Categories
Estera Grika

Estera Grika 5

Niditra an-dapa i Estera

1 Tamin’ny andro fahatelo, niakanjo ny akanjon’ny mpanjaka i Estera, dia niseho teo amin’ny kianja anatin’ny tranon’ny mpanjaka, teo anoloan’ny efitranon’ny mpanjaka. Ny mpanjaka izany, nipetraka teo amin’ny seza fiandrianan’ny fanjakana, tao an’efitranon’ny mpanjaka, tandrifin’ny vavahadin’ny lapa.

2 Nony hitan’ny mpanjaka, nitsangana teo an-kianja ny mpanjakavavy Estera, dia nahita fitia teo imasony izy, ka notolorany ny tehim-bolamena teny an-tanany.

3 Dia nanatona i Estera ka nanendry ny loha-tehina. Ary hoy ny mpanjaka taminy: «Maninona ianao, ry Estera mpanjakavavy, ary inona no angatahinao? Fa omeko anao na dia hatramin’ny antsasaky ny fanjakana aza.»

4 Dia hoy i Estera: «Raha sitraky ny mpanjaka, aoka ho tonga ao amin’ny fanasana efa namboariko ho azy ny mpanjaka sy i Amàna.»

5 Ka hoy ny mpanjaka: «Aoka hantsoina miaraka amin’izay i Amàna, mba hanao izay nolazain’i Estera.» Ka dia nankany amin’ny fanasana namboarin’i Estera ny mpanjaka mbamin’i Amàna.

6 Teo am-pisotroan-divay, hoy ny mpanjaka tamin’i Estera: «Inona no angatahinao? Fa homena anao izany. Inona no irinao? Fa ho azonao, na dia ny antsasaky ny fanjakana aza.»

7 Hoy ny navalin’i Estera: «Izao no angatahiko sy iriko:

8 Raha nahita fitia eo imason’ny mpanjaka aho, ka sitraky ny mpanjaka ny hanome izay angatahiko, sy hanatanteraka izay iriko, aoka ny mpanjaka ho tonga ao amin’ny fanasana hamboariko ho azy, miaraka amin’i Amàna, dia hamaly ny fanontanian’ny mpanjaka aho rahampitso.»

9 Tamin’izany andro izany i Amàna nivoaka tamin-kafaliana sy haravoam-po, kanjo nahita an’i Mardokea teo am-bavahadin’ny mpanjaka tsy nitsangana na niraika teo anatrehany, dia tezitra loatra tamin’i Mardokea izy.

10 Nanindry fo ihany anefa i Amàna, ka lasa nody tany aminy. Raha efa izany dia nampanalain’i Amàna ny sakaizany sy i Zaresavadiny,

11 dia nolazainy tamin’ireo ny haavon’ny hareny, ny hamaroan’ny zanany, ny fiambonian’ny voninahitra nomen’ny mpanjaka azy, fa nasandrany ho ambony noho ny andriandahy ama-mpanompony izy,

12 ary izaho irery aza, hoy izy indray, no noraisin’i Estera mpanjakavavy hiaraka amin’ny mpanjaka tao amin’ny fanasana namboariny, sady mbola nasaina indray koa aza aho hiaraka amin’ny mpanjaka any aminy rahampitso.

13 Kanefa tsy mahafa-po ahy izany rehetra izany, raha mbola hitako koa i Mardokea, ilay Jody, mipetraka eo am-bavahadin’ny mpanjaka.

14 Ka hoy i Zaresa vadiny, sy ireto sakaizany rehetra: «Aoka hanamboarana hazodimampolo hakiho ny haavony, ary rahampitso maraina dia hangatahinao amin’ny mpanjaka hahantona eo i Mardokea; ianao kosa handeha an-kafaliana ho any amin’ny fanasana miaraka amin’ny mpanjaka.» Nankasitrahin’i Amàna izany hevitra izany, ka dia nampanamboatra ilay hazo izy.

Categories
Estera Grika

Estera Grika 6

4. VALY FATIN’NY JODY

Fahafaham-baràkan’i Amàna

1 Ny alin’izay, tsy nety nahita tory ny mpanjaka, ka nasainy nalaina ny bokin’ny tetiarana dia ny Tantara, dia novakina teo anatrehan’ny mpanjaka izany;

2 ka sendra ny filazana ny nanambaràn’i Mardokea ny momba an’i Bagatàna sy i Taresa, ireo roa lahy eonòkan’ny mpanjaka, mpiambina ny lapa, izay nitady hamono an’i Asoerosy mpanjaka.

3 Ka hoy ny mpanjaka: «Inona moa no mba mari-boninahitra amam-pisandratana efa nomena an’i Mardokea noho izany?» – «Tsy mbola misy nomena azy na kely akory aza,» hoy ny mpanompon’ny mpanjaka izay nanana anjara raharaha teo aminy.

4 Dia hoy ny mpanjaka: «Iza no ao an-kianja?» – «I Amàna izany, efa tonga tao an-kianja ivelan’nytranon’ny mpanjaka, hangataka amin’ny mpanjaka ny hanantonana an’i Mardokea eo amin’ilay hazo efa namboarina ho azy.»

5 Ka hoy ireto mpanompon’ny mpanjaka namaly azy: «I Amàna io mitoetra ao an-kianja io.» Dia hoy ny mpanjaka: «Aoka hiditra izy.»

6 Nony niditra i Amàna, dia hoy ny mpanjaka taminy: «Inona no tokony hatao amin’izay olona tian’ny mpanjaka homem-boninahitra?» Ary hoy i Amàna anakampo: «Iza indray moa no ho tian’ny mpanjaka homem-boninahitra eo, afa-tsy izaho.»

7 Ka dia hoy i Amàna tamin’ny mpanjaka: «Ny hatao amin’ny olona tian’ny mpanjaka homem-boninahitra,

8 dia tokony halaina ny akanjo fiandrianana efa niakanjoan’ny mpanjaka, sy ny soavaly efa nitaingenan’ny mpanjaka, ary asiana satroboninahitra fiandrianana ny lohany,

9 dia atolotra ny iray amin’ireo lehiben’ny mpanjaka ambony izany fitafiana sy soavaly izany, dia hampiakanjoina an’izay olona tian’ny mpanjaka homem-boninahitra, sy hitondrana azy mitaingin-tsoavaly mamaky ny kianjan’ny tanàna, ary hiantsoany eo alohany hoe: Toy izao no atao amin’izay olona tian’ny mpanjaka homem-boninahitra!»

10 Dia hoy ny mpanjaka tamin’i Amàna: «Alaonao faingana àry ny fitafiana sy ny soavaly araka ny voalazanao, ka ataovy izany amin’i Markôdea ilay Jody, mipetraka ao am-bavahadin’ny mpanjaka, aza asiana latsaka izay rehetra voalazanao.»

11 Koa nalain’i Amàna ny akanjo sy ny soavaly dia nampiakanjo an’i Mardokea izy, sy nitondra azy mitaingin-tsoavaly mamaky ny kianjan’ny tanàna, ary niantso teo alohany hoe: «Toy izao no atao amin’ny olona tian’ny mpanjaka homem-boninahitra.»

12 Dia niverina nankeo am-bavahadin’ny mpanjaka i Mardokea, ary i Amàna dia nody faingana nankany aminy, niferin’aina, nisaron-doha,

13 nitantara izay rehetra nanjò azy tamin’i Zaresa vadiny sy ireo sakaizany rehetra. Ary hoy ny olon-kendriny sy i Zaresa vadiny taminy: «Raha avy amin’ny taranaky ny Jody i Mardokea, izay efa niantomboka nahalavo anao teo anatrehany sahady, dia tsy ho azonao asiana na inona na inona, fa ianao mihitsy no ho lavo eo anatrehany.»

I Amàna eo amin’ny fanasan’i Estera

14 Mbola miteny aminy eo izy ireo dia indreo tonga ny eonòkan’ny mpanjaka, ka nitondra faingana an’i Amàna ho any amin’ny fanasana namboarin’i Estera.

Categories
Estera Grika

Estera Grika 7

1 Dia nankao amin’ny fanasan’i Estera ny mpanjaka sy i Amàna.

2 Tamin’io andro faharoa io, dia hoy indray ny mpanjaka tamin’i Estera tamin’ny fanasan’ny divay: «Inona no angatahinao, ry Estera, mpanjakavavy? Fa homena anao izany. Inona no irinao? Fa na dia ny antsasaky ny fanjakana aza, dia ho azonao.»

3 Ka hoy ny navalin’ny mpanjakavavy Estera: «Raha nahita fitia eo imasonao aho, ry mpanjaka ô, ka sitraky ny mpanjaka izany, dia omeo ahy ny aiko, fa izany no angatahiko, sy ny ain’ny fireneko, fa izany no iriko.

4 Fa namidy izahay, dia izaho sy ny fireneko, mba haringana, hovonoina, hofoanana. Raha namidy ho andevo sy mpanompo fotsiny izahay dia hangina ihany, fa izao, tsy hahonitra izay faty antoky ny mpanjaka akory ilay mpampahory.»

5 Dia niteny i Asoerosy, mpanjaka, nanao tamin’i Estera mpanjakavavy heo: «Iza moa izany, ary aiza loatra no misy izay olona asesiky ny fony hanao izany?»

6 Ka hoy ny navalin’i Estera: «Ny mpampahory, ny rafilahy, dia i Amàna io ratsy fanahy io.» Raiki-tahotra teo anatrehan’ny mpanjaka sy ny mpanjakavavy i Amàna.

7 Tezitra loatra ny mpanjaka, ka nitsangana niala teo amin’ny fanasan’ny divay ho ao amin’ny zaridain’ny lapa, fa i Amàna kosa nijanona hangataka ny ainy amin’i Estera mpanjakavavy, satria hitany marina fa raha ny amin’ny mpanjaka dia ny fahaverezana no raikitra.

8 Nony niverina avy any amin’ny zaridain’ny lapa, ho ao an-trano fanasan’ny divay ny mpanjaka, indro i Amàna niankohokateo am-parafara nisy an’i Estera, ka hoy ny mpanjaka: «Andray! dia sahy misavika ny mpanjakavavy eto an-tranoko, ato an-dapa ve, ilay ity e?» Vantany vao naloaky ny vavan’ny mpanjaka izany teny izany, dia nisy nanarona ny tavan’i Amàna.

9 Ary i Harbôna, anankiray amin’ny eonòka, nilaza teo anatrehan’ny mpanjaka hoe: «Ao an-tranon’i Amàna izao, dia efa mitsangana ilay hazo, dimampolo hakiho ny haavony, namboarin’i Amàna ho an’i Mardokea, ilay niteny nahasoa ny mpanjaka.» Dia hoy ny mpanjaka: «I Amàna no ahantòny amin’izany!»

10 Ka dia nahanton’ny olona tamin’ilay hazo namboariny ho an’i Mardokea i Amàna. Ary nionona ny hatezeran’ny mpanjaka.

Categories
Estera Grika

Estera Grika 8

Nifindra tamin’ny Jody ny fitiavan’ny mpanjaka

1 Androtr’izay ihany, dia natolotr’i Asoerosy mpanjaka an’i Estera ny tranon’i Amàna, ilay fahavalon’ny Jody, ary niseho teo anatrehan’ny mpanjaka i Mardokea, fa efa nampahafantarin’i Estera izay fihavanany aminy.

2 Koa nesorin’ny mpanjaka ny peratra izay efa nalainy tamin’i Amàna, dia nomeny an’i Mardokea, ary i Estera nanendry an’i Mardokea hanapaka ny tranon’i Amàna.

3 Rehefa afaka izany, niteny teo anatrehan’ny mpanjaka indray i Estera; niantoraka teo an-tongony izy, nihanta taminy tamin-dranomaso, mba hanafoana ny hasomparan’i Amàna, avy amin’ny tanin’i Agaga, sy ny hevitra nataony hamelezana ny Jody.

4 Notoloran’ny mpanjaka ny tehim-bolamena i Estera, dia nitsangana sy nijoro teo anatrehan’ny mpanjaka.

5 «Raha sitraky ny mpanjaka, hoy izy, raha nahita fitia eo anatrehany aho, raha ataon’ny mpanjaka ho mety izao, ary raha mahita sitraka eo imasony aho, aoka hanoratra hanafoana ireny taratasy noforonin’i Amàna zanak’i Amadatà, avy amin’ny tanin’i Agaga, sy nosoratany hampandringana ny Jody any amin’ny faritanin’ny mpanjaka rehetra.

6 Fa hataoko ahoana no fijery ny loza hanjò ny fireneko ary hataoko ahoana no fijery ny fandringanana ny iray razana amiko?»

7 Fa hoy i Asoerosy mpanjaka tamin’i Estera mpanjakavavy, sy tamin’i Mardokea Jody: «Indro, ny tranon’i Amàna efa nomeko an’i Estera, ary izy efa nahantona tamin’ny hazo fa naninji-tanana hamely ny Jody.

8 Koa manorata ianareo, amin’ny anaran’ny mpanjaka, araka izay sitrakareo, hamonjy ny Jody, dia tombohy amin’ny peratry ny mpanjaka, fa tsy azo foanana rehefa taratasy nosoratana tamin’ny anaran’ny mpanjaka, sy notombohina tamin’ny peratry ny mpanjaka.»

9 Koa nantsoina tamin’izany ny mpanoratry ny mpanjaka, dia tamin’ny andro faha-23n’ny volana fahatelo, izay volana Sivàna, dia nosoratana izay rehetra nodidian’i Mardokea ho an’ny Jody, ny solo-mpanjaka, ny governora, ny lehiben’ny faritany, dia ny faritany 127, hatrany India ka hatrany Etiôpia, natao araka ny soratry ny isam-paritany sy ny fitenin’ny isam-pirenena, ary ny ho an’ny Jody araka ny sorany sy araka ny fiteniny.

10 Ny taratasy dia nosoratana tamin’ny anaran’ny mpanjaka sy notombohina tamin’ny peratry ny mpanjaka. Ny taratasy dia nampitondraina ny tsimandoa an-tsoavaly, mitaingin-tsoavalim-panjakana faingam-pandeha avy amin’ny fiompian-tsoavalin’ny mpanjaka.

11 Amin’izany taratasy izany, ny mpanjaka nanome lalana ny Jody hivory sy hiaro ny ainy, na aiza na aiza tanàna misy azy, ka handringana, hamono, handripaka ny miaramila mbamin’ny vady aman-janany amin’ny isam-pirenena amam-paritany, izay hitsangana hamely azy; ary handroba ny fananany;

12 dia ny hanao izany amin’ny indray andro monja, eran’ny faritanin’i Asoerosy mpanjaka rehetra, dia amin’ny andro faha-13n’ny volana faha-12, izay volana Adara.

Jereo ny teny amin’ny didy ao amin’ny toko 16,1-24.

13 Ny kôpia anankiray amin’ny didy izay tsy maintsy avoaka ho lalàna amin’ny isam-paritany dia nalefa misokatra ho an’ny foko rehetra, mba ho voaomana amin’izany andro izany hamaly ny fahavalony ny Jody.

14 Dia nandeha faingana ny tsimandoa, nitaingina ny soavalim-panjakana, araka ny didin’ny mpanjaka. – Ary nantsoina tao Sosa renivohitra koa ny didy.

15 Nivoaka avy ao amin’ny mpanjaka i Mardokea, niakanjo akanjo fiandrianana manga fotsy, nisatroka satroboninahitra volamena lehibe, nanao kapaoty rongony fotsy madinika sy jaky; ary naneho ny hafaliany tamin’ny hobin-karavoana ny tanàna Sosa.

16 Ny Jody tamin’izany tsy nahalala afa-tsy hasambarana aman-kafaliana, sy firavoravoana amam-boninahitra.

17 Tany amin’ny isam-paritany sy isan-tanàna nahatongavan’ny teny aman-didin’ny mpanjaka, dia hafaliana amam-piravoravoana, fety amam-panasana, no an’ny Jody. Ary maro ny olona tamin’ny vahoakan’ny tany nilatsaka ho Jody fa nahazo azy ny tahotra ny Jody.

Categories
Estera Grika

Estera Grika 9

Andro lehibe anaovana ny «porima»

1 Tamin’ny volana faha-12, izay volana Adara, tamin’ny andro faha-13n’ny volana izay hanatanterahana ny didin’ny mpanjaka sy ny teniny, dia andro nantenain’ny fahavalon’ny Jody handresena, kanjo nivadika ny rasa, ka ny Jody indray no naharesy ny fahavalony.

2 Nivory tao an-tanànany avy ny Jody eran’ny faritanin’i Asoerosy mpanjaka, hamely an’izay nitady haharesy azy, ary tsy nisy olona nahatohitra azy ireo, fa efa nahazo ny foko rehetra hatraiza hatraiza ny tahotra azy.

3 Nanampy ny Jody koa ny lehiben’ny faritany rehetra, ny solo-mpanjaka, ny governora, mbamin’ny mpanao raharahan’ny mpanjaka, fa nanindry azy ny tahotra an’i Mardokea.

4 Satria i Mardokea dia nanam-pahefana tao an-tranon’ny mpanjaka, ary niely laza eran’ny faritany rehetra, fa nandroso nihanalaza hatrany hatrany io lehilahy io, dia i Mardokea.

5 Koa nasian’ny Jody tamin’ny sabatra avokoa ny fahavalony, ka vonoana amam-pandringanana moa izany! Nanao izay sitrany tamin’izay nankahala azy izy ireo.

6 Tao Sosa renivohitra, dia nisy 500 lahy no matin’ny Jody sy naringany.

7 Novonoiny koa i Farsadatà, i Delfôna, i Esfatà,

8 i Fôratà, i Adabià, i Aridatà, i Fermestà,

9 i Arisaì, i Aridaì, ary i Jezatà,

10 dia izy folo lahy, zanak’i Amàna zanak’i Amadatà, ilay fahavalon’ny Jody. Nefa tsy mba naninji-tanana nandroba izy.

11 Ren’ny mpanjaka androtr’izay ihany, ny isan’ny voavono tao Sosa, renivohitra.

12 Ka hoy ny mpanjaka tamin’i Estera, mpanjakavavy: «Teto Sosa, renivohitra, efa nahafaty sy naharingana 500, sy ny zanak’i Amàna folo lahy, ny Jody, ka ho toy inona no nataony amin’ny faritanin’ny mpanjaka sisa? Inona no angatahinao? fa homeko anao izany. Inona no irinao? fa ho tanteraka.»

13 Dia hoy i Estera: «Raha sitraky ny mpanjaka, aoka homen-dalana ny Jody eto Sosa hanao rahampitso koa indray araka ny didy androany, ary aoka hahantona amin’ny hazo izy folo lahy zanak’i Amàna.»

14 Nasain’ny mpanjaka natao izany, ka navoaka tao Sosa ny didy. Dia nahantona izy folo lahy zanak’i Amàna,

15 ary nivory indray ny Jody tao Sosa tamin’ny andro faha-14n’ny volana Adara, sy namono olona 300 lahy tao Sosa; nefa tsy mba naninji-tanana nandroba izy.

16 Ny Jody sisa tany amin’ny faritanin’ny mpanjaka koa nivory mba hiarovany ny ainy, ka hamelan’ny fahavalony azy mandry feizay: nahafatesany 375.000 ireo nankahala azy. Fa tsy naninji-tanana nandroba izy.

17 Tamin’ny faha-13n’ny volana Adara izany. Ka ny andro faha-14n’io volana io, dia nijanonan’ny Jody ka nataony andro fanasana sy firavoravoana.

18 Ny Jody tany Sosa kosa dia nivory tamin’ny andro faha-13 sy faha-14, ary tamin’ny faha-15 dia nitsahatra, ka nataony andro fanasana sy firavoravoana io.

19 Noho izany, ny Jody tany ambanivohitra, nitoetra tamin’ny tanàna tsy mimanda, dia ny andro faha-14n’ny volana Adara no ataony andro firavoravoana, fanasana, ary fety izay fifanaterana anjara hanina.

5. FANKALAZANA NY «PORIMA»

Ny nandidian’ny Fanjakana hankalazana ny «porima»

20 Nosoratan’i Mardokea izany zavatra izany, ary nandefa taratasy izy, ho any amin’ny Jody eran’ny faritanin’i Asoerosy mpanjaka, na ny akaiky na ny lavitra,

21 nandidy azy ireo hankalaza isan-taona, ny andro faha-14 sy faha-15n’ny volana Adara,

22 ho andro nahazoany fahafahana tamin’ny fahavalony, mba hiadanany, sady volana nampody ny alahelony ho fifaliana, sy ny fisaonany ho andro fety, ka tsy maintsy atao andro fanasana sy firavoravoana ireo andro ireo, fifanaterana anjara hanina, sy anomezan-javatra ny mahantra.

23 Ka dia natsangan’ny Jody ho fanao izany, izay efa natombony natao sy nanoratan’i Mardokea taminy.

24 Fa i Amàna zanak’i Amadatà, avy amin’ny tanin’i Agaga, fahavalon’ny Jody rehetra, dia efa nanao hevitra hamely ny Jody handringanana azy ireo, ka nanao Poraizany hoe loka, mba handringanany sy handravany azy.

25 Fa niseho teo anatrehan’ny mpanjaka i Estera, ka nandidy an-tsoratra ny mpanjaka hampitsingerina ho eo an-dohan’i Amàna, ny hevitra ratsy nokasainy hafitsoka ny Jody, ka nahantona tamin’ny hazo izy sy ireo zanany.

26 Dia izany no iantsoana ireo andro ireo hoe Porimaavy amin’ny anarana hoe Pora. Noho izany, araka ny teny rehetra ao amin’izany taratasy izany, sy araka izay efa hitan’ny tenany sy izay nanjò azy ireo,

27 ny Jody dia nanangana sy nandraikitra ho fomba tsy azo ovàna, ho an’ny tenany aman-taranany mbamin’izay rehetra miray aminy, ny mankalaza isan-taona ireo andro roa ireo, araka ny fomba voadidy sy amin’ny fotoana voatendry.

28 Tsy maintsy tsarovana sy ankalazaina ireo andro ireo amin’ny taranaka mifandimby rehetra, isam-pianakaviana, isam-paritany, ary isan-tanàna, ka tsy tokony hofoanana eo amin’ny Jody na oviana na oviana ireo andron’ny Porima ireo, na hitsahatra ny fahatsiarovana azy, amin’ny taranany.

29 Nanoratra fanindroany indray i Estera mpanjakavavy, zanak’i Abihaila, sy i Mardokea Jody, sady teny mamporisika mafy tokoa no nataony mba hanamafy ilay taratasy momba ny Porima.

30 Ny Jody rehetra amin’ny faritanin’ny fanjakan’i Asoerosy 127, nandefasana taratasy: teny fiadanana, sy fahamarinana,

31 haharetana manao ny andron’ny Porima amin’ny fotoana voatendry araka ny efa nanendren’i Mardokea Jody, sy i Estera mpanjakavavy, an’izany ho azy ireo, sy araka ny nanendreny izany, ho an’ny tenany aman-taranany, mbamin’ny fifadian-kanina aman-pitarainanamomba azy.

32 Ka dia nandraikitra ny fitandremana ny Porima ny didin’i Estera ary nosoratana tamin’ny boky izany.

Categories
Estera Grika

Estera Grika 10

Fiderana an’i Mardokea

1 Ary i Asoerosy mpanjaka nampandoa hetra ny tany be sy ny nosy eo amin’ny ranomasina.

2 Moa tsy voasoratra ao amin’ny bokin’ny Tantaran’ny mpanjakan’i Media sy i Persa avokoa va ny zavatra momba ny fahefany sy ny herim-po nataony, ary ny andinindininy momba ny fahalehibeazana nanandratan’izy mpanjaka an’i Mardokea.

3 Fa ny Jody Mardokea dia filohan’ny mpandraharahan’i Asoerosy mpanjaka, malaza teo amin’ny Jody, mamin’ny rahalahiny be dia be, nitady izay hahasoa ny fireneny, ary niteny ny amin’izay hahasambatra ny iray razana aminy rehetra.

Tapitra eo ny boky amin’ny teny Hebrio. Tapatapany fanampiny hita amin’ny dikan’ny Soratra Masina amin’ny teny Grika.

4 Dia hoy i Mardokea: «Andriamanitra no nanao izany zavatra rehetra izany!

5 Tsaroako tokoa ny nanofisako ny amin’izany ka tsy misy tsy tanteraka ny andinindininy, na dia iray aza:

6 Ny loharano kely nanjary ony, ny fahazavana niseho, ny masoandro, ary ny rano be: Ny ony, dia i Estera, izay nalain’ny mpanjaka ho vady, sy nataony mpanjakavavy.

7 Ny dragona roa, dia izaho sy i Amàna.

8 Ny firenena, dia ireo izay nivory nahafoana ny anaran’ny Jody:

9 ary ny fireneko dia i Israely, izay nitaraina tamin’Andriamanitra ka voavonjy. Tamin’izany ny Tompo namonjy antsika, sy nanafaka antsika tamin’izany loza rehetra izany; nanao famantarana amam-pahagagana lehibe, tsy mba hita teo amin’ny firenena, Andriamanitra.

10 Hahatanterahan’izany no nandaharany anjara roa, ny iray ho an’ny vahoakan’Andriamanitra, ary ny iray ho an’ny firenena rehetra.

11 Izany anjara roa izany dia tonga tamin’ny ora sy fotoana ary andron’ny fitsarana, eo anatrehan’Andriamanitra, ho an’ny firenena rehetra.

12 Dia nahatsiaro ny vahoakany Andriamanitra sy nanao fitsarana ho an’ny lovany.

13 Ka ireo andron’ny volana Adara ireo, ny faha-14 sy faha-15n’izany volana izany, dia hankalazain’izy ireo am-pivoriana amin-kafaliana sy firavoravoana eo anatrehan’Andriamanitra, amin’ny taranaka hatrany hatrany, eo amin’i Israely vahoakany.»

Categories
Estera Grika

Estera Grika 11

Nofin’i Mardokea

1 Tamin’ny taona fahefatra nanjakan’i Ptôlemea sy i Kleopatra, i Dositea izay nilaza azy ho mpisorona, avy amin’ny taranak’i Levì, sy i Ptôlemea zanany, dia nitondra izany taratasy momba ny Froraiizany, izay lazain’izy ireo ho tena marina sy nadikan’i Lisimaka, zanak’i Ptôlemea ao Jerosalema.

2 Tamin’ny taona faharoa nanjakan’i Asoerosy mpanjaka lehibe, andro voalohan’ny volana Nisàna, dia nanonofy i Mardokea, zanak’i Jaira zanak’i Semeì zanak’i Sisa, avy amin’ny firenen’i Benjamina.

3 Izy io dia Jody, nipetraka tao an-tanànan’i Sosa, lehilahy malaza anisan’izay ao an-dapan’ny mpanjaka.

4 Isan’ny babo nentin’i Nabokodonozora mpanjakan’i Babilôna, avy any Jerosalema, niaraka tamin’i Jekôniasa, mpanjakan’i Jodà izy.

5 Izao no nofiny: Tampoka, injay nisy feo, tabataba be aman-kotrobaratra, ary nihorohoro sy nikorontana ny tany.

6 Tampoka indray, nisy dragona roa lehibe nandroso samy vonon-kiady.

7 Nandefa feo mafy izy ireo, ka tamin’ny feony, dia nivonon-kiady ny firenena rehetra, hamely ny vahoakan’ny olo-marina.

8 Tampoka indray, nisy andro maizina sy haizim-pito, nisy horohoro aman-tebiteby, sy fahoriana amam-pivadiham-po teto ambonin’ny tany.

9 Natahotra ny hozoin’ny loza mafy indrindra ny vahoakan’ny olo-marina manontolo ka velom-panahiana sy nioman-ko faty.

10 Nitaraina tamin’Andriamanitra izy ireo, ary tamin’ny fitarainany, dia nisy toa loharano kely, nivoahan’ony lehibe sy rano be.

11 Dia namirapiratra ny hazavana sy ny masoandro, ka tafasandratra ireo tanatin’ny fahazimbana, ka nandrapaka ireo tanatin’ny voninahitra.

12 Nony avy nahita izany nofy izany sy izay efa nokasain’Andriamanitra hatao i Mardokea, dia nifoha sy nitana izany tao an-tsainy, ary nanao izay tratry ny ainy, mandra-pahalin’ny andro, hahalala izay hevitr’izany.

Categories
Estera Grika

Estera Grika 12

Nolazain’i Mardokea an’i Asoerosy ny tetika hamonoana azy

1 Raha efa izany, nitoetra teo an-dapa i Mardokea, niaraka tamin’i Bagatàna sy i Taresa; samy eonòkan’ny mpanjaka sy mpiambina ny vavahadin-dapa izy roa lahy.

2 Nony hitan’i Mardokea ny hevitr’izy ireo sy takany ny fikasany, fantany fa nikasa hamono an’i Asoerosy mpanjaka izy ireo, ka nandefa filazana izany tamin’ny mpanjaka izy.

3 Dia nasainy nampijaliana izy roa lahy eonòka, hilaza ny marina, ary noho ny fieken’ireo dia nalefany hovonoina izy.

4 Nasain’ny mpanjaka nosoratana tao amin’ny boky Tantara izany zavatra izany, ary nalatsak’i Mardokea an-tsoratra koa ny fahatsiarovana azy.

5 Ny mpanjaka nanapaka fa hanao raharaha ao an-dapa izy sy nanolotra fanomezana ho azynoho ny fiampangany.

6 Fa i Amàna kosa, ilay zanak’i Amadatà, avy any Agaga, dia nahazo voninahitra lehibe ao amin’ny mpanjaka, ka nitady hamono an’i Mardokea mbamin’ny fireneny, noho izy roa lahy eonòkan’ny mpanjaka.

Didy mampandringana ny Jody. Vavak’i Mardokea

Vakina manarakaraka ny toko 3,13

Izao no kôpian’io taratasy nampitondraina io:

Categories
Estera Grika

Estera Grika 13

1 I Asoerosy mpanjaka lehibe, amin’ny solo-mpanjaka sy ny governoran’ny faritany 127, hatrany India ka hatrany Etiôpia, eo ambany fahefany, mandefa izao manaraka izao:

2 Na dia manapaka firenena maro indrindra aza aho, sy efa nampanaiky an’izao tontolo izao, tsy manampatra ny fahefako mba hirehareha amin’izany no tiako, fa ny mampahazo fandriam-pahalemana ny vahoakako mandritra ny andro iainany, amin’ny fanapahany malefaka sy mora, mampandry feizay ny fanjakako sy manao tsara toky azy hatrany amin’izay fara sisiny indrindra, ary mampirobona ny fiadanana mamin’ny olombelona rehetra.

3 Ka dia nanontaniako tamin’ireo mpanolo-tsaina ahy, izay azo atao hahatanteraka izany zava-kendreko izany; ary ny iray tamin’izy ireo atao hoe Amàna, izay be fahendrena indrindra eto aminay, sady efa malaza noho ny fahafoizan-tenany tsy mety miova sy ny firaiketam-pony aminay tsy mahay mivadika, ary mahazo ny laharana faharoa amin’ny fanjakana,

4 dia nampahalala ahy fa misy vahoaka izay ratsy hevitra, tafaharo amin’ny foko rehetra eto ambonin’ny tany, mifanohitra amin’ny vahoaka rehetra noho ny lalàny maniratsira lalandava ny didin’ny mpanjaka, hany ka misakana ny hisian’ny fifanarahana lavorary eto amin’ny fanjakana entiko.

5 Nony hitako fa io vahoaka iray monja io, izay mifanohitra lalandava amin’izay mety ho olombelona, sy misaraka amin’izy ireo, noho ny lalàny hafahafa, ary tsy tia akory izay mahasoa ahy sy manao izay faran’izay ratsy indrindra ka misakana ny fandrosoan’ny fanjakana,

6 dia nandidy aho, fa izy ireo, izay voatondro ao amin’ny taratasin’i Amàna, ilay lohan’ny raharaha sy hajaina hoatra ny faharoan-draiko, dia haringan’ny sabatry ny fahavalony avokoa mbamin’ny vadiny aman-janany, tsy hasiana miangana, tsy hananana antra na indrafo, amin’ny faha-14n’ny volana faha-12, izay volana Adara, amin’ity taona ity;

7 mba ho indray midina any ambanin’ny tany, amin’ny famonoana azy ho faty amin’ny andro iray ihany, ireo olona mpanohitra hatry ny fahataloha ka mandrak’ankehitriny ireo, ka ny raharahantsika amin’ny andro manaraka dia hody amin’ny fandrosoana sy amin’ny fiadanana lavorary.

Vakina manarakaraka ny toko 4,17.

8 Ary i Mardokea nivavaka tamin’ny Tompo, tamim-pahatsiarovana ny asa rehetra nataony,

9 ka nanao hoe:

«Tompo ô, Tompo ô, Mpanjaka mahefa ny zavatra rehetra Ianao, fa eo ambany fahefanao avokoa ny zavatra rehetra, ary tsy misy olona mahasakana Anao, raha nikasa ny hamonjy an’i Israely Ianao.

10 Ianao no nanao ny lanitra sy ny tany, mbamin’ny zava-mahagaga rehetra eo ambanin’ny lanitra.

11 Ianao no Tompon’ny zavatra rehetra ary tsy misy mahatohitra Anao, Ianao Tompo.

12 Mahalala ny zavatra rehetra Ianao; ka fantatrao fa tsy mba nentin-drehareha na avonavona, na fitsiriritam-boninahitra kely akory, no tsy mba niankohofako teo anatrehan’i Amàna, mpiavonavona;

13 satria vonon-kanoroka ny dian-tongony aza aho, ho famonjena an’i Israely.

14 Fa ny nanaovako izany, dia ny mba tsy hanaovako ny voninahitr’olombelona ho ambony noho ny voninahitra tsy maintsy omena ny Andriamanitro, ka dia tsy hiankohoka eo anatrehan’ny hafa aho, afa-tsy ianao, Tompo, ary tsy mba fiavonavonana no hanaovako izany.

15 Koa ankehitriny, ry Tompo Andriamanitro sy Mpanjakako, Andriamanitr’i Abrahama, mamindrà fo amin’ny vahoakanao, fa manopy maso anay ny fahavalonay hamono anay, sy handringana ny lovanao faharazana.

16 Aza atao tsinontsinona ny anjaranao, navotanao avy any amin’ny tany Ejipta.

17 Henoy ny fivavahako! Hasoavy ny zara lovanao, ovay ho fifaliana ny fisaonanay, mba ho velona aina, ka hankalaza ny Anaranao izahay, ry Tompo; ary aza manakombona ny vavan’ireo midera Anao.»

18 I Israely rehetra koa, samy nitaraina tamin’ny Tompo araka izay tratry ny heriny avokoa, fa efa mananontanona eo imasony ny fahafatesana.

Categories
Estera Grika

Estera Grika 14

Vavak’i Estera

1 Ny mpanjakavavy Estera koa, nahatsiaro tena ho efa eo am-bavalozan’ny fahafatesana, ka niantso vonjy tamin’ny Tompo.

2 Napetrany ny akanjony kanto indrindra; fitafiam-pahoriana amam-pisaonana no nataony: nohosenany vovoka aman-davenona ny lohany, ho solon’ny zava-manitra sarobidy fanaony, nampijaliany mafy ny tenany, nombotany ny volony ka nataony tototra izany avokoa izao toerana fiaranany amin’ny fifaliana rehetra izao.

3 Dia nanao izao vavaka izao tamin’ny Tompo Andriamanitr’i Israely izy:

«Ry Tompo izay hany Mpanjakanay, vonjeo amin’izao fahaporitako izao aho, izay tsy manam-bonjy afa-tsy Ianao,

4 fa ny loza manambana ahy ity, toa voatsapan’ny tanako sahady.

5 Efa reko fahazaza, tao amin’ny fokon’ikaky, fa Ianao ry Tompo, efa nifidy an’i Israely tamin’ny firenena rehetra, sy nifidy ny razanay, tamin’ireo iray razana aminy rehetra, ho lovanao mandrakizay, ary efa notanterahinao hanasoavana azy avokoa ny fampanantenanao rehetra.

6 Saingy nanota teo anatrehanao izahay, ka natolotrao ho eo an-tanan’ny fahavalonay,

7 noho izahay nivavaka tamin’ny andriamanitr’izy ireo. Marina Ianao, ry Tompo!

8 Ankehitriny anefa, tsy afa-pon’ny manandevo anay amin’ny fanompoana mangidy izy ireo, fa efa nametraka ny tanany teo an-tanan’ireo sampiny indray,

9 nianianany ny hanafoana ny didy naloaky ny vavanao, handringana ny lovanao, hanakombona ny vavan’izay midera Anao, ary hamono ny voninahitry ny tempolinao sy ny ôtelinao,

10 mba hisokafan’ny vavan’ny firenena hidera ny herin’ny sampy sy hankalaza mpanjaka nofo aman-dra mandrakizay.

11 Aza atolotrao an’ireo izay tsinontsinona ny tehim-panjakanao, ry Tompo, mba tsy hihomehezan’izy ireo amin’ny faharavanay, fa atsingereno amin’izy ireo ny hevitra nokasainy, ary mamaiza ho fananarana ny hafa an’ilay nisafoaka voalohany taminay.

12 Tsarovinao izahay, ry Tompo, ataovy manehoneho laza Ianao amin’izao andron’ny fahorianay izao, ary omeo hery aho, ry Mpanjakakan’ny andriamanitrasy Mpanapaka ny fahefana rehetra!

13 Asio teny malina ao am-bavako, eo anatrehan’ilay liona, ary ovao ny fony hankahala ny fahavalonay, mba hahafaty azy, dia izy mbamin’izay rehetra miray hevitra aminy.

14 Fa izahay kosa dia aoka ny tananao hanafaka anay, ary ampio aho, amin’izao izaho irery izao, tsy manana an’iza na iza, afa-tsy Ianao, ry Tompo! Ianao mahalala ny zavatra rehetra,

15 ka fantatrao fa halako ny famirapiratan’ny ratsy fanahy, ary tsy tiako mainty ny fandrian’ny tsy mifora mbamin’ny hafa firenena rehetra.

16 Fantatrao ny fahavozonana mahazo ahy, ary halako mihitsy ilay mari-pisandratako atao eo an-dohako, amin’ireo andro tsy maintsy hisehoako ho hita; halako toy ny lamba maloto izy, ka tsy mitondra azy aho, amin’ny andro ahazoako mipetraka amin’ny mangingina.

17 Tsy mbola nihinana teo amin’ny latabatr’i Amàna, na oviana na oviana, ny ankizy vavinao, na nanao ho zavatra izay fanasan’ny mpanjaka, na nisotro izay divay tamin’ny fanatitra araraka.

18 Na oviana na oviana hatrizay nitondrana ahy nanketo ka mandrak’androany, tsy mba nisy fifaliana nankafizin’ny ankizy vavinao, afa-tsy taminao izahay, ry Tompo Andriamanitra, Andriamanitr’i Abrahama!

19 Ry Andriamanitra mahefa noho ny hafa rehetra, henoy ny vavak’izay tsy manan-kantenaina afa-tsy Ianao, afaho amin’ny tanan’ny ratsy fanahy izahay, ary esory amin’izao tebitebiko izao!»

Vakina manarakaraka ny toko 4,8.