Categories
Salamo

Salamo 46

Eo amintsika Andriamanitra

1 Ho an’ny mpampianatra hira. Nataon’ny taranak’i Kôre. Amin’ny feon’ny virjiny.- Hira.

2 Andriamanitra no arontsika sy herintsika,

famonjena azo mandrakariva amin’ny fahoriana.

3 Noho izany, tsy manan-tahotra isika, na hikoro aza ny tany,

na hietry any ambany ranomasina aza ny tendrombohitra,

4 na misamboaravoara sy mandroatra aza ny onjan-dranomasina,

ka mampihorohoro ny tendrombohitra noho ny fisafoakany.

5 Misy ony ka ny fandehany mampifaly ny tanànan’Andriamanitra;

ny fonenany masina onenan’ny Avo indrindra.

6 Andriamanitra no ao afovoany, ka tsy azo hozongozonina Izy;

vao mazava atsinanana ny andro dia tonga hamonjy azy Andriamanitra.

7 Mitabataba ny firenena, mikotrankotrana ny fanjakana;

vao nampandre ny feony Izy dia nihotsaka matahotra ny tany.

8 I Iavehn’ny tafika momba antsika;

ny Andriamanitr’i Jakôba no trano mimanda ho antsika.

– Selà

9 Avia, jereo ny asan’i Iaveh,

dia ny fandravana nataony tetỳ an-tany!

10 Ny ady natsahany hatramin’ny faran’ny tany;

ny tsipìka notapahiny; ny lefona nofolahiny;

ny kalesy fiadiana nodorany tamin’ny afo.

11 Mitsahara, ary maneke fa Andriamanitra Aho,

manapaka ny firenena, manjaka amin’ny tany!

12 I Iavehn’ny tafika momba antsika;

ny Andriamanitr’i Jakôba no trano mimanda ho antsika.

– Selà

Categories
Salamo

Salamo 47

I Iaveh Mpanjakan’i Israely sy Mpanjakan’izao tontolo izao

1 Ho an’ny mpampianatra hira. Nataon’ny taranak’i Kôre. Salamo.

2 Mitehafa tanana ianareo rehetra, ry vahoaka isany,

miderà an’Andriamanitra amin’ny hobim-pifaliana!

3 Fa avo indrindra i Iaveh sy tokony hatahorana,

mpanjaka lehibe amin’ny tany rehetra.

4 Vahoaka no ampanekeny antsika;

firenena no ataony ambanin’ny tongotsika.

5 Nifidy ny lova ho antsika Izy,

ny voninahitr’i Jakôbaolo-malalany.

– Selà

6 Miakatra ho any amin’ny fitoerana masina

ombam-pihobiana Andriamanitra.

Miakatra i Iaveh omban’ny feon-trômpetra.

7 Mihirà ho an’Andriamanitra, mihirà!

Mihirà ho an’ny Mpanjakantsika, mihirà!

8 Fa Mpanjakan’ny tany rehetra Andriamanitra;

ka mihirà hira fiderana.

9 Manjaka amin’ny firenena Andriamanitra,

mipetraka eo amin’ny seza fiandrianany masina Izy.

10 Ireo mpanapaka ny firenena mivory,

mba ho tonga vahoakan’Andriamanitr’i Abrahama koa izy ireo;

fa an’Andriamanitra ny ampingan’ny tany,

voasandratra ambony indrindra Izy.

Categories
Salamo

Salamo 48

I Siôna tendrombohitr’Andriamanitra

1 Fihirana. Salamon’ny taranak’i Kôre.

2 Lehibe i Iaveh, Izy no alehan’ny fiderana rehetra,

ao an-tanànan’ny Andriamanitsika, amin’ny tendrombohitra masina.

3 Mitsangana mahafinaritra, fifalian’ny tany rehetra,

ny tendrombohitra Siôna,

eo amin’ny fara vazantany avaratra,

ny tanànan’ny Mpanjaka lehibe.

4 Ao an-dapany, Andriamanitra,

niseho ho fiarovana.

5 Fa he nivory ireo mpanjaka,

dia niara-nandroso izy ireo.

6 Kanjo nahita Azy, dia vahotra terỳ,

nivadi-po izy, ka vaky nandositra.

7 Hovitra no nahazo azy ireo teo,

fanaintainana hoatra ny an’ny vehivavy miteraka.

8 Novakinao amin’ny rivotra avy Atsinanana,

ny sambon’i Tarsisa.

9 Izay efa renay tamin’ny hafa dia ny masonay no nahita,

tao an-tanànan’i Iavehn’ny tafika,

tanànan’ny Andriamanitsika.

Hamafisin’Andriamanitra mandrakizayizy.

– Selà

10 Andriamanitro, mahatsiahy ny tantaran’ny hatsaram-ponao izahay,

ao anatin’ny tempolinao.

11 Tahaka ny Anaranao, ry Andriamanitra,

toy izany koa ny fiderana Anao

tonga hatrany am-para vazantany.

Feno fahamarinana ny tananao ankavanana.

12 Aoka hifaly ny tendrombohitra Siôna,

aoka hiravoravo ny zanaka vavin’i Jodà,

noho ny fitsarànao!

13 Mandiava an’i Siôna ianareo; mandehana manodidina azy;

isao ny tranony mimanda.

14 Jereo tsara ny mandany;

diniho ireo lapany,

hitantarana azy amin’ny taranaka ho avy.

15 Io no Andriamanitra izay Andriamanitsika mandrakizay doria;

Izy no mpitarika antsika amin’ny taona mandrakizay.

Categories
Salamo

Salamo 49

Zava-poana ny harena

1 Ho an’ny mpampianatra hira. Salamon’ny taranak’i Kôre.

2 Mihainoa izao, ianareo rehetra, ry vahoaka isany;

manongilàna sofina ianareo rehetra, ry mponina amin’izao tontolo izao,

3 na ny ambony na ny ambany,

na ny manan-karena na ny mahantra tsy an-kanavaka.

4 Fa hampandre teny hendry ny vavako;

ary misy hevitra feno fahalalana ato am-poko.

5 Manongilan-tsofina amin’oha-teny ambaran’Andriamanitra aho,

mivaofy ny ankamantatro amin’ny feon’ny harpa aho.

6 Nahoana no hatahotra aho, amin’ny andron’ny fahoriana,

raha manodidina ahy ny haratsian’ny mpanenjika ahy?

7 Ireny dia mitoky amin’ny hareny,

mirehareha amin’ny haben’ny ananany!

8 Tsy misy olona mahavotra ny rahalahinyakory

na mahaloa ny avony amin’Andriamanitra.

9 Fa be loatra ny vidin’ainy,

ka tsy azo atao mandrakizay, ny manavotra azy,

10 mba hahavelona azy mandrakizay

ka tsy hahitany ny fasana na oviana na oviana.

11 Tsy maintsy ho hitany: Ny olon-kendry maty;

ny adala aman-ketrina koa levona torak’izany,

ka mamela ny fananany ho an’ny hafa.

12 Heverin’izy ireo fa ho mandrakizay ny tranony;

ka haharitra mandritra ny taona mifandimby ny fonenany,

ary tononiny amin’ny anarany ny taniny.

13 Kanjo tsy maharitra, na amin’ny voninahiny aza, ny olombelona:

mitovy amin’ny biby izay levona koa izy.

14 Izany no alehan’ireo olona be hambo loatra,

mbamin’izay manaraka azy, manaiky ny teniny.

– Selà

15 Roahina toy ny biby fiompy izy ho any amin’ny Seoly,

ny fahafatesana no miandry azy,

manapaka azy ireo nony maraina ny olo-mahitsy,

ary ny ambiroanydia hihalevona any amin’ny Seoly, tsy hisy fonenana hafa.

16 Fa Andriamanitra kosa, hamonjy ny aiko amin’ny herin’ny Seoly,

fa handray ahy ho any aminy Izy.

– Selà

17 Aza matahotra àry, raha misy olona tonga manan-karena,

ka mitombo ny harem-be ao an-tranony.

18 Fa tsy hahatondra na inona na inona izy, rehefa maty; tsy hidina miaraka aminy ny harem-beny.

19 Na manao ny tenany ho sambatra aza izy amin’ny andro iainany;

na midera Anao amin’ny fifaliana anarananao fo aza ny olona;

20 dia handeha ianao hikambana amin’ny razanao

izay tsy hahita ny mazava intsony mandrakizay.

21 Ny olombelona na dia ao anatin’ny voninahiny aza,

dia tsy mahafantatra;

mitovy amin’ny biby izay levona izy.

Categories
Salamo

Salamo 50

Fivavahana ara-panahy

1 Salamon’i Asafa.

Miteny Andriamanitra, Elohima, Iaveh, manainga ny tany,

hatramin’ny fiposahan’ny masoandro,

ka hatramin’ny filentehany.

2 Avy ao Siôna, fahatsaran-tarehy lavorary,

no amirapiratan’Andriamanitra.

3 Avy ny Andriamanitsika, ka tsy hangina;

afo mandevona no eo alohany,

tafio-drivotra mahery no manodidina azy.

4 Miantso ny lanitra ambony izy,

mbamin’ny tany koa, mba hitsara ny vahoakany.

5 Anangony izay miraiki-po amiko aho,

dia ireo nanao fanekena amiko, amin’ny sorona.

6 Ary mitory ny fahamarinany ny lanitra,

fa Andriamanitra no ndeha hitsara.

– Selà

7 Mihainoa, ry vahoakako, fa hiteny Aho;

henoy, ry Israely, fa hananatra Aho,

Izaho no Elohima, Andriamanitrao.

8 Tsy ny amin’ny soronao no aniniako anao,

fa eo anatrehako mandrakariva ny soronao dorana.

9 Tsy haka izay ombalahy ao an-tranonao Aho,

na izay osilahy ao am-balanao.

10 Fa ahy avokoa ny biby any an’ala,

mbamin’ny biby eny an-tendrombohitra, an’arivony.

11 Fantatro daholo ny voromanidina eny an-tendrombohitra,

ary eo am-pelatanako izay mihetsiketsika rehetra eny an-tsaha.

12 Raha mba noana Aho, tsy hilaza aminao akory,

fa Ahy avokoa izao tontolo izao sy izay ao aminy.

13 Moa mihinana izay nofon’ombalahy va Aho?

Moa misotro izay ran’osilahy va Aho?

14 Ny fisaorana no atero ho soronaho an’Andriamanitra,

ary efao amin’ny Avo indrindra ny voadinao.

15 Antsoy amin’ny andron’ny fahoriana Aho,

dia hamonjy anao; ka hanome voninahitra Ahy ianao.

16 Fa amin’ny ratsy fanahy kosa, dia hoy Andriamanitra:

«Ahoana no mba anononanao ny lalàko,

sy anaovanao am-bava ny fanekeko,

17 izay ianao olona mankahala fifehezana,

sy manifika ny teniko any ivohonao?

18 Raha mahita mpangalatra ianao,

dia vary lena ianao sy izy,

ary miombona amin’ny mpaka vadin’olona ianao.

19 Ny vavanao, halefanao hiteny ratsy,

ary ny lelanao manira fitaka.

20 Mipetraka ianao, dia miteny mamely ny rahalahinao,

sady manala baraka ny zanakalahin-dreninao.

21 Izany no nataonao, nefa nangina ihany Aho,

ka dia noheverinao fa mitovy aminao Aho,

kanjo indro Aho hananatra anao,

sy hanampatra izany rehetra izany eo imasonao.

22 Koa mitandrema àry, ianareo manadino an’Andriamanitra,

fandrao ataoko potika, ka tsy hisy hamonjy.

23 Izay manatitra ny fisaorana ho sorona

no manome voninahitra Ahy;

ary izay mandamina ny lalany

no hanehoako ny famonjen’Andriamanitra.»

Categories
Salamo

Salamo 51

Fifonana

1 Ho an’ny mpampianatra hira. Salamo nataon’i Davida,

2 fony i Natàna mpaminany nankao aminy, nony efa nandeha tamin’i Betsabea izy.

3 Andriamanitra ô, mamindrà fo amiko,

araka ny fiantranao;

vonoy ny hadisoako, araka ny haben’ny famindram-ponao.

4 Sasao tanteraka aho amin’ny heloko,

ary diovy aho amin’ny fahotako.

5 Fa miaiky ny hadisoako aho,

ary eo anatrehako mandrakariva ny fahotako.

6 Taminao irery ihany no nanotako;

nanao izay ratsy eo imasonao aho,

mba ho hitan’ny olona

fa marina Ianao amin’ny teny fitsaranao.

7 Indro izaho teraka tamin’ny heloka;

ineny koa torontoronina ahy tamin’ny fahotana.

8 Indro anefa tianao mba ho ao anatin’ny fo ny fahitsiana;

dia ampahafantaro ahy, ato anatiko, ny fahendrena.

9 Diovy amin’ny hisopaaho, dia hadio;

sasao aho, dia ho fotsy noho ny oram-panala.

10 Ampandreneso fifaliana amam-piravoravoana aho,

dia hifaly ny taolako izay efa novakivakinao.

11 Afeno ny tavanao ny fahotako,

ary vonoy avokoa ny heloko.

12 Ry Andriamanitra ô, amorony fo madio aho;

ary fanahy mihenjana no havaozy ato anatiko,

13 aza ariana lavitra ny Tavanao aho;

aza esorina amiko ny Fanahinao Masina.

14 Ampodio ny fifaliana amin’ny famonjenao,

ary tohany amin’ny fananana fo mazoto aho.

15 Hampianariko ny lalànao, ry zareo mandika azy,

ka hiverina aminao indray ny mpanota.

16 Andriamanitra ô, ry Andriamanitry ny famonjena ahy,

afaho amin’ny ra nalatsaka aho,

dia hidera ny fahamarinanao ny vavako.

17 Tompo ô, sokafy ny molotro,

dia hidera ny fiderana Anao ny vavako.

18 Tsy sitrakao ny sorona, – fa homeko raha tianao izany;

tsy mahafaly Anao ny sorona dorana.

19 Fa fanahy torotoro no sorona ho an’Andriamanitra;

aza tebahinao, ry Andriamanitra, ny fo torotoro sy malahelo.

20 Manaova soa be ho an’i Siôna, araka ny hatsaram-ponao,

atsangano ny mandan’i Jerosalema.

21 Dia hankasitrahinao ny sorom-pahamarinana,

ny sorona dorana ary ny fanatitra lavorary;

ka dia hanaterana ombalahy eo ambonin’ny ôtelinao.

Categories
Salamo

Salamo 52

Fitsàran’ny matokitoky foana

1 Ho an’ny mpampianatra hira. Hira nataon’i Davida,

2 fony i Dôega, Edômita, tonga nilaza tamin’i Saola hoe: Nankany an-tranon’i Akimeleka i Davida.

3 Ahoana no mirehareha amin’ny haratsianao, ry ilay mahery!

– Maharitra mandrakizay ny hatsaram-pon’Andriamanitra!

4 Tsy misaina afa-tsy ny ratsy ny lelanao,

mova tsy ny antsy maranitra, ry mpihatsaravelatsihy!

5 Aleonao ny ratsy toy izay ny soa;

ny lainga, toy izay ny marina.

– Selà

6 Ny teny mamohehatra rehetra no tianao,

ry lela mpandainga!

7 ka indro Andriamanitra hanongana anao mandrakizay kosa;

hosamboriny sy hotsoahany avy eo an-dainaoianao,

dia hofongorany eo amin’ny tanin’ny velona.

– Selà

8 Hahita izany ny marina, dia hatahotra,

ka hihomehy azy hoe:

9 io no olona tsy nanao an’Andriamanitra ho mandany,

fa nitoky tamin’ny habetsahan’ny hareny,

sy nihambo tamin’ny haratsiany!

10 Fa izaho kosa dia toy ny ôliva maitso

ao an-tranon’Andriamanitra,

ny hatsaram-pon’Andriamanitra no itokiako mandrakizay doria.

11 Hidera Anao lalandava aho, fa nanao izany Ianao;

ary hanantena ny Anaranao aho, fa tsara Izy,

eo anatrehan’ny miraiki-po aminao.

Categories
Salamo

Salamo 53

Ny olona tsy misy an’Andriamanitra

1 Ho an’ny mpampianatra hira. Amin’ny feo mitaraina. Hiran’i Davida.

2 Ny adala manao anakampo hoe: «Tsy misy Andriamanitra!»

Efa simba izy ireo, nanao heloka vetaveta;

tsy misy manao ny tsara na dia iray aza.

3 Mijery ny zanak’olombelona eny an-tampon’ny lanitra, Andriamanitra.

Mba hahita raha misy olona manan-tsaina eny;

na misy olona mitady an’Andriamanitra.

4 Efa nania, efa tonga ratsy avokoa izy,

tsy misy iray akory manao ny tsara,

na dia iray monja ihany aza.

5 Moa tsy manana fahalalana va ry zareo mpanao ratsy?

fa ny vahoakako haniny toy ny fihinan-kanina;

izy ireo tsy miantso an’Andriamanitra akory.

6 Ho tera-kovitry ny tahotra tampoka izy ireo,

tsy misy anefa izay tokony hatahorany,

fa naelin’Andriamanitra ny taolan’izay nitoby hamely anao;

nampahamenatra azy ianao satria efa narian’Andriamanitra izy.

7 Enga anie ka hivoaka avy ao Siôna ny famonjena an’i Israely!

Amin’ny fampodian’Andriamanitra ireo lasan-ko babo amin’ny vahoakany,

dia hifaly i Jakôba, ary hiravoravo i Israely.

Categories
Salamo

Salamo 54

Fiantsoana ny fitsaràn’Andriamanitra

1 Ho an’ny mpampianatra hira. Ampiarahina amin’ny zava-maneno tendrena. Hiran’i Davida.

2 Fony ny Zifeanina tonga nilaza tamin’i Saola hoe: «Miery any aminay i Davida.»

3 Vonjeo aho, ry Andriamanitra, noho ny Anaranao,

ary omeo ny rariny aho, noho ny herinao.

4 Henoy ny fivavahako, ry Andriamanitra,

atongilano ny sofinao amin’ny teny aloaky ny vavako.

5 Fa misy olon-kafa firenena, mitsangan-kamely ahy;

misy olona mpanao an-keriny mitady ny aiko;

tsy manao an’Andriamanitra eo imasony izy.

– Selà

6 Indro, Andriamanitra no vonjiko,

ny Tompo no tohan’ny fanahiko.

7 Hanatsingerina ny ratsy amin’ny mpanohitra ahyizy.

Noho ny Fahamarinanao dia aoka haringanao izy.

8 Hanatitra sorona aminao, amin’ny foko rehetra aho;

Hidera ny Anaranao aho, ry Iaveh, fa tsara Izy.

9 Manafaka ahy amin’ny fahoriana rehetra Izy;

ary faly mijery ny fahavaloko ny masoko.

Categories
Salamo

Salamo 55

Vavaky ny enjehina

1 Ho an’ny mpampianatra hira. Ampiarahina amin’ny zava-maneno tendrena. Hiran’i Davida.

2 Henoy ny fivavahako, ry Andriamanitra,

aza iambohoanao ny fitarainako.

3 Henoy aho, ary valio koa!

Efa miriorio be ihany, mitoreo sy mitoloko aho,

4 noho ny fandrahonan’ny fahavalo

sy ny fampahorian’ny ratsy fanahy;

satria ampidirany loza aho,

ary enjehiny amim-pahatezerana.

5 Ka ny foko mangorohoro ato anatiko;

ny tahotra ny fahafatesana manindry ahy.

6 Ny hovitra amam-badi-po mamely ahy;

ny horohoro koa manarona ahy.

7 Ary hoy aho: Endrey! raha manana elatry ny voromahailala mantsy aho,

dia hanidina sy hipetraka amim-piadanana;

8 dia handositra lavitra dia lavitra aho,

ka honina any an’efitraany.

– Selà

9 Hitady fialofana faingana aho,

lavitra ny tafio-drivotra aman-dranonoram-baratra.

10 Tompo ô, aringano izy, ary akoroy ny fiteniny!

fa ao an-tanàna dia heriny sy ady no hitako;

11 Voahodidiny andro aman’alina ny mandany;

ny heloka sy ny fampahoriana no ao afovoany,

12 ny faharatsiana no ao anatiny;

tsy mandao ny kianjany ny famoretana amam-pitaka.

13 Fa tsy mba hoe fahavalo akory no manaratsy ahy;

raha izany dia zakako ihany;

tsy mba rafilahy no mitsangan-kamely ahy;

raha izany, hiery azy aho.

14 Fa ianao izay nataoko toy ny tenako;

mpanolo-tsaina tsy anafenana aman-tsakaizako.

15 Nifanerasera tamim-pifankazarana mamy isika;

niara-nandeha tamin’ny maro,

ho any an-tranon’Andriamanitra isika.

16 Aoka ho azon’ny fahafatesana tampoka izy ireo,

ka hidina velona any amin’ny Seoly!

Fa ao amin’ny fonenany, ao afovoan’izy ireo, ny hasomparana.

17 Izaho kosa, Andriamanitra no antsoiko,

ary i Iaveh no hamonjy ahy.

18 Hariva, maraina, am-pamatonan’andro, mitaraina aho,

mitoloko aho ka handre ny feoko Izy.

19 Hanafaka ny fanahiko amin’ny ady amelezany ahy,

ho amin’ny fiadanana, Izy,

fa maro ry zareo miady amiko.

20 Ho ren’Andriamanitra ka hanetry an’ireny Izy,

izay mipetraka mandrakizay ao amin’ny fiketrahany.

– Selà

Satria tsy misy fiovana ireny,

tsy manana ny tahotra an’Andriamanitra.

21 Maninji-tanana amin’izay mihavana aminy,

mamadika ny fanekeny.

22 Mamy hoatry ny ronono ny teny aloaky ny vavany,

nefa ady no ao am-pony.

Malemy noho ny diloilo ny teniny,

nefa lela sabatra miharihary.

23 Miankìna amin’i Iaveh fa hanohana anao Izy;

tsy havelany hangozohozo mandrakariva ny marina.

24 Ary Ianao, ry Andriamanitra, dia hampidina azy any an-davaka fahaverezana;

ireo olona mandatsa-dra sy mpamitaka,

tsy hahatratra ny antsasaky ny androny.

Fa ny amiko kosa, dia Ianao no ametrahako ny fitokiako.