Categories
Salamo

Salamo 56

Tsy hidaboka ny mitoky amin’Andriamanitra

1 Ho an’ny mpampianatra hira. Amin’ilay Voromahailala gina any an-tany lavitra. Hiran’i Davida. Fony izy nosamborin’ny Filistinina tany Geta.

2 Mamindrà fo amiko, ry Andriamanitra,

fa milofo mamely ahy ny olona,

miady amiko tontolo andro izy, sady manenjika ahy;

3 mamely ahy tontolo andro ny mpanohitra ahy,

maro izy ireo miandranandrana miady amiko.

4 Rehefa azon-tahotra aza aho, dia mitoky aminao.

5 Amin’ny fanampian’Andriamanitra

no iderako ny fahatanterahan’ny teniny.

Andriamanitra no itokiako, ka tsy matahotra na inona na inona aho:

Inona no ho efan’ny olona foana amiko?

6 Asiany sain-katezerana mandrakariva ny teniko;

ao amiko no ambentin-keviny rehetra hamerezany ahy.

7 Mioko izy, mametraka mpitsikilo izy, mitsikilo ny diako izy,

satria mikendry ny aiko.

8 He izany heloka mitambesatra aminy,

ka aiza no hahafahany indray?

Aringano amin’ny fahatezeranao ireo vahoaka ireo, ry Andriamanitra.

9 Efa voaisanao izay ny dia nirenireneko tamin’ny andro niainako,

efa voaangonao an-tsininao hoditra ny ranomasoko;

moa tsy efa voasoratra ao amin’ny bokinao ireny?

10 Ka dia hiamboho ny fahavaloko,

amin’ny andro iantsoako Anao;

fantatro izao, fa momba ahy Andriamanitra.

11 Amin’ny fanampian’Andriamanitra

no iderako ny fahatanterahan’ny teniny.

Amin’ny fanampian’i Iaveh

no iderako ny fahatanterahan’ny fampanantenany.

12 Andriamanitra no itokiako,

ka tsy matahotra na inona na inona aho.

Inona no ho efan’izay olona foana amiko?

13 Ny voady nataoko taminao, ry Andriamanitra, tsy maintsy hoefaiko;

hanatitra sorona fisaorana aminao aho.

14 Fa nanafaka ny fanahiko tamin’ny fahafatesana Ianao,

– moa va tsy niaro ny tongotro tsy ho solafaka? –

mba handehanako eo anatrehan’Andriamanitra amin’ny fahazavan’ny velona.

Categories
Salamo

Salamo 57

Hodidinina «liona»

1 Ho an’ny mpampianatra hira. Aza mandrava.Hiran’i Davida, fony izy nenjehin’i Saola, niery tao amin’ny zohy.

2 Mamindrà fo amiko Andriamanitra ô, mamindrà fo amiko,

fa ao aminao no itadiavan’ny fanahiko fiarovana,

amin’ny aloky ny elatrao no iafenako,

mandra-pahalasan’ny loza.

3 Mitaraina amin’Andriamanitra Avo indrindra aho,

ilay Andriamanitra izay manao ny zavatra rehetra ho ahy.

4 Haniraka famonjena avy any an-danitra ho ahy koa Izy;

– fanalam-baraka no atolotry ny mpanenjika ahy!

– Selà

Haniraka ny hatsaram-pony amam-pahamarinany Andriamanitra.

5 Mandry eo afovoan’ny liona aho,

dia ao afovoan’ny olona miloaka afo,

izay manana lefona aman-jana-tsipìka, ho solon’ny nify;

ary sabatra maranitra no lelany!

6 Misandratra any ambonin’ny lanitraIanao, Andriamanitra ô!

Hamirapiratra ambonin’ny tany rehetra anie ny voninahitrao!

7 Namela-pandrika teo alohan’ny diako izy;

efa nitanondrika sahady ny fanahiko;

efa nihady lavaka teo anoloako izy:

ny tenany ihany no latsaka tao!

– Selà

8 Tafaorina mafy ny foko, ry Andriamanitra,

tafaorina mafy ny foko;

hihira aho ary hampanakoako zava-maneno an-kafaliana.

9 Mifohaza ianao, ry voninahitro!

Mifohaza ianareo, ry valihako amana harpako!

Hampifoha ny maraina aho!

10 Hidera Anao eo amin’ny vahoaka aho, ry Tompo,

hankalaza Anao eo amin’ny firenena aho.

11 Fa mahatakatra ny lanitra ny tsy fivadihanao,

ary mihatra amin’ny rahona ny fahamarinanao.

12 Misandrata any ambonin’ny lanitra Ianao, ry Andriamanitra,

hamirapiratra ambonin’ny tany rehetra anie ny voninahitrao!

Categories
Salamo

Salamo 58

Ilay hitsara ny mpitsara eto an-tany

1 Ho an’ny mpampianatra hira. Aza mandrava. Hiran’i Davida.

2 Ny tsy fitenenana va no amoahanareo fitsarana?

Araka ny rariny va no itsaranareo, ry zanak’olombelona?

3 Tsia, mamorona hevi-dratsy ao am-ponareo ianareo,

amidinareo an-danjanyeo amin’ny tany ny fanaovan’ny tananareo an-keriny.

4 Simba hatrany am-bohoka ny ratsy fanahy,

mania hatramin’ny fony vao teraka ny fandainga.

5 Manahaka ny poizin’ny menarana ny poizina aminy,

dia ny an’ny menarana marenina, izay manentsin-tadìny,

6 ka tsy mihaino izay feon’ny mpahavariana azy,

ny feon’ny mpanasondriana izay kinga amin’ny fahaiza-manasondriana.

7 Andriamanitra ô, torotoroy ny nifiny ao am-bavany;

ry Iaveh ô, omboty ny valanoranon’ireo liona tanora!

8 Aoka ho tonga foana toy ny riaka mandalo!

Raha mametraka zana-tsipìka, dia aoka ho dombo, izy ireo!

9 Aoka hanahaka ny lelosy izay miempo eo am-pandehanana!

Aoka tsy hahita masoandro toa zaza vaky manta ireo!

10 Raha mbola tsy maimbo tsilo akory ny vilaninareo,

dia hindaosin’ny oram-baratra ireny, na ny lena na ny maina.

11 Hifaly amin’ny fahitana ny famaliana, ny marina;

handro tongotra amin’ny ran’ny ratsy fanahyizy.

12 Ka dia hiteny hoe ny olona: «Eny misy valiny tokoa ho an’ny marina,

misy tokoa Andriamanitra izay mitsara etỳ ambonin’ny tany.»

Categories
Salamo

Salamo 59

Lanio harena ny ratsy fanahy

1 Ho an’ny mpampianatra hira. Aza mandrava. Hiran’i Davida. Fony i Saola naniraka hiambina ny tranony, hamonoany azy.

2 Afaho amin’ny fahavaloko aho, Andriamanitra ô,

arovy tsy ho azon’ireo mpanohitra ahy aho!

3 Afaho amin-dry zareo mpanao ratsy aho,

ary vonjeo tsy ho azon’ny olona mpandatsa-dra.

4 Fa indro izy manotrika hanala ny aiko;

olona mpanao an-keriny no miray tetika hamely ahy;

na dia tsy meloka aza aho, na dia tsy nanota aza aho, ry Iaveh,

5 na dia manan-tsiny aza aho, dia mirohotra hanotrika izy ireo.

Mifohaza, avia hitsena ahy, sy hijery.

6 Ianao, ry Iaveh, Andriamanitry ny tafika, Andriamanitr’i Israely,

mitsangàna Ianao, hamay ny firenena rehetra,

ka tsy ananana antra akory ireny mpamadika sy mpanao ratsy!

– Selà

7 Miverina izy ny hariva dia manerona toy ny amboa

mandeha manodidina ny tanàna.

8 Fanalikàna no mibasasaka avy ao am-bavany;

sabatra no eo amin’ny molony:

Iza moa no handre? hoy izy.

9 Fa Ianao kosa, ry Iaveh, mihomehy azy ireo,

mananihany ny firenena rehetra.

10 Ry Heriko ô, dia hitodika any aminao aho,

fa Andriamanitra no trano mimandako.

11 Ho avy mialoha ahy ilay Andriamanitra manambina ahy,

hampibanjina ahy ny fahavaloko Izy.

12 Aza vonoina ireny, fandrao hadinon’ny vahoakako,

fa ampirenireneo amin’ny herinao izy, dia haongano,

ry Tompo, ampinganay!

13 Manota ny vavany, isaky ny miteny ny molony;

aoka ho voasingotry ny reharehany ny tenany,

noho ny ozona aman-dainga tononiny!

14 Aringano amin’ny hatezeranao izy, aringano tsy ho eo intsony ireny.

Aoka ho fantany fa Andriamanitra no manjaka eo amin’i Jakôba

hatrany amin’ny faran’ny tany.

– Selà

15 Miverina izy ny hariva, dia mierona toy ny amboa

mandeha manodidina ny tanàna.

16 Mirenireny atsỳ arỳ, mitady ny rembiny,

mitrontròna izy raha tsy voky.

17 Fa izaho kosa hihira ny herinao,

ary hankalaza ny hatsaram-ponao, nony maraina;

satria Trano mimandako Ianao,

sy Fialofako amin’ny andro fahoriako.

18 Ry Heriko ô, hihira ho an’ny voninahitrao aho,

fa Trano mimandako Andriamanitra,

ilay Andriamanitra manambina ahy.

Categories
Salamo

Salamo 60

Vavaky ny firenena nony resy

1 Ho an’ny mpampianatra hira. Amin’ny Lisin’ny vavolombelona.Hira nataon’i Davida, hampianarina.

2 Fony izy niady tamin’ny Sirianinaany Mesôpôtamia sy ny Sirianina any Sobà; sy tamin’ny niverenan’i Jôaba avy namely ny Edômita, tao amin’ny Lohasahan-tSira, ka nahafatesany roa arivo sy iray alin-dahy.

3 Ry Andriamanitra ô, nanary anay Ianao, nampihahaka anay,

efa tezitra Ianao: ataovy mahita fitia aminao indray izahay.

4 Efa nampihorohoro ny tany Ianao, nandrotika azy,

dia amboary ny banga aminy fa mihozongozona izy.

5 Nasianao fizahan-toetra sarotra ny vahoakanao,

nampisotroinao divay mahafanina izahay.

6 Kanefa nomenao faneva ireo matahotra Anao,

hitsanganan’io noho ny fahamarinanao. –

– Selà

7 Mba hahafahan’ny malalanao

dia vonjeo amin’ny tananao ankavanana ary henoy ny hatako.

8 Andriamanitra niteny tamin’ny fahamasinana hoe:

«Hientan-kafaliana aho!

Hanana an’i Sikema ho anjarako aho,

horefesiko ny lohasahan’i Sokôta.

9 Ahy i Galaada, ahy i Manase.

Fiadiana aron’ny lohako i Efraima

ary tehim-panjakako i Jodà.

10 Tavin-drano fandroako i Moaba;

anipazako ny kapako i Edôma;

Mihobia ny voninahitro, ry tanin’i Filistinina!»

11 Iza no hitondra ahy ho any amin’ny tanàna mimanda?

Iza no hitarika ahy ho any Edôma?

12 Tsy Ianao izay efa nanary ahy va, ry Andriamanitra,

Ianao, ry Andriamanitra izay efa tsy niara-nivoaka tamin’ny tafikay intsony.

13 Vonjeo amin’ny mpampahory anay izahy!

Fa zava-poana ny famonjena avy amin’ny olombelona.

14 Raha omban’Andriamanitra isika dia herim-po no hasehontsika;

hanorotoro ny fahavalontsika Izy.

Categories
Salamo

Salamo 61

Vavak’olona voasesitany

1 Ho an’ny mpampianatra hira. Ampiarahina amin’ny zava-maneno tendrena. Nataon’i Davida.

2 Andriamanitra ô, henoy ny fitarainako,

mihainoa tsara ny fivavahako.

3 Mitaraina aminao aho atỳ am-paran’ny tany,

ao anatin’ny fahorian’ny foko;

ento any ambony vatolampy tsy azoko takarina aho.

4 Fa Fialofako Ianao,

Tilikambo mafy misakana ny fahavalo.

5 Satriko ny monina mandrakizay ao an-dainao,

mialoka ao ambanin’ny elatrao.

– Selà

6 Fa manaiky ny faniriako Ianao, ry Andriamanitra:

efa nomenao ahy ny lovan’ireo manaja ny Anaranao.

7 Ampitomboy andro ny andron’ny mpanjaka,

hihalava hatrany hatrany anie ny taonany!

8 Hitoetra eo amin’ny seza fiandrianana mandrakizay anie izy eo anatrehan’Andriamanitra.

Didio hiaro azy ny hatsaram-ponaoamam-pahamarinanao!

9 Dia hankalaza ny Anaranao mandrakizay aho,

ary hanefa ny voadiko isan’andro aho.

Categories
Salamo

Salamo 62

Andriamanitra, hany fanantenana

1 Ho an’ny mpampianatra hira… Iditona. Salamon’i Davida.

2 Eny, Andriamanitra no iantombenan’ny fanahiko amim-piadanana,

Izy no iavian’ny famonjena ahy.

3 Eny, Vatolampiko amam-pamonjena ahy Izy,

Trano mimandako, ka tsy hangozohozo indrindra aho.

4 Mandra-pahoviana no hiantorahanareo amin’olona,

mba hiarahanareo mandrodana azy,

toy ny fandrodanana tamboho mitongilana,

tahaka ny manda efa mihotsaka?

5 Eny, mioko hanongana azy amin’ny fiamboniany izy ireo;

mifaly amin’ny lainga izy,

ny vavany misaotra,

ny fony anefa manozona!

– Selà

6 Eny, ry fanahiko ô, miantombena amim-piadanana, amin’Andriamanitra,

fa avy aminy no iavian’ny fanantenako.

7 Eny, Vatolampiko amam-Pamonjena ahy Izy,

Trano mimandako, ka tsy hangozohozo aho.

8 Andriamanitra no iankinan’ny famonjena ahy amam-boninahitro.

Amin’Andriamanitra ny vatolampin’ny heriko, ny fialofako.

9 Matokia Azy mandrakariva, rey vahoaka;

aborahy eo anatrehany ny fonareo;

Andriamanitra no fialofantsika.

– Selà

10 Eny, zava-poana ny olombelona,

fitaka ny zanak’olombelona.

Hiainga ny mizàna raha atao ao aminy

izy rehetra miaraka, fa maivana noho ny fofon’aina.

11 Aza matoky ny fanovana an-keriny,

ary aza miantehitra foana amin’izay fitohàna.

Raha mitombo ny harenareo, aza miraiki-po amin’izany ianareo.

12 Efa niteny indray mandeha Andriamanitra,

na indroa, ka nahare aho:

An’Andriamanitra ny fahefana.

13 Anao koa, ny hatsaram-po, ry Tompo,

fa mamaly ny olona, samy araka ny asany avy, Ianao.

Categories
Salamo

Salamo 63

Faniriana an’Andriamanitra

1 Salamon’i Davida. Fony izy tany an’efitr’i Jodà.

2 Andriamanitra ô, Andriamanitro Ianao,

mitady Anao aho hatramin’ny vao maraina;

mangetaheta Anao ny fanahiko, manina Anao ny nofoko,

ao amin’ny tany mainamangentana tsy misy rano.

3 Toy izany no nibanjinako Anaotao amin’ny fitoerana masina,

mba hahitako ny Herinao amam-boninahitrao.

4 Fa tsara lavitra noho ny aina ny fahasoavanao,

ka aoka hiventy fankalazana Anao ny molotro.

5 Dia hidera Anao amin’ny andro rehetra iainako aho,

hanandra-tananaamin’ny Anaranao.

6 Toy ny voky tsoka sy ny matavy no ahavokisan’ny fanahiko,

ka midera Anao ny vavako, amin’ny molotro falifaly.

7 Raha mieritreritra Anao eo am-pandriako aho,

dia any aminao ny saiko mandritra ny fiambenana alina.

8 Fa Ianao no vonjiko,

ary eo ambanin’ny aloky ny elatrao no iravoravoako.

9 Tafaraikitra aminao ny fanahiko;

manohana ahy ny Tananao ankavanana.

10 Fa izy ireo mitady hanala ny aiko kosa

dia hidina ambanin’ny tany.

11 Hatolotra ho an’ny sabatra,

ho rembin’ny amboahaolo.

12 Dia hifaly amin’Andriamanitra ny mpanjaka;

ho ravoravo izay rehetra mianiana aminy,

satria hakombona ny vavan’ny mpandainga.

Categories
Salamo

Salamo 64

Sazin’ny mpanendrikendrika

1 Ho an’ny mpampianatra hira. Salamon’i Davida.

2 Andriamanitra ô, henoy ny feoko,

raha mampandre ny fitarainako aho,

arovy amin’ny fahavalo mampitahotra ahy ny aiko.

3 Fefeo aho, tsy ho azon’ny firaisan-tetiky ny mpanao ratsy,

tsy ho azon’ny andian’olon-dratsy efa misafoaka,

4 izay manasa ny lelany toy ny sabatra,

izay manamboatra ny zana-tsipìkany – izay teny mangidy –

5 handefasany azy an-katakonana hitifitra ny tsy manan-tsiny;

alefany hamelezany azy tampoka, tsy manan-tahotra akory.

6 Mihombo mafy amin’ny hevi-dratsiny izy;

mifanolo-tsaina hamela-pandrika izy;

ka manao hoe: «Iza moa no hahita izany?»

7 Tsy misaina afa-tsy heloka be vava izy:

«Vonona isika, hoy izy, vita tsara ny tetik’ady.»

Lalina ny ao anatin’ny olombelona sy ny fony!

8 Kanjo kosa nolefasan’Andrimanitra ny zana-tsipìkany izy ireo,

ka indreo izy maratra tampoka.

9 Azera amin’ny tany izy, voatsingidin’ny vava nalefany izy.

Mihifikifi-doha avokoa izay mahita azy.

10 Raiki-tahotra avokoa ny olona,

ka manely laza ny nataon’Andriamanitra,

fa fantany izay efa nataony.

11 Dia mifaly amin’i Iaveh sy mitoky aminy ny marina;

mirehareha avokoa ny mahitsy fo rehetra.

Categories
Salamo

Salamo 65

Antsa fisaorana

1 Ho an’ny mpampianatra hira. Salamon’i Davida. Fihirana.

2 Ianao no mendrika hoderaina, ry Andriamanitra, any Siôna,

ho an’ny voninahitrao no anefan’ny olona voady.

3 Ianao, izay mihaino ny fivavahana,

dia mankaminao ny olona rehetra.

4 Tsindrian-keloka miavosa aho ity;

Ianao no mamela ny hadisoanay.

5 Sambatra ny olona fidinao sy raisinao ho akaikinao,

mba honina ao an-kianjanao!

Enga anie izahay ka hivoky ny zava-tsoa ao an-tranonao,

dia ao an-tempolinao masina.

6 Zava-mahagaga no anekenao ny fangatahanay noho ny fahamarinanao,

ry Andriamanitry ny famonjena anay,

tokin’ny vazantany efatra,

sy ny ranomasina lavitra any.

7 – Izy no mampiorina ny tendrombohitra amin’ny heriny;

misikina ny fahefany,

8 mampitony ny fisafoaky ny ranomasina, ny fitroaran’ny onjany,

ary ny fikorontanan’ny vahoaka.-

9 Ankona amin’ny zava-mahagaga ataonao ny mponina any an-tany lavitra;

ampiravoravoanao ny fara sisiny, dia ny atsinanana sy ny andrefana.

10 Manampy ny tany Ianao, mba hahazina azy,

fenoinao harena izy.

Feno rano ny loharanon’Andriamanitra,

raha lonahinao toy izany ny tany, dia vary no omaninao.

11 Manondraka ny tany voaasa Ianao, mandravona ny baingany,

manalemy azy amin’ny tandrifin-drahona,

mitahy ny fitsimohany.

12 Ny taona dia ataonao feno ny fanasoavanao tafahoatra;

mitsororoka ny menaka amin’ny Dianao.

13 Vonton-drano ny tanimbolinao any an’efitra;

miravaka hafaliana ny havoana.

14 Rakotra biby fiompy ny tanim-bilona,

miravaka salohim-bary ny lohasaha,

mifaly sy mihira ny zavatra rehetra.