Categories
2Mpanjaka

2Mpanjaka 8

Fiafaran’ny tantaran’ilay Sonamita

1 Ilay vehivavy maty anaka novelomin’i Elisea, dia efa nilazany hoe: «Miaingà ianao, ka mandehana mitoetra any amin’izay azonareo itoerana any, ianao sy ny fianakavianao. Fa efa nanafatra ny mosary I Iaveh, ka tamy tokoa ny mosary, sady haharitra fito taonaamin’ny tany.»

2 Koa niainga ravehivavy hanao araka ny voalazan’ny olon’Andriamanitra, ary lasa nandeha izy sy ny ankohonanay, ka nitoetra fito taona tany amin’ny tanin’ny Filistinina.

3 Nony afaka fito taona, tafaverina avy any amin’ny tanin’ny Filistinina ravehivavy ka nandeha hitaraina amin’ny mpanjaka, ny amin’ny tranony sy ny sahany.

4 Ny mpanjaka kosa, niresaka tamin’i Giezi mpanompon’ilay olon’Andriamanitra ka nanao hoe: «Mba tantarao amiko kely ny zava-dehibe nataon’i Elisea.»

5 Mbola niresaka tamin’ny mpanjaka ny amin’ny nananganan’ny tompony olona iray amin’ny maty teo izy, no inty ilay vehivavy renin’ny zaza maty novelomin’i Elisea, nanomboka nitalaho tamin’ny mpanjaka, ny amin’ny tranony sy ny sahany, ka hoy i Giezỳ: «Ry mpanjaka tompoko ô: inty eto ilay vehivavy, indro eo koa ilay zanany maty novelomin’i Elisea.»

6 Dia nanontanian’ny mpanjaka ravehivavy, ka nitantara izany taminy; dia nomen’ny mpanjaka eonòka anankiray izy, nataony hoe: «Asaovy averina aminy avokoa ny saha rehetra, hatramin’ny nialany tatỳ, ka mandrak’ankehitriny.»

I Elisea sy i Hazaela avy any Damasa

7 Nankany Damasa i Elisea: ary narary i Benhadada mpanjakan’i Siria, ka nilazan’ny olona izy, natao hoe: «Tonga eto ilay olon’Andriamanitra.»

8 Dia hoy ny mpanjaka tamin’i Hazaela: «Mitondrà fanomezana ianao, mandehana mitsena ilay olon’Andriamanitra, ary izy no anontanio izay tenin’i Iaveh, ataovy hoe: Mbola ho velona amin’ity aretina ity va aho?»

9 Nandeha nitsena azy i Hazaela ary nentiny niaraka taminy hatao fanatitra ho azy izay zava-tsoa indrindra tao Damasa, dia entan-drameva efapolo. Nony tonga izy, dia niseho teo anatrehany, nanao hoe: «Irahin’i Benhadada mpanjakan’i Siria zanakao aho, hiteny hoe: Ho velona aorian’ity aretina ity va aho?»

10 Ary hoy i Elisea taminy: «Mandehana, lazao azy hoe: Ho velona marina tokoa ianao. Nefa nasehon’i Iaveh amiko fa ho fatymihitsy izy.»

11 Dia nibanjina an’i Hazaela ity olon’Andriamanitra, ka nohandrininy teo io, hany ka nahamenatra azy; dia nitomany ny olon’Andriamanitra.

12 Ka hoy i Hazaela: «Nahoana no mitomany ny tompoko?» Dia hoy ny navalin’i Elisea: «Satria tsinjoko ny ratsy hataonao amin’ny zanak’i Israely. Hodoranao amin’ny afo ny tanànany mimanda: hovonoinao amin’ny sabatra ny tovolahy ao aminy, hotorotoroinao ny ankizy madinika, ary hotatahanao ny kibon’ny vehivavy bevohoka.»

13 Fa hoy i Hazaela: «Zinona moa ny mpanomponao, izay alika foana ity, no dia hahavita zava-dehibe toy izany?» ary namaly i Elisea: «Efa nasehon’i Iaveh tamiko fa ho mpanjakan’i Siria ianao.»

14 Nony niala teo amin’i Elisea i Hazaela dia niverina nankao amin’ny tompony, ka nanontaniany hoe: «Ahoana no nolazain’i Elisea taminao?» Ary namaly izy hoe: «Izao no nolazainy: ‹Ho velona marina tokoa ianao.› »

15 Ny ampitson’izay naka firakofana anankiray i Hazaela natsobony tamin’ny rano, dia nasarony ny tavan’ny mpanjaka, ka maty io; ary i Hazaela no nanjaka nandimby azy.

Ny nanjakan’i Jôrama tany Jodà

16 Tamin’ny taonafahadimin’ny nanjakan’i Jôramazanak’i Akaba mpanjakan’i Israely, raha mbola mpanjakan’i Jodà i Jôsafata, no vao nanjakan’i Jôrama zanak’i Jôsafata mpanjakan’i Jodà.

17 Efa 32 taona izy fony tonga mpanjaka, ary valo taona no nanjakany tao Jerosalema.

18 Nandeha tamin’ny lalan’ny mpanjakan’i Israely izy tahaka ny nataon’ny taranak’i Akaba, fa zanakavavin’i Akabano vadiny, ka nanao ratsy eo imason’i Iaveh izy.

19 Tsy naringan’i Iaveh anefa i Jodà noho ny amin’i Davida mpanompony, araka ny fampanantenany hanome azy jirotsy tapaka eo amin’ny taranany.

20 Tamin’ny androny no nialan’i Edôma tsy ho ambanin’ny fanapahan’i Jodà, fa nanangana mpanjaka ho azy.

21 Ka nankany Seirài Jôrama nomban’ny kalesy rehetra; nifoha mbola alina izy namono ny Edômita manodidina azy, sy ny lehiben’ny kalesy, ary nandositra nankany an-dainy ny vahoaka.

22 Nitsoaka tsy ho ambanin’ny fanapahan’i Jodà intsony i Edôma, mandrak’androany. Tamin’izany fotoana izany ihany koa, no nitsoaka ho afaka i Lobnà.

23 Ny sisa tamin’ny asan’i Jôrama mbamin’izay rehetra nataony, moa tsy dia efa voasoratra ao amin’ny bokin’ny Tantaran’ny mpanjakan’i Jodà?

24 Ary nody mandry any amin’ny razany i Jôrama, ka nalevina tao amin’ny razany, ao an-tanànan’i Davida; dia i Okoziasa zanany no nanjaka nandimby azy.

Ny nanjakan’i Okoziasa tany Jodà (841)

25 Tamin’ny taona faha-12 nanjakan’i Jôrama, zanak’i Akaba, mpanjakan’i Israely, no vao nanjakan’i Okoziasa zanak’i Jôrama, mpanjakan’i Jodà.

26 Efa roa amby roapolo taona i Okoziasa, fony tonga mpanjaka, ary herintaona no nanjakany tao Jerosalema. Ny anaran-dreniny dia i Atalia, zanak’i Amrì, mpanjakan’i Israely.

27 Nandeha tamin’ny lalan’ny taranak’i Akaba izy, ka nanao izay ratsy eo imason’i Iaveh toy ny taranak’i Akaba fa vinanton’ny taranak’i Akaba izy.

28 Niara-nandeha tamin’i Jôrama, zanak’i Akaba izy, hiady amin’i Hazaela mpanjakan’i Siria, tany Ramôta, any Galaada. Voaratran’ny Sirianina i Jôrama,

29 ka niverina ho any Jezrahela hampitsabo tena amin’ny ratra namelezan’ny Sirianina azy tany Ramôta, fony izy niady tamin’i Hazaela mpanjakan’i Siria. Nidina i Okoziasa zanak’i Jôrama mpanjakan’i Jodà, hamangy an’i Jôrama zanak’i Akaba ao Jezrahela fa narary izy.

Categories
2Mpanjaka

2Mpanjaka 9

Mpianatr’i Elisea manolotra an’i Jehò ho mpanjaka

1 Ary niantso ny anankiray amin’ny zanaky ny mpaminany i Elisea mpaminany, ka nanao hoe: «Misikìna ianao; raiso eo an-tananao ity tavoara misy diloilo ity, ka mankanesa any Ramôta any Galaada.

2 Rehefa tonga any ianao, zahao i Jehò zanak’i Jôsafata zanak’i Namsì, ka rehefa tafahàtona eo anilany dia asaovy mitsangana avy eo amin’ireo rahalahiny izy, dia ento mankany an’efitrano mangingìna,

3 ary raiso ny tavoara misy diloilo, aidino amin’ny lohany, ka ataovy hoe: Izao no lazain’i Iaveh: Hosorako ho mpanjakan’i Israely ianao. Dia vohay ny varavarana ka mandosira fa aza mijanonjanona.»

4 Dia nandeha ilay zatovo, mpanompon’ny mpaminany, ho any Ramôta, any Galaada.

5 Nony tonga izy, indreo ny lehiben’ny tafika mipetraka eo, ka hoy izy: «Ry Komandy ô, misy teny kely holazaiko aminao.» Ary hoy i Jehò: «Amin’iza aminay ireto?» Dia namaly izy: «Aminao, Komandy.»

6 Koa nitsangana nankao an-trano i Jehò, ary ilay zatovo kosa sady nanidina ny diloilo tamin’ny lohany no nanao taminy hoe: «Izao no lazain’i Iaveh Andriamanitr’i Israely: Hosorako ho mpanjakan’i Israely vahoakan’i Iaveh ianao.

7 Hamely ny tranon’i Akaba tomponao ianao, ary hampanodiaviko an’i Jezabela ny ran’ny mpaminany mpanompoko, sy ny ran’ny mpanompon’i Iaveh rehetra.

8 Haringanany tranon’i Akaba rehetra, hofongorako ny lahy rehetra izay an’i Akaba, na ny mpanompo olona na ny olona afaka amin’i Israely,

9 ka hampanahafiko ny tranon’i Jerôbôamazanak’i Nabata sy ny an’i Baasàzanak’i Ahià, ny tranon’i Akaba.

10 Hohanin’ny alika eo amin’ny sahan’i Jezrahela i Jezabela, ary tsy hisy olona handevina azy.» Dia novohan’ilay zatovo ny varavarana, ka lasa nandositra izy.

I Jehò atsangana ho mpanjaka

11 Fa i Jehò nivoaka nankao amin’ny mpanompon’ny tompony, ka hoy ireo taminy hoe: «Tsara ihany daholo va? Fa ahoana no nalehan’ilay adala iny tao aminao?» Dia hoy ny navalin’izy ireo: «Samy fantatrareo ihany, na ralehilahy na ny teniny.»

12 Fa namaly izy ireo nanao hoe: «Lainga izany, fa ambarao aminay izany!» ary hoy izy hoe: «Izany sy izany no nolazainy tamiko, nataony hoe: Izao no lazain’i Iaveh: Hosorako ho mpanjakan’i Israely ianao.»

13 Niaraka tamin’izay samy nandray ny kapaotiny avy izy ireo sy nanao azy teo ambanin’i Jehò, teo an-tampon’ny ambaratonga; dia notsofiny ny anjomara, ka hoy izy: «I Jehò no mpanjaka!»

I Jehò manomana ny fakàna ny fahefana

14 Nanao teti-dratsy i Jehò zanak’i Jôsafata, zanak’i Namsì, hamely an’i Jôrama. I Jôrama sy i Israely rehetra tamin’izany, dia niaro an’i Ramôta any Galaada, tsy ho azon’i Hazaela mpanjakan’i Siria,

15 saingy niverina nankany Jezrahela i Jôrama mpanjaka hampitsabo tena amin’ny ratra nahavoazan’ny Sirianina azy, tamin’izy niady tamin’i Hazaela mpanjakan’i Siria. Ka hoy i Jehò: «Raha maniry izany àry ianareo, aza misy mitsoaka eto an-tanàna ny olona, ka handeha hilaza izany any Jezrahela.»

16 Dia niakatra teo amin’ny kalesiny i Jehò, ka niainga nankany Jezrahela, fa nandry tany i Jôrama, ary nidina namangy an’i Jôrama any koa i Okoziasa mpanjakan’i Jodà.

17 Tazan’ny mpitily nitoetra tao an-tampon’ny tilikambon’i Jezrahela kosa ny niavian’ny antoko-miaramilan’i Jehò ka nolazainy hoe: «Mahatazana antoko-miaramila aho.» Ary hoy i Jôrama: «Makà mpitaingin-tsoavaly anankiray, iraho hitsena azy ireo ka hanontany hoe: Fihavanana va izao?»

18 Dia nandeha nitsena an’i Jehò ny mpitaingin-tsoavaly, ka nanao hoe: «Izao no lazain’ny mpanjaka: Fihavanana va izao?» Fa namaly i Jehò nanao hoe: «Mampaninona anao izay fihavanana? Fa avia atỳ aoriako ianao!» Nampandre izany ny mpitily nanao hoe: «Lasa tafapaka teny aminy ny iraka, nefa tsy niverina.»

19 Dia naniraka mpitaingin-tsoavaly fanindroany i Jôrama; ka tonga teny izy ary nanao hoe: «Izao no lazain’ny mpanjaka: Fihavanana va izao?» Fa namaly i Jehò nanao hoe: «Mampaninona anao izay fihavanana? Avia atỳ aoriako ianao!»

20 Koa nampandre izany ny mpitily nanao hoe: «Lasa tafapaka teny aminy ny iraka nefa tsy niverina. Sahala amin’ny fitarik’i Jehò zanak’i Namsì ny fitariny, fa nitarika toy ny olona adala izy.»

21 Dia hoy i Jôrama: «Ataovy amin’ny kalesy ny soavaly.» Dia natao tamin’ny kalesy ny soavaly. Nivoaka samy tamin’ny kalesiny avy, i Jôrama mpanjakan’i Israely, sy i Okoziasa, mpanjakan’i Jodà, nivoaka nitsena an’i Jehò, ka nifanena taminy tao amin’ny sahan’i Nabôta, any Jezrahela.

Ny namonoana an’i Jôrama

22 Raha nahita an’i Jehò i Jôrama, dia nanao taminy hoe: «Fihavanana va izao, ry Jehò?» Fa namaly kosa i Jehò: «Inona no ho fihavanana eo raha mbola maharitra koa ny fijangajangan’i Jezabela reninao sy ny vorika betsaka ataony?»

23 Dia nampihodina ny kalesiny i Jôrama, nitsoaka nandositra, sady nilaza tamin’i Okoziasa hoe: «Fivadihana ity, ry Okoziasa.»

24 Fa noraisin’i Jehò teo an-tanany kosa ny tsipìkany, nasiany i Jôrama teo anelanelan’ny sorony; tafagorobaka tamin’ny fony ny zana-tsipìka, ka nitambotsotra tao anaty kalesiny tao i Jôrama.

25 Ary hoy i Jehò tamin’i Badakera lefiny: «Raiso io, atsipazo ao anatin’ny sahan’i Nabôta ao Jezrahela, satria tsarovy ilay izaho sy ianao niara-nitaingin-tsoavaly nanaraka an’i Akaba iny, ka nitenenan’i Iaveh izao teny nihatra taminy izao hoe:

26 Marina fa toy ny nahitako omaly ny ran’i Nabôta sy ny ran-janany, – teny marin’i Iaveh izao, dia hataoko todîn’izany ianao ato amin’ity saha ity ihany, – teny marin’i Iaveh izao; koa raiso io, atsipazo amin’ny saha araka ny tenin’i Iaveh.»

Ny namonoana an’i Okoziasa

27 Raha nahita izany i Okoziasa mpanjakan’i Jodà, dia nandositra tamin’ny lalan’ny tranon’ny zaridaina. Fa nenjehin’i Jehò izy sady nataony hoe: «Asio ao anaty kalesiny ao ihany koa iny.» Dia nasian’ny olona izy, teo amin’ny fiakaran’i Gavera, akaikin’ny Jeblaama. Nandositra nankany Magedao izy, dia maty tao.

28 Nentin’ny mpanompony tamin’ny kalesy ho any Jerosalema izy, ka naleviny tao am-pasany, tao amin’ny razany, ao an-tanànan’i Davida.

29 Tamin’ny taona faha-11 nanjakan’i Jôrama, zanak’i Akaba, no nahatongavan’i Okoziasa ho mpanjakan’i Jodà.

Ny namonoana an’i Jezabela

30 Dia niditra tao Jezrahela i Jehò. Raha nandre izany i Jezabela dia notentenany ny masony, noravahany ny lohany, ka nitsidika teo am-baravarankely izy.

31 Nony niditra ny vavahady i Jehò dia hoy izy: «Fihavanana va izao, ry Zamrì, mpamono tompo?»

32 Niandrandra tany am-baravarankely izy, dia nanao hoe: «Iza no momba ahy?» Eonòka roa na telo no nitsirika azy,

33 dia nataony hoe: «Azerao atỳ ambany izy io!» Dia nazeran’ireo izy, ka nifantsitsìtra tamin’ny rindrina sy ny soavaly ny rany, ary nohosen’i Jehò tamin’ny tongony izy.

34 Raha efa izany dia niditra izy ary nihinana sy nisotro ka nanao hoe: «Mandehana tsiriho ilay vehivavy voaozona dia aleveno, fa zanaky ny mpanjakaizy.»

35 Dia nandeha handevina azy izy ireo, kanjo ny karandohany sy ny tongony amam-pelatanany sisa tratrany teo.

36 Ka niverina nilaza izany tamin’i Jehò izy, fa hoy izy: «Izany no tenin’i Iaveh notononiny tamin’ny alalan’i Elia Tesbita, nataony hoe: Hohanin’ny alika ao amin’ny sahan’i Jezrahela ny nofon’i Jezabela, ary hanahaka ny zezika eo ambonin’ny tany ao amin’ny sahan’i Jezrahela ny fatin’i Jezabela, ka tsy ho azo lazaina akory hoe: I Jezabela ity.»

Categories
2Mpanjaka

2Mpanjaka 10

Ny namongorana ny fianakavian’ny mpanjakan’i Israely

1 Nisy zanak’i Akaba fitopolo lahy tany Samaria, ka nanoratra taratasy i Jehò nampitondrainy tany Samaria ho an’ny lehiben’i Jezrahela, dia ny loholona, ary ho an’ny tonian’ny fikarakarana ny zanak’i Akaba, ary izao no teniny:

2 «Raha vao tonga atỳ aminareo ity taratasy ity, – satria mbola eo aminareo ny zanaky ny tomponareo, eo aminareo koa ny kalesy aman-tsoavaly mbamin’ny tanàna mimanda sy ny fiadiana,

3 dia zahao izay tsara sy mety indrindra amin’ny zanaky ny tomponareo ka apetraho ao amin’ny seza fiandrianan-drainy, ary miadia ho an’ny tranon’ny tomponareo.»

4 Fa raiki-tahotra mafy izy ireo, ka nilaza hoe: «Indro fa mpanjaka roa aza tsy nahatohitra azy, ka hataontsika ahoana no fanohitra?»

5 Dia naniraka olona ny lehiben’ny tao an-dapa, ny komandin’ny tanàna, ny loholona mbamin’ny toniany, hilaza amin’i Jehò hoe: «Mpanomponao izahay, ka izay rehetra holazainao no hataonay, fa tsy hanangana olona ho andriana izahay na iza na iza; izay sitraky ny fonao no ataovy.»

6 Dia nanoratra taratasy fanindroany ho any amin’izy ireo i Jehò nanao hoe: «Raha momba ahy sy mihaino ny feoko ianareo, alao ny lohan’ireo lehilahy, zanaky ny tomponareo, ka tongava atỳ amiko atỳ Jezrahela rahampitso toy izao.» Tao amin’ny lehiben’ny tanàna, izay nitaiza azy, izy fitopolo lahy, zanaky ny mpanjaka.

7 Ka nony tonga tany amin’izy ireo ny taratasy, novonoiny avokoa izy fitopolo lahy, ary nataony an-tsobiky ny lohany, dia nalefany ho any amin’i Jehò, tany Jezrahela.

8 Dia nampandre azy izany ny iraka, nanao hoe: «Nentiny ny lohan’ny zanaky ny mpanjaka»; ka hoy izy: «Ataovy roa toko mifanongoa ao anoloan’ny vavahady izany, mandra-pahamarain’ny andro.»

9 Nony maraina, dia nivoaka izy ary niseho teo anatrehan’ny vahoaka rehetra izy nanao hoe: «Marina ianareo; indreo fa nikomy tamin’ny tompoko aho sy namono nahafaty azy, fa iza kosa no namono an’ireto rehetra ireto?

10 Aoka ho fantatrareo àry fa tsy hisy raraka an-tany ny tenin’i Iaveh, izay notononin’i Iaveh ny amin’ny taranak’i Akaba, ary notanterahin’i Iaveh izay nolazainy tamin’ny alalan’i Elia mpanompony.»

11 Dia novonoin’i Jehò avokoa izay sisa rehetra tamin’ny tranon’i Akaba, tao Jezrahela, na ny olom-baventiny rehetra, na ny havany ama-mpisorony rehetra, ka tsy nasiany niangana na dia iray aza.

Ny namongorana ny andriana teo amin’i Jodà

12 Raha efa izany dia nitsangana izy ary niainga nankany Samaria. Nony mby teo amin’ny trano anankiray fivorian’ny mpiandry ondry teny an-dalana izy,

13 dia nahita ireo rahalahin’i Okoziasa i Jehò ka nanao hoe: «Iza ianareo?» Ary hoy ny navalin’ireo: «Rahalahin’i Okoziasa izahay, ary midina hamangy ny zanaka lahin’ny mpanjaka, sy ny zanaka lahin’ny andriambavy.»

14 Ka hoy i Jehò: «Ataovy sambo-belona ireo.» Dia nataony sambo-belona ireo, ka novonoiny tao an-davaka famorian-dranon’ilay trano fivoriana; 42 lahy no isany, ary tsy nasian’i Jehò niangana ireo na dia iray aza.

I Jehò sy i Jônadaba

15 Nony niala teo izy, dia nifanena tamin’i Jônadaba, zanak’i Rekaba, izay tonga hitsena azy, ka niarahaba azy sy nanao taminy hoe: «Mba tsotra tahaka izany foko aminao izany va ny fonao?» Dia namaly i Jônadaba hoe: «Izany indrindra.» «Raha izany àry», hoy i Jehò, «tolory tanana aho.» Dia natolotr’i Jônadaba azy ny tanany, ka nasain’i Jehò niakatra ho eo anilany teo ambony kalesy izy, nataony hoe:

16 «Andeha hiaraka amiko, ary ho hitanao ny zotom-poko ho an’i Iaveh.»

17 Dia toy izany no nitondrany azy teny amin’ny kalesiny. Nony mby tany Samaria, dia novonoin’i Jehò avokoa izay tamingan’i Akaba sisa rehetra, ka nataony fongotra mihitsy araka ny tenin’i Iaveh nolazainy tamin’i Elia.

Ny namongorana ny mpino an’i Baala sy nandravana ny tempoliny

18 Nony efa izany, nivorin’i Jehò ny vahoaka rehetra, ka hoy izy taminy: «Kely no nanompoan’i Akaba an’i Baala, fa fatratra no hanompoan’i Jehò azy.

19 Koa ankehitriny vorio hankatỳ amiko avokoa ny mpaminanin’i Baala rehetra sy ny mpanompony rehetra, ary ny mpisorony rehetra: aza misy tsy tonga na dia iray aza, fa hanatitra sorona lehibe amin’i Baala aho, ka tsy hovelomina izay tsy tonga na iza na iza.» Kanjo hafetsena no nanaovan’i Jehò izany, handringanana ny mpanompon’i Baala. Hoy i Jehò:

20 «Lazao ampahibemaso fa hisy fivoriana manetriketrika hankalazana an’i Baala.» Dia nolazaina ampahibemaso izany.

21 Nandefa iraka tany amin’i Israely rehetra i Jehò, ka tonga avokoa ny mpanompon’i Baala rehetra tsy nisy nijanona ka tsy tonga, na dia iray aza. Niditra tao an-tranon’i Baala izy ireo, ka feno ny tranon’i Baala hatrany aloha ka hatrany aoriana.

22 Ary hoy i Jehò tamin’ny mpiambina ny trano fitahirizana akanjo: «Amoahy akanjo avokoa ny mpanompon’i Baala rehetra.» Dia namoaka akanjo ho azy ireo izy.

23 Ary tamin’izay dia tonga tao an-tranon’i Baala i Jehò niaraka tamin’i Jônadaba zanak’i Akaba, ka hoy izy tamin’ny mpanompon’i Baala: «Karohy ary zahao, mba tsy hisy mpanompon’i Iaveh ato aminareo, fa ny mpanompon’i Baala ihany.»

24 Rehefa tafiditra izy ireo hanatitra sorona sy sorona dorana, dia nametraka valopolo lahy tao alatrano Akora i Jehò nanao hoe: «Raha misy olona mitsoaka amin’ireo olona apetrako eo an-tananareo ireo, dia hisolo aina azy izay nandefa azy.»

25 Vao tapitra ny fanaterana ny sorona dorana, dia hoy i Jehò tamin’ireo mpihazakazakasy manamboninahitra: «Midira, vonoy ireo, ka aza asiana iray tafavoaka!» Dia nasiany tamin’ny lelan-tsabatra ireo; narian’ny mpihazakazaka sy ny manamboninahitra teo ireo; dia niditra tao amin’ny fitoerana masin’ny tranon’i Baala izy,

26 ka navoakany nodorana ny tsangam-bato tao an-tranon’i Baala,

27 nomontsamontsaniny ny tsangam-baton’i Baala ary nazerany koa ny tranon’i Baala ka nataony trano fivoahana ka mbola tao mandrak’androany.

Ny nanjakan’i Jehò tamin’i Israely (841-814)

28 Nofongoran’i Jehò ao amin’i Israely i Baala.

29 Nefa tsy niviliany nialany ny fahotan’i Jerôbôama zanak’i Nabata izay nampanota an’i Israely, na ny zanak’omby volamena izay tao Betela sy ao Dana.

30 Ary hoy i Iaveh tamin’i Jehò: «Noho ianao nanatanteraka tokoa izay mahitsy eo imasoko sy nanao tamin’ny tranon’i Akaba araka izay rehetra tao am-poko, ny zanakao hatramin’ny taranaka fahefatra kosa, dia hitoetra eo amin’ny seza fiandrianan’i Israely.»

31 Tsy notandreman’i Jehò anefa ny handeha amin’ny fony rehetra araka ny lalàn’i Iaveh Andriamanitr’i Israely, fa tsy niala tamin’ny fahotan’i Jerôbôama izay nampanota an’i Israely izy.

32 Tamin’izany andro izany no niantombohan’ny nanabangan’i Iaveh ny tanin’i Israely. Noresen’i Hazaela hatraiza hatraiza ny Israelita tamin’ny sisin-tanin’i Israely;

33 hatrany Jordany any amin’ny fiposahan’ny masoandro, dia ny tany Galaada rehetra, ny Gadita, ny Robenita, ny Manasita, hatrany Arôera, amin’ny ranon-driaka Arnôna, ka hatrany Galaada sy Basàna.

34 Ny sisa amin’ny asan’i Jehò mbamin’izay rehetra nataony sy ny herim-pony nasehony, moa tsy dia efa voasoratra ao amin’ny bokin’ny Tantaran’ny mpanjakan’i Israely va izany?

35 Ary nody mandry any amin’ny razany i Jehò ka nalevina tao Samaria.

36 I Jôakaza zanany no nanjaka nandimby azy. 28 taona no andro nanjakan’i Jehò tamin’i Israely tany Samaria.

Categories
2Mpanjaka

2Mpanjaka 11

Tantaran’i Atalia (841-835)

1 Nony hitan’i Atalia renin’i Okoziasa fa maty ny zanany, dia nitsangana izy ka nandringana ny zanak’andriana rehetra.

2 Fa i Jôsabàzanaka vavin’i Jôrama mpanjaka, sy anabavin’i Okoziasa naka an’i Jôasa zanak’i Okoziasa kosa, sy nanatsoaka azy teo amin’ny zanak’andriana, izay novonoin’ny olona, ary nametraka azy mbamin’ny mpitaiza azy, tao an’efitrano fitoeram-parafara, ka voaafina tsy hitan’ny mason’i Atalia, ka tsy novonoina izy.

3 Enin-taona no nieran’izy sy i Jôsabà tao an-tranon’i Iaveh. Ary i Atalia no nanjaka tamin’ny tany.

4 Tamin’ny taonafahafito, i Jôiadà naniraka haka ny tompon-jaton’ny Karianinasy ny mpihazakazaka ary nasainy nanatona azy ao an-tranon’i Iaveh. Nanao fanekena tamin’izy ireo izy, ka nony efa nampianiana azy tao an-tranon’i Iaveh izy, dia nasehony azy ity zanaky ny mpanjaka.

5 Raha efa izany, dia izao no baiko nomeny azy ireo: «Izao no hataonareo: Ny ampahatelony aminareo izay miditra hanao fanompoana amin’ny andro sabata, mba hiambina ny tranon’ny mpanjaka,

6 ny ampahatelony eo am-bavahady Sora, ny ampahatelony eo am-bavahadin’ny mpiambina, – dia hiambina ny tranon’i Iaveh mba hiaro ny fidirana ao.

7 Ny roa toko sisa aminareo, izay rehetra miala fanompoana amin’ny andro sabata kosa mba hiambina ao amin’ny tranon’i Iaveh ao akaikin’ny mpanjaka,

8 dia hanemitra manodidina ny mpanjaka samy hitam-piadiana avy, ka raha misy miditra ny laharana, dia vonoy ho faty, ary ho eo akaikin’ny mpanjaka ianareo na mivoaka izy na miditra.»

9 Notanterahin’ny tompon-jato avokoa ny didy nomen’i Jôiadà mpisorona azy. Samy naka ny olom-peheziny avy izy ireo, na ny milatsaka amin’ny fanompoana amin’ny andro sabata, na ny miala amin’ny fanompoana amin’ny andro sabata, dia nankany amin’i Joiadà mpisorona.

10 Natolotry ny mpisorona ny tompon-jato ny lefona aman’ampinga izay an’i Davida mpanjaka, sy nipetraka tao an-tranon’i Iaveh.

11 Samy nitam-piadiana ny mpihazakazaka dia nilahatra hatramin’ny lafin-trano ao ankavanana, ka hatramin’ny lafiny havia, akaikin’ny ôtely, sy akaikin’ny trano, hany ka voahodidiny ny mpanjaka.

12 Naroson’ny mpisorona ny zanaky ny mpanjaka, ka nataony teo aminy ny diadema sy ny vavolombelona. Natsangany ho mpanjaka izy, ary nohosorany, ka sady nitehaka ny olona no niantso hoe: «Ho ela velona anie ny mpanjaka!»

13 Nony nandre ny fihahohahon’ny mpihazakazaka sy ny vahoaka i Atalia dia nankao amin’ny vahoaka izy, ao an-tranon’i Iaveh.

14 Nijery izy ka inty ny mpanjaka mipetraka eo amin’ny lampihazoaraka ny fanao. Teo anilan’ny mpanjaka ny lehibe sy ny mpitsoka trômpetra, ary faly ny vahoaka rehetra, ary nitsoka trômpetra ny olona. Dia nandriatra ny fitafiany i Atalia, ka niantso hoe: «Teti-dratsy! Teti-dratsy!»

15 Tamin’izay i Jôiadà mpisorona nanome didy ny tompon-jato mpifehy ny foloalindahy ary nilaza taminy hoe: «Ento izy eo anelanelan’ny laharanareo hivoaka ny trano, ary vonoy amin’ny sabatra izay manaraka azy na iza na iza.» Satria ny mpisorona efa nilaza hoe: «Aza vonoina eto an-tranon’i Iaveh izy.»

16 Dia nihataka teo an-daniny roa ny olona, dia nandeha tamin’ny lalana fidiran-tsoavaly ho ao amin’ny lapan’ny mpanjaka ravehivavy, ka teo no namonoana azy.

17 Nampanaovan’i Jôiadà fanekena tamin’i Iaveh sy ny mpanjaka ary ny vahoaka, ny tsy maintsy haha-vahoakan’i Iaveh azy ireo. Ary nampanaoviny fanekena koa ny mpanjaka sy ny vahoaka.

18 Ny vahoaka rehetra tamin’ny tany dia niditra tao amin’ny tranon’i Baala ka noravany; ny ôtely aman-tsary nomontsaniny, ary i Matàna mpisoron’i Baala novonoiny teo anoloan’ny ôtely. Nony nametraka mpiambina tao amin’ny tranon’i Iaveh

19 i Jôiadà mpisorona, dia nalainy avokoa ny tompon-jato, ny Karianina, ny mpihazakazaka, mbamin’ny vahoaka rehetra tamin’ny tany, ka nentiny nidina avy ao an-tranon’i Iaveh ny mpanjaka, dia niditra tao an-dapan’ny mpanjaka tamin’ny vavahadin’ny mpihazakazaka, ka nipetraka teo amin’ny seza fiandrianan’ny mpanjaka i Jôasa.

20 Nifaly avokoa ny vahoaka rehetra tamin’ny tany, nandry feizay ny tanàna, ary novonoina tamin’ny sabatra tao an-tranon’ny mpanjaka i Atalia.

Categories
2Mpanjaka

2Mpanjaka 12

Ny nanjakan’i Jôasa tany Jodà (835-796)

1 Vao fito taona i Jôasa dia tonga mpanjaka.

2 Tamin’ny taona fahafiton’ny nanjakan’i Jehò no vao tonga mpanjaka i Jôasa ary efapolo taona no nanjakany tao Jerosalema. Ny anaran-dreniny dia Sebià, avy any Bersabea.

3 Nanao izay mahitsy eo imason’i Iaveh i Jôasa tamin’ny andro rehetra nanoloran’i Joiadà mpisorona fampianarana azy.

4 Nefa kosa ny fitoerana avo, mbola tsy foana, ary notohizin’ny vahoaka ny fanaterana sorona aman-java-manitra teny amin’ny fitoerana avo.

5 Ary hoy i Jôasa tamin’ny mpisorona: «Ny volan’ny fitoerana masina rehetra izay aterin’ny olona ao an-tranon’i Iaveh dia ny vola fandoan’ny isan’olona, ny vola avotry ny olona araka ny fanombanana azy avy, ary ny vola rehetra aterin’ny olona samy araka ny fahazotoany avy, ao an-tranon’i Iaveh,

6 dia aoka horaisin’ny mpisorona samy avy amin’ny olom-pantany avy, ary aoka hamboatra ny banga amin’ny trano izy ireo amin’izay rehetra hita fa misy banga.»

7 Kanjo, indro fa tamin’ny faha-23 taona nanjakan’i Jôasa, dia mbola tsy voavoatry ny mpisorona ihany ny banga amin’ny trano,

8 ka dia niantso an’i Jôiadà mpisorona sy ny mpisorona hafa i Jôasa mpanjaka nilaza tamin’izy ireo hoe: «Nahoana no tsy amboarinareo ny banga amin’ny trano? Koa ankehitriny, aza raisinareo intsony ny vola amin’ny olom-pantatrareo, fa atolory hanamboarana ny banga amin’ny trano.»

9 Dia nanaiky ny tsy handray vola amin’ny vahoaka intsony ny mpisorona, ka tsy azy intsony ny hanamboatra ny banga amin’ny trano.

10 Koa naka vata anankiray i Jôiadà mpisorona nasiany loaka ny sarony, napetrany teo anilan’ny ôtely ankavanan’ny fidirana ho ao an-tranon’i Iaveh, dia nataon’ny mpisorona mpiandry varavarana tao ny vola rehetra naterin’ny olona tao an-tranon’i Iaveh.

11 Nony hitan’izy ireo fa efa misy betsaka ny vola ao am-bata, dia niakatra ny mpanoratry ny mpanjaka sy ny mpisorona lehibe hamehy sy hanisa ny volarehetra izay ao an-tranon’i Iaveh.

12 Dia napetrak’izy ireo eo an-tanan’izay mpanao ny asa, izay voatendry hikarakara ny tranon’i Iaveh, ny vola voalanja, ka ireo no nanome azy ho an’ny mpandrafitra sy ny mpanao taozavatra, izay niasa tamin’ny tranon’i Iaveh,

13 ny mpandrafitra vato, ny tambato; nanome izany koa izy ireo hividianana hazo amam-bato voapaika, hanamboarana ny banga amin’ny tranon’i Iaveh mbamin’ny lany rehetra hanamafisana ny trano.

14 Nefa tsy mba nanaovana fitoeran-drano volafotsy, na antsy, na kapoaka, na trômpetra, na fanaka volamena na fanaka volafotsy, hatao ao an-tranon’i Iaveh ny vola naterin’ny olona ao an-tranon’i Iaveh,

15 fa nomena an’ireo nampanao ny raharaha ihany, hoentiny manamboatra ny tranon’i Iaveh.

16 Tsy nampamoahina ny olona nametrahana ny vola homena izay nampanao ny asa, satria nanaraka ny rariny izy.

17 Ny vola tamin’ny sorona noho ny ota sy ny sorona noho ny heloka dia tsy mba naterina tao an-tranon’i Iaveh fa an’ny mpisorona.

18 Tamin’izany, niakatra namely an’i Geta, i Hazaela, mpanjakan’i Siria, ka nahafaka azy. Dia nikasa hiakatra hamely an’i Jerosalema izy.

19 Fa nalain’i Jôasa mpanjakan’i Jodà kosa ny zava-boahasina rehetra izay nohamasinin’ny razany, Jôsafata, Jôrama, Okoziasa mpanjakan’i Jodà, sy izay nohamasinin’ny tenany, mbamin’ny volamena rehetra izay tao amin’ny rakitry ny tranon’i Iaveh sy ny tranon’ny mpanjaka; ka nampanateriny ho an’i Hazaela mpanjakan’i Siria avokoa izany, dia lasa lavitra an’i Jerosalema izy io.

20 Ny sisa tamin’ny asan’i Jôasa mbamin’izay rehetra nataony, moa tsy dia efa voasoratra ao amin’ny bokin’ny Tantaran’ny mpanjakan’i Jodà va izany?

21 Nikomy taminy ny mpanompony ary nanao teti-dratsy, dia nasiany tao an-tranon’i Melô amin’ny fidinan’i Selà Jôasa.

22 I Jôsakara zanak’i Semaata sy i Jôsabada zanak’i Somera, mpanompony, no namely azy, ka dia maty izy. Nalevina tao amin’ny razany tao an-tanànan’i Davida izy; ary i Amasiasa zanany no nanjaka nandimby azy.

Categories
2Mpanjaka

2Mpanjaka 13

Ny nanjakan’i Jôakaza tamin’i Israely (814-798)

1 Tamin’ny faha-23taona nanjakan’i Jôasa zanak’i Okoziasa mpanjakan’i Jodà no vao nanjaka tamin’i Israely tao Samaria kosa i Jôakaza zanak’i Jehò. Ary 17 taona no nanjakany.

2 Nanao izay ratsy teo imason’i Iaveh izy, nanahaka ny fahotan’i Jerôbôama zanak’i Nabata izay nampanota an’i Israely, fa tsy niala tamin’izany.

3 Ka nirehitra tamin’i Israely ny fahatezeran’i Iaveh dia natolony teo an-tanan’i Hazaela mpanjakan’i Siria sy teo an-tanan’i Benhadada zanak’i Hazaela mandrakariva izy.

4 Nitaraina tamin’i Iaveh i Jôakaza, dia nihaino azy i Iaveh, fa hitany ity fahorian’i Israely, tamin’ny nampijalian’ny mpanjakan’i Siria azy,

5 ka nanome mpamonjy ho an’i Israely i Iaveh. Nony afaka tamin’ny tanan’ny Sirianina ny zanak’i Israely dia nonina teo amin’ny lainy toy ny taloha indray.

6 Kanefa izy ireo tsy mba niala tamin’ny fahotan’ny tranon’i Jerôbôama, izay nampanota an’i Israely, fa nizotra tamin’izany, ary na ny aseraha aza, mbola nitsangana tao Samaria.

7 Fa izao ihany no vahoaka àry fiadiana navelan’i Iaveh ho an’i Jôakaza: mpitaingin-tsoavaly dimampolo, kalesy folo, miaramila an-tongotra iray alina, fa naringan’ny mpanjakan’i Siria izy ireo, ka nampanjariany toy ny vovoka fanitsaky ny tongotra.

8 Ny sisa tamin’ny asan’i Jôakaza mbamin’izay rehetra nataony, ny herim-po nasehony, moa tsy dia efa voasoratra ao amin’ny bokin’ny Tantaran’ny mpanjakan’i Israely va izany?

9 Ary nody mandry any amin’ny razany i Jôakaza ka nalevina tao Samaria, dia i Jôasa zanany no nanjaka nandimby azy.

Ny nanjakan’i Jôasa tamin’i Israely (798-783)

10 Tamin’ny faha-37 taona nanjakan’i Jôasa mpanjakan’i Jodà no vao nanjaka tamin’i Israely tany Samaria kosa i Jôasa zanak’i Jôakaza; 16 taona no nanjakany.

11 Nanao izay ratsy eo imason’i Iaveh izy, fa tsy nisy nialany na dia iray aza na fahotan’i Jerôbôama zanak’i Nabata izay nampanota an’i Israely, fa nanaraka izany.

12 Ny sisa tamin’ny asan’i Jôasa, mbamin’izay rehetra nataony, ny herim-po nasehony, ny niadiany tamin’i Amasiasa, moa tsy dia efa voasoratra ao amin’ny bokin’ny Tantaran’ny mpanjakan’i Israely va izany?

13 Dia nody mandry amin’ny razany i Jôasa, ary i Jerôbôama no nipetraka teo amin’ny seza fiandrianany; ka nalevina tao Samaria amin’ny mpanjakan’i Israely i Jôasa.

Ny nahafatesan’i Elisea

14 Ary i Elisea nararin’ny aretina izay hahafaty azy, ka nidina nankany aminy i Jôasa mpanjakan’i Israely, dia nitomany teo ambonin’ny tavany nanao hoe: «Ry ikaky ô, ry ikaky ô! kalesin’i Israely ama-mpitaingin-tsoavaliny!»

15 Ka hoy i Elisea taminy: «Mangalà tsipìka aman-jana-tsipìka.» Dia naka tsipìka sy zana-tsipìka izy.

16 Ary hoy i Elisea tamin’ny mpanjakan’i Israely: «Ataovy ambonin’ny tsipìka ny tananao.» Nony nanao ny tanany ambonin’ny tsipìka izy, dia napetrak’i Elisea teo ambonin’ny tanan’ny mpanjaka ny tanany, ka hoy izy:

17 «Vohay ny varavarankely tandrifin’ny atsinanana», dia namoha izy; ary hoy i Elisea: «Mandefasa zana-tsipìka iray»; ka nandefa zana-tsipìka iray izy; dia nataon’i Elisea hoe: «Zana-tsipìkan’ny famonjena avy amin’i Iaveh iny, dia zana-tsipìkan’ny famonjena hamelezana ny Sirianina. Fa hamely ny Sirianina ao Afeka ianao, mandra-paharingany.»

18 Ary hoy indray i Elisea: «Raiso ny zana-tsipìka.» Dia nandray izy. Ary hoy i Elisea tamin’ny mpanjakan’i Israely: «Tifiro ny tany», ka nitifitra intelo izy dia nitsahatra.

19 Fa tezitra taminy ity olon’Andriamanitra ka nanao taminy hoe; «Tokony ho nitifitra indimy na inenina ianao, ary amin’izany, dia ho namely ny Sirianina mandra-paharingany mihitsy, fa izao dia intelo monja no hamelezanao azy.»

20 Maty i Elisea ka nalevina. Tamin’ny fitsingerenan’ny taom-baovao dia nisisika tamin’ny tany ny andian-jirika Moabita.

21 Ary nisy nandevina olona kosa, ka indro tazany ny anankiray tamin’ireny jirika ireny, ka natsipiny tao am-pasan’i Elisea ny fatiny. Fa vao nitehika tamin’ny taolan’i Elisea ny fatin-dralehilahy, dia nody taminy ny ainy, ka nijoro tamin’ny tongony.

Ireo fandresena ny Arameanina

22 Tamin’ny andro rehetra nanjakan’i Jôakaza dia nampahory an’i Israely i Hazaela mpanjakan’i Siria.

23 Namindra fo tamin’izy ireo anefa i Iaveh ka niantra azy; nitodika azy Izy noho ny fanekeny tamin’i Abrahama sy i Isaaka ary i Jakôba; tsy te-handringana azy ireo Izy, na hanesotra azy tsy ho eo anatrehany mandrak’ankehitriny.

24 Ary maty i Hazaela mpanjakan’i Siria, ka i Benhadada zanany no nanjaka nandimby azy.

25 Nalain’i Jôasa zanak’i Jôakaza teo an-tanan’i Benhadada zanak’i Hazaela ireo tanàna nalain’i Hazaela tamin’ny adin’izy sy i Jôakaza rainy. Namely azy intelo i Jôasa dia azony indray ny tanànan’i Israely.

Categories
2Mpanjaka

2Mpanjaka 14

Ny nanjakan’i Amasiasa tany Jodà (796-781)

1 Tamin’ny taona faharoa nanjakan’i Jôasa, zanak’i Jôakaza mpanjakan’i Israely, no vao nanjaka i Amasiasa zanak’i Jôasa, mpanjakan’i Jodà.

2 Efa 25 taona izy fony vao nanjaka ary 29 taona no nanjakany tao Jerosalema. Ny anaran-dreniny dia Jôadàna avy any Jerosalema.

3 Nanao izay mahitsy eo imason’i Iaveh izy, nefa tsy dia tahaka an’i Davida rainy, fa tahaka izay rehetra nataon’i Jôasa rainy ihany no nataony.

4 Ny fitoerana avo anefa tsy mbola foana, mbola notohizin’ny vahoaka ny fanaterana sorona aman-java-manitra teny amin’ny fitoerana avo.

5 Nony azony mafy teo an-tanany ny fanjakana dia novonoiny ireo mpanompony namono ny mpanjaka rainy.

6 Fa tsy novonoiny ny zanak’ireo mpamono, araka izay voasoratra ao amin’ny bokin’ny lalàn’i Môizy, izay misy ny didy nomen’i Iaveh izao: «Ny ray tsy ho faty ho solon-janany, ny zanaka tsy ho faty ho solon-drainy, fa samy vonoina noho ny fahotany ihany avy.»

7 Nandresy Edômitairay alina tao amin’ny Lohasahan-tSira izy, nananika nahafaka an’i Selàdia nomeny anarana hoe Jektehela io mandrak’androany.

8 Tamin’izany i Amasiasa nandefa iraka tany amin’i Jôasa zanak’i Jôakaza zanak’i Jehò mpanjakan’i Israely nanao hoe: «Avia, ary aoka hifankahita mifanatrika isika.»

9 Ary i Jôasa mpanjakan’i Israely naniraka hamaly an’i Amasiasa mpanjakan’i Jodà: «Ny tsilo ao amin’i Libàna no naniraka hilaza tamin’ny hazo sedera ao amin’i Libàna hoe: Omeo ho vadin’ny zanako lahy ny zanakao vavy; ka ny biby dia ao amin’i Libàna nandalo nanosihosy ny tsilo.

10 Nandresy ny Edômita marina ianao, ka dia nisandratra ny fonao. Mireharehà ary mijanòna any aminao. Nahoana ianao no dia mihitsoka amin’ny loza; ka ho lavo ianao, dia ny tenanao sy i Jodà miaraka aminao?»

11 Tsy nihaino azy anefa i Amasiasa, ka dia niakatra i Jôasa mpanjakan’i Israely, ary nifankahita nifanatrika tao Bethsamesa izay an’i Jodà izy sy i Amasiasa mpanjakan’i Jodà.

12 Resy teo anoloan’i Israely i Jodà ka samy nandositra ho any an-dainy avy.

13 Ary i Jôasa mpanjakan’i Israely nisambotra an’i Amasiasa mpanjakan’i Jodà, zanak’i Jôasa zanak’i Okoziasa, tao Bethsamesa; nankany Jerosalema izy ka nahabanga ny mandan’i Jerosalema efajato hakiho, hatramin’ny vavahadin’i Efraima ka hatreo am-bavahady an-jorony.

14 Naka ny volamena amam-bolafotsy rehetra hita tao an-tranon’i Iaveh sy tao amin’ny rakitry ny tranon’ny mpanjaka izy, ary olona natao antoka koa, vao niverina ho any Samaria.

15 Ny sisa amin’ny asan’i Jôasa mbamin’izay rehetra nataony sy ny niadiany tamin’i Amasiasa mpanjakan’i Jodà, moa tsy dia efa voasoratra ao amin’ny bokin’ny Tantaran’ny mpanjakan’i Israely va izany?

16 Ary nody mandry any amin’ny razany i Jôasa ka nalevina tao Samaria ao amin’ny mpanjakan’i Israely. I Jerôbôama zanany no nanjaka nandimby azy.

17 I Amasiasa zanak’i Jôasa mpanjakan’i Jodà kosa, dia mbola velona 15 taona, taorian’ny nahafatesan’i Jôasa zanak’i Jôakaza mpanjakan’i Israely.

18 Ny sisa tamin’ny asan’i Amasiasa moa tsy dia efa voasoratra ao amin’ny bokin’ny Tantaran’ny mpanjakan’i Jodà?

19 Nisy firaisan-tetika hikomy taminy, tany Jerosalema, ka nandositra nankany Lakisa izy, nefa nisy olona nirahina hanaraka azy any Lakisa ka novonoina tany izy;

20 dia nentina tamin’ny soavaly izy, nalevina tao Jerosalema ao amin’ny razany, amin’ny tanànan’i Davida.

21 Ka i Azariasaizay 16 taona, no nalain’ny vahoaka rehetra amin’i Jodà ka natsangany ho mpanjaka handimby an’i Amasiasa rainy.

22 Nanorina indray an’i Elata izy sy nampody azy mba ho an’i Jodà indray, rehefa nody mandry any amin’ny razany ny mpanjaka.

Ny nanjakan’i Jerôbôama faharoa tamin’i Israely (783-743)

23 Tamin’ny taona faha-14 nanjakan’i Amasiasa mpanjakan’i Jodà no nanjakan’i Jerôbôama zanak’i Jôasa mpanjakan’i Israely tany Samaria. Nanjaka 41 taona izy.

24 Nanao izay ratsy teo imason’i Iaveh izy, fa tsy nisy nialany ny fahotan’i Jerôbôama zanak’i Nabata, izay nampanota an’i Israely.

25 Izy no nampody ny sisin-tanin’i Israely, ho araka ny faritany taloha, hatramin’ny hadilalan’i Emata ka hatramin’ny Ranomasin’i Arabah, araka ny tenin’i Iaveh Andriamanitr’i Israely nolazainy tamin’ny alalan’ny mpanompony Jônasa mpaminany zanak’i Amatì, avy any Gety-Kefera.

26 Fa hitan’i Iaveh ny fahoriana mangidy indrindra nanjò an’i Israely, izay tsy nisy afa-namonjy an’i Israely, na olona manambady, na olona afaka, na olona iza na iza.

27 Tsy mbola naraikitr’i Iaveh anefa ny hamono ny anaran’i Israely eo ambanin’ny lanitra, ka ny tanan’i Jerôbôama zanak’i Jôasa no namonjen’i Iaveh azy ireo.

28 Ny sisa tamin’ny asan’i Jerôbôama izay rehetra nataony, ny herim-po nasehony, ny niadiany sy nampodiany an’i Damasa sy i Etama izay an’i Jodà taloha, mba ho an’i Israely, moa tsy dia efa voasoratra ao amin’ny bokin’ny Tantaran’ny mpanjakan’i Israely va izany?

29 Ary nody mandry any amin’ny razany i Jerôbôama dia eny amin’ny mpanjakan’i Israely, ka i Zakariasa zanany no nanjaka nandimby azy.

Categories
2Mpanjaka

2Mpanjaka 15

Ny nanjakan’i Azariasa tany Jodà (781-740)

1 Tamin’ny taona faha-27nanjakan’i Jerôbôama mpanjakan’i Israely, no vao nanjaka kosa i Azariasa zanak’i Amasiasa mpanjakan’i Jodà.

2 Vao 16 taona izy, dia tonga mpanjaka, ary 52 taona no nanjakany tao Jerosalema. Ny anaran-dreniny dia Jekelià, avy ao Jerosalema.

3 Nanao izay mahitsy eo imason’i Iaveh izy, araka izay rehetra nataon’i Amasiasa rainy.

4 Ny fitoerana avo anefa mbola tsy foana; notohizin’ny vahoaka ny fanaterana sorona aman-java-manitra teny amin’ny fitoerana avo.

5 Ary i Iaveh namely ny mpanjaka, ka boka hatramin’ny andro nahafatesany izy, ka nitoetra tamin’ny trano manirery. Fa i Joatama zanaky ny mpanjaka no nanapaka tao an-trano sy nitsara ny vahoaka tamin’ny tany.

6 Ny sisa tamin’ny asan’i Azariasa mbamin’izay rehetra nataony moa tsy dia efa voasoratra ao amin’ny bokin’ny Tantaran’ny mpanjakan’i Jodà?

7 Ary nody mandry any amin’ny razany i Azariasa, ka nalevina tao amin’ny razany, ao an-tanànan’i Davida. I Joatama zanany no nanjaka nandimby azy.

Ny nanjakan’i Zakariasa tamin’i Israely (743)

8 Tamin’ny taona faha-38nanjakan’i Azariasa mpanjakan’i Jodà no vao nanjaka tamin’i Israely tao Samaria kosa i Zakariasa zanak’i Jerôbôama. Enim-bolana no nanjakany.

9 Nanao izay ratsy teo imason’i Iaveh toy ny nataon’ny razany izy, fa tsy niala tamin’ny fahotan’i Jerôbôama zanak’i Nabata izay nampanota an’i Israely.

10 Nikomy taminy i Seloma zanak’i Jabesa ary namely nahafaty azy teo anatrehan’ny vahoaka, dia nanjaka nandimby azy izy.

11 Ny sisa tamin’ny asan’i Zakariasa, dia indro fa efa voasoratra ao amin’ny bokin’ny Tantaran’ny mpanjakan’i Israely.

12 Izany no tenin’i Iaveh nolazainy tamin’i Jehò hoe: «Hipetraka eo amin’ny seza fiandrianan’i Israely ny zanakao hatramin’ny taranaka fahefatra.» Ka tanteraka izany.

Ny nanjakan’i Seloma tamin’i Israely (743)

13 Tamin’ny taona faha-39 nanjakan’i Oziasa mpanjakan’i Jodà no vao tonga mpanjaka kosa i Seloma zanak’i Jabesa, ary iray volana no nanjakany tao Samaria.

14 Fa niakatra avy any Tersà, i Manahema zanak’i Gadì, ary nony tonga tao Samaria dia namely nahafaty an’i Seloma zanak’i Jabesa tao Samaria ihany izy, ka nanjaka nandimby azy.

15 Ny sisa tamin’ny asan’i Seloma mbamin’izay fikomiana nataony, dia indro fa voasoratra ao amin’ny bokin’ny Tantaran’ny mpanjakan’i Israely.

16 Tamin’izany, i Manahema dia niala tao Tersà ary namely an’i Tapsà sy ny mponina ao aminy mbamin’ny faritaniny; noho izy tsy namoha vavahady azy, no namelezany azy, ary notatahany ny kibon’ny vehivavy bevohoka rehetra.

Ny nanjakan’i Manahema tamin’i Israely (743-738)

17 Tamin’ny taona faha-39 nanjakan’i Azariasa tamin’i Jodà no vao tonga mpanjaka tamin’i Israely kosa i Manahema zanak’i Gadì. Fola taona no nanjakany tao Samaria.

18 Nanao izay ratsy eo imason’i Iaveh izy, fa nandritra ny andro niainany, tsy niala tamin’ny fahotan’i Jerôbôama zanak’i Nabata izay nampanota an’i Israely.

19 Tongan’i Fola mpanjakan’i Asiria, ny tany, ary nomen’i Manahema talenta volafotsy arivo i Fola mba hamonjy azy sy hanamafy ny fanjakana eo an-tanany.

20 I Israely, dia ny mpanan-karem-be rehetra, no nampandoavin’i Manahema izany vola izany, dimampolo sikla avy, homeny ny mpanjakan’i Asiria. Ka dia niverina ny mpanjakan’i Asiria, fa tsy niato teo amin’ny tany.

21 Ny sisa tamin’ny asan’i Manahema, mbamin’izay rehetra nataony, moa tsy dia efa voasoratra ao amin’ny bokin’ny Tantaran’ny mpanjakan’i Israely va izany?

22 Ary nody mandry any amin’ny razany i Manahema, ka i Faseià zanany, no nanjaka nandimby azy.

Ny nanjakan’i Faseià tamin’i Israely (738-737)

23 Tamin’ny taona faha-50 nanjakan’i Azariasa mpanjakan’i Jodà, no vao nanjakan’i Faseià zanak’i Manahema tamin’i Israely tao Samaria kosa. Roa taona no nanjakany.

24 Nanao izay ratsy eo imason’i Iaveh izy, fa tsy niala tamin’ny fahotan’i Jerôbôama zanak’i Nabata izay nampanota an’i Israely.

25 Nioko taminy i Faseà, zanak’i Romeliasa, manamboninahitra lefiny, ary namono azy mbamin’i Argoba sy i Arie tao Samaria, tao amin’ny trano avon’ny tranon’ny mpanjaka, ary nisy 50 lahy tamin’ny taranaky ny Galaadita nomba azy. Namono an’i Faseià izy, dia nanjaka nandimby azy.

26 Ny sisa tamin’ny asan’i Faseià mbamin’izay rehetra nataony, dia indro fa efa voasoratra ao amin’ny bokin’ny Tantaran’ny mpanjakan’i Israely.

Ny nanjakan’i Faseà tamin’i Israely

27 Tamin’ny taona faha-52 nanjakan’i Azariasa mpanjakan’i Jodà, no vao nanjaka i Faseà, zana-dRomeliasa, tamin’i Israely, tao Samaria. Roapolo taona no nanjakany.

28 Nanao izay ratsy eo imason’i Iaveh izy, fa tsy niala tamin’ny fahotan’i Jerôbôama zanak’i Nabata izay nampanota an’i Israely.

29 Tamin’ny andron’i Faseà mpanjakan’i Israely no nahatongavan’i Teglaty-Falasara mpanjakan’i Asiria sy nahazoan’io an’i Ajôna, i Abela-Bety-Maakà, i Janôe, i Kedesa, Asôra, i Galaada ary i Galilea, dia ny tanin’i Neftalì rehetra, sady nentiny ho babo tany Asiria koa ny mponina.

30 Nikomy tamin’i Faseà zana-dRomeliasa, i Osea zanak’i Elà, ka namono nahafaty azy, ary nanjaka nandimby azy, tamin’ny faha-20 taona nanjakan’i Joatamazanak’i Oziasa.

31 Ny sisa tamin’ny asan’i Faseà, mbamin’izay rehetra nataony, dia indro fa efa voasoratra ao amin’ny bokin’ny Tantaran’ny Mpanjakan’i Israely.

Ny nanjakan’i Joatama tany Jodà (740-736)

32 Tamin’ny faha-2 taona nanjakan’i Faseà zanak’i Romeliasa mpanjakan’i Israely, no vao nanjaka kosa i Joatama zanak’i Oziasa mpanjakan’i Jodà.

33 25 taona izy fony vao nanjaka, ary 16 taona no nanjakany, tao Jerosalema. Ny anaran-dreniny dia i Jerosà, zanak’i Sadaoka.

34 Nanao izay mahitsy teo imason’i Iaveh izy, sahala tsara ny nataon’izy sy i Oziasa rainy.

35 Ny fitoerana avo anefa mbola tsy foana, notohizin’ny vahoaka ny fanaterana sorona aman-java-manitra teny amin’ny fitoerana avo. I Joatama no nanao ny vavahady ambony amin’ny tranon’i Iaveh.

36 Ny sisa tamin’ny asan’i Joatama mbamin’izay rehetra nataony, moa tsy dia efa voasoratra ao amin’ny bokin’ny Tantaran’ny mpanjakan’i Jodà va izany?

37 Nanomboka tamin’izany andro izany ny nampandehanan’i Iaveh an’i Rasôna mpanjakan’i Siria sy i Faseà zana-dRomeliasa hanafika an’i Jodà.

38 Ary nody mandry any amin’ny razany i Joatama ka nalevina tao an-tanànan’i Davida rainy, ao amin’ny razany. I Akaza zanany no nanjaka nandimby azy.

Categories
2Mpanjaka

2Mpanjaka 16

Ny nanjakan’i Akaza tany Jodà (736-716)

1 Tamin’ny taona faha-17 nanjakan’i Faseà zana-dRomeliasa no vao nanjaka kosa i Akaza, zanak’i Joatama mpanjakan’i Jodà.

2 Roapolo taonai Akazafony vao nanjaka, ary 16 taona no nanjakany tao Jerosalema. Tsy mba nanao izay mahitsy eo imason’i Iaveh Andriamaniny tahaka an’i Davida rainy izy;

3 fa nandeha tamin’ny lalan’ny mpanjakan’i Israely; ny zanany lahy aza, nampamakiany ny afo, araka ny fahavetavetan’ireo firenena noroahin’i Iaveh teo anoloan’ny zanak’i Israely.

4 Nanaterany sorona aman-java-manitra avokoa teny amin’ny fitoerana avo sy teny amin’ny havoana ary teny ambany hazo maitso rehetra teny.

5 Tamin’izay no niakaran-dRasôna mpanjakan’i Siria, sy i Faseà zana-dRomeliasa, hanafika an’i Jerosalema. Nanao fahirano an’i Akaza izy ireo, nefa tsy naharesy azy.

6 Tamin’izany fotoana izany ihany koa no nahazoan-dRasôna indray an’i Elata ho ambany fahefan’ny Sirianina, kanoroahiny hiala tao Elata ny Jody, fa ny Sirianina no nakao Elata dia monina ao mandrak’androany.

7 Nandefa iraka tany amin’i Teglaty-Falasara mpanjakan’i Asiria, i Akaza nanao hoe: «Mpanomponao sy zanakao aho, ka miakara hanafaka ahy amin’ny tanan’ny mpanjakan’i Siria, sy ny tanan’ny mpanjakan’i Israely, fa nitsangan-kamely ahy izy ireo.»

8 Ary nalain’i Akaza ny volafotsy sy volamena hita tao an-tranon’i Iaveh, sy tao amin’ny rakitry ny tranon’ny mpanjaka, nampitondrainy ho fanomezana ny mpanjakan’i Asiria.

9 Nohenoin’ny mpanjakan’i Asiria izy, ka niakatra namely an’i Damasa ny mpanjakan’i Asiria; ary nony azony, nentiny ho babo ho any Kira ny mponina, ary novonoiny ho faty i Rasôna.

10 Nankany Damasa i Akaza mpanjaka hitsena an’i Teglaty-Falasara mpanjakan’i Asiria. Nony nahita ity ôtely tao Damasa i Akaza mpanjaka, dia nampitondra ny môdelin’ny ôtely sy ny toetr’endriny araka izay nahavitana azy manontolo ho an’i Oriasa mpisorona.

11 Ka naorin’i Oriasa mpisorona ny ôtely, ary nataon’i Oriasa mpisorona mitovy indrindra amin’ny môdely nampitondrain’i Akaza mpanjaka, avy any Damasa, nataony vita mandra-pahatongan’i mpanjaka avy any Damasa.

12 Nony tonga avy any Damasa ny mpanjaka, dia nahita ny ôtely. Nanatona ny ôtely ny mpanjaka dia niakatra teo;

13 nodorany teo ny sorona dorany sy ny fanatiny, nararany ny fanatiny araraka, ary naidiny teo ambonin’ny ôtely ny ran’ny sorom-pihavanana.

14 Ilay ôtely varahina teo anatrehan’i Iaveh, nafindrany hiala eo anoloan’ny trano, mba tsy ho eo anelanelan’ny tranon’i Iaveh sy ny ôtely vaovao, dia nataony eo anilan’ity ôtely vaovao, eo avarany.

15 Ary izao koa no didy nomen’i Akaza mpanjaka an’i Oriasa mpisorona: «Doroy eo ambonin’ny ôtely lehibe ny sorona dorana ny maraina, ny fanatitra hariva, ny sorona dorana amam-panatitry ny mpanjaka, ny sorona dorana amam-panatitry ny vahoaka rehetra; araraho eo ny fanatiny araraka ary aidino eo ny ra rehetra avy amin’ny sorona dorana sy ny ra rehetra avy amin’ny sorona. Fa ny amin’ny ôtely varahina, dia raharahako ny manapaka ny aminy.»

16 Notanterahin’i Oriasa mpisorona avokoa izay rehetra nodidian’i Akaza mpanjaka.

17 Fanampin’izany, dia novakin’i Akaza mpanjaka koa ny panoa sy ny tongony ary nesoriny ny tavindrano teo amboniny; nampidininy ny ranomasina avy teo ambonin’ireo omby varahina nibaby azy, ka nataony teo ambony lampivato,

18 ary nafindrany toerana tao an-tranon’i Iaveh ny trano hevan-tsabatanaorina tao amin’ny trano, mbamin’ny fidiran’ny mpanjaka teo ivelany, noho ny henany ny mpanjakan’i Asiria.

19 Ny sisa tamin’ny asan’i Akaza mbamin’izay rehetra nataony, moa tsy dia efa voasoratra ao amin’ny bokin’ny Tantaran’ny mpanjakan’i Jodà va izany?

20 Ary nody mandry any amin’ny razany i Akaza, ka nalevina ao an-tanànan’i Davida ao amin’ny razany. I Ekeziasa zanany no nanjaka nandimby azy.

Categories
2Mpanjaka

2Mpanjaka 17

Ny nanjakan’i Osea tamin’i Israely (732-724)

1 Tamin’ny taona faha-12 nanjakan’i Akaza mpanjakan’i Jodà, no vao nanjaka tamin’i Israely tao Samaria i Osea zanak’i Elà. Sivy taona no nanjakany.

2 Nanao izay ratsy teo imason’i Iaveh izy, saingy tsy dia tahaka ireo mpanjakan’i Israely talohany.

3 Niakaran’i Salmanazara mpanjakan’i Asiria notafihina i Osea, ka tonga mpanompon’io nandoa hetra ho azy izy.

4 Vaky tamin’ny mpanjakan’i Asiria ho nanao teti-dratsy anefa i Osea fa naniraka olona tany amin’i Soà, mpanjakan’i Ejipta, sady tsy nandoa hetra intsony ho an’ny mpanjakan’i Asiria, isan-taona, ka nasain’ny mpanjakan’i Asiria nosamborina sy nogadrana, dia nalatsaka an-tranomaizina.

Ny nakana an’i Samaria (721)

5 Notetezin’ny mpanjakan’i Asiria avokoa ny tany, dia niakatra hamely an’i Samaria izy, ka nanao fahirano azy telo taona.

6 Nony tamin’ny taona fahasivy nanjakan’i Osea dia azon’ny mpanjakan’i Asiriai Samaria, ka nentiny ho babo tany Asiria i Israely namponeniny tany Halà, teo amoron’i Habôra, ony any Gôsàna, ary teny amin’ny tanànan’i Meda.

Fandinihana ny naharava ny fanjakan’i Israely

7 Izany no tonga, dia noho ny zanak’i Israely nanota tamin’i Iaveh Andriamaniny, izay nitondra azy niakatra avy tany amin’ny tany Ejipta, avy teo ambanin’ny fahefan’i Faraôna, mpanjakan’i Ejipta, sy noho izy ireo natahotra andriamani-kafa.

8 Narahin’izy ireo ny fombam-pivavahan’ireo firenena izay noroahin’i Iaveh teo anoloan’ny zanak’i Israely, sy ny fomba noforonin’ny mpanjakan’i Israely.

9 Nosarontsaronan’ny zanak’i Israelyny zavatra tsy mety nataony tamin’i Iaveh Andriamaniny. Nanorina fitoerana avo tamin’ny tanànany rehetra izy, hatramin’ny tilikambon’ny mpiambina, ka hatramin’ny tanàna mimanda.

10 Nasiany tsangam-bato sy aseraha avokoa teny amin’ny havoana rehetra sy teny ambany hazo maitso rehetra teny;

11 dia teny izy no nandoro zava-manitra amin’ny fitoerana avo rehetra, toy ny firenena izay nataon’i Iaveh babo teo anoloan’izy ireo, ary nanao zava-dratsy nampahatezitra an’i Iaveh.

12 Koa nanompo sampy izy ireo, nefa izany no nilazan’i Iaveh taminy hoe: «Aza manao izany ianareo.»

13 Nitsangan-ko vavolombelona anefa i Iaveh tamin’ny alalan’ny mpaminany sy ny mpahitany niampanga an’i Israely sy i Jodà nanao hoe: «Miverena avy amin’ny lalan-dratsinareo, ka tandremo ny didy amam-pitsipiko, amim-panarahana ny lalàna manontolo, nandidiako ny razanareo sy nampitondraiko ny mpaminany mpanompoko, ho any aminareo.»

14 Fa tsy nihaino izany izy ireo, fa nanamafy ny hatony, toy ny razany izay tsy nino an’i Iaveh Andriamaniny.

15 Nolaviny ny lalàny amam-panekempihavanana nataony tamin’ireo razany mbamin’ny teny vavolombelona niampangany azy ireo. Nandeha nanaraka zavatra tsinontsinonaizy, ka niraiki-po tamin’ny zava-poana, tahaka ireo firenena manodidina azy, izay noraran’i Iaveh tsy halainy tahaka.

16 Nafoiny avokoa ny didin’i Iaveh Andriamaniny; fa zanak’omby anidina roa no nataony ho azy, sy aseraha no nataony ho azy, ny tafiky ny lanitra rehetra no niankohofany, ary i Baala no notompoiny.

17 Nampandehaniny hamaky ny afo ny zanany lahy aman-janany vavy. Nataony daholo na sikidy na fankatoavana. Ary nikezaka hanao izay ratsy eo imason’i Iaveh izy, ka nampahatezitra azy.

18 Dia tezitra indrindra tamin’i Israely i Iaveh, ka noesoriny tsy ho eo imasony izy. Ny fokon’i Jodà irery no sisa,

19 ary na i Jodà indray aza, tsy dia nitandrina ny didin’i Iaveh Andriamaniny, fa nanaraka ny fombam-pivavahana noforonin’i Israely ihany koa.

20 Ka dia narian’i Iaveh avokoa ny taranak’i Israely; nampahoriny sy natolony teo an-tanan’ny mpamabo izy ireo, mandra-pandroaka azy lavitra ny Tavany.

21 Satria niendaka niala tamin’ny fianakavian’i Davida i Israely, fa nanangana an’i Jerôbôama zanak’i Nabata ho mpanjaka, ary i Jerôbôama nampiala an’i Israely tamin’i Iaveh sy nampanao fahotana lehibe azy ireo.

22 Ary nandroso tamin’ny fahotana rehetra nataon’i Jerôbôama ny zanak’i Israely, fa tsy niala tamin’izany,

23 mandra-pandroakan’i Iaveh azy lavitra ny Tavany, araka izay voalazany tamin’ny alalan’ny mpaminany mpanompony rehetra, ka dia lasan-ko babo any Asiria lavitra ny taniny i Israely mandrak’androany.

Fiavian’ny Samaritanina

24 Olona nasain’ny mpanjakan’i Asiria ho avy any Babilôna sy any Kota sy any Avah, sy any Emata, ary any Sefarvaima no namponeniny tany amin’ny tanànan’i Samaria, hisolo ny zanak’i Israely, ka dia ireny no nahazo an’i Samaria, sy nonina tamin’ny tanànany.

25 Fony vao nanomboka nonina tany izy ireny, dia tsy natahotra an’i Iaveh, ka nandefasan’i Iaveh liona hamono azy.

26 Ary nisy nanao filazana tamin’ny mpanjakan’i Asiria nanao hoe: «Tsy mahalala ny fomba fanompoana ny andriamanitry ny tany any ireo firenena nataonao sesitany sy namponeninao any amin’ny tanànan’i Samaria, ka nandefasany liona; ka indro fa namono azy ireo, satria tsy mahalala ny fomba fanompoana ny andriamanitry ny tany.»

27 Ka dia izao no didy nomen’ny mpanjakan’i Asiria: «Maniraha mpisorona anankiray amin’ireo nentinareo ho babo avy any, dia izay no aoka handeha honina any, hampianatra azy ireo ny fomba fanompo ny andriamanitry ny tany any.»

28 Dia tonga ny anankiray amin’ireo mpisorona, nentin-ko babo avy any Samaria, ka nonina tao Betela, sy nampianatra azy ireo ny tsy maintsy ataony hanajany an’i Iaveh.

29 Kanjo isam-pirenena mbola samy nanao ny andriamaniny avy koa, sy nametraka azy tao amin’ny fitoerana avo naorin’ny Samaritanina, tamin’izay tanàna nipetrahany avy isam-pirenena.

30 Ny olona avy any Babilôna nanao an’i Sokôta-Benôta, ny olona avy any Kota nanao an’i Nergela, ny olona avy any Emata nanao an’i Asimà;

31 na any Avah, nanao an’i Nebahaza sy i Tartàka, ny avy any Sefarvaima nandoro ny zanany tamin’ny afo ho fanajana an’i Adrameleka sy i Anameleka andriamanitr’i Sefarvaima.

32 Nanaja an’i Iaveh izy ireo, ka nanangananympisoronaamin’ny fitoerana avo,mpisoronaavy amin’ny vahoaka rehetra, ka nanatitra sorona ho azy ireo tao amin’ny tranon’ny fitoerana avo ireny.

33 Koa araka izany, dia sady nanaja an’i Iaveh izy ireo, no nanompo ny andriamaniny, araka ny fanaon’ny firenena nangalana azy avy koa.

34 Mandrak’androany, dia mbola manaraka ny fomba taloha ihany izy ireo: tsy dia matahotra an’i Iaveh izy, ary tsy dia manaraka ny lalàna amam-pitsipiny, na ny lalàna aman-didy nomen’i Iaveh ny zanak’i Jakôba, izay nantsoiny hoe Israely.

35 Sady nanaovan’i Iaveh fanekem-pihavanana izy ireo, nomeny didy hoe: «Aza matahotra andriamani-kafa na miankohoka eo anatrehany, na manompo ireny, na manatitra sorona amin’ireny.

36 Fa i Iaveh Andriamanitrareo izay nitondra anareo niakatra avy any amin’ny tany Ejipta, tamim-pahefana lehibe sy tamin-tsandry nahinjitra, Izy no atahory, eo anatrehany no iankohofy, ary Izy no anatero sorona.

37 Tandremo ny didy amam-pitsipiny, mbamin’ny lalàny aman-didy nosoratany ho anareo, araho mandrakariva izany, ary aza matahotra andriamani-kafa.

38 Aza manadino ny fanekem-pihavanana nataoko taminareo, ary aza matahotra andriamani-kafa,

39 fa i Iaveh Andriamanitrareo no atahory, dia hamonjy anareo amin’ny tanan’ny fahavalonareo rehetra Izy.»

40 Tsy nanaiky izany anefa izy ireo; fa ny fombany taloha ihany no narahiny;

41 koa araka izany dia natahotra an’i Iaveh ireo firenena ireo no sady nanompo ny sarin-javatra tao aminy koa, ary ataon’ny zanany sy ny zanaky ny zanany mandrak’androany izay nataon-drazany.