Categories
Salamo

Salamo 6

Talaho ao anatin’ny fitsapana

1 Ho an’ny mpampianatra hira. Amin’ny zava-maneno tendrena. Amin’ny Oktavy. Salamon’i Davida.

2 Iaveh ô, aza sazînao amin’ny fahatezeranao aho,

ary aza faizinao amin’ny fisafoahanao.

3 Mamindrà fo amiko, ry Iaveh, fa reraka aho;

sitrano aho, ry Iaveh, fa mangozohozo ny taolako.

4 Mitebiteby loatra ny fanahiko,

fa Ianao Iaveh mandra-pahoviana?…

5 Miverena, ry Iaveh, afaho ny fanahiko,

vonjeo aho, noho ny famindram-ponao.

6 Fa ny efa maty tsy mahatsiaro Anao intsony,

any amin’i Seoly zovy no hidera Anao?

7 Trotraka aho, azon’ny misento,

ampo-dranomaso isan’alina ny fandriako;

vonton’ny ranomasoko ny farafarako.

8 Lanin’alahelo ny masoko;

efa mason’antitra noho ny ataon’ny mpanenjika ahy rehetra izy.

9 Mialà amiko ianareo mpanao ratsy rehetra,

fa efa ren’i Iaveh ny feon’ny fitomaniako,

10 Efa nohenoin’i Iaveh ny fifonako,

efa raisin’i Iaveh ny fivavahako.

11 Hangaihay sy ho raiki-tahotra ny fahavaloko rehetra;

hihemotra izy, fa safo-kenatra tampoka.

Categories
Salamo

Salamo 7

Vavaky ny olo-marina enjehina

1 Hira firehetan’iDavida nohirainy tamin’i Iaveh, noho ny tenin’i Kosa Benjamita.

2 Iaveh Andriamanitra ô, Ianao no itokiako;

vonjeo amin’izay rehetra manenjika ahy aho, ka afaho;

3 fandrao aho dia viravirainy toy ny fanaon’ny liona,

fandrao arapany ny remby, tsy misy hanafaka.

4 Iaveh Andriamanitra ô, raha nanao izany aho,

raha misy heloka eto an-tanako,

5 raha mamaly ratsy izay tsara fihavanana tamiko aho;

raha nandroba izay nampahory ahy tsy ahoan-tsy ahoana aho,

6 dia aoka hanenjika ahy ny fahavaloko, ka hahatratra ahy;

aoka hohitsahiny amin’ny tany ny aiko;

aoka hohoseny amin’ny vovoka ny voninahitro;

7 Iaveh ô, mitsangàna amin’ny fahatezeranao;

mirohota hamely ny fisamontotry ny fahavaloko;

mifohaza hamonjy ahy, fa Ianao no mamoaka fitsarana marina.

8 Aoka hanodidina Anao ny fivorian’ny firenena!

dia misandratra eo amboniny Ianao amin’izay,

ka miakara indray any amin’ny avo.

9 Iaveh no mitsara ny firenena:

tsarao aho, ry Iaveh,

araka ny fahamarinako sy ny tsy fananako tsiny.

10 Farano ny ratsy ataon’ny ratsy fanahy,

ary hamafiso kosa ny marina,

Ianao izay mamantatra ny fo sy ny kibo, ry Andriamanitra marina ô!

11 Ny ampingako dia ao amin’Andriamanitra,

izay mamonjy ny olona mahitsy fo.

12 Mpitsara marina Andriamanitra;

mampandre ny fandrahonany isan’andro ny Tsitoha.

13 Tokoa fa manasa ny sabany indray Izy,

manenjana ny tsipîkany, dia mikendry.

14 Alefany amin’ireo ny longiny mahafaty,

ataony mahamay ny zana-tsipîkany.

15 Indro ny ratsy fanahy mihetsi-jaza hiteraka faharatsiana,

fampahoriana no torontoronina ao aminy, ary lainga no aterany.

16 Mandoaka lavaka izy, mihady azy

ary izy no latsaka amin’ny hantsana nomaniny.

17 Mitsingerina eo an-dohany ny haratsiany,

ary miverina eo an-tampon-kandriny ny fanaovany an-keriny.

18 Hidera an’i Iaveh noho ny fahamarinany aho,

sy hihira ny Anaran’i Iaveh, ilay Avo indrindra.

Categories
Salamo

Salamo 8

Lehibe ny Mpahary

1 Ho an’ny mpampianatra hira. Amin’ny Gitienina. Tononkiran’i Davida.

2 Ry Iaveh Tomponay,

mba be voninahitra re ny Anaranao, amin’ny tany rehetra!

Ny fiandriananao no nandravahanao ny lanitra!

3 Amin’ny vavan’ny ankizy sy ny mbola minono

no nanorenanao hery, hampikoy ny fahavalonao,

sy hampangina ny mpandrafy sy ny mpanao teny manevateva.

4 Raha banjiniko ny lanitrao, izay asan-tananao,

mbamin’ny volana aman-kintana izay noforoninao,

dia vaky vava aho hoe:

5 «Inona ny olombelona no mba tsarovanao?

ary ny zanak’olombelona no mba karakarainao?

6 Nataonao ambany kely noho Andriamanitraizy,

nosatrohanao voninahitra amam-piandrianana izy

7 Nampanjakainao amin’ny asan-tananao izy,

napetrakao eo ambany tongony ny zavatra rehetra:

8 omby aman’ondry tsy an-kanavaka,

mbamin’ny biby any an-tsaha;

9 voromanidina aman-kazan-dranomasina,

mbamin’izay mitety ny lalan-dranomasina.

10 Ry Iaveh Tomponay,

mba be voninahitra re ny Anaranao amin’ny tany rehetra!»

Categories
Salamo

Salamo 9

Arian’Andriamanitra ny ratsy fanahy, vonjeny ny mahantra

1 Ho an’ny mpampianatra hira. Amin’ny hira hoe Fahafatesana ho an’ny zanaka lahy.Salamon’i Davida.

2 Hidera an’i Iaveh amin’ny foko rehetra aho,

hanambara ny zava-mahagaga rehetra nataonao.

3 Hifaly sy hientan-kafaliana aminao aho,

hihira ny Anaranao aho, ry Avo indrindra ô!

4 Lasa mihemotra ny fahavaloko,

mandraingiraingy izy, dia lavo teo anatrehan’ny Tavanao.

5 Satria efa nataonao mahery ny rariny ananako sy ny adiko,

nipetraka ho mpitsara marina Ianao, teo amin’ny seza fiandriananao.

6 Nofaizinao ny firenena, naringanao ny tsy mpivavaka,

nokosehinao ho faty mandrakizay antaranoana ny anaran’ireny.

7 Levona ny fahavalo! faharavana haharitra mandrakizay!

Tanàna nofongoranao!

Very mbamin’ny fahatsiarovana azy.

8 Fa i Iaveh kosa mipetraka mandrakizay,

efa voatsangany ny sezany hitsarany;

9 ka mitsara an’izao tontolo izao amin’ny fahamarinana Izy,

mitsara ny firenena amin’ny fahitsiana

10 I Iaveh dia fiarovana ho an’ny ampahorîna,

fiarovana ho amin’ny andron’ny fahoriana.

11 Ianao no itokian’izay mahalala ny Anaranao

fa tsy mandao izay mitady Anao Ianao, ry Iaveh.

12 Mankalazà an’i Iaveh izay mitoetra any Siôna,

ambarao amin’ny firenena ny asa lehibe nataony.

13 Satria izay manadina ny ra nalatsaka dia nahatsiaro izany;

tsy nanadino ny fitarainan’ny tra-pahoriana.

14 Mamindrà fo amiko, ry Iaveh, hoy ireny;

jereo ity fahoriana amelin’ny fahavaloko ahy

fa Ianao no mampiverina ahy avy amin’ny vavahadin’ny fahafatesana,

15 mba hahazoako mitory ny fiderana rehetra,

eo am-bavahadin’ny zanaka vavin’i Siôna,

sy hientan-kafaliana noho ny famonjenao.

16 Latsaka tamin’ny lavaka nohadiny ny firenena;

voan’ny fandrika harato nafeniny ny tongony.

17 Fa niseho i Iaveh nanao ny fitsaràny,

ka ny asan-tanan’ny ratsy fanahy ihany no naningorany

azy. – Higaiona.

– Selà

18 Miverina ho any amin’ny Seoly ny ratsy fanahy,

ny firenena rehetra izay manadino an’Andriamanitra.

19 Fa ny malahelo tsy mba hadinoina hatrany hatrany;

ny fanantenan’ny ory tsy rava mandrakizay.

20 Mitsangàna, ry Iaveh, aoka tsy ho ny olombelona no hahery;

aoka hotsaraina eo anatrehan’ny Tavanao ny firenena!

21 Asio fangorohoroana ireny, ry Iaveh ô,

aoka ho fantatry ny firenena fa olombelona ihany izy!

– Selà

Categories
Salamo

Salamo 10

1 Nahoana, ry Iaveh, no mijanonaeny lavitra eny Ianao,

sy miery amin’ny andron’ny fahoriana?

2 Raha mirehareha ny ratsy fanahy dia ny mahantra no levona;

izy ireo dia voan’ny teti-dratsy noforonon’io.

3 Mirehareha amin’ny fitsiriritany ny ratsy fanahy;

manamavo an’i Iaveh ny mpandroba mandoza.

4 Hoy ny ratsy fanahy, amin’ny fianjonanjonany: Tsy mamay izy!

Tsy misy Andriamanitra. Izany no totalin-keviny.

5 Fa ambinina hatrany hatrany izy, amin’izay alehany.

Ny fitsaranao dia avo loatra ka tsy ahoany;

ny mpandrafy azy, tsofiny indray mandeha dia mihahaka.

6 Hoy izy anakampony: Tsy hangozohozo aho,

voafefy tsy ho azon-doza aho na oviana na oviana.

7 Feno ozona sy fitaka amam-panaovana an-keriny ny vavany;

hasomparana sy tsy fahamarinana no ao ambany lelany.

8 Manao otrika eo akaikin’ny tanàna izy;

mamono ny tsy manan-tsiny ao amin’ny fitoerany an-katakonana.

Mitsikilo ny olona tsy manan-kiaro ny masony;

9 mitily ao amin’ny fitoerana miafina toy ny liona ao

anaty hazo milobolobo izy;

mitily izy hisovoka ny malahelo;

samboriny ny malahelo, taominy ho ao amin’ny fandrika haratony.

10 Miondrika izy, mifitsaka,

dia lavo eo amin’ny hohony ny ory.

11 Hoy izy, anakampony: «Nanadino Andriamanitra;

efa nanarona ny Tavany Izy ka tsy mahita na inona na inona, na oviana na oviana!»

12 Mitsangàna, ry Iaveh, asandrato ny tananao ry Andriamanitra!

Aza manadino ny ampahorîna

13 Nahoana ny ratsy fanahy no dia mamingavinga

an’Andriamanitra?

ahoana no anaovany anakam-po hoe: Tsy mamay Ianao?

14 Nahita anefa Ianao, fa nijery ny fahoriana amam-pijaliana,

mba hiandraiketanao ny momba azy,

Ianao no iankinan’ny malahelo;

mamonjy ny kamboty Ianao.

15 Tapaho ny sandrin’ny ratsy fanahy;

ny tsy mpivavaka – raha karohinao ny helony,

tsy ho hitanao va izany?

16 I Iaveh no mpanjaka mandrakizay doria,

ho voafongotra eo amin’ny taniny ny firenena.

17 Efa nihaino ny fanirian’ny ory Ianao, ry Iaveh;

mankahery ny fony sady manongilana ny sofinao mihaino,

18 mba hanomezanao rariny ny kamboty sy ny hampahorina,

ka hitsahatra tsy hampitahotra intsony, ny olombelona

nalaina tamin’ny tany.

Categories
Salamo

Salamo 11

Tokin’ny olo-marina

1 Ho an’ny mpampianatra hira. Nataon’i Davida.

I Iaveh no itokiako;

ka ahoana no ilazanareo amin’ny fanahikohoe:

Mandosira any an-tendrombohitrareo toy ny vorona?

2 Fa indro ny ratsy fanahy manenjana ny tsipìkany;

nametaka tamin’ny tady ny zana-tsipìkany;

mba hitifirany ny olona mahitsy fo, ao amin’ny maizina.

3 Raha rava ny fanorenana,

inona indray no azon’ny marina atao?

4 I Iaveh izay ao amin’ny tempoly masina,

I Iaveh izay manana ny fiandrianany any an-danitra,

dia mana-maso mahiratra;

ary ny hodi-masony mizaha ny zanak’olombelona hatrao anatiny.

5 Mizaha ny marina hatrao anatiny i Iaveh;

fa mankahala ny ratsy fanahy sy ny mifaly manao an-keriny Izy.

6 Latsahany fandrika afo sy solifara hoatra ny ranonorana

ny ratsy fanahy;

rivo-mahery no ho anjara kapoakan’ireny.

7 Fa marina i Iaveh ka ny fahamarinana no tiany;

ny mahitsy fo no hibanjina ny Tavany.

Categories
Salamo

Salamo 12

Hanoherana an’izao tontolo izao mpamitaka

1 Ho an’ny mpampianatra hira. Amin’ny Torivalo. Hiran’i Davida.

2 Vonjeo, ry Iaveh ô! fa mihafongotra ny tia vavaka:

mihafoana tsy ho eo amin’ny zanak’olombelona ny mahatoky.

3 Mifampilaza lainga no ataon’ny olona;

molotra mandrobo sy feo mamorom-pitaka no itenenany.

4 Holevonin’i Iaveh anie ny molotra mandrobo rehetra,

mbamin’ny lela miteny amin’avonavona,

5 izay milaza hoe: «Mankahery anay ny lelanay;

miandany aminay ny molotray, ka iza indray no ho tomponay?»

6 Noho ny fahorian’ny ory,

amam-pisentoan’ny mahantra,

dia hitsangana Aho ankehitriny, hoy i Iaveh,

dia hitondra aminy ny famonjena izay iriny.

7 Teny madio ny tenin’i Iaveh,

volafotsy voarendrikaanatin’ny memy ambonin’ny tany Izy, ka voadio impito.

8 Ianao no hiambina azy, ry Iaveh ô;

dia hiaro azy mandrakariva amin’ity taranaka ity.

9 Mandeha manodidina azy amim-panandratan-tena ny ratsy fanahy;

fa araka ny isandratan’ny zanak’olombelona no hanetrena

azy ireo.

Categories
Salamo

Salamo 13

Antso feno toky

1 Ho an’ny mpampianatra hira. Hiran’i Davida.

2 Ry Iaveh ô, mandra-pahoviana no hanadinoanao ahy,

mandra-pahoviana no hanafenanao ny Tavanaoamiko?

3 Mandra-pahoviana no hamoromporon-kevitra ao amin’ny

fanahiko aho,

ary dia ho feno alahelo isan’andro ny foko?

Mandra-pahoviana no hitsanganan’ny fahavaloko mamely ahy?

4 Jereo, mba valio aho, ry Iaveh Andriamanitro ô!

Omeo fahazavana ny masoko

mba tsy ho renoky ny torimaso fahafatesanaaho,

5 mba tsy hanaovan’ny fahavaloko hoe: «Resiko izy!»

ka tsy hifalian’ny mpanohitra ahy, mahita ahy mangozohozo.

6 Raha izaho, dia ny hatsaram-ponao no itokiako;

ny famonjenao no hientanan’ny foko,

hihira ho an’i Iaveh aho, noho ny soa nataony tamiko.

Categories
Salamo

Salamo 14

SALAMO 14 (Volgata 13)

Ny olona tsy miaraka amin’Andriamanitra

1 Ny adala manao anakam-po hoe: «Tsy misy Andriamanitra!»

Efa simba izy ireo; asa mahamenatra no ataony;

Tsy misy manao ny tsara na dia iray aza.

2 I Iaveh mitsinjo ny zanak’olombelona eny amin’ny lanitra ambony eny,

mba hahita raha misy olon-kendry anankiray,

olona iray mitady an’Andriamanitra.

3 Efa nania izy rehetra, efa niara-nihasimba toetra avokoa;

tsy misy manao ny tsara na dia iray aza.

4 Tsy manam-pahalalana va izy rehetra ireo izay manao ny ratsy?

Mihinana ny vahoakako, toy ny fihinan-kanina;

tsy miantso an’i Iaveh izy ireo.

5 Ho tera-kovitra tampoka azon’ny fivadiham-po izy,

fa eo afovoan’ny taranaka marina Andriamanitra.

6 Tadiavinareo hokorokoroina ny hevitra kasain’ny ory.

Nefa Andriamanitra no arony.

7 Endrey! Hivoaka avy any Siôna anie ny famonjena an’i Israely.

Rehefa hampodin’i Iaveh ireo nentiko babo amin’ny vahoakany,

dia ho faly i Jakôbaary ho ravo i Israely!

Categories
Salamo

Salamo 15

Ny olona mampiantrano an’i Iaveh

Salamon’i Davida.

1 Iaveh ô, iza no honina ao an-dainao?

Zovy no hitoetra ao an-tendrombohitrao masina?

2 Izay mandeha amin’ny tsy fananan-tsiny,

izay manaraka ny rariny,

ka milaza ny marina ao am-pony.

3 Tsy manendrikendrika amin’ny lelany izy,

tsy manisy ratsy ny rahalahiny,

tsy manala baraka ny namany.

4 Ny voaheloka no mendrika halàm-baraka eo imasony;

fa ny matahotra an’i Iaveh kosa omeny voninahitra.

Raha manao fianianana mamono antoka azy izy, tsy ivadihany izany.

5 Tsy mampihana vola manao zana-bola be loatra

na mandray kolikolyhamely ny tsy manan-tsiny

Tsy hangozohozo mandrakizay izay mitondra tena araka izany.