Categories
Jôba

Jôba 28

Ny fahendrena, tsy tratry ny sain’olombelona

1 Misy toerana ihadiam-bolafotsy,

misy toerana fanadiovam-bolamena.

2 Ny vy alaina avy amin’ny tany;

ny vato arendrika hahazoana varahina.

3 Mampisava ny haizina ny olona,

hatrany anatin’ny hantsana izy no mikaroka

ny vato miafina ao amin’ny haizina sy ny aloky ny fahafatesana.

4 Mihady lalana izy lavitry ny tany onenana,

tsy fantatry ny tongotry ny velona;

tafahantona mitsingevaheva lavitry ny olombelona.

5 Ny tany iavian’ny hanina,

voakorontana àty toa voan’ny afo.

6 Ny vatony no itoeran’ny safira,

sy ahitana vovo-bolamena.

7 Ny vorom-pihaza tsy mahita ny lalana any,

ny masom-papango tsy mahatazana azy;

8 ny biby dia tsy nandia izany,

ny liona koa tsy nandalo tany na oviana na oviana.

9 Ny olombelona maninji-tanana amin’ny vatomainty,

manozongozona ny tendrombohitra hatramin’ny fotony;

10 mandavaka lalana anatin’ny vatolampy;

tsy misy zava-tsarobidy tsy hitan’ny masony.

11 Mahay manampina ny rano manamika Izy,

ary mitondra ny miafina rehetra ho eo amin’ny mazava.

12 Fa aiza kosa no ahitana ny fahendrena?

Aiza no fitoeran’ny fahalalana?

13 Ny olombelona tsy mahay manombana azy;

ny tanin’ny velona tsy ahitana azy.

14 Fa hoy ny hantsana: ‹Tsy ato anatiko izy›;

ny ranomasina milaza hoe: ‹Tsy atỳ amiko izy›.

15 Ny volamena madio tsy mahatakalo azy,

na lanjam-bolafotsy ohatrinona aza tsy mahavidy azy.

16 Tsy ampifandanjaina amin’ny volamena avy any Ofira izy,

na ny berila sarobidy na ny safira.

17 Ny volamena amam-pitaratra tsy azo ampitahaina aminy;

ny kapoaka volamena madio tsy mahatakalo azy.

18 Ny voahangy amam-batomazava, tsy mendrika hotononina akory,

fa mihoatra noho ny voahangy ny fahazoana ny fahendrena.

19 Ny tôpazy avy any Etiôpia tsy mahatoraka azy,

ary ny volamena madio tsy mahatratra ny vidiny.

20 Koa avy aiza àry ny fahendrena?

Aiza ny fitoeran’ny fahalalana?

21 Miafina amin’ny mason’ny velona rehetra izy,

ary takona amin’ny voron’ny lanitra.

22 Hoy ny ambanin’ny tany sy ny fahafatesana:

‹Filazana azy fotsiny no mba renay›.

23 Andriamanitra no mahalala ny lalana mankany aminy;

Izy no mahafantatra izay misy azy.

24 Fa Izy mahita ny hatrany amin’ny fara vazantany,

mahatsinjo ny ambany lanitra rehetra.

25 Fony Izy nandamina ny lanjan’ny rivotra,

nanao ny rano tao amin’ny mizàna,

26 namoaka lalàna ho an’ny ranonorana,

nanori-dalana ho an’ny tselatry ny varatra,

27 dia nahita sy nilaza azy Izy,

namorona azy sy nahatakatra ny zava-miafina ao aminy.

28 Izay Izy vao nilaza tamin’ny olombelona nanao hoe:

‹Ny fahatahorana ny Tompo, dia izay no fahendrena,

ny mandositra ny ratsy, dia izay no fahalalana› ».

Categories
Jôba

Jôba 29

A. Ireo andro fahiny

1 Dia mbola nanohy ny teniny indray i Jôba, ka nanao hoe:

2 «Ah, iza re no hamerina amiko ny volana taloha,

dia ny andro nitsimbinan’Andriamanitra ny fiarovana ahy,

3 raha namirapiratra teo ambonin’ny lohako ny jirony,

ary nitari-dalana ahy teo amin’ny maizina ny fahazavany!

4 Araka ny toetrako tamin’ny fahalehibeazako,

tamin’izay namangian’Andriamanitra ahy

tamim-pifankazarana tao an-daiko,

5 sy mbola nomban’ny Tsitoha ahy,

ary nitangoronan’ny zanako manodidina ahy;

6 tamin’izay nanasako tongotra tamin’ny ronono;

sy namoahan’ny vatolampy diloilo mandriaka ho ahy.

7 Raha nivoaka ho eo am-bavahadin’ny tanàna aho,

ka nianina nipetraka teo amin’ny kianja;

8 vao nahita ahy ny zatovo lahy miampirimpirina,

ny anti-panahy mitsangana ka maharitra mijoro.

9 Ny andrian-dahy nangina tsy niteny,

sy nitampim-bava amin’ny tanany.

10 Ny feon’ny mpanapaka tankina teo,

ny lelany tafaraikitra tamin’ny lanilàniny.

11 Ny sofina nandre ahy, nanao ahy hoe: sambatra;

ny maso nahita ahy, nanao filazàna tsara momba ahy.

12 Fa novonjeko ny ory nangatam-piantrana,

mbamin’ny kamboty tsy nanan-kiankinana.

13 Ny fisaoran’ny olona am-bava loza nitsororoka tamiko;

ny fon’ny mananotena nofenoiko hafaliana.

14 Notafiako toy ny lamba ny fahamarinana,

kapaoty amam-pefilohako ny fanaovako ny rariny.

15 Izaho no mason’ny jamba,

sy tongotry ny mandringa.

16 Izaho no rain’ny kamboty;

ary nandinika tamim-pitandremana ny adin’ny olon-tsy fantatra.

17 Notapahiko ny valanoranon’ny nanao ny tsy marina,

notsoahiko ny babo efa mby am-bavany.

18 Dia hoy izaho: ‹Eto amin’ny akaniko no hialako aina;

ho maro toy ny fasikany androko;

19 mitatra hatrany amin’ny rano ny fàkako,

itoeran’ny rano mandritra ny alina ny raviko.

20 Ny voninahitro hihavao mandrakariva,

ary ny tsipìkako hihahenjana indray eny an-tanako›.

21 Ny olona nihaino ahy, dia niandry,

nandray tamim-panginana ny torohevitro.

22 Rehefa niteny aho, dia tsy nisy nanampy intsony,

fa toy ny ando no nirotsaka tamin’ny teniko.

23 Niandry ahy toy ny fiandry ranonoranaizy ireo,

nitanatàna vava, toy ny niandry tandrifin-drahona amin’ny lohataona.

24 Raha nitsiky taminy aho, tsy azony ninoana izany,

fa liana loatra izy nandray izany mari-pitiavana izany.

25 Nony nankeo aminy aho, ahy ny fitoerana voalohany,

dia mipetraka aminy eo aho, toy ny mpanjaka hodidinin’ny miaramilany,

sy tahaka ny mpanafaka alahelo, eo afovoan’ny tra-pahoriana.

Categories
Jôba

Jôba 30

B. Ny fahoriana ankehitriny.

1 Fa ankehitriny kosa aho, fihomehezan’ny olona tanora noho izaho,

izay tsy ho noraisiko akory ny rain’izy ireo fahizany,

hatao eo amin’ireo amboa miandry ny ondriko.

2 Ho nataoko inona moa ny herin-tsandrin’ireny?

tsy manan-kavitrìhana akory ireny.

3 Kaozatry ny fahoriana aman-kanoanana izy,

dia miraotra ny efitra,

izay tany karankaina, tsy misy zava-maniry hatrizay ela izay.

4 Mitsongo tsimo-kazo mangidy any amin’ny hazo kely milobolobo izy,

ary tsy manan-kanina afa-tsy ny fakan-kofafambohitra.

5 Roahina tsy ho eo amin’ny fikambanan’olombelona izy;

sady iantsoantsoana toy ny amin’ny mpangalatra.

6 Ka dia monina any an-dohasaha mahatsiravina,

any amin’ny zohin-tany sy any amin’ny haram-bato.

7 Antsoantson’olon-dia no re ataony any an-kirihitrala,

ary mitangorona mandry any anaty roimainty izy.

8 Olona adala sy taranaky ny tsy misy hajany ireny,

ka roahina amim-panesoana amin’ny tany onenana.

9 Kanjo izaho indray izao no ataony an-kira,

ataony ambentinteny,

10 ataony zava-betaveta aho, andosirany:

tsy aviliny tsy hankamin’ny tavako ny tsipi-drorany.

11 Manaram-po foana izy manevateva ahy,

tsy mahalala fetra eo anatrehako.

12 Olona tsinontsinona no mitsangana eo ankavanako,

ka mitady hanosika ny tongotro,

misava ny lalana hamonoana hatraty amiko.

13 Dia noravany ny lalako;

ny handringana ahy no imasoany,

izy ireo izay tsy ho nanana olo-mamonjy.

14 Toy ny amin’ny fefy banga be no irotsahany amiko,

dia miantoraka ao amin’ny korontan-javatra.

15 Ka voasaron’ny fampahatahorana aho;

ny fahafinaretako voafaoka toy ny rivotra,

ny fiadanako nandalo toy ny rahona.

16 Ary ankehitriny ny fanahiko mihanaka toy ny rano ao anatiko,

ny andron’ny fahoriana mangeja ahy.

17 Ny alina misikotra ny taolako, mihinana azy:

ny loza mikiky ahy tsy mitsahatra.

18 Noho ny hamafiny efa tsy mitana ny endriny intsony ny akanjoko,

fa mangeja ahy toy ny akanjo vity;

19 nazeran’Andriamanitra ao anaty fotaka aho,

ka tahaka ny vovoka aman-davenona aho izao.

20 Mitaraina aminao aho, nefa tsy valianao akory;

mitsangana aho, nefa jerenao fotsiny.

21 Tonga loza be amiko Ianao;

asianao amin’ny herin’ny sandrinao rehetra aho.

22 Alainao aho, ampanidininao araka izay itondran’ny rivotra ahy aho,

ary foananao amin’ny fifofofofon’ny tafio-drivotra.

23 Satria, fantatro izany, fa entinao ho amin’ny fahafatesana aho;

any amin’ny ifamotoanan’ny manana aina rehetra.

24 Kanefa tsy hanandra-tanana va izay efa ho faty,

ary tsy handefa feo miantso va izay mby an-tanan-doza?

25 Tsy efa nandatsa-dranomaso tamin’ny ory va aho?

Tsy efa nangoraka ny mahantra va ny foko?

26 Nanandrandra fiadanana aho, ka fahoriana no tonga,

nanantena fahazavana aho, ka haizina no mitranga.

27 Mandevilevy tsy mety miato ny tsinaiko;

mifàntoka amiko ny androm-pahoriana.

28 Mitsaitsaika amim-pisaonana, tsy misy masoandro aho;

matoa mitsangana aho eo am-pivoriana, dia handefa fitarainana foana.

29 Nanjary rahalahin’ny amboadia aho,

sy tonga naman’ny zanak’ostritsa.

30 Ny hoditro mihelakelaka, mivolom-balala maty;

ny taolako mirehitra azon’ny afo ao anatiny.

31 Tsy mandefa afa-tsy feom-pisaonana ny lokangako,

ary feo mitoreo ihany no avy amin’ny sodiko.

Categories
Jôba

Jôba 31

Filazan’i Jôba ny fahamarinany

1 Efa fanekena nataoko tamin’ny masoko,

ka hataoko ahoana no fanopy maso hijery virjiny?

2 Fa inona no anjara hotahirizin’Andriamanitra any ambony ho ahy?

Anjara toy inona no homen’ny Tsitoha ahy any an-danitra?

3 Tsy anjaran’ny ratsy fanahy va ny loza?

Ary tsy ho an’ny mpanao ny tsy marina ny fahoriana?

4 Moa tsy mahalala ny lalako va Andriamanitra?

Tsy manisa ny diako rehetra va Izy?

5 Raha nandia ny lalan’ny lainga aho,

raha nidodododo ho amin’ny fitaka ny tongotro,

6 holanjain’Andriamanitra eo amin’ny mizàna marina aho,

dia ho hitany ny tsy fananako tsiny.

7 Raha nivily niala tamin’ny lalana marina ny tongotro,

raha nanaraka ny masoko ny foko,

raha misy tsiny tafaraikitra amin’ny tanako;

8 dia aoka hamafy aho, fa olon-kafa no hijinja;

aoka ho fongotra ny tamingako.

9 Raha adala tamim-behivavy ny foko,

ka namitsaka teo am-baravaran’ny namako aho:

10 aoka hampihodina ny vato fitotoana ho an’ny hafa, ny vadiko;

ary aoka ho olon-kafa no hanala baraka azy.

11 Fa heloka mahatsiravina izany,

heloka fanameloky ny mpitsara,

12 afo mandoro mandra-pahalevona,

tsy maintsy ho nandevona ny fananako rehetra.

13 Raha nolaviko ny rariny ananan’ny ankizy lahy aman’ankizy vaviko,

fony ireny nifamaly tamiko;

14 Inona no hatao raha hitsangana Andriamanitra?

Inona no havaliko Azy amin’ny andro hiaviany?

15 Ilay namorona ahy tao am-bohoka, moa tsy dia nanao azy koa?

Moa tsy Mpahary iray ihany va no nampisy anay?

16 Raha nandà ny hataky ny mahantra aho;

raha nahavalalanina foana ny mason’ny mananotena aho;

17 raha nobodoiko izaho irery ny anjara mofoko,

fa tsy nazahoan’ny kamboty anjara,

18 hatramin’ny fahazazako, dia nitandrina ahy toy ny ray Izy,

hatramin’ny nahaterahako nitarika ny diako.

19 Raha nijery ny ory maty tsy manan-damba aho,

ny mahantra tsy manan-kirakofana,

20 ka tsy nisaotra ahy ny fony,

sy tsy nanafàna azy ny volon’ny zanak’ondriko,

21 raha naninji-tanana namely ny kamboty aho,

saingy nahita ahy manana ny mpitsara hiankinana:

22 aoka ny soroko hisaraka amin’ny tenabeko,

aoka ny sandriko hitsoaka amin’ny taolam-panavy.

23 Fa izaho olona nataho-tody mandrakariva avy amin’Andriamanitra,

ka tsy mahay maharitra eo anatrehan’ny fiandrianany.

24 Raha ny volamena no nametrahako ny fitokiako,

ka ny volamena madio no nataoko hoe: ‹Ianao no fanantenako›,

25 raha ny habetsahan’ny hareko no nifaliako,

mbamin’ny fananana nangonin’ny tanako;

26 raha nahita ny masoandro nandefa ny hafanàny aho,

na ny volana nandroso am-pamirapiratana,

27 ka nety ho voangoly mangingina ny foko;

raha nataoko teo am-bavako ny tanako,

28 dia heloka fanameloky ny mpitsara koa izany,

ka ho nandà an’Andriamanitra avo indrindra aho raha izany.

29 Raha nifaly noho ny fahavoazan’ny fahavaloko aho;

sy nibitabitaka noho ny loza nanjò azy;-

30 Tsia, tsy namela ny lelako hanota aho,

ka nangataka amim-panompana azy ho faty…

31 Raha tsy filazan’ny olona tao an-daiko ny hoe:

‹Aiza re no hahitana olona tsy voky tamin’ny hanin-databany?›

32 Raha nandry tany alatrano ny mpivahiny,

fa tsy mba novohako varavarana akory ny mpandeha!…

33 Raha mba nanafin-keloka toy ny ataon’ny olona aho,

ka nampihiboka ny hadisoako tato anatiko,

34 noho ny tahotro ny fivoriam-be,

noho ny tahotra sao esoin’ireo fianakaviana,

ka ho nangina aho tsy sahy nandingana ny tokonam-baravarana akory!…

35 Ah, aiza re no hahitako olona hihaino ahy?

Indro ny soniako: ‹Hamaly ahy anie ny Tsitoha!›

Aoka hanoratra ny taratasy fitarainany koa ny manana ady amiko.

36 Raha tsy ataoko eo an-tsoroko izany;

raha tsy afehiko ny handriko toy ny satroboninahitra izany!

37 Havoakako amin’ny mpitsara ahy ny diako rehetra,

hanatona azy toy ny zanak’andriana aho.

38 Raha mitaraina hiampanga ahy ny taniko,

raha nampitomaniako ny soritsoriny;

39 raha nihinana ny vokany tsy nanakarama azy aho;

raha naka an-keriny azy tamin’ny tompony marina;

40 dia aoka ho tsilo no haniry eo, hisolo ny varimbazaha,

aoka ho ahi-dratsy no hisolo ny orja.»

Tapitra eo ny lahatenin’i Jôba.

Categories
Jôba

Jôba 32

Teny fanelanelanana nataon’i Eliò.

1 Dia nitsahatra tsy namaly an’i Jôba intsony izy telo lahy ireo, satria nihombo tamin’ny fanaovana ny tenany ho marina izy io.

2 Fa nirehitra tamin’izay kosa ny fahatezeran’i Eliò, zanak’i Barakely, Bozita, fokon’i Rama. Nirehitra tamin’i Jôba ny fahatezerany, satria io nihambo ho marina noho Andriamanitra.

3 Nirehitra tamin’izy telo lahy sakaizany koa ny fahatezerany, satria tsy nahita teny tsara havaly azy izy ireo.

4 Noho ny maha-zokiny azy ireo, dia niandry i Eliò, vao niteny tamin’i Jôba.

5 Nony hitany anefa, fa tsy misy valy intsony eo am-bavan’ireto sakaizany telo lahy, dia nirehitra ny hatezerany.

6 Tamin’izay, dia niteny i Eliò, zanak’i Barakely, Bozita, ka nanao hoe:

Sava ranonando

«Izaho vao tanora, ianareo efa anti-panahy;

ka izany no natahorako, tsy nahasahiako

ny hampahalala anareo izay mba hevitro.

7 Hoy aho anakampo: ‹Hiteny ireo be andro,

hanambara ny fahendrena ny hamaroan’ny taona›.

8 Kanefa ny fanahy napetraka ao anatin’ny olombelona,

dia ny fofon’ain’ny Tsitoha no manome ny fahazavan-tsaina.

9 Fa tsy ny taona no mampahazo ny fahendrena,

tsy ny fahanterana no hahalalana ny rariny.

10 Koa izao no lazaiko, mihainoa ahy;

fa izaho koa mba hanambara ny hevitro.

11 Raha mbola niteny ianareo, dia niandry aho;

nampandry sofina tamin’ny porofo nalahatrareo aho,

mandra-pahatapitry ny fifandaharanareo.

12 Narahiko saina mitandrina ny anareo,

ary tsy naharesy lahatra an’i Jôba ianareo;

tsy nisy nahatohitra ny teniny ianareo.

13 Aza manao hoe: ‹Nahita ny fahendrena izahay,

Andriamanitra no mamely azy, fa tsy olombelona›.

14 Tsy mba hamely ahy no nanononany ny lahateniny;

nefa tsy mba ny teninareo no hamaliako azy.

15 Indreo, very hevitra izy ireo, ka tsy mamaly akory;

tsy mahita teny halahatra intsony.

16 Nandrasako izay hahataperan’ny teniny,

izay hijanonany tsy miteny, tsy manan-kavaly.

17 Ka dia mba anjarako kosa izao ny miteny,

fa mba te-hilaza izay hevitro kosa aho.

18 Feno lahateny aho,

ka asesiky ny fanahy ato anatiko aho.

19 Efa toy ny divay voatsentsina ny foko,

dia tahaka ny siny hoditra feno divay mila hipoaka.

20 Ka aoka hiteny aho, mba hisy hiainako malalaka;

aoka hisokatra ny molotro mba hamaliako.

21 Tsy mba hizaha tavan’olona aho,

na handoka olona na iza na iza;

22 fa tsy mba mahay mandoka;

fa raha tsy izany dia halain’ny Mpahary ahy, eo no ho eo ihany aho.

Categories
Jôba

Jôba 33

Be hambo ianao, ry Jôba

1 Koa ankehitriny, ry Jôba, henoy ny teniko,

mampandria sofina amin’izay rehetra alahatro.

2 Indro aho miloa-bava,

mamoron-teny ato am-bavako ny lelako,

3 hivoaka amin’ny fo mahitsy ny teniko,

ny marina tsy misy fitaka no hotononin’ny molotro.

4 Ny fanahin’Andriamanitra nahary ahy;

ny fofon’ain’ny Tsitoha no manome ahy ny aina,

5 raha hainao atao, valio aho hoe:

Alaharo izay porofonao eo anatrehako, miarena amin-kasahiana.

6 Eo anatrehan’Andriamanitra dia mitovy aminao aho,

fa natao tamin’ny fotaka tahaka anao koa aho.

7 Ka ny tahotra ahy tsy hampiraika anao;

ary ny lanjan’ny fahalehibeazako tsy hitambesatra aminao.

8 Eny, efa nilaza teo amin’ny sofiko ianao,

sady reko tsara ny feon’ny teninao hoe:

9 ‹Madio afaka amin’ny fahotana rehetra aho,

tsy manan-tsiny aho, tsy misy haratsiana ato amiko:

10 kanefa manao izay hahitany antony hankahalany ahy Andriamanitra,

ka ataony toy ny fahavalony aho.

11 Nataony am-boloky hazo ny tongotro;

tsikiloviny avokoa ny diako rehetra›.

12 Ny valy ataoko aminao, dia tsy marina ny anao amin’izany;

fa lehibe noho ny olombelona Andriamanitra.

13 Ka nahoana no mifanditra aminy,

noho Izy tsy mamoaka izay ataony na amin’iza na amin’iza?

14 Miteny ihany anefa Andriamanitra, mbetika toy izao,

mbetika toy izao, saingy tsy tandreman’ny olona izany.

15 Miteny amin’ny nofy, na amin’ny fahitana amin’ny alina Izy,

raha ilay sondrian-tory mafy iny ny olona;

ka matory eo am-pandriany.

16 Amin’izany no anokafany ny sofin’ny olona,

ka ny fananarany dia ataony voatombokase ao,

17 mba hampialany ny olona amin’ny asany tsy mety

sy hanesorany azy amin’ny avonavony,

18 mba hamonjeny ny fanahiny amin’ny fahafatesana,

sy ny ainy tsy ho voan’ny zana-tsipìka.

19 Ny fijaliana koa no fananarana ny olombelona eo am-pandriany

raha mampikotrana ny taolany ny ady lalandava.

20 Boboky ny mofo izy amin’izany,

ny nahandro fy, tsy tiany mainty.

21 Ny nofony mihena hita maso;

ny taolany izay tsy hita teo dia mitranitrany;

22 Mandroso manatona ny lavaka izy,

ny ainy efa azon’ny halozan’ny fahafatesana.

23 Raha mahita ho mpanalalana anefa izy,

anjely iray amin’ny arivo

izay hampahalala ny olombelona ny tsy maintsy ataony,

24 dia hamindra fo aminy Andriamanitra, ka hanao amin’ny Anjely hoe:

‹Afaho tsy hidina any an-davaka izy,

fa efa nahita ny avotry ny ainy Aho.›

25 Amin’izay ny nofony dia mandina noho ny an’ny tanora kely,

fa miverina amin’ny andron’ny fahatanorany izy.

26 Mivavaka amin’Andriamanitra izy, ary Andriamanitra manambina azy;

mibanjina ny tavany amim-piravoravoana izy,

ary ny Tsitoha mamerina aminy ny fahamarinany.

27 Mihira izy eo amin’ny olona, manao hoe:

‹Efa nanota aho, nandika ny rariny,

kanefa tsy novalian’Andriamanitra araka ny heloko.

28 Notsimbininy tsy hidina any an-davaka ny fanahiko;

ary mivelatra eo amin’ny hazavana ny aiko›.

29 Izany, ataon’Andriamanitra daholo izany rehetra izany,

indroa, intelo, ho an’ny olombelona,

30 mba hampiverina azy amin’ny fahafatesana,

sy hanazava azy amin’ny fahazavan’ny velona.

31 Mitandrema, ry Jôba, ka mihainoa ahy,

mangina ihany hitenenako.

32 Raha manan-kalahatra ianao, valio aho;

mitenena fa satriko mahita anao ho marina.

33 Raha tsy manan-kalahatra kosa, mihainoa ahy;

mangina fa hampianariko fahendrena ianao».

Categories
Jôba

Jôba 34

Tsy nahay nanala tsiny an’Andriamanitra ireo Olon-kendry telo.

1 Dia nanohy indray i Eliò ka nanao hoe:

2 «Mandrenesa ny teniko, ianareo olon-kendry;

mihainoa ahy tsara, ianareo manan-tsaina.

3 Fa ny sofina no mamantatra ny teny,

toy ny vava no manandrana ny hanina.

4 Ndeha isika hanao izay hahalalana ny rariny,

sy hiara-mamantatra ny tsara.

5 Efa niteny i Jôba hoe: ‹Tsy manan-tsiny aho,

saingy tsy omen’Andriamanitra rariny.

6 Nony nolazaiko ny mahamarina ahy, atao mpandainga aho;

maharary ny fery mahazo ahy, nefa tsy nanota aho.›

7 Moa misy olombelona tahaka an’i Jôba va?

Sotroiny toy ny rano ny fitenenan-dratsy an’Andriamanitra!

8 Tafakambana amin’ny mpanao ratsy izy,

ary miara-mandeha amin’ny olona mpanota.

9 Satria izao no lazainy: ‹Tsy misy asany amin’ny olombelona akory

ny mitady fitia amin’Andriamanitra.›

10 Koa mihainoa ahy ianareo olona manan-tsaina:

Lavitra an’Andriamanitra ny hanao ny tsy fahamarinana!

Lavitra ny Tsitoha ny fanaovana ny tsy an-drariny!

11 Fa mamaly ny olona araka ny asany Izy,

ary mizara amin’izy tsirairay avy araka ny lalany.

12 Eny iky, tsy manao ny tsy marina Andriamanitra,

ny Tsitoha tsy manohitra ny tsy rariny.

13 Zovy moa no nanendry Azy ho mpanapaka ny tany?

Zovy no nametraka taminy an’izao tontolo izao?

14 Raha tsy mihevitra afa-tsy ny tenany Izy,

ka sintoniny ho eo aminy ny fanahiny amam-pofon’ainy,

15 dia ho afaka aina miaraka amin’izay ny nofo rehetra,

ary hody amin’ny vovoka indray ny olombelona.

16 Raha manan-tsaina ianao, henoy izao,

mampandria sofina amin’ny feon’ny teniko:

17 fahavalon’ny rariny ve hahazo ny fahefana ambony indrindra?

Sahinao hohelohina va ilay Marina, ilay Mahefa?

18 izay miteny amin’ny mpanjaka hoe: ‹Olom-poana!›

sy amin’ny andriana hoe: ‹Olon-tsy vanona!›

19 izay tsy mba mizaha tavan’olona amin’ny lehibe,

ary tsy mijery ny manan-karena noho ny mahantra,

satria samy asa tanany avokoa izy rehetra.

20 Amin’ny indray mipỳ maso monja dia maty ireny amin’ny mamatonalina;

mangozohozo eo ny firenena, dia tsy eo intsony;

lasa tsy natosi-tanan’olonany mahery.

21 Fa mitsinjo izay alehan’ny olona ny mason’Andriamanitra,

ary hitany miharihary avokoa ny diany rehetra.

22 Tsy misy haizina na aloky ny fahafatesana,

azon’izay manao ny tsy marina ierena.

23 Tsy mila ny hijery fanindroany ny olona anankiray izy,

mba hitondrany azy ho amin’ny fitsarana miaraka aminy.

24 Fa torotoroiny tsy misy famotorana ny mahery,

dia manangana olon-kafa izy hisolo-toerana an’ireny,

25 Koa fantany ny asan’ireny,

ka hazerany amin’ny alina ireny, dia montsamontsana,

26 asiany toy ny famely ny tsy mivavaka ireny,

amin’ny fitoerana izay hahatazanan’ny olona azy,

27 satria tamin’ireny niala taminy,

sy nandà tsy hahalala ny lalany rehetra,

28 dia nampiakatra ny fitarainan’ny mahantra ho eo aminy ireny,

sy nahatonga azy hihaino ny fitarainan’ny tra-pahoriana.

29 Raha manome fiadanana Izy, zovy no hitaraina amin’izany?

Raha manafin-Tava Izy, zovy no ho afa-mahita Azy,

na firenena izany, na olona tsirairay no anaovany izany,

30 mba hanaperan’ny fanjakan’ny tsy mivavaka

ka tsy ho fandrika ho an’ny vahoaka intsony izy io?

31 Moa izy va efa nilaza tamin’Andriamanitra hoe:

‹Efa nofaizana aho, ka tsy hanota intsony,

32 atoroy ahy izay tsy fantatro,

fa raha nanao ny tsy marina aho, dia tsy hanao intsony!›

33 Moa tsy maintsy ho araka ny hevitrao va no hitsaran’Andriamanitra,

ka ianao hahazo manifika ny teny fitsarana avoakany?

Ianao no aoka hifidy araka izay tianao, fa tsy izaho,

ambarao izay fantatrao.

34 Izay olona manan-tsaina, dia hilaza amiko,

mbamin’ny olon-kendry izay mihaino ahy, hanao hoe:

35 ‹Niteny tsy amin-tsaina i Jôba,

ary tsy misy fahendrena ny lahateniny.

36 Koa aoka hozoim-pitsapana hatramin’ny farany i Jôba,

satria toy ny an’ny tsy mivavaka ny famaliny!

37 Ny fahotany ampiany fiodinana,

mitehaka eto afovoantsika izy,

ary mampitombo ny teny hanoherany an’Andriamanitra.› »

Categories
Jôba

Jôba 35

Tsy hoe tsy miraharaha ny mihatra amin’ny olombelona Andriamanitra.

1 Ary niteny indray i Eliò ka nanao hoe:

2 «Moa ataonao ho rariny va,

ny milaza hoe: ‹Ny ahy no marina noho ny an’Andriamanitra?›

3 Fa hoy ianao: ‹Mampaninona ahy moa izay tsy fananako tsiny?

Inona no soa azoko mihoatra noho ny raha nanota aho?›

4 Indro fa hamaly anao aho,

ary miaraka amin’izany koa ireo sakaizanao.

5 Tazano irỳ lanitra ka jereo;

zahao ny rahona; avo noho ianao izy.

6 Raha manota ianao, faty antoka inona moa no mahazo azy,

raha mihamaro ny hadisoanao, mampaninona azy akory?

7 Raha marina ianao, manome inona azy amin’izany?

Inona no raisiny avy eo an-tananao?

8 Ny olona tahaka anao no hany voan’ny ratsy ataonao;

ny zanak’olombelonano hany soa amin’ny fahamarinanao.

9 Mitaraina noho ny mafy afitsoky ny mpampahory ireo tra-pahoriana,

midridridridry eo ambanin’ny tanan’ny mahery izy ireo.

10 Fa tsy misy manao hoe: ‹Aiza re Andriamanitra mpahary ahy,

izay mahatonga hira fifaliana amin’ny alina,

11 izay nanao antsika manan-tsaina noho ny biby eto an-tany,

sy hendry noho ny voromanidina?›

12 Amin’izay, izy mitaraina ka tsy henoina,

eo ambany famoretan’ny ratsy fanahy be avonavona.

13 Tsy mihaino izay teniteny foana Andriamanitra

tsy mijery izany ny Tsitoha.

14 Raha hoy ianao aminy: ‹Tsy mahita izay zava-miseho akory Ianao›,

dia efa mby eo anatrehany ny momba anao, ka andraso ny fitsaràny.

15 Saingy raha mbola tsy mamely ny fahatezerany

ka hoatra ny tsy mahalala ny fahadalany izy,

16 dia indro mety mandefa vava miteniteny foana i Jôba,

sy mitaria lava amin’ny lahateny tsy misy heviny.»

Categories
Jôba

Jôba 36

Ny tena hevitry ny fijalian’i Jôba.

1 Mbola niteny indray koa i Eliò ka nanao hoe:

2 «Mahareta kely ihany, dia ampianariko ianao,

fa mbola manan-kolazaina, hanamarina ny an’Andriamanitra aho.

3 Haka ny porofoko avy any amin’ny fotony aho,

dia haneho ny fahamarinan’ny Mpahary ahy.

4 Matokia, fa tsy misy fitaka ny teny alahatro;

olona marina amin’ny heviny no eto anoloanao.

5 Indro fa mahery Andriamanitra nefa tsy mba mamingavinga olona,

mahery Izy amin’ny herin’ny fahalalany.

6 Tsy avelany ho velona ny ratsy fanahy,

ary manome rariny ho an’ny olona ory Izy.

7 Tsy mampiala ny masony amin’ny olona marina Izy,

sady mametraka ireny amin’ny seza fiandrianana miaraka amin’ny mpanjaka,

ataony tafaorina ho mandrakizay, ka dia tafasandratra izy ireo.

8 Raha avy izay hifatorany aman-gadra,

sy hisingorany amin’ny tadim-pahoriana:

9 ambarany azy ireo izay nataony,

dia ny fahotany vokatry ny fiavonavonany.

10 Sokafany hihaino fananarana ny sofiny,

dia amporisihiny izy hiala amin’ny ratsy.

11 Ka raha mihaino sy manaiky izy,

dia amin’ny fiadanana no hanaperany ny androny,

ary amin’ny fahafinaretana, ny taonany.

12 Fa raha tsy mihaino kosa izy, dia ho levon’ny sabatra,

ho faty amin’ny hajamban-tsaina.

13 Ny fo tsy mivavaka, dia entim-pahatezerana,

ka tsy mba mitaraina amin’Andriamanitra raha ataony latsaka amin’ny gadra izy ireo.

14 Izany no mahafaty tanora an’ireny;

sy mahalazo ny ainy toy ny an’ny olom-betaveta.

15 Fa ny ory kosa vonjen’Andriamanitra amin’ny fahoriany,

ary ny fijaliany no ampianarany azy.

16 Ka hotsoahany amin’ny fahaporetana koa ianao,

hapetrany eo amin’ny malalaka, amin’ny fahafahana tanteraka,

ary ho voavoatra ny latabatrao sy handrosoana izay hanim-py indrindra.

17 Fa raha fenoinao kosa ny famaran’ny tsy tia fivavahana

dia hivesatra ny fanamelohana aman-tsazin’izany ianao.

18 Ka matahora fandrao tezitra Andriamanitra ka vesarany famaizana ianao;

ary sao voafitaky ny fanatitrao sarobidy ianao.

19 Moa manafaka anao amin’ny fahoriana va ny fitarainanao,

ary na dia izay rehetra mety ho tratry ny herinao aza?

20 Aza maniry ny hiavian’ny alina;

izay aharinganan’ny firenena eo amin’ny fitoerany.

21 Mitandrema mba tsy hitodika hanatona ny tsy fahamarinana,

fa aleonao izany toy izay ny fahoriana.

22 Jereo ange: lalina loatra ny fahefan’Andriamanitra!

Tompo iza moa no mitovy aminy?

23 Zovy no mba nanorina lalana tsy maintsy halehany?

Zovy no afa-milaza aminy hoe: ‹Diso ny nataonao?›

24 Koa ny mankalaza ny asany aloha no aoka hoheverinao,

fa ambentin-kiran’ny olona ny fankalazana an’izany.

25 Fa ny olona rehetra gaga amin’izany,

ny olombelona mitazana izany avy lavitra.

26 Lehibe Andriamanitra; mihoatra ny fahalalana rehetra,

tsy takatry ny saina ny isan’ny taonany.

27 Manintona ny piti-drano madinika Izy,

dia miraraka ho ranonorana ireny, entin’ny havesarany.

28 Avelan’ny rahona hilatsaka izy

sy hirotsaka amin’ny be sy ny maro.

29 Iza no mahafantatra ny fivelatry ny rahona,

mbamin’ny fikotrokotroky ny lain’ny Tsitoha?

30 Mbetika izy mamelatra ny fahazavany manodidina azy,

mbetika miery toy ny any ambanin’ny ranomasina.

31 Toy izany no amoahany ny fitsaràny amin’ny firenena,

sy anomezany hanina ankabetsahana koa.

32 Ataony eo an-tanany ny fahazavana,

dia tondroiny aminy ny zavatra tsy maintsy iantefany.

33 Ka ny fikotrokotrony mampahalala azy mialoha,

manambara ny hiaviany ny fahatairan’ny biby fiompy.

Categories
Jôba

Jôba 37

1 Mihorohoro loatra ny foko amin’ny fahitana izany,

miantsambotra mila hiala amin’ny fitoerany izy.

2 Henoy, henoy ange ny fikotrokotroky ny feony,

ny firohondrohona mivoaka avy amin’ny vavany!

3 Alefany tsy misy mpisakana izany ho etỳ ambany lanitra tsy hita lany,

ary mamirapiratra hatrany amin’ny fara vazantany ny tselany.

4 Manaraka izany, dia misy kotroka mipoaka,

mampanehoeho ny feony mahery,

ka raha vao re ny feony, dia tsy tanany ny tselatra.

5 Mikotrokotroka mahagaga amin’ny feony Andriamanitra;

Manao zava-dehibe tsy takatry ny saintsika Izy.

6 Ny oram-panala ilazany hoe: ‹Milatsaha amin’ny tany›;

ny tandrifin-drahona mbamin’ny orana mivatravatra baikoiny.

7 Asiany tombokase ny tanan’ny olombelona rehetra,

mba hahalalan’ny olona rehetra ny mpahary azy.

8 Ny biby miditra amin’ny lavany,

dia mijanona ao an-davany.

9 Ny tadio miala amin’ny fitoerany miafina,

ny rivotra avy avaratra mampisy fanala.

10 Ny fofon’ain’Andriamanitra mampivongana ranomandry

ka tonga voageja ny rano be.

11 Vesarany etona ny rahona;

aeliny ny rahona mazava.

12 Ka indreny tazana mankatsỳ mankarỳ ireny araka ny didiny,

hanatanteraka izay rehetra andidiany azy,

eny ambonin’ny tany misy mponina.

13 Ka mbetika ny mba hanasazy ny taniny,

mbetika ho mariky ny fanambinany no anirahany azy ireny.

14 Ry Jôba ô, tandremo izany zavatra izany,

miatoa ianao handinika ny zava-mahagaga ataon’Andriamanitra.

15 Fantatrao va ny anaovany an’izany,

sy ampanjelanjelarany ny tselatra eny amin’ny rahona?

16 Azonao va ny fihevahèvan’ny rahona,

ny zava-mahagaga ataon’Ilay manam-pahalalana tanteraka,

17 ianao izay mafana ny fitafianao,

raha mijanona ny tany mandritra ny fifofofofoan’ny rivotra, avy any atsimo?

18 Mba mahavelatra ny rahona toa Azy va ianao,

ka mampitoetra mafy azy toa varahina manganohano?

19 Mba atoroy anay hoe, izay tokony holazainay aminy;

fa tsy mahay miteny aminy izahay fa tsy mba mahalala!

20 Ah! tsy hotaterina eny aminy anie ny teniko!

Fa oviana moa no mba nisy olombelona nilaza fa maniry ny ho levona?

21 Tsy mety hita ankehitriny ny fahazavan’ny masoandro,

izay mamirapiratra ao ivohon’ny rahona;

raha misy rivotra mandalo anefa, dia mampisava azy.

22 Ny volamena dia avy any avaratra no iaviany,

fa Andriamanitra kosa mba mampatahotra lahy ny fiandrianany!

23 Ny Tsitoha tsy azontsika takarina,

fa lehibe amin’ny hery, amin’ny rariny, amin’ny fahamarinana;

tsy mamoaka izay nataonyna amin’iza na amin’iza Izy.

24 Ka aoka hanaja Azy ny olombelona!

Fa tsy jereny akory izay manao azy ho hendry».