Categories
1Mpanjaka

1Mpanjaka 20

Natao fahirano i Samaria

1 Ary i Benadaba mpanjakan’i Siria, namory ny tafiny rehetra; mpanjaka 32 no niaraka taminy, sady nisy soavaly aman-kalesy maro koa. Dia niakatra izy ary nanao fahirano an’i Samaria dia namely azy.

2 Nandefa iraka nankao an-tanàna, ao amin’i Akaba, mpanjakan’i Israely izy, hilaza aminy hoe: «Izao no tenin’i Benadaba:

3 ‹Ahy ny volafotsy sy volamenanao, ahy ny vadinao sy ny zanakao tsara indrindra.›

4 Dia izao no navalin’ny mpanjakan’i Israely: ‹Eny, ry mpanjaka tompoko ô, anao aho sy izay rehetra ananako, araka ny voalazanao.› »

5 Fa niverina indray ny iraka, nilaza hoe: «Izao no lazain’i Benadaba: Nampilaza taminao aho hoe: Atolory ahy ny volafotsy sy ny volamenanao, mbamin’ny vady aman-janakao.

6 Kanjo rehefa halefako ho atỳ aminao rahampitso toy izao ny mpanompoko dia hisava ny tranonao sy ny tranon’ny mpanomponao izy, dia horaisin’ny tanany sy hoentiny avokoa izay rehetra sarobidy eo imasonao.»

7 Ary nantsoin’ny mpanjakan’i Israely ny loholona rehetra amin’ny tany, ka hoy izy: «Fantaro sy zahao fa mitady hampidi-doza amintsika io lehilahy io, nangataka ny vady aman-janako, mbamin’ny volafotsy sy volamenako, ka tsy nandà izany aho.»

8 Dia hoy ny loholona sy ny vahoaka rehetra tamin’i Akaba: «Aza mihaino na manaiky akory.»

9 Ka dia hoy i Akaba namaly ny irak’i Benadaba: «Izao no lazao amin’ny mpanjaka tompoko: Izay rehetra nanirahanao hangatahina tamiko tamin’ny voalohany dia hataoko, fa ny amin’izao zavatra izao kosa, tsy azoko atao.» Dia niverina ny iraka nitondra izany valy izany taminy.

10 Naniraka olona i Benadaba hilaza amin’i Akaba hoe: «Hataon’ireo andriamanitra amin’izay ngidiny indrindra anie aho raha ho ampy eran-tanan’ilan’ny isan’olona manaraka ahy akory ny vovok’i Samaria.»

11 Fa izao kosa no navalin’ny mpanjakan’i Israely nataony hoe: «Lazao aminy hoe: Aoka izay mbola mitafy ny fiadiany, tsy hirehareha toy ny efa nametraka ny azy.»

12 Niara-nisotro tamin’ireo mpanjaka, tao an-trano rantsan-kazo i Benadaba no nandre izany valin-teny izany; ka hoy izy tamin’ny mpanompony: «Milahara hiady ianareo.» Dia nilahatra hamely ny tanàna izy ireo.

Fandresen’ny Israelita

13 Fa indro kosa nisy mpaminany nanatona an’i Akaba, mpanjakan’i Israely nanao hoe: «Izao no tenin’i Iaveh: Hitanao ireo vahoaka be rehetra ireo: Indro hatolotro eo an-tananao anio, dia ho fantatrao fa i Iaveh Aho.»

14 Ary hoy i Akaba: «Amin’iza?» Dia hoy ny navaliny: «Izao no lazain’i Iaveh: Amin’ny mpanompon’ny lehiben’ny isam-pizaran-tany.» Ka hoy i Akaba: «Iza no hamely aloha?» Ary hoy ny navaliny: «Ianao ihany.»

15 Dia nampanaovin’i Akaba matso ny mpanompon’ny lehiben’ny isam-pizaran-tany, ka nisy 232 ny isany. Nanarakaraka azy ireo dia nampanaoviny matso koa ny zanak’i Israely rehetra, ka 7.000 no isany.

16 Dia nivoaka hamely izy ireo, nony nitataovovonana ny andro, ary i Benadaba mbamin’ireo mpanjaka 32 nanampy azy dia mbola nisotro sy nimamo tao an-trano rantsan-kazo tamin’izany.

17 Ny mpanompon’ny lehiben’ny isam-pizaran-tany no nivoaka voalohany. Ary naniraka hanontany i Benadaba, ka nilaza hoe: «Misy olona nivoaka avy any Samaria.»

18 Dia hoy izy: «Raha avy hihavana izy ataovy sambo-belona; raha avy hiady izy ataovy sambo-belona.»

19 Rehefa tafavoaka ny tanàna ny mpanompon’ny lehiben’ny isam-pizaran-tany mbamin’ny foloalindahy nanaraka aorian’ireo,

20 dia samy nahafaty lehilahy iray avy izy ireo, ka rafitra nandositra ny Sirianina, nefa nenjehin’i Israely. Niara-nandositra an-tsoavaly tamin’ny mpitaingin-tsoavaly sasany koa i Benadaba mpanjakan’i Siria.

21 Nivoaka ny mpanjakan’i Israely; nasiany avokoa ny soavaly sy ny kalesy, ka nasiany tamin’ny fandresena mafy ny Sirianina.

Zava-nitranga anelanelan’ady

22 Tamin’izay nanatona ny mpanjakan’i Israely indray ilay mpaminany ka nanao taminy hoe: «Ndeha, matanjaha tsara dieny izao ka diniho sy fantaro izay hataonao fa ho avy hamely anao indray ny mpanjakan’i Siria rehefa miherina ny taona.»

23 Ary hoy ny mpanompon’ny mpanjakan’i Siria taminy: «Andriamanitry ny tendrombohitra, ny Andriamanitr’i Israely; ka izany no nahareseny antsika. Fa aoka ange hiadiantsika an-tany lemaka izy, raha tsy ho resintsika mihitsy izy é!

24 Izao no ataovy: Samy esory amin’ny toerany avy ny mpanjaka, ka manamboninahitra no apetraho hisolo azy.

25 Ary manangàna tafika sahala amin’ilay teo, misy soavaly toraky ny teo, ary kalesy toraky ny teo koa. Amin’izay dia hiadiantsika eny an-tany lemaka ireny, ka tsy maintsy resintsika mihitsy.» Narahiny ny torohevitr’izy ireo, ka dia nanao araka izany tokoa izy.

Fandresen’i Afeka

26 Nony niherina ny taona, nampanao matso ny Sirianina indray i Benadaba dia niakatra nankany Afeka, hiady amin’i Israely.

27 Fa nampanaovina matso koa ny zanak’i Israely, dia nandray vatsy izy ka hihaona amin’ny Sirianina. Nitoby tandrify azy ny zanak’i Israely ka sahala amin’ny andian’osy roa toko kely izy ireo, fa ireto Sirianina nanenika ny tany.

28 Ary nisy olon’Andriamanitra anankiray nanatona ka nilaza tamin’ny mpanjakan’i Israely hoe: «Izao no lazain’i Iaveh: Noho ny Sirianina, nanao hoe: Andriamanitry ny tendrombohitra i Iaveh, fa tsy mba andriamanitry ny tany lemaka, dia hatolotro eo an-tananao avokoa ireo vahoaka be ireo, ka ho fantatrareo fa i Iaveh Aho.»

29 Hafitoana izy ireo nitoby nifanatrika teo ihany. Fa nony tamin’ny andro fahafito rafitra ny ady, dia nahafatesan’ny zanak’i Israely miaramila an-tongotra 100.000 ny Sirianina tamin’ny andro iray.

30 Ny sisa indray nandositra tao Afeka, tao an-tanàna, ary nianjeran’ny manda ny lehilahy 17.000 sisa.

Efa nandositra i Benadaba ka dia nandehandeha tao an-tanàna nifindrafindra efitrano,

31 ka hoy ny mpanompony taminy: «Indro fa efa renay fa mpanjaka antra olona ny mpanjakan’ny tranon’i Israely, ka aoka hosikinanay lasàka ny valahanay, ary hasianay mahazaka ny lohanay, dia hivoaka ho any amin’ny mpanjakan’i Israely izahay, sao mba mitsitsy ny ainao izy.»

32 Dia nosikinany lasàka izy, nasiany mahazaka ny lohany, ary nankany amin’ny mpanjakan’i Israely izy, nanao hoe: «Izao no lazain’i Benadaba, mpanomponao: Aoka mba ho sitrakao ny hitsitsy ny aiko!» Ka hoy ny navalin’i Akaba: «Mbola velona va izy? Rahalahiko izy.»

33 Noraisin’ireo olona ireo ho fambara tsara izany teny izany, ka novonjeny nosamborina faingana izany teny izanynataony hoe: «Rahalahinao i Benadaba.» Dia hoy i Akaba: «Mandehana alao izy.» Nony tonga teo aminy i Benadaba, dia nasainy niakatra ho amin’ny kalesiny.

34 Ary hoy i Benadaba taminy: «Hampodiko aminao ny tanàna nalain’ikaky tamin-drainao, ary hanao lalana ho anao any Damasa ianao tahaka ny nataon’ikaky tany Samaria.» Ka hoy i Akaba: «Ary izaho kosa handefa anao rehefa manao fanekem-pihavanana amiko ianao.» Dia nanao fanekena taminy izy, ka nalefany handeha.

Mpaminany manameloka an’i Akaba mpanjaka

35 Ary ny anankiray amin’ny zanaky ny mpaminany, niteny tamin’ny namany, ao amin’ny tenin’i Iaveh, nanao hoe: «Masìna ianao, vonoy aho!» Tsy nety namono azy anefa ilay lehilahy.

36 Ka hoy izy taminy: «Noho ianao tsy nihaino ny feon’i Iaveh, dia indro hovonoin’ny lionaianao, raha vao miala eto amiko.» Dia niala teo aminy ilay lehilahy dia nifanehitra tamin’ny liona, ka novonoiny.

37 Dia nahita lehilahy hafa indray izy, ka nanao taminy hoe: «Masìna ianao, vonoy aho!» Ary nasian-dralehilahy izay izy, ka naratrany.

38 Nandeha tamin’izay ity mpaminany, dia nipetraka teny amin’ny lalana halehan’ny mpanjaka, ary niova endrika izy fa nasiany bandy teo ambony masony.

39 Nony nandalo ny mpanjaka, dia nitaraina tamin’ny mpanjaka izy nanao hoe: «Nivoaka teo afovoan’ny ady ny mpanomponao ary indro fa nisy lehilahy anankiray nitsoaka, nitondra olona anankiray teo amiko, nataony hoe: Hazòny ralehilahy ity, fa raha lasa io, ny ainao no manefa, na handoa talenta volafotsy iray ianao.

40 Kanjo ny mpanomponao mbola variana tatsỳ sy taroa, ilay olona lasa!» Dia hoy ny mpanjakan’i Israely taminy: «Izany no hitsarana anao, ianao ihany no namoaka ny teny fitsarana.»

41 Niaraka amin’izay kosa nesorin’ity mpaminany ny bandy teo ambony masony, ka fantatry ny mpanjakan’i Israely fa isan’ny mpaminany izy.

42 Dia hoy izy tamin’ny mpanjaka: «Izao no lazain’i Iaveh: Noho ianao nandefa teo am-pelatananao ny olona nasaiko natao anatema, dia ny ainao no hisolo ny ainy, ary ny vahoakanao no hisolo ny vahoakany.»

43 Nanjombona sady sosotra ny mpanjakan’i Israely no nandeha nody, dia tonga tany Samaria.

Categories
1Mpanjaka

1Mpanjaka 21

Tsy nanaiky hivarotra ny tanimboalobony i Nabôta

1 Taorian’izany zavatra izany, tao Jezrahela kosa, dia nanana tanimboaloboka anankiray i Nabôta avy ao Jezrahela, ary teo akaikin’ny lapan’i Akaba mpanjakan’i Samaria izany.

2 Ka niteny tamin’i Nabôta i Akaba nanao hoe: «Avelao mba ho ahy ny tanimboalobokao, hataoko fambolena anana, fa akaiky dia akaiky ny tranoko; tanimboaloboka tsara noho izy no homeko ho takalony, na vola araka izay vidiny, raha izany no sitrakao.»

3 Fa hoy i Nabôta namaly an’i Akaba: «Hampanalavirin’i Iaveh ahy anie ny hanome ny lova avy amin’ny razako!»

I Akaba sy i Jezrahela

4 Nody tany an-tranony i Akaba, nanjombona sy sosotra noho ity teny nolazain’i Nabôta avy any Jezrahela taminy hoe: «Tsy omeko ny lovako avy amin’ny razako.» Dia nandry teo am-parafara izy, nampiamboho ny tavany ary tsy nihinan-kanina.

5 Fa nankeo aminy kosa i Jezabela vadiny, ka nanao taminy hoe: «Nahoana no manjombona ny fanahinao ary tsy homan-kanina ianao?»

6 Ary hoy ny navaliny azy: «Niteny tamin’i Nabôta avy any Jezrahela aho, nanao taminy hoe: Avelao hovidiko vola ny tanimboalobokao, na hotakalozako tanimboaloboka hafa, raha aleonao izany. Fa hoy izy hoe: Tsy omeko anao ny tanimboaloboko.»

7 Dia hoy i Jezabela vadiny taminy: «Moa ianao va no tompon’ny fanjakana amin’i Israely ankehitriny? Koa miarena, hano ny hanina, ary aoka hifaly ny fonao, fa tenako no hanome anao ny tanimboalobok’i Nabôta avy ao Jezrahela.»

Ny namonoana an’i Nabôta

8 Dia nanoratra taratasy tamin’ny anaran’i Akaba izy, nasiany tombokasen’ny mpanjaka, nalefany ho any amin’ny loholona sy ny andriambaventy ao an-tanàna miara-monina amin’i Nabôta.

9 Ary izao no nosoratany ao amin’ny taratasy: «Miantsoa andro fifandian-kanina ka apetraho eo alohan’ny vahoaka i Nabôta;

10 ary manangàna olon’i Belialaroa lahy eo anatrehany, hiampanga azy toy izao: Nanozona an’Andriamanitra sy ny mpanjaka ialahy! Dia ento mankany ivelany izy, ka torahy vato ho faty.»

11 Nanao araka izay nanirahan’i Jezabela holazaina aminy araka izay voasoratra amin’ny taratasy nampitondrainy azy, ny olona tao an-tanànan’i Nabôta, ny loholona sy andriambaventy nonina tao an-tanànany.

12 Niantso andro fifadian-kanina izy, napetrany teo alohan’ny vahoaka i Nabôta,

13 ary nandroso ho eo anatrehany ny olona roa lahy zanak’i Beliala. Ary niampanga an’i Nabôta teo anatrehan’ny vahoaka ireo olon’i Beliala nanao hoe: «Nanozona an’Andriamanitra sy ny mpanjaka i Nabôta!» Dia nentin’izy ireo nankany ivelan-tanàna izy, notoraham-bato ka maty.

14 Dia naniraka tany amin’i Jezabela izy ireo, nilaza hoe: «Notoraham-bato i Nabôta ka maty.»

15 Nony ren’i Jezabela fa notoraham-bato i Nabôta ka maty, dia hoy izy tamin’i Akaba: «Mitsangana ka alao ho anao ny tanimboalobok’i Nabôta avy any Jezrahela izay nolaviny tsy hamidy vola taminao, fa efa tsy velona intsony i Nabôta, fa efa maty izy.»

16 Rehefa ren’i Akaba fa hoe maty i Nabôta, dia niainga izy, nidina nankany amin’ny tanimboalobok’i Nabôta avy ao Jezraela haka izany ho azy.

Ambaran’i Elia ny fanamelohan’Andriamanitra

17 Fa tonga tamin’i Elia Tesbita kosa ny tenin’i Iaveh nanao hoe:

18 «Mitsangàna ianao, ka midìna hihaona amin’i Akaba mpanjakan’i Israely, manjaka ao Samaria. Ao an-tanimboalobok’i Nabôta ao izy izao, fa nidina nankany haka izany ho azy.

19 Ka mitenena aminy hoe: Izao no lazain’i Iaveh: Moa tsy namono va ianao sy naka lovan’olona koa? Dia hiteny aminy ianao hoe: Izao no lazain’i Iaveh: Eo amin’ny toerana nilelafan’ny alika ny ran’i Nabôta ihany no hilelafan’ny alika ny ran’ny tenanao koa.»

20 Ary hoy i Akaba tamin’i Elia: «Azonao va aho, ry ilay fahavaloko?» Ka hoy ny navaliny: «Azoko ianao, satria nivaro-tena hanao izay ratsy eo imason’i Iaveh ianao.

21 Indro aho hahatonga loza aminao: hataoko mafana ianao, haringako ny lehilahy rehetra an’i Akaba na ny andevo, na ny olona afaka, amin’i Israely,

22 ka dia hampanahafiko ny tranon’i Jerôbôama zanak’i Nabata sy ny tranon’i Ahiasa, ny tranonao, satria mihaika Ahy hitezitra ianao, sady nampanota an’i Israely.»

23 I Jezabela koa, nasian’i Iaveh teny hoe: «Hohanin’ny alika eny akaikin’ny hadin’i Jezrahela i Jezabela.»

24 Izay an’ny tranon’i Akabaka maty an-tanàna dia hohanin’ny alika, ary ny maty an-tsaha kosa, hohanin’ny voromanidina.

25 Fa tena tsy nisy nivaro-tena toa an’i Akaba hanao izay ratsy eo imason’i Iaveh, satria i Jezabela vadiny no namporisika azy.

26 Nanao toe-pitondran-tena vetaveta indrindra izy tamin’ny nandehanany amin’ny sampy, araka ny fomba rehetra fanaon’ny Amôreana, izay noroahin’i Iaveh teo anoloan’ny zanak’i Israely.

Fanenenan’i Akaba

27 Kanjo nony nandre ny tenin’i Elia i Akaba dia norovitiny ny fitafiany, lasàka no natafiny ny tenany, nifady hanina izy, nentiny nandry ny lasàka, ary nitsilasilasy fandeha izy.

28 Ka dia tonga tamin’i Elia Tesbita ny tenin’i Iaveh nanao hoe:

29 «Efa hitanao va ny nanetren’i Akaba ny tenany teo anatrehako? Ka noho izy nanetry tena teo anatrehako, dia tsy hahatonga loza amin’ny androny kosa aho fa amin’ny andron-janany vao hahatonga loza amin’ny tranony aho.»

Categories
1Mpanjaka

1Mpanjaka 22

Nanapaka hevitra i Akaba hanafika an’i Ramôta any Galaada

1 Nandry feizayny tany nandritra ny telo taona, fa tsy niady i Siria sy i Israely.

2 Nony tamin’ny taona fahatelo, nidina nankany amin’ny mpanjakan’i Israely, i Jôsafata mpanjakan’i Jodà.

3 Ary hoy ny mpanjakan’i Israely tamin’ny mpanompony; «Fantatrareo va fa antsika i Ramôta any Galaada, no tsy manao na inona na inona isika mba hanatsoaka azy eo an-tanan’ny mpanjakan’i Siria?»

4 Dia hoy izy tamin’i Jôsafata: «Mba hiaraka amiko hamely an’i Ramôta any Galaada va ianao?» Ka hoy ny navalin’i Jôsafata tamin’ny mpanjakan’i Israely: «Hahazo ahy ny hahazo anao, ary hihatra amin’ny oloko ny hihatra amin’ny olonao, ary hihatra amin’ny soavaliko ny hihatra amin’ny soavalinao.»

Ireo mpaminany sandoka manambara fandresena

5 Ary tamin’izay i Jôsafata niteny tamin’ny mpanjakan’i Israely hoe: «Miangavy anao aho, mba hanontany ny tenin’i Iaveh ankehitriny.»

6 Dia novorin’ny mpanjakan’i Israely ny mpaminany tokony ho 400 lahy, ka hoy izy tamin’izy ireo: «Handeha hamely an’i Ramôta any Galaada va aho, sa tokony hijanona?» Ka hoy ny navalin’ireo: «Mandehana fa atolotry ny Tompo eo an-tanan’ny mpanjaka izany.»

7 Nefa hoy i Jôsafata: «Moa tsy misy mpaminanin’i Iaveh intsony va eto, azontsika anontaniana koa?»

8 Dia hoy ny mpanjakan’i Israely namaly an’i Jôsafata: «Mbola misy lehilahy anankiray ihany eto, azontsika anontaniana amin’i Iaveh, dia i Mikea, zanak’i Jemlà; nefa halako izy, satria tsy mba maminany soa ho ahy, fa loza ihany.» Ka hoy i Jôsafata: «Aza manao izany, ry mpanjaka.»

9 Izay ny mpanjakan’i Israely vao niantso eonoka anankiray, nilazàny hoe: «Asaovy mankatỳ miaraka amin’izay i Mikea zanak’i Jemlà.»

10 Tamin’izany ny mpanjakan’i Israely sy i Jôsafata mpanjakan’i Jodà, samy efa tafapetraka eo amin’ny seza fiandrianany, sy samy efa niakanjo ny akanjony avy, teo amin’ny kianja anoloan’ny vavahadin’i Samaria; ary ny mpaminany rehetra, samy naminany teo anatrehan’izy ireo.

11 I Sedesiasa zanak’i Kanaàna nanao tandro-by ho azy, ka nilaza hoe: «Izao no lazain’i Iaveh: Ireto tandroka ireto no hanotoanao ny Sirianina, mandra-paharingany.»

12 Ny mpaminany rehetra koa naminany torak’izany, ka nanao hoe: «Miakara any Ramôta any Galaada, ka maharese, satria hatolotr’i Iaveh eo an-tanan’ny mpanjaka izany.»

I Mikea mpaminany manambara faharesena

13 Ary ilay iraka lasa niantso an’i Mikea dia niteny taminy nanao hoe: «Indro fa iray teny avokoa ny mpaminany izao, samy milaza soa ho an’ny mpanjaka, ka mba ampifanaraho amin’ny azy ireo tsirairay avy koa ny teninao, mbà milaza soa.»

14 Fa hoy ny navalin’i Mikea: «Velona i Iaveh! Dia izay holazain’i Iaveh amiko ihany no hambarako koa.»

15 Nony tonga teo amin’ny mpanjaka izy, dia hoy ny mpanjaka taminy: «Handeha hanafika an’i Ramôta any Galaada va isika, ry Mikea, sa tokony hijanona kosa?» Ary hoy ny navaliny azy: «Mandehana, maharese, fa hatolotr’i Iaveh eo an-tanan’ny mpanjaka izany!»

16 Fa hoy ny mpanjaka taminy: «Impiry no hiangaviako anao, mba tsy hilaza amiko, amin’ny Anaran’i Iaveh, afa-tsy ny marina ihany?»

17 Dia hoy ny navalin’i Mikea: «Indreny i Israely rehetra hitako miely eny an-tendrombohitra toy ny ondry tsy misy mpiandry, ka hoy i Iaveh: Tsy manan-tompo ireo olona ireo, ka aoka samy hody soa aman-tsara any an-tranony avy.»

18 Ary hoy ny mpanjakan’i Israely tamin’i Jôsafata: «Tsy efa voalazako taminao va? Tsy mba maminany soa ho ahy io, fa ny loza ihany.»

19 Dia hoy i Mikea; «Henoy àry ny tenin’i Iaveh: Efa hitako nipetraka teo amin’ny seza fiandrianany, ary ny tafiky ny lanitra rehetra nitsangana teo akaikiny teo ankavanany sy teo ankaviany.

20 Ary hoy i Iaveh: Iza no hanambaka an’i Akaba mba hiakarany any Ramôta any Galaada hahafaty azy any? Dia namaly izy ireo, nefa ny iray toy izao, ny iray toy izao.

21 Tamin’izay dia tonga ny fanahy, nitoetra teo anatrehan’i Iaveh ka nanao hoe: Izaho no hanambaka azy. Fa hoy i Iaveh taminy: Hataonao ahoana?

22 Ary hoy ny navaliny: Hivoaka aho, ka ho tonga fanahy mandainga eo am-bavan’ny mpaminany rehetra. Dia hoy i Iaveh: Hanambaka azy ianao, sady hahomby amin’izany, ka mivoaha àry, ataovy izany.

23 Koa indro, i Iaveh nanisy fanahy mandainga eo am-bavan’ireo mpaminaninao rehetra eo ireo. Ary i Iaveh efa nanonona loza hanjò anao.»

24 Fa nanatona kosa i Sedesiasa zanak’i Kanaàna, ka namely ny takolak’i Mikea ary nanao hoe: «Fa taiza leity no nivoahan’ny fanahin’i Iaveh tamiko, hiteny amin’ialahy a?»

25 Ary hoy ny navalin’i Mikea: «Ho hitanao izany, amin’ilay andro handehananao isan’efitrano hierenao.»

26 Dia hoy ny mpanjakan’i Israely: «Raiso i Mikea ka ento any amin’i Amôna governoran’ny tanàna sy amin’i Jôasa zanaky ny mpanjaka,

27 lazao hoe: Izao no lazain’ny mpanjaka: Ataovy an-tranomaizina ity olona ity ka mofom-pahoriana aman-dranom-pahoriana no amelomy azy, mandra-piveriko soa aman-tsara.»

28 Fa hoy kosa i Mikea: «Tsy niteny tamin’ny alalako i Iaveh matoa tafaverina soa aman-tsara ianao.» Sady nampiany hoe: «Samia mihaino izany ianareo vahoaka rehetra.»

Ny nahafatesan’i Akaba tany Ramôta any Galaada

29 Dia niakatra nankany Ramôta any Galaada ny mpanjakan’i Israely sy i Jôsafata mpanjakan’i Jodà.

30 Ary hoy ny mpanjakan’i Israely tamin’i Jôsafata: «Hanao fitafiana hafa aho no handroso any amin’ny ady, fa ianao kosa ny akanjonao ihany entina.» Dia nanao fitafiana hafa ny mpanjakan’i Israely, ka nandroso tany amin’ny ady.

31 Ary nisy didy nomen’ny mpanjakan’i Siria an’ireo 32 lahy, lehiben’ny an-kalesiny nataony hoe: «Aza mamely na ny kely na ny lehibe fa ny mpanjakan’i Israely ihany.»

32 Nony nahatazana an’i Jôsafata ny lehiben’ny kalesy, dia nanao hoe: «Iny tokoa ny mpanjakan’i Israely»; sady nitodika nanatrika azy izy hamely azy. Niantso mafy i Jôsafata.

33 Ka nony hitan’ny lehiben’ny kalesy fa tsy ny mpanjakan’i Israely io, dia nivily niala taminy.

34 Tamin’izay nisy kosa lehilahy anankiray, nandefa kitoatoa ny zana-tsipìkany, ka nahavoa ny mpanjakan’i Israely, teo anelanelan’ny fikatonan’ny ankanjom-piadiana sy ny fiarovan-tratrany. Dia hoy ny mpanjaka tamin’ny mpampandeha kalesiny: «Ahodino ka ento miala eto amin’ny ady aho, fa voa.»

35 Ary nihamafy ny ady tamin’izany andro izany; notohanana ihany ny mpanjaka, hitsangana teo ambony kalesiny, tandrifin’ny Sirianina, ary maty izy nony hariva; ny ra tamin’ny ratrany, niraraka tao anaty kalesy.

36 Nony efa ho faty ny masoandro, niely eran’ny toby izao antsoantso izao; «Samia mody any an-tanànany avy, samia mody any amin’ny taniny avy!»

37 Toy izany no nahafatesan’ny mpanjaka. Nentina ho any Samaria izy, dia nalevina tany Samaria ny mpanjaka.

38 Nony nosasana tao am-parihin’i Samaria ny kalesy dia nolelafin’ny alika ny ran’i Akaba, ary nandro teo ny vehivavy janga araka ny teny voalazan’i Iaveh.

Famaranana ny fanjakan’i Akaba

39 Ny sisa tamin’ny asan’i Akaba, mbamin’izay rehetra nataony, ny trano ivoara naoriny, ny tanàna rehetra naoriny, moa tsy efa voasoratra ao amin’ny bokin’ny Tantaran’ny mpanjakan’i Israely va izany?

40 Nody mandry any amin’ny razany i Akaba, ary i Okoziasa zanany no nanjaka nandimby azy.

Fanjakan’i Jôsafata tany Jodà (870-848)

41 Tamin’ny taona fahefatr’i Akaba mpanjakan’i Israely no nahatongavan’i Jôsafata zanak’i Asà ho mpanjakan’i Jodà.

42 35 taona i Jôsafata, fony tonga mpanjaka, ary 25 taona no nanjakany tao Jerosalema. Ny anaran-dreniny dia i Azobà, zanak’i Salaia.

43 Nandeha tamin’ny lalana rehetra nalehan’i Asà rainy izy, sady tsy nivily tamin’izany, fa nanao izay mahitsy eo imason’i Iaveh.

44 Saingy ny fitoerana avo tsy rava, ny vahoaka mbola nanohy ny fanateran-tsorona aman-java-manitra eny amin’ny fitoerana avo.

45 Ary i Jôsafata nihavana amin’ny mpanjakan’i Israely.

46 Ny sisa tamin’ny asan’i Jôsafata, ny herim-po nasehony, ny ady nataony, moa tsy dia efa voasoratra ao amin’ny bokin’ny Tantaran’ny mpanjakan’i Jodà va izany?

47 Nofongorany hialaamin’ny tany ny mpijangajanga sisa izay nijanona teo, tamin’ny andron’i Asà rainy.

48 Tsy nisy mpanjaka tany Edôma fahizay, fa governora no solo-mpanjaka.

49 Nanao sambon’i Tarsisa folo i Jôsafata mba hankany Ofira haka volamena, nefa tsy nankany izy, fa fefika tao Asiôngabera ny sambo.

50 Dia hoy i Okoziasa zanak’i Akaba tamin’i Jôsafata: «Avelao ny mpanompoko hiaraka amin’ny mpanomponao eny an-tsambo.» Nefa tsy nety i Jôsafata.

51 Ary nody mandry any amin’ny razany i Jôsafata, ka nalevina ao amin’ny razany, ao an-tanànan’i Davida rainy, dia i Jôrama zanany lahy no nanjaka nandimby azy.

I Okoziasa mpanjakan’i Israely (853-852) sy i Elia mpaminany

52 Tamin’ny taonafaha 17-n’i Jôsafata mpanjakan’i Jodà no vao tonga mpanjakan’i Israely tany Samaria i Okoziasa zanak’i Akaba, ary roa taona no nanjakany tamin’i Israely.

53 Nanao izay ratsy eo imason’i Iaveh izy, dia nandeha tamin’ny lalan-drainy ary tamin’ny lalan’i Jerôbôama zanak’i Nabata, izay nampanota an’i Israely.

54 Nanompo an’i Baala izy, ary niankohoka teo anatrehany ka nampahatezitra an’i Iaveh Andriamanitr’i Israely tahaka izay rehetra nataon-drainy ihany.

Categories
2Mpanjaka

2Mpanjaka 1

1 Nony maty i Akaba dia niodina tamin’i Israely i Moaba.

2 Ary i Okoziasa potraka avy eny am-baravarankely makarakara, teo amin’ny efitranony ambony, any Samaria, ka narary. Nandefa iraka izy, ary nanao taminy hoe: «Mandehana ianareo manontany amin’i Beela-Zeboba andriamanitr’i Akarôna raha ho sitrana amin’ity aretiko ity aho.»

3 Fa hoy kosa ny Anjelin’i Iaveh tamin’i Elia Tesbita: «Mitsangàna ianao, ka miakara hitsena ny iraky ny mpanjakan’i Samaria, dia izao no lazao amin’izy ireo: Moa ny tsy fisian’Andriamanitra any amin’i Israely va no andehananareo hanontany amin’i Beela-Zeboba andriamanitr’i Akarôna?

4 Noho izany, izao no lazain’i Iaveh: Tsy hidina hiala eo am-parafara niakaranao ianao fa ho faty tokoa.» Dia lasa i Elia.

5 Niverina ho any amin’ny mpanjaka ireto irany, ka hoy izy tamin’izy ireo: «Fa nahoana no miverina ianareo?»

6 Ary hoy ny navalin’ireo taminy: «Nisy lehilahy niakatra nitsena anay, nanao taminay hoe: Mandehana miverina any amin’ny mpanjaka naniraka anareo, ka lazao aminy hoe: Izao no lazain’i Iaveh: Moa ny tsy fisian’Andriamanitra ao amin’i Israely va no anirahanao hanontany amin’i Beela-Zeboba andriamanitr’i Akarona? Noho izany, tsy hidina hiala eo am-parafara niakaranao ianao, fa ho faty mihitsy.»

7 Dia hoy i Okoziasa tamin’izy ireo: «Manao ahoana no endriky ny lehilahy izay niakatra nitsena anareo izay, sy nilaza izany teny izany taminareo?»

8 Ka hoy izy ireo: «Lehilahy voloina izay izy, ary nisy fehin-kibo hoditra tamin’ny valahany.» Dia hoy i Okoziasa: «I Elia Tesbita izay.»

9 Niaraka tamin’izay, nirahiny ho any aminy ny mpifehy dimampolo anankiray mbamin’ny dimampolo fehiny. Dia niakatra io mpifehy io, nankeo amin’i Elia, ka indro izy nipetraka teo an-tampon-tendrombohitra, ary hoy izy taminy hoe: «Ry olon’Andriamanitra ô! midìna ianao, hoy ny mpanjaka.»

10 Fa izao no navalin’i Elia an’ity mpifehy dimampolo: «Raha olon’Andriamanitra aho, aoka hilatsaka avy any an-danitra ny afo handoro anao sy ny dimampolo fehinao.» Dia milatsaka avy any an-danitra ny afo nandoro azy io sy ny dimampolo fehiny.

11 Naniraka mpifehy dimampolo hafa indray anefa ny mpanjaka, nomban’ny dimampolo fehiny. Ka dia niteny io mpifehy io nanao tamin’i Elia hoe: «Ry olon’Andriamanitra ô, midìna faingana ianao, hoy ny mpanjaka.»

12 Fa hoy ny navalin’i Elia tamin’izy ireo: «Raha olon’Andriamanitra aho, aoka hilatsaka avy any an-danitra ny afo handoro anao sy ny dimampolo fehinao.» Dia nilatsaka avy any an-danitra ny afon’Andriamanitra, ka nandoro an’io sy ny dimampolo fehiny.

13 Mbola naniraka mpifehy dimampolo fahatelo io, ka rehefa tonga dia nandohalika teo anatrehan’i Elia, ary niteny taminy tamim-pitarainana hoe: «Ry olon’Andriamanitra ô, mihanta aminao aho, aoka ho sarobidy eo imasonao ny aiko sy ny ain’ireto dimampolo lahy mpanomponao.

14 Indro fa efa nilatsaka ny afo avy any an-danitra sy nandoro azy roa lahy mpifehy dimampolo talohako, mbamin’ny dimampolo fehiny, fa ankehitriny kosa, aoka ho sarobidy eo imasonao ny aiko.»

15 Dia hoy ilay Anjelin’i Iaveh tamin’i Elia: «Miaraha midina amin’io, ary aza matahotra eo anatrehany.» Koa niainga izy, ka niara-nidina taminy ho any amin’ny mpanjaka,

16 ary nilaza taminy hoe: «Izao no lazain’i Iaveh: Noho ianao nandefa iraka hanontany an’i Beela-Zeboba, andriamanitr’i Akarôna: Moa tsy misy Andriamanitra any amin’i Israely izay azo anontaniana ny teniny? -Koa noho izany, dia tsy hidina hiala eo am-parafara niakaranao ianao, fa ho faty mihitsy.»

17 Dia maty i Okoziasa araka ny tenin’i Iaveh izay nolazain’i Elia, ka i Jôrama no tonga mpanjaka nandimby azy, tamin’ny taona faharoan’i Jôrama, mpanjakan’i Jodà, zanak’i Jôsafata, fa tsy nanana zanaka izy.

18 Ny sisa tamin’ny asan’i Okoziasa mbamin’izay nataony, moa tsy dia efa voasoratra ao amin’ny bokin’ny Tantaran’ny mpanjakan’i Israely va izany?

Categories
2Mpanjaka

2Mpanjaka 2

Ny nanalàna an’i Elia, izay nodimbiasan’i Elisea

1 Nony nampakarin’i Iaveh ho any an-danitra amin’ny tafio-drivotra i Elia, dia niara-nandeha avy any Galgalài Elia sy i Elisea.

2 Ary hoy i Elia tamin’i Elisea: «Mijanòna eto raha sitrakao, fa irahin’i Iaveh ho tafahatra any Betela aho.» Fa hoy kosa ny navalin’i Elisea: «Velona i Iaveh ary velona ny ainao! tsy handao anao mihitsy aho!» Dia nidina nankany Betela izy ireo.

3 Ary nivoaka nankeo amin’i Elisea ireo zanaky ny mpaminany tao Betela, ka nanao taminy hoe: «Fantatrao va fa halain’i Iaveh anio ny tomponao, avy eo ambonin’ny lohanao?» Dia hoy ny navaliny: «Mahalala izany ihany koa aho, fa mangina ianareo.»

4 Ary hoy i Elia taminy: «Ry Elisea ô! mijanòna eto, raha sitrakao, fa irahin’i Iaveh ho any Jerikô aho.» Fa hoy ny navaliny: «Velona i Iaveh, ary velona ny ainao, tsy handao anao aho!» Dia tonga tany Jerikô izy ireo.

5 Ary nanatona an’i Elisea ireo zanaky ny mpaminany tao Jerikô, ka nanao taminy hoe: «Fantatrao va fa halain’i Iaveh anio ny tomponao, avy eo ambonin’ny lohanao?» Dia hoy ny navaliny: «Mahalala izany ihany koa aho, fa mangina ianareo.»

6 Ary hoy i Elia taminy: «Mijanòna eto raha sitrakao, fa irahin’i Iaveh ho any Jordany aho.» Fa hoy ny navaliny: «Velona i Iaveh ary velona ny ainao! tsy handao anao aho!» Koa niara-nandeha izy roa lahy.

7 Nisy dimampolo lahy tamin’ny zanaky ny mpaminany nanaraka azy, ary nipetraka eny lavitra eny tandrify azy, ary izy roa lahy dia nijanona teo amoron’i Jordany.

8 Dia nalain’i Elia ny kapaotiny; nahorony nikapohany ny rano, izay nisaraka roa teo an-daniny avy, ary izy roa lahy nita tamin’ny tany maina.

9 Nony tafita izy ireo dia hoy i Elia tamin’i Elisea: «Angataho izay tianao hataoko aminao, alohan’ny hangalana ahy aminao.» Ary hoy ny navalin’i Elisea: «Ny mba hahazo anjara roa amin’ny fanahinao.»

10 Ka hoy i Elia: «Mangataka zava-tsarotra ianao; kanefa raha mahita ahy ianao amin’ny hangalana ahy hiala aminao, dia ho tonga aminao izany; fa raha tsy izany kosa dia tsy ho tonga izany.»

11 Mbola nanohy ny diany sady niresaka eny izy ireo; dia indro nisy kalesy afo sy soavaly afo nampisaraka azy roa lahy, ka niakatra ho any an-danitra tamin’ny tafio-drivotra i Elia.

12 Sady nijery i Elisea no niantso hoe: «Ry ikaky ô, ry ikaky ô! Kalesin’i Israely sy mpitaingin-tsoavaliny!» dia tsy nahita azy intsony izy. Tamin’izay nalainy ny fitafiany, notriariny roa,

13 ary noraisiny ny kapaotin’i Elia izay nitambotsotra niala taminy. Raha efa izay dia teo amin’i Jordany izy dia nijanona teo amorony.

14 Noraisiny ny kapaotin’i Elia izay nitambotsotra niala taminy, nikapohany ny rano, ka hoy izy: «Aiza i Iaveh Andriamanitr’i Elia? Aiza Izy?» Ary nony nokapohiny ny rano, dia nisaraka roa ho eo an-daniny avy, ka nita i Elisea.

15 Nahatazana azy ireo ny zanaky ny mpaminany izay any Jerikô tandrify azy, ka nanao hoe: «Mipetraka ao amin’i Elisea ny fanahin’i Elia.» Sady nandeha nitsena azy izy ireo sy niankohoka tamin’ny tany teo anatrehany,

16 ary nanao taminy hoe: «Indro dimampolo lahy mahery fo eto amin’ny mpanomponao, ka aoka handeha hitady ny tomponao izy ireo, fa angamba nofaohin’ny fanahin’i Iaveh izy ka natsipiny any amin’ny tendrombohitra anankiray.» Fa hoy ny navaliny: «Aza maniraka ianareo.»

17 Nefa mbola noteren’izy ireny mafy ihany ka safo-kenatra aza izy, ka nanao hoe: «Iraho izy.» Dia nirahin’izy ireo izy dimampolo lahy, ka nikaroka hateloana, nefa tsy nahita azy.

18 Nony tafaverina teo amin’i Elisea ireo, fa nitoetra tao Jerikô izy, dia hoy izy tamin’ireo: «Tsy efa nilazako va ianareo fa hoe: Aza mandeha.»

Zava-mahagaga roa nataon’i Elisea

19 Ary hoy ny olona tao an-tanàna, tamin’i Elisea: «Araka izao hitan’ny tompoko izao, dia tsara honenana ity tanàna ity, saingy ratsy rano, sady tsy mahavokatra ny tany.»

20 Ka hoy izy: «Itondray lovia vaovao aho, asio sira ao anatiny.» Dia nitondran’ny olona izany izy.

21 Nandeha nankany amin’ny fiandohan’ny rano sy nanipy sira tao izy nanao hoe: «Izao no lazain’i Iaveh: Indro ataoko mahasalama ireto rano ireto, ka tsy hisy fahafatesana na tsy fahavokarana hiseho avy ao intsony.»

22 Dia mahasalama ny rano mandrak’androany araka ny teny nolazain’i Elisea.

23 Niakatra avy tao izy dia nankany Betela; ary raha mbola niakatra teny an-dalana izy, dia nisy ankizy lahy madinika nivoaka avy ao an-tanàna, naniratsira azy hoe: «Miakara ry ilay sola, miakara, ry ilay sola»;

24 dia niherika nijery an’ireo izy, ka nanozona azy tamin’ny Anaran’i Iaveh. Ary nisy orsa roa nivoaka avy tao anaty ala, ka namiravira ny 42 tamin’ireo ankizy ireo.

25 Avy ao izy dia nankany an-tendrombohitra Karmela; avy ao indray dia niverina ho any Samaria.

Categories
2Mpanjaka

2Mpanjaka 3

Teny mialoha ny nanjakan’i Jôrama tamin’i Israely (852-841)

1 Tamin’ny taona fahavalo ambin’ny folon’i Jôsafata mpanjakan’i Jodà, no tonga mpanjakan’i Israely tao Samaria i Jôrama zanak’i Akaba, ary roa ambin’ny folo taona no nanjakany.

2 Nanao izay ratsy eo imason’i Iaveh izy, nefa kosa tsy dia tahaka an-drainy aman-dreniny tsy akory, satria nesoriny ilay tsangam-baton’i Baala nataon-drainy.

3 Fa nikiry tamin’ny fahotan’i Jerôbôama zanak’i Nabata nampanota an’i Israely izy, ka tsy nialany izany.

Fanafihan’i Israely sy i Jodà an’i Moaba

4 Ary nanana biby fiompy i Mesàmpanjakan’i Moaba, ka nandoa zanak’ondry 100.000 sy ondralahy 100.000, mbamin’ny volony koa, ho an’ny mpanjakan’i Israely.

5 Nony maty anefa i Akaba dia niodina tamin’ny mpanjakan’i Israely ny mpanjakan’i Moaba.

6 Koa nivoaka avy tao Samaria i Jôrama mpanjaka, tamin’izany andro izany, nampanao matso an’i Israely rehetra.

7 Niainga nandeha izy, ka nampilaza tamin’i Jôsafata mpanjakan’i Jodà hoe: «Niodina tamiko ny mpanjakan’i Moaba ka mba hiaraka amiko hiady amin’i Moaba va ianao?» Ary hoy ny navalin’i Jôsafata: «Eny handeha aho, fa ny tenako dia toy ny tenanao ihany, ny oloko dia toy ny olonao, ny soavaliko toy ny soavalinao.»

8 Dia hoy koa izy: «Iza no lalana hombantsika?» Ka hoy i Jôrama: «Ilay lalan’ny efitr’i Edôma.»

9 Dia niainga ny mpanjakan’i Israely sy ny mpanjakan’i Jodà ary ny mpanjakan’i Edôma. Nony nandeha lalan-kafitoana izy ireo, dia tsy nisy rano ho an’ny tafika sy ny biby nomba azy,

10 ka hoy ny mpanjakan’i Israely: «Indrisy, ny hanolotra azy eo an-tanan’i Moaba no niantsoan’i Iaveh an’ireto mpanjaka telo ireto!»

11 Fa hoy kosa i Jôsafata: «Tsy misy mpaminanin’i Iaveh va eto, azontsika anontaniana amin’i Iaveh?» Dia namaly ny anankiray tamin’ny mpanompon’ny mpanjakan’i Israely nanao hoe: «Eto ihany i Elisea zanak’i Safata ilay nampidina rano tamin’ny tanan’i Elia.»

12 Ka hoy i Jôsafata: «Ao amin’izy iny ny tenin’i Iaveh.» Dia nidina nankany aminy ny mpanjakan’i Israely sy i Jôsafata mpanjakan’i Jodà, ary ny mpanjakan’i Edôma.

13 Dia hoy i Elisea tamin’ny mpanjakan’i Israely: «Mba mitady inona atỳ amiko koa ity ianao? Any amin’ny mpaminanin-dreninao aleha.» Fa hoy ny mpanjakan’i Israely taminy: «Tsia, fa ny hanoloran’i Iaveh an’ireto mpanjaka telo ireto eo an-tanan’i Moaba no niantsoany azy.»

14 Ary hoy i Elisea: «Velona i Iavehn’ny tafika izay itsanganako eto anatrehany, fa raha tsy ny fanajako an’i Jôsafata mpanjakan’i Jodà, dia tsy nasiako raharaha akory ianao, na nojereko akory aza.

15 Fa izao, angalao mpitendry harpa aho.» Ary nony nitendry ilay mpitendry harpa, dia nanindry an’i Elisea ny tanan’i Iaveh,

16 ka hoy izy: «Izao no lazain’i Iaveh: Manaova lavadavaka amin’ity lohasaha ity.

17 Fa izao no lazain’i Iaveh: Tsy hahita rivotra ary tsy hahita ranonorana ianareo, nefa ho feno rano ity lohasaha ity, ka hisotro ianareo, dia ianareo sy ny biby fiompianareo ary ny bibinareo.

18 Mbola zavatra kely eo imason’i Iaveh anefa izany: hatolony eo an-tananareo i Moaba,

19 ka horavanareo ny tanàna mimanda rehetra sy ny tanàna soa indrindra rehetra, hokapainareo ny hazo mamoa rehetra, hotampenanareo ny loharano rehetra, ary hataonareo kila hotohoto amin’ny vato ny tanimboly soa rehetra.»

20 Nony maraina, tamin’ny fotoana fanaterana ny fanatitra, dia indro tonga tokoa ny rano, tamin’ny lalan’i Edôma, ka feno rano ny tany.

21 Nony ren’ny Moabita rehetra fa niakatra hiady aminy ireo mpanjaka ireo, dia nantsoiny ny lehilahy rehetra mahetra ny etran-tsabatra ary mihoatra noho izy ireo aza, ka naka toerana hiadiana teo amin’ny sisin-tany izy.

22 Nifoha maraina koa izy ireo, ary nony notarafin’ny masoandro ny rano, dia mena tahaka ny ra no nahitany ny rano tandrify azy.

23 Ka hoy izy: «Ra io!» Nifandringana ireo mpanjaka ireo, nifamely izy samy izy, ka babony amin’izao, ry Moabita ô!

24 Dia nandroso ho any amin’ny tobin’i Israely izy ireo. Kanjo nitsangana i Israely namely ny Moabita, izay vaky nandositra teo anoloany. Dia nitsofohany nasiana hatrany amin’ny taniny i Moaba.

25 Noravany ny tanànany, samy nanipy vato iray tamin’ny tanimboly soa rehetra dia nataony tototra; notampenany ny loharano rehetra; nokapainy ny hazo mamoa rehetra, ary tsy nisy tavela na inona na inona tao Kir-Karoseta afa-tsy ny vato, fa voahodidin’ny mpandefa antsamotady sy nasiany.

26 Nony hitan’ny mpanjakan’i Moaba fa tsy tantiny ny ady, dia naka fiton-jato lahy mitan-tsabatra voatsoaka homba azy izy hanavatsava hatrany amin’ny mpanjakan’i Edôma, nefa tsy afa-nanao izany izy ireo.

27 Tamin’izay izy naka ity zanany lahimatoa, efa natao hanjaka handimby azy, ka nateriny ho sorona dorana teo ambony manda. Tezitra nisafoaka terỳ i Israely ka nilaozany teo ny mpanjakan’i Moaba fa niverina ho any amin’ny taniny izy.

Categories
2Mpanjaka

2Mpanjaka 4

Ny menak’ilay mpananotena

1 Nisy vehivavy anankiray vadin’ny iray amin’ny zanaky ny mpaminany, nitaraina tamin’i Elisea, nanao hoe: «Maty ny vadiko mpanomponao, ary fantatrao fa natahotra an’i Iaveh ny mpanomponao ary tonga haka ny zanako roa ho andevony ny tompon-trosa izao.»

2 Dia hoy i Elisea taminy: «Inona no azoko atao ho anao? Lazao hoe izay anananao ao an-trano.» Ary hoy ny navalin-dravehivavy: «Tsy manana na inona na inona ao an-trano ny ankizy vavinao afa-tsy diloilo iray tavoara monja.»

3 Ka hoy izy: «Mandehana mindran-tavoara amin’ny mifanolo-bodirindrina aminao rehetra, dia tavoara foana, ka aza atao vitsy loatra.

4 Ary rehefa tafiditra ianao, dia mirindrìna aman-trano ao, ianao sy ny zanako, ka aidino amin’izay tavoara rehetra eo ny diloilo, ary isaky ny misy feno dia atokany.»

5 Dia nandao azy ravehivavy; ary nirindrina aman-trano tao izy sy ireo zanany, ka ireo zanany moa nitondra ny tavoara nankeo aminy, izy kosa nampidina ny diloilo.

6 Rehefa feno ny tavoara dia hoy izy tamin-janany: «Mbola itondray tavoara aho.» Fa hoy ny navalin’ny zanany: «Tsy misy tavoara intsony.» Dia nitsahatra ny diloilo.

7 Koa lasa nilaza izany tamin’ilay olon’Andriamanitra izy ary hoy izy: «Mandehana amidio ny diloilo hanefanao ny trosan’olona aminao, dia hivelomanao sy ny zanakao ny sisa.»

I Elisea mamonjy ilay vehivavy Sonamita sy ny zanany

8 Indray andro i Elisea nandalo tany Sonama. Ary nisy vehivavy mpanan-karena anankiray tao niangavy mafy taminy hisakafo, ka isaky ny nandalo izy dia nankao aminy hisakafo.

9 Ary hoy ravehivavy tamin’ny lahy: «Indro fantatro fa olo-masin’Andriamanitra iny mpandalo eto amintsika matetika iny.

10 Ka handeha isika hanao efitrano kely avomanolotra ny rindrina, ho azy, dia hasiantsika farafara iray, latabatra iray, seza iray, ary fanaovan-jiro iray ao, ho azy, mba hihatahany isaky ny tonga amintsika izy.»

11 Dia tonga tao Sonama i Elisea indray andro ka nipetraka tao amin’ilay efitrano avo sy nandry tao.

12 Ary hoy izy tamin’i Giezỳ mpanompony: «Antsoy ilay vehivavy Sonamita.» Dia nantsoin’i Giezỳ ka nandroso nankeo anatrehany.

13 Ary hoy i Elisea tamin’i Giezỳ: «Lazao azy kely izao: Indro nikarakara anay tamin’izao zavatra rehetra izao ianao, ka inona kosa no mety hatao ho anao? Tianao va ny hiresahako amin’ny mpanjaka na amin’ny filohan’ny tafika mba ho anao?» Dia hoy ny navalin-dravehivavy: «Efa monina eto amin’ny fireneko aho.»

14 Ary hoy i Elisea: «Ka inona àry no hatao ho azy?» Dia hoy ny navalin’i Giezỳ: «Zanaka no tsy ananany ary ny lahy efa antitra.»

15 Ary hoy i Elisea: «Antsoy àry izy.» Dia nantsoina izy ka nijanona teo am-baravarana;

16 ka hoy i Elisea taminy: «Raha afaka herintaona amin’izao fotoana izao dia hisafosafo zazalahy ianao.» Fa hoy izy: «Tsia, aza dia laingainao ny ankizivavinao, ry olon’Andriamanitra tompoko.»

17 Ary nanana anaka ravehivavy, ka tera-dahy nony afaka herintaona tamin’izany fotoana izany, araka ny voalazan’i Elisea taminy.

18 Dia nihalehibe ny zaza. Ary indray andro, nankany amin-drainy tany amin’ny mpijinja vary izy,

19 ka nanao tamin-drainy hoe: «Izany an-dohako! Izany an-dohako!» Dia hoy rainy tamin’ny mpanompony: «Ento any amin-dreniny izy.»

20 Nony nentin’ny mpanompo sy nateriny tany amin-dreniny ilay zaza, dia nipetraka teo am-pofoan-dreniny mandra-pitataovovonana ny andro ary tamin’izay dia maty izy.

21 Niakatra nampandry azy teo amin’ny farafaran’ilay olon’Andriamanitra ravehivavy, dia narindriny aman-trano tao ny zaza, ary nivoaka izy,

22 dia niantso ny lahy, nanao hoe: «Aza mahafady, alefaso mankatỳ amiko kely ny anankiray amin’ny mpanomponao sy ny anankiray amin’ny ampondra vavy, hankanesako faingana amin’ilay olon’Andriamanitra, dia hiverina aho.»

23 Fa hoy ny lahy: «Nahoana no hankanesanao any anio? Tsy tsinam-bolana izao, tsy andro sabata akory?» Dia hoy ny navalin-dravehivavy: «Aza manana ahiahy.»

24 Dia nasainy nasiana lasely ny ampondra vavy, ary hoy izy tamin’ny mpanompony: «Tariho lalana aho ka miaingà ary aza mampijanona ahy any an-dalana, raha tsy efa izaho no efa nilaza taminao.»

25 Dia lasa izy, nankany amin’ilay olon’Andriamanitra tany an-tendrombohitra Karmela. Vao nahatazana azy teny lavidavitra teny ity olon’Andriamanitra dia nanao tamin’i Giezỳ mpanompony hoe: «Indry ilay vehivavy Sonamita,

26 ka mandehana faingana, tsenao izy, ary ilazao hoe: Tsara ihany va ianao? Tsara ihany va ny vadinao? Tsara ihany va ny zanakao?» Dia hoy ny navalin-dravehivavy: «Eny.»

27 Nony vao tonga tany amin’ity olon’Andriamanitra tany an-tendrombohitra izy, dia namihina ny tongony. Nanatona hanifika azy i Giezỳ, fa hoy ny olon’Andriamanitra: «Avelao izy, fa difotr’alahelo ny fony, ary nafenin’i Iaveh tamiko izany, fa tsy nampahalalainy ahy.»

28 Dia hoy ravehivavy: «Moa ve nangata-javatra tamin’ny tompoko aho? Tsy izao va no nataoko: Aza laingainao aho?»

29 Ary hoy i Elisea tamin’i Giezi: «Misikìna ianao, ento eny an-tananao ny tehiko, dia mandehana. Ka raha mifanena amin’olona aza miarahaba azy; raha arahabain’olona aza mamaly azy. Dia apetraho eo amin’ny tavan’ny zaza ny tehiko.»

30 Fa hoy ny renin’ny zaza: «Velona i Iaveh! ary velona koa ny fanahinao! ka tsy ilaozako ianao.» Koa nitsangana i Elisea dia nanaraka azy.

31 Nialoha azy ireo i Giezi nametraka ny tehina tamin’ny tavan’ilay zaza nefa tsy nisy feo na famantaran’ny naharenesany. Ka niverina hitsena an’i Elisea izy, nilaza izany taminy, nanao hoe: «Tsy nahatsiaro akory ny zaza.»

32 Nony tonga tao an-trano i Elisea, indro maty ilay zaza ary nandry teo am-parafarany.

33 Nony tafiditra izy dia nirindrina aman-trano tao izy roa lahy ary nivavaka tamin’i Iaveh i Elisea.

34 Dia niakatra nandry teo ambonin’ilay zaza i Elisea: ny vavany nataony tamin’ny vavany, ny masony nataony tamin’ny masony, ny tanany nataony tamin’ny tanany, ny tenany niampatra teo amboniny, ka nihanafana ny tenan’ny zaza.

35 Dia niala teo izy sy nandehandeha eran’ny trano, izay vao niakatra indray niampatra teo ambonin’ny zaza, ka nievina impito ny zaza, dia nihiratra ny mason’ny zaza.

36 Dia niantso an’i Giezỳ i Elisea nanao hoe: «Antsoy ilay Sonamita.» Nony nantsoiny izy dia nankao amin’i Elisea, ka hoy i Elisea taminy: «Raiso ny zanakao.»

37 Nandroso niankohoka tamin’ny tongony ravehivavy sady nihohoka tamin’ny tany, vao nandray ny zanany sy lasa nivoaka.

Ilay vilany nisy poizina

38 Niverina nankany Galgalà i Elisea, ary nisy mosary tamin’ny tany. Nipetraka teo anatrehany ny zanaky ny mpaminanytamin’izany, ka hoy izy tamin’ny mpanompony: «Ataovy eo an-tokoana ny vilany lehibe, dia mahandroa ro ho an’ny zanaky ny mpaminany.»

39 Ny iray tamin’izy ireo kosa nivoaka hitsongo anana tany an-tsaha, ka nahita sarisarim-boaloboka maniry ho azy dia nioty voatavomontan’ala tamin’io izy nahafeno ny lambany. Nony tafaverina izy dia notetehiny madinika tao anaty vilany nisy ny hanina ireny, nefa tsy nahalala izany izy ireo.

40 Kanjo nony noloarana hohanin’izy ireo izany, vao nihinana izy ireo, dia nikiakiaka nanao hoe: «Misy mahafaty ao am-bilany, ry olon’Andriamanitra ô!» ka tsy afa-nihinana izy ireo.

41 Dia hoy i Elisea: «Itondray lafarina aho.» Ary narotsany tao am-bilany izany, dia hoy izy: «Arosoy amin’izao hohanin’ny olona.» Izay vao tsy nisy nampaninona intsony tao am-bilany.

Fampitomboana mofo

42 Nisy lehilahy anankiray avy any Baala-Salira nitondra mofo natao tamin’ny santa-bary ho an’ity olon’Andriamanitra, dia mofo orja roapolo, sy vary vaovao tao an-dasàkany; ka hoy i Elisea: «Omeo ny olona hohaniny.»

43 Fa hoy ny navalin’ny mpanompony: «Hatao ahoana no fandroso izany eo anatrehan’ny olona zato?» Fa hoy i Elisea: «Omeo ireo olona ireo hohaniny; fa izao no lazain’i Iaveh: Hihinana ny olona ary mbola hisy sisa tsy lany.»

44 Dia norosoana izy ireo ka nihinana, nefa mbola nisy sisa tsy lany araka ny tenin’i Iaveh.

Categories
2Mpanjaka

2Mpanjaka 5

Ny nahasitrana an’i Naamàna

1 I Naamàna, komandin’ny tafiky ny mpanjakan’i Siria dia lehilahy manam-pahefana sy tò teny eo amin’ny tompony, fa izy no namonjen’i Iaveh ny Sirianina; nefa boka izany lehilahy matanjaka sy mahery fo izany.

2 Fahizay kosa nisy Sirianina nanao andiany ka nivoaka, ary nitondra zazavavy kely anankiray avy amin’ny tanin’i Israely, izay tonga mpanompon’ny vadin’i Naamàna.

3 Ary hoy io tamin’ny tompovaviny: «Raha mba any amin’ilay mpaminany any Samaria mantsy ny tompoko lahy, dia hositranin’ny mpaminany amin’ny habokany tokoa!»

4 Ka lasa i Naamàna nilaza izany tamin’ny tompony, nanao hoe: «Izao sy izao avy no nolazain’ilay zazavavy kely, avy amin’ny tanin’i Israely.»

5 Dia hoy ny mpanjakan’i Siria: «Mankanesa any, ary hampitondraiko taratasy ny mpanjakan’i Israely.» Dia lasa izy, sady nitondra talenta volafotsyfolo, sy volamena 6.000 sikla, ary akanjo impolo miova.

6 Nateriny tamin’ny mpanjakan’i Israely ilay taratasy misy manao hoe: «Rehefa tonga etỳ aminao àry ity taratasy ity, dia indro hofantarinao fa nirahiko ho atỳ aminao i Naamàna mpanompoko, mba hositraninao amin’ny habokany.»

7 Nony voavakin’ny mpanjakan’i Israely ny taratasy dia notriariny ny fitafiany, ka hoy izy: «Izaho angaha Andriamanitra mahay mamono sy mamelona no anirahan’ilay iny olona ho atỳ amiko hositraniko amin’ny habokany? Fantaro sy zahaonareo fa filàny ady amiko izao.»

8 Vao nandre i Elisea olon’Andriamanitra fa hoe: notriarin’ny mpanjakan’i Israely ny fitafiany, dia naniraka izy hilaza amin’ny mpanjaka hoe: «Nahoana ianao no nandriatra ny fitafianao? Aoka hankatỳ amiko izy, dia ho fantany fa misy mpaminany eto amin’i Israely.»

9 Dia nandeha i Naamàna mbamin’ny soavaly aman-kalesiny, ka nijanona teo am-baravaran’ny tranon’i Elisea.

10 Olona no nirahin’i Elisea hilaza aminy hoe: «Mandehana mandro impito ao Jordany, fa hody aminao indray ny nofonao, ka hadio ianao.»

11 Tezitra i Naamàna, ka lasa niombotra nanao hoe: «Indro aho nanao anakam-po hoe: hivoaka hankatỳ amiko izy, ny tenany hiseho eo anatrehako hiantso ny anaran’i Iaveh Andriamaniny sy hanevaheva ny tanany eo ambonin’ny fery, dia hahasitrana ilay boka.

12 Tsy tsara noho ny ranon’i Israely rehetra va i Abàna sy i Farfara onin’i Damasa? Tsy mahazo mandro ao amin’ireo va aho, ka hadio?» Dia nihodina izy ka lasa niombotra an-katezerana.

13 Fa nanatona kosa ireo mpanompony, ka niteny taminy nanao hoe: «Ry ikaky ô, na zava-tsarotra aza no nasain’ny mpaminany nataonao moa tsy ho nataonao ihany va? Ka mainka fa izao fotsiny no nataony taminao: Mandroa dia hadio ianao!»

14 Nidina izy ka nisitrika impito tao Jordany araka ny tenin’ny olon’Andriamanitra ary tonga toy ny nofon-jazakely indray ny nofony, ka nadio izy.

15 Dia niverina nankao amin’ilay olon’Andriamanitra izy mbamin’izay rehetra nomba azy. Ka nony tonga dia nandroso teo anatrehany, nanao hoe: «Indro hitako tsara izao, fa tsy misy Andriamanitra amin’ny tany rehetra hafa-tsy eto amin’i Israely ihany! Koa ankehitriny dia aoka handray ny fanatitra avy amin’ny mpanomponao ianao.»

16 Fa hoy i Elisea: «Velona i Iaveh izay itoerako eo anatrehany, ka dia tsy handray mihitsy aho.» Mbola nanery azy handray ihany i Naamàna, nefa tsy nety izy.

17 Ka hoy i Naamàna: «Rehefa tsy mety ianao, dia avelao kosa ny mpanomponao mba homena tany zakan’ny mole roa, satria tsy tian’ny mpanomponao intsony ny manatitra sorona dorana na sorona, amin’andriamani-kafa, afa-tsy amin’i Iaveh ihany.

18 Fa aoka havelan’i Iaveh ny mpanomponao amin’izao ihany: raha miditra ao an-tranon-dRemôna ny tompoko mba hivavaka ao sy mitehina amin’ny tanako izy, dia mba miankohoka ao amin’ny tranon-dRemôna koa aho; i Iaveh anie hamela ny mpanomponao amin’izany hiankohofako ao amin’ny tranon-dRemôna izany.»

19 Dia hoy i Elisea taminy: «Mandehana amim-piadanana!» Dia nilaozan’i Naamàna izy.

20 Vao lasa kelikely izy, dia hoy kosa i Giezi mpanompon’i Elisea olon’Andriamanitra anakampony: «Mitsimbina an’i Naamàna Sirianina ny tompoko, ka tsy nandray avy amin’ny tanany ny zavatra nentiny. Velona i Iaveh! fa hihazakazaka hanaraka azy aho, ka hahazo zavatra aminy.»

21 Dia rafitra nanaraka an’i Naamàna i Giezi. Vao nahatazana azy nihazakazaka nanaraka azy i Naamàna, dia nidina niala tamin’ny kalesiny hitsena azy, ka nanao hoe: «Tsara ihany daholo va?»

22 Dia hoy i Giezi; «Tsara daholo ihany. Nirahin’ny tompoko aho hilaza aminao hoe: Indro fa misy tovolahy roa lahy amin’ny zanaky ny mpaminany, vao tonga atỳ amiko avy any amin’ny tendrombohitr’i Efraima ka raha sitrakao, mba omeo talenta volafotsy iray sy fitafiana indroa miova kely ho azy ireo.»

23 Ary hoy i Naamàna: «Aoka re ho talenta roa no horaisinao.» Sady nanery azy izy no nanisika tao anaty lasàka roa ny talenta roa mbamin’ny fitafiana indroa miova, dia napetrany tamin’ny mpanompony roa lahy izay hoentiny eo alohan’i Giezỳ.

24 Nony tonga tao amin’ny havoana, nalain’i Giezi teny an-tanan’ireo izany, napetrany tao an-trano, dia nandefa ireo olona ireo izy ka lasa ireo.

25 Dia lasa niseho teo anatrehan’ny tompony izy, ka hoy i Elisea taminy; «Avy taiza ity ianao, ry Giezi?» Dia hoy izy namaly hoe: «Tsy taiza tsy taiza ny mpanomponao.»

26 Fa hoy i Elisea taminy: «Tsy niaraka taminao va ny fanahiko, tamin’ilay nilaozan-dralehilahy ny kalesiny hitsena anao? Moa va izao no fotoana fandraisam-bola, na fandraisam-pitafiana, na ôliva, na voaloboka, na ondry, na omby na mpanompo lahy sy vavy?

27 Koa hiraikitra aminao sy ny taranakao mandrakizay ny habokan’i Naamàna!» Dia niala teo anatrehan’i Elisea i Giezi ka fotsy hoatry ny oram-panala izy azon’ny habokana.

Categories
2Mpanjaka

2Mpanjaka 6

Ilay famaky very ka hita

1 Ary hoy ny zanaky ny mpaminany tamin’i Elisea: «Ety loatra ho anay ny toerana hipetrahanay eto anatrehanao.

2 Ka aoka hankany Jordany izahay dia haka sakamandimby iray avy, hanaovanay trano hitoeranay any.» Dia hoy ny navaliny: «Mandehana àry.»

3 Fa hoy kosa ny anankiray tamin’izy ireo: «Aoka mba hiaraka amin’ny mpanomponao koa ianao.» Ary namaly izy hoe: «Handeha aho»; ka dia lasa niaraka taminy izy.

4 Nony tonga tany Jordany izy ireo, dia nikapa hazo.

5 Kanjo latsaka tany anaty rano ny lela famakin’ny anankiray tamin’izy ireo, tamin’ny nikapany sakamandimby ka nikiaka indray niantso izy nanao hoe: «Indrisy, tompoko! sady zavatra nindramina iny.»

6 Ary hoy ity olon’Andriamanitra; «Taiza no nahalatsahany?» Dia natorony azy ny toerana. Ka nanapaka tapa-kazo iray i Elisea natsipiny tamin’io toerana io, dia nitsinkafona ilay lela famaky.

7 Ary hoy izy: «Raisonao izy.» Dia natsotrany ny tanany ka noraisiny.

I Elisea mambabo antoko-miaramila Arameanina

8 Niady tamin’i Israely ny mpanjakan’i Siria. Nivory nidinika tamin’ny mpanompony izy ka niteny hoe: «Any Ananona sy Ananona no hitobiako.»

9 Fa naniraka hilaza amin’ny mpanjakan’i Israely ny olon’Andriamanitra hoe: «Tandremo fandrao mandalo any Ananona ianao, fa midina any ny Sirianina.»

10 Dia naniraka olona ho any amin’ny toerana voalaza sy natoron’ny olon’Andriamanitra ny mpanjakan’i Israely, ka niambina tsara teny, tsy indray mandeha na indroa ihany.

11 Nahavelona ahiahy ny fon’ny mpanjakan’i Siria izany fihetsi-miaramila izany, ka niantso ny mpanompony izy, sy nilaza tamin’izy ireo hoe: «Tsy tianareo hambara amiko va izay momba ny mpanjakan’i Israely eto amintsika?»

12 Fa namaly kosa ny iray tamin’ireo mpanompony nanao hoe: «Tsy iza tsy iza, ry mpanjaka tompoko ô, fa i Elisea mpaminany ao amin’i Israely ihany, no milaza amin’ny mpanjakan’i Israely, na dia izay teny lazainao ao an’efitrano fandrianao aza.»

13 Ka hoy ny mpanjaka: «Mandehana zahao izay itoerany, hanirahako hisambotra azy.» Dia nisy nilaza taminy hoe: «Indro izy, any Dôtàna.»

14 Koa nandefa soavaly aman-kalesy ary miaramila betsaka, antokony iray, ho any izy; dia tonga alina tany ireo, ka notemerany ny tanàna.

15 Nifoha maraina koa kosa ny mpanompon’ny olon’Andriamanitra, ka nivoaka, ka indro antoko-miaramila anankiray manodidina ny tanàna omban-tsoavaly aman-kalesy. Ary hoy ilay mpanompo tamin’i Elisea hoe: «Indrisy tompoko, ahoana no hataontsika?»

16 Fa hoy ny navaliny: «Aza matahotra na inona na inona, fa be noho ny momba azy ny momba antsika.»

17 Sady nivavaka i Elisea nanao hoe: «Iaveh ô, sokafy ny masony, mba hahitany.» Ary nosokafan’i Iaveh ny mason’ilay mpanompo, ka nahita izy, ary indro feno soavaly aman-kalesy afo, manodidina an’i Elisea, ny tendrombohitra.

18 Nony nirotsaka ho eo amin’ity olon’Andriamanitra ny Sirianina, nivavaka tamin’i Iaveh kosa i Elisea nanao hoe: «Raha sitrakao, asio fahajambana io firenena io.» Dia nasian’i Iaveh fanjambana ireo, araka ny tenin’i Elisea.

19 Ka hoy i Elisea taminy: «Tsy ity no lalana, ary tsy ity no tanàna, fa izaho arahina, dia hitarika anareo ho any amin’ny lehilahy tadiavinareo.» Ary tany Samaria no nitarihany azy ireo,

20 ka nony tafiditra tao Samaria izy, dia hoy i Elisea: «Iaveh ô, sokafy ny mason’ireto olona ireto, mba hahitany.» Nosokafan’i Iaveh ny mason’izy ireo dia nahita, ka indro fa tao afovoan’i Samaria izy.

21 Nony nahita azy ireo kosa ny mpanjakan’i Israely, dia nilaza tamin’i Elisea hoe: «Hasiako amin’izao ve, hasiako amin’izao ve, ry ikaky ô?»

22 Fa namaly i Elisea hoe: «Aza mamely. Izay azonao babotamin’ny sabatra aman-tsipìkanao no asio, fa ireto kosa rosoy mofo sy rano hohaniny sy hosotroiny, dia aoka izy handeha ho any amin’ny tompony.»

23 Koa nasain’ny mpanjakan’i Israely nanaovana fanasana lehibe izy ireo, dia nihinana sy nisotro, vao nalefany handeha ho any amin’ny tompony. Izay dia tsy niverina tamin’ny tanin’i Israely intsony ny mpitoha ady Sirianina.

Voan’ny mosary i Samaria nafahy rano

24 Taorian’izany, novorin’i Benhadadampanjakan’i Siria ny tafiny rehetra, dia niakatra nanao fahirano an’i Samaria izy.

25 Nisy mosary lehibe tao Samaria, ary indro fa mafy loatra no nanaovana fahirano azy ka lafo volafotsy valopolo sikla ny loham-boriky iray, ary volafotsy dimy sikla, ny taim-boromahailala ampahefatry ny kaba.

26 Nony nandalo teny ambonin’ny manda kosa ny mpanjakan’i Israely, dia nisy vehivavy anankiray nitaraina taminy hoe: «Vonjeo aho, ry mpanjaka tompoko ô!»

27 Dia hoy izy: «Raha i Iaveh tsy mamonjy anao, amin’inona no azoko amonjena anao? Amin’ny vokatry ny famoloana sa amin’ny famiazam-boaloboka?»

28 Hoy koa ny mpanjaka taminy: «Maninona ianao?» Dia hoy ilay vehivavy: «Ravehivavy ity no nanao tamiko hoe: Aiza ny zanakao hohanintsika anio, fa ny ahy kosa hohanintsika rahampitso.

29 Ary efa nandrahoinay sy nohaninay ny zanako. Nony ampitso anefa nilazako izy nataoko hoe: Aiza ny zanakao hohanintsika? Kanjo efa nafeniny ny zanany!»

30 Nony nandre ny tenin’io vehivavy io ny mpanjaka, dia nandrovitra ny fitafiany raha ilay nandalo teny ambony manda iny izy, ary hitan’ny vahoaka, ka indro ambanin’ny fitafiany, nitafy lasàka manolo-koditra azy izy.

31 Ary hoy ny mpanjaka: «Hataon’i Iaveh amin’izay ngidiny indrindra anie aho, raha tafajanona eo amin’ny tenany ihany anio ny lohan’i Elisea zanak’i Safata.»

Ambaran’i Elisea fa hitsahatra haingana ny fitsapana

32 Ary dieny mbola nipetraka tao an-tranony i Elisea, ary nipetraka teo aminy koa ny loholona, dia naniraka olona avy ao aminy ny mpanjaka. Tsy mbola tonga tao amin’i Elisea akory anefa ilay iraka, dia hoy i Elisea tamin’ny loholona: «Fantatrareo va fa naniraka olona hanala amiko ny lohako ilay zanaky ny mpamono olona iny? Tandremo fa rehefa tonga ny iraka, dia akatòny ny varavarana, tereo amin’ny varavarana izyInjay re manaraka any aoriany koa ny fingadongadon’ny tongotry ny tompony.»

33 Mbola niteny tamin’ireo izy, dia tafidina nankeo aminy sahady ilay iraka, ka nanao hoe: «Indro avy amin’i Iaveh izao loza izao, ka inona intsony no azoko antenaina amin’i Iaveh?»

Categories
2Mpanjaka

2Mpanjaka 7

1 Fa hoy i Elisea: «Mihainoa ny tenin’i Iaveh ianareo. Izao no lazain’i Iaveh: Rahampitso toy izao, eo am-bavahadin’i Samaria, iray sikla dia hahazo lafarina tsara indrindra eran’ny famarana, iray sikla dia hahazo orja indroan’ny famarana.»

2 Fa namaly an’ity olon’Andriamanitra ilay manamboninahitra nitehenan’ny mpanjaka tamin’ny tanany, ka nanao hoe: «Aiza ka dia ho tanteraka izany; na dia hanao varavarankely amin’ny lanitra aza i Iaveh?» Dia hoy i Elisea: «Ho hitan’ny masonao izany, nefa tsy mba hihinananao.»

Foana olona ny lasin’ny Amôreana

3 Teo anoloan’ny vavahady nisy boka efa-dahy nifampilaza hoe: «Ahoana moa izao no ijanonantsika eto mandra-pahafatintsika?

4 Raha ny hankao an-tanàna no fidintsika, dia ao an-tanàna ny mosary ka ho faty ao isika; raha mijanona eto indray, ho faty ihany koa. Koa andeha hitsoboka any an-tobin’ny Sirianina: Mamelona antsika moa izy, dia velona isika, mamono kosa izy dia ho faty isika.»

5 Dia niainga izy nony takariva, nankany an-tobin’ny Sirianina; ka tonga teo amin’ny fidiran’ny tobin’ny Sirianina izy, ka indro fa tsy nisy olona teo.

6 Fa tao an-tobin’ny Sirianina, dia nampandrenesan’i Iaveh fingodongodon-kalesy, sy fikatrokatro-tsoavaly, ary firodorodo-miaramila betsaka, ka nifampilaza izy ireo nanao hoe: «Injao fa nanamby ny fanjakan’ny Heteanina sy ny mpanjakan’ny Ejiptianina ho tonga hamely antsika ny mpanjakan’i Israely.»

7 Dia niainga izy ireo, ka iny takariva iny ihany dia rifatra nandositra, nilaozany teo ny lainy, ny soavaliny, ny ampondrany, dia ny tobiny araka izay nanorenana azy ka nitsoaka namonjy ny ainy izy.

8 Nitsofoka tamin’ny lay anankiray ireto boka efa-dahy, nony tonga tao amin’ny fidiran’ny toby, ary rehefa nisotro sy nihinana dia naka volafotsy sy volamena amam-pitafiana, ka nandeha nanafina azy. Niverina indray izy nitsofoka tamin’ny lay hafa, naka zavatra sy nanafina koa.

Nitsahatra ny fanafihana sy ny mosary

9 Izay izy ireo vao nifampilaza hoe: «Tsy mety izao ataontsika izao, fa andro filazan-java-tsoa mahafaly anio, ka raha mangina isika ka miandry mandra-pahazavan’ny andro, dia hahazo sazy. Ka avia àry handeha isika hilaza amin’ny ao an-tranon’ny mpanjaka.»

10 Dia niainga izy ireo, ka niantso ny mpiambina ny vavahadin-tanàna, ary izao no filazàna nataony: «Nitsofoka tany an-tobin’ny Sirianina izahay, ka indro tsy misy olona, na feon’olona akory, fa soavaly mifatotra, ampondra mifatotra, ary lay amin’ny toetra nananganana azy no hany ao.»

11 Rafitra nihoby ny mpiambim-bavahady, sady nitondra ny vaovao tany anatin’ny tranon’ny mpanjaka.

12 Nifoha mbola alina ny mpanjaka, dia nilaza tamin’ny mpanompony hoe: «Tiako hambara aminareo izay ataon’ny Sirianina amintsika. Fantany fa mosarena isika, ka niala tamin’ny tobiny izy; niery any an-tsaha any, sy nifampilaza hoe: Rehefa tafavoaka ny tanàna ireny, dia hataontsika sambo-belona, ka hidirantsika ny tanàna.»

13 Dia niteny ny iray tamin’ny mpanompony nanao hoe: «Aoka ny dimy amin’ny soavaly sisa velona eto an-tanàna no halaina, – fa indreo izy ka toy ny be sy ny maro amin’i Israely tafajanona ao, indreo izy fa tahaka ny be sy maro amin’i Israely izay mandroso ho faty, – ka alefaontsika hizaha izany.»

14 Dia nalaina ny kalesy roa mbamin’ny soavaliny, ka nandefa ny olona hanaraka ny dian’ny tafiky ny Sirianina, ny mpanjaka, nanao hoe: «Mandehana ianareo mizaha azy.»

15 Koa nandeha nanaraka azy hatrany Jordany ireo; ary indro ny lalam-be rehetra dia rakotry ny fitafiana amam-panaka narian’ny Sirianina, tamin’ny fikoropahany nandositra. Nony niverina ny iraka dia nilaza izany tamin’ny mpanjaka.

16 Nivoaka namabo ny tobin’ny Sirianina ny vahoaka, ka sikla iray dia nahazo lafarina tsara indrindra eran’ny famarana, sikla iray dia nahazo orja indroan’ny famarana, araka ny tenin’i Iaveh.

17 Ilay manamboninahitra nitehenan’ny mpanjaka tamin’ny tanany no napetrany niambina ny vavahady, kanjo voahosihosin’ny tongotry ny vahoaka io manamboninahitra io; ka maty, araka ilay teny voalazan’ny olon’Andriamanitra, tamin’ny mpanjaka nidina tany aminy.

18 Izany tokoa, satria raha niteny tamin’ny mpanjaka ny olon’Andriamanitra nanao hoe: «Iray sikla dia hahazo orja indroan’ny famarana, iray sikla dia hahazo lafarina tsara indrindra eran’ny famarana, rahampitso toy izao, eo am-bavahadin’i Samaria,»

19 dia namaly ny olon’Andriamanitra kosa ilay manamboninahitra nanao hoe: «Aiza ka dia ho tanteraka izany, na dia hanao varavarankely amin’ny lanitra aza i Iaveh?» Ary i Elisea efa nanao hoe: «Indro fa ho hitan’ny masonao izany, fa tsy mba hihinananao.»

20 Dia tanteraka taminy izany, fa voahosihosin’ny tongotry ny vahoaka tao am-bavahady izy, ka maty.