Categories
Salamo

Salamo 136

Fisaorana tohy vakana

1 Manomeza voninahitra an’i Iaveh, fa tsara Izy,

fa mandrakizay ny famindram-pony.

2 Manomeza voninahitra ny Andriamanitryny andriamanitra,

fa mandrakizay ny famindram-pony.

3 Manomeza voninahitra ny Tompon’ny tompo,

fa mandrakizay ny famindram-pony.

4 Izay hany mahavita fahagagana lehibe,

fa mandrakizay ny famindram-pony.

5 Izay nanao ny lanitra tamim-pahendrena,

fa mandrakizay ny famindram-pony.

6 Izay namelatra ny tany eo ambonin’ny rano,

fa mandrakizay ny famindram-pony.

7 Izay nanao ireo fahazavana lehibe,

fa mandrakizay ny famindram-pony.

8 Ny masoandro, ho mpanapaka ny andro,

fa mandrakizay ny famindram-pony.

9 Ny volana aman-kintana, ho mpanapaka ny alina,

fa mandrakizay ny famindram-pony.

10 Izay namely ny Ejiptianina tamin’ny voalohan-terany,

fa mandrakizay ny famindram-pony.

11 Nitondra an’i Israely hivoaka avy teo aminy,

fa mandrakizay ny famindram-pony.

12 Tamin’ny tanana mahery sy tamin’ny sandry nahinjitra,

fa mandrakizay ny famindram-pony.

13 Izay nampisaraka roa ny Ranomasina Mena,

fa mandrakizay ny famindram-pony.

14 Dia nitondra an’i Israely namaky teo afovoany,

fa mandrakizay ny famindram-pony.

15 Ary namarina an’i Faraôna sy ny tafiny

tao amin’ny Ranomasina Mena,

fa mandrakizay ny famindram-pony.

16 Izay nitondra ny vahoakany tany an’efitra,

fa mandrakizay ny famindram-pony,

17 Izay namely mpanjaka lehibe,

fa mandrakizay ny famindram-pony.

18 Ary nahafaty mpanjaka mahery,

fa mandrakizay ny famindram-pony.

19 I Sehôna mpanjakan’ny Amôreana,

fa mandrakizay ny famindram-pony.

20 Sy i Oga mpanjakan’i Basàna,

fa mandrakizay ny famindram-pony.

21 Izay nanome ny tanin’ireny, ho lova,

fa mandrakizay ny famindram-pony.

22 Dia ho lovan’i Israely mpanompony,

fa mandrakizay ny famindram-pony.

23 Izay mahatsiaro antsika, nony voaetry isika,

fa mandrakizay ny famindram-pony.

24 Ka nanafaka antsika tamin’ny mpampahory antsika,

fa mandrakizay ny famindram-pony.

25 Izay manome hanina ny velona rehetra,

fa mandrakizay ny famindram-pony.

26 Manomeza voninahitra ny Andriamanitry ny lanitra,

fa mandrakizay ny famindram-pony.

Categories
Salamo

Salamo 137

Alahelon’olona voasesitany

1 Teo amoron’ny onin’i Babilôna,

dia nipetraka sy nitomany izahay,

nahatsiaro an’i Siôna.

2 Teo amin’ny hazo malahelo eo an-dohasahany,

no nahantonay ny harpanay.

3 Fa teo izahay dia nangatahin’ireo nitana anay am-pahababoana,

hanao hiram-pivavahana sy hira fiderana;

nangatahan’ireo mpampahory anay hira fifaliana izahay:

Manaova hiran’i Siôna ho anay ianareo.

4 Hataonay ahoana no fihira ny hiran’i Iaveh

any an-tanin’ny olona hafa firenena?

5 Na oviana na oviana raha manadino anao aho, ry Jerosalema,

aoka hanadino tsy hahetsika ny tanako ankavanana!…

6 Aoka hiraikitra amin’ny lanilaniko ny lelako,

raha mitsahatra ny mihevitra anao aho,

raha tsy i Jerosalema no ataoko

loha laharana amin’ny fifaliako!

7 Tsarovy, ry Iaveh, ireo taranak’i Edôma,

fony tamin’ny andron’i Jerosalema,

dia hoy ireny: «Ravao! ravao! izy,

hatramin’ny fotony!»

8 Ry zanaka vavin’i Babilônavoatolotra ho amin’ny fandringanana,

sambatra izay hamaly anao,

araka ny ratsy nataonao taminay.

9 Sambatra izay hisambotra sy hanorotoro,

ny zanakao madinika amin’ny vato!

Categories
Salamo

Salamo 138

Antsa fisaorana

1 Nataon’i Davida.

Sitrako ny midera Anao amin’ny foko rehetra,

sy hihira ho Anao amin’ny harpa eo anatrehan’ireo andriamanitra.

2 Sitrako ny miankohoka eo an-tempolinao masina,

sy hankalaza ny Anaranao,

noho ny hatsaram-ponao amam-pahamarinanao,

fa nanao fampanantenana lehibe Ianao,

mihoatra noho ny voninahitra ny Anaranao.

3 Tamin’ny andro niantsoako Anao nanaiky ahy Ianao,

naverinao amin’ny fanahiko ny tanjaka aman-kerim-po.

4 Hidera Anao, ry Iaveh, ny mpanjaka rehetra amin’ny tany,

rehefa mandre ny teny tò naloaky ny vavanao.

5 Hankalaza ny lalan’i Iavehizy ireo,

fa lehibe ny voninahitr’i Iaveh.

6 Fa avo i Iaveh ka mijeryny iva toetra,

ary fantany eny lavitra eny, ny mpiavonavona.

7 Raha mizotra eo afovoan’ny fahoriana aho,

dia velominao indray,

maninji-tanana hanohana ny hatezeran’ny fahavaloko Ianao,

ary mamonjy ahy ny tananao ankavanana.

8 Hotanterahin’i Iaveh izay nataony ho ahy,

Iaveh ô, mandrakizay ny hatsaram-ponao:

Aza mahafoy ny asan-tananao!

Categories
Salamo

Salamo 139

Fiderana an’Ilay mahalala ny zavatra rehetra

1 Ho an’ny mpampianatra hira. Nataon’i Davida.

Iaveh ô, mizaha toetra sy mahalala ahy Ianao:

2 fantatrao ny fipetrako sy ny fitsangako;

tsinjovinao ny hevitro mbola lavitra.

3 Ianao mitsirika ahy na mandeha na mandry,

asa mahazatra anao ny lalako rehetra.

4 Ny teny tsy mbola mby eo an-delako aza,

efa fantatrao manontolo sahady, ry Iaveh.

5 Manodidina ahy eo alohako sy eo ivohoko Ianao,

ary apetrakao amiko ny tananao.

6 Fahalalana mahagaga loatra, raha izaho, izany,

ka ambony lavitra noho izay mety ho takatro.

7 Aiza no halehako lavitra ny fanahinao,

aiza no handosirako lavitra ny Tavanao?

8 Raha miakatra any an-danitra aho, any Ianao,

raha mandry any amin’ny Seoly aho, indro ao Ianao.

9 Raha maka elatry ny maraina aho,

ka mandeha hitoetra any am-paran’ny ranomasina,

10 ny tananao ihany koa no hitarika ahy any,

ary ny tananao ankavanana no hihazona ahy.

11 Ka milaza aho hoe: «Ny haizina ahay mba hanarona ahy,

ary ny alina no hany fahazavana hanodidina ahy!…»

12 Tsy misy maizina ho Anao, na ao amin’ny haizina aza,

mamiratra toy ny andro ho Anao ny alina,

ary ny haizina toy ny fahazavana.

13 Ianao no namorona ny voako,

sy nanenona ahy tao an-kibon’ineny.

14 Midera Anao aho, amin’ny nanaovanao ahy

ho zava-boaary mahagaga loatra:

mahagaga ny asanao,

ary mamin’ny fanahiko ny miaiky izany.

15 Tsy niafina taminao ny tenako,

tamin’ny namoronana ahy tao amin’ny miafina,

voatenina tamim-pahaizana, tao amin’ny fanambanin’ny tany.

16 Fony zavatra vao torontoronina tsy nisy endrika akory aho

no efa hitan’ny masonao,

ary voasoratra teo amin’ny bokinao avokoa,

ny andro voatendry hiainako,

talohan’ny tsy mbola nisiany akory.

17 Ry Andriamanitra ô, mahafinaritra loatra lahy ny hevitrao!

Endrey, izany hamaroany!

18 Raha manisa azy aho, mihoatra noho ny hamaroan’ny fasika ny isany;

nony mifoha aho dia mbola eo aminao ihany!

19 Andriamanitra ô, tsy handringana ny ratsy fanahy va Ianao?

Mialà amiko ianareo mpandatsa-dra!

20 Fiteny mahameloka no iresahany Anao,

manonom-poana ny Anaranao ireo fahavalonao ireo.

21 Ry Iaveh ô, tsy tokony hataoko va ny mankahala izay mankahala Anao,

sy manao ho zava-betaveta an’ireo mitsangan-kanohitra Anao?

22 Halako dia halako tanteraka tokoa ireny,

fahavaloko izy ireny, raha izaho.

23 Zahao toetra aho, Andriamanitra ô, ka fantaro ny foko;

tsapao aho, ka fantaro ny hevitro!

24 Jereo raha eo amin’ny lalan-dratsy aho,

dia tariho eo amin’ny lalana mandrakizay.

Categories
Salamo

Salamo 140

Hanoherana ny ratsy fanahy

1 Ho an’ny mpampianatra hira. Salamon’i Davida.

2 Iaveh ô, afaho amin’ny olon-dratsy aho,

arovy amin’ny olona mpanao an-keriny aho.

3 Izay mieritreritra hevitra ratsy ao am-pony,

izay manangana ady amiko lalandava;

4 izay mandranitra ny lelany toy ny menarana,

sady misy poizin’aspika ao ambany molony.

– Selà

5 Iaveh ô, ambeno amin’ny tanan’ny ratsy fanahy aho,

arovy amin’ny olona mpanao an-keriny aho,

izay mitetika ny hanafintohina ahy.

6 Misy mpiavonavona mamela-pandrika harato hamandrihana ahy;

mametra-pandrika harato manaraka ny lalan-kalehako;

ary manao otrika hamelezana ahy.

– Selà

7 Hoy aho amin’i Iaveh: «Andriamanitra Ianao,»

henoy ny feon’ny fitarainako, ry Iaveh!

8 Iaveh Tompo ô, Mpamonjiko mahery,

manarona ny lohakoamin’ny andro fiadiana Ianao.

9 Ry Iaveh, aza tanterahinao ny fanirian’ny ratsy fanahy,

aza avela hahomby ny hevi-dratsiny;

dia ireharehany loatra izany.

– Selà

10 Ny lohan’ireo izay manemitra ahy anie,

no hianjeran’ny ratsy tononin’ny molony.

11 Aoka hanintsanana vainafo mivaivay eo ambonin’izy ireo!

Havarin’Andriamanitra any amin’ny afo anie izy,

any amin’ny hantsana tsy ho azony ialana intsony!

12 Tsy hambinina ny mpanendrikendrika eto ambonin’ny tany,

ary hozoin-doza, tsy hamindrana fo, ny mpanao an-keriny.

13 Fantatro fa omen’i Iaveh hitsiny ny fadiranovana,

ary omeny rariny ny mahantra.

14 Eny, hankalaza ny Anaranao ny marina,

ary honina eo anatrehan’ny Tavanao ny olo-mahitsy.

Categories
Salamo

Salamo 141

Vavaka raha tarihin’ny ratsy

1 Salamon’i Davida.

Iaveh ô, miantso Anao aho, tongava faingana amiko Ianao;

atongilano ny sofinao amin’ny feoko, raha miantso Anao aho.

2 Aoka ho eo anatrehanao toy ny emboka anie ny fivavahako.

3 Iaveh ô, asio fiambenana eo amin’ny vavako;

ary mpitily eo am-baravaran’ny molotro.

4 Aza atongilanao amin’ny ratsy ny foko,

na hilozoka amin’ny asa ratsy,

miaraka amin’ny olona mpanao ratsy.

5 Raha ny marina no mamely ahy, tombon-tsoa ho ahy izany;

raha izy no mananatra ahy, diloilo manitra eo an-dohako izany,

ka tsy holavin’ny lohako,

fa amin’izay ny fivavahako no hany hanoherako ny hevi-dratsin’ireny.

6 Nefa tsy ho ela dia havarina, manaraka ny vatolampy, ny lehiben’ireny;

ary handre ny teniko ny olona, fa mahafinaritra izany.

7 Toy ny fanoritra sy fihevon’ny asa ny tany,

no famafy ny taolantsika teo am-bavan’ny Seoly.

8 Fa Ianao no andrandrain’ny masoko, Iaveh Tompo ô;

ao akaikinao no itadiavako fialofana; aza mahafoy ny fanahiko!

9 Arovy amin’ny fandrika amandrihany ahy aho,

dia amin’ny fanotrehan’ireo mpanao ratsy.

10 aoka ny ratsy fanahy ho latsaka amin’ny fandrika nataony;

fa izaho kosa izay dia ho afaka amin’izany.

Categories
Salamo

Salamo 142

Vavak’olona enjehina

1 Fihirana nataon’i Davida: Fony izy tao amin’ilay zohy. Fivavahana.

2 Mitaraina amin’i Iaveh amin’ny feoko aho,

mitalaho amin’i Iaveh amin’ny feoko:

3 Mamboraka eo anatrehany ny fitarainako aho,

mamosaka eo anatrehany ny fahoriako.

4 Raha reraka ato anatiko ny fanahiko,

dia fantatrao ny lalako,

fantatrao fa any an-dalana izorako,

amelaran’ireny fandrika hamelezana ahy.

5 Topazo maso eo ankavanana ka zahao:

tsy misy mahalala ahy akory;

ny fialofako tsy misy velively,

tsy ahoan’ny olona akory ny aiko.

6 Mitaraina aminao aho, ry Iaveh,

hoy aho: «Ianao no fialofako,

anjarako eo amin’ny tanin’ny velona.»

7 Atongilano ny sofinao amin’ny fitarainako,

fa fadiranovana izaitsizy aho,

afaho amin’ireo manenjika ahy aho,

fa mahery noho izaho izy ireo.

8 Esory amin’ity tranomaizina ity ny fanahiko,

mba hankalazako ny Anaranao,

hahazo voninahitra miaraka amiko ny marina,

noho ny nanasoavanao ahy.

Categories
Salamo

Salamo 143

Fitalahoana raha voa

1 Salamon’i Davida.

Iaveh ô, henoy ny fivavahako;

atongilano ny sofinao amin’ny fitalahoako;

valio vavaka aho, amin’ny fahitsianao amam-pahamarinanao.

2 Aza mifandahatra amin’ny mpanomponao amin’ny fitsarana,

fa tsy misy olombelona ho marina eo anatrehanao.

3 Mitady ny aiko ny fahavalo,

manitsaka ny aiko amin’ny tany izy;

asesiny ao amin’ny fitoerana maizina aho,

mova tsy olona efa maty ela!

4 Reraka ny fanahiko ato amiko,

mitebiteby ny foko ato an-kiboko.

5 Heveriko ny andro taloha,

sainiko ny asanao rehetra,

eretiko ny asan-tananao.

6 Mananty tanan-droa aminao aho,

ka maniry Anao, toy ny tany mangentana, ny fanahiko.

– Selà

7 Hafaingano ny valim-bavako, ry Iaveh,

fa reraka eo ihany ny fanahiko;

aza manafina ny Tavanao amiko,

fa manahaka ny efa midina any am-pasana aho.

8 ampandreneso faingana ny hatsaram-ponao aho,

fa Ianao no itokiako;

atoroy ny lalana tokony halehako aho,

fa any aminao no hanondrotako ny fanahiko.

9 Afaho amin’ny fahavaloko aho, ry Iaveh,

fa ao aminao no ialofako.

10 Ampianaro hanao ny sitraponao aho

fa Ianao no Andriamanitro.

Ny fanahinao tsara anie hitarika ahy,

eo amin’ny lala-mahitsy.

11 Iaveh ô, velomy aho, noho ny Anaranao,

esory amin’ny fahoriana ny fanahiko, noho ny fahamarinanao.

12 Fongory ny fahavaloko, noho ny hatsaram-ponao;

ary aringano avokoa izay mpampahory ahy,

fa mpanomponao aho.

Categories
Salamo

Salamo 144

Fangatahana fandresena

1 Nataon’i Davida.

Hisaorana anie i Iaveh Vatolampiko,

izay nampianatra ny tanako hiady,

ary ny rantsan-tanako hiantafika.

2 Mpanao soa ahy aman-trano mimandako,

fialofako avo ama-mpanafaka ahy,

ampingako ama-mpialofako,

izay mandamina ny vahoakako hanoa ahy!

3 Iaveh ô, inona moa ny olombelona no mba heverinao,

ny zanak’olombelona, no mba ahìnao?

4 Tahaka ny tso-drivotra ihany ny olombelona;

tahaka ny aloka mandalo foana ny androny.

5 Iaveh ô, aondreho ny lanitrao, ka midìna;

tendreo ny tendrombohitra dia aoka hirehitra izy.

6 Aoka Ianao hampanjopiaka ny tselatra ka hampiparitaka ny fahavalo;

alefaso ny zana-tsipìkanao, ka ampifanaritaho ireny.

7 Ahinjiro avy any ambony ny tananao

ka afaho sy vonjeo aho amin’ny rano be,

amin’ny tanan’ireo tarana-pirenen-kafa,

8 izay mamoaka lainga ny vavany,

ary tanana ankavanana mivadika no tanany ankavanana.

9 Andriamanitra, hihira fihiram-baovao ho Anao aho,

hankalaza Anao amin’ny valiha tory folo aho.

10 Ianao izay nanome fandresena ny mpanjaka,

sy namonjy an’i Davida mpanomponao amin’ny sabatra mahafaty,

11 dia afaho sy vonjeo aho

amin’ny tanan’ireo tarana-pirenen-kafa,

izay mamoaka lainga ny vavany,

ary tanana ankavanana mivadika no tanany ankavanana.

12 Hanahaka ny zana-kazo mirobona anie ny zanakay lahy

ka hitombo mandritra ny fahatanorany.

Hanahaka ny andry fehizoro anie ny zanakay vavy,

misy sarin-javatra voasikotra, toy ny amin’ny Tempoly!

13 Ho feno mandrakariva anie ny sompitray,

ka ho hipoka vokatra isan-karazany.

Ny ondrinay eny an-tanim-bilonay anie

hitombo arivoarivo sy alinalina,

14 ary ny ombinay hahavanona anaka.

Aza misy ao anatin’ny mandanay ny fahabangana na fikoizana,

aza misy re eny amin’ny kianjanay anie ny antso vonjy taitra!

15 Sambatra ny firenena, miarana amin’izany zava-tsoa izany.

Sambatra ny firenena manana an’i Iaveh ho Andriamaniny.

Categories
Salamo

Salamo 145

SALAMO 145 (Volgata 144)

Fiderana an’i Iaveh Mpanjaka

Hira fiderana. Nataon’i Davida.

1 Sitrako ny mankalaza Anao, ry Andriamanitro Mpanjaka ô,

sy ny misaotra ny Anaranao mandrakizay doria.

2 Sitrako ny misaotra Anao isan’andro,

sy ny mankalaza ny Anaranao mandrakizay doria!

3 Lehibe i Iaveh ka mendrika ny fiderana rehetra,

ary tsy takatry ny saina ny fahalehibeazany!

4 Ny taona rehetra samy hilaza amin’izay mandimby azy

ny fiderana ny asanao;

hitory ny fahagagana nataonao ny olona.

5 Hihira ny famirapiratan’ny fiandriananao be voninahitra aho,

sy ny asanao mahagaga.

6 Horesahin’ny olona ny herinao mahatahotra;

ary hotantaraiko ny fahalehibeazanao.

7 Hambaran’ny olona ny fahatsiarovana ny hatsaram-ponao lehibe indrindra,

ary hankalazainy ny fahamarinanao.

8 Mamindra fo sy miantra i Iaveh,

ary mahari-po sy feno hatsaram-po.

9 Tsara fo amin’ny olona rehetra i Iaveh,

ary mihatra amin’ny zava-boaariny rehetra ny famindram-pony.

10 Midera Anao avokoa ny asanao rehetra, ry Iaveh,

ary misaotra Anao ny mpino Anao.

11 Milaza ny voninahitry ny fanjakanao izy,

ary mitory ny fahefanao;

12 mba hampahalalàny ny zanaky ny olona ny asany mahagaga,

sy ny famirapiratry ny fanjakany be voninahitra.

13 Fanjakana mandrakizay ny fanjakanao,

ary maharitra amin’ny taona rehetra ny fanapahanao.

14 Manohana an’izay rehetra lavo i Iaveh,

ary mampitraka an’izay rehetra mitanondrika.

15 Mitodika miandry Anao ny mason’ny zavatra rehetra,

ary omenao izay haniny amin’ny fotoany izy.

16 Sokafanao ny tananao,

dia vokisanao soa avy aminao ny miaina rehetra.

17 Marina amin’ny lalany rehetra i Iaveh,

ary mamindra fo amin’ny asany rehetra.

18 Eo akaikin’izay rehetra miantso Azy I Iaveh,

dia izay rehetra miantso Azy amin’ny fony tokoa.

19 Manatanteraka ny fanirian’izaymatahotra Azy Izy,

mihaino ny fitarainany sy mamonjy azy.

20 Miambina izay rehetra tia Azy i Iaveh,

ary mandringana ny ratsy fanahy rehetra.

21 Aoka ny vavako hitory fiderana an’i Iaveh,

ary ny nofo rehetra hisaotra ny Anarany masina

mandrakizay doria!