Categories
2Samoela

2Samoela 14

1 Hitan’i Jôaba zanak’i Sarvià fa nitodika nankany amin’i Absalôma ny fon’ny mpanjaka.

2 Dia naniraka ho any Tekoa hitady vehivavy fetsy anankiray i Jôaba ka nilaza taminy hoe: «Modia misaona ianao, manaova akanjo fisaonana, aza mihosotra diloilo, ary manahafa vehivavy mandala olo-maty efa ela be ihany.

3 Ho avy ao amin’ny mpanjaka ianao ka izao no resaka hataonao aminy…» Dia nataon’i Jôaba tao am-bavany ny teny holazainy.

4 Tonga ravehivavy avy any Tekoa hiresaka amin’ny mpanjaka. Lavo niankohoka tamin’ny tany izy vao niteny hoe: «Vonjeo aho, ry mpanjaka ô!»

5 Hoy ny mpanjaka taminy: «Maninona ianao?» Hoy ravehivavy: «Mpitondra tena aho, fa maty ny vadiko.

6 Ary roa lahy no zanaky ny ankizy vavinao, nifanditra teny an-tsaha izy roa lahy; ary satria tsy nisy nampisaraka azy dia novonoin’ny anankiray ity rahalahiny ka maty.

7 Ary indro nitsangana ny tamingana rehetra hamely ny ankizy vavinao, ka nanao hoe: Atolory ilay namono ny rahalahiny, dia hataonay maty izy hanefa ny ain’ny rahalahiny izay novonoiny, ka hataonay levona hatramin’ny mpandova aza! Ka izay tapa-porohana sisa amiko dia hovonoiny, mba tsy hisy tavela hamelo-maso ny anaran’ny vadiko na handimby azy eto ambonin’ny tany.»

8 Hoy ny mpanjaka tamin-dravehivavy: «Modia any an-tranonao, fa izaho hanome didy momba ny aminao.»

9 Hoy ravehivavy avy any Tekoa tamin’ny mpanjaka: «Aoka ny tenako, ry mpanjaka tompoko, aoka ny fianakavian-draiko no hiharan’ny ota, fa aza ny mpanjaka na ny sezam-panjakany no ho voan’izany!»

10 Hoy ny mpanjaka: «Raha mbola misy manelingelina anao, dia ento atỳ amiko izy, tsy hanohina anao intsony izy.»

11 Dia hoy izy: «Aoka hantsoin’ny mpanjaka i Iaveh Andriamanitrao, mba tsy hampitomboan’ny mpamaly rany loza, ka tsy hamonoany ny zanakao!»

Hoy ny navaliny: «Toy ny maha-velona an’i Iaveh, dia tsy hisy hihintsana amin’ny tany ny volon-dohan’ny zanakao, na iray aza.»

12 Hoy ravehivavy: «Aza mahafady ny ankizy vavinao, fa hilaza teny indraimbava amin’ny mpanjaka tompoko aho, raha sitrakao.» Hoy ny navaliny: «Lazao.»

13 Dia hoy ravehivavy: Nahoana ianao no nanao hevitra toy izany amin’ny vahoakan’Andriamanitra- milaza ny tenany ho diso ny mpanjaka mamoaka izany teny fitsarana izany – dia ny amin’ny tsy fampiverenan’ny mpanjaka an’ilay nataony sesitany.

14 Fa ho faty marina isika: toy ny rano raraka an-tany ka tsy miangona intsony isika; Andriamanitra tsy manala ny aina, ary mamorona izay hevitra tsy hahatafajanona lavitra azy ilay voasesitany.

15 Ary ankehitriny kosa notairin’ny vahoakaaho no tonga nilaza izany zavatra izany tamin’ny mpanjaka tompoko; ka hoy ny ankizy vavinao: hiresaka amin’ny mpanjaka aho, sao ataon’ny mpanjaka tokoa izay holazain’ny ankizy vavinao.

16 Eny, fa hihaino ny mpanjaka mba hanafaka ny ankizy vaviny eo an-tanan’olona izay mitady hanesotra ahy sy ny zanako eo amin’ny lovan’Andriamanitra.

17 Efa niteny ny ankizy vavinao hoe: Aoka hampahazo fiadanana ahy ny tenin’ny mpanjaka tompoko. Fa tahaka ny Anjelin’Andriamanitra ny mpanjaka tompoko, hihaino ny tsara sy ny ratsy. Ary homba anao anie i Iaveh Andriamanitrao.

18 Namaly ny mpanjaka ary nilaza tamin-dravehivavy nanao hoe: «Aza misy afeninao izay hanontaniako anao.» Hoy ravehivavy: «Aoka hiteny ny mpanjaka tompoko!»

19 Ary hoy ny mpanjaka: «Moa momba anao va ny tanan’i Jôaba amin’izao rehetra izao?» Hoy ny navalin-dravehivavy: «Marina amin’ny maha-velona ny fanahinao, ry mpanjaka tompoko, tsy misy hiviliana na ho any ankavanana na ho any ankavia izay rehetra lazain’ny mpanjaka tompoko. Eny, i Jôaba mpanomponao no nandidy ahy sy nanao izao teny rehetra izao eo am-bavan’ny ankizy vavinao.

20 Ny mba hanarona ny endriky ny raharaha no nanaovan’i Jôaba mpanomponao an’izany fa hendry toy ny Anjelin’Andriamanitra ny tompoko hahalala ny zavatra rehetra mitranga eto ambonin’ny tany.»

21 Hoy ny mpanjaka tamin’i Jôaba: «Indro, hataoko izany, koa andeha hampody ny tovolahy Absalôma.»

22 Lavo niankohoka tamin’ny tany i Jôaba, dia nisaotra ny mpanjaka, dia hoy i Jôaba: «Fantatry ny mpanomponao anio fa nahita fitia teo imasonao aho, ry mpanjaka tompoko, fa araka ny tenin’ny mpanompony no ataon’ny mpanjaka.»

23 Nitsangana i Jôaba, dia lasa tany Gesora, ary nentiny nody any Jerosalema i Absalôma.

24 Fa hoy ny mpanjaka: «Aoka ho any an-tranony izy, ka tsy hahita ny tavako.» Dia nankany an-tranony i Absalôma, ka tsy nahita ny tavan’ny mpanjaka.

Ny mombamomba an’i Absalôma

25 Tamin’i Israely rehetra tsy misy olona malaza tahaka an’i Absalôma noho ny hatsaran-tarehiny. Hatramin’ny faladiany ka hatramin’ny tampon-dohany tsy manan-kilema akory izy. Raha mihara-doha izy – isan-taona izy no nanao izany, raha nahavesatra azy ny volon-dohany, dia noharatany,

26 dia 200 siklano lanjan’ny volon-dohany, lanjan’ny mpanjaka.

27 Zanaka lahy telo no teraka tamin’i Absalôma sy zanaka vavy iray natao hoe: Tamara, vehivavy tsara tarehy io.

Nahazo famelan-keloka i Absalôma

28 Nipetraka roa taona tao Jerosalema i Absalôma tsy nahita ny tavan’ny mpanjaka.

29 Nampiantsoin’i Absalôma i Jôaba hirahiny hankao amin’ny mpanjaka, fa tsy nety nankeo aminy i Jôaba. Nampiantsoin’i Absalôma fanindroany, fa tsy nety nankao.

30 Tamin’izay dia hoy i Absalôma tamin’ny mpanompony: «Hitanareo ny sahan’i Jôaba manolotra ny ahy, misy orja ho azy ao, handeha doroy amin’ny afo.» Dia nampirehitra afo ny saha ireo mpanompon’i Absalôma.

31 Nitsangana i Jôaba nankao amin’i Absalôma tao an-tranony, ka nanao taminy hoe: «Nahoana no dia nampirehitra afo ny sahako ny mpanomponao?»

32 Hoy ny navalin’i Absalôma tamin’i Jôaba: «Indro fa naniraka hilaza aminao aho hoe: Avia atỳ fa hirahiko ho any amin’ny mpanjaka ianao, hanao aminy hoe: Haninona aho no niverina avy any Gesora? Tsaratsara kokoa ho ahy ny mbola any ihany. Koa ankehitriny dia te hahita ny tavan’ny mpanjaka aho, ary raha misy heloka atỳ amiko dia aoka hovonoiny aho!»

33 Lasa i Jôaba nanatona ny mpanjaka sy nitantara taminy izany zavatra izany. Dia nantsoiny i Absalôma, dia tonga tao amin’ny mpanjaka izy, ary niankohoka tamin’ny tany teo anatrehan’ny mpanjaka ary nanoroka an’i Absalôma ny mpanjaka.

Categories
2Samoela

2Samoela 15

Sain-dratsin’i Absalôma

1 Tatỳ aorian’izany nanomana kalesy iray sy soavaly ary olona dimampolo lahy izay nihazakazaka teo alohany i Absalôma.

2 Nifoha maraina koa i Absalôma dia nitoetra teo akaikin’ny lalana mankao am-bavahady, ka isaky ny nisy olona manana ady, nankao amin’ny mpanjaka hangataka fitsarana, dia nantsoin’i Absalôma izy nataony hoe: «Aninona no tanàna iavianareo?» ka nony namaly hoe: «Avy any ananona amin’ny fokon’i Israely ny mpanomponao,»

3 dia hoy i Absalôma taminy: «Etsy ange! tsara sy marina ny raharahanao, fa ny olona hihaino anao avy amin’ny mpanjaka no tsy misy.»

4 Ary nanampy indray i Absalôma nanao hoe: «Iza re no hanangana ahy ho mpitsara amin’ny tany? Fa na iza na iza manana ady aman-draharaha dia ho tonga atỳ amiko ka homeko ny rariny avokoa.»

5 Ary isaky ny misy olona manatona hiankohoka eo anoloany, dia tolorany tanana, ary noraisiny sy norohany.

6 Izany no nataon’i Absalôma tamin’ny olona rehetra amin’i Israely izay nankao amin’ny mpanjaka nangataka fitsarana, ka nangoleny ny fon’ny olona amin’i Israely.

Fikomian’i Absalôma

7 Nony afaka efa-taona dia hoy i Absalôma tamin’ny mpanjaka: «Raha sitrakao, avelao kely aho ho any Hebrôna, hanefa ny voady nataoko tamin’i Iaveh.

8 Fa fony nitoetra tany Gesora any Arama aho, dia nanao voady ny mpanomponao ka nanao hoe: Raha averin’i Iaveh any Jerosalema indray aho, dia hanompo an’i Iaveh aho.»

9 Ka hoy ny mpanjaka taminy: «Mandehana amim-piadanana!» Dia niainga izy nankany Hebrôna.

10 Nandefa iraka mangingina hitety ny fokon’i Israely rehetra i Absalôma nanao hoe: «Raha vao mandre ny feon’ny anjomara ianareo, dia lazao hoe: Manjaka ao Hebrôna i Absalôma!»

11 Ary nisy olona roan-jato lahy avy any Jerosalema niaraka tamin’i Absalôma, dia olona nasaina izy ireo ka nandeha tamim-pahatsoram-po, fa tsy nahalala na inona na inona.

12 Mbola eo am-panaterana ny sorona i Absalôma, dia naniraka haka an’i Akitôfela, Gilaônita, mpanolo-tsaina an’i Davida tany Gilaô tanànany. Nihamasaka fatratra ny firaisan-tetika hikomy, fa nitombo teo ihany ny vahoaka nomba an’i Absalôma.

Ny nandosiran’i Davida

13 Dia nisy olona tonga nilaza tamin’i Davida, nanao hoe: «Tafaraikitra amin’ny fanarahana an’i Absalôma ny fon’ny lehilahy amin’i Israely.»

14 Ka hoy i Davida tamin’ny mpanompony rehetra tao aminy tany Jerosalema: «Mitsangàna, andeha isika handositra, fa tsy misy hahafahantsika amin’i Absalôma. Andao faingana fandrao dia tampohiny isika, ka ataony idiran-doza eto, sady hasiany amin’ny lelan-tsabatra ny tanàna.»

15 Ary hoy ny mpanompon’ny mpanjaka taminy: «Na inona na inona no hevitra hotapahin’ny mpanjaka tompoko, dia indreto ny mpanomponao.»

16 Dia niainga ny mpanjaka, narahin’ny fianakaviany rehetra, nandeha an-tongotra; fa vaditsindrano folo no najanony hiandry trano.

17 Nivoaka ny mpanjaka niaraka tamin’ny olona rehetra, nandeha an-tongotra, ary nijanona teo amin’ny trano farany.

18 Ny mpanompony rehetra nandeha teny anindrany; ny Keretianina sy ny Feletianina, ary ny Geteanina rehetra enin-jato lahy, izay nanaraka azy hatrany Geta, dia nandeha teo alohan’ny mpanjaka.

19 Ary hoy ny mpanjaka tamin’i Etaia, Geteanina: «Nahoana kosa ity ianao no hiaraka aminay? Miverena hitoetra amin’ny mpanjaka, fa mpivahiny ianao, ary voasesitany tsy manam-ponenana.

20 Vao omaly no omaly ianao no tonga, ka anio sahady ve dia hoentiko hiara-majenjena aminay, nefa izaho aza ity tsy mahalala izay tany halehako akory? Koa miverena ianao, ary ento miaraka aminao koa ireo rahalahinao, fa ho aminao anie ny fahasoavana amam-pahamarinan’i Iaveh!»

21 Dia izao no navalin’i Etaia ny mpanjaka nataony hoe: Velona i Iaveh ary velona koa ny mpanjaka tompoko!

Fa na ho aiza na ho aiza ny mpanjaka, na ho faty na ho velona, dia ho ao koa ny mpanomponao.

22 Koa hoy i Davida tamin’i Etaia: «Andeha àry handroso». Dia nandeha i Etaia Geteanina, sy ny olona rehetra mbamin’ny zaza rehetra niaraka taminy.

23 Nitomany nikaikaika avokoa ny tany ama-monina tamin’ny nandalovan’ireo vahoaka rehetra ireo. Nony tafita ny ranon-driaka Sedrôna ny mpanjaka, dia nandroso tamin’ny tandrifin’ny lalana mankany an’efitra ny vahoaka.

Ny nanjò ny Fiara

24 Ary indro ny fiaran’Andriamanitra fa napetrak’i Sadôka, mbamin’ny Levita rehetra nitondra ny Fiaran’ny faneken’Andriamanitra, raha ilay niakatra iny i Abiatara, mandra-pahatapitry ny vahoaka rehetra nivoaka avy ao an-tanàna.

25 Dia hoy ny mpanjaka tamin’i Sadôka: «Ento miverina ao an-tanàna ihany ny Fiaran’Andriamanitra. Raha mahita fitia eo imason’i Iaveh aho dia mbola hoentiny miverina sy hataony mahita ny Fiara sy ny Fonenany ihany.

26 Fa raha hoy kosa izy: Tsy sitrako ianao! dia inty aho, izay heveriny ho mety no aoka hataony ahy.»

27 Izao koa no nolazain’ny mpanjaka tamin’i Sadôka mpisorona: «Ary ianao, ry mpahita, miverena ao an-tanàna amim-piadanana, miaraka amin’i Akimaasa zanakao sy i Jônatasy zanak’i Abiatara, izy roalahy zanakareo miaraka aminareo.

28 Jereo, izaho hijanonjanona any amin’ny tany lemakyny efitra, mandra-pahazoko teny avy atỳ aminareo mampandre ahy.»

29 Koa dia nentin’i Sadôka sy i Abiatara niverina tany Jerosalema ny Fiaran’Andriamanitra ka nitoetra tao izy.

Maka toky amin’ny fanampian’i Kosaia i Davida

30 Niakatra ny tendrombohitra Oliva i Davida, niakatra sy nitomany izy, sady nisaron-doha ary nandeha tsy nikiraro; ny vahoaka rehetra nanaraka azy koa nisaron-doha ary nitomany teny am-piakarana.

31 Ary nisy nilaza vaovao tamin’i Davida nanao hoe: «I Akitôfela koa, anisan’ny mpiray tetika amin’i Absalôma»; ka hoy i Davida: «Iaveh ô, mangataka aminao aho, ampanjario tsinontsinona ny hevitr’i Akitôfela.»

32 Nony tonga teo an-tampony i Davida teo amin’izay hivavahan’ny olona amin’Andriamanitra dia inty i Kosaia, ilay Arakita, tonga teo anatrehany, ka ny akanjony rovitra, ny lohany mihosim-bovoka.

33 Hoy i Davida taminy: «Raha mandeha miaraka amiko ianao, tonga enta-mavesatra ho ahy foana.

34 Fa raha miverina any an-tanàna kosa ianao ka milaza amin’i Absalôma hoe: Ry mpanjaka ô, te-ho mpanomponao aho; mpanompon-drainao aho taloha ka dia ho mpanomponao aho hatramin’izao, amin’izany ho voahodinao hahasoa ahy ny torohevitr’i Akitôfela.

35 Ho mpiaraka aminao ao koa i Sadôka sy i Abiatara mpisorona, ka hanambarànao izay rehetra ho renao ny amin’ny tranon’ny mpanjaka i Sadôka sy i Abiatara mpisorona.

36 Ary ao amin’izy ireo ny zanany roa lahy dia i Akimaasa zanak’i Sadôka sy i Jônatasy zanak’i Abiatara, ka ireo no hampandrenesanareo ahy izay rehetra ho renareo.»

37 Dia niverina nankany an-tanàna i Kosaia sakaizan’i Davida, ka tamin’izay indrindra no nidiran’i Absalôma tao Jerosalema.

Categories
2Samoela

2Samoela 16

I Davida sy i Sibà

1 Vao tafahoatra kely ny tampony i Davida dia inty i Sibà mpanompon’i Mifibôseta tonga nitsena azy, nitondra ampondra roa voaisy lasely, ka nibaby mofo roan-jato, ampempam-boaloboka maina zato, voankazo masaka zato, ary divay iray siny hoditra.

2 Dia hoy i Davida tamin’i Sibà: «Ny ampondra ho an’ny ankohonan’ny mpanjaka, hitaingenany, ny mofo amam-boankazo hihinanan’ny zatovo, ary ny divay hisotroan’izay reraka any an’efitra.»

3 Dia hoy ny mpanjaka: «Fa aiza ny zanaky ny tomponareo?» Ary hoy ny navalin’i Sibà tamin’ny mpanjaka: «Indro fa nijanona any Jerosalema izy», fa hoy izy: «Hampodin’ny taranak’i Israely amiko izao ny fanjakan’ikaky.»

4 Ka hoy ny mpanjaka tamin’i Sibà: «Indro fa anao avokoa izay rehetra nananan’i Mifibôseta.» Dia hoy i Sibà: «Mihohoka amin’ny faladianao aho, ka aoka hahita fitia eo imasonao aho, ry mpanjaka tompoko ô!»

I Semeià manozona an’i Davida

5 Nony tonga tao Bahorima ny mpanjaka, indro nisy lehilahy anankiray, atao hoe Semeià zanak’i Gerà, iray fianakaviana tamin’ny ankohonan’i Saola, nivoaka avy tao, dia nandroso izy sady nanozona,

6 ary nitora-bato an’i Davida mbamin’ny mpanompon’i Davida mpanjaka rehetra; ary ny vahoaka mbamin’ny lehilahy mahery kosa tamin’izay dia teo ankavanany sy teo ankaviany.

7 Izao no nentin’i Semeià nanozona azy: «Mandehana any, mandehana any, ry ilay mandatsa-dra, ry olon’i Beliala!

8 Indro natsingerin’i Iaveh aminao ny ran’ireo tamingan’i Saola rehetra izay nosoloanao toerana mba ho mpanjaka; natolony ho eo an-tanan’i Absalôma zanakao ny fanjakana ka indro fa hidiran-doza ianao izao, satria lehilahy mandatsa-dra ianao.»

9 Ka hoy i Abisaia zanak’i Sarvià tamin’ny mpanjaka: «Ahoana no anozonan’ilay alika maty io ny mpanjaka tompoko? Avelao kely aho handeha hanapaka ny lohan’io!»

10 Fa hoy ny navalin’ny mpanjaka: «Tsy manan-draharaha aminareo aho, ry zanak’i Sarvià! Aoka hanozona izy, satria fa raha i Iaveh no nanao taminy hoe: Ozony i Davida: zovy moa no hanao aminy hoe: Ahoana no anaovanao izany?»

11 Ary hoy i Davida tamin’i Abisaia sy ny mpanompony rehetra: «He, ny zanako naloaky ny kiboko aza ity mitady ny aiko; ka mainka fa io zana-Benjamina io! Avelao izy hanozona, fa didin’i Iaveh taminy izany.

12 Angamba hijery ny fahoriakoi Iaveh ka soa no hataon’i Iaveh amiko ho valin’izao ozona androany izao.»

13 Ary i Davida sy ny olony nanohy ny diany, fa i Semeià kosa nandeha tamin’ny kisolosolon’ny tendrombohitra akaikin’i Davida sady tsy nitsahatra ny nanozona azy, sy nitora-bato ary namafy vovoka.

14 Sasatra ny mpanjaka sy ny vahoaka rehetra nanaraka azy, no tonga tao… ary niala sasatra teo izy.

Nankany amin’i Absalôma i Kosaia

15 Niditra tao Jerosalema i Absalôma sy ny vahoaka rehetra, ny lehilahy amin’i Israely, ary niaraka taminy koa i Akitôfela.

16 Nony tonga nanatona an’i Absalôma i Kosaia, ilay Arakita, dia hoy i Kosaia tamin’i Absalôma nanao hoe: «Ho ela velona anie ny mpanjaka!»

17 Fa hoy i Absalôma tamin’ny Kosaia: «Izao ve no firaiketanao amin’ny sakaizanao? Nahoana no tsy mba nandeha niaraka tamin’ny sakaizanao ianao?»

18 Ary hoy i Kosaia tamin’i Absalôma: «Tsia fa ilay nofidin’i Iaveh sy ny vahoaka rehetra, mbamin’ny lehilahy rehetra amin’i Israely no tiako hombana, ka dia ny hitoetra aminy no tiako.

19 Sady iza moa no hotompoiko? Moa tsy ny zanany va? Toy ny efa nanompoako an-drainao ihany no hanompoako anao koa.»

I Absalôma sy ireo vaditsindranon’i Davida

20 Ka hoy i Absalôma tamin’i Akitôfela: «Manaova fivoriana fakan-kevitra ianareo, ny amin’izay tokony hataontsika.»

21 Dia hoy i Akitôfela tamin’i Absalôma: «Mandehana amin’ny vaditsindrano navelan-drainao hiandry trano, dia ho hitan’i Israely rehetra amin’izany fa manao izay hahatafintohina an-drainao aminao ianao, ka dia hihamaheryny tanan’izay rehetra momba anao.»

22 Dia nanangan-day teo ambonin’ny tafon-trano i Absalôma ka nandeha tamin’ny vaditsindranon-drainy, teo imason’i Israely rehetra, i Absalôma.

23 Toy ny teny avy amin’Andriamanitra ho an’izay manontany Azy, ny hevitra nomen’i Akitôfela tamin’izay, ary ny hevitra nomeny rehetra na tamin’i Davida, na tamin’i Absalôma dia toy izany koa.

Categories
2Samoela

2Samoela 17

Ravan’i Kosaia ny tetik’i Akitôfela

1 Ary hoy i Akitôfela tamin’i Absalôma: «Avelao aho hifantina lehilahy 22.000, dia hiainga hanenjika an’i Davida anio alina ihany.

2 Hirotsaka aminy tampoka aho, ilay mbola sasatra iny izy sy vizana ny tanany, dia hampivadi-po azy aho; ka ny vahoaka rehetra momba azy handositra, ary ny mpanjaka irery ihany no hasiako amin’izany,

3 dia hoentiko mankatỳ aminao indray ny vahoaka rehetra, fa io lehilahy tadiavinao hasiana io dia mety raha hesorina izy io, mba hiverenan’izy rehetra, dia hiadana ny vahoaka rehetra.»

4 Nankasitrahin’i Absalôma sy ny loholon’i Israely rehetra izany teny izany.

5 Nefa hoy i Absalôma: «Mba antsoy ihany koa i Kosaia, Arakita, mba handrenesantsika izay ao am-bavany koa.»

6 Nony tonga teo amin’i Absalôma i Kosaia dia hoy i Absalôma taminy: «Izao sy izao no tenin’i Akitôfela, ka tokony ataontsika va izay nolazainy? Raha tsy hatao izany dia mitenena ianao izao.»

7 Ary hoy ny navalin’i Kosaia nanao hoe: «Tsy mety ny hevitra nomen’i Akitôfela tamin’ity indray mitoraka ity.»

8 Ary nanampy teny i Kosaia nanao hoe: «Fantatrao fa be herim-po irainao sy ny olony. Mitroatra izy ireo izao hoatra ny orsa very anaka any an-tsaha izao. Lehilahy mpiady irainao, ka tsy mba miara-mitoetra amin’ny vahoakaizy amin’ny alina.

9 Indro fa miery izy ankehitriny any an-dava-driaka na any amin’ny fitoerana hafa any. Sady raha izao voalohany izao no misy lavony, dia ho ren’ny olona izany ka hataony hoe: Naharesy ny olona manaraka an’i Absalôma.

10 Ary amin’izay dia ho rera-po na izay mahery indrindra aza, na dia manana fo tahaka ny fon-diona aza izy, satria fantatr’i Israely rehetra fa irainao, lehilahy mahery fo indrindra, ny olona manaraka azy koa lehilahy mahery.

11 Ka izao kosa no hevitro: Aoka hivory eto aminao avokoa i Israely rehetra, hatrany Dana, ka hatrany Bersabea, izay maro toy ny fasika any amoron-dranomasina, dia ny tenanao mihitsy no handroso amin’ny ady.

12 Fa tsy maintsy azontsika iny, na aiza na aiza misy azy, sady ho toy ny filatsaky ny andoamin’ny tany no ho filatsaka aminy, ka tsy hisy havelantsika afaka, na izy na ny anankiray amin’ny olona rehetra ao aminy.

13 Na hihataka ho any amin’ny tanàna anankiray aza izy, dia hitondran’i Israely rehetra mahazaka izany tanàna izany, ka hotarihintsika ho any amin’ny ranon-driaka mandra-pahafoanany tsy misy intsony na dia vato iray aza.»

14 Dia hoy i Absalôma sy ny lehilahy rehetra amin’i Israely: «Aleo ny hevitr’i Kosaia Arakita toy izay ny hevitr’i Akitôfela.» Fa efa notapahin’i Iaveh ny mampanjary ho tsinontsinona ny hevitra tsara nomen’i Akitôfela, mba hampidiran’i Iaveh loza amin’i Absalôma.

15 Dia hoy i Kosaia tamin’i Sadôka sy i Abiatara mpisorona: «Izany sy izany no hevitra natoron’i Akitôfela an’i Absalôma sy ny loholon’i Israely ary izao sy izao kosa no hevitra nomeko.

16 Koa maniraha olona miaraka amin’izay hampandre an’i Davida ka asaovy lazainy aminy hoe: Aza mitoetra amin’ny tany lemaka any an’efitra anio alina, fa mità faingana fandrao azon’ny loza mafy indrindra na ny mpanjaka na ny vahoaka rehetra ao aminao.»

Nilazana i Davida ka niampita an’i Jordany

17 Nitoetra tao En-Rogela i Jônatasy sy i Akimaasa fa ny ankizy vavy ny nivoivoy nilaza tamin’izy ireo, ary izy ireo kosa no nandeha nanambara izany tamin’i Davida mpanjaka.

18 Nahatsikaritra azy ireo ny zazalahy anankiray, ka nilaza izany tamin’i Absalôma. Saingy nitsoaka faingana izy roa lahy, ka tonga tany Bahorima, amin’ny tranon’ity lehilahy anankiray, izay nisy lavaka fantsakana teo an-tokotaniny, dia nidina tao.

19 Ary nalain’ny vadin-dralehilahy kosa ny firakofana anankiray ka novelariny teo ambony lavaka fantsakana dia nanahazany voan-javatra voatoto, ka tsy fantatra velively ho inona.

20 Niditra tao amin-dravehivavy tao an-trano ny mpanompon’i Absalôma ka hoy izy hoe: «Aiza i Akimaasa sy i Jônatasy?» Fa hoy ravehivavy namaly azy: «Tafita ny renirano kely izy izay.» Dia nitady azy izy ireo, ka nony tsy nahita dia niverina nankany Jerosalema.

21 Rehefa lasa izy ireo, dia niakatra avy eo an-davaka fantsakana kosa izy roa lahy, ka nandeha nampandre izany tamin’i Davida mpanjaka. Hoy izy ireo tamin’i Davida: «Mitsangàna ianareo, ka mità faingana ny ony, fa izao sy izao no hevitra nomen’i Akitôfela hamelezana anareo.»

22 Dia niainga i Davida sy ny vahoaka rehetra tao aminy ka nita an’i Jordany. Nony maraina ny andro tsy nisy tsy tafita an’i Jordany izy ireo na dia iray aza.

23 Nony hitan’i Akitôfela fa tsy narahina ny heviny, dia nasiany lasely ny ampondrany ka niainga nandeha ho any amin’ny tany an-tanànany izy, ka nony efa nanafatra ny tao an-tranony dia nananton-tena ka maty izy, ary nalevina tao am-pasan-drainy.

Ary i Davida tonga any Mahanaîma

24 Tonga tao Mahanaîmai Davida, ary i Absalôma nita an’i Jordany mbamin’ny lehilahy rehetra amin’i Israely.

25 I Amasà no notendren’i Absalôma ho filohan’ny tafika solon’i Jôaba. I Amasà dia zanaky ny lehilahy anankiray atao hoe Jetrà, Ismaelita, izay nandeha tamin’i Abigaila, zanaka vavin’i Naasa, rahavavin’i Sarvià, renin’i Jôaba.

26 Dia tany amin’ny tany Galaada no nitoby i Israely sy i Absalôma.

27 Nony tonga tao Mahanaîma i Davida, dia indreo i Sôbì zanak’i Naasa, avy any Rabàn’ny taranak’i Amôna, sy i Makira, zanak’i Amiela, avy any Lôdobara, ary i Berzelaia Galaadita, avy any Rôgelima,

28 tonga nanatitra fandriana, vilia, kapoaka tany, frômenta, orja, lafarina, lango, tsaramaso, voanemba, lango,

29 tantely, dibera, ondry, ary frômazin’omby: nateriny izany mba hohanin’i Davida sy ny vahoaka tao aminy, fa hoy izy: «Nihafy tamin’ny hanoanana sy ny fahasasarana ary ny hetaheta any an’efitra ity vahoaka ity.»

Categories
2Samoela

2Samoela 18

Resy ny tarik’i Absalôma

1 Notsapain’i Davida ny toetry ny vahoaka tao aminy, ka nasiany tomponarivo sy tompon-jato.

2 Dia nalamin’i Davida ny vahoaka, ka ny ampahatelony, nataony fehin’i Jôaba, ny ampahatelony fehin’i Abiasia, zanak’i Sarvià, rahalahin’i Jôaba, ny ampahatelony fehin’i Etaia, Geteanina. Ary hoy ny mpanjaka tamin’ny vahoaka: «Izaho koa mba handeha hiaraka aminareo.»

3 Fa hoy ny vahoaka: «Aoka tsy handeha ianao, fa raha hampandosirina izahay raha izahay ihany dia tsy hahoany akory, na maty sasaka aza izahay, tsy ahoany akory; fa ianao kosa dia hoatra ny iray alina aminay, ka metimety kokoa raha avy atỳ an-tanàna ianao no handeha hamonjy anay.»

4 ary hoy ny navalin’ny mpanjaka azy ireo: «Izay sitrakareo no hataoko.» Dia nitsangana teo anilan’ny vavahady ny mpanjaka nandritra ny nivoahan’ny vahoaka voazara ho tsizatozato sy tsiarivoarivo.

5 Izao no didy nomen’ny mpanjaka an’i Jôaba sy i Abisaia ary i Etaia: «Tsimbino ilay zatovo Absalôma noho ny amiko». Ren’ny vahoaka rehetra fa nomen’ny mpanjaka didy momba an’i Absalôma ny filohan’ny tafika rehetra.

6 Dia nivoaka tany an-tsaha ny vahoaka hitsena an’i Israely, ka rafitra tao anaty alan’i Efraîma ny ady.

7 Resy tao ny vahoakan’i Israely teo anoloan’ny mpanompon’i Davida, ka vonoana olona be no tao androtr’izay, fa nisy roa alina no maty.

8 Nihahaka eran’ny tany ny ady, ka be ny matin’ala noho ny matin’ny sabatra tamin’izany andro izany.

Ny nahafatesan’i Absalôma

9 Sendra teo anoloan’ny mpanompon’i Davida i Absalôma. Nitaingina mole i Absalôma ary nitsofoka tao anatin’ny rantsan’ny terebinta mikirindro ny mole, dia voasingotry ny terebintany lohany, dia tafahantona teo anelanelan’ny lanitra sy ny tany izy, ary ny mole nitondra azy dia lasa nandroso.

10 Hitan’ny lehilahy anankiray izany ka tonga izy nilaza izany tamin’i Jôaba nanao hoe: «Indro hitako tafahantona tamin’ny terebinta atsy i Absalôma.»

11 Dia hoy i Jôaba tamin-dralehilahy nilaza izany vaovao izany taminy: «Hitanao izy hoe ka no tsy nasianao hiankapoka terỳ? Dia tsy maintsy ho nomeko volafotsy folo sikla sy fehin-kibo iray ianao.»

12 Fa hoy ny navalin-dralehilahy tamin’i Jôaba: «Tsia, tsy mba haninji-tanana amin’ny zanaky ny mpanjaka aho, na dia volafotsy lanjan’arivo sikla aza no ho mby eo an-tanako, satria samy nandre isika ny didy nomen’ny mpanjaka anao sy i Abiatara ary i Etaia hoe: Samia ianareo mitandrina tsy haninon-tsy haninona ny zatovo, Absalôma!

13 Ka raha namadika izany namono ny ainy aho, dia tsy misy miafina amin’ny mpanjaka akory, fa na dia ny tenanao aza hitsangana hanameloka ahy.»

14 Dia hoy i Jôaba: «Tsy te handany andro aminao aho.» Dia nataony an-tanana ny lefona telo, ka ilay mbola velona tao amin’ny hazo terebinta iny i Absalôma no notsatohany tamin’ny fony.

15 Nanodidina an’i Absalôma ireto zatovo folo lahy, mpitondra fiadian’i Jôaba, dia namono nahafaty azy izy ireo.

16 Notsofin’i Jôaba ny anjomara, ka niverina avy amin’ny fanenjehana an’i Israely ny vahoaka fa nohazonin’i Jôaba ny vahoaka.

17 Dia nalainy i Absalôma ka natsipiny tao anatin’ny lavaka lehibe, tao afovoan’ny ala, ary nasiany antontam-bato lehibe dia lehibe teo amboniny. Ary samy nandositra ho any an-dainy avy i Israely rehetra.

18 Fony fahavelony, i Absalôma dia efa nanao tsangam-batoho azy, tao amin’ny lohasahan’ny Mpanjaka, fa hoy izy: «Tsy mba manan-janaka lahy hamelo-maso ny anarako aho.» Dia nataony araka ny anarany ihany ny anaran’ilay tsangam-bato, ka Ny tanan’i Absalôma no fiantsoan’ny olona azy mandrak’androany.

Nilazana i Davida

19 Ary hoy i Akimaasa, zanak’i Sadôka: «Avelao kely aho hihazakazaka, hitondra ny vaovao any amin’ny mpanjaka, fa nomen’i Iaveh ny rariny izy, noafahany tamin’ny tanan’ny fahavalony.»

20 Fa hoy i Jôaba taminy: «Tsy hitondra ny vaovao anio ianao fa andro hafa ianao no hitondra, fa tsy mba anio no hitondra, satria maty ny zanaky ny mpanjaka.»

21 Dia Kosita anankiray no nilazan’i Jôaba hoe: «Mandehana lazao amin’ny mpanjaka izay efa hitanao.» Niankohoka teo anatrehan’i Jôaba ilay Kosita, dia lasa nandeha faingana.

22 Mbola niteny tamin’i Jôaba anefa i Akimaasa, zanak’i Sadôka, nanao hoe: «Na ho inona na ho inona, avelao ihany aho mba hihazakazaka hanaraka ilay Kosita!» Fa hoy i Jôaba: «Ahoana ianao no te-hihazakazaka, anaka? Tsy hahita soa amin’ny fitondrana izany vaovao izany anie ianao!»

23 Fa hoy ny navalin’i Akimaasa: «Na inona na inona hitranga dia hihazakazaka ihany aho.» Ka hoy i Jôaba taminy: «Mihazakazaha àry.» Dia nihazakazaka nihazo ny lalana amin’ny tany lemakai Akimaasa, ka tafahoatra an’ilay Kosita.

24 Nipetraka teo anelanelan’ny vavahadyroa i Davida. Ary niakatra teo ambonin’ny tafon’ny vavahady, teo ambonin’ny manda ny mpitily, ka nanopy ny masony, dia nahatazana, ka indro lehilahy anankiray mihazakazaka, ka izy irery ihany.

25 Niantso ny mpitily nampandre ny mpanjaka. Ka hoy ny mpanjaka: «Raha irery izy, dia zava-baovao tsara no ao am-bavany.» Mbola tamy manatona eo ihany ilay anankiray,

26 dia nisy olona anankiray nihazakazaka hitan’ity mpitily koa, ka niantso ny mpiandry vavahady ny mpitily nanao hoe: «Indro misy lehilahy anankiray mihazakazaka ka irery ihany izy.» Dia hoy ny mpanjaka: «Vaovao tsara koa no entin’izy io.»

27 Ary hoy ny mpitily: «Hitako fa fihazakazak’i Akimaasa zanak’i Sadôka no fihazakazak’ity voalohany.» Ka hoy ny mpanjaka: «Lehilahy tsara fanahy iny, ka vaovao tsara no iaviany.»

28 Niantso mafy i Akimaasa ka nanao tamin’ny mpanjaka hoe: «Fandresena!» Izay vao niankohoka tamin’ny tany, teo anatrehan’ny mpanjaka izy, nanao hoe: «Hankalazaina anie i Iaveh Andriamanitrao, fa efa nafoiny ny olona nanainga tanana hikomy amin’ny mpanjaka tompoko.»

29 Dia hoy ny mpanjaka: «Mba tsara tsy misy maninona va ny amin’ny zatovo, i Absalôma?» Ka hoy ny navalin’i Akimaasa: «Nahatazana vahoaka nitangorona aho, tamin’ny nanirahan’i Jôaba ny mpanompon’ny mpanjaka sy izaho mpanomponao koa, kanefa tsy mahalala aho na inona na inona izany.»

30 Dia hoy ny mpanjaka: «Mitanilà kely ary mitoera etsy àry ianao.» Koa nitanila kely izy dia nitoetra teo.

31 Dia indro tonga koa ilay Kosita, ka nanao hoe: «Aoka ny mpanjaka tompoko hihaino zava-baovao mahafaly, fa nomen’i Iaveh anao androany ny rariny, ny amin’izay rehetra nitsangana hikomy aminao.»

32 Fa hoy ny mpanjaka tamin’ilay Kosita: «Tsara tsy misy maninona va ny amin’ny zatovo, i Absalôma?» Ary hoy ny navalin’ilay Kosita: «Hanahaka iny zatovo iny anie ny fahavalon’ny mpanjaka tompoko, mbamin’izay rehetra mitsangan-kanisy ratsy anao!»

Categories
2Samoela

2Samoela 19

Nalahelo mafy i Davida

1 Tera-kovitra tamin’ny fientanam-pony ny mpanjaka, ka lasa niakatra tany an’efitrano, ambonin’ny vavahady, dia nitomany; sady nandeha izy no nitanisa hoe: «Ry Absalôma zanako! Ry zanako ô, ry zanako Absalôma ô! Inay anie aho maty nisolo anao! Ry Absalôma zanako, zanako ô!»

2 Nisy olona tonga nilaza tamin’i Jôaba hoe: «Indro fa mitomany migogogogo ny mpanjaka noho ny amin’ny zanany.»

3 Niova ho fisaonana ho an’ny vahoaka rehetra ny fandresena tamin’izany andro izany, satria ren’ny vahoaka rehetra tamin’izay andro izany fa hoe: Malahelo mafy noho ny amin’ny zanany, ny mpanjaka.

4 Niditra nisokosoko tao an-tanàna ny vahoaka tamin’izany andro izany hoatra ny olona resin-kenatra fa avy nandositra tamin’ny ady.

5 Fa nanarona ny tavany ny mpanjakananao hoe: «Ry Absalôma zanako, ry zanako ô!» Dia niditra tao amin’ny mpanjaka, tao aminy, i Jôaba, ka nanao hoe:

6 «Saforanao henatra anio ny tavan’ny mpanomponao rehetra, izay namonjy ny ainao androany, sy ny ain-janakao lahy sy zanakao vavy, ny aim-badinao ary ny aim-baditsindranonao.

7 Ny nankahala anao no tianao, fa ny tianao no halanao, satria ahariharinao amin’izao fa samy tsinontsinona aminao na manamboninahitra na mpanompo; hitako izao fa raha i Absalôma no velona ary izahay rehetra kosa no maty, amin’izao andro izao, dia izany no soa eo imasonao.

8 Koa mitsangàna, ary mivoaha ka mitenena araka ny fon’ny mpanomponao, fa mianiana amin’i Iaveh aho fa raha tsy mivoaka ianao dia tsy hisy olona hitoetra eto aminao anio alina, na dia iray aza, ary ho loza mafy aminao izany noho ny loza rehetra nanjò anao, hatramin’ny fahatanoranao ka mandraka ankehitriny.»

9 Dia nitsangana ny mpanjaka ka nipetraka teo am-bavahady. Ary nampandrenesina ny vahoaka rehetra fa hoe: «Indro ny mpanjaka fa mipetraka eo am-bavahady.» Dia nankeo anatrehan’ny mpanjaka ny vahoaka rehetra.

Homanina ny hiverenan’i Davida

Nandositra i Israelysamy nankao an-dainy avy.

10 Samy niaiky diso ny vahoaka rehetra, amin’ny fokon’i Israely rehetra nanao hoe: «Nanafaka antsika tamin’ny tanan’ny fahavalontsika ny mpanjaka, izy no namonjy antsika tamin’ny tanan’ny Filistinina, fa ankehitriny hany heriny nandositra niala tamin’ny tany teo anatrehan’i Absalôma.

11 Efa maty tamin’ny ady anefa i Absalôma izaynohosorantsikahanjaka amintsika. Ka ahoana ange ity ianareo no tsy miteny amin’ny hampodiana ny mpanjaka akory?»

12 Naniraka hilaza amin’i Sadôka sy i Abiatara mpisorona i Davida nanao hoe: «Mitenena ianareo amin’ny loholon’i Jodà, ka lazao aminy hoe: Nahoana no dia ianareo indray no ho farany amin’ny fampodiana ny mpanjaka ho any an-tranony? Fa efa tonga hatrany amin’ny mpanjaka, any aminy, ny teny voabitsibitsika eran’i Israely rehetra.

13 Ianareo no rahalahiko, ianareo no taolako ama-nofoko, ka nahoana no dia ianareo indray no ho farany amin’ny fampodiana ny mpanjaka?

14 Ary izao koa no holazainareo amin’i Amasà: Tsy taolako ama-nofoko va ianao? Hataon’i Iaveh amiko anie izay ngidiny indrindra, raha tsy ho tonga filohan’ny tafika eo anatrehako mandrakariva ianao, ho solon’i Jôaba.»

15 Voalefak’i Davida tamin’izany ny fon’ny lehilahy rehetra amin’i Jodà, toy ny fon’ny olona iray monja, ka naniraka nilaza tamin’ny mpanjaka izy ireo hoe: «Modia ianao sy ny mpanomponao rehetra.»

Zava-nitranga teny am-piverenana: I Semeià

16 Dia nody ny mpanjaka, ka tonga tao Jordany, nankany Galgalà koa i Jodà hitsena sy hampita ny mpanjaka an’i Jordany.

17 Ary i Semeiàzanak’i Gerà Benjaminita, avy any Bahorima, mba nidodododo nidina niaraka tamin’ny lehilahy amin’i Jodà koa, hitsena an’i Davida mpanjaka.

18 Niaraka taminy koa ny lehilahy arivo amin’i Benjamina, sy i Sibà mpanompon’ny taranak’i Saola, mbamin’ny zanany 15 lahy, ary ny mpanompony 20 lahy, ka nikoropaka ho any Jordany teo alohan’ny mpanjaka izy ireo.

19 Efa tafita ny lakan-drafitra hitondra ny ankohonan’ny mpanjaka sy hanaovany izay sitrany. Nony efa hita an’i Jordany ny mpanjaka, dia nihohoka tamin’ny tongotry ny mpanjaka i Semeià zanak’i Gerà, nanao tamin’ny mpanjaka hoe:

20 «Aza tanan’ny tompoko ho meloka aho ary aza tsarovanao ny faniratsirana nataon’ny mpanomponao, fony nivoaka avy tao Jerosalema ny mpanjaka tompoko, ka mba hieritreritra izany ianao, ry mpanjaka ô!

21 Fa efa niaiky ny fahotany ity ny mpanomponao, ary indro fa izaho no tonga voalohany indrindra, amin’ny taranak’i Josefarehetra androany midina hitsena ny mpanjaka tompoko.»

22 Fa niteny kosa i Abisaia zanak’i Sarvià ka nanao hoe: «Tsy izany velively fa moa tsy vao mainka tokony hovonoina va i Semeià noho izy nanozona ny voahosotr’i Iaveh!»

23 Fa hoy i Davida: «Moa manan-draharaha aminareo va aho, ry zanak’i Sarvià, no milatsaka ho mpanohitra ahy ianareo anio? amin’ity andro ity ve ka hisy olona hovonoina eto amin’i Israely? Moa tsy fantatro va fa tonga mpanjaka amin’i Israely aho anio?»

24 Ary hoy ny mpanjaka tamin’i Semeià: «Tsy hovonoina ianao»; sady nianianany taminy izany.

I Mifibôseta

25 Nidina hitsena ny mpanjaka koa i Mifibôseta zafin’i Saola. Tsy nanasa tongotra na namboatra volombava, na nanasa ny fitafiany izy, hatramin’ny andro nialan’ny mpanjaka, ka hatramin’ny andro niverenany tamim-piadanana.

26 Nony tonga avy any Jerosalema hitsena ny mpanjaka izy, dia hoy ny mpanjaka taminy: «Nahoana ity ianao no tsy nandeha niaraka tamiko, ry Mifibôseta?»

27 Ka hoy ny navalin’io: «Nofitahin’ny mpanompokoaho, ry mpanjaka tompoko; fa hoy ity mpanomponao: Hampisy lasely ny ampondrako vavy aho, hitaingenako, handehanako hanaraka ny mpanjaka, fa malemy tongotra ity mpanomponao.

28 Kanjo nendrikendrehiny tamin’ny mpanjaka tompoko ity izaho mpanomponao! Fa ny mpanjaka tompoko no toy ny Anjelin’Andriamanitra ka ataovy izay ataonao ho mety.

29 Ny taranak’ikaky rehetra dia efa olona mendrika hovonoina avokoa eo anatrehan’ny mpanjaka tompoko, nefa kosa dia noraisinao ho isan’ireo mihinana amin’ny latabatrao ny mpanomponao, ka nahoana indray no mbola hahazoako mitaraina amin’ny mpanjaka?»

30 Dia hoy ny mpanjaka taminy: «Inona no mbola itenenanao izany teninao izany? Efa niteny aho: Hozarainao sy i Sibà ny tany.»

31 Ary hoy i Mifibôseta tamin’ny mpanjaka: «Aoka dia ho azy daholo ihany aza, fa efa niverina soa aman-tsara amin’ny tranony ny mpanjaka tompoko.»

I Berzelaia

32 Nidina avy any Rôgelima, i Berzelaia Galaadita, ka nandeha nankao amin’ny mpanjaka tao Jordany, mba hiaraka aminy ho any amin’ny ony.

33 Efa antitra dia antitra i Berzelaia, fa efa valopolo taona izy, ary nanatitra hanina ho an’ny mpanjaka, fony izy nitoetra tao Mahanaîma fa lehilahy nanan-karena fatratra izy.

34 Hoy ny mpanjaka tamin’i Berzelaia: «Andeha hiaraka amiko, fa hovelomiko any amiko any Jerosalema ianao.»

35 Ka hoy ny navalin’i Berzelaia tamin’ny mpanjaka: «Dia ho velona taona firy intsony moa aho no dia hiara-miakatra amin’ny mpanjaka any Jerosalema?

36 Efa valopolo taona aho izao. Ka mahay manavaka ny soa sy ny ratsy intsony va aho? Ary mahahaino ny feon’ny mpihira lahy amana vavy intsony va aho? Ka nahoana no dia ho enta-mavesatra foana amin’ny mpanjaka tompoko ny mpanomponao?

37 Kely foana no handehanan’ny mpanomponao eo an-dafin’i Jordany, hiaraka amin’ny mpanjaka. Ka ahoana no dia hanomezan’ny mpanjaka ahy izany valim-pitia izany?

38 Mihanta aminao aho, aoka re ny mpanomponao hiverina, ary aoka aho ho faty any an-tanànako, akaikin’ny fasan’ikaky sy ineny. Fa io eo i Kamaama mpanomponao, ka izy no aoka handeha hiaraka amin’ny mpanjaka tompoko, ary aminy no ataovy izay sitrakao.»

39 Dia hoy ny mpanjaka: «Aoka fa dia i Kamaama no hiaraka amiko, ka ataoko aminy izay rehetra sitrakao, ary hataoko aminao koa izay rehetra irinao amiko.»

40 Nony tafita an’i Jordany ny vahoaka rehetra dia nita koa ny mpanjaka, ary nanoroka sy nitso-drano an’i Berzelaia ny mpanjaka, ka dia niverina nody tany aminy izy io.

Niadian’i Jodà sy i Israely ho azy avy ny mpanjaka

41 Nandroso nankany Galgalà ny mpanjaka dia niaraka taminy i Kamaama, ary ny lehilahy rehetra amin’i Jodà, sy ny antsasaky ny lehilahy amin’i Israely samy nanotrona ny mpanjaka.

42 Fa indreto tonga teo amin’ny mpanjaka ny lehilahy rehetra amin’i Israely, ka nanao taminy hoe: «Ahoana no nangalaran’ny lehilahy amin’i Jodà, rahalahinay, anao; ka nitondrany ny mpanjaka sy ny ankohonany mbamin’ny olona rehetra nomba an’i Davida nita an’i Jordany?»

43 Dia namaly ny lehilahy rehetra amin’i Jodà, ka nanao tamin’ny lehilahy amin’i Israely hoe: «Satria havako akaiky ahy kokoa ny mpanjaka, ka ahoana no mahatezitra anao amin’izany? Moa ny fananan’ny mpanjaka va no nivelomako na nandray zavatra taminy akory aho?»

44 Fa hoy ny lehilahy amin’i Israely namaly ny lehilahy amin’i Jodà: «Anjaram-polo no ahyamin’ny mpanjaka; eny manam-be noho ianao aho amin’i Davida; ka ahoana no nanaovanao tsinontsinona ahy? Tsy izaho va no niteny voalohany hanangana indray ny mpanjakako?» Fa mafy noho ny an’ny lehilahy amin’i Israely ny tenin’ny lehilahy amin’i Jodà.

Categories
2Samoela

2Samoela 20

Ny nikomian’i Sebà

1 Nisy olon’i Beliala anankiray kosa teo, atao hoe Sebà zanak’i Bokrì, Benjaminita, ka nitsoka anjomara io dia nanao hoe: «Tsy manana anjara amin’i Davida isika, tsy manana lova miaraka amin’ny zanak’i Jese, ka samia mody any an-dainy avy, ry Israely ô!»

2 Dia nandao an’i Davida avokoa ny lehilahy amin’i Israely, ka nanaraka an’i Sebà zanak’i Bokrì. Fa ny lehilahy amin’i Jodà ihany no nifikitra tamin’ny mpanjaka, hatrany Jordany ka hatrany Jerosalema.

3 Nody tao an-tranony tao Jerosalema i Davida ary nalain’ny mpanjaka ny vaditsindranony folo, izay napetrany hiandry trano, ka nataony teo amin’ny trano anankiray nasiana fiambenana. Niantohany ny fiveloman’ireo, nefa tsy nandeha taminy intsony izy, ka voahiboka mandra-pahafaty izy ireo, dia nitoetra nanano-tena.

Ny namonoana an’i Amasà

4 Ary hoy ny mpanjaka tamin’i Amasà: «Vorio ho eto amiko ny lehilahy amin’i Jodà, hatramin’ny hateloana, ary aoka ho eto koa ny tenanao.»

5 Dia niainga i Amasà hamory an’i Jodà nefa tratra aorian’ny fotoana nomen’ny mpanjaka azy izy.

6 Ka hoy i Davida tamin’i Abisaia: «I Sebà zanak’i Bokrì izao no hampidi-doza amintsika, mihoatra noho i Absalôma. Koa ento ny mpanompon’ny tomponao, dia enjeho iny, fandrao dia mahazo tanàna mimanda eo ihany izy, ka tsy ho hitan’ny masontsika intsony.»

7 Nanaraka an’i Abisaia dia niainga koa ny olon’ny Jôaba, ny Keretianina sy ny Feletianina ary ny lehilahy mahery rehetra nivoaka teo Jerosalema hanenjika an’i Sebà zanak’i Bokrì.

8 Nony mby teo akaikin’ilay vato lehibe ao Gabaôna izy ireo, dia inty i Amasà tonga teo anoloan’izy ireo. Niakanjo ny akanjo tonîka i Jôaba ary eo ambonin’ny tonîka dia nisy sabatra anankiray anaty tranony, nifehy teo am-balahany. Nony nandroso izy dia latsaka ilay sabatra.

9 Ary hoy i Jôaba tamin’i Amasà: «Tsara ihany va izato ianao, ry rahalahy?» sady noraisin’i Jôaba amin’ny tanany havanana, ny somotr’i Amasàhanoroka azy.

10 Tsy nanahinahy ny sabatra teny an-tanan’i Jôaba i Amasà, kanjo nasiany tamin’ny kibony izy, ka nampivaroraka ny tsinainy tamin’ny tany; tsy nasiany fanindroany akory izy dia maty. Dia rafitra nanenjika an’i Sebà zanak’i Bokrì i Jôaba sy i Abisaia rahalahiny.

11 Fa ny anankiray tamin’ny zatovon’i Jôaba nijanona teo anilan’i Amasà, ka nanao hoe: «Izay mankasitraka an’i Jôaba izay miandany amin’i Davida, dia aoka hanaraka an’i Jôaba!»

12 I Amasà izany nihosinkosina tamin’ny rany teo afovoan’ny lalana teo. Nony hitan-dralehilahy fa nijanona ny olon-drehetra dia nesoriny teo an-dalambe i Amasà nataony tany an-tsaha, sady nosaronany kapaoty, satria hitany fa izay tonga teo anilany nijanona avokoa.

13 Ka nony voaala teo an-dalambe izy, vao samy nizotra nanaraka an’i Jôaba ny olona rehetra, hanenjika an’i Sebà zanak’i Bokrì.

Ny niafaran’ny fikomiana

14 Namakivaky ny fokon’i Israely rehetra i Jôaba, hatrany HaBela sy i Bety-Maakà, ary nivory nanaraka azy avokoa ny lehilahy voafantina rehetra.

15 Dia tonga izy ireo ka nanao fahirano an’i Sebà tao Abela-Bety-Maakà. Nanandratra tovon-tany hamely ny tanàna izy ka nahatratra ny manda izany, ka samy niezaka hanjera ny manda ny vahoaka rehetra nomba an’i Jôaba.

16 Tamin’izay nisy vehivavy hendry anankiray niantso avy ao an-tanàna hoe: «Mihainoa, mba mihainoa kely é! Ilazao kely i Jôaba ataovy hoe: Manatòna eto, fa te hiresaka aminao aho!»

17 Dia nanatona azy izy, ka hoy ravehivavy «Ianao va no Jôaba?» Ary hoy ny navaliny azy: «Izaho no izy.» Dia hoy ravehivavy taminy: «Henoy kely ny tenin’ny mpanompovavinao.» Ka hoy ny navaliny: «Mihaino aho.»

18 Dia hoy ravehivavy: «Fitenin’ny olona taloha ny hoe: Milà saina ao Abela, dia voalamina avokoa ny raharaha.

19 Izaho dia anankiray amin’ny tanàna tia fihavanana sy mahatoky eto amin’i Israely. Fa ianao kosa mitady handrava tanàna izay reny amin’i Israely. Ka ahoana ange no handravanao ny lovan’i Iaveh?»

20 Fa hoy kosa i Jôaba: «Lavitra ahy, lavitra dia lavitra ahy izany. Tsy handrava tsy handringana no hevitro! Tsy izany velively.

21 Fa misy lehilahy anankiray atao hoe Sebà, zanak’i Bokrì, avy amin’ny tendrombohitra Efraîma nanainga tanana hikomy amin’i Davida; ka io ihany no atolory ahy, dia hiala amin’ny tanàna aho.» Ary hoy ravehivavy tamin’i Jôaba: «Indro hatsipy aminao hihoatra ny manda ny lohany.»

22 Dia nanatona ny vahoaka rehetra ravehivavy sy niteny taminy tamim-pahendrena, ka notapahin’izy ireo ny lohan’i Sebà, zanak’i Bokrì, natsipiny tany amin’i Jôaba. Ary nasain’i Jôaba notsofina kosa ny anjomara, ka ny olona rehetra moa niala tamin’ny tanàna, samy nody any aminy avy; i Jôaba kosa niverina nankany Jerosalema ho any amin’ny mpanjaka.

Ireo manamboninahitr’i Davida

23 I Jôaba no komandin’ny tafika tamin’i Israely rehetra; i Banaiasa zanak’i Jôiadà no lehiben’ny Keretianina sy ny Feletianina,

24 i Adôrama no mpandamina momba ny fanompoana; i Jôsafata zanak’i Ahiloda no mpitahiry ny bokim-panjakana;

25 i Sivà no mpanoratra; i Sadôka sy i Abiatara no mpisorona,

26 ary i Irà ilay Jairita no mpanolo-tsaina manolotra an’i Davida.

Categories
2Samoela

2Samoela 21

Mosary lehibe. Ny namonoana ny taranak’i Saola

1 Tamin’ny andron’i Davida nisy mosary naharitra telo taona nifanesy. Ka nanontany ny Tavan’i Iavehi Davida ary hoy i Iaveh: «Avy amin’i Saola sy ny ankohonany, avy amin’ny ra izao; fa namono ny Gabaônita izy.»

2 Dia nampaka ny Gabaônita ny mpanjaka sy nilaza taminy hoe: «Tsy mba isan’ny zanak’i Israely ny Gabaônita, fa avy amin’ny sisan’ny Amôreana. Efa nifanaiky tamin’izy ireo tamim-pianianana ny zanak’i Israely, nefa nitady izay hamelezana azy i Saola noho ny fahazotoany hiaro ny zanak’i Israely sy i Jodà.»

3 Izao no nolazain’i Davida tamin’ny Gabaônita: «Inona no hataoko ho anareo? Ary amin’inona no hanaovako ny fanonerana mba hitsofanareo rano ny lovan’i Iaveh?»

4 Dia hoy ny Gabaônita taminy: «Tsy raharaham-bolafotsy na volamena amin’i Saola sy ny taranany no anay, na mitady ain’olona amin’i Israely izahay.» Ka hoy ny mpanjaka: «Inona àry no tianareo hataoko aminareo?»

5 Ary hoy ny navaliny tamin’ny mpanjaka: «Nandringana anay sy nikasa handevona anay tsy hisy velona intsony eto amin’ny tanin’i Israely rehetra iny lehilahy iny.

6 Ka tolory fito lahy amin’ny taranany izahay mba hahantonay eo anatrehan’i Iaveh, any Gabaàn’i Saola, ilay voafidin’i Iaveh.» Dia hoy ny mpanjaka: «Hatolotro ireo.»

7 I Mifibôseta zanak’i Jônatasy, zanak’i Saola, no notsimbinin’ny mpanjaka, noho ny fianianana tamin’i Iaveh teo anelanelan’izy roa lahy, dia i Davida sy i Jônatasy zanak’i Saola.

8 Nalain’ny mpanjaka izy roa lahy zanak’i Resfà, zanaka vavin’i Aià, izay naterany tamin’i Saola, dia i Armônì sy i Mifibôseta, ary izy dimy lahy zanak’i Mikola, zanakavavin’i Bersabea avy any Molatỳ,

9 dia natolony ireo ho eo an-tanan’ny Gabaônita, ka nahantony tany an-tendrombohitra teo anatrehan’i Iaveh. Niara-maty izy fito lahy tamin’ny andro voalohan’ny fijinjana, fiandohan’ny fijinjana ny orja.

10 Nalain-dResfà zanak’i Aià kosa ny lasàka anankiray ka novelariny teo ambony vato mba ho azy, dia teo izy hatramin’ny fiandohan’ny fijinjana ka mandra-pilatsaky ny orana avy any an-danitra tamin’ireo faty, ka nisakana ny vorona any an-danitra tsy hipetraka aminy raha antoandro, sy ny biby eny an-tsaha raha alina.

11 Nampandrenesina an’i Davida izany nataon-dResfà zanak’i Aià, vaditsindranon’i Saola izany,

12 ka lasa i Davida naka ny taolan’i Saola sy ny taolan’i Jônatasy zanany, tany amin’ny mponina tao Jabesa any Galaada, izay nanala azy tao amin’ny kianjan’i Betsàna, fony izy nahanton’ny Filistinina tao, nony avy nandresy an’i Saola tao Jelbôe ny Filistinina.

13 Dia nentiny avy any ny taolan’i Saola sy ny taolan’i Jônatasy zanany, ary voaangona koa ny taolan’ireroa nahantona.

14 Nalevina tany Selà, amin’ny fasan’i Kisa rain’i Saola, any amin’ny tanin’i Benjamina ny taolan’i Saola sy ny an’i Jônatasy zanany, ary nataon’ny olona avokoa izay rehetra nandidian’ny mpanjaka azy. Ka nony vita izany, dia nionona ny hatezeran’Andriamanitra amin’ny tany.

Ny namelezana ny Filistinina

15 Nisy adin’ny Filistinina sy i Israely indray, ary mba nidina niaraka tamin’ny mpanompony i Davida ary niady tamin’ny Filistinina izy ireo; kanjo trotraka i Davida.

16 Ary i Jesbì-Benôba, ny iray amin’ny zana-dRafà – ny lefony dia lanjana 300 sikla varahina ary sabatra vaovao no voafehy teny aminy – dia efa namoaka teny hamono an’i Davida.

17 Fa tonga namonjy an’i Davida kosa i Abisaia zanak’i Sarvià, ka namono nahafaty an’ilay Filistinina. Nanaovan’ny olon’i Davida fianianana izy tamin’izay, ka nataony hoe: «Tsy hiara-mivoaka aminay hiady intsony ianao, ka tsy hamono ny fanilon’i Israely.»

18 Tatỳ aorian’izany mbola nisy ady tamin’ny Filistinina koa tao Gôba. Tamin’izay no nahafatesan’i Sabokai ilay Hosatita an’i Safà, anankiray amin’ny tarana-dRafà.

19 Mbola nisy ady tamin’ny Filistinina koa tao Gôba, ary i Elkanàna, zanak’i Jaare-Oregima avy any Betleema, no nahafaty an’i Gôliata avy ao Geta, ilay nanan-jaran-defona, hoatra ny voditenon’ny mpanenona.

20 Ary nisy ady koa indray tany Geta. Ka tao no nisy lehilahy goavam-be anankiray, ka samy enina avy ny rantsan-tananay sy ny rantsan-tongony, dia efatra amby roapolo ny tontaliny; tarana-dRafà koa izy io.

21 Ary naniratsira an’i Israely izy, fa matin’i Jonatàna zanak’i Samaà rahalahin’i Davida.

22 Tarana-dRafà avy any Getà avokoa izy efa-dahy ireo, fa matin’ny tanan’i Davida sy ny tanan’ny mpanompony.

Categories
2Samoela

2Samoela 22

Salamon’i Davida

1 Izao no tenin’ny tononkiranataon’i Davida tamin’i Iaveh tamin’ny andro namonjen’i Iaveh azy, tamin’ny tanan’ny fahavalony rehetra sy tamin’ny tanan’i Saola.

2 Hoy izy:

«I Iaveh no harambatoko sy trano mimandako ary Mpamonjy ahy.

3 Andriamanitra no vatolampiko izay ahitako fialofana.

Izy no ampingako sy tandrom-pamonjena ahy,

toerana avo fandosirako sy fialofako.

Ry Mpamonjiko ô, Ianao no nahafaka ahy tamin’ny fahasiahana.

4 Nantsoiko Ilay mendrika hoderaina, dia i Iaveh,

ka afaka tamin’ny fahavaloko aho.

5 Fa ny onjam-pahafatesana efa nanodidina ahy;

ny riakan’i Belialaefa nampitahotra ahy;

6 ny fatoran’ny fonenan’ny maty efa nahasingotra ahy,

ny haratom-podiamandry efa nalatsaka teo anatrehako.

7 Niantso an’i Iaveh tao anatin’ny fahoriako aho

ary nandefa fitarainana nankany amin’ny Andriamanitro,

ka reny tao an-tempoliny ny feoko

tonga tao an-tsofiny ny fitarainako.

8 Dia nihozongozona sy nihorohoro ny tany,

nihovotrovotra koa ny fanorenan’ny lanitra,

ary ireo no nihozongozona dia satria tezitra i Iaveh

9 ka nivoa-tsetroka ny vavorony,

nivoaka afo mandevona ny vavany,

ary nisy vain’afo mivaivay nipitika avy ao aminy.

10 Naronany ny lanitra dia nidina Izy,

ka rahona matevina no teo ambanin’ny tongony.

11 Nitaingina kerobima Izy dia nanidina,

ary niseho teo ambonin’ny ela-drivotra.

12 Nahodidina azy toy ny lay ny haizina,

mbamin’ny ranobe aman-drahona matevina.

13 Avy ao amin’ny famirapiratana nialoha Azy nisy vain’afo nipitika.

14 Nandefa kotroka avy any an-danitra i Iaveh

ary nampanakoako ny feony, ny Avo indrindra.

15 Dia nandefa zana-tsipìka ka nampihahaka azy ireo Izy,

nandefa ny varatra ka nampisaritaka an’ireny.

16 Niseho tamin’izay ny ambanin’ny ranomasina,

nihanjahanja ny fiorenan’ny tany,

tamin’ny fandrahonana nataon’i Iaveh,

tamin’ny fifofofofon’ny fofon’ain’ny vavorony.

17 Naninji-tanana avy any ambony Izy, dia nandray ahy,

nanintona ahy hiala amin’ny rano be.

18 Nanafaka ahy tamin’ny fahavaloko mahery,

tamin’ireo nankahala ahy fony izy ireo nahery noho izaho.

19 Nosovohin’ireny aho tamin’ny andro nahitako loza,

I Iaveh no nanohana ahy.

20 Napetrany eo amin’ny malalaka aho,

ary novonjeny, satria sitrany.

21 Namaly soa ahy araka ny fananako ny rariny i Iaveh,

namaly ahy araka ny hadiovan’ny tanako.

22 Fa nanaraka ny lalan’i Iaveh aho,

ary tsy nanao ny ratsy izay hanalavirako ny Andriamanitro.

23 Ny fitsipiny rehetra dia teo anatrehako,

ary ny lalàny tsy mba nihatahako.

24 Tsy nanan-tsiny taminy aho,

ary nitandrina mba hanohitra ny haratsiako.

25 Namaly ahy araka ny fananako ny rariny i Iaveh,

sy araka ny fahadiovako eo imasony.

26 Ny tsara, isehoanao ho tsara,

ny olo-marina isehoanao ho marina,

27 Ny madio isehoanao ho madio

fa ny fetsy ratsy anaovanao an-kafetsena.

28 Ny vahoaka manetry tena vonjenao,

fa ny mpiavonavona kosa aetrinao amin’ny fanandrinanao.

29 Fa ianao no faniloko, ry Iaveh ô!

I Iaveh no manazava ny haizina momba ahy.

30 Manana Anao aho, ka mahatsarapaka hamely ny antoko-miaramila àry fiadiana;

manana an’Andriamanitra aho, ka mahatsambikina mihoatra ny manda.

31 Andriamanitra! …lavorary ny lalany.

Ny tenin’Andriamanitra dia fantatra ho to;

ampinga izy ho an’izay rehetra matoky azy.

32 Fa iza no Andriamanitra raha tsy i Iaveh

ary zovy no vatolampy afa-tsy ny Andriamanitsika?

33 Andriamanitra no trano mimandako mahery,

mitondra ny olo-marina amin’ny lalany Izy.

34 Ny tongotro ampanahafiny ny an’ny serfavavy,

ary ajorony aho eo amin’ny fitoerako avo.

35 Mampianatra ny tanako hiady Izy

ka mahahenjana tsipìka varahina ny sandriko.

36 Nomenao ahy ny ampinga famonjenao,

ary ny hamoram-ponao no miasa manalehibe ahy.

37 Nohalalahinao ny diako teo ambaniko,

ka tsy mangozohozo akory ny tongotro.

38 Manenjika ny fahavaloko aho, dia mandringana Izy;

ary tsy miverina raha tsy ripaka ireny.

39 Ataoko levona, ataoko montsana ireny, ka tsy maharina,

mifitsaka ao ambanin’ny tongotro.

40 Sikinanao hery aho hiady;

ary aforitrao ao ambaniko izay mandrafy ahy.

41 Ny fahavaloko ataonao miamboho ahy,

mbamin’izay mankahala ahy koa, handringanako azy.

42 Miherikerika ireny fa tsy misy mamonjy!

Mitaraina amin’i Iaveh fa tsy valiany akory!

43 Ka torotoroiko hoatra ny vovo-tany izy;

hoseko sy hitsahiko hoatra ny fotaka eny amin’ny arabe.

44 Manafaka ahy amin’ny fikomian’ny vahoakako Ianao,

ary mitahiry ahy ho filohan’ny firenen-tsamihafa,

ka manaiky ho mpanompoko ny vahoaka tsy fantatro.

45 Ny zanak’olon-kafa firenena midoka ahy;

raha vao mandre dia manoa ahy izy.

46 Reraka ambony ihany ny zanak’olon-kafa firenena,

ka mivoaka amin-kovitra avy ao amin’ny trano mimandany.

47 Ho velona anie i Iaveh ary hankalazaina anie ny Vatolampiko!

Andriamanitra vatolampy fialofako, hankalazaina anie Izy!

48 Andriamanitra izay mamaly faty noho ny amiko,

sy mampitambotsotra ny firenena eo ambanin’ny tongotro,

49 sy mampitsoaka ahy ho afaka amin’ny fahavaloko;

Ianao manandratra ahy ho ambonin’izay mandrafy ahy,

ary namonjy ahy tamin’ny olona mpanao an-keriny.

50 Izany, ry Iaveh ô, no hiderako Anao eo amin’ny firenena,

sy hihiràko nyvoninahitryny Anaranao.

51 Manao famonjen-dehibe ho an’ny mpanjakany Izy,

ary manome famindram-po amin’ilay voahosony,

dia amin’i Davida sy ny taranany mandrakizay.»

Categories
2Samoela

2Samoela 23

Fara tenin’i Davida

1 Izao no fara tenin’i Davida:

«Zava-marina nambaran’i Davida zanak’i Isaia,

tenin’ilay lehilahy mipetraka amin’ny toerana ambony,

ilay voahosotry ny Andriamanitr’i Jakôba,

ilay mpanao hiran’i Israely mahatehotia.

2 Ny fanahin’i Iaveh no niteny tamin’ny alalako,

ary ny teniny no eo amin’ny vavako.

3 Ny Andriamanitr’i Israely niteny,

ny Vatolampin’i Israely niteny:

Olo-marina mpanapaka ny olombelona

izay manapakaamim-pahatahoranaan’Andriamanitra,

4 dia toy ny fahazavan’ny maraina raha miposaka ny masoandro,

toy ny andro maraina tsy misy rahona!

Ny tsirim-pahazavany manarakaraka ny ranonorana

no itsimohan’ny ahitra amin’ny tany.

5 Tsy toy izany va ny fianakaviako amin’Andriamanitra?

Satria fanekena mandrakizay no nataony tamiko,

voalamina sy voatandrina tsara indrindra;

ka hampitsimohiny tokoa ny famonjena ahy rehetra

sy ny sitraky ny fony rehetra.

6 Fa ny olon’i Beliala rehetra kosa, dia toy ny tsilo arian’ny olona:

tsy fandrain-tanana izy;

7 fa tsy maintsy mitondra vy na zaran-defona izay olona mikasika azy;

ary dorana amin’ny afo eo ihany izy.»

Ireo mahery fon’i Davida

8 Izao no anaran’ny lehilahy mahery izay eo amin’i Davida: i Jesboama zanak’i Hakamonì, no filohan’ny manamboninahitra. Nampandihy ny lefony tamin’ny olona 800 lahy, izay nataony maty tamin’ny indray mandeha monja, izy.

9 Ny manarakaraka azy dia i Eleazara zanak’i Dôdao zanak’i Ahôhỳ. Io no anankiray amin’izy telo lahy mahery niaraka tamin’i Davida raha ilay nihaika ny Filistinina tafakambana mba hiady iny izy ireo,

10 fa niakatra nihemotra kosa ny lehilahy amin’i Israely. Nitsangana namely ny Filistinina izy mandra-pahavizan’ny tanany, sy efa nihidy velona tamin’ny sabatra. Nanao famonjen-dehibe i Iaveh tamin’izay andro izay, ka nandroso indray nanaraka an’i Eleazara ny vahoaka fa tsy nanao afa-tsy ny manangona ny zavatra babo izy ireo.

11 Manarakaraka io, dia i Semà, zanak’i Age, Hararita. Tafakambana ho antokony iray ny Filistinina; nisy toerana anankiray, feno voanemba maniry teo, ary vaky nandositra teo anoloan’ny Filistinina ny vahoaka.

12 Fa lasa teo afovoan’io saha io i Semà, dia narovany tsy hidiran’ny Filistinina ary noreseny izy ireo. Ary nanao famonjen-dehibe i Iaveh.

13 Tamin’ny Filistinina nitoby tao an-dohasahan’ny Refaima dia nisy telo lahy tamin’ireo Kapiteny 30, nidina nankany amin’i Davida, tao an-johin’i Odolama tamin’ny fotoam-pijinjana.

14 Tao amin’ny trano mimanda i Davida, tamin’izay, ary nisy antoko-miaramilan’ny Filistina anankiray tao Betlehema.

15 Nanam-paniriana i Davida, ka nanao hoe: «Iza no mba hampisotro ahy ny rano avy amin’ny famorian-drano ao am-bavahadin’i Betlehema?»

16 Niaraka tamin’izay, dia namakivaky ny tobin’ny Filistinina ireto lehilahy mahery telo lahy, ka nanovo rano teo amin’ny famorian-drano ao am-bavahadin’i Betlehema; dia noraisiny sy nentiny nankeo amin’i Davida. Kanjo tsy nety nisotro i Davida fa nataony fanatitra araraka ho an’i Iaveh izany, fa hoy izy:

17 «Sanatria ahy ny hanao izany, ry Iaveh ô! Satria inona ity fa tsy ny ran’ireo olona nandeha nanao vy very ny ainy!» Ka dia tsy nety nisotro izany izy. Izany no nataon’izy telo lahy mahery ireo.

18 I Abisaia rahalahin’i Jôaba zanak’i Sarvià dia filohan’ny manamboninahitra koa. Nampandihy ny lefony tamin’ny lehilahy 300 lahy, ka nahafaty ireo, ka nahazo laza tamin’izy telo lahy ireo.

19 Izy no malaza indrindra tamin’izy telo lahyireo ka lehiben’izy ireo. Nefa tsy nahomby irerỳ telo lahy voalohany izy.

20 I Banaiasa zanak’i Jôiadasa zanaky ny lehilahy anankiray mahery sy naneho herim-po lehibe matetika, avy any Kabseela, dia namely ireo Arielaroa lahy avy any Moaba. Indray andro, nisy oram-panala, dia nidina izy ka namely ilay liona tamin’ny lavaka famorian-drano.

21 Namono ny Ejiptianina anankiray mahatsiravina endrikaizy; lefona no teny an-tanan’ilay Ejiptianina. Izy kosa nidina nankany aminy nitondra tehina, ary ny lefona teny an-tanan’ny Ejiptianina no notsoahany ka ny lefony ihany no namelezany azy.

22 Izany no nataon’i Banaiasa, zanak’i Jôiadasa,

23 ary nanan-daza tamin’izy telo lahy mahery izy. Nalaza noho izy 30 lahy izy, nefa tsy nahomby azy telo lahy irerỳ izy. Noraisin’i Davida ho isan’ny mpanolo-tsaina azy izy.

24 Isan’izy 30 lahy: i Asaela, rahalahin’i Jôaba; i Elkanàna, zanak’i Dôdao, avy any Betlehema;

25 i Semà avy any Harôda; i Elikà avy any Harôda;

26 i Helesa, avy any Falitỳ, i Hirà zanak’i Aksesa, avy any Tekoe;

27 i Abiesera, avy any Anatôta; i Mebonaia, Hosatita;

28 i Salmôna, Ahôhita; i Maharaia avy any Netôfah;

29 i Heleda zanak’i Baanà, avy any Netôfah; i Etaia zanak’i Ribaia, avy any Gabaàn’ny taranak’i Benjamina;

30 i Banaia, avy any Farataona; i Hedaia avy any an-dohasahan’i Gaasa,

31 i Abi-Albôna, avy any Arabà; i Azmaveta avy any Bahorima;

32 i Eliaba, avy any Salabôna; i Bene-Yasena; i Jonatàna;

33 i Semà, haratita; i Ahiama, zanak’i Sarara, haratita;

34 i Elifeleta, zanak’i Asbaia zana-Makatiana anankiray: i Eliama zanak’i Akitôfela, avy any Gilaô;

35 i Hesraia avy any Karmela; i Faraia avy any Arbia;

36 i Igaala zanak’i Natàna, avy any Sobà; i Bonì, avy any Gada.

37 I Seleka, Amônita, i Nahanaia avy any Berôta, mpitondra fiadian’i Jôaba zanak’i Sarvià;

38 i Irà, avy any Jetera;

39 I Oria, Heteanina. 37 no totaliny