Categories
2Tantara

2Tantara 24

I Jôasy manamboatra ny Tempoly

1 Efa fito taona i Jôasy fony vao nanjaka, ary efapolo taona no nanjakany tao Jerosalema. Ny anaran-dreniny dia Sebià avy any Bersabea.

2 Nanao izay mahitsy eo imason’i Iaveh i Jôasy tamin’ny andro rehetra niainan’i Jôiadà mpisorona.

3 Roa no vady nalain’i Jôiadà ho an’i Jôasy ary niteraka zazalahy aman-jazavavy izy.

4 Tatỳ aorian’izany, nanam-pahazotoana hamboatra ny tranon’i Iaveh i Jôasy.

5 Ka namory ny mpisorona sy ny Levita izy dia nanao taminy hoe: «Mandehana ianareo any amin’ny tanànan’i Jodà, ka mamoria vola isan-taona amin’i Israely rehetra hamboarana ny tranon’Andriamanitrareo, ary ataovy faingana izany.» Nanao tsy rototra anefa ny Levita,

6 ka nantsoin’ny mpanjaka i Jôiadà mpisorona lehibe, nilazany hoe: «Ahoana no tsy nikarakaranao izay hitondran’ny Levita avy amin’i Jodà sy i Jerosalema ny hetranasain’i Môizy mpanompon’i Iaveh sy ny fiangonana, haloan’i Israely ho an’ny trano lain’ny vavolombelona?

7 Fa efa nosimban’i Atalia mpankahala ny fivavahana mbamin’ireo zanany ny tranon’Andriamanitra, ary efa nentiny hatao amin’ireo Baala ny zavatra rehetra voatokana ho an’ny tranon’i Iaveh.»

8 Ny mpanjaka tamin’izay dia nandidy olona hanao vata ary nasainy napetraka teo am-bavahadin’ny tranon’i Iaveh, eo ivelany izany.

9 Ary naely eran’i Jodà sy i Jerosalema fa isan’olona dia tsy maintsy mitondra ho an’i Iaveh ny hetra nodidian’i Môizy mpanompon’i Iaveh haloan’i Israely, tany an’efitra.

10 Nahafaly ny lehibe rehetra sy ny vahoaka rehetra izany, ka samy nanatitra izay rehetra tsy maintsy aloany avy izy, sy nandatsaka izany tao amin’ilay vata.

11 Amin’ny fotoana hanolorana ny vata amin’ny mpikarakara ny mpanjaka amin’ny alalan’ny Levita, dia amin’izay ahitan’ny Levita fa efa be ny vola, dia tonga ny mpanoratry ny mpanjaka sy ny mpanao raharahan’ny mpisorona lehibe manesotra izay rehetra ao anatin’ny vata; alainy ny vata dia averiny ao amin’ny fitoerany indray. Nanao toy izany mandrakariva izy, ka nahavory vola betsaka.

12 Dia nomen’ny mpanjaka sy i Jôiadà an’ireo mpampanao ny asa amin’ny tranon’i Iaveh ny vola, ary nanakaraman’izy ireo mpipai-bato ama-mpandrafitra hamboatra ny tranon’i Iaveh mbamin’ny mpanefy vy amam-barahina hanamafy ny tranon’i Iaveh.

13 Ka niasa ny mpiasa, ary tao an-tanany dia nandroso ny fanamboarana ny trano, ka tafaveriny amin’ny toetrany taloha ny tranon’Andriamanitra sy nohamafisiny.

14 Nony vita ny asa dia nentiny teo anatrehan’ny mpanjaka sy i Jôiadà ny vola sisa ka nanaovana fanaka ho an’ny tranon’i Iaveh, dia fanaka hoenti-manao ny fanompoana sy ny sorona dorana, kôpy mbamin’ny fanaka volamena amana volafotsy sasany, ka tsy tapaka fanateran-tsorona dorana tao an-tranon’i Iaveh tamin’ny andro rehetra niainan’i Jôiadà.

15 Tratra antitra sy voky andro i Jôiadà, ka dia maty; efa 130 taona izy vao maty.

16 Tao amin’ny mpanjaka, ao an-tanànan’i Davida izy no nalevina, fa soa no nataony tamin’i Israely sy ho an’Andriamanitra mbamin’ny tranony.

Nanota i Jôasy dia voasazy

17 Nony maty i Jôiadà, tonga niankohoka teo anatrehan’ny mpanjaka ny lehibe tamin’i Jodà, ka nihaino azy ireo ny mpanjaka,

18 dia nandao ny tranon’i Iaveh Andriamanitry ny razany izy ireo, ary ny aserah mbamin’ny sampy no nomeny voninahitra. Tratry ny fahatezeran’i Iaveh anefa i Jodà sy i Jerosalema noho izany fivadihana izany.

19 Naniraka mpaminany tany amin’izy ireo i Iaveh hampiverina azy ireo aminy indray, ka nitsangana ho vavolombelona nanohitra azy ireo ireny, nefa tsy nohenoiny.

20 Notsindrian’ny fanahin’Andriamanitra i Zakaria, zanak’i Jôiadà mpisorona, ka nankeo anatrehan’ny vahoaka nilaza taminy hoe: «Izao no lazain’Andriamanitra: Ahoana no andikanareo ny didin’i Iaveh, tsy hahazoanareo fanambinana? Noho ianareo nahafoy an’i Iaveh, dia mba hafoiny koa.»

21 Ka niray tetika hamely an’io izy ireo, ka nitora-bato azy, dia teo amin’ny kianjan’ny tranon’i Iaveh, noho ny didin’ny mpanjaka.

22 Tsy tsaroan’i Jôasy ny fitiavana nataon’i Jôiadà rain’i Zakaria taminy, ka nampamono an’ity zanany izy. Hoy i Zakaria nony efa ho faty: «Hijery sy hamaly an’izao anie i Iaveh!»

23 Nony niherina ny taona, niakatra hamely an’i Jôasy ny tafiky ny Sirianina ka dia tonga tany Jodà sy Jerosalema izy. Namono ny lehibe rehetra teo amin’ny vahoaka izy ireo, sy nampitondra ny babo azony rehetra ho any amin’ny mpanjakan’i Damasa.

24 Miaramila vitsy no teo amin’ny tafiky ny Sirianina, nefa miaramila maro be no natolotr’i Iaveh ho eo an-tanany, satria izy ireo nahafoy an’i Iaveh Andriamanitry ny razany. Nanefa ny fitsarana namely an’i Jôasy ny Sirianina.

25 Nony nilaozan’ireny, ka efa feno ratra maro izy, dia nanaovan’ny mpanompony teti-be hasiana, noho ny amin’ny ran’ny zanak’i Jôiadà mpisorona, ka novonoiny teo am-pandriany, dia maty. Nalevina tao an-tanànan’i Davida izy, nefa tsy natao tao amin’ny fasan’ny mpanjaka.

26 Ireto no nanao teti-be hamely azy: i Zabada zanak’i Semaata vehivavy Amônita, sy i Jôzabada zanak’i Samarita vehivavy Moabita.

27 Ny amin’ny zanany, ny faminaniana maro namely azy, ny namboarany ny tranon’Andriamanitra, dia indro fa efa voasoratra ao amin’ny Fitadiavana momba ny bokin’ny Mpanjaka. I Amasiasa zanany no nanjaka nandimby azy.

Categories
2Tantara

2Tantara 25

Fisehon’ny fitiavam-bavak’i Amasiasa

1 Ary 25 taona i Amasiasa, fony vao nanjaka, ary sivy taona no nanjakany tao Jerosalema. Ny anaran-dreniny dia Jôadàna avy ao Jerosalema.

2 Nanao izay mahitsy eo imason’i Iaveh ihany izy, saingy tsy tamin’ny fo lavorary.

3 Nony tafapetraka tsara tamin’ny fanjakany izy dia novonoiny ireo mpanompony namono ny mpanjaka rainy,

4 nefa ny zanak’izy ireo tsy mba novonoiny, fa araka ilay voasoratra ao amin’ny lalàna, amin’ny bokin’i Môizy izay nandidian’i Iaveh hoe: «Ny ray tsy ho faty ho solon-janany, ny zanaka tsy ho faty ho solon-drainy, fa isan’olona samy ho fatin’ny fahotana nataony avy.»

5 Novorin’i Amasiasa ny lehilahy amin’i Jodà dia samy nalaminy ara-pokom-pianakaviana avokoa, ny tomponarivo aman-tompon-jato amin’i Jodà sy i Benjamina rehetra, ary nisainy ny hatramin’ny roapolo taona no ho miakatra, ka 300.000 no lehilahy voafantina hitany, samy azo alefa hiady sy mahatan-defona aman’ampinga.

6 Nisy lehilahy mahery 100.000 avy amin’i Israely koa, nokaramainy talenta volafotsy zato.

7 Kanjo tonga tao aminy ity olon’Andriamanitra anankiray, ka nanao hoe: «Ry mpanjaka ô, aza misy foloalindahin’i Israely hiara-mandeha aminao, fa tsy omban’i Iaveh i Israely sy ny taranak’i Efraima rehetra.

8 Ka ianao ihany mandeha, dia mikatroha, mahereza amin’ny ady, fa tsy havelan’Andriamanitra ho resy eo anoloan’ny fahavalo ianao, satria mahay mamonjy sy mandavo Andriamanitra.»

9 Dia hoy i Amasiasa tamin’ilay olon’Andriamanitra: «Ka hatao ahoana ity talenta zato nomeko ny miaramilan’i Israely?» Ary namaly ny olon’Andriamanitra nanao hoe: «Mahay manome anao be lavitra noho izay i Iaveh.»

10 Dia navahan’i Amasiasa ny miaramila avy tany amin’i Efraima hankanesany any amin’ny taniny. Nirehitra mafy tamin’i Jodà anefa ny fahatezeran’ireo olona ireo, ka nandeha nody tany amin’ny taniny tamin-katezerana mirehitra.

Nanompo sampy i Amasiasa nony avy niady tamin’ny Edômita

11 Feno herim-po i Amasiasa ka nitarika ny vahoakany dia nankany amin’ny Lohasahan-tSira, ary nandresy 10.000 tamin’ny taranak’i Seira.

12 Nahazo sambo-belona 10.000 ny taranak’i Jodà, ka nentiny nankany an-tampon’ny vatolampy anankiray, navariny teo, dia montsamontsana avokoa.

13 Tamin’izay kosa ireo miaramila nalefan’i Amasiasa tsy hiara-manafika aminy, dia niantoraka tamin’ireo tanànan’i Jodà, hatrany Samaria ka hatrany Betôrôna, ka nahafaty olona 3.000 ary namabo zavatra betsaka.

14 Nony tonga avy nandresy ny Edômita i Amasiasa, dia nentiny ny andriamanitry ny taranak’i Seira, ka natsangany ho andriamaniny, niankohofany teo anatrehany, ary nanaterany zava-manitra.

15 Nirehitra tamin’i Amasiasa ny fahatezeran’i Iaveh, ka naniraka mpaminany tao aminy izy, nilaza taminy hoe: «Ahoana no dia ivavahanao amin’ny andriamanitr’io vahoaka io, nefa ny vahoakany aza tsy azony narovana tamin’ny tananao akory?»

16 Mbola niteny anefa io, dia hoy i Amasiasa taminy: «Moa nanendry anao ho mpanolo-tsaina ny mpanjaka va izahay? Mialà ianao, fandrao asian’ny olona eo!» Dia niala ilay mpaminany, ary nanao hoe: «Fantatro fa efa naraikitr’Andriamanitra ny handringana anao, noho ianao nanao izany, sy tsy nihaino ny torohevitro.»

Faharesena tao Betsamesa

17 Naka hevitra i Amasiasa mpanjakan’i Jodà, dia naniraka tany amin’i Jôasy zanak’i Jôakaza zanak’i Jehò, mpanjakan’i Israely, hilaza hoe: «Avia hifankahita mifanatrika isika.» Fa izao no teny nampitondrain’i Jôasy mpanjakan’i Israely an’i Amasiasa mpanjakan’i Jodà:

18 «Ny tsilo any Libàna, naniraka hilaza amin’ny sedera any Libàna hoe: Omeo ho vadin’ny zanako lahy ny zanakao vavy. Dia namaky teo ny biby dia any Libàna, ka nanosihosy ny tsilo.

19 Efa nahavoa ny Edômita ianao, hoy ny hevitrao, ka taomin’ny fonao hirehareha ianao. Koa ankehitriny mipetraha tsara ao an-tranonao. Nahoana no dia mihaika loza hahalavo ny tenanao mbamin’i Jodà koa ity ianao?»

20 Tsy nohenoin’i Amasiasa akory izany, fa avy amin’Andriamanitra izany, hanolorany azy ho eo an-tanan’ny fahavalo, noho izy nivavaka tamin’ny andriamanitr’i Edôma.

21 Dia niakatra i Jôasy mpanjakan’i Israely, ka nifankahita nifanatrika tao Betsamesa any Jodà izy sy i Amasiasa, mpanjakan’i Jodà.

22 Resy teo anatrehan’i Israely i Jodà, ka samy nandositra ho any an-dainy avy.

23 Ary i Amasiasa, mpanjakan’i Jodà zanak’i Jôasy, zanak’i Jôakaza, dia nosamborin’i Jôasy mpanjakan’i Israely tany Betsamesa, nentiny nankany Jerosalema dia nandravany zato hakiho ny mandan’i Jerosalema, hatramin’ny vavahadin’i Efraima ka hatramin’ny vavahady an-jorony;

24 nalainy avokoa ny volamena sy ny volafotsy mbamin’ny fanaka izay tao an-tranon’Andriamanitra tao amin’i Obededôma, ary ny rakitra rehetra tao an-tranon’ny mpanjaka, naka olona natao antoka koa izy dia niverina ho any Samaria.

Ny niafaran’ny nanjakan’i Amasiasa

25 Mbola velona 15 taona i Amasiasa zanak’i Jôasy, mpanjakan’i Jodà, tatỳ aorian’ny nahafatesan’i Jôasy zanak’i Jôakaza, mpanjakan’i Israely.

26 Ny asan’i Amasiasa sisa, ny voalohany sy ny farany, moa tsy dia efa voasoratra ao amin’ny bokin’ny mpanjakan’i Jodà sy i Israely va izany?

27 Taorian’ny nihatahan’i Amasiasa tamin’i Iaveh dia nisy firaisan-tetika hamely azy niforona tao Jerosalema, ka nandositra nankany Lakisa izy, fa nisy olona nirahina hanenjika azy tany Lakisa, ka novonoiny tany izy.

28 Ary nentina an-tsoavaly izy dia nalevina tao amin’ny razany, ao an-tanànan’i Davida.

Categories
2Tantara

2Tantara 26

Ny nanombohan’ny nanjakan’i Oziasa

1 I Oziasa izay efa 16 taona, no nalain’ny vahoaka rehetra amin’i Jodà, ka nampanjakainy handimby an’i Amasiasa rainy.

2 Nanorina an’i Elata indray izy, sy namerina azy ho amin’i Jodà indray, nony efa nody mandry any amin’ny razany ny mpanjaka.

3 Ary 16 taona i Oziasa fony vao nanjaka, ary 52 taona no nanjakany tao Jerosalema. Ny anaran-dreniny dia Jekelià, avy ao Jerosalema.

4 Nanao izay mahitsy eo imason’i Iaveh araka izay rehetra nataon’i Amasiasa rainy izy.

5 Nanaja an’Andriamanitra izy, tamin’ny andro niainan’i Zakaria, izay nampianatra azy ny fahatahorana an’Andriamanitra ary nambinin’Andriamanitra izy, tamin’ny andro nanajany an’i Iaveh.

Hery amam-pahefan’i Oziasa

6 Nandeha niady tamin’i Filistinina izy, nazerany avokoa ny mandan’i Geta sy ny mandan’i Jabnià ary ny mandan’i Azota, dia nanao tanàna tany amin’ny faritanin’i Azota sy ny tany amin’ny Filistinina izy.

7 Nampian’Andriamanitra izy hamely ny Filistinina sy ny Arabo nonina tany Gora-Baala, ary ny Maonita.

8 Nitondra fanatitra ho an’i Oziasa ny Amônita, ary niely hatrany akaikin’i Ejipta ny lazany, fa tonga nahery indrindra izy.

9 Nasian’i Oziasa tilikambo teo amin’ny vavahady an-jorony sy teo amin’ny vavahady mankany an-dohasaha ary teo amin’ny zorony, tao Jerosalema, sady nohamafisiny izy.

10 Nanao tilikambotany an’efitra koa izy; ary nihady lavaka famorian-drano betsaka, fa nanana biby fiompiny maro tany, sy tany amin’ny Sefelà mbamin’iny tany lemaka avo, ary nanana mpiasa amam-pamboly voaloboka koa tany an-tendrombohitra sy tany Karmela, fa tia asa tany izy.

11 Nana-miaramila mpanafika i Oziasa, izay nandeha nanafika isan-tokony, mandry an’isany araka ny fanisana nataon’i Jehiela mpanoratra, sy i Maasiasa mpitandrin-draharaha, tambany fifehezan’i Hananiasa, anankiray amin’ny komandin’ny mpanjaka.

12 Ny isan’ny loham-pianakaviana, izay samy mpiady mahery avokoa, dia 2.600 no tontaliny.

13 Ka ny miaramila nofehezin’ireo, dia 307.500, izay nahay niady tamin’ny hery lehibe tokoa, hanohana ny mpanjaka tsy ho voan’ny fahavalony.

14 Izany miaramila rehetra izany, dia samy nahavononan’i Oziasa ampinga, lefona, satroka fiarovan-doha, akanjo fiarovan-tratra, ary antsamotady fandefasam-bato.

15 Nampanao milina tao Jerosalema koa izy, noforonin’ny tompo-marika anankiray, hapetraka any amin’ny tilikambo sy ny zoro-manda, handefasana zana-tsipìka amam-bato lehibe. Lasa lavitra ny lazany, fa nampiana fatratra izy, ka tonga nahery tokoa.

Fiavonavonany sy saziny

16 Nisondrotra tao am-pony izaitsizy anefa izy, nony tonga nahery, ka nahafongotra azy izany. Nanota tamin’i Iaveh Andriamaniny izy, fa niditra tao an-tempolin’i Iaveh izy, handoro zava-manitra eo ambony ôtely fandoroan-java-manitra.

17 Niditra avy ato aoriany kosa i Azariasa mpisorona, mbamin’ny valopolo lahy amin’ny mpisoron’i Iaveh, samy lehilahy mahery avokoa,

18 ka nanohitra an’i Oziasa mpanjaka, nanao hoe: «Tsy anjaranao, ry Oziasa, ny manolotra zava-manitra ho an’i Iaveh, fa anjaran’ny mpisorona taranak’i Aarôna izay voahosotra handoro zava-manitra. Mialà eo amin’ny fitoerana masina fa nanota ianao ka tsy voninahitra ho anao eo anatrehan’i Iaveh Andriamanitra izany.»

19 I Oziasa amin’izany, nitana fanembohana teny an-tanany mba hanolotra zava-manitra, ka nisafoaky ny hatezerana; ka nony nitezitra ny mpisorona teo izy, dia indro teo amin’ny handriny nisy habokana mipoitra, teo anatrehan’ny mpisorona, tao an-tranon’i Iaveh, teo anoloan’ny ôtely fandoroan-java-manitra.

20 Nony nijery nankany aminy i Azariasa mpisorona lehibe sy ireto mpisorona rehetra, dia indro fa voan’ny habokana ny handriny. Noroahiny ho any ivelany faingana izy, ary izy koa mba nivoaka faingana fa efa nasian’i Iaveh.

21 Dia boka hatramin’ny andro nahafatesany i Oziasa mpanjaka, ka nitoetra an-trano manirery, amin’ny mahaboka azy, fa nesorina tao an-tranon’i Iaveh. I Joatama zanany no nanapaka tao an-tranon’ny mpanjaka sy nitsara ny vahoaka tamin’ny tany.

22 Ny asan’i Oziasa sisa, ny voalohany sy ny farany, dia efa voasoratr’i Izaia zanak’i Amôsa mpaminany.

23 Ary nody mandry tamin’ny razany i Oziasa, tany amin’ny saha fandevenana ny mpanjaka satria boka izy, hoy ny olona. I Joatama zanany no nanjaka nandimby azy.

Categories
2Tantara

2Tantara 27

Ny nanjakan’i Joatama

1 Ary 25 taona i Joatama, fony vao nanjaka, ary 16 taona no nanjakany tao Jerosalema. Ny anaran-dreniny dia Jerosà zanak’i Sadôka.

2 Nanao izay mahitsy eo imason’i Iaveh, araka izay rehetra nataon’i Oziasa rainy izy, fa tsy mba niditra tao an-tempolin’i Iaveh; ny vahoaka kosa mbola niharatsy ihany.

3 Nanao ny vavahady ambony amin’ny tranon’i Iaveh i Joatama, sy nandrafitra trano maro teo ambonin’ny mandan’i Ofela.

4 Nanao tanàna teny amin’ny tendrombohitr’i Jodà izy, mbamina trano mimanda sy tilikambo tany an’ala.

5 Niady tamin’ny mpanjakan’ny taranak’i Amôna izy, dia naharesy azy, ka izao no nomen’ny taranak’i Amôna ho azy tamin’izany taona izany: talenta volafotsy zato, varimbazaha 10.000 kora, ary orja 10.000 kora; torak’izany koa no naterin’ny taranak’i Amôna ho azy, tamin’ny taona faharoa sy fahatelo.

6 Nitombo hery i Joatama, satria nizotra mafy tamin’ny lalany, teo anatrehan’i Iaveh Andriamaniny.

7 Ny asa nataon’i Joatama sisa, ny ady rehetra nataony sy izay rehetra vitany, indro fa efa voasoratra ao amin’ny bokin’ny mpanjakan’i Israely sy i Jodà avokoa.

8 25 taona izy fony vao nanjaka, ary 16 taona no nanjakany tao Jerosalema.

9 Dia nody mandry any amin’ny razany i Joatama, ka nalevina tao an-tanànan’i Davida. Ary i Akaza zanany no nanjaka nandimby azy.

Categories
2Tantara

2Tantara 28

Topy maso amin’ny fanjakan’i Akaza

1 Ary 20 taona i Akaza fony vao nanjaka, ary 16 taona no nanjakany teo Jerosalema. Tsy nanao izay mahitsy eo anatrehan’i Iaveh tahaka an’i Davida rainy izy,

2 fa nandeha tamin’ny lalan’ny mpanjakan’i Israely, ary nanao sarin-javatra anidina ho an’ireo Baala aza.

3 Nandoro zava-manitra teo an-dohasahan’i Beny-Hinôma izy, ary nampamakiny ny afo ny zanany, araka ny fahavetavetana fanaon’ireo firenena noroahin’i Iaveh teo anoloan’ny zanak’i Israely.

4 Nanatitra sorona aman-java-manitra teny amin’ny fitoerana avo sy ny havoana ary teny ambany hazo maitso rehetra teny izy.

Fanafihana

5 Natolotr’i Iaveh Andriamaniny ho eo an-tanan’ny mpanjakan’i Siria izy, ka noresen’ny Sirianina, dia nahazoany sambo-belona maro be nentiny nankany Damasa. Natolotra ho eo an-tanan’ny mpanjakan’i Israely koa izy, ka nasiany sy nataony hoto mihitsy.

6 Indray andro monja dia nisy 120.000, samy lehilahy mahery avokoa, no matin’i Fasea zana-dRomeliasa, tamin’i Jodà, satria izy ireo nahafoy an’i Iaveh Andriamanitry ny razany.

7 Novonoin’i Zekri mpiadin’i Efraima, i Maasiasa zanaky ny mpanjaka, sy i Ezrikà lehiben’ny tao an-tranon’ny mpanjaka, ary i Elkanà, faharoa manarakaraka ny mpanjaka.

8 Nisy 200.000 ny vehivavy sy zazalahy aman-jazavavy azon’ny zanak’i Israely sambo-belona tamin’ireo rahalahiny, sady be dia be koa ny babo nalainy tamin’ireo, ary ny babo nentiny nankany Samaria.

Ny Israelita mihaino an’i Obeda mpaminany

9 Nisy mpaminanin’i Iaveh kosa tao atao hoe Obeda; dia nivoaka izy hitsena ny miaramila sady nankany Samaria, ka nanao taminy hoe: «Noho ny hatezeran’i Iaveh Andriamanitry ny razanareo tamin’i Jodà no nanolorany azy ho eo an-tananareo, ka efa namono azy tamin-karomotana manakatra ny lanitra ianareo.

10 Ary ankehitriny mbola kasainareo hampanekena ho andevo lahinareo sy andevo vavinareo koa ny taranak’i Jodà sy i Jerosalema! Fa ianareo kosa, moa tsy mba manan-keloka amin’i Iaveh Andriamanitrareo va ianareo?

11 Koa ankehitriny mihainoa ahy ianareo, ary alefaso ireo babo nalainareo tamin’ny rahalahinareo ireo, fa mirehitra aminareo ny fahatezeran’i Iaveh.»

12 Dia nitsangana ny lehibe sasany amin’ny taranak’i Efraima, i Azariasa zanak’i Johanàna, i Barakiasa zanak’i Mosolamota, i Ezekiasa zanak’i Seloma, ary i Amasà zanak’i Adalì, ka nanohitra an’ireo avy any an-tafika,

13 nanao hoe: «Tsy hampiditra ireo babo ireo eto ianareo, fa ny hivesarantsika fahotana amin’i Israely no kendrenareo ka mitady hanampy ny fahotana amam-pahadisoantsika ianareo, fa lehibe ny hadisoantsika, ka dia mirehitra amin’i Israely ny fahatezeran’i Iaveh.»

14 Dia nalefan’ny miaramila teo anatrehan’ireo lehibe sy ny fiangonana rehetra, ireto sambo-belona sy babo nentiny,

15 ary nitsangana ireo lehilahy efa voatonona anarana teo, nandray ny sambo-belona, ka notafiany aloha tamin’ny zavatra babo izay tsy nitafy, nomeny akanjo aman-kiraro, vao nampihinaniny sy nampisotroiny sady nohosorany izy ireo, dia nampitaingeniny ampondra izay rehetra efa reraka mafy loatra, ka nateriny tany Jerikao, tanànan’ny rofia izy ireo, ho any amin’ny rahalahiny. Izy kosa niverina tao Samaria.

Ireo fahotan’i Akaza

16 Tamin’izany andro izany i Akaza mpanjaka naniraka olona hangata-bonjy amin’ireo mpanjakan’i Asiria,

17 fa tonga indray ny Edômita, nandresy an’i Jodà sy namabo azy.

18 Ny Filistinina niely teny amin’ny tanàna eny amin’ny Sefelà sy ny Negeban’i Jodà; azony avokoa i Betsamesa, i Aialôna, i Gaderôta, i Sôkô sy ny tanàna momba azy, i Tamnà sy ny tanàna momba azy, i Gamzô sy ny tanàna momba azy, dia nonenany.

19 Satria naetrin’i Iaveh i Jodà, noho ny amin’i Akaza mpanjakan’i Israely izay nampitombo ny fitondran-tena ratsy teo amin’i Jodà sy nanao heloka tamin’i Iaveh.

20 Tonga namely azy i Telgata-Falasara mpanjakan’i Asiria, nampiseho halozana taminy, fa tsy nampahery azy.

21 Nalain’i Akaza ny zavatra tao an-tranon’i Iaveh sy ny tao an-tranon’ny mpanjaka mbamin’ny lehibe, ka nanao fanatitra ho an’ny mpanjakan’i Asiria, fa tsy nahazo fanampiana tamin’izany izy.

22 Na tao anatin’izany fahoriana nanjò azy izany aza, mbola nanohy ny fahotana tamin’i Iaveh ihany izy Akaza mpanjaka,

23 fa nanao sorona tamin’ny andriamanitr’i Damasa izay namely azy izy, ka nanao hoe: «Ny andriamanitr’ireo mpanjakan’i Siria no mamonjy azy ireo, koa hotolorako sorona dia hamonjy ahy.» Kanjo ireo no tonga fandravana azy sy i Israely rehetra.

24 Nangonin’i Akaza ny fanaky ny tranon’Andriamanitra, ka novakivakiny ny fanaky ny tranon’Andriamanitra ary narindriny ny varavaran’ny tranon’i Iaveh, dia teny amin’ny zoron-dalana rehetra tao Jerosalema no nanaovany ôtely.

25 Tany amin’ny tanànan’i Jodà no nasiany fitoerana avo tsirairay avy, hanaterany zava-manitra ho an’ny andriamani-kafa, ka dia nahatezitra an’i Iaveh Andriamanitry ny razany izy.

26 Ny asany sisa mbamin’ny lalany rehetra, ny voalohany sy ny farany, dia indro fa efa voasoratra ao amin’ny bokin’ny mpanjakan’i Jodà sy i Israely izany.

27 Dia nody mandry any amin’ny razany i Akaza, ka nalevina tao an-tanàna, tao Jerosalema, fa tsy mba naiditra tao amin’ny fasan’ny mpanjakan’i Israely. Ary i Ezekiasa zanany no nanjaka nandimby azy.

Categories
2Tantara

2Tantara 29

Topy maso amin’ny fanjakan’i Ezekiasa

1 25 taona i Ezekiasa fony vao nanjaka, ary 29 taona no nanjakany tao Jerosalema. Ny anaran-dreniny dia i Abià zanak’i Zakariasa.

2 Nanao izay mahitsy eo imason’i Iaveh toy izay rehetra nataon’i Davida rainy izy.

Fanadiovana ny Tempoly

3 Tamin’ny volana voalohany, amin’ny taona voalohany nanjakany, novohany ny varavaran’ny tranon’i Iaveh, dia namboatra azy izy.

4 Nampiantsoiny ny mpisorona sy ny Levita, dia novoriny teo amin’ny kianja atsinanana,

5 dia nilazany hoe: «Mihainoa ahy, ianareo Levita: hamasino ny tenanareo, hamasino ny tranon’i Iaveh Andriamanitry ny razanareo, ka esory amin’ny fitoerana masina ny loto rehetra.

6 Fa nanota ny razantsika, nanao izay ratsy eo imason’i Iaveh Andriamanitsika izy, nahafoy Azy izy, nihodina tsy hanatrika ny fonenan’i Iaveh izy, ary niamboho Azy izy.

7 Narindriny aza ny varavaran’ny lavarangana fidirana, novonoiny koa ny jiro, ary tsy nandoro zava-manitra na nanatitra ny sorona dorana ho an’ny Andriamanitr’Israely teo amin’ny fitoerana masina.

8 Ka dia nianjera tamin’i Jodà sy i Jerosalema ny fahatezeran’i Iaveh, navelany izy hianjadian’ny horohoro amam-pahoriana sy faniratsirana, araka izao hitan’ny masonareo izao.

9 Ary noho izany, dia indro fa lavon’ny sabatra ny razantsika, lasan-ko babo ny zanaka lahintsika sy ny zanaka vavintsika mbamin’ny vadintsika.

10 Ka tapa-kevitra ankehitriny aho ny hanao fanekena amin’i Iaveh Andriamanitr’i Israely, mba hialan’ny fahatezerany mirehitra amintsika.

11 Koa ankehitriny, anaka, aza manao tsirambina intsony ianareo, fa ianareo no efa voafidin’i Iaveh hanoloana Azy, hanompo Azy, mba ho mpanompony sy hanatitra zava-manitra ho Azy.»

12 Dia nitsangana ny Levita: i Mahata zanak’i Amasaia, i Joela zanak’i Azariasa, tamin’ny taranak’i Kaatita; tamin’ny taranaky ny Merarita, i Kisa zanak’i Abdỳ, i Azariasa zanak’i Jalaleela; tamin’ny Gersônata, i Jôah zanak’i Zemà, i Edena zanak’i Jôah;

13 tamin’ny taranak’i Elisafàna: i Samrỳ sy i Jahiela; tamin’ny taranak’i Asafa: i Zakariasa sy i Mataniasa;

14 tamin’ny taranak’i Hemàna: i Jahiela sy i Semeià; ary tamin’ny taranak’i Iditona i Semeiàsa sy i Oziela.

15 Novorin’izy ireo ny rahalahiny, ary samy nanamasina ny tenany izy, dia tonga hanadio ny tranon’i Iaveh, araka ny didin’ny mpanjaka, sy noho ny tenin’i Iaveh.

16 Niditra tao anatin’ny tranon’i Iaveh ny mpisorona hanadio azy, navoakany avokoa ny loto hitany tao an-tempolin’i Iaveh ho amin’ny kianjan’ny tranon’i Iaveh, dia noraisin’ny Levita hoentiny any an-dohasahan’i Sedrôna.

17 Tamin’ny andro voalohan’ny volana voalohany, nanomboka ny fanadiovana izy; tamin’ny andro fahavalon’ny volana, niditra teo amin’ny lavarangana fidiran’i Iaveh izy, ka nandany havaloana nanadio ny tranon’i Iaveh; ary tamin’ny andro 16-n’ny volana voalohany dia vitany.

Sorona fanoneram-pahotana

18 Dia nankao amin’i Ezekiasa mpanjaka izy, nilaza hoe: «Efa voadionay avokoa ny tranon’i Iaveh, ny ôtely fanaovan-tsorona dorana sy ny fanaka rehetra momba azy.

19 Ary ny fanaka rehetra novetavetain’i Akaza mpanjaka, tamin’ny andro nanjakany, tamin’ny fotoana nanotany, dia efa samy voamboatranay sy voadionay, ka eo anoloan’ny ôtelin’i Iaveh izany.»

20 Koa nifoha maraina koa i Ezekiasa mpanjaka, ka namory ny lehiben’ny tanàna, dia niakatra ho ao an-tranon’i Iaveh.

21 Ny nateriny dia ombalahy fito, zanak’ondry fito, hatao sorona noho ny ota, ho an’ny fanjakana sy ho an’ny fitoerana masina ary ho an’i Jodà. Nasain’ny mpanjaka natolotry ny mpisorona taranak’i Aarôna teo ambonin’ny ôtelin’i Iaveh, ireo.

22 Dia novonoiny ny ombalahy ka noraisin’ny mpisorona ny ra, nararany teo ambonin’ny ôtely ny ra; novonoiny ny zanak’ondry dia nararany teo ambony ôtely ny ra.

23 Izay vao naroso eo anatrehan’ny mpanjaka sy ny fiangonana ireo osilahy noho ny ota, ka nametrahan’izy rehetra tanana;

24 dia novonoin’ny mpisorona, nanaovany ny fanonerana teo amin’ny ôtely ny rany, nanaovany fanonerana ho an’i Israely rehetra, fa ho an’i Israely rehetra no nampanaovin’ny mpanjaka ny sorona dorana sy ny sorona noho ny ota.

25 Nasainy nalahatra teo an-tranon’i Iaveh ny Levita, samy mitondra kipantsona sy valiha ary harpa, araka ny didin’i Davida sy i Gada mpahitan’ny mpanjaka, ary i Natàna mpaminany, fa didy avy amin’i Iaveh tamin’ny alalan’ny mpaminany, izany.

26 Dia nilahatra ny Levita nitondra ny zava-manenon’i Davida, mbamin’ny nitondra trômpetra koa.

27 Ary nasain’i Ekeziasa natolotra teo ambonin’ny ôtely ny sorona dorana; ka vao natomboka ny sorona dorana, dia natomboka koa ny hira ho an’i Iaveh, mbamin’ny feon-trômpetra, narahin’ny zava-manenon’i Davida mpanjakan’i Israely.

28 Niankohoka ny fiangonana rehetra, nohiraina ny hira, ary notsofina ny trômpetra, ary izany rehetra izany naharitra mandra-pahavitan’ny sorona dorana.

29 Nony vita ny sorona dorana dia nandohalika nitsaoka ny mpanjaka mbamin’izay rehetra teo aminy.

30 Ny tenin’i Davida sy i Asafa mpahita, no nasain’ny mpanjaka sy ny lehibe nideran’ny Levita an’i Iaveh, ary nidera tamin-kafaliana izy ireo sady niondrika nitsaoka.

31 Raha efa izany, niteny i Ezekiasa ka nanao hoe: «Vita fanokanan-tena ho an’i Iaveh indray izao ianareo, ka manatòna, manatera sorona amam-pisaorana ao an-tranon’i Iaveh.» Dia nanatitra sorona amam-pisaorana ny fiangonana, ary nanolotra sorona dorana koa izay rehetra mazava fo.

32 Koa ny isan’ny sorona dorana naterin’ny fiangonana dia omby 70, ondralahy 100, ary zanak’ondry 200, sorona dorana iray ihany ho an’i Iaveh avokoa ireo rehetra ireo.

33 Afa-tsy ireo, nisy omby 600, sy ondry 3.000 natokana koa.

34 Tsy nahendaka ny soronadorana rehetra ny mpisorona, fa vitsy, ka dia nampian’ny Levita rahalahiny izy, mandra-pahavitan’ny raharaha sy mandra-panamàsin’ny mpisorona sasany ny tenany, fa narisika kokoa ny Levita noho ny mpisorona tamin’ny fanamasinana ny tenany.

35 Sady ny sorona dorana moa efa betsaka; ny saboran’ny sorom-pihavanana sy ny fanatitra araraka momba ny sorona dorana koa etsy an-daniny.

Toy izany no nanaovana indray ny fanompoana tao an-tranon’i Iaveh.

36 Faly i Ezekiasa sy ny vahoaka tamin’izay namboarin’Andriamanitra ho an’ny vahoaka; fa vita tampoka izany zavatra izany.

Categories
2Tantara

2Tantara 30

Famoriana ny vahoaka hankalaza ny Paka

1 Nandefa iraka ho any amin’i Israely rehetra sy i Jodà i Ezekiasa ary nanoratra taratasy ho any amin’i Efraima sy i Manase koa, hankanesan’izy ireo ao an-tranon’i Iaveh ao Jerosalema, hanao ny Paka ho fankalazana an’i Iaveh Andriamanitr’i Israely.

2 Nanao fivoriana fakan-kevitra ny amin’ny hankalazana ny Paka amin’ny volana faharoa ny mpanjaka sy ny lehibe mbamin’ny fiangonana rehetra tao Jerosalema;

3 noho izy tsy azo natao tamin’ny fotoany, satria ny mpisorona efa nanamasina ny tenany mbola tsy ampy isa loatra, ary ny vahoaka koa mbola tsy vory tao Jerosalema.

4 Noheverin’ny mpanjaka sy ny fiangonana rehetra ho mety tokoa izany.

5 Dia nanapa-kevitra ny handefa teny amin’i Israely rehetra, hatrany Bersabea ka hatrany Dana izy ireo, mba samy ho tonga ao Jerosalema ny olona, hanao ny Paka ho fankalazana an’i Iaveh Andriamanitr’i Israely, fa efa tsy nankalazain’izy ireomitamba-be intsony, araka ny voasoratra.

6 Dia nandeha ny mpihazakazaka nitondra ny taratasin’ny mpanjaka sy ny lehibe any amin’i Israely sy i Jodà rehetra, ka nilaza, araka ny didin’ny mpanjaka nanao hoe: «Ry zanak’i Israely ô, miverena amin’i Iaveh Andriamanitr’i Abrahama sy i Isaaka ary i Israely, dia hiverina amin’izay sisa Izy, dia aminareo izay afaka tsy latsaka eo an-tanan’ny mpanjakan’i Asiria.

7 Aza manahaka ny rainareo aman-drahalahinareo, izay nanota tamin’i Iaveh, ka nataony nianjadian’ny fahoriana, araka izao hitanareo izao.

8 Koa aza manamafy ny hatokareo, toy ny nataon’ny razanareo, fa atolory an’i Iaveh ny tananareo, tongava ao amin’ny fitoerany masina, izay nohamasininy ho mandrakizay, ary manompoa an’i Iaveh Andriamanitrareo, mba hialan’ny afon’ny fahatezerany aminareo.

9 Fa raha miverina amin’i Iaveh ianareo, dia hahita famindram-po amin’ireo nitondra azy ho babo ny rahalahinareo aman-janakareo, ka tsy haviliny tsy hijery anareo ny Tavany, raha miverina aminy ianareo.»

10 Notetezin’ny mpihazakazaka toy izany avokoa ny tanàna any amin’ny tanin’i Efraima sy i Manase, ka hatrany amin’i Zabolôna; nefa nihomehezan’ny olona sy novazivaziny foana izy.

11 Ny olona sasany tamin’ny Asera sy i Manase ary i Zabolôna no hany nanetry tena ka tonga tany Jerosalema.

12 Any amin’i Jodà koa no namelaran’Andriamanitra ny tanany, ka nomeny fo iray hankatò ny didin’ny mpanjaka sy ny lehibe araka ny tenin’i Iaveh.

13 Vahoaka be no nivory tao Jerosalema hanao ny fetin’ny Azima tamin’ny volana faharoa: fivoriana lehibe dia lehibe izay.

14 Nitsangana izy ireo, dia noravany avokoa ny ôtely tao Jerosalema, noravany koa ny ôtely fanaterana zava-manitra, ka nariany tany an-dohasahan’i Sedrôna.

Ny Paka sy ny mofo azima

15 Izay vao namono ny Paka izay ireo, tamin’ny andro faha-14n’ny volana faharoa. Menatra ny mpisorona sy ny Levita, ka nanamasina ny tenany, dia nanolotra sorona dorana, tao an-tranon’i Iaveh.

16 Nipetraka teo amin’ny fitoerana fipetrahany araka ny fandaharana, araka ny lalàn’i Môizy, ilay olon’Andriamanitra izy ireo; ary ny mpisorona nandraraka ny ra, noraisiny avy any an-tanan’i Levita.

17 Ny Levita dia notendrena hamono ny soron’ny Paka, ho an’izay rehetra tsy madio mba hanokana azy ireo ho an’i Iaveh; fa betsaka ny olona teo amin’ny fiangonana no tsy mbola nanamasina ny tenany.

18 Fa betsaka tamin’ny vahoaka, maro tamin’i Efraima, i Manase, i Isakara, i Zabolôna, no dia tsy nandio tena, ka nihinana ny Paka ihany, nefa tsy nanaraka izay voasoratra. Fa dia nivavaka ho azy ireo i Ezekiasa, nanao hoe:

19 «I Iaveh mpamindra fo anie hamela heloka an’ireo nandraikitra ny fony hitady an’Andriamanitra, i Iaveh, Andriamanitry ny razany, na dia tsy ananany aza ny fahadiovana ilaina ao amin’ny fitoerana masina.»

20 Nihaino an’i Ezekiasa i Iaveh, ka namela ny heloky ny vahoaka.

21 Ny zanak’i Israely izay tao Jerosalema nankalaza ny fetin’ny Azima tamin-kafaliana lehibe, nandritra ny hafitoana; ary isan’andro ny Levita sy ny mpisorona nidera an’i Iaveh tamin’ny zava-maneno mikarantsana, ho fankalazana an’i Iaveh.

22 Niteny tamin’ny Levita rehetra, teny manetsika ny fo, i Ezekiasa, fa naneho fahaizana fatratra tamin’ny fanompoana an’i Iaveh izy ireo. Nandritra ny hafitoana izy ireo nihinana ny zavatra natao sorona tamin’ny fety, nanolotra ny sorom-pihavanana, ary nidera an’i Iaveh Andriamanitry ny razany.

23 Niray hevitra ny fiangonana rehetra, fa hankalaza hafitoana indray, ka nankalazainy an-kafaliana ny hafitoana;

24 fa ny fiangonana dia nomen’i Ezekiasa mpanjakan’i Jodà, ombalahy 1.000 sy ondry 7.000, ary ny lehibe koa efa nanome azy ombalahy 1.000 sy ondry 10.000, ary maro ny mpisorona no nanamasina ny tenany.

25 Niara-nirobiroby ny fiangonan’i Jodà rehetra, ny mpisorona sy ny Levita, ny fiangonana rehetra avy any amin’i Israely ary ny vahiny rehetra avy any amin’i Israely, na niorim-ponenana teo amin’i Jodà.

26 Ka nisy fifaliana lehibe tao Jerosalema, ary tsy mbola nisy toy izany tao Jerosalema hatramin’ny andron’i Salômôna zanak’i Davida, mpanjakan’i Israely.

27 Nitsangana ireo mpisorona levitika, dia nitso-drano ny vahoaka, ary voahaino ny feon’izy ireo, ka tafapaka hatrany amin’ny fonenana masin’i Iaveh hatrany an-danitra, ny vavaka nataony.

Categories
2Tantara

2Tantara 31

Fanitsiana ny fombam-pivavahana

1 Nony vita izany rehetra izany, dia niainga ny avy amin’i Israely rehetra izay teo, nankany amin’ny tanànan’i Jodà, ka notorotoroiny ny tsangam-bato, nokapainy ny aserah, noravany avokoa ny fitoerana avo aman’ôtely eran’i Jodà sy i Benjamina mbamin’i Efraima sy i Manase, nataony fongotra mihitsy. Izay vao samy nody any an-tanànany ny zanak’i Israely rehetra, samy ho any amin’ny anjara taniny.

Fanamboarana momba ny mpisorona sy ny Levita

2 Naorin’i Ezekiasa ny fizarazaràn’ny mpisorona sy ny Levita, araka ny antokony avy, – ny mpisorona sy ny Levita, samy araka ny raharahany avy, – hanaovana ny sorona dorana, ny sorom-pihavanana, ny fanompoam-pivavahana, ny hira amam-piderana, eo am-bavahadin’ny tobin’i Iaveh.

3 Izy ihany no nanome, avy amin’ny fananany, izay anjaran’ny mpanjaka, amin’ny sorona dorana, dia ny sorona dorana marain-tsy hariva, sy ny sorona dorana amin’ny sabata, ny voalohan’ny volana, ny fety, araka ny voasoratra ao amin’ny lalàn’i Iaveh.

4 Ary nilaza tamin’ny mponina ao Jerosalema izy, handoa ny anjaran’ny mpisorona sy ny Levita, mba hiraiketany mafy amin’ny lalàn’i Iaveh.

5 Rehefa naely izany didy izany, dia nanateran’ny zanak’i Israely be dia be ny santatry ny varimbazaha, ny divay vaovao, ny diloilo, ny tantely, mbamin’ny vokatry ny tany isan-karazany; be koa ny fahafolon-karena nentiny avy amin’ny vokatra rehetra.

6 Ny zanak’i Israely sy i Jodà, nonina teo amin’ny tanànan’i Jodà koa, dia nitondra ny fahafolon-karena tamin’ny omby aman’ondry, mbamin’ny fahafolon-karena tamin’ny zavatra masina rehetra natokana ho an’i Iaveh Andriamaniny, ka natokotoko ho antontany maro.

7 Tamin’ny volana fahatelo no natomboka ny manao antontany ka tamin’ny volana fahafito vao vita.

8 Tonga i Ezekiasa sy ny lehibe ka nony nahita ireo antontany, dia nisaotra an’i Iaveh sy i Israely izy ireo.

9 Ary nanontanian’i Ezekiasa ny amin’ireo antontany ireo, ny mpisorona sy ny Levita.

10 Ka hoy i Azariasa mpisorona lehibe taranak’i Sadôka namaly azy: «Hatramin’ny niandohan’ny nanateran’ny olona ny fanomezana voaavaka ao an-tranon’i Iaveh, dia nihinana sy nanao voky ihany izahay, nefa mbola be koa ny tsy laninay, fa nambinin’i Iaveh ny vahoakany, ka he izato habetsahan’ny sisa tsy lany.»

11 Nasain’i Ezekiasa namboarana efitrano tao an-tranon’i Iaveh ka dia namboarina izany,

12 dia nampidirina tao, tsy misy tomika, ny fanomezana voaavaka, ny fahafolon-karena, ary ny zavatra voatokana. I Kôneniasa Levita no tonian’ny fitandremana an’ireo; i Semeià rahalahiny no lefiny,

13 ary i Jahiela, i Azariasa, i Nahata, i Asaela, i Jerimota, i Jôzabada, i Eliala, i Jesmakiasa, i Mahata sy i Banaiasa no mpikarakara nofehezin’i Kôneiasa sy i Semeià rahalahiny, araka ny nandaharan’i Ezekiasa mpanjaka sy i Azariasa mpanapaka ao amin’ny tranon’Andriamanitra, an’izany.

14 I Kôre Levita mpiandry ny varavarana atsinanana no tonian’ny fanatitra an-tsitrapo naterin’ny olona ho an’i Iaveh, mba hizarazara izay voaavaka ho an’i Iaveh mbamin’ny zavatra masina indrindra.

15 Nisy fehiny niandry raharaha homeny azy ireo, tao amin’ny tanànan’ny mpisorona, dia i Edena, i Benjamina, i Jesoe, i Semeiàsa, i Amariasa, i Sekeniasa, izay niadidy ny fizaràna ho an’ny rahalahiny, araka ny antokony avy, na ny lehibe na ny kely;

16 afa-tsy ny lehilahy voasoratra, hatramin’ny telo taona no ho miakatra, dia izay rehetra niditra tao an-tranon’i Iaveh, araka ny ilainy isan’andro mba hanao ny fanompoana, araka ny anjara raharahany sy ny antokony avy.

17 Ny boky fanoratana ny mpisorona dia nalahatra araka ny fianakavian-drain’izy ireo ary ny Levita dia voasoratra araka ny raharahany sy ny antokony avy, hatramin’ny roapolo taona no ho miakatra.

18 Voasoratra tao anatin’ny boky ny zanany rehetra, ny vadiny, ny zanany lahy, ny zanany vavy, ny fiangonana rehetra, fa noho ny fahamarinany dia nikarakara tamim-pahamasinana ny fanatitra masina.

19 Ary ny amin’ny taranak’i Aarôna, dia ireo mpisorona nitoetra tany amin’ny faritry ny taniny, nanodidina ny tanànany, dia nisy lehilahy isan-tanàna, voatonona anarana, hanome ny anjaran’ny lehilahy amin’ny mpisorona sy ny Levita rehetra voasoratra.

20 Toy izany no nataon’i Ezekiasa, eran’i Jodà rehetra; nanao izay tsara sy mahitsy ary marina eo anatrehan’i Iaveh Andriamaniny izy.

21 Nataony tamin’ny fony tokoa ny raharaha rehetra nampanaoviny momba ny fanompoana ao an-tranon’i Iaveh, sy momba ny didy aman-dalàna nitadiavany an’Andriamaniny, ka nambinina izy.

Categories
2Tantara

2Tantara 32

Fanafihan’i Senakeriba

1 Taorian’ireo zavatra aman’asa marina ireo, no niainga i Senakeriba mpanjakan’i Asiria, ka nidina tany Jodà, dia nanorina toby hamely ny tanàna mimanda, ary nikendry ny hahafaka azy.

2 Nony hitan’i Ezekiasa fa tonga i Senakeriba sady nitodika an’i Jerosalema hamely azy,

3 dia niara-nidinika tamin’ny lehibe sy ny lehilahy maheriny izy, hanarona ny rano amin’ny loharano any ivelan’ny tanàna ka nanampy azy izy ireo.

4 Dia vahoaka be no nivory sy nanarona ny loharano rehetra mbamin’ilay renirano mamaky eo afovoan’ny tany, nanao hoe: «Ahoana no hahitan’ireo mpanjakan’i Asiria tonga atỳ ireo, rano betsaka?»

5 Nahazo hery i Ezekiasa, ka namboariny avokoa ny manda rava, nohavaoziny ny tilikambo, naoriny ny manda hafa teo ivelany, nohamafisiny i Melô tao an-tanànan’i Davida, ary nampanao fiadiana aman’ampinga betsaka izy.

6 Nanendry mpifehy miaramila hifehy ny vahoaka izy, dia novoriny ho eo aminy teo an-kalalahana akaikin’ny vavahadin’ny tanàna ireo, ka nomeny teny manetsika ny fo hoe:

7 «Matanjaha sy mahereza, fa aza matahotra na manam-badi-po eo anoloan’ny mpanjakan’i Asiria sy ireo vahoaka maro be momba azy.

8 Sandry nofo no momba azy, fa i Iaveh Andriamanitsika kosa no momba antsika, hanampy antsika sy hitarika ny fanahintsika.» Natoky ny tenin’i Ezekiasa mpanjakan’i Jodà ny vahoaka.

Teny tsy mendrika nataon’i Senakeriba

9 Raha efa izany, naniraka ny mpanompony ho any Jerosalema i Senakeriba mpanjakan’i Asiria, – fa izy mbamin’ny miaramilany rehetra izany dia mbola teo anoloan’i Lakisa, ho any amin’i Ezekiasa, mpanjakan’i Jodà, mbamin’ireo avy amin’i Jodà rehetra tao Jerosalema hilaza aminy hoe:

10 «Izao no lazain’i Senakeriba mpanjakan’i Asiria: Inona izato itokianareo, no dia mihiboka atao fahirano ato Jerosalema ka tra-pahoriana ianareo?

11 Tsy famitahan’i Ezekiasa anareo va mba hanolorany anareo ho faty mosary sy hetaheta, no nilazany hoe: I Iaveh Andriamanitsika no hamonjy antsika amin’ny tanan’ny mpanjakan’i Asiria?

12 Tsy io Ezekiasa io indrindra va no nandrava ny fitoerana avo sy ny ôtelin’i Iaveh, ka nilaza tamin’i Jodà sy i Jerosalema hoe: Eo anoloan’ny ôtely iray monja no hiankohofanareo ary ao no anateranareo zava-manitra.

13 Ary tsy mba fantatrareo va ny nataonay, dia izaho sy ny razako, tamin’ny firenena rehetra tamin’ny tany é?

14 Moa nahavonjy tokoa ny taniny tamin’ny tanako va, ny andriamanitry ny firenena amin’ny tany? Iza amin’ny andriamanitr’ireo firenena naringan’ny razako no nahavonjy ny vahoaka tamin’ny tanako, no dia hahavonjy anareo amin’ny tanako ny Andriamanitrareo?

15 Koa ankehitriny, aza dia mety hambosin’i Ezekiasa na hofitahiny ianareo! Ary aza matoky azy. Fa ny andriamanitry ny firenena sy ny fanjakana hafa rehetra tsy nisy nahavonjy ny vahoakany tamin’ny tanako sy ny tanan’ny razako, ka mainka tsy hahavonjy anareo amin’ny tanako izay Andriamanitrareo.»

16 Ny mpanompon’i Senakeriba mbola nanao teny faniratsirana an’i Iaveh Andriamanitra sy an’i Ezekiasa mpanompony.

17 Izy koa nanoratra taratasy nanalany baraka an’i Iaveh Andriamanitr’i Israely sy naniratsirany azy; izao no teniny: «Tahaka ny tsy nahavonjen’ireo andriamanitry ny firenena amin’ny tany ny vahoakany tamin’ny tanako, no tsy hahavonjen’ny Andriamanitr’i Ezekiasa ny vahoakany, amin’ny tanako koa.»

18 Tamim-peo avo sy amin’ny fiteny Jody, no niantsoantsoan’ireo mpanompony tamin’ny vahoaka tao Jerosalema izay teny ambony manda, mba hampitahotra sy hampivadi-po an’ireo, hahazoany ny tanàna.

19 Mova tsy ny filaza ny andriamanitry ny firenena amin’ny tany, asan-tanan’olombelona ihany, no filàzany ny Andriamanitr’i Jerosalema!

Nekena ny vavak’i Ezekiasa

20 Noho izany dia raikitra nivavaka i Ezekiasa mpanjaka sy i Izaia mpaminany, zanak’i Amôsa, ka nitaraina tamin’ny lanitra izy.

21 Dia naniraka Anjely anankiray i Iaveh ary naringan’io avokoa ny lehilahy mahery sy ny filohany mbamin’ny lehibe teo an-tobin’ny mpanjakan’i Asiria, ka lasa nody any amin’ny taniny, safo-kenatra, ity mpanjaka. Nony tafiditra tao an-tranon’ny andriamaniny izy, dia ny sasany tamin’izay naloaky ny kibony no namono azy tamin’ny sabatra.

22 Ary namonjy an’i Ezekiasa sy ny mponina tao Jerosalema, tamin’ny tanan’i Senakeriba mpanjakan’i Asiria, sy tamin’ny fahavalony rehetra, i Iaveh, nitari-dalana azy ireo, na ho aiza na ho aiza.

23 Maro ny olona nitondra fanatitra ho an’i Iaveh tany Jerosalema ary fanomezana sarobidy ho an’i Ezekiasa mpanjakan’i Jodà, izay tonga voasandratra teo imason’ny firenena rehetra hatramin’izay.

24 Tamin’izany andro izany, narary efa ho faty i Ezekiasa, ka nivavaka tamin’i Iaveh, dia niteny taminy i Iaveh sy nanao fahagagana ho azy.

25 Tsy namaly araka ny soa noraisiny anefa i Ezekiasa fa nisondrotra ny fanahiny, ka niharan’ny fahatezeran’i Iaveh izy mbamin’i Jodà sy i Jerosalema.

26 Dia nanetry tena i Ezekiasa noho ilay niavonavonan’ny fony, dia izy mbamin’ny mponina ao Jerosalema, ka tsy niharan’ny fahatezeran’i Iaveh izy ireo, nandritra ny andro niainan’i Ezekiasa.

27 Nanan-karena amam-boninahitra be i Ezekiasa. Nahatonga rakitra miavosa izy, dia volafotsy, volamena, vato soa, zava-manitra, ampinga ary zavatra mahate hanana isan-karazany.

28 Nanao trano fitahirizam-bokatra izy, na varimbazaha, na divay, na diloilo, tranom-pihinanam-biby ho an’ny biby fiompy isan-karazany, ary nanana biby fiompy ao an-tranom-biby.

29 Nanao tanàna maro ho azy izy, ary nanana andiany maro izy, tamin’ny omby sy ny ondry, fa nomen’Andriamanitra harena be dia be.

Famintinana ny nanjakany, sy ny niafarany

30 I Ezekiasa io ihany koa, no nanarona ny fivoahan’ny rano any ambony tamin’ny ranon’i Gihôna, ka nampandeha azy hidina mankany andrefan’ny tanànan’i Davida. Nahomby i Ezekiasa tamin’izay rehetra nataony.

31 Tamin’ireo iraka nirahin’ny lehiben’i Babilôna, hanontany azy ny amin’ny zava-mahagaga natao teo amin’ny tany, ny hany nandaozan’Andriamanitra azy, dia ny hizahany toetra azy, mba hahalalany ny ao am-pony rehetra.

32 Ny asan’i Ezekiasa sisa, mbamin’ny asany momba ny fivavahana, dia efa voasoratra ao amin’ny Fahitan’i Izaia mpaminany zanak’i Amôsa sy ao amin’ny bokin’ny mpanjakan’i Jodà sy i Israely.

33 Dia nody mandry any amin’ny razany i Ezekiasa, ka nalevina teo amin’ny fitoerana ambony indrindra, amin’ny fasan’ny taranak’i Davida; ary tamin’ny nahafatesany, dia niara-nanome voninahitra azy i Jodà rehetra sy ny mponina ao Jerosalema. I Manase zanany no nanjaka nandimby azy.

Categories
2Tantara

2Tantara 33

Ravan’i Manase ny asan’i Ezekiasa

1 Roa ambin’ny folo taona i Manase fony vao nanjaka, ary dimy amby dimampolo taona no nanjakany tao Jerosalema.

2 Nanao izay ratsy eo imason’i Iaveh izy, nanaraka ny fahavetavetan’ny firenena noroahin’i Iaveh teo anoloan’ny zanak’i Israely.

3 Naoriny indray ny fitoerana avo noravan’i Ezekiasa rainy; nanangana ôtely ho an’ireo Baala izy; nanao aserah izy, ary niankohoka teo anatrehan’ny tafiky ny lanitra, sy nanompo azy.

4 Nanorina ôtely teo an-tranon’i Iaveh izy, izay nolazain’i Iaveh hoe: «Ho ao Jerosalema mandrakizay ny Anarako.»

5 Nanorina ôtely teo amin’ny kianja roa an-tranon’i Iaveh izy, ho an’ny tafiky ny lanitra rehetra.

6 Nampamakiny ny afo tao an-dohasahan’i Bena-Enôma ny zanany, Narahiny avokoa ny fomban’ny fanandroana, ny sikidy, ny fankatoavana, nanendry olona ho mpiantso ny fanahy sy ho mpanao ody izy.

7 Ny sarin’ny sampy nataony, dia napetrany tao amin’ny tranon’Andriamanitra izay nolazain’Andriamanitra tamin’i Davida sy i Salômôna zanany hoe: «Eto amin’ity trano ity sy eto Jerosalema izay nofidiko teo amin’ny fokon’i Israely rehetra no tiako hametrahana ny Anarako mandrakizay.

8 Tsy havoakako hiala amin’ny tany notendreko ho an’ny razanareo ny tongotr’i Israely, raha mbola tandremany ihany koa ny manaraka izay rehetra nandidiako azy, dia araka ny didy aman-dalàna ary fitsipika nomena tamin’ny alalan’i Môizy.»

9 Ka dia i Manase no tonga nampania an’i Jodà mbamin’ny mponina ao Jerosalema, ka nandroso nanao ratsy izy ireo mihoatra noho ireo firenena naringan’i Iaveh, teo anoloan’ny zanak’i Israely.

10 Niteny tamin’i Manase sy ny vahoakany i Iaveh; nefa tsy nasian’izy ireo raharaha akory izany.

Ny nibebahan’i Manase

11 Tamin’izay dia nentin’i Iaveh hamely azy ireo ny lehiben’ny tafiky ny mpanjakan’i Asiria, nosamborin’ireo i Manase tamin’ny masom-by, nogiazany tamin’ny gadra varahina roa, dia nentiny nankany Babilôna.

12 Nony latsaka am-pahoriana izy vao nihanta an’i Iaveh Andriamaniny, nanetry tena lehibe teo anatrehan’ny Andriamanitry ny razany.

13 Dia nangataka taminy izy; dia nety ifonana i Iaveh ka nihaino ny fifonany, sy nampody azy ho any Jerosalema amin’ny fanjakany. Dia niaiky i Manase fa Andriamanitra i Iaveh.

14 Tatỳ aorian’izany, nanao manda teo ivelan’ny tanànan’i Davida izy, teo andrefana mankany Gihôna amin’ny lohasaha hatrany amin’ny vavahadin-Kazandrano hanodidina an’i Ofela, sady nasondrony avo dia avo. Ary nametrahany mpifehy miaramila ny tanàna mimanda rehetra amin’i Jodà.

15 Nesoriny tao an-tranon’i Iaveh ny andriamani-kafa, ny sampy, mbamin’ireo ôtely rehetra naoriny teo an-tendrombohitry ny tranon’i Iaveh, sy tao Jerosalema, ka nariany tany ivelan’ny tanàna.

16 Dia naoriny indray ny ôtelin’i Iaveh, ka nanatitra sorom-pihavanana amam-pisaorana teo izy, ary nandidy an’i Jodà hanompo an’i Iaveh Andriamanitr’i Israely.

17 Mbola nanao sorona teny amin’ny fitoerana avo ihany ny vahoaka, nefa tsy ho an’iza fa ho an’i Iaveh Andriamaniny.

18 Ny asan’i Manase sisa, ny vavaka nataony tamin’ny Andriamaniny, ny tenin’ireo mpahita niteny tamin’ny Anaran’i Iaveh Andriamanitr’i Israely, dia efa samy voasoratra ao amin’ny asan’ny mpanjakan’i Israely.

19 Ny vavaka nataony, ny nihainoan’Andriamanitra an’izany, ny fahotany amam-pahadisoany, ny toerana nanorenany fitoerana avo, sy nananganany aserah aman-tsarin-javatra, talohan’ny nanetreny tena, dia indro fa efa voasoratra ao amin’ny Tenin’i Hôzaia.

20 Ary nody mandry any amin’ny razany i Manase ka nalevina tao an-tranony. I Amôna zanany no nanjaka nandimby azy.

Mbola mafy fo i Amôma

21 Ary 22 taona i Amôna fony vao nanjaka, ary roa taona no nanjakany tao Jerosalema.

22 Nanao izay ratsy eo imason’i Iaveh, tahaka ny nataon’i Manase rainy izy, nanao sorona tamin’ny sarin-javatra rehetra nataon-drainy, i Amôna, ary nanompo an’ireny.

23 Tsy mba nanetry tena teo anatrehan’i Iaveh tahaka ny nataon-drainy anefa izy, fa vao mainka nanota bebe kokoa aza i Amôna.

24 Niray tetika hamely azy ny mpanompony, dia namono azy ho faty tao an-tranony.

25 Fa novonoin’ny vahoaka tamin’ny tany kosa izay rehetra niray tetika hamely an’i Amôna. Dia i Josiasa zanany no natsangan’ny vahoaka tamin’ny tany ho mpanjaka hisolo azy.