Categories
Eksaody

Eksaody 11

Filazana ny hahafatesan’ny lahy matoa

1 Ary hoy i Iaveh tamin’i Môizy: «Loza iray sisa hamelezako an’i Faraôna sy i Ejipta, fa rehefa afaka izany, dia halefany hiala atỳ ianareo; ary rehefa handefa anareo tokoa izy, dia horoahiny aza ianareo hiala atỳ.

2 Koa ilazao ny vahoaka mba samy hangataka firavaka volafotsy sy firavaka volamena avy, ny lehilahy amin’ny lehilahy mifanolotra aminy; ny vehivavy amin’ny vehivavy mifanolotra aminy.»

3 Dia nataon’i Iaveh nahita fitia teo imason’ny Ejiptianina ny vahoaka; ary i Môizy aza dia tonga nanan-kaja indrindra tany an-tany Ejipta, na tamin’ny mpanompon’i Faraôna na tamin’ny vahoaka.

4 Hoy i Môizy: «Izao no lazain’i Iaveh: Rehefa misasaka ny alina dia handalo hamaky an’i Ejipta Aho,

5 ka ho faty ny lahy matoa rehetra eto amin’ny tany Ejipta, hatramin’ny lahy matoan’i Faraôna mipetraka eo amin’ny seza fiandrianany, ka hatramin’ny lahy matoan’ny andevovaviny eo am-pototry ny vato fitotoam-bary, mbamin’ny lahy voalohan-teraky ny biby fiompy rehetra.

6 Hisy fidradradradrana mafy eran’ny tany Ejipta rehetra, izay tsy mbola nisy toa azy ary tsy hisy tao azy intsony.

7 Fa eo amin’ny zanak’i Israely rehetra kosa, tsy mba hisy hanetsika ny lelany, na olona na biby, na dia alika iray aza, mba hahafantaranao izay mahasamihafa ny iheveran’i Iaveh an’i Ejipta sy an’i Israely.

8 Izay ny mpanomponao rehetra etoana dia hidina hankany amiko sy hiankohoka eo anatrehako, ka hanao hoe: Mandehana any avokoa, ianao sy ny vahoaka rehetra manaraka anao. Ary izay koa Aho vao handeha.» Dia tamim-pahatezerana mirehitra no nivoahan’i Môizy avy ao amin’i Faraôna.

9 Hoy i Iaveh tamin’i Môizy nanao hoe: «Tsy hihaino anareo i Faraôna mba hahamaro ny fahagagana hataoko amin’ny tany Ejipta.»

10 Nanao ireo fahagagana rehetra ireo teo anatrehan’i Faraôna i Môizy sy i Aarôna, ka tsy navelany hiala amin’ny taniny ny zanak’i Israely.

Categories
Eksaody

Eksaody 12

Ny Paka

1 Izao no nolazain’i Iaveh tamin’i Môizy sy i Aarôna any amin’ny tany Ejipta:

2 «Ity volana ity no aoka ho fiandoham-bolana ho anareo; dia ho voaloham-bolana amin’ny taona izany ho anareo.

3 Ary mitenena amin’ny fiangonan’i Israely rehetraataovy hoe: Amin’ny andro fahafolon’ity volana ity, samia ianareo maka zanak’ondry iray avy isam-pianakaviana, zanak’ondry iray isan-trano.

4 Raha vitsy loatra ny iray trano ka tsy mahalany zanak’ondry iray dia hikambanany amin’izay namany akaiky azy indrindra izy arakaraka ny isan’ny olona, fa araka izay tokony hohanin’ny olona iray no hanisanareo ny olona hihinana an’io zanak’ondry io.

5 Dia ho zanak’ondry tsy misy kilema sady lahy ary efa herintaona; ny halainareo dia zanak’ondry na zanak’osy.

6 Dia hotananareo izy hatramin’ny andro fahefatra ambin’ny folon’io volana io, vao samy hamono azy ny fiangonan’i Israely rehetra, amin’ilay àty takarivainy.

7 Hangalana ny rany, hatentina amin’ny tolàna roa sy ny tataom-baravaran’ny trano hihinanana azy;

8 ary hohanina amin’io alina io ihany ny nofony. Voatsatsika amin’ny afo no hihinanana azy miaraka amin’ny mofo tsy misy lalivay sy anana mangidy.

9 Tsy hisy haninareo manta na masa-drano aminy, fa atsatsika amin’ny afo daholo, mbamin’ny lohany, ny tongony, ny tsinainy.

10 Aza avela hisy tra-maraina, fa raha misy tsy lany dia dory.

11 Ary toy izao no hihinananareo azy: ny valahana voasikina, ny tongotra voaisy kapa; ny tanana mitan-tehina, ny fihinanana azy atao faingana. Pakan’i Iaveh izany.

12 Handalo mamaky ny tany Ejipta Aho amin’io alina io, ka ny lahy matoa rehetra amin’ny tany Ejipta hovonoiko, hatramin’ny olona ka hatramin’ny biby, ary misy fitsarana hoefaiko momba ny andriamanitr’i Ejipta rehetra: fa Izaho no Iaveh.

13 Ny ra dia ho famantarana ny hitsimbinana anareo eo amin’ny trano misy anareo; ho hitako ny ra dia holalovako fotsiny ianareo; ka tsy hisy loza hahafaty anareo, rehefa hamely ny tany Ejipta Aho.

14 Hataonareo tsy very tadidy izany andro izany,fa hankalazainareo amin’ny fety hiderana an’i Iaveh, hankalazainareo amin’ny taranakareo mifandimby, ho zavatra nalahatra haharitra mandrakizay.»

Fetin’ny Azima

15 «Hafitoana ianareo hihinana mofo tsy misy lalivay; ka vao amin’ny andro voalohany, dia foany lalivay ny tranonareo; fa na zovy na zovy hihinana mofo misy lalivay, hatramin’ny andro voalohany ka hatramin’ny andro fahafito, dia hofongorana tsy ho eo amin’i Israely.

16 Hanao fivoriana masina ianareo amin’ny andro voalohany, ary hanao fivoriana masina amin’ny andro fahafito. Tsy hiasa amin’ireo andro ireo, fa ny mamboa-tsakafo ho anareo tsirairay avy no azonareo atao.

17 Hotandremanareo ny azima, fa izany no andro namoahako ny ankohonanareo, tamin’ny tany Ejipta. Ka hotandremanareo hatrany amin’ny taranaka mifandimby izany andro izany, ho zavatra nalahatra haharitra mandrakizay.

18 Amin’ny volana voalohany, andro fahefatra ambin’ny folo, amin’ny hariva ka hatramin’ny harivan’ny andro faharaika amby roapolo no hihinananareo ny mofo tsy misy lalivay.

19 Tsy tokony hisy lalivay ao an-tranonareo mandritra ny hafitoana, fa na zovy na zovy hihinana mofo misy lalivay, dia hofongorana tsy ho eo amin’ny fiangonan’i Israely, na vahiny izany na tera-tany.

20 Koa tsy hihinana mofo misy lalivay ianareo; ao amin’ny tranonareo rehetra dia mofo tsy misy lalivay no hohaninareo.»

Fepetra momba ny Paka.

21 Dia novorin’i Môizy ny loholona rehetra amin’i Israely, ka nilazany hoe: «Mifidiana sy makà zanak’ondry iray ho an’ny fianakavianareo, ka vonoy ny Paka.

22 Dia makà hisopa iray fihina, atsobohy ao anatin’ny ra eo amin’ny lovia, ka tenteno amin’ny ra ao anatin’ny lovia ny tatao sy ny tolàm-baravarana roa. Aza misy mivoaka ny trano ianareo mandra-pahamarain’ny andro;

23 fa hiteny amin’i Ejipta i Iaveh hamely azy, ary rehefa mahita ny ra eo amin’ny tatao aman-tolàm-baravarana roa, dia handalo fotsiny ny varavaranareo i Iaveh, ary tsy hamela ny mpandringana hiditra hamely ao an-tranonareo.

24 Didy hotandremanareo izany, ho zavatra nalahatra haharitra mandrakizay, ho anareo sy ny taranakareo.

25 Rehefa tafiditra any amin’ny tany homen’i Iaveh anareo ianareo, araka ny nampanantenainy, dia hotandremanareo izany fomba masina izany.

26 Ary raha hanontany anareo ny zanakareo hoe: Inona no hambaran’izao fomba masina izao aminareo?

27 Dia hovalinareo hoe: Izao no soron’ny Paka, fankalazana an’i Iaveh, fa nolalovany fotsiny ny tranon’ny zanak’i Israely tany Ejipta, fony namely an’i Ejipta, fa namonjy ny tranontsika kosa. Dia niondrika ny vahoaka ary niankohoka.

28 Ary lasa nandeha ny zanak’i Israely ary nanantanteraka izay nandidian’i Iaveh an’i Môizy sy i Aarôna; izany no nataony.»

10. Fahafatesan’ny lahy matoa

29 «Nony nisasaka ny alina dia novonoin’i Iaveh avokoa ny lahimatoa tany amin’ny tany Ejipta, hatramin’ny lahimatoan’i Faraôna mipetraka eo ambonin’ny seza fiandrianany, ka hatramin’ny lahimatoan’ny babo izay tao amin’ny tranomaizina, ary ny lahy voalohan-teraky ny biby rehetra.

30 Nifoha iny alina iny ihany i Faraôna sy ny mpanompony mbamin’ny Ejiptianina rehetra, ka fidradradradràna lozan-tany no re eran’i Ejipta, fa tsy nisy trano tsy nisy maty.

31 Mbola alina dia nampaka an’i Môizy sy i Aarôna i Faraôna ka nanao taminy hoe: Mandehana miala eto amin’ny vahoakako ianareo sy ny zanak’i Israely; mandehana manompo an’i Iaveh araka ny voalazanareo.

32 Ento ny ondry mbamin’ny ombinareo, araka ny voalazanareo. Mandehana ka mba tsofy rano aho.»

33 Nododonan’i Ejiptianina erỳ ny vahoaka, fa maika handefa azy hiala amin’ny tany ireo, fa hoy izy: «Maty avokoa izahay.»

34 Mbola tsy voaisy lalivay akory ny koban’ny olona dia nentiny; ny sobika no nofonosiny tao anaty kapaotiny dia niantsorohiny.

Fanendahana ny Ejiptianina

35 «Nanao araka ny voalazan’i Môizy taminy ny zanak’i Israely, fa nangataka firavaka volafotsy sy firavaka volamena ary fitafiana tamin’ny Ejiptianina izy ireo.

36 Dia nataon’i Iaveh nahita fitia teo imason’ny Ejiptianina ny vahoaka, ka nahazo izay nangatahiny. Nanongaka babo tamin’ny Ejiptianina izy ireo.

Ny nialana tany Ejipta

37 «Niala tao Ramsesa ny zanak’i Israely dia nankany Sokôta; sahabo ho enina hetsyizy no olona mandeha an-tongotra afa-tsy ny ankizy.

38 Nisy koa olona be dia be, samihafa karazana, niara-niakatra taminy, mbamin’ny andian’ondry aman’omby maro be.

39 Nandrahoiny nataony mofo fisaka tsy voaisy lalivay ny koba nentiny avy any Ejipta, fa tsy voaisy lalivay, satria noroahina izy tany Ejipta ka tsy nahazo niatoato na naka vatsy hoentiny akory.»

40 «Telopolo sy efajato taona no nitoeran’ny zanak’i Israely tany Ejipta;

41 ary rehefa afaka ny telopolo sy efajato taona, iny andro iny indrindra, dia nivoaka niala tamin’ny tany Ejipta ny tafik’i Iaveh rehetra.

42 Alina niaretan-tory ho an’i Iavehilay alina namoahany azy avy tany Ejipta, ka izany alina izany dia ho alina fiaretan-tory hankalazana an’i Iaveh, ho an’ny zanak’i Israely rehetra isan-taranany.»

Fepetra momba ny Paka.

43 Ary hoy i Iaveh tamin’i Môizy sy i Aarôna: «Izao no didy momba ny Paka: Ny olon-kafa firenena tsy hisy hihinana azy.

44 Ny andevolahy novidim-bola rehetra hoforàna hihinana aminy;

45 ny miorim-ponenana sy ny mpikarama tsy hihinana aminy.

46 Ao an-trano ihany no hihinanana azy; ny nofony tsy havoaka ny trano, ny taolany tsy hotapahina.

47 Ny fiangonan’i Israely rehetra hanao ny Paka avokoa.

48 Raha misy vahiny mitoetra ao aminao, mba te-hanao ny Pakan’i Iaveh, dia hoforàna avokoa ny lehilahy ao an-tranony, vao manatona hanao izany izy, ka ho toy ny tompon-tany izy; fa ny tsy voafora tsy hihinana aminy.

49 Lalàna iray ihany no ho an’ny tompon-tany sy ny vahiny mitoetra eo aminareo.»

50 Dia nataon’ny zanak’i Israely rehetra izay nandidian’i Iaveh an’i Môizy sy i Aarôna; izany no nataony.

51 Ary tamin’izany andro izany indrindra no namoahan’i Iaveh tamin’ny tany Ejipta ny zanak’i Israely voalamina isan-tokony.

Categories
Eksaody

Eksaody 13

Ireo lahy matoa

1 Ary i Iaveh niteny tamin’i Môizy ka nanao hoe:

2 «Atokàny ho Ahy ny lahy matoa rehetra, izay lahy matoa rehetra amin’ny zanak’i Israely, na olona na biby fa Ahy izany.»

Ny mofo Azima

3 Dia hoy i Môizy tamin’ny vahoaka: «Tsarovinareo ny andro nivoahanareo tany Ejipta, tamin’ny trano fanandevozana, fa tamin’ny herin’ny tanany no namoahan’i Iaveh anareo tany. Tsy hatao ny mihina-mofo misy lalivay.

4 Izao andro ivoahanareo izao dia volam-pahavokaram-bary.

5 Ary raha avy izay hahatafidiran’i Iaveh anao any amin’ny tanin’ny Kananeanina, ny Heteanina, ny Amôreana, ny Heveanina ary ny Jeboseanina, izay nianianany tamin’ny razanao homeny anao, tany tondra-dronono aman-tantely, dia hataonao izany fomba masina izany, amin’ny volana toy izao.

6 Hafitoana no hihinananao mofo tsy misy lalivay, ary amin’ny andro fahafito hisy fety fankalazana an’i Iaveh.

7 Mandritra ny hafitoana no hihinanana mofo tsy misy lalivay; tsy hahitana mofo voaisy lalivay ao aminao: tsy hahitana lalivay ao aminao, eran’ny taninao rehetra;

8 Ary amin’izay ianao hilaza amin’ny zanakao lahy hoe: ‹Fahatsiarovana ny nataon’i Iaveh tamiko, fony aho nivoaka avy tany Ejipta, izany.›

9 Ary ho anao dia ho toy ny famantarana mipetraka amin’ny tananao izany sy ho toy ny fahatsiarovana tsy hiala eo anelanelan’ny masonao, mba ho eo am-bavanao ny lalàn’i Iaveh; satria tamin’ny tanany mahery no namoahan’i Iaveh anao tany Ejipta.

10 Hotandremanao amin’ny fotoany, isan-taona isan-taonaizany didy izany.»

Ny lahy matoa

11 «Raha avy izay hahatafidiran’i Iaveh anao any amin’ny tanin’ny Kananeanina, araka ny efa nianianany taminao sy tamin’ny razanao, ka efa voatolony anao tokoa izany,

12 dia hatokanao ho an’i Iaveh ny lahy matoa rehetra, ary koa ny lahy voalohan-teraky ny biby izay hanananao, fa an’i Iaveh ny lahy.

13 Avoty amin’ny zanak’ondry ny voalohan-teraky ny ampondra, fa raha tsy avotanao dia folahy ny hatony; ary avoty koa ny voalohan-terak’olombelona rehetra amin’ny zanakao lahy.

14 Ary indray andro raha avy izay hanontanian’ny zanakao anao hilaza hoe: ‹Inona no hevitr’izao?› Dia hovalianao hoe: ‹Tamin’ny tanany mahery no namoahan’i Iaveh anay tany Ejipta, tamin’ny trano fanandevozana.

15 Fa rehefa nikiry tsy nety nandefa anay i Faraôna dia novonoin’i Iaveh ny lahy matoa rehetra tamin’ny tany Ejipta, hatramin’ny lahy matoan’ny olona, ka hatramin’ny lahy voalohan-teraky ny biby. Izany no anolorako ny lahy voalohan-teraka rehetra ho sorona amin’i Iaveh sy hanavotako ny lahy matoa rehetra amin’ny zanako lahy.

16 Ho toy ny famantarana mipetraka amin’ny tananaoizany sy ho toy ny fehin-kandrina eo anelanelan’ny masonao, fa tamin’ny herin’ny tanany no namoahan’i Iaveh antsika tany Ejipta.› »

Ny niaingan’ny Israelita.

17 Nony nalefan’i Faraôna nandeha ny vahoaka, dia tsy nentin’Andriamanitra hihazo ny lalana amin’ny tanin’ny Filistinina, na iny aza no akaiky, satria hoy Andriamanitra: «Sao dia manenina ny vahoaka raha mahita ny ady, ka hiverina any Ejipta.»

18 Fa nentin’Andriamanitra niolaka ny vahoaka nanaraka ny lalan’ny efitra mankany amin’ny Ranomasina Mena. Tamim-pilaminana tsara no niakaran’ny zanak’i Israely avy tany Ejipta.

19 Ary nentin’i Môizy niaraka taminy ny taolam-balon’i Josefa, araka ny nampianianan’i Josefa ny zanak’i Israely hoe: «Hovangian’Andriamanitra ianareo, ka ento lavitra miaraka aminareo hiala atỳ ny taolam-baloko.»

20 Niala tao Sokôta izy ireo dia nitoby tao Etama, an-tsisin’ny efitra.

21 I Iaveh nandeha teo alohany amin’ny andry rahona raha antoandro hitari-dalana azy, ary amin’ny andry afo nony alina, mba ho afaka handeha, na andro na alina izy.

22 Tsy niala teo alohan’ny vahoaka ny andry rahona raha antoandro, sy ny andry afo nony alina.

Categories
Eksaody

Eksaody 14

Avy ao Etama nankany amin’ny Ranomasina Mena.

1 Ary i Iaveh niteny tamin’i Môizy ka nanao hoe:

2 «Mitenena amin’ny zanak’i Israely; aoka hiova lalana izy ka handroso hitoby eo anoloan’i Fihahirôta, anelanelan’i Magdalôma sy ny ranomasina, tandrifin’i Beelsefôna; manatrika izany toerana izany no hitobianareo, eo akaikin’ny ranomasina.»

3 Dia izao no ho filazan’i Faraôna ny zanak’i Israely: «Very lalana any ho any izy ireo ka tafahitsoka any an’efitra.»

4 Ary hohamafisiko ny fon’i Faraôna ka hanenjika azy izy. Nefa hataoko miseho miharihary ny voninahitro ao amin’i Faraôna sy ny tafiny rehetra, ka ho fantatry ny Ejiptianina fa Iaveh Aho. Dia nataon’i zanak’i Israely izany.

Ny Ejiptianina manenjika an’i Israely.

5 Nilazana ny mpanjakan’i Ejipta fa hoe: «Lasa nandositra ny vahoaka.» Tamin’izay dia voaova ny fon’i Faraôna sy ny mpanompony, ny amin’ny vahoaka, fa hoy izy ireo: «Naninona ity isika no nandefa an’i Israely handeha, ka namoy ny fanompoany antsika?»

6 Dia nasain’i Faraôna nasiana soavaly ny kalesiny ary nentiny niaraka taminy ny vahoakany.

7 Ny nentiny dia kalesy voafantina enin-jato, sy ny kalesy tao Ejipta rehetra, samy nisy mpifehy avy.

8 Nohamafisin’i Iaveh ny fon’i Faraôna, mpanjakan’i Ejipta, ka nanenjika ny zanak’i Israely i Faraôna, ary tamin’ny tanana voasandratra no nivoahan’ny zanak’i Israely.

9 Koa nanenjika azy ny Ejiptianina ka nahatratra azy tao akaikin’ny ranomasina izay nitobiany: nahatratra azy teo akaikin’ny Fihahirôta, tandrifin’i Beelsefôna avokoa ny soavaly mpitarika kalesin’i Faraôna sy ny mpitaingin-tsoavaly mbamin’ny tafiny rehetra.

10 Nony mby akaiky i Faraôna, natopin’ny zanak’i Israely ny masony, dia indreo tamy nanaraka azy ny Ejiptianina, ka raiki-tahotra mafy ny zanak’i Israely, sy velon-taraina tamin’i Iaveh.

11 Ary nanao tamin’i Môizy hoe: «Tsy misy fasana va tany Ejipta, no dia nentinao ho faty atỳ an’efitra izahay? Ahoana izao nataonao taminay izao ka navoakanao tany Ejipta?

12 Moa tsy itony indrindra va no nilazanay taminao tany Ejipta hoe: Avelao ihany izahay hanompo ny Ejiptianina fa tsaratsara kokoa ho anay ny manompo azy, toy izay ho faty any an’efitra.»

13 Fa hoy kosa i Môizy tamin’ny vahoaka: «Aza matahotra fa mipetraha tsara eo, ka zahao ny famonjena hataon’i Iaveh aminareo anio; fa ireo Ejiptianina hitanareo anio ireo tsy ho hitanareo intsony mandrakizay.

14 I Iaveh no hiady ho anareo, fa ianareo mipetraha tsy amin’ahiahy.»

Ny nitana ny Ranomasina Mena

15 Ary hoy i Iaveh tamin’i Môizy: «Nahoana no mitaraina amiko ianareo? Ilazao ny zanak’i Israely mba hiainga.

16 Ianao manainga ny tehinao sy maninjira ny tananao eo ambonin’ny ranomasina dia hampisaraka roa azy; ary ny zanak’i Israely kosa hamaky eo afovoany mandia tany maina,

17 ary Izaho hanamafy ny fon’ny Ejiptianina hanarahany azy ireo avy eo aoriana, ary hataoko miharihary ny voninahitro eo amin’i Faraôna sy ny tafiny rehetra, mbamin’ny kalesiny ama-mpitaingin-tsoavaliny.

18 Ka ho fantatry ny Ejiptianina fa Iaveh Aho, rehefa hanehoako ny voninahitro i Faraôna sy ny kalesy ama-mpitaingin-tsoavaliny.»

19 Dia nifindra nankeo aoriana ilay Anjelin’Andriamanitra nandeha teo alohan’ny tobin’i Israely, ary niala nankeo aoriana koa ny andry rahona izay nialoha azy.

20 Dia nankeo anelanelan’ny tobin’ny Ejiptianina sy ny tobin’ny zanak’i Israely izy; maizina ny ilan’io rahona io; ary ny ilany manazava ny alina, ka tsy nifanatona ny toby roa nandritra ny alina.

21 Nony nahinjitr’i Môizy teo ambonin’ny ranomasina ny tanany dia nohemorin’i Iaveh ny ranomasina tamin’ny rivotra nifofofofo mafy avy any atsinanana nandritra ny alina, ka nataony tonga maina ny ranomasina fa nisaraka roa ny rano.

22 Dia niditra teo afovoan’ny ranomasina efa tonga maina ny zanak’i Israely ary zary rindrina ho azy ireo eo ankavanany sy ankaviany ny rano.

23 Nanenjika azy ny Ejiptianina, ka niditra nanaraka azy teo afovoan’ny ranomasina avokoa ny soavalin’i Faraôna mbamin’ny kalesy ama-mpitaingin-tsoavaliny.

24 Ary tamin’ny fotoan’ny fiambenana marainadia nitodika ny Ejiptianina i Iaveh tao amin’ny andry afo aman-tsetroka, dia nandatsaka fangorohoroana tao amin’ny tobin’ny Ejiptianina. Nataony nitsoaka tamin’ny kalesiny ny kodiarana ka saika tsy afa-nandroso intsony.

25 Ary hoy ny Ejiptianina tamin’izay: «Andeha handositra eo anoloan’i Israely isika, fa i Iaveh no miady ho azy, mamely ny Ejiptianina.»

26 Ary hoy i Iaveh tamin’i Môizy: «Ahinjiro eo ambonin’ny ranomasina ny tananao, hikatonan’ny rano amin’ny Ejiptianina sy ny kalesy ama-mpitaingin-tsoavaliny.»

27 Dia nahinjitr’i Môizy teo ambonin’ny ranomasina ny tanany, ka vao nangirana ny andro dia nody tamin’ny toerany andavanandro ny ranomasina. Nandositra ny Ejiptianina ka tojo azy, ka dia navarin’i Iaveh tao anaty ranomasina ny Ejiptianina.

28 Nony nikatona ny rano dia nanafotra ny kalesy ama-mpitaingin-tsoavaly mbamin’ny tafik’i Faraôna rehetra izay niditra ny ranomasina nanaraka ny zanak’i Israely: tsy nisy afa-nandositra na dia singany iray aza.

29 Ny zanak’i Israely anefa nandia tany maina teo afovoan’ny ranomasina, fa zary rindrina ho azy ireo ny rano, eo ankavanany sy eo ankaviany.

30 Koa novonjen’i Iaveh ho afaka tamin’ny tanan’ny Ejiptianina i Israely tamin’izany andro izany, ary i Israely nahita ny fatin’ny Ejiptianina teny amoron-dranomasina.

31 Hitan’i Israely ny tanana maherin’i Iaveh, nasehony tamin’ny namelezany ny Ejiptianina, ka natahotra an’i Iaveh ny vahoaka, ary nino an’i Iaveh sy i Môizy mpanompony.

Categories
Eksaody

Eksaody 15

Tononkira fandresena

1 Tamin’izany i Môizy sy ny zanak’i Israely

nanao izao hira izao tamin’i Iaveh. Hoy izy:

«Hihira ho an’i Iaveh aho, fa efa naneho ny voninahiny izy;

Nariany any an-dranomasina ny soavaly

ama-mpitaingina azy.

2 I Iaveh no heriko sy fototry ny tononkirako,

Izy no namonjy ahy.

Izy no Andriamanitro, ka hankalazaiko,

Sady Andriamanitry ny raiko, ka hoderaiko.

3 Mpiady mahery i Iaveh,

Ary i Iaveh no anarany.

4 Ny kalesy aman-tafik’i Faraôna navariny an-dranomasina;

Ny kapiteny voafantina natelin’ny Ranomasina Mena;

5 Nosaforan’ny rano ireny,

Nilentika amin’ny farany ambany toy ny vato izy ireo.

6 Iaveh ô! nigagana noho ny heriny ny tananao havanana,

Iaveh ô! nanorotoro ny fahavalo ny tananao havanana.

7 Ny fiandriananao mihoa-pampana,

No andringanana ny fahavalonao;

Fa mampirehitra ny hatezeranao Ianao,

Dia levona toy ny mololo ireny.

8 Noho ny fofon’ain’ny vavoronao,

Niangona niavosa ny rano,

Niantsavovona ny onjan-drano;

Raikitra nandry tao anaty mason-dranomasina ny alon-drano.

9 Hoy ny fahavalo: ‹Hanenjika ka hahatratra,

Dia hizara babo aho,

Ho afa-diana aho amin’ny valy fatiko.

Hotsoahako ny sabatra dia haringan’ny tanako ireny.›

10 Kanjo vao notsofin’ny fofon’ainao dia safotry ny rano izy,

Ka nilentika toy ny firaka anatin’ny ranomasim-be.

11 Iza moa no toa Anao amin’ireo andriamanitra, ry Iaveh ô!

Iza moa no toa Anao izay mendrika indrindra noho ny fahamasinana,

Izay atahorana, na eo am-piderana Anao aza,

mpanao fahagagana?

12 Naninjitra ny tananao havanana ianao,

dia nitelina an’ireny ny tany.

13 Ny fahasoavanao no hitondranao ity vahoaka navotanao ity;

Ny fahefanao no hitarihanao azy

ho any amin’ny fonenanao masina.

14 Vao nandre izany ny firenena dia nangovitra;

Raiki-tahotra ny Filistinina;

15 Nivadi-po ambony ihany ireo andrian’i Edôma;

Tera-kovitra ny maherin’i Moaba;

Niraviravy tanana avokoa ny mponina any Kanaana;

16 Ho resin-tahotra sy zoim-pahoriana izy ireo.

Noho ny herin-tsandrinao, hanjary toa vato

tsy mahahetsika izy ireo.

Mandra-pandalon’ny vahoakanao, ry Iaveh ô,

Mandra-pandalon’ny vahoakanao izay navotanao.

17 Hitondra sy hamponina azy Ianao

Eo amin’ny tendrombohitry ny lovanao,

Dia eo amin’ilay toerana nataonao ho fonenanao, ry Iaveh ô,

eo amin’ny fitoerana masina namboarin’ny tananao, ry Tompo ô

18 Hanjaka mandrakizay doria i Iaveh!

19 Fa ny soavalin’i Faraôna

sy ny kalesy ama-mpitaingin-tsoavaliny

dia tafiditra ny ranomasina,

ka nosaforan’i Iaveh

ny ranon’ny ranomasina izy ireo,

Ary ny zanak’i Israely kosa nandia

tany maina teo afovoan’ny ranomasina.»

20 Nandray langoroany tapaka i Maria, mpaminany vavy, anabavin’i Aarôna, ary nitondra langoroany nanaraka azy koa ny vehivavy rehetra, dia nandihy.

21 Ka izao no navalin’i Maria ny zanak’i Israely:

«Mihirà ho an’i Iaveh fa efa naneho ny voninahiny Izy.

Navariny any an-dranomasina ny soavaly ama-mpitaingina azy.»

Marà, Mangidy

22 Dia nasain’i Môizy niainga avy ao amin’ny Ranomasina Mena i Israely. Nandroso nankany amin’ny efitra Sora, ary hateloana izy nandeha tsy nahita rano tamin’io efitra io.

23 Nony tonga tao Marà izy ireo tsy nahasotro ny rano tao Marà fa nangidy ny rano, ka izany no niantsoana io fitoerana io hoe Marà.

24 Nimonomonona tamin’i Môizy ny vahoaka, nanao hoe: «Inona no hosotroinay?»

25 I Môizy nitaraina tamin’i Iaveh, ka notoroan’i Iaveh hazo izy, dia natsipiny tao anaty rano io, dia tonga mamy ny rano. Tao no nanomezan’i Iaveh ny fitsipika aman-dalàna ny vahoaka sy nizahany toetra azy.

26 Hoy Izy: «Raha mihaino ny feon’i Iaveh Andriamanitrao ianao, raha manao izay mahitsy eo anatrehany, raha mampandry sofina amin’ny didiny ary mitandrina ny lalàny rehetra, dia tsy hisy hameliko anao ireny aretina nafitsoko ny Ejiptianina ireny, fa i Iaveh manasitrana anao Aho.»

27 Dia tonga teo Elima izy ireo, izay nisy loharano roa ambin’ny folo sy foto-palma fitopolo, ka nitoby teo akaikin’ny rano izy.

Categories
Eksaody

Eksaody 16

Ny mana sy ny papelika

1 Niala teo Elima izy ireo ary ny fiangonan’ny zanak’i Israely rehetra dia tonga tany an’efitra Sina, anelanelan’i Elima sy Sinaia tamin’ny andro fahadimy ambin’ny folon’ny volana faharoa, taorian’ny nialany tany amin’ny tany Ejipta.

2 Nimonomonona tamin’i Môizy sy i Aarôna tao an’efitra ny fiangonan’ny zanak’i Israely rehetra.

3 Hoy ny zanak’i Israely tamin’izy ireo hoe: «Inay anie izahay mba matin’ny tanan’i Iaveh tany an-tany Ejipta, raha ilay nipetraka teo anelanelan’ny vilany feno hena sy nihinana mofo mandrapahavoky iny izahay; fa izao kosa nentinareo atỳ an’efitra izahay mba hahafaty mosary izao vahoaka be izao.»

4 Dia hoy i Iaveh tamin’i Môizy: «Indro Aho handatsaka mofo avy any an-danitra ho anareo. Hivoaka ny olona ka isan’andro dia hanangona izay sahaza hohaniny amin’ny indray andro, mba hizahako toetra azy, na handeha araka ny lalàko izy ireo na tsia.

5 Amin’ny andro fahenina, homaniny izay efa nangoniny, ka hisy indroa toraky ny fanangony isan’andro.»

6 Koa hoy i Môizy sy i Aarôna tamin’ny zanak’i Israely rehetra: «Ho fantatrareo anio hariva, fa i Iaveh no namoaka anareo tany Ejipta,

7 ary ho hitanareo raha maraina ny voninahitr’i Iaveh, satria reny ny fimonomononanareo tamin’i Iaveh, fa izahay moa no inona no izahay no imonomononanareo?»

8 Hoy koa i Môizy: «Ho hitanareo izany amin’ny hanomezan’i Iaveh anareo hena hohanina anio hariva, ary mofo hahavoky raha maraina, satria ren’i Iaveh ny nimonomononanareo taminy. Fa ny aminay, izahay moa no inona? Tsy izahay no iharan’ny fimonomononanareo fa i Iaveh ihany.»

9 Ary hoy i Môizy tamin’i Aarôna: «Lazao amin’ny fiangonan’ny zanak’i Israely rehetra hoe: Manatòna eo anatrehan’i Iaveh ianareo, fa efa reny ny fimonomononanareo.»

10 Mbola miteny amin’ny fiangonan’ny zanak’i Israely rehetra eo i Aarôna, no nitodika ny efitra ireo, ka indro niseho teo amin’ny rahona ny voninahitr’i Iaveh.

11 Dia hoy i Iaveh tamin’i Môizy:

12 «Reko ny fimonomononan’ny zanak’i Israely, ka lazao izy ireo hoe: Amin’ny àty takariva ianareo dia hihinan-kena; ary raha maraina koa dia hivoky mofo, ka ho fantatrareo fa Izaho no Iaveh Andriamanitrareo.»

13 Nony hariva, indreny nisy papelika niakatra nandrakotra ny toby; maraina indray, nisy ando matevina nanodidina ny toby.

14 Vao levona ny ando, dia indro hita mandrakotra ny efitra zava-madinika mandrotsirotsy madinidinika toy ny fanala eo amin’ny tany.

15 Nahita ireny ny zanak’i Israely dia nifanontany hoe: «Inona itony?» satria tsy fantany. Hoy i Môizy tamin’izy ireo: «Itony no mofo omen’i Iaveh ho fihinanareo.

16 Ary izao no didin’i Iaveh: Samia ianareo manangona izay sahaza hohaniny avy, eran’ny gômôra, isan’olona, araka ny isan’ny olona; samia maka ho an’izay ao an-dainy avy.»

17 Dia nataon’ny zanak’i Israely izany; samy nanangona izy, ny an’ny sasany be, ny an’ny sasany kely.

18 Raha efa izay dia nafatra tamin’ny gômôra, ka ny nahatonga be tsy nanana ambiny, ny nahatonga kely tsy latsa-patra, fa izay sahaza ho haniny avy ihany no voavoriny.

19 Nilazan’i Môizy izy ireo nataony hoe: «Aza misy mamela ho tra-maraina».

20 Nefa tsy nihaino an’i Môizy izy fa nisy namela ho tra-maraina, ka sady niloaka olitra izany no maimbo. Tezitra tamin’izy ireo i Môizy.

21 Isa-maraina izy ireo no nanangona ny mana, samy araka izay fihinany avy; fa rehefa mafana ny andro, dia levona niempo.

22 Tamin’ny andro fahenina nanangona indroa toraky ny fihinany izy ireo, roa gômôra isan’olona. Nanatona an’i Môizy ny filohan’ny vahoaka rehetra nanambara izany taminy ka nilazany hoe:

23 «Izany no nasain’i Iaveh atao, andro fitsaharana rahampitso, andro sabata, voatokana ho an’i Iaveh; ka endaso amin’ny lafaoro izay hendasinareo, andrahoy izay handrahoinareo, ary tahirizo ny sisa rehetra, avelao ho ampitso maraina».

24 Dia navelan’izy ireo notahiriziny ho tra-maraina izay sisa, araka ny tenin’i Môizy, nefa tsy maimbo na niloaka olitra.

25 Ary hoy i Môizy: «Hano anio izay, fa andro sabata fankalazana an’i Iaveh, ka anio ianareo tsy hahita eny an-tsaha.

26 Amin’ny andro enina no hakanareo izany, fa amin’ny andro fahafito izay sabata dia tsy hisy».

27 Tamin’ny andro fahafito nivoaka haka ihany ny sasany tamin’ny vahoaka saingy tsy nahita.

28 Ka hoy i Iaveh tamin’i Môizy: «Mandra-pahoviana no handavanareo tsy hitandrina ny didiko sy ny lalàko?

29 Jereo ange: noho i Iaveh nanome anareo ny sabata, dia omeny mofo ampy indroa andro ianareo, amin’ny andro fahenina. Koa samia mitoetra eo amin’ny fitoerany ianareo, fa aza misy mivoaka hiala amin’ny toerana misy azy amin’ny andro fahafito.»

30 Ka dia nitsahatra ny olona tamin’ny andro fahafito.

31 Mana no nataon’ny taranak’i Israely anaran’io zava-pihinana io; tahaka ny voan-koriandra izy, ary fotsy, ary toy ny mofo misy tantely ny tsirony.

32 Hoy i Môizy: «Izao no didin’i Iaveh: Fenoy izany ny gômôra iray, ka tahirizo ho an’ny taranakareo, mba hahitany ny mofo namelomako anareo tatỳ an’efitra raha namoaka anareo avy any amin’ny tany Ejipta Aho.»

33 Ary hoy i Môizy tamin’i Aarôna: «Makà kapoaka iray, asio mana iray gômôra, ka apetraho eo anatrehan’i Iaveh hotehirizina ho an’ny taranakareo.»

34 Dia napetrak’i Aarôna teo anatrehan’ny Vavolombelona izany, mba hotahirizina, araka ny nandidian’i Iaveh an’i Môizy.

35 Efapolo taona no nihinanan’ny zanak’i Israely ny mana,dia mandra-pahatongany amin’ny tany misy mponina; nihinana mana ihany izy ireo, mandra-pahatongany tamin’ny sisin-tanin’i Kanaana.

36 Ny gômôra dia ampahafolon’ny efah.

Categories
Eksaody

Eksaody 17

Rano avy amin’ny vatolampy

1 Niala tao an’efitra Sina ny fiangonan’ny zanak’i Israely rehetra, araka ny dia nandidian’i Iaveh azy, dia nitoby tao Rafidima, ka tsy nahita rano hosotroina tao ny vahoaka.

2 Ka nila akisa tamin’i Môizy ny vahoaka, nanao hoe: «Omeo rano izahay, hosotroinay.» Fa ho i Môizy namaly azy hoe: «Nahoana no dia mila akisa amiko ianareo? Nahoana no dia maka fanahy an’i Iaveh ianareo?»

3 Teo ihany anefa ny vahoaka main’ny hetaheta, ka nimonomonona tamin’i Môizy nanao hoe: «Ahoana no nampiakaranao anay hiala tany Ejipta, hahafatin’ny hetaheta anay sy ny zanakay mbamin’ny bibinay?»

4 Dia nitaraina tamin’i Iaveh i Môizy nanao hoe: «Inona no ataoko ho an’ity vahoaka ity, fa kely foana sisa tsy hitorahany vato ahy?»

5 Ary hoy i Iaveh tamin’i Môizy: «Mialohava ny vahoaka ka ento miaraka aminao ny loholon’i Israely, ataovy an-tananao koa ny tehinao nikapohanao ny ony, dia mandehana.

6 Fa indro aho hitsangana eo anoloanao ao amin’ilay vatolampy izay any Horeba; hikapoka ny vatolampy ianao, dia hivoaka rano ary hisotro ny vahoaka». Nataon’i Môizy teo anatrehan’ny loholon’i Israely izany,

7 ary nomeny anarana hoe: Masah sy Meribah io fitoerana io, fa nila akisa ny zanak’i Israely, sy naka fanahy an’i Iaveh nanao hoe: «Eto afovoantsika va i Iaveh sa tsia?»

Ady tamin’ny Amalesita.

8 I Amaleka nandroso hanafika an’i Israely tao Rafidima, ka hoy i Môizy tamin’i Jôsoe:

9 «Mifantena lehilahy ianao dia handeha hiady amin’i Amaleka; izaho kosa rahampitso hijoro eo an-tampon’ny havoana, mitana ny tehin’Andriamanitra ao an-tanako.»

10 Dia nataon’i Jôsoe izay nandidian’i Môizy azy, dia niady tamin’i Amaleka izy; fa i Môizy sy i Aarôna ary i Hora kosa niakatra tany an-tampon’ny havoana.

11 Raha nasandratr’i Môizy ny tanany dia i Israely no nahery; fa raha nitambotsotra kosa ny tanany, i Amaleka no nahomby.

12 Nony efa vizana ny tanan’i Môizy, naka vato izy ireo, nataony teo ambaniny, dia nipetrahany, ary i Aarôna sy i Hora kosa nanohana ny tanany avy eo ankilany avy, ka tsy niketraka ny tanany mandra-pilentiky ny masoandro.

13 Dia resin’i Jôsoe tamin’ny lelan-tsabatra i Amaleka sy ny olony.

14 Ka hoy i Iaveh tamin’i Môizy: «Soraty izany ho fahatsiarovana amin’ny boky;ary ambarao amin’i Jôsoe fa hofoanako eo ambanin’ny lanitra ny fahatsiarovana an’i Amaleka».

15 Dia nanorina ôtely i Môizy, ka nomeny anarana hoe: Iaveh-Nesi.

16 Ka hoy izy: «Efa nanangan-tanan-kamely ny seza fiandrianan’i Iaveh izy ireo, koa i Iaveh kosa hiady amin’i Amaleka amin’ny taona mifandimby hatrany».

Categories
Eksaody

Eksaody 18

Ny nihaonan’i Môizy sy i Jetrô.

1 Ren’i Jetrô, mpisorona ao Madiàna, rafozan’i Môizy, ny soa rehetra nataon’Andriamanitra tamin’i Môizy sy i Israely vahoakany, ny namoahan’i Iaveh an’i Israely tany Ejipta.

2 Nentin’i Jetrô rafozan’i Môizy, i Sefôrà, vadin’i Môizy, izay efa nampodiany,

3 mbamin’ny zanak’i Sefôrà roa lahy; ny iray natao hoe: Gersama, fa hoy i Môizy: «Vahiny atỳ an-tany hafa aho»,

4 ary ny iray natao hoe: Eliezera, fa hoy izy: «Novonjen’ny Andriamanitry ny raiko aho, fa nafahany tamin’ny sabatr’i Faraôna.»

5 I Jetrô rafozan’i Môizy niaraka tamin’ny zanak’i Môizy sy ny vadiny, dia tonga nanatona azy tany an’efitra nitobiany, tany an-tendrombohitr’Andriamanitra;

6 ka nampilaza tamin’i Môizy hoe: «Tonga atỳ aminao aho, izaho Jetrô rafozanao mbamin’ny vadinao sy ny zanany roalahy miaraka aminy.»

7 Dia nivoaka hitsena ny rafozany i Môizy; ka niankohoka sy nanoroka azy; ary rehefa nifanontany ny toe-pahasalamany avy izy aloha, dia niditra tao an-dain’i Môizy.

8 Notantarain’i Môizy tamin’ny rafozany avokoa ny nataon’i Iaveh tamin’i Faraôna sy ny Ejiptianina, noho ny amin’i Israely; ny fahoriana rehetra nanjò azy teny an-dalana, ary ny namonjen’i Iaveh azy.

9 Ka faly i Jetrô noho ny soa rehetra nataon’i Iaveh tamin’i Israely sy ny nanafahany azy tamin’ny tanan’ny Ejiptianina.

10 Ary hoy i Jetrô: «Hisaorana anie i Iaveh izay nanafaka anareo tamin’ny tanan’ny Ejiptianina.

11 Fantatro ankehitriny fa lehibe noho ny andriamanitra rehetra i Iaveh, fa nampiharihary ny halehibeny Izy, raha nampahory an’i Israely ny Ejiptianina.»

12 Dia nanolotra sorona dorana sy fanatitra tamin’Andriamanitra i Jetrô, rafozan’i Môizy. Ary i Aarôna mbamin’ny loholon’i Israely rehetra dia tonga niara-nisakafo tamin’ny rafozan’i Môizy avokoa teo anatrehan’Andriamanitra.

Fananganana an’ireo mpitsara

13 Nony ampitso nipetraka hitsara ny vahoaka i Môizy, ka nitsangana teo anatrehany, hatramin’ny maraina ka hatramin’ny hariva, ny vahoaka.

14 Nony nahita izay rehetra nataon’i Môizy tamin’ny vahoaka ity rafozany, dia nanao hoe: «Inona ity ataonao amin’ireo olona ireo? Nahoana no ianao irery no mipetraka hitsara, ary ny olona rehetra kosa mitsangana eo anatrehanao hatramin’ny maraina ka hatramin’ny hariva?»

15 Ary hoy i Môizy tamin’ny rafozany: «Ka inona moa fa manatona ahy ny olona hanontany hevitra amin’Andriamanitra.

16 Raha manana ady izy ireo, dia mankatỳ amiko, ka mitsara azy aho sy mampahalala ny didy aman-dalàn’Andriamanitra.»

17 Fa hoy ny rafozan’i Môizy taminy: «Tsy tsara izao ataonao izao.

18 Handreraka anao sy ny vahoaka izay eto aminao mihitsy izao, satria asa tsy eran’ny ainao izao, ka tsy vitanao samy irery.

19 Koa henoy ny teniko: fa indro homeko hevitra ianao ary Andriamanitra anie homba anao: Aoka ianao ho solontenan’ny vahoaka eo amin’Andriamanitra, hanatitra ny adiny eo anatrehan’Andriamanitra.

20 Ampahafantaro azy ireo ny fitsipika aman-dalàna, atoroy azy ny lalana tsy maintsy ombany, sy izay tsy maintsy ataony.

21 Ary ankehitriny dia ifidiano lehilahy mahay sy matahotra an’Andriamanitra, ao amin’ny vahoaka rehetra, lehilahy marina sy tsy tia kolikoly, ka ireny no atsangano ho tomponarivo sy tompon-jato, ary mpifehy dimampolo ama-mpifehy folo, hitondra azy ireo.

22 Izy no hitsara ny vahoaka mandrakariva: ny raharaha lehibe hoentiny eo anatrehanao; ny raharaha madinika kosa hotapahin’izy ireo ihany. Hamaivano ny raharaha entinao, ary aoka izy ireo hiara-mitondra aminao.

23 Raha manao izany ianao ka hatoron’Andriamanitra anao koa izay didiny, dia hahazaka izany ianao ary ny vahoaka koa ho tonga soa aman-tsara amin’izay halehany.»

24 Neken’i Môizy ny tenin-drafozany ary nataony avokoa izay nolazainy;

25 fa nifidy izay lehilahy mahay tamin’i Israely rehetra izy, ka notendreny teo amin’ny vahoaka ireo ho tomponarivo sy tompon-jato, ary mpifehy dimampolo ama-mpifehy folo.

26 Dia ireo no nitsara ny vahoaka mandrakariva; ny raharaha lehibe nentiny teo anatrehan’i Môizy; ny raharaha madinika notapahin’izy ireo ihany.

27 Nanao veloma ny rafozany i Môizy, dia lasa nody any amin’ny taniny i Jetrô.

Categories
Eksaody

Eksaody 19

Ny nahatongavana tao Sinaia.

1 Tamin’ny volana fahatelo aorian’ny nivoahany tany Ejipta, tamin’izany andro izany, no nahatongavan’ny zanak’i Israely tany an’efitr’i Sinaia.

2 Efa niala tany Refidima izy; ary nony tonga tamin’ny efitr’i Sinaia, dia nitoby tao an’efitra; tandrifin’ny tendrombohitra no nitobian’i Israely.

Fampanantenana ny fanekem-pihavanana.

3 Niakatra ho ao amin’Andriamanitra i Môizy, dia nantsoin’i Iaveh tao antampon-tendrombohitra izy, ka nilazany hoe: «Izao no holazainao amin’ny taranak’i Jakôba sy hambaranao amin’ny zanak’i Israely:

4 Hitanareo ny nataoko tamin’i Ejipta, sy ny nitondrako anareo tamin’ny ela-boromahery, ary ny nitarihako anareo ho atỳ amiko.

5 Koa ankehitriny, raha mihaino ny feoko ianareo, sy mitandrina ny fanekeko dia ho vahoakako manokana eo amin’ny firenena rehetra, satria Ahy ihany ny tany rehetra,

6 fa ianareo no fanjakà-mpisoronasy firenena masina ho Ahy. Izany no teny holazainao amin’ny zanak’i Israely.»

7 Tonga i Môizy dia niantso ny loholon’ny vahoaka; noborahiny teo anatrehan’izy ireo avokoa ireo teny ireo, araka ny nandidian’Iaveh azy.

8 Ka indray namaly ny vahoaka nanao hoe: «Hataonay avokoa izay rehetra voalazan’i Iaveh.» Dia lasa i Môizy nitondra ny tenin’ny vahoaka tany amin’i Iaveh.

Fanomanana ny Fanekem-pihavanana

9 Ka hoy i Iaveh tamin’i Môizy: «Indro fa hankeo aminao ao anatin’ny rahona matevina Aho, mba ho ren’ny olona rehefa miteny aminao Aho, dia hinoany anao mandrakariva koa.» Ary nolazain’i Môizy tamin’i Iaveh ny tenin’ny vahoaka.

10 Ary hoy i Iaveh tamin’i Môizy: «Mandehana mankany amin’ny vahoaka, ka hamasino izy anio sy ampitso, ary asaovy sasàny ny fitafiany.

11 Aoka ho voaomana amin’ny andro fahatelo izy, fa hidina eo an-tampon’ny tendrombohitra Sinaia, eo imason’ny vahoaka rehetra i Iaveh, amin’ny andro fahatelo.

12 Asio faritra manodidina ka lazao hoe: Tandremo mba tsy hiakatra ny tendrombohitra ianareo, na hikasika ny sisiny akory, fa hatao maty izay mikasika ny tendrombohitra, na iza na iza.

13 Tsy hokasihin-tanana io, fa hotoraham-bato na hotrobarana ny zana-tsipîka: na biby na olona izy tsy azo velomina. Rehefa maneno ny trômpetra dia hiakatra ho eo an-tendrombohitra izy ireo.»

14 Dia nidina avy any an-tendrombohitra i Môizy nankeo amin’ny vahoaka ka nanamasina azy, ary nanasa ny fitafiany izy ireo.

15 Nony vita izany dia hoy izy tamin’ny vahoaka: «Aoka ho voaomana ao anatin’ny hateloana ianareo; aza mikasi-behivavy».

Fisehoan’Andriamanitra.

16 Nony marainan’ny andro fahatelo, dia nisy kotroka aman-tsela-baratra ary rahona matevina tao an-tendrombohitra, ary nisy feon’ny anjomara mafy nitatatata, ka tera-kovitra ny vahoaka rehetra teo an-toby.

17 Nentin’i Môizy nivoaka ny toby ny vahoaka, handeha hihaona amin’Andriamanitra; dia teo ampototry ny tendrombohitra izy ireo no nijanona.

18 Nivoa-tsetroka ny tendrombohitra Sinaia manontolo, satria tanaty afo no nidinan’i Iaveh nankeo amboniny, ka nipololotra toy ny avy amin’ny lafaoro lehibe ny setroka, ary nihovotrovotra iray ihany ny tendrombohitra manontolo.

19 Nihamafy nihamafy ihany ny feon’anjomara. Ary niteny i Môizy, ka namaly feo azy Andriamanitra.

20 Nidina i Iaveh nankeo an-tendrombohitra Sinaia, dia teo an-tampon’ny tendrombohitra izany; ary i Iaveh niantso an’i Môizy ho eo an-tampon’ny tendrombohitra, dia niakatra i Môizy.

21 Ary hoy i Iaveh tamin’i Môizy: «Midìna ka rarao mafy ny vahoaka tsy hihoatra ny faritra mankatỳ amin’i Iaveh mba hijery, fandrao hahafatesana maro izy.

22 Na ny mpisorona manatona an’i Iaveh aza, aoka hanamasin-tena fandrao vonoin’i Iaveh».

23 Dia hoy i Môizy tamin’i Iaveh: «Tsy hahazo miakatra ny tendrombohitra Sinaia ny vahoaka, satria efa voararanao mafy izahay nilazanao hoe: Asio faritra manodidina ny tendrombohitra ka hamasino izy».

24 Ary hoy i Iaveh taminy: «Mandehana midina aloha, izay vao hiakatra indray miaraka amin’i Aarôna: fa ny mpisorona sy ny vahoaka, aoka tsy hihoatra ny faritra hankatỳ amin’i Iaveh fandrao vonoiny».

25 Dia nidina nankeo amin’ny vahoaka i Môizy, nilaza izany.

Categories
Eksaody

Eksaody 20

Ny didy folo

1 Ary Andriamanitra nanonona ireto teny rehetra ireto nanao hoe:

2 «Izaho no Iaveh Andriamanitrao, izay namoaka anao tany amin’ny tany Ejipta, tany amin’ny trano fanandevozana.

3 Tsy hanana andriamani-kafa eo anatrehako ianao.

4 Tsy hanao sarin-javatra voasokitra ho anao ianao na sary fampisehoana ny zavatra eny amin’ny lanitra ambony, na ny eny amin’ny tany ambany, na ny any amin’ny rano ambanin’ny tany.

5 Tsy hiankohoka eo anatrehan’ireny na hanompo azy akory ianao, fa Izaho Iaveh Andriamanitrao dia Andriamanitra saro-piaro, ka amin’izay mankahala Ahy, mamaly ny heloky ny ray amin’ny zanaka hatramin’ny taranaka fahatelo sy fahefatra,

6 ary amin’izay tia Ahy sy mitandrina ny didiko kosa, mamindra fo hatramin’ny taranaka faharivo.»

7 «Tsy hanonom-poana ny Anaran’i Iaveh Andriamanitrao ianao, fa tsy avelan’i Iaveh tsy ho voasazy izay manonom-poana ny Anarany.»

8 «Tsarovy ny andro Sabata mba hanamasina azy.

9 Ny andro enina no hiasanao sy hanaovanao ny taozavatrao.

10 Fa ny andro fahafito dia Sabata voatokana ho an’i Iaveh Andriamanitrao; tsy hanao asa na inona na inona, na ny tenanao, na ny zanakao lahy na ny zanakao vavy, na ny ankizy lahinao, na ny ankizy vavinao, na ny biby fiompinao, na ny vahiny izay tafiditra ny vavahadinao.

11 Satria ny andro enina no nanaovan’i Iaveh ny lanitra, ny tany, ny ranomasina, mbamin’izay rehetra ao aminy, fa ny andro fahafito nitsaharany, ka izany no nanasoavan’i Iaveh ny andro sabata sy nanamasinana azy.»

12 «Manajà ny ray aman-dreninao mba ho lava andro ianao any amin’ny tany omen’i Iaveh Andriamanitrao anao.»

13 «Tsy hamono olona ianao.»

14 «Tsy hijangajanga ianao.»

15 «Tsy hangalatra ianao.»

16 «Tsy hitsangan-ko vavolombelona mandainga hamely ny namanao ianao.»

17 «Tsy hitsiriritra ny tranon’ny namanao ianao, tsy hitsiriritra ny vadin’ny namanao na ny ankizy lahiny na ny ankizy vaviny, na ny ombiny na ny ampondrany, na inona na inona amin’ny zavatry ny namanao.»

18 Ren’ny olona rehetra ny kotroka sy ny feon’ny trômpetra, hitany ny lelafo sy ny tendrombohitra nivoa-tsetroka, ka nangovitra sy nijanona teny lavitra teny izy ireo nony nahita izany.

19 Ary hoy izy tamin’i Môizy: «Ianao ihany no aoka hiteny aminay dia hohenoinay; fa aoka tsy ho Andriamanitra no hiteny aminay, fandrao dia maty izahay».

20 Fa hoy i Môizy tamin’ny vahoaka: «Aza matahotra ianareo fa ny hizaha toetra anareo no nahatongavan’Andriamanitra, ka ho eo aminareo ny fahatahorana Azy, mba tsy hanotanareo».

21 Dia nijanona teny lavitra teny ihany ny vahoaka, fa i Môizy no nanatona ny rahona izay nisy an’Andriamanitra.

Lalàna momba ny ôtely

22 Ary hoy i Iaveh tamin’i Môizy: «Hilaza amin’ny zanak’i Israely ianao hanao hoe: Efa nahita ianareo izay, fa niteny taminareo Aho tany an-danitra.

23 Koa aza manao andriamanitra volafotsy na andriamanitra volamena eo an-daniko ianareo.

24 Manorena ôtely tany ho ahy, ka eo amboniny no hanoloranao ny sorona doranao, ny sorom-pihavananao, ny ondrinao sy ny ombinao. Hanatona anao sy hitahy anao Aho amin’ny toerana rehetra hanaovako izay hahatsiarovana ny Anarako.

25 Raha manorina ôtely vato ho Ahy ianao, aza vato voapaika no arafitra, fa raha manainga ny fandrakao amin’ny vato ianao dia hahatonga azy ho tsy azo atao amin’ny fanompoana an’Andriamanitra.

26 Aza asiana ambaratonga hiakarana ny ôteliko, mba tsy hiseho eo ny fitanjahanao.»