Categories
1Samoela

1Samoela 15

Ady masina tamin’ny Amalesita

1 Ary hoy i Samoela tamin’i Saola: «Izaho no nirahin’i Iaveh hanosotra anao ho mpanjaka amin’ny vahoakany, amin’i Israely: koa henoy izay lazain’i Iaveh:

2 Izao no lazain’i Iaveh amin’ny tafika: Nodinihiko ny nataon’i Amaleka tamin’i Israely dia ny nitsanganany nisakana azy teny an-dalana fony izy niakatra avy tany Ejipta.

3 Koa ankehitriny, mandehana, asio i Amaleka, ka ataovy anatema avokoa izay azy rehetra; aza mamindra fo aminy fa ataovy maty avokoa, na lahy na vavy, na kely sy mbola minono, na omby na ondry, na rameva na ampondra».

4 Nampandrenesin’i Saola ny vahoaka izany: dia nampanaoviny matso tany Telaima izy ireo, ka roa hetsy ny miaramila an-tongotra nisainy, ary iray alina ny lehilahy amin’i Jodà.

5 Dia nandroso i Saola hatrany amin’ny tanànan’i Amaleka ary nametraka otrika tao amin’ny lohasaha.

6 Hoy i Saola tamin’ny Kineanina: «Mandehana mihataka ianareo, midìna avy eo afovoan’i Amaleka, fandrao voasaroko miaraka aminy koa ianareo, fa soa no nataonareo tamin’ny zanak’i Israely rehetra fony izy nivoaka avy tany Ejipta». Dia nihataka niala teo afovoan’i Amaleka ny Kineanina.

7 Noresen’i Saola i Amaleka, hatrany Hevilà ka hatrany Sora eo atsinanan’i Ejipta.

8 I Agaga mpanjakan’i Amaleka nataony sambo-belona, ary ny vahoaka rehetra nataony anatema tamin’ny lelan-tsabatra.

9 Tsy novonoin’i Saola sy ny vahoaka anefa i Agaga, mbamin’ny tsara indrindra tamin’ny ondry, ny omby, ny biby avy amin’ny terany fanindroany, zanak’ondry mbamin’izay tsara rehetra, tsy nekeny hatao anatema izany, fa ny ratsiratsy sy tsy misy vidiny ihany no nataony anatema.

Nailik’i Iaveh i Saola

10 Tonga tamin’i Samoela ny tenin’i Iaveh nanao hoe:

11 «Manenina Aho tamin’ny nananganako an’i Saola ho mpanjaka; fa nivily niala tamiko izy, ary tsy narahiny ny teniko». Dia nalahelo i Samoela ary nitaraina tamin’i Iaveh izy nandritra iny alina iny.

12 Nifoha maraina koa i Samoela hitsena an’i Saola, dia nisy nilaza tamin’i Samoela hoe: «Tany Karmela i Saola nanangana tsangam-batoho azy, ary avy eo izy dia niverina dia nandroso lavidavitra sy nidina nankany Galgalà».

13 Dia nankany amin’i Saola i Samoela, ka hoy i Saola taminy: «Hotahin’i Iaveh anie ianao! Efa tanteraka ny tenin’i Iaveh».

14 Ary hoy i Samoela: «Ka inona izany fibarareokan’ondry ren’ny sofiko sy fimamàn’omby henoko izany?»

15 Dia hoy ny navalin’i Saola: «Nentin’ny olona avy amin’ny Amalesita ireny; fa navelan’ny olona hatao sorona ho an’i Iaveh Andriamanitrao ny tsara indrindra amin’ny ondry sy ny omby, ary ny sisa nataonay anatema».

16 Ka hoy i Samoela tamin’i Saola: «Aoka izay, fa ambarako anao izao izay nolazain’i Iaveh tamiko halina.» Dia hoy i Saola taminy: «Lazao.»

17 Hoy i Samoela: «Moa tsy tonga filohan’ny fokon’i Israely ianao fony ianao mbola kely teo imasonao? Ary moa tsy nohosoran’i Iaveh ianao ho mpanjaka amin’i Israely?

18 Nirahin’i Iaveh handeha amin’ny lalana ianao, nataony hoe: ‹Mandehana, ataovy anatema ireo mpanota ireo, ny Amalesita, ary miadia aminy, mandra-pandringana azy.›

19 Nahoana ity ianao no tsy nihaino ny feon’i Iaveh fa nanao hitsin-dalana tamin’ny babo, sy nanao izay ratsy eo imason’i Iaveh?»

20 Dia hoy i Saola tamin’i Samoela: «Eny tokoa, nihaino ny feon’i Iaveh aho ary nandeha tamin’ny lalany nanirahany ahy. Nentiko i Agaga mpanjakan’i Amaleka ary i Amaleka nataoko anatema.

21 Ary ny vahoaka naka tamin’ny ondry sy ny omby izay santatry ny anatema mba hanaovana sorona amin’i Iaveh Andriamanitrao, any Galgalà».

22 Fa hoy i Samoela: «Moa sitrak’i Iaveh tahaka ny fanekena ny tenin’i Iaveh va ny sorona dorana sy ny fanatitra?

Tsara noho ny sorona ny fanekena,

ary ny fanoavana noho ny saboran’ondralahy.

23 Fa mahameloka toy ny manandro ny mikomy,

ary toy ny fanompoan-tsampy sy ny terafima ny mandà.

Noho ianao nanary ny tenin’i Iaveh,

dia mba ariany kosa ianao tsy ho mpanjaka intsony».

Sasa-poana i Saola nangata-pamelana

24 Tamin’izay i Saola niteny tamin’i Samoela hoe: «Nanota aho, fa nandika ny didin’i Iaveh sy ny teninao: natahotra ny vahoaka aho ary nihaino ny teniny.

25 Koa ankehitriny, masìna ianao, avelao ny heloko, andeha hiara-miverina amiko, dia hivavaka amin’i Iaveh aho».

26 Fa hoy i Samoela tamin’i Saola: «Izaho no miara-miverina aminao fa efa nanary ny tenin’i Iaveh ianao, ka efa nariany tsy ho mpanjakan’i Israely intsony koa».

27 Nony nihodina ndeha handeha i Samoela dia nosamborin’i Saola ny sisin’ny kapaotiny ka triatra.

28 Dia hoy i Samoela taminy: «Efa notriarin’i Iaveh ho afaka aminao androany ny fanjakan’i Israely, ary efa nomeny ny namana akaikinao izay tsara noho ianao.

29 Tsy mba mandainga ilay famirapiratan’i Israely ary tsy mba manenina Izy satria tsy olombelona Izy ka hoe hanenina».

30 Hoy i Saola: «Nanota aho! Kanefa mihanta aminao aho ankehitriny, mba omeo voninahitra eo anatrehan’ny loholon’ny vahoaka, eo anatrehan’i Israely aho, ka handeha hiara-miverina amiko, dia hivavaka amin’i Iaveh Andriamanitrao aho».

31 Dia niverina nanaraka an’i Saola i Samoela; ary nivavaka tamin’i Iaveh i Saola.

Ny nahafatesan’i Agaga sy ny nandehanan’i Samoela

32 Ka hoy i Samoela: «Ento mankatỳ amiko i Agaga mpanjakan’i Amaleka». Miramirana endrika i Agaga nanatona azy, fa hoy i Agaga: «Lasa tokoa ny ngidin’ny fahafatesana!»

33 Hoy i Samoela: «Toy ny nampamoizan’ny sabatrao zanaka ny vehivavyno hamoizan’ny reninao zanaka kosa eo amin’ny vehivavy». Dia notetitetehin’i Samoela teo anatrehan’i Iaveh tany Galgalà i Agaga.

34 Ary i Samoela nankany Ramà, fa i Saola niakatra nankany amin’ny tranony any Gabaàn’i Saola.

35 Tsy nahita an’i Saola intsony i Samoela mandra-pahafatiny. Nitomany an’i Saola i Samoela satria nanenina i Iaveh tamin’ny nananganany azy ho mpanjaka amin’i Israely.

Categories
1Samoela

1Samoela 16

Fanosorana an’i Davida

1 Ka hoy i Iaveh tamin’i Samoela: «Mandra-pahoviana no hitomanianao an’i Saola, kanefa Aho manary azy tsy ho mpanjaka amin’i Israely intsony? Fenoy diloilo ny tandrokao dia mandehana fa irahiko ho any amin’i Isaï any Betlehema ianao, satria amin’ny zanany no nahitako ilay mpanjaka tiako».

2 Dia hoy i Samoela: «Hataoko ahoana no fankàny? Ho ren’i Saola izany dia hataony maty aho?» Ary hoy i Iaveh: «Mitondrà vantotr’ombivavy, ka ataovy hoe: Hanatitra sorona ho an’i Iaveh no nankanesako tatỳ.

3 Ary asao i Isaï amin’ny sorona, fa hampahafantariko anao izay tokony hataonao, dia hohosoranao ho ahy izay hotondroiko aminao.»

4 Dia nataon’i Samoela izay nandidian’i Iaveh azy, ka nankany Betlehema izy. Tonga nitsena azy ny loholon’ny tanàna tamin’ahiahy ka nanao hoe: «Hampiadana va no nahatongavanao?»

5 Dia hoy i Samoela: «Hampiadana! Tonga hanatitra sorona ho an’i Iaveh aho. Ka hamasino ny tenanareo, ary andeha hiaraka amiko ho any amin’ny sorona.» Dia nanamasina an’i Isaï sy ny zanany izy, sy nanasa azy ireo ho any amin’ny sorona.

6 Nony tafiditra izy ireo dia nahita an’i Eliaba i Samoela ka nanao hoe: «Mby eto anatrehany tokoa ilay voahosotr’i Iaveh».

7 Fa hoy i Iaveh tamin’i Samoela: «Aza ny tarehiny no jerenao, na ny haavon’ny tsanganany, fa efa natanilako io. Tsy mba izay hitan’ny olombelona no izy; ny olombelona mijery ny tarehy fa i Iaveh kosa mijery ny fo».

8 Dia i Abinadaba indray no nantsoin’i Isaï, ka nampandaloviny teo anatrehan’i Samoela fa hoy i Samoela: «Ity koa tsy mba nofidin’i Iaveh».

9 Dia i Samà indray no nampandalovin’i Isaï, fa hoy i Samoela: «Tsy mbola ilay voafidin’i Iaveh koa ity».

10 Nampandalovin’i Isaï teo anatrehan’i Samoela koa ireto fito mirahalahy tamin’ny zanany ary hoy i Samoela tamin’i Isaï: «Tsy misy nofidin’i Iaveh amin’ireto».

11 Ary hoy i Samoela tamin’i Isaï: «Ireo ihany va no zatovolahy rehetra?» Dia hoy i Isaï: «Mbola misy ilay faralahy, ka indro fa miandry ondry izy.» Ka hoy i Samoela tamin’i Isaï: «Hampanalao izy, fa tsy hipetraka hihinana isika raha tsy efa tonga izy.»

12 Dia nampanalain’i Isaï io. Mavomena ny volon’izy izay; sady bary maso izy no tsara tarehy. Ary hoy i Iaveh: «Mitsangàna, hosory io, fa io no izy.»

13 Dia noraisin’i Samoela ny tandroka nisy diloilo, ka nohosorany teo afovoan’ny rahalahiny io; ary hatramin’izany andro izany sy tamin’ny andro manaraka, dia niditra tamin’i Davida ny Fanahin’i Iaveh.

Dia niainga i Samoela nankany Ramata.

I Davida nanompo an’i Saola

14 Ary niala tamin’i Saola ny Fanahin’i Iaveh, fa nisy fanahy ratsy avy amin’i Iaveh nalatsany tamin’i Saola.

15 Ka hoy ny mpanompon’i Saola taminy; «Indro misy fanahy ratsy avy amin’i Iaveh, milatsaka aminao.

16 Aoka hiteny ny tomponay, dia indreto ny mpanomponao manoloana anao dia hitady olona mahay mitendry harpa; ary rehefa tonga aminao ny fanahy ratsy avy amin’i Iaveh, dia hitendry amin’ny tanany izy; ka hionona ianao».

17 Dia hoy ny navalin’i Saola tamin’ny mpanompony: «Itadiavo olona mahay zava-maneno tsara àry aho, ka ento mankatỳ amiko».

18 Ary niteny ny iray tamin’ny mpanompony nanao hoe: «Hitako ny iray amin’ny zanak’i Isaï ao Betleema, mahay mitendry harpa; lehilahy matanjaka sy mahery an’ady, mahay miteny, tsara tarehy, ary omban’i Iaveh».

19 Dia nandefa iraka nankany amin’i Isaï i Saola hilaza aminy hoe: «Alefaso hankatỳ amiko i Davida zanakao, izay miandry ondry».

20 Koa naka ampondra anankiray i Isaï, mbamin’ny mofo sy ny divay iray siny hoditra ary zanak’osy iray, ka nampitondrainy an’i Davida zanany ireo ho an’i Saola.

21 Nony tonga tany amin’i Saola i Davida dia nitsangana teo anatrehany, dia raiki-pitia azy i Saola ary nataony mpitondra fiadiany izy.

22 Ary i Saola naniraka olona hilaza amin’i Isaï hoe: «Aoka i Davida mba hitoetra eto anatrehako, fa nahita fitia teo imasoko izy!»

23 Nony injay tonga amin’i Saola ny fanahy avy amin’Andriamanitra, raisin’i Davida ny harpa, ka tendreny amin’ny tanany dia mionona i Saola sy finaritra, ary miala aminy ny fanahy ratsy.

Categories
1Samoela

1Samoela 17

I Gôliata mihatsy ny tafika israelita

1 Ary namory ny miaramilany ny Filistinina mba hiantafika ka tafangona tao Sokao, izay an’i Jodà, dia nitoby tao Efasa-Domina anelanelan’i Sokao sy i Azeka.

2 Nivory koa i Saola sy ny lehilahy amin’i Israely ka niorin-dasy tao amin’ny lohasahan’ny Terebinta, ary nilahatra tandrifin’ny Filistinina.

3 Ny Filistinina moa teo am-pita amin’ny tendrombohitra iray, ary i Israely kosa teo am-pita amin’ny tendrombohitra iray, ka ny lohasaha no nanelanelana azy roa tonta.

4 Tamin’izay dia nivoaka avy teo amin’ny tobin’ny Filistinina ity mpiady anankiray, Gôliata no anarany, ary avy any Geta: enina hakiho sy irain-jehy ny halavany.

5 Satroka valala mihoatra no nanarona ny lohany ary fiarovan-tratra varahina mihelakelaka no nentiny, ary dimy arivo siklavarahina ny lanjan’ny fiarovan-tratra.

6 Kiraro varahina no teo an-tongony, lefom-pohy varahina no tao anelanelan’ny sorony;

7 tahaka ny voditenon’ny mpanenona no haben’ny zaran-defony, vy lanjana enin-jato sikla ny lela lefona, ary nandeha teo alohany ny mpitondra ampinga.

8 Nitsatoka izy, dia niantso ny antokon’i Israely ka niteny tamin’ny feo avo nanao hoe: «Ahoana ange no nivoahanareo hilahatra hiady? Moa tsy Filistinina aho, ary ianareo kosa moa tsy mpanompon’i Saola? Koa mifidiana lehilahy anankiray ianareo, hidina hikatroka amiko.

9 Ka raha izy no mahery eo am-piadiana amiko ka mahafaty ahy, dia ho mpanomponareo izahay, fa raha izaho kosa no mandresy sy mahafaty azy dia ho ambany fahefanay ianareo sy ho mpanomponay».

10 Mbola nanohy ihany io Filistinina io nanao hoe: «Lasa izay ny fihaikako ny miaramilan’i Israely anio, ka amoahy lehilahy anankiray aho dia hikatroka izahay!»

11 Nivadi-po sy raiki-tahotra mafy i Saola sy i Israely rehetra, nony nandre izany tenin’ilay Filistinina izany.

Ny nahatongavan’i Davida tany an-dasi-miaramila

12 Ary i Davida dia zanak’ilay Efrateanina, tany Betlehema any Jodà, atao Isaï, izay nanan-janaka valo lahy. Ary lehilahy efa anti-panahy ihany izy sy efa nandroso fahanterana tamin’ny andron’i Saola.

13 Lasa nanaraka an’i Saola tany amin’ny ady ny telo lahy zokiny tamin’ny zanak’i Isaï; ary izao no anaran’ireo zanany telo lahy lasa tany amin’ny ady: Eliaba no lahimatoa, Abinadaba no lahiaivo, ary Samà no fahatelony.

14 I Davida no faralahy. Izy telo lahy zokiny nanaraka an’i Saola,

15 ary i Davida kosa dia nivoivoy avy tany amin’i Saola hiandry ny ondrin-drainy any Betlehema.

16 Nanatona marain-tsy hariva ilay Filistinina, ary niseho nandritra ny efapolo andro.

17 Ary hoy i Isaï tamin’i Davida, zanany; «Ento ho an’ny rahalahinao ity lango iray efaha ity, sy ireto mofo folo ireto ka mandehana faingana mankany an-toby amin’ny rahalahinao.

18 Ento koa ireto frômazy folo ireto, ho an’ny mpifehy arivony. Dia hamangy ny rahalahinao ianao, hizahanao raha tsara ihany izy, ary mitondrà famantarana avy any aminy.

19 Ao amin’ny lohasahan’ny terebinta i Saola sy izy telo lahy ary ny lehilahy rehetra amin’i Israely miady amin’ny Filistinina».

20 Nifoha maraina koa i Davida, dia navelany tamin’ny mpiandry anankiray ny ondriny, noraisiny ireto vatsy ka nandeha araka ny nandidian’i Isaï azy izy.

Tamin’ny nahatongavany tao amin’ny fitobiana indrindra dia nivoaka avy eo an-toby ndeha hilahatra hiady ny tafika, ka velona ny akoran’ady.

21 Samy nilahatra ny Israelita sy ny Filistinina, nifanatrika ny tafika roa tonta.

22 Navelan’i Davida teo amin’ny mpiambina entana ny entany teny aminy, dia nihazakazaka nankeny amin’ny miaramila izy. Avy hatrany dia nanontany ny rahalahiny ny toe-pahasalamany.

23 Mbola niresaka amin’ireo rahalahiny eo i Davida, no inty ilay mpiady, Gôliata no anarany, ilay Filistinina avy any Geta nitsoaka avy eo amin’ny laharan’ny Filistinina, sy niteny tahaka ny teo aloha ihany ary ren’i Davida izany.

24 Raha mahita io lehilahy io i Israely rehetra, dia mihataka teo anatrehany, raiki-tahotra mafy loatra.

25 Hoy ny Israelita anankiray nanao hoe: «Jereo kely ity lehilahy mandroso eto! Hihaika an’i Israely no androsoany. Ka izay lehilahy mahafaty an’io dia sady homen’ny mpanjaka harem-bevava no homeny ny zanany vavy ho vady, ary tsy hampandoaviny hetra ny tranon-drainy eo amin’i Israely».

26 Dia hoy i Davida tamin’ireo olona teo anilany: «Ahoana sy ahoana avy ange no hatao amin’izay mahafaty io Filistinina io, ka mahafa-tondromaso an’i Israely? Zinona izay Filistinina; ilay tsy mifora io no dia hanala baraka ny tafiky ny Andriamanitra velona!»

27 Dia naverin’ny olona taminy ilay teny teo nataony hoe: «Izany sy izany no hatao amin’izay mahafaty an’io».

28 Nirehitra tamin’i Davida ny fahatezeran’i Eliaba zokiny lahimatoa, nony nandre azy niteny tamin’ireo olona ireo izy, ka hoy izy: «Fa inona moa no nidinanao atỳ? Ary iza no namelanao ireny ondry vitsy ireny, any an’efitra? Fantatro moa raha ny avonavonao sy ny haratsiam-ponao, ny hizaha ny ady fotsiny no nidinanao tatỳ!»

29 Hoy ny navalin’i Davida: «Fa naninona re aho izao e? Moa tsy teny tsotra izao no nataoko?»

30 Izay dia niala teo aminy izy, ka ny hafa indray no nitenenany ireo teny teo ihany, ary novalian’ny olona toy ny teo ihany koa.

31 Nony nandre ny teny nolazain’i Davida ny olona, dia nambarany tamin’i Saola izany, ka nampanalaina izy.

I Davida manolo-tena hamaly ny fihatsiana

32 Ary izao no nolazain’i Davida tamin’i Saola: «Aza misy mamoy fo ny olona fa handeha hiady amin’io Filistinina io ny mpanomponao».

33 Fa hoy i Saola tamin’i Davida: «Tsy azonao atao ny mandroso hihaona amin’io Filistinina io mba hiady aminy, fa ianao mbola zaza, izy efa lehilahy mpiady hatramin’ny fahatanorany».

34 Ary hoy i Davida tamin’i Saola: «Raha niandry ny ondrin-drainy tany an-tsaha ny mpanomponao, ka nisy liona na orsa tonga naka iray tamin’ny andian’ondry,

35 dia rafitra nanenjika azy aho sy nikapoka azy ka naka ny ondry teny am-bavany, ary raha nitsangana hamely ahy izy, nohazoniko amin’ny valanoranony, nokapohiko dia novonoiko ho faty.

36 Efa samy novonoin’ny mpanomponao ihany ny liona sy ny orsa, ka ho tahaka ny iray amin’ireny koa ilay Filistinina, ilay tsy mifora io; fa efa naniratsira ny tafiky ny Andriamanitra velona».

37 Dia hoy koa i Davida: «I Iaveh izay efa namonjy ahy tamin’ny liona sy ny orsa, no hamonjy ahy koa amin’ny tanan’io Filistinina io». Ka hoy i Saola tamin’i Davida: «Andeha àry, ary homba anao anie i Iaveh».

38 Dia nampiakanjoin’i Saola an’i Davida ny akanjony, nasatrony ny lohany ny satroka valala mihoatra, nasalony azy ny fiarovan-tratra,

39 nafehin’i Davida teo ambonin’ny akanjo fiadiany koa ny sabatr’i Saola, dia nanandrana namindra izy, fa mbola tsy nanandrana na oviana na oviana. Hoy i Davida tamin’i Saola: «Tsy afa-mamindra amin’ireto fiadiana ireto aho, fa tsy mba zatra amin’itony». Dia nesorin’i Davida ireny.

Ady samy irery

40 Ny tehiny no noraisiny teny an-tanany, vato kilonjy dimy no nofantenany teny amin’ny rian-driaka sy nataony tao an-kitapo fitondran’ny mpiandry ondry, kotra fasiana haza; ary ny antsamotadiny no nataony an-tanana, dia nandroso nanatona an’ilay Filistinina izy.

41 Nanatona an’i Davida tsikelikely ity Filistinina, nialohàn’ny lehilahy nitondra ny ampingany.

42 Nijery ilay Filistinina ka nahita an’i Davida, ary naneso azy, fa tanora kely, mena volo ary tsara tarehy.

43 Hoy ilay Filistinina tamin’i Davida: «Fa izaho angaha alika, no tehina no hankanesan’ialahy atỳ amiko?» Dia nanozona an’i Davida amin’ireo andriamaniny ilay Filistinina.

44 Ary hoy ilay Filistinina tamin’i Davida hoe: «Mankanesa etỳ amiko ange ialahy, raha tsy omeko ny voromanidina sy ny biby any an-tsaha ny nofon’ialahy e!»

45 Fa hoy kosa ny navalin’i Davida an’ilay Filistinina: «Ianao manatona ahy amin’ny sabatra aman-defona sy lefom-pohy, fa izaho kosa manatona anao amin’ny anaran’i Iavehn’ny tafika, ny Andriamanitry ny foloalindahin’i Israely, izay notsiratsirainao.

46 Anio dia hatolotr’i Iaveh eo an-tanako ianao, ka hasiako ianao, ary hoesoriko eo amboninao ny lohanao; anio dia homeko ny voromanidina any an-danitra sy ny bibin’ny tany ny fatin’ny tafiky ny Filistinina, ka ho fantatry ny tany rehetra fa manana Andriamanitra Israely;

47 ary ho fantatr’izao vahoaka rehetra izao fa tsy sabatra na lefona no amonjen’i Iaveh, fa Azy ny ady, ka efa natolony eo an-tananay ianareo.»

48 Nitsangana ilay Filistinina dia niainga nandroso hitsena an’i Davida, dia nohazakazahin’i Davida nohatonina teo amin’ny laharan’ny miaramila kosa izy,

49 ka natsofok’i Davida tao anatin’ny kotrany ny tanany, notsoahany avy tao ny vato iray, ary nalefany tamin’ny antsamotady. Nahavoa ilay Filistinina tamin’ny handriny izy, sady niletra tamin’ny handriny ny vato, ka lavo niankohoka tamin’ny tany izy.

50 Nahomby noho ilay Filistinina izany i Davida tamin’ny antsamotady iray sy ny vato iray, dia novonoiny ho faty ilay Filistinina. Tsy nisy sabatra teny an-tanan’i Davida.

51 Nihazakazaka i Davida dia niato teo akaikin’ilay Filistinina, ary nalainy ny sabany, notsoahany tamin’ny tranony, ka namonoany azy, sy nanapahany ny lohany.

52 Nony hitan’ny Filistinina fa maty ilay olo-maheriny, dia vaky nandositra izy ireo. Ary nitsangana ny lehilahy amin’i Israely sy i Jodà sady nanakora ary nanenjika ny Filistinina hatrany amin’ny fidirana ao Geta, sy hatrany am-bavahadin’i Akarôna. Niampatrampatra teny an-dalana ny fatin’ny Filistinina hatrany Saraima ka hatrany Geta sy Akarôna.

53 Avy nanenjika ny Filistinina ny zanak’i Israely dia namabo ny tobiny.

54 Ary ny lohan’ilay Filistinina nalain’i Davida sy nampitondrainy any Jerosalema, ary ny fiadiany napetrany tao an-dainy.

I Davida avy nandresy naseho an’i Saola

55 Nony efa nahita an’i Davida nandroso hiady amin’ilay Filistinina i Saola dia nanontany an’i Abnera, lehiben’ny foloalindahy hoe: «Zanak’iza moa iny zazalahy iny, ry Abnera?» Ary hoy i Abnera: «Marina toy ny maha-velona ny fanahinao, raha mba fantatro velively, ry mpanjaka.»

56 Ka hoy ny mpanjaka: «Anontanio kely àry na zanak’iza na zanak’iza iny zazalahy iny.»

57 Nony niverina avy namono an’ilay Filistinina i Davida, dia nalain’i Abnera ka nentiny nankeo anatrehan’i Saola; ny lohan’ilay Filistinina dia teny an-tanany.

58 Dia hoy i Saola taminy: «Zanak’iza moa ianao, ry zatovo?» Ary hoy i Davida namaly hoe: «zanak’i Isaï mpanomponao any Betlehema.»

Categories
1Samoela

1Samoela 18

1 Nony tapitra niteny tamin’i Saola i Davida, dia raiki-pitia tamin’ny fanahin’i Davida ny fanahin’i Jônatasy, ka tia azy toy ny ainy i Jônatasy.

2 Androtr’izay ihany, dia noraisin’i Saola i Davida ka tsy navelany hody any an-tranon-drainy.

3 Ary i Jônatasy nanao fanekem-pihavanana tamin’i Davida, fa tia azy toy ny ainy izy.

4 Ka notsoahan’i Jônatasy nomena an’i Davida ny kapaoty nentiny, toy izany koa ny akanjo fiadiany, mbamin’ny sabany, hatramin’ny tsipîkany sy hatramin’ny fehin-kibony.

5 Raha nivoaka i Davida na aiza na aiza no nanirahan’i Saola azy dia nahomby izy; nataon’i Saola filohan’ny lehilahy mpiady izy, ary nankasitrahin’ny vahoaka rehetra hatramin’ny mpanompon’ny mpanjaka aza.

Nialona an’i Davida i Saola

6 Nony niditra izy ireo, tamin’ny niverenan’i Davida avy namono ilay Filistinina, dia nivoaka avy tamin’ny tanànan’i Israely rehetra ny vehivavy, nihira sy nandihy teo anoloan’i Saola mpanjaka, an-kafaliana, tamin’ny feon’ny ampongatapaka sy ny valiha.

7 Ka nifamaly ny vehivavy, ny mpandihy, nanao hoe:

«Arivoarivo no matin’i Saola,

Fa alinalina kosa, ny an’i Davida».

8 Tezitra mafy i Saola ary tsy sitrany izany teny izany, ka hoy izy: «Ny an’i Davida nataony alinalina, fa ny ahy kosa nataony arivoarivo, ka ny fanjakana izany no sisa tsy azony».

9 Hatramin’izay andro izay dia ratsy fijery an’i Davida i Saola.

10 Ny ampitson’izay dia nisy fanahy ratsy avy tamin’Andriamanitra latsaka tamin’i Saola, ka nihoalahoala teo afovoan’ny tranony izy. Dia nitendry harpa, araka ny fanaony amin’ny andro hafa i Davida, ary teo an-tanan’i Saola ny lefony.

11 Nampandihizin’i Saola ny lefony; sady nataony hoe: «Hataoko indray migorobaka i Davida sy ny rindrina.» Kanjo indroa i Davida no nihodivitra teo anoloany.

12 Dia natahotra an’i Davida i Saola, satria nomba azy i Iaveh, fa i Saola kosa nialany;

13 ka nataon’i Saola lavitra azy izy, ary natsangany ho mpifehy arivo lahy. Ary nivoaka sy niditra teo anatrehan’ny vahoaka izy.

14 Nampiseho fahakingana tamin’izay rehetra nataony i Davida ary nomba azy i Iaveh.

15 Natahotra azy i Saola nahita ity izy hendry dia hendry;

16 fa i Israely sy i Jodà rehetra kosa tia an’i Davida, noho izy nivoaka sy niditra teo anoloan’izy ireo.

Mariazin’i Davida

17 Ary hoy i Saola tamin’i Davida: «Indro homeko ho vadinao i Meroba, zanako vavimatoa. Misehoa ho mahery fo anefa ianao ary tohàny ny adin’i Iaveh». Fa i Saola nanao anakam-po hoe: «Aza ny tanako no mamely azy, fa aoka ny tanan’ny Filistinina no hamely azy».

18 Dia namaly an’i Saola i Davida nanao hoe: «Zinona moa aho, zinona ny aiko, ary zinona ny fianakavian’ikaky eo amin’i Israely, no dia ho vinanton’ny mpanjaka aho?»

19 Kanjo nony tonga ny fotoana tokony hanomezana an’i Meroba zanakavavin’i Saola, ho an’i Davida, dia nomena ho vadin’i Hadriela, any Molati, indray kosa izy.

20 Ary i Mikola zanakavavin’i Saola tia an’i Davida; dia nampandrenesiny an’i Saola izany, ka nankasitrahiny.

21 Hoy i Saola anakam-po: «Homeko azy izy, mba ho fandrika ho azy, ka hamelezan’ny tanan’ny Filistinina azy». Dia hoy i Saola tamin’i Davida fanindroany: «Ho tonga vinantoko ianao anio».

22 Ary nomen’i Saola didy ny mpanompony, nataony hoe: «Miresaha mangingina amin’i Davida ataovy hoe: Raiki-pitia anao ny mpanjaka, ary tia anao koa ny mpanompony rehetra, ka aoka ho vinanton’ny mpanjaka ianao amin’izao».

23 Dia nolazain’ny mpanompon’i Saola tamin’i Davida mba ho ren’ny sofiny izany teny izany; ka hoy ny navalin’i Davida: «Fa ataonareo ho zavatra kely ve izany ho vinanton’ny mpanjaka é? Izaho dia olo-mahantra sy iva razana».

24 Notaterin’ny mpanompon’i Saola taminy izany, nataony hoe: «Izany no teny nataon’i Davida».

25 Dia hoy i Saola: «Izao no holazainareo amin’i Davida: ‹Tsy mila zavatra akory ho vodiondry ny mpanjaka, fa hodi-tsy miforan’ny Filistinina zato lahy, mba ho voavaly faty ny fahavalon’ny mpanjaka.› » Ny hisamboran’ny tanan’i Filistinina an’i Davida no nampoizin’i Saola tamin’izany.

26 Dia nolazain’ny mpanompon’i Saola tamin’i Davida izany teny izany, ka nakasitrahin’i Davida izany hoe ho tonga vinanton’ny mpanjaka izy.

27 Ary tsy mbola tapitra akory ny fetr’andro, dia nitsangana i Davida ary niainga izy sy ny olony, namono roan-jato lahy tamin’ny Filistinina sy nitondra ny hodi-tsy miforan’izy ireo i Davida; ary nomeny ny mpanjaka araka ny isany marina mba hahatonga azy ho vinantony. Ka dia nomen’i Saola ho vadiny i Mikola zanany vavy.

28 Hitan’i Saola sy fantany tsara, fa omban’i Iaveh i Davida, ary i Mikola zanakavavin’i Saola dia tia an’i Davida.

29 Ka nitombo ny fahatahoran’i Saola an’i Davida ary nitsangan-ko fahavalon’i Davida i Saola isan’andro isan’andro.

30 Tonga nanafika ireo andrian’ny Filistinina, ary isaky ny nivoaka ireny, dia nahomby nandresy azy i Davida noho ny fahakingany mihoatra noho ny mpanompon’i Saola rehetra, ka tonga malaza indrindra ny anarany.

Categories
1Samoela

1Samoela 19

I Jônatasy mifona ho an’i Davida

1 Niresaka tamin’i Jônatasy zanany sy ny mpanompony rehetra i Saola ny amin’izay hahafaty an’i Davida. Fatratra kosa anefa ny fitiavan’i Jônatasy zanak’i Saola an’i Davida. Koa nampandre an’i Davida i Jônatasy nanao hoe:

2 «Tadiavin’i Saola raiko hovonoina ianao ka mitandrema tena, rahampitso maraina, mihataha ka miere.

3 Ary hivoaka aho ka ho eo anilan’idada amin’ny saha misy anao, ka hiresaka amin’idada ny aminao, dia ho hitako izayheviny, ka hampandrenesiko anao.»

4 Nilaza soa an’i Davida, tamin’i Saola rainy, i Jônatasy, fa hoy izy taminy: «Aoka ny mpanjaka tsy hanota amin’i Davida mpanompony, satria tsy nanota taminao izy. Fa vao mainka koa soa ho anao aza ny nataony rehetra,

5 nanao vy very ny ainy, namono an’ilay Filistinina izy, ka izy no nanaovan’i Iaveh famonjena lehibe ho an’i Israely rehetra. Nahita izany ianao sy nifaly tamin’izany. Ka ahoana no hataonao amin’ny ra tsy mana-tsiny, amin’ny famonoana, tsy misy antony, an’i Davida?»

6 Nihaino ny tenin’i Jônatasy i Saola, ka nianiana i Saola nanao hoe: «Velona i Iaveh, tsy hovonoina i Davida!»

7 Dia nantsoin’i Jônatasy i Davida ary nilazan’i Jônatasy izany teny rehetra izany, vao nentin’i Jônatasy nankeo amin’i Saola i Davida, ka nitoetra teo anatrehany, toy ny taloha indray.

Fitadiavan’i Saola hanao ratsy an’i Davida

8 Ary nisy ady indray, ka nivoaka hanohitra ny Filistinina i Davida ka nandrafitra ady taminy; noreseny mafy tokoa izy ireo ka vaky nandositra teo anoloany.

9 Tamin’izay tonga tamin’i Soala ilay fanahy ratsy avy tamin’i Iaveh, raha nipetraka tao an-tranony, nitana ny lefony teo an-tanany izy; ka notendren’i Davida tamin’ny tanany ny harpa.

10 Notadiavin’i Saola hasiany ny lefona i Davida sy ny rindrina, saingy nitsoaka teo anatrehan’i Saola i Davida ka ny lefona no nakapony tamin’ny rindrina. Dia nandositra i Davida nilefa nandritra ny alina.

I Davida vonjen’i Mikola

11 Nanirahan’i Saola olona, tany an-tranon’i Davida, hisambotra azy sy hamono azy ny ampitso; fa nilazan’i Mikola vadiny an’izany i Davida, nataony hoe: «Raha tsy mandositra anio alina ianao, rahampitso ihany dia maty».

12 Dia nampidinin’i Mikola tamin’ny varavarankely i Davida dia lasa nandositra i Davida ka voavonjy.

13 Nalain’i Mikola ny terafimanony avy eo, ka nampidiriny teo am-parafara, ary hoditr’osivavy no nataony teo amin’ny fitoeran’ny lohany, ary norakofany lamba.

14 Ka nony nirahin’i Saola haka an’i Davida ny olona nirahiny, dia hoy ravehivavy: «Marary izy»

15 Fa naverin’i Saola indray ny olona nirahiny hizaha an’i Davida, ka hoy izy: «Ento mankatỳ amiko amin’ny farafara izy, hamonoako azy».

16 Dia niverina ny iraka, kanjo inty terafima no teo am-pandriana mbamin’ny hoditr’osy teo amin’ny fitoeran’ny lohany.

17 Ka hoy i Saola tamin’i Mikola: «Nahoana ianao no namitaka ahy toy izany, ka namela ny fahavaloko handeha mba ho voavonjy izy?» Fa hoy ny navalin’i Mikola an’i Saoly: «Izao no nataony tamiko: Avelao aho handeha sao vonoiko ianao.»

I Saola sy i Davida any amin’i Samoela

18 Toy izany no nandosiran’i Davida, ka dia voavonjy izy. Nankany amin’i Samoela tany Ramà izy, ka notantarainy taminy izay rehetra nataon’i Saola taminy. Dia niara-nandeha tamin’i Samoela honina any Najôta izy.

19 Nisy nilaza izany tamin’i Saola nanao hoe: «Indro i Davida ao Najôta, any Ramà.»

20 Dia naniraka olona haka an’i Davida i Saola; kanjo nony hitan’ireo ny antoko-mpaminany naminany ary i Samoela nitsangana teo nitarika azy ireo, dia tonga tamin’ny irak’i Saola ny Fanahin’Andriamanitra ka naminany koa izy ireo.

21 Nambara tamin’i Saola izany, ka naniraka olon-kafa izy, ary naminany koa ireo. Dia naniraka olona fanintelony indray i Saola nefa naminany ihany koa ireo.

22 Tamin’izany dia ny tenan’i Saola no nankany Ramà. Nony tonga tao amin’ilay lavaka lehibe famorian-drano, any Sokao izy, dia nanontany hoe: «Aiza moa i Samoela sy i Davida?» Ka nisy namaly azy hoe: «Indreo izy ao Najôta any Ramà.»

23 Dia nizotra nankany Najôta any Ramà izy, ary tonga tao aminy koa ny Fanahin’Andriamanitra dia nandeha ary naminany mandra-pahatongany tany Najôta any Ramà.

24 Mba niala lamba ka naminany koa izy teo anatrehan’i Samoela, sy nipetraka tamin’ny tany, tsy nitafy, nandritra iny andro iny sy ny alina manontolo. Izany no anton’ny fitenin’ny olona hoe: «Mba isan’ny mpaminany koa ve i Saola?»

Categories
1Samoela

1Samoela 20

I Jônatasy nanampy an’i Davida handeha

1 Nandositra niala tany Najôta any Ramà i Davida, ka nony tonga izy dia nilaza teo anatrehan’i Jônatasy hoe: «Inona no nataoko? Inona no heloko? Ary inona no fahadisoako teo anatrehan-drainao no dia mitady ny aiko izy?»

2 Dia hoy i Jônatasy taminy: «Sanatria izany! Tsy ho faty ianao. Tsy misy tsy ambaran’idada ahy izay ataony, na zava-dehibe na zavatra kely; ka ahoana ange no hanafenany an’izany amiko? Tsy misy izany mihitsy!»

3 Fa namaly tamim-pianianana i Davida nanao hoe: «Fantatry ny rainao marimarina, fa nahita fitia eo imasonao aho, ka hoy izy: Aoka tsy ho fantatr’i Jônatasy izany, fandrao malahelo izy. Kanefa toy ny mahavelona an’i Iaveh sy ny mahavelona ny ainao dia marina raha tsy iray dia monja no elanelako amin’ny fahafatesana!»

4 Dia hoy i Jônatasy tamin’i Davida: «Na inona na inona ambaran’ny fanahinao, dia hataoko ho anao avokoa.»

5 Ary hoy i Davida tamin’i Jônatasy: «Izao àry: rahampitso no tsinam-bolana, ka tokony hipetraka eo anilan’ny mpanjaka amin’ny sakafo aho; avelao aho handeha dia hiery any an-tsaha, mandra-paharivan’ny andro fahatelo.

6 Ary raha tsikaritry ny rainao fa tsy eo aho, dia ataovy hoe: Niera tamiko i Davida mba hikaretsaka kely any Betlehema tanànany, fa atao ao ny sorona fanao isan-taona ho an’ny fianakaviany rehetra.

7 Ka raha ataony hoe: Tsara izany, dia mahazo mandry tsy amin’ahiahy ny mpanomponao. Fa raha tezitra kosa izy, dia fantaro fa efa ifofoany mihitsy ny ratsy.

8 Ka manaova soa amin’ny mpanomponao, fa fanekem-pihavanana natao tamin’ny anaran’i Iaveh no nanintonanao ny mpanomponao ho ato aminao. Raha misy hadisoana ato amiko dia ny tenanao mihitsy mamono ahy, fa inona indray no hitondranao ahy any amin-drainao?»

9 Dia hoy i Jônatasy taminy: «Halaviro anao izany hevitra izany! Fa raha fantatro marina fa efa tapaka ao an-tsain’idada ny hanao ratsy hahavoa anao dia ianiànako ny hilaza izany aminao.»

10 Ary hoy i Davida tamin’i Jônatasy: «Iza anefa no hilaza izany amiko, na izay teny sarotra havalin-drainao?»

11 Ka hoy i Jônatasy tamin’i Davida: «Andeha àry isika hivoaka ho any an-tsaha.» Dia nankany an-tsaha izy roa lahy.

12 Ary hoy i Jônatasy tamin’i Davida: «I Iaveh Andriamanitr’i Israely! Hotsapaiko idada rahampitso na rahafakampitso, ka raha tsy misy atahorana ny amin’i Davida, ka tsy maniraka hilaza izany aminao aho,

13 dia aoka hoentin’i Iaveh amin’izay ngidiny indrindra i Jônatasy. Ary raha ny hanisy ratsy anao no sitrak’idada dia hampandrenesiko izany koa ianao, ka halefako mba handehananao amim-piadanana, ary homban’i Iaveh anao, toy ny nombany an’idada.

14 Ary raha mbola velona ihany aho, dia aoka ny hatsaram-pon’i Iaveh no hataonao amiko,

15 ary raha maty aho, aoka tsy hoesorinao mandrakizay amin’ny fianakaviako ny hatsaram-ponao, na dia amin’izay handringanan’i Iaveh ny fahavalon’i Davida rehetra etỳ ambonin’ny tany aza».

16 Toy izany no nanaovan’i Jônatasy fanekem-pihavanana tamin’ny fianakavian’i Davida, ka namalian’i Iaveh ny fahavalon’i Davida.

17 Ary mbola nangataka mafy tamin’i Davida indray koa i Jônatasy, noho ny fitiavany azy, fa tia azy toy ny ainy izy.

18 Hoy i Jônatasy taminy: «Rahampitso izao no tsinam-bolana, ary ho hitan’ny olona fa foana ny toeranao.

19 Koa amin’ny andro fahatelo, midìna faingana dia mankanesa ao amin’ilay fitoerana nierenao androtry ny nitrangan’ilay raharaha, ka eo akaikin’ny vaton’i Ezela mitoetra.

20 Ary handefa zana-tsipìka telo mankamin’ny vato aho toy ny mikendry zavatra.

21 Ary indro hirahiko ny zazalahy hataoko hoe: Mandehana zahao ny zana-tsipìka.

22 Raha lazaiko amin’ny zazalahy hoe: Ireo aorianao ireo ny zana-tsipìka ka raiso! dia avia ianao, fa tsara tsy misy maninona ny aminao ka tsy misy atahorana, velona i Iaveh! Fa raha hoy aho amin’ilay zazalahy manao hoe: Ireo alohanao ireo ny zana-tsipìka! dia mandehana fa i Iaveh no mampandeha anao.

23 Ary ny amin’ny teny nifanaovantsika izaho sy ianao dia indro fa anelanelako izaho sy ianao, mandrakizay, i Iaveh».

24 Dia niery tany an-tsaha i Davida. Ary nony tonga ny tsinam-bolana, dia nipetraka hihinana teo amin’ny fanasana ny mpanjaka.

25 Ka araka ny fanao dia nipetraka teo amin’ny sezany ny mpanjaka, dia ilay seza manolotra ny rindrina, i Jônatasy nitsangana, ary i Abnera nipetraka teo anilan’i Saola, ary ny fipetrahan’i Davida dia foana.

26 Tsy niteny na inona na inona i Saola tamin’io andro io, fa nisy zavatra nahazo azy izay, hoy izy, ka tsy madio izy, eny tokoa tsy madio izy.

27 Nony ampitso, andro faharoan’ny volantsinana, mbola foana ihany ny fipetrahan’i Davida, ka hoy i Saola tamin’i Jônatasy zanany: «Nahoana ny zanak’i Isaï no tsy tonga tamin’ny fanasana, omaly sy androany?»

28 Dia hoy i Jônatasy namaly an’i Saola: «Niera nanao lemozy tamiko i Davida ho any Betlehema,

29 fa hoy izy: Avelao kely re aho handeha, fa misy fisoronam-pianakaviana ho anay any an-tanàna, sady nanafatrafatra ahy erỳ ny rahalahiko, ka raha mba nahita fitia teo imasonao ihany aho, avelao aho hankany, sady hizaha ny rahalahiko. Izany no antony tsy nahatongavany teto amin’ny latabatry ny mpanjaka».

30 Izay dia nirehitra tamin’i Jônatasy ny fahatezeran’i Saola ka hoy izy taminy: «Ry zana-behivavy ratsy sy maditra. Moa tsy fantatro fa misakaiza amin’ny zanak’i Isaï ianao? Ho fahafaham-baraka ho anao sy ho fahafaham-baraka ho an’ny kibon-dreninao izany!

31 Satria raha mbola velona etỳ ambonin’ny tany koa iny zanak’i Isaï iny dia tsy hisy fandriam-pahalemana ho anao sy ho an’ny fanjakanao. Koa ankehitriny, ampanalao izy hankatỳ amiko, fa zanaky ny fahafatesanaizy».

32 Namaly an’i Saola rainy, i Jônatasy, ka nanao taminy hoe: «Ahoana no hovonoina izy? Fa naninona izy?»

33 Dia nampandihizin’i Saola ny lefony, ndeha hamelezany azy. Fantatr’i Jônatasy fa nofofoin-drainy hovonoina tokoa i Davida.

34 Nitsangana i Jônatasy niala teo amin’ny latabatra tamim-pahatezerana mafy, ary tsy nety nihinan-kanina tamin’ny andro faharoan’ny volantsinana, satria nalahelo izy noho ity Davida dia nalain-drainy baraka.

35 Nony ampitso maraina, dia nankany an-tsaha i Jônatasy araka ny nifanekeny tamin’i Davida. Ka nisy zazalahy kely anankiray nanaraka azy. Hoy izy tamin’ilay zazalahy:

36 «Mandehana faingana, tadiavo ny zana-tsipìka halefako». Dia nihazakazaka razazalahy ka nalefan’i Jônatasy hihoatra azy ny zana-tsipìka.

37 Nony tonga teo amin’ny toerana nipetrahan’ny zana-tsipìka nalefan’i Jônatasy ny zazalahy, dia nantsoin’i Jônatasy ny zazalahy nataony hoe: «Moa tsy erỳ alohanao va ny zana-tsipìka?»

38 Ary nantsoin’i Jônatasy indray ny zazalahy nataony hoe: «Mihazakazaha faingana fa aza mijanonjanona». Dia noraisin’io zazalahin’i Jônatasy io ny zana-tsipìka, ary niverina nankeo amin’ny tompony izy.

39 Tsy nahalala na inona na inona ilay zazalahy, fa i Jônatasy sy i Davida no nahafantatra izany.

40 Dia nomen’i Jônatsy an-drazazalahy izay niaraka taminy ny fiadiany ka hoy izy taminy: «Mandehana ento mankany an-tanàna ireto».

41 Vao lasa ilay zazalahy dia nitsangana avy eny atsimo i Davida ary nidaboka tamin’ny tany dia niankohoka intelo, vao nifanoroka izy roa lahy, ka samy rafitra nitomanytamin’ny namany avy izy ireo; ary i Davida nanao ranomaso havozona mihitsy.

42 Dia hoy i Jônatasy tamin’i Davida: «Mandehana amim-piadanana, fa efa samy nianiana tamin’ny Anaran’i Iaveh izaho sy ianao, nanao hoe: I Iaveh no anelanelako, izaho sy ianao, ary ny taranakao sy ny taranako, mandrakizay».

Categories
1Samoela

1Samoela 21

1 Koa i Davida moa nitsangana dia lasa nandeha, fa i Jônatasy kosa niditra nankany an-tanàna.

Ny nijanonan’i Davida tany Nobe

2 Lasa nankany Nobe amin’i Akimeleka mpisorona i Davida ka taitra mafy i Akimeleka nitsena an’i Davida nanao taminy hoe: «Nahoana ity ianao no honjohonjonao irery, fa tsy misy miaraka aminao?»

3 Dia hoy ny navalin’i Davida tamin’i Akimeleka mpisorona: «Nomen’ny mpanjaka didy aho, nataony hoe: Aoka tsy hisy olona hahalala ny raharaha nanirahako anao, sy nanomezako didy anao. Ka nomeko fotoana any Ananona any ny olona momba ahy.

4 Ary amin’izao kosa inona no vonona eo am-pelatananao izao? Omeo mofo dimy aho eto an-tanako na izay sendra hita».

5 Ary hoy ity mpisorona namaly an’i Davida hoe: «Tsy misy mofo fihinana eto amiko, mofo voahasina no misy; tsy maintsy ho nifady vehivavy ahay anefa ny olona».

6 Ka hoy i Davida namaly ny mpisorona nanao hoe: «Hatramin’ny nandehanako hateloana izay no efa nifady vehivavy izahay, sady masina koa ny kapaoky ny olona miaraka amiko, ka na tsy masina aza ny dia, ny amin’ny momba ny kapaoka kosa dia voahasina».

7 Dia nomen’ny mpisorona mofo voahasina izy, fa tsy nisy mofo hafa teo afa-tsy ny mofo aseho, izay efa nesorina teo anoloan’i Iaveh mba hosoloina ny mofo mafana amin’ny fotoana fanesorana azy.

8 Tao indrindra ny lehilahy anankiray amin’ny mpanompon’i Saola tamin’izay andro izay, fa voahazona teo anatrehan’i Iaveh; I Dôega Edômita no anarany, ary lehiben’ny mpiandry ny ondrin’i Saola izy.

9 Ary hoy i Davida tamin’i Akimeleka: «Tsy misy lefona na sabatra va ato aminao? Fa tsy naharay ny sabatro na ny fiadiana hoentiko akory aho fa maika ny raharaha nandidian’ny mpanjaka ahy».

10 Dia hoy ny navalin’ny mpisorona: «Ny sabatr’i Gôliata, ilay Filistinina, izay novonoinao tao amin’ny lohasahan’ny Terebinta no ao, indro mifono ny lamba kapaoty ao ivohon’ny efôda ao izy. Ka raha tianao hoentina iny, dia ento, fa tsy misy afa-tsy iny eto.» Ary hoy i Davida: «Tsy misy hoatra an’iny, ka omeo ahy iny.»

I Davida tany amin’ny Filistinina

11 Nitsangana i Davida ary androtr’izay ihany dia nandositra lavitra an’i Saola, ka tany amin’i Akisa mpanjakan’i Geta no nalehany.

12 Ary hoy ny mpanompon’i Akisa taminy: «Tsy io va no Davida, mpanjakan’ny tany? Tsy io va no nanaovana hira arahim-pandihizana hoe:

‹Arivoarivo no matin’i Saola,

Ary alinalina no matin’i Davida?› »

13 Nieritreritra ny amin’izany teny izany i Davida, ka raiki-tahotra mafy an’i Akisa mpanjakan’i Geta.

14 Dia nody adala teo anatrehan’izy ireo sy niseho ho very saina teo am-pelatanany izy: noveleziny, nataony langoroany ny lela vavahady; ary navelany hitsororoka amin’ny somony ny ranon’iviny.

15 Ka hoy i Akisa tamin’ny mpanompony: «Hitanareo fa adala io lehilahy io, ka ahoana no nitondranareo azy atỳ amiko?

16 Tsy ampy olona adala ato amiko angaha no itondranareo an’io, hanondrana eto anatrehako? Io ve dia tokony hiditra izay tranoko akory?»

Categories
1Samoela

1Samoela 22

Manomboka fiainana mivezivezy i Davida

1 Niala teo i Davida ka nandositra tany amin’ny zohin’i Odolama. Nony nandre izany ny rahalahiny sy ny fianakavian-drainy rehetra, dia nidina nankany aminy koa.

2 Ary niangona teo aminy avokoa ny nampahorîna, ny ananan’olon-trosa, ny manana alahelo rehetra, ka tonga filohan’ireo izy, ary nisy sahabo ho efajato lahy no teo aminy.

3 Avy eo i Davida dia nankany Masfà any Moaba, ka nanao tamin’ny mpanjakan’i Moaba hoe: «Raha sitrakao, aoka homena malalaka hihataka aty aminao ny ray aman-dreniko, mandra-pahafantatro izay hanaovan’Andriamanitra ahy».

4 Dia nentiny ho eo anatrehan’ny mpanjakan’i Moaba izy ireo, ka nonina teo aminy, mandritra ny fotoana rehetra nipetrahan’i Davida tao amin’ny fitoerana mimanda.

5 Hoy ny mpaminany Gada tamin’i Davida nanao hoe: «Aza mitoetra amin’ny fitoerana mimanda ianao, fa mandehana miverina any amin’ny tanin’i Jodà.» Dia lasa i Davida nankany amin’ny ala Hareta.

Ny namonoana an’ireo mpisoron’i Nobe

6 Ren’i Saola fa hoe hita i Davida sy ny olona niaraka taminy. Tamin’izay i Saola nipetraka tao Gabaà, tambanin’ny tamariska teo an-kavoana, nitana lefona teny an-tanany; ary nilahatra nanodidina azy ny mpanompony rehetra.

7 Niteny tamin’ny mpanompony nilahatra teo anoloany i Saola nanao hoe: «Mihainoa, ianareo Benjaminita: Moa ve ny zanak’i Isaï hanome anareo rehetra saha aman-tanimboaloboka koa, hanao anareo rehetra ho tomponarivo aman-tompon-jato,

8 no dia iray tetika hamely ahy ianareo rehetra, ka tsy mba nisy nilaza tamiko fa nanao fanekena tamin’ny zanak’i Isaï ny zanako, sady tsy nisy malahelo ahy amin’izany ianareo na nampandre ahy, fa ny zanako nampiodina ny mpanompoko tamiko, hamelarany fandrika amiko, araka izao ataony ankehitriny izao?»

9 Dia hoy i Dôega ilay Edômita lehiben’ny mpanompon’iSaola namaly azy: «Hitako tonga tany Nobe, tao amin’i Akimeleka zanak’i Akitoba, ny zanak’i Isaï.

10 Ary i Akimeleka nanontany an’i Iaveh ho azy, sy nanome vatsy azy, sady nanome azy ny sabatr’i Gôliata Filistinina».

11 Nampiantsoin’ny mpanjaka i Akimeleka mpisorona, zanak’i Akitoba, mbamin’ny fianakavian-drainy rehetra dia ireo mpisorona tany Nobe.

12 Dia nankany amin’ny mpanjaka izy rehetra ireo, ka hoy i Saola: «Henoy, ry zanak’i Akitoba.» Ary hoy ny navalin’io: «Inty aho tompoko!»

13 Hoy i Saola taminy: «Nahoana ianao sy ny zanak’i Isaï no niray tetika hamely ahy? Fa nanome mofo sy sabatra azy ianao, ary nanontany an’Andriamanitra ho azy mba hikomiany amiko sy hamelarany fandrika amiko toy izao ankehitriny izao?»

14 Fa namaly ny mpanjaka i Akimeleka ka nanao hoe: «Iza moa amin’ny mpanomponao rehetra no tahaka an’i Davida, mahatoky indrindra, vinanton’ny mpanjaka, mpanolo-tsaina anao, sady manan-kaja ao an-tranonao?

15 Ary moa vao androany va aho no nanomboka nanontany an’Andriamanitra ho azy? Sanatria ahy izany! Ka aoka re ny mpanjaka tsy handidy ny mpanompony, amin’izao zavatra mety hahatratra ny ankohonan’ikaky rehetra izao, fa tsy mahalala na kely na be amin’izany velively akory ny mpanomponao».

16 Hoy ny mpanjaka: «Hovonoina ianao, ry Akimeleka, dia ianao sy ny ankohonan-drainao rehetra!»

17 Dia hoy ny mpanjaka tamin’ireo miaramila mpanotrona azy nitsangana teo akaikiny: «Mihodìna ka vonoy ny mpisoron’i Iaveh! fa momba an’i Davida ny tanan’ireo; nahalala azy ho mandositra ireo, nefa tsy nilaza izany tamiko akory». Tsy nety naninjitra ny tanany hamely ny mpisoron’i Iaveh anefa ny mpanompon’ny mpanjaka.

18 Ka hoy ny mpanjaka tamin’i Dôega: «Mihodìna, ianao ka vonoy ny mpisorona!» Dia nihodina i Dôega ilay Edômita ka izy no mamono ny mpisorona, ary olona valopolo lahy samy manao efôda rongony no matiny tamin’izay andro izay.

19 Nasian’i Saola tamin’ny lelan-tsabatra koa i Nobe, tanàna-mpisorona, ka matin’ny sabatra avokoa, na lahy na vavy, na ankizy madinika na zaza minono, na omby na ampondra na ondry.

20 Anankiray ihany tamin’ny zanak’i Akimeleka zanak’i Akitoba no afa-nandositra; Abiatara no anarany, ary nandositra tany amin’i Davida izy.

21 Nambaran’i Abiatara tamin’i Davida ny namonoan’i Saola ny mpisoron’i Iaveh.

22 Ka hoy i Davida tamin’i Abiatara: «Efa fantatro androtr’izay ihany fa i Dôega Edômita izay tao tamin’izay dia tsy maintsy hilaza amin’i Saola. Koa izaho no antony namonoana ny fianakavian-drainao rehetra.

23 Mijanòna atỳ amiko, ary aza matahotra, fa izay mitady ny aiko mitady ny ainao koa, ka ho tsara ambina ianao eto anilako.»

Categories
1Samoela

1Samoela 23

I Davida tany Keilà

1 Ary nisy olona tonga nilaza tamin’i Davida hoe: «Indreo ny Filistinina mamely an’i Keilà, sady mamabo eny am-pamoloana.»

2 Dia nanontany an’i Iavehi Davida nanao hoe: «Handeha hamely izao Filistinina izao va aho?» Ary hoy ny navalin’i Iaveh an’i Davida: «Mandehana fa handresy ny Filistinina ianao sy hanafaka an’i Keilà.»

3 Hoy anefa ny olon’i Davida taminy: «Indro fa atỳ Jodà aza isika ity matahotra, ka mainka izany hoe ho any Keilà hiady amin’ny miaramilan’ny Filistinina!»

4 Dia nanontany an’i Iaveh indray i Davida, ka hoy i Iaveh namaly azy: «Mitsangàna ianao, midìna any Keilà, fa hatolotro eo an-tananao ny Filistinina».

5 Dia nandeha i Davida nankany Keilà niaraka tamin’ny olona momba azy, ka niady tamin’ny Filistinina. Nahorony ny biby fiompiny, ary nandresy azy mafy dia mafy izy. Izany no namonjeny ny mponina tao Keilà.

6 Fony i Abiatara zanak’i Akimeleka nandositra tany amin’i Davida any Keilà, dia nidina izy nitondra ny efôda eo an-tanany.

7 Nisy nilaza tamin’i Saola fa hoe nankany Keilà i Davida, ka hoy i Saola hoe: «Natolotr’Andriamanitra eo an-tanako izy, fa nanao izay mahatafahidy azy izy nankany amin’ny tanàna misy vavahady sy hidiny».

8 Ka nantsoin’i Saola ny olona rehetra hiantafika hidina any Keilà sy hanao fahirano an’i Davida sy ny olony.

9 Fa rehefa fantatr’i Davida kosa fa niomana hanisy ratsy azy i Saola, dia hoy izy tamin’i Abiatara mpisorona: «Ento atỳ ny efôda.»

10 Dia hoy i Davida: «Ry Iaveh Andriamanitr’i Israely ô, nandre ny mpanomponao fa mioman-ko avy atỳ Keilà i Saola mba handrava ny tanàna noho ny amiko.

11 Ka moa hatolotry ny mponina eto Keilà eo an-tanany va aho? Ary moa hidina va i Saola araka ny ren’ny mpanomponao? Ho sitrakao anie ny hanambara izany amin’ny mpanomponao, ry Iaveh Andriamanitr’i Israely!» Dia hoy i Iaveh namaly: «Hidina izy.»

12 Ary hoy i Davida: «Moa hatolotry ny mponina eto Keilà eo an-tanan’i Saola va aho sy ny oloko?» Ka hoy i Iaveh: «Hatolony azy ianao.»

13 Dia niainga i Davida sy ny olony, sahabo ho enin-jato lahy, ka niala tao Keilà, ka dia nandeha nankatsỳ nankarỳ nanao anjoanjo tany. Nony ren’i Saola fa hoe nandositra niala tao Keilà i Davida dia niato tsy nandeha izy.

14 Nonina tany an’efitra i Davida tao amin’ny fitoerana mimanda, dia nitoetra tao amin’ny tendrombohitra amin’ny efitr’i Zifa. Nitady azy isan’andro i Saola, fa tsy natolotr’Andriamanitra teo an-tanany izy.

I Davida tany Zifa, novangian’i Jônatasy

15 Fantatr’i Davida fa niainga niantafika hanala ny ainy i Saola ary i Davida nitoetra tao amin’ny efitr’i Zifa, any anaty ala.

16 Dia niainga nankany amin’i Davida tany an’ala i Jônatasy zanak’i Saola. Nankahery ny tanany ao amin’Andriamanitraizy ka nanao taminy hoe:

17 «Aza matahotra fa ny tanan’i Saola raiko tsy hahazo anao. Ianao hanjaka amin’i Israely, ary izaho no ho lefitrao manaraka anao, fantatr’i Saola raiko tsara izany».

18 Dia nanao fanekem-pihavanana teo anatrehan’i Iaveh izy roa lahy; ka i Davida nijanona tany an’ala ary i Jônatasy niverina nody any aminy.

I Davida saika azon’i Saola

19 Ary niakatra nankany amin’i Saola tany Gabaà, ny Zifianina, ka nilaza hoe: «Miery any aminay i Davida ao amin’ny fitoerana mimanda any an’ala, amin’ny havoan’ny Hakilà, atsimon’ny tany lava volo.

20 Koa araka ny fanirian’ny fanahinao rehetra dia midìna, ry mpanjaka, fa anay ny manolotra azy eo an-tanan’ny mpanjaka».

21 Dia hoy i Saola: «Hotahin’i Iaveh anie ianareo noho izao famindram-ponareo amiko izao.

22 Ary miangavy anareo aho, mandehana tilio tsara indray aloha, fantaro ka zahao avokoa ny toerana alehany sy ny olona nahita azy tao, fa konjolahy anie izy izay, hono!

23 Ka zahao sy fantaro avokoa ny toerana rehetra fiereny, dia miverena atỳ amiko mitondra fanoroana izany mazava, dia handeha miaraka aminareo aho. Fa raha eto amin’ny tany koa iny dia hokarohiko amin’ny arivon’i Jodàrehetra.»

24 Koa dia niainga ireo nankany Zifa hialoha an’i Saola. Fa i Davida sy ny olony izany efa nankany amin’ny efitr’i Maona, amin’ny tany lemaka, atsimon’ny tany lava volo.

25 Ary niainga i Saola sy ny olony hikaroka. Nony nandre izany i Davida dia nidina tao amin’ny haram-bato, ka nitoetra teo an’efitr’i Maona i Davida. Nandre izany i Saola, dia nanenjika an’i Davida tany amin’ny efitr’i Maona.

26 I Saola moa nandeha tamin’ny ilan’ny tendrombohitra iray, i Davida sy ny olony kosa tamin’ny ilan’ny tendrombohitra iray. Niezaka i Davida mba tsy ho tratran’i Saola, ka i Saola sy ny olony kosa nanodidina an’i Davida sy ny olony hisambotra azy ireo.

27 Dia inty nisy iraka anankiray tonga nanatona an’i Saola nanao hoe: «Avia faingana ianao fa mananika ny tany ny Filistinina!» Ka natsahatr’i Saola ny fanenjehana an’i Davida, ka lasa hifanena amin’ny Filistinina izy. Izany no nanaovana io toerana io hoe Sela-Hamaklekôty.

Categories
1Samoela

1Samoela 24

I Davida mitsimbina an’i Saola

1 Ary teo i Davida dia niakatra hipetraka tao amin’ny fitoerana mimanda ao Engadi.

2 Nony tafaverina avy nanenjika ny Filistinina i Saola dia nisy tonga nilaza taminy hoe: «Indro i Davida any an’efitr’i Engadi.»

3 Dia naka telo arivo lahy voafantina tamin’i Israely rehetra i Saola ka nandeha nitady an’i Davida sy ny olony, hatrany amin’ny vatolampin’ny osy dia.

4 Tonga tamin’ny valan’ondry izay tao amoron-dalana izy ary nisy zohy tao ka nidiran’i Saola hiavela; nefa i Davida sy ny olony, izany, nipetraka tao amin’ny faravody zohy.

5 Ary hoy ny olon’i Davida taminy: «Inty no andro nolazain’i Iaveh taminao hoe: Indro hatolotro eo an-tananao ny fahavalonao, ka ataovy izay sitrakao.» Dia nitsangana i Davida ka nanapahany antsokosoko ny sisin-kapaotin’i Saola.

6 Nitepotepo mafy ny fon’i Davidataorian’izany, noho ny nanapahany ny sisin-kapaotin’i Saola.

7 Ka hoy izy tamin’ny olony: «Hampanalavirin’i Iaveh ahy anie, ny hanao izany zavatra izany amin’ny tompoko, izay voahosotr’i Iaveh, ka hamely azy amin’ny tanako, satria izy no ilay voahosotr’i Iaveh.»

8 Izany no nisakanan’i Davida ny olony sy tsy namelany azy hiantoraka amin’i Saola. Dia nitsangana i Saola hivoaka ny zohy, ka nanohy ny diany.

9 Izay i Davida vao nitsangana koa sy nivoaka ny zohy ary rafitra niantsoantso an’i Saola nanao hoe: «Ry mpanjaka tompoko ô!» Niherika nijery i Saola, dia niondrika tamin’ny tany i Davida ka niankohoka.

10 Ary hoy i Davida tamin’i Saola hoe: «Nahoana ianao no dia maka ny vavan’olona hoe: ‹Indro fa mitady hanisy ratsy anao i Davida?›

11 Kanefa indro nahita maso ianao androany izay nanoloran’i Iaveh anao teo an-tanako androany tao an-johy, ka ny olona nilaza tamiko mba hamono anao. Nefa namindra fo taminao aho, fa hoy izaho: Tsy haninjitra ny tanako amin’ny tompoko aho, fa voahosotr’i Iaveh izy.

12 Jereo kely ange, ry ikaky, jereo ity sisin-kapaotinao eto an-tanako! Ary raha ny sisin-kapaotinao, notinapako, nefa ny tenanao tsy novonoiko, dia ekeo ary zahao fa ny fitondran-tenako tsy misy ratsy na fikomiana ary tsy nanota taminao aho. Ianao kosa manenjika ny aiko hanala azy amiko!

13 Ka aoka i Iaveh no hitsara ahy sy ianao ary aoka i Iaveh no hamaly anao noho ny amiko, fa ny tanako tsy hamely anao.

14 Ny ratsy fanahy no iavian’ny haratsiam-panahy, hoy ny ohabolana fahagola, koa tsy hamely anao ny tanako.

15 Hanenjika an’iza moa no dia niaingan’ny mpanjakan’i Israely? Iza no enjehinao? Amboa maty ve? parasy ve?

16 Aoka i Iaveh hitsara ahy sy ianao, ary hanapaka ny amintsika. Aoka hitsinjo sy handahatra ho ahy izy, ka hanafaka ahy amin’ny tananao ny didim-pitsaràny.»

17 Nony vitan’i Davida ny filazana izany teny izany tamin’i Saola, dia hoy i Saola: «Feonao tokoa va izany, ry Davida, zanako ô!» Sady nanandra-peo i Saola ary nitomany.

18 Hoy izy tamin’i Davida: «Marina noho izaho ianao, fa soa no nataonao tamiko, nefa ratsy kosa no navaliko anao.

19 Nasehonao ny hatsaram-ponao amiko androany fa nanolotra ahy eo an-tananao i Iaveh, nefa ianao kosa tsy nahafaty ahy.

20 Raha misy olona mifanena amin’ny fahavalony, moa avelany hanohy ny diany soa aman-tsara izy va? Hovalian’i Iaveh soa anie ianao, noho izay nataonao tamiko androany izay.

21 Ary ankehitriny fantatro fa ho mpanjaka ianao, ary ho tafatoetra eo an-tananao ny fanjakan’i Israely.

22 Koa mianiàna amiko, amin’i Iaveh, fa tsy handringana ny fara aman-dimbiko any aoriako ianao, ary tsy hamono ny anarako eo amin’ny taranaky ny raiko.»

23 Dia nianiana izany tamin’i Saola i Davida. Ary i Saola lasa nody any an-tranony, ary i Davida sy ny olony nankany amin’ny toerana mimanda.