Categories
Salamo

Salamo 106

Fiaikena heloky ny firenena

1 Aleloia!

Ankalazao i Iaveh, fa tsara fo Izy,

satria mandrakizay ny famindram-pony.

2 Iza no mahalaza ny asa amin-kerim-po ataon’i Iaveh,

iza no mahambara ny voninahiny rehetra?

3 Sambatra izay mitandrina ny lalàna,

ka manaraka ny rariny mandrakariva!

4 Ry Iaveh ô, tsarovy aho amin’ny hatsaram-ponao amin’ny vahoakanao,

vangio amin’ny famonjenao aho,

5 hahitako ny hasambaran’ny olom-boafidinao,

hifaliako amin’ny fifalian’ny vahoakanao,

ary hiravoravoako miaraka amin’ny lovanao.

6 Efa nanota toy ny razanay izahay,

nahavita heloka izahay, nanao ratsy izahay.

7 Ny razanay tany Ejipta tsy nihevitra ny fahagagana nataonao,

tsy nahatsiaro ny hamaroan’ny fahasoavanao;

niodina teo amoron-dranomasina, dia ny Ranomasina Mena.

8 Namonjy azy anefa Izy noho ny Anarany,

mba hampiharihary ny fahefany.

9 Nambanany ny Ranomasina Mena, dia maina io,

ka nentiny nita ny hantsana toy ny hamaky ny efitra izy ireo.

10 Namonjy azy tamin’ny tanan’izay nankahala azy Izy,

nanafaka azy tamin’ny tanan’ny mpampahory azy.

11 Nosaforan’ny onjan-drano ireo mpandrafy azy,

ka tsy nisy niangana na dia iray aza.

12 Dia nino ny teniny izy ireo tamin’izay,

ary nihira fiderana Azy.

13 Kanjo kosa izy ireo nalaky nanadio ny asany,

tsy niandry ny hanatanterahany izay voakasany.

14 Voan’ny fitsiriritana tany an’efitra izy,

ka naka fanahy an’Andriamanitra tany an-tany mangingina.

15 Nomeny azy ihany izay nangatahiny,

fa nasiany fahiazana kosa izy ireo.

16 Tao an-toby indray izy ireo nialona an’i Môizy,

sy i Aarôna ilay olo-masin’i Iaveh.

17 Fa nisokatra ny tany, ka nitelina an’i Datàna,

sy nikatona nanarona ny antokon’i Abirôna.

18 Nolevonin’ny afo ny antokon’izy ireo,

dia levon’ny lelafo ny ratsy fanahy.

19 Nanao zanak’ombalahy izy teo an-tendrombohitra Horeba,

dia niankohoka teo anoloan’ny sarin-javatra anidina.

20 Ny voninahitr’izy ireo, dia natakalony

sarin’omby miraoka ahitra.

21 Nohadinoiny Andriamanitra Mpamonjy azy,

izay nanao zava-dehibe tany Ejipta,

22 fahagagana tany amin’ny tanin’i Kama,

famantarana teo amin’ny Ranomasina Mena.

23 Efa nolazainy haringana izy ireo;

raha tsy i Môizy olom-boafidiny,

no nitsangana teo anatrehany

hisakana ny hatezerany tsy handringana azy.

24 Izy ireo nanamavo ny tanim-pahafinaretana

tsy nino ny tenin’i Iaveh.

25 Nimonomonona tao an-dainy,

ary tsy nanaiky ny feony izy ireo.

26 Ka dia nanainga ny tanany Izy hamely azy ireo,

handringana azy any an’efitra:

27 hahavery ny taranany any amin’ny firenena,

ary hanely azy any an-tany hafa.

28 Niraikitra tamin’i Beelfegôra izy ireo,

ka nihinana ny sorona natolotra ho an’ny maty.

29 Nampahatezitra an’i Iaveh tamin’ny nataony izy ireo,

dia nibosesehan’ny loza.

30 Nitsangana nanolotra fanonerana i Finea,

dia nitsahatra ny loza.

31 Notanana ho fahamarinana ho azy izany nataony izany,

hatramin’ny taona mifandimby mandrakizay.

32 Nampahatezitra an’i Iaveh izy ireo tao amin’ny ranon’i Meribà,

ary nozoim-pahoriana noho ny nataon’izy ireo i Môizy;

33 fa nampahasosotra ny fanahiny izy ireo,

ka nahavoaka teny tsy voahevitra izy.

34 Tsy naringan’izy ireo ny firenena

nasain’i Iaveh naringany.

35 Fa niharo tamin’ny firenena izy

nianatra ny asan’ireny.

36 Nanompo ny sampin’ireny,

izay tonga fandrika ho azy.

37 Nataony sorona ho an’ny demony,

ny zanany lahy aman-janany vavy.

38 Nandatsaka ny ra tsy manan-tsiny izy

dia ny ran’ireo zanany lahy aman-janany vavy,

nataony sorona tamin’ny sampin’i Kanaana,

ka ny tany voaloton’ny vonoana olona.

39 Izy ireo nandoto tena tamin’ny asany,

ary nitolo-tena tamin’andriamani-kafa.

40 Dia nirehitra tamin’ny vahoakany ny fahatezeran’i Iaveh,

ary tonga tsy tiany mainty ny lovany.

41 Natolony ho eo an-tanan’ny firenena izy ireo,

ka notapahin’ireo mankahala azy.

42 Nampahorin’ny fahavalo izy,

ary voaetry tambanin’ny tanan’ireny.

43 Nanafaka azy ireo matetika Izy;

nefa niodina nanaraka ny fisainany izy ireo;

ka ny helony no nahaverezany ny tenany.

44 Nijery ny fahorian’izy ireo anefa Izy,

nony nandre ny fitarainany.

45 Notsarovany, hitsimbinana azy, ny fanekeny;

namindra fo taminy araka ny hatsaram-pony lehibe Izy;

46 ary nataony nahita famindram-po aminy izy ireo,

teo anatrehan’izay rehetra nitana azy ho babo.

47 Vonjeo izahay, ry Iaveh, Andriamanitray,

ka angony avy amin’ny firenena izahay,

mba hankalazanay ny Anaranao masina,

ary hireharehanay amin’ny fiderana Anao.

48 Hisaorana anie i IavehAndriamanitr’i Israely,

hatramin’ny mandrakizay ka ho mandrakizay!

Ary aoka ny vahoaka rehetra hilaza hoe:

Amen! Aleloia!

Categories
Salamo

Salamo 107

Vonjen’Andriamanitra amin’ny loza rehetra ny olombelona

1 Ankalazao i Iaveh, fa tsara fo Izy,

mandrakizayny famindram-pony.

2 Izany anie no holazain’ireo navotan’i Iaveh,

dia ireo navotany ho afaka tamin’ny tanan’ny fahavalony,

3 sy nangoniny avy any amin’ny tany rehetra,

avy any atsinanana sy andrefana,

avy any avaratra sy any amin’ny ranomasina.

4 Nirenireny tany an’efitra ireny tamin’ny lalana mangingina,

tsy nahita tanàna iray akory honenana.

5 Nianjadian’ny hanoanana aman-ketaheta,

efa tsaroany reraka ny ainy.

6 Fa nitaraina tamin’i Iaveh tao anatin’ny fahoriana izy,

ka novonjeny ho afaka tamin’ny fahaporetany.

7 Nitondra azy tamin’ny lala-mahitsy izy,

hampahatongavany azy amin’ny tanàna fonenana.

8 Hoderainy anie i Iaveh noho ny hatsaram-pony,

sy noho ny fahagagana nataony ho an’ny zanak’olombelona!

9 Fa ny fanahy mangetaheta, nataony afa-ketaheta,

ary ny fanahy noana novokisany soa.

10 Tao amin’ny maizina sy ny aloky ny fahafatesana no nitoeran’izy ireo,

voababo ao anatin’ny fahoriana sy ny gadra vy.

11 Satria niodina tamin’ny teny ton’Andriamanitra izy

sy naniratsira ny fananaran’ny Avo Indrindra.

12 Dia naetriny tamin’ny fijaliana ny fony;

nitambotsotra izy ka tsy nisy namonjy!

13 Nitaraina tamin’i Iaveh tao anatin’ny fahoriany izy,

ka novonjeny ho afaka amin’ny fahaporetany.

14 Nesoriny tamin’ny haizina sy ny aloky ny fahafatesana izy,

ary notapahiny ny fatorany.

15 Hoderainy anie i Iaveh, noho ny hatsaram-pony;

sy noho ny fahagagana nataony tamin’ny zanak’olombelona!

16 Fa nanorotoro ny varavarana varahina izy,

ary nanapatapaka ny hidy vy.

17 Adala lahy ireo! Noho ny fitondran-tenany mahameloka,

sy noho ny helony dia notaritiny hanjò azy ny fijaliana.

18 Nahamonamonaina azy avokoa izay hanina rehetra;

ary efa mby akaikin’ny vavahadin’ny fahafatesana izy.

19 Nitaraina tamin’i Iaveh tao anatin’ny fahoriana izy;

ka novonjeny ho afaka amin’ny fahaporetany.

20 Nandefa ny teniny Izy dia nanasitrana azy,

sy nanafaka azy hiala amin’ny fasany.

21 Hoderainy anie i Iaveh noho ny hatsaram-pony,

sy noho ny fahagagana nataony, ho an’ny zanak’olombelona!

22 Hanatitra sorona fisaorana anie izy,

ary hitory ny asany amin’ny hobin-kafaliana!

23 Nirotsaka an-tsambo izy ireo teny amin’ny ranomasina,

mba hanao fandrantoana eny amin’ny rano lehibe. –

24 Ireo no nahita ny asan’i Iaveh,

mbamin’ny fahagagana nataony tao amin’ny hantsam-be. –

25 Fa niteny Izy, ary nampifofofofo tafio-drivotra,

izay nampisondrotra ny onjan-dranomasina;

26 ka tafasavoana hatrany an-danitra izy ireo,

tafalentika ao amin’ny hantsana;

trotraky ny fahoriana ny fanahiny.

27 Fanina izy, ka nivembena hoatra ny mamo;

ary foana avokoa ny fahendreny rehetra.

28 Nitaraina tamin’i Iaveh tao anatin’ny fahoriana izy,

ka novonjeny ho afaka amin’ny fahaporetany.

29 Novany ho tsotso-drivotra malemy ny tafio-drivotra,

dia nangina ny onjan-dranomasina.

30 Nifaly izy ireo nahita ireo nitony,

ary nentin’i Iaveh, ho amin’ny fitodiana niriny izy.

31 Hoderainy anie i Iaveh noho ny hatsaram-pony,

sy noho ny fahagagana nataony ho an’ny zanak’olombelona!

32 Hankalazainy eo amin’ny fiangonan’ny vahoaka anie Izy,

ary hoderainy eo amin’ny fiangonan’ny loholona.

33 Ny ony, novany ho efitra,

ary ny loharano ho tany karankaina,

34 ny tany mahavokatra ho tanin-tsira

noho ny haratsian’ny mponina teo aminy.

35 Ny efitra kosa novany ho kamory,

ary ny tany karankaina ho tany be loharano,

36 Dia namponeniny eo ny noana,

ka nanorin-tanàna honenany.

37 Namafy ny saha ireny sy namboly voaloboka,

ary nahazo vokatra be.

38 Fa izy nanambina azy ireo, ka nitombo betsaka izy,

ary tsy navelany hihavitsy ny biby fiompiny.

39 Nahenany ho vitsy foana sy naetriny izy ireo,

notsindrian’ny loza amam-pahoriana.

40 Nosaforany henatra ny mpanapaka an’ireny,

nampirenireny any an’efitra tsy misy lalana;

41 fa ny mahantra kosa nasandrany ho afa-pahoriana,

ary ny fianakaviana nataony tonga sahala amin’ny andiam-biby fiompy.

42 Mahita izany ny olona mahitsy fo ka mifaly,

fa mikombom-bava foana kosa ny ratsy fanahy rehetra.

43 Aoka izay hendry hamantatra izany zavatra izany

ka hahalala ny hatsaram-pon’i Iaveh.

Categories
Salamo

Salamo 108

Vavaka maraina sy fangatahana ho an’ny firenena

1 Fihirana. Salamon’i Davida.

2 Efa nahazo toky ny foko, ry Andriamanitra ô,

dia hihira sy hampanakoako zava-maneno aho.

Mitsangàna, ry voninahitro!

3 Mifohaza, ry valiha amana harpako!

Aoka hamoha ny mazava atsinanana aho!

4 Hidera Anao eo amin’ny vahoaka aho, ry Iaveh!

hihira ho Anao eo amin’ny firenena aho.

5 Fa misondrotra hihoatra ny lanitra ny hatsaram-ponao,

ary tafapaka amin’ny rahona ny fahamarinanao.

6 Misandratra hihoatra ny lanitra, ry Andriamanitra;

aoka hamirapiratra amin’ny tany rehetra ny voninahitrao.

7 Mba ho afaka ireo malalanao,

vonjeo amin’ny tananao ankavanana, ary valio vavaka aho.

8 Efa niteny tamin’ny fahamasinany Andriamanitra:

Hientan-kafaliana aho!

Fa lasan-ko anjarako i Sikema; horefesiko i Sokôta.

9 Ahy i Galaada, ahy i Manase;

fiadiana aro lohako i Efraima,

ary tehim-panjakako i Jodà;

10 i Moabatavin-drano fandroako,

i Edôma anipazako ny kapako;

Ny tanin’ny Filistinina no anaovako hobin-kafaliana!

11 Iza no hitondra ahy any amin’ny tany mimanda?

Iza no hitarika ahy ho any Edôma?

12 Tsy Ianao izay efa nanary anay va, ry Andriamanitra,

Ianao, ry Andriamanitra, izay efa tsy niara-nivoaka tamin’ny tafikay intsony?

13 Vonjeo amin’ny mpampahory anay izahay,

fa zava-poana ny famonjena avy amin’olombelona.

14 Raha omban’Andriamanitra isika dia herim-po no hasehontsika;

Izy no hanorotoro ny fahavalontsika.

Categories
Salamo

Salamo 109

Salamo fitarainana sy ozona ho an’ny fahavalo

1 Ho an’ny mpampianatra hira. Salamon’i Davida.

Ry Andriamanitra fiderako ô, aza mangina Ianao!

2 Fa misokatra hamely ahy, ny vavan’ny ratsy fanahy,

ny vavan’ny mpamadika.

Fiteny mamitaka no itenenany hamely ahy,

3 hodidininy teny fankahalana aho,

ary iadiany tsy ahoan-tsy ahoana izao.

4 Izy miady amiko ho valin’ny fitiavako,

izaho kosa tsy manao afa-tsy ny mivavaka.

5 Valiany ratsy ny soa nataoko,

valiany fankahalana ny fitiavako.

6 Apetraho eo ambany fanapahan’ny ratsy fanahy izy;

ary aoka ho eo ankavanany ny mpiampanga!

7 Raha tsaraina izy, aoka ho voaheloka no ivoahany,

ary aoka hatao ho fahotana ny fivavahany.

8 Aoka hohafohezina ny androny,

ary aoka ho lasan’ny hafa ny anjara raharahany!

9 Aoka ho tonga kamboty ny zanany,

ary ho mpitondratena ny vadiny!

10 Aoka ho mpirenireny sy mpangataka ny zanany,

ary hitady hanina lavitra ny tranony efa rava!

11 Aoka ho lasan’ny tompon-trosa ny ananany rehetra,

ary aoka hofaohin’ny olon-kafa ny vokatry ny asany!

12 Aoka tsy hisy olona maharitra amin’ny fitiavana azy,

aoka tsy hisy hiantra ny kambotiny.

13 Aoka hatolotra ho amin’ny fandringanana ny taranany,

ary aoka ho mati-maso amin’ny taranaka faharoa ny anarany!

14 Aoka hotsarovana eo anatrehan’i Iaveh ny helo-drainy;

ary tsy hovonoina ny fahotan-dreniny.

15 Aoka ho eo anatrehan’i Iaveh mandrakariva izany,

ary hofoanany eto an-tany ny fahatsiarovana azy.

16 Satria tsy mba nahatsiaro ny hamindra fo izy,

fa nanenjika ny ory sy ny mahantra, sy ny olona toro fo,

mba hamono azy.

17 Tia ozona izy, ka ianjerany,

naneso tso-drano izy, ka halaviriny.

18 Ny ozona no notafiny toy ny lamba;

miditra ao anatiny toy ny rano,

ary maninteraka ny taolany, toy ny diloilo.

19 Ka dia io no aoka ho toy ny lamba ifonosany;

sy sikina manodidina azy lalandava.

20 Izany no aoka ho tamby avy amin’i Israely ho an’ireo fahavaloko,

sy ho an’ireo miteny ratsy mamely ahy.

21 Ary Ianao, ry Iaveh Tompo, arovy aho noho ny Anaranao;

vonjeo aho noho ny hatsaram-ponao lehibe.

22 Fa ory sy mahantra aho,

ary voatsindrona ny foko ato anatiko.

23 Lasa toy ny aloka efa mandrorona aho,

indaosina tahaka ny valala aho.

24 Mangozohozo ny lohaliko azon’ny fifadian-kanina,

ary mihintsana ny nofokoazon’ny hia.

25 Ataon-dry zareo fandatsa aho,

mihifikifi-doha izy mijery ahy.

26 Ampio aho, ry Iaveh Andriamanitro ô,

vonjeo aho noho ny hatsaram-ponao.

27 Aoka ho fantany fa ny tananao,

dia Ianao Iaveh, no nanao izany.

28 Izy ireo manozona fa Ianao kosa hitso-drano,

izy ireo hitsanga-menatra,

fa ny mpanomponao kosa hiravoravo.

29 Hitafy henatra ny fahavaloko,

ary hanarona azy toy ny lamba ny fahamenarany.

30 Hidera an’i Iaveh amin’ny feo avo ny molotro;

hankalaza azy eo afovoan’ny vahoaka be aho.

31 Fa nitsangana eo ankavanan’ny mahantra Izy

hamonjy azy amin’izay manameloka azy.

Categories
Salamo

Salamo 110

Ny Mesia Mpisorona

1 Salamon’i Davida.

I Iaveh nilaza tamin’ny Tompokohoe:

Mipetraha eo ankavanakoianao,

mandra-panaokony fahavalonao ho fitoeran-tongotrao.

2 Hanitatra ny tehinafanapahanao, avy ao Siônai Iaveh:

manjakà amim-pahefan’ny Tompoeo amin’ny fahavalonao ianao!

3 Midodododo aminao ny vahoakanao amin’ny andro hamorianao ny tafikao,

mitondra ny fanamiana masina:

avy ao ampofoan’ny mazava atsinanana,

dia mankao aminao ny ranonandon’ny mpiadinao tanora.

4 Efa nianianan’ny Tompo ka tsy hanenenany izao:

Mpisorona mandrakizay Ianao,

araka ny fomban’i Melkisedeka.

5 Eo ankavananao ny Tompo,

handripaka ny mpanjaka Izy amin’ny andron’ny fahatezerany.

6 Manao ny fitsaràny any amin’ny firenena Izy,

feno faty hatraiza hatraiza;

manorotoro ny loha eo amin’ny tany tontolo Izy.

7 Misotro amin’ny renirano izyeny an-dalana,

ka izany no itrakan’ny lohany.

Categories
Salamo

Salamo 111

Fiderana ny asan’Andriamanitra

1 Aleloia!

Sitrako ny midera an’i Iaveh amin’ny foko rehetra,

eo amin’ny fivorian’ny olo-marina sy ao amin’ny fiangonana.

2 Lehibe ny asan’i Iaveh;

katsahin’ny olona Izy noho ny hamamiana rehetra avy aminy.

3 Famirapiratana amam-pahamboniana avokoa ny asany,

ary maharitra mandrakizay ny fahamarinany.

4 Namela fahatsiarovana ny fahagagana nataony Izy;

mamindra fo sy miantra i Iaveh.

5 Nomeny haninaizay matahotra Azy;

tsaroany mandrakizay ny fanekeny.

6 Naharihariny tamin’ny vahoakany ny herin’ny asany,

tamin’ny nanolorany azy ny lovan’ny firenena.

7 Rariny amam-pahamarinana ny asan’ny tanany,

tsy mety miova ny didiny rehetra.

8 Voaorina mafy ho mandrakizay ireny,

fa natao tamim-pahamarinana amam-pahitsiana.

9 Nanatitra ny famonjenaho an’ny vahoakany Izy,

ary nanorina ny fanekeny ho mandrakizay.

Masina sy mahatahotra ny Anarany.

10 Ny fahatahorana an’i Iaveh no fiandohan’ny fahendrena;

manan-tsaina tokoa izay mitandrina ny didiny.

Maharitra mandrakizay ny fiderana Azy.

Categories
Salamo

Salamo 112

Fiderana ny olo-marina

1 Aleloia!

Sambatra ny olona matahotra an’i Iaveh,

izay mametraka ny hafaliany rehetra, amin’ny fitandremana ny didiny.

2 Hahery ambonin’ny tany ny taranany;

hambinina ny taranaky ny marina.

3 Fiadanana sy harena no ao an-tranony;

ary maharitra mandrakizay ny fahamarinany.

4 Fahazavana no miposakaao amin’ny haizina ho an’ny olo-mahitsy,

ho an’izay mamindra fo sy miantra ary marina.

5 Sambatra ny olona manao famindram-po sy mampisambotra;

hahery an’ady izy, eo amin’ny fitsarana.

6 Fa tsy mba hangozohozo na oviana na oviana izy,

hamela fahatsiarovana mandrakizay ny marina.

7 Tsy mba matahotra ampandrenesina loza izy

miorina mafy ny fony, matoky an’i Iaveh izy;

8 tsy nety nihozongozona ny fony, tsy matahotra izy

mandra-pahitanyny fahavalony hoe resy.

9 Mamafy fiantrana Izy, manome ny mahantra,

maharitra mandrakizay ny fahamarinany;

misandratra amim-boninahitra ny tandrony.

10 Mahita izany ny ratsy fanahy ka lotika,

mihidy vazana ary hanin’ny fialonana:

ho foana ny fanirian’ny ratsy fanahy.

Categories
Salamo

Salamo 113

Ho an’Andriamanitra be voninahitra sy mangoraka

1 Aleloia!

Miderà ianareo, ry mpanompon’i Iaveh,

miderà ny Anaran’i Iaveh.

2 Hisaorana anie ny Anaran’i Iaveh,

dieny ankehitriny ka ho mandrakizay!

3 Hoderaina anie ny Anaran’i Iaveh,

hatreo amin’ny fiposahan’ny masoandro ka hatreo amin’ny filentehany.

4 Tafasandratra ambonin’ny firenen-drehetra i Iaveh,

mihoatra ny lanitra ny voninahiny.

5 Iza no tahaka an’i Iaveh Andriamanitsika?

izay mipetraka any amin’ny avo,

6 ary mitsinjo atỳ ambany,

eny an-danitra sy etỳ an-tany.

7 Manandratra ny ory hiala amin’ny vovoka Izy,

manesotra ny mahantra hiala amin’ny zezika Izy;

8 mba hampipetraka azy miaraka amin’ny andriandahy,

dia miaraka amin’ny andriandahin’ny vahoakany.

9 Manome fonenana ny mombaao an-trano Izy,

manao azy ho reny mifaly eo afovoan’ny zanany.

Aleloia!

Categories
Salamo

Salamo 114

Antsa fanao amin’ny Paka

1 Raha nivoaka tany Ejipta i Israely

ka niala tamin’ny firenena barbarianina ny fianakavian’i Jakôba,

2 I Jodà no tongafitoerany masina,

i Israely no fanjakany.

3 Nahita azy ny ranomasina dia nandositra,

i Jordany nianòtra niverina.

4 Ny tendrombohitra nifalihavanja, tahaka ny ondralahy;

ary ny havoana tahaka ny zanak’ondry.

5 Maninona ity ianao no mandositra, ry ranomasina?

ary ity ianao no mianòtra miverina, ry Jordany?

6 Nahoana ireto ianareo, ry tendrombohitra,

no mifalihavanja hoatra ny ondralahy

ary ianareo ry havoana, toy ny zanak’ondry?

7 Mangovita eo anatrehan’ny Tavan’ny Tompo, ry tany,

dia eo anatrehan’ny Tavan’ny Andriamanitr’i Jakôba,

8 izay manova ny harambato ho farihy

ary ny vatolampy ho loharano.

Categories
Salamo

Salamo 115

Ilay hany tena Andriamanitra

1 Tsy izahay, ry Iaveh, tsy izahay,

fa ny Anaranao no omeo ny voninahitra

noho ny famindram-ponao, sy noho ny fahamarinanao.

2 Ahoana no ilazan’ny firenena hoe:

«Aiza àry ny Andriamanitr’izy ireo?»

3 Any an-danitra ny Andriamanitsika;

izay tiany hatao, vitany avokoa.

4 Ny sampin’izy ireo dia volafotsy sy volamena,

asan-tanan’olombelona.

5 Manam-bava fa tsy miteny izy,

mana-maso fa tsy mahita izy,

6 manan-tsofina fa tsy mahare,

manana orona fa tsy manimbolo,

7 manan-tanana fa tsy mandray,

manan-tongotra fa tsy mamindra.

Ny tendany tsy amoahany feo akory.

8 Hanahaka azy anie izay nanao azy

mbamin’izay rehetra mitoky aminy!

9 Ry Israely ô, apetraho amin’i Iaveh ny fitokianao!

Izy no vonjiny sy ampingan’izy ireo.

10 Ry taranak’i Aarôna, apetraho amin’i Iaveh ny fitokianao!

Izy no vonjiny sy fitokian’izy ireo.

11 Ianareo matahotra an’i Iaveh, apetraho amin’i Iaveh ny fitokianareo!

Izy no vonjiny sy ampingan’izy ireo.

12 Efa nahatsiaro antsika i Iaveh, ka hitahy!

Hitahy ny taranak’i Israely Izy

hitahy ny taranak’i Aarôna Izy,

13 hitahy izay matahotra an’i Iaveh Izy,

na ny kely, na ny lehibe.

14 Hampitomboin’i Iaveh anie ny fanambinany anareo,

dia ianareo sy ny zanakareo!

15 Hitahy anareo anie i Iaveh,

izay nanao ny lanitra sy ny tany!

16 Ny lanitra dia ny lanitr’i Iaveh,

fa ny tany kosa nomeny ny zanak’olombelona.

17 Tsy ny maty no midera an’i Iaveh

dia ireo midina ho any amin’ny toerana fanginana,

18 fa isika, dia isika no hisaotra an’i Iaveh

hatramin’izao ka ho mandrakizay.

Aleloia!