Categories
Salamo

Salamo 36

Haratsian’ny mpanota sy hatsaram-pon’Andriamanitra

1 Ho an’ny mpampianatra hira. Nataon’i Davida mpanompon’i Iaveh.

2 Ny tsy fahamarinanao miteny amin’ny ratsy fanahy ao am-pony;

ny fahatahorana an’Andriamanitra tsy mba eo imasony.

3 Fa mandoka tena izy, eo imason’Andriamanitra.

Mihevitra fa hoe angamba tsy ho hitan’Andriamanitra na oviana na oviana

sy tsy hankahalainy ny helony.

4 Tsy fahamarinana sy fitaka no tenenin’ny vavany;

efa natsahany ny mahalala sy manao soa.

5 Tsy fahamarinana no saintsaininy eo am-pandriany;

lalana tsy marina no ifikirany;

tsy ariany ny ratsy.

6 Ry Iaveh ô, mipaka amin’ny lanitra ny hatsaram-ponao,

mihatra amin’ny rahona ny fahamarinanao.

7 Tahaka ny tendrombohitr’Andriamanitrany hatsaram-ponao,

toy ny hantsana lehibe indrindra ny fitsarànao.

Ry Iaveh, samy tandremanao ny olona sy ny biby.

8 Akory ity hasarobidin’ny hatsaram-ponao, Andriamanitra ô.

Ny aloky ny elatrao no itadiavan’ny zanak’olombelona fialofana.

9 Boboky ny menaky ny tranonaoizy;

ary onim-pifaliana no ampisotroanao azy.

10 Fa ao aminao no misy ny loharanon’aina;

ary amin’ny fahazavanao no ahitanay fahazavana.

11 Tohizo ny hatsaram-ponao amin’izay matahotra Anao,

sy ny fahamarinanao amin’izay mahitsy fo.

12 Aoka ny tongotry ny mpiavonavona tsy hahatratra ahy,

ary ny tanan’ny ratsy fanahy tsy hampandositra ahy!

13 Indro fa lavo ny mpanao ratsy!

Voaongana izy sady tsy afa-miarina.

Categories
Salamo

Salamo 37

Ny anjaran’ny olo-marina sy ny meloka

1 Nataon’i Davida.

Aza tezitra noho ny amin’ny mpanao ratsy,

na mitsiriritra ny toetr’izay mpanao heloka.

2 Fa hojinjaina faingana tahaka ny ahitra ireny,

ka halazo tahaka ny ahi-maitso.

3 Matokia an’i Iaveh, ary manaova soa;

monena amin’ny tanyary manaràna fo amin’ny fahatokiany.

4 I Iaveh no ataovy firavoravoanao,

dia omeny anao izay irin’ny fonao.

5 Ankino amin’i Iaveh ny anjaranao,

dia matokia Azy, fa dia hanao Izy;

6 hataony mamirapiratra toy ny mazava ny fahamarinanao;

ary tahaka ny andro mitatao vovonana ny fanananao ny rariny.

7 Mitoera amim-panginana, eo anatrehan’i Iaveh ary manantenà Azy;

aza tezitra noho ny amin’izay ambinina amin’ny lalany,

dia ny olona mahomby amin’ny tetikadiny.

8 Atsaharo ny hatezerana, halaviro ny havinirana;

aza misafoaka foana ka hipaka amin’ny ratsy.

9 Fa ny ratsy fanahy hofongorana;

ary izay matoky an’i Iaveh no hanana ny tany.

10 Raha afaka kelikely foana dia tsy ho eo intsony ny ratsy fanahy;

mijery ny fitoerany ianao, fa efa nanjavona izy.

11 Ny malemy fanahy no hanana ny tany;

ka ho finaritra mankafỳ fiadanana lehibe.

12 Ny ratsy fanahy namoron-tsain-dratsy, hamelezana ny marina,

sady manidy vazana aminy.

13 Fa ny Tompo kosa mihomehy ny ratsy fanahy,

satria hitany fa tonga ny androny.

14 Ny ratsy fanahy manatsoaka ny sabany, manenjana ny tsipìkany

handavo ny ory sy ny malahelo,

hamono izay mahitsy lalana.

15 Ny sabany hiditra amin’ny fony ihany;

ary ny tsipìkany ho tapatapaka!

16 Aleo ny kely ananan’ny olo-marina,

toy izay ny be ananan’ny olon-dratsy maro;

17 fa ny sandrin’ny mpanao ratsy, ho tapatapaka;

ary ny olo-marina kosa hotohanan’i Iaveh.

18 Fantatr’i Iaveh ny andron’ny marina;

ary ny lovany haharitra mandrakizay.

19 Tsy mba menatra izy amin’ny andron’ny fahoriany;

ary ho voky amin’ny taona mosarena.

20 Fa ny ratsy fanahy kosa ho levona;

ny fahavalon’i Iaveh hanahaka ny voninahitry ny tanim-bilona;

ho lasan-ko setroka ireny, dia ho levona.

21 Ny ratsy fanahy misambotra, nefa tsy mamerina,

fa ny marina kosa be antra ka manome.

22 Izay tahin’i Iaveh hanana ny tany;

izay ozoniny dia hofongorana.

23 I Iaveh no mahamafy ny dian’ny olo-marina;

ary mankasitraka ny lalany.

24 Raha lavo izy tsy mba miampatra amin’ny tany;

fa i Iaveh mitantana azy.

25 Efa tanora ihany aho; ary indro antitra ankehitriny;

fa tsy mba hitako nafoy izay olo-marina,

na ny taranany nangataka hanina.

26 Antra olona mandrakariva izy ka mampisambotra;

ary mahazo fanambinana ny taranany.

27 Halaviro ny ratsy ary manaova ny tsara,

dia mitoera mandrakizay ao am-ponenanao.

28 Fa tian’i Iaveh ny rariny,

ary tsy foiny ny olo-miraiki-po aminy.

Eo ambany fiambenany mandrakariva ireny,

fa ny taranaky ny ratsy fanahy kosa hofongorana.

29 Hanana ny tany ny olo-marina,

dia honina eo mandrakizay.

30 Milaza fahendrena ny vavan’ny marina;

ary manambara ny rariny ny lelany,

31 ny lalàn’ny Andriamaniny dia ao am-pony,

tsy mba solafaka ny diany.

32 Ny ratsy fanahy mitsikilo ny marina,

ka mitady izay hahafaty azy;

33 fa i Iaveh tsy mahafoy azy ho eo an-tanany;

ary tsy manameloka azy, raha avy izay hitsarana azy.

34 Miandrasa an’i Iaveh, ary araho ny lalany,

dia hanandratra anao Izy, ka hanana ny tany ianao;

raha avy izay hamongorana ny ratsy fanahy, dia ho hitanao izany.

35 Nahita ny tsy mpivavaka efa mby eo amin’ny fanaperam-pahefana aho,

nisandrahaka tahaka ny hazo maitso maniry izy.

36 Nandalo aho dia tsy teo intsony izy;

nitady azy aho fa tsy hita intsony izy.

37 Mba diniho kosa ange ny marina, ka jereo ny mahitsy:

fa manam-para mandimby ny olona tia fihavanana,

38 Fa ny mpikomy kosa haringana avokoa;

ny taranaky ny ratsy fanahy hofongorana.

39 Avy tamin’i Iaveh no iavian’ny famonjena ny marina;

mpiaro azy amin’ny andron’ny fahoriana Izy.

40 I Iaveh no tonga manampy sy manafaka azy;

manafaka amin’ny ratsy fanahy sy mamonjy azy Izy,

satria Izy no nataony fototry ny fitokiany.

Categories
Salamo

Salamo 38

Vavaka raha sendra ny mahory

1 Salamon’i Davida. Ho fampahatsiarovana.

2 Ry Iaveh ô, aza mamay ahy amin’ny fahatezeranao;

aza manasazy ahy amin’ny fahaviniranao.

3 Fa nahavoa ahy ny zana-tsipìkanao;

ary nanindry ahy ny tananao.

4 Tsy misy salama ny nofokonoho ny hatezeranao;

ary tsy misy tsy marofy ny taolako noho ny fahotako.

5 Fa misondrotra manafotra ny lohako ny fahotako,

toy ny enta-mavesatra izy mahareraka ahy amin’ny havesarany.

6 Maimbo sady mihady ny feriko

azon’ny fahadalako.

7 Mitanondrika rera-po indrindra aho,

mamindra amin’ny fisaonana mandavan’andro.

8 Ny valahako hanin’ny aretina mahamay;

ary ny nofoko tsy misy salama.

9 Osa loatra aho sy torovana izaitsizy,

velon-tsento aho noho ny tebitebin’ny foko.

10 Tompo ô, eo anatrehanao avokoa ny faniriako,

ary tsy miafina aminao ny sentosentoko.

11 Ny foko miemponempona, ny heriko nandao ahy;

ary ny fahiratan’ny masoko aza tsy ato amiko intsony.

12 Manalavitra ny feriko ny sakaiza ama-namako,

ary ny havako mihatakataka amiko.

13 Izay mitady ny aiko mamela-pandrika;

izay mikendry ny fahoriako manonona fandrahonana,

tontolo andro izy misaina tetik’ady.

14 Izaho izany efa tahaka ny marenina tsy mahare;

efa tahaka ny moana izay tsy mahaloa-bava.

15 Mova aho tsy ny olona tsy mandre,

izay tsy manan-kavaly haloaky ny vavany.

16 Ao aminao, ry Iaveh, ny fanantenako;

Ianao, ry Tompo Andriamanitro, no hamaly!

17 Fa hoy izaho: «Enga ka tsy ho antom-pifaliany aho,

enga anie ka tsy hitsangan-kamely ahy izy

ireo raha mangozohozo ny tongotro.»

18 Fa mila ho lavo aho,

ary eo anatrehako lalandava ny alaheloko.

19 Fa dia miaiky ny heloko aho;

raiki-tahotra aho noho ny fahotako.

20 Ny fahavaloko be aina ary mahery;

izay mandrafy ahy tsy ahoan-tsy ahoana nitombo isa.

21 Mamaly ratsy ny soa izy ireo amiko;

mankahala ahy izy noho izaho mitady ny rariny.

22 Aza ilaozanao aho, ry Iaveh ô!

Aza halavirinao aho, ry Andriamanitro ô!

23 Faingàna hamonjy ahy Ianao,

ry Tompo, Ianao ilay famonjena ahy!

Categories
Salamo

Salamo 39

Tsinontsinona ny olombelona eo anatrehan’Andriamanitra

1 Ho an’ny mpampianatra hira, ho an’i Iditona. Hiran’i Davida.

2 Hoy aho: «Hitandrina ny lalako aho,

sao manota amin’ny lelako.

Asiako hidiny ny vavako,

dieny mbola eo anatrehako koa ny ratsy fanahy.»

3 Dia lasan-ko moana aho tanatin’ny fanginana,

nangina ahona dia voaesotra amiko aza ny fananana rehetra.

Kanjo nihetsika ny fanaintainako,

4 nirehitra tato anatiko ny foko;

tamin’ny fieritreretako dia nisy afo nirehitra,

ka tonga teo amin’ny lelako ny teny.

5 Ry Iaveh ô, ampahafantaro ahy ny fara andro hiainako,

dia ny fetry ny androko,

hahafantarako ny maha-mora levona ahy.

6 Nataonao vody voampelatanana monja ny androko;

ary toy ny tsinontsinona eo anatrehanao ny fiainako.

Eny, tso-drivotra foana avokoa, ny olombelona velona.

– Selà

7 Eny, mandalo toy ny aloka ny olona;

eny, tsy misy asany ny fikofokofohany;

manangona izy, nefa tsy mahalala izay handray izany.

8 Ankehitriny, Tompo ô, inona no azoko antenaina?

Ao aminao ny fanantenako!

9 Afaho amin’ny fahadisoako rehetra aho;

aza atao ho fandàtsan’ny adala aho.

10 Mangina tsy miloa-bava aho;

fa Ianao no manao izao.

11 Avilio tsy hihatra amiko ny fikapohanao:

fa reraka aho, azon’ny hamafin’ny famelezan’ny tananao.

12 Raha faizinao ny olona, ka manasazy azy amin’ny fahadisoany Ianao,

dia mandrava izay maminy indrindra, toy ny kalalao Ianao.

Eny, tso-drivotra foana ny olombelona.

– Selà

13 Henoy ny fivavahako, ry Iaveh ô,

atongilano ny sofinao amin’ny fitarainako,

aza dia tsy mihontsina amin’ny fitomaniako!

Fa vahiny ao aminao aho,

mpivahiny toy ny razako rehetra.

14 Avilio tsy hijery ahy ny masonao, ka avelao mba hisy hiainako,

alohan’ny hahalasanako, ka tsy ho velona intsony aho!

Categories
Salamo

Salamo 40

Fisaorana sy antso vonjy

1 Ho an’ny mpampianatra hira. Nataon’i Davida. Salamo.

2 I Iaveh no nametrahako ny fanantenako rehetra;

nitongilana tamiko Izy, nihaino ny fitarainako.

3 Notsoahany tamin’ny lavaka fahaverezana aho,

sy tamin’ny fotaka mandrevo;

najorony tamin’ny vatolampy ny tongotro,

nataony matotra ny diako.

4 Nanisy fihiram-baovao teo am-bavako Izy,

hira fiderana ny Andriamanitsika;

maro no mahita izany ka manaja an’i Iaveh,

sy matoky Azy.

5 Sambatra ny olona mametraka ny fitokiany amin’i Iaveh,

ka tsy mivadika hankamin’ny mpiavonavona

sy amin’izay maniasia entin’ny lainga.

6 Nohamaroinao, ry Iaveh Andriamanitro,

ny zava-mahagaga aman-kevitra voakasanao anasoavanao anay;

tsy misy azo ataha Aminao.

Maniry hitory sy hanambara an’ireny aho,

fa mihoatra ny azo lazaina Izy.

7 Tsy sitrakao ny sorona amam-panatitra,

notevehinao ny sofiko;

tsy ilainao ny sorona dorana aman-tsorona fanonerana.

8 Ka hoy aho amin’izany: «Inty aho tonga,»

miaraka amin’ny horonan-taratasy voasoratra ho ahy.

9 Ny hanao ny sitraponao no sitrako, ry Andriamanitra ô!

ary ny lalàna no ato anatin’ny foko.

10 Hitory ny fahamarinanao eo amin’ny fivorian-dehibe aho;

tsy hanakombona ny molotro aho,

fantatrao izany, ry Iaveh ô!

11 tsy hotanako miafina ato am-poko ny fahamarinanao;

hitory ny tsy fivadihanao amam-pamonjenao aho,

ary tsy hangina manafina ny hatsaram-ponao

amam-pahamarinanao, eo amin’ny fivorian-dehibe.

12 Tsy hanampina ny famindram-ponao amiko anie Ianao, ry Iaveh!

hiambina ahy mandrakariva anie ny hatsaram-ponao amam-pahamarinanao!

13 Fa itangoronan-doza tsy hita isa aho,

voasambotry ny fahotako aho ka tsy mahajery;

maro isa noho ny volon-dohako ireny,

ka reraka ny foko.

14 Ry Iaveh ô, mba ankasitraho ny hanafaka ahy!

Ry Iaveh ô, faingàna hamonjy ahy!

15 Ho menatra sy hangaihay avokoa anie,

ireo mitady ny aiko hamerezany azy!

Hihemotra sy ho menatra foana anie

ireo maniry ahy ho levona!

16 Ho ankona noho ny fahamenarany anie

ireo manao amiko hoe: «Hia, hia!»

17 Hifaly sy hiravoravo aminao kosa anie,

izay rehetra mitady Anao!

Aoka hilaza mandrakariva hoe: «Voninahitra anie ho an’i Iaveh!»

ireo tia ny famonjenao.

18 Ory sy mahantra aho;

fa ny Tompo no hiahy ahy.

Ianao no vonjiko sy mpanafaka ahy:

ka aza ela, ry Andriamanitra ô!

Categories
Salamo

Salamo 41

Vavaky ny marary tsy misy mpikarakara

1 Ho an’ny mpampianatra hira. Salamon’i Davida.

2 Sambatra ny miahy ny mahantra,

fa hovonjen’i Iaveh amin’ny andro fahoriana izy.

3 Harovan’i Iaveh sy hovelominy izy;

dia ho sambatra ambonin’ny tany,

ary tsy mba hatolotrao amin’ny sitrapon’ny fahavalony.

4 I Iaveh hamonjy azy eo am-parafara fijaliany;

havadikao avokoa ny fandrianyrehetra eo am-paharariany.

5 Hoy aho: «Mamindrà fo amiko, ry Iaveh!

sitrano ny fanahiko, fa nanota taminao aho.»

6 Fa ny fahavaloko kosa manonona fanozonana ahy:

«Rahoviana no ho faty io? Rahoviana no ho very ny anaran’io?»

7 Nony mba misy mamangy ahy, lainga no hany avoakany,

faharatsiana no angonin’ny fony;

nony mivoaka avy eo indray izy dia miteny eny ivelany.

8 Mitakoritsika mamely ahy avokoa ny fahavaloko,

misaina hanisy ratsy ahy izy ireo.

9 «Loza tsy azo odiana, hoy izy, no nanjò azy,

indro izy milamaka, dia tsy hiarina intsony.

10 Na dia izay olona sakaizako aza,

izay nitokiako sy nihinana ny haniko,

dia nanangana ny ombalahin-tongony hamely ahy.»

11 Fa Ianao ry Iaveh, mamindrà fo amiko, areno aho,

dia hamaly azy ireo araka ny tandrify azy.

12 Ny hahafantarako fa tia ahy Ianao,

dia raha tsy resin’ny fahavaloko aho.

13 Noho ny tsy fananako tsiny dia nanohana ahy Ianao,

ary nampitoetra ahy mandrakizay eo anatrehanao.

14 Hisaorana anie i IavehAndriamanitr’i Israely,

amin’ny taona mandrakizay rehetra! Amen! Amen!

Categories
Salamo

Salamo 42

Tarainan’ny Levita voasesitany

1 Ho an’ny mpampianatra hira. Fihirana nataon’ny taranak’i Kôre,

izay nenti-ko babo tany Babilôna.

2 Toy ny anirian’ny serfa ny loharano

no anirian’ny fanahiko Anao, Andriamanitra ô!

3 Mangetaheta an’Andriamanitra ny fanahiko,

dia Andriamanitra velona:

rahoviana aho no handeha ka hiseho tsy an-kijanona

eo anatrehan’ny Tavan’Andriamanitra?

4 Ny ranomasoko no haniko andro aman’alina,

dia ny ilazan’ny olona amiko tsy an-kijanona hoe:

Aiza izay Andriamanitrao?

5 Mahatsiaro aho – ary amin’izany fahatsiarovako izany

mangitaka ny foko ao anatiko, –

nony namindra notronim-bahoaka aho,

nony nandroso ho ao an-tranon’Andriamanitra,

eo afovoan’ny hobim-pifaliana amam-pisaorana,

eo afovoan’ny vahoaka be manao fety!

6 Nahoana no ketraka ianao, ry fanahiko,

ka mihavatravatra ato anatiko?

Manantenà an’Andriamanitra fa izaho mbola hidera Azy,

izay famonjena ny tavakosy Andriamanitro!

7 Ketraka ny fanahiko ato anatiko,

ka izany no ahatsiarovako Anao, eo amin’ny tanin’i Jordany,

mbamin’i Hermôna, sy ny tendrombohitr’i Misara.

8 Mifampitaona ny onjan-drano nony mirohondrohona ny riananao,

ka ny onjan-drano aman-driakao dia mandalo manafotra ahyavokoa.

9 Nandidy ny fahasoavany hitsidika ahy i Iaveh, ny antoandro;

teo amin’ny molotro ny hirany, nony alina;

10 nanao fivavahana tamin’ny Andriamanitry ny aiko.

Ary izaho kosa, dia hoy aho amin’Andriamanitra vatolampiko:

nahoana no manadino ahy Ianao?

11 Nahoana ity izaho no tsy maintsy mandeha difotr’alahelo,

ampahorin’ny fahavalo?

Tsaroako vaky ny taolako nony latsain’ny fahavaloko aho,

12 ilazany tsy an-kijanona hoe: «Aiza izay Andriamanitrao?»

Nahoana no ketraka ianao, ry fanahiko, ka mihavatravatra ato anatiko?

Manantenà an’Andriamanitra, fa izaho mbola hidera Azy,

izay famonjena ny tavako sady Andriamanitro.

Categories
Salamo

Salamo 43

SALAMO 43 (Volgata 42)

1 Omeo rariny aho, Andriamanitra ô; iandraiketo ny adiko

amin’ny firenena mpamadika,

afaho amin’ny olona mpamitaka sy mpanao ratsy aho!

2 Fa Ianao no Andriamanitry ny fiarovana ahy;

nahoana no dia atosikao aho?

Nahoana ity izaho no tsy maintsy mandeha difotr’alahelo,

ampahorin’ny fahavalo?

3 Iraho ny fahazavanao amam-pahamarinanao,

dia hitarika ahy anie izany,

ka hitondra ahy ho any amin’ny tabernakla

aman-tendrombohitrao masina.

4 Ho ao amin’ny ôtelin’Andriamanitra,

ho ao amin’ilay Andriamanitra fifalifaliako amam-piravoravoako,

ary hidera Anao amin’ny harpa aho, ry Andriamanitra, Andriamanitro ô!

5 Nahoana no ketraka ianao, ry fanahiko,

ka mihavatravatra ato anatiko?

Manantenà an’Andriamanitra fa izaho mbola hidera Azy,

izay famonjena ny tavako sady Andriamanitro!

Categories
Salamo

Salamo 44

Fitomanian’ny firenena

1 Ho an’ny mpampianatra hira. Nataon’ny taranak’i Kôre. Fihirana.

2 Andriamanitra ô, ny sofinay mandre,

ny razanay nitantara taminay,

ny asa nataonao tamin’ny androny, tamin’ny andro fahataloha.

3 Nandroaka firenena Ianaotamin’ny tananao, hamponenana azy;

nikapoka vahoaka Ianao hanitarana azy.

4 Satria tsy ny sabatr’izy ireo no nahazoany ny tany,

tsy ny sandrin’izy ireo no nahazoany fandresena,

fa ny tananao ankavanana, ny sandrinao,

ny fahazavan’ny Tavanao, satria tia azy Ianao.

5 Ianao no mpanjakako, ry Andriamanitro ô!

Mandidia ny famonjena ho an’i Jakôba!

6 Ianao no handavoanay ny fahavalonay,

ny Anaranao no anorotoroanay ny mpanohitra anay.

7 Fa tsy matoky amin’izay tsipìkako aho;

tsy hahavonjy ahy ny sabatro.

8 Fa Ianao no manafaka anay amin’ny fahavalonay;

sy mampahamenatra an’ireo mankahala anay.

9 Andriamanitra no ireharehanay isan’andro,

ary ny Anaranao no derainay mandrakizay!

10 Kanjo manosi-bohon-tanana sy manafo-kenatra anay Ianao,

tsy miara-mivoaka amin’ny tafikay intsony.

11 Ataonao mikoy eo anatrehan’ny fahavalo izahay,

ary baboin’ireo mankahala anay.

12 Atolotrao toy ny ondry enti-kovonoina izahay;

aelinao amin’ny firenena izahay.

13 Ataonao varo-boba ny vahoakanao,

fa tsy asianao vidiny ohatrinona akory.

14 Ataonao fandàtsan’ny tany ama-monina izahay;

dia faneso amam-panarabian’ny manodidina anay.

15 Ampanjarianao ho ambentintenin’ny firenena izahay,

ka ihifikifihan-doha amin’ny vahoaka.

16 Eo imasoko lalandava ny fangaihaiko,

ary safotry ny henatra ny tarehiko,

17 amin’ny feon’ny mpaneso amam-pamingavinga;

amin’ny fahitana ny fahavalo mbamin’izay mirehitra ny hamaly ratsy.

18 Izany rehetra izany no manjò anay,

nefa tsy nanadino Anao izahay;

tsy nivadika tamin’ny fanekenao izahay.

19 Tsy nihemotra hianòtra ny fonay;

tsy niala tamin’ny lalanao ny dianay,

20 no anorotoroanao anay eo amin’ny fieren’ny amboadia,

sy anaronanao anay amin’ny aloky ny fahafatesana.

21 Raha nanadino ny Anaran’Andriamanitra izahay,

sy nanandra-tanana tamin’andriamani-kafa,

22 tsy ho hitan’Andriamanitra va izany,

nefa ny miafina ao am-po aza fantany?

23 Ianao ihany anefa no amonoana anayisan’andro,

sy anaovan’ny olona anay toy ny ondry entin-kovonoina.

24 Mifohaza, ry Tompo ô! Nahoana no matory Ianao?

Mifohaza, fa aza dia arianao mandrakizay izahay!

25 Nahoana no dia afeninao ny Tavanao,

ka hadinonao ny fahantrana amam-pahorianay?

26 Fa ny fanahinay, tafahohoka amin’ny vovoka,

ny vatanay tafaraikitra amin’ny tany!

27 Mitsangàna hamonjy anay,

afaho izahay noho ny hatsaram-ponao.

Categories
Salamo

Salamo 45

Fankalazana ny fanambadian’ny mpanjaka

1 Ho an’ny mpampianatra hira. Amin’ny lisy. Nataon’ny taranak’i Kôre. Hiram-pitiavana.

2 Hira mahafinaritra no miboiboika avy ao am-poko;

hoy aho: Ho an’ny mpanjaka anankiray no alahatro!

Manahaka ny penina faingam-panoratra ny lelako.

3 Tsara tarehy noho ny zanak’olombelona ianao;

feno fahafinaretana ny molotrao,

ka noho izany dia notahin’Andriamanitra mandrakizay ianao.

4 Sikino amin’ny sabatrao ny valahanao, ry ilay mahery,

tafio ny famirapiratanao amam-piandriananao.

5 Iakaro ny kalesinao, ka mandrosoa amin’ny fiandriananao,

mikatroha hiaro ny fahamarinana, ny halemem-panahy, ny rariny;

ary ny tananao ankavanana anie hahavitanao asa mahagaga.

6 Maranitra ny zana-tsipìkanao;

firenena maro no ho lavo eo an-tongotrao.-

Hotrabaran’ireny ny fon’ny fahavalon’ny mpanjaka.

7 Andriamanitra ô, tafatoetra mandrakizay ny seza fiandriananao;

tehim-pahamarinana, ny tehim-panjakanao.

8 Tia ny rariny Ianao, fa mankahala ny heloka;

ka noho izany, Andriamanitra, Andriamanitrao nanosotra anao

tamin’ny diloilom-piravoravoana, mihoatra noho ny namanao.

9 Manitra mira sy aloesy aman-kasa ny fitafianao rehetra;

mamalifaly anao ny zava-maneno avy ao an-dapa ivoara.

10 Zanaka vavin’Andriamanitra no isan’ny malalanao;

ny mpanjakavavy miravaka volamenan’i Ofira no eo ankavananao.

11 Henoy, anaka, jereo ary mampandria sofina:

hadinoy ny firenenao aman-tranon-drainao,

12 dia ho raiki-pitia ny hatsaran-tarehinao ny mpanjaka

fa tomponao izy; ka tolory fanajana.

13 Mitondra fanatitra ny zanaka vavin’i Tira

mbamin’ny manan-karena amin’ny vahoaka, hitady fitia aminao.

14 Feno famirapiratana ny zanaka vavin’ny mpanjaka ao anatin’ny trano:

volamena voatenona no itafiany.

15 Miakanjo misoratsoratra izy, no entina ao amin’ny mpanjaka;

manaraka azy misy zazavavy namany entina ho ao aminao.

16 Ampandrosoina amim-pifaliana sy firavoravoana izy ireo,

dia miditra ao an-dapan’ny mpanjaka.

17 Ny zanakao no hisolo toerana ny rainao;

hatsanganao ho mpanapaka amin’ny tany rehetra izy ireo.

18 Hampahatsiaro ny Anaranao amin’ny taona rehetra aho;

ka hidera Anao mandrakizay ny firenena.