Categories
Jenezy

Jenezy 21

Ny nahaterahan’i Isaaka

1 Namangy an’i Sarà i Iaveh araka ilay efa voalazany, notanterahin’i Iaveh tamin’i Sarà ny efa nampanantenainy.

2 Nanana anaka i Sarà ka nitera-dahy tamin’i Abrahama, tamin’ny fahanterany, nony tonga ny fotoana nolazain’Andriamanitra azy.

3 Ary ny anaran’ilay zaza teraka taminy, naterak’i Sarà taminy, dia nataon’i Abrahama hoe Isaaka.

4 Nony teraka havaloana izy dia noforàn’i Abrahama, araka ny efa nandidian’Andriamanitra azy.

5 Efa zato taona i Abrahama tamin’ny nahaterahan’i Isaaka zanany.

6 Ary hoy i Sarà: «Efa nomen’Andriamanitra ahy izay hampihomehy ahy, ka na iza na iza handre izany dia hihomehy noho ny amiko.» Hoy koa izy:

7 «Iza moa no nanan-kevitra ny hilaza amin’i Abrahama hoe:

Hampinono zaza i Sarà?

Kanjo antitra izy ity vao tera-dahy taminy aho.»

Ny nandroahana an’i Agara sy i Ismaely

8 Nihalehibe ny zaza dia notazana. Ary nanao fanasana lehibe i Abrahama tamin’ny andro nanotazana an’i Isaaka.

9 Ilay zanak’i Agara Ejiptianina naterany tamin’i Abrahama kosa, hitan’i Sarà fa nihomehy,

10 ka hoy izy tamin’i Abrahama: «Roahy io andevovavy io sy ny zanany; fa ny zanak’io andevovavy io dia tsy mahazo miray lova amin’ny zanako, amin’i Isaaka.»

11 Nampalahelo mafy an’i Abrahama izany teny izany, noho ny amin’ny zanany.

12 Fa hoy Andriamanitra tamin’i Abrahama: «Aza atao mampalahelo anao ny amin’ny zaza sy ny andevovavinao, fa na inona na inona angatahin’i Sarà ekeo avokoa, satria avy amin’i Isaaka no hiavian’ny taranaka hitondra ny anaranao.

13 Kanefa hotongaviko firenena ihany koa ny zanaky ny andevovavinao, satria terakao izy.»

14 Dia nifoha maraina koa i Abrahama, ka naka mofo sy rano eran’ny siny hoditra anankiray; nomeny an’i Agara sy nataony teo an-tsorony ireo ary ny zaza koa, dia nalefany izy. Nandeha ravehivavy ka nirenireny tany an’efitr’i Bersabea tany.

15 Nony lany ny rano tamin’ilay siny hoditra, dia nariany teo am-poto- kazo kely anankiray ny zaza;

16 ary lasa izy nipetraka lavidavitra tandrifiny sahabo ho tra-tsipîka fa hoy izy: «Tsy tiako ny hahita ny hahafatesan’ny zaza.» Koa nipetraka tandrifiny izy, dia nanandra-peo ary nitomany.

17 Andriamanitra nandre ny feon’ny zaza, ka ny Anjelin’Andriamanitra tany an-danitra dia niantso an’i Agara nanao hoe: «Fa maninona izato ianao, ry Agara? Aza matahotra fa efa henon’Andriamanitra ny feon’ny zaza, ao amin’ny toerana misy azy.

18 Mitsangàna ianao, areno ny zaza, ka tantano izy; fa hataoko firenena lehibe izy.»

19 Dia nampahiratin’Andriamanitra ny mason’i Agara, nahita lavaka fantsakana izy, ary nofenoiny rano tao ny siny hoditra, dia nampisotroiny ny zaza.

20 Nomban’Andriamanitra ny zaza, ka nihalehibe; ary nonina tany an’efitra izy, sy tonga mpandefa tsipìka.

21 Nonina tany amin’ny efitra Faràna izy; ary nangalan-dreniny vady avy amin’ny tany Ejipta.

I Abrahama sy i Abimeleka tany Bersabea

22 Tamin’izany andro izany, i Abimeleka narahin’i Fikôla, filohan’ny tafiny, niteny tamin’i Abrahama hoe: «Omban’Andriamanitra ianao amin’izay rehetra ataonao.

23 Koa mianiàna amiko eto, amin’ny anaran’Andriamanitra fa tsy hamitaka ahy, na ny zanako, na ny zafikeliko ianao, fa ho araka ny soa nataoko taminao no mba hataonao amiko sy amin’ity tany onenanao ity koa.»

24 Hoy i Abrahama: «Hianiànako izany.»

25 Nanome tsiny an’i Abimeleka anefa i Abrahama, fa nisy lavaka fantsakana anankiray nanaovan’ny mpanompony an-keriny.

26 Hoy ny navalin’i Abimeleka: «Tsy mahalala izay nanao izany aho; fa ianao tsy mampandre ahy, izaho tsy nandre izany raha tsy vao izao.»

27 Dia naka ondry aman’omby i Abrahama, natolony an’i Abimeleka ka nifanao fanekem-pihavanana izy roa lahy.

28 Ary nanavaka ondrivavy kely fito tamin’ny biby fiompiny i Abrahama.

29 Ka hoy i Abimeleka taminy: «Inona ireo ondrivavy kely fito navahanao ireo?»

30 Hoy ny navaliny: «Horaisinao avy amin’ny tanako ireo ondrivavy kely fito ireo mba ho vavolombelona ho ahy fa izaho no nihady io lavaka fantsakana io.»

31 Izany no nanaovana io toerana io hoe Bersabea, satria teo izy roa lahy no samy nianiana.

32 Nanao fanekem-pihavanana tao Bersabea izy ireo. Rehefa vita izany dia niainga i Abimeleka sy i Fikôla, filohan’ny tafiny, ka niverina ho any amin’ny tanin’ny Filistinina.

33 Namboly tamarisatao Bersabea i Abrahama, ary niantso ny anaran’i Iaveh Andriamanitra mandrakizay teo izy.

34 Naharitra ela no nitoerany tany amin’ny Filistinina.

Categories
Jenezy

Jenezy 22

Ny nanaovana sorona an’i Isaaka

1 Taorian’izany, nizaha toetra an’i Abrahama Andriamanitra ka nanao taminy hoe: «Ry Abrahama ô!» Ary hoy izy: «Inty aho.»

2 Dia hoy Andriamanitra: «Ento ny zanakao, ilay lahy tokanao, ilay tianao, dia i Isaaka, ka mankanesa any amin’ny tany Moria, ary rehefa mby any, atero izy ho sorona dorana eo ambonin’ny anankiray amin’ny tendrombohitra hatoroko anao.»

3 Nifoha maraina koa i Abrahama, nanisy lasely ny ampondrany, naka roa lahy tamin’ny mpanompony hiaraka aminy, sy i Isaaka zanany, ary namaky ny hazo hataina amin’ny sorona dorana, dia niainga nankany amin’ny tany efa nolazain’Andriamanitra azy.

4 Nony tamin’ny andro fahatelo, nanopy ny masony i Abrahama ka mbola lavitra ihany izy dia nahatazana ilay fitoerana,

5 dia nilaza tamin’ireto mpanompony i Abrahama nanao hoe: «Mijanòna eto amin’ny ampondra ianareo, fa izaho sy ny zaza dia mikasa ho erỳ hivavaka, vao hiverina eto aminareo indray.»

6 Dia nalain’i Abrahama ny hazo hataina amin’ny sorona dorana, ka natataony an’i Isaaka zanany, ary ny afo sy ny antsy kosa nentiny teny an-tanany, dia niara-nandeha izy mianaka. Fa hoy i Isaaka tamin’i Abrahama rainy:

7 «Dada ô!» Ka hoy ny navaliny: «Inty aho, anaka.» Dia hoy i Isaaka: «Ny afo sy ny kitay ireto dia efa eto, fa izay zanak’ondry hatao sorona dorana kosa no aiza?»

8 Hoy ny navalin’i Abrahama: «Hataon’Andriamanitra izay hahitana ny zanak’ondry hatao sorona dorana, anaka.» Dia niara-nandeha izy mianaka.

9 Nony tonga teo amin’ny fitoerana natoron’Andriamanitra azy izy, dia naorin’i Abrahama teo ny ôtely; nalahany ny kitay hazo, ary nafatony i Isaaka zanany, ka napetrany tambonin’ny ôtely eo ambonin’ny kitay.

10 Dia naninjitra ny tanany i Abrahama ka nandray ny antsy hamonoana ny zanany.

11 Tamin’izay niantso tany an-danitra ny Anjelin’i Iaveh nanao hoe: «Ry Abrahama! Ry Abrahama ô!» ka hoy ny navaliny: «Inty aho.»

12 Dia hoy ny Anjely: «Aza manainga ny tananao hamely ny zaza, ary aza maninomaninona azy akory, fa efa hitako izao fa matahotra an’Andriamanitra ianao, sady tsy nandà ianao fa nahafoy ny zanakao, ilay lahitokanao ho Ahy.»

13 Ary nanopy maso i Abrahama, ka nahita ondralahy anankiray teo ivohony, voasingazotry ny kirihitr’ala tamin’ny tandrony; dia lasa i Abrahama naka ilay ondralahy, ka io no nateriny ho sorona dorana ho solon’ny zanany.

14 Ary nataon’i Abrahama hoe Iaveh-Ierehny anaran’io fitoerana io. Ary avy amin’izany ilay fitenenan’ny olona mandraka androany hoe: Ho hita ihany izany any an-tendrombohitr’i Iaveh.

15 Ary ny Anjelin’i Iaveh niantso an’i Abrahama fanindroany tany an-danitra, ka nanao hoe:

16 «Efa nianiana tamin’ny tenako Aho, hoy i Iaveh, fa noho ianao nanao izany sy tsy nandà fa nahafoy ny zanakao, ilay lahy tokanao, ho Ahy,

17 dia hanisy soa anao Aho, hahamaro ny taranakao tahaka ny kintana eny an-danitra sy ny fasika eny amoron-dranomasina, ary ny taranakao hahazo ny vavahadin’ny fahavalony.

18 Amin’ny taranakao no hanasoavana ny firenena rehetra ambonin’ny tany, satria nanaiky ny teniko ianao.»

19 Dia niverina nankeny amin’ny mpanompony i Abrahama, ka niainga izy ireo dia niara-nandeha nankany Bersabea. Ary nonina tao Bersabea i Abrahama.

Ny taranak’i Nakôra

20 Tatỳ aorian’izany, nisy nampandre vaovao tamin’i Abrahama dia izao: Efa nitera-dahy tamin’i Nakôra rahalahinao koa i Melkà,

21 dia i Hosa lahy matoany, i Boza lahy aivo, i Kamoela rain’i Arama,

22 i Kadesa, i Azao, i Feldasa, i Jedlafa ary i Batoela.

23 I Batoela no rain-dRebekà. Izy valo lahy ireo no naterak’i Melkà tamin’i Nakôra rahalahin’i Abrahama.

24 Ilay vaditsindranony atao hoe Ramà koa dia niteraka an’i Tabea sy i Gahama, ary i Toasy sy i Maakà.

Categories
Jenezy

Jenezy 23

Ny fasan’ireo Patriarka

1 Ny andro niainan’i Sarà dia fito amby roapolo amby zato taona, izany no taona niainany.

2 Ary i Sarà dia maty tany Kiriatarbe, dia Hebrôna izany, any amin’ny tany Kanaana; ka tonga i Abrahama hisaona an’i Sarà sy hitomany azy.

3 Dia nitsangana i Abrahama niala teo anilan’ny maty, ka niteny tamin’ny zanak’i Heta hoe:

4 «Olona hafa firenena sy vahiny eto aminareo aho, ka mba avelao aho hanana tany fandevenana eto aminareo, mba hisy hanalako ny fatin’ny vadiko tsy ho eto anoloako, sy handevenako azy.»

5 Dia namaly an’i Abrahama ny zanak’i Heta, ka nanao taminy hoe:

6 «Henoy izahay, Tompokolahy; andrian’Andriamanitrano eto aminay ianao, ka aleveno amin’izay fasana tsara indrindra eto aminay ny fatin’ny vadinao, fa tsy hisy aminay hiaro ny fasany aminao, tsy hametrahana ny fatin’ny vadinao.»

7 Dia nitsangana i Abrahama ka niankohoka teo anatrehan’ny vahoaka tompon-tany, dia ny zanak’i Heta,

8 ary nanao taminy hoe: «Raha tianareo ny hanalako ny fatin’ny vadiko tsy ho eto anoloako ka handevenako azy, dia henoy aho, ary mangataha ho ahy amin’i Efrôna, zanak’i Seôra,

9 mba hafoiny ho ahy ny zohy ao Makpelà, izay azy, eo amin’ny sisin-tsahany, mba hafoiny ho ahy eto anatrehanareo, araka izay tokom-bidiny, hataoko tany fandevenana, tena ahy tokoa.»

10 Ary i Efrôna nipetraka teo afovoan’ny zanak’i Heta. I Efrôna Heteanina namaly an’i Abrahama teo anatrehan’ny zanak’i Heta, dia izay rehetra miditra ny vavahadin’ny tanànany; hoy izy taminy:

11 «Tsia, tompokolahy, fa henoy ny ahy; omeko anao ny saha; omeko anao koa ny zohy izay ao; ary eto anatrehan’ny zanaky ny fireneko no anomezako azy ho anao, ka aleveno ny fatin’ny vadinao.»

12 Niankohoka teo anatrehan’ny vahoaka tompon-tany i Abrahama,

13 ka niteny tamin’i Efrôna teo anatrehan’ny vahoaka tompon-tany hoe: «Aoka ihany re mba hohenoinao aho: ‹Omeko ny vidin’ny saha, ka mba raiso amiko izany, dia haleviko ao ny fatin’ny vadiko.› »

14 Namaly i Efrôna ka nanao tamin’i Abrahama hoe:

15 «Henoy ny ahy, Tompokolahy: tanin’efajato sikla volafotsyio ka zinona izany amiko sy aminao? Fa aleveno ny vadinao.»

16 Nohenoin’i Abrahama i Efrôna ka nolanjain’i Abrahama ny vola voalazany teo anatrehan’ny zanak’i Heta, dia volafotsy efajato sikla, araka ny fandraisan’ny mpivarotra azy.

17 Koa amin’izany ny sahan’i Efrôna, ao Makpelà, tandrifin’i Mambre, dia ny saha sy ny zohy ao, mbamin’ny hazo ao anaty saha ary ny hazo eny amin’ny sisiny manodidina;

18 dia tapaka ho fananan’i Abrahama eo anatrehan’ny zanak’i Heta, dia izay rehetra miditra ny vavahadin’ny tanànany.

19 Izay i Abrahama vao nandevina an’i Sarà vadiny, tao an-johin’i Makpelà, tandrifin’i Mambre dia i Hebrôna izany, any amin’ny tany Kanaana.

20 Ka ny saha sy ny zohy ao anatiny dia tapaka lasan’i Abrahama, varo-maty, ho tany fandevenana, avy amin’ny zanak’i Heta.

Categories
Jenezy

Jenezy 24

Fanambadian’i Isaaka sy i Rebekà

1 Efa zoky olona sy nandroso fahanterana i Abrahama sady nosoavin’i Iaveh tamin’ny zavatra rehetra.

2 Ary hoy i Abrahama tamin’ny mpanompony, ilay tranainy indrindra tao an-tranony, nanapaka ny fananany rehetra: «Ataovy ato ambanin’ny feko ny tananao,

3 hampianiana anao amin’ny anaran’i Iaveh Andriamanitry ny lanitra sy Andriamanitry ny tany, fa tsy haka vady ho an’ny zanako ao amin’ny zanaka vavin’ny Kananeanina, izay iraisako monina, ianao,

4 fa any amin’ny tanindrazako, any amin’ny tany niaviako, no halehanao haka vady ho an’Isaaka zanako.»

5 Ary hoy ny navalin’ilay mpanompony: «Angamba tsy hety hiaraka amiko hankany amin’ity tany ity ny vehivavy; ka ny zanakao ve no tokony hoentiko mankany amin’ny tany niavianao?»

6 Hoy i Abrahama taminy: «Tandremo sao dia entinao mankany ny zanako.

7 I Iaveh Andriamanitry ny lanitra Izay naka ahy tao an-tranon’ny raiko, sy tany amin’ny tany nahaterahako, Izay niteny tamiko sy nianiana tamiko hoe: ‹Homeko ny taranakao ity tany ity› dia izy ihany koa no haniraka ny Anjeliny eo alohanao, ka haka vady avy any ho an’ny zanako ianao.

8 Ary raha tsy mety hanaraka anao ny vehivavy dia afaka amin’izao fianianana ampanaoviko izao ianao; fa aza entinao mankany ny zanako.»

9 Dia napetrak’ilay mpanompo tao ambany fen’i Abrahama tompony ny tanany, ka nanao fianianana momba izany teo anatrehany izy.

10 Naka folo tamin’ny ramevan’ny tompony, ilay mpanompo, dia niainga handeha, ary nananany fahefana avokoa ny fananan’ny tompony. Dia nitsangana izy, ka any Mesôpôtamia any an-tanànan’i Nakôra no nalehany.

11 Nampandohalihiny teo ivelan’ny tanàna anilan’ny lavaka fantsakana ny rameva, nony harivariva tamin’ilay fivoahan’ny vehivavy hantsaka iny;

12 ka hoy izy: «Ry Iaveh, Andriamanitr’i Abrahama tompoko, mba ataovy tojo ny tadiaviko aho anio, ary ampisehoy hatsaram-po i Abrahama tompoko.

13 Indro aho mijanona eto anilan’ny loharano; ary ny zanaka vavin’ny mponina ao an-tanàna hivoaka hantsaka rano,

14 ka aoka izay zazavavy hilazako hoe: ‹Ahilano kely ny sininao mba hisotroako› ka hamaly hoe: ‹Misotroa, fa hampisotroiko koa ny ramevanao,› no ho ilay notendrenao ho an’i Isaaka mpanomponao. Ary izany no hahafantarako fa nampisehoanao hatsaram-po tokoa ny tompoko.»

15 Tsy mbola tapitra akory ny teniny, dia indro tamy nitondra ny sininy teo an-tsorony i Rebekà, zanaka vavin’i Batoela zanak’i Melkà vadin’i Nakôra rahalahin’i Abrahama.

16 Fatratra ny hatsaran-tarehin-drazazavavy, sady virjiny izy, fa tsy mbola nisy lehilahy nahalala azy. Nidina nankeo amin’ny loharano izy, nameno rano ny sininy dia niakatra.

17 Nihazakazaka nitsena azy ity mpanompo ka nanao hoe: «Mba avelao aho hisotro rano kely amin’ny sininao.»

18 Dia hoy razazavavy: «Misotroa, Tompokolahy,» sady nampidininy faingana ny sininy ho eo an-tanany, ka nampisotroiny izy.

19 Nony avy nampisotro azy izy, dia nanao hoe: «Hantsaka ho an’ny rameva koa aho, hosotroiny mandrapahafa-po azy.»

20 Dia nampidininy faingana teo amin’ny tavy fampisotroam-biby ny rano tao an-tsininy, ka nihazakazaka nantsaka teo am-pantsakana indray izy, ary nantsaka ho an’ny rameva rehetra.

21 Nandinika azy ralehilahy tsy niteny fa nieritreritra na efa nambinin’i Iaveh tokoa ny diany, na tsia.

22 Nony tapi-nisotro avokoa ny rameva, dia nalain-dralehilahy ny masom-bolamena iray, lanjan’antsasa-tsikla, sy ny haba volamena roa, lanjana folo sikla,

23 ka hoy izy: «Zana-jovy moa ianao? Mba lazao ahy kely izany. Ary mba misy toerana azonay andriana va ao an-tranon-drainao?»

24 Dia hoy ny navaliny: «Zanakavavin’i Batoela zanak’i Melkà, izay naterany tamin’i Nakôra aho.»

25 Ary hoy koa izy: «Na ny mololo na ny vilona dia samy betsaka ao aminay; sady ny mololo handriana koa dia misy ao.»

26 Tamin’izay niondrika ralehilahy, dia niankohoka teo anatrehan’i Iaveh ka nanao hoe: «Hisaorana anie i Iaveh, Andriamanitr’i Abrahama tompoko, fa tsy niova famindram-po sy fahamarinana amin’ny tompoko;

27 izaho koa notantanan’i Iaveh amin’ny lalana mankatỳ amin’ny rahalahin’ny tompoko.»

28 Dia lasa nihazakazaka razazavavy, nanambara izany zavatra izany tao amin-drainy.

29 Nanana anadahy anankiray atao hoe Labàna i Rebekà, ka nivoaka nihazakazaka i Labàna nankeo amin-dralehilahy teo amin’ny loharano.

30 Nahita ny masom-bola sy ny haba tany an-tanan’ny anabaviny izy, ary nandre ny tenin-dRebekà anabaviny hoe: Izao sy izao no nolazain-dralehilahy tamiko, ka nankeo amin-dralehilahy izay nijanona teo anilan’ny rameva tao amin’ny loharano izy, ka nanao hoe:

31 «Avia ianao izay notahin’i Iaveh. Nahoana no mijanona aty ivelany ianao? Efa namboatra ny trano aho sy fitoerana ho an’ny rameva.»

32 Dia niditra tao an-trano ralehilahy. Ary i Labàna kosa nanesotra ny laselin’ny rameva, dia nanome mololo sy vilona ho an’ny rameva, sy rano hanasana ny tongo-dralehilahy sy ny tongotry ny olona nomba azy.

33 Raha efa izany, naroson’i Labàna ny sakafo; fa hoy ralehilahy: «Tsy hihinana aho raha tsy efa voalazako ny teny hambarako.»

«Lazao àry,» hoy i Labàna.

34 Hoy izy: «Mpanompon’i Abrahama aho.

35 Ny tompoko efa nasian’i Iaveh soa be indrindra, ka efa tonga olona be fahefana izy; fa nomeny ondry sy omby, ary mpanompo lahy sy mpanompo vavy, ary rameva aman’ampondra.

36 Efa antitra i Sarà, vadin’ny tompoko, no niteraka tamin’ny tompoko zazalahy anankiray izay notolorany ny fananany rehetra.

37 Ary ny tompoko nampianiana ahy, nanao hoe: ‹Aza maka vady ho an-janako amin’ny zanaka vavin’ny Kananeanina eto tompon’ny tany onenako;

38 fa mankanesa any an-tranon’ikaky, any amin’ny havako, ka any maka vady ho an-janako.›

39 Nilaza tamin’ny tompoko aho, nanao hoe: ‹Angamba tsy hety hanaraka ahy hankatỳ ny vehivavy.›

40 Fa novaliany hoe: ‹I Iaveh, izay eo anatrehany no handehanako, no haniraka ny Anjeliny hiaraka aminao, sy hanambina ny dianao, ka haka vady ho an-janako, any amin’ny havako sy any an-tranon’ikaky ianao.

41 Afaka amin’ny fianianana nataonao ianao rehefa tonga tany amin’ny havako; ary raha tsy manaiky ny fangatahanao izy ireo dia afaka amin’ny fianianana ampanaoviko ianao.›

42 Nony tonga tao am-pantsakana aho androany, dia nanao hoe: ‹Ry Iaveh, Andriamanitr’i Abrahama tompoko, raha mba sitrakao ihany ny hanambina ny dia nalehako,

43 dia indro aho mijanona eto anilan’ny fantsakana; ka izay zazavavy tamy hantsaka hilazako hoe: Avelao aho mba hisotro rano kely amin’ny sininao, raha sitrakao, ka hamaly ahy hoe:

44 Misotroa, fa hantsakako mbamin’ny ramevanao koa, no aoka ho ilay vady nalahatr’i Iaveh ho an’ny zanaky ny tompoko.›

45 Mbola tsy tapitra akory ny teny anakampo nataoko, dia inty i Rebekà nivoaka nitondra ny sininy teny an-tsorony, nidina nantsaka teo am-pantsakana; ka hoy aho taminy: ‹Mba omeo kely aho hosotroiko, raha sitrakao.›

46 Nampidininy niaraka tamin’izay ny siny teny an-tsorony, sady hoy izy: ‹Misotroa; fa hampisotroiko mbamin’ny ramevanao koa.› Nisotro àry aho, ary nampisotroiny koa ny rameva.

47 Dia nanontany azy aho, nanao hoe: ‹Zanak’iza moa ianao?› Ary novaliany hoe: ‹Zanak’i Batoela, zanaka lahin’i Nakôra, izay naterak’i Melkà taminy, aho.› Izay dia nasiako kavina ny orony, ary nasiako haba ny tanany.

48 Ary dia niondrika aho, ka niankohoka teo anatrehan’i Iaveh ary nisaotra an’i Iaveh Andriamanitr’i Abrahama tompoko, izay nitondra ahy tamin’ny lalana marina, mba haka ny zana-drahalahin’ny tompoko ho an’ny zanany.

49 Koa ankehitriny, raha mba hanao izay soa sy marina amin’ny tompoko ianareo, dia lazao amiko; ary raha tsy izany kosa ambarao ahy ihany, mba hiviliako ho amin’ny ankavanana na ho amin’ny ankavia.»

50 Dia namaly i Labàna sy i Batoela ka nanao hoe: «Avy amin’i Iaveh izao zavatra izao ka tsy azonay atao ny milaza aminao hoe tsy mety na mety.

51 Indro i Rebekà eo anatrehanao, ento izy ka mandehana, ary aoka ho vadin’ny zanaky ny tomponao izy, araka ny voalazan’i Iaveh.»

52 Nony nandre izany ity mpanompon’i Abrahama dia niankohoka tamin’ny tany teo anatrehan’i Iaveh.

53 Ary navoakany ny firavaka volafotsy sy firavaka volamena, mbamin’ny fitafiana, ka nomeny an-dRebekà; sady notolorany fanomezana sarobidy koa ity anadahiny sy ny reniny.

54 Izay vao nihinana sy nisotro izy mbamin’ireto olona nomba azy, ary dia nandry.

Nony maraina, rehefa nifoha izy ireo, dia hoy ity mpanompo nanao hoe: «Alefaso aho hiverina any amin’ny tompoko.»

55 Fa hoy ny anadahin-dRebekà sy ny reniny: «Aoka re mba hipetrapetraka eto aminay andro vitsivitsy aloha ny zazavavy, hafoloana eo ho eo, vao mandeha.»

56 Ary hoy ralehilahy taminy: «Aza dia mahela ahy ianareo, fa efa mba nambinin’i Iaveh ny diako; ka alefaso aho handeha hody any amin’ny tompoko.»

57 Dia hoy ry zareo: «Aoka àry ny zazavavy no hantsointsika hanontaniana izay tiany.»

58 Dia nantsoiny i Rebekà, ka hoy izy taminy: «Te-handeha hiaraka amin’ity lehilahy ity va ianao?» Ary hoy navaliny: «Handeha aho.»

59 Izay vao nalefan’izy ireo i Rebekà anabaviny sy ny mpitaiza azy ary ny mpanompon’i Abrahama mbamin’ny olony.

60 Nitso-drano an-dRebekà izy, ka nanao taminy hoe: «Ho tonga alinalina anie ianao, ranabavy! Ary hahazo ny vavahadin’ny fahavalony anie ny taranakao!»

61 Dia niainga i Rebekà sy ny ankizivaviny nitaingina teo ambony rameva, niaraka tamin-dralehilahy; ka roso ny dian’ity mpanompo, nitondra an-dRebekà.

62 Tamin’izany i Isaaka tonga avy any amin’ny fantsakan’i Kai-Rôy ka nonina teo amin’ny tany Atsimo.

63 Indray hariva, raha ilay nivoaka mba hieritreritra tany an-tsaha iny izy, ka nanopy ny masony, dia indreny misy rameva tamy.

64 I Rebekà koa nanopy ny masony ka nahatazana an’i Isaaka, dia nitsambikina niala teny amin’ny rameva;

65 ary nanao tamin’ilay mpanompo hoe: «Iza irỳ lehilahy eny an-tsaha tamy hitsena antsika irỳ?» Dia hoy ilay mpanompo: «Ny tompoko iny.»

66 Koa noraisin-dRebekà ny voaliny, dia nisaronany. Nambaran’ity mpanompo tamin’i Isaaka avokoa ny zavatra rehetra nataony.

67 Dia nampandrosoin’i Isaaka i Rebekà ho ao an-dain’i Sarà reniny, sady nampakariny ho vady. Ary tia azy izy, ka nionona ny alahelony an-dreniny.

Categories
Jenezy

Jenezy 25

Ny taranak’i Abrahama tamin’i Setorà

1 Ary i Abrahama nampaka-bady, Setorà no anarany.

2 Ka izao no naterak’io taminy: i Zamràna, i Jeksàna, i Madàna, i Madiàna, i Jesbaka ary i Soe.

3 I Jeksàna niteraka an’i Sabà sy i Dadàna; ny zanaka lahin’i Dadàna dia ny Asorima, ny Latosima, ny Laomima;

4 Ny zanakalahin’i Madiàna dia i Efà, i Ofera, i Henoka, i Abidà, ary i Eldao. Ireo no zanaka lahin’i Setorà rehetra.

5 Natolotr’i Abrahama an’i Isaaka ny fananany rehetra.

6 Fa tolotanana no nomeny ny zanaky ny vaditsindranony; sady mbola velona teo izy dia efa nampandehaniny izy ireo hiala teo amin’i Isaaka hiantsinanana any amin’ny tany Atsinanana.

Ny nahafatesan’i Abrahama

7 Dimy amby fitopolo amby zato taona no andro niainan’i Abrahama,

8 ka efa tratra antitra tsara, ary efa ela sy lava andro niainana i Abrahama vao niala aina, ka maty, dia nakambana tamin’ny razany.

9 Nalevin’i Isaaka sy i Ismaely zanany izy, tao amin’ny zohy any Makpelà, amin’ny sahan’i Efrôna, zanak’i Seôra Heteanina, tandrifin’i Mambre,

10 dia ilay saha novidin’i Abrahama tamin’ny taranak’i Heta. Tao no nalevina i Abrahama sy i Sarà vadiny.

11 Nony maty i Abrahama, nasian’Andriamanitra soa i Isaaka zanany; ary tao akaikin’ny fantsakana «Lakai-Rôy» i Isaaka no nonina

Ireo taranak’i Ismaely

12 Izao no tantaran’i Ismaely zanak’i Abrahama izay naterak’i Agara Ejiptianina mpanompo vavin’i Sarà tamin’i Abrahama.

13 Izao no anaran’ny zanaka lahin’i Ismaely, araka ny anaran’ny taranany avy: Nebaiôta no lahimatoan’i Ismaely, dia i Sedara, i Adbeela, i Mabsama,

14 i Masmà, i Domà, i Masà,

15 i Hadada, i Temà, i Jetora, i Nafisy ary i Sedmà.

16 Ireo no zanaka lahin’i Ismaely, ireo no anarany araka ny vohiny sy ny tobiny avy; ireo no filohany roa ambin’ny folo amin’ny fokony.

Ny nahaterahan’i Esao sy i Jakôba

17 Fito amby telopolo amby zato taona no andro niainan’i Ismaely. Dia niala aina izy ka maty, ary nakambana tamin’ny razany.

18 Ny taranany dia nonina hatrany Hevilà ka hatrany Sora, tandrifin’i Ejipta amin’ny lalana mankany Asiria. Nitatra tandrifin’ny rahalahiny rehetra izy.

19 Izao no tantaran’i Isaaka zanak’i Abrahama:

20 i Abrahama niteraka an’i Isaaka. Ary efa efapolo taona i Isaaka vao nampakatra an-dRebekà, zanak’i Batoela Arameanina any Padan-Arama, sy anabavin’i Labàna Arameanina.

21 Nangataka tamin’i Iaveh ho an’ny vadiny i Isaaka, fa momba ravehivavy ary nohenoin’i Iaveh ny fangatahany, ka dia nanana anaka i Rebekà vadiny.

22 Nifanosika tao an-kibo ireo zaza, ka hoy izy: «Raha izany no izy, nahoana foana aho no dia bevohoka?» Dia lasa nanontany tamin’i Iaveh izy.

23 Ka hoy i Iaveh taminy:

«Firenena roa no ao an-kibonao.

Vahoaka roa toko no hisaraka hatreo am-pialana amin’ny kibonao.

Ka ny vahoaka iray toko dia hahery noho ny iray toko hafa.

Ary ny iray lehibe no hanompo ny iray kely.»

24 Dia tonga ny fotoana hahaterahany, ary zaza kambana no tao an-kibony.

25 Ilay nivoaka voalohany dia menapiny, toy ny lamba voloina ny tenany manontolo, ary natao hoe Esao no anarany; ny rahalahiny nanarakaraka kosa, sady nihazona ny ombalahin-tongotr’i Esao, ary nataony hoe Jakôbano anarany.

26 Efa enimpolo taona i Isaaka tamin’ny nahaterahan’izy ireo.

27 Dia nitombo ireo zaza ireo ka i Esao moa tonga mpihaza mahay, sy lehilahy mpiantsaha; fa i Jakôba kosa lehilahy nandry feizay, faly nipetraka tao an-day.

28 I Isaaka raiki-pitia an’i Esao, satria nankafy ny haza; fa i Rebekà kosa tia an’i Jakôba.

Namidin’i Esao ny fizokiany

29 Nahandro hanina indrindra i Jakôba no tonga avy any an-tsaha i Esao, efa trotraky ny harerahana.

30 Ka hoy i Esao tamin’i Jakôba: «Mba avelao aho hihinana amin’ny mena, dia amin’io mena io, fa reraka aho.» Izany no nanaovana ny anaran’i Esao hoe Edôma.

31 Ary hoy i Jakôba: «Amidio amiko àry aloha ny fizokianao.»

32 Dia hoy i Esao: «Izaho aza efa ho faty, ka ho inoko akory izay fizokiana?»

33 Fa hoy i Jakôba: «Mianiàna àry amiko aloha.» Dia nianiana izy, ka nivarotra ny fizokiany tamin’i Jakôba.

34 Izay vao nomen’i Jakôba mofo sy sosoam-boanemba i Esao; ka nony efa nihinana sy nisotro izy, dia nitsangana ka lasa nandeha. Toy izany no nanamavoan’i Esao ny fizokiany.

Categories
Jenezy

Jenezy 26

Nitoeran’i Isaaka tany Jerara

1 Nisy mosary indray tamin’ny tany; hafa fa tsy ilay mosary fony fahavelon’i Abrahama. Ka lasa i Isaaka nankany Jerara amin’i Abimeleka, mpanjakan’ny Filistinina.

2 Ary i Iaveh niseho taminy, ka nanao hoe: «Aza midina any Ejipta, fa mitoera amin’ny tany izay holazaiko aminao.

3 Dia eto amin’ity tany ity mitoetra; fa homba anao Aho, sy hanisy soa anao; homeko anao sy ny taranakao ireto tany rehetra ireto, fa hotanterahiko ny fianianana nataoko tamin’i Abrahama rainao.

4 Hampitomboiko tahaka ny kintana eny an-danitra ny taranakao; homeko ny taranakao ireto tany rehetra ireto; ary amin’ny taranakao no hanasoavana ny firenena rehetra ambonin’ny tany,

5 satria efa nihaino ny feoko i Abrahama ary nitandrina ny teniko sy ny didiko amam-pitsipiko sy ny lalàko».

6 Dia nitoetra tao Jerara i Isaaka.

7 Nanontanian’ny olona tompon-tany ny amin’ny vadiny izy, ka namaly hoe: «Anabaviko io.» Satria natahotra ny hilaza hoe vadiko izy; fandrao vonoin’ny olona noho ny amin-dRebekà aho, hoy izy, fa tsara tarehy izy.

8 Nony ela no nitoerany tao Jerara, sendra nitazana teo am-baravarankely kosa i Abimeleka, mpanjakan’ny Filistinina. Ka indro i Isaaka hitany nisangy tamin-dRebekà vadiny.

9 Dia niantso an’i Isaaka izy, ka nanao hoe: «Hita fa vadinao mihitsy izy. Ka ahoana no nilazanao hoe: Anabaviko io.» Ary hoy i Isaaka taminy: «Satria, hoy aho anakampo, sao dia maty aho noho ny aminy.»

10 Ka hoy i Abimeleka: «Ahoana no nanaovanao izany taminay? Fa nety ho nisy nandeha tamin’ny vadinao ny olona ka ho nampiditra fahotana taminay ianao.»

11 Dia nomen’i Abimeleka teny ny vahoakany rehetra, nataony hoe: «Izay mikasika io lehilahy io na ny vadiny dia vonoina ho faty.»

12 Ary i Isaaka namafy tamin’izany ka nahavokatra avo zato heny izy tamin’io taona io.

13 Nambinin’i Iaveh ka tonga mpanankarena ralehilahy; ary nandroso nandroso ihany izy nampitombo ny hareny, mandra-pahatongany ho manana harena tsy hita noanoa.

14 Nananany andiany maro ny biby fiompy na lehibe na kely; ary nananany betsaka koa ny mpanompo; ka velom-pialonana azy ny Filistinina.

Ireo lavaka fantsakana teo anelanelan’i Jerara sy i Bersabeo

15 Nototofan’ny Filistinina nofenoiny tany avokoa ny lavaka fantsakana nohadin’ny mpanompon-drainy, fony fahavelon’i Abrahama rainy.

16 Ary i Abimeleka nanao tamin’i Isaaka hoe: «Mandehana miala aty aminay ianao, fa efa mahery lavitra noho izahay.»

17 Dia nandeha i Isaaka ka niorin-day teo an-dohasahan’i Jerara sy nonina teo.

18 Ary ny lavaka fantsakana voahady fony fahavelon’i Abrahama rainy izay nototofan’ny Filistinina nony maty i Abrahama dia nohadin’i Isaaka indray, ka nasiany anarana araka ny anarana nomen-drainy azy ihany.

19 Mbola nihady teo amin’ny lohasaha koa ny mpanompon’i Isaaka, ka nahita loharano velona teo.

20 Fa niadian’ny mpiandry ondry tao Jerara ny mpiandry ondrin’i Isaaka nataony hoe: «Anay ny rano.» Ka nataon’i Isaaka hoe Eseka ny anaran’ny lavaka fantsakana, satria niadian-dry zareo izy.

21 Ary nihady lavaka fantsakana hafa indray ny mpanompon’i Isaaka nefa mbola niadiana ihany koa io ka nataony hoe Sitnà no anarany.

22 Dia niala teo izy ka nihady lavaka fantsakana hafa indray, izay vao tsy niadiana intsony, ka nataony hoe Rekôbôta ny anarany: Satria, hoy izy, efa nomen’i Iaveh toera-malalaka isika, ka hiadana amin’ny tany.

23 Avy eo izy dia niakatra ho any Bersabea.

24 Ary niseho taminy i Iaveh ny alin’izay ka nanao hoe: «Izaho no Andriamanitr’i Abrahama, rainao, aza matahotra fa momba anao aho; ka hanisy soa anao ka hahamaro ny taranakao, noho ny amin’i Abrahama mpanompoko.»

25 Dia nanangana ôtely teo i Isaaka, ka niantso ny anaran’i Iaveh. Ary niorin-day teo izy, ka nihady lavaka fantsakana teo ny mpanompony.

Fihavanana amin’i Abimeleka

26 Ary nanatona azy avy any Jerara i Abimeleka, nomban’i Okozôta sakaizany, sy i Fikôla filohan’ny tafiny.

27 Fa hoy i Isaaka tamin’izy ireo: «Ahoana no anatonanareo ahy nefa sady mankahala ahy ianareo no nandroaka ahy hiala tany aminareo?»

28 Ary hoy iretsy: «Efa hitanay miharihary fa momba anao i Iaveh, ka hoy izahay: ‹Aoka samy hanao fianianana isika, dia izahay sy ianao; ka hanao fanekem-pihavanana aminao izahay.

29 Aoka hianiana ianao fa tsy hanisy ratsy anay, araka ny tsy nikasihanay anao akory, na nanaovanay na inona na inona taminao afa-tsy ny soa ihany, fa efa nampandehaninay soa aman-tsara ianao. Ary ianao izao no ilay hasoavin’i Iaveh.› »

30 Dia nanao fanasana ho azy ireo i Isaaka ka nihinana sy nisotro izy.

31 Ary nifoha vao maraina koa izy, dia samy nanao fianianana izy roa tonta, izay izy ireo vao nalefan’i Isaaka; ka dia lasa soa aman-tsara niala taminy.

32 Tonga tao amin’i Isaaka androtr’izay ihany ny mpanompony, nilaza ny momba ny lavaka fantsakana izay nohadiny tamin’izany ka nanao taminy hoe: «Efa nahita rano izahay.»

33 Dia nataony hoe Sibea ny anaran’ny fantsakana, Izany no nanaovana ny anaran’ny tanàna hoe Bersabea mandraka androany.

Ireo vehivavy Heteanina novadin’i Esao

34 Rehefa efapolo taona i Esao dia nanambady an’i Jodita, zanak’i Beeri Heteanina, sy Basemata, zanak’i Elôna Heteanina.

35 Nahasorisorena mafy an’i Isaaka sy i Rebekà izy ireny.

Categories
Jenezy

Jenezy 27

Ny nahazoan’i Jakôba ny tso-dranon’i Isaaka

1 Efa antitra i Isaaka ka efa nanjavona ny masony ka tsy nahita intsony. Dia niantso an’i Esao zanany lahy matoa izy, ka nanao taminy hoe: «Anaka.» – Ary hoy io taminy: «Inty aho.»

2 Dia hoy i Isaaka: «Hitanao fa efa antitra aho izao; ary tsy fantatro izay andro hahafatesako.

3 Koa ankehitriny, alao ny fitaovanao, dia ny tranon-jana-tsipìkanao sy ny tsipìkanao, ka mandehana any an-tsaha ka mamonoa biby fihaza ho ahy.

4 Dia anaovy nahandro tsara ho ahy izany, araka ilay tiako; ka ento aty amiko hohaniko, mba hitsofan’ny fanahiko rano anao, dieny mbola tsy maty aho.»

5 Ary henon-dRebekà kosa ny nitenenan’i Isaaka tamin’i Esao, zanany; dia lasa i Esao nankany an-tsaha mba hiremby haza sy hitondra azy.

6 Tamin’izay i Rebekà nilaza tamin’i Jakôba zanany hoe: «Izao no reko lazain-drainao tamin’i Esao rahalahinao:

7 ‹Itondray haza aho, ka anaovy nahandro tsara hohaniko, mba hitsofako rano anao eo anatrehan’i Iaveh alohan’ny hahafatesako.›

8 Koa ankehitriny, anaka, araho ny teniko amin’izay nasaiko ataonao:

9 ‹Mandehana mankany amin’ny biby fiompy ka angalao zanak’osy roa izay tsara aho, hanaovako nahandro tsara ho an-drainao, araka ilay tiany;

10 dia hoentinao ao amin-drainao izany dia hohaniny, mba hitsofany rano anao, alohan’ny hahafatesany.› »

11 Ary hoy i Jakôba tamin-dRebekà reniny: «I Esao rahalahiko, lehilahy voloina, fa izaho malambo hoditra.

12 Angamba hitsapa ahy ikaky ka hoheveriny ho mpamazivazy azy aho, ary amin’izay, ozona fa tsy tso-drano no ho azoko.»

13 Hoy reniny taminy: «Aoka hihatra amiko ny fanozonana anao, anaka. Fa araho ihany ny teniko: mandehana, angalao zanak’osy roa aho.»

14 Dia nandeha naka i Jakôba, ka nitondra izany tamin-dreniny, nanaovany nahandro tsara araka ilay tian-drainy.

15 Ary nalain-dRebekà ny fitafian’i Esao, zanany lahy matoa, ny tsara indrindra, izay tao an-trano, ka nampitafiany an’i Jakôba, zanany lahy aivo.

16 Dia nofonosiny tamin’ny hodi-janak’osy koa ny tanany mbamin’ny malambolambo amin’ny vozony.

17 Izay vao nataony an-tanan-janany ny nahandro tsara sy ny mofo efa namboariny.

18 Dia nankao amin-drainy i Jakôba ka nanao hoe: «Dada ô!» Ka hoy i Isaaka: «Inty aho, iza moa ianao anaka?»

19 Ary hoy i Jakôba tamin-drainy: «Izaho no Esao zanakao lahy matoa. Vitako ny nasainao nataoko ka masìna ianao, miarena ary mipetraha hihinana ny hazako, mba hitsofan’ny fanahinao rano ahy.»

20 Fa hoy i Isaaka tamin-janany: «Ahoana no dia nahazoanao faingana toy izany, anaka?» Ka hoy i Jakôba: «I Iaveh Andriamanitrao no nahatonga azy teo anoloako.»

21 «Manatòna àry, hoy i Isaaka, mba hitsapako anao kely, na ianao tokoa no i Esao zanako, na tsia.»

22 Dia nanatona an-drainy i Jakôba; ka hoy i Isaaka nony nitsapa azy: «Ny feony dia feon’i Jakôba, fa ny tanany dia tanan’i Esao.»

23 Tsy nahalala azy izy, satria voloina tahaka ny an’i Esao rahalahiny, ny tanany, ka dia nitso-drano azy.

24 Hoy izy: «Marina tokoa va fa ianao no i Esao, zanako?» Ary hoy i Jakôba: «Izaho no izy.»

25 Dia hoy i Isaaka: «Arosoy àry hohaniko izato hazan’ny zanako, mba hitsofan’ny fanahiko rano anao.» Dia naroson’i Jakôba teo anoloany izany ka nihinana izy; ary notolorany divay koa; ka nisotro.

26 Raha efa izany, hoy i Isaaka rainy, taminy: «Manatòna ianao anaka, ka manoroha ahy.»

27 Dia nanatona i Jakôba ka nanoroka azy; ary nandre ny hanitry ny fitafiany i Isaaka, ka nitso-drano azy, nanao hoe: «Eny, ny hanitry ny zanako, dia tahaka ny hanitry ny saha voatso-dranon’i Iaveh.

28 Andriamanitra anie hanome anao amin’ny andon’ny lanitra

sy amin’ny menaky ny tany;

mbamin’ny vary aman-divay ankabetsahana!

29 Hotompoim-pirenena maro anie ianao,

hiankohofam-pirenena maro ianao,

ho tompon’ny rahalahinao anie ianao,

hiankohofan’ny zana-dreninao ianao.

Ho voaozona anie izay hanozona anao,

fa hohasoavina kosa izay hanisy soa anao!»

30 Vao avy nitso-drano an’i Jakôba i Isaaka, ary vao nandao an’i Isaaka rainy i Jakôba, no tonga avy any am-pihazana kosa i Esao, rahalahiny.

31 Mba nanao nahandro tsara koa izy, ka nitondra izany tao amin-drainy, ary nanao tamin-drainy hoe: «Aoka hiarina ny raiko sy hihinana ny hazan’ny zanany, mba hitsofan’ny fanahinao rano ahy.»

32 Fa hoy i Isaaka, rainy, taminy: «Iza moa ianao?» Ary hoy izy: «Izaho no Esao zanakao lahy matoa.»

33 Tera-kovitra mafy indrindra i Isaaka, ka nanao hoe: «Iza àry ilay efa naka haza, ka nitondra teto amiko? Fa efa nihinanako avokoa izany, talohan’ny nahatongavanao; ary efa nitso-drano azy aho, ka ho voatso-drano tokoa izy.»

34 Vao nandre ny tenin-drainy i Esao dia nikiaka mafy erỳ nitaraina tamin’alahelo mangidy sy nanao tamin-drainy hoe: «Mba tsofy rano aho, dia izaho koa, ry Dada ô!»

35 Fa hoy i Isaaka: «Tonga ny rahalahinao nanao an-kafetsena ka lasany ny tso-dranonao.»

36 Ka hoy i Esao: «Noho ny nanaovana azy hoe Jakôba va no nanongonany ahy indroa izao? Efa naka ny fizokiako izy, ary inty indray ankehitriny, naka ny tso-dranoko koa.» Dia hoy koa izy: «Tsy mba misy tso-drano natokanao ho ahy va?»

37 Fa hoy ny navalin’Isaaka an’i Esao: «Efa natsangako ho tomponao izy; sady efa nomeko azy ho mpanompony ny rahalahiny rehetra, ary nataoko be vary aman-divay izy. Ka ny aminao inona indray no azoko atao, anaka?»

38 Dia hoy i Esao tamin-drainy: «Dia tsy manana afa-tsy io tso-drano io va ianao, ry dada? Tsofy rano re aho, dia izaho koa, ry dada ô! Sady nanandratra ny feony nitomany i Esao.»

39 Ka izao navalin’i Isaaka rainy azy:

«Tsy hisy menaky ny tany amin’ny fonenanao,

tsy hisy ando avy amin’ny lanitra.

Fa ny sabatrao no hivelomanao,

40 ary ny rahalahinao no hotompoinao.

Mbola ho avy anefa ny hanifihanao ny jiogany,

ka ho tapakao ho afaka amin’ny vozonao iny.»

41 Raikitra ao am-pon’i Esao ny fankahalana an’i Jakôba noho ny tso-drano nomen-drainy azy, ka hoy izy tao am-pony: «Ny andro hisaonako an’i Dada dia efa antomotra; amin’izay dia hovonoiko i Jakôba rahalahiko.»

42 Nolazain’olona tamin-dRebekà izany tenin’i Esao zanany lahy matoa izany, ka nampanalainy i Jakôba zanany lahy aivo, dia hoy izy taminy: «Indro i Esao rahalahinao mikasa hamaly faty anao, ka hamono anao.

43 Noho izany, anaka, henoy aho: Miaingà ianao ary mandosira any amin’i Labàna anadahiko, any Haràna,

44 ka mitoera any andro vitsivitsy mandra-pionon’ny hatezeran’ny rahalahinao.

45 Fa rehefa afaka ny hatezeran’ny rahalahinao aminao ka hadinony izay nataonao taminy, dia haniraka hampaka anao any aho. Hataoko ahoana no famoy anareo mirahalahy, indray andro?»

Irahin’i Isaaka ho any amin’i Labàna i Jakôba

46 Ary hoy i Rebekà tamin’i Isaaka: «Boboky ny miaina aho noho ny amin’ireny zanaka vavin’i Heta ireny, raha maka vady tahaka ireny i Jakôba, amin’ireny zanaka vavin’i Heta ireny, amin’ny zazavavy amin’ity tany ity, dia hampaninona ahy intsony izay aina?»

Categories
Jenezy

Jenezy 28

1 Dia nantsoin’i Isaaka i Jakôba, ka notsofiny rano sy nomeny teny hoe: «Aza maka vady amin’ny zanaka vavin’i Kanaana.

2 Fa miaingà ianao, mankanesa any Padan-Arama, any amin’i Batoela, rain-dreninao, ka any maka vady, amin’ireo zanaka vavin’i Labàna, anadahin-dreninao.

3 Hohasoavin’Andriamanitra mahefa ny zavatra rehetra anie ianao, ka hampitomboiny sy hohamaroiny, ho tonga firenena maro.

4 Homeny anao anie ny fanasoavana an’i Abrahama, dia ho anao sy ny taranakao, mba hanananao ny tany itoeranao, izay efa nomen’Andriamanitra an’i Abrahama.»

5 Dia nalefan’i Isaaka i Jakôba, ka nandeha nankany Padan-Arama, amin’ny Labàna, zanak’i Batoela, Arameanina, anadahin-dRebekà, renin’i Jakôba sy i Esao.

I Esao nanambady hafa koa

6 Hitan’i Esao fa nitso-drano an’i Jakôba i Isaaka sy naniraka azy haka vady any Padan-Arama, sady nanome teny azy teo ampitsofan-drano azy, nanao hoe:

7 «Aza maka vady amin’ny zanaka vavin’i Kanaana, ary nanaiky ny tenin-dray aman-dreniny i Jakôba ka lasa nankany Padan-Arama.»

8 Hitan’i Esao fa tsy tian’Isaaka rainy ny zanaka vavin’i Kanaana,

9 ka lasa izy nankany amin’i Ismaely, naka an’i Maheleta, zanaka vavin’i Ismaely, zanak’i Abrahama, sy anabavin’i Nabaiôta, ho vadiny, fanampin’ireo efa nananany.

Ny nofin’i Jakôba

10 Dia niala tany Bersabea i Jakôba nankany Haràna.

11 Nony tonga tao amin’ny fitoerana anankiray izy, dia nandry teo, fa efa maty masoandro. Naka vato anankiray tao izy, nataony ondana, dia nandry teo, tamin’izany fitoerana izany.

12 Ary nanonofy izy, ka indro, nisy tohatra anankiray niorina tamin’ny tany tafapaka amin’ny lanitra ny lohany; ary nisy Anjelin’Andriamanitra niakatra sy nidina teo aminy.

13 Ary niseho terỳ ambony i Iaveh ka nanao hoe: «Izaho no Iaveh Andriamanitr’i Abrahama rainao, sy Andriamanitr’i Isaaka; io tany andrianao io, dia homeko anao sy ny taranakao.

14 Ho tahaka ny vovoky ny tany ny taranakao; hitatra any andrefana sy any atsinanana ianao, ary any avaratra sy any atsimo; ary aminao sy amin’ny taranakao no hanasoavana ny firenena rehetra ambonin’ny tany.

15 Indro Aho momba anao, ka hiaro anao any amin’izay halehanao rehetra, sy hampody anao indray amin’ity tany ity. Fa tsy handao anao Aho, mandra-pahatanterako izay voalazako taminao.»

16 Nahatsiaro tamin’ny torimasony i Jakôba, ka nanao hoe: «Eto amin’ity fitoerana ity tokoa i Iaveh, fa izaho tsy nahalala izany.»

17 Dia raiki-tahotra izy, ka nanohy hoe: «Endrey mahatahotra ity fitoerana ity! Eto tokoa ny tranon’Andriamanitra, eto no vavahadin’ny lanitra!»

18 Nifoha maraina koa izy, dia nalainy ilay vato nataony ondana, naoriny nataony tsangam-bato ka norotsahany diloilo ny tampony.

19 Nataony hoe Betela no anaran’io fitoerana io. Loza anefa no anaran’ny tanàna tany aloha.

20 Ary nanao voady i Jakôba ka hoy izy: «Raha momba ahy tokoa Andriamanitra ka miaro ahy amin’izao dia alehako izao, raha manome ahy hanin-kohanina sy lamba hitafiako;

21 ka tafaverina soa aman-tsara any an-tranon’ikaky aho, dia i Iaveh no ho Andriamanitro.

22 Ho tranon’Andriamanitra ity vato naoriko ho tsangam-bato ity, ary haloako ho Anao ny ampahafolon’izay rehetra homenao ahy.»

Categories
Jenezy

Jenezy 29

I Jakôba tonga any amin’i Labàna

1 Dia nanohy ny diany i Jakôba, ary nandeha ho any amin’ny tanin’ny zanaky ny Tatsinanana.

2 Nitazana izy ka indro lavaka fantsakana anankiray teny an-tsaha, ary indreo nisy ondry telo dia, nandry teo anilany, fa teo amin’izany lavaka fantsakana izany no fampisotroan-drano ny biby fiompy, ary lehibe ny vato teo ambonin’ny vava lavaka.

3 Tao no niangonan’ny biby fiompy rehetra. Akodia aloha ny vato avy eo ambonin’ny vava lavaka fantsakana, ka ampisotroina ny biby fiompy, dia averina amin’ny fitoerany eo am-bava lavaka fantsakana indray ny vato.

4 Ary hoy i Jakôba tamin’ireo mpiandry ondry: «Ry rahalahy, avy aiza moa ianareo?» Hoy ny navaliny azy: «Avy any Haràna izahay.»

5 Dia hoy izy taminy: «Mba fantatrareo va i Labàna zanak’i Nakôra?» Ary hoy ny navaliny: «Fantatray izy.»

6 Hoy izy taminy: «Tsara ihany va izy?» Hoy ny navaliny: «Tsara ihany izy ary inty tamy i Rasela zanany vavy, mitondra ny ondriny.»

7 Hoy izy: «He! Mbola antoandro be ny andro, mbola tsy fotoana famoriana ny biby fiompy, ka ampisotroy ny ondry dia mandehana andraso indray izy.»

8 Hoy ny navalin’ireo: «Tsy azonay atao izany raha tsy efa tafangona ny andiam-biby fiompy rehetra, sy efa voakodia hiala amin’ny vava lavaka fantsakana ny vato, vao mampisotro ny ondry izahay.»

9 Mbola, niresaka tamin’ireo teo i Jakôba, no tonga i Rasela nitondra ny ondrin-drainy, fa mpiandry ondry izy.

10 Vao hitan’i Jakôba i Rasela, zanak’i Labàna, anadahin-dreniny, sy ny ondrin’i Labàna anadahin-dreniny, dia nanatona izy nanakodia ny vato nanarona ny vava lavaka fantsakana sy nampisotro ny ondrin’i Labàna, anadahin-dreniny;

11 ary i Jakôba nanoroka an-dRasela, dia nanandratra ny feony ka nitomany.

12 Nambaran’i Jakôba an-dRasela fa rahalahin’ny rainy zana-dRebekà izy; ka nihazakazaka i Rasela nanambara izany tamin-drainy.

13 Vao nandre ny filazàny an’i Jakôba zanak’anabaviny i Labàna dia nihazakazaka nitsena azy, ka namihina azy, nanoroka azy, nitondra azy ho any an-tranony. Dia notantarain’i Jakôba tamin’i Labàna izany zavatra rehetra izany,

14 ka hoy i Labàna taminy: «Eny taolako sy nofoko ianao.»

Ary nitoetra teo aminy iray volana maninjitra i Jakôba.

I Jakôba nanambady roa

15 Ary hoy i Labàna tamin’i Jakôba: «Noho ianao rahalahiko va no tokony hanompoanao ahy maina? Ka lazao ahy izay karamanao?»

16 Ary nanan-janaka roa vavy i Labàna; ny zokiny natao hoe Lià, ary ny zandriny natao hoe Rasela.

17 I Lià dia narary maso, fa i Rasela sady tsara bika no tsara tarehy.

18 Ary i Jakôba tia an-dRasela ka nanao hoe: «Hanompo anao fito taona aho, mba hahazoako an-dRasela zanakao vavy aivo.»

19 Dia hoy i Labàna: «Aleo omena anao izy toy izay omena ny hafa; ka mitoera àry eto amiko.»

20 Dia nanompo fito taona i Jakôba, mba hahazoany an-dRasela, ary toa andro vitsy foana teo imasony izany, noho ny fitiavany azy.

21 Ary hoy i Jakôba tamin’i Labàna: «Omeo ahy ny vadiko fa tapitra ny fetr’androko dia hankaminy aho.»

22 Dia novorin’i Labàna ny olona rehetra tamin’io fitoerana io, ka nanao fanasana izy.

23 Nony hariva ny andro, dia i Lià, zanany vavy, no nalainy, nentiny tao amin’i Jakôba, ka niraisan’i Jakôba.

24 Ary i Zelfa ankizivaviny natolony hanompo an’i Lià zanany vavy.

25 Nony tonga ny maraina, indro fa i Lià io, ka hoy i Jakôba tamin’i Labàna: «Inona ity nataonao tamiko? Moa tsy ny hahazoako dRasela va no nanompoako teto aminao? Nahoana no dia nofitahinao aho?»

26 Ary hoy no navalin’i Labàna: «Tsy fanao aty ny mamoaka ny zandriny alohan’ny zokiny.

27 Ka tanteraho ny herinandron’ity anankiray ity, fa homenay anao koa ny anankiray noho ny fanompoana izay mbola hataonao aty amiko mandritra ny fito taona hafa.»

28 Nataon’i Jakôba izany ary notanterahiny ny herinandron’i Lià, dia nomen’i Labàna ho vadiny i Rasela, zanany vavy.

29 Ary i Balà ankizivaviny natolony hanompo an-dRasela zanany vavy.

30 Ary nankamin’i Rasela koa i Jakôba, sady tia azy mihoatra an’i Lià. Ary nanompo tao amin’i Labàna fito taona indray izy.

Ireo zanak’i Jakôba

31 Hitan’i Iaveh fa nankahalaina i Lià, ka nampanana anaka azy izy, fa i Rasela kosa momba.

32 Dia nanana anaka i Lià, ka tera-dahy, nomeny anarana hoe Robena, fa hoy izy: «Nitsinjo ny fahoriako i Iaveh ka ho tian’ny vadiko aho ankehitriny.»

33 Nanana anaka indray izy dia tera-dahy, ka nanao hoe: «Ren’i Iaveh fa nankahalaina aho, ka nomeny an’ity koa, dia nataony hoe Simeôna ny anarany.»

34 Nanana anaka indray koa izy, dia tera-dahy, ka nanao hoe: «Izao vao hiraiki-po amiko tokoa ny vadiko, fa niteraka telo mirahalahy ho azy aho.» Izany no nanaovany ny anaran’io hoe Levi.

35 Nanana anaka indray koa izy, dia tera-dahy ka nanao hoe: «Ankehitriny hidera an’i Iaveh aho. Izany no nanaovany ny anaran’io hoe Jodà.» Dia nitsaha-jaza izy.

Categories
Jenezy

Jenezy 30

1 Nony hitan-dRasela fa tsy mba niteraka tamin’i Jakôba izy, dia nialona ny rahavaviny izy sady nanao tamin’i Jakôba hoe: «Mba omeo zaza aho, fa raha tsy izany maty aho.»

2 Fa nirehitra tamin-dRasela ny fahatezeran’i Jakôba, ka hoy izy: «Izaho va no solon’Andriamanitra nahamomba anao?»

3 Ary hoy ravehivavy: «Indro i Balà, ankizy vaviko, mandehana aminy mba hiterahany eo am-pofoako, sy hananako taranaka aminy koa.»

4 Dia nomeny ho vadiny i Balà ankizy vaviny, ka niray tamin’io i Jakôba.

5 Ary nanana anaka i Balà, dia tera-dahy tamin’i Jakôba.

6 Ka hoy i Rasela: «Nomen’Andriamanitra ny rariny aho, ary nohenoiny ny feoko, ka nomeny zazalahy aho.» Izany no nanaovany ny anarany hoe i Dana.

7 Ary nanana anaka indray i Balà, ankizy vavin-dRasela, dia nitera-dahy fanindroany tamin’i Jakôba,

8 ka hoy i Rasela: «Nifaninana tamin’ny rahavaviko teo amin’Andriamanitra aho ary nahery.» Dia nataony hoe: Neftalì ny anarany.

9 Rahefa hitan’i Lià fa nitsaha-jaza izy, dia nalainy i Zelfa ankizy vaviny ka nomeny ho vadin’i Jakôba.

10 Ary nitera-dahy tamin’i Jakôba i Zelfa ankizy vavin’i Lià.

11 Ka hoy i Lià: «Manan-jara re aho,» dia nataony hoe Gada ny anarany.

12 Fa nitera-dahy fanindroany tamin’i Jakôba indray i Zelfa, ankizy vavin’i Lià.

13 Ka hoy i Lià: «Fahasambarana ho ahy izao; fa hataon’ny zazavavy hoe: sambatra aho.» Dia nataony hoe: Asera ny anarany.

14 Tamin’ny fotoana fijinjam-barim-bazaha, nivoaka i Robena, ka nahita mandragoratany an-tsaha, dia nentiny tany amin’i Lià reniny. Ary hoy i Rasela tamin’i Lià: «Masìna ianao, mba omeo kely amin’ny mandragoran-janakao aho.»

15 Fa hoy ny navaliny azy: «Tsy ampy ve ny nangalanao ny vadiko, ka haka ny mandragoran-janako koa ianao?» Dia hoy i Rasela: «Aoka àry ho any aminao izy anio alina, ho valin’ny mandragoran-janakao.»

16 Nony hariva, inty tonga avy any an-tsaha i Jakôba, ka nivoaka nitsena azy i Lià, nanao hoe: «Ato amiko no halehanao fa efa nohofako ny mandragoran-janako ianao.» Dia nandry taminy izy ny alin’izay.

17 Ary nihaino an’i Lià Andriamanitra ka nanana anaka izy, dia nitera-dahy fanindiminy tamin’i Jakôba;

18 ka hoy i Lià: «Nomen’Andriamanitra ny karamako aho tamin’ny nanomezako ny ankizivaviko ho an’ny vadiko.» Dia nataony hoe Isakara ny anarany.

19 Mbola nanana anaka koa i Lià sy nitera-dahy fanineniny tamin’i Jakôba,

20 ka nanao hoe: «Nomen’Andriamanitra anjara soa aho; amin’izao, dia hitoetra amiko ny vadiko, fa niteraka enina mirahalahy ho azy aho.» Dia nataony hoe Zabolôna ny anarany.

21 Nanaraka izany dia nitera-bavy izy, ka nataony hoe Dinà ny anarany.

22 Ary Andriamanitra nahatsiaro an-dRasela, ka nihaino azy ka nampanana anaka azy.

23 Nanana anaka izy sady nitera-dahy ka nanao hoe: «Nesorin’Andriamanitra tamiko ny fahafaham-barakako.»

24 Dia nataony hoe i Josefa ny anarany, fa hoy izy: «Hanampy zazalahy iray ho ahy koa anie i Iaveh.»

Ny nampan-karena an’i Jakôba

25 Nony efa niteraka an’i Josefa i Rasela, dia hoy i Jakôba tamin’i Labàna: «Avelao aho handeha, hody any amiko sy any amin’ny taniko.

26 Omeo ahy ireo vadiko nanompoako anao, mbamin’ireo zanako dia handeha aho; fa fantatrao izay fanompoako nataoko taminao izay.»

27 Fa hoy i Labàna taminy: «Raha mba nahita fitia teo imasonao ihany aho re, dia hitako fa ianao no nanambinan’i Iaveh ahy.

28 Lazao amiko izay ho karamanao fa homeko tokoa.»

29 Hoy i Jakôba taminy: «Fantatrao ny nanompoako anao sy ny tonga toetry ny biby fiompinao, nony mby tamiko.

30 Fa kely ny fanananao talohan’ny nahatongavako: ary efa nitombo be dia be izy izao, ka nambinin’i Iaveh ianao, tamin’ny nalehako. Ary ankehitriny, rahoviana kosa no mba hihariako ho an’ny ankohonako?»

31 Dia hoy i Labàna: «Inona àry no homeko anao?» Ka hoy i Jakôba: «Tsy hanome ahy na inona na inona ianao; fa raha ekenao izao teniko izao, dia handrasako sy hotandremako indray ny biby fiompinao.

32 Handeha hamaky ny biby fiompinao rehetra aho anio; ka havahako ny sada sy ny mara rehetra mbamin’ny mainty rehetra amin’ny zanak’ondry; ary ny sada sy ny mara amin’ny osy, dia ireo no ho karamako.

33 Ny fahamarinako no ho vavolombeloko rahampitso, rahefa tonga handinika ny karamako ianao. Izay rehetra tsy mara sy tsy sada eo amin’ny osy, ary tsy mainty eo amin’ny ondry dia ho halatra eo am-pelatanako.»

34 Ka hoy i Labàna: «Aoka àry, dia ho araka izany voalazanao izany.»

35 Androtr’izay ihany dia navahany ny osy lahy sadika sy mara, ny osy vavy sadika sy mara, izay rehetra misy fotsy, ary izay mainty rehetra tamin’ny zanak’ondry; ka ireny no natolony ho eo an-tanan’ny zanany lahy.

36 Dia nasiany elanelana lalan-kateloana izy sy i Jakôba. Ary ny biby fiompin’i Labàna sisa, nandrasan’i Jakôba.

37 Naka tsora-kazo maitso, tamin’ny hazo peuplier sy amandier ary platane i Jakôba, nataony vaofy vandana, hisehoan’ny fotsy amin’ny tsora-kazo;

38 dia napetrany teny amin’ny tatatra, teny amin’ny fisotroan-drano fisotron’ny ondry, ny tsora-kazo voavaofy, nataony talaky mason’ny ondry; fa nitady hikambana ireny nony tonga hisotro,

39 ka nikambana teo anoloan’ny tsora-kazo ny ondry, dia teraka sadika sy mara ary sada.

40 Navahan’i Jakôba ny zanak’ondry, ary ny biby fiompy dia nataony nanatrika ny sadika sy ny mainty rehetra amin’ny biby fiompy ananan’i Labàna. Izany no nahazoany andiam-biby fiompy ho an’ny tenany, ka tsy nakambany tamin’ny biby fiompin’i Labàna.

41 Nony injay ny ondry matanjaka no nitady hikambana, dia nataon’i Jakôba tao anatin’ny fisotroan-drano talaky mason’ny ondry ny tsora-kazo, mba hikambanany eo anilan’ny tsora-kazo;

42 fa raha osaosa kosa ny ondry dia tsy mba nataony tao ireny; ka dia ny zanak’ondry osaosa no an’i Labàna, fa ny matanjaka kosa an’i Jakôba.

43 Dia tonga mpanankarena fatratra ralehilahy, fa nananany betsaka ny biby fiompy, ny mpanompo lahy sy vavy, ary ny rameva aman’ampondra.