Categories
2Tantara

2Tantara 34

Topy maso momba ny fanjakana

1 Valo taona i Josiasa fony vao nanjaka, ary 31 taona no nanjakany tao Jerosalema.

2 Nanao izay mahitsy eo imason’i Iaveh izy, ka nandeha tamin’ny lalan’i Davida rainy, fa tsy mba nivily ho amin’ny ankavanana na ho amin’ny ankavia.

Fanitsiana voalohany

3 Tamin’ny taona fahavalo nanjakany, mbola tanora izy fahizay, dia efa niantomboka nitady ny Andriamanitr’i Davida rainy izy, ary tamin’ny taona faha-12, dia natombony ny fanadiovana an’i Jodà sy i Jerosalema, tsy hisy fitoerana avo, na aserah, na sarin-javatra voasikotra, na sarin-javatra anidina.

4 Noravana teo anatrehany ny ôtelin’ireo Baala, dia nazerany ny sariolona teo amboniny natokana ho an’ny masoandro, notorotoroiny ny aserah, ny sarin-javatra voasikotra, ny sarin-javatra anidina, nataony zary vovoka ireny, dia nafafiny teny amin’ny fasan’izay nanatitra sorona taminy,

5 ary nodorany teo ambonin’ireo ôteliny ny taolan’ny mpisorona. Dia nanadio an’i Jodà sy i Jerosalema izy.

6 Ary tany amin’ny tanànan’i Manase sy i Efraima mbamin’i Simeôna, hatrany amin’i Neftalì, tamin’ireny tanànany rava ireny,

7 dia noravany koa ny ôtely, notorotoroiny nataony zary vovoka ny aserah sy ny sarin-javatra voasikotra, ary nazerany avokoa ny sary mivongana natokana ho an’ny masoandro, teo amin’ny tanin’i Israely rehetra, vao niverina nankany Jerosalema izy.

Asa nanamboarana ny Tempoly

8 Tamin’ny taona faha-18 nanjakany, rehefa voadiony ny tany sy ny tranon’Andriamanitra, dia nirahiny i Safàna zanak’i Aslià sy i Maasiasa komandin’ny tanàna, ary i Jôhà zanak’i Jôakaza mpitahiry bokim-panjakana, hamboatra ny tranon’i Iaveh Andriamaniny.

9 Nankao amin’i Helkiasa mpisorona lehibe ireo, nanolotra ny vola naterina tao an-tranon’Andriamanitra, nangonin’ireo Levita mpiandry varavarana avy tamin’i Manase sy i Efraima, mbamin’i Israely rehetra sy i Jodà rehetra ary i Benjamina sy ny mponina ao Jerosalema.

10 Napetrany izany teo an-tanan’ireo mpampanao ny asa, izay notendrena ho mpitandrina amin’ny tranon’i Iaveh; dia ireto kosa indray no nizara azy tamin’ny mpiasa, izay niasa tamin’ny tranon’i Iaveh, hamboatra sy hanamafy ny trano.

11 Dia nomeny ny mpandrafitra hazo sy ny mpandrafitra vato izany, ary nividianany vato voapaika sy hazo handrafetana ny tafo ary hanisiana sakamandimby hatao amin’ny trano nosimban’ny mpanjakan’i Jodà.

12 Nefain’ireo lehilahy ireo tamim-pahamarinana ny anjara asany. Ny voatery hitandrina azy ireo, dia i Jahata sy i Abdiasa Levita tamin’ny taranak’i Merarì, i Zakariasa sy i Mosolama tamin’ny taranaky ny Kaatita; izy ireo no nitarika azy mbamin’ny Levita hafa koa izay samy mahay zava-maneno.

13 Izy koa no nitandrina ny mpitondra entana, sy nitarika ny mpiasa rehetra amin’ny taozavatra isan-karazany. Nisy Levita sasany koa, mpanoratra, mpikarakara sy mpiandry varavarana.

Ny nahitana ny lalàna

14 Tamin’ny fotoana namoahana ny vola voaatitra tao an-tranon’i Iaveh, dia hitan’i Helkiasa mpisorona, ny bokin’ny lalàn’i Iaveh nomena tamin’ny alalan’i Môizy.

15 Ka hoy i Helkiasa niteny tamin’i Safàna mpanoratra: «Hitako tao an-tranon’i Iaveh ny bokin’ny lalàna», ary natolotr’i Helkiasa an’i Safàna ny boky.

16 Dia nentin’i Safàna tany amin’ny mpanjaka, ka nilaza taminy koa izy, nanao hoe: «Efa nataon’ny mpanomponao avokoa izay rehetra nasaina nataony;

17 nalainy daholo ny vola rehetra hita tao an-tranon’i Iaveh, dia napetrany eo an-tanan’izay voatendry ho mpitandrina sy eo an-tanan’ny mpampanao ny asa.» Ary mbola nisy filazana koa nataon’i Safàna tamin’ny mpanjaka hoe:

18 «Misy boky nomen’i Helkiasa mpisorona ahy», sady namaky teo amin’ny boky teo anatrehan’ny mpanjaka izy.

19 Nony efa nandre ny tenin’ny lalàna ny mpanjaka, dia nandriatra ny fitafiany,

20 ka nanome didy an’i Helkiasa, i Ahikama zanak’i Safàna, i Abdôna zanak’i Mikà, i Safàna mpanoratra, ary i Asaà mpanompon’ny mpanjaka hoe:

21 «Mandehana ianareo, manontania amin’i Iaveh, ho ahy sy ho an’izay sisa amin’i Israely sy i Jodà, ny amin’ny teny amin’io boky vao hita io, fa lehibe ny fahatezeran’i Iaveh nirotsaka amintsika, satria ny razantsika tsy nitandrina ny tenin’i Iaveh amin’ny fanatanterahana izay rehetra voasoratra amin’io boky io.»

Teninà mpaminany vavy

22 Dia lasa i Helkiasa mbamin’ireo voatendrin’ny mpanjaka, nankany amin’i Holdà mpaminany vavy, vadin’i Seloma zanak’i Tekoata zanak’i Hasrà, mpitahiry ny fitafiana. Tao Jerosalema amin’ny faritany faharoa ravehivavy no nitoetra. Nony voalazan’izy ireo taminy ny nanirahana azy, dia izao no nalazany azy ireo:

23 «Izao no lazain’i Iaveh Andriamanitr’i Israely: Lazao amin’izay lehilahy naniraka anareo ho atỳ amiko hoe: Izao no lazain’i Iaveh:

24 Indro Aho hampidi-doza amin’ity toerana ity, sy amin’ny mponina ao aminy, dia ny ozona rehetra voasoratra amin’ny boky novakina teo anatrehan’ny mpanjakan’i Jodà.

25 Satria izy ireo nahafoy Ahy, dia nanatitra zavatra manitra ho an’ireo andriamani-kafa, ka nampahatezitra Ahy tamin’ny asan-tanany rehetra, dia nirotsaka amin’ity tany ity ny hatezerako sady tsy ho azo tonena.

26 Izao no holazainareo amin’ny mpanjakan’i Jodà, izay naniraka anareo hanontany amin’i Iaveh: Izao no lazain’i Iaveh Andriamanitr’i Israely: Ny amin’ny teny efa renao,

27 noho ianao nibebaka tao am-ponao sy nanetry tena teo anatrehan’Andriamanitra, tamin’ny fandrenesana ny teny mamely ity tany ity mbamin’ny mponina ao aminy; noho ianao nandriatra ny fitafianao sy nitomany teo anatrehako tamin’ny fanetrena ny tenanao, Izaho koa dia efa nihaino anao: teny marin’i Iaveh.

28 Indro fa hangoniko any amin’ny razanao ianao, dia ho voangona amim-piadanana ao am-pasanao ka tsy hahita maso ny loza rehetra hampidiriko amin’ity tany ity sy amin’ny mponina eo aminy.» Dia nentin’izy ireo ho any amin’ny mpanjaka izany valy azony izany.

Fanavaozana ny fanekem-pihavanana

29 Ka nasain’ny mpanjaka novorina ny loholona rehetra amin’i Jodà sy i Jerosalema;

30 dia niakatra ho ao an-tranon’i Iaveh ny mpanjaka mbamin’ny lehilahy rehetra amin’i Jodà sy ny mponina ao Jerosalema, ny mpisorona, ny Levita, ny vahoaka rehetra, hatramin’ny lehibe indrindra sy ny kely indrindra, ary novakina teo anatrehan’izy rehetra, ny teny ao amin’ny bokin’ny fanekena, hita tao an-tranon’i Iaveh.

31 Nitsangana teo amin’ny lampihazo ny mpanjaka, nohavaoziny teo anatrehan’i Iaveh indray ny fanekena, nanetry tena hanaraka an’i Iaveh izy, hitandrina ny didiny amam-pitsipiny mbamin’ny lalàny, amin’ny fony rehetra sy amin’ny fanahiny rehetra, amin’ny fanarahana ny teny amin’ny fanekena voasoratra amin’izany boky izany.

32 Ary notaominy hiaiky ny fanekena ny olona rehetra tao Jerosalema sy any Benjamina, ka dia nanao araka ny faneken’Andriamanitra, izay Andriamanitry ny razany, ny mponina tao Jerosalema.

33 Nofoanan’i Josiasa avokoa ny fahavetavetana teo amin’ny tany rehetra ananan’ny zanak’i Israely, ary nodidiany hanompo an’i Iaveh Andriamaniny, ny olona rehetra teo amin’i Israely. Ka raha mbola velona koa izy dia tsy mba niala tamin’ny fanarahana an’i Iaveh Andriamanitry ny razany izy ireo.

Categories
2Tantara

2Tantara 35

Fanomanana ny Paka

1 Nankalaza ny Paka tao Jerosalema i Josiasa ho fankalazana an’i Iaveh, ka namonona ny Paka ny olona tamin’ny andro faha-14n’ny volana voalohany.

2 Nanendry ny mpisorona ho amin’ny raharahany avy izy, dia namporisika azy ireo hanao ny fanompoana ao an-tranon’i Iaveh.

3 Ary hoy izy tamin’ireo Levita nampianatra an’i Israely rehetra, sy efa voahasina ho an’i Iaveh: «Apetraho ao amin’ny trano nataon’i Salômôna zanak’i Davida mpanjakan’i Israely, ny fiara masina; fa tsy hisy hilanjanareo azy intsony izao. Ka manompoa an’i Iaveh Andriamanitrareo, sy i Israely vahoakany.

4 Samia ianareo miomana, araka ny fianakavianareo sy ny antokonareo avy araka ny fandaharan’i Davida mpanjakan’i Israely sy ny fandaminan’i Salômôna zanany.

5 Samia ho eo amin’ny fitoerana masina, araka ny fizaràm-pianakavian’ny rahalahinareo, dia ny zanaky ny vahoaka izany, isam-pizaràna dia asiana antokon’ny fianakavian’ny Levita iray.

6 Dia vonony ny Paka, hamasino ny tenanareo, ary amboary izy ho an’ny rahalahinareo, hanarahan’ny olona ny tenin’i Iaveh voalaza tamin’i Môizy.»

Fankalazana ny Paka

7 Nanao fanomezana tamin’ny ankapobem-bahoaka rehetra i Josiasa, dia biby fiompy madinika, zanak’ondry aman-janak’osy, 30.000 no isany, ho an’izay rehetra tonga teo hanaovany ny Paka; ary omby 3.000; avy tamin’ny fananan’ny mpanjaka avokoa izany rehetra izany.

8 Ny lehibe nanolotra fanomezana an-tsitrapo ho an’ny vahoaka sy ny mpisorona ary ny Levita. I Helkiasa, i Zakariasa ary i Jahiela, filohany ao an-tranon’i Iaveh, nanome zanak’ondry 2.600 sy omby 300, ho an’ny mpisorona, hanaovana ny Paka.

9 I Kôneniasa, i Semeiàsa sy i Natanaely rahalahiny, i Hasabiasa, i Jehiela, i Jôzabada lehiben’ny Levita, nanome zanak’ondry 5.000 sy omby 500, ho an’ny Levita hanaovana ny Paka.

10 Toy izany no nandaharana ny fanompoana: nipetraka tamin’ny fitoerana voalahatra ny mpisorona, torak’izany koa ny Levita, araka ny antokony avy, sy araka ny didin’ny mpanjaka.

11 Novonoin’ny Levita ny Paka, ary ny mpisorona nandray ny ra avy any an-tanan’ireo sy nandraraka azy, ary ny Levita kosa tamin’izay dia nanoditra ny sorona.

12 Natokany ny hatao sorona dorana, nozarainy amin’ny ankapobem-bahoaka araka ny fizaràm-pianakaviany avy, hanaterany izany ho an’i Iaveh, araka ny voasoratra ao amin’ny bokin’i Môizy: torak’izany koa ny tamin’ny omby.

13 Natsatsiny tamin’ny afo, araka ny fanao, ny Paka, nandrahoiny tamin’ny vilany sy vilanibe ary lapoaly, ny fanatitra masina, dia nozarainy faingana tamin’ny ankapobem-bahoaka rehetra.

14 Izay izy ireo vao namboatra ho an’ny tenany sy ho an’ny mpisorona; fa niasa mandra-pahalin’ny andro ny mpisorona, taranak’i Aarôna, nanolotra ny sorona dorana sy ny sabora; ka izany no namboaran’ny Levita ho an’ny tenany sy ho an’ny mpisorona, taranak’i Aarôna.

15 Ny mpihira, taranak’i Asafa, nitoetra teo amin’ny fitoerany, araka ny didin’i Davida sy i Asafa, ary i Hemàna sy i Iditona, mpahitan’ny mpanjaka; ny mpiandry varavarana kosa samy teo amin’ny isam-bavahady avy, fa tsy nanan-javatra hoherikerehina afa-tsy ny raharahany ihany, satria ny Levita rahalahiny efa namboatra ny Paka ho azy.

16 Izany no nandaharana ny fanompoana an’i Iaveh tamin’izany andro izany, hankalazana ny Paka sy hanolorana sorona dorana eo ambonin’ny ôtelin’i Iaveh, araka ny didin’i Josiasa mpanjaka.

17 Dia nankalaza ny Paka sy ny fetin’ny azima hafitoana ny zanak’i Israely izay tonga teo, tamin’izany andro izany.

18 Tsy mbola nisy Paka nankalazaina toy izany teo amin’i Israely, hatramin’ny andron’i Samoela mpaminany; ary tsy mbola nisy mpanjakan’i Israely nahavita Paka torak’izay nataon’i Josiasa mbamin’ny mpisorona, ny Levita, i Jodà rehetra, sy i Israely rehetra izay teo, ary ny mponina tao Jerosalema.

Loza niafaran’ny fanjakana

19 Tamin’ny taona faha-18 nanjakan’i Josiasa no nanaovana izany Paka izany.

20 Tatỳ aorian’izany rehetra izany, rehefa voamboatr’i Josiasa ny tranon’i Iaveh, dia niakatra hiady ao Karikamisa amoron’i Eofrata, i Nekô mpanjakan’i Ejipta: ka dia nivoaka hitsena azy i Josiasa.

21 Fa nandefa iraka ho any aminy i Nekô nanao hoe: «Inona no tadiavinao amiko, ry mpanjakan’i Jodà? Tsy hiady aminao no nalehako izao, fa hiady amin’ny fianakaviana izay ananako ady, sady nasain’Andriamanitra mandeha faingana aho. Ka aoka itsy, fa aza manohitra an’Andriamanitra izay momba ahy, fandrao dia ataony maty ianao.»

22 Tsy nety niodina niala taminy anefa i Josiasa, fa nanao fitafiana hafa izy hamely azy: tsy nohenoiny akory ny tenin’i Nekô, avy amin’ny vavan’Andriamanitra, fa nandroso izy hiady eo amin’ny lemak’i Magedao.

23 Kanjo nitifotra an’i Josiasa mpanjaka ny mpandefa tsipìka, ka hoy ny mpanjaka tamin’ny mpanompony: «Ento miala eto aho, fa voa mafy.»

24 Dia nafindran’ny mpanompony avy teo amin’ny kalesy izy, ka napetrany teo amin’ny kalesy hafa izay kalesiny, ka nentiny tao Jerosalema. Maty izy, ka nalevina tao am-pasan-drazany. Nisaona an’i Josiasa avokoa i Jodà sy i Jerosalema.

25 Namoron-kira fisaonana an’i Josiasa i Jeremia, ary nilaza an’i Josiasa ny mpihira rehetra na lahy na vavy amin’ny hira fisaonana nataony mandrak’androany, ka tonga fanao eo imason’i Israely izany; ka indro fa voasoratra ao amin’ny Fihirana fisaonana izany hira izany.

26 Ny asan’i Josiasa sisa, ny asa fitiavam-bavaka mifanaraka amin’ny voasoratra ao amin’ny lalàn’i Iaveh, ny asany voalohany sy farany, dia efa voasoratra ao amin’ny bokin’ny mpanjakan’i Israely sy i Jodà.

Categories
2Tantara

2Tantara 36

i Jôakaza

1 I Jôakaza, zanak’i Josiasa, no nalain’ny vahoaka tamin’ny tany nampanjakainy handimby an-drainy, tao Jerosalema.

2 Ary 23 taona i Jôakaza fony vao nanjaka, ary telo volana no nanjakany tao Jerosalema.

3 Naongan’ny mpanjakan’i Ejipta tao Jerosalema izy, sady nampandoaviny vola talenta volafotsy zato sy talenta volamena iray ny tany.

4 Efa i Eliasima, rahalahin’i Jôakaza no nampanjakainy tamin’i Jodà sy i Jerosalema sy novany anarana hoe: Jôakima. Ary i Jôakaza rahalahiny, nalainy dia nentiny nankany Ejipta.

I Jôakima

5 Ary 25 taona i Jôakima fony vao nanjaka, ary 11 taona no nanjakany tao Jerosalema. Nanao izay ratsy eo imason’i Iaveh Andriamaniny izy.

6 Niakatra hamely azy i Nabokodonozora mpanjakan’i Babilôna, ka nafatony tamin’ny gadra varahina roa izy, hoentiny any Babilôna.

7 Nentin’i Nabokodonozora ho any Babilôna ny fanaka sasany tao an-tranon’i Iaveh, ka nataony tao amin’ny tempoliny any Babilôna.

8 Ny asan’i Jôakima sisa, ny fahavetavetana nataony, mbamin’ny toetrany hita, dia efa voasoratra ao amin’ny bokin’ny mpanjakan’i Jodà sy i Israely. Ary i Joasina zanany no nanjaka nandimby azy.

I Joasina

9 Valo taona i Joasina fony vao nanjaka, ary telo volana sy hafoloana no nanjakany tao Jerosalema. Nanao izay ratsy eo imason’i Iaveh izy.

10 Nony niherina ny taona dia nasain’i Nabokodonozora mpanjaka nentina ho any Babilôna izy, mbamin’ny fanaka sarobidy tao an-tranon’i Iaveh. Ary i Sedesiasa rahalahin’iJoasina, no notendreny ho mpanjakan’i Jodà sy i Jerosalema.

I Sedesiasa

11 Ary 21 taona i Sedesiasa fony vao nanjaka, ary 11 taona no nanjakany tao Jerosalema.

12 Nanao izay ratsy eo imason’i Iaveh Andriamaniny izy, ary tsy nanetry tena teo anatrehan’i Jeremia mpaminany, izay niteny taminy, tamin’ny anaran’i Iaveh.

13 Nikomy tamin’i Nabokodonozora mpanjaka aza izy, izay efa nampianiana azy tamin’ny anaran’Andriamanitra. Nanamafy ny hatony sy nanamafy ny fony izy, mba tsy hiverenany amin’i Iaveh Andriamanitr’i Israely.

Ny firenena

14 Ny lehiben’ny mpisorona rehetra mbamin’ny vahoaka koa nandroso nanao fahadisoana manaraka ny fahavetavetan’ny firenena, sy nandoto ny tranon’i Iaveh, izay efa nohamasininy, tao Jerosalema.

15 Malaky sady matetika no nampitondra teny fananarana tany amin’izy ireo, i Iaveh Andriamanitry ny razany, tamin’ny alalan’ny irany, fa nangoraka ny vahoakany sy ny fonenany izy.

16 Kanjo nihomehezan’izy ireo ny irak’Andriamanitra, notsiratsirainy ny teniny, ary novazivaziny ny mpaminaniny, mandra-pihatran’ny fahatezeran’Andriamanitra tamin’ny vahoakany tsy azo notohaina intsony.

Lany tamingana

17 Tamin’izay dia nentin’i Iaveh hiakatra hamely azy ireo ny mpanjakan’ny Kaldeanina, ary novonoin’io tamin’ny sabatra tao an-tranon’ny fitoerany masina, ny zatovony, tsy nisy nananany antra, na ny tovolahy, na ny tovovavy, na ny antitra na ny fotsy volo, fa natolony ho eo an-tanany avokoa.

18 Nentin’i Nabokodonozora ho any Babilôna avokoa ny fanaka teo an-tranon’i Iaveh, na ny lehibe na ny kely, ny rakitry ny tranon’i Iaveh, ny rakitry ny mpanjaka, ary ny an’ireo filohany.

19 Nodorany ny tranon’Andriamanitra, noravany ny mandan’i Jerosalema, notselarany ny afo ny lapa rehetra teo, ary nosimbany ny fanaka sarobidy rehetra.

20 Nentin’i Nabokodonozora ho babo tany Babilôna ny olona sisa tsy matin-tsabatra, ka tonga andevon’izy sy ny zanany ireny, mandra-panjakan’ny mpanjakan’i Persa.

21 Izany no nahatanterahan’ny tenin’i Iaveh, tamin’ny vavan’i Jeremia: «Mandra-pahazon’ny tany ny onitry ny sabany, fa nitsahatra izy mandritra ny fotoana nahafoana azy, dia mandra-pahafenon’ny fitopolo taona.»

22 Tamin’ny taona voalohany nanjakan’i Sirosa, mpanjakan’i Persa, dia namporisihin’i Iaveh, ny fanahin’i Sirosa mpanjakan’i Persa, mba hahatanteraka ny tenin’i Iaveh tamin’ny vavan’i Jeremia, ka nasainy natao kabary sy nolazaina an-tsoratra hiely eran’ny fanjakany izao teny izao:

23 «Izao no lazain’i Sirosa mpanjakan’i Persa: Efa nomen’i Iaveh Andriamanitry ny lanitra ahy ny fanjakana rehetra eto an-tany: ary efa nandidy ahy Izy, hanao trano ho azy any Jerosalema. Koa iza avy moa aminareo no vahoakany? Homba azy anie i Iaveh Andriamaniny ary aoka hiakatra izy…»

Categories
Esdrasa

Esdrasa 1

Ny niverenan’ny Siônista

1 Tamin’ny taona voalohany nanjakan’i Sirosa mpanjakan’i Persa, dia namporisihin’i Iaveh ny fanahin’i Sirosa mpanjakan’i Persa, mba hahatanteraka ny tenin’i Iaveh, nolazainy tamin’i vavan’i Jeremia: ka nasainy natao kabary sy nolazaina an-tsoratra, hiely eran’ny fanjakany izao teny izao:

2 «Izao no lazain’i Sirosa mpanjakan’i Persa: Efa nomen’i Iaveh Andriamanitry ny lanitra ahy ny fanjakana rehetra eto an-tany, ary efa nandidy ahy Izy, hanao trano ho Azy, any Jerosalema any Jodà.

3 Ka iza aminareo no vahoakany? Homba azy anie ny Andriamaniny, ary aoka hiakatra any Jerosalema any Jodà izy, ka hanao ny tranon’i Iaveh Andriamanitr’i Israely, dia ilay Andriamanitra izay ao Jerosalema.

4 Aoka ny olona rehetra sisan’i Jodà ao amin’ny fonenana itoerany, na iza na iza, dia hoampian’ny olona ao amin’io fonenana io, amin’ny volafotsy, volamena, fanaka, biby fiompy, mbamin’ny fanomezana an-tsitrapo hanaovana ny tranon’Andriamanitra any Jerosalema.»

5 Dia nitsangana ny loham-pianakavian’i Jodà sy i Benjamina, ny mpisorona sy ny Levita, dia izay rehetra namporisihan’Andriamanitra ny fanahiny, ka lasa nandeha hanao ny tranon’i Iaveh any Jerosalema.

6 Samy nanampy azy ireo avokoa ny olona nifanakaiky taminy, tamin’ny fanaka volafotsy, volamena, fanaka hafa, biby fiompy ary zavatra sarobidy, mbamin’ny fanomezana an-tsitrapo rehetra.

7 Nalain’i Sirosa ny fanaky ny tranon’i Iaveh nesorin’i Nabokodonozora tao Jerosalema sy napetrany tao amin’ny tempolin’ny andriamaniny.

8 Napetrak’i Sirosa mpanjakan’i Persa tao am-pelatanan’i Mitridata mpitahiry vola izany, ary izy no nanolotra azy, rahefa nisainy, tamin’i Sasabasara, filohan’i Jodà.

9 Ka izao no isany: siny volamena 30, siny volafotsy 1.000, antsy 29,

10 Kôpy volamena 30, kôpy volafotsy ambaratonga faharoa410, ary fanaka hafa koa.

11 5.400 no totalin’ny fanaka volamena sy volafotsy. Dia nentin’i Sasabasara avokoa ireo, nony niverina avy any Babilôna ho any Jerosalema ireo voasesitany.

Categories
Esdrasa

Esdrasa 2

Anaran’ireo Siônista sy isany

1 Ireto ny olona ambanivohitra niverina avy amin’izay nanaovana sesitany azy, dia izay nentin’i Nabokodonozora, mpanjakan’i Babilôna ho any Babilôna, ka niverina ho any Jerosalema sy i Jodà, samy ho any an-tanànany avy;

2 dia niverina niaraka tamin’i Zôrôbabela, i Jôsoe, i Nehemia, i Saraiasa, i Rahelaiasa, i Mardokea, i Belsàna, i Mesfara, i Begoai, i Rehoma, i Baanà.

Izao no isan’ny ankapobem-bahoaka tamin’i Israely:

3 Nisy 2.172, ny taranak’i Farosa;

4 nisy 372 ny taranak’i Safatiasa;

5 nisy 775 ny taranak’i Areà;

6 nisy 2.812 ny taranak’i Fahata-Moaba, avy amin’ny zanak’i Jôsoe sy i Jôaba;

7 nisy 1.254 ny taranak’i Elama;

8 nisy 945 ny taranak’i Zetò;

9 nisy 760 ny taranak’i Zakay;

10 nisy 642 ny taranak’i Banỳ;

11 nisy 623 ny taranak’i Belay;

12 nisy 1.222 ny taranak’i Azagada;

13 nisy 666 ny taranak’i Adônikama;

14 nisy 2.056 ny taranak’i Begoai;

15 nisy 454 ny taranak’i Adìna;

16 nisy 98 ny taranak’i Atera, avy amin’ny terak’i Ezekiasa;

17 nisy 323 ny taranak’i Besaì;

18 nisy 121 ny taranak’i Jorà;

19 nisy 223 ny taranak’i Hasoma;

20 nisy 95 ny taranak’i Gebara;

21 nisy 123 ny taranak’i Betlehema;

22 nisy 56 ny mponina teo Netofà;

23 nisy 128, ny mponina tao Anatôta;

24 nisy 42 ny taranak’i Azmateva;

25 nisy 743 ny zanak’i Kariatiarima sy i Kefirà ary i Berota;

26 nisy 621 ny zanak’i Ramà sy i Gabaà;

27 nisy 122 ny mponina tao Makmasa;

28 nisy 223 ny mponina tao Betela sy i Hay;

29 nisy 25 ny taranak’i Nebô;

30 nisy 156 ny taranak’i Megbisa;

31 nisy 1.254 ny taranak’ilay Elama anankiray;

32 nisy 320 ny taranak’i Hirama;

33 nisy 725, ny taranak’i Loda sy i Hadida ary i Hônô

34 nisy 345 ny taranak’i Jerikô;

35 ary nisy 3.630 ny taranak’i Senaà.

36 Mpisorona: 973 ny taranak’i Isaiasa tamin’ny fianakavian’i Josoe;

37 nisy 1.052 ny taranak’i Emara;

38 nisy 1.247 ny taranak’i Fasara;

39 ary nisy 1.077 ny taranak’i Harima.

40 Levita: 74 ny taranak’i Josoe sy i Kedmiela, avy amin’ny taranak’i Odoiasa.

41 Mpihira: 128 ny taranak’i Asafa.

42 Taranaky ny mpiandry varavarana: 139 no totalin’ny taranak’i Seloma, ny taranak’i Atera, ny taranak’i Telmôna, ny taranak’i Akoba, ny taranak’i Hatita, ny taranak’i Sôbay.

43 Natineanina: ny taranak’i Sihà, ny taranak’i Tabaôta,

44 ny taranak’i Kerôsa, ny taranak’i Siaà, ny taranak’i Fadôna,

45 ny taranak’i Lebàna, ny taranak’i Hagabà,

46 ny taranak’i Akoba, ny taranak’i Hagaba, ny taranak’i Selmaì,

47 ny taranak’i Hanàna, ny taranak’i Gadela, ny taranak’i Gahera, ny taranak’i Raaià,

48 ny taranak’i Rasîna, ny taranak’i Nekôdà, ny taranak’i Gazàma,

49 ny taranak’i Azà, ny taranak’i Faseà, ny taranak’i Besea,

50 ny taranak’i Azenà, ny taranak’i Monima, ny taranak’i Nefosima,

51 ny taranak’i Bakboka, ny taranak’i Hakofà

52 ny taranak’i Harhora, ny taranak’i Beslota, ny taranak’i Mahidà, ny taranak’i Harsà,

53 ny taranak’i Berkôsa, ny taranak’i Sisarà, ny taranak’i Temà,

54 ny taranak’i Nasià, ny taranak’i Hatifà.

55 Taranaky ny mpanompon’i Salômôna: ny taranak’i Sôtaì, ny taranak’i Sôfereta, ny taranak’i Farodà,

56 ny taranak’i Jalà, ny taranak’i Derkôna, ny taranak’i Gedela;

57 ny taranak’i Safatià, ny taranak’i Hatila, ny taranak’i Fôkoreta-Asebaima, ny taranak’i Amỳ.

58 Nisy 392 no totalin’ny Natineanina sy ny mpanompon’i Salômôna.

59 Izao no nandeha avy tany Tel-Melà, Tel-Harsà, Keroba, Adona, Emera, ka tsy nahalaza ny fianakavian-drainy amam-pirazanany, hanamarina ny maha-Israely azy:

60 ny taranak’i Dalaisa, ny taranak’i Tobia, ny taranak’i Nekôdà: 652.

61 Ary ny tamin’ny taranaky ny Mpisorona: dia ny taranak’i Hôbià, ny taranak’i Akôsa, ny taranak’i Berzelaì, izay naka vady tamin’ny zanaka vavin’i Berzelaì, Galaadita, ka dia nantsoina amin’ny anarany.

62 Nikaroka ny taratasy vavolombelon’ny firazanana izy ireo, fa tsy nahita, ka dia nolazaina ho tsy madio tsy mahatana ny fisoronana;

63 ary noraran’ny governora tsy hihinana ny zavatra masina indrindraizy ireo, mandra-pitsangan’izay mpisorona, hanontany amin’Andriamanitra amin’ny Orima sy ny Tomima.

64 Nisy 42.360 no totalin’ny fiangonana rehetra,

65 afa-tsy ny mpanompony, lahy amana vavy, izay nisy 7.337. Nisy mpihira, lahy amana vavy, 200, tamin’izy ireo.

66 Ary izao no nananany: soavaly 736, mole 245,

67 rameva 435, ary ampondra 6.720.

68 Nony vao tonga tao amin’ny tranon’i Iaveh, tany Jerosalema, dia maro tamin’ny loham-pianakaviana no nanome fanatitra an-tsitrapo ho an’ny tranon’Andriamanitra, mba hananganana azy eo amin’ilay nitoerany indray.

69 Ny nomeny hatao amin’ny rakitra momba izany asa izany, samy araka ny toe-pananany avy, dia darìka volamena 61.000, mina 5.000, ary akanjom-pisoronana zato.

70 Toy izany no nahatafapetraka azy tamin’ny tanànany avy, dia ny mpisorona sy ny Levita, ny sarambabem-bahoaka, ny mpihira, ny mpiandry varavarana, sy ny Natineanina, ary nonina tamin’ny tanànany avy i Israely rehetra.

Categories
Esdrasa

Esdrasa 3

Niverenana ny fanompoam-pivavahana

1 Nony tonga ny volana fahafito, ka efa tafapetraka tamin’ny tanànany avy ny zanak’i Israely, dia nivory tany Jerosalema, toy ny olona iray ihany, ny vahoaka.

2 Ary nitsangana i Jôsoe, zanak’i Josedeka, mbamin’ny mpisorona rahalahiny sy i Zôrôbabela, zanak’i Salatiela, mbamin’ny rahalahiny, ka nanorina ny ôtelin’ny Andriamanitr’i Israely, hanaterana sorona, araka ny voasoratra ao amin’ny lalàn’i Môizy, olon’Andriamanitra.

3 Naoriny teo amin’ilay niorenany taloha ihany ny ôtely fa raiki-tahotra mafy teo anatrehan’ny vahoakan’ny tany izy ireo, ka nanatitra sorona dorana ho an’i Iaveh teo, dia ny sorona dorana marain-tsy hariva.

4 Nanao fetin’ny Tabernakla, araka ny voasoratra koa izy, ka nanatitra ny sorona dorana isan’andro isan’andro, araka ny isany voadidin’ny lalàna hatao isan’andro.

5 Manaraka izany, nateriny ny sorona dorana tsy tapaka, ny sorona dorana fanao amin’ny voalohan’ny volana sy amin’ny fety rehetra voatokana ho an’i Iaveh, ary ny avy amin’izay rehetra manatitra fanatitra an-tsitrapo ho an’i Iaveh.

6 Hatramin’ny andro voalohan’ny volana fahafito, dia efa nanomboka ny manatitra sorona dorana ho an’i Iaveh izy ireo; ny fototry ny tempolin’i Iaveh anefa dia mbola tsy nalatsaka.

7 Nomem-bola ny mpipai-bato ama-mpandrafitra: nomen-kanina amam-pisotro sy diloilo koa ny Sidonianina sy ny Tirianina, mba hitondrany ny hazo sedera avy any Libàna amin’ny ranomasina, hatreo Jôpe, araka ny fanomezan-dalana azo tamin’i Sirosa mpanjakan’i Persa.

8 Tamin’ny taona faharoa nahatongavany teo amin’ny tranon’Andriamanitra tao Jerosalema, tamin’ny volana faharoa, dia nanomboka ny asa i Zôrôbabela zanak’i Salatiela, i Jôsoe zanak’i Josedeka, mbamin’ireo rahalahiny sisa, ny mpisorona sy ny Levita, ary izay rehetra tao Jerosalema, avy amin’ny fahababoana, ka nanendry ny Levita hatramin’ny roapolo taona no ho miakatra izy, hitarika ny asa amin’ny tranon’i Iaveh.

9 Dia indray nivonona ny Levita: i Jôsoe mbamin’ireo zanany aman-drahalahiny, i Kedmiela, mbamin’ireo zanany, zanak’i Jodà, hitarika an’izay niasa nanao ny asa momba ny tranon’Andriamanitra; torak’izany koa ny taranak’i Henadada, mbamin’ny zanany sy ny rahalahiny; samy Levita avokoa izy.

10 Nony nandatsaka ny fototry ny tempolin’i Iaveh ny mpiasa, dia nasaina nanatrika teo ny mpisorona nanao fanamiana sy nitondra trômpetra, mbamin’ny Levita, taranak’i Asafa, nitondra kipantsona, hidera an’i Iaveh, araka ny voadidin’i Davida, mpanjakan’i Israely.

11 Dia nanao hira fiderana an’i Iaveh ireo: «Fa tsara fo Izy, ary maharitra mandrakizay ny famindram-pony amin’i Israely.» Ny vahoaka rehetra koa, indray nihoby an-kafaliana ho fiderana an’i Iaveh, fa nandatsaka ny fototry ny tranon’i Iaveh izy ireo.

12 Tamin’ny nandatsahana ny fototr’izany trano izany teo imason’izy ireo anefa, dia maro tamin’ny mpisorona sy ny Levita mbamin’ny loham-pianakaviana efa antitra, izay nahita ilay trano taloha no nitomany nigogogogo. Betsaka koa no nanandra-peo nihoby sy nifaly,

13 hany ka tsy hain’ny vahoaka navahana izay hobin-kafaliana sy izay feo fitomanian’ny vahoaka, fa samy niantsoantso tamin’ny feo mafy dia mafy ny vahoaka, ka re lavitra ny horakoraka.

Categories
Esdrasa

Esdrasa 4

Tsy vanona ny asan’ny Samaritanina faha-Sirosa

1 Nony ren’ny fahavalon’i Jodà sy i Benjamina fa hoe manao tempoly ho an’i Iaveh Andriamanitr’i Israely, ny zanaky ny fahababoana,

2 dia nanatona an’i Zôrôbabela sy ny loham-pianakaviana izy, ka nanao taminy hoe: «Aoka mba hiara-manao aminareo izahay, fa manaja ny Andriamanitrareo tahaka anareo ihany, sady manatitra sorona ho Azy hatramin’ny andron’i Asarhadôna mpanjakan’i Asiria, izay nampiakatra anay ho atỳ.»

3 Fa namaly azy kosa i Zôrôbabela sy i Jôsoe mbamin’ireo namany loham-pianakavian’i Israely nanao hoe: «Tsy mety raha izahay sy ianareo no miara-manao ny tranon’Andriamanitray, fa izahay ihany no hanao azy, ho an’i Iaveh Andriamanitr’i Israely, araka ny voadidin’ny mpanjaka, dia i Sirosa mpanjakan’i Persa.»

4 Tamin’izay, ny tompon-tany dia nanao izay hampiraviravy tanana ny vahoakan’i Jodà, nampatahotahotra azy amin’ny asany.

5 Ary azony tamim-bola hamely azy aza ny mpanolo-tsaina sasany, mba tsy hahavanona ny asany. Ary izany dia naharitra nandritra ny andron’i Sirosa, mpanjakan’i Persa, ka hatramin’ny andro nanjakan’i Dariosa, mpanjakan’i Persa.

Voasakana ny Samaritanina faha-Kserksesa sy Artakserksesa

6 Ary tamin’ny andro nanjakan’i Asoerosa, tamin’ny fiandohan’ny fanjakany, dia nanoratra taratasy fitoriana ny mponina tany Jodà sy i Jerosalema izy ireo.

7 Ary tamin’ny andron’i Artakserksesa, i Beselama, i Mitridata, i Tabeela, mbamin’ireo namany sisa, dia nanoratra ho any amin’i Artakserksesa mpanjakan’i Persa; tarehin-tsoratra arameanina no nanoratany ny taratasy, ary nadikany ho fiteny arameanina.

8 I Rehoma governorasy i Samsaì mpanoratra, nanoratra ho any amin’i Artakserksesa, nilaza ny amin’i Jerosalema, ka toy izao no teny ao amin’ny taratasy:

9 «I Rehoma governora, i Samsaì mpanoratra, mbamin’ny namany sisa, ny avy any Dina, Afarsatàka, Terfala, Afarsà, Erkkoà, Babilôna, Sosa, Dehà, Elama,

10 ary ny vahoaka sisa, izay nentin’i Asnafara, lehibe sady malaza, nafindrany sy namponeniny ao an-tanànan’i Samaria sy amin’ny tany sasany atỳ an-dafin’ny ony, sns.»

11 Izao no kôpian’ny taratasy nampitondrainy an’i Artakserksesa mpanjaka:

Ny mpanomponao, ny olona atỳ an-dafin’ny ony, sns.

12 Aoka ho fantatry ny mpanjaka, fa ny Jody avy any aminao, nankatỳ aminay, dia tonga tatỳ Jerosalema, ka namboatra ilay tanàna fikomiana sady ratsy, ka efa manao ny mandany sy mamboatra ny fototra izy izao.

13 Ary aoka ho fantatry ny mpanjaka, fa raha voamboatra io tanàna io, ka voatsangana ny mandany, dia tsy handoa hetra intsony izy ireo, na haba, na sara, ka dia faty antoka ho an’ny mpanjaka no ho vokatr’izany.

14 Noho izahay mihinana ny siraavy any an-dapa anefa, sady heverinay fa tsy mety raha tsiratsiraina eo imasonay ny mpanjaka, dia nandefa ny filazana izany amin’ny mpanjaka izahay.

15 Aoka hokarohina ao amin’ny boky tantaran-drazanao, fa ho hitanao ao amin’ny bokin’ny tantara, ary ho fantatrao, fa tanàna fikomiana sy efa namohehatra ny mpanjaka sy faritra maro io tanàna io, sady efa fitrangàm-pikomiana hatry ny andro taloha. Ary izany ihany no nandravana io tanàna io.

16 Ka nampahalala ny mpanjaka izahay, fa raha voavoatra indray io tanàna io, ka voatsangana ny mandany, dia tsy hanana na inona na inona atỳ an-dafin’ny ony intsony ianao, amin’izany.

17 Izao no valy nalefan’ny mpanjaka ho an-dRehoma governora, i Samsaì mpanoratra, mbamin’ny namany sisa, monina ao Samaria sy amin’ny tanàna hafa any an-dafin’ny ony: Arahaba, sns.

18 Efa voavaky mazava teo anatrehako ny taratasy nampitondrainareo.

19 Ary efa nanome didy aho, ka dia efa nokarohina, ary hita fa efa nikomy tamin’ny mpanjaka maro hatrizay ela izay tokoa io tanàna io, sady efa nitrangàm-pikomiana amam-piodinana.

20 Efa nisy mpanjaka mahery tany Jerosalema, nanapaka ny tany rehetra any an-dafin’ny ony, sady nandoavana hetra, haba, sara.

21 Noho izany, didio hatsahatra ny asan’ireo olona ireo, fa tsy haorina indray io tanàna io, raha tsy efa nahazo teny avy atỳ amiko ny amin’izany.

22 Tandremo manao tsirambina amin’izany ianareo, ka mandroso ny ratsy hahafaty antoka ny mpanjaka.

23 Vantany vao voavaky teo anatrehan-dRehoma, i Samsaì, mpanoratra, ary ireo namany, ny kôpian’ny taratasin’i Artakserksesa mpanjaka, dia nankany amin’ny Jody tany Jerosalema faingana izy, ka nasainy natsahatra an-keriny sy an-ditra ny asa.

Naorina ny Tempoly (520-515)

24 Ka dia natsahatra ny asa amin’ny tranon’Andriamanitra tao Jerosalema; ary naato teo izy, hatramin’ny taona faharoa nanjakan’i Dariosa mpanjakan’i Persa.

Categories
Esdrasa

Esdrasa 5

1 Ary ireo mpaminany, i Akzea mpaminany sy i Zakaria zanak’i Adô dia naminany tamin’ireo Jody izay tany Jodà sy Jerosalema, amin’ny Anaran’ny Andriamanitr’i Israely izay nanindry azy.

2 Ka nitsangana nanomboka ny fanaovana ny tranon’Andriamanitra ao Jerosalema indray i Zôrôbabela zanak’i Salatiela, sy i Jôsoe zanak’i Josedeka, ary niaraka taminy koa ireo mpaminanin’Andriamanitra nanampy azy.

3 Tamin’io fotoana io ihany dia tonga tao amin’izy ireo i Tatanaì, governoran’nyany an-dafin’ny ony, mbamin’i Starbôzanay sy ny namany, ka nanao tamin’izy ireo hoe: «Iza no nanome alalana anareo hanao ity trano ity sy hanangana ireo manda ireo?»

4 Dia niteny taminy izahay ka nilaza taminy ny anaran’ireo lehilahy manao ny trano.

5 Nitsinjo an’ireo loholon’ny Jody anefa ny mason’ny Andriamanitr’izy ireo, ka tsy nasainy hitsahatra amin’ny asany izy, mandra-pahatongan’ny filazana ny raharaha tany amin’i Dariosa sy niverenan’ny taratasy momba izany.

6 Izao no kôpian’ny taratasy ho an’i Dariosa mpanjaka, nalefan’i Tatanaì, governoran’ny eny an-dafin’ny ony, sy i Starbôzanay, mbamin’ireo namany any Arfasàka, monina any an-dafin’ny ony.

7 Nandefa filazana taminy izy ka izao no voasoratra ao aminy:

Fiadanana tanteraka anie ho an’i Dariosa mpanjaka!

8 Aoka ho fantatry ny mpanjaka, fa teny amin’ny faritanin’i Jodà, amin’ny tranon’Andriamanitra lehibe, izahay. Vato makadiry no anaovany azy, ary ny hazo dia halatsaka amin’ny rindrina, atao amim-pahazotoana ny asa, ary mandroso tsara ao an-tanan’izy ireo.

9 Nanontanianay ireo loholona ireo, nataonay hoe: Iza no nanome alalana anareo hanao ity trano ity, sy hanangana ireo manda ireo?

10 Nanontanianay azy koa ny anaran’izy ireo, mba hampahafantarinay anao, mba halatsaka an-tsoratra ny anaran’ireo lohany.

11 Ka izao no valy nomeny anay: Mpanompon’ny Andriamanitry ny lanitra sy ny tany izahay; ary ny trano efa vita ela be ihany no ataonay indray; dia ilay efa natao sy vitan’ny mpanjaka lehibeanankiray tamin’i Israely.

12 Saingy nony efa nampahatezitra ny Andriamanitry ny lanitra ny razany dia natolony ho eo an-tanan’i Nabokodonozora ilay Kaldeanina, mpanjakan’i Babilôna, dia noravan’izy io izany trano izany, ary nentiny ho babo tany Babilôna ny vahoaka.

13 Tamin’ny taona voalohany nanjakan’i Sirosa, mpanjakan’i Babilôna kosa anefa, namoaka didy manome lalana ny hanaovana io tranon’Andriamanitra io indray i Sirosa mpanjaka.

14 Ary i Sirosa mpanjaka aza, dia nanala avy ao amin’ny tempolin’i Babilôna ny fanaka volamena sy volafotsin’ny tranon’Andriamanitra izay nalain’i Nabokodonozora tany Jerosalema ka nentiny ho ao amin’ny tempolin’i Babilôna, dia natolotra an’ilay atao hoe Sasabasara, notendreny ho governora,

15 sy nilazany hoe: Raiso ireto fanaka ireto, ka mandehana apetraho ao amin’ny tempoly any Jerosalema, ary aoka hatsangana eo amin’izay niorenany ny tranon’Andriamanitra.

16 Dia tonga io Sasabasara io, ka nandatsaka ny fototry ny tranon’Andriamanitra ao Jerosalema, ka hatramin’izay andro izay ka mandrak’ankehitriny dia natao ihany izy, saingy mbola tsy efa.

17 Koa ankehitriny, raha sitraky ny mpanjaka, aoka hokarohina ao an-trano firaketan’ny mpanjaka any Babilôna raha misy didy navoakan’i Sirosa mpanjaka, momba ny fanaovana io tranon’Andriamanitra ao Jerosalema io. Ka rehefa izany, dia aoka hambaran’ny mpanjaka aminay, izay sitrapony ny amin’izany.

Categories
Esdrasa

Esdrasa 6

1 Dia nanome didy i Dariosa mpanjaka, ka dia nokarohina tao amin’ny trano fitahirizan-taratasy izay nitahirizana ny rakitra tany Babilôna.

2 Ka indro hita tao Ekbatàna, tanàna mimanda ao amin’ny faritanin’i Media, horonan-taratasy anankiray nisy izao filazana voasoratra izao:

3 Tamin’ny taona voalohany nanjakan’i Sirosa mpanjaka, dia izao no didy navoakan’i Sirosampanjaka: Ny tranon’Andriamanitra any Jerosalema, dia aoka haorina indray io trano io ho fitoerana fanaterana sorona, ary aoka hatao mafy ny fandatsaham-pototra. Ho enimpolo hakiho ny haavony, ary enimpolo hakiho koa ny sakany,

4 ka hatao vato vaventy voapaika telo andalana sy hazo iray andalana; ary haloa avy ao an-tranon’ny mpanjaka izay lany aminy.

5 Fanampin’izany, ny fanaka volamena sy volafotsin’ny tranon’Andriamanitra izay nalain’i Nabokodonozora tany amin’ny Tempoly any Jerosalema dia haverina ka dia hoentina ao amin’ny tempoly any Jerosalema, hatao amin’ny fitoerany teo, ka hapetrakaoao an-tranon’Andriamanitra.

6 Koa ankehitriny, ry Tatanaì governora any an-dafin’ny ony, sy i Starbôzanay, mbamin’ireo namanareo ao Afarsàka, ianareo any an-dafin’ny ony, dia mihataha tsy hitoetra ao,

7 ka avelao hotohizana ny asa amin’ny tranon’Andriamanitra; aoka ny governoran’ny Jody sy ny loholon’ny Jody hanorina izany tranon’Andriamanitra izany indray amin’izay fitoerany teo.

8 Ary izao no didy omeko anareo ny amin’izay tokony hataonareo amin’ireo loholon’ny Jody, hanorenana indray io tranon’Andriamanitra io: ny haren’ny mpanjaka, ny hetra aloan’ny any an-dafin’ny ony, no handoavana izay lany marina amin’ireo olona ireo, mba tsy hiatoato izy.

9 Ny zavatra ilaina hanaovana ny sorona dorana ho an’ny Andriamanitry ny lanitra, na vantotr’ombalahy, na ondralahy aman-janak’ondry, na varimbazaha, na sira, na divay aman-diloilo, araka ny fandaharana ataon’ny mpisorona ao Jerosalema, dia homena azy isan’andro tsy tapaka,

10 mba hanaterany sorona tsara hanitra ho an’ny Andriamanitry ny lanitra, dia hivavahany ho an’ny ain’ny mpanjaka sy ny zanany.

11 Izao koa no didy omeko: Raha misy manova izao teny izao, dia hotsoahana ny sakamandimby iray amin’ny tranony, ka dia hahantona sy haompana eo izy, ary ny tranony koa hatao antontam-piringa, noho izany.

12 Ary ilay Andriamanitra izay mampitoetra ny Anarany ao anie hanongana ny andriana amam-bahoaka izay haninji-tanana hanova izao didy izao sy handrava izany tranon’Andriamanitra any Jerosalema izany. Didy nomeko izaho Dariosa, ity; ka tsy maintsy toavina an-tsakany sy an-davany.

13 Notanterahin’i Tatanaì governoran’ny any an-dafin’ny ony, sy i Starbôzanay, mbamin’ireo namany, an-tsakany sy an-davany, ny didy nalefan’i Dariosa mpanjaka.

14 Ka dia rafitra nanao ny trano ireo loholon’i Israely, ka nandroso tsara ny asa, noho ny faminanian’i Akzea mpaminany, sy i Zakaria zanak’i Adô. Nanao izy dia nahavita araka didin’ny Andriamanitr’i Israely sy araka ny didin’i Sirosa, i Dariosa, i Artakserksesa, mpanjakan’i Persa.

15 Tamin’ny andro fahatelon’ny volana Adara, taona fahenina nanjakan’i Dariosa mpanjaka, no nahavitan’ny trano.

16 Ary ny zanak’i Israely, ary ny olona sisa tamin’ny zanaky ny fahababoana, dia samy nitokana ny tranon’Andriamanitra tamin-kafaliana.

17 Izao no naterin’ny olona hitokanana io tranon’Andriamanitra io: Ombalahy 100, ondralahy 200, zanak’ondry 400, ary osilahy 12, araka ny isan’ny fokon’i Israely ho sorona noho ny ota, ho an’i Israely rehetra.

18 Dia notendreny ny mpisorona, araka ny antokony avy, sy ny Levita araka ny fizarany avy, hanao ny fanompoana an’ilay Andriamanitra izay ao Jerosalema, araka ny voasoratra ao amin’ny bokin’i Môizy.

Ny Paka tamin’ny taona 515

19 Tamin’ny andro faha-14n’ny volana voalohany, dia nanao ny Paka ny zanaky ny fahababoana.

20 Fa efa samy nanamasina ny tenany ny mpisorona sy ny Levita tsy an-kanavaka, ka samy efa madio avokoa. Dia namono ny Paka izy ireo, ho an’ny zanaky ny fahababoana rehetra sy ho an’ny rahalahiny mpisorona ary ho an’ny tenany.

21 Nihinana ny Paka ny zanak’i Israely rehetra niala tamin’ny fahalotoan’ny firenena tompon-tany, sy nanatona azy hiara-mitady an’i Iaveh Andriamanitr’i Israely.

22 Tamin-kafaliana no nanaovan’izy ireo ny fetin’ny Azima mandritra ny hafitoana; fa nampifalin’i Iaveh izy, tamin’ny nitarihany ny fon’ny mpanjakan’i Asiria hanampy azy ireo sy hanohana ny tananyamin’ny asa momba ny tranon’Andriamanitra, dia ny Andriamanitr’i Israely.

Categories
Esdrasa

Esdrasa 7

Asa nanirahana an’i Esdrasa sy ny maha-izy azy

1 Tatỳ aorian’ireo zava-niseho ireo, tamin’ny andro nanjakan’i Artakserksesa mpanjakan’i Persa kosa indray, i Esdrasa zanak’i Saraisa zanak’i Helkiasa

2 zanak’i Seloma zanak’i Sadaoka zanak’i Akitoba

3 zanak’i Amariasa zanak’i Azariasa zanak’i Maraiôta

4 zanak’i Zarahiasa zanak’i Ozỳ zanak’i Boksỳ zanak’i Abisoe

5 zanak’i Finea zanak’i Eleazara zanak’i Aarôna mpisorona lehibe;

6 niakatra avy any Babilôna io Esdrasa io. Ary satria nomba azy ny tanan’iIaveh Andriamaniny, dia nomen’ny mpanjaka azy avokoa izay rehetra nangatahiny.

7 Maromaro koa tamin’ny zanak’i Israely, mpisorona, Levita, mpihira, mpiandry varavarana, ary Natineanina, no niakatra ho any Jerosalema tamin’ny taona fahafito nanjakan’i Artakserksesa mpanjaka.

8 Tonga tany Jerosalema i Esdrasa, tamin’ny volana fahadimin’ny taona fahafito nanjakan’ny mpanjaka.

9 Tamin’ny andro voalohan’ny volana voalohany izy no niainga hiakatra niala tany Babilôna ary tamin’ny andro voalohan’ny volana fahadimy no nahatongavany tao Jerosalema, nomban’ny tanan’ny Andriamaniny manisy soa.

10 Nandraikitra ny fony amin’ny fianaran’ny lalàn’i Iaveh i Esdrasa, ary nanaraka azy, ary nampianatra an’i Israely ny lalàna amam-pitsipika.

Didy nomen’i Artakserksesa

11 Izao no kôpian’ny taratasy nomen’i Artakserksesa mpanjaka, an’i Esdrasa – izay mpisorona sy mpampiana-dalàna, mpampiana-dalàna mahay ny didy aman-dalàn’i Iaveh ny amin’ny momba an’i Israely.

12 I Artakserksesa mpanjakan’ny mpanjaka, ho an’i Esdrasa mpisorona sy mpampiana-dalàna, mahay ny lalàn’ny Andriamanitry ny lanitra, sns.

13 Efa nomena teny aho hoe: izay rehetra isan’ny vahoakan’i Israely, ny mpisorony sy ny Levitany, izay eto amin’ny fanjakako, ka te handeha ho any Jerosalema, dia mahazo miaraka aminao.

14 Fa irahin’ny mpanjaka sy izy fito lahy mpanolo-tsaina ianao, mba handinika ny toetr’i Jodà sy i Jerosalema araka ny lalàn’ny Andriamanitrao izay eo an-tananao;

15 sy hitondra ny volafotsy amana volamena nomen’ny mpanjaka sy ireo mpanolo-tsainy, an-tsitrapo, ho an’ny Andriamanitr’i Israely, izay manana ny fonenany ao Jerosalema;

16 mbamin’ny volamena amana volafotsy rehetra mety ho azonao eran’ny faritanin’i Babilôna ary koa ny fanomezana an-tsitrapo avy amin’ny vahoaka sy ny mpisorona, izay atolony an-tsitrapo ho an’ny tranon’Andriamaniny any Jerosalema.

17 Koa hoahianao ny hividianana amin’izany vola izany ny ombalahy, ondralahy, zanak’ondry, mbamin’izay hatao fanatitra amam-panatitra araraka momba azy, dia atero eo ambony ôtely ao an-tranon’ny Andriamanitrareo any Jerosalema izany.

18 Ary ny volafotsy amana volamena sisa dia ataovy amin’izay heverinao sy ireo rahalahinao ho mety, manaraka ny sitrapon’ny Andriamanitrareo.

19 Apetraho eo anatrehan’ny Andriamanitr’i Jerosalema ny fanaka natolotra anao, hanaovana ny fanompoana ao an-tranon’ny Andriamanitrao.

20 Izay fanampiny mbola ilaina koa, ao amin’ny tranon’ny Andriamanitrao, dia hovonoinao avy amin’ny trano firaketan’ny mpanjaka.

21 Izaho Artakserksesa mpanjaka manome didy ho an’ireo mpitahiry vola rehetra any an-dafin’ny ony, mba hanatanteraka tsy misy tomika izay rehetra hilain’i Esdrasa mpisorona sy mpanora-dalàna, mahay ny lalàn’ny Andriamanitry ny lanitra, aminareo,

22 hatramin’ny talenta volafotsy zato, varimbazaha zato kora, divay zato bata, diloilo zato bata, ary sira araka izay tiany.

23 Tanteraho an-tsakany sy an-davany izay rehetra andidian’ny Andriamanitry ny lanitra, ny amin’ny momba ny tranon’ny Andriamanitry ny lanitra, mba tsy hiharan’ny fahatezerany amin’ny fanjakan’ny mpanjaka sy ny zanany.

24 Ampahafantarinay anareo koa, fa tsy misy angalana hetra, na haba na sara, ny mpisorona, ny Levita, ny mpihira, ny mpiandry varavarana, ny Natineanina, mbamin’izay rehetra manompo amin’io tranon’Andriamanitra io.

25 Ary ianao, ry Esdrasa, araka ny fahendren’Andriamanitrao, izay eo an-tananao, dia manendre mpitsara sy andriambaventy hitsara ny vahoaka rehetra any an-dafin’ny ony, amin’izay rehetra mahalala ny lalàn’ny Andriamanitrao, ary ampianaro izay tsy mahalala.

26 Na zovy na zovy tsy mitandrina ny lalàn’ny Andriamanitrao, sy ny lalàn’ny mpanjaka, dia aoka izy hovaliana araka ny rariny, na hovonoina, na hasesitany, na hosazina vola, na hatao an-tranomaizina.

Dian’i Esdrasa avy ao Babilôna nankany Palestina

27 «Hisaorana anie i Iaveh Andriamanitry ny razantsika izay nanome hevitra ny fon’ny mpanjaka mba hanome voninahitra ny tranon’i Iaveh ao Jerosalema toy izany,

28 sy nampahita fitia ahyteo anatrehan’ny mpanjaka sy ny mpanolo-tsaina ary ny manam-pahefana ambony rehetra ao amin’ny mpanjaka. Koa nahazo hery aho fa nomba ahy ny tanan’i Iaveh Andriamanitro, ka nanangona ny loholona amin’i Israely hiara-miainga amiko.»