Categories
Salamo

Salamo 66

Fisaorana ampahibemaso

1 Ho an’ny mpampianatra hira. Fihirana. Salamo.

2 Manaova hobin-kafaliana mankamin’Andriamanitra, ry tany rehetra;

hirao ny voninahitry ny Anarany,

ataovy manetriketrika ny fankalazana Azy.

3 Lazao amin’Andriamanitra hoe: «Endrey, mahatahotra ny asanao!

Mikoy Anao ny fahavalonao, noho ny fahefanao tsitoha.

4 Ny tany rehetra anie hiankohoka eo anatrehanao,

hihira ho an’ny voninahitrao, hankalaza ny Anaranao!»

5 Avia ka banjino ny asan’Andriamanitra!

Fa mahatahotra ny hevitra kasainy amin’ny zanak’olombelona.

6 Nampodiny ho tany maina ny ranomasina,

ka nandeha tongotra namaky ny ony ny olona,

dia faly taminy izahay.

7 Manjaka mandrakizay amin’ny fahefany Izy,

mitsinjo ny firenena ny masony;

aoka tsy hanandra-tena ny mpikomy.

– Selà

8 Misaora an’Andriamanitra, ry vahoaka,

ataovy manakoako ny fiderana Azy.

9 Nitahiry ny fanahintsika amin’ny fiainana Izy

ary tsy namela ny tongotsika hangozohozo.

10 Fa Ianao, ry Andriamanitra, efa nizaha toetra anay;

nandatsaka anay tamin’ny memytoy ny volafotsy;

11 nampiditra anay tamin’ny fandrika harato;

nanisy enta-mavesatra teo am-balahanay.

12 Nampandeha olona hanosy ny lohanay

namaky ny afo sy ny rano izahay;

kanjo nesorinao tamin’izany izahay, dia nototofanao soa.

13 Tonga ato an-tranonao mitondra sorona dorana aho,

hanefa aminao ny voadiko,

14 izay efa notononin’ny molotro,

sy naloaky ny vavako, fony aho azom-pahoriana.

15 Manatitra ondry matavy aminao aho, ho sorona dorana,

mbamin’ny fanetonan’ny ondralahy;

mamono ny vantotr’ombalahy amam-bantotr’osy lahy

ho sorona dorana aho.

– Selà

16 Avia, mihainoa fa holazaiko aminareo,

ianareo rehetra matahotra an’Andriamanitra,

izay nataony ho an’ny fanahiko

17 Niloa-bava nitaraina taminy aho,

ary teo ambony lelako ny fiderana Azy.

18 Raha nahita ota tao am-poko aho,

dia tsy ho nihaino ahy ny Tompo.

19 Nefa efa nohenoin’Andriamanitra aho,

efa nihaino tsara ny feon’ny fivavahako Izy.

20 Hisaorana anie Andriamanitra,

izay tsy nandà ny fivavahako,

na nanaisotra ny fahasoavany tamiko!

Categories
Salamo

Salamo 67

Fiaraha-mivavaka rehefa avy nijinja

1 Ho an’ny mpampianatra hira. Ampiarahina amin’ny zava-maneno tendrena. Salamo. Fihirana.

2 Hanambina sy hitahy antsika anie Andriamanitra!

hampamirapiratra ny Tavany amintsika anie Izy!

– Selà

3 mba ho fantatra etỳ ambonin’ny tany ny lalanao,

ary amin’ny firenena rehetra, ny famonjenao!

4 Hidera Anao anie ny firenena, ry Andriamanitra,

hidera Anao anie ny firenena rehetra!

5 Aoka hirobiroby ny firenena sy hisomebin-kafaliana,

fa mitsara ny vahoaka amim-pahitsiana Ianao

sy mitondra ny firenena ambonin’ny tany.

6 Hidera Anao anie ny firenena, ry Andriamanitra,

hidera Anao anie ny firenena rehetra!

7 Efa nahavokatra ny tany;

hotahin’Andriamanitra, dia ny Andriamanitsika, anie isika!

8 Hotahin’Andriamanitra anie isika!

ary hanaja Azy ny vazantany rehetra!

Categories
Salamo

Salamo 68

Hira fandresen’i Israely

1 Ho an’ny mpampianatra hira. Salamon’i Davida. Fihirana.

2 Aoka hitsangana Andriamanitra, ka hiely ny fahavalony,

ary handositra ny Tavany, ireo mankahala Azy.

3 Tahaka ny fisàvan’ny setroka, no andringano an’ireny;

tahaka ny fiempon’ny savoka eo amin’ny afo

no aoka hahalevona ny ratsy fanahy eo anatrehan’Andriamanitra.

4 Fa ny marina kosa aoka hifaly sy hiravoravo

eo anatrehan’Andriamanitra,

aoka hientan-kafaliana izy ireo!

5 Mihirà ho an’Andriamanitra, mankalazà ny Anarany!

Misavà lalanaho an’ilay tamy mamaky ny tany lemaka!

Iaveh no Anarany, mifalia eo anatrehany!

6 Rain’ny kamboty, mpitsara ny mpitondratena Izy,

Andriamanitra eo amin’ny fonenany masina.

7 Ireo nilaozana, dia omen’Andriamanitra trano;

manafaka ny voababosy mamerina azy eo amin’ny fiadanana Izy

ny mpiodina ihany no tavela eo amin’ny efitra mahamay.

8 Ry Andriamanitra ô, raha nandeha teo alohan’ny vahoakanao Ianao,

ka nandroso teo amin’ny efitra.

– Selà

9 dia nihozongozona ny tany,

nitsonika teo anatrehan’Andriamanitra hatramin’ny lanitra aza.

I Sinaia aza nihararetra teo anatrehan’Andriamanitra,

Andriamanitr’i Israely.

10 Ry Andriamanitra ô, nandrotsaka oram-pahasoavanaIanao:

trotraka ny lovanao, dia nomenao aina indray.

11 Nandefa bibyIanao, ka nirotsaka tao izy ireo.

Noho ny hatsaram-ponao dia nanomananao hanina ny ory.

12 Nampandre ny teniny ny Tompo;

antokom-behivavy maro no milaza ny fandresena.

13 Mandositra, mandositra, ireo mpanjakan’ny tafika,

ary mizara ny babo kosa ilay vehivavymitoetra an-trano.

14 Raha nandry teo amin’ny valan’ondry ianareo;

rakotra volafotsy ny ela-boromahailala

ary namirapiratra toy ny famirapiratry ny volamena ny volony.

15 Nony naelin’ny Tsitoha ny mpanjaka eo amin’ny tany,

dia latsaka teo Selmôna ny oram-panala.

16 Ry tendrombohitr’Andriamanitra, ry tendrombohitr’i Basàna,

17 ry tendrombohitra avo tampona, ahoana no ijerenareo amim-pialonana?

Eny, hitoetra ao mandrakizay i Iaveh.

18 Ilay kalesin’Andriamanitra dia ireo an’arivony, an’arivony.

Avy any Sinaia ho ao amin’ny fitoerany masina ny Tompo.

19 Miakatra amin’ny avo, mitondra ny babo betsaka Ianao;

mandray ny fanatitra avy amin’ny olona Ianao.

Ny mponina avy no honina eo akaikin’i Iaveh Andriamanitra.

20 Hisaorana anie ny Tompo;

mitondra ny entantsika isan’andro Izy;

Andriamanitra mamonjy antsika Izy.

– Selà

21 Andriamanitra no Andriamanitry ny famonjena ho antsika;

I Iaveh Tompo dia manafaka amin’ny fahafatesana.

22 Eny, Andriamanitra hanorotoro ny lohan’ny fahavalony,

dia ny handrina be volon’izay mandeha amin’ny haratsiana.

23 Ny Tompo nilaza hoe: «Hampodiko avy any Basàna ireny,

hampodiko avy any ambany ranomasina ireny,»

24 mba hanobohanao ny tongotrao ao anatin’ny ra

sy hananan’ireo lelan’ny alikanao anjara, amin’ny fahavalo.

25 Hitan’ny olona ny dianao, ry Andriamanitro,

dia ny dian’ny Andriamanitro, ny Mpanjakako, ho ao amin’ny fitoerana masina.

26 Ny mpihira no eo aloha, ny mpitendry zava-maneno no manarakaraka.

Ireo zazavavy mively ampongatapaka no eo afovoany.

27 Misaora an’Andriamanitra eo amin’ny fiangonana,

misaora ny Tompo ianareo izay avy amin’ny loharanon’i Israely.

28 Indro i Benjamina ilay kely indrindra, izay manapaka azy ireo;

ny andriandahin’i Jodà mbamin’ny antokon’izy ireo;

ny andriandahin’i Zabolôna, ny andriandahin’i Neftalì.

29 Mandidia ny fahefanao, ry Andriamanitra,

hamafiso izay nataonao ho anay, ry Andriamanitra!

30 Ao amin’ny fitoerana masina, ao an-tampon’i Jerosalema,

no hanoloran’ny mpanjaka fanatitra ho Anao.

31 Rahòny ny biby any anaty bararata

ny andian’ombilahy aman-janak’ombin’nyvahoaka,

mba hiankohoka mitondra anja-bolafotsy,

aparitaho ireo firenena tia ady!

32 Aoka ho tonga avy any Ejipta ny tremalahy,

aoka hidodododo hanandra-tanana amin’Andriamanitra i Etiôpia.

33 Mihirà ho an’Andriamanitra ianareo, fanjakana eto an-tany,

mankalazà ny Tompo ianareo!

– Selà

34 Mihirà ho an’ilay lanjaina ao ambonin’ny lanitra, ny lanitra fahagola.

Indro Izy, mampandre ny feony, feo mahery!

35 Maneke ny fahefan’Andriamanitra!

Ny fiandrianany ao amin’i Israely,

ny fahefany eny amin’ny rahona.

36 Mahatahotra Ianao, ry Andriamanitra, eo amin’ny fitoeranao masina!

Manome hery amam-pahefana ny vahoakany,

ny Andriamanitr’i Israely.

Hisaorana anie Andriamanitra!

Categories
Salamo

Salamo 69

Fitomaniana

1 Ho an’ny mpampianatra hira. Amin’ny lisy. Nataon’i Davida.

2 Vonjeo aho, ry Andriamanitra,

fa tafahatra amin’ny aiko ny rano!

3 Tafalentika amin’ny fotaka mandrevo aho,

ka tsy misy hamaharan’ny tongotro.

Tafatsoboka anaty hantsan-drano aho,

ary efa difotry ny onjan-drano.

4 Sasatry ny mitaraina aho; maimay ny tendako;

valaka eo amin’ny fiandrasana an’Andriamanitra, ny masoko.

5 Fa maro noho ny volon-dohako,

ry zareo mankahala ahy tsy ahoan-tsy ahoana;

mahery ry zareo mitady hahavery ahy,

izay mitsangan-ko fahavaloko tsy amin’ny antony.

Izay tsy nalaiko tsy maintsy averiko.

6 Ry Andriamanitra ô, fantatrao ny hadalako;

ary tsy miafina aminao ny hadisoako.

7 Aoka tsy ho manetra noho ny amiko, izay manantena Anao,

ry Tompo, Iavehn’ny tafika!

Aoka tsy hangaihay noho ny amiko, izay mitady Anao,

ry Andriamanitr’i Israely!

8 Fa noho ny aminao no itondrako latsa,

sy mahasafo-kenatra ny tavako.

9 Zary vahiny eo amin’ny rahalahiko aho,

ary olon-tsy fantatra eo amin’ny zanak’ineny.

10 Fa ny zotom-po amin’ny tranonao mandritra aina ahy;

ary ny fanaratsian’ireo manevateva Anao, mianjera amiko.

11 Mitomany sy mifady hanina aho,

ka tonga fandàtsan’ny olona, noho izany.

12 Lamba malailay no ataoko fitafy,

dia zary fanarabin’izy ireo aho.

13 Izay mipetraka eo am-bavahady, miresaka ahy;

ary ny mpisotro fisotro mahery, manao an-kira ahy.

14 Fa izaho kosa, ry Iaveh, mivavaka aminao,

ka amin’ny andro mety, ry Andriamanitra,

noho ny hatsaram-ponao lehibe,

ekeo ny fangatahako araka ny hamarinan’ny famonjenao.

15 Esory amin’ny fotaka aho, ka tsy ho tafalentika ao intsony;

aoka ho afaka amin’ny fahavaloko sy amin’ny rano lalina aho.

16 Aoka ny onjan-drano tsy hanafotra ahy intsony,

ny hantsana tsy hitelina ahy;

ny fasana tsy hikatona amiko.

17 Valio vavaka aho, ry Iaveh, fa antra ny hatsaram-ponao,

mitodiha atỳ amiko, amin’ny famindra-ponao lehibe,

18 ary aza manafina ny Tavanao amin’ny mpanomponao;

fa azom-pahoriana aho, ka malakia mihaino ahy.

19 Hatony ny fanahiko, afaho izy;

vonjeo aho noho ny fahavaloko.

20 Fantatrao ny latsa mahazo ahy,

ny fahamenarako sy fahafaham-barakako;

eo anatrehanao daholo ny mpanenjika ahy.

21 Torotoron’ny latsa ny foko, ka marary aho,

miandry horaka, fa tsy nisy;

ary mpanony, fa tsy nahita iray akory.

22 Ahitra mangidy no omeny hohaniko;

vinaingitra no ampisotroiny ahy mangetaheta.

23 Aoka kosa ny latabany ho fandrika ho azy ireo,

ho tonta ao afovoan’ny fandriany fahizay.

24 Aoka hihamaizina tsy mahita intsony ny masony;

ampangozohozoy mandrakizay ny valahany.

25 Atosahy aminy ny hatezeranao;

ary hihatra aminy anie ny fahaviniranao mirehitra!

26 Aoka ho foana ny fonenany,

ary tsy hisy mpitoetra intsony ao an-dainy.

27 Fa manenjika izay kapohinao izy;

mitantara ny fijalian’izay tsindroninao izy.

28 Ataovy miampy heloka ny helony;

ary aoka tsy hanana anjara amin’ny fahamarinanao izy.

29 Aoka hovonoina eo amin’ny bokin’ny fiainana izy ireo;

ary tsy ho voasoratra miaraka amin’ny marina izy.

30 Izaho kosa dia ory sy mijaly;

hanarina ahy anie ny famonjenao, ry Andriamanitra!

31 Hankalaza ny Anaran’Andriamanitra amin’ny fihirana aho;

hanandratra Azy amin’ny fisaorana.

32 Fa hankasitrahin’i Iaveh mihoatra noho ny ombalahy izany,

mihoatra noho ny vantotr’ombalahy manan-tandroka sy kitro.

33 Rehefa mahita izany ny mahantra dia hifaly;

ary ho velom-bolo koa ny fonareo mitady an’Andriamanitra.

34 Fa mihaino ny mahantra i Iaveh,

ary tsy manamavo ny olony voababo.

35 Aoka hidera Azy ny tany aman-danitra,

mbamin’ny ranomasina sy izay rehetra mihetsiketsika ao anatiny!

36 Fa hamonjy an’i Siôna Andriamanitrasady hanangana ny tanànan’i Jodà,

dia hitoetra ao ny olona sady hitsangan-ko tompony;

37 hahazo azy ho lovany ny taranaky ny mpanompony,

ary hanana ny fonenany ao izay tia ny Anarany.

Categories
Salamo

Salamo 70

Antso vonjy mafy

1 Ho an’ny mpampianatra hira. Nataon’i Davida. Ho fampahatsiarovana.

2 Ry Andriamanitra ô, faingàna hanafaka ahy!

Tompo ô, faingàna hamonjy ahy!

3 Aoka ho menatra sy hangaihay,

izay mitady ny aiko!

Aoka hihemotra sy ho menatra,

izay maniry hahavery ahy!

4 Aoka hianòtra azon’ny henatra,

izay manao hoe: «Hia! Hia!»

5 Aoka hifaly sy hiravoravo aminao kosa,

ireo mitady Anao!

Aoka hilaza mandrakariva hoe: «Voninahitra anie ho an’Andriamanitra!»

izay tia ny famonjenao.

6 Ary izaho ity, malahelo sy mahantra,

ka faingàna hankatỳ amiko, ry Andriamanitra!

Fa Ianao no mpamonjy sy mpanafaka ahy.

Aza ela, ry Iaveh!

Categories
Salamo

Salamo 71

Vavak’olona antitra

1 Ianao, ry Iaveh, no nataoko fialofako,

aoka tsy ho menatra na oviana na oviana aho!

2 Vonjeo amin’ny fahamarinanao aho, ka afaho!

Atongilano amiko ny sofinao, ka vonjeo aho!

3 Aoka Ianao ho vatolampy tsy azo hanihina ho ahy,

izay ho azoko handosirana mandrakariva.

Efa nandidy ny hamonjy ahy Ianao,

fa Ianao no Vatolampiko sy Trano mimandako.

4 Ry Andriamanitra ô, afaho aho amin’ny tanan’ny ratsy fanahy,

amin’ny tanan’ny olon-tsy marina sy masiaka.

5 Fa Ianao no fanantenako, ry Tompo Iaveh,

Ianao no ipetrahan’ny fitokiako hatramin’ny fahatanorako!

6 Ianao no iankinako hatramin’ny aho fony vao teraka;

Ianao izay mamoaka ahy avy any am-bohoka

ka Anao ny fiderako mandrakizay!

7 Tonga toa zava-mahagaga aho eo imason’ny vahoaka,

kanjo Ianao no fiarovana mafy ho ahy.

8 Ho feno fiderana Anao anie ny vavako,

hankalaza ny hasoavanao isan’andro anie izy.

9 Aza arianao aho amin’ny andron’ny fahanterako;

ary aza ilaozana rehefa mihena ny heriko.

10 Fa miray tetika hamely ahy ny fahavaloko,

ary miara-mioko, izay mikendry ny aiko,

11 manao hoe: «Efa nafoin’Andriamanitra izy! Enjeho,

sambory, fa tsy misy izay hiaro azy!»

12 Ry Andriamanitra ô, aza manalavitra ahy;

ry Andriamanitra, faingàna hamonjy ahy!

13 Aoka ho menatra sy ho levona,

izay mitady ny aiko!

Aoka ho safo-kenatra amam-pahafaham-baraka,

izay mitady hahavery ahy.

14 Fa izaho dia hanantena mandrakariva,

ary mbola hampitomboiko indray ireo fiderana Anao rehetra.

15 Ny vavako hitory ny fahamarinanao,

mbamin’ny fanambinanao tontolo andro;

fa tsy hitako izay isan’izany.

16 Hilaza ny asanao lehibe aho, ry Tompo Iaveh ô,

hampahatsiaro ny fahamarinanao aho, dia ny Anao irery.

17 Ry Andriamanitra, nampianarinao hatry ny fony mbola tanora aho

ary mitory ny fahagaganao, mandraka ankehitriny!

18 Mandra-pahatongako ho antitra sy fotsy volo,

aza ilaozanao aho Andriamanitra,

mba hampahafantarako ny herinao amin’ny taranaka ankehitriny,

ary ny fahefanao amin’ny taranaka ho avy.

19 Mahatakatra ny lanitra ny fahamarinanao, ry Andriamanitra,

Ianao izay mahefa ny zava-dehibe!

– Iza no tahaka Anao, ry Andriamanitra? –

20 Ianao izay efa nampihatra fizahan-toetra betsaka sy mahatsiravina.

Nefa mbola hamelona anay indray Ianao,

ka hampiakatra anay avy amin’ny hantsan’ny tany.

21 Hasandratrao indray ny voninahitro,

ary hampionona ahy indray Ianao.

22 Dia hoderaiko amin’ny feom-baliha,

hohiraiko ny fahamarinanao, ry Andriamanitra ô!

hankalaza Anao amin’ny harpa aho, ry Masin’i Israely!

23 Ka amin’ny hihiràko ho Anao, dia eo amin’ny molotro ny firavoravoana,

sy ho ao amin’ny fanahiko izay novonjenao.

24 Ary hitory ny fahamarinanao isan’andro ny lelako;

fa ho safo-kenatra amam-pahafaham-baraka kosa

izay mitady fahaverezana ho ahy.

Categories
Salamo

Salamo 72

Ilay mpanjaka nampanantenaina

1 Nataon’i Salômôna.

Ry Andriamanitra ô; tolory ny fitsarànao, ny mpanjaka,

ary ny fahamarinanao, ny zanaky ny mpanjaka.

2 Aoka hitondra ny vahoakanao, araka ny rariny,

sy ny mahantranao, araka ny hitsiny!

3 Aoka hahavokatra fiadanana ho an’ny vahoaka ny tendrombohitra,

torak’izany ny havoana, amin’ny fahamarinana.

4 Hanomezany rariny ny olona ory eo amin’ny vahoakany,

sy hamonjeny ny zanaky ny mahantra,

ary hanorotoroany ny mpampahory!

5 Aoka hanaja Anao ny olona, raha mbola maharitra koa ny masoandro,

raha mbola mihiratra koa ny volana, hatramin’ny taona mifandimby.

6 Aoka izy hidina, toy ny ranonorana amin’ny ahi-maitso,

toy ny tandrifin-drahona manondraka ny tany.

7 Ka amin’ny androny dia aoka ho finaritra ny olo-marina,

amim-piadanana feno, mandra-pitsahatry ny fisian’ny volana.

8 Hanjaka hatramin’ny ranomasina iray ka hatramin’ny ranomasina hafa Izy,

ary hatramin’ny Ony ka hatramin’ny faran’ny tany.

9 Hiankohoka eo anatrehany ny mponina any an’efitra;

ary ho lavo amin’ny tany ny fahavalony.

10 Handoa hetra ny mpanjakan’i Tarsisa sy ny nosy;

hanolotra fanatitra ny mpanjakan’i Sabàsy Merôe;

11 hiankohoka eo anatrehany ny mpanjaka rehetra,

hanaiky Azy ny firenena rehetra.

12 Fa hanafaka ny mahantra mitaraina aminy Izy;

sy ny ory tsy manan-kamonjy akory.

13 Hiantra ny fadiranovana sy ny tsy manana Izy,

ary hamonjy ny ain’ny mahantra.

14 Hoesoriny amin’ny fampahoriana amam-panaovana an-keriny ireny,

ary ho sarobidy eo imasony ny ran’izy ireny.

15 Dia ho velona ireny, ka hanatitra volamena

avy any Sabà ho Azy;

hanao voady ho Azy mandrakariva, ary hisaotra Azy isan’andro.

16 Ny vary, aoka ho vokatra betsaka amin’ny tany

hatrany an-tampon’ny tendrombohitra!

Ny salohim-bary, aoka hisahondrahondra hoatry ny alan’i Libàna!

Ny olona, aoka hirobona ao amin’ny tanàna toy ny ahitra any an-tsaha.

17 Aoka haharitra mandrakizay ny Anarany!

Aoka hiely laza ny Anarany, raha mbola mihiratra koa ny masoandro!

Aoka ho aminy no itadiavan’ny olona fanambinana!

Aoka ny firenena rehetra hiantso Azy hoe: Sambatra!

18 Hisaorana anie i IavehAndriamanitra, Andriamanitr’i Israely,

izay hany manao fahagagana!

19 Hisaorana mandrakizay anie ny Anarany be voninahitra!

Ho feno ny voninahiny anie ny tany rehetra.

Amen! Amen!

20 Tapitra ny vavak’i Davidazanak’i Izaì.

Categories
Salamo

Salamo 73

Fitsarana farany

1 Salamon’i Asafa.

Eny, tsara fo Andriamanitra amin’i Israely

sy amin’izay madio fo!

2 Kanefa saika nikoy aho,

saika nibolisatra ny tongotro.

3 Fa sosotra tamin’ny tsy mpivavaka aho,

nahita ny fiadanan’ny ratsy fanahy.

4 Ho azy ireo: ny fanaintainana tsy misy mandra-pahafatiny;

ny vatany tomady fatratra.

5 Tsy mba niasa amin’izay asa fanaon’ny olona izy,

ary tsy mba voadonan-javatra toy ny olon-kafa rehetra.

6 Ka dia rehareha no firaratan’ny vozony,

ary halozana no akanjo sarobidy itafiany.

7 Mivoaka heloka, avy ao an-kibony,

miseho andro ny hevitry ny fony.

8 Mamazivazy izy, miresaka haratsiana sy halozana,

manonona teny an’avona.

9 Ny vavany, entiny mamely ny lanitraaza,

ary ny lelany miasa eto an-tany.

10 Ka tafatodika any aminy ny vahoakako,

migoka rano erỳ izy.

11 Hoy izy: «Ahoana no hahafantaran’Andriamanitra?

Ahoana no hahalalan’ny Avo Indrindra?

12 Fa izany no toetry ny ratsy fanahy:

miadana mandrakariva, mampitombo ny hareny izy.»

13 Ka dia foana tsy misy asany ny nitandremako ny foko ho madio;

sy ny nanasako ny tanako amin’ny tsy fananan-tsiny,

14 voakapoka mandritra ny andro aho,

ary faizina ihany isa-maraina.

15 Raha izay aho no nanao hoe: «Te-hiteny toa azy ireo aho»

dia ho nivadika tamin’ny taranaky ny zanakao aho.

16 Nandinika hahatakatra izany zavatra izany aho,

ka zava-tsarotra tokoa teo imasoko izany,

17 mandra-pahatafiditro tao amin’ny fitoerana masin’Andriamanitra

sy namantatra ny anjara hiafaran’izy ireo.

18 Eny, ampandehaninao eo amin’ny lala-malama ireny,

dia alavonao, ka levona foana eo izy.

19 Hia! indray mipy maso monja lahy, dia rava ireny!

Levona terỳ! Matin-doza mahatsiravina ka tsy hita intsony!

20 Tahaka ny nanaovan’ny olona ny nofy nony mahatsiaro,

no androahanao ny fahatsiarovana azy, ry Tompo, rehefa mifoha Ianao.

21 Raha lotika ny foko,

ka mahatsiaro voatsindrona lalina aho,

22 dia ketrina tsy misy saina intsony aho

fa toy ny biby no mitomoetra eo anatrehanao.

23 Ho eo aminao mandrakariva anefa aho,

fa efa voahazonao ny tanako ankavanana;

24 hoentinao amin’ny torohevitrao aho,

dia horaisinao any amin’ny voninahitra, rehefa afaka izany.

25 Manana an’iza indray moa aho, any an-danitra?

Tapi-java-nirina aho manana Anao eto an-tany.

26 Torana ny nofoko sy ny foko:

ny vatolampin’ny foko sy anjarako dia Andriamanitra mandrakizay doria.

27 Indro very kosa izay manalavitra Anao;

aringanao avokoa izay mivadika aminao.

28 Raha izaho, dia ny miray amin’Andriamanitra no fahasambarako;

I Iaveh Tompo no anton’ny fitokiako;

mba hitoriako ny asanao rehetra.

Categories
Salamo

Salamo 74

Fitomaniana nony voaroba ny Tempoly

1 Fihirana nataon’i Asafa.

Ry Andriamanitra ô, nahoana no dia nanary anay mandrakizay Ianao?

sy mirehitra amin’ny ondry ao amin’ny tanim-bilonao ny hatezeranao?

2 Tsarovy ny vahoakanaoizay azonao tamin’ny andro fahataloha,

navotanao ho foko lovanao!

Tsarovy ny tendrombohitra Siônanataonao fonenanao.

3 Ny dianao tariho ho eo amin’ireo korontan-javatra tsy azo amboarina;

simban’ny fahavalo avokoa izay teo amin’ny fitoerana masina.

4 Nanerona teo amin’ny kianjanao masina, ny mpanohitra Anao;

nanangana ny fanevany ho faneva izy.

5 Ny fijery azy, toy ny mpikapa hazo,

manainga famaky ao amin’ny ala mikitroka!

6 Ary ankehitriny, ny rafitra misikotra rehetra,

dia nomontsaniny avokoa nasiany ny famaky sy ny kanonta.

7 Nodorany tamin’ny afo ny fitoeranao masina,

nazerany sy notevatevainy ny fonenan’ny Anaranao.

8 Hoy izy anakampony: «Ravaontsika avokoa izy ireo!»

Nodorany daholo ny fitoerana masina amin’ny tany.

9 Ny famantaranay, tsy hitanay intsony;

ny mpaminany, tsy misy intsony;

ary tsy misy aminay mahalala mandra-pahoviana no…

10 Mandra-pahoviana, ry Andriamanitra, no haniratsiran’ny mpampahory,

sy hanevatevan’ny fahavalo tsy an-kijanona ny Anaranao?

11 Nahoana no avonkinao ny tananao, ny tananao ankavanana?

avoahy avy ao an-tratranao izy, dia aringano ireny!

12 Andriamanitra anefa no mpanjakako, hatry ny fahataloha;

Izy izay efa nanao famonjena betsaka tetỳ ambonin’ny tany.

13 Ianao no nampisaraka ny ranomasina tamin’ny herinao,

nanorotoro ny lohan’ireo biby goavam-be tao anaty rano.

14 Ianao no namakivaky ny lohan’i Leviatàna

dia nanome azy hohanin’ny vahoaka any an’efitra.

15 Ianao no nampiboiboika ny loharano aman-dranon-driaka,

Ianao no nahatankina ny ony tsy mety ritra.

16 Anao ny andro, Anao ny alina;

Ianao no nahary ny masoandro amam-bolana.

17 Ianao no nametra ny faritra rehetra amin’ny tany;

Ianao no nanorina ny ririnina amam-pahavaratra.

18 Tsarovy fa maniratsira an’i Iaveh ny fahavalo;

miteny ratsy ny Anaranao ny vahoaka adala!

19 Aza atolotra ny biby ny ain’ny domohinanao,

aza hadinoina mandrakizay ny ain’ny olo-mahantranao.

20 Hevero tsara ny fanekenao! fa izao zoron-tany rehetra izao

feno fandrian-dompy avokoa.

21 Aoka tsy hiverina amin-kenatra, ny tra-pahoriana!

aoka ho afaka hidera ny Anaranao, ny ory sy mahantra!

22 Mitsangàna Ianao, ry Andriamanitra, iandraiketo ny adinao;

tsarovy ny faniratsiràn’ny adala Anao isan’andro.

23 Aza hadinoina ny akoralavan’ny mpandrafy Anao:

ny reharehan’ireo mankahala Anao mitombo mandrakariva!

Categories
Salamo

Salamo 75

Andriamanitra mpitsara: manetry ary manandratra

1 Ho an’ny mpampianatra hira. Aza mandrava. Salamon’i Asafa. Fihirana.

2 Midera Anao izahay, ry Andriamanitra, midera Anao izahay;

akaiky ny Anaranao,

mitory ny zava-mahagaga ataonao ny olona.

3 Rehefa tonga ny fotoana, hitsara marina Aho,

4 mihozongozona ny tanymbamin’ny mponina rehetra eo aminy;

izaho kosa dia mampiorina ny andriny.

– Selà

5 Hoy aho amin’ny mpirehareha: «Aza mirehareha!»

ary amin’ny ratsy fanahy: «Aza manangan-doha!

6 Aza avo fananganan-doha loatra,

aza miteny an’avonavona be loatra!»

7 Fa tsy avy any atsinanana, na avy any andrefana,

na avy any an’efitry ny tendrombohitra!…

8 Tsia fa Andriamanitra no manao ny fitsarana:

ny iray aetriny, ny iray asandrany.

9 Satria eo an-tanan’i Iaveh misy kapoaka,

ka divay mandroatra miharo zava-manitra no ao.

Dia aidiny izany: eny, hotsentsefiny ny faikan’izany,

hisotro avokoa ny ratsy fanahy amin’ny tany.

10 Fa izaho kosa hitory izany mandrakizay,

hihira fiderana ny Andriamanitr’i Jakôba aho.

11 Ary ny tandroky ny ratsy fanahyrehetra hotapahiko;

fa ny tandroky ny marinakosa hasandratro.