Categories
Salamo

Salamo 96

I Iaveh Mpanjaka sady Mpitsara

1 Mihirà fihiram-baovao ho an’i Iaveh!

Mihirà ho an’i Iaveh ianareo monina amin’ny tany rehetra.

2 Mihirà ho an’i Iaveh, misaora ny Anarany.

Lazao isan’andro ny famonjeny,

3 ambarao amin’ny firenena ny voninahiny,

ary amin’ny firenena rehetra ny fahagagany.

4 Fa lehibe sy mendrika ny fiderana rehetra,

mahatahotra mihoatra noho izay andriamanitra rehetra Izy,

5 fa tsinontsinonaavokoa ny andriamanitry ny firenena.

Fa i Iaveh no nanao ny lanitra.

6 Manoloana Azy ny famirapiratana amam-pahalehibeazana;

ao amin’ny fitoerany masinany hery amam-piandrianana.

7 Manomeza an’i Iaveh, ry fokom-pirenena rehetra,

manomeza voninahitra amam-pahefana an’i Iaveh.

8 Omeo an’i Iaveh ny voninahitra mendrika ny Anarany.

Mitondrà ny fanatitra, ka mankanesa eo an-kianjany.

9 Miankohofa eo anatrehan’i Iaveh amin’ny fanamiana masina,

mangovita eo anatrehany ianareo monina amin’ny tany rehetra!

10 Lazao eo amin’ny firenena hoe: «I Iaveh no mpanjaka»;

ka hitoetra sy tsy hihetsiketsika izao tontolo izao;

hitsara ny vahoaka araka ny rariny Izy,

11 Aoka hifaly ny lanitra,

sy hiravoravo ny tany.

Aoka hisebiseby ny ranomasina mbamin’izay rehetra ao aminy;

12 aoka ho miramirana ny saha mbamin’izay rehetra ao aminy

aoka hihoby ny hazo rehetra any an’ala,

13 eo anatrehan’i Iaveh fa avy Izy.

Avy hitsara ny tany Izy;

hitsara izao tontolo izao araka ny rariny Izy,

ary ny firenena, araka ny fahamarinany.

Categories
Salamo

Salamo 97

I Iaveh Mpandresy

1 Mpanjaka i Iaveh: aoka hifaly ny tany;

Aoka hiravoravo ny nosy maro!

2 Rahona aman’aloka no manodidina Azy,

rariny sy hitsiny no iorenan’ny seza fiandrianany.

3 Afo no mandroso eo alohany,

sady mandevona ny fahavalony manodidina.

4 Mahazava izao tontolo izao ny tselany,

mahita izany ny tany ka mipararetra.

5 Miempo hoatry ny savoka ny tendrombohitra eo anatrehan’i Iaveh,

dia eo anatrehan’ny Tompon’ny tany rehetra.

6 Ny lanitra mitory ny fahamarinany,

ary ny firenena rehetra mibanjina ny voninahiny.

7 Hangaihay izay rehetra mivavaka amin’ny sarin-javatra,

izay mirehareha amin’ny sampiny.

Hiankohoka eo anatrehany ny andriamanitra rehetra.

8 Nandre i Siôna, ka nifaly;

niravoravo ireo zanakavavin’i Jodà,

9 satria Ianao, ry Iaveh, no Avo Indrindra ambonin’ny tany rehetra;

Ianao dia tafasandratra indrindra ambonin’ny andriamanitra rehetra.

10 Mankahalà ny ratsy, ianareo izay tia an’i Iaveh;

miaro ny fanahin’ny mpino Azy Izy,

dia manafaka azy amin’ny tanan’ny ratsy fanahy.

11 Afafy ho an’ny marina ny fahazavana,

ary ho an’ny mahitsy fo ny fifaliana.

12 Mifalia amin’i Iaveh, ry olo-marina,

ary manomeza voninahitra ny Anarany masina.

Categories
Salamo

Salamo 98

Ilay Mpitsara ny tany

1 Salamo.

Mihirà fihiram-baovao ho an’i Iaveh,

fa nanao fahagagana Izy.

Ny tanany ankavanana sy ny sandriny masina

no nahazoany ny fandresena.

2 Nampiharihary ny famonjeny i Iaveh;

nanambara ny fahamarinany teo imason’ny firenena Izy.

3 Notsarovany ny hatsaram-pony amam-pahamarinanyamin’ny taranak’i Israely.

Ny vazantany efatra,

nahita ny famonjen’ny Andriamanitsika avokoa.

4 Manaova hobin-kafaliana mankamin’i Iaveh,

ianareo monina amin’ny tany rehetra.

Ataovy mipoaka amin’ny feon-java-maneno ny firavoravoanareo.

5 Mankalazà an’i Iaveh amin’ny harpa,

amin’ny harpa sy amin’ny fihirana.

6 Manaova hobin-kafaliana eo anatrehan’i Iaveh Mpanjaka,

amin’ny trômpetraamam-peon’anjomara.

7 Aoka hisebiseby ny ranomasina mbamin’izay rehetra ao aminy;

Aoka ny tany mbamin’ny mponina eo aminy hampiseho ny fientanan-kafaliany.

8 Aoka ho velon-tehaka ny ony;

aoka hanao hobin-kafaliana ny tendrombohitra rehetra,

9 Eo anatrehan’i Iaveh, fa avy hitsara ny tany Izy;

hitsara ny tany araka ny rariny Izy, sy ny vahoaka araka ny hitsiny.

Categories
Salamo

Salamo 99

Andriamanitra, Mpanjaka marina sady masina

1 Mpanjaka i Iaveh; mangovitra ny firenena;

mipetraka eo amin’ny Kerobima Izy; mangozohozo ny tany.

2 Lehibe ao Siôna i Iaveh,

tafasandratra ambonin’ny firenena Izy.

3 Hoderaina anie ny Anaranao, sady lehibe no mahatahotra. – Masina Izy.

4 Hoderaina anie ny herin’ny Mpanjaka, izay tia ny rariny.

Manamafy ny fahitsiana Ianao,

mitsara araka ny rariny sy ny hitsiny

eo amin’i Jakôba Ianao.

5 Mankalazà an’i Iaveh Andriamanitsika,

ary miankohofa eo anatrehan’ny lampihazo ipetrahan’ny tongony. – Fa Masina Izy.

6 I Môizy sy i Aarôna dia anisan’ireo mpisorony,

ary i Samoela isan’ireo miantso ny Anarany,

dia niantso an’i Iaveh, ka novaliany.

7 Niteny tamin’ireo tao amin’ny andry rahonaIzy;

nitandrina ny didiny izy ireo

sy ny lalàna izay efa nomeny azy ireo.

8 Ry Iaveh Andriamanitray ô, nekenao ny fangatahany;

Andriamanitra be indrafo ho azy ireo Ianao,

ary namaly azy tamin’ny hadisoany.

9 Mankalazà an’i Iaveh Andriamanitsika,

ary miankohofa eo anatrehan’ny tendrombohiny masina,

fa masina i Iaveh Andriamanitsika.

Categories
Salamo

Salamo 100

Fiantsoana ny olona hidera

1 Salamo fiderana.

Manaova hobin-kafaliana mankamin’i Iaveh

ianareo mponina amin’ny tany rehetra.

2 Manompoa an’i Iaveh amin-kafaliana,

mankanesa eo anatrehany amim-piravoravoana.

3 Fantaro fa Andriamanitra i Iaveh;

Izy no nanao antsika, ka Azy isika,

vahoakany sy andian’ondriny amin’ny tanim-bilony.

4 Avia ho eo am-bavahadinyamim-piderana,

sy eo an-kianjany amim-pihirana;

ankalazao Izy, isaory ny Anarany.

5 Fa tsara i Iaveh, mandrakizay ny famindram-pony,

ary maharitra amin’ny taona mifandimby ny fahamarinany.

Categories
Salamo

Salamo 101

Ny andriana tonga lafatra

1 Salamon’i Davida.

Ny hatsaram-po amam-pahamarinana no tiako hohiraina;

Ianao Iaveh no tiako hankalazaina.

2 Hitandrina ny lalan’ny tsy fananan-tsiny aho.

– Rahoviana no ho tonga aty amiko Ianao? –

Handeha amin’ny fahitsian’ny foko aho,

eo afovoan’ny tranoko.

3 Eo anoloan’ny masoko aho,

tsy hanisy asa ratsy na inona na inona;

halako ny fitondran-tena ratsy;

tsy hipetraka amiko izany.

4 Tsy mba ho fo mivaona ny ahy na oviana na oviana;

tsy te-hahalala izay ratsy akory aho.

5 Hofongorako,

ny mpifosa mandrovitra ny namany mangingina.

Ny olona misolanandrana sy bontsinin’ny hambom-po,

tsy ho tohako.

6 Hijery izay olona mahatoky amin’ny tany, ny masoko,

mba hitoerany ato akaikiko;

izay mandeha amin’ny lalana marina, no ho mpanompoko.

7 Tsy mba hanan-toerana ao an-tranoko,

izay manao am-pitaka;

tsy hijanona eo anoloan’ny masoko,

izay milaza lainga,

8 haripako isa-maraina

ny ratsy fanahy rehetra amin’ny tany,

mba hamongorako eo an-tanan’i Iaveh

izay rehetra manao ratsy.

Categories
Salamo

Salamo 102

Vavaka ao anatin’ny fahoriana

1 Vavaky ny ory, mivesa-pahoriana, sy mandoatrany fitarainany eo anatrehan’i Iaveh.

2 Iaveh, henoy ny fivavahako,

3 ary aoka ho tonga hatrany aminao ny fitarainako.

Aza manafina ny Tavanao amin’ny andron’ny fahoriako,

atongilano atỳ amiko ny sofinao,

faingàna hamaly ahy, nony mitaraina aho.

4 Fa levona toy ny lasan-ko setroka ny androko,

ary mirehitra, toy ny doran’ny afo, ny taolako.

5 Voajinja toy ny ahitra ny foko, ka malazo;

hadinoko aza ny mihinan-kanina.

6 Tafaraikitra amin’ny taolako ny nofoko,

azon’ny mitaraina sy misento.

7 Tahaka ny pelikanoany an’efitra aho,

ary zary toa vorondolotokana an-tanàna haolo.

8 Tsy mahita tory aho mandritra ny alina,

toa vorona manirery eny an-tafon-trano.

9 Tsiratsirain’ny rafilahiko tontolo andro aho,

ary ny fahavaloko entim-pisafoahany mianiana ny hamono ahy.

10 Mihinan-davenonaho tahaka ny mofo aho,

ary haroako ranomaso ny zavatra sotroiko;

11 noho ny hatezeranao amam-pahaviniranao,

fa naingainao aho, ary natsipinao lavitra.

12 Tahaka ny aloka efa mandroso mihalava ny androko,

ary mihamalazo toy ny ahitra aho.

13 Fa Ianao kosa, ry Iaveh, dia mipetraka eo amin’ny seza fiandrianana mandrakizay,

ary velona amin’ny taona rehetra mifandimby ny fahatsiarovanao.

14 Hitsangana Ianao, hamindra fo amin’i Siôna,

fa ny andro hamindram-po aminy,

ny fotoana voatendry dia efa tonga.

15 Satria lalain’ny mpanomponao ny vatony,

nampangoraka ny fony hatramin’ny vovo-taniny.

16 Amin’izay dia hanaja ny Anaran’i Iaveh ny firenena,

ary hanaja ny fiandriananao ny mpanjaka rehetra amin’ny tany

17 Fa i Iaveh nanangana an’i Siôna indray,

niseho tamin’ny voninahiny Izy;

18 nihaino ny vavaky ny fadiranovana,

tsy nanamavo ny fitarainany.

19 Aoka hatao an-tsoratra izany, ho an’ny taranaka ho avy;

ary aoka hankalazain’ny firenena vao hiforona i Iaveh.

20 Satria nitsinjo amin’ny havoany masina Izy,

satria nitsinjo ny tany teny an-danitra i Iaveh;

21 mba hihaino ny fitarainan’ireo voababo,

mba hanafaka an’ireo efa voatendry hovonoina ho faty,

22 mba hitorian’ireo ny Anaran’i Iaveh ao Siôna,

sy ny fiderana Azy ao Jerosalema;

23 raha avy izay hiangonan’nyfirenena rehetra,

mbamin’ny fanjakana, hanompo an’i Iaveh.

24 Efa nanaketraka ny heriko teny an-dalana izy,

efa nanafohy ny androko izy.

25 Hoy aho: «Ry Andriamanitro,

aza alainao aho eo antenantenan’ny androko,

Ianao izay aharetan’ny taonanao, amin’ny taona mifandimby.»

26 Nanorina ny tanytamin’ny voalohany Ianao,

ary asan’ny tananao ny lanitra.

27 Ho velona ireo, fa Ianao kosa maharitra,

hihatonta toy ny fitafiana ireo;

hanova azy toy ny lamba Ianao, ka ho voaova izy.

28 Fa Ianao kosa maharitra tsy miova,

ary tsy manam-pahataperana ny taonanao.

29 Ny zanaky ny mpanomponao honina amin’ny taniny,

ary haharitra eo anatrehanao ny taranany.

Categories
Salamo

Salamo 103

Andriamanitra dia fitiavana

1 Nataon’i Davida.

Misaora an’i Iaveh, ry fanahiko,

ary misaora ny Anarany masina, ry ato anatiko rehetra!

2 Misaora an’i Iaveh, ry fanahiko,

ary aza manadino ny soa rehetra avy aminy.

3 Fa Izy no mamela ny helokao rehetra,

manasitrana ny aretinao rehetra.

4 Izy no manavotra ny ainao tsy hidina any an-davaka,

manarona hatsaram-po amam-pamindram-po anao.

5 Izy no manototra soa ny fanirianao,

ary manavao ny fahatanoranaohanana ny herin’ny voromahery.

6 Manao ny fitsarana i Iaveh,

manome rariny an’izay rehetra nampahorîna.

7 Nampiseho ny lalany tamin’i Môizy Izy,

ary ny asany lehibe, tamin’ny zanak’i Israely.

8 Mamindra fo sy miantra i Iaveh,

mahari-po sy be hatsaram-po.

9 Tsy mba ho mandrakizay no mandevilevy Izy,

tsy mitana fahatezerana mandrakizay.

10 Tsy manao amintsika, araka ny fahotantsika,

ary tsy mamaly antsika, araka ny helotsika.

11 Fa tahaka ny haavon’ny lanitraambonin’ny tany,

no haben’ny hatsaram-pony amin’izay matahotra Azy.

12 Tahaka ny halaviran’ny atsinanana amin’ny andrefana,

no halaviran’ny anesorany amintsika ny hadisoantsika.

13 Sahala amin’ny fangoraky ny ray ny zanany,

no fangorak’i Iaveh an’izay matahotra Azy.

14 Satria fantany izay iforonantsika,

tsaroany fa vovoka ihany isika.

15 Ny olombelona! Tahaka ny ahitra ny androny,

tahaka ny voninkazo any an-tsaha ny famoniny,

16 ka vao tsofin’ny rivotra izy dia tsy eo intsony,

ary ny toerana nisy azy, tsy mahalala azy intsony.

17 Fa maharitra mandrakizay kosa ny hatsaram-pon’i Iaveh

ho an’izay matahotra Azy,

sy ny fahamarinany amin’ny taranaky ny zanak’izy ireo,

18 dia amin’izay mitandrina ny fanekeny,

sady mahatsiaro ny didiny mba hitandremany azy.

19 Nampiorina ny seza fiandrianany any an-danitra i Iaveh,

ary mihatra amin’ny zavatra rehetra ny fanjakany.

20 Misaora an’i Iaveh ianareo Anjeliny,

izay mahefa sy mahery sy mankatò ny didiny,

amin’ny fanekena ny feon’ny teniny.

21 Misaora an’i Iaveh ianareo rehetra tafiny,

izay mpanompony sy manatanteraka ny sitrapony!

22 Misaora an’i Iaveh ianareo asany rehetra,

amin’ny fitoerana rehetra fanjakany.

Misaora an’i Iaveh, ry fanahiko.

Categories
Salamo

Salamo 104

Ny hasoan’ny zava-boaary

1 Misaora an’i Iaveh, ry fanahiko!

Iaveh Andriamanitro ô, lehibe tsy manam-petra Ianao!

Mitafy fiandrianana amam-pamirapiratana Ianao!

2 Mihodidina amin’ny fahazavanatoy ny amin’ny lamba izy,

mamelatra ny lanitra toy ny lay.

3 Manorina ny fonenany amin’ny ranon’ny lanitra,

manao ny rahona ho kalesiny;

mandeha amin’ny elatry ny rivotra.

4 Manao ny rivotraho irany,

ary ny lelafo ho mpanompony.

5 Manorona ny tany eo amin’ny fanorenany Izy,

ka tsy mihetsiketsika mandrakizay io.

6 Nahodidinao azy, toy ny lamba, ny rano lalina,

ka saron’ny rano ny tendrombohitra.

7 Saingy nandositra teo anoloan’ny fanandrinanao ireny,

lasa nirifatra aman-tahotra noho ny feon’ny kotrok’oranao izy.

8 Dia nitranga ny tendrombohitra, nilempona ny lohasaha,

teo amin’ny toerana voatendrinao ho azy avy.

9 Nanisy faritra tsy hihoaran’ny rano Ianao,

ka tsy hiverina hanarona ny tany intsony ireny.

10 Mandefa loharano amin’ny lohasaha Izy

dia mandeha eny anelanelan’ny tendrombohitra ireny;

11 hisotroan’ny biby any an-tsaha ireny,

ary hankanesan’ny ampondra diahanala ny hetahetany.

12 Mitoetra eny amorony eny ny voromanidina;

sady mampanakoako ny feony, eny amin’ny ravin-kazo izy ireo.

13 Manondraka ny tendrombohitra, avy eny amin’ny fonenany avo Izy;

ny vokatry ny asanao no ivokisan’ny tany,

14 mampaniry ahitraho an’ny biby fiompy Izy,

mbamin’ny zava-maniry ho an’ny olombelona;

mamoaka hanina avy amin’ny kibon’ny tany Izy,

15 mbamin’ny divay izay mampifaly ny fon’ny olona,

omeny diloiloizy hahamandina ny tavany,

ary mofo hankahery ny fony.

16 Feno ranony ny hazon’i Iaveh,

mbamin’ny sederan’iLibànaizay namboleny.

17 Manao ny akaninyeo ny vorona,

mbamin’ny vanoizay mitoetra ao amin’ny sipresy;

18 ny tendrombohitra avo, ho an’ny osy dia,

ary ny haram-bato ialofan’ny jeriboazy.

19 Ny volana nataony famantarana andro;

ary ny masoandro mahalala ny ora filentehany.

20 Mampiavy ny haizina Izy, ka alina ny andro,

dia mihetsiketsika miaraka amin’izay ny biby rehetra any an’ala.

21 Mierona maniry toha, ny liona tanora,

mangataka ny haniny amin’Andriamanitra.

22 Miposaka ny masoandro dia mihataka ireny

ka lasa mamitsaka any an-davany.

23 Ny olombelona mivoaka amin’izay ho any amin’ny asany;

sy ho any amin’ny raharahany mandra-paharivan’ny andro.

24 Akory ity hamaroan’ny asanao, ry Iaveh;

nataonao tamim-pahendrena izy rehetra.

Henika ny harenao ny tany.

25 Indro ny ranomasina, sady lehibe no malalaka;

iriariavam-biby tsy hita isa,

ao ny kely, ao ny lehibe.

26 Mivezivezy ao ny sambo,

mbamin’i Leviatànanataonao hilalao eo amin’ny onja.

27 Izy rehetra miandry Anao,

hanome ny haniny amin’ny fotoany.

28 Manome azy Ianao, dia mandray izy;

manokatra ny tananao Ianao, dia voky ny soa avy aminao izy.

29 Manafina ny Tavanao Ianao, dia raiki-tahotra izy;

alànao indray ny fofon’ainy, dia maty izy,

ka miverina indray any amin’ny vovoka.

30 Maniraka ny fofon’ainao Ianao, dia àry ireny;

ary manavao ny tarehin’ny tany Ianao.

31 Haharitra mandrakizay anie ny voninahitr’i Iaveh!

hifaly amin’ny asany anie i Iaveh!

32 Mijery ny tany Izy dia mihorohoro io;

manendry ny tendrombohitraIzy dia midonaka ireny.

33 Sitrako ny mihira ho an’i Iaveh, ny andro rehetra iainako,

sy mankalaza ny Andriamanitro raha mbola misy koa aho.

34 Ho sitrany anie ny hirako,

fa izaho, dia i Iaveh no nataoko fifaliako.

35 Ho fongotra eto an-tany anie ny mpanota,

ary tsy hisy intsony ny ratsy fanahy!

Misaora an’i Iaveh, ry fanahiko, Aleloia!

Categories
Salamo

Salamo 105

Tantara mahagagan’i Israely

1 Mankalazà an’i Iaveh, miantsoa ny Anarany;

ampahafantaro eny amin’ny firenena ny asa lehibe nataony.

2 Mihirà ho Azy, mankalazà Azy!

Torio ny fahagagana rehetra ataony.

3 Mireharehà amin’ny Anarany masina;

hiravoravo anie ny fon’izay mitady an’i Iaveh.

4 Mitadiava an’i Iaveh sy ny heriny,

aza mitsahatra mitady ny Tavany.

5 Tsarovy ny asa mahagaga nataony,

ny fahagagana amam-pitsarana navoaky ny vavany,

6 ry taranak’i Abrahamampanompony,

tamingan’i Jakôba olom-boafidiny.

7 Izy Iaveh Andriamanitsika;

mihatra amin’ny tany rehetra ny fitsarany.

8 Tsaroany mandrakizay ny fanekeny,

ilay teny nolazainy marimarina ho an’ny taranaka mandimby;

9 Fanekena nataony tamin’i Abrahama;

ary fianianana nataony tamin’i Isaaka.

10 Naoriny ho lalàna izany, tamin’i Jakôba,

ary ho fanekena mandrakizay tamin’i Israely,

11 nataony hoe: «Homeko anao ny tany Kanaana,

ho anjara lovanao.»

12 Mbola olom-bitsy izy fahizany,

sady vitsy no vahiny teo amin’ny tany;

13 ka nifindrafindra tany tamin’ny firenena;

niala tamin’ny fanjakana iray ho amin’ny firenen-kafa.

14 Tsy nisy navelany hampahory azy;

ary izy ireo no namaizany mpanjaka:

15 Aza mikasika an’ireo voahosotro,

ary aza manisy ratsy an’ireo mpaminaniko.

16 Niantso mosary hamely ny tany Izy,

notapahiny ny haninyizay tohan’ainy.

17 Naniraka olona hialona azy ireo Izy:

i Josefanamidy ho andevo.

18 Nogiazana tamin’ny fatorana ny tongony,

nogadrana vy izy,

19 mandra-pahatongan’ny andro nahatanterahan’izay voalazany mialoha,

izay nanamarinan’ny tenin’Andriamanitra azy.

20 Naniraka hanesotra ny fatorany ny mpanjaka:

nalefan’ny filohan’ny vahoaka ho afaka izy.

21 Dia natsangany ho tompon’ny tranony,

sy ho mpanapaka ny taniny rehetra,

22 mba hifehy ireo andriandahy araka izay sitraky ny fony,

sy hampianatra fahendrena an’ireo loholony.

23 Izay vao nankany Ejipta i Israely,

ka nitoetra teo amin’ny tanin’i Kamai Jakôba.

24 Nohamaroin’Andriamanitra fatratra ny vahoakany,

ary nataony mahery noho ireo mpampahory azy.

25 Novany ny fon’ireo, ka tonga nankahala ny vahoakany,

sy nanao famadihana an’ireo mpanompony.

26 Dia nirahiny i Môizy mpanompony,

sy i Aarôna olom-boafidiny.

27 Ary ireo nanao ny famantaran’Andriamanitra teo amin’izy ireo,

nanao fahagagana teo amin’ny tanin’i Kama.

28 Nandefa haizina Izy, ka nampanjariany alina ny andro,

fa tsy nandà ny teniny ireny.

29 Nanova ny ranony ho ra Izy,

ka nahafaty ny hazandranon’izy ireo.

30 Nisy sahona nihahohaho teo amin’ny taniny,

hatrany amin’ny efitranon’ny mpanjakany.

31 Niteny izy ka lalitra zavon-tany no tonga,

dia moka nanerana ny faritaniny.

32 Norotsahany havandra ho solon’ny ranonorana izy ireo;

sy afo nidedadeda teo amin’ny taniny.

33 Namono ny voalobony aman’aviaviny izy,

ary nanapatapaka ny hazo teo amin’ny taniny.

34 Niteny Izy dia tonga ny valala,

ka valala tsy hita isa.

35 Ka nohanin’ireny avokoa ny ahitra teo amin’ny taniny,

nolevonin’ireny ny vokatry ny sahany.

36 Namono ny lahy matoa rehetra teo amin’ny taniny Izy,

dia ny voalohan’ainy rehetra.

37 Dia nentiny nivoakany vahoakany nitondra volafotsy sy volamena,

ary tsy nisy nangozohozo tamin’ireo fokony, na dia iray aza.

38 Nifaly tamin’ny nahalasanany ny Ejiptianina,

satria nahazo an’ireo ny fahatahorana an’i Israely.

39 Namelatra rahona hanalokaloka azy Izy,

ary afo hanazava azy amin’ny alina.

40 Nangataka izy ireo dia nandefasany papelika,

ary mofo avy any an-danitra no namokisany azy,

41 Nanokatra ny vatolampy izy, dia niboiboika ny rano,

ka nandriaka sahala amin’ny ony tany an’efitra.

42 Fa tsaroany ny teny masina,

sy i Abrahama mpanompony.

43 Ka nentiny nivoaka tamin-kafaliana ny vahoakany;

ary tamin’ny hobim-pifaliana ny olom-boafidiny.

44 Nomeny azy ireo ny tanin’ny firenena,

ary nahazo nizaka ny vokatry ny asan’ny firenena izy ireo.

45 Raha tahiny nitandrina ny didiny anefa izy ireo:

sy nitana ny lalàny.

Aleloia!