Categories
Esdrasa

Esdrasa 8

1 Izao no loham-pianakaviana sy filazana ny firazanany, dia ireo niara-niakatra tamiko avy any Babilôna, tamin’ny andro nanjakan’i Artakserksesa mpanjaka.

2 Tamin’ny taranak’i Finea, i Gersôma; tamin’ny taranak’i Itamara, i Daniela; tamin’ny taranak’i Davida, i Hatosa,

3 izay avy amin’ny taranak’i Sekeniasa; tamin’ny taranak’i Farosa, i Zakaria, mbamin’ireo 150 lahy, voasoratra ao amin’ny bokim-pianakaviana izay niaraka taminy.

4 Tamin’ny taranak’i Falata-Moaba, i Eliôenaì, zanak’i Zarehiasa mbamin’ireo roan-jato lahy izay niaraka taminy;

5 tamin’ny taranak’i Sekeniasa, taranak’i Ezekiela, mbamin’ireo 300 lahy izay niaraka taminy;

6 tamin’ny taranak’i Adàna, i Abeda zanak’i Jonatàna, mbamin’ireo 50 lahy izay niaraka taminy;

7 tamin’ny taranak’i Alama, i Izaia zanak’i Ataliasa, mbamin’ireo 60 lahy izay niaraka taminy;

8 tamin’ny taranak’i Satafiasa, i Zebediasa zanak’i Mikaela, mbamin’ireo valopolo lahy izay niaraka taminy;

9 tamin’ny taranak’i Jôaba, i Abediasa zanak’i Jehiela mbamin’ireo valo ambin’ny folo amby zato lahy izay niaraka taminy;

10 tamin’ny taranak’i Bany i Selômita zanak’i Jôsefiasa, mbamin’ireo 160 lahy izay niaraka taminy;

11 tamin’ny taranak’i Bebay, i Zakaria zanak’i Bebay mbamin’ireo 28 lahy niaraka taminy;

12 tamin’ny taranak’i Azgada, i Johanàna zanak’i Eksetana mbamin’ireo 110 lahy niaraka taminy;

13 tamin’ny taranak’i Adônikama, dia farany ireo, ka izao no anarany: Elifeleta, Jehiela ary Semaiasa, mbamin’ireo 60 lahy niaraka taminy;

14 tamin’ny taranak’i Begoai, i Otaì sy i Zakora, mbamin’ireo 70 lahy niaraka taminy.

15 Novoriko teo amoron’ny ony mankany Ahavà izy ireo, dia nilasy teo hateloana izahay. Nony nandinika ity vahoaka mbamin’ireo mpisorona aho, dia tsy nahita ny taranak’i Levì teo na dia iray aza.

16 Dia nasaiko nantsoina ny loholona, i Eleazara, i Ariela, i Semeiàsa, i Elnatàna, i Jariba; i Elnatàna anankiray, i Natàna, i Zakaria ary i Mosolama, mbamin’ireo mpampianatra: i Joiariba sy i Elnatàna.

17 Nirahiko ho any amin’i Edô loholona, ao amin’ny fitoerana atao hoe Kasfià izy ireo; dia nofahanako teny hambara amin’i Edô, mbamin’ireo Natineanina rahalahiny any amin’ny fitoerana atao hoe Kasfià izy, mba hitondrany mankatỳ aminay izay ho mpandraharaha ao amin’ny tranon’ny Andriamanitray.

18 Ary satria nomba anay ny tanana manambin’ny Andriamanitray, dia nentin’izy ireo nankatỳ aminay, ity lehilahy manan-tsaina anankiray avy amin’ny taranak’i Moholỳ zanak’i Levỳ zanak’i Israely, dia i Sarabiasa mbamin’ireo zanany aman-drahalahiny 18 lahy;

19 i Hasabiasa ary i Izaia koa miaraka aminy, avy amin’ny taranak’i Merarỳ, mbamin’ireo rahalahiny sy ny zanany 20 lahy;

20 ary ny avy amin’ny Natineanina izay nomen’i Davida sy ny loholona hanompo ny Levita, Natineanina220 samy voatendry amin’ny anarany.

21 Niantso andro fifadian-kanina aho, teo amoron’ny ony Ahavà teo, hampijalianay tena eo anatrehan’ny Andriamanitray, hangatahanay aminy mba ho tsara mandroso avokoa, na ny tenanay, na ny zanakay, na ny anananay rehetra.

22 Fa nahamenatra ahy ny hangataka miaramila manatitra ama-mpitaingin-tsoavaly, tamin’ny mpanjaka, hiaro anay amin’ny fahavalo eny an-dalana, noho izahay efa niteny tamin’ny mpanjaka nanao hoe: «Momba an’izay rehetra mitady azy ny tanan’Andriamanitra, hahasoa azy ireo, fa mahatratra an’izay rehetra mahafoy Azy kosa ny heriny sy ny fahatezerany.»

23 Noho izany nifady hanina izahay sy nangataka tamin’Andriamanitray, ary nihaino anay Izy.

24 Dia nifidy lohan’ny mpisorona 12 lahy aho; dia i Sarabiasa sy i Hasabiasa, mbamin’ny folo lahy tamin’ireo rahalahiny;

25 ka nolanjaiko teo anatrehan’izy ireo ny volafotsy, ny volamena sy ny fanaka, zavatra naterin’ny mpanjaka sy ny mpanolo-tsaina aman-dehibe ary ny olon-drehetra amin’i Israely vory teo, natokany ho an’ny tranon’Andriamanitra,

26 dia nolanjaiko sady nataoko eo an-tanany, talenta volafotsy 650, fanaka volafotsy lanjan-talenta zato, talenta volamena zato;

27 kôpy volamena roapolo, lanjan-darìka arivo; ary kapoaka varahina manganohano roa, sarobidy toy ny volamena.

28 Ary izao no nolazaiko tamin’izy ireo: «Masina eo anatrehan’i Iaveh ianareo, ary ireo fanaka ireo dia zavatra masina; izany volafotsy amana volamena izany, dia fanatitra an-tsitrapo ho an’i Iaveh, Andriamanitry ny razanareo.

29 Koa ambeno amim-pitandremana ireo, mandra-pandanjanareo azy eo anatrehan’ny lohan’ny mpisorona sy ny levita, sy eo anatrehan’ny loham-pianakavian’i Israely, any Jerosalema, amin’ny efitrano eo an-tranon’i Iaveh.»

30 Dia noraisin’ireo mpisorona sy Levita ny volafotsy amana volamena sy fanaka araka ny lanjany, hoentina ho any Jerosalema, ao an-tranon’ny Andriamanitsika.

31 Niala teo amin’ny ony Ahavà, tamin’ny andro faha-12n’ny volana voalohany izahay, ho any Jerosalema. Nomba anay ny tanan’ny Andriamanitray, ka namonjy anay tamin’ny tanan’ny fahavalo sy ny mpanotrika teny an-dalana.

32 Nony tonga tany Jerosalema izahay, dia niala sasatra hateloana.

33 Tamin’ny andro fahefatra dia nolanjaina tao an-tranon’ny Andriamanitray ny volafotsy sy ny volamena mbamin’ny fanaka, ho eo an-tanan’i Merimota zanak’i Oria, mpisorona; teo aminy koa i Eleazara zanak’i Finea; ary teo amin’izy ireo koa, i Jôzabada zanak’i Josoe, sy i Nôadiasa zanak’i Benoì.

34 Dia araka ny isany aman-danjany avokoa izy, ka nalatsaka an-tsoratra tamin’izany andro izany ny totalin’ny lanjany.

35 Ary nanatitra sorona dorana ho an’ny Andriamanitr’i Israely ny olona avy any amin’ny tany nahavoasesitany azy, dia ny zanaky ny fahababoana, ombalahy 12 ho an’i Israely rehetra, ondralahy 96, zanak’ondry 77, osy lahy 12, noho ny ota: natao sorona dorana ho an’i Iaveh izany rehetra izany.

36 Dia natolotr’izy ireo ny governora lehiben’nympanjaka mbamin’ny governora any an-dafin’ny ony, ny didin’ny mpanjaka, ka dia niaro ny vahoaka sy ny tranon’Andriamanitra ireo.

Categories
Esdrasa

Esdrasa 9

Fandravana ny fanambadiana amin’olona hafa firenena

1 Nony vita izany rehetra izany, nanatona ahy ny lehibe, ka nanao hoe: «Tsy tafasaraka tamin’ny vahoakan’ireto tany ireto ny vahoaka Israely mbamin’ny mpisorona sy ny Levita fa manaraka ny fahavetavetany, ny an’ny Kananeanina, ny Heteanina, ny Ferzeanina, ny Jebôseanina, ny Amônita, ny Moabita, ny Ejiptianina, ary ny Amôreana;

2 satria naka ny zanaka vavin’ireoizy ho vady, sy ho an’ny zanany lahy, ka tafaharo amin’ny vahoakan’ireto tany ireto ny taranaka masina; sady ny lohany sy andriambaventy indrindra no loha lalana amin’izany ota izany.»

3 Vao nandre izany aho dia norovitiko ny akanjoko sy ny kapaotiko, norombotako ny volondohako aman-tsomotro, dia tafatombina nivarahontsana teo aho.

4 Nivory teo amiko avokoa izay nangovitra noho ny tenin’ny Andriamanitr’i Israely, noho ny otan’ny zanaky ny fahababoana; izaho izany mbola tafatombina nivarahontsana teo ihany mandra-pahatongan’ny fanatitra hariva.

5 Efa mby amin’ny fotoan’ny fanatitra hariva aho, vao tafarina tamin’ny fahoriako, amin’ireto akanjoko sy kapaotiko rovitra, dia rafitra nandohalika sy nanandratra ny tanako nankany amin’i Iaveh Andriamanitro, nanao hoe:

6 «Andriamanitra ô, safo-kenatra sy mangaihay loatra aho, tsy sahy miandrandra mankany aminao Andriamanitro, fa nitombo nihoatra ny lohanay ny helokay, ary niakatra nanakatra ny lanitra ny fahotanay.

7 Hatramin’ny andron’ny razanay ka mandrak’androany, dia efa meloka loza erỳ izahay; ary noho ny helokay ihany no nanolorana anay mbamin’ny mpanjakanay sy ny mpisoronay, ho eo an-tanan’ny mpanjakan’ny tany hafa, ho matin-tsabatra, ho babo, horobaina, ary hangaihay tahaka ny amin’izao anio izao.

8 Nisy andro anefa nanehoan’i Iaveh Andriamanitray ny famindram-pony taminay, dia navelany hisy sisa afakaizahay, ka nomeny fialofanaeo amin’ny fitoerany masina, mba hanazavan’ny Andriamanitray ny masonay, sy hamelombelomany kely ny ainay eo anatin’ny fahandevozana.

9 Fa andevo izahay, nefa tsy nahafoy anay tao anatin’ny fahandevozanay ny Andriamanitray. Nitarika ireo mpanjakan’i Persa hanisy soa anay Izy hamelombelona ny ainay, mba hanaovanay ny tranon’Andriamanitray sy hamboaranay ny rava eo, dia hanomezany anay fonenana voafefy amin’i Jodà sy i Jerosalema.

10 Koa ankehitriny, ry Andriamanitra ô, ahoana no holazainay manaraka izany? Fa efa nahafoy ny didinao izahay;

11 dia efa nolazainao taminay, tamin’ny vavan’ireo mpaminany mpanomponao, hoe: Ny tany hidiranareo hangalanareo azy ho fanananareo dia tanim-pahalotoana efa voaloton’ny fahalotoan’ireo vahoakan’ireo tany ireosy azon’ny fahavetavetana nasafony azy hatrizay hatrizay noho ny fahalotoan’izy ireo.

12 Koa ankehitriny aza manome ny zanakareo vavy ho an’ny zanany lahy, na maka ny zanany vavy ho an’ny zanakareo lahy, ary aza miahy ny fanambinany amam-piadanany na oviana na oviana, mba handroso ho mahery ianareo, ka hihinana ny vokatsoan’ity tany ity, sy hamela azy ho lovan’ny taranakareo mandrakizay.

13 Atỳ aorian’izay rehetra nanjò anay, noho ny ratsy nataonay sy ny helokay – nefa mbola nitsitsianao anay, ry Andriamanitray ô, tsy namely anay araka ny helokay Ianao, sy namela anay hisy afaka ihany toy izao –

14 moa dia mbola mety handika ny didinao izahay, ka hiharo amin’ireo vahoaka vetaveta loatra ireo? Moa tsy ho tezitra mafy aminay va Ianao ka handringana anay sy tsy hamela anay hisy sisa na ho afaka akory?

15 Ry Iaveh Andriamanitr’i Israely ô, marina Ianao, izahay ankehitriny dia ireto sisan’izay afaka fotsiny ihany; indreto izahay mbamin’ny otanay eto anatrehanao, fa tsy mety ho velona eo anoloan’ny Tavanao izahay noho izany ota izany.»

Categories
Esdrasa

Esdrasa 10

1 Raha mbola nitomany sy niankohoka teo anoloan’ny tranon’Andriamanitra i Esdrasa nanao izany fivavahana amam-pieken-keloka izany, dia nisy vahoaka Israelita maro be, lehilahy sy zaza amam-behivavy nivory teo aminy; fa samy nirotsaka be ihany ny ranomason’ny vahoaka.

2 Tamin’izay dia niteny i Skeniasa zanak’i Jehiela, amin’ny taranak’i Elama, ka nanao tamin’i Esdrasa hoe: «Nanota tamin’Andriamanitra tokoa izahay, fa namponina eto aminay vehivavy hafa firenena avy amin’ny olona monina amin’ny tany. Ary ankehitriny dia mbola misy fanantenana ho an’i Israely ny amin’izany.

3 Aoka hanao amin’ny Andriamanitsika izahay izao, fa horoahinay mban-janany ireo vehivavy rehetra ireo, araka ny torohevitry ny tompoko sy ireo matahotra eo anoloan’ny didin’Andriamanitsika; dia aoka hatao araka ny lalàna izany.

4 Koa mitsangàna ianao, fa adidinao izao raharaha izao. Ary indreto koa izahay momba anao. Matokia, ary ataovy izany.»

5 Dia nitsangana i Esdrasa, nampianiana ny lohan’ny mpisorona sy ny Levita mbamin’i Israely rehetra hanatanteraka izany voalaza teo izany, ka dia nianiana izy ireo.

6 Raha efa izany, niala teo anoloan’ny tranon’Andriamanitra i Esdrasa dia nankao amin’ny efitranon’i Johanàna, zanak’i Eliasiba; nony tafiditra tao izy, dia tsy nihinan-kaninana nisotro fa nisaona noho ny fahotan’ny zanaky ny fahababoana.

7 Koa natao an-kabary eran’i Jodà sy i Jerosalema ny fiantsoana ny zanaky ny fahababoana hivory eo Jerosalema,

8 sady nanapa-kevitra ny lehibe sy ny loholona, fa na zovy na zovy tsy tonga ao anatin’ny hateloana, dia horobaina ny fananany ary hoesorina amin’ny fiangonan’ny zanaky ny fahababoana ny tenany.

9 Tao anatin’ny hateloan’andro dia vory tao Jerosalema ny lehilahy rehetra amin’i Jodà sy i Benjamina; andro faha roapolon’ny volana fahasivy tamin’izay. Nipetraka teo amin’ny kianjan’ny tranon’Andriamanitra avokoa ny vahoaka rehetra, samy nangovitra noho ity toe-draharaha, sady avy koa ny orana.

10 Dia nitsangana i Esdrasa mpisorona, ka nanao tamin’izy ireo hoe: «Efa nanota ianareo, fa namponina vehivavy hafa firenena eto aminareo ka nampitombo ny helok’i Israely amin’izany ianareo.

11 Koa samia miaiky heloka eo anatrehan’i Iaveh Andriamanitry ny razanareo ianareo ankehitriny sy manatanteraka ny sitrapony ny amin’ny vehivavy hafa firenena.»

12 Namaly ny fiangonana rehetra tamin’ny feo avo ka nanao hoe: «Adidinay ny manatanteraka ny voalazanao!

13 Fa izao: ny vahoaka ity maro, ny andro manorana; ny mitoetra eto alatrano Akora, tsy azo atao, ny raharaha tsy ho vita indray andro na indroa andro, fa fahotana lehibe no nataonaytamin’izany zavatra izany,

14 ka aoka ny lehibenay no hijanona eto ho solon’ny fiangonana rehetra, dia izay rehetra namponina vehivavy hafa firenena ao aminy, any an-tanànany, no hankatỳ amin’izay fotoana homena azy, miaraka amin’ny loholona sy ny mpitsara isan-tanàna avy, mandra-pamily hiala amintsika ny firehetan’ny fahatezeran’ny Andriamanitsika, ny amin’io raharaha io.»

15 Tsy nisy afa-tsy i Jonatàna zanak’i Azahela, sy i Jaasiasa zanak’i Tekoà no hany nanohitra izany hevitra izany; ary i Mosolama sy i Sebetaì Levita koa no niandany taminy.

16 Fa ny zanaky ny fahababoana dia samy nanaraka izany avokoa. I Esdrasa mpisorona mbamin’ny lehilahy sasany loham-pianakaviana, araka ny firazanany avy, samy voatonona anarana avokoa, dia nitokana ary nipetraka handinika ny raharaha; andro voalohan’ny volana fahafolotamin’izay.

17 Ka tamin’ny andro voalohan’ny volana voalohany vao nahavita ny raharaha tamin’ireo lehilahy rehetra namponina tao aminy vehivavy hafa firenena.

Anaran’ireo meloka

18 Tamin’ny taranaky ny mpisorona dia nisy namponina tao aminy vehivavy hafa firenena. Tamin’ny taranak’i Jôsoe, zanak’i Josedeka mbamin’ireo rahalahiny: i Maasiasa, i Eliezera, i Jiraba, ary i Godoliasa:

19 nametra-teny fa hisaotra ny vadiny izy ireo, dia niaiky ny hadisoany, ary nanatitra ondralahy iray ho fanonerana ny otany.

20 Tamin’ny taranak’i Emara: i Hananỳ sy i Zebediasa.

21 Tamin’ny taranak’i Harima: i Maasiasa, i Elia, i Semeisa, i Jehiela ary i Oziasa.

22 Tamin’ny taranak’i Fasora: i Eliôenaì, i Maasiasa, i Ismaela, i Natanaely, i Jôzabeda ary i Elasà.

23 Tamin’ny Levita: i Jôzabeda, i Semei, i Kelaiasa, i Kelità ihany io, i Fataisa, i Jodà ary i Eliezera. Tamin’ny mpihira; i Eliasiba.

24 Tamin’ny mpiandry varavarana: i Seloma, i Telema ary i Orì.

25 Ny tamin’i Israely dia izao: Tamin’ny taranak’i Farosa: i Remeiasa, i Jeziasa, i Melkiasa, i Miamima, i Eliezera, i Melkiasa, ary i Banaiasa;

26 tamin’ny taranak’i Elama: i Metaniasa, i Zakaria, i Jehiela, i Abdỳ, i Jerimota ary i Elia;

27 tamin’ny taranak’i Zetoà: i Eliôenaì, i Eliasiba, i Mataniasa, i Jerimota, i Zabada, ary i Azizà;

28 tamin’ny taranak’i Bebay: i Johanàna, i Anania, i Zabay, i Atalay;

29 tamin’ny taranak’i Banỳ: i Mosolama, i Melòka, i Adaiasa, i Jasoba, i Saala, ary i Ramôta;

30 tamin’ny taranak’i Falata-Moaba: i Ednà, i Kalala, i Banaiasa, i Maasiasa, i Mataniasa, i Beseleela, i Benoy, ary i Manase;

31 tamin’ny taranak’i Harima: i Eliezera, i Jesiasa, i Melkiasa, i Semeiàsa, i Simeôna,

32 i Benjamina, i Melòka, i Samariasa;

33 tamin’ny taranak’i Hasoma: i Matanay, i Matatà, i Zabeda, i Elifeleta, i Jermay, i Manase, i Semei;

34 tamin’ny taranak’i Banỳ: i Maadỳ, i Amrama, i Oela,

35 i Banaiasa, i Badaiasa, i Keliao,

36 i Vaniasa, i Merimota, i Eliasiba,

37 i Mataniasa, i Matanay, i Jasỳ,

38 i Banỳ, i Benoy, i Semei,

39 i Salmiasa, i Natàna, i Adaiasa,

40 i Mekmedebay, i Sisay, i Saray,

41 i Ezrela, i Semiao, i Semeriasa,

42 i Seloma, i Amariasa, i Josefa;

43 tamin’ny taranak’i Nebô: i Jehiela, i Matatiasa, i Zabada, i Zabinà, i Jedao, i Joela, ary i Banaiasa.

44 Naka vehivavy hafa firenena ho vady avokoa ireo lehilahy ireo, sady efa niteraka taminy ny maromaro amin’ireo.

Categories
Nehemia

Nehemia 1

Fiantsoana an’i Nehemia sy ny nanirahana azy ho an’i Jodà

1 Tenin’i Nehemiazanak’i Helkiasa.

Tamin’ny volana Kasleo, taona faha roapolo, raha tao an-dapa, tany Sosaaho,

2 dia inty tonga i Hananì, anankiray amin’ny rahalahiko, mbamin’ny lehilahy sasany avy tany Jodà. Nanontaniako izy ireo, ny amin’ny Jody efa afaka, dia izay nitsoaka tamin’ny fahababoana, sy ny amin’i Jerosalema.

3 Ka izao no navaliny ahy: «Lavina ny fahoriana sy latsa mahazo ny sisa afaka, dia izay nitsoaka tamin’ny fahababoana, any amin’ny ambanivohitra any; ny mandan’i Jerosalema voarodana, ny vavahadiny levon’ny afo.»

4 Vao nandre izany zavatra izany aho dia tafatombina nitomany ny nisaona andro maro. Nifady hanina sy nivavaka teo anatrehan’ny Andriamanitry ny lanitra aho,

5 nanao hoe: «Ry Iaveh Andriamanitry ny lanitra ô, Andriamanitra lehibe sy mahatahotra ô, Ianao izay mitana ny fanekena sy ny famindram-po amin’izay tia Anao sy mitandrina ny didinao anie,

6 hanongilana ny sofinao sy hampahiratra ny masonao, hihaino ny vavaky ny mpanomponao izay ataoko aminao ankehitriny, andro aman’alina ho an’ny zanak’i Israely mpanomponao, amim-piekena ny fahotan’ny zanak’i Israely, dia izay nataony taminao; fa nanota izahay dia izaho sy ny fianakavian-draiko.

7 Efa nanao izay ratsy indrindra taminao izahay, fa tsy nitandrina ny didy, ny lalàna amam-pitsipika nandidianao an’i Môizy mpanomponao.

8 Tsarovy ilay teny nasainao nolazain’i Môizy mpanomponao nataonao hoe: Raha mandika ny didiko ianareo, dia haeliko any amin’ny firenena;

9 nefa raha miverina amiko ianareo, ka mitandrina ny didiko sy manaraka azy, na dia efa any am-paravodilanitra aza ny voasesitany aminareo, dia hangoniko avy any sy hoentiko ho eo amin’ny fitoeram-boafidiko hamponenako ny Anarako.

10 Mpanomponao sy vahoakanao, izay navotanao tamin’ny herinao lehibe sy ny tananao mahery izy ireo.

11 Endrey, ry Tompo, aoka hanongilan-tsofina amin’ny vavak’ity mpanomponao Ianao, sy amin’ny vavak’ireo mpanomponao izay mankasitraka tokoa ny matahotra ny Anaranao! Ho sitrakao anie ny hanambina ny mpanomponao anio, sy hampahita fitia azy eo imason’io lehilahy io.»

Mpandroso divain’ny mpanjaka aho fahizay.

Categories
Nehemia

Nehemia 2

1 Tamin’ny volana Nisàna, taona faharoapolo nanjakan’i Artakserksesa mpanjaka, raha ilay efa mby teo anoloany iny ny divay, dia noraisiko ny divay ka natolotro ny mpanjaka, ary nitandrina aho mba tsy halahelo eo anatrehany.

2 Ka hoy ny mpanjaka tamiko: «Nahoana ity ianao no malahelo tarehy, kanefa tsy marary tsinona? Tsy inona izao fa alahelon’ny fo mihitsy!»

3 Nivadi-po terỳ aho, ka namaly ny mpanjaka hoe: «Ho velona mandrakizay anie ny mpanjaka! Hataoko ahoana no tsy falahelo tarehy, kanefa ny tanàna nisy ny fasan-drazako rava ary ny vavahadiny levon’ny afo?»

4 Dia hoy ny mpanjaka tamiko: «Inona no tianao hangatahina amiko?»

5 Nivavaka tamin’ny Andriamanitry ny lanitra aho, dia namaly ny mpanjaka hoe: «Raha sitraky ny mpanjaka ka mba nahita fitia eo imasony koa ity mpanompony dia alefao aho ho any Jodà, any amin’ny tanàna misy ny fasan-drazako mba hanamboarako azy indray.»

6 Nipetraka teo anilany koa ny mpanjakavavy tamin’izay, ary hoy ny mpanjaka tamiko: «Haharitra hoatrinona ny dianao, ary rahoviana no hiverina ianao?» Dia sitraky ny mpanjaka ny handefa ahy, ka nilaza fetr’andro taminy aho.

7 Ary hoy koa aho tamin’ny mpanjaka: «Raha sitraky ny mpanjaka, aoka homena taratasy aho, ho an’ny governora any an-dafin’ny ony, mba hamelany ahy handeha, mandra-pahatongako any Jodà,

8 ary taratasy anankiray koa ho an’i Asafa mpitandrina ny alan’ny mpanjaka, mba hanomezany hazo ahy, hanaovako sakamandimby hatao amin’ny varavaran’ny trano mimandamanolotra ny tempoly sy hatao amin’ny mandan’ny tanàna, mbamin’ny trano hihatahako.» Dia nomen’ny mpanjaka ahy izany, fa momba ahy ny tanana manambin’ny Andriamanitro.

9 Dia lasa ho any amin’ireo governora any an-dafin’ny ony aho ka natolotro azy, ireo taratasin’ny mpanjaka, ary nisy manamboninahitra ama-mpitaingin-tsoavaly koa, nalefan’ny mpanjaka hiaraka amiko.

10 Nony fantatr’i Sanabalata Hôrônita, sy i Tobia ilay mpanompo Amônita, izany, dia ratsy mihitsy ny hevinyamin’ny hoe, nisy lehilahy tonga hikarakara izay hahasoa ny zanak’i Israely.

Notapahina fa haorina indray ny mandan’i Jerosalema

11 Dia tonga tany Jerosalema aho ka nony afaka hateloana no nitoerako tao,

12 nifoha tamin’ny alina aho, nomban’olona vitsivitsy. Tsy nilaza tamin’olona izay natoron’Andriamanitra tao am-poko hatao ho an’i Jerosalema aho. Tsy nitondra biby manompo aho afa-tsy ilay nitaingenako ihany.

13 Mbola alina, dia nivoaka teo amin’ny vavahadin’ny Lohasaha aho, dia nandroso mankany amin’ny loharanon’ny Dragona sy ny vavahadin’ny Zezika; nozahako ny mandan’i Jerosalema efa rava sy ny vavahadiny efa levon’ny afo.

14 Notohiziko ny diako mankany amin’ny vavahadin’ny Loharano, sy ny Farihin’ny Mpanjaka, nefa tsy nisy fitoerana azon’ilay biby notaingenako naleha, raha mbola taingenako izy.

15 Nandeha alina aho niakatra tamin’ny lohasahan-driaka, ka nizaha ny manda; izay vao niverina tany amin’ny vavahadin’ny Lohasaha, ka dia niditra.

16 Tsy nisy nahalala izay nalehako na izay kendreko hatao ny andriambaventy. Fa hatramin’izay dia mbola tsy nisy nambarako tamin’ny Jody na inona na inona, na tamin’ny mpisorona, na tamin’ny lehibe, na tamin’ny andriambaventy, na tamin’ny hafa amin’ny vahoaka izay tsy maintsy manao ny asa.

17 Nony inona, dia hoy aho tamin’izy ireo: «Hitanareo ny toetra mahonena mahazo antsika, fa rava ity Jerosalema, ary levon’ny afo ny vavahady. Koa andeha hatsangantsika ny mandan’i Jerosalema, dia tsy ho fandatsa intsony isika.»

18 Dia notantaraiko tamin’izy ireo ny nomban’ny tanana manambin’Andriamanitra ahy, mbamin’ny teny nolazain’ny mpanjaka tamiko, ka hoy izy ireo namaly: «Mitsangàna ary isika, hanorina.» Dia rafitra nanao izany asa izany tamin-kerim-po tokoa izy ireo.

19 Nony nandre izany, i Sanabalata Hôrônita, sy i Tobia ilay mpanompo Amônita, ary i Gôsena Arabo, dia nanaraby sy naneso anay, nanao hoe: «Inona izato ataonareo ao? Hikomy amin’ny mpanjaka angaha ianareo?»

20 Fa namaly azy aho, ka nanao taminy hoe: «Ny Andriamanitry ny lanitra no hanambina anay, ka dia hitsangan-kanorina izahay mpanompony; ary raha ianareo, dia tsy manana anjara, na rariny, na fahatsiarovana akory, atỳ Jerosalema ianareo.»

Categories
Nehemia

Nehemia 3

Ireo nanolo-tena hanorina ny manda

1 I Eliasiba mpisorona lehibe, mbamin’ireo mpisorona rahalahiny dia nanomboka nanorina ny vavahadin’ny Ondry, nanamasina azy izy, dia nandatsaka ny lela-vavahady; namboariny ny manda dia nohamasininy hatramin’ny tilikambon’i Meà, ka hatramin’ny tilikambon’i Hananeela.

2 Ny mponina ao Jerosalema no nanorina teo anilany, ary i Zakora, zanak’i Amrì, nanorina teo anilany.

3 Ny taranak’i Senaà no nanao ny vavahadin’ny Hazandrano, nataony teo ny sakamandimby, dia nalatsany ny lela-vavahady, mbamin’ny karetsaka sy ny barany;

4 ary teo anilany dia i Merimota zanak’i Oria zanak’i Akôsa, no nanamboatra; ary teo anilany dia i Mosolama zanak’i Barakia zanak’i Mesezebela, no nanamboatra; ary teo anilany dia i Sadôka zanak’i Baanà no nanamboatra;

5 teo anilany dia ny Tekôita no nanamboatra, saingy tsy nilatsaka hanampy tamin’ny fanompoana ny tompony, ny lehibe tamin’izy ireo.

6 I Jôiadà zanak’i Faseà, sy i Mosolama zanak’i Besôdiasa, no nanamboatra ny Vavahady Goga, nataony teo ny sakamandimby dia nalatsany ny lela-vavahady, mbamin’ny karetsaka sy ny barany.

7 I Meltiasa Gabaônita, i Jadôna Merônatita, mbamin’ny mponina ao Gabaôna sy i Masfà no nanamboatra teo anilany, akaikin’ny fitsaran’ny governoran’ny any an-dafin’ny ony;

8 i Oziela zanak’i Araiasa lohan’ny mpanefy volamena, nanamboatra teo anilany; ary i Anania isan’ny fikambanan’ny mpanao zava-manitra no nanamboatra teo anilany; navelany i Jerosalemahatreo amin’ny manda malalaka.

9 Namboatra teo anilany, i Rafaiasa zanak’i Hora, lehiben’ny antsasaky ny faritanin’i Jerosalema.

10 Teo anilany dia i Jedaiasa zanak’i Haromafa no nanamboatra tandrifin’ny tranony; ary teo anilany dia i Hatosa zanak’i Haseboniasa no nanamboatra.

11 Ny laniny sasany amin’ny manda sy ny tilikambon’ny fatana fandoroana kosa, namboarin’i Melkiasa zanak’i Herema sy i Hasoba zanak’i Fahata-Moaba.

12 Teo anilany dia i Seloma zanak’i Alohesa, lehiben’ny antsasaky ny faritanin’i Jerosalema, no nanamboatra niaraka tamin’ny zanany vavy.

13 I Hanòna sy ny mponina ao Zanôe no nanamboatra ny vavahadin’ny Lohasaha; narafiny izy, dia nalatsany ny lela vavahady, mbamin’ny karetsaka sy ny barany; fanampin’izany koa dia nanao ny manda arivo hakiho, hatreo amin’ny vavahadin’ny Zezika izy.

14 I Melkiasa zanak’i Rekaba, lehiben’ny faritanin’i Betakarama no namboatra ny vavahadin’ny Zezika; narafiny izy, dia nalatsany ny lela vavahady, mbamin’ny karetsaka sy ny barany.

15 I Seloma zanak’i Kôlkôzà, lehiben’ny faritanin’i Masfà, no namboatra ny vavahadin’ny Loharano; narafiny sy notafoany izy, dia nalatsany ny lela vavahady, mbamin’ny karetsaka sy ny barany; fanampin’izany koa nanao ny mandan’ny farihin’i Siloe, anilan’ny zaridainan’ny Mpanjaka izy, hatreo amin’ny ambaratonga midina avy any an-tanànan’i Davida.

16 Nanaraka azy, i Nehemia zanak’i Azbôka, lehiben’ny antsasaky ny faritanin’i Betsora, namboatra hatreo amin’ny tandrifin’ireo fasan’i Davida, hatreo amin’ilay dobo voafaritra sy hatreo amin’ny tranon’ny Lehilahy mahery.

17 Nanamboatra nanaraka azy, ny Levita tarik’i Rehoma, zanak’i Benì. Nanamboatra teo anilany ho an’ny faritaniny, i Hasebiasa lehiben’ny antsasaky ny faritanin’i Keilà.

18 Nanamboatra nanarakaraka azy, ireo rahalahiny tarik’i Bavaì zanak’i Henadada, lehiben’ny antsasaky ny faritanin’i Keilà.

19 Teo anilany dia i Azera zanak’i Jôsoe, lehiben’i Masfà, no nanamboatra ny ilan’ny manda, teo an-tandrifin’ny fiakaran’ny fitahirizam-piadiana, eo amin’ny zoro.

20 Nanarakaraka azy dia i Baròka zanak’i Zakaì, no nanamboatra tamin-kavitrihana ny ilany anankiray, hatreo amin’ny zoro ka hatreo amin’ny varavaran’ny tranon’i Eliasiba, mpisorona lehibe.

21 Nanarakaraka azy dia i Merimota zanak’i Oria zanak’i Akôsa no nanamboatra ny ilany anankiray hatreo amin’ny varavaran’ny tranon’i Eliasiba, ka hatrarỳ amin’ny faran’ny tranon’i Eliasiba.

22 Ny nanarakaraka azy dia ireo mpisorona, lehilahin’ny tany lemak’i Jordany.

23 Manarakaraka ireo, dia i Benjamina sy i Hasoba nanamboatra teo an-tandrifin’ny tranony. Manarakaraka ireo, i Azariasa zanak’i Maasiasa zanak’i Anania, nanamboatra teo akaikin’ny tranony.

24 Manarakaraka azy, i Benoy zanak’i Henadada, namboatra ny laniny iray, hatreo amin’ny tranon’i Azariasa ka hatreo amin’ny zoronysy hatreo amin’ny fiolahana.

25 I Falefa zanak’i Ozỳ, nanamboatra teo an-tandrifin’ny zorony sy ny tilikambo avo izay mibohitra eo alohan’ny tranon’ny mpanjaka, akaikin’ny tokonan’ny tranomaizina. Manarakaraka io dia i Fadaiasa zanak’i Farosa.

26 Ary ny Natineanina dia nonina teo amin’ny Ofela, hatreo an-tandrifin’ny vavahadin’ny Rano, any atsinanana, sy ny tilikambo mandroso.

27 Manarakaraka azy, ny Tekôita namboatra ny laniny iray, tandrifin’ny tilikambo lehibe mibohitra, ka hatreo amin’ny mandan’i Ofela.

28 Teo ambonin’ny vavahadin’ny Soavaly dia ny mpisorona no samy namboatra ny tandrifin’ny tranony avy.

29 Manarakaraka azy, i Sadôka zanak’i Emera nanamboatra ny teo anoloan’ny tranony; manarakaraka azy, nanamboatra i Semeiàsa zanak’i Sikemiasa mpiandry ny vavahady atsinanana amin’ny tempoly.

30 Manarakaraka azy, i Hananiasa zanak’i Selemiasa sy i Hanòna fahenin’ny zanak’i Selefa, namboatra ny laniny iray hafa. Manarakaraka azy i Mosolama, zanak’i Barakia, nanamboatra ny teo anoloan’ny tranony.

31 Manarakaraka azy, i Melkiasa isan’ny fikambanan’ny mpanefy volamena, nanamboatra hatreo amin’ny tranon’ny Natineanina sy ny mpivarotra, teo anoloan’ny vavahadin’i Mifkada ka hatreo amin’ny trano ambony eo an-jorony.

32 Ary ny mpanefy volamena sy ny mpivarotra namboatra ny eo anelanelan’ny trano ambony eo an-jorony sy ny vavahadin’ny Ondry.

Fanoheran’ireo fahavalon’ny Jody

33 Tezitra ary nisafoaka mafy i Sanabalata, nony nandre fa hoe: mandrafitra ny manda indray izahay. Dia naneso ny Jody izy.

34 Dia niteny teo anatrehan’ireo rahalahiny sy ireo miaramilan’i Samaria izy nanao hoe: «Asa inona no ndeha hataon’ireo Jody tsy mahefa? Dia havelan’ny olona hanao eo ve ireo? Hahatitra sorona eo va ireo? Hahavita amin’ny indray andro va ireo? Hahatsangana ny vato voalevina any ambany vovo-tany miavosa sy levon’ny afo va ireo?»

35 Hoy koa i Tobia Amônita, teo anilany: «Avelao ihany hamboatra eo ireo, fa na fosa iray aza hiantoraka eo dia haharava ny manda vaton’ireo!»

36 «Mihainoa, ry Andriamanitray ô, fa voaeso izahay. Atsingereno amin’ny lohany ny famingavingana nataony, ary atolory ho remby eny amin’ny tany hamaboana azy izy!

37 Aza avela ny helony, ary aza vonoina tsy ho eo anatrehanao ny fahotany, fa efa nanao fanafintohinana teo anatrehan’ireto mandrafitra izy.»

38 Dia narafitray ny manda, ka voatsangana indray avokoa ny manda manodidina hatreo amin’ny antsasaky ny haavony, fa niasa an-jotom-po ny vahoaka.

Categories
Nehemia

Nehemia 4

1 Nisafoaky ny hatezerana avokoa anefa i Sanabalata, ny Arabo, ny Amônita ary ny Azôtianina, nony nandre fa hoe mandroso ny famboarana ny manda, ary efa mitampina miandalandalana ny banga,

2 ka niray tetika izy rehetra handeha hamely an’i Jerosalema sy hanabataba azy.

3 Dia nivavaka tamin’ny Andriamanitray izahay, sady nametraka mpiambina andro aman’alina, hanohitra azy sy hiaro tena aminy mba hisorohanay ny famelezany.

4 Hoy anefa i Jodà: «Tsy ampy hery ny mpitondra entana fa be ny korontan-javatra, ka tsy haharafitra ny manda izahay.»

5 Ny fahavalonay koa nanao hoe: «Tsy hahalala ireo na hahita, raha tsy efa tonga eo afovoany isika, ka dia hamono azy sy hampitsahatra ny asa.»

6 Kanjo nony tonga ireo Jody nonina tao akaikiny dia nampandre anay impolo na avy aiza na avy aiza no ihavian’ny fahavalo hamely anay.

7 Ka dia natokotokoko ara-pianakaviana ny vahoaka, samy nitondra ny sabany sy ny lefony aman-tsipìkany, ho any ivohon’ny manda, amin’ny ilany iva indrindra, amin’ny toerana tsy misy manakontakona.

8 Nony nijery aho, dia nitsangana nilaza izao tamin’ny lehibe sy ny andriambaventy ary ny vahoaka sisa hoe: «Aza matahotra eo anatrehan’ireny ianareo! Fa ny Tompo lehibe sy mahatahotra no tsarovy; ary miadia hiaro ny rahalahinareo sy ny zanakareo lahy aman-janakareo vavy ary ny vadinareo sy ny ankohonanareo.»

9 Nony ren’ny fahavalonay fa efa nahalala izahay, sy efa nofoanan’Andriamanitra ny heviny, dia niverina ho any amin’ny manda izahay rehetra, samy nankany amin’ny asany avy.

10 Hatramin’izay andro izay dia ny antsasaky ny olokoihany no nanao ny asa, fa ny antsasany kosa nitana lefona aman’ampinga sy tsipìka aman’akanjo fiarovan-tratra, ary ny filohany dia samy teo ivohon’ny fianakavian’i Jodà rehetra.

11 Amin’ireo nanao ny manda, ny sasany, dia izay nitondra entana sy nivesatra azy, nanao ny asa tamin’ny tanany an’ila sy nitam-piadiana tamin’ny tanany an’ila.

12 Ny sasany, dia izay nandrafitra, samy nanana ny sabany voafehy tamin’ny valahany avy, teo am-pandrafetana; ny mpitsoka trômpetra tsy niala teo akaikiko.

13 Dia hoy aho tamin’ny lehibe sy ny andriambaventy ary ny vahoaka sisa: «Lehibe ity ny asa, sady amin’ny tany malalaka; ka tafaely eny amin’ny manda sy tafasaraka be ihany isika rehetra.

14 Koa na aiza na aiza no andrenesanareo ny feon’ny trômpetra dia mivoria eto aminay ianareo, fa ny Andriamanitsika no hiady ho antsika.»

15 Dia nanao ny asa izahay; ny antsasany taminay nitan-defona hatramin’ny mazava atsinanana ka mandra-piposaky ny kintana.

16 Tamin’izany andro izany, hoy koa aho tamin’ny vahoaka: «Samia mandry eto Jerosalema, miaraka amin’ny mpanompony avy, mba hiambina antsika mandritra ny alina, sy hiasa mandritra ny andro.

17 Fa na izaho, na ireo rahalahiko, na ny oloko, na ny mpiambina nanaraka ahy, dia tsy nisy niala akanjo; handro tokanamatoa nanala azy.»

Categories
Nehemia

Nehemia 5

Fanomezan-drariny ny fitondrany

1 Velon-taraina mafy ny sarambabem-bahoaka mbamin’ny vadiny, noho ny amin’ireo Jody rahalahiny.

2 Hoy ny sasany: «Maro izahay, mbamin’ny zanakay lahy aman-janakay vavy, ka aoka handray vary hohaninay ka ho velona izahay.»

3 Hoy koa ny sasany: «Ataonay antoka ny taninay mbamin’ny tanimboalobokay sy ny tranonay, mba hahazoanay vary mandritra ny mosary.»

4 Hoy koa ny hafa: «Ny taninay aman-tanimboalobokay izao, efa nataonay antoky ny vola nosamborinay handoavana ny hetran’ny mpanjaka.

5 Ary ankehitriny dia mba toy ny nofon’ny rahalahinay ihany ny nofonay ka mba toy ny zanany ihany koa ny zanakay, kanjo indro fa ampidirinay amin’ny fanandevozana ny zanakay lahy aman-janakay vavy, ary ny sasany amin’ny zanakay vavy efa andevo sahady. Ary ataonay ahoana moa fa efa lasan’ny sasany ny taninay aman-tanimboalobokay.»

6 Loza ny hatezerako nony nandre ny fitarainan’izy ireo, sy izany teny izany.

7 Nony nieritreritra aho anakampo, dia ireo lehibe aman’andriambaventy no nanariko mafy sy nataoko hoe: «Mampanjanaka vola ianareo izany, samy amin’ny rahalahiny avy!» Koa nanao fivorian-dehibe noho ny amin’izy ireo aho,

8 dia nilaza taminy hoe: «Izahay nanavotra ny Jody rahalahintsika namidy tamin’ny firenena araka ny anananay, ka ianareo kosa ve, hivarotra ny rahalahinareo, sady hivarotra azy aminay!» Gina tsy nahita havaly izy ireo.

9 Ary hoy koa aho: «Tsy tsara izao nataonareo izao. Moa tsy tokony ho nandeha tamim-pahatahorana ny Andriamanitsika va ianareo, mba tsy ho voan’ny fanaratsian’ny firenena fahavalontsika?

10 Izaho mbamin’ireo rahalahiko sy ny mpanompoko koa, efa samy nampisambotra taminy vola sy vary. Ka andeha isika samy hamoy izany trosa izany.

11 Anio ihany dia samia mamerinany tanin’izy ireo, ny tanimboalobony, ny fototr’ôlivany, ny tranony, ary ny ampahazaton’ny vola mbamin’ny divay vaovao aman-diloilo nasainareo haloany ho zana-bola.»

12 Ka izao no navalin’izy ireo: «Haverinay izany, ary tsy hitaky na inona na inona aminy intsony izahay, fa hotanterahinay ny voalazanao.» Dia nantsoiko ny mpisorona ary nampanaoviko fianianana fa araka izany teny izany no hataony.

13 Ka sady nanakopaka ny kapaotikoaho no nilaza hoe: «Hakopak’Andriamanitra toy izao anie ny olona rehetra tsy mahatanteraka izany teny izany, ho eo ivelan’ny tranony amam-pananany, ka dia ho voakopaka sy ho avela tsy manana na inona na inona izy.» Dia indray namaly ny fiangonana nanao hoe: «Amen», sady nidera an’Andriamanitra; ary notanterahin’ny vahoaka tokoa izany teny izany.

14 Hatramin’ny andro nametrahan’ny mpanjaka ahy ho governora teo amin’ny tanin’i Jodà, izany hoe: hatramin’ny taona faha 20, ka hatramin’ny taona faha 32 nanjakan’i Artakserksesa, dia nandritra ny 12 taona, tsy mba nihinana ny mofon’ny governora, na izaho na ireo rahalahiko.

15 Ny governora teo alohako, nahavaky tratra ny vahoaka ary nandray mofo aman-divay taminy, ivelan’ny volafotsy efapolo sikla, hatramin’ny mpanompony avy no nampahory ny vahoaka; fa izaho kosa dia tsy mba nanao toy izany, noho ny fahatahorako an’Andriamanitra.

16 Mainka fa nimasoako ny famboarana io manda io; tsy mba nividy tany akory izahay, fa vory nihohoka teo amin’ny asa avokoa ny oloko.

17 Ny nihinana eo amin’ny latabatro dia 150 lahy, Jody sy andriambaventy, afa-tsy izay tonga ao aminay, avy amin’ny firenena manodidina.

18 Ka izao no natokana isan’andro: omby iray, ondry voafantina enina, ary vorona no nahandroina, ka izaho no nandoa ny lany; isan-kafoloana koa namononana ny divay ilaina natao betsaka. Na dia izany aza anefa, tsy mba nitaky ny mofon’ny governora aho, satria efa mavesatra loatra tamin’izany vahoaka izany ny asa nataony.

19 «Tsarovy, ry Andriamanitro ô, ka hahazoako sitraka anie izay rehetra nataoko ho an’izany vahoaka izany.»

Categories
Nehemia

Nehemia 6

Ny nahavitan’ny manda

1 Nony fantatr’i Sanabalata, i Tobia, i Gôsena Arabo, mbamin’ireo fahavalonay hafa, fa hoe, voaarina indray ny manda, ary tsy misy banga intsony;

2 – nefa hatramin’io fotoana io mbola tsy nataoko tamin’ny varavarana ny lelany,- dia naniraka nankatỳ amiko i Sanabalata sy i Gôsena, hilaza hoe: «Tongava, fa aoka isika hihaona kely any amin’ireo vohitra amin’ny lohasahan’i Onô.» Ny hanisy ratsy ahy no heviny.

3 Nandefa iraka aho hilaza aminy hoe: «Asa lehibe no ataoko ka tsy afa-midina aho. Ary nahoana ange ny asa no hiato, fa hilaozako hankany aminareo?»

4 Inefatra izy no nampitondra tamiko izany hevitra izany, nefa izany ihany no navaliko azy hatrany.

5 Fa nirahin’i Sanabalata fanindiminy, araka izany ihany indray, ny mpanompony, nitondra taratasy nivelatra teny an-tanany;

6 ka izao no soratra tao: «Efa mahoraka amin’ny firenena, sady lazain’i Gôsena koa fa hoe: Mihevitra ny hikomy ianao sy ny Jody, ka izany no nanaovanao ny manda; ary ianao, araka izany honohono izany, no mitady ny ho tonga mpanjakany.

7 Ary efa nanendry mpaminany ianao aza, hiantso ampahibemaso ao Jerosalema hoe: Efa misy mpanjaka any Jodà, mantsy anao. Ary ankehitriny dia ampandrenesina izany raharaha izany ny mpanjaka, ka avia dia hiara-mihevitra isika.»

8 Dia naniraka tany aminy aho, hilaza hoe: «Tsy misy nitranga araka izany zavatra lazainao izany, fa zavatra foronin’ny sainao fotsiny.»

9 Ny hampitahotra anay no kendren’izy rehetra, satria hoy izy: «Hihaosa ny tanany dia hilaozany ny asa, ka tsy ho tontosa. Koa ankehitriny herezo ny tanako, ry Andriamanitro.»

10 Ary nankao amin’i Semaiasazanak’i Dalaiasa, zanak’i Metabeela aho. Nihidy aman-trano izy, ary izao no nolazainy tamiko: «Andeha isika hiara-mankao an-tranon’Andriamanitra eo anatin’ny tempoly, fa tamy hamono anao ny olona; ary amin’ny alina no hahatongavan’ny olona hamono anao.»

11 Fa hoy ny navaliko: «Lehilahy toa ahy izao ve ka handositra!… Ary ahoana moa no hidiran’ny olona tahaka ahy any amin’ny tempoly ka mbola ho velona ihany? Tsy hiditra aho.»

12 Dia nandinika aho, ka indro fa tsy Andriamanitra no naniraka azy; fa ny nanononany faminaniana ny amiko dia noho izy voakaraman’i Tobia sy i Sanabalata.

13 Ary ny nanakaramany azy dia mba hatahorako ka hanarahako ny toroheviny sy hanotako, dia misy hoentiny haharatsy laza ahy sy hahafa-baraka ahy.

14 «Ry Andriamanitra ô, tsarovy i Tobia sy i Sanabalata, araka izany asa ratsy izany, ary koa i Nôadiasa mpaminany, sy ireo mpaminany hafa nitady hampitahotra ahy!»

15 Ary 52 andro, dia vita ny manda, tamin’ny faha-25n’ny volana Elola.

16 Nony nandre izany ny fahavalonay rehetra dia raiki-tahotra avokoa ny firenena manodidina anay, tsaroany reraka mafy ny fony, ary fantany fa Andriamanitray no nahavita izany asa izany.

17 Tamin’izany andro izany ny lehibe sasany tamin’i Jodà dia nampitombo ho maro ny taratasy nalefany tany amin’i Tobia, ary ny taratasin’i Tobia koa tonga nankatỳ amin’izy ireo;

18 satria maro tamin’ny lehiben’i Jodà no efa tafaray taminy tamin’ny fianianana, noho izy vinanton’i Sekeniasa zanak’i Areà, sy noho i Johanàna zanany lahy nanambady ny zanaka vavin’i Mosolama, zanak’i Barakia.

19 Nilaza ny hatsaran-toetrany teo anatrehako aza izy ireo, ary ny teniko notateriny taminy. Nampitondra taratasy hampitahotra ahy i Tobia.

Categories
Nehemia

Nehemia 7

1 Nony vita ny manda ka efa nalatsako ny lela vavahady, dia ny mpiandry varavarana, ny mpihira, ny levita no napetraka hiambina.

2 Ary i Hananì rahalahiko sy i Anania lehiben’ny rova no nomeko fahefana amin’i Jerosalema, fa lehilahy mahatoky sy mahatahotra an’Andriamanitra mihoatra noho ny maro izy.

3 Dia hoy aho tamin’izy ireo: «Aza vohaina ny vavahadin’i Jerosalema mandra-pahatongan’ny hafanan’ny masoandro, ary ny hariva dia ny mbola eo ny mpiambina no hanidiana ny vavahady sy hametrahana ny barany, ary amin’ny alina, dia hanendrena mpiambina ny mponina eto Jerosalema samy hatao amin’ny anjara toerany ny tandrifin’ny tranonyavy.»

Nonenana indray i Jerosalema

4 Sady malalaka no lehibe ny tanàna, nefa vitsy ny mponina eo afovoany, sady mbola tsy voaorina indray ny trano.

5 Ka nomen’Andriamanitra hevitra aho hamory ny lehibe sy ny andriambaventy mbamin’ny vahoaka, mba hakana ny isany. Ary nahita boky nanoratana ny firazanan’izayniakatra voalohany aho, ka izao no hitako voasoratra ao:

Anaran’ireo Siônista voalohany sy isany

6 Ireto ny ambanivohitra avy nasesitany izay nentin’i Nabokodonozora, mpanjakan’i Babilôna, ho babo ary niverina ho any Jerosalema sy i Jodà, samy any an-tanànany avy;

7 dia ireo niara-niverina tamin’i Zôrôbabela, i Jôsoe, i Nehemia, i Azariasa, i Raamiasa, i Nahamanì, i Mardokea, i Belsàna, i Mesfarata, i Beboaì, i Nahoma, i Baanà.

Izao no isan’ny lehilahy tamin’ny vahoakan’i Israely:

8 nisy 2.172 ny taranak’i Farosa;

9 nisy 372, ny taranak’i Safatiasa;

10 nisy 652, ny taranak’i Areà;

11 nisy 2.818, ny taranak’i Fahata-Moaba, avy amin’ny taranak’i Jôsoe sy i Jôaba;

12 nisy 1.254, ny taranak’i Elama;

13 nisy 845 ny taranak’i Zetoà;

14 nisy 760, ny taranak’i Zakaì;

15 nisy 648, ny taranak’i Banaì;

16 nisy 628 ny taranak’i Bebaì;

17 nisy 2.322, ny taranak’i Azgada;

18 nisy 667 ny taranak’i Adônikama;

19 nisy 2.067 ny taranak’i Begoai;

20 nisy 655 ny taranak’i Adìna;

21 nisy 98, ny taranak’i Atera, zanak’i Ezekiasa;

22 nisy 328 ny taranak’i Hasema;

23 nisy 324 ny taranak’i Besaì;

24 nisy 112, ny taranak’i Harefa;

25 nisy 95, ny taranak’i Gabaôna;

26 nisy 188, ny mponina tao Betlehema sy i Netôfa;

27 nisy 128 ny mponina tao Anatôta;

28 nisy 42 ny mponina tao Beta-Azmôta;

29 nisy 743 ny mponina tao Kariatiarima sy i Kefirà ary i Berôta;

30 nisy 621, ny mponina tao Ramà sy i Gabaà;

31 nisy 122 ny mponina tao Makmasa;

32 nisy 123 ny mponina tao Betela sy i Haì;

33 nisy 52 ny mponina tao amin’ny Nebao anankiray;

34 nisy 1.254 ny taranak’i Elama anankiray;

35 nisy 320 ny taranak’i Harema;

36 nisy 345 ny zanak’i Jerikô;

37 nisy 721 ny zanak’i Loda sy i Hadida ary i Onô;

38 ary nisy 3.930, ny zanak’i Senaà.

39 Mpisorona: 973 ny taranak’i Idaiasa, avy amin’ny fianakavian’i Jôsoe;

40 nisy 1.052 ny taranak’i Emera;

41 nisy 1.247 ny taranak’i Faseora;

42 ary nisy 1.017 ny taranak’i Arema.

43 Levita: 74 ny taranak’i Josoe sy i Kedmiela avy amin’ny taranak’i Odoiasa.

44 Mpihira: 148 ny taranak’i Asafa.

45 Mpiandry varavarana: 138 ny taranak’i Seloma, ny taranak’i Atera, ny taranak’i Telmôna, ny taranak’i Akoba, ny taranak’i Hatita ny taranak’i Sôbay.

46 Natineanina: ny taranak’i Sohà, ny taranak’i Hasofà, ny taranak’i Tebaôta;

47 ny taranak’i Kerôsa, ny taranak’i Sià, ny taranak’i Fadôna;

48 ny taranak’i Lebàna, ny taranak’i Hagabà;

49 ny taranak’i Selmay, ny taranak’i Hanàna, ny taranak’i Gedela, ny taranak’i Gahera,

50 ny taranak’i Raaiasa, ny taranak’i Rasìna, ny taranak’i Nekôdà,

51 ny taranak’i Gezema, ny taranak’i Azà, ny taranak’i Faseà, ny taranak’i Besea,

52 ny taranak’i Monima, ny taranak’i Nefosima;

53 ny taranak’i Bakboka, ny taranak’i Hakofà;

54 ny taranak’i Harora, ny taranak’i Beslota, ny taranak’i Mahidà, ny taranak’i Harsà,

55 ny taranak’i Berkôsa, ny taranak’i Sisarà, ny taranak’i Temà,

56 ny taranak’i Nasià, ny taranak’i Hatifà.

57 Taranaky ny mpanompon’i Salômôna: ny taranak’i Sôtaì, ny taranak’i Sôfereta,

58 ny taranak’i Faridà, ny taranak’i Jahalà, ny taranak’i Darkôna, ny taranak’i Jedela,

59 ny taranak’i Safatiasa, ny taranak’i Hatilà, ny taranak’i Fôkereta-Asebaima, ny taranak’i Amôna.

60 Ary nisy 392 no tontalin’ny Natineanina sy ny taranaky ny mpanompon’i Salômôna.

61 Izao no nandeha niala tany Tel-Melà, Tel-Harsà, Keroba, Adaona, ary Emera, izay tsy nahalaza ny fianakavian-drainy amam-pirazanany, hanamarina ny maha-Israely azy:

62 ny taranak’i Dalaisa, ny taranak’i Tobia, ny taranak’i Nekôdà, 642.

63 Ary ny tamin’ny mpisorona dia ny taranak’i Hôbià, ny taranak’i Akôsa, ny taranak’i Berzelai, izay naka ho vady ny anankiray tamin’ny zanaka vavin’i Berzelai, Galaadita, ka dia nantsoina amin’ny anarany.

64 Nikaroka ny taratasy vavolombelon’ny firazanany izy ireo, fa tsy nahita, ka dia nolazaina ho tsy madio, tsy mahatana ny fisoronana;

65 ary noraran’ny governora tsy hihinana ny zavatra masina indrindra izy ireo, mandra-pitsangan’izay mpisorona hanontany amin’Andriamanitra, amin’ny Orima sy ny Tomima.

66 Ary nisy 42.360 no tontalin’ny fiangonana rehetra,

67 afa-tsy ny mpanompony, lahy amana vavy, izay nisy 7.337. Nisy mpihira, lahy amana vavy, 200 tamin’izy ireo.

68 Ary izao no nananany: soavaly 736, mole 245,

69 rameva 435, ary ampondra 6.720.

70 Maro tamin’ny loham-pianakaviana no nanao fanomezana, hanaovana ny asa. Ny governora nanome darìka volamena 1.000, kopy 50, akanjom-pisoronana 530, hatao amin’ny rakitra.

71 Ny sasany amin’ny loham-pianakaviana nanome darìka volamena 20.000, mina volafotsy 2.200, hatao amin’ny rakitra hanaovana ny asa.

72 Ny vahoaka sisa kosa nanome darìka volamena 20.000, mina volafotsy 2.000, ary akanjom-pisoronana 67.

73 Dia toy izany no nahatafapetraka tamin’ny tanànany avy ny mpisorona sy ny levita, ny mpihira, ny mpiandry varavarana, ny olona amin’ny ankapobem-bahoaka, ny Natineanina, ary i Israely rehetra.