Categories
1Tantara

1Tantara 23

Sokajin’ny Levita sy ny anjara asany

1 Nony efa tratra antitra sy feno andro i Davida, dia i Salômôna zanany no natsangana ho mpanjaka tamin’i Israely.

2 Novoriny avokoa ny lehibe tamin’i Israely mbamin’ny mpisorona sy ny Levita,

3 dia nisaina ny Levita hatramin’ny telopolo taona no miakatra, ka 38.000 no isan’ny vatan-dehilahy tsirairay avy.

4 Ary hoy i Davida: «Aoka ny 24.000 amin’izy ireo, hiadidy ny raharaha ao an-tranon’i Iaveh, ny enina arivo ho mpanoratra sy mpitsara,

5 ny 4.000 ho mpiandry varavarana, ary ny 4.000 ho mpidera an’i Iaveh amin’ny zava-maneno nataoko hankalazana Azy.»

6 Nozarain’i Davida ho antokony araka ny zanak’i Levỳizy ireo dia: i Gersôna, i Kaata, i Merarỳ.

7 Ny Gersônita, dia i Leedàna, sy i Semeià.

8 Zanaka lahin’i Leedàna: i Jahiela filohany, i Zetama sy i Joela, telo izy.

9 Zanaka lahin’i Semeià: i Salômita, i Hoziela ary i Aràna, telo izy. Ireo no loham-pianakaviana, avy amin’i Leedàna.

10 Zanaka lahin’i Semeià: i Leheta, i Zizà, i Jaosa ary i Barià, izy efatra ireo no zanaka lahin’i Semeià.

11 I Leheta no lohany, i Zizà no faharoa, i Jaosa sy i Barià vitsy zanaka lahy, ka nisaina ho antokony iray araka ny fianakaviany.

12 Zanaka lahin’i Kaata: i Amrama, i Isaara, i Hebrôna, ary i Oziela, efatra izy.

13 Zanaka lahin’i Amrama: i Aarôna sy i Môizy. Ary i Aarôna natokana hohamasinina indrindra, izy mbamin’ny taranany mandrakizay, mba hanolotra zava-manitra hanetona eo anatrehan’i Iaveh, hanao ny fanompoany ary hitso-drano ny olona amin’ny Anarany mandrakizay.

14 Ny amin’i Môizy, mpanompon’Andriamanitra kosa, dia nisaina anatin’ny fokon’i Levỳ ihany ny zanany.

15 Zanaka lahin’i Môizy: i Gersôma sy i Eleazara.

16 Zanaka lahin’i Gersôma: i Soboela filohany.

17 Ny zanaka lahin’i Eliezera, dia i Rohobià, filohany. Tsy nanan-janaka lahy hafa i Eliezera, nefa maro dia maro ny zanakalahin-dRohobià.

18 Zanaka lahin’i Isaara: i Salômita filohany.

19 Zanaka lahin’i Hebrôna: i Jeriao filohany, i Amariasa faharoa, i Jahaziela fahatelo ary i Jekmaama fahefatra.

20 Zanaka lahin’i Oziela: i Mika filohany, i Jesià faharoa.

21 Zanaka lahin’i Merarì: i Moholì sy i Mosì.

22 Zanaka lahin’i Moholì: i Eleazara sy i Kisa, Maty tsy nitera-dahy i Eleazara, fa vavy ihany, ary nalain’ny zanak’i Kisa, rahalahiny, ho vady ireo.

23 Zanaka lahin’i Mosì: i Moholì, i Edera ary i Jerimota, telo lahy izy.

24 Ireo no zanaka lahin’i Levì araka ny fianakaviany, ny loham-pianakaviana, araka ny nanisana azy, voaisa isan’olona, voatonona anarana, izay nanao fanompoana tao an-tranon’i Iaveh hatramin’ny roapolo taonano ho miakatra.

25 Fa hoy i Davida: «I Iaveh Andriamanitr’i Israely efa nanome fitsaharana ny vahoakany, ka honina mandrakizay eto Jerosalema.

26 Ary ny Levita efa tsy hitondra ny Fonenana mbamin’ny fanaka rehetra, fanaovana ny fanompoana momba azy intsony.»

27 Koa araka ny didy farany avy amin’i Davida no nanisana ny taranak’i Levì, hatramin’ny roapolo taona no ho miakatra.

28 Fa ny raharahany dia ny manolo-tena hoentin’ny taranak’i Aarôna, amin’ny fanompoana ao an-tranon’i Iaveh, ny amin’ny momba ny kianja aman’efitrano, ny fanadiovana ny zavatra masina, ary ny raharaha momba ny fanompoana ao an-tranon’i Iaveh;

29 ny amin’ny mofo alahatra, sy lafarina tsara indrindra hatao fanatitra, ny mofo manify tsy misy lalivay, ny endasina amin’ny lapoaly sy ny zavatra voaharo, ny zavatra fandanja amam-pamàtra rehetra.

30 Anjarany ny tonga miseho isa-marain-tsy hariva hankalaza sy hidera an’i Iaveh,

31 sy hanatitra ny sorona dorana rehetra amin’i Iaveh, amin’ny andro sabata na amin’ny voalohan’ny volana, na amin’ny fety, araka ny isany voadidy hatao mandrakariva eo anatrehan’i Iaveh.

32 Azy ireo ny mikarakara ny fitandremana ny trano lay fihaonana, ny fitandremana ny zavatra masina, ny fitandremana ireo taranak’i Aarôna, rahalahiny, amin’ny momba ny fanompoana ao an-tranon’i Iaveh.

Categories
1Tantara

1Tantara 24

Sokajin’ny mpisorona

1 Ny amin’ny taranak’i Aarôna, dia izao no antokony, zanaka lahin’i Aarôna: i Nadaba, i Abiò, i Eleazara sy i Itamara.

2 I Nadaba sy i Abiò, maty talohan-drainy, tsy nitera-dahy, ary i Eleazara sy i Itamara nanao ny raharahan’ny fisoronana.

3 I Davida, i Sadôka taranak’i Eleazara, sy i Akimeleka taranak’i Itamara, dia nizarazara ny taranak’i Aarôna ho antokotokony arakaraka ny fanompoany.

4 Nisy lohany maromaro kokoa noho ny taranak’i Itamara, ny taranak’i Eleazara, ka dia toy izao no nizarana azy: loham-pianakaviana 16 ny tamin’ny taranak’i Eleazara, ary loham-pianakaviana 8 ny tamin’ny taranak’i Itamara.

5 Samy natao tamin’ny filokàna ny fizarazarana azy ireo avy, satria na ny tamin’ny taranak’i Eleazara na ny tamin’ny taranak’i Itamara, dia samy nisy filohany momba ny fitoerana masina, sy filohany amin’ny momba an’Andriamanitra.

6 I Semeiàsa zanak’i Natanaely mpanoratra, anankiray tamin’ny Levita, no nandatsaka an-tsoratra azy ireo, teo anatrehan’ny mpanjaka sy ny filohany, teo anatrehan’i Sadôka mpisorona, sy i Akimeleka zanak’i Abiatara, ary teo anatrehan’ny loham-pianakavian’ny mpisorona sy ny Levita; amin’ny filokana maka fianakaviana iray avy amin’i Eleazara, dia iray avy amin’i Itamara.

7 Azon’i Joiariba ny loka voalohany, an’i Jedeià ny faharoa,

8 an’i Harima ny fahatelo, an’i Seôrima ny fahefatra,

9 an’i Melkià ny fahadimy, an’i Maimàna ny fahenina,

10 an’i Akôsa ny fahafito, an’i Abià ny fahavalo,

11 an’i Jesoà ny fahasivy, an’i Sekeniaò ny fahafolo,

12 an’i Eliasiba ny faha-11, an’i Jakima ny faha-12,

13 an’i Hopfà ny faha-13, an’i Isbaaba ny faha-14,

14 an’i Belgà ny faha-15, an’i Emera ny faha-16

15 an’i Hezira ny faha-17, an’i Afresa ny faha-18,

16 an’i Feteià ny faha-19, an’i Hezekiela ny faha-20,

17 an’i Jakina ny faha-21, an’i Gamola ny faha-22,

18 an’i Dalajao ny faha-23, an’i Maziao ny faha-24.

19 Toy izany no antokony nizarazarana azy ireo, araka ny fanompoany, mba ho tonga ao an-tranon’i Iaveh, araka ny fandaharana nomena azy, tamin’ny alalan’i Aarôna, rainy, araka ny didy nomen’i Iaveh Andriamanitr’i Israely azy.

20 Izao kosa ny amin’ny filohan’ny Levita sisa: tamin’ny taranak’i Amrama i Sobaela, tamin’ny taranak’i Sobaela i Jehedeià;

21 tamin’ny taranak’i Rohobià i Jesiasa filohany;

22 tamin’ny Isaarita i Salemôta, tamin’ny taranak’i Salemôta i Jahata.

23 Zanaka lahin’i Hebrôna: i Jerià no voalohany, i Amariasa faharoa, i Jahaziela fahatelo, i Jekmaàna fahefatra.

24 Zanaka lahin’i Oziela: i Mikà, tamin’ny taranak’i Mikà i Samira.

25 Rahalahin’i Mikà: i Jesià, zanak’i Jesià i Zakariasa.

26 Zanaka lahin’i Merarỳ: i Moholỳ sy i Mosỳ; zanaka lahin’i Merarỳ tamin’i Oziao zanany: i Saama, i Zakora ary i Hebrỳ.

27 Avy amin’i Moholỳ, i Eleazara izay tsy nitera-dahy;

28 avy amin’i Kisa, ny zanaka lahin’i Kisa: i Jerameela.

29 Zanaka lahin’i Mosỳ: i Moholỳ, i Edera ary i Jerimota.

30 Ireo no taranak’i Levỳ, araka ny fianakaviany avy. Izy ireo koa toraka ireo taranak’i Aarôna rahalahiny, dia nanao ny filokànateo anatrehan’i Davida mpanjaka sy i Sadôka, sy i Akimeleka, mbamin’ireo loham-pianakavian’ny mpisorona sy ny Levita, dia natao mitovy amin’ny zokiny ela indrindra, ny zandriny vao haingana indrindra.

Categories
1Tantara

1Tantara 25

Ireo mpihira

1 Natokan’i Davida sy ireo komandin’ny tafika, hanaovana ny fanompoana, ny sasany amin’ny taranak’i Asafa sy i Hemàna ary i Iditona izay naminany tamin’ny harpa aman-dokanga ary kipantsona. Izao no isan’ireo izay manana anjara raharaha amin’ny fanompoana.

2 Amin’ny zanaka lahin’i Asafa: i Zakora, i Josefa, i Natanià ary i Asarelà, ireo no zanaka lahin’i Asafa, tarik’i Asafa, naminany araka ny didy avy amin’ny mpanjaka.

3 Amin’i Iditona, ny zanaka lahin’i Iditona: i Godohiasa, i Sorỳ, i Jereiasa, i Hasabiasa, i Matatiasa, ary i Semeià, enina izy araka ny didin’i Iditona rainy, izay naminany tamin’ny lokanga hidera sy hankalaza an’i Iaveh.

4 Amin’i Hemàna, ny zanaka lahin’i Hemàna: i Boksiao, i Mataniaò, i Ozilea, i Soboela, i Jerimota, i Hanaiasa, i Hananỳ, i Eliata, i Gedeltỳ, i Rômentiezera, i Jesbakasà, i Melotì, i Otira, ary i Mahaziôta.

5 Izy rehetra ireo dia zanaka lahin’i Hemàna, izay mpahitan’ny mpanjaka, amin’ny tenin’Andriamanitra, hankalaza ny fahefany. Zazalahy 14 sy zazavavy telo no nomen’Andriamanitra an’i Hemàna.

6 Ireo Levita rehetra ireo dia samy notarihin’ny rainy avy, hanao ny hira ao an-tranon’i Iaveh, ka nanana kipantsona sy lokanga ary harpa, hanaovana ny fanompoana ao an-tranon’Andriamanitra, eo ambany fifehezan’i Davida sy i Asafa ary i Iditona sy i Hemàna.

7 Ny isan’izy ireo, mbamin’ny rahalahiny, izay efa nianatra nihira ho an’i Iaveh, izay rehetra efa nahay tsara, dia 288.

8 Filokana no nataon’izy ireo na kely na lehibe na ny mpampianatra na ny mpianatra, ny amin’ny anjara raharahany.

9 Ny loka voalohany, amin’ireo an’i Asafa, dia nahazo an’i Josefa; ny faharoa, an’i Godoliasa; izy mbamin’ireo rahalahiny sy ny zanany lahy: 12;

10 ny fahatelo, an’i Zakora mbamin’ireo zanany aman-drahalahiny: 12;

11 ny fahefatra an’i Isarì mbamin’ireo zanany aman-drahalahiny: 12;

12 ny fahadimy an’i Nathanià, mbamin’ireo zanany aman-drahalahiny: 12;

13 ny fahenina an’i Boksiao mbamin’ireo zanany aman-drahalahiny: 12;

14 ny fahafito an’i Israely mbamin’ireo zanany aman-drahalahiny: 12;

15 ny fahavalo an’i Jesaiasa mbamin’ireo zanany aman-drahalahiny: 12;

16 ny fahasivy an’i Mataniasa, mbamin’ireo zanany aman-drahalahiny: 12;

17 ny fahafolo an’i Semeiàsa mbamin’ireo zanany aman-drahalahiny: 12;

18 ny faha-11, an’i Azareela mbamin’ireo zanany aman-drahalahiny: 12;

19 ny faha-12, an’i Hasabiasa mbamin’ireo zanany aman-drahalahiny: 12;

20 ny faha-13, an’i Soboela mbamin’ireo zanany aman-drahalahiny: 12;

21 ny faha-14, an’i Matatiasa, mbamin’ireo zanany aman-drahalahiny: 12;

22 ny faha-15, an’i Jerimota mbamin’ireo zanany aman-drahalahiny: 12;

23 ny faha-16, an’i Hananiasa mbamin’ireo zanany aman-drahalahiny: 12;

24 ny faha-17, an’i Jesbakasà mbamin’ireo zanany aman-drahalahiny: 12;

25 ny faha-18, an’i Hananì mbamin’ireo zanany aman-drahalahiny: 12;

26 ny faha-19, an’i Melotì mbamin’ireo zanany aman-drahalahiny: 12;

27 ny faha-20, an’i Eliatà, mbamin’ireo zanany aman-drahalahiny: 12;

28 ny faha-21, an’i Otira mbamin’ireo zanany aman-drahalahiny: 12;

29 ny faha-22, an’i Gedeltì, mbamin’ireo zanany aman-drahalahiny: 12;

30 ny faha-23, an’i Mahaziôta mbamin’ireo zanany aman-drahalahiny: 12;

31 ny faha-24, an’i Rômentiezera mbamin’ireo zanany aman-drahalahiny: 12.

Categories
1Tantara

1Tantara 26

Ireo mpiandry varavarana

1 Izao avy no antokon’ny mpiandry varavarana:

Tamin’ny Kôreita: i Meselemià zanak’i Kôre, avy amin’ny zanak’i Asafa.

2 Zanaka lahin’i Meselemià: i Zakariasa lahimatoa, i Jadihela faharoa, i Zabadiasa fahatelo, i Jatanaela fahefatra;

3 i Elama fahadimy, i Johanàna fahenina, i Eliôenaì fahafito.

4 Zanaka lahin’i Obededôma: i Semeiàsa lahimatoa, i Jôzabada faharoa, i Jôahà fahatelo, i Sakara fahefatra, i Natanaely fahadimy,

5 i Amiela fahenina, i Isakara fahafito, i Folatì fahavalo: fa nohasoavin’Andriamanitra i Obededôma.

6 I Semeiàsa zanany lahy niteraka zazalahy, izay samy tonga filohany tamin’ny fianakavian-drainy, fa lehilahy mahery fo izy ireo.

7 Zanaka lahin’i Semeiàsa: i Otnì, i Rafaely, i Obeda, i Elzabada mbamin’ireo rahalahiny, samy lehilahy mahery fo, ary i Eliò sy i Samakiasa.

8 Ireo rehetra ireo, dia samy zanak’i Obededôma; 62 izy mbamin’ny zanany aman-drahalahiny no avy amin’i Obededôma, samy lehilahy matanjaka sy be herim-po amin’ny fanompoana.

9 Nanan-janaka aman-drahalahy i Meselemià, izay samy lehilahy mahery fo; 18 izy.

10 Amin’ny taranak’i Merarì, i Hosananan-janaka, dia i Semrì filohany; tsy mba lahimatoa izy nefa natsangan-drainy ho lohany,

11 I Helkiasa faharoa, i Tabeliasa fahatelo, i Zakariasa fahefatra. 13 izy no tontalin’ny zanaka aman-drahalahin’i Hosa.

12 Ireo antokon’ny mpiandry varavarana ireo, ny filohan’izany lehilahy izany, dia samy nanan-draharaha tamin’ny fanompoana tao an-tranon’i Iaveh, teo an’ilan’ireo rahalahiny.

13 Nanao filokàna ny amin’ny isam-baravarana avy izy, na ny kely na ny lehibe, araka ny fianakaviany avy.

14 Ka azon’i Selemiasa ny loka ny amin’ny lafiny atsinanana. Dia natao ny loka ho an’i Zakariasa zanany izay mpanolo-tsaina hendry, ka ny amin’ny lafiny avaratra no azony.

15 Ny amin’ny lafiny atsimo, azon’i Obededôma, ary ny trano fitahirizana, an’ny zanany.

16 Ny amin’ny lafiny andrefana, akaikin’ny vavahady Sikaleketa amin’ny lalana miakatra, azon’i Sefima sy i Hosa: nifanandrify ny antoko-mpiambina.

17 Nisy Levita enina any atsinanana, efatra isan’andro any avaratra, efatra isan’andro any atsimo, efatra tamin’ny trano fitahirizana, tsiroaroa;

18 amin’ny lafin’ny trano fanampiny, any andrefana: efatra tamin’ny lalana, roa tamin’ny trano fanampiny.

19 Toy izany no nanokotokoana ny mpiandry varavarana, amin’ny taranak’i Kôreita sy ny taranak’i Merarỳ.

Asa hafa hataon’ny Levitika

20 Ny Levita rahalahin’ireo, no tonian’ny rakitry ny tranon’Andriamanitra, sy ny rakitr’ireo zavatra voahasina.

21 Amin’ny taranak’i Ledàna, izany hoe: ny taranaky ny Gersônita avy amin’i Ledàna loham-pianakavian’i Ledàna Gersônita, dia i Jehiela;

22 ny zanak’i Jehiela, i Zatàna sy i Joela rahalahiny no tonian’ny rakitry ny tranon’i Iaveh.

23 Tamin’ny Amramita, ny Isaarita, ny Hebrônita ary ny Ozihelita,

24 dia i Soboela zanak’i Gersôna zanak’i Môizy, no toniany ambony indrindra amin’ny rakitra.

25 Tamin’ireo rahalahiny avy amin’i Eliezera, izay nanan-janaka an’i Rahabià, izay nanan-janaka an’i Isaiasa, izay nanan-janaka an’i Jôrama, izay nanan-janaka an’i Zekri, izay nanan-janaka an’i Selemita,

26 dia i Selemita mbamin’ireo rahalahiny no tonian’ny rakitr’ireo zavatra masina rehetra, izay natokan’i Davida mpanjaka sy ny loham-pianakaviana, mbamin’ny tomponarivo sy tompon-jato, ary ny filohan’ny tafika.

27 Ny babo azo tamin’ny ady no nanokanan’izy ireo izany hoenti-miahy ny tranon’i Iaveh.

28 Ny zavatra rehetra natokan’i Samoela mpahita, i Saola zanak’i Kisa, i Abnera zanak’i Nera, i Jôaba zanak’i Sarvià sy ny olon-kafa na iza na iza dia teo am-pelatanan’i Selemita mbamin’ireo rahalahiny avokoa.

29 Tamin’ny Isaarita, dia i Koneniasa mbamin’ireo zanany no voatendry ho amin’ny raharaha ivelany amin’i Israely, ho mpanoratra sy mpitsara.

30 Tamin’ny Hebrônita, dia i Hasabiasa mbamin’ireo rahalahiny samy lehilahy mahery fo, 1.700 no isany, no nifehy an’i Israely teny an-dafin’i Jordany any andrefana, amin’ny raharaha rehetra momba an’i Iaveh sy ny fanompoana ny mpanjaka.

31 Tamin’ny Hebrônita dia i Jerià no lohany. Ny amin’ny Hebrônita araka ny tetiarana isam-pianakaviana dia nisy fikarohana natao tamin’ny taona fahefapolo nanjakan’i Davida ka nahitana lehilahy mahery teo amin’izy ireo tao i Jazera any Galaada,

32 mbamin’ny rahalahiny, lehilahy maherin’ny 1.700, samy loham-pianakaviana. Ary notendren’i Davida mpanjaka izy ireo hifehy ny Robenita sy ny Gadita ary ny antsasa-pokon’i Manase, amin’ny raharahan’Andriamanitra rehetra sy ny raharahan’ny mpanjaka.

Categories
1Tantara

1Tantara 27

Fandaminana ny tafika sy ny fiainam-bahoaka

1 Ny zanak’i Israely, araka ny isany avy, loham-pianakaviana, tomponarivo, tompon-jato, manamboninahitra amin’ny fanompoana ny mpanjaka, amin’ny zavatra rehetra momba ny isan-tokony, na ny tonga na ny miainga, isam-bolana, mandritra ny volana rehetra amin’ny taona, 24.000 no isan’ny antokony iray, – dia ireto:

2 I Jerôbôama zanak’i Zabdiela, no lohan’ny antokony voalohany ho amin’ny volana voalohany, 24.000 no isan’ny antokony.

3 Isan-taranak’i Faresa izy, ary nifehy ny lehibe rehetra isan-tokony, amin’ny volana voalohany.

4 I Dôdià Ahôhita no lohan’ny antokony amin’ny volana faharoa, i Makelôta andriandahy no isan’ny lehibe tamin’ny antokony; 24.000 no isan’ny antokony.

5 I Banaiasa zanak’i Jôiadà filohany no lohan’ny antokony fahatelo, ho amin’ny volana fahatelo, ary 24.000 no isan’ny antokony.

6 Io no ilay Banaiasa lehilahy mahery amin’ny Telopolo lahy, sady mpitarika ny Telopolo lahy. I Amizabada zanany dia mpifehy tamin’ny antokony.

7 I Asaela rahalahin’i Jôaba no fahefatra ho amin’ny volana fahefatra, ary i Zabadiasa zanany no manarakaraka azy, 24.000 no isan’ny antokony.

8 I Samaòta filohany, Izrahita no fahadimy, ho amin’ny volana fahadimy ary 24.000 no isan’ny antokony.

9 I Hirà, zanak’i Aksesa avy any Tekôe no fahenina ho amin’ny volana fahenina, ary 24.000 no isan’ny antokony.

10 I Helesa, Falônita, isan-taranak’i Efraima no fahafito, ho amin’ny volana fahafito, ary 24.000 no isan’ny antokony.

11 I Sobokay, Hosatita, amin’ny fianakavian’i Zarahita no fahavalo ho amin’ny volana fahavalo, ary 24.000 no isan’ny antokony.

12 I Abiezera avy any Anatôta isan-taranak’i Benjamina no fahasivy, ary 24.000 no isan’ny antokony.

13 I Maraì avy any Netofà amin’ny fianakavian’i Zarahita no faha-10, ho amin’ny volana faha-10, ary 24.000 no isan’ny antokony.

14 I Banaiasa avy any Faratôna, isan-taranak’i Efraima no faha-11, ary 24.000 no isan’ny antokony.

15 I Holdaì avy any Netofà, amin’ny fianakavian’i Otoniela, no faha-12, ho amin’ny volana faha-12, ary 24.000 isan’ny antokony.

16 Izao kosa no lohan’ny fokon’iIsraely: amin’ny Robenita, i Eliezera zanak’i Zekri; amin’ny Simeônita, i Safatiasa zanak’i Maakà;

17 amin’ny Levita: i Hasabiasa zanak’i Kamoela; amin’ny fianakavian’i Aarôna, i Sadôka;

18 amin’i Jodà, i Eliò rahalahin’i Davida; amin’i Isakara, i Amrì zanak’i Mikaela;

19 amin’i Zabolôna, i Jesmaiasa zanak’i Abdiasa; amin’i Neftalì, i Jerimota zanak’i Osriela;

20 amin’i taranak’i Efraima: i Osea zanak’i Ozazio; amin’ny antsasam-pokon’i Manase, i Joela zanak’i Fadaiasa;

21 amin’ny antsasam-pokon’i Manase any Galaada, i Jadô zanak’i Zakariasa; amin’i Benjamina, i Jasiela zanak’i Abnera;

22 amin’i Dana, i Ezriela zanak’i Jerôhama. Ireo no lohan’ny fokon’i Israely.

23 Tsy nisain’i Davida ny hatramin’ny roapolo taona no midina, satria efa nolazain’i Iaveh fa hampitombo an’i Israely ho tahaka ny kintana amin’ny lanitra Izy.

24 Efa nanomboka ny fanisana i Jôaba zanak’i Sarvià, fa tsy nahatapitra izany, satria azon’ny hatezeran’i Iaveh noho izany i Israely ka ny isa efa hita dia tsy voasoratra ao amin’ny rejistry ny tantaran’i Davida mpanjaka.

25 I Asmota zanak’i Adiela no tonian’ny rakitry ny mpanjaka, i Jonatàna zanak’i Oziasa no amin’ny rakitra, na an-tsaha na an-tanàna, na amin’ny zana-bohitra na amin’ny tilikambo;

26 i Ezrỳ zanak’i Keloba no amin’ny mpiasa any an-tsaha, miasa ny tany;

27 i Semeià avy any Ramà no amin’ny tanimboaloboka; i Zabdiasa avy any Safama no amin’ny divay voavory any amin’ny tanimboaloboka;

28 i Balanàna avy any Gederà no amin’ny ôliva sy ny aviavy any amin’ny Sefelà; i Jôasa no amin’ny diloilo voavory;

29 i Setraì avy any Sarôna no amin’ny omby andrasana any Sarôna; i Safàta zanak’i Adlì no amin’ny omby eny an-dohasaha;

30 i Obila Ismaelita no amin’ny rameva, i Jadiasa avy any Merônata no amin’ny ampondravavy;

31 i Jaziza Agarenianina no amin’ny ondry. Ireo rehetra ireo no tonian’ny fananan’i Davida mpanjaka.

32 I Jonatàna, rahalahin-drain’i Davida, dia mpanolo-tsaina, lehilahy hendry sy be fahalalana izy; i Jahiela, zanak’i Hakamonì, no teo amin’ny zanaky ny mpanjaka.

33 I Akitôfela dia mpanolo-tsaina ny mpanjaka, ary i Kosaì, Arkeanina, dia sakaizan’ny mpanjaka;

34 manarakaraka an’i Akitôfela dia i Jôiadà, zanak’i Banaiasa, sy i Abiatara. I Jôaba no komandin’ny tafiky ny mpanjaka.

Categories
1Tantara

1Tantara 28

Hafatrafatr’i Davida momba ny Tempoly

1 Novorin’i Davida tany Jerosalema avokoa ny lehibe amin’i Israely, dia ny lohan’ny foko, ny lehiben’ny antokony manompo ny mpanjaka, ny tomponarivo, ny tompon-jato, ny tonian’ny fananana sy ny biby fiompin’ny mpanjaka, sy ny zanany mbamin’ny mpitandrina sy ny olo-mahery, ny miaramila mahery rehetra.

2 Dia nitsangana i Davida mpanjaka ka nanao hoe:

«Mihainoa ahy, ry rahalahiko amam-bahoakako! Izaho efa nikendry ny hanao trano fitsaharana ho an’ny fiaran’ny Faneken’i Iaveh sy ho fandiavan-tongotry ny Andriamanitsika, sady namonona no ho enti-manao izany.

3 Fa hoy Andriamanitra tamiko: ‹Tsy hanao trano ho an’ny Anarako ianao, fa lehilahy mpiady ary mpandatsa-dra.›

4 Nofidin’i Iaveh Andriamanitr’i Israely aho tamin’ny ankohonan’ny raiko rehetra, ho mpanjaka amin’i Israely mandrakizay. Satria i Jodà no nofidiny ho mpanjaka, ary tamin’ny taranak’i Jodà, ny ankohonan’ny raiko no nofidiny ho mpanjaka, izaho no nankasitrahany hampanjakainy amin’i Israely.

5 Tamin’ny zanako rehetra kosa, – fa nomen’i Iaveh zanaka maro aho, – i Salômôna zanako no nofidiny, mba hampipetraka azy amin’ny seza fiandrianan’ny fanjakan’i Iaveh amin’i Israely.

6 Hoy Izy tamiko: I Salômôna zanakao no hanao ny tranoko sy ny kianjako; fa nofidiko ho zanako izy; ary toy ny ray ho azy Aho.

7 Hohamafisiko ho mandrakizay ny fanjakany, raha mifikitra amin’ny fanarahana ny didiko amam-pitsipiko, tahaka ny amin’izao anio izao, izy.

8 Ary ankehitriny, eto imason’i Israely rehetra, fiangonan’i Iaveh, sy eto anatrehan’ny Andriamanitsika, izay mandre antsika, dia araho sy tandremo tsara ny didin’i Iaveh Andriamanitrareo rehetra, mba hanananareo ity tany soa ity, sy hamindranareo azy ho lovan’ny fara mandimby anareo mandrakizay.

9 Ary ianao, ry Salômôna, zanako, mahalalà ny Andriamanitry ny rainao, ka manompoa Azy amin’ny fo mazava sy amin’ny fanahy mazoto, fa i Iaveh dia mandinika ny fo rehetra sy maninteraka ny hevitry ny saina rehetra. Raha mitady Azy ianao, dia hety ho hitanao Izy; fa raha mandao Azy kosa ianao, dia hariany mandrakizay.

10 Diniho àry izao, fa nofidin’i Iaveh ianao, hanao trano ho fitoerany masina, ka mahereza sy miasà.»

11 Dia nomen’i Davida an’i Salômôna zanany ny mariky ny alo-baravarana, ny trano, ny efitry ny rakitra, ny efitra ambony, ny efitra anatiny miray amin’io, ny efitry ny fanoneram-pahotana,

12 mbamin’ny marika rehetra izay efa tao an-tsainy, momba ny kianjan’ny tranon’i Iaveh sy ny efitra rehetra amin’ny manodidina, ho an’ny rakitry ny tranon’Andriamanitra sy ny rakitry ny fitoerana masina,

13 ho an’ny antokon’ny mpisorona sy ny Levita, ho an’ny raharaha rehetra momba ny fanompoana ao an-tranon’i Iaveh.

14 Ny mariky ny fanaka volamena, mbamin’ny lanjan’ny volamena hanaovana ny fanaka rehetra isan-tokom-panompoana; ny mariky ny fanaka volafotsy rehetra, mbamin’ny lanjany hanaovana ny fanaka rehetra isan-tokom-panompoana;

15 ny lanjan’ny fanaovan-jiro volamena mbamin’ny lalampy volamena momba azy, araka ny lanjany isam-panaovan-jiro sy isan-dalampy momba azy; ary ny lanjan’ny fanaovan-jiro volafotsy, araka ny lanjany isam-panaovan-jiro;

16 ny lanjan’ny volamena hanaovana ny latabatry ny mofo alahatra, isan-databatra; ny volafotsy hanaovana ny latabatra volafotsy;

17 ny mariky ny fitrebika, ny jôgy, ny kôpy volamena madio, ny siny volamena, mbamin’ny lanjany avy isan-tsiny; ny siny volafotsy, mbamin’ny lanjany avy isan-tsiny;

18 ny môdelin’ny ôtelin’ny zava-manitra hatao amin’ny volamena voadio, araka ny lanjany; ny môdelin’ny kalesin’Andriamanitra, ny kerobima volamena mivelatra elatra manarona ny fiaran’ny faneken’i Iaveh.

19 «Izany rehetra izany», hoy i Davida, «ny asa rehetra amin’izany marika izany, dia nampahafantarin’i Iaveh ahy, tamin’ny soratra nosoratan’ny tanany, tonga atỳ amiko.»

20 Ary hoy i Davida tamin’i Salômôna zanany: «Matanjaha! Mahereza! Miasà! Ary aza matahotra na manam-badi-po, fa i Iaveh Andriamanitra, Andriamanitro homba anao; tsy handao anao Izy, na hahafoy anao, mandra-pahavitan’ny asa rehetra momba ny fanompoana ao an-tranon’i Iaveh.

21 Indreo homba anao ny antokon’ny mpisorona sy ny Levita ho amin’ny fanompoana rehetra ao an-tranon’Andriamanitra; homba anao, hahavitana izao karazan’asa rehetra izao, ireo olo-mazoto sy mahay, hanaovana ny taozavatra rehetra; ary koa ny lehibe sy ny vahoaka vonon-kanatanteraka ny didinao rehetra.»

Categories
1Tantara

1Tantara 29

Ireo fanatitra

1 Ary hoy i Davida mpanjaka tamin’ny fiangonana rehetra: «I Salômônazanako, ilay hany nofidin’Andriamanitra, dia mbola tanora sy osa, ary ny asa hatao dia lehibe, fa tsy lapa ho an’olombelona ity, fa ho an’i Iaveh Andriamanitra.

2 Nanao izay tratry ny aiko aho namonona izay hanaovana ny tranon’Andriamanitra, dia volamena hanaovana ny fanaka volamena, volafotsy hanaovana ny fanaka volafotsy, varahina hanaovana ny fanaka varahina, vy hanaovana ny fanaka vy, hazo hanaovana ny fanaka hazo, vato berila sy vato fandatsaka an-tranontranony, vato fanao ravaka sy samihafa volo, vato soa isan-karazany, ary vato marbra ankabetsahany.

3 Ary koa, noho ny fitiavako ny tranon’Andriamanitra, izay volamena sy volafotsy ananako dia omeko hatao amin’ny tranon’Andriamanitra, ho fanampin’izay rehetra nomaniko hanaovana ny fitoerana masina,

4 dia talenta volamena 3.000, ny volamena avy any Ofira; talenta volafotsy voadio 7.000, hapetraka amin’ny atin’ny rindrin’ny efitrano;

5 ny volamena hanaovana fanaka volamena, ny volafotsy hanaovana fanaka volafotsy, mbamin’izay asa samihafa rehetra hataon’ny tanan’ny mpanao taozavatra. Iza àry no mba mazoto hanome fanatitra an-tsitrapo koa anio, ho an’i Iaveh?»

6 Dia nanolotra fanatitra an-tsitrapo ny loham-pianakaviana, ny loham-pokon’i Israely, ny tomponarivo, ny tompon-jato ary ny tonian-draharahan’ny mpanjaka.

7 Ka izao no nomeny hanaovana ny asa amin’ny tranon’Andriamanitra: talenta volamena 5.000, darìka10.000, talenta volafotsy 10.000, talenta varahina 18.000, talenta vy iray 100.000.

8 Izay nanam-bato soa, nanolotra izany teo am-pelatanan’i Jahiela Gersônita, ho rakitry ny tranon’i Iaveh.

9 Nahafaly ny vahoaka ny fanatiny an-tsitrapo, satria tamim-po mazava no nanaovany an’izany fanatitra izany ho an’i Iaveh. I Davida mpanjaka koa faly dia faly tamin’izany.

10 Dia nisaotra an’i Iaveh teo anatrehan’ny fiangonana rehetra i Davida, ka hoy i Davida: «Hisaorana mandrakizay mandrakizay anie Ianao, ry Iaveh, Andriamanitr’i Israely rainay.

11 Anao, ry Iaveh, ny fahalehibeazana, ny fahefana, ny fahamendrehana, ny famirapiratana ary ny voninahitra; fa Anao izay rehetra any an-danitra sy etỳ an-tany; Anao, ry Iaveh, ny fanjakana, Anao ny fisandratana ambony lavitra noho ny zavatra rehetra!

12 Ianao no iavian’ny harena amam-boninahitra, Ianao no manjaka amin’izao rehetra izao, eo an-tananao ny hery amam-pahefana, ary ny tananao no manome ny halehibeazana amam-pahamafisana ny zavatra rehetra.

13 Koa ankehitriny, ry Andriamanitray ô, Ianao no derainay, ary ny Anaranao be voninahitra no ankalazainay.

14 Fa zinona moa aho, ary zinona ny vahoakako no hanam-pahefana sy hery mba hanao an-tsitrapo fanatitra toy izao? Ianao no iavian’ny zavatra rehetra, ary ny noraisinay avy teo an-tananao ihany no natolotray Anao.

15 Ka izahay dia vahiny sy voanjo ihany eo anatrehanao, tahaka ny razanay rehetra; ary ny andronay eto an-tany dia tahaka ny aloka ihany, ka tsy misy azo antenaina.

16 Ry Iaveh Andriamanitray ô, izao harena rehetra novononinay hanaovan-trano ho Anao, ho an’ny Anaranao masina izao, dia ny tananao no iaviany, Anao ny zavatra rehetra.

17 Fantatro, ry Andriamanitra ô, fa mandinika ny fo Ianao, ary tia ny hitsim-po, ka an-tsitrapo no nanaovako izao fanatitra rehetra izao amin’ny fahitsian’ny foko; ary amin-kafaliana koa ankehitriny no ahitako ny vahoakako etoana, samy manolotra an-tsitrapo ny fanatiny ho Anao.

18 Ry Iaveh, Andriamanitr’i Abrahama sy i Isaaka ary i Israely razanay ô, tahirizo mandrakizay izany mba ho fomban’ny hevitra ao am-pon’ny vahoakanao, ary tano hitodika aminao ny fony.

19 I Salômôna zanako, omeo fo mazava hitandrina ny didinao amam-pitsipikao sy lalànao, mba hanarahany azy rehetra, sy hanaovany ny lapa izay efa namononako zavatra.»

20 Ny fiangonana rehetra koa nilazan’i Davida hoe: «Samia ianareo misaotra an’i Iaveh Andriamanitrareo.» Ka dia nisaotra an’i Iaveh Andriamanitry ny razany, ny fiangonana rehetra, sady niondrika izy ireo, sy niankohoka teo anatrehan’i Iaveh sy teo anatrehan’ny mpanjaka.

Ny nanandratana an’i Salômôna sy ny nahafatesan’i Davida

21 Ny ampitson’izany andro izany, dia namono zavatra natao sorona ho an’i Iaveh izy ireo, sy nanolotra sorona dorana ho an’i Iaveh: ombalahy arivo, ondralahy arivo, ary zanak’ondry arivo, mbamin’ny fanatitra araraka fanao, ary sorona hafa be dia be, ho an’i Israely rehetra.

22 Nihinana sy nisotro teo anatrehan’i Iaveh tamin-kafaliana lehibe izy ireo, tamin’izay andro izay. I Salômôna zanak’i Davida nantsoiny ampahibemaso fanindroany ho mpanjaka sy nohosorany ho mpanapaka teo anatrehan’i Iaveh, ary i Sadôka koa nohosorany ho mpisorona.

23 Nipetraka teo amin’ny seza fiandrianan’i Iaveh i Salômôna, ho mpanjaka dimbin’i Davida rainy, sady nambinina izy ary nankatoavin’i Israely rehetra.

24 Nanoa an’i Salômôna mpanjaka avokoa ny mpifehy sy ny lehilahy mahery rehetra, hatramin’ireo zanak’i Davida mpanjaka rehetra.

25 Ny fiandrianan’i Salômôna nasandratr’i Iaveh ho ambony indrindra teo imason’i Israely rehetra, ny fanjakany nomeny voninahitra mihoatra noho ny an’ny mpanjaka talohany teo amin’i Israely rehetra.

26 Nanjaka tamin’i Israely rehetra i Davida zanak’i Isaia.

27 Efapolo taona no andro nanjakany tamin’i Israely: fito taona izy nanjaka tao Hebrôna, ary 33 taona tao Jerosalema.

28 Efa tratra antitra tsara sady voky andro sy harena amam-boninahitra izy vao maty, ary i Salômôna zanany no nanjaka nandimby azy.

29 Ny asan’i Davida mpanjaka, na ny voalohany na ny farany, dia indro fa voasoratra ao amin’ny tantaran’i Samoela mpahita sy amin’ny tantaran’i Natàna mpaminany, ary amin’ny tantaran’i Gada mpahita, mbamin’ny zava-drehetra momba ny fanjakany, sy ny asa nataony tamin-kerim-po sy ny fiovaovan-toetra nahazo azy sy nahazo an’i Israely sy ny fanjakana rehetra an-tany hafa.

Categories
2Tantara

2Tantara 1

I Salômôna nomen’Andriamanitra ny fahendrena

1 Niorina mafy tamin’ny fanjakana i Salômôna zanak’i Davida; nomba azy i Iaveh Andriamaniny, ka nanandratra azy ho amin’ny ambaratonga ambony indrindra.

2 Ary nisy didy nomen’i Salômôna ho an’i Israely rehetra, dia ny tomponarivo, ny tompon-jato, ny mpitsara, ny filohany rehetra teo amin’i Israely ary ny loham-pianakaviana.

3 Ka niara-niakatra tamin’ny fiangonana rehetra i Salômôna ho any amin’ny fitoerana avo any Gabaôna. Fa tao ny trano lay fihaonan’Andriamanitra nataon’i Môizy, mpanompon’i Iaveh, tany an’efitra;

4 ny fiaran’Andriamanitra kosa efa nafindran’i Davida, avy any Kariatiarima ho any amin’ny fitoerana namboariny ho azy; satria efa nanangan-day ho azy tany Jerosalema izy.

5 Ilay ôtely varahina nataon’i Beseleela, zanak’i Orì, zanak’i Hora, dia tany koa, teo anoloan’ny tabernaklan’i Iaveh. Nitady an’i Iaveh tany i Salômôna sy ny fiangonana.

6 Dia tao ihany, teo ambonin’ilay ôtely varahina, teo anoloan’i Iaveh, akaikin’ny trano lay fihaonana, no nanoloran’i Salômôna sorona dorana arivo.

7 Nony alina, niseho tamin’i Salômôna Andriamanitra, ka nanao taminy hoe: «Angataho izay tianao homeko anao.»

8 Dia hoy ny navalin’i Salômôna an’Andriamanitra: «Hatsaram-po lehibe no nasehonao tamin’i Davida raiko, ary izaho ny nampanjakainao handimby azy.

9 Koa ankehitriny, Iaveh Andriamanitra ô, aoka ho tanteraka ny teninao tamin’i Davida raiko, fa efa nataonao mpanjaka amin’ny vahoaka maro toy ny vovo-tany aho.

10 Omeo fahendrena amam-pahazavan-tsaina aho hahaizako ny tokony hataoko eo anatrehan’ny vahoakanao. Fa iza no hahay mitsara ny vahoakanao, dia izao vahoaka be dia be izao?»

11 Ary hoy Andriamanitra tamin’i Salômôna: «Satria izany no ao am-ponao, fa tsy vola aman-karena no nangatahinao, na voninahitra, na ny ain’ny fahavalonao, ary tsy nangatahinao ny ho lava fiainana aza, fa ny fahendrena amam-pahazavan-tsaina no nangatahinao ho anao, hitsaranao ny vahoakako izay nananganako anao ho mpanjaka;

12 koa omeko anao ny fahendrena amam-pahazavan-tsaina. Homeko anao ny vola aman-karena mbamin’ny voninahitra; ny mpanjaka talohanao tsy nisy nanana toy izany; ny any aoriana tsy hisy hanana toy izany.»

13 Avy tao amin’ny fitoerana avo tao Gabaôna sy tao amin’ny trano lay fihaonana i Salômôna, dia nody tany Jerosalema, ary nanjaka tamin’i Israely.

14 Nanangona kalesy ama-mpitaingin-tsoavaly i Salômôna, ka nanan-kalesy 1.400, sy mpitaingin-tsoavaly 12.000 izay napetrany tamin’ireo tanàna fitoeran-kalesy, sy tao Jerosalema akaikin’ny mpanjaka.

15 Ny volafotsy amam-bolamena tany Jerosalema, nataon’ny mpanjaka ankabetsahana tahaka ny vato; ny sedera nataony maro toy ny amontana maniry eny an-tany lemaka.

16 Avy any Ejipta no niavian’ny soavalin’i Salômôna, antokony iray tamin’ny mpandranton’ny mpanjaka no nandeha naka azy amin’andiany, araka ny vidiny efa nifanekena:

17 volafotsy 600 sikla no fahazoana mampakatra sy mamoaka kalesy iray avy tany Ejipta, ary 150 sikla no fahazoana soavaly iray. Fa torak’izany ihany koa no nitondran’izy ireo ho an’ny mpanjakan’ny Heteanina rehetra sy ny mpanjakan’i Siria.

Fiomankomanana farany. I Hora mpanjakan’i Tira

18 Nikasa hanao trano ho an’ny Anaran’i Iaveh sy lapa ho an’ny tenany i Salômôna.

Categories
2Tantara

2Tantara 2

1 Nanisa olona 70.000 i Salômôna hitondra ny entana, 80.000 hipai-bato eny an-tendrombohitra, ary 3.600 hitandrina an’ireo.

2 Naniraka tany amin’i Hirama mpanjakan’i Tira i Salômôna, hilaza hoe: Ataovy amiko ny nataon’i Davida raiko, izay nampanateranao sedera hanaovany trano hipetrahany.

3 Fa indro aho manangana trano ho an’ny Anaran’i Iaveh Andriamanitrao, izay hohamasiniko ho Azy, mba handoroana zava-manitra tsara fofona eo anatrehany, hasiana ny mofo apetraka tsy tapaka, hanolorana ny sorona dorana ny maraina sy ny hariva, sy amin’ny sabata, ny voalohan’ny volana, ny fetin’i Iaveh Andriamanitray, araka ny lalàna voadidy harahin’i Israely mandrakizay.

4 Ny trano hataoko dia tsy maintsy ho lehibe, satria lehibe noho ny andriamanitra rehetra ny Andriamanitray.

5 Fa iza aza moa no hahay manao trano ho Azy, fa ny lanitra sy ny lanitry ny lanitra aza tsy omby Azy? Ary iza moa aho no hanao trano ho Azy, afa-tsy ny mba handoroana zava-manitra eo anatrehany ihany?

6 Koa ankehitriny aho aniraho lehilahy anankiray miasa volamena amam-bolafotsy, sy varahina amam-by, jaky mena, lamba mena antitra sy jaky, ary mahay sarin-javatra sokirina, hiara-miasa amin’ireo olona mahay zavatra izay atỳ amiko atỳ Jodà sy Jerosalema, efa nomanin’i Davida raiko.

7 Ampanatero hazo sedera sy sipresa ary santala avy any Libàna aho; satria fantatro fa mahay mikapa hazo any Libàna ny mpanomponao. Ny mpanompoko hiaraka amin’ny mpanomponao,

8 mba hamonona hazo betsaka ho ahy, fa ho lehibe sy tsara higagàna ny trano hataoko.

9 Ary indro fa izao no homeko ho sakafon’ny mpanomponao mpikapa hazo, izay hikapa ny hazo: varimbazaha 20.000 kora, orja 20.000 kora, divay 20.000 bata, diloilo 20.000 bata.

10 Dia izao no navalin’i Hirama mpanjakan’i Tira tao amin’ny taratasy nampitondrainy an’i Salômôna: «Noho ny fitiavan’i Iaveh ny vahoakany no nananganany anao ho mpanjakany.»

11 Ary hoy i Hirama: Hisaorana anie i Iaveh Andriamanitr’i Israely izay nanao ny lanitra sy ny tany, noho ny nanomezany an’i Davida zanaka hendry, malina, mazava saina, izay hanao trano ho an’i Iaveh ary trano-mpanjaka ho an’ny tenany.

12 Koa ankehitriny dia indro irahiko ho atỳ aminao Ingahy Hirama, lehilahy mahay zavatra sady manan-tsaina,

13 zanaky ny vehivavy taranak’i Dàna sy ny lehilahy Tirianina, mahay miasa volamena amam-bolafotsy, sy varahina amam-by, ary vato aman-kazo, jaky mena, jaky volomparasy, lamba mena antitra, rongony madinika, mahay sary sokirina isan-karazany, mahavita zavatra araka izay marika aseho azy, na inona na inona, hiara-kiasa amin’ireo olo-mahay zavatra atỳ aminao, mbamin’ireo olo-mahay zavatra tamin’i Davida tompoko rainao.

14 Ary ankehitriny ny varimbazaha sy ny orja, mbamin’ny diloilo aman-divay, voalazan’ny tompoko, dia aoka hampitondrainy ny mpanompony.

15 «Ary dia hikapa hazo any Libàna, araka izay rehetra ilainao, izahay, sy handefa azy ambony zahatra amin’ny ranomasina hatrany Jôpe, dia ianao kosa no hampiakatra azy eo ho any Jerosalema.»

Ireo asa natao

16 Ary nisain’i Salômôna araka ny nanisan’i Davida rainy azy, ny lehilahy hafa firenena rehetra teo amin’ny tanin’i Israely: dia nisy 153.600 ny isany.

17 Ka nalainy tamin’ireo ny 70.000 hitondra entana, ny 80.000 hipai-bato eny an-tendrombohitra, ary ny 3.600 nataony mpitandrina hampiasa ny vahoaka.

Categories
2Tantara

2Tantara 3

1 Dia natombok’i Salômôna ny fanaovana ny tranon’i Iaveh tao Jerosalema, amin’ny tendrombohitra Moria, izay efa natoro an’i Davida rainy, dia amin’ny toerana efa voaoman’i Davida teo amin’ny famoloan’i Ornàna, Jebôseanina.

2 Tamin’ny andro faharoan’ny volana faharoa, taona fahefatra nanjakany, no nanombohany hanao izany.

3 Toy izao no fototra nanorenan’i Salômôna ny tranon’Andriamanitra; Enimpolo hakiho, araka ny hakiho fandrefesana talohany lavany; ary roapolo hakiho ny sakany.

4 Ny lavarangana fidirana izay eo anoloan’ny halavan’ny trano dia roapolo hakiho ny lavany, araka ny sakan’ny trano, ary roapolo amby zato hakiho ny haavony; nopetahan’i Salômôna volamena madio ny atiny.

5 Ny trano lehibe nopetahany hazo sipresa, dia nopetahany volamena madio, nasainy nasiana sarin-drofia aman-tongàlika nosokirina.

6 Nopetahany vato soa ny trano handravahana azy, ary ny volamena dia avy any Parvaima.

7 Nopetahany volamena ny trano, dia ny sakamandimby, ny tolàna, ny rindrina, ny varavarana, ary nasiana kerobima nosokirina ny rindrina.

8 Dia nataony ny efitrano masina indrindra: roapolo hakiho araka ny sakan’ny trano ny halavany, ary roapolo hakiho ny sakany. Nopetahany volamena madio io, nahalaniana talenta volamena enin-jato,

9 ary dimampolo sikla ny lanjan’ny hombo volamena. Ny efitrano ambony nopetahany volamena koa.

10 Nanao kerobima roa, taozavatra voasikotra, tao amin’ny efitrano masina indrindra, ary nopetahany volamena ireo.

11 Roapolo hakiho no halavan’ny elatr’ireo kerobima ireo. Ny elatra anankiray amin’ny voalohany, dimy hakiho no halavany, dia mipaka amin’ny rindrin-trano, ary ny elany anankiray, dimy hakiho, dia mifanendry amin’ny elatry ny kerobima iray;

12 ny elatra anankiray amin’ny kerobima faharoa dimy hakiho, dia mipaka amin’ny rindrin-trano, ary ny elany anankiray, dimy hakiho, mifanendry amin’ny elatry ny kerobima anankiray.

13 Dia roapolo hakiho no halavan’ny elatr’ireo kerobima ireo, mivelatra. Nijoro tamin’ny tongony izy, ary manatrika ny trano ny tarehiny.

14 Jaky volomparasy, jaky mena, lamba mena antitra ary rongony madinika no nataony salobona, ka nasiany kerobima vita amborodara.

15 Nanao andry roa teo anoloan’ny trano izy, dimy amby telopolo hakiho avy no haavony, dimy hakiho ny loha andry tao an-tampony.

16 Nanao tongalika, toy ny ao amin’ny loha andry; ary nanao voan’ampongabendanitra zato izy, nataony teo amin’ny tongàlika.

17 Dia natsangany teo anoloan’ny tempoly ny andry, ny iray teo ankavanany, ny iray teo ankaviany. Ilay teo ankavanany nataony hoe Jakîna ary ny eo ankavia, i Booza.