasy ka hatrany Hajalôna izy ireo tamin’izany andro izany, ka reraka indrindra ny vahoaka,

32 dia nirotsaka nianjady tamin’ny babo ny vahoaka: nalainy ny ondry, ny omby mbamin’ny zanak’omby, ka novonoiny tamin’ny tany dia nohanin’ny vahoaka mbamin’ny rany.

33 Ary nisy nilaza tamin’i Saola nanao hoe: «Indro nanota tamin’i Iaveh ny vahoaka, fa homan-javatra miaraka amin’ny rany.» Ka hoy i Saola: «Efa nanao hadisoana ianareo, ka kodiavo vato lehibe ho atỳ amiko izao ankehitriny izao ihany!»

34 Ary hoy i Saola: «Mieleza any amin’ny vahoaka, ka lazao aminy hoe: Samia mitondra ny ombiny na ny ondriny atỳ amiko sy mamono azy eto, vao hihinana, ka tsy hanota amin’i Iaveh ianareo amin’ny fihinanan-javatra miaraka amin’ny rany.» Dia samy nitondra ny ombiny, tamin’ny tanany, nandritra ny alina ny vahoaka rehetra, ka namono azy teo.

35 Nanangana ôtely ho an’i Iaveh i Saola: io no voalohan’ôtely natsangany ho an’i Iaveh.

I Jônatasy hita fa diso, saingy navotan’ny vahoaka

36 Ary hoy i Saola: «Dieny mbola alina ny andro dia ndeha hidina manenjika ny Filistinina isika; hobabointsika mandra-pahazavan’ny andro izy, ary tsy hasiantsika miangana na dia iray aza.» Hoy izy ireo: «Ataovy izay sitrakao rehetra.» Ary hoy ny mpisorona: «Andeha hanatona an’Andriamanitra etoana.»

37 Dia nanontany an’Andriamanitra i Saola nanao hoe: «Hidina hanenjika ny Filistinina va aho? Hatolotrao eo an-tanan’i Israely va ireny?» Fa tsy nomeny valy izy, tamin’izay andro izay.

38 Hoy i Saola: «Avia atỳ ianareo rehetra loholon’ny vahoaka. Zahao ka fantaro izay fahotananatao androany.

39 Fa raha velona koa i Iaveh mpanafaka an’i Israely dia tsy maintsy maty izay hahitana izany, na dia i Jônatasy zanako aza.» Ary tsy nisy namaly azy teo amin’ny vahoaka rehetra.

40 Ka hoy izy tamin’i Israely rehetra: «Aoka ianareo ho an-daniny, ary izaho sy i Jônatasy zanako kosa ho ankilany.» Dia hoy ny vahoaka tamin’i Saola: «Ataovy izay sitrakao.»

41 Ary hoy i Saola tamin’i Iaveh: «Ry Andriamanitr’i Israely ô, asehoy izay marina!» Dia i Jônatasy sy i Saola no voatondro, ka ny vahoaka afaka.

42 Ka hoy i Saola: «Ataovy filokana izaho sy i Jônatasy zanako.» Dia i Jônatasy no voatondro.

43 Ka hoy i Saola tamin’i Jônatasy: «Ambarao amiko izay nataonao.» Dia nambaran’i Jônatasy azy, ka hoy izy: «Nanandrana tantely tamin’ny loha tehina tetỳ an-tanako, ary inty aho manaiky ny ho faty.»

44 Dia hoy i Saola: «Hasian’Andriamanitra mafy indrindra anie aho, raha tsy hatao maty tokoa ianao, ry Jônatasy!»

45 Fa hoy ny vahoaka tamin’i Saola: «I Jônatasy izay nanao izao famonjen-dehibe izao tamin’i Israely indray ve no ho faty è! Sanatria izany! Raha velona koa i Iaveh tsy hisy latsaka amin’ny tany, na dia ny singam-bolondohany iray akory aza; fa ny nataony androany dia niarahany tamin’Andriamanitra.» Toy izany no namonjen’ny vahoaka an’i Jônatasy, ka tsy maty izy.

46 I Saola tsy maty fa nanenjika ny Filistinina ary tafaverina tany amin’ny taniny ny Filistinina.

Famintinina ny nanjakan’i Saola

47 Rehefa azon’i Saola ny fanjakana tamin’ny Israely, niady tamin’ny fahavalony rehetra manodidina izy, dia tamin’i Moaba, tamin’ny taranak’i Amôna, tamin’i Edôma, tamin’ireo mpanjakan’i Sobà ary tamin’ny Filistinina, ka izay nitodihany rehetra na aiza na aiza resiny avokoa.

48 Nampiseho herim-po tany an’ady izy, dia namely an’i Amaleka, ka nanafaka an’i Israely teo an-tanan’izay namabo azy.

49 Ny zanaka lahin’i Saola dia i Jônatasy, Jesoì, Melkisoà, ary ny anaran’ny zanany roa vavy, dia Meroba ny zokiny ary Mikola ny zandriny.

50 Ny anaran’ny vadin’i Saola kosa dia Akinôama, zanaka vavin’i Akimaasy. Ny anaran’ny lehiben’ny foloalindahy dia Abnera zanak’i Nera, rahalahin-drain’i Saola.

51 I Kisy rain’i Saola, sy i Nera rain’i Abnera dia samy zanak’i Abiela.

52 Nandritra ny andro rehetra niainan’i Saola dia mafy dia mafy ny ady tamin’ny Filistinina, ka nony nahita lehilahy matanjaka sy mahery fo i Saola dia nitana azy ho amin’ny fanompoana azy.