Categories
Salamo

Salamo 126

Hira rehefa mody

1 Fihirana fiakarana

Fony i Iaveh nampody ny voababon’i Siôna,

dia toa nofy izany ho antsika.

2 Tamin’izany ny vavantsika nanao hobin-kafaliana,

ny lelantsika nanao hira firavoravoana.

Fahizay izao no ambentinteny amin’ny firenena:

«Nanao zava-dehibe ho azy ireo i Iaveh.»

3 Eny, nanao zava-dehibe ho antsika tokoa i Iaveh;

ka revon-kafaliana isika.

4 Iaveh ô, avereno ny anay voababo,

toy ny ampandehananao ny ranon-driaka ao amin’ny Negeba.

5 Izay mamafy amin-dranomaso,

hijinja amin-kafaliana.

6 Mandeha izy, mandeha amim-pitomaniana,

mitondra sy mamafy ny voa famafiny.

Hiverina kosa izy manao hobin-kafaliana,

mitondra ny amboara avy amin’ny fijinjàny.

Categories
Salamo

Salamo 127

Fianteherana amin’Andriamanitra Mpitsimbina

1 Fihirana fiakarana. Nataon’i Salômôna.

Raha tsy i Iaveh no manorina ny trano,

miasa foana izay manorina azy.

Raha tsy i Iaveh no miambina ny tanàna,

miari-tory foana eo am-bavahadiny ny mpiambina.

2 Tsy misy vokany ny fifohazanareo mbola tsy mipoaka ny andro,

sy ny iaorianam-pandriana,

mihinana ny hanim-pahoriana.

Fa ny malalany dia omeny tsy latsaka izany eo am-patoriany fotsiny.

3 Indro fa lova avy amin’i Iaveh ny zanaka;

valisoa ny aloaky ny kibo miteraka.

4 Tahaka ny zana-tsipìka eo an-tanan’ny mpiady,

toy izany koa ny zanaky ny fahatanorana.

5 Sambatraizay mameno ny tranon-jana-tsipìkany amin’izany,

fa tsy ho menatra raha mifamaly amin’ny fahavalo eo am-bavahady.

Categories
Salamo

Salamo 128

Tso-drano ho an’ny mpino

1 Fihirana fiakarana.

Sambatra ny lehilahy matahotra an’i Iaveh,

izay mandeha amin’ny lalany.

2 Mihinana ny asan-tananao ianao amin’izany,

ka dia sambatra sy voky soa.

3 Ny vadinao manahaka ny voaloboka mahavanom-boa,

ao an-tokantranonao.

Ny zanakao manahaka ny zanak’ôliva

manodidina ny latabatrao.

4 Toy izany no hitahiana

ny lehilahy matahotra an’i Iaveh.

5 I Iaveh anie hanambina anao, avy ao Siôna!

Enga anie ka hahita an’i Jerosalema miadana tsara ianao,

amin’ny andro rehetra hiainanao!

6 Hahita ny zanaky ny zanakao anie ianao!

Ho amin’i Israely anie ny fiadanana!

Categories
Salamo

Salamo 129

Hanoherana ny fahavalon’i Siôna

1 Fihirana fiakarana.

Nampahoriny mafy, hatry ny fony mbola tanoraaho; –

– aoka i Israely hilaza izany! –

2 Nampahoriny mafy, hatry ny fony mbola tanora aho,

nefa tsy naharesy ahy izy ireo.

3 Nolahasainy ny lamosiko,

nosoritany vava asa lava ao.

4 Marina anefa i Iaveh,

ka notapahiny ny famatorananataon’ny ratsy fanahy.

5 Aoka ho menatra sy hiamboho eny,

izay rehetra mankahala an’i Siôna!

6 Aoka hanahaka ny ahitra an-tafon-tranoizy,

izay malazo alohan’ny hanongotana azy.

7 Ny mpijinja tsy mahafeno tanana amin’izany,

sy ny mpamehy amboara ny ampofoany.

8 Any ny mpandalo tsy mba manao hoe:

Ho aminareo anie ny fitahian’i Iaveh!

– Mitso-drano anareo amin’ny anaran’i Iaveh izahay.

Categories
Salamo

Salamo 130

Vavaka ao anatin’ny fahoriana

1 Fihirana fiakarana.

Ato ambody hantsanaaho no miantso anao, ry Iaveh,

Tompo ô, henoy ny feoko;

2 aoka ny sofinao anie hihaino

ny feon’ny fivavahako.

3 Raha mitana ny fahatsiarovana ny heloka Ianao, ry Iaveh,

iza no haharitra, Tompo ô?

4 Fa ao aminao ny famelan-keloka,

mba hanajan’ny olona Anao.

5 Manantena an’i Iaveh aho, manantena ny fanahiko,

ary miandry ny teniny aho.

6 Maniry ny Tompo ny fanahiko,

mihoatra noho ny anirian’ny mpiambina ny fipoahan’ny andro.

7 Apetraho amin’i Iaveh ny fitokianao, ry Israely,

fa ao amin’i Iaveh no misy ny famindram-po;

ao aminy no misy fanafahana mihoa-pampana.

8 Izy no hanavotra an’i Israely

amin’ny helony rehetra.

Categories
Salamo

Salamo 131

Toe-panahin-jaza kely

1 Fihirana fiakarana. Nataon’i Davida.

Iaveh ô, tsy mba nivontom-piavonavonana ny foko,

tsy mba niandranàndrana ny fijeriko,

tsy mba mikarokaroka zavatra ambony aho,

na izay avo mihoatra noho izaho.

2 Tsy izany fa mitana ny fanahiko amin’ny fiononana sy fanginana aho,

toy ny zaza vao notazana eo ampofoan-dreniny,

toy ny zaza vao notazana ny fanahiko ato anatiko.

3 Apetraho amin’i Iaveh ny fitokianao, ry Israely,

ankehitriny sy mandrakizay!

Categories
Salamo

Salamo 132

Fitsingerenan’ny taona namindrana ny Fiaran’ny fanekena

1 Fihirana fiakarana.

Ry Iaveh, tsarovy i Davida,

sy ny fahasahiranany rehetra!

2 Izao no fianianana nataony tamin’i Iaveh,

izao no voadiny tamin’ny Maherin’i Jakôba:

3 Tsy hiditra ao an-day fitoerako aho,

na hiakatra eo am-parafara fialako sasatra,

4 na hamela ny masoko hatory,

na ny hodi-masoko ho rendremana akory,

5 mandra-pahitako fitoerana ho an’i Iaveh,

sy fonenana ho an’ny Maherin’i Jakôba.

6 Indro rentsika fa hoe any Efratà izy;

hitantsika tany an-tsahan’i Jaaraizy.

7 Andeha ho ao amin’ny tabernaklan’i Iaveh,

miankohofa eo anatrehan’ny lampihazo fitoeran-tongony isika.

8 Mitsangàna, ry Iaveh, avia eto amin’ny fitoerana fitsaharanao,

ianao sy ny fiaran’ny fiandriananao!

9 Hitafy fahamarinana anie ny mpisoronao,

ary hihoby amim-piravoravoana anie ny mpino Anao.

10 Noho ny amin’i Davida mpanomponao,

aza manifika ny tavan’ny Voahosotrao.

11 I Iaveh nianianamarina tamin’i Davida,

ka tsy hitsoaka amin’izany:

Ny ateraky ny kibonao,

no hapetrako eo amin’ny seza fiandriananao.

12 Raha tandreman’ny zanakao ny fanekeko,

mbamin’ny didy hampianariko azy,

dia hipetraka mandrakizay,

eo amin’ny seza fiandriananao koa ny zanany.

13 Fa i Iaveh efa nifidy an’i Siôna,

sy naniry ho fonenany.

14 Ity no toerana fitsaharako mandrakizay;

eto no honenako fa efa niriko.

15 Horotsahako fanambinana sesehena ny fivelomany;

hovokisako hanina ny mahantrany.

16 Hotafîko famonjena ny mpisorony;

ary hihoby amim-piravoravoana ny mpino ao.

17 Hohalehibeaziko ao ny fahefan’i Davida;

hamboatra faniloho an’ny Voahosotro aho.

18 Hofonosiko henatra ny fahavalony,

ary hamirapiratra eo an-kandriny kosa ny satroboninahiny.

Categories
Salamo

Salamo 133

Fiainan’ny mpiray tam-po

1 Fihirana fiakarana. Nataon’i Davida.

Endrey, tsara sady mamy,

ho an’ny mpirahalahy ny miara-monina!

2 Tahaka ny diloilo sarobidy aidina eo an-doha izany;

ka mitsororoka amin’ny somotra, dia amin’ny somotr’i Aarôna,

sy midina amin’ny sisin’akanjony.

3 Manahaka ny andon’i Hermôna izany,

izay milatsaka eo amin’ny tampon’i Siôna;

fa ao no nanorenan’i Iaveh ny fitahiana,

ny fiainana ho mandrakizay.

Categories
Salamo

Salamo 134

Fankalazana mandritra ny alina

1 Fihirana fiakarana.

Aoka hisaotra an’i Iaveh àry

ianareo rehetra mpanompon’i Iaveh,

izay manao fanompoana ao an-tranon’i Iaveh,

mandritra ny alina.

2 Manandrata tanana ho amin’ny fitoerana masina,

ary misaora an’i Iaveh.

3 Hitahy anao avy ao Siôna anie i Iaveh,

izay nanao ny lanitra sy ny tany.

Categories
Salamo

Salamo 135

Antsa fiderana

Aleloia!

1 Miderà ny Anaran’i Iaveh,

Miderà Azy ianareo mpanompon’i Iaveh,

2 ianareo manao fanompoana ao an-tranon’i Iaveh,

eo an-kianjan’ny tranon’ny Andriamanitsika.

3 Miderà an’i Iaveh fa tsara i Iaveh,

mihirà ny Anarany amin’ny harpa, fa mamy tanteraka.

4 Fa i Iaveh efa nifidy an’i Jakôba ho Azy,

sy an’i Israely ho lovany.

5 Eny, fantatro, lehibe i Iaveh,

ambony noho ny andriamanitra rehetra ny Tompontsika.

6 Manao izay tiany rehetra i Iaveh,

eny an-danitra sy etỳ ambonin’ny tany,

any an-dranomasina sy any amin’ny hantsana rehetra.

7 Mampiakatra ny zavona avy amin’ny faran’ny tany izy;

mandefa ny tselatra aman-dranon’orana,

mamoaka ny rivotra avy amin’ny firaketany.

8 Namono ny voalohan-terak’i Ejipta Izy fahiny,

hatramin’ny olona ka hatramin’ny biby.

9 Naneho famantarana amam-pahagagana Izy,

teo afovoanao, ry Ejipta,

namelezany an’i Faraôna sy ny mpanompony rehetra.

10 Firenena maro no nasiany,

ary mpanjaka mahery no novonoiny:

11 i Sehôna mpanjakan’ny Amôreana,

i Oga mpanjakan’i Basàna,

mbamin’ny mpanjaka rehetra tany Kanaana,

12 ka natolony ho lova ny tanin’ireo,

dia ho lovan’i Israely vahoakany.

13 Iaveh ô, maharitra mandrakizay ny Anaranao:

Iaveh ô, maharitra amin’ny taona rehetra mifandimby

ny fahatsiarovana Anao.

14 Fa manome rariny ny vahoakany i Iaveh,

ary miantra ny mpanompony Izy.

15 Ny sampin’ny firenena dia volafotsy amam-bolamena,

asan-tanan’olombelona.

16 Manam-bava fa tsy miteny izy;

mana-maso fa tsy mahita;

17 manan-tsofina fa tsy mahare izy,

tsy misy fofon’aina akory aza ny vavany.

18 Hanahaka ireny anie ry zareo nanao azy,

na iza na iza mitoky aminy!

19 Misaora an’i Iaveh, ry taranak’i Israely!

Misaora an’i Iaveh, ry taranak’i Aarôna!

20 Misaora an’i Iaveh, ry taranak’i Levì!

Misaora an’i Iaveh, ianareo matahotra an’i Iaveh!

21 Hisaorana avy ao Siôna anie i Iaveh,

izay mitoetra ao Jerosalema!

Aleloia!