Categories
1Makabeo

1Makabeo 9

Ady tao Berea sy ny nahafatesan’i Jodasy Makabeo

1 Nony ren’i Demetriosa fa resy tamin’ny ady i Nikanôra sy ny tafiny dia nalefany ho any Jodea indray i Bakidesa sy i Alsima, nitondra ny vazan-tafika havanana.

2 Ny lalana mankany Galgalà no nombany dia niorin-toby tao Malsalôta, izay any amin’ny faritanin’i Arbela izy ireo; azony io tanàna io ary namonoany maro be ny mponina.

3 Tamin’ny volana voalohany, taona faha-152, dia nalahany teo anoloan’i Jerosalema ny miaramilany.

4 Raha efa izany dia nangoron-day izy, dia nankany Berea, nitondra miaramila 20.000 sy mpitaingin-tsoavaly 2.000.

5 I Jodasy kosa niorin-toby tao Eleasà, omba-miaramila voafantina 3.000.

6 Raiki-tahotra mafy izy ireo, nony nahita ireto fahavalo maro be, ka maro no nitsoaka mangingìna niala teo an-toby; 800 lahy sisa tafajanona.

7 Hitan’i Jodasy fa nitsoaka ny miaramilany, ary ny ady efa antomotra, torotoron’ny alahelo ny fony, fa ny fotoana hamoriana ny momba azy tsy misy, ka tsaroany reraka ny tenany.

8 Kanefa izao no nolazainy tamin’ireto sisa tafajanona teo aminy: «Andeha handroso hamely ny fahavalontsika, raha mbola afaka hiady aminy koa isika.»

9 Notohain’izy ireo tsy hanao izany anefa izy, nataony hoe: «Tsy leontsika ka ndeha aloha hanavotra aina sy hiverina ho any amin’ireo rahalahintsika, vao ho avy indray hiady amin’ny fahavalontsika isika.»

10 Fa hoy i Jodasy tamin’izy ireo: «Sanatria ahy izay hanao izany, ka hiamboho handositra! Raha tonga ny fotoana anjarantsika, aoka ho faty amin-kerim-po isika, ho an’ny rahalahintsika, ary aza asiana pentina ny voninahitsika.»

11 Dia nivoaka ny toby ny tafiky ny Sirianina hitsena azy ireo: nizara roa toko ny an-tsoavaly, ny mpandefa antsamotady sy mpandefa tsipìka teo aloha, ny mahery indrindra no loha laharana;

12 I Bakidesa teo amin’ny vazan-tafika havanana, ary nandroso tamin’ny feon-trômpetra teo an-daniny avy, ny antokony.

13 Ry i Jodasy koa, tatsy an-daniny, nampaneno trômpetra, ka nihorohoro ny tany, azon’ny firohondrohon’ny tafika roa tonta, dia rafitra ny ady, ka naharitra hatramin’ny maraina ka hatramin’ny hariva.

14 Nony hitan’i Jodasy fa teo amin’ny vazan-tafika havanana i Bakidesa sy ny miaramila mahay indrindra, dia novoriny hanodidina azy ny miaramila mahery fo rehetra,

15 ka noreseny ny vazan-tafika havanan’ny Sirianina, dia notanahiny hatrany an-tendrombohitra Azota.

16 Kanjo hitan’ireo vazan-tafika havia fa resy ny vazan-tafika havanana, ka nifontenany narahiny avy ato aoriana i Jodasy sy ny namany.

17 Nihanangotraka ny ady, ka samy be maty, izy roa tonta.

18 Maty koa i Jodasy dia vaky nandositra ireo namany.

Ny nandevenana an’i Jodasy Makabeo

19 Dia nentin’i Jônatasy sy i Simôna, i Jodasy rahalahin’izy ireo, ka nalevina tao amin’ny fasan-drazany ao Modìna.

20 Nitomanian’i Israely rehetra izy sy nigogogogoany mafy ary naharitra andro maro no nisaonany azy,

21 sy nanaovany hoe: «Ahoana re no dia nahafaty an’ilay mahery, an’ilay nanafaka an’i Israely!»

22 Ny tantaran’i Jodasy sisa, sy ny adiny hafa, sy ny herim-po hafa nasehony ary ny antom-boninahiny, dia tsy voasoratra, satria maro loatra.

I JONATASA TONGA FILOHAN’NY JODY SY MPISOROM-BE (160-142 talohan’i Jesoa Kristy)

Ny nandresen’ny antoko grika – I Jônatasy tonga filohan’ny mpanohitra

23 Nony efa maty i Jodasy, dia nitrangatranga eran’ny tanin’i Israely manontolo ny mpankahala ny fivavahana ary niarin-doha ny mpanao ny tsy marina rehetra.

24 Nisy mosary lehibe tamin’izany andro izany, ka nivadika tamin’izy ireo mbamin’ny tany aza.

25 Ny olona mpankahala ny fivavahana no nofidin’i Bakidesa sy notendreny hitondra ny tany.

26 Nokarohin’ireo ny sakaizan’i Jodasy ka nony mahita izy, entiny any amin’i Bakidesa, dia faizin’io sy ataony fihomehezana kosa.

27 Ary lalina loatra ny fahoriana nanjò an’i Israely, fa tsy mbola nisy toy izany hatramin’izay andro tsy nisian’ny mpaminanyteo amin’i Israely.

28 Ka nivory izay rehetra sakaizan’i Jodasy nilaza tamin’i Jônatasy hoe:

29 «Hatrizay nahalasanan’i Jodasy rahalahinao izay, tsy misy lehilahy toa azy intsony, nitsangan-kanohitra ny fahavalontsika Bakidesa, mbamin’ireo rehetra mankahala ny firenentsika.

30 Ka dia ianao no fidinay anio ho lehibenay hisolo azy, sy ho komandinay amin’ny adintsika.»

31 Dia noraisin’i Jônatasy ny fanapahana tamin’izany andro izany, ary nitsangana izy nisolo an’i Jodasy rahalahiny.

I Jônatasa tany an’efitra Tekôe – Fotoana nahalatsa-dra betsaka tao Medabà

32 Vao nandre ny nifidianana an’i Jônatasy i Bakidesa dia nitady hamono azy.

33 Nony nandre izany fikasana izany i Jônatasy sy i Simôna rahalahiny, mbamin’izay rehetra nomba azy, dia nandositra tany an’efitr’i Tekôe, sy nitoetra teo akaikin’ny rano amin’ny lava-drano Asfara.

34 Ren’i Bakidesa izany, tamin’ny andro sabata, ka dia niainga izy, mbamin’ny tafiny rehetra, any an-dafin’i Jordany.

35 Nirahin’i Jônatasy i Joany rahalahiny noho izy mpifehy ny vahoaka, ho any amin’ny Nabeteana sakaizany, hiangavy aminy mba havelany hapetraka any aminy ny entany, izay be tokoa.

36 Kanjo nivoaka avy ao Medabà, ny taranak’i Jambrì, ka nisambotra an’i Joany mbamin’ny entana rehetra dia nandeha, nitondra izany babo rehetra izany.

37 Andro vitsivitsy tatỳ aorian’izany, dia nisy tonga nilaza tamin’i Jônatasy sy i Simôna rahalahiny, fa hoe: «Manao fampakaram-bady malaza ny taranak’i Jambrì, ka avy any Nadabata no avoaka amim-boninahitra lehibe razazavavy, izay zanaky ny andriandahy lehibe anankiray, avy any Kanaana.»

38 Tsaroan’izy ireo tamin’izay, i Joany rahalahiny, ka niakatra izy dia nitampify takon’ny tendrombohitra.

39 Nanopy ny masony izy ireo nitsirika, ka injay reny nisy nigorodondròdona be ihany, dia indreny nisy andian’olona maro be, notsenain’ny mpanambady, izay nandroso, otronin’ireo rahalahiny aman-tsakaizany ary nomban’ny feon’amponga tapaka aman-java-maneno, mbamin’ny forongo be dia be.

40 Nahita izany ireto nomba an’i Jônatasy dia niroatra avy ao am-panotrehany, niantoraka tamin’izy ireo hamono azy: maty tamin’ny famelezany ny maro tamin’ireo, nandositra any an-tendrombohitra ny sisa, ary nobaboin’ny Jody izay teny aminy.

41 Ka niova ho fisaonana ny fampakaram-bady, ary ho fidradradradràna, ny feo fifalian’ny mozikany.

42 Nony avy namaly ny namonoana ny rahalahiny i Jônatasy sy i Simôna, dia nihataka ho any amin’ny henihenin’i Jordany izy.

Ny nitana an’i Jordany

43 Nilazana izany i Bakidesa ka tonga hatrany amoron’i Jordany tamin’ny andro sabata nitondra tafika lehibe.

44 Dia hoy i Jônatasy tamin’ireo namany: «Mitsangàna ankehitriny, miadia hiaro ny aintsika! Fa tsy tahaka ny omaly sy afak’omaly intsony ity.

45 Indro, fahavalomitam-piadiana avokoa no eo anoloantsika sy eo ivohontsika, ranon’i Jordany sy ala aman-keniheny avokoa no eo anindrantsika manodidina, ka tsy misy azo andosirana.

46 Fa ny lanitra no itarainako, hahafahanareo amin’ny tanan’ny fahavalonareo.» Dia rafitra ny ady.

47 Naninji-tanana hikapa an’i Bakidesa i Jônatasy fa nihilana nianòtra io, nisoroka an’izany,

48 ka nivikina niroboka an’i Jordany i Jônatasy mbamin’ireo namany, dia nita nilomano, nefa tsy nita nanenjika azy ny Sirianina.

49 Nisy 1.000 lahy no maty ny nomba an’i Bakidesa androtr’izay.

Nanorina tanàna mimanda maro i Bakidesa. Maty i Alsima

Niverina ho any Jerosalema ilay io,

50 dia nanorina tanàna mimanda any Jodea; ny manda eo akaikin’i Jerikô, i Emaosa, i Betôrôna, i Betela, i Tamnatà, i Farà, i Tefona, nasiany manda avo, sy vavahady ary hidiny,

51 dia nametrahany miaramila mpiandry, hiady amin’i Israely.

52 Nohamafisiny ny tanàna Betsora sy Gazàra, ary ny trano mimanda dia nametrahany miaramila sy hanina fitahiry.

53 Nalainy ho antoka ny zanaky ny lohandohany amin’ny tany, dia notanany ho sambo-belona, tao amin’ny trano mimandan’i Jerosalema.

54 Tamin’ny taona faha-153, tamin’ny volana faharoa, nodidian’i Alsima hareza ny rindrin’ny kianja anatinyao amin’ny fitoerana masina, ka nandrava ny asa nataon’ny mpaminanyizy tamin’izay, ary efa nanomboka nanjera sahady.

55 Nokapohin’Andriamanitra i Alsima tamin’izany andro izany ka tsy afa-niteny intsony izy, na dia indraimbava aza, tsy afa-nanome didy ny amin’ny raharaha tao an-tranony akory izy.

56 Dia maty tamim-pijaliana fatratra i Alsima tamin’izany andro izany.

57 Nony nahita ity Alsima maty i Bakidesa dia niverina ho any amin’ny mpanjaka, ka nandry feizay ny tanin’i Jodà, nandritra ny roa taona.

Ny nanafihana an’i Betbasi

58 Tamin’izay nifampidinika ny Jody nivadika rehetra, nanao hoe: «Miadana sy mandry feizay ity ry i Jônatasy sy ny namany, ka ndao hohafarantsika i Bakidesa, fa indray alina monja ireo dia azony avokoa.»

59 Dia lasa tokoa izy ireo nifanaraka tamin’io.

60 Ka niainga i Bakidesa nitondra tafika lehibe, sady nandefa taratasy mangingina izy, ho any amin’ireo rehetra mpiandany aminy any Jodea, mba hisamboran’ireo an’i Jônatasy sy ny namany; kanjo tsy nahavoa ireo, fa fantatr’ireto ny heviny.

61 Ary tamin’ireo mponina amin’ny tany izay lohan’ny teti-dratsy dia 50 lahy no nosamboriny ka novonoiny.

62 Raha efa izany, niainga i Jônatasy sy i Simôna mbamin’ireo nomba azy, nankany Betbasì, any an’efitra; namboariny izay rava tamin’io, dia nasiany manda.

63 Ren’i Bakidesa izany, ka novoriny ny miaramilany rehetra, nantsoiny koa ny momba azy amin’i Jodea,

64 dia tonga niorin-toby teo akaikin’i Betbasì izy, sy nanao fahirano io tanàna io, naharitra andro betsaka, sady nandrafitra milina.

65 Fa navelan’i Jônatasy tao an-tanàna kosa i Simôna rahalahiny, ka nivoaka tany an-tsaha izy, vao niverina nitondra miaramila vitsivitsy.

66 Nasiany tao an-dainy aloha i Odôaresa mbamin’ireo rahalahiny sy ny zanak’i Faserôna, ary dia nandroso namely ny mpanao fahirano sy niady taminy tamin’ny miaramila be ihany.

67 Ry i Simôna sy ny namany koa, tatsy an-daniny, nivoaka sy nandoro ny milina fiadiana.

68 Nifandafaran’izy ireo i Bakidesa ka nataony vaky nandositra ny tafiny ary fahoriana lalina no nampitondrainy azy, fa maty afo ny hevitra nokendreny sy ny fanafihany.

69 Loza ny hatezerany tamin’ireo Jody izay mpankahala ny fivavahana, nanome hevitra azy ho tonga atỳ amin’ny taniny, ka namonoany maro be izy ireo; dia nanapa-kevitra hody any amin’ny taniny izy.

70 Fantatr’i Jônatasy izany, ka nandefa iraka izy hanao raharaham-pihavanana aminy, sy hifanaraka ny amin’ny hamerenana ny sambo-belona aminy.

71 Noraisin’i Bakidesa izy ireo, nekeny ny hevitra naposany taminy, nifanekeny tamin’i Jônatasy tamim-pianianana ny tsy hanisy ratsy aminy, raha mbola velona koa izy;

72 naveriny taminy ny sambo-belona azony taloha teo amin’ny tanin’iJodà, dia lasa nody any amin’ny taniny izy, ka tsy niverina ho eo amin’ny tanin’i Jodà intsony.

73 Koa nivalona ny sabatra teo amin’i Israely; ary niorim-ponenana tao Makmasai Jônatasy, dia nanomboka nitsara ny vahoakasy nanesotra ny mpankahala ny fivavahana teo amin’i Israely.

Categories
1Makabeo

1Makabeo 10

Ny teti-pihavanana nataon’i Aleksandra Balasa – Ny nanendreny an’i Jônatasy ho mpisorom-be

1 Tamin’ny taona faha-160, niainga hanafika i Aleksandra, ilay zanak’i Antiôkosy, sy natao hoe Epifana, ka nahazo an’i Ptôlemaisa; noraisin’ny mponina izy, dia tonga mpanjaka.

2 Nony ren’i Demetriosa mpanjaka izany, namory tafika lehibe dia lehibe izy, dia nandroso hamely an’io.

3 Niaraka tamin’izany, nandefa taratasy misy tenim-pihavanana i Demetriosa ho any amin’i Jônatasy, sady nampanantena hanandratra azy amin’ny voninahitra.

4 «Manaova fanekem-pihavanana aminy faingana isika, hoy izy, alohan’ny hanaovany amin’i Aleksandra, hanohitra antsika.

5 Fa hotsarovany ny ratsy rehetra nataontsika taminy sy tamin’ny rahalahiny ary tamin’ny fireneny.»

6 Nomeny fahefana izy haka miaramila, hanao fiadiana, hilaza azy ho mpihavana aminy, ary nodidiany haverina aminy ny olona voatana ho antoka tao amin’ny trano mimanda.

7 Nankany Jerosalema niaraka tamin’izay i Jônatasy, namaky ity taratasy teo anatrehan’ny vahoaka rehetra, sy teo anatrehan’izay tao amin’ny trano mimanda.

8 Raiki-tahotra mafy izy ireo, nandre fa hoe: nomen’ny mpanjaka fahefana hamonona tafika i Jônatasy.

9 Natolotr’ireo tao amin’ny trano mimanda an’i Jônatasy ny antoka, dia natolotr’io amin’ny fianakaviany kosa izy ireo.

10 Niorim-ponenana tao Jerosalema i Jônatasy dia nanomboka namboatra sy nanavao ny tanàna.

11 Nandidy ny mpiasa izy handrafitra ny manda indray, sy hanisy vato efa-joro manodidina ny tendrombohitra Siôna hanamafy azy. Notanterahina izany didy izany.

12 Nitsoaka tamin’izay ireo hafa firenena, izay tao amin’ny tanàna mimanda nataon’i Bakidesa,

13 samy nandao ny fonenany avy izy ireo, ka nody any amin’ny taniny avy.

14 Ny sasantsasany foana tamin’ireo nahafoy ny didy aman-dalàna no nijanona tao Betsora, izay tonga fialofany.

15 I Aleksandra mpanjaka kosa, tamin’izany, dia nahare ny zavatra natolotr’i Demetriosa an’i Jônatasy; notantarain’ny olona taminy koa ny ady nataony, ny herim-po nafitsok’izy mbamin’ireo rahalahiny ary ny loza niaretany; ka hoy izy:

16 «Hahita lehilahy toy izany indray va isika? Ka ndeha ataovintsika tonga sakaiza sy mpihavana amintsika izy.»

17 Dia nanoratra taratasy toy izao izy, nalefany ho any aminy:

18 «I Aleksandra mpanjaka, miarahaba an’i Jônatasy rahalahiny.

19 Nahare ny aminao izahay, fa hoe ianao dia lehilahy manam-pahefana sady vonon-kihavana aminay.

20 Noho izany, dia manendry anao izahay anio, ho mpisorona lehibe amin’ny firenena sy manome anao ny anaram-boninahitra hoe sakaizan’ny mpanjaka; – niaraka tamin’izany nampitondra akanjo jaky sy satroboninahitra volamenaho azy izy; – koa aoka hiray hevitra aminay amin’ny raharahanay sy haharitra amin’ny fihavanana aminay.»

21 Dia niakanjo ny fanamiana masina i Jônatasy tamin’ny volana fahafiton’ny taona faha-160, tamin’ny fetin’ny Tabernakla, ary namonona tafika izy, sady nanao fiadiana betsaka.

Taratasin’i Demetriosa voalohany ho an’i Jônatasy

22 Nalahelo mafy i Demetriosa nony nandre izany zavatra izany.

23 Hoy izy: «Naninona ity isika no i Aleksandra indray no nialoha antsika nahazo fihavanana tamin’ny Jody, hanamafìsany ny fahefany?

24 Izaho koa mba handefa teny hitaona azy, sy hanolotra voninahitra ambony amam-panomezana ho azy, mba ho tonga mpanampy ahy izy.»

25 Dia nandefa taratasy toy izao ho any aminy izy: «I Demetriosa mpanjaka miarahaba ny firenena Jody.

26 Notananareo tsara ny fanekena natao taminay, tohizinareo ny fihavanana aminay, ary tsy mikambana amin’ny fahavalonay ianareo; nandre izany izahay ka faly noho izany.

27 Ary amin’izao, dia mahareta miraiki-po aminay fa hovalianay soa izay ataonareo ho anay.

28 Homenay fanafahana sy tombon-tsoa betsaka ianareo.

29 Hatramin’izao ankehitriny izao afahako ianareo, ary ny Jody rehetra dia alako tsy handoa hetra na haban-tsiraamam-pehilohafanome ny mpanjaka;

30 ny ampahatelon’ny vokatry ny tany, sy ny antsasaky ny vokatry ny hazo mamoa, izay anjarako, dia afoiko ho anareo, izao mason’andro anio izao; ary amin’izao sisa izao, na amin’ny fotoana inona, na amin’ny fotoana inona, dia tsy mampandoa na inona na inona intsony aho, na amin’ny tanin’i Jodà, na amin’ny faritany teloany Samaria sy Galilea izay voakambana aminy.

31 Tiako ho tanàna masina sy afaka i Jerosalema mbamin’ny faritaniny, ny fahafolon-karenany sy ny zavatra tsy maintsy aloany.

32 Afoiko koa ny fahefako amin’ny trano mimanda ao Jerosalema, ka omeko ny mpisorona lehibe, hametrahany izay olona hofidiny hiambina azy.

33 Ny Jody rehetra nentin-ko babo avy amin’ny tanin’i Jodà ho any amin’ny fanjakako manontolo, dia alefako ho afaka tsy mandoa avotra; sitrako ny hahafoizan’ny olon-drehetra ho azy ny hetra na dia ny amin’ny biby aza.

34 Ny fety lehibe rehetra, ny sabata, ny voalohan’ny volana, ny andro voatendry, ny hateloana mialoha na manaraka ny fety lehibe, dia ho andro fanafahana amam-pahafahana ho an’ny Jody rehetra eto amin’ny fanjakako.

35 Ka tsy misy mahazo manenjika ny iray amin’izy ireo, na mitory azy amin’ny fitsarana, na inona na inona raharaha.

36 Hisy Jody hatramin’ny 30.000, halatsaka amin’ny tafiky ny mpanjaka, ka homena karama, toraky ny miaramila rehetra karamain’ny mpanjaka. Hapetraka ao amin’ny tanàna mimanda lehibe, an’ny mpanjaka, ny sasany amin’izy ireo;

37 ary maro no horaisina amin’ny raharaham-panjakana ilàna olo-mahatoky; fanampin’izany, izy miaramila iray laharana eo ihany no hangalana ny lehibe hifehy azy, sady samy hanao toe-piainana araka ny lalàny izy, araka ny efa nandidian’ny mpanjaka amin’ny tanin’i Jodà.

38 Ny faritany telo amin’i Samaria nakambana amin’i Jodea dia hakambana sy hisaina ho iray aminy, ka tsy hanaiky fahefana hafa afa-tsy ny an’ny mpisorona lehibe.

39 Ary i Ptôlemaisa mbamin’ny faritaniny dia homekoho an’ny fitoerana masina ao Jerosalema, hiantohana ny lany amin’ny fombam-pivavahana atao ao.

40 Ary izaho koa manome volafotsy 15.000 sikla, isan-taona, alaina amin’ny volam-panjakana amin’izay tanàna mety.

41 Ny ambiny rehetra tsy naloan’ny mpamory sahala amin’ny taona taloha, dia haloany amin’ny ho avy hanaovana ny fanompoana amin’ny tempoly.

42 Fanampin’izany, ny volafotsy 5.000 sikla nesorin’ny lehibe isan-taona tamin’izay nilaina ao amin’ny fitoerana masina, ka nalainy tamin’ny vola voatendry ho azy, dia hafoy ho azy, fa an’ny mpisorona manao ny fanompoana ao izany.

43 Na iza na iza nialoka tao amin’ny fitoerana masina ao Jerosalema na tao anatin’ny mandany manodidina, mbola ananan’ny fanjakana hetra na ananan’olona trosa hafa, dia afaka izy miaraka amin’ny fananany rehetra, eto amin’ny fanjakako.

44 Ny lany amin’ny fanaovana na fanamboarana ny fitoerana masina koa, dia halaina amin’izay miditra ho an’ny mpanjaka.

45 Fanampin’izany, ny lany amin’ny fanaovana ny mandan’i Jerosalema sy fanamafisana ny manodidina azy koa, halaina amin’izay miditra ho an’ny mpanjaka; torak’izany koa ny fananganana ny mandan’i Jodea.»

Nolavin’i Jônatasy ny hihavana amin’i Demetriosa

46 Nony nandre ireo teny ireo i Jônatasy sy ny vahoaka dia tsy nino izany sady tsy nety nanaiky izany; satria tsaroany ny loza lehibe nafitsok’i Demetriosa tamin’i Israely sy ny voina nampiaviany taminy.

47 Ka dia tapa-kevitra izy ireo fa homba an’i Aleksandra, ka ny fanekem-pihavanana avy aminy no tsaratsara kokoa teo imason’izy ireo, ka dia nijanona ho mpikambana aminy mandrakariva izy.

48 Namory tafika lehibe i Aleksandra mpanjaka, ka nandroso hamely an’i Demetriosa.

49 Dia rafitra ny adin’ireto mpanjaka roa lahy, ka vaky nandositra ny tafik’i Demetriosa ka nenjehin’i Aleksandra;

50 fa resiny sady niadiany tamin-kerim-po mandra-pahafatin’ny masoandro, ary maty androtr’izay koa i Demetriosa.

Ny nanambadian’i Aleksandra an’i Kleopatra. I Jônatasy nataony jeneraly sy governoram-paritany

51 Nandefa ambasadaoro ho any amin’i Ptôlemea mpanjakan’i Ejipta i Aleksandra, nohafarany hilaza aminy hoe:

52 «Tafiditra eto amin’ny fanjakako aho, ary tafapetraka amin’ny seza fiandrianan’ny razako; nahazo ny fanjakana indray aho tamin’ny nandreseko an’i Demetriosa, ary mahazo mahazaka ny taninay.

53 Nandrafitra ady taminy aho, dia naharesy azy, izy sy ny tafiny; ka tafasandratra eo amin’ny seza fiandrianan’ny fanjakany.

54 Ary ankehitriny aoka hihavana isika; omeo ahy ho vadiko ny zanakavavinao, dia ho vinantonao aho, ary hanome anao sy azy izay fanatitra mendrika anao.»

55 Izao no navalin’i Ptôlemea mpanjaka: «Sambatra ny andro nidiranao ho eo amin’ny tanindrazanao, sy nipetrahanao eo amin’ny seza fiandrianan’ny fanjakany!

56 Ary ny amin’ny zavatra nosoratanao, dia hotanterahiko!

Ary amin’izao dia hataoko ho anao izay nosoratanao, fa tongava hitsena ahy any Ptôlemaisa, mba hifankahita tava isika, dia hataoko vinantoko ianao, araka ny faniriana voalazanao.»

57 Koa niala tany Ejipta i Ptôlemea sy i Kleopatra zanany vavy, dia nankany Ptôlemaisa tamin’ny taona faha-162.

58 Tonga nitsena azy i Aleksandra mpanjaka, dia nomeny ho vadin’io i Kleopatra zanany vavy, ka tao Ptôlemaisa no natao malaza sy manetriketrika araka ny fanaon’ny mpanjaka ny fampakarana.

59 Nanoratra taratasy tany amin’i Jônatasy koa i Aleksandra mpanjaka, niantso azy hihaona aminy.

60 Dia nankany Ptôlemaisa tamim-boninahitra lehibe i Jônatasy, ka nihaona tamin’ireo mpanjaka roa lahy tao, volafotsy sy volamena ary fanatitra betsaka no natolony azy ireo sy ny tandapany, ka nahazo sitraka tamin’izy ireo.

61 Nikambana hamely azy tamin’izay ny olona ratsy fanahy sasany tamin’i Israely, olona mpankahala fivavahana niampanga azy; fa tsy nohenoin’ny mpanjaka.

62 Vao mainka nasain’ny mpanjaka nesorina aza ny fitafiana teny amin’i Jônatasy, dia nasainy nampiakanjoina jaky izy. Nony tanteraka izany didy izany, dia nasain’ny mpanjaka nipetraka teo anilany izy,

63 ary hoy izy tamin’ireo lehiben’ny tandapany: «Mandehana ianareo mivoaka miaraka aminy, ho ao afovoan’ny tanàna, ka lazao ampahibemaso, fa tsy misy olona mahazo mitsangan-kitaraina hamely azy, na amin’inona na amin’inona, ary tsy misy mahazo manorisory azy akory, na inona na inona fialan-tsiny ataony.»

64 Nony nahita azy nomem-boninahitra ampahibemaso sy nampitafina jaky, ireo mpiampanga azy, dia nitsoaka avokoa izy rehetra.

65 Mbola nampian’ny mpanjaka indray aza izany voninahitra izany, fa nosoratany ho isan’ireo filohany amin’ny sakaizany izy, sady nataony jeneraly sy governoram-paritany.

66 Dia niverina ho any Jerosalema tamim-piadanana amam-piravoravoana i Jônatasy.

I Demetriosa faha-2. I Apôlôniosy governoran’i Sele-Siria resin’i Jônatasy

67 Tamin’ny taona faha-165, tonga tao amin’ny tanindrazany avy any Kreta, i Demetriosa zanak’i Demetriosa.

68 Nankararirary an’i Aleksandra mpanjaka loatra izany vaovao izany, ary niverina ho any Antiôkia izy.

69 I Apôlôniosy governora tao Sele-Siria no nalain’i Demetriosa ho jeneraly ary namory tafika lehibe ilay io, ka tonga nitoby teo akaikin’i Jamnià. Teo izy naniraka tany amin’i Jônatasy, mpisorona lehibe, hilaza hoe:

70 «Ianao dia ianao irery izao no mitsangan-kanohitra anay; ka tonga famazivazy sy fandàtsan’ny olona aho, noho ny aminao. Ahoana no dia ahasahianao manao ny tenanao ho mahaleo tena eo anatrehanay, ao an-tendrombohitra ao?

71 Koa ankehitriny, raha matoky ny herinao tokoa ianao, midìna ho etỳ aminay atỳ amin’ny tany lemaka dia hifanao eo isika, fa momba ahy ny tanàna mafy amin’ny morontsiraka.

72 Fotory ary fantaro ny amiko sy ny amin’ireo manampy ahy, iza aho, iza ireo. Fa milaza izy ireo, fa tsy hahajanona eo anoloanay ianao, satria indroa ny razanao no vaky nandositraany amin’ny tanin’izy ireo.

73 Ary izao, dia tsy ho tantinao akory ny hafitsoky ny mpitaingin-tsoavaliko, sy ny tafika maro dia maro atỳ amin’ny tany lemaka, izay tsy misy vato na vatolampy, na toerana azo andosirana akory.»

74 Nentin-katezerana mafy i Jônatasy, raha nandre ny tenin’i Apôlôniosy, ka nifidy miaramila 10.000, dia niala tao Jerosalema, ary i Simôna rahalahiny koa tonga nihaona taminy, hanohana azy.

75 Dia lasa nitoby teo akaikin’i Jôpeizy ireo, nihidy teo anoloan’izy ireo ny tanàna, fa tao ny miaramilan’i Apôlôniosy, ka dia ny manao fahirano an’io no natombony.

76 Tsiravina ny mponina, ka novohainy ny vavahady, dia lasan’i Jônatasy i Jôpe.

77 Vao nilazana izany i Apôlôniosy dia nalahany hiady ny an-tsoavaly 3.000 sy ny miaramila maro;

78 ka nizotra tamin’ny hitsin’i Azota, toy ny ndeha hihataka izy; ary tamin’izay indrindra ihany anefa, dia nandroso ho eo amin’ny tany lemaka, fa nana-mpitaingin-tsoavaly nankany Azota izy, ka rafitra ny adin’ny tafika roa tonta.

79 Nametraka mpitaingin-tsoavaly 1.000 teo ivohony amin’ny fitoerana miafina i Apôlôniosy;

80 nefa nilazana i Jônatasy fa misy otrika eo ivohony. Nanodidina ny miaramilany ireo mpitaingin-tsoavaly, ka nandefa zana-tsipìka namely ny miaramilany, hatramin’ny maraina ka mandra-paharivan’ny andro.

81 Kanefa nahatoa azy tsara araka ny nandidian’i Jônatasy azy, ny miaramilany, fa nihareraka kosa ny soavalin’ireo mpitaingin-tsoavaly.

82 Dia nampandrosoin’i Simôna tamin’izay ny miaramilany, hamely ny antoko-miaramila an-tongotra, fa efa lany hery ny mpitaingin-tsoavaly, ka resiny sy vaky nandositra terỳ ny Sirianina.

83 Niparitaka teo amin’ny tany lemaka ny mpitaingin-tsoavaly, ary niditra tao Azota ny mpandositra, dia nitsofoka tao Bety-Dagôna, tempolin-tsampin’izy ireo, mba hahita fialofana ao.

84 Nodoran’i Jônatasy i Azota mbamin’ireo tanàna manodidina azy, nony avy namaboany; nodorany koa ny tempolin’i Dagôna mbamin’izay rehetra nialoka tao.

85 Sahabo ho 8.000 no isan’ny matin-tsabatra sy levon’ny afo tamin’izay.

86 Nony avy teo i Jônatasy dia tonga nitoby teo akaikin’i Askalôna, ka tonga nitsena sy nanome voninahitra lehibe azy ny mponina tao.

87 Izay vao niverina ho any Jerosalema i Jônatasy mbamin’ny miaramilany, nitondra babo sarobidy.

88 Nony nandre izany zava-niseho izany i Aleksandra mpanjaka, dia nomeny voninahitra vaovao indray i Jônatasy.

89 Nampitondrainy jaigrafy volamenaizy, tahaka izay fanome ny havan’ny mpanjaka, ary nomeny azy ho fananany i Akrôna mbamin’ny faritaniny.

Categories
1Makabeo

1Makabeo 11

I Ptôlemea faha-6 manohana an’i Demetriosa faha-2 ary maty niaraka tamin’i Aleksandra Balasa

1 Namory miaramila tsy tambo isaina hoatra ny fasika eny amoron-dranomasina sy sambo maro koa ny mpanjakan’i Ejipta, ka nitady hahazo an-kafetsena ny fanjakan’i Aleksandra, hakambana amin’ny fanjakany.

2 Dia nandroso ho any Siria izy, nanao tenim-pihavanana. Novohain’ny mponina teo anoloany ny tanàna ary nirohotra hitsena azy izy ireo, fa nodidian’i Aleksandra hitsena azy noho ny maha-rafozany.

3 Isaky ny tafiditra amin’ny tanàna anankiray anefa i Ptôlemea, mametraka miaramila hiambina an’io.

4 Nony mby teo akaikin’i Azota izy, nasehon’ny mponina azy ny tempolin’i Dagôna may, ny tanàna mbamin’ny manodidina azy rava; ny faty maro nihahaka; ny sisan’ireo nodorana tamin’ny ady nangonina hiavosa teny amin’ny làlana;

5 ary notantarainy tamin’ny mpanjaka ny nataon’i Jônatasy mba hankahalany an’io; nangina anefa ny mpanjaka.

6 Nankao amin’ny mpanjaka tao Jôpe i Jônatasy hanome haja azy; nifampiarahaba izy ireo, dia nandry tao.

7 Nanatitra ny mpanjaka hatreo amin’ny ony atao hoe Eleoterai Jônatasy, vao niverina ho any Jerosalema.

8 Lasan’i Ptôlemea mpanjaka tamin’izany ny tanàna amoron-dranomasina, hatramin’i Seleokiaao amoron’ny ranomasina; ary nihevitra zava-mamohetra amin’i Aleksandra izy.

9 Nandefa ambasadaoro ho any amin’i Demetriosa mpanjaka izy hilaza aminy hoe: «Avia, hanao fanekena isika fa homeko ho vadinao ny zanako vavy novinadin’i Aleksandra, dia hanjaka eo amin’ny fanjakan-drainao ianao.

10 Nanenenako ny nanome azy ny zanako vavy, satria nitady hahafaty ahy izy».

11 Naniry hahazo ny fanjakany izy no nanivaiva azy toy izany.

12 Dia notsoahany tokoa ny zanany vavy ka nomeny an’i Demetriosa; hatramin’izay dia tafasaraka tamin’i Aleksandra izy, sady nitranga ampahibemaso ny fifankahalany.

13 Niditra ny tanàna Antiôkia i Ptôlemea, ka nanao ny satro-panjakàn’i Asia, ka satro-panjakana roa no indray nataony tamin’ny lohany, dia ny an’i Ejipta sy ny an’i Asia.

14 Tany Silisia i Aleksandra tamin’izany andro izany, satria nikomy ny mponina tamin’izany faritany izany.

15 Vao nandre i Aleksandra fa hoe navadiky ny rafozany, dia nandroso hamely azy: kanjo nalahatr’i Ptôlemea mpanjaka kosa ny tafiny, dia nandroso hikatroka aminy tamin’ny tafika lehibe izy, nataony vaky nandositra.

16 Nandositra tany Arabia i Aleksandra hitady fialofana any, ka nandresy kosa i Ptôlemea mpanjaka.

17 Kanjo notapahin’i Zabdiela Arabo ny lohan’i Aleksandra, dia nampitondrainy ho any amin’i Ptôlemea.

18 Hateloana taorian’izany, dia maty i Ptôlemea mpanjaka, ka novonoin’ny mponina ny Ejiptianina tao amin’ny tanàna mimanda.

19 Ary i Demetriosa no tonga mpanjaka tamin’ny taona faha-167.

Nanomboka nifandray i Demetriosa faha-2 sy i Jônatasy

20 Tamin’izany andro izany, novorin’i Jônatasy ny olona teo amin’i Jodea haka ny trano mimandan’i Jerosalema ary nanangana milina fiadiana betsaka izy, hamelezana azy.

21 Tamin’izay nisy lehilahy vitsivitsy, mankahala ny fireneny, nandeha nankany amin’i Demetriosa mpanjaka niampanga an’i Jônatasy taminy hoe: «Manao fahirano ny trano mimanda.»

22 Nahatezitra an’i Demetriosa ny nitantarana izany, ka vao nandre izany izy dia niezaka faingana nankany i Ptôlemaisa, sy nanoratra tamin’i Jônatasy hitsahatra tsy hanao fahirano ny trano mimanda sy ho tonga miaraka amin’izay hanatona azy any Ptôlemaisa mba hidinika aminy.

23 Nony nahazo izany taratasy izany i Jônatasy dia nodidiany hotohizina ny fahirano, ary nifidy loholon’i Israely vitsivitsy sy mpisorona maromaro hiaraka aminy izy dia nanao vy very.

24 Naka volamena sy volafotsy ary lamba amam-panatitra hafa betsaka izy, dia nankany amin’ny mpanjaka any Ptôlemaisa ka noraisiny tsara.

25 Nisy olona sasany ratsy fanahy iray firenena aminy, nanao fitarainana namely azy;

26 toy ny nataon’ny mpanjaka talohany ihany no nataon’ny mpanjaka taminy: nofenoiny voninahitra teo anatrehan’ny sakaizany rehetra izy;

27 naraikiny ho azy ny fiandrianan’ny mpisorona lehibe sy ny fiamboniana rehetra nomena azy taloha, ary nasainy nosoratana ho isan’ireo filohan’ny sakaizany izy.

28 Nangataka tamin’ny mpanjaka i Jônatasy hanafaka an’i Jodea sy ireo faritany telo amin’i Samaria, amin’ny hetra rehetra, dia hanome talenta 300 izy ho valin’izany.

29 Neken’ny mpanjaka izany, ka izany rehetra izany, dia nanoratany taratasy ho an’i Jônatasy toy izao:

Sata vaovao nahasoa ny Jody

30 «I Demetriosa mpanjaka miarahaba an’i Jônatasy havany sy ny firenen’ny Jody.

31 Indro alefanay aminareo ny kôpian’ny taratasy milaza ny aminareo; nosoratanay ho an’i Lastenesa havanay, mba hahalalanareo azy.

32 I Demetriosa mpanjaka miarahaba an’i Lastenesa rainy!

33 Izahay dia nanapa-kevitra ny hanisy soa ny firenen’ny Jody, izay sakaizanay, sy manao ny rariny aminay, noho ny fitiavana nasehony taminay.

34 Ankatoavinay ho azy ireo ny faritanin’i Jodea sy ny faritany telo nesorina tamin’i Samaria hakambana amin’i Jodea, dia i Efraima, i Lidà, i Ramataima, mbamin’ny tany rehetra momba azy; ho fanambinana an’izay rehetra mandeha hanatitra sorona any Jerosalema no ahafoizanay izany, ho solon’izay naloany ho an’ny mpanjaka teo aloha, isan-taona, avy amin’ny vokatry ny tany amam-boankazo.

35 Miantomboka izao mason’andro anio izao, ny zavatra hafa rehetra fandoany ho anay, na amin’ny hetra amampahafolon-karena anjaranay na amin’ny farihy fakan-tsira aman-tsatan’andriana tsy maintsy aloany aminay,

36 dia afoinay ho azy daholo. Tsy azo anovana izao soa nomena azy izao, amin’ny sisa, na oviana na oviana.

37 Koa ankehitriny, aza diso ny manao kôpian’ity didy ity, halefa any amin’i Jônatasy sy hapetraka amin’ny toerana miharihary, any an-tendrombohitra masina.»

I Demetriosa faha-2 novonjen’ny tarik’i Jônatasy tao Antiôkia

38 Nony hitan’i Demetriosa mpanjaka fa nandry feizay, eo anoloany, ny tany, ary tsy nisy fanoherana horeseny intsony, dia nalefany hody any an-tokantranony avy ny miaramilany rehetra, afa-tsy ireo miaramila hafa firenena nalainy tany amin’ny nosim-pirenena; ka tonga fahavalony avokoa ny miaramilan-drazany rehetra.

39 I Trifôna, izay nomban’i Aleksandra taloha, kosa, nony nahita fa nimonomonona tamin’i Demetriosa avokoa ny miaramila, dia nandeha nankany amin’i Emalkoela Arabo, izay nitaiza an’i Antiôkosy, zanak’i Aleksandra mbola tanora:

40 namoritra azy hanolotra an’ilaikely aminy, hampanjakainy handimby an-drainy; nitantara taminy izay rehetra nataon’i Demetriosa mbamin’ny fankahalan’ny miaramialany azy; naharitra andro maro no nitoerany tao.

41 Naniraka ho any amin’i Demetriosa mpanjaka i Jônatasy nangataka ny hanalany ny miaramila izay tao amin’ny trano mimandan’i Jerosalema sy tamin’ireo trano mimanda hafa any Jodea, fa nandrafy ady tamin’i Israely ireo.

42 Ka izao no nasain’i Demetriosa navaly an’i Jônatasy: «Tsy izany ihany no hataoko ho anao sy ho an’ny firenenao, fa iriko ny hameno voninahitra anao sy ny firenenao, raha vantany vao misy ahazoako manao izany.

43 Koa ankehitriny dia mety ny andefasanao miaramila hamonjy ahy, fa lasa nitsoaka avokoa ny miaramilako.»

44 Dia miaramila 3.000 izay mahery indrindra no nalefan’i Jônatasy ho any aminy, tany Antiôkia; nanatona ny mpanjaka ireo ka faly io tamin’ny fahatongavany.

45 Nivory tao anatin’ny tanàna ny mponina tao an-tanàna, nisy 12.000, nitady hamono ny mpanjaka.

46 Ny mpanjaka nialoha tao an-dapa; ary ny mponina nitana ny lalam-ben’ny tanàna sy efa nanomboka niady.

47 Fa nantsoin’ny mpanjaka tamin’izay ny Jody hamonjy azy, ka indray nivory nanodidina azy aloha ireo, vao indray nihahaka namakivaky ny tanàna, ka sahabo ho 100.000 no matiny tao androtr’izay;

48 nodorany ny tanàna, ary babo be dia be no azony tamin’izay andro izay, ary voavonjiny ny mpanjaka.

49 Nony hitan’ny mponina fa voatanan’ny Jody, azony anaovany izay tiany ny tanàna, dia niraviravy tanana izy ka nandefa fitarainana tamin’ny mpanjaka, hoe:

50 «Mangataka fihavanana izahay, ary aoka ny Jody mba hitsahatra tsy hiady aminay sy amin’ny tanàna.»

51 Sady dia napetrany tokoa ny fiadiany, fa ny fihavanana no nataony. Nahazo voninahitra lehibe teo anatrehan’ny mpanjaka sy teo anatrehan’izay rehetra tao anatin’ny fanjakany ny Jody ary niverina ho any Jerosalema nitondra babo betsaka izy ireo.

52 Dia nahazo nipetraka teo amin’ny seza fiandrianan’ny fanjakany i Demetriosa mpanjaka, ary nandry feizay teo anoloany ny tany.

53 Nialany avokoa anefa ny fampanantenana nataony, nihatahany lavitra i Jônatasy ary tsy notanterahiny ny fikasana tsara nasehony taminy, ka nampalahelo an’io mafy izy.

I Jônatasy namely an’i Demetriosa faha-2. I Simôna naka an’i Betsora indray. Ny raharaha tao Asôra

54 Tatỳ aorian’izany tonga kosa i Trifôna, nitondra an’i Antiôkosy mbola zaza, niantso azy ho mpanjaka, ary nametraka ny satrok’andriana taminy.

55 Nivory nanotrona azy avokoa ny miaramila nalefan’i Demetriosa, sady niady namely an’io, ka vaky nandositra io ka resy.

56 Lasan’i Trifôna ireo elefanta, ary notanany i Antiôkia.

57 Tamin’izany nanoratra taratasy toy izao i Antiôkosy kely ho any amin’i Jônatasy: «Hamafisiko ny maha anao ny fiandrianan’ny mpisorona lehibe, atsangako hitondra ny faritany efatraianao, ary ataoko iray laharana amin’ny sakaizan’ny mpanjaka.»

58 Niaraka tamin’izay, dia nampitondra kapoaka volamenamaromaro sy ny fanaka fomban-databatra iray ho azy izy, ary nanome alalana azy hisotro amin’ny kapoaka volamena sy hitafy jaky ary hitondra jaigrafy volamena.

59 I Simôna rahalahiny kosa notendreny ho governora amin’ny tany hatreo amin’ny fara faran-tanin’i Tira ka hatrany amin’ny sisin-tanin’i Ejipta.

60 Nivoaka i Jônatasy tamin’izany, ka rafitra nitety ny tany rehetra mbamin’ny tanàna tany an-dafin’ny ony, ary nivory homba azy sy hiara-miady aminy avokoa, ny miaramila rehetra tany Siria. Dia tonga tao Askalôna izy, ka samy tamy nitsena sy nanome voninahitra lehibe azy ny mponina tao.

61 Avy ao izy, dia nankao Gazà. Nohidin’ny mponina teo anoloany ny vavahadiny, ka nataony fahirano ny tanàna, nodorany ny manodidina azy, sady namaboany.

62 Izay dia nitaraina tamin’i Jônatasy ny olona tao Gazà, ka nekeny ihany ny hihavana tamin’ireo, nefa nalainy ho antoka kosa ny zanaka lahin’ny lehibeny, dia nalefany ho any Jerosalema. Noteteziny toy izany avokoa ny tany hatrany Damasa.

63 Ren’i Jônatasy tamin’izay, fa tonga ao Kadesaany Galilea ny jeneralin’i Demetriosa, nitondra tafika lehibe mikendry ny hisakana azy amin’ity asa efa natombony;

64 ka i Simôna rahalahiny no napetrany hitoetra tamin’ny tany, fa izy nandroso hamely an’ireo.

65 Nandroso ho any Betsora i Simôna nanao fahirano azy naharitra andro maro, sy nanasokera azy.

66 Nangata-pihavanana taminy ny nafahirano ka nekeny fa nasainy nivoaka ny tanàna, dia noraisiny ho azy ny tanàna sy nametrahany miaramila mpiandry tany.

67 I Jônatasy sy ny tafika kosa nitoby teo amin’ny ranon’i Jenesara; ny ampitso vao maraina koa, dia niditra ny tany lemak’i Asora izy ireo.

68 Ary indreo ny miaramila hafa firenena tamy hitsena azy teo amin’ny tany lemaka, sady nandefa otrika ao an-tendrombohitra hamely azy, ary nandroso hamantana hanehatra azy.

69 Nivoaka tampoka avy ao amin’ny fiereny ry zareo otrika dia nandrafitra ny ady, ka vaky nandositra ny miaramilan’i Jônatasy rehetra.

70 Tsy nisy nijanona afa-tsy i Matatiasa zanak’i Absalôma sy i Jodasy zanak’i Kalfì, jeneralin’ny tafika.

71 Tamin’izay notriarin’i Jônatasy ny fitafiany, nohosenany vovoka ny lohany, ary nivavaka izy.

72 Izay vao lasa indray niady tamin’izy ireo, ka voatosiny hihemotra sy nataony vaky nandositra.

73 Nahita izany irerỳ namany nandositra dia niverina taminy indray sy rafitra niaraka taminy nanenjika ny fahavalo hatrany Kadesa nisy ny tobiny; dia izy ireo indray no tonga nitoby tamin’izany toerana izany.

74 Nisy 3.000 lahy ny miaramila hafa firenena no maty tamin’izany andro izany, ary i Jônatasy niverina ho any Jerosalema.

Categories
1Makabeo

1Makabeo 12

Fifandraisan’i Jônatasy tamin’ny Sparsiata

1 Hitan’i Jônatasy fa fotoana tsara tamin’izay, ka nifidy olona izy, nalefany tany Rôma, hanamafy sy hanavao ny fihavanan’ny Jody amin’ny Rômanina.

2 Nandefa taratasy ho any amin’ny Sparsiata sy ny tany hafa koa, hanao araka izany.

3 Dia nakany Rôma ireo, ka niditra tao amin’ny parlemanta, nanao hoe: «Nirahin’i Jônatasy mpisorona lehibe sy ny firenena Jody ho atỳ aminareo izahay hanavao ny fihavanana amam-panekena amin’izy ireo toy ny teo aloha.»

4 Ary ny parlemanta nanome taratasy azy ireo, ho an’ny manam-pahefana rômanina any amin’ny isan-tanàna avy nandidy azy hanao izay hiverenan’izy ireo soa aman-tsara any amin’ny tanin’i Jodà.

5 Izao no kôpian’ny taratasy nalefan’i Jônatasy ho any amin’ny Sparsiata:

6 «I Jônatasy mpisorona lehibe, ny parlementan’ny firenena ary ny mpisorona mbamin’ny vahoaka Jody sisa, manoratra ho an’ny Sparsiata rahalahiny: arahaba!

7 Tany aloha dia efa nisy taratasy noraisin’i Oniasa mpisorona lehibe, nampitondrain’i Areiôsa izay nanjaka taminareo fahizany, nanamarina fa rahalahinay ianareo, araka ny hita amin’ny kôpia eo ambany.

8 Noraisin’i Oniasatamim-panajana ilay olona nirahina, noraisiny koa ilay taratasy milaza mazava ny fanekena amam-pihavanana.

9 Na dia tsy mila izany zavatra izany aza izahay, fa manana ny Boky masina eo am-pelatananay ho fiononam-po,

10 dia mba nanandrana naniraka atỳ aminareo ihany izahay, hanavao ny fihavanana amam-pifankatiavana manakambana antsika, mba tsy ho zary olon-kafa aminareo izahay; fa taona maro izay no efa lasa, hatramin’ilay nanirahanareo ho atỳ aminay.

11 Izahay aloha amin’ny fotoana rehetra dia mahatsiaro anareo mandrakariva, amin’ny fety lehibe fanaonay, amin’ny andro masina hafa, amin’ny sorona aterinay, ary amin’ny vavakay, araka izay mety sy tokony hahatsiarovana izay havana.

12 Mifaly izahay amin’ny fiadananareo.

13 Fa izahay kosa hodidinin-doza maro aman’ady tsy an-kijanona, iadian’ireo mpanjaka manodidina anay.

14 Tamin’izany izahay, dia tsy nety nanahirana anareo, na ianareo na ireo havanay sy sakaizanay hafa koa.

15 Fa manana ny vonjy avy any an-danitra hanampy anay izahay ka afaka izahay ary voatery ny fahavalonay.

16 Izany no nifidiananay an’i Nomeniôsa zanak’i Antiôkosy, sy i Antipatera zanak’i Jasôna, ka nanirahanay azy ireo ho any amin’ny Rômanina mba hanavao ny fihavanana amam-panekena taloha amin’izy ireo.

17 Dia nohafaranay izy ho atỳ aminareo koa, mba hiarahaba anareo sy hitondra ny taratasinay momba ny fanavaozana ny fihavanantsika.

18 Ary ankehitriny, ny mamaly ny amin’izany no mety hataonareo.»

19 Izao no kôpian’ny taratasy efa nampitondraina tamin’i Oniasa:

20 «I Areiôsa mpanjakan’ny Sparsiata, manoratra ho an’i Aniasa mpisorona lehibe, Arahaba!

21 Misy soratra momba ny Sparsiata sy ny Jody nahitana fa mpihavana izy firenena roa ireo, ary samy taranak’i Abrahama.

22 Ka amin’izao ahalalantsika an’izany izao, tsara raha manoratra ho anay ny amin’ny toe-piadananareo ianareo.

23 Ary izahay koa dia hanoratra ho anareo torak’izany. Fa anay ny biby fiompinareo sy fanananareo, ary anareo ny anay. Efa nahazo didy hanao filazana aminareo ny amin’izany ireo izay mitondra ity taratasy ity.»

I Jônatasy tany Sele-Siria. I Simôna tany Filistia

24 Nilazana i Jônatasy fa niverina hamely azy ireo jeneralin’i Demetriosa, mitondra tafika lehibe lavitra noho ny teo indray.

25 Ka niala tao Jerosalema izy, dia lasa nitsena azy hatrany amin’ny tanin’i Emata.

26 Nandefa mpitsikilo ho any an-tobiny izy; nony tafaverina ireo, nilaza fa nikasa hanao sovok’ady amin’ny alina ny Sirianina., fa tsy navelany hahita fotoana hitsofohana amin’ny taniny akory.

27 Nony maty ny masoandro dia nodidian’i Jônatasy ny momba azy hiari-tory, hitam-piadiana tontolo alina ho vonon-kiady, ary nalefany ny mandry tsy aman’afo hipetraka manodidina ny toby.

28 Ren’ny fahavalo anefa fa mijìdina vonon-kiady i Jônatasy sy ny momba azy, ka raiki-tahotra izy, nangorohoro ny fony, narehiny ny afo teo an-tobiny, dia lasa nandositra izy.

29 Maraina ihany vao fantatr’i Jônatasy sy ny momba azy ny nandosiran’izy ireo, satria hitany ny afo mirehitra.

30 Izay i Jônatasy dia lasa nanenjika azy, nefa tsy nahatratra azy intsony, fa efa tafita ny ony Eleotera izy.

31 Ka nihodina ho any amin’ireo Arabo atao hoe Zabadeanina i Jônatasy; noreseny ireo, dia nobaboiny ny ananany.

32 Avy eo izy, dia nankany Damasa, sy nitety ny faritany rehetra.

33 I Simôna koa teo an-daniny, niainga nandroso ka tonga hatrany Askalôna sy hatrany amin’ireo trano mimanda akaiky; dia nihodina nankany Jôpe sy nitana an’io,

34 satria reny fa mikasa hanolotra ny trano mimanda amin’i Demetriosa ny mponina; dia nametrahany miaramila mponina teo, hiandry ny tanàna.

Asa tao Jerosalema

35 Nony tafaverina tao Jerosalema i Jônatasy, novoriny ny loholon’ny vahoaka dia tapa-kevitra izy sy ireo, fa hanorina trano mimanda amin’i Jodea;

36 hanondrotra ny mandan’i Jerosalema, hanisy manda avo eo anelanelan’ny trano mimanda sy ny tanàna, hampisaraka azy roa ireo, mba hiavahan’ny trano mimanda sy tsy hahazoana mivarotra na mividy ao.

37 Nisy mpiasa voavory hanao ny tanàna, ka dia ny manda miorina eo ambonin’ny ranon-driaka Sedrônaany atsinanana aloha no nanombohany ny asa, ka namboarina ilay laniny atao hoe Kafenatà.

38 I Simôna kosa indray tetsy an-daniny, nanorina an’i Hadidà, eo amin’ny Sefelà, dia nanisy vavahady sy hidiny azy.

Teo am-pelatanam-pahavalo i Jônatasy

39 I Trifôna anefa naniry ho tonga mpanjakan’i Asia, sy hitondra ny diadema, ary hisambotra an’i Antiôkosy mpanjaka.

40 I Jônatasy no natahorany tsy hamela azy hanao izany sy hiady hanohitra azy, ka izay hevitra hisamborana ny tenan’io sy hamonoana azy no notadiaviny. Dia roso izy, ka tonga tao Betsàna.

41 Fa niroso hitsena azy koa i Jônatasy nitondra miaramila 40.000 mpiady voafantina, nandroso ho any Betsàna.

42 Raha nahita an’i Jônatasy tonga nomban-tafika lehibe i Trifôna dia tsy sahy nisambotra azy,

43 fa nandray azy tamim-boninahitra ary nanafatra ireo sakaizany rehetra handray azy tsara, nanolotra fanomezana ho azy, nandidy ny miaramilany hanoa azy toy ny tenany.

44 Ary hoy izy tamin’i Jônatasy: «Ahoana ange no dia nanasaranao ireo vahoaka rehetra ireo, nefa tsy misy ady tsinona amintsika?

45 Koa ampodio ho any an-tranony ireo, fa izay vitsivitsy hanaraka anao no fidio, dia ndeha hiaraka amiko ho any Ptôlemaisa fa hatolotro anao io tanàna io, mbamin’ny trano mimanda hafa koa, ny miaramila hafa, ary ny manam-boninahi-panjakana rehetra, vao hiverina any Antiôkia aho, fa izany ihany no nankanesako atỳ.»

46 Nino azy i Jônatasy ka nanao araka izay nolazainy, nampodiny ny tafiny, dia niverina ho any Jodea ireo.

47 Telo arivo monja no notanany tao aminy, ka ny 2.000 tamin’ireo indray, nalefany ho any Galilea, ka 1.000 sisa no nanaraka azy.

48 Kanjo nony vao tafiditra tao Ptôlemaisa i Jônatasy dia nohidian’ny mponina ny vavahady ka nosamboriny izy, dia novonoiny tamin’ny sabatra avokoa izay rehetra niara-niditra taminy.

49 Tamin’izay ihany koa, dia nandefa miaramila ama-mpitaingin-tsoavaly i Trifôna ho any Galilea sy amin’ny tany lemaka lehibe, hamono ny miaramilan’i Jônatasy rehetra.

50 Nefa nandre kosa ireo fa hoe voasambotra i Jônatasy sady niara-novonoina tamin’izay rehetra nanaraka azy; ka nifamporisika teo izy, dia rafitra nandroso, nilahatra tsara, vonon-kiady.

51 Nony hitan’ireo nanenjika azy fa vonon-kiaro ny ainy izy ireo, dia niverina ilalana izy;

52 fa izy rehetra ireo kosa nody tsy nisy mpanelingelina amin’ny tanin’i Jodea. Nitomany an’i Jônatasy sy ny namany izy ireo, ary raiki-tahotra mafy izy: nanao fisaonana lehibe avokoa i Israely rehetra.

53 Tamin’izany ny firenena manodidina, nitady handevona azy avokoa, fa hoy izy:

54 «Efa tsy manan-doha na mpanampy na iza na iza izy ireo, ka ndeha hasiantsika amin’izao, ataovy levona ny fahatsiarovana an’ireo, ao amin’ny olombelona.»

Categories
1Makabeo

1Makabeo 13

Nitondra ny fahefana i Simôna

1 Ren’i Simôna fa namory tafika lehibe i Trifôna hananika ny tanin’i Jodà, sy handrava azy.

2 Nony hitany fa raiki-tahotra sy nivadi-po ny vahoaka, dia niakatra tany Jerosalema izy, niantso ny vahoaka hivory,

3 sy namporisika azy, nanao hoe: «Fantatrareo izay rehetra efa nataon’ireo rahalahiko, sy izaho koa mbamin’ny fianakavian-draiko rehetra, mba hiaro ny lalàna amam-pivavahantsika, ary ny ady notohananay mbamin’ny fahoriana niaretanay.

4 Fa izany no nahafatesan’ireo rahalahiko rehetra ho an’i Israely, ary izaho no hany sisa.

5 Koa ankehitriny, sanatria ahy izay hitsitsy ny aiko na oviana na oviana amin’ny androm-pahoriana, satria tsy mihoatra noho ny rahalahiko aho.

6 Fa ny tiako dia ny hamaly ny ratsy atao amin’ny fireneko, ny fitoerana masina, ny vady aman-janatsika, satria tafakambana handrava antsika noho ny fialonana ny firenena rehetra.»

7 Nirehitra ny fon’ny vahoaka, nony nandre izany teny izany,

8 ka namaly tamim-pihobiana izy nanao hoe: «Ianao no lehibenay, dimbin’i Jodasy sy i Jônatasy rahalahinao.

9 Tariho izahay amin’ny ady, fa hotovinay avokoa izay holazainao.»

10 Dia novorin’i Simôna avokoa ny lehilahy mpiady, nohafainganiny ny famitana ny mandan’i Jerosalema ary nohamafisiny io tanàna io, eny amin’ny manodidina azy rehetra.

11 Niaraka tamin’izany, nalefany ho any Jôpe i Jônatasy zanak’i Absalôma, nitondra miaramila betsaka, ka noroahin’io ny mponina tao, dia izy no nitoetra tao an-tanàna.

Voatosik’i Simôna hiala an’i Jodea i Trifôna

12 Niala tao Ptôlemaisa i Trifôna nitondra tafika lehibe hananika ny tanin’i Jodà; nentiny mifatotra koa i Jônatasy niaraka taminy.

13 I Simôna kosa niorin-toby tao Hadidà, tandrifin’ny tany lemaka.

14 Nony ren’i Trifôna fa hoe i Simôna no nandray ny fanapahana, nisolo an’i Jônatasy rahalahiny, sady efa nivonon-kiady, dia nandefa iraka ho any aminy izy hilaza hoe:

15 «Noho ny vola tsy maintsy aloan’i Jônatasy rahalahinao, amin’ny firaketan’ny mpanjaka, avy amin’ny raharaha nataony, no itananay azy mifatotra.

16 Koa mandefasa talenta volafotsy 100, mbamin’ny zanany roa lahy mbola kely koa, hatao antoka mba tsy hivadihany hamely anay, rehefa afaka, dia halefanay izy ho afaka.»

17 Fantatr’i Simôna fa ny hamitahany azy no nitenenan’ireo iraka ireo taminy toy izany, nefa nalefany ihany ny vola mbamin’ireo zaza roa lahy, mba tsy hihatra aminy ny fankahalana lehibe avy amin’ny vahoakan’i Israely, izay nety nilaza hoe:

18 «Ny tsy nandefasan’i Simôna ny talenta volafotsy 100 sy ireo zaza roa, no nahafaty an’i Jônatasy.»

19 Koa nalefany ireo zaza sy ny talenta volafotsy 100, kanjo dia nivadi-teny tokoa i Trifôna, fa tsy nandefa an’i Jônatasy.

20 Nanaraka izany, nandroso hanosy sy hanimba ny tany i Trifôna, nisafelika izy nihazo ny lalan’i Adôrà; notanahin’i Simôna sy ny tafiny anefa izy, na taiza na taiza nalehany.

21 Nandefa iraka ho any amin’i Trifôna ny olona tao amin’ny trano mimanda, tao Jerosalema, nangataka azy ho tonga faingana hihazo any an’efitra, hitondra hanina ho azy.

22 Dia nandahatra ny mpitaingin-tsoavaliny rehetra i Trifôna hahatongavany ny alin’iny ihany; kanjo latsaka be dia be ny oram-panala, ary tsy afa-ko tonga tao Jerosalema izy, noho ny oram-panala; ka lasa izy nankany Galaada.

23 Nony mby teo akaikin’i Baskama izy, novonoiny i Jônatasy dia nalevina tamin’izany tany izany io.

24 Niala teo i Trifôna dia nody ho any amin’ny taniny.

Ny nandevenana an’i Jônatasy tao amin’ny fasan’ny mahery fo naorin’i Simôna

25 Naniraka olona i Simôna haka ny taolan’i Jônatasy rahalahiny, dia nandevina azy tao Modìna tanànan-drazany.

26 Nisaona azy fatratra i Israely, ary narahiny andro maro no nitomaniany azy.

27 Nanorenan’i Simôna rafi-bato avo tsara mba ho tazan-davitra, teo ambonin’ny fasan-drainy aman-drahalahiny, nataony tamin’ny vato voalama eo anoloany sy any ivohony.

28 Dia piramida fitomifanatrika no nasainy natsangana teo ambony, ho an-drainy aman-dreniny sy ho azy efa-dahy rahalahiny.

29 Nasainy nasiana haingo sy nohodidinina andry avo, notaingenana fiadiana, ho fahatsiarovana mandrakizay, ary teo anilan’ny fiadiana nasiany sambo voasokitra natao tazan’izay rehetra miantsamboeny amin’ny ranomasina.

30 Toy izany ny fasana nasain’i Simôna natsangana tao Modìna izay mbola ao mandrak’androany.

Fanasoavan’i Demetriosa faha-2 an’i Simôna

31 Nanaovan’i Trifôna hafetsena koa indray i Antiôkosy, mpanjaka tanora, ka novonoiny.

32 Dia izy no nanjaka nandimby azy, sy nitondra ny satro-piandrianan’ny mpanjakan’i Asia, ary nampidi-doza lehibe maro tamin’ny tany.

33 Naorin’i Simôna indray ireo trano mimanda tany Jodea, nasiany tilikambo avo, manda avo, vavahady misy hidiny, sady nametrahany hanina fitahiry.

34 Nifidy olona koa i Simôna nirahiny ho any amin’i Demetriosa mpanjaka, hangataka fanafahana ho an’i Jodea, satria raharahan-tontakely avokoa ny nataon’i Trifôna.

35 Nasain’i Demetriosa mpanjaka nomena valy mifanaraka amin’izany izy, ka izao no taratasy nosoratany ho azy:

36 «I Demetriosa mpanjaka, manoratra ho an’i Simôna mpisorona lehibe sady sakaizan’ny mpanjaka, sy ho an’ny loholona amam-pirenen’ny Jody: Arahaba!

37 Voarainay ny satrok’andriana volamena sy ny palma nampitondrainareo, ka vonona izahay hanao fanekem-pihavanana tanteraka aminareo sy hanoratra amin’ny mpanao raharaham-panjakana hanome fanafahana samihafa anareo.

38 Izay rehetra efa voatapakay ny aminareo aloha dia tsy miova, ny trano mimanda naorinareo dia aoka ho anareo.

39 Avelanay avokoa ny tsy efanareo taloha sy izay hadisoanareo hatramin’izao andro izao; toy izany koa izay hasin’andriana tsy maintsy aloanareo, ary raha nisy hetra hafa nalaina tao Jerosalema, dia aza alaina intsony izany.

40 Raha misy aminareo mazoto hilatsa-tenany ho isan’ny miaramila mpiambina ny tenanay, aoka izy hilatsaka ary aoka hihavana isika.»

41 Tamin’ny taona faha-170i Israely afaka tamin’ny jiogan’ny firenena,

42 ary ny vahoakan’i Israely nanomboka nanoratra tamin’ny soratra amam-panekena hoe: «Tamin’ny taona voalohany nanapahan’i Simôna mpisorona lehibe, be fiamboniana, sy mpanapaka ny Jody.»

Ny nakan’i Simôna an’i Gazà

43 Tamin’izany andro izany i Simôna nandroso hamely an’i Gazà; nasainy nosaronan’ny miaramila io, dia nanangana tilikambo fiadianaizy nasainy hamelezana ny tanàna, ka izany no nahabangàny ny tilikambo anankiray, dia lasany io.

44 Nirotsahan’ireo tao amin’ny tilikambo fiadiana ny tanàna, ka loza ny hatairana vokatr’izany.

45 Niakatra teny ambony manda ny mponina, nomban’ny vady aman-janany, manao fitafiana rovitra, mandefa feo fitarainana mafy, mangataka an’i Simôna hanao raharaham-pihavanana aminy, nanao hoe:

46 «Aza dia mitondra anay araka ny haratsiam-panahinay, fa araka ny indrafonao.»

47 Nety nifonan’ireo ihany i Simôna ka tsy nasiany intsony, nefa noroahiny ny mponina tao an-tanàna, nodioviny ny trano nisy sampy, dia niakatra ny tanàna tamin-kira fiderana amam-pisaorana izy.

48 Nony voaesony avokoa ny loto tao an-tanàna, dia nametrahany olona mpankatò ny lalàna tao, dia nohamafisiny ary nanorenany trano ho azy koa.

Ny nahazoan’i Simôna ny trano mimandan’i Jerosalema

49 Ireo olona tao amin’ny trano mimandan’i Jerosalema anefa tsy nahazo nivoaka na nandeha tamin’ny tany, na hividy na hivarotra, ka voan’ny mosary mafy, ary maro be no matin’ny hanoanana.

50 Niantso mafy izy nangataka an’i Simôna hanao raharaham-pihavanana aminy; dia nekeny izany; fa noroahiny hiala tao izy ary nodioviny ho afaka amin’ny loto rehetra ny trano mimanda.

51 Nony tamin’ny andro faha-23n’ny volana faharoa, taona faha-171 izy, niakatra tao tamin-kira fiderana, sampan-drofia, valiha, kipantsona, harpa, nanao hira amam-piderana, fa rava ny fahavaloben’i Israely.

52 Nodidiany hankalazaina isan-taonaizany andro fifaliana izany.

53 Nohamafisiny ny tendrombohitry ny tempoly, izay eo anilan’ny trano mimanda, dia nonina teo izy sy ny momba azy.

54 Ary hitan’i Simôna fa nitsangana ho lehilahy be herim-po i Joany zanany; koa dia natolony azy ny fifehezana ny miaramila rehetra, ary i Gazàra no nataony fonenany.

Categories
1Makabeo

1Makabeo 14

Fiderana an’i Simôna

1 Tamin’ny taona faha-172, novorin’i Demetriosa mpanjaka ny miaramilany, dia nankany Media izy, haka miaramila mpanampy, hoentiny miady amin’i Trifôna.

2 Nony ren’i Arsasa, mpanjakan’i Persa sy i Media, fa niditra ny faritaniny i Demetriosa, dia nirahiny hanao azy sambo-belona ny iray tamin’ireo jeneraliny.

3 Dia roso io, ka ny tafik’i Demetriosa noreseny, ary ny tenany nosamboriny, ka nentiny ho any amin’i Arsasa, sy nataon’io an-tranomaizina.

4 Nandry feizay ny tanin’i Jodà, nandritra ny andro rehetra nitondran’i Simôna. Nikely aina hampandroso ny vahoakany izy, ka nankasitrahin’ny vahoaka ny fahefana amam-boninahiny, tamin’izany andro rehetra izany.

5 Tsy holazaina ny zavatra sasany nahazoany voninahitra fa izao ihany: nahazo an’i Jôpe izy hataony fitodian-tsambo, hifankahazoany amin’ireo nosin-dranomasina.

6 Nampitatra ny sisin-tanim-pireneny izy, ka nahazo nizaka ny tany.

7 Nahazo sambo-belona maro izy, nahafaka an’i Gazàra, i Betsora, ary ny trano mimanda, ka nesoriny avokoa ny loto tamin’ireo, ary tsy nisy olona nahatohitra azy.

8 Ny olona samy niasa ny taniny amim-piadanana, ny tany namokatra ny vokany, ny hazo eny an-tsaha kosa, ny voany,

9 ny anti-dahy nipetraka teo an-kianja, samy niresaka ny fandrosoan’ny tanyavokoa, ny tovolahy nanao ny akanjo fitondra amin’ny ady ho haingo,

10 i Simôna nizara hanina fitahiry any amin’ny tanàna, sy namonona izay ilaina rehetra ho fiarovana, hany ka nalaza hatrany am-para vazantany ny anarany be voninahitra.

11 Naveriny amin’ny tanindrazany indray ny fiadanana, ka nifaly tamin-karavoana lehibe i Israely.

12 Samy nipetrapetraka teny ambany voalobony aman’aviaviny avy ny olona.

13 tsy nanam-pahavalo hamely azy ao amin’ny tany izy, ary resy avokoa ny mpanjaka fahavalony, tamin’izany andro izany.

14 Tohan’ny mahantra rehetra teo amin’ny fireneny izy, niseho ho mazoto ho an’ny lalàna izy, ary namongotra ny mpankahala ny fivavahana sy ny ratsy fanahy rehetra koa.

15 Nomeny voninahitra ny fitoerana masina, ary nampitomboiny ny fanaka masina.

Fanazavana ny fihavanan’i Sparta sy i Rôma

16 Nony re tany Rôma sy hatrany Sparta fa hoe, maty i Jônatasy, dia nalahelo mafy ry zareo tany.

17 Ary nony fantany fa hoe i Simôna rahalahiny no mpisorona lehibe nandimby azy, sy nizaka ny tany rehetra mbamin’ny tanàna rehetra ao aminy,

18 dia nanoratra ho any aminy, tamin’ny takela-barahina izy ireo, hanavao ny fanekem-pihavanana nataony tamin’i Jônatasy rahalahiny.

19 Novakina teo anatrehan’ny fiangonana rehetra tany Jerosalema ny taratasy, ary izao no kôpian’ny nampitondrain’ny Sparsiata:

20 «Ny lehiben’ny Sparsiata sy ny tanàna manoratra ho an’i Simôna mpisorona lehibe, ny loholona, ny mpisorona, ary ny vahoaka sisa Jody rahalahin’ireo: Arahaba!

21 Voaresak’ireo ambasadaoro nalefa ho atỳ amin’ny firenenay, ny haja amam-boninahitra anananareo, sady nahafaly anay ny nahatongavan’izy ireo.

22 Ary nosoratanay ho isan’ny teny ieram-bahoaka ny voalazan’izy ireo, dia izao: I Nomeniôsa zanak’i Antiôkosy, sy i Antipatera zanak’i Jasôna ambasadaoron’ny Jody, dia tonga tatỳ aminay hanavao ny fihavanany aminay.

23 Ka sitraky ny vahoaka ny nandray an’ireo lehilahy ireo tamim-boninahitra, sy nametraka ny kôpian’ny lahateny, ao amin’ny fitahirizam-bokim-panjakana, mba hahatahirizan’ny vahoaka Sparsiata ny fahatsiarovana azy. Ary nasainay nosoratana ho any amin’i Simôna mpisorona lehibe izao kôpiany izao.»

24 Tatỳ aorian’izany, nalefan’i Simôna ho any Rôma i Nomeniôsa nitondra ampinga volamena lehibe, lanjan’arivo mina, mba hahazo antoka ny fanekena amin’izy ireo.

Fanondrotam-boninahitra an’i Simôna

25 Nony nandre ireo zavatra ireo ny vahoaka, dia nanao hoe: «Inona no mariky ny fankasitrahana hatolotsika an’i Simôna sy ireo zanany?

26 Fa samy naneho herim-po tsy mety ketraka, na izy, na ireo rahalahiny, na ny fianakavian-drainy: niady sy nanosika ny fahavalon’i Israely izy ireo, ary nanao izay hahazoany fahafahana.» Dia nosokirin’izy ireo tamin’ny takela-barahina izany zavatra izany, ka nahantony tamin’ny andry anankiray tao an-tendrombohitra Siôna izany;

27 ary izao no kôpiany:

Tamin’ny andro faha-18n’ny volana Elola, taona faha-172, fahatelon’ny taona naha-mpisorona lehibe an’i Simôna, tao Saramela,

28 tamin’ny fivorian-dehibe, nivorian’ny mpisorona mbamin’ny vahoaka, ny lehiben’ny firenena ary ny loholon’ny tany, dia navoaka ampahibemaso izao:

Tamin’ireo ady maro natao teto amin’ny tanintsika,

29 i Simôna zanak’i Matatiasa amin’ny taranak’i Jariba, mbamin’ireo rahalahiny, dia nanao vy very ny ainy, sy nanohitra ireo fahavalon’ny firenena, mba hijoroan’ny fitoerana masina mbamin’ny lalàna, ary nampahazo voninahitra lehibe ny fireneny izy ireo.

30 I Jônatasy namory ny fireneny sy tonga mpisorona lehibe tao amin’izy ireo, vao nangonina ho any amin’ny vahoakany.

31 Dia nitady hanitsaka sy hanafoana ny taniny ireo fahavalony, sady haninji-tanana amin’ny fitoerana masina.

32 Fa nitsangana tamin’izay kosa i Simôna niady hiaro ny fireneny; vola aman-karenan’ny tenany betsaka no nolanîny namononana fiadiana ho an’ny lehilahy mahery teo amin’ny fireneny sady nomeny karama izy ireo.

33 Nohamafisiny ny tanànan’i Jodea mbamin’i Betsora miorina eo amin’ny sisin-tany izay nisy ny fiadian’ny fahavalo taloha, dia nametrahany miaramila Jody.

34 Nohamafisiny i Jôpe, miorina eo amoron-dranomasina, sy i Gazàra eo amin’ny sisin-tanin’i Azota, nonenan’ny fahavalo teo aloha: dia Jody no namponeniny tao, sy namononany ny zavatra rehetra ilainy hiarenany indray.

35 Nony hitan’ny vahoaka ny nataon’i Simôna sy ny voninahitra kendreny ho azon’ny fireneny, dia natsangany ho lehibeny sy ho mpisorona lehibe izy, noho ny zavatra rehetra namonjeny ny fireneny, noho izy nanao ny marina sy niraiki-po tamin’ny fireneny, ary noho izy nanao izay tratra amin’izay rehetra azo natao hanandratra ny fireneny.

36 Raha mbola velona koa izy, vanona avokoa ny zavatra teo an-tanany, vitany hatramin’ny nandroaka ny firenen-kafa teo amin’ny tany izay nonenany, mbamin’ireo izay teo amin’ny tanànan’i Davida tao Jerosalema, izay efa nahavita trano mimanda, ka nivoaka avy ao nandoto ny manodidina ny fitoerana masina sy nametaveta fatratra ny fahamasinany.

37 Nametrahany Jody mpiandry mahery tao, sy nohamafisiny koa, mba ho azo antoka ny fiarovana ny tany sy ny tanàna, ary nasondrony ny mandan’i Jerosalema.

38 Noho izany, notapahin’i Demetriosa mpanjaka fa izy no ho mpisorona lehibe,

39 notondroiny ho sakaizany izy, ary nomeny voninahitra ambony.

40 Satria reny fa hoe ny Rômanina dia niantso ny Jody ho sakaiza aman-kavana ary rahalahy, sady nandray tamim-panajana ny irak’i Simôna.

41 Ka dia sitraky ny Jody sy ny mpisorona ny haha-mpanapaka sy mpisorona lehibe mandrakariva an’i Simôna mandra-pisehon’izay mpaminany mendrika hinoana;

42 ka dia izy no hifehy ny tafik’izy ireo, hikarakara ny zava-masina, hanendry ny lehibe amin’ny raharaham-panjakana izay hitondra ny tany sy hitandrina ny fiadiana ary hiaro ny trano mimanda;

43 izy no hikarakara ny zava-masina; hanaiky azy ny olona rehetra ary ny raharaham-panjakana rehetra amin’ny tany hosoratana amin’ny anarany, ary hitondra akanjo jaky sy volamena izy.

44 Na iza na iza amin’ny vahoaka, na amin’ny mpisorona, tsy misy mahazo mitsipaka amin’ireo zavatra vao voalaza ireo, na dia iray aza, na manohitra ny didy omeny, na dia iray aza, na miantso fivoriana eo amin’ny tany, na dia iray aza, raha tsy nomeny lalana; na mitondra akanjo jaky aman-jaigrafy volamena.

45 Na iza na iza manao zavatra mifanohitra amin’izany, na mandika ny sasany aminy, ho voaheloka hosazina.

46 Sitraky ny vahoaka ny hanomezana fahefana an’i Simôna hanao araka izany didy izany.

47 Neken’i Simôna izany, nankasitrahiny tsara ny hanao ny raharahan’ny mpisorona lehibe, lohan’ny tafika, mpanapaka ny Jody mbamin’ny mpisorona, ary hanao ny raharahan’ny mpifehy ambony indrindra.

48 Dia tapaka fa hosoratana amin’ny takela-barahina izany teny izany, ka hapetraka amin’ny lalan-tsara ao amin’ny tempoly amin’ny fitoerana miharihary;

49 ary hasiana kôpian’izany koa ao amin’ny efitrano firaketana mba hoentin’i Simôna sy ny zanany amin’izay ilany azy.

Categories
1Makabeo

1Makabeo 15

Nankatoavin’i Antiôkosy faha-7 ny fahefan’i Simôna, ary nahitsony tao Dôrà i Trifôna

1 Avy teo amin’ireo nosin-dranomasina no nandefasan’i Antiôkosy zanak’i Demetriosataratasy ho an’i Simôna mpisorona sy lehiben’ny Jody sy ho an’ny firenena rehetra.

2 Toy izao no voasoratra ao: «Ny mpanjaka Antiôkosy manoratra ho an’i Simôna mpisorona lehibe sy mpifehy faritany, ary ho an’ny firenena Jody: Arahaba!

3 Noho ny nahazoan’ireo olon-dratsy ny fanjakan’ny razanay, dia tiako ny haka azy indray, hampodiako azy amin’ny toetrany taloha, ka efa namory miaramila maro sy nanomana sambo mpiady betsaka aho;

4 ary nikasa hiakatra any amin’ny tany aho izao, hamaly ny ratsy nataon’ireny, izay nandringana ny tany sy nandrava ny tanàna maro be tao amin’ity fanjakana ity.

5 Ankatoaviko avokoa ny fanafahana amin’ny hetra nomen’ireo mpanjaka talohako anao, mbamin’ny fanafahana hafa rehetra nomeny anao koa.

6 Omeko alalana ianao hanefy vola misy ny sarinao ho an’ny taninao.

7 Aoka hahazaka tena i Jerosalema sy ny tempoly; apetraka ho anao avokoa ny fiadiana nataonao, mbamin’ny trano mimanda naorinao sy tananao.

8 Apetraka ho anao koa ny zavatra rehetra tsy maintsy naloa na mbola haloa amin’ny rakitry ny mpanjaka, hatramin’izao sy mandrakizay.

9 Rehefa tafiditra avy nahazo ny fanjakanay indray izahay, dia homenay voninahitra lehibe ianao sy ny firenenao ary ny fitoerana masina, ka hamirapiratra eran’izao tontolo izao ny voninahitrareo amin’izany.»

10 Tamin’ny taona faha-174 dia niroso ho any amin’ny tanindrazany i Antiôkosy, ary tonga nilahatra homba azy avokoa ny miaramila, hany ka lehilahy vitsivitsy sisa tafajanona teo amin’i Trifôna.

11 Nanomboka nanenjika azy i Antiôkosy mpanjaka, ka any Dôrà, amoron-dranomasina, i Trifôna no niezaka nandositra;

12 satria hitany fa ratsy maro no mivangongo aminy, sady ny tafiny koa nandao azy.

13 Tonga nitoby teo anoloan’i Dôrà i Antiôkosy nitondra mpiantafika 120.000, sy an-tsoavaly 8.000.

14 Notemerany ny tanàna, fa nanatona avy etsy an-daniny teo amin’ny ranomasina koa ny sambo, ka voateriny izy na an-tanety na an-dranomasina, tsy nisy olona navelany hiditra na hivoaka.

Niverina tany Jodea ireo iraka tany Rôma. Nambara ny fanekem-pihavanana tamin’ny Rômanina

15 Tamin’izany no tonga avy any an-tanànan’i Rôma i Nomeniôsasy ireo nanaraka azy, nitondra taratasy ho an’ny mpanjaka sy ny faritany rehetra, ka izao no teny tao aminy:

16 «I Losiosa konsilin’ny Rômanina manoratra ho an’i Ptôlemea mpanjaka: Arahaba!

17 Tonga tatỳ aminay, araka ny maha havana azy sy mpikambana aminay, ny ambasadaoron’ny Jody nirahin’i Simôna mpisorona lehibe mbamin’ny vahoaka Jody, hanavao ny fanekena amam-pihavanana natao taloha.

18 Nitondra ampinga volamena lanjan’arivo mina izy ireo.

19 Noho izany, sitrakay ny manoratra ho an’ny mpanjaka sy ny firenena, mba tsy hanao izay hamohehatra azy, na hiady amin’izy ireo, na amin’ny tanànany, na amin’ny fireneny, na hanampy an’izay miady aminy.

20 Sitrakay ny nandray izany ampinga izany tamin’izy ireo.

21 Koa raha misy olon-dratsy nitsoa-ponenana tany amin’izy ireo, tonga atỳ aminareo, dia atolory an’i Simôna mpisorona lehibe izy, hofaizany araka ny lalàny.»

22 Izany taratasy izany dia nalefany koa ho an’i Demetriosampanjaka, i Atala, i Ariarata, i Arsasa,

23 ary koa amin’ny faritany rehetra: Lampsàka, ny Sparsiata, Delôsa, Minda, Sisiôna, Karia, Samôsa, Panfilia, Lisia, Halikarnasa, Rôda, Faselisa, Kaosa, Sida, Aradôsy, Gôrtìna, Knida, Sipra, ary Sirena.

24 Nokôpiazin’izy ireo izany taratasy izany, ho an’i Simôna mpisorona lehibe.

Nanao fahirano an’i Dôrà i Antiôkosy faha-7 sy nitsipaka an’i Simôna ary naniraka olona hiteny azy

25 Tamin’ny andro faharoa, dia nasian’i Antiôkosy mpanjaka i Dôrà; narosony, narosony ihany ny miaramilany hanakaiky azy, sady nanorina milina izy, ka voahidiny tao i Trifôna, tsy nisy afa-niditra na nivoaka.

26 Tamin’izay i Simôna nandefa fanampiana ho any aminy, dia miaramila 2.000 voafantina mbamin’ny volafotsy sy volamena ary fiasana be ihany.

27 Tsy nety nandray izany ny mpanjaka, fa notsipahiny ny fanekena rehetra nataony taloha tamin’i Simôna, dia nihatahany izy.

28 I Atenôbiosa, iray amin’ireo sakaizany, no nirahiny hiresaka aminy sy hilaza aminy hoe: «Ianareo efa mitàna an’i Jôpe, i Gazàra, ny trano mimandan’i Jerosalema tanànan’ny fanjakako;

29 nandrava ny manodidina azy ka nanimba zavatra be teo amin’ny tany, ary nahalasa toerana betsaka anisan’ny fanjakako.

30 Koa ankehitriny, atolory ny tanàna nalainareo sy ny hetran’ny tany lasanareo, ivelan’ny faritanin’i Jodea,

31 na manomeza ianareo talenta volafotsy 500, ho solon’izany, sy talenta 500 hafa koa, noho ny fanimbana nataonareo sy ny hetra tandrifin’ireo tanàna ireo; fa raha tsy izany, dia ho avy hiady aminareo izahay.»

32 Nony tonga tao Jerosalema i Atenôbiosa sakaizan’ny mpanjaka, ka nahita ity firentirentin’i Simôna, izato latabatra rakotry ny kapoaka volamena sy volafotsy mbamin’ity voninahitra be nisehoany, dia nitolagaga erỳ, ka ny tenin’andriana no naveriny nolazaina.

33 Fa hoy i Simôna taminy: «Tsy naka tanin’olona hafa izahay, na nahalasa zavatr’olona. fa ny lovan-drazanay izay notanan’ny fahavalonay tsy an-drariny, nandritra ny fotoana vitsivitsy ihany.

34 Ka nony nahita fotoana tsara hohararaotina izahay, dia nanaraka ny lovan-drazanay.

35 Ary raha ny amin’i Jôpe sy i Gazàra izay takìnao dia nanisy ratsy be loatra ny firenenay sy ny taninay ireo tanàna roa ireo; nefa hanome talenta zato ihany izahay noho ny amin’ireo.» Tsy namaly i Atenôbiosa na indraimbava aza,

36 fa lasa izy niverina an-katezerana ho any amin’ny mpanjaka, nilaza taminy ny valy nataon’i Simôna, ny hakanton’ny ao an-dapany, mbamin’izay rehetra hitany, ka nahatezitra mafy ny mpanjaka izany.

I Sendebe governoran’ny Morontsiraka, mamely an’i Jodea

37 Ary i Trifôna kosa nandositra an-tsambo ho any Ortôsiasa.

38 Ka dia i Sendebe no notendren’ny mpanjaka ho komandy teo amin’ny moron-dranomasina sady nomeny foloalindahy an-tongotra sy an-tsoavaly.

39 Ary nandidy azy izy hiorin-toby tandrifin’i Jodea, hanamafy an’i Gedôra, hanamafy ny vavahadin’io, ary hiady amin’ny vahoaka. Ny mpanjaka kosa tamin’izany, nanenjika an’i Trifôna.

40 Dia nankany Jamnià i Sendebe ka nanomboka nanorisory ny vahoaka, nananika an’i Jodea, nanao sambo-belona, ary nanao vonoana olona.

41 Nohamafisiny i Gedôra, dia nametrahany miaramila an-tongotra sy an-tsoavaly, hivoaka hanafika sy hampidi-doza eny an-dalamben’i Jodea araka ny nandidian’ny mpanjaka azy.

Categories
1Makabeo

1Makabeo 16

Ny nandresen’ireo zanak’i Simôna an’i Sendebe

1 Niakatra avy any Gazàra i Joany, ka tonga nilaza tamin-drainy ny nataon’i Sendebe.

2 Dia nantsoin’i Simôna i Jodasy sy i Joany zanany roa lahy zokiny indrindra, ka hoy izy taminy: «Izaho sy ireo rahalahiko, dia nandresy ny fahavalon’i Israely hatramin’i fahatanoranay ka mandraka androany, ary matetika izahay no nahavatra namonjy an’i Israely tamin’ny tananay.

3 Ankehitriny izaho ity efa antitra, ianareo kosa efa ampy taonanoho ny fitahian’Andriamanitra, ka aoka ianareo handimby ahy sy ny rahalahiko; mandehana miady ho an’ny firenentsika, ary homba anareo anie ny fanampiana avy amin’ny lanitra.»

4 Dia nifantina mpiantafika 20.000 sy mpitaingin-tsoavaly tany amin’ny tany izy, ka niainga ireo hamely an’i Sendebe: nitoby alina tao Modìna izy ireo.

5 Nifoha maraina izy ireo dia niroso ho eo amin’ny tany lemaka, ka indro tafika maro be an-tongotra sy an-tsoavaly no tamy hifanehatra aminy; ny lalan’ny ranon-driaka anankiray no nanelanelana azy ireo.

6 Niorin-toby teo an-tandrifin’izy ireo i Joany sy ny tariny. Hitany fa matahotra ny hita ny ranon-driaka ny miaramilany, ka dia izy no nìta voalohany; nony nahita izany ireto mpiantafiny, dia nìta nanaraka azy.

7 Nozarainy ho antokony roa ny tafiny, ary nalahany teo anelanelan’ny miaramila an-tongotra ny an-tsoavaly; ny an-tsoavalin’ny fahavalo izany maro dia maro.

8 Dia notsofin’izy ireo ny trômpetra, ka vaky nandositra i Sendebe sy ny tafiny; maro no nitsingidina maty, ary ny sisa nitady fialofana tao amin’ny trano mimanda.

9 I Jodasy rahalahin’i Joany naratra tamin’izay, fa i Joany kosa nanenjika ny mpandositra ambara-pipakany tany Gedôra izay nohamafisin’i Sendebe.

10 Nandositra hatrany amin’ireo tilikambo teo an-tsahan’i Azota ireo resy; ary izy kosa nandoro ny tanàna tamin’ny afo. 2.000 tamin-dry zareo no maty vao niverina soa aman-tsara ho any Jodea i Joany.

Ny namonoana an’i Simôna tao Dôka. I Joany no nandimby azy

11 I Ptôlemea zanak’i Abobôsa dia voatendry ho komandin’ny miaramila eo amin’ny tany lemak’i Jerikô; nanam-bolamena sy volafotsy betsaka izy,

12 fa vinanton’ny mpisorona lehibe ka tonga niavonavona tao am-pony.

13 Naniry ho tonga tompon’ny tany izy, ka nisain-dratsy hamadika an’i Simôna mbamin’ireo zanany, mba hahafaty an’ireo.

14 I Simôna izany nitsiditsidika ireo tanànan’i Jodea, nilozoka tamim-pitandremana lehibe amin’izay hiadanan’izy ireo, ka nidina tany Jerikô izy mbamin’i Matatiasa zanany, sy i Jodasy, tamin’ny taona faha-177, volana faha-11, dia volana Sabataizany.

15 Noraisin’ity zanak’i Abobôsa tamim-kafetsena izy ireo, tao amin’ny trano mimanda kely nampanaoviny, atao hoe Dôka; nanomana fanasana lehibe ho azy ireo izy ary nasiany miaramila niafina tao.

16 Nony mamo i Simôna sy ireto zanany, nitsangana i Ptôlemea sy iretsy miaramilany, noraisiny ny fiadiany, dia niantoraka tamin’i Simôna tao an-trano fanasana izy, ka namono azy sy ireo zanany roa lahy, mbamin’ny mpanompony vitsivitsy.

17 Sady nahavita famadihana lehibe izy tamin’izany no namaly ratsy ny soa.

18 Nanoratra niaraka tamin’izay i Ptôlemea ho any amin’ny mpanjaka, hilaza aminy ny zava-niseho sy nangataka azy handefa miaramila hanampy azy, mba hanolorany aminy ny tany aman-tanànan’ny Jody.

19 Naniraka olon-kafa koa izy ho any Gazàra hamono an’i Joany; ary nandefasany taratasy ireo jeneraly, nantsoiny hanatona azy, homeny volafotsy sy volamena ary fanomezana.

20 Nisy olona hafa koa nalefany hitana an’i Jerosalema sy ny tendrombohitry ny tempoly.

21 Saingy lasa teo aloha ny iraka anankiray, ka tonga nilaza tamin’i Joany tao Gazàra ny namonoana an-drainy mbamin’ireo rahalahiny, sady nanampy teny izy hoe: «Naniraka mpanompo koa izy hamono anao.»

22 Ana foana teo i Joany nony nandre izany vaovao izany; nosamboriny ireo olona tonga hamono azy, dia novonoiny, satria fantany ny fikasany hamono azy.

23 Ny sisa amin’ny tantaran’i Joany, ny ady nataony, ny herim-po nasehony, ny manda nampanaoviny, mbamin’ny zava-nataony rehetra,

24 dia efa voasoratra avokoa, ao amin’ny Tantaran’ny naha-mpisorona lehibe azy, hatramin’ny andro nahatonga azy ho mpisorona lehibe nandimby an-drainy.

Categories
2Makabeo

2Makabeo 1

TARATASY VOALOHANY

1 «Ho an’ireo Jody rahalahiny any Ejipta: Arahaba! Ny Jody rahalahiny ao Jerosalema sy ny amin’ny tanin’i Jodà maniry fiadanana tsara!

2 Hanasoa anareo anie Andriamanitra, ary hahatsiaro ny fanekeny tamin’i Abrahama, i Isaaka, sy i Jakôba, mpanompony mahatoky.

3 Ianareo rehetra anie samy homeny fo mitsaoka Azy sy manatanteraka ny sitrapony amin-jotom-po sy fankasitrahana.

4 Hosokafany ho an’ny lalàny amam-pitsipiny anie ny fonareo, ary hasiany fiadanana.

5 Hihaino ny vavakareo anie Izy sy hihavana aminareo indray ka tsy handao anareo amin’ny andron’ny fahoriana.

6 Ary izahay atỳ izao dia mivavaka ho anareo.

7 Tamin’ny andro nanjakan’i Demetriosa, taona faha-169, nanoratra ho anareo izahay Jody, tanatin’ny fahoriana mangidy indrindra izay tonga tamin’izany taona izany, dia hatramin’ny nivadihan’i Jasôna mbamin’ny mpiandany aminy, tsy hiaro ny tany masina sy ny fanjakana.

8 Nodoran’ny olona ny varavaran’ny tempoly, nalatsany ny ra tsy manan-tsiny. Nivavaka tamin’ny Tompo izahay tamin’izany, ary nohenoina ny vavakay, ka dia nanatitra ny sorona sy ny lafarina tsara indrindra izahay, sady nandrehitra ny jiro sy nandahatra ny mofo.

9 Koa ankehitriny manoratra ho anareo indray izahay, mba hankalazanareo ny andron’ny fetin’ny Tabernaklafanao amin’ny volana Kasleo.»

10 Amin’ny taona faha-188.

Fiarahabana

«Ny atỳ Jerosalema sy Jodea, ny parlemanta sy i Jodasamanoratra ho an’i Aristôbôla, mpanolo-tsain’i Ptôlemea mpanjaka, isan’ny fianakavian’ny mpisorona voahasina, sy ho an’ny Jody any Ejipta: Arahaba! Fiadanana!

Fisaorana an’Andriamanitra tamin’ny nanasaziany an’i Antiôkosy

11 Novonjen’Andriamanitra tamin’ny loza lehibe izahay, ka misaotra Azy indrindra, dia izahay vonon-kiady amin’ny mpanjaka.

12 Fa Andriamanitra mihitsy no nanosika an’ireo nilahatra hamely ny tanàna masina.

13 Satria rehefa lasa nankany Persa ny filohan’ny fahavalo nitondra tafika toa tsy ho azo resena, dia voavono izy ireo tao amin’ny fitoerana masin’i Naneanoho ny hafetsen’ireo mpisoron’i Nanea.

14 Tonga tao amin’io fitoerana io i Antiôkosy mbamin’ireo sakaizany, mody hoe hanambady ny andriamanibaviny, kanjo nikendry ny hahazo ny rakitra ao ho haren’ny ampakarina.

15 Narantirantin’ny mpisoron’i Nanea ireo rakitra ireo, ka ny tenan’i Antiôkosy no niditra tao anatin’ny fitoerana masina, nomban’ny mpanaraka azy vitsy foana.

16 Vao tafiditra ny Tempoly i Antiôkosy, dia nohidin-dry zareo ny Tempoly, ary novohainy ny varavara-miafina teo amin’ny valin-drihana, nanjerany vato, ka namonoany ity filoha mbamin’ireo nanaraka azy, dia norasarasainy, ka natsipiny tany amin’ny olona tany ivelany ny lohan’izy ireo.

17 Hisaorana amin’ny zavatra rehetra anie ny Andriamanitsika, izay nanolo-ko faty ireo mpankahala ny fivavahana.

Ny afo masina voatahiry tamin’ny fomba mahagaga

18 Ka rehefa hankalaza ny fanadiovana ny Tempoly, amin’ny andro faha-25n’ny volana Kasleo, dia nataonay fa ilaina ny milaza izany aminareo, mba hankalazanareo koa ireo andro fetin’ny Tabernakla, sy ny andron’ny afo, izay nirehitra nony nanatitra sorona i Nehemia, rehefa avy nandrafitra indray ny Tempoly sy ny ôtely.

19 Satria fony nentina tany Persa ny razantsika dia nangalan’ireo mpisorona tia vavaka tamin’izany andro izany, ny afon’ny ôtely, ka nafeniny mangingina tao amin’ny lava-pantsakana maina anankiray, ary fatratra ny nanafenany azy tao, ka tsy nisy nahalala izany toerana izany ny olona rehetra.

20 Nony afaka taona betsaka tatỳ aoriana, rehefa izany no sitrak’Andriamanitra, dia nalefan’ny mpanjakan’i Persa ho any Jodea i Nehemia, ka nasainy nikaroka ilay afo ny taranak’ireo mpisorona nanafina azy. Nolazain’ireo taminay anefa, fa rano marihitra no hitany fa tsy ny afo.

21 Ka nasainy nanovozana sy nitondrana tao aminy izany. Raha efa izany, nony efa nataony teo ambonin’ny ôtely ny zavatra ilaina hanaovana ny sorona, dia nasain’i Nehemia nofafazan’ny mpisorona tamin’izany rano izany ny kitay hazo mbamin’izay teo amboniny.

22 Notanterahina izany didy izany, ary nony inona, ka tonga ny fotoana namirapiratan’ny masoandro, izay voatakon’ny rahona hatramin’izay, dia nisy afo nivaivay lehibe nirehitra, ka gaga avokoa ny olona rehetra!

23 Dia nihalevona teo ny sorona, dia nanao fivavahana ny mpisorona narahin’izay rehetra nanatrika teo, ka i Jônatasy no nitarika, ary ny sisa rehetra hatramin’i Nehemia koa niray feo taminy.

24 Toy izao izany fivavahana izany: Tompo ô, Tompo ô, Andriamanitra mpahary ny zavatra rehetra, mahatahotra sy mahery, marina sy miantra,

25 hany mpanjaka sy tsara fo, hany mazava fo sy marina tokana, mahefa ny zavatra rehetra sy mandrakizay, izay manafaka an’i Israely amin’ny loza rehetra, sy nanao ny razanay ho olom-boafidinao, sady nanamasina azy,

26 raiso ity sorona ity, ho an’i Israely vahoakanao, tano ny lovanao, ary hamasino izy.

27 Vorio ireo mihahaka avy atỳ aminay, afaho ireo manompo any amin’ny firenena, topazo fijery antra ireo esoina sy ankahalaina, mba ho fantatry ny firenena fa Ianao no Andriamanitray.

28 Faizo izay mampahory sy maniratsira anay amim-pireharehana.

29 Aoreno eo amin’ny fitoerana masina, araka ny voalazan’i Môizy, ny vahoakanao.»

30 Fanampin’izany, nanao hira ireo mpisorona.

31 Nony levona ny sorona, nasain’i Nehemia nararaka tamin’ny vato lehibe ny rano sisa.

32 Vita izany dia nisy afo nirehitra teo, ka nony notarafin’ny tsirim-pahazavana avy eo amin’ny ôtely ny rano, dia levona.

33 Niely ny filazana izany zava-niseho izany, dia nilazana ny mpanjakan’i Persa fa teo amin’ny fitoerana nanafenan’ny mpisorona nentin-ko babo ny afo masina dia nahitana rano, ary io rano io no nanamasinan-dry i Nehemia ny sorona.

34 Dia nasain’ny mpanjaka nofefena sy nataony masina izany fitoerana izany, ary izany no nanamarinany ny zava-niseho.

35 Nizaràny fanomezana maro samihafa izay mpahita fitia aminy.

36 Neftara, izany hoe fanadiovana, no niantsoan’ireo naman’i Nehemia izany fitoerana izany, fa Neftaia kosa, hoy ny maro miantso azy.

Categories
2Makabeo

2Makabeo 2

Nafenin’i Jeremia ny zava-masina momba ny fivavahana

1 Hita tao amin’ny fitahirizan-taratasim-panjakana, ny nandidian’i Jeremiaan’ireo nasesitany, haka ny afo masina araka ny voalaza, sy ny namporisihan’ny mpaminany an’ireo voasesitany,

2 tamin’ny nanolorany azy ny bokin’ny lalàna anankiray mba tsy hanadino ny didin’ny Tompo sy tsy hirebireby saina amin’ny fahitana ny sampy volamena sy volafotsy mbamin’ny ravaka itafian’ireny.

3 Anisan’ny teny toy izany nolazainy tamin’izay ireny, dia ny namporisika azy tsy hampanalavitra ny fony na oviana na oviana ny lalàna.

4 Hita tao anatin’izany taratasy izany koa, ny nampitondran’ny mpaminany niaraka taminy, ny tabernakla, sy ny fiara, araka ny didy azony tamin’Andriamanitra, sy ny nankanesany amin’ny tendrombohitra nanihin’i Môizy sy nitazanany ny lovan’Andriamanitra.

5 Nony mby teo, nahita trano mitarehin-johy i Jeremia, ka napetrany tao ny tabernakla sy ny fiara mbamin’ny ôtely fandoran-java-manitra, dia notampenany ny vavan’io.

6 ary ny sasany tamin’ireo namany niverina hanisy marika famantarana ny làlana, nefa tsy nahazo nahita an’io.

7 Fantatr’i Jeremia izany, ka nomeny tsiny ireo: «Tsy maintsy miafina hatrany hatrany izany fitoerana izany, hoy izy taminy, mandra-pahatongan’ny hamorian’Andriamanitra ny vahoakany, sy hamindrany fo aminy.

8 Amin’izay vao hambaran’ny Tompo ireo zava-masina ireo, sady hiseho ny voninahitry ny Tompo, mbamin’ny rahona, toy ny nisehoany tamin’ny andron’i Môizy, sy fony i Salômôna nanao fivavahana mba ho voahasina amim-boninahitra ny tempoly.»

9 Voatantara ao koa fa izany mpanjaka manana ny fahendrena izany, dia nanatitra ny soron’ny fitokanana amam-pahavitan’ny fitoerana masina.

10 Ary toy ny nivavahan’i Môizy tamin’ny Tompo, ka nilatsaka avy any an-danitra ny afo sy nandevona ny sorona, toy izany koa nivavaka i Salômôna, dia nilatsaka ny afo avy any an-danitra nandevona ny sorona.

11 Hoy i Môizy: «Satria tsy mba nohanina ny sorona noho ny ota, dia nolevonin’ny afo.»

12 Ary toy izany no nankalazan’i Salômôna ny fitokanana nandritra ny havaloana.

Ny tahirim-bokin’i Nehemia

13 Koa dia samy hita voatantara ireo zavatra ireo àry, na amin’ny taratasy fitahiry na amin’ny taratasy fitadidian’i Nehemia; hita ao koa ny nanorenan’i Nehemia fitahirizam-boky, sy nanangonany tao ny boky momba ny mpanjaka, ny mpaminany, sy ny an’i Davida, mbamin’ny taratasin’ny mpanjakan’i Persa, momba ny fanomezan’izy ireo.

14 Toy izany koa i Jodasa nanangona ny boky rehetra niely patrana nandritra ny ady niadiantsika, ka eo an-tananay izany izao.

15 Ka raha misy ilanareo amin’izany, maniraha olona hitondra azy ho atỳ aminareo.

Fanasana hankalazana ny fitokanana

16 Koa amin’izany rehefa hankalaza ny fetin’ny fanadiovana izahay dia mampitondra ity taratasy ity ho atỳ aminareo; mety tokoa ny hankalazanareo izany andro izany.

17 Andriamanitra izay efa namonjy ny vahoakany rehetra, sy efa namerina ho azy rehetra ny lova, ny fanjakana, ny fisoronana, ny fanamasinana,

18 araka ny voalazany tamin’ny lalàna, dia antenaintsika fa hamindra fo amintsika vetivety foana sy hamory antsika avy amin’ny tany rehetra ambanin’ny lanitra, ho ao amin’ny fitoerana masina;

19 satria ny tenantsika efa nesoriny tamin’ny loza lehibe, ary ny tempoly efa nodioviny.

2. SASIN-TENIN’NY MPANORATRA

20 Ny tantaran’i Jodasy Makabeosy ireo rahalahiny, ny nanadiovana ny Tempoly mendrika hohajaina sy ny nitokanana ny ôtely,

21 ary koa, ny ady tamin’i Antiôkosy Epifana sy i Eopatôra zanany,

22 ny fanampiana malaza avy amin’ny lanitra an’ireo niady tamim-boninahitra hiaro ny fivavahan’ny Jody, fa na dia vitsy isa aza izy ireo dia azony indray ny tany manontolo, nataony vaky nandositra ireo barbarianina sesehena;

23 voaveriny ny fitoerana masina malaza eran’izao tontolo izao, voaoriny indray ny lalàna notadiavin’ny sasany hofoanana, fa nomba azy ny fitahiana rehetra avy amin’ny Tompo:

24 boky dimy no nitantaran’i Jasônaavy any Sirena an’izany rehetra izany; fa boky iray kosa no handramanay hanafohezana azy.

25 Satria nodinihinay ny habetsahan’ny isa ao aminy sy ny fahasahiranana mahazo an’izay te-hamaky hatrany ny filazan’ny tantara, noho ny habetsahan’ny zavatra lazaina ao.

26 Koa nikendry mafy izahay, mba hanjary mahafinaritra ny raharaha ho an’izay hianina amin’ny famakiana fotsiny, mora ho an’izay te-handatsaka amin’ny fitadidiana ny zava-niseho, ary mahasoa ho an’ny be sy ny maro tsy an-kanavaka.

27 Ho anay izay niandraikitra izany asa fanafohezana izany, tsy dia zavatra mora fa asa nilam-pitsembohana sy fiaretan-tory izany.

28 Tsy latsaka noho ny an’izay mandahatra ny fanasanaary mitady hanasoa ny hafa ny hasarotany; kanefa mba ho mendrika ny hankasitrahan’ny maro anay, dia hizaka an-kafaliana izany asa mavesatra izany.

29 Ka ny filazana marina ny zavatra tantaraina tsirairay avy, dia avelanay ho anjaran’ny mpamorona ny tantara, fa ny fitsipika momba ny ventin-teny no hikelezanay aina harahina kosa.

30 Ny mahazo ny rafitra rehetra momba ny trano, dia adidin’ny tompo-mariky ny trano vao atao avokoa, fa ny mihevitra ny momba ny fampihaingoana azy kosa no tsy maintsy imasoan’izay miandraikitra ny handravaka sy hanoso-doko azy; ary torak’izany indrindra no anay izao, araka ny hevitro.

31 Anjaran’ny manao ny tantara ny mamotopototra izay lazainy, ny milaza ny antonanton’ny zavatra rehetra, ny misahirana amin’ny momba ny andinindininy madinika indrindra aza;

32 fa izay tsy mikendry afa-tsy ny hanoratra ny fotopotony kosa, dia tokony homen-dalana mba tsy hanampò afa-tsy ny handahatra amin’ny teny fohy; fa tsy mba ny filazana feno ny zava-niseho no imasoany.

33 Hatombokay amin’izao àry ny fitantaranay, fa tsy hampianay intsony izay voalaza izay, fa hadalana raha alohan’ny hilazana ny tantara, lava teny; nefa amin’ny tena tantara, fohy teny.