Categories
1Tantara

1Tantara 13

Ny namerenana ny fiara avy any Kariatiarima

1 Ary i Davida niara-nihevitra tamin’ny tomponarivo sy ny tompon-jato ary ny mpifehy rehetra,

2 ka hoy i Davida tamin’ny fiangonan’i Israely rehetra hoe: «Raha ataonareo ho mety, sy raha toa hevitra avy amin’ny Andriamanitsika, dia handeha isika haniraka faingana any amin’ny rahalahintsika sisa rehetra, any amin’ny tanin’i Israely rehetra sy any amin’ny mpisorona mbamin’ny Levita ao amin’ny tanànany misy tany fiandrasany biby, mba hikambana amintsika izy,

3 sy hitondrantsika ho atỳ amintsika indray ny fiaran’Andriamanitra, fa tsy nahoantsika akory izany tamin’ny andron’i Saola.»

4 Nasain’ny fiangonana rehetra natao izany, satria noheverina ho tsara teo imason’ny vahoaka rehetra izany.

5 Koa novorin’i Davida i Israely rehetra, hatramin’ny Sihoraany Ejipta, ka hatrany amin’ny hadilalan’i Emata, haka ny fiaran’Andriamanitra avy any Kariatiarima.

6 Dia niakatra i Davida mbamin’i Israely rehetra, nankany Baalà, izany hoe i Kariatiarima izay any Jodà, mba hampiakatra avy any ny fiaran’Andriamanitra, ny fiaran’i Iaveh izay mipetraka eo ambonin’ny kerobima, izay fiantsoana ilay Anarana.

7 Napetrany teo ambony sarety vaovao ny fiaran’Andriamanitra dia nentiny avy tao an-tranon’i Abinadaba: i Ozà sy i Ahiao nitarika ny sarety;

8 i Davida sy i Israely rehetra nandihy araka izay tratra teo anatrehan’Andriamanitra; sady nihira niaraka tamin’ny harpa aman-dokanga sy amponga tapaka, sy kipantsona aman’anjomara.

9 Nony tonga teo am-pamoloan’i Kidôna, dia naninjitra ny tanany hihazona ny Fiara i Ozà, fa nisolafaka ny omby.

10 Fa nirehitra tamin’i Ozà ny fahatezeran’i Iaveh, ka nokapohin’i Iaveh izy, noho izy naninji-tanana tamin’ny fiara, dia maty teo anatrehan’Andriamanitra i Ozà.

11 Nahatezitra an’i Davida ny nikapohin’i Iaveh an’i Ozà toy izany, ary io toerana io dia nantsoina mandrak’androany hoe Ferets-Ozà.

12 Natahotra an’Andriamanitra i Davida tamin’izay andro izay, ka nanao hoe: «Hataoko ahoana no fampiditra ny fiaran’Andriamanitra ho ao amiko?»

13 Ka tsy notarihin’i Davida ho ao aminy, ao an-tanànan’i Davida ny fiara, fa nasainy nentina tany an-tranon’i Obededôma, any Geta.

14 Dia nipetraka telo volana tao amin’ny ankohonan’i Obededôma tao an-tranony, ny fiaran’Andriamanitra; ary nambinin’i Iaveh ny ankohonan’i Obededôma mbamin’ny ananany rehetra.

Categories
1Tantara

1Tantara 14

I Davida ao Jerosalema; ny lapany sy ireo zanany

1 Ary i Hirama mpanjakan’i Tira, nandefa iraka tany amin’i Davida nitondra hazo sedera sy tambato ary mpandrafitra, hanao trano ho azy.

2 Dia fantatr’i Davida, fa efa nampiorina azy ho mpanjaka amin’i Israely i Iaveh, satria voasandratra ny fanjakany, noho i Israely vahoakany.

3 Mbola naka vady koa i Davida tany Jerosalema ka mbola niteraka zazalahy aman-jazavavy.

4 Izao no anaran’ny zanany naterany tany Jerosalema: Samoà, Sôbada, Natàna, Nôga,

5 Salômôna, Jebahara, Elisoa,

6 Elifata, Nefega, Jafia,

7 Elisamà, Baniadà ary Elifata.

Ny nandresena ny Filistinina

8 Ren’ny Filistinina fa hoe voahosotra ho mpanjaka amin’i Israely rehetra i Davida; dia niakatra hitady an’i Davida ny Filistinina rehetra. Nahare izany i Davida ka dia nivoaka hanoloana an’ireo izy.

9 Nony tonga ny Filistinina dia nirotsaka teny amin’ny lohasahan’ny Refaima.

10 Nanontany an’Andriamanitra i Davida nanao hoe: «Hiakatra hamely ny Filistinina va aho? Hatolotrao eo an-tanako va izy?» Ka hoy i Iaveh taminy: «Miakara, ary hatolotro eo an-tananao izy.»

11 Dia niakatra nankany Baala-Farasìna izy ireo ka nandresy azy tao i Davida. Ary hoy i Davida: «Ny tanako no namakian’Andriamanitra ny fahavaloko, toy ny amakian’ny rano ny fefiloha.» Izany no nanaovana ny anaran’io fitoerana io hoe: Baala-Farasìna.

12 Nilaozan’irerỳ tao ny andriamaniny, ka nasain’i Davida nodorana tamin’ny afo.

13 Nirotsaka indray ny Filistinina teny amin’ny lohasaha.

14 Dia nanontany an’Andriamanitra i Davida, ka hoy Andriamanitra taminy: «Aza miakatra manaraka azy fa mivilia azy, ary hivarina aminy ianao avy eo amin’ny lafiny misy ny balsamie.

15 Ka rehefa mandre fingodongodon’olona any an-tendron’ny balsamie ianao, miroata hiady amin’izay, fa Andriamanitra hivoaka mialoha anao hamely ny tafiky ny Filistinina.»

16 Dia nataon’i Davida izay nandidian’Andriamanitra azy, ka nandresy ny tafiky ny Filistinina, hatrany Gabaôna ka hatrany Gazera izy ireo.

17 Dia niely eran’ny tany rehetra ny lazan’i Davida, ary nataon’i Iaveh natahotra azy ny firenena rehetra.

Categories
1Tantara

1Tantara 15

Ny nanomanana ny hamindrana toerana ny fiara

1 Ary i Davida nanao trano ho azy tao an-tanànan’i Davida, dia nanomana fitoerana ho an’ny fiaran’Andriamanitra, ka nanorin-day ho azy.

2 Hoy i Davida tamin’izay: «Tsy misy afa-tsy ny Levita ihany no hitondra ny Fiaran’Andriamanitra satria ireo no voafidin’i Iaveh hitondra ny fiaran’Andriamanitra sy hanao ny fanompoana momba azy mandrakizay.»

3 Dia novorin’i Davida tao Jerosalema i Israely rehetra hampiakatra ny Fiaran’i Iaveh ho ao amin’ny fitoerany, izay efa nomaniny ho azy.

4 Novorin’i Davida ny taranak’i Aarôna sy ny Levita;

5 tamin’ny taranak’i Kaata: i Oriela lehibe sy ny rahalahiny, 120;

6 tamin’ny taranak’i Merarì: i Asaià lehibe sy ny rahalahiny, 220;

7 tamin’ny taranak’i Gersôma: i Joela lehibe sy ny rahalahiny, 130;

8 tamin’ny taranak’i Elisafàna: i Semeiàsa lehibe sy ny rahalahiny, 200;

9 tamin’ny taranak’i Hebrôna: i Eliala lehibe sy ny rahalahiny, 80;

10 tamin’ny taranak’i Oziela: i Aminadaba lehibe sy ny rahalahiny, 112.

11 Nantsoin’i Davida ny mpisorona Sadôka sy i Abiatara, ary ny Levita, i Oriela, i Asaiasa, i Joela, i Semeiàsa, i Eliala ary i Aminadaba.

12 Ka hoy izy tamin’ireo: «Ianareo, loha fianakavian’ny Levita, hamasino ny tenanareo, dia ianareo sy ny rahalahinareo, ka ampiakaro ny fiaran’i Iaveh Andriamanitr’i Israely ho eo amin’ny fitoerana nomaniko ho azy.

13 Fa satria noho ianareo tsy nampiakatra azy tamin’ilay voalohany, no nikapohan’i Iaveh Andriamanitsika antsika, satria tsy nitady azy araka ny lalàna isika.»

14 Dia nanamasin-tena ny mpisorona sy ny Levita, mba hampiakatra ny fiaran’i Iaveh Andriamanitr’i Israely.

15 Ary ny taranak’i Levì, dia nilanja ny fiaran’Andriamanitra tamin’ny baony, araka ny nandidian’i Môizy, araka ny tenin’i Iaveh.

16 Nasain’i Davida notendren’ny lehiben’ny Levita ny rahalahiny mpihira miaraka amin’ny zava-maneno, dia ny valiha, ny harpa, ny kipantsona, hampaneno azy amin’ny feo mikarantsana sy maneho hafaliana.

17 Ka dia notendren’ny Levita i Hemàna zanak’i Joela, ary tamin’ireo rahalahiny i Asafa zanak’i Barakiasa; tamin’ny taranak’i Merarì rahalahiny, i Etana zanak’i Kôsaià;

18 naman’ireo ny rahalahiny, amin’ny ambaratonga faharoa: i Zakaria, i Bena, i Jaziela, i Semiramôta, i Jahiela, i Anì, i Eliaba, i Banaiasa, i Maasiasa, i Matatiasa, i Elifalò, i Maseniasa, i Obededôma, ary i Jehiela, mpiandry varavarana.

19 I Hemàna sy i Asafa ary i Etàna mpihira, dia nitondra kipantsona varahina, hampanenoina.

20 I Zakaria, i Oziela, i Semiramôta, i Jahiela, i Anì, i Eliaba, i Maasiasa, ary i Banaiasa nanana valiha alamota.

21 I Matatiasa, i Elifalò, i Maseniasa, i Obededôma, i Jehiela ary i Ozazio, nanana harpa amin’ny «octave», hitari-kira.

22 I Koneniasa, lehiben’ny Levita momba ny fitondrana ny fanaka no nitarika ny fitondrana, fa nahay izany izy.

23 I Barakiasa sy i Elkanà, no mpiandry varavarana teo akaikin’ny Fiara.

24 I Sebeniasa, i Jôsafata, i Natanaely, i Amasa, i Zakaria, i Banaiasa, ary i Eleazara mpisorona, no nitsoka anjomara teo alohan’ny Fiaran’Andriamanitra, i Obededôma sy i Jehiasa no mpiandry varavarana teo akaikin’ny Fiara.

Ny fombam-pivavahana namindrana toerana ny fiara

25 Dia niainga i Davida sy ny loholon’i Israely ary ny tomponarivo, hampiakatra ny fiaran’ny faneken’i Iaveh tao an-tranon’i Obededôma tamin’ny fifaliana.

26 Rehefa nomban’Andriamanitra fanampiana ny Levita izay nitondra ny fiaran’ny faneken’i Iaveh, dia namono ombalahy enina sy ondralahy enina natao sorona ny olona.

27 Nitafy kapaoty bisosa i Davida; torak’izany koa ny Levita rehetra nitondra ny Fiara, ny mpihira ary i Koneniasa izay nitarika ny fitondrana ny Fiara, eo amin’ny mpihira; ary i Davida nitafy ny efôda rongony madinika.

28 I Israely rehetra no indray nampakatra ny fiaran’ny faneken’i Iaveh tamin’ny hobin-kafaliana, tamin’ny feon’anjomara amana bingona mbamin’ny kipantsona.

29 Nony tonga hatrany an-tanànan’i Davida, ny fiaran’ny faneken’i Iaveh dia nitsirika teo am-baravarankely i Mikola zanakavavin’i Saola, ka nony nahita an’i Davida nitsinjaka sy nandihy izy, dia nikizaka azy tao am-pony.

Categories
1Tantara

1Tantara 16

1 Nony efa voampiditra ny fiaran’Andriamanitra sy efa napetraka tao afovoan’ny lay naorin’i Davida ho azy, dia nanatitra sorona dorana sy sorom-pihavanana teo anatrehan’Andriamanitra ny olona.

2 Nony vitan’i Davida ny fanolorana ny sorona dorana sy ny sorom-pihavanana, dia nitso-drano ny vahoaka tamin’ny Anaran’i Iaveh izy.

3 Ary ny olona rehetra tamin’i Israely na lahy na vavy, dia nizarany mofo iray avy, sy hena iray didy ary ampempam-boaloboka iray.

Ny ataon’ny Levita eo anoloan’ny fiara.

4 Nisy Levita sasany notendren’i Davida hitoetra eo anatrehan’ny fiaran’i Iaveh mba hanao ny fanompoana amin’ny fangatahana, fankalazana sy fiderana an’i Iaveh Andriamanitr’i Israely;

5 dia i Asafa filohany, i Zakaria faharoa, dia i Jahiela, i Semiramôta, i Jehiela, i Matatiasa, i Eliaba, i Banaiasa, i Obededôma ary i Jehiela, izay nanan-java-maneno, lokanga, harpa, ary i Asà nampaneno ny kipantsona,

6 i Banaisa sy i Jaziela mpisorona nitsoka anjomara lalandava, teo anoloan’ny fiaran’ny faneken’Andriamanitra.

7 Tamin’izay andro izay no voalohany nanapahan’i Davida, fa ny feon’i Asafa sy ny rahalahiny no hankalazana an’i Iaveh:

8 «Miderà an’i Iaveh, miantsoa ny Anarany,

ampahafantaro ny firenena ny zava-dehibe nataony.

9 Manaova hira fanajana Azy, mihirà Salamo fanajana Azy.

Torio ny fahagagana rehetra nataony.

10 Ataovy rehareha ny Anarany masina,

aoka ho faly ny fon’izay mitady an’i Iaveh.

11 Katsaho i Iaveh sy ny heriny,

tadiavo lalandava ny tavany.

12 Tsarovy ny zava-mahatalanjona nataony,

ny fahagagany sy ny fitsaràn’ny vavany,

13 ry taranak’i Israely mpanompony,

ry terak’i Jakôba, ianareo olom-boafidiny.

14 Izy, Iaveh no Andriamanitsika,

mahazo ny tany rehetra ny fitsaràny.

15 Tsahivo mandrakariva ny fanekeny,

ny teny nataony ho an’ny taranaka arivo mandimby.

16 Fanekena nifanaovany tamin’i Abrahama,

ny fianianana nataony ho an’i Isaaka,

17 izay naraikiny ho lalàna tamin’i Jakôba,

ary ho fanekem-pihavanana mandrakizay ho an’i Israely,

18 nataony hoe: ‹Homeko anao ny tany Kanaana,

ho anjara lovanao.›

19 Fony mbola mora isaina ianareo,

vitsy isa, sady vahiny tamin’ny tany,

20 nivezivezy nifindra firenena izy ireo,

avy amin’ny fanjakana iray ho amin’ny vahoaka hafa,

21 tsy navelany hampahory azy,

fa izy ireo aza namaizany mpanjaka:

22 aza mitendry ireo voahosotra,

aza manisy ratsy ny mpaminaniko.

23 Mihirà ho an’i Iaveh, ry mponina amin’ny tany rehetra,

torio isan’andro ny famonjeny.

24 Ambarao amin’ny firenena ny voninahiny

ary amin’ny vahoaka rehetra ny fahagagany.

25 Fa lehibe i Iaveh ka mendrika hoderaina indrindra,

ary mahatahotra mihoatra ireo andriamanitra rehetra Izy;

26 fa ny andriamanitry ny firenena rehetra dia sampy.

Ary i Iaveh no nanao ny lanitra;

27 fiandrianana amam-pamirapiratana no eo anatrehan’ny Tavany,

ary hery aman-kafaliana no eo amin’ny fonenany.

28 Omeo an’i Iaveh, ry fianakaviam-pirenena,

omeo an’i Iaveh ny voninahitra sy ny fahefana;

29 omeo an’i Iaveh ny voninahitra ho an’ny Anarany.

Mitondrà fanatitra ka mankanesa eo anatrehany;

mitsaoha an’i Iaveh amin’ny fanamiana masina.

30 Mangovita eo anatrehany, ry mponina amin’ny tany rehetra,

ary izao tontolo izao, voaarina, tsy mba hivembena.

31 Aoka hifaly ny lanitra,

ary aoka hiravo ny tany!

Aoka holazaina eram-pirenena ny hoe: ‹Mpanjaka i Iaveh!›

32 Aoka hirohondrohona ny ranomasina,

mbamin’izay rehetra eo aminy!

Aoka hisomebiseby ny saha, mbamin’izay rehetra eo aminy!

33 Ary aoka hanandra-peo fifaliana ny hazo an’ala,

eo anatrehan’i Iaveh fa avy hitsara ny tany Izy.

34 Miderà an’i Iaveh fa tsara Izy,

fa maharitra mandrakizay ny famindram-pony.

35 Lazao hoe: ‹Vonjeo izahay, ry Andriamanitry ny famonjena anay!

angony izahay ary tsoahy avy eo amin’ny firenena,

mba hankalazanay ny Anaranao masina

sy hanaovanay ho reharehanay ny fiderana Anao.›

36 Hisaorana anie i Iaveh Andriamanitr’i Israely,

Hatramin’ny mandrakizay, ka ho mandrakizay.»

Ary ny vahoaka rehetra nanao hoe: «Amen!» sy hoe: «Miderà an’i Iaveh!»

37 Dia navelan’i Davida teo anoloan’ny fiaran’ny faneken’i Iaveh i Asafa mbamin’ireo rahalahiny, mba hanao tsy tapaka ny fanompoana eo anoloan’ny Fiara, araka ny anjara raharahany isan’andro.

38 Toy izany koa i Obededôma mbamin’ireo rahalahiny 68, i Obededôma zanak’i Iditona ary i Hosa, ho mpiandry varavarana.

39 Toy izany koa i Sadaoka mpisorona, mbamin’ireo mpisorona rahalahiny, teo anoloan’ny Fonenan’i Iaveh teo amin’ny fitoerana avo tao Gabaôna,

40 mba hanolotra sorona dorana tsy tapaka, maraina sy hariva, amin’i Iaveh, eo anoloan’ny ôtely fanaovan-tsorona dorana, sy hanao izay rehetra voasoratra ao amin’ny lalàn’i Iaveh izay nandidiany an’i Israely.

41 Teo akaikin’ireo i Hemàna sy i Iditona mbamin’ny sisan’ireo voafidy sy voatonona anarana, hidera an’i Iaveh, fa maharitra mandrakizay ny famindram-pony.

42 Niaraka tamin’ireo, dia niaraka tamin’i Hemàna sy i Iditona, dia nisy anjomara aman-kipantsona ho an’ireo tsy maintsy mampaneno azy, mbamin’ny zava-maneno hampiarahina amin’ny hiran’Andriamanitra. Ny zanak’i Iditona niadidy ny varavarana.

43 Samy nody tany an-tranony avy ny vahoaka rehetra, ary i Davida koa nody hitso-drano ny ankohonany.

Categories
1Tantara

1Tantara 17

Ny faminanian’i Natàna

1 Rehefa niorina tao an-tranony i Davida dia hoy i Davida tamin’i Natàna mpaminany: «Izaho ity mitoetra an-trano sedera; nefa ny fiaran’ny faneken’i Iaveh ao anaty lay!»

2 Ary hoy i Natàna namaly an’i Davida: «Ataovy izay ao am-ponao, fa momba anao Andriamanitra.»

3 Ny alin’izay ihany, dia tonga tamin’i Natàna ny tenin’Andriamanitra nanao hoe:

4 Mandehana lazao amin’i Davida mpanompoko hoe: Izao no tenin’i Iaveh: Tsy ianao no hanao trano hitoerako.

5 Fa mbola tsy nitoetra an-trano Aho, hatramin’ny andro nampiakarako an’i Israely avy any Ejipta, ka mandraka androany, fa lay sy fonenana no nifindrafindrako.

6 Nandritra ny fotoana rehetra niarahako nandeha tamin’i Israely rehetra, moa mba nilaza teny indraimbava Aho tamin’ny anankiray amin’ireo mpitsara an’i Israely izay nasaiko hamahana ny vahoakako, nanao hoe: Nahoana ianao no tsy manao trano sedera ho Ahy?

7 Koa ankehitriny lazao amin’ny mpanompoko, amin’i Davida hoe: Izao no lazain’i Iavehn’ny tafika: Tany an-tanim-bilona teo aorian’ny ondry, no nangalako anao mba ho andriana amin’i Israely vahoakako;

8 nomba anao tamin’izay rehetra nalehanao Aho, nandringana ny fahavalonao rehetra teo anoloanao Aho, ary nataoko malaza toy ny anaran’ireo lehibe eto ambonin’ny tany ny anaranao.

9 Nanokan-toerana ho an’i Israely vahoakako Aho, dia nampiorina azy eo; ka efa monina eo aminy izy ary tsy hisy hanabataba azy, ary ny zanaky ny faharatsiana tsy hampahory azy toy ny taloha intsony,

10 dia toy ny tamin’ny andro nananganako mpitsara tamin’i Israely vahoakako. Naetriko avokoa ny fahavalonao rehetra, ary milaza aminao mialoha Aho, fa hananganan’i Iaveh trano ianao.

11 Rahatrizay tapitra ny andronao, ka ho lasa any amin’ny razanao ianao, dia hasandratro ny taranakao mandimby anao, iray amin’ny terakao, ary hohamafisiko ny fanjakany.

12 Izy no hanao trano ho Ahy, ary Izaho hanamafy ny fanjakany ho mandrakizay.

13 Ho toy ny ray ho azy Aho, ary ho toy ny zanaka ho Ahy izy, ka tsy hesoriko aminy ny famindram-poko, toy ny nanesorako izany tamin’ilay nanjaka talohanao.

14 Hampitoeriko mandrakizay ao an-tranoko sy amin’ny fanjakako izy, ary hiorina mandrakizay ny seza fiandrianany.

15 Dia niteny tamin’i Davida i Natàna araka izany teny rehetra izany sy io fahitana rehetra io.

Vavak’i Davida

16 Ka tonga i Davida mpanjaka ka nitoetra teo anatrehan’i Iaveh, ary nanao hoe: Zinona moa aho, ry Iaveh Andriamanitra ô! Ary zinona moa ny fianakaviako no dia nentinao ho tonga amin’izao aho?

17 Izany indray aza mbola zavatra kely eo imasonao, ry Andriamanitra. Niteny koa Ianao ny amin’ny taranaky ny mpanomponao, hatrany amin’ny andro aoriana any, ary nataonao ho olona ambony laharana aho, ry i Iaveh Andriamanitra ô!

18 Koa inona indray no ho azon’i Davida lazaina aminao, ny amin’ny voninahitra nomena ny mpanomponao? Fantatrao ny mpanomponao.

19 Iaveh ô, noho ny amin’ny mpanomponao sy araka ny Fonao, no nanaovanao izany zava-dehibe rehetra izany, mba hampahafantaranao ireo zava-dehibe ireo.

20 Tsy misy mitovy aminao, ry Iaveh, ary tsy misy Andriamanitra hafa hafa-tsy Ianao, araka izay rehetra ren’ny sofinay.

21 Aiza eto ambonin’ny tany izay firenena hafa, manahaka an’i Israely vahoakanao, izay nahatongavan’Andriamanitra hanavotany azy, mba ho vahoakany, hahazoanao Anarana amin’ny fahagagana aman’asa lehibe, dia ny nandroahanao firenena teo anoloan’ny vahoakanao, izay navotanao tamin’i Ejipta.

22 Fa nataonao vahoakanao mandrakizay i Israely vahoakanao, ka Ianao Iaveh no tonga Andriamaniny.

23 Ary ankehitriny, ry Iaveh, aoka haharitra mandrakizay ilay teny nolazainao ny amin’ny mpanomponao sy ny amin’ny fianakaviany, ary tanteraho araka ny teninao.

24 Aoka haharitra izany, ary aoka hankalazaina mandrakizay ny Anaranao; ka aoka holazain’ny olona hoe: I Iavehn’ny tafika, Andriamanitr’i Israely, dia Andriamanitra ho an’i Israely! Ary aoka ho tsara orina eo anatrehanao ny fianakavian’i Davida mpanomponao.

25 Fa Tenanao, ry Andriamanitra ô, no efa nanambara tamin’ny mpanomponao fa hanorin-trano ho azy, ka izany no nahasahian’ny mpanomponao hivavaka eto anatrehanao.

26 Koa ankehitriny, ry Iaveh, Ianao no Andriamanitra, ary nilaza izany teny mahafinaritra izany tamin’ny mpanomponao Ianao.

27 Sitrakao ny hitso-drano ny fianakavian’ny mpanomponao ankehitriny, haharetany mandrakizay eo anatrehanao, fa izay tsofinao rano, ry Iaveh ô, dia voatso-drano mandrakizay.

Categories
1Tantara

1Tantara 18

Ireo fandresen’i Davida

1 Tatỳ aorian’izany, nandresy ny Filistinina i Davida, ka nampietry azy, ary nalainy teo an-tanan’ny Filistinina i Geta mbamin’ny tanàna momba azy.

2 Nandresy ny Moabita izy, ka tonga mpanompo manatitra hetra ho an’i Davidany Moabita.

3 Resin’i Davida koa i Adarezera mpanjakan’i Sobà eny akaikin’i Hamata, tamin’izy teny an-dalana nandeha hampiorina ny fanjakany amin’ny ony Eofrata.

4 Kalesy 1.000, mpitaingin-tsoavaly 7.000, miaramila an-tongotra 20.000, no nosamborin’i Davida taminy, notraingoin’i Davida avokoa ny soavalin-kalesy, fa ny soavaly amin’ny kalesy zato ihany no navelany.

5 Tonga namonjy an’i Adarezera mpanjakan’i Sobà ny Sirianina avy any Damasa, fa noresen’i Davida ny 22.000 lahy tamin’ny Sirianina.

6 Nametrahan’i Davida miaramila mponina i Sirian’i Damasa, ka dia tonga mpanompo nanatitra hetra ho an’i Davida ny Sirianina. Nomen’i Iaveh an’i Davida ny fandresena tamin’izay rehetra nalehany.

7 Nalain’i Davida ny ampinga volamena teny amin’ny mpanompon’i Adarezera, ka nentiny nankany Jerosalema.

8 Varahina be dia be koa no nalain’i Davida tao Tebata sy i Kona tanànan’i Adarezera, ary izany no nanaovan’i Salômôna ilay ranomasina varahina sy ny andry amam-panaka varahina.

9 Nony ren’i Tôhò, mpanjakan’i Hamata, fa hoe: resin’i Davida avokoa ny miaramilan’i Adarezera, mpanjakan’i Sobà,

10 dia naniraka an’i Adôrama zanany, hankany amin’i Davida mpanjaka izy, hiarahaba sy hankalaza azy, noho ny niadiany tamin’i Adarezera sy nandreseny azy, satria niady tsy tapaka i Tôhò sy i Adarezera, sady nampitondrainy fanaka volamena sy volafotsy ary varahina isan-karazany izy.

11 Natokan’i Davida mpanjaka ho an’i Iaveh izany, mbamin’ny volafotsy amam-bolamena, nalainy tamin’ny firenena rehetra, dia i Edôma, i Moaba, ny taranak’i Amôna, ny Filistinina ary i Amaleka.

12 Resin’i Abisaia zanak’i Sarvià tao amin’ny Lohasahan-tSira ny Edômita 18.000,

13 ary nametrahany miaramila mponina tao Edôma, ka dia tonga mpanompon’i Davida avokoa i Edôma rehetra. Nomen’i Iaveh an’i Davida ny fandresena tany amin’izay rehetra nalehany.

Zava-dehibe nataon’ireo manamboninahitra

14 Nanjaka tamin’i Israely rehetra i Davida ary nitondra ny vahoakany rehetra araka ny rariny sy ny fahamarinana.

15 I Jôaba zanak’i Sarvià no nifehy ny miaramila; i Jôsafata zanak’i Ahiloda, no mpitahiry ny bokim-panjakana;

16 i Sadôka zanak’i Akitoba, sy i Abimeleka zanak’i Abiatara, no mpisorona, i Sosa no mpanoratra;

17 i Banaiasa zanak’i Jôiadà, no lehiben’ny Keretianina sy ny Feletianina; ary ireo zanak’i Davida no voalohan-daharana eo anilan’ny mpanjaka.

Categories
1Tantara

1Tantara 19

1 Tatỳ aorian’izany, maty i Naasa, mpanjakan’ny taranak’i Amôna, ary ny zanany lahy no nanjaka nandimby azy.

2 Ka hoy i Davida: «Hampiseho fankasitrahana amin’i Hanòna, zanak’i Naasa aho, fa nampiseho fankasitrahana tamiko irainy.» Dia nandefa iraka hanony azy noho ny amin-drainy izy. Nony tonga tany amin’i Hanòna tany amin’ny tanin’ny taranak’i Amôna, ireto mpanompon’i Davida hanony alahelo azy,

3 dia hoy ny mpifehy ny taranak’i Amôna tamin’i Hanòna: «Mba ataonao ho fanajana an-drainao va no nanirahan’i Davida hanony alahelo anao? Tsy ny hizaha sy handrava ary hisafo ny tany va no nahatongavan’ireo mpanompony ireo atỳ aminao?»

4 Izay i Hanòna dia nisambotra ireo mpanompon’i Davida, ka ny somony noharatany, ny akanjony nofolònana hatreo am-balahana, vao nalefany nody izy.

5 Fa nisy nandeha nilaza ny nanjò an’ireo lehilahy ireo tamin’i Davida, ka naniraka olona hitsena an’ireo izy, fa nangaihay loatra ireo lehilahy ireo, ary izao no nasain’ny mpanjaka nolazaina tamin’izy ireo: «Mitoera any Jerikô ianareo, mandra-panirin’ny somotrareo, vao modia.»

6 Fantatry ny taranak’i Amôna, fa efa nanao izay nampangidy hoditra azy tamin’i Davida izy, dia nandefa talenta volafotsy arivo i Hanòna sy ny taranak’i Amôna hanakaramany kalesy ama-mpitaingin-tsoavaly tany amin’ny Sirianina, any Mesôpôtamia, sy tany amin’ny Sirianina any Maakà sy any Sobà.

7 Kalesy 32.000, mbamin’ny mpanjakan’i Maakà sy ny vahoakany no nokaramainy, ka tonga nitoby tao akaikin’ny Medabà izy ireo. Ny taranak’i Amôna niala tany an-tanànany avy, dia nivory sy nandroso hiady.

8 Nony ren’i Davida izany, nalefany hamely an’ireo i Jôaba mbamin’ny tafika rehetra, lehilahy mahery.

9 Dia nivoaka ny taranak’i Amôna, ka nilahatra hiady teo am-bavahadin’ny tanàna; iretsy mpanjaka tonga kosa nitokana teny an-tsaha.

10 Nony hitan’i Jôaba fa samy nisy vava ady teo anoloany sy teo ivohony, dia antokony iray tamin’izay voafantina tamin’i Israely no nofidiny sy nalahany hifanatrika amin’ny Sirianina,

11 ary nomeny hoentin’i Abisaia rahalahiny kosa ny vahoaka sisa, ka nalahany hifanatrika tamin’ny taranak’i Amôna.

12 Hoy izy: «Raha mahery noho izaho ny Sirianina, dia handeha hamonjy ahy ianao, fa raha mahery noho ianao ny taranak’i Amôna, dia hovonjeko ianao.

13 Mahereza, aoka hiady amin-kerim-po isika, ho an’ny firenentsika sy ho an’ireo tanànan’ny Andriamanitsika, ary aoka i Iaveh hanao izay heveriny ho tsara eo imasony.»

14 Dia nandroso niady tamin’ny Sirianina i Jôaba sy ny vahoaka niaraka taminy ka nandositra teo anoloany ireny.

15 Nony nahita ny Sirianina nandositra ny taranak’i Amôna, dia mba nandositra teo anoloan’i Abisaia rahalahin’i Jôaba koa izy, ka niditra tany an-tanàna indray. Dia niverina tany Jerosalema i Jôaba.

16 Rehefa hitan’ny Sirianina fa resy teo anatrehan’i Israely izy, dia naniraka olona haka ny Sirianina tany an-dafin’ny ony izy; ary i Sôfàka komandin’ny tafik’i Adarezera no nitarika azy.

17 Vao nandre izany vaovao izany i Davida dia namory an’i Israely rehetra ka nita an’i Jordany, nandroso hitsena azy sy nandahatra ny hamelezana azy ireo; ary nandahatra ny tafiny hiady amin’ny Sirianina i Davida. Izy ireo no nanomboka ny ady taminy, kanjo vaky nandositra teo anoloan’i Israely ny Sirianina.

18 Ka matin’i Davida ny soavaly tamin’ny kalesy 7.000 ary ny miaramila an-tongotra 40.000, tamin’ny Sirianina; matiny mbamin’i Sôfàka, komandin’ny tafika.

19 Nony hitan’ireo tompomenakelin’i Adarezera fa resy eo anatrehan’i Israely izy, dia nanao fanekem-pihavanana tamin’i Davida izy ireo, ka tonga mpanompony. Ary tsy nety namonjy ny taranak’i Amôna intsony ny Sirianina.

Categories
1Tantara

1Tantara 20

1 Tamin’ny fitsingerenan’ny taona, nony mby tamin’ny fotoana fiaingan’ny mpanjaka handeha hiady, dia nitarika tafika tsy anerany i Jôaba, ka nandrava ny tanin’ny taranak’i Amôna, sy tonga nanao fahirano an’i Rabà; fa i Davida kosa nijanona tao Jerosalema. Noresen’i Jôaba i Rabà, sady noravany.

2 Dia nesorin’i Davida ny satrok’andriana teny an-dohan’ny mpanjakany, ary talenta iray no lanjan’ny volamena hita tao aminy, sady nisy vatosoa anankiray koa, natao teny an-dohan’i Davida.

3 Babo be dia be no nentiny avy ao an-tanàna. Ary ny vahoaka hita tao dia navoakany, ka noriatiny tamin’ny tsofa aman-dapìka vy sy famaky. Sady nataon’i Davida toy izany avokoa ny tanànan’ny taranak’i Amôna rehetra. Dia niverina nankany Jerosalema i Davida mbamin’ny vahoakany rehetra.

4 Tatỳ aorian’izany nisy ady tamin’ny Filistinina tao Gazera. Tamin’izay no nahafatesan’i Sabokai Hosatita, an’i Safaì isan-taranak’i Rafà, ka voaetry ny Filistinina.

5 Dia nisy ady tamin’ny Filistinina koa, izay nahafatesan’i Elkanàna zanak’i Jaira, an’i Lakmì rahalahin’i Gôliata, avy any Geta, ilay nanan-defona hoatry ny voditenon’ny mpanenona ny zarany.

6 Ary nisy ady tany Geta. Ka tao no nisy lehilahy avo be anankiray, enin-drantsana isan-tanana aman-tongotra, efatra amby roapolo no totaliny, ka taranak’i Rafà koa izy.

7 Naniratsira an’i Israely izy, ka matin’i Jonatàna, zanak’i Samaà, rahalahin’i Davida.

8 Tarana-dRafà tao Geta ireo lehilahy ireo, ary matin’ny tanan’i Davida sy ny tanan’ny mpanompony izy ireo.

Categories
1Tantara

1Tantara 21

Fanisana ny vahoaka

1 Ary nitsangan-kamely an’i Israely i Satana ka namoky an’i Davida hanisa an’i Israely.

2 Dia hoy i Davida tamin’i Jôaba sy ny mpifehy vahoaka: «Mandehana isao i Israely hatrany Bersabea ka hatrany Dana, dia manaova filazana amiko, mba hahalalako ny isany.»

3 Fa hoy ny navalin’i Jôaba: «Hotongavin’i Iaveh injato toy izao anie ny hamaroan’ny vahoakany! Ary moa tsy mpanompon’ny tompoko va izy ireo, ry mpanjaka tompoko? Ka nahoana no dia itadiavan’ny tompoko an’izany? Nahoana no dia hitarika fahotana ho amin’i Israely?»

4 Fa ny tenin’ny mpanjaka nanohitra an’i Jôaba no nahery; ka dia niainga i Jôaba nitety an’i Israely rehetra, ary niverina tao Jerosalema.

5 Natolotr’i Jôaba an’i Davida ny boky nisy ny isam-bahoaka, ka nisy 1.100.000 ny lehilahy mahatan-tsabatra teo amin’i Israely rehetra, ary 470.000 ny lehilahy mahatan-tsabatra teo amin’i Jodà.

6 Fa i Levì sy i Benjamina tao amin’izy ireo, tsy mba nanaovany fanisana, satria nolavin’ny sain’i Jôaba ny didin’ny mpanjaka.

Ny pesta sy ny famelan’Andriamanitra

7 Tsy sitrak’Andriamanitra izany raharaha izany, ka dia nokapohiny i Israely.

8 Dia hoy i Davida tamin’Andriamanitra: «Efa nanao fahotana lehibe aho tamin’izao nataoko izao, koa ankehitriny mifona aminao aho, esory ny heloky ny mpanomponao, fa tena nanao toy ny adala tokoa aho.»

9 Niteny tamin’i Gada, mpahitan’i Davida, i Iaveh, nanao hoe:

10 «Mandehana milaza amin’i Davida hoe: Izao no lazain’i Iaveh: Zavatra telo no ataoko eo anoloanao, ka ny iray no fidio dia hataoko aminao.»

11 Dia nankany amin’i Davida i Gada ka nanao taminy hoe: «Izao no lazain’i Iaveh:

12 Mifidiana ianao: telo taona mosarena, sa telo volana hanosen’ny fahavalonao anao sy hahavoazan’ny sabatry ny fahavalonao anao, sa telo andro hitoeran’ny sabatr’i Iaveh sy ny pesta amin’ny tany, ka hahavita fandringanana eran’ny tanin’i Israely ny Anjelin’i Iaveh? Hevero amin’izao izay valy homeko an’izay naniraka ahy.»

13 Ary hoy i Davida tamin’i Gada: «Latsaka am-panahiana mafy aho. Indrisy! aoka re ho azon’ny tanan’i Iaveh aho, fa be famindram-po indrindra Izy, fa tsy ho azon’ny tanan’olombelona aho!»

14 Ka dia nandefa pesta hamely an’i Israely i Iaveh, ka nahafatesana 70.000 ny olona amin’i Israely.

15 Ary naniraka Anjely anankiray Andriamanitra hankany Jerosalema handrava azy; kanjo nony nandrava teo io, nijery i Iaveh, ka nanenenany izany loza izany, dia hoy Izy tamin’ilay Anjely nandrava: «Aoka izay! Avonkino amin’izay ny tananao.» Teo akaikin’ny famoloan’i Ornàna Jeboseanina ilay Anjelin’i Iaveh tamin’izay.

16 Nony natopin’i Davida ny masony, dia hitany ilay Anjelin’i Iaveh teo anelanelan’ny tany sy ny lanitra, nitan-tsabatra voatsoaka natondrony nanandrify an’i Jerosalema. Niankohoka i Davida sy ny loholona, sady nitafy lasàka izy ireo.

17 Ary hoy i Davida tamin’Andriamanitra: «Moa tsy izaho va no nandidy hanisa ny vahoaka? Izaho no nanota sy nanao izany ratsy izany, fa ireo kosa, ireo ondry ireo, mba naninona? Ry Iaveh Andriamanitra ô, izaho sy ny fianakavian’ikaky no aoka hasian’ny tananao, fa aza dia ny vahoakanao no aringana!»

Ny nananganana ny ôtely

18 Dia nasain’ilay Anjelin’i Iaveh nilazan’i Gada i Davida hiakatra hanangana ôtely ho an’i Iaveh, ao am-pamoloan’i Ornàna Jeboseanina.

19 Ka niakatra araka ny teny nolazain’i Gada tamin’ny Anaran’i Iaveh i Davida.

20 Niherika i Ornàna ka nahita ilay Anjely dia niery izy sy ireo zanany efa-dahy; nively vary tamin’izay i Ornàna.

21 Nony tonga teo akaikin’i Ornàna i Davida, nijery i Ornàna ka nahita an’i Davida, dia niala teo am-pamoloana izy, ary niankohoka tamin’ny tany teo anatrehan’i Davida.

22 Dia hoy i Davida tamin’i Ornàna: «Afoizo ho ahy ny tokotany misy ity famoloana ity, fa hanorenako ôtely ho an’i Iaveh; afoizo ho ahy amin’izay tokom-bidiny marina haloa vola, hialan’ny aretina mandringana ny vahoaka.»

23 Ary hoy i Ornàna tamin’i Davida: «Ento ho anao, ary aoka ny mpanjaka tompoko hanao izay heveriny ho tsara: Indreto ny omby hatao sorona dorana, ny rambaramba hatao kitay, ary ny varimbazaha hatao fanatitra, ka omeko avokoa izany.»

24 Fa hoy i Davida mpanjaka tamin’i Ornàna: «Tsia, fa tiako hovidina vola araka izay tena vidiny marina, fa tsy haka ny anao ho an’i Iaveh aho, na hanatitra sorona dorana azoko maina.»

25 Koa nomen’i Davida volamena lanjan’enin-jato sikla i Ornàna ho vidin’ny tokotany.

26 Dia nanangana ôtely teo i Davida, ho an’i Iaveh, ary nanatitra sorona dorana sy sorom-pihavanana. Izy niantso an’i Iaveh, ary i Iaveh namaly azy tamin’ny afo avy any an-danitra latsaka teo amin’ny ôtely nisy ny sorona dorana.

27 Dia niteny tamin’ilay Anjely i Iaveh, ka nampidirin’io tamin’ny tranony ny sabany.

28 Tamin’izany andro izany, nony hitan’i Davida fa nihaino azy i Iaveh tao amin’ny famoloan’i Ornàna Jeboseanina, dia nanatitra sorona tao izy.

29 Ilay tabernaklan’i Iaveh nataon’i Môizy tany an’efitra sy ny ôtelin’ny sorona dorana, dia teo amin’ny fitoerana avo tany Gabaôna fahizay.

30 Tsy tohan’i Davida anefa ny nankeo anoloan’izany ôtely izany, hanaja an’Andriamanitra, fa raiki-tahotra izy, noho ny sabatr’ilay Anjelin’i Iaveh.

Categories
1Tantara

1Tantara 22

1 Ary hoy i Davida: «Eto no ho tranon’i IavehAndriamanitra, eto no ho ôtely fanaovan’i Israely sorona dorana.»

Fiomanana hanorenana ny tempoly

2 Dia nasain’i Davida novorina ny vahiny teo amin’ny tanin’i Israely, ka nanendry tambato hipai-bato, hanaovana ny tranon’Andriamanitra izy.

3 Novononin’i Davida koa izao: Vy betsaka hanaovam-pantsika ho an’ny lela-varavarana sy ny faraingo, ary varahina betsaka tsy hita lanja intsony,

4 hazo sedera tsy hita isa, fa nanateran’ny Sidonianina sy ny Tirianina hazo sedera sesehena, i Davida.

5 Hoy i Davida: «I Salômôna, zanako, mbola tanora sy malemy, ary ny trano hatao ho an’i Iaveh dia tsy maintsy ho kanto indrindra mba hahazo laza amam-boninahitra amin’ny tany rehetra, ka tiako ny mamonona zavatra ho azy.» Dia nahavonona be tokoa i Davida talohan’ny nahafatesany.

6 Ary i Davida niantso an’i Salômôna zanany, ka nandidy azy hanao trano ho an’i Iaveh Andriamanitr’i Israely.

7 Izao no lazain’i Davida tamin’i Salômôna: «Anaka, zava-nokendreko ny hanao trano ho an’ny Anaran’i Iaveh Andriamanitra.

8 Saingy tonga tamiko ny tenin’i Iaveh, nanao hoe: Nandatsaka ra be ianao sady nanao ady lehibe, ka tsy hanao trano amin’ny Anarako, satria be ny ra nalatsakao tamin’ny tany teo imasoko.

9 Fa indro hisy zazalahy haterakao, izay ho lehilahy miadana, homeko fandriam-pahalemana, eo anatrehan’ny fahavalo manodidina azy, fa hatao hoe Salômôna no anarany, ary homeko fandriam-pahalemana sy fiadanana i Israely amin’ny androny.

10 Izy no hanao trano ho an’ny Anarako; ho toy ny zanaka ho Ahy izy, ary ho toy ny ray ho azy Aho, ary hohamafisiko mandrakizay amin’i Israely ny seza fiandrianan’ny fanjakany.

11 Koa ankehitriny, anaka, homba anao anie i Iaveh, mba hiadana ianao, ary hanao ny tranon’i Iaveh Andriamanitrao, araka ny efa nilazany anao.

12 Ho sitrak’i Iaveh ihany anie, ny hanome fahendrena amam-pahazavan-tsaina anao, rehefa hanome fahefana anao amin’i Israely izy, mba hankatoavanao ny lalàn’i Iaveh Andriamanitrao.

13 Hoambinina ianao amin’izay, raha manampò tokoa ny hanaraka ny lalàna amam-pitsipika nandidian’i Iaveh an’i Môizy ho an’i Israely. Mahereza ary matokia fa aza matahotra na manam-badi-po.

14 Indro fa izaho nananosarotra mafy ka nahavonona izao, ho an’ny tranon’i Iaveh: talenta volamena 100.000, talenta volafotsy 1.000.000, ny varahina amam-by kosa tsy hita lanja intsony, noho ny habetsahany loatra. Efa nahavonona hazo amam-bato koa aho, ary mbola hampianao.

15 Ary indro mby eto aminao ny mpiasa be dia be, tambato, mpahay vato aman-kazo, olo-mahay amin’izao karazan’asa rehetra izao.

16 Ny volamena amam-bolafotsy sy ny varahina amam-by, izany efa tsy hita isa intsony. Koa mitsangàna, miasà, ary homba anao anie i Iaveh.»

17 Nandidy ny lehibe rehetra amin’i Israely koa i Davida hanampy an’i Salômôna zanany, ka hoy izy:

18 «Tsy momba anareo va i Iaveh Andriamanitrareo, ary moa tsy efa nomeny fandriam-pahalemana eo amin’ny manodidina rehetra va ianareo? Fa ny mponina amin’ny tany efa natolony teo an-tanako; ary ny tany efa nampanekena teo anoloan’i Iaveh, sy teo anoloan’ny vahoakany.

19 Koa ankehitriny araiketo amin’ny fitadiavana an’i Iaveh Andriamanitrareo ny fo amam-panahinareo, mitsangàna hanao ny fitoerana masina ho an’i Iaveh Andriamanitra, mba hitondra hankatỳ ny fiaran’ny faneken’i Iaveh mbamin’ny fanaka masin’Andriamanitra, ho ao amin’ny trano izay hatao ho an’ny Anaran’i Iaveh.»