Categories
Salamo

Salamo 26

Vavaky ny tsy manan-tsiny

1 Nataon’i Davida.

Tsarao aho, ry Iaveh, fa nandeha tamin’ny tsy fananan-tsiny aho,

I Iaveh no itokiako ka tsy hangozohozo aho.

2 Tsapao toetra aho, ry Iaveh, diniho aho,

tsapao amin’ny memyny kiboko sy ny foko;

3 Fa ny famindram-ponao no eo anoloan’ny masoko,

ary mandeha amin’ny fahamarinana aho.

4 Tsy mba miara-mipetraka amin’ny olona fandainga aho;

tsy miara-mandeha amin’ny olona manao an-kifonofono;

5 hàlako ny fivorian’izay manao ratsy,

tsy mipetraka hitsara miaraka amin’ny ratsy fanahy aho.

6 Manasa ny tanako amin’ny tsy fananan-tsiny aho,

ary manodidina ny ôtelinao aho, ry Iaveh,

7 mba handefa feo fiderana

ary hitantara ny asanao mahagaga rehetra.

8 Tiako ny mitoetra ao an-tranonao, ry Iaveh ô,

dia ny fitoerana ipetrahan’ny voninahitrao.

9 Aoka ny fanahiko tsy halainao miaraka amin’ny an’ny mpanota,

ary ny aiko miaraka amin’ny an’ny olona mpandatsa-dra,

10 fa ny tanan’ireny misy heloka

ary ny tanany ankavanana feno kolikoly.

11 Fa izaho kosa mandeha amin’ny tsy fananako tsiny;

afaho sy amindrao fo aho.

12 Tafapetraka amin’ny tany marina ny tongotro;

hisaotra an’i Iaveh ao am-piangonana aho.

Categories
Salamo

Salamo 27

Eo anilan’Andriamanitra tsy misy ahina

1 Nataon’i Davida.

I Iaveh no fahazavako amam-pamonjena ahy;

ka iza no hatahorako?

I Iaveh no mandan’ny aiko

ka zovy no hangovitako?

2 Raha nandroso ny ratsy fanahy hamely ahy,

ka hihinana ny nofoko;

raha nandroso ny rafy lahiko amam-pahavaloko;

dia izy ireo ihany no nangozohozo, ka lavo.

3 Na dia tafika iray aza no tamy hitoby hiady amiko,

tsy hatahotra ny foko;

na dia rafitra aza ny ady mamely ahy,

dia hatoky ihany aho.

4 Zavatra iray loha no angatahiko amin’i Iaveh

sady iriko fatratra:

dia te honina eo an-tranon’i Iaveh aho,

amin’ny andro rehetra iainako,

mba hifaly amin’ny toetra mahatehotian’i Iaveh,

sy hibanjina ny fitoerany masina.

5 Fa hoalofany ao amin’ny fonenany aho

amin’ny andron’ny fahoriana;

hanafina ahy amin’ny fiafenana ao an-dainy Izy,

hampitoetra ahy eo ambony vatolampyIzy.

6 Amin’izany ny lohako hisandratra ambonin’ny fahavalo,

izay manodidina ahy.

Ao amin’ny tabernaklany aho hanatitra sorom-pisaorana.

Hihira sy hanao hiram-piderana an’i Iaveh aho.

7 Ry Iaveh ô, henoy ny feoko fa miantso Anao aho,

mamindrà fo amiko, ekeo ny hatako.

8 Hoy ny feoko, milaza ny teny avy aminao: «Tadiavinareo ny Tavako»;

mitady ny Tavanaoaho, ry Iaveh.

9 Aza afeninao amiko ny Tavanao;

aza roahina an-katezerana ny mpanomponao;

Ianao no famonjena ahy, ka aza mahafoy ahy;

aza ilaozanao aho, ry Andriamanitry ny famonjena ahy.

10 Fa ny ray aman-dreniko efa nahafoy ahy;

fa i Iaveh kosa handray ahy.

11 Tompo ô, ampianaro ny lalanao aho;

tariho amin’ny lalana marina aho;

noho ny amin’ireo mitsikilo ahy.

12 Aza manolotra ahy amin’ny haromotan’ireo mpanohitra ahy;

fa vavolombelona mandainga no mitsangan-kiampanga ahy;

olona tsy mihevitra afa-tsy ny fanaovana an-keriny.

13 Endrey, raha izay re aho no tsy matoky hahita ny hatsaram-pon’i Iaveh,

any amin’ny tanin’ny velona!…

14 Manantenà an’i Iaveh!

Matokia ka herezo ny fonao!

Manantenà an’i Iaveh!

Categories
Salamo

Salamo 28

Fitalahoana sy fankasitrahana

1 Nataon’i Davida.

Ianao no antsoiko, ry Iaveh ô,

aza manentsin-tadìny amiko, ry vatolampiko,

fandrao raha mangina Ianao,

dia ho tahaka izay midina any an-davakaaho.

2 Henoy ny feon’ny fifonako,

raha mitaraina aminao aho;

raha manandratra ny tanako,

mankany amin’ny fitoerana masinao aho.

3 Aza atao indray mandripaka amin’ny ratsy fanahy aho,

amin’ireo mpamorona heloka,

izay miresaka fihavanana amin’ny namany,

kanjo hasomparana no ao am-pony.

4 Valio araka ny asanyireny, sy araka ny haratsian’ny asa nataony;

valio araka ny vitan’ny tanany izy;

omeo azy ny tamby tandrify azy.

5 Fa tsy tandreman’ny sainy ny asan’i Iaveh,

dia ny asan-tanany:

ka horavany kosa fa tsy haorina izy ireo.

6 Hisaorana anie i Iaveh, fa nihaino

ny feon’ny fifonako Izy.

7 I Iaveh no heriko sy ampingako;

Izy no nitokian’ny foko.

Efa voavonjy aho. Ka misomebin-kafaliana ny foko.

Ka hidera Azy amin’ny hirako aho.

8 Iaveh no herin’ny vahoakany,

mandam-pamonjena ho an’ny nohosorany Izy.

9 Vonjeo ny olonao,

ary tahio ny lovanao!

Ianao anie no ho mpiandry azy sy hitondra azy mandrakizay.

Categories
Salamo

Salamo 29

Antsa ho an’ny Tompo mpanao ny oram-baratra

1 Salamon’i Davida.

Manomeza an’i Iaveh, ry zanak’Andriamanitra,

manomeza voninahitra sy fahefana ho an’i Iaveh!

2 Omeo an’i Iaveh, ny voninahitry ny Anarany.

Mitsaoha an’i Iaveh amin’ny fanamiana masina.

3 Mikotrokotroka any ambony rano be ny feon’i Iaveh,

mampikotrokorana ny Andriamanitry ny voninahitra;

eny ambony rano be i Iaveh.

4 Mafy ny feon’i Iaveh;

be voninahitra ny feon’i Iaveh.

5 Manorotoro ny sederany feon’i Iaveh;

manorotoro ny sedera any Libàna i Iaveh;

6 mampitsambikina azy ireo tahaka ny vantotr’ombalahy Izy,

ka mova tsy ny zanak’ombimanga, i Libàna sy i Siriôna.

7 Mampitselatra lelafo ny feon’i Iaveh,

8 mampihorohoro ny efitra ny feon’i Iaveh,

mampihorohoro ny efitr’i Kadesa i Iaveh.

9 Mampiteraka ny serfa vavyny feon’i Iaveh,

sady mampihintsan-dravina ny ala be;

ary ao an-tempoliny ny zava-drehetra samy milaza hoe: «Voninahitra!»

10 Amin’ny safodrano dia mipetraka ao ambonin’ny fiketrahany i Iaveh,

mipetraka ao amin’ny fiketrahany ho mpanjaka mandrakizay i Iaveh.

11 Hanome hery ny vahoakany i Iaveh:

hanambina ny vahoakany, amin’ny fanomezam-piadanana azy i Iaveh.

Categories
Salamo

Salamo 30

Fisaorana fa nieren’ny fahafatesana

1 Salamo. Hira amin’ny fitokanana ny trano. Nataon’i Davida.

2 Mankalaza Anao aho, ry Iaveh, fa efa nanandratra ahy Ianao,

tsy nataonao ho fifalian’ny fahavaloko aho.

3 Iaveh Andriamanitro ô,

nitaraina taminao aho, dia nositraninao.

4 Ry Iaveh ô, nampiakatra ny fanahiko avy any amin’ny Seoly Ianao;

nampody ny aiko Ianao, nataonao lavitra izay midina any an-davaka aho.

5 Mihirà ho an’i Iaveh ianareo mpiraikitra aminy,

mankalazà ny fahatsiarovana masina Azy.

6 Fa indray mipi-maso no aharetan’ny fahatezerany,

ary mandritra ny andro iainana ny fahasoavany;

ny hariva no tonga ny fitomaniana,

ary ny maraina kosa misy ny fifaliana.

7 Hoy aho, raha mbola be ny tokiko:

Tsy hangozohozo mandrakizay aho.

8 Iaveh ô, noho ny fahasoavanao dia nohamafisinao ny tendrombohitro; –

nanafina ny Tavanao Ianao ka nitebiteby aho.

9 Niantso Anao aho, ry Iaveh,

nitaraina tamin’i Iaveh aho:

10 Mampaninona Anao moa ny mandatsa-dra ahy,

sy mampidina ahy any an-davaka?

Hidera Anao va ny vovoka;

hanambara ny fahamarinanao va izy?

11 Mihainoa, ry Iaveh ô, ka iantrao aho;

Iaveh ô, avia hamonjy ahy! –

12 Dia nampody ny fidradradradràko ho fifaliana Ianao,

namaha ny lasàkako Ianao ka nampisikina fifaliana ahy,

13 mba hankalaza Anao ny fanahiko ka tsy hangina.

Iaveh Andriamanitro ô, hidera Anao mandrakizay aho.

Categories
Salamo

Salamo 31

Vavaky ny tra-pahoriana

1 Ho an’ny mpampianatra hira. Salamon’i Davida.

2 Iaveh ô, Ianao no nataoko fialofako;

aoka tsy ho menatra aho na oviana na oviana!

vonjeo amin’ny fahamarinanao aho.

3 Atongilano amiko ny sofinao; faingàna hamonjy ahy.

Aoka ho vatolampy fiarovana ahy Ianao,

ho trano mimanda hahitako famonjena.

4 Fa Ianao no vatolampy sy trano mimandako;

ary noho ny Anaranao dia hitondra sy hitarika ahy Ianao.

5 Hanafaka ahy amin’ny fandrika harato novelariny Ianao;

fa Ianao no fiarovana ahy.

6 Apetrako eo am-pelatananao ny fanahiko,

dia hanafaka ahy Ianao, ry Iaveh Andriamanitry ny fahamarinana.

7 Hàlako izay manaja sampy foana:

fa raha izaho dia i Iaveh no itokiako.

8 Hientan-kafaliana sy haravoana noho ny hatsaram-ponao aho;

fa nijery ny fahantrako Ianao,

nahita ny fahorian’ny fanahiko Ianao,

9 ary tsy nanolotra ahy teo am-pelatanan’ny fahavaloko Ianao;

fa nampitoetra ny tongotro teo amin’ny malalaka.

10 Mamindrà fo amiko, ry Iaveh, fa tra-pahoriana aho:

simban’alahelo ny masoko,

mbamin’ny fanahiko sy ny kiboko.

11 Ny aiko lanin’alahelo;

ny taonako difotry ny sento;

ny heriko levona noho ny fahotako;

ary ny taolako fohatra.

12 Nataon’ny fahavaloko rehetra izay hahatonga ahy ho fanalam-baràka,

ho enta-mavesatra ho an’ny mifanolo-bodirindrina amiko,

ary ho tahotra ho an’ny sakaizako.

Izay mahita ahy any ivelany mandositra ahy,

13 zavatra fanadino aho, toy ny maty, lavitra ny fon’ny olona;

mova tsy ny kapoaka vaky iny aho.

14 Reko avokoa ny vava ratsin’ny be sy ny maro,

ny fangorohoroana mahazo ny manodidina,

raha ilay miara-mioko hamely ahy iny izy ireo,

fa miray tetika hamono ny aiko.

15 Nefa matoky Anao aho, ry Iaveh,

hoy aho hoe: Andriamanitro Ianao.

16 Eo an-tananao ny anjarako,

afaho amin’ny tanan’ny fahavaloko ama-mpanenjika ahy aho!

17 Ampamirapirato amin’ny mpanomponao ny Tavanao;

vonjeo amin’ny fahasoavanao aho!

18 Ry Iaveh ô, aoka tsy ho menatra aho, raha miantso Anao;

fa aoka ho an’ny ratsy fanahy ny henatra.

Aoka izy hidina mangina any amin’ny Seoly.

19 Aoka hanjary moana ny molotra mandainga,

izay miteny amin’avonavona hanohitra ny marina

amim-piavonavonana amam-paniratsirana.

20 Akory ny haben’ny hatsaram-ponao,

izay tahirizinao ho an’ireo matahotra Anao,

izay asehonao amin’ireo manao Anao ho fialofany,

eo imason’ny zanak’olombelona!

21 Alofanao eo amin’ny aloky ny Tavanao izy;

mba tsy ho tratry ny teti-dratsy ataon’ny olona izy;

mpampiery azy ao an-dainao Ianao,

mba tsy ho azon’ny lela mamely azy izy.

22 Hisaorana anie i Iaveh!

fa nasehony miharihary ny famindram-pony tamiko,

tamin’ny nametrahany ahy tao an-tanàna mimanda.

23 Hoy aho tamin’ny fahatairako:

«Nariana lavitra ny fijerinao aho!»

Kanjo nihaino ny feon’ny fifonako Ianao,

nony nitaraina taminao aho.

24 Tiava an’i Iaveh ianareo rehetra mazoto mivavaka aminy;

Miaro ny olona miraikitra aminy i Iaveh,

fa faiziny mafy kosa ny mpiavonavona.

25 Matokia ary mahereza fo,

ianareo rehetra manantena an’i Iaveh!

Categories
Salamo

Salamo 32

Hasambaran’izay mibaboka heloka

1 Nataon’i Davida. Fisaintsainana masina.

Sambatra izay voaesotra ny helony,

sy voavela ny fahotany.

2 Sambatra ny olona tsy tanan’i Iaveh heloka,

izay tsy misy fitaka ny fanahiny.

3 Raha mbola nangina aho, nihalany ny taolako rehetra,

tamin’ny fitolokoko isan’andro.

4 Fa nanindry ahy, andro aman’alina, ny tananao;

nihamaina ny herin’ny aiko tamin’ny hainandro lohataona.

– Selà

5 Nambarako taminao ny fahotako, tsy mba nafeniko ny heloko.

Hoy aho: «Hiaiky ny fahadisoako amin’i Iaveh aho.»

Dia navelanao kosa ny heloky ny fahotako

– Selà

6 Ka aoka hivavaka aminao ny olona tia vavaka rehetra,

amin’ny fotoana mety.

Marina, fa amin’ny fahatondrahan’ny rano be,

dia tsy hahatratra azy izany.

7 Ianao no fialofako; hiaro ahy amin’ny fahoriana Ianao,

hodidininao hiram-pamonjena aho.

– Selà

8 Hampianarikosy hasehoko anao izay lalan-kizoranao;

ho mpanolo-tsaina anao Aho, sady hitsinjo anao ny masoko.

9 Aza manahaka ny soavaly ama-mole tsy manan-tsaina:

tsy maintsy entina amin’ny vy sakam-bavany

aman-damboridy ireny;

fa tsy mety manaiky izy raha tsy izany.

10 Fahoriana be no anjaran’ny ratsy fanahy;

fa fahasoavana kosa no manodidina an’izay matoky an’i Iaveh.

11 Mifalia sy miravoravoa amin’i Iaveh ianareo olo-marina,

Manaova hobin-kafaliana ianareo mahitsy fo rehetra!

Categories
Salamo

Salamo 33

Antsa ho an’Andriamanitra Mpitsimbina

1 Mifalia ao amin’i Iaveh ianareo, ry olo-marina;

fa ny midera no fanao mendrika ny olo-mahitsy.

2 Miderà an’i Iaveh amin’ny harpa,

mihirà ho azy amin’ny valiha tory folo.

3 Mihirà fihiram-baovao ho voninahiny;

ampiaraho amim-pahaizana amin’ny zava-maneno ny feonareo.

4 Fa mahitsy ny tenin’Andriamanitra,

ary tanteraka tsy misy tomika ny asany rehetra.

5 Tia ny rariny sy ny hitsiny Izy;

henika ny hatsaram-pon’i Iaveh ny tany.

6 Ny tenin’i Iaveh no nanaovana ny lanitra;

ary ny fofon’ain’ny vavany no nanaovana ny tafiny rehetra.

7 Manangona ny ranon’ny ranomasina izy toy ny zavatra iray miavosa,

ny ranon’ny hantsana ataony ao amin’ny fanangonana azy.

8 Aoka hatahotra an’i Iaveh ny tany rehetra!

Aoka hangovitra eo anatrehany ny mponina rehetra

amin’izao tontolo izao.

9 Fa niteny ihany Izy, dia àry izao rehetra izao,

nandidy Izy dia nisy ny zavatra rehetra.

10 Manakorontana ny fisainan’ny firenena I Iaveh,

maha-tsinontsinona ny hevitry ny vahoaka Izy.

11 Fa ny hevitr’i Iaveh kosa maharitra mandrakizay

ny fisainan’ny fony mahatratra ny taranaka fara mandimby rehetra.

12 Sambatra ny firenena manana an’i Iaveh ho Andriamaniny;

sambatra ny vahoaka nofidiny ho lovany!

13 Mijery i Iaveh eny an-danitra;

mahita ny zanak’olombelona rehetra Izy;

14 eny amin’ny fitoeran’ny fonenany dia tazaniny

ny mponina rehetra amin’ny tany,

15 dia Izy mpamorona ny fon’izy rehetra,

Izy mpamantatra ny asan’izy rehetra.

16 Tsy ny hamaroan’ny miaramilany no ahazoan’ny mpanjaka fandresena;

tsy ny heriny lehibe no ahombiazan’ny mpiady;

17 ny soavaly tsy vanon-kampahazo famonjena;

ary ny havitrihany rehetra tsy ahazoana antoka amin’ny fahafahana.

18 Ny mason’i Iaveh mitsinjo izay matahotra Azy,

dia ireo manantena ny hatsaram-pony,

19 mba hanafaka ny fanahiny amin’ny fahafatesana,

sy hamelona azy amin’ny andro mosarena.

20 Miandry an’i Iaveh amim-pitokiana ny fanahintsika;

famonjena antsika sy ampingantsika Izy;

21 fa Izy no ataon’ny fontsika foto-pifaliana,

fa ny Anarany masina no ataontsika fototry ny fitokiantsika.

22 Iaveh ô, ho aminay anie ny fahasoavanao,

araka ny anantenanay Anao!

Categories
Salamo

Salamo 34

Fiderana ny rariny ataon’Andriamanitra

1 Nataon’i Davida, tamin’izy nody adalateo anatrehan’i Abimeleka, ka noroahiny izy, dia lasa.

2 Te hisaotra an’i Iaveh mandrakariva aho;

ho eo am-bavako mandrakariva ny fiderana Azy.

3 I Iaveh no ireharehan’ny fanahiko;

aoka handre sy hifaly ny manetry tena.

4 Miaraha amiko ianareo hankalaza an’i Iaveh:

aoka isika hiara-midera ny Anarany.

5 Nitady an’i Iaveh aho, dia nihaino ahy Izy,

ary nanafaka ahy tamin’ny tahotro rehetra.

6 Raha mitodika azy ny olona dia miramiran’ny hafaliana,

ary tsy safo-kenatra ny tavany.

7 Niantso ity olo-mahantra, dia nohenoin’i Iaveh,

sy novonjeny tamin’ny fahoriany rehetra.

8 Ny Anjelin’i Iaveh mitoby,

manodidina izay matahotra Azy, ka mamonjy azy.

9 Andramo ka zahao ange izany hatsaran’i Iaveh.

Sambatra ny olona manao Azy ho fialofany.

10 Matahora an’i Iaveh ianareo olo-masiny,

fa tsy ho voan’ny fahantrana izay matahotra Azy.

11 Ny liona tanora mety noana aman-tsy ampy hanina ihany,

fa izay mitady an’i Iaveh tsy orin-java-tsoa akory.

12 Avia, anaka, mihainoa ahy,

hampianariko ny fahatahorana an’i Iaveh ianareo.

13 Iza no olona mankamamy ny aina,

iza no maniry andro lava hanaranam-po amin’ny fahasambarana?

14 Arovy amin’ny ratsy ny lelanao,

ary amin’ny teny fitaka ny molotrao.

15 Mandosira ny ratsy ary manaova ny tsara,

mitadiava fihavanana ary katsaho izany.

16 Ny mason’i Iaveh mitsinjo ny marina

ary ny sofiny mihaino ny fitarainany.

17 Ny Tavan’i Iaveh manandrina ny mpanao ratsy,

mba hamongorany ny fahatsiarovana azy eo amin’ny tany.

18 Fa mitaraina kosa ny marina, dia mihaino azy i Iaveh,

ka manafaka azy amin’ny fahoriany rehetra.

19 Eo akaikin’izay torotoro fo i Iaveh,

ary mamonjy izay rera-panahy Izy.

20 Iharam-pahoriana matetika ny marina,

fa esorin’i Iaveh amin’izany rehetra izany kosa.

21 Miaro ny taolany rehetra Izy,

tsy hisy ho tapaka ireny, na dia iray aza.

22 Ny ratsy no mahafaty ny ratsy fanahy;

ary sazina ny mpankahala ny olo-marina.

23 Fa avotan’i Iaveh kosa ny fanahin’ny mpanompony;

ary tsy misy faiziny izay rehetra mialoka aminy.

Categories
Salamo

Salamo 35

Vavak’olo-marina enjehina

1 Nataon’i Davida.

Ry Iaveh ô, mameleza an’izay mamely ahy;

miadia amin’izay miady amiko.

2 Raiso ny ampinga kely aman-dehibe,

ka mitsangàna Ianao hamonjy ahy!

3 Tsoahy ny lefona, sakano lalana izay manenjika ahy;

lazao amin’ny fanahiko hoe: «Izaho no famonjena anao.»

4 Aoka ho menatra sy hangaihay izay mitady ny aiko;

aoka hihemotra sy hangaihay izay mihevitra hampidi-doza amiko.

5 Aoka hanahaka ny akofa tsofin’ny rivotra izy,

ka horoahin’ny Anjelin’i Iaveh eo anatehany.

6 Aoka ho maizina sady malama ny lalany,

ary aoka hanenjika azy ny Anjelin’i Iaveh.

7 Fa nanao fandri-totofana hamelezana ahy tsy ahoan-tsy ahoana izy;

nihady ny lavaka hahaverezany ahy tsy ahoan-tsy ahoana izy.

8 Aoka ny fandringanana ho tonga tampoka aminy,

aoka ny fandrika nafeniny hahavoa azy;

aoka ho latsaka sy matin’izany izy.

9 Fa ny fanahiko kosa hifaly amin’i Iaveh,

hiravoravo amin’ny famonjeny.

10 Ny taolako rehetra hanao hoe: Iaveh ô, iza no tahaka Anao,

izay manafaka ny malahelo amin’ny mahery noho izy,

mbamin’ny malahelo sy ny mahantra amin’izay mamabo azy?

11 Misy vavolombelona tsy marina mitsangana;

ka miampanga ahy amin’ny zavatra tsy fantatro,

12 mamaly ratsy ny soa izy amiko,

ka latsaka am-pandaozana ny fanahiko.

13 Izaho anefa, fony izy ireo marary, nitafy lamba fivalozana,

nampijaly ny aiko tamin’ny fifadian-kanina,

ary ny fivavahako niverina tao ampofoako.

14 Nandeha midanesaka aho, toy ny malahelo sakaiza aman-drahalahy,

nitanondrika tamin’alahelo, toy ny misaona reny aho.

15 Kanjo ankehitriny nony mangozohozo aho, mifaly sy mivory izy ireo,

mivory takona ahy, hamely ahy ny mpanoso-dratsy;

mamiravira ahy tsy an-kijanona izy ireo.

16 Mova tsy ny mpitakarina veta mpanao vava mananihany,

mikotro-nify erỳ izy amiko.

17 Tompo ô, mandra-pahoviana no hojerenao izany?

Tsoahy amin’ny fanenjehan’ireo ny fanahiko,

ary amin’ny hasahian’ireo liona ireo, ny aiko!

18 Hidera Anao eo amin’ny fivorian-dehibe aho;

hankalaza Anao eo afovoan’ny vahoaka be aho.

19 Aoka tsy hifalian’izay mamely ahy foana aho!

Aoka tsy hihiringiri-masoizay mankahala ahy tsy ahoan-tsy ahoana!

20 Fa tsy mba fitenim-pihavanana no fitenin’ireny,

fa fitaka hamelezana ny mponina mandry fahizay no saintsaininy.

21 Atanatanany amiko ny vavany,

dia hoy izy: Hia, sakoa izay, masonay no nahita…

22 Ry Iaveh ô, hitanao izao. Aza dia mety mangina fotsiny;

Tompo ô, aza manalavitra ahy!

23 Miarena ka mitsangàna hampahazo ahy ny rariny

sy hiaro ahy amin’ny adiko, ry Andriamanitro sy Tompoko ô.

24 Tsarao araka ny fahamarinanao aho, ry Iaveh Andriamanitro ô,

ary aoka tsy ho foto-pifaliany aho.

25 Aoka izy tsy hanao anakam-po hoe: Afa-po ny fanahintsika.

Aoka izy tsy hanao hoe: Laninay iny.

26 Aoka hiara-menatra sy hangaihay avokoa

izay mifaly noho ny loza manjò ahy.

Aoka ho safo-kenatra sy afa-baraka,

izay mitsangan-kamely ahy!

27 Fa aoka hifaly sy hiravoravo kosa,

ireo maniry ny hahazoako ny rariny!

Aoka ireo hanao mandrakariva hoe:

Voninahitra anie ho an’i Iaveh

Izay mankasitraka ny fiadanan’ny mpanompony!

28 Ary ny lelako hankalaza ny fahamarinanao,

hanao fiderana Anao isan’andro isan’andro.