Categories
Jôba

Jôba 18

Ny hatezerana tsy afa-manoatra ny fandaharan’ny fahamarinana.

1 Dia niteny i Baldada avy any Sohe, ka nanao hoe:

2 «Rahoviana ihany vao taperinao izany teny izany?

Manàna saina aloha ianao vao miresaka isika.

3 Nahoana ianao no dia mihevitra anay ho biby foana,

fa ataonao ho donàna velona eo imasonao va izahay?

4 Ianao izay mamiravira tena amin’ny hatezerana indray,

noho ny aminao ve, dia tianao ho lao ny tany,

ary hafindra toerana ny vatolampy?

5 Eny, ny ratsy fanahy dia ho faty ny fanilony,

tsy hazava intsony ny afo eo am-patany,

6 hanjòmbona ny andro eo an-dainy,

ho faty ny jirony eo amboniny.

7 Izy efa mafy famindradia ho voatery ny diany,

hafainganin’ny saim-pantany ny fahalavoany.

8 Afatratry ny tongony amin’ny harato izy;

mandia fandrika izy.

9 Azon’ny fandrika ny ombalahitongony,

voatanan’ny tadivavarana izy.

10 Ny fandrika harato miafina ao ambanin’ny tany hahavoa azy,

ary longoa mitoto-bozaka no eny an-dalan-kalehany.

11 Manodidina azy hatraiza hatraiza ny fampitahorana,

sady manenjika azy hatrany hatrany.

12 Ny mosary dia anjara saziny,

ary ny faharinganana dia vonon-ko amin’izay hahalavoany.

13 Lany ny hoditry ny rantsam-batany;

lanin’ny lahy matoan’ny fahafatesanany rantsam-batany.

14 Tsoahany izy hiala ao an-dainy,

izay nitokiany handriana feizay,

ka tarihina ho any amin’ilay Mpanjakan’ny fampitahorana.

15 Tsy misy monina eo an-dainy ny ankohonany;

nofafazana solifara ny fonenany.

16 Ao ambany izy maim-paka,

eo ambony kosa tapa-drantsana.

17 Ny fahatsiarovana azy, foana amin’ny tany;

efa very anarana amin’ny faritany izy.

18 Roahina hiala amin’ny mazava izy, ho ao amin’ny maizina,

ary esorina hiala amin’izao tontolo izao.

19 Tsy mamela fara aman-dimby amin’ny fokony izy;

ary tsy misy velona ny ao amin’ny fonenany.

20 Ny firenena andrefana, talanjona amin’ny faharavàny;

ny Tatsinanana koa raiki-tahotra amin’izany.

21 Toy izany no fonenan’ny tsy mivavaka;

toy izany no fitoeran’ny olona tsy mahalala an’Andriamanitra».

Categories
Jôba

Jôba 19

Herin’ny finoana rehefa ilaozan’Andriamanitra sy ny olombelona.

1 Dia niteny i Jôba ka nanao hoe:

2 «Mandra-pahoviana no hampahorianareo ny fanahiko,

sy hamizananareo ahy amin’ny teninareo?

3 Efa impolo izay no manala baraka ahy ianareo,

sy manevateva ahy tsy amin-kenatra akory.

4 Na diso aza aho,

izaho ihany no hihandronan’ny fahadisoako.

5 Fa ianareo kosa izay mitsangana hamely ahy,

ka ny fahafaham-baraka no atombokareo ahy, handresena ahy,

6 dia mba fantaro kosa fa Andriamanitra no mampahory ahy,

sy manarona ahy amin’ny fandrika haratony.

7 Indro aho mitaraina noho ny fanaovana an-keriny, nefa tsy misy mamaly!

miantso fitsarana ambony, nefa tsy mahazo ny rariny.

8 Ny lalako nofefeny, ka tsy afaka handeha aho;

ny sakeli-dalana halehako namelarany haizina.

9 Ny voninahitro nendahany tamiko,

ny satroboninahitro nesoriny teo an-dohako.

10 Nohadiny manodidina ny ao ambaniko, ka mianjera aho;

nofongorany toy ny hazo ny fanantenako.

11 Nirehitra tamiko ny fahatezerany,

ka nataony fitondra fahavalo aho.

12 Indray nirohotra ny antoko-miaramilany,

nisava lalana hankanesany atỳ amiko,

dia nanao fahirano ny laiko.

13 Ka ny rahalahiko nampanalaviriny ahy;

ny sakaizako mivily miala amiko.

14 Ny havako nandao ahy.

Ny olona nifankazatra amiko nanadino ahy.

15 Ny mponina ao an-tranoko sy ny ankizy vaviko

manao ahy ho olon-kafa;

16 olon-tsy fantatra eo imasony aho.

Miantso ny mpanompoko aho, tsy valiany akory;

voatery hilela-paladia azy amin’ny vavako aho.

17 Mahaloiloy ny vadiko ny fofon’aiko,

mifona amin’izay iray tam-po amiko aho.

18 Ny ankizy madinika aza, mamingavinga ahy,

nony mba mitsangana aho anaovany kivalavala.

19 Ireo tsy nanafenako, dia marikoriko amiko,

ireo nolalaiko mivadika mamely ahy.

20 Ny taolako, tafaraikitra amin’ny hoditra ama-nofoko,

ny akanjo-nifiko no hany nentiko nilefa.

21 Ianareo sakaizakoahay, no mba mamindrà fo,

mamindrà fo amiko,

fa nasian’ny tanan’Andriamanitra aho ity!

22 Nahoana no dia manenjika ahy, tahaka an’Andriamanitra koa ianareo,

ka tsy mety ho boboky ny nofoko?

23 Adray! raha mba mety ho voasoratra koa ny teniko!

raha mba mety ho vita an-tsoratra ao anatin’ny boky izy!

24 raha mba fisokirana vy mbamin’ny firaka

no isokirana azy amin’ny vatolampy ho mandrakizay.

25 Fantatro fa velona ny mpamaly ra ho ahy,

ka hitsangana farany eo ambonin’ny vovoka izy,

26 ary amin’izay, dia izao taolako mitafy ny hodiny,

dia ny nofoko izao no ahitako an’Andriamanitra.

27 Eny izaho izao no hahita Azy,

ny masoko no hahita Azy, fa tsy olon-kafa.

Matim-paniriana izany ny foko ato anatiko.

28 Amin’izay ianareo va hilaza hoe: ‹Nahoana isika no nanenjika azy?›

fa ho hita ny mahamarina ny adiko.

29 Ho an’ny tenanareo no aoka hatahoranareo ny sabatra amin’izay;

fa mahatsiravina ny famalian’ny sabatra,

ary ho fantatrareo fa misy fitsarana marina».

Categories
Jôba

Jôba 20

Tsy misy afa-mifidy ny fandaharan’ny fahamarinana.

1 Dia niteny i Sôfara avy any Naamà ka nanao hoe:

2 «Koa noho izany, dia asesiky ny saiko hanome valy aho,

ka tsy andriko ny handefasako azy noho ny fikoratabako.

3 Nandre faniniana manala baraka ahy aho,

ka hahita hahavaly avy amin’ny fahalalako ny saiko.

4 Fantatrao tsara va, fa hatrizay ela izay,

hatrizay nametrahana ny olombelona teto an-tany,

5 dia vetivety foana no nahombiazan’ny ratsy fanahy,

ary mihelina ihany ny fifalian’ny tsy mivavaka.

6 Na hapàkany amin’ny lanitra aza ny reharehany,

ka hitehina amin’ny rahona ny lohany,

7 dia levona mandritra ny mandrakizay toy ny dìkiny izy;

izay nahita azy nanao hoe: ‹aiza izy?›

8 manidina toy ny nofy izy, ka tsy hita intsony,

mihalevona toy ny fahitana amin’ny alina izy.

9 Ny maso nahita azy, tsy mahatazana azy intsony;

ny fonenany tsy hahatsinjo azy intsony.

10 Ny zanany hangataka amin’ny malahelo,

ny tanany no hanonerany ny nalainy an-keriny.

11 Ny taolany feno ny otany miafina,

izay hiara-mandry aminy eo amin’ny vovoka.

12 Fa mamy tao am-bavany ny ratsy,

ka nafeniny tao ambany lelany,

13 nankamamìny ka tsy foiny,

ary nakombony tao an-danilaniny.

14 Ho zary poizina amin’ny tsinainy ny haniny,

ka ho tonga poizim-bibilava an-kibony.

15 Fa nitelina harena izy, ka handoa izany;

Andriamanitra no handoatra izany, avy ao an-kibony.

16 Nitsentsitra ny poizin’ny bibilava izy,

ka ho fatin’ny lelan’ny menarana.

17 Tsy mba ho hitany misononoka na oviana na oviana ny ony;

ny ria-tantely aman-dronono.

18 Hamerina izay azony izy, fa tsy hambosika an’izany,

araka ny tombony azony, ka tsy hiarana amin’izany izy.

19 Fa nampahory sy nandao ny mahantra Izy,

nandroba ny tranon’ireny, nefa tsy nanangana azy indray.

20 Tsy nety nianina ny fahalianany;

tsy hoentiny izay maminy indrindra.

21 Tsy misy tsy tratry ny fahalianany te handrapaka,

koa tsy haharitra ny fiadanany.

22 Ao anatin’ny fananam-be izy, nefa latsaka amin’ny tsy fahampiana,

iharan’izao kapoky ny loza rehetra izao izy.

23 Izao no hameno ny kibony:

Halatsak’Andriamanitra aminy, ny afom-pahatezerany,

ka hirotsaka aminy, hatrany an-kibony.

24 Raha afaka amin’ny fiadiana vy izy

ho trobaran’ny tsipìka varahina.

25 Tsoahany ny zana-tsipìka, ka mitsoaka miala amin’ny tenany izany,

dia mivoaka manelatselatra avy amin’ny atiny ny varahina;

ka azon’ny tahotry ny fahafatesana izy.

26 Haizim-pito no mitelina ny rakiny;

afo tsy narehitr’olombelona no mandevona azy,

sy mandany izay rehetra sisa tavela ao an-dainy.

27 Ny lanitra hanambara ny helony,

ary ny tany hitsangana hiampanga azy.

28 Ny fananam-be ao an-tranony, haely,

ho levona izany amin’ny andron’ny fahatezerana.

29 Izany no anjara naraikitr’Andriamanitra ho an’ny ratsy fanahy,

sy lova voatendrin’Andriamanitra ho azy».

Categories
Jôba

Jôba 21

Tsy araka izay heverina ny mitranga.

1 Dia niteny i Jôba ka nanao hoe:

2 «Mihainoa, mihainoa ny teniko,

aoka mba ho izany ahay no fampiononana azoko aminareo.

3 Avelao hiteny aho amin’ny anjarako;

fa rehefa tapitra ny teniko, mahazo mamelively ihany ianareo.

4 Moa olombelona va no halehan’ny fitarainako?

Ka aiza no hahatsindriako ny foko?

5 Jereo aho, ka aoka ho talanjona ianareo,

ary tampeno ny vavanareo.

6 Raha mihevitra izany aho, dia mihoron-koditra,

ary tera-kovitra ny nofoko.

7 Nahoana àry no velona ihany ny ratsy fanahy;

sady tratra antitra mitombo hery?

8 Ny taranany mihamahery eo anoloany,

ny solofony mandroso laza eo imasony.

9 Ny ankohonany mandry feizay, lavitry ny tahotra,

ny tsora-kazon’Andriamanitra tsy mba mikasika azy.

10 Ny ombalahiny mahavanona anaka,

ny omby vaviny miteraka, tsy mamotsotra.

11 Avelany miriaria toa andian’ny biby fiompy ny zanany,

mifalihavanja manodidina azy mbamin’ny zanany vao teraka.

12 Manara-bava ny feon-dokanga aman’ampongatapaka izy ireo,

ary mikoriana amin’ny feon-tsodina.

13 Mandany ny androny amin’ny fiadanana izy ireo,

fa sombin’andro monja no idinany ho any amin’ny Seoly.

14 Hoy anefa ireny amin’Andriamanitra: ‹Mialà aminay;

fa tsy te hahalala izay lalanao akory izahay.

15 Zinona moa ny Tsitoha, no hotompoinay?

Inona no ho azonay amin’izay fivavahana aminy?›

16 Moa tsy efa eo an-tanany va ny fiadanan’izy ireo?

– Kanefa, lavitra ahy anie, ny fisainan’ny tsy mivavaka! –

17 Mba fahita matetika va ny hoe, maty ny fanilon’ny tsy mivavaka,

iantsamboran-doza izy ireo,

na nanendren’Andriamanitra anjara amin’ny hatezerany izy ireo?

18 Moa toa mololo indaosin’ny rivotra no ahitana azy,

sy toy ny akofa paohin’ny tadio?

19 Hoy ianareo: ‹Atokan’Andriamanitra ho an’ny zanany ny sazy afitsony azy›.

Fa aoka ny Tenan’Andriamanitra no hanasazy azy mba ho tsaroany,

20 sy ho hitan’ny masony ny faharinganany,

ary hosotroin’ny tenany ny fahatezeran’ny Tsitoha!

21 Mampaninona azy izay manjò ny taranany atỳ aoriana,

rehefa tapaka hatreo ny isan’ny volana hiainany.

22 Andriamanitra va no hotoroana fahendrena,

nefa ny tafasandratra indrindra aza, mbola tsarainy?

23 Ny iray maty ao anatin’ny fiadanana,

ny hafinaretana amam-pianìnany lavorary;

24 ny valahany manotraky ny taviny;

ny taolany feno tsoka mandranoka.

25 Ny iray kosa maty amin’ny fahorian’ny fanahiny,

tsy mba nanandrana izany fiadanana izany akory.

26 Samy mandry eo amin’ny vovoka izy roa tonta;

samy rakotr’olitra ny tenan’izy roa tonta!

27 Endrey! fantatro tsara ny hevitrareo;

mbamin’ny fitsarana tsy marina amelezanareo ahy.

28 Fa hoy ianareo: ‹Aiza ny tranon’ny mpampahory?

Zary inona ny lay nitoeran’ny tsy mivavaka?›

29 Tsy mbola mba nanontany mpandeha lavitra va ianareo,

ka tsy mahalala ny zavatra ambarany?

30 Amin’ny andron’ny fahoriana, voatsimbina ny ratsy fanahy;

amin’ny andron’ny fahatezerana, afaka alanàlana izy!

31 Iza akory no manìny ny fitondran-tenany eo anoloany?

Iza akory no nampamoaka izay nataony?

32 Amim-panajana no itondrana azy halevina,

ary misy miambina eo amin’ny fasany.

33 Ho maivana aminy ny bainga any an-dohany,

sady ny olona rehetra hanaraka azy any avokoa,

toy ireo maro tany alohany, izay efa nialoha azy any.

34 Ka inona no hevitr’izao fampiononam-poana ataonareo izao?

Fanomezam-bohony avokoa no hany sisa amin’izao valin-teninareo izao».

Categories
Jôba

Jôba 22

Araka ny rariny hatrany no anasazian’Andriamanitra.

1 Dia niteny i Elifaza, ka nanao hoe:

2 «Mety hanasoa an’Andriamanitra va ny olombelona?

Manasoa ny tenany ihany ny olon-kendry.

3 Mampaninona ny Tsitoha, raha marina ianao?

Inona no azony, raha tsy misy diso ny lalanao?

4 Noho ny fitiavanao vavaka va no hamaizany anao,

sy ifandaharany aminao amin’ny fitsarana?

5 Tsy mihoa-pampana va ny haratsianao,

ary tsy hita isa ny hadisoanao?

6 Efa naka tsatòka tsy ahoan-tsy ahoana tamin’ny rahalahinao ianao,

efa nanendaka ny lamban’ny mihanjaka ianao.

7 Ny olona reraky ny hetaheta tsy nomenao rano;

ny noana, tsy nahafoizanao hanina.

8 Fa an’ny sandry matanjaka ny tany,

ary izay mana-mpiaro no miorim-ponenana eo.

9 Ny mpitondratena nampodianao maina

ary tapaka ny sandrin’ny kamboty.

10 Izany no mahavoahodidim-pandrika anao,

ka indro ianao tabatabain’ny horohoro tampoka,

11 safotra haizina, tsy mahita,

ary difotry ny rano mangeningenina.

12 Tsy any an-tampon’ny lanitra va Andriamanitra?

Jereo ange ny handrin’ny kintana: akory ity haavony!

13 Ka hoy ianao: ‹Inona no fantatr’Andriamanitra amin’izany?

Hahay mamantatra ny an-koatry ny rahona matevina va Izy?

14 Manjary sarona eo anatrehany ny rahona ka tsy mahita Izy,

fa any amin’ny lanitra boribory any foana no mandehandeha›.

15 Mbola tohizanao harahina va ny lalana fahagola

izay nodiavin’ny olona mpanao ratsy fahizany,

16 ka nalaina talohan’ny andro voafetra,

ary nindaosin’ny riaka ny fanorenany?

17 Fa hoy izy tamin’Andriamanitra: ‹Mialà aminay Ianao!

Fa inona moa no hain’ny Tsitoha atao aminay.›

18 Kanefa Izy no nameno harena ny tranony.

– Lavitra ahy anie, ny fisainan’ny ratsy fanahy! –

19 Mahita ny fianjeran’ireny ny marina, ka mifaly,

ary mihomehy azy ny tsy manan-tsiny:

20 Indro efa rava ny fahavalontsika!

efa levon’ny afo ny hareny!

21 Koa mihavàna amin’Andriamanitra, dia mionòna ianao,

fa izany no hiverenan’ny fiadanana aminao.

22 Raiso avy amin’ny vavany ny fampianarana

ary alatsaho ao am-ponao ny teniny.

23 Ho tafarina ianao, raha miverina amin’ny Tsitoha,

sy manesotra ny heloka lavitra ny lainao.

24 Ario eny amin’ny vovoka ny anja-bolamena,

ary eny amin’ny korontam-bato eny an-dohasahan-driaka, ny volamenan’i Ofira.

25 Fa ny Tsitoha no ho volamenanao,

sy ho volafotsy miavosa ho anao.

26 Amin’izay dia ny Tsitoha no hankamaminao,

Izy koa no hanandratanao ny tananao.

27 Hivavaka aminy ianao dia hohenoiny,

ka hoefainao ny voadinao.

28 Raha misy fikasanao hataonao, dia ho tanteraka,

ary ny lalanao hamirapiratam-pahazavana.

29 Ireo mavozo handrina hilazanao hoe: ‹Miandrandrà›,

dia hovonjen’Andriamanitra izay mietry fijery.

30 Ny olo-meloka aza hataony afaka,

fa voavonjy amin’ny hadiovan’ny tananao Izy».

Categories
Jôba

Jôba 23

Lavitra Andriamanitra, ka ny ratsy no mandresy.

1 Dia niteny i Jôba ka nanao hoe:

2 «Eny mangidy anio ny fitarainako,

nefa mbola tampenan’ny tanako aza ny fitolokoko.

3 Ah, raha mba misy mantsy hampahafantatra ahy izay hahitako Azy,

sy hahatongavako hatrany amin’ny seza fiandrianany!

4 Dia halahatro eo anatrehany ny momba ahy,

ary hofenoiko teny fahamarinana ny vavako!

5 Ho fantatro izay hevitra mety hoentiny hanohitra ahy,

ary ho hitako izay mba mety holazainy amiko.

6 Ny haben’ny fahefany ve no hoentiny mandà ahy?

Tsy ho sitrany ve ny manipy maso amiko ahay?

7 Amin’izay dia hifandahatra aminy ny olo-marina,

ka dia handeha aho efa voavelan’ny mpitsara ahy ho afa-mandrakizay.

8 Kanjo miantsinanana aho, tsy any Izy,

miankandrefana indray, tsy tazako Izy.

9 Manan-draharaha any avaratra Izy, tsy hitako,

miafina any atsimo, tsy haiko tsinjovina.

10 Fantany anefa ny lalana falehako;

raha mizaha toetra ahy Izy, dia hivoaka madio toy ny volamena aho.

11 Fa nandia ny dian-tongony mandrakariva ny tongotro;

nizotra tsy nivily teo amin’ny lalany aho.

12 Tsy nivily niala teo amin’ny didin’ny vavany aho,

ary ny sitrapoko nofolahiko nampanekeko ny didin’ny molony.

13 Manana ny heviny anefa Izy; ka iza no hampiova Azy amin’izay?

Izay iriny tanterahiny avokoa.

14 Hotanterahiny àry izay efa notendreny ho ahy;

ary tsy vitsy ny hevitra toy izany ao aminy.

15 Izany no mampitebiteby ahy eo anatrehany;

rehefa mihevitra izany aho, dia matahotra Azy.

16 Mandreraka ny foko Andriamanitra;

mameno tahotra ahy ny Tsitoha.

17 Fa tsy mba haizina no mihinana ahy,

na ny alina no manarona ny tavako.

Categories
Jôba

Jôba 24

1 Nahoana no tsy misy fotoana natokan’ny Tsitoha,

ary ireo manompo Azy tsy mba mahita ny androny?

2 Misy olona mamindra orim-bato,

miandry biby fiompy nangalariny,

3 mandroaka ny ampondran’ny kamboty,

mitana ny ombin’ny mananotena ho tsatòka,

4 manosika ny mahantra hivily lalana,

ka voatery hiery avokoa ny madinika amin’ny tany.

5 Mova tsy ny ampondra dia any an’efitra izy:

dia nivoaka izy hanao ny asany,

mitady ny rembiny hatramin’ny vao maraina.

Ny tany efitra no ahazoany hanina ho an-janany;

6 ny salohim-bary eny an-tsaha no tsongoiny,

ary ao an-tanimboaloboky ny mpampahory azy izy no mifetsy.

7 Mihanjaka izy ireo, ary mandritra ny alina, noho ny fitafiana tsy misy,

mandry tsy amim-pirakofana aro hatsiaka.

8 Kotsan’ny ranonorana eny an-tendrombohitra,

mitampisaka eny amin’ny vatolampy fa tsy manan-kialofana.

9 Misarika ny kamboty eo am-pinonoana,

maka tsatòka amin’ny olona ory;

10 ka dia miboridana tsy manan-kitafy ireo,

noana mivesatra ny amboaram-barin’ny tompo;

11 mamia ny diloilo ao an-trano fitahirizana divay;

mangetaheta eo am-pamiazana voaloboka.

12 Misondrotra avy eny an-tanàna eny ny feon’ny olona mitoloko,

velon-taraina ny ain’ny voaratra,

nefa tsy ahoan’Andriamanitra izany heloka bevava izany!

13 Misy mitoetra ao amin’ny fahavalon’ny fahazavana,

tsy mahalala ny lalany akory,

na maharitra mizotra amin’ny sakeli-dalany.

14 Ny mpamono olona mifoha vao mangiran-dratsy,

mamono ny ory aman-tsy manana,

misodisody alina toa jiolahy.

15 Ny mason’ny mpaka vadin’olona mikendry izay iavian’ny maizimaizina;

tsy misy mahita any, hoy izy,

dia manao very maso izy.

16 Ny sasany manamy trano amin’ny alina,

miery nony antoandro;

tsy mahalala ny fahazavana izy.

17 Toy ny aloky ny fahafatesana ho azy ireo ny maraina,

satria ny alina mahatahotra no efa mahazatra azy.

18 Ah, mitsinkafona ambonin’ny rano,

toy ny zava-maivana, ny tsy mivavaka,

tsy manana afa-tsy anjara voaozona izy eto an-tany,

tsy mba manitsy lalana mankany amin’ny tanimboaloboka izy.

19 Toy ny ifohan’ny maina sy ny hafanana ny ranom-panala,

no iteleman’ny Seoly ny mpanota.

20 Ah, ny kibo nitoerany manadino azy,

ny olitra mihinana azy amam-pankafizana,

ny olona tsy mahatsiaro azy intsony;

tapaka toy ny hazo ny haratsiana.

21 Nandroba ny momba tsy niteraka izy,

ary tsy nanisy soa ny mananotena.

22 Ny olo-mahery kosa anefa hozongozonin’ny herin’Andriamanitra;

mitsangana izy, dia tsy manampò izay ho velona intsony ireo;

23 ataony mahatoky tsy manana ahiahy ihany ireo,

fa ataony andry maso eny amin’izay alehany.

24 Mba misandratra izy, nefa vetivety, dia tsy eo intsony indray;

mianjera sy jinjaina toy ny olon-drehetra,

tangosana toy ny salohim-bary.

25 Raha tsy izany no izy, dia iza kosa no hamaky lainga ahy?

Iza no hampiseho ny teniko ho tsinontsinona?»

Categories
Jôba

Jôba 25

Mitsaontsaona i Baldada

1 Dia niteny i Baldada avy any Sohe, ka nanao hoe:

2 «Azy ny fanapahana sy fampatahorana,

fiadanana no ampanjakainy any amin’ny fonenany avo.

3 Azo isaina va ny miaramilany?

Ary zovy no tsy iposahan’ny fahazavany?

4 Ahoana no hahamarina ny olombelona eo anatrehan’Andriamanitra?

Ahoana no hahadio izay tera-behivavy?

5 Ny volana aza, latsa-pahazavana,

ny kintana aza, tsy madio eo imasony!

6 Ka mainka izay olombelona kankana foana,

sy izay zanak’olombelona olitra tsy manjary!»

Categories
Jôba

Jôba 26

Antsa fiderana ny herin’Andriamanitra mahefa

1 Dia niteny i Jôba ka nanao hoe:

2 «Akory ity fahaizanao manohana ny osa,

sy mamonjy ny tanana reraka!

3 Endrey izato fanoronao ny tsy mahalala,

sy izato habetsahan’ny fahendrena asehonao!

4 Iza moa no ilazanao teny?

ary avy amin’iza ny fanahy mivoaka ny vavanao?

5 Eo anatrehan’Andriamanitra ny matoatoa mihararetra,

any ambanin’ny ranombamin’ny mponina any.

6 Ny seoly mihanjahanja eo anatrehany,

ary ny hantsana tsy misy rakony

7 Izy no mamelatra ny avaratra eo ambonin’ny habakabaka babangoana,

manantona ny tany eo ambonin’ny tsinontsinona;

8 mampihiboka ny rano eo amin’ny rahony;

kanefa tsy miparitaka noho ny havesaran’izany ny rahona.

9 Manarona ny tavan’ny seza fiandriananyIzy,

ka rahona no velariny eo amboniny.

10 Nasiany faritra manodidina eny ambonin’ny rano,

eo amin’ny fisarahan’ny mazava sy ny maizina.

11 Mihozongozona ny andrin’ny lanitra,

sady ankona amin’ny teny mafy ataony.

12 Ny heriny no anaingany ny ranomasina,

ny fahendreny no anorotoroany ny avonavona.

13 Ny fofon’ainy no anjarian’ny lanitra ho madio,

ary ny tanany no nanao ny menarana mpandositra.

14 Izany no sisintsisin’ny lalany,

fimenomenona malefaka mba rentsika,

fa raha ny fikotrokotroky ny heriny, iza no mahahaino izany?»

Categories
Jôba

Jôba 27

Tsy manan-tsiny i Jôba, fa mahalala ny herin’Andriamanitra.

1 Mbola niteny indray i Jôbaka hoy izy:

2 «Amin’Andriamanitra velonaizay mandà tsy hanome rariny ahy,

amin’ny Tsitoha izay mameno zava-mangidy ny aiko,

3 raha mbola manam-pofon’aina koa aho,

ka mbola eo am-bavoroko ny fofon’ain’Andriamanitra;

4 dia tsy hisy tsy marina hotononin’ny molotro,

tsy hanonon-dainga ny lelako.

5 Lavitra ahy ny hihevitra ny anareo ho marina,

fa hiaro ny tsy fananako tsiny aho mandra-pahatapitry ny aiko.

6 Efa nanomboka nanamarina ny tenako aho, tsy hitsahatra amin’izany,

tsy misy androko anomezan’ny foko tsiny ahy na dia iray aza.

7 Fitondra olon-dratsy anie no ho anjaran’ny fahavaloko,

ary anjaran’ny tsy mivavaka anie no ho an’ny mpanohitra ahy!

8 Inona no ho fanantenan’ny tsy mivavaka,

raha fongoran’Andriamanitra izy,

raha alàny ny ainy?

9 Moa Andriamanitra hihaino ny fitarainany akory va,

amin’ny andro hamelezan’ny fahoriana azy?

10 Mahita firavoravoana ao amin’ny Tsitoha va izy?

Manao fivavahana mandrakariva amin’Andriamanitra va izy?

11 Hotoroako ny fitondran’Andriamanitra ianareo,

ary tsy hanafenako ny hevitry ny Tsitoha.

12 Tenanareo rehetra aza no efa nahita maso izany!

Ka ahoana ianareo no mandahandahatra foana?

Lahatenin’i Sôfara: Voaozona ny ratsy fanahy.

13 Izao no anjara natokan’Andriamanitra ho an’ny ratsy fanahy,

sy lova azon’ny mpanao an-keriny, avy amin’ny Tsitoha.

14 Raha maro anaka izy, ho anjaran’ny sabatra ireny;

ary ny solofony tsy mba ho voky hanina.

15 Ny sisa velona aoriany, hasitrika amin’ny fahafatesana,

ny mpitondratenany tsy mba hitomany azy.

16 Na hanangona volafotsy hoatra ny fasika aza izy,

ka hampisavoana fitafiana hoatra ny fotaka,

17 fanangonana no azy, fa ny marina no hitondra ireny;

ny tsy manan-tsiny no handova ny volany.

18 Ny tranony toy ny ataon’ny kalalao,

manahaka ny trano bongo aorian’ny mpiandry tanimboaloboka.

19 Mandry ny manan-karena, dia izay no farany;

manokatra ny masony izy, dia maty eo.

20 Saforan’ny fampahatahorana toy ny rano be izy;

paohin’ny tafio-drivotra mamatonalina.

21 Ongoahan’ny rivotra avy any atsinanana izy, dia tsy hita,

fa tsoahany an-keriny eo amin’ny fonenany.

22 Fafazan’Andriamanitra ny zana-tsipìkany, tsy ananany antra izy;

Ka taitra mandositra tsy ho tratry ny tanany;

23 itehafan’ny olona izy,

avy eo an-trano nitoerany, dia anakorana azy.