Categories
Tobia

Tobia 5

5. Ilay namana

1 Tamin’izay dia hoy ny navalin’i Tobia an-drainy: «Hataoko avokoa izay rehetra nasainao hataoko, ry dada.

2 Fa izay hahazoako mandray izany vola izany no tsy fantatro. Izany lehilahy izany tsy mahalala ahy, izy koa tsy fantatro, ka inona no famantarana homeko azy? Ny lalana mankany amin’izany tany izany aza tsy fantatro akory.»

3 Dia hoy ny navalin-drainy azy: «Eto an-tanako ny sorany, ka raha vantany vao asehonao azy dia averiny aminao ny vola.

4 Fa mandehana amin’izao aloha mitady olona mahatoky hokaramaina hiaraka aminao, mba hahazoanao izany vola izany, dieny mbola velona aho».

5 Vao nivoaka i Tobia, dia nahita tovolahy tsara tarehy anankiray, mitsangana sady mietra toa olona vonon-kandeha.

6 Tsy fantany ho Anjelin’Andriamanitra io, ka noarahabainy, dia hoy izy: «Avy aiza ianao, ry zatovo soa?»

7 Ary namaly ny Anjely nanao hoe: «Avy amin’ny zanak’i Israely aho.» Ka hoy i Tobia taminy: «Mahalala ny lalana mankany amin’ny tanin’ny Meda va Ianao?»

8 Dia hoy ny navaliny: «Fantatro, fa efa niverimberina matetika amin’ireo lalana rehetra ireo aho, ary efa niantrano tao amin’i Gabelosa rahalahintsika aho, dia ilay monina ao Ragesa, tanànan’ny Meda; miorina ao amin’ny tendrombohitr’i Ekbatàna.»

9 Ka hoy i Tobia taminy: «Aza mahafady, mba andraso kely aho; mandra-pilazako izany amin’i Dada.»

10 Dia niditra nilaza izany rehetra izany tamin-drainy i Tobia. Gaga terỳ rainy, sady nasainy nampandrosoina razazalahy.

11 Dia niditra izy ary niarahaba nanao hoe: «Ho aminao mandrakariva anie ny hafaliana!»

12 Fa hoy kosa ny navalin’i Tobia: «Hafaliana inona moa no mba mety hananako, izay izaho mitoetra ao anatin’ny haizina sy tsy mba mahita izay hazavan’ny lanitra akory.»

13 Ary hoy ity tovolahy taminy: «Matokia tsara, fa mora amin’Andriamanitra ny manasitrana anao.»

14 Raha efa izany dia hoy i Tobia taminy: «Mba azonao atao indrindra va ny hitarika ny zanako ho any amin’i Gabelosa, any Ragesa, tanànan’ny Meda? Fa rehefa tafaverina ianao dia homeko ny karamanao.»

15 «Hitari-dalana azy aho, hoy ny navalin’ny Anjely, ary hitondra azy miverina ho atỳ aminao koa.»

16 Ary hoy i Tobia taminy: «Raha sitrakao, mba lazao ahy kely, fianakavian’iza moa ianao ary fokon-jovy?»

17 Fa hoy ny Anjely Rafaely namaly azy: «Fa ny fianakaviam-pikarama ve no tadiavinao, sa ny tenan’ny mpikarama hiaraka amin-janakao?

18 Mba hahafaka ahiahy anao anefa, dia izaho no Azariasa, zanak’i Anania malaza.»

19 «Taranak’Andriana izany ianao,» hoy i Tobia taminy, «ka mifona aminao aho, noho ny naniriako hahalala izay fianakavianao.»

20 Ary hoy ity Anjely taminy: «Hotarihiko soa aman-tsara ny zanakao, dia hoentiko miverina soa aman-tsara indray.»

21 Notohizan’i Tobia izay, nataony hoe: «Ho tsara mandroso, tsara miverina anie ianareo! Ho any amin’ny lalanareo anie Andriamanitra, ary homba anareo anie ny Anjeliny.»

22 Nony voaomana ny zavatra rehetra hoentiny any amin’ny dia halehany, nanao veloma an-drainy sy reniny i Tobia, dia niara-niainga tamin’ity Anjely.

23 Nony lasa izy ireo, dia rafitra nitomany ireniny, nanao hoe: «Nesorinao tamintsika ny tohan’ny fahanterantsika, ka nampanalavirinao antsika.

24 Inay anie, Andriamanitra, ka tsy nisy na oviana na oviana izany vola nanirahanao azy izany.

25 Fa efa ampy ho antsika izao fahantrantsika izao, ary ny mahita ny zanatsika no mba harenaho antsika.»

26 Dia namaly azy i Tobia nanao hoe: «Aza mitomany, fa ho tonga soa aman-tsara ny zanatsika, ho tafaverina soa aman-tsara atỳ amintsika izy, ka hahita azy indray ny masonao.

27 Satria inoako fa misy Anjely soan’Andriamanitra anankiray momba azy, ary alamin’izay soa aman-tsara avokoa ny zavatra rehetra tonga aminy, ka ho tafaverina an-kafaliana atỳ amintsika izy.»

28 Rehefa nandre an’izany ireniny, dia tsy nitomany intsony fa nangina.

Categories
Tobia

Tobia 6

6. Ilay hazandrano

1 Dia lasa i Tobia, nanaraka azy ny alika; ary teo amin’ny ony Tigrano nijanonany voalohany.

2 Nidina ndeha hanasa tongotra kosa izy ka inty nisy hazandrano makadiry, niantoraka handrapaka azy.

3 Nivadika ny fon’i Tobia, ka niantso mafy izy nanao hoe: «Iantsampazany aho, tompoko!»

4 Fa hoy ity Anjely taminy: «Raiso amin’ny sofiny io, ka tariho ho eo aminao.» Dia nataony izany: notarihiny ho eny an-tanety ilay hazandrano, ka inty nihavatravatra teo an-tongony.

5 Ary hoy ilay Anjely taminy: «Esory ny taovan’io hazandrano io, ka tahirizo ny fony sy ny àty aman’aferony, fa fanao fanafody tsara.»

6 Notoviny izany, dia natonony ny sasany amin’ny nofony, ka nentiny teo aminy eny an-dalana, ary nasiany sira ny sisa, izay tsy maintsy hahavita azy ireo, mandra-pahatongany any Ragesa, tanànan’i Meda.

7 Fa nanontany an’ity Anjely i Tobia nanao hoe: «Raha sitrakao, ry Azariasa rahalahiko, mba lazao ahy kely: manan-kery hahasitrana inona moa ireto zavatra avy amin’ny hazandrano nasainao tahiriziko ireto?»

8 Ka hoy ilay Anjely namaly azy: «Raha sombiny kely amin’ny fony no apetrakao eo ambony vain’afo, dia maharoaka ny demony isan-karazany amin-dehilahy na amim-behivavy, ny setroka avy amin’izay, ka tsy afa-manatona an’ireo intsony izy.

9 Ary ny aferony kosa dia fanosotra ny maso voasarona fotsy matevina, ka mahasitrana azy.»

10 Dia hoy i Tobia taminy: «Aiza no tianao hialantsika sasatra?»

11 Ary hoy ny Anjely namaly azy: «Eto misy lehilahy anankiray atao hoe: Ragoela, iray foko amam-pianakaviana aminao, manan-janaka vavy anankiray atao hoe Sarà izy; ary tsy manan-janaka hafa, afa-tsy izay, na lahy na vavy.

12 Tsy maintsy ho lasanao avokoa ny fananany rehetraka tsy maintsy halainao ho vady izy.

13 Ka angataho amin-drainy izy, fa homeny anao ho vadinao.»

14 Dia hoy ny navalin’i Tobia: «Nandre lazan’olona aho fa hoe: Fito lahy no efa nanambady azy izay, nefa maty avokoa; sady demony koa indray no lazain’olona tamiko ho namono an’ireo.

15 Ka matahotra aho fandrao dia iharan’izany koa ny tenako, ary noho izaho lahitokan-dray aman-dreniko, sao dia mampidina ny fahanteran’izy ireo amin’alahelo any am-pasana.»

16 Ary hoy ny Anjely Rafaely taminy: «Mihainoa ahy, fa hatoroko anao izay ananan’ny demony fahefana.

17 Dia izay miditra amin’ny fanambadiana, nefa mamoaka an’Andriamanitra hiala ao am-pony sy ao an-tsainy mba hanarana ny filan’ny nofony, toy ny soavaly ama-mole tsy manan-tsaina; ireny no ananan’ny demony fahefana.

18 Fa ianao kosa, rehefa manambady azy, dia midira ao an’efitrano, ary miaraha-mitoetra aminy amim-pahadiovana mandritra ny hateloana, ka aza mihevitra na inona na inona, afa-tsy ny fiaraha-mivavaka aminy.

19 Amin’ny alina voalohany, ataovy amin’ny afo ny atin’ny hazandrano, dia handositra ny demony.

20 Amin’ny alina faharoa, dia ho voaray ho isan’ny fikambanan’ny patriarka masina ianao.

21 Amin’ny alina fahatelo dia horaisinao ny tso-drano nampanantenaina ny taranany hiterahanareo zanaka matanjaka. Rehefa afaka ny alina fahatelo dia raiso amim-pahatahorana ny Tompo razazavavy, ka aoka ny fanirian-janaka no hitarika anao fa tsy ny filan’ny nofo, mba hahazoanao ao amin’ny zanakao, ny tso-drano nampanantenaina ny taranak’i Abrahama.»

Categories
Tobia

Tobia 7

7. I Ragoela

1 Dia niditra tao amin-dRagoela izy ireo, ka noraisiny tamin-kafaliana.

2 Vao nahita an’i Tobia i Ragoela, dia hoy izy tamin’i Anàvadiny: «Akory izany fitovin’ity zazalahy amin’ilay zanak’olo-mianadahy amiko.»

3 Avy nilaza izany izy, dia nanao hoe: «Avy aiza moa ianareo, ry zatovo rahalahinay?» Hoy ny navalin’ireo: «Avy amin’ny fokon’i Neftalì, babo any Niniva, izahay.»

4 Ary hoy i Ragoela taminy: «Mba fantatrareo va i Tobia rahalahiko?» «Fantatray izy,» hoy izy ireo.

5 Ary raha nilaza soa betsaka momba an’i Tobia i Ragoela, dia hoy ny Anjely taminy: «Izay Tobia lazainao izay no rain’ity zazalahy ity.»

6 Niaraka tamin’izay dia nihazakazaka nankeny aminy i Ragoela ka nanoroka azy tamin-dranomaso, sy nitomany namihina ny vozony.

7 «Hotahina anie ianao, anaka, hoy izy, fa zanak’olona tsara fanahy sy tsara indrindra amin’ny olombelona, ianao.»

8 Samy latsa-dranomaso koa i Anà vadiny sy i Sarà zanany vavy.

9 Nony avy niresaka teo izy ireo, nampamono ondralahy iray i Ragoela sy nampanamboatra sakafo lehibe dia nanainga azy ireo hipetraka hisakafo.

10 Fa hoy i Tobia: «Tsy hihinana na hisotro eto aho anio, raha tsy ekenao ny fangatahako, ka omenao toky aho fa homenao ho vadiko i Sarà zanaka vavinao.»

11 Nivadika ny fon-dRagoela nandre izany teny izany, satria fantany ny nanjò azy fito lahy vadin’io, izay nanatona azy, ka raiki-panahiana sahady izy, fandrao dia idiran-doza toy izany koa ity. Mbola tao anatin’izany fisalasalana izany izy, ka mbola tsy namaly ny fangatahan’i Tobia,

12 no hoy ity Anjely taminy: «Aza matahotra ny hanome ny zanakao vavy ho vadin’ity tovolahy ity, fa tsy maintsy ho anjara vadin’io matahotra an’Andriamanitra io izy, ka izany no tsy nahazoan’ny hafa rehetra nanana azy.»

13 Dia hoy i Ragoela tamin’izay: «Tsy misalasala aho, fa efa noraisin’Andriamanitra teo anatrehany ny vavaka aman-dranomasoko;

14 ary mino aho fa Izy no naniraka anareo ho atỳ amiko, mba hanambadian’ny zanako vavy ny havany, araka ny lalàn’i Môizy.» Koa dia aza misalasala intsony fa dia omeko anao izy.

15 Dia nalainy ny tanana havanan’ny zanany vavy nataony teo amin’ny tanana havanan’i Tobia ka hoy izy; «Homba anareo anie ny Andriamanitr’i Abrahama, ny Andriamanitr’i Isaaka, ary ny Andriamanitr’i Jakôba, hanakambana anareo anie Izy, ary hampidina ny tso-dranony feno aminareo.»

16 Raha efa izany, naka taratasy izy, dia nosoratany ny fanambadian’izy ireo.

17 Vita izany, vao nandroso nanao fihinanam-be tamim-pisaorana an’Andriamanitra izy ireo.

18 Dia nantsoin’i Ragoela i Anà vadiny, nasainy nanomana efitrano hafa anankiray.

19 Ka nentiny nankao i Sarà zanany vavy, izay rafitra nitomany.

20 Fa hoy izy taminy: «Matokia tsara, anaka. Ny Tompon’ny lanitra anie hanome hafaliana anao, hisolo ny alahelo efa niaretanao.»

Categories
Tobia

Tobia 8

8. Ilay fasana nototofana

1 Nony vita ny sakafo, dia nentin’izy ireo ho ao amin’i Sarà razazalahy.

2 Tsaroan’i Tobia ny tenin’ny Anjely, ka nangalany ny atin-kazandrano tao an-kitapony, nataony teo ambony vain’afo.

3 Tamin’izay dia nosamborin’ny Anjely Rafaely ilay demonyka nafatony tany an’efitr’i Ejipta ambony.

4 Ary i Tobia kosa namporisika an-drazazavavy nanao taminy hoe: «Mitsangàna, ry Sarà, aoka hivavaka amin’Andriamanitraisika anio sy ampitso ary rahafakampitso; Andriamanitra no iraisantsika mandritra ireo andro telo ireo; rehefa afaka ny alina fahatelo dia ho velona ao amin’ny fanambadiantsika isika.

5 Fa zanaky ny olo-masina, ka tsy mahazo miray araka ny fanaon’ireo firenena tsy mahalala an’Andriamanitra.»

6 Dia nitsangana izy ireo ka niara-nivavaka tamin-kafanam-po mba hanomezany azy ny fahasalamana.

7 Hoy i Tobia: «Ry Tompo Andriamanitry ny razanay, hisaotra anao anie ny tany aman-danitra, ny ranomasina, ny loharano sy ny ony, mbamin’ny zava-boaary rehetra ao aminy.

8 Ianao no nanao an’i Adama, tamin’ny fota-tany sy nanome an’i Eva ho vadiny.

9 Ary ankehitriny, ry Tompo, fantatrao fa tsy mba ny hanarana ny filàn’ny nofoko no angalako an’ity anabaviko ity ho vadiko, fa noho ny faniriako ta hamela taranaka izay hidera ny Anaranao amin’ny toerana rehetra ihany.»

10 Ary hoy i Sarà: «Mamindrà fo aminay, Tompo ô, mamindrà fo aminay, enga anie ka ho tratra antitra ho salama tsy marofy izahay roroa.»

11 Vao maneno akoho dia nasain-dRagoela tonga ny mpanompony ka niara-nandeha taminy hihady fasana ireo,

12 fa hoy izy: «Mety hanjò an’io koa ny nanjò an’ireo fito lahy vadiny izay nandeha hanatona azy.»

13 Nony vita ny fasana, niverina nankao amin’ny vavy i Ragoela, nilaza taminy hoe:

14 «Iraho ny iray amin’ny ankizivavinao, hizaha raha maty izy, mba handevenako azy alohan’ny vaky masoandro.»

15 Dia naniraka ny iray amin’ny ankizivaviny i Anà. Nony niditra tao amin’ilay efitrano io, indreo ry zareo tsy maninon-tsy maninona samy matory avy.

16 Dia niverina izy, nilaza izany vaovao mahafaly izany. Dia nisaotra ny Tompo i Ragoela sy i Anà vadiny nanao hoe:

17 «Misaotra Anao izahay, ry Tompo Andriamanitr’i Israely, fa tsy nihatra ny loza natahoranay.

18 Namindra fo taminay Ianao, fa nampanalavirinao anay ny fahavalo manenjika anay.

19 Efa niantra ireo zanaka samy tokana Ianao, ka ataovy mitombo fisaorana Anao hatrany izy ireo, sy hanolotra sorom-piderana aminao noho ny niarovana azy, ary hahafantaran’ny firenena rehetra fa Ianao no Andriamanitra amin’ny tany rehetra.»

20 Niaraka tamin’izay dia nasain-dRagoela nototofan’ny mpanompony alohan’ny vaky masoandro ilay fasana nataony.

21 Ary nilaza tamin’ny vavy izy hanomana fihinanam-be, sy hanomana ny zavatra rehetra ilain’ny mpivahiny, momba ny vatsiny.

22 Nampamono omby vavy roa matavy koa izy sy ondralahy efatra, hanaovana sakafo ho an’ny manodidina azy rehetra, mbamin’ny sakaizany rehetra.

23 Ary niangavy mafy tamin’i Tobia i Ragoela, mba hijanona eo aminy tapa-bolana.

24 Nomen-dRagoela ho an’i Tobia ny antsasaky ny fananany rehetra, sady nandahatra an-tsoratra koa izy, fa rehefa maty izy ireo, ny antsasany sisa dia tsy maintsy ho lasan-ko fananan’i Tobia ihany koa.

Categories
Tobia

Tobia 9

9. Fampakaram-bady

1 Ary tamin’izay dia nantsoin’i Tobia ho any aminy ity Anjely nataony ho olombelona ihany, ka hoy izy taminy: «Ry Azariasa rahalahiko, masìna ianao, henoy kely ny teniko;

2 na dia hanolo-tena ho andevonao aza aho, mbola tsy ho ampy fankasitrahana ny fikarakarana rehetra nataonao.

3 Kanefa ity mbola misy zavatra anankiray angatahiko aminao koa: Makà biby mpitondra entana sy mpanompo koa, ka mandehana mankany amin’i Gabelosa, any Ragesa, tanànan’i Meda; avereno aminy ity sorany ity, dia raiso ny vola any aminy, ary angataho izy ho atỳ amin’ny fampakaram-badiko.

4 Satria ny tenanao mahalala fa isain’i dada ny andro, ka na tratra aoriana indray andro monja aza aho, dia vonton’alahelo ny fony.

5 Hitanao ihany koa anefa, ilay nataon-dRagoela niangavy mafy tamiko hijanona eto, ka tsy mahay mandà ny fiangaviany aho.»

6 Dia naka efa-dahy tamin’ny mpanompon-dRagoela i Rafaely, sy rameva roa, ka nankany Ragesa, tanànan’ny Meda. Nony nahita an’i Gabelosa izy, naveriny taminy ny taratasiny dia noraisiny avokoa ny vola;

7 ary nony efa notantarainy taminy avokoa ny zavatra rehetra tonga tamin’i Tobia, zanak’i Tobia, dia nitondra azy izy hiaraka aminy ho any amin’ny fampakaram-bady.

8 Nony niditra tao an-tranon-dRagoela i Gabelosa, indro eo am-pihinanana i Tobia, ka nitsangana niaraka tamin’izay izy, dia nifanoroka teo izy ireo, ary nitomany i Gabelosa vao nisaotra an’Andriamanitra nanao hoe:

9 «Hotahin’ny Andriamanitr’i Israely anie ianao, fa zanak’olona tsara fanahy loatra, marina sy matahotra an’Andriamanitra ary manao fiantrana betsaka.

10 Hitsororoka ho amin’ivadinao sy ireo ray aman-dreninao koa anie ny fitahiana.

11 Ho hitanao anie ny zanakareo, sy ny zanaky ny zanakareo, hatramin’ny taranaka fahatelo sy fahefatra. Ary ny taranakareo anie hotahin’ny Andriamanitr’i Israely izay manjaka amin’ny taona mandrakizay.»

12 Niara-namaly hoe: «Amen», izay rehetra teo, vao nipetraka hihinana, ary tamim-pahatahorana an’Andriamanitra no nanaovany ny fanasan’ny fampakaram-bady.

Categories
Tobia

Tobia 10

1 Nony mbola nahemotremotr’i Tobia ny fiaingany, azon’ny fampakaram-bady, dia velona ahiahy erỳ i Tobia rainy: «Avy amin’inona, hoy izy anakampo, no tratra ela ny zanako? Inona no antony mitana azy amin’izany tany izany?

2 Dia ho faty ve i Gabelosa ka tsy misy olona handraisany ny vola?»

3 Izay dia tonga velona mafy ny alahelon’izy sy i Anà vadiny, ka rafitra niara-nitomany teo izy ireo, noho ity zanany tsy tafaverina tao aminy tamin’ny fotoana voatondro.

4 Ireniny indrindra no namarin-dranomaso tsy an-kijanona nanao hoe: «Indrisy! Indrisy! anaka, inona foana re no nanirahanay anao any lavitra any, nefa ianao no fahazavan’ny masonay, tohan’ny fahanteranay, fanalana alahelonay amin’ny andro iainanay, ary hianteheranay tsy hahafaty maso anay.

5 Nanana ny zavatra rehetra izahay raha nanana anao irery, ka tsy tokony ho nataonay lavitra anay ianao.»

6 Ary hoy i Tobia taminy: «Aoka izay ny fitarainanao ary aza miahiahy, fa salama tsara ny zanatsika, sady olona tena mahatoky ilay nampandehanantsika hiaraka aminy iny.»

7 Tsy azo nampanginina anefa ravehivavy; mivoaka ny trano izy isan’andro izao, mijery atsỳ sy arỳ, mankamin’ny lalana rehetra izay azo ampoizina hiverenany, mba hahatazanany azy lavidavitra ahay raha azo atao.

8 I Ragoela anefa nilaza tamin’ny vinantony hoe: «Mijanòna eto, fa haniraka ho any amin’i Tobia rainao aho, hilaza ny fahasalamanao».

9 Namaly azy i Tobia nanao hoe: «Fantatro fa efa manisa andro ihany idada sy ineny, ka manahy erỳ ny fanahiny ao anatiny.»

10 Mbola niangavy fatratra tamin’i Tobia ihany indray anefa izy, fa tsy nisy neken’io izay nataony antony, ka natolony azy i Sarà, mbamin’ny antsasak’izay nananany rehetra, na ankizy lahy, na ankizy vavy, na biby fiompy, na rameva na ombivavy, na vola izay nananany be, dia navelany handeha izy, salama tsara sy feno hafaliana, nataony hoe:

11 «Ho eny amin’ny lalana alehanareo anie ny Anjely masin’ny Tompo, ka hitari-dalana anareo mandra-pahatonganareo soa aman-tsara any aminareo; hiadana tsara anie no aoka hahitanareo ny zavatra rehetra any amin-dray aman-dreninareo, ary hahita ny zanakareo alohan’ny hahafatesako anie ny masoko.»

12 Dia nalain-drainy sy reniny ity zanany vavy ka norohany, dia navelany handeha,

13 rehefa avy nohafatrafarany tsara hanaja rafozana, ho tia vady, ho tsara fitondra fianakaviana, hizaka tokantrano, ary hitahiry tena tsy hanan-tsiny.

Categories
Tobia

Tobia 11

10. Ny maso nahiratra

1 Nony niverina izy ireo, ka tonga tao Karàna, tanàna eo amin’ny fisasahan-dalana mankany Niniva, tamin’ny andro faha-11,

2 dia hoy ity Anjely: «Ry Tobia rahalahiko, fantatrao ny toetra nandaozanao an-drainao teo;

3 ka raha sitrakao andeha isika hialoha, fa avelao ny ankizy lahy no handeha kelikely isan’andro ato aoriana, miaraka amin’ivadinao sy ireto biby fiompinao.»

4 Nankasitrahin’i Tobia izany hevitra izany, ka hoy i Rafaely taminy: «Mitondrà eo aminao amin’ny aferon-kazandrano, fa misy hilanao an’izany»; dia naka tamin’izany afero izany i Tobia, ary niainga izy ireo.

5 Tamin’izany i Anà, nandeha isan’andro, nipetraka teo amoron-dalana, tamin’izao havoana kely izao, fa mahatazan-davitra eo.

6 Raha ilay nitily ny hiavian-janany iny indrindra izy dia indrỳ izy tazany tamy mbola lavitra, ka rehefa fantany dia lasa izy nihazakazaka nilaza tamin’ny lahy nanao hoe: «Indrỳ tamy ny zanakao.»

7 I Tobia izany, dia nilazan-dRafaely hoe: «Rehefa tonga any an-trano ianao, ny Tompo Andriamanitrao no tsaohy miaraka amin’izay dia misaora azy, vao manatona an-drainao ianao sy manoroka azy;

8 ary hosory faingana amin’ilay aferon-kazandrano nentinao ny masony, satria fantaro fa hisokatra eo no ho eo ny masony ka hahita ny hazavan’ny lanitra ny rainao, sy ho feno hafaliana amin’ny fahitana anao.»

9 Tamin’izay ilay alika nanaraka azy tany am-pivahiniana, nihazakazaka nialoha azy ireo toa hilaza ny vaovao, nanafosafo tamin’ny rambony, an-kafaliana fatratra.

10 Dia nitsangana ity ray jamba, ka rafitra nihazakazaka, fa tafintohina ny tongony ka noraisin’ny mpanompo anankiraytamin’ny tanany izy handeha hitsena an-janany.

11 Nofihininy tamin’ny tanany sy nohorokorohany izy, ary torak’izany koa no nataon’ny vadiny, dia samy latsa-dranomason-kafaliana izy mivady.

12 Nony avy nitsaoka sy nisaotra an’Andriamanitra izy ireo, dia nipetraka.

13 Niaraka tamin’izay, nalain’i Tobia ny aferon-kazandrano, ka nohosorany tamin’io ny mason-drainy.

14 Niandry sahabo ho antsasak’adiny izy, dia nisy zavatra fotsifotsy hoatra ny hoditr’atody nanomboka niala avy ao amin’ny masony.

15 Noraisin’i Tobia izay, nosintoniny hiala amin’ny mason-drainy, dia nahiratra niaraka tamin’izay izy.

16 Koa nisaotra an’Andriamanitra izy ireo, dia izy sy ny vadiny mbamin’izay rehetra nahalala azy.

17 Hoy i Tobia: «Misaotra Anao aho, ry Tompo Andriamanitr’i Israely, fa nofaizinao aho, dia nositraninao indray; ary indro mahita an’i Tobia zanako aho.»

18 Hafitoana taorian’izany, dia tonga koa i Sarà sy ny mpanompony rehetra samy salama tsara, mbamin’ny biby fiompiny aman-drameva ary ny vola rehetra tamin’ny fanambadiany, sy ilay naverin’i Gabelosa.

19 Notantarain’i Tobia tamin-drainy aman-dreniny ny soa rehetra natolotr’Andriamanitra azy, tamin’ny nataon’ity lehilahy nitari-dalana azy.

20 I Akiora sy i Nabatahavan’i Tobia koa tonga namangy azy tamin’ny soa rehetra nataon’Andriamanitra taminy.

21 Ka niara-nihinana sy nirobiroby fatratra izy ireo, nandritra ny hafitoana.

Categories
Tobia

Tobia 12

11. I Rafaely

1 Ary niantso an-janany hankeo aminy i Tobia ka nanao taminy hoe: «Inona no homentsika an’ity lehilahy masina nanaraka anao tany amin’ny dianao?»

2 Dia hoy i Tobia namaly an-drainy: «Dada ô, inona no valisoa azontsika atolotra azy? Moa misy zavatra mifanentana amin’ny fanampiana nataony?

3 Izy no nitari-dalana sy nitondra ahy niverina soa aman-tsara, ny tenany no lasa nandray ny vola tany amin’i Gabelosa, izy no nampahazo ahy vady, izay nandroahany demony, sy nahadiboka hafaliana an-drainy aman-dreniny, izy no namonjy ahy tamin’ilay hazandrano efa ndeha handrapaka ahy, izy no nampahita anao ny hazavan’ny lanitra, ary tamin’ny nataony no nahazoantsika izao soa rehetra isan-karazany izao. Koa inona àry no azontsika omena azy, hifandanja amin’izay nataony ho antsika?

4 Kanefa mangataka anao aho, ry Dada, mba hanontany azy raha mba sitrany ihany ny handray ny antsasaky ny harena rehetra nentinay.»

5 Dia nantsoin’i Tobia mianaka izy, nentiny nitokana, ka niangaviany mba hankasitraka ny handray ny antsasak’izay rehetra nentiny.

6 Tamin’izay ity Anjely niara-nitokana tamin’izy ireo nanao taminy hoe: «Misaora ny Andriamanitry ny lanitra, ary manomeza voninahitra Azy, eo anatrehan’ny manana aina rehetra, noho ny famindram-pony nataony taminareo.

7 Tsara ny tsy mamboraboraka ny zava-miafin’ny mpanjaka, fa mendrika ny hoderaina kosa ny manambara sy mampiely ny asan’Andriamanitra.

8 Ny vavaka ombam-pifadian-kanina dia tsara, ary ny fiantrana dia sarobidy noho ny volamena aman-drakitra.

9 Fa ny fiantrana manafaka amin’ny fahafatesana, ary izy no manala ny fahotana, ary mampahita ny famindram-po sy ny fiainana mandrakizay.

10 Fa izay manao fahotana sy tsy fahamarinana kosa no fahavalon’ny tenany.

11 Indro àry hasehoko anareo ny marina, ary tsy tiako ny hanafina na inona na inona aminareo.

12 Raha ianao nivavaka tamin-dranomaso sy nandevina ny maty, raha ianao nandao ny sakafonao, nanafina ny maty tao an-tranonao ny antoandro, ary nandevina azy nony alina, izaho kosa nanolotra ny vavakao tamin’ny Tompo.»

13 «Ary noho ianao sitrak’Andriamanitra, dia tsy maintsy notsapain’ny fakam-panahy ianao.

14 Fa nirahin’ny Tompo aho ankehitriny hanasitrana anao, sy hanafaka an’i Sarà vadin-janakao amin’ny demony.

15 Izaho no Rafaely, Anjely, anankiray amin’ireo fito mitsangana eo anatrehan’ny Tompo.»

16 Nony nandre izany teny izany izy ireo, dia ana foana, tera-kovitra, lavo tafahohoka tamin’ny tany.

17 Fa hoy ity Anjely taminy: «Ho aminareo anio ny fiadanana!

18 Aza matahotra, fa nony niaraka taminareo aho, dia noho ny sitrapon’Andriamanitra no niarahako taminareo; misaora Azy, ary manaova hira fiderana Azy.

19 Nataonareo fa nihinana sy nisotro niaraka taminareo aho kanefa hanina tsy hita no nohaniko sy fisotro tsy hain’ny mason’olombelona takarina.

20 Ary izao dia efa fotoana tsy maintsy iverenako any amin’Izay naniraka ahy, fa ianareo kosa misaora an’Andriamanitra, aelezo ny asany mahagaga rehetra.»

21 Avy niteny izany izy, dia nesorina teo imason’izy ireo, ka tsy hitany hojerena intsony.

22 Tamin’izay dia nihohoka tamin’ny tany izy ireo nandritra ny adiny telo, vao nisaotra an’Andriamanitra, ary nony efa nitsangana avy eo dia nitantara ny asany mahagaga rehetra.

Categories
Tobia

Tobia 13

12. I Siôna

1 Dia nisoka-bava, nisaotra ny Tompo i Tobia rainy ka nanao hoe:

«Lehibe Ianao, ry Tompo, ao amin’ny mandrakizay, ary manenika ny taona rehetra ny fanjakanao.

2 Fa mamay Ianao ary mamonjy; mitondra ho any am-pasana Ianao, ary manatsoaka avy ao; ary tsy misy olona afa-mitsoaka eo an-tananao.

3 Mankalazà ny Tompo, ry zanak’i Israely, ary miderà Azy eo anatrehan’ny firenena.

4 Fa nanely anareo ho eo amin’ny firenena tsy mahalala azy Izy, mba hitantaranareo ny asany mahagaga, sy hampahafantaranareo azy ireo fa tsy misy Andriamanitra mahefa ny zavatra rehetra afa-tsy Izy ihany.

5 Nofaiziny isika noho ny tsy fahamarinantsika, ary hovonjeny kosa, noho ny famindram-pony.

6 Diniho ange ny nitondrany antsika, ka misaora Azy amin-tahotra sy hovitra, ary manomeza voninahitra ny Mpanjakan’ny taona rehetra amin’ny asanareo.

7 Raha izaho, dia tiako ny misaotra azy amin’ity tany mahababo ahy ity, satria naharihariny amin’ny firenena meloka, ny voninahiny.

8 Koa mibebaha ianareo, ry mpanota, ary manaraha ny marina eo anatrehan’Andriamanitra, amim-pitokiana fa hamindra fo aminareo Izy.

9 Raha izaho, dia hifaly ao aminy amin’ny foko rehetra aho.

10 Misaora ny Tompo, ianareo rehetra izay vahoaka voafidy. Manaova andro fifaliana, ary mihirà fiderana Azy.

11 Ry Jerosalema, tanànan’Andriamanitra, nofaizin’ny Tompo ianao noho ny asan’ny tananao.

12 Omeo voninahitra ny Tompo amin’ny asa soanao, ary misaora ny Andriamanitry ny taona rehetra, mba haoriny eo aminao indray ny fitoerany masina mba haveriny eo aminao indray ny babo rehetra, dia hifaly amin’ny taona mandrakizay ianao.

13 Hamirapiratra amin’ny hazavana manjopiaka ianao, ka hiankohoka eo anatrehanao ny firenena rehetra eto an-tany.

14 Ho tonga eo aminao ny firenena avy any an-tany lavitra, hitondra fanatitra ka hitsaoka ny Tompo ao anaty mandanao, sy hihevitra ny taninao ho fitoerana masina;

15 fa hiantso ilay Anarana lehibeeo afovoanao izy.

16 Ho voaozona izay manamavo anao, ho voaheloka izay miteny ratsy anao, ary hotahina izay hanangana anao.

17 Fa ianao kosa hifaly amin’ny zanakao, satria hohasoavina avokoa izy, sady hiangona eo amin’ny Tompo.

18 Sambatra izay rehetra tia anao, sy mifaly amin’ny fiadananao.

19 Ry fanahiko, misaora ny Tompo, satria nanafaka an’i Jerosalema tanànany tamin’ny fahoriany rehetra Izy, ilay Tompo Andriamanitsika.

20 Ho sambatra tokoa aho, raha mba misy tamingako tavela, hahita ny famirapiratan’i Jerosalema.

21 Fa harafitra amin’ny vato safirasy emeraoda ny vavahadin’i Jerosalema, ary amin’ny vato sarobidy avokoa ny mandany rehetra manodidina azy.

22 Vato fotsy madio indrindra no hatao ngorodon’ny tokotaniny, ary hohiraina eny an-dalambeny ny hoe: aleloia!

23 Hisaorana anie ny Tompo, nanome izany voninahitra izany ho an’i Jerosalema, Ary hanjaka eo aminy amin’ny taona mandrakizay anie Izy. Amena!»

Categories
Tobia

Tobia 14

1 Toy izany no niafaran’ny tenin’i Tobia.

13. Niniva

Tatỳ aorian’ny nahiratany dia velona 42 taona i Tobia, ka nahita ny zanaky ny zafiny.

2 Roa amby zato taona no totalin’ny andro niainany, ary nalevina tamim-panajana tany Niniva izy.

3 Fa 56 taona izy, no tonga jamba, ary efa 60 taona izy vao nahiratra indray.

4 Lany tamin’ny hafaliana avokoa ny andro sisa rehetra niainany, ary araka ny nandrosoany tamin’ny fahatahorana an’Andriamanitra no nitomboan’ny fiadanana nankafiziny.

5 Nony efa ho faty izy, nantsoiny ho eo akaikiny avokoa i Tobia zanany sy ny zafiny, zanak’io, fito mirahalahy, ka hoy izy taminy:

6 «Efa akaiky ny faharavan’i Niniva, fa tsy maintsy tanteraka ny tenin’Andriamanitra ary ny rahalahintsika tafaely atỳ, lavitra ny tanin’i Israely dia hiverina any indray.

7 Ka hisy mponina indray ny tanin’i Israely rehetra efa zary efitra teo iny; haorina indray ny tranon’Andriamanitra efa nodorana teo iny, ary hiverina any avokoa izay rehetra matahotra an’Andriamanitra.

8 Handao ny sampiny ny firenena ka ho avy ao Jerosalema sy honina ao.

9 Hifaly ao avokoa ny mpanjakan’ny tany rehetra mitsaoka an’ilay Mpanjakan’i Israely.

10 Koa mihainoa ny rainareo, anaka, manompoa ny Tompo amim-pahamarinana, ary mikeleza aina hanao izay sitrany.

11 Hafatrafaro ny zanakareo hanaraka ny rariny, hanao fiantrana, hahatsiaro an’Andriamanitra, ary hisaotra Azy mandrakariva amim-pahamarinana sy amin’ny heriny rehetra.»

12 «Ankehitriny, anaka, mihainoa ahy, ka aza mitoetra amin’ity tanàna ity, fa amin’ny andro handevenanareo an-dreninareo eo akaikiko, amin’ny fasana iray ihany, dia miaingà hiala atỳ,

13 satria hitako fa hahatarika ny fandravana azy ny tsy fahamarinan’i Niniva.»

Ny nahafatesany

14 Koa nony maty ireniny, dia niala tany Niniva i Tobia mbamin’ny vady aman-janany sy ny zafiny ary niverina nankany amin’ny rafozany.

15 Salama tsy marofy sy tratra antitra tsara no nahitany azy, dia izy no nikarakara an’ireo sy nanirina ny masony; nahazo ny lova rehetra tamin’ny tranon-dRagoela, ary nahita ny zanaky ny zanany hatramin’ny taranaka fahadimy izy.

16 Nony efa velona 99 taona tamin’ny fahatahorany ny Tompo izy, dia tamin-kafaliana no nandevenan’ny zanany azy.

17 Naharitra tamin’ny toe-piainana tsara sy fitondran-tena masina, ny fianakaviany aman-taranany rehetra, ka notiavin’Andriamanitra sy ny olombelona ary ny tany ama-monina rehetra.