Categories
2Tantara

2Tantara 14

1 Nanao izay tsara sy mahitsy eo imason’i Iaveh Andriamaniny i Asà. Nandrava ny ôtelin’ny olona hafa firenena sy ny fitoerana avo izy,

2 ary nanorotoro ny tsangam-bato sy ny aserah.

3 Nandidy an’i Jodà mba hitady an’i Iaveh Andriamanitry ny razany, sy hanatanteraka ny lalàna aman-didy izy.

4 Dia nesoriny ny fitoerana avo sy ny sariolona, teo amin’ny tanànan’i Jodà rehetra, ka dia nandry feizay ny fanjakana teo anatrehany.

5 Nanao tanàna mimanda tamin’i Jodà izy, fa nandry ny tany, ary tsy nisy ady namely azy tamin’izany taona izany, satria nomen’i Iaveh fitsaharana izy.

6 Izao no nolazainy tamin’i Jodà: «Andeha haorintsika ireo tanàna ireo, hasiantsika manda manodidina, tilikambo, vavahady ary hidiny, fa mbola tsy voahidy ny tany anatrehantsika, fa efa nitady an’i Iaveh Andriamanitsika isika; nitady Azy isika, ka nomeny fiadanana isika amin’ny manodidina rehetra.» Dia nanorina izy ireo ka nahefa.

7 Izao no tafika nananan’i Asà: 300.000 miaramila an-defona sy ampinga, tamin’i Jodà; 280.000, miaramila mpitana ampinga mpandefa tsipìka, tamin’i Benjamina. Lehilahy mahery avokoa ireo.

Fanafihan’i Zarà

8 Fa nivoaka hiady tamin’ireo i Zarà, Etiôpianina, nitondra miaramila 1.000.000 sy kalesy 300, ka nandroso hatrany Maresà.

9 Dia nivoaka hiady aminy i Asà, ka samy nilahatra hiady teo an-dohasaha Sefatà akaikin’i Maresà izy.

10 Niantso an’i Iaveh Andriamaniny i Asà ka nanao hoe: «Iaveh ô, azonao vonjena mora foana ny malemy tahaka ny mahery, ka vonjeo izahay, ry Iaveh Andriamanitray! Fa Ianao no iankinanay, ary amin’ny Anaranao no nandrosoanay hiady amin’ireto vahoaka be ireto, Ianao no Andriamanitray, ry Iaveh: aza maharesy Anao anie ny olona!»

11 Dia nasian’i Iaveh teo anoloan’i Asà sy i Jodà, ny Etiôpianina.

12 Nenjehin’i Asà sy ny vahoaka nomba azy hatrany Gerara, ka be loatra ny Etiôpianina lavo ka tsy azony nantenaina ny hiarina indray, fa voatorotoro eo anatrehan’i Iaveh sy eo anatrehan’ny tafiny. Babo tsy erany no azon’i Asà sy ny vahoakany.

13 Nasiany avokoa ny tanàna manodidina an’i Gerara, fa azon’ny fahatahorana an’i Iaveh ireo, ka nobaboiny ny tanàna rehetra, fa babo be dia be no tao.

14 Nasiany koa ny lay, nisy ny biby fiompiny, ka nahazoany ondry be tokoa mbamin-drameva, dia niverina ho any Jerosalema izy.

Categories
2Tantara

2Tantara 15

Faminanian’i Azariasa. Fanavaozana fanekena an’i Iaveh

1 Tonga tamin’i Azariasa zanak’i Obeda ny fanahin’Andriamanitra

2 ka nandeha nitsena an’i Asà izy, sy nilaza taminy hoe: «Mihainoa ahy, ry Asà, mbaminareo Jodà sy Benjamina rehetra. Momba anareo i Iaveh raha momba azy ianareo; raha mitady Azy ianareo, dia hety ho hitanareo Izy, fa raha mahafoy Azy kosa ianareo, dia mba hahafoy anareo koa Izy.

3 Nandritra ny fotoana ela i Israely, dia tsy nanana an’Andriamanitra marina, tsy nana-mpisorona mpampianatra, tsy nanan-dalàna,

4 fa tao anatin’ny fahoriana izy ireo, dia nitodika an’i Iaveh Andriamaniny, dia nitady Azy, ka mba nety ho hitany Izy.

5 Fahizany, nandry andriran’antsy izay nandeha nivezivezy, fa voan’ny korontam-be ny mponina rehetra tamin’ny tany.

6 Nifandramatra ny samy firenena sy ny samy tanàna, fa notabatabain’Andriamanitra tamin’izao karazam-pahoriana rehetra izao.

7 Koa mahereza ianareo, ary aza miraviravy tanana, fa hisy valisoa ny ataonareo.»

8 Nony nandre izany teny izany, dia ny faminanian’i Obeda mpaminany, i Asà, dia nihenjana, ka nesoriny avokoa ny fahavetavetana rehetra tamin’ny tanin’i Jodà sy i Benjamina ary ny tanàna azony tany amin’ny tendrombohitr’i Efraima, sady nohavaoziny ny ôtelin’i Iaveh teo anoloan’ny alo-baravaran’i Iaveh.

9 Novoriny daholo i Jodà sy i Benjamina mbamin’ireo avy amin’i Efraima sy i Manase ary i Simeôna, izay tonga nonina teo aminy, fa betsaka ny olona tamin’i Israely no tonga niandany taminy, nony nahita fa nomba azy i Iaveh Andriamaniny.

10 Dia nivory tao Jerosalema izy ireo, tamin’ny volana fahatelon’ny taona faha-15 nanjakan’i Asà.

11 Tamin’izay andro izay, omby 700 sy ondry 7.000, tamin’ny babo nentiny, no nataony sorona ho an’i Iaveh.

12 Nametra-teny ampahibemaso izy ireo fa hitady an’i Iaveh Andriamanitry ny razany amin’ny fony rehetra sy amin’ny fanahiny rehetra;

13 ka na zovy na zovy tsy hitady an’i Iaveh Andriamanitr’i Israely, dia hatao maty mihitsy na kely na lehibe, na lahy na vavy.

14 Nanao feo avo izy nianiana tamin’i Iaveh tamin’ny hobin-kafaliana sy feon-trômpetra aman’anjomara.

15 Nahafaly an’i Jodà rehetra erỳ izany fianianana izany, satria nianiana tamin’ny fony rehetra izy ireo, ary nitady an’i Iaveh an-tsitrapo tokoa, ka nety ho hitany Izy, ary nomen’i Iaveh fiadanana tamin’ny manodidina rehetra izy.

Asa maro hafa nataon’i Asà

16 Ka i Maakà reniny aza, dia naongan’i Asà mpanjaka, tamin’ny fiandrianany amin’ny maha-renin’Andriamanjaka azy, noho izy nanao sampy vetaveta ho an’i Astarte. Nazeran’i Asà ny sampiny rehetra dia notorotoroiny ho vovoka sy nodorany tao an-dranon-driaka Sedrôna.

17 Tsy foana anefa ny fitoerana avo teo amin’i Israely, na dia lavorary aza ny fon’i Asà tamin’ny andro niainany rehetra.

18 Napetrany tao an-tranon’i Iaveh ny zavatra nohamasinin-drainy sy ny zavatra nohamasinin’ny tenany, dia volafotsy amana volamena ary kapoaka.

19 Tsy nisy intsony ny ady hatramin’ny taona faha-35 nanjakan’i Asà.

Categories
2Tantara

2Tantara 16

1 Tamin’ny taona faha-36 nanjakan’i Asà dia niakatra hamely an’i Jodà, i Baasà mpanjakan’i Israely, ka naoriny i Ramà mba hisakana ny olon’i Asà tsy hahazo mivoaka sy miditra.

2 Dia namoaka volafotsy sy volamena tao amin’ny rakitry ny tranon’i Iaveh sy ny tranon’ny mpanjaka i Asà, ka nandefa iraka ho any amin’i Ben-Hadada, mpanjakan’i Siria, izay nonina tany Damasa, hilaza hoe:

3 «Aoka hisy fanekem-pihavanana amiko sy aminao, toy ny tamin-drainao sy tamin’ikaky. Mampanatitra volafotsy sy volamena ho anao aho. Ary ianao kosa, andeha tsoahy ny fanekenao amin’i Baasà, mpanjakan’i Israely, mba hialany amiko.»

4 Nohenoin’i Ben-Hadada, i Asà mpanjaka, ka nirahiny hamely ny tanànan’i Israely ny filohan’ny tafiny, dia noreseny i Ahiôna sy i Dana ary i Abela-Maima mbamin’ny tanàna fitahirizana rehetra teo amin’i Neftalì.

5 Nony nandre izany i Baasà dia natsahany ny fanorenana an’i Ramà, ary najanony ny asany.

6 Ka nalain’i Asà i Jodà rehetra, dia nentin’izy ireo ny vato aman-kazo, nanorenan’i Baasà an’i Ramà, dia nanorenany an’i Gabaà sy i Masfà.

7 Tamin’izany andro izany no nahatongavan’i Hananì mpahita, tao amin’i Asà, mpanjakan’i Jodà, nilaza taminy hoe: «Noho ianao niankina tamin’ny mpanjakan’i Siria, fa tsy tamin’i Iaveh Andriamanitrao, noho izany dia afa-mandositra ny tananao ny tafiky ny mpanjakan’i Siria.

8 Moa ny Etiôpianina sy ny Libianina va tsy mba tafika lehibe, nisy kalesy ama-mpitaingin-tsoavaly maro be? Nefa noho ianao niankina tamin’i Iaveh dia natolony teo an-tananao ireny.

9 Fa mitetitety ny tany rehetra ny mason’i Iaveh mba hanohanany an’izay miraiki-po aminy tokoa. Ka nanao toy ny adala ianao tamin’io raharaha io, fa amin’ny sisa dia hanana ady ianao.»

10 Tezitra tamin’ilay mpahita i Asà ka nasainy natao an-tranomaizina io, fa tezitra tamin’io izy, noho ny tenin’io. Nisy olona sasany tamin’ny vahoaka koa nampahorin’i Asà tamin’izany andro izany indrindra.

Ny niafaran’ny nanjakan’i Asà

11 Ary indro fa ny asan’i Asà, na ny voalohany na ny farany dia voasoratra ao amin’ny bokin’ny mpanjakan’i Jodà sy i Israely.

12 Tamin’ny taona faha-39 nanjakan’i Asà, narary tongotra izy, ary tsaroany naharary azy mafy izany. Tsy i Iaveh anefa no notadiaviny, na dia tamin’izany aretiny izany aza, fa ny mpanao fanafody.

13 Dia nody mandry any amin’ny razany i Asà; ary tamin’ny taona faha-41 nanjakany no nahafatesany.

14 Nalevina tao amin’ny fasana nolavahany ho an’ny tenany, ao an-tanànan’i Davida izy; ary nampandriana tamin’ny farafara nofenoina zava-manitra sy zava-tsara fofona voavoatra araka ny fahaizan’ny mpahay zava-manitra, ary be dia be no zava-manitra nodorana koa.

Categories
2Tantara

2Tantara 17

Ny herin’i Jôsafata

1 I Jôsafata zanak’i Asà, no nanjaka nandimby azy. Nanamafy ny fiarovany tena tamin’i Israely,

2 nametraka antoko-miaramila tamin’ny tanàna mimanda rehetra amin’i Jodà izy, ary nametraka miaramila mponina tamin’ny tanànan’i Efraima efa azon’i Asà rainy.

Ny fiahiany ny lalàna

3 Nomban’i Iaveh i Jôsafata fa nandeha tamin’ny lalana voalohany nalehan’i Davida rainy; tsy nikatsaka an’ireo Baala izy

4 fa Andriamanitry ny rainy no nokatsahiny, ary narahiny ny didiny fa tsy naka tahaka ny nataon’i Israely.

5 Koa nohamafisin’i Iaveh teo an-tanany ny fanjakana ary nitondran’i Jodà rehetra fanatitra i Jôsafata, ka nanan-karena amam-boninahitra be.

6 Nitombo ny herim-pony teo amin’ny lalan’i Iaveh, ka noravany koa ny fitoerana avo mbamin’ny aserah teo amin’i Jodà.

7 Tamin’ny taona fahatelo nanjakany, nirahiny hampianatra tany amin’ny tanànan’i Jodà, ireto lehibe ireto: i Bena-Haila, i Obdiasa, i Zakariasa, i Natanaely ary i Mikeasa,

8 sy ireto Levita ireto niaraka taminy: i Semesiasa, i Nataniasa, i Zabadiasa, i Asaela, i Semiramôta, i Jonatàna, i Adoniasa, i Tôbiasa, i Tôbadôniasa; ary niaraka tamin’ireo koa ireto mpisorona ireto; i Elisamà sy i Jôrama.

9 Nampianatra tao amin’i Jodà ireo, nitondra ny bokin’ny lalàn’i Iaveh; nitety ny tanànan’i Jodà rehetra, ary nampianatra teny amin’ny vahoaka.

10 Azon’ny tahotra an’i Iaveh ny fanjakana rehetra tamin’ny tany manodidina an’i Jodà, ka tsy niady tamin’i Jôsafata izy ireo.

11 Nisy Filistinina nitondra fanatitra sy vola hetra ho an’i Jôsafata; ny Arabo koa nitondra biby fiompiny taminy, dia ondralahy 7.700, sy osilahy 7.700.

12 Efa nandroso amin’izay hampisondrotra azy ho amin’ny voninahitra ambony indrindra i Jôsafata. Nanao trano mimanda sy tanàna fitahirizana teo amin’i Jodà izy.

Ny tafika

13 Nanana zavatra fitahiry betsaka izy teny amin’ny tanànan’i Jodà, ary miaramila mpiady, lehilahy mahery, tao Jerosalema.

14 Toy izao no nanisana azy ireo, araka ny fianakaviany avy: Ny tamin’i Jodà dia ireto no tomponarivo: i Adnà, mpifehy, sy lehilahy mahery 300.000, niaraka taminy;

15 teo anilany i Johanàna mpifehy ny lehilahy 280.000 niaraka taminy.

16 Ary teo anilany i Amasiasa zanak’i Zekri, izay nanokan-tena an-tsitrapo ho an’i Iaveh sy lehilahy mahery 200.000 niaraka taminy.

17 Ny tamin’i Benjamina dia i Elida lehilahy mahery, sy lehilahy nitondra tsipìka aman’ampinga 200.000 niaraka taminy;

18 ny teo anilany dia i Jôzabada, sy lehilahy 180.000 samy hary fiadiana hiady niaraka taminy.

19 Ireo no nanompo ny mpanjaka, afa-tsy izay napetraky ny mpanjaka tany amin’ny tanàna mimanda, eran’i Jodà rehetra.

Categories
2Tantara

2Tantara 18

Fihavanana tamin’i Akaba sy ireo mpaminany

1 Nanan-karena amam-boninahitra be i Jôsafata ary nanao fanambadiana izy nihavanany tamin’i Akaba.

2 Nony afaka taona vitsivitsy, nidina nankany amin’i Akaba tany Samaria izy, ary i Akaba namono ondry sy omby sesehena ho azy sy ny vahoaka nanaraka azy, sy nitaona azy hiakatra ho any Ramôta any Galaada.

3 Izao no nolazain’i Akaba mpanjakan’i Israely, tamin’i Jôsafata, mpanjakan’i Jodà: «Mba hiaraka amiko ho any Ramôta any Galaada va ianao?» Ka hoy ny navalin’i Jôsafata taminy: «Hihatra amiko ny hihatra aminao, ary hanjò ny vahoakako ny hanjò ny vahoakanao, ka hiaraka aminao hanafika azy izahay.»

4 Dia hoy i Jôsafata tamin’ny mpanjakan’i Israely: «Miangavy anao aho hanontany izay tenin’i Iaveh ankehitriny.»

5 Dia nantsoin’ny mpanjakan’i Israely ny mpaminany 400 lahy, ka hoy izy taminy: «Handeha hanafika any Ramôta any Galaada va isika, sa tokony hijanona aho?» Ary hoy ny navalin’ireo: «Mandehana fa hatolotr’Andriamanitra eo an-tanan’ny mpanjaka izany.»

6 Fa hoy kosa i Jôsafata: «Tsy misy mpaminanin’i Iaveh intsony eto va, na dia iray aza, azontsika anontaniana Azy?»

7 Ka hoy ny navalin’ny mpanjakan’i Israely an’i Jôsafata: «Mbola misy olona iray azontsika anontaniana an’i Iaveh, saingy halako izay, satria tsy mba maminany soa ho ahy, fa izao loza lava izao ihany, dia i Mikea zanak’i Jemlà.» Dia hoy i Jôsafata: «Aoka tsy hanao izany intsony ny mpanjaka.»

8 Izay ny mpanjakan’i Israely vao niantso eonòka anankiray, ka nanao taminy hoe: «Asaovy mankatỳ miaraka amin’izay i Mikea zanak’i Jemlà.»

9 Tamin’izay ny mpanjakan’i Israely sy i Jôsafata mpanjakan’i Jodà, dia samy nipetraka teo amin’ny seza fiandrianany nitondra ny akanjo-mpanjakany, nipetraka teo amin’ny fidiran’ny vavahadin’i Samaria; ary ny mpaminany rehetra, naminany teo anatrehany.

10 I Sedesiasa zanak’i Kanaana, nanao tandro-by ho azy, ka nilaza hoe: «Izao no lazain’i Iaveh: Hototoinao amin’ireto tandroka ireto ny Sirianina, mandra-paharingany.»

11 Ny mpaminany rehetra koa samy naminany toy izany, ka nanao hoe: «Miakara any Ramôta any Galaada ka maharese, fa hatolotr’i Iaveh eo an-tanan’ny mpanjaka izany.»

12 Ilay iraka lasa niantso an’i Mikea dia niteny taminy nanao hoe: «Efa iray teny, milaza soa ho an’ny mpanjaka avokoa izao ny mpaminany, ka aoka ny teninao mba hifanaraka amin’ny azy isany, mba milazà soa koa.»

13 Fa hoy ny navalin’i Mikea: «Velona i Iaveh! Izay hambaran’Andriamanitra no holazaiko.»

14 Nony mby teo amin’ny mpanjaka izy, dia hoy ny mpanjaka taminy: «Ry Mikea, handeha hanafika an’i Ramôta any Galaada va isika, sa tokony hijanona va aho?» Ary hoy ny navaliny: «Miakara ka maharese, fa efa voatolotra eo an-tananareo izy.»

15 Fa hoy ny mpanjaka taminy: «Impiry no iangaviako anao, mba tsy hilaza amiko hafa-tsy izay marina, amin’ny Anaran’i Iaveh ianao.»

16 Ka hoy ny navalin’i Mikea: «Indro i Israely rehetra, hitako miely eny an-tendrombohitra toy ny ondry tsy misy mpiandry, ka hoy i Iaveh: Tsy manan-tompo ireo olona ireo, ka aoka samy hody soa aman-tsara any an-tranony avy.»

17 Dia hoy ny mpanjakan’i Israely tamin’i Jôsafata: «Tsy efa voalazako taminao va, fa tsy mba milaza soa ho ahy io, fa ny loza ihany!»

18 Hoy kosa i Mikea: «Henoy àry ny tenin’i Iaveh: Izaho efa nahita an’i Iaveh mipetraka amin’ny seza fiandrianany, ary ny tafiky ny lanitra rehetra dia eo ankavanany sy eo ankaviany.

19 Ary hoy i Iaveh: Iza no hanambaka an’i Akaba hiakarany any Ramôta any Galaada sy ho faty any izy?

20 Dia namaly izy ireo, nefa ny iray toy izao, ny iray toy izao. Tamin’izany dia nisy fanahy anankiray nandroso nankeo anatrehan’i Iaveh nanao hoe: Izaho no hanambaka azy. Ka hoy i Iaveh taminy: Hataonao ahoana?

21 Ary hoy ny navaliny: Hivoaka aho ka ho tonga fanahy mandainga eo am-bavan’ny mpaminany rehetra. Dia hoy i Iaveh taminy: Hanambaka azy tokoa ianao ary ho efanao tokoa izany. Koa mivoaha àry, ataovy izany.

22 Koa indro i Iaveh nanisy fanahy mandainga eo am-bavan’ireo mpaminany izay eto ireo. Ary i Iaveh efa nanonona loza hanjò anao.»

23 Nanatona kosa i Sedesiasa zanak’i Kanaana, ka namely ny takolak’i Mikea nanao hoe: «Taiza no lalana nialan’ny fanahin’i Iaveh tamiko, hiteny aminao?»

24 Dia namaly i Mikea hoe: «Ho hitanao izany amin’ny andro handehandehananao isan’efitrano hierenao.»

25 Ary hoy ny mpanjakan’i Israely: «Raiso i Mikea ka ento any amin’i Amôna, governoran’ny tanàna, sy i Jôasa zanaky ny mpanjaka,

26 lazao hoe: Izao no lazain’i mpanjaka: Ataovy an-tranomaizina ity olona ity, ka mofom-pahoriana aman-dranom-pahoriana no amelomy azy, mandra-piveriko soa aman-tsara.»

27 Ary hoy i Mikea: «Raha tafaverina soa aman-tsara ianao, dia tsy niteny tamin’ny alalako i Iaveh.» Sady nampiany hoe: «Samia mihaino izany ianareo vahoaka rehetra.»

28 Dia niakatra nankany Ramôta any Galaada ny mpanjakan’i Israely sy i Jôsafata mpanjakan’i Jodà.

29 Ary hoy ny mpanjakan’i Israely tamin’i Jôsafata: «Izaho hanao fitafiana hafa no mandroso amin’ny ady, fa ianao miakanjoa ny akanjonao ihany.» Dia nanao fitafiana hafa ny mpanjakan’i Israely, dia nandeha ho any amin’ny ady izy ireo.

30 Izao no didy efa nomen’ny mpanjakan’i Siria an’ireo komandin’ny an-kalesiny nataony hoe: «Aza misy asianareo na ny kely na ny lehibe, afa-tsy ny mpanjakan’i Israely ihany.»

31 Nony nahita an’i Jôsafata ny komandin’ny an-kalesy, dia nanao hoe: «Inty tokoa ny mpanjakan’i Israely, sady nohodidininy hasiana izy.» Niantso mafy i Jôsafata dia novonjen’i Iaveh, ka nampanalavirin’Andriamanitra azy ny Sirianina.

32 Rehefa hitan’ny komandin’ny kalesy fa tsy ny mpanjakan’i Israely io, dia nivily niala taminy izy.

33 Tamin’izay nisy lehilahy anankiray nandefa zana-tsipìka kitoatoa ka nahavoa ny mpanjakan’i Israely teo anelanelan’ny fikatonan’ny akanjom-piadiany sy ny fiarovan-tratrany. Ka hoy ny mpanjaka tamin’ny mpampandeha ny kalesy: «Ahodino, ka ento miala eto amin’ny tany iadiana aho, fa voa.»

34 Nihamafana ny ady tamin’izay andro izay, ary notohanana hitsangana manandrify ny Sirianina teo ambony kalesiny ihany ny mpanjakan’i Israely, mandra-paharivan’ny andro, fa nony efa hilentika ny masoandro dia maty izy.

Categories
2Tantara

2Tantara 19

1 Nony niverina soa aman-tsara ho any an-tranony ao Jerosalema i Jôsafata mpanjakan’i Jodà,

2 dia nitsena azy i Jehò, mpahita, zanak’i Hananì, ka hoy izy tamin’i Jôsafata mpanjaka: «Tokony hampiana va ny ratsy fanahy? Ary ny mankahala an’i Iaveh va no tianao? Noho izany dia ao aminao ny fahatezerana avy amin’i Iaveh.

3 Saingy mba nisy soa hita taminao ihany, fa nesorinao tamin’ny tany ny aserah ary niraiki-po tamin’ny fitadiavana an’Andriamanitra ianao.»

Ny natao hampielezana ny Iavisma

4 Nitoetra tao Jerosalema i Jôsafata ary noteteziny indray ny vahoaka, hatrany Bersabea, ka hatrany amin’ny tendrombohitr’i Efraima, dia nampivereniny amin’i Iaveh Andriamanitry ny razany.

5 Nanendry mpitsara amin’ny tany izy, amin’ny tanàna mimanda, amin’i Jodà, isan-tanàna.

6 Ka nilaza tamin’ny mpitsara izy nanao hoe: «Tandremo izay hataonareo, fa tsy ho an’olombelona no hitsaranareo, fa ho an’i Iaveh; izy no homba anareo rehefa mitsara ianareo.

7 Ka aoka ho ao aminareo ny fahatahorana an’i Iaveh, ary tandremo ny asanareo, fa ao amin’i Iaveh Andriamanitsika, tsy mba misy tsy fahamarinana na fizahan-tavan’olona na fandraisan-kolikoly.»

8 Tao Jerosalema koa, rehefa tafaverina tao amin’io tanàna io izy ireo, dia nanendry Levita sy mpisorona ary loham-pianakaviana amin’i Israely, i Jôsafata, ho amin’ny fitsaràn’i Iaveh sy ny adin’olona.

9 Ka nanome didy izy nanao hoe: «Hataonareo amim-pahatahorana an’i Iaveh izany sy amim-pahamarinana ary amin’ny fo mahitsy.

10 Amin’ny ady rehetra entin’ny rahalahinareo monina any an-tanànany avy, ho aminareo, dia ny amin’ny momba ny fanavahana ny vonoana olona samihafa karazana sy ny hoe lalàna, didy, fandaharana, fitsipika no aoka hohazavainareo tsara ny sainy mba tsy hanaovany izay hahameloka azy amin’i Iaveh sy tsy hiharan’ny fahatezerany aminareo sy amin’ny rahalahinareo. Izany no ataovy, dia tsy ho meloka ianareo.

11 Indro i Amariasa mpisorona lehibe, ho filohanareo amin’ny raharahan’i Iaveh rehetra; ary i Zabadiasa zanak’i Ismaely mpanapaka ny taranak’i Jodà, amin’ny raharahan’ny mpanjaka rehetra; ary ny Levita koa dia ho eo anatrehanareo ho manamboninahitra. Matokia, ataovy ny asa, ary homba anareo anie i Iaveh.»

Categories
2Tantara

2Tantara 20

Finoana sy hira masina tamin’ny adin’i Edômita

1 Tatỳ aorian’izay, dia tamy ny taranak’i Moaba sy ny taranak’i Amôna, ary nisy Amônita niaraka taminy, hamely an’i Jôsafata dia hiady aminy.

2 Ka nisy tonga nilaza tamin’i Jôsafata hoe: «Misy vahoaka be tamy hiady aminao, avy any an-dafin’ny ranomasinaizy ireo, avy any Siria, ary efa mby ao Asasôna-Tamara, izany hoe Engadi izy izao.»

3 Raiki-tahotra i Jôsafata ka dia ny hangata-bonjy amin’i Iaveh no nahatapahan’ny heviny, ary nanendry andro fifadian-kanina hataon’i Jodà rehetra izy.

4 Dia nivory koa i Jodà hiantso an’i Iaveh, ka avy amin’ny tanànan’i Jodà rehetra aza no nahatongavan’ny olona hiantso an’i Iaveh.

5 Ary i Jôsafata nitsangana teo afovoan’ny fiangonan’i Jodà sy i Jerosalema tao an-tranon’i Iaveh eo anoloan’ny kianja vaovao, ka nanao hoe:

6 «Ry Iaveh Andriamanitry ny razanay ô, moa tsy Andriamanitra any an-danitra va Ianao? Ary moa tsy manapaka ny fanjakana rehetra amin’ny firenena, ary moa tsy eo an-tananao va ny hery amam-pahefana, ka tsy misy hahatohitra Anao?

7 Tsy Ianao va, ry Andriamanitra ô, no nandroaka ny mponina tamin’ity tany ity teo anoloan’i Israely vahoakanao, sy nanome azy ho an’ny taranak’i Abrahama sakaizanao mandrakizay?

8 Dia nonina teto izy ireo sy nanangana fitoerana masina ho Anao, ho an’ny Anaranao, nanao hoe:

9 Raha avy izay loza hanjò na ny sabatry ny fitsarana, na pesta, na mosary, dia hitsangana eo anatrehan’ity trano ity sy eo anatrehanao izahay, fa ao amin’ity trano ity ny Anaranao, dia hiantso Anao izahay ao afovoan’ny loza manjò anay, dia hihaino Ianao ary hamonjy.

10 Ankehitriny, indreo ny taranak’i Amôna sy i Moaba mbamin-dry zareo avy any an-tendrombohitra Seira, izay tsy navelanao hidiran’i Israely fony izy avy any amin’ny tany Ejipta, ka nivily izy, fa tsy nandrava azy.

11 Kanjo indreo izy, ka ny handroaka anay hiala amin’ny lova nomenao hanananay kosa no valy omeny anay!

12 Ry Andriamanitra ô, tsy hamoaka fitsarana an’ireo va Ianao? Fa izahay dia tsy manan-kery eo anatrehan’ireo vahoaka be tonga hamely anay ireo, ka tsy hitanay izay hataonay, fa Ianao no itodihan’ny masonay!»

13 Ary i Jodà rehetra izany, nitsangana teo anatrehan’i Iaveh avokoa, hatramin’ny ankizy madinika mbamin’ny vady aman-janany.

14 Tamin’izay i Jahaziela zanak’i Zakariasa zanak’i Banaiasa zanak’i Jehiela zanak’i Mataniasa, Levita, amin’ny taranak’i Asafa dia voatsindrin’ny Fanahy avy amin’i Iaveh teo afovoan’ny fiangonana teo,

15 ka nanao hoe: «Mampandria sofina, ry Jôsafata mpanjaka! Izao no lazain’i Iaveh aminareo: Aza matahotra na manam-badi-po eo anatrehan’ireo vahoaka be ireo, fa tsy anareo ity ady ity, fa an’Andriamanitra.

16 Midìna ianareo hamely azy rahampitso, fa indro izy hihazo amin’ny havoan’i Sisa, ary ho hitanareo erỳ amin’ny faran’ny lohasaha tandrifin’ny efitra Jeroela.

17 Tsy hisy tokony hiadianareo akory amin’ity, fa tongava dia mijanòna eo, fa ho hitanareo ny famonjena hataon’i Iaveh anareo, ry Jodà sy i Jerosalema. Aza matahotra na manam-badi-po; mivoaha ianareo rahampitso hitsena an’ireo, fa homba anareo i Iaveh.»

18 Dia niankohoka tamin’ny tany i Jôsafata, niankohoka teo anatrehan’i Iaveh koa i Jodà rehetra sy ny mponina ao Jerosalema mba hivavaka amin’i Iaveh.

19 Ary ny Levita amin’ny taranak’i Kaata, amin’ny taranak’i Kôre nitsangana, hankalaza an’i Iaveh Andriamanitr’i Israely, tamin’ny feo mahery sy avo.

20 Nony ampitso, nifoha maraina koa izy ireo, dia niainga nankany an’efitr’i Tekôe. Ilay lasa iny izy, dia nitsangana teo i Jôsafata, ka nanao hoe: «Mihainoa ahy, ry Jodà, sy ianareo mponina ao Jerosalema! Matokia an’i Iaveh Andriamanitrareo, dia tsy ho voahozongozona ianareo, ary matokia ny mpaminaniny, dia hoambinina ianareo.»

21 Raha efa izany, dia niara-nihevitra tamin’ny vahoaka izy, ka nanendry mpihira, hiakanjo fanamiana masina, handeha eo alohan’ny tafika, hankalaza an’i Iaveh amin’ny teny hoe: «Miderà an’i Iaveh fa maharitra mandrakizay ny famindram-pony!»

22 Vao nanomboka ny hira amam-piderana dia namela-pandrika i Iaveh, hahavoa ny taranak’i Amôna sy i Moaba, mbamin-dry zareo avy any an-tendrombohitra Seira, izay tonga hamely an’i Jodà, ka resy izy ireo.

23 Ny taranak’i Amôna sy i Moaba nitsangana nanohitra ny mponina any an-tendrombohitra Seira hamono sy handringana an’ireo; nony tapitra naringana ny mponina any an-tendrombohitra Seira dia izy samy izy indray no nifanampy nifandringana.

24 Nony tonga teo amin’ny fitoeran’ny mpiambina mahatazana ny efitra i Jodà, dia nitodika irerỳ vahoaka be, dia faty niampatrampatra tamin’ny tany no hany hitany, fa tsy nisy afa-nandositra.

25 Dia nandeha i Jôsafata sy ny vahoakany haka babo tamin’ireo, ka harem-be vava no hitany teo, dia faty sy fanaka sarobidy; ka be dia be no nalainy ho azy, ka tsy zakany nentina aza, ka hateloana izy nanangona ny babo teo ihany fa be tokoa.

26 Nony tamin’ny andro fahefatra, nivory teo amin’ny lohasaha Berakà izy, fa nisaotra an’i Iaveh teo; izany no nanaovany an’io lohasaha io hoe i Berakà mandrak’androany.

27 Izay vao niainga amin-kafaliana ny lehilahy rehetra amin’i Jodà sy i Jerosalema notarihin’i Jôsafata hiverina any Jerosalema, fa nofenoin’i Iaveh hafaliana ny amin’ny fahavalony.

28 Tamin’ny feom-baliha sy harpa ary trômpetra no nidirany teo Jerosalema nankany amin’ny tranon’i Iaveh.

29 Azon’ny tahotra an’i Iaveh ny fanjakana rehetra amin’ny tany, nony nandre fa hoe: i Iaveh no niady tamin’ny fahavalon’i Israely.

30 Ka nandry feizay ny fanjakan’i Jôsafata, ary nomen’Andriamaniny fiadanana tamin’ny manodidina izy.

Ny niafaran’ny nanjakan’i Jôsafata

31 Tonga mpanjaka tamin’i Jodà i Jôsafata. 35 taona izy fony vao nanjaka tao Jerosalema. I Azobà zanaka vavin’i Selahì no anaran-dreniny.

32 Nandeha tamin’ny lalana nalehan’i Asà rainy izy, ka tsy nivily tamin’izany, fa nanao izay mahitsy eo imason’i Iaveh.

33 Saingy ny fitoerana avo no tsy voarara, ary ny vahoaka no mbola tsy niraiki-po mafy tamin’ny Andriamanitry ny razany.

34 Ny sisa tamin’ny asan’i Jôsafata, ny voalohany sy ny farany, dia indro fa efa voasoratra ao amin’ny Tenin’i Jehò, zanak’i Hananì, ka efa voatafiditra ao amin’ny bokin’ny mpanjakan’i Israely.

35 Tatỳ aorian’izany i Jôsafata mpanjakan’i Jodà, nikambana tamin’i Okoziasa mpanjakan’i Israely izay melo-pitondran-tena.

36 Ny hanao sambo hankany Tarsisa no nikambanany taminy; ary tao Asiôngabera no nanaovany ny sambo.

37 Fa tamin’izay i Eleazara zanak’i Dôdô, any Maresà, naminany ny amin’i Jôsafata nanao hoe: «Noho ianao nikambana tamin’i Okoziasa dia noravan’i Iaveh ny asanao.» Dia vaky ny sambo ka tsy afa-nankany Tarsisa.

Categories
2Tantara

2Tantara 21

1 Nody mandry any amin’ny razany i Jôsafata, dia nalevina tao amin’ny razany, ao an-tanànan’i Davida, ary i Jôrama zanany no nanjaka nandimby azy.

Ny nahatonga mpanjaka an’i Jôrama sy ny heloka nataony

2 Nanan-drahalahy zanak’i Jôsafata koa i Jôrama, dia i Azariasa, i Jahiela, i Zakariasa, i Azariasa, i Mikaela, ary i Safatiasa; zanak’i Jôsafata mpanjakan’i Jodà avokoa ireo.

3 Samy nomen-drainy tolo-bohitra betsaka izy ireo, dia volamena, volafotsy, zavatra sarobidy, mbamin’ny tanàna mimanda amin’i Jodà; fa ny fanjakana kosa napetrany amin’i Jôrama, fa izy no lahimatoa.

4 Nanao izay hahazoany an-tanana ny fanjakan-drainy i Jôrama, ary rehefa nihanahery izy, dia novonoiny tamin’ny sabatra ny rahalahiny rehetra, mbamin’ny filohany sasany tamin’i Israely koa.

5 32 taona i Jôrama fony vao nanjaka, ary valo taona no nanjakany tao Jerosalema.

6 Nandeha tamin’ny lalan’ny mpanjakan’i Israely izy, tahaka ny nataon’ny taranak’i Akaba, fa zanak’i Akaba no vadiny, ka nanao izay ratsy eo imason’i Iaveh.

7 Tsy tian’i Iaveh anefa ny handringana ny taranak’i Davida noho ny fanekena nataony tamin’i Davida sy noho ny teny nataony taminy fa hanome jiroazy mbamin’ny taranany mandrakariva.

8 Tamin’ny androny niodina tamin’ny fanapahan’i Jodà i Edôma, ka nanangana mpanjaka ho azy.

9 Dia niainga i Jôrama nomban’ireo lehibe aman-kalesiny rehetra, ka nifoha mbola alina izy, dia nandresy ny Edômita nanodidina azy mbamin’ny lehiben’ny kalesy.

10 Nitsoaka tamin’ny fanapahan’i Jodà anefa i Edôma mandrak’androany. I Lobnà koa nitsoaka tamin’ny fanapahany, tamin’izany fotoana izany ihany, noho izy efa nahafoy an’i Iaveh Andriamanitry ny razany.

11 Nanao fitoerana avo tamin’ny tendrombohitr’i Jodà aza i Jôrama ary nitaona ny mponina tao Jerosalema hitolo-tena hanaraka andriamani-kafa ary nanambosy an’i Jodà.

12 Nisy taratasy avy any amin’i Elia mpaminany, tonga teo aminy, nanao hoe: «Izao no lazain’i Iaveh Andriamanitr’i Davida rainao: Noho ianao tsy nandeha tamin’ny lalan’i Jôsafata rainao, sy tamin’ny lalan’i Asà mpanjakan’i Jodà,

13 fa nandeha tamin’ny lalan’ny mpanjakan’i Israely nitarika an’i Jodà sy ny mponina ao Jerosalema hitolo-tena amin’ny andriamani-kafa, toy ny nitarihan’ny ankohonan’i Akaba an’i Israely hitolo-tena aminy, ary namono ny rahalahinao, izay tsara noho ianao, dia ny tarana-drainao,

14 dia indro hokapohin’i Iaveh amin’ny aretina lehibe ny vahoakanao, ny zanakao, ny vadinao, mbamin’ny anananao rehetra;

15 ary ianao hotsindrian’aretina mavesatra dia aretin-tsinay mafy dia mafy ka hivoaka ny tsinainao, noho ny hamafin’ny aretina, mandritra ny andro maro.»

16 Ary nambosin’i Iaveh hamely an’i Jôrama ny sain’ny Filistinina mbamin’ny Arabo teo akaikin’ny Etiôpianina.

17 Ka niakatra tany Jodà ireo dia niely tany, namabo ny harena rehetra tao an-tranon’ny mpanjaka, hatramin’ireo zanany, mbamin’ireo vadiny, hany ka tsy nisy tafajanona ho azy intsony ny zanany, afa-tsy i Jôakazailay zandriny indrindra tamin’ireo zanany.

18 Nanaraka izany rehetra izany indray, dia nasian’i Iaveh aretina tsy lai-panafody izy tamin’ny tsinainy.

19 Nifandimby ny andro ka tamin’ny faran’ny taona faharoa, nivoaka ny tsinain’i Jôrama noho ny hamafin’ny aretina, dia maty tamim-pangirifiriana mafy izy, ary tsy mba nandoroan’ny vahoaka zava-manitra ho fanajana azy, toy ny nandoroany an’izany ho an’ny razany.

Ireo sazy

20 Efa 32 taona i Jôrama fony vao nanjaka, ary valo taona no nanjakany tao Jerosalema. Lasa tsy nisy mpalahelo izy, ary nalevina tao an-tanànan’i Davida fa tsy mba tao amin’ny fasan’ny mpanjaka.

Categories
2Tantara

2Tantara 22

I Okoziasa sy ny fitondram-panjakany

1 I Okoziasa zanak’i Jôrama faralahy no nampanjakain’ny mponina ao Jerosalema handimby azy, fa ireo zokiny rehetra, efa matin’ny mpitoha ady niara-tonga tamin’ny Arabo, tao an-toby. Izany no nanjakan’i Okoziasa zanak’i Jôrama mpanjakan’i Jodà.

2 Ary 42 taona izy, fony vao nanjaka; ary herintaona no nanjakany tao Jerosalema. Ny anaran-dreniny dia Atalia zanak’i Amrỳ.

3 Nandeha tamin’ny lalan’ireo taranak’i Akaba koa izy, fa ireniny no mpanoro hevitra azy hampanota azy.

4 Nanao izay ratsy eo imason’i Iaveh izy, toy ny taranak’i Akaba, izay mpanoro hevitra azy nahavery azy, tatỳ aorian’ny nahafatesan-drainy.

5 Noho ny torohevitra nomeny azy koa no nandehanany niaraka tamin’i Jôrama zanak’i Akaba mpanjakan’i Israely, hiady amin’i Hazaela mpanjakan’i Siria, tany Ramôta-Galaada. Nandratra an’i Jôrama ny Sirianina.

6 Dia niverina tao Jezrahela i Jôrama hotsaboina amin’ny ratra nahavoazan’ny Sirianina azy tao Ramà, fony izy niady tamin’i Hazaela mpanjakan’i Siria.

Ary i Azariasa zanak’i Jôrama mpanjakan’i Jodà, nidina tany Jezrahela hamangy an’i Jôrama zanak’i Akaba fa narary izy.

7 Avy amin’Andriamanitra no nahitan’i Okoziasa loza, tamin’izy nankany amin’i Jôrama. Fa nony tonga izy dia niara-nivoaka tamin’i Jôrama ho any amin’i Jehò zanak’i Namsì, izay efa nohosoran’i Iaveh handringana ny taranak’i Akaba.

8 Tamin’i Jehò nanefa ny fanamelohany ny taranak’i Akaba dia hitany ireo lehibe tamin’i Jodà mbamin’ireo zana-drahalahin’i Okoziasa izay nanao raharaha tao amin’i Okoziasa ka nefainy ireo.

9 Notadiaviny i Okoziasa ary nisy nisambotra azy tany Samaria izay niereny, dia nitondra azy ho eo amin’i Jehò, ka novonoina izy. Raha efa izany dia nalevina izy, fa hoy izy ireo: «Zanak’i Jôsafata izay nitady an’i Iaveh tamin’ny fony rehetra izy.»

Ny helok’i Atalia

Dia tsy nisy olona azo nampanjakaina intsony, tamin’ny terak’i Okoziasa.

10 Nony hitan’i Atalia, renin’i Okoziasa fa maty ny zanany, dia nitsangana izy ka namono ny zanak’andriana rehetra amin’ny taranak’i Jodà.

11 I Jôasa zanak’i Okoziasa anefa, nalain’i Jôsabeta zanaka vavin’ny mpanjaka, nesoriny avy tamin’ireo zanaky ny mpanjaka izay novonoina tamin’izay, ka napetrany tao an’efitranom-parafara, izy sy ny mpitaiza azy. Toy izany no nanafenan’i Jôsabeta zanaka vavin’i Jôrama mpanjaka, vadin’i Jôiadà mpisorona, anabavin’i Okoziasa, an’i Jôasa, ka tsy nahitan’i Atalia azy, sy tsy nahafatesany azy.

12 Niara-niery taminy enin-taona, tao an-tranon’i Iaveh izy. Ary i Atalia no nanjaka tamin’ny tany.

Categories
2Tantara

2Tantara 23

Nanohitra an’i Atalia ny mpitondra fivavahana

1 Tamin’ny taona fahafito, rehefa nihanahery i Jôiadà dia nalainy ho mpikambana aminy ny tompon-jato Azariasa zanak’i Jerôhama, i Ismaela zanak’i Johanàna, i Azariasa zanak’i Obeda, i Maasiasa zanak’i Adaiasa, ary i Elisafata zanak’i Zekri.

2 Niteny an’i Jodà ireo, namory ny Levita tany amin’ny tanànan’i Jodà rehetra mbamin’ny loham-pianakaviana amin’i Israelydia tonga tany Jerosalema izy ireo.

3 Nanao fanekena tamin’ny mpanjaka tao an-tranon’Andriamanitra avokoa ny fiangonana rehetra teo. Hoy i Jôiadà tamin’izy ireo: «Indro hanjaka ny zanaky ny mpanjaka araka ny voalazan’i Iaveh, ny amin’ny taranak’i Davida.

4 Izao no hataonareo: Ny ampahatelonareo, izay miditra hanao fanompoana amin’ny andro sabata, na mpisorona na Levita, dia hatao mpiambim-baravarana;

5 ny ampahatelony ho eo amin’ny tranon’ny mpanjaka, ny ampahatelony ho eo am-bavahadin’i Jesoda, ary ny vahoaka rehetra ho eo an-kianjan’ny tranon’i Iaveh.

6 Aza misy miditra ao an-tranon’i Iaveh afa-tsy ny mpisorona sy ny Levita manao fanompoana ihany; ireo no mahazo miditra ao, satria masina ireo; ary ny vahoaka rehetra tsy maintsy mitandrina ny fandaharan’i Iaveh.

7 Ny Levita hanemitra manodidina ny mpanjaka, samy mitana ny fiadiany voatsoaka avy, ka raha nisy miditra ao an-trano vonoy, ary na miditra na mivoaka ny mpanjaka dia hanotrona azy ianareo.»

8 Notanterahin’ny Levita sy i Jodà rehetra avokoa izay nandidian’i Jôiadà mpisorona. Samy naka ny olom-peheziny avy izy, na ireo miditra hanao ny fanompoana, amin’ny andro sabata, na ireo niala, fa tsy nasian’i Jôiadà avaka ny antokony rehetra.

9 Natolotr’i Jôiadà mpisorona an’ireo tompon-jato avokoa ny lefona aman’ampinga nananan’i Davida mpanjaka, hita tao an-tranon’Andriamanitra, na ny lehibe na ny kely.

10 Ary ny vahoaka rehetra, samy nitam-piadiana, nalahany hanodidina ny mpanjaka avokoa, hatramin’ny lafiny ankavanan’ny trano ka hatramin’ny lafiny ankavia, teo akaikin’ny ôtely ka teo akaikin’ny trano.

11 Dia nentiny nandroso ny zanaky ny mpanjaka, ka natao teo amboniny ny satrok’andriana sy ny vavolombelona, ary natsangana ho mpanjaka. Nohosoran’i Jôiadà sy ireo zanany izy dia nataony hoe: «Ho ela velona anie ny mpanjaka!»

12 Nony ren’i Atalia ny fihahohahon’ny vahoaka nidodododo sy nihoby ny mpanjaka dia mba nankao amin’ny vahoaka tao an-tranon’i Iaveh izy.

13 Nijery izy ka inty ny mpanjaka nitsangana teo amin’ny lampihazo eo amin’ny fidirana; ny lehibe amam-pitsòka trômpetra nanotrona ny mpanjaka, ary ny vahoaka rehetra amin’ny tany revon-kafaliana; ny trômpetra notsofiny; ary ny mpihira an-java-maneno nanoro hevitra momba ny hira fiderana. Nandriatra ny fitafiany i Atalia ka niantso hoe: «Fikomiana! Fikomiana!»

14 Fa nasain’i Jôiadà mpisorona nivoaka ny tompon-jato, mpifehy ny miaramila, ka nataony hoe: «Ento izy eo anelanelan’ny laharana hiala eto, ary vonoy amin’ny sabatra izay manaraka azy na iza na iza. Satria ny mpisorona efa nilaza hoe: Aza mamono azy ao an-tranon’i Iaveh.»

15 Dia nihataka teo an-daniny roa ny olona, ka lasa nankany amin’ny fidirana eo am-bavahadin-tsoavaly ho ao amin’ny tranon’ny mpanjaka ravehivavy, ka dia tao no namonoana azy.

Fanitsiana nataon’i Jôiadà

16 Nampanaovin’i Jôiadà fanekena ny vahoaka sy ny mpanjaka mbamin’ny tenany, fa tsy maintsy ho vahoakan’i Iaveh izy ireo.

17 Koa niditra tao an-tranon’i Baala ny vahoaka rehetra, dia noravany io, notorotoroiny ny ôtely mbamin’ny sarin-javatra teo, ary novonoiny teo anoloan’ny ôtely i Matàna mpisoron’i Baala.

18 Ary nametrahan’i Jôiadà mpitandrina ny tranon’i Iaveh eo ambany fifehezan’ny mpisorona sy ny Levita, izay notokotokoin’i Davida tao an-tranon’i Iaveh, hanatitra sorona dorana ho an’i Iaveh, araka ny voasoratra ao amin’ny lalàn’i Môizy, amim-pifaliana sy fihirana, araka ny nasain’i Davida hatao.

19 Nasiany mpiandry ny varavaran’i Iaveh, mba tsy hisy olona voaloton’inon’inona hiditra eo.

20 Dia nalainy ny tompon-jato, ny olo-manan-kaja, ny manam-pahefana amin’ny vahoaka, mbamin’ny vahoaka rehetra amin’ny tany, ka nentiny nidina avy ao an-tranon’i Iaveh ny mpanjaka; dia niditra tao an-tranon’ny mpanjaka izy ireo, nihazo ny vavahady ambony, ary nametraka ny mpanjaka teo amin’ny seza fiandrianan’ny fanjakana.

21 Nifaly ny vahoaka rehetra amin’ny tany ary nandry feizay ny tanàna. Fa i Atalia novonoina tamin’ny sabatra.