Categories
Ohabolana

Ohabolana 16

Anatra samihafa

1 Ny mamorona fikasana ao am-po no an’ny olona;

fa ny famalian’ny lela dia avy amin’i Iaveh.

2 Madio eo imason’ny olona ny lalany rehetra;

fa i Iaveh ihany no mandanja ny fanahy.

3 Mangataha fanampiana amin’i Iaveh amin’ny asanao;

dia ho vanona ny fikasanao.

4 Nataon’i Iaveh ho amin’ny antony kendreny avokoa ny zavatra rehetra;

ary na ny ratsy fanahy aza ho amin’ny andro mahory koa.

5 Fahavetavetana amin’i Iaveh ny miavona am-po rehetra;

azo itompoana tokoa fa tsy ho afa-maina izy.

6 Ny hatsaram-po amam-pahamarinana no anonerana ny heloka;

ary ny fahatahorana an’i Iaveh no analavirana ny ratsy.

7 Raha sitrak’i Iaveh ny lalan’ny olona,

na ny fahavalony aza hampihavaniny aminy.

8 Aleo kely ombam-pahamarinana

toy izay harem-be omban’ny tsy fahamarinana.

9 Ny fon’ny olona no misaina izay halehany,

fa i Iaveh ihany no mitondra ny diany.

10 Teny tò no eo amin’ny molotry ny mpanjaka;

aoka tsy hanota ny vavany raha mitsara izy.

11 Avy amin’i Iaveh ny mizànaaman-delany mahiratra,

asany avokoa ny vato-mizàna amin’ny kitapo.

12 Fahavetavetana amin’ny mpanjaka ny manao ratsy;

fa ny rariny no iorenan’ny seza fiandrianana mafy.

13 Mahita sitraka amin’ny mpanjaka, ny molotra marina;

ary tiany izay miteny amim-pahatsoram-po.

14 Iraky ny fahafatesana ny fahatezeran’ny mpanjaka;

ny olon-kendry anefa dia mahatony izany.

15 Mampiaina ny fahamiramirànan-tarehin’ny mpanjaka;

ary toy ny oran-dohataona ny fanambinany.

16 Tsara noho ny volamena ny mahazo ny fahendrena;

mihoatra noho ny volafotsy ny mahazo ny fahalalana.

17 Ny manalavitra ny ratsy no lalam-ben’ny marina;

ny mitandrina ny alehany no miaro ny ainy.

18 Ny fireharehana dia mialoha ny faharavana,

ary ny fiavonavonana dia mialoha ny fahalavoana.

19 Aleo miara-mietry tena amin’ny madinika,

toy izay mira-mizara babo amin’ny mpiavonavona.

20 Mahita fahasambarana izay mihaino tsara ny teny;

ary sambatra izay mitoky amin’i Iaveh.

21 Izay hendry am-po dia antsoina hoe manan-tsaina;

ary ny hamamian’ny molotra mampitombo ny fahalalana.

22 Loharanon’aina ho an’izay manana azy ny fahalalana;

ary ny sazy ho an’ny adala dia ny fahadalany.

23 Manolo-pahendrena ny vavany, ny fon’ny hendry,

sady mampitombo ny fahalalana eo amin’ny molony.

24 Ny teny soa dia toho-tantely:

mamin’ny fanahy sy mahasalama ny vatana.

25 Misy lalana miseho ho mahitsy amin’ny olona;

kanjo lalana mankamin’ny fahafatesana no iafarany.

26 Miasa no an’ny tenany ny mpiasa,

fa asesiky ny vavanyhanao izy.

27 Loza no vononin’ny ratsy fanahy;

ary toa afo miredareda no eo amin’ny molony!

28 Ny olon-dratsy mamelona adiady,

ary ny mpitati-bolana mampisaraka ny mpisakaiza.

29 Ny olona mpanao an-keriny manodòka ny namany,

ka mitarika azy amin’ny lalana tsy tsara.

30 Izay mikimpy maso hieritreri-pitaka,

sy izay efa manaikitraiki-molotra, dia manao ratsy.

31 Satroboninahitra ny volo fotsy;

ary eo amin’ny lalan’ny fahamarinana no ahitana azy.

32 Tsara noho ny mahery ny mahatsindry fo;

ary noho ny mahafa-bohitra ny mahazaka ny fanahiny.

33 Ny olona manipy ny filokanaamin’ny soron’akanjo,

fa avy amin’i Iavehihany izay fanapahana rehetra.

Categories
Ohabolana

Ohabolana 17

Torohevitra soa

1 Aleo sombi-mofo maina ombam-piadanana,

toy izay trano feno hena misy fifandirana.

2 Mihoatra noho ny zanaka mahamenatra ny mpanompo malina;

ka hizara lova amin’izy mirahalahy izy.

3 Ny mizaha toetra ny volafotsy dia ny memy, ary ny an’ny volamena dia ny fandrendrehana;

fa ny mizaha toetra ny fo kosa dia ny Tompo.

4 Ny ratsy fanahy mihaino izay molotra ratsy;

ary ny mpandainga no mampandry sofina amin’izay lela ratsy.

5 Izay maneso ny mahantra, manala baraka izay nanao azy;

ary izay mifaly amin’ny fahorian’ny sasany tsy ho afa-maina tsy akory.

6 satroboninahitry ny antitra, ny zanaky ny zanaka,

ary voninahitry ny zanany ny rainy.

7 Tsy tandrifin’ny adala ny hanao teny mendrika indrindra,

vao mainka tsy tandrifin’ny andriana ny teny mandainga!

8 Vato soa ho an’izay manana azy ny fanatitra,

ka amin’izay itodihany ahombiazany avokoa.

9 Izay manarona ny hadisoanano mitady fihavanana;

fa izay mampahatsiaro azy amin’ny teniny mampisaraka ny mpisakaiza.

10 Ny fananarana indray maka manan-kery amin’ny manan-tsaina,

noho ny kapoka zato amin’ny olona adala.

11 Tsy mitady afa-tsy fikomiana ny ratsy fanahy,

fa handefasana iraka masiaka hamely azy kosa izy.

12 Aleo mifanena amin’ny orsa vavy very anaka,

toy izay amin’ny adala raha mihetsi-pahadalana izy.

13 Izay mamaly ratsy ny soa,

dia tsy hialan-doza mandrakizay ny tranony.

14 Ny manomboka ady, dia toy ny manata-drano,

ka mihataha ianao, dieny mbola tsy velona ny fanditra.

15 Na izay manamarina ny meloka na izay manameloka ny marina,

dia samy fahavetavetana eo imason’i Iaveh.

16 Hatao inona ny vola eo an-tanan’ny adala?

Hamidy ny fahendrena va? – Tsy azony an-tsaina izany.

17 Ny sakaiza dia ny tia amin’ny fotoana rehetra;

amin’ny fahoriana, mitsangan-ko rahalahy izy.

18 Ny olona tsy misy saina mamehy tena amin’ny fanekena,

manolo-tena ho antoka hisolo ny namany.

19 Izay tia ady tia ota,

ary izay avo vava tia fionganana.

20 Izay manana fo mamitaka tsy mahita ny fahasambarana,

ary izay manana vava ratsy mivarina aman-doza.

21 Izay miteraka adala, hahazo alahelo;

ny rain’ny adala tsy mba ho faly.

22 Ny fo ravoravo, fanafody mandaitra tokoa;

fa ny fanahy kivy mahamaina ny taolana.

23 Mandray kolikoly avy any anaty valombalonan-damba ny ratsy fanahy;

ho enti-mamadika ny lalan’ny fahamarinana.

24 Ny olona manan-tsaina dia manana ny fahendrena eo anoloany;

fa ny mason’ny adala dia any am-paran’ny tany.

25 Ny zanaka adala mampalahelo ny rainy,

sady fahoriana ho an-dreniny.

26 Tsy mety ny mamely ny marina amin’ny sazy,

na manameloka ny manan-kaja noho ny fahitsiam-pony.

27 Izay mahatam-bava no manana ny fahaizana,

ary izay mihaminkamin-tsaina dia olona manan-tsaina.

28 Na ny adala aza, atao ho hendry raha mangina,

ary atao ho manan-tsaina, raha mikombom-bava.

Categories
Ohabolana

Ohabolana 18

Fiteny sy fisainana

1 Izay miolonolona irery mitady ny mahafa-po ny filàny ihany,

ka mahatezitra azy avokoa izay hevitra mety rehetra.

2 Tsy mba ny hahazo fahalalana no sitraky ny adala

fa ny haneho ny heviny ihany.

3 Raha tonga ny ratsy fanahy, tonga koa ny fanalam-baraka,

ary miaraka amin’ny henatra, tonga koa ny fanalam-baraka.

4 Rano lalina ny teny aloaky ny vavan’ny olona;

rano tondraka ny loharanon’ny fahendrena.

5 Tsy mety raha ny ratsy fanahy indray no asian-draharaha,

mba handresy ny marina amin’ny fitsarana.

6 Miditra amin’ny fifandirana ny molotry ny adala;

ary mihantsy fanalam-baraka, ny vavany.

7 Fanimbana ho azy ny vavan’ny adala;

ary fandrika amin’ny fanahiny ny molony.

8 Hanim-py ny tenin’ny mpitati-bolana,

ka mikorotsaka hatrany anatin’ny kibo.

9 Izay ketraka amin’ny asany,

dia rahalahin’izay efa mandroso ho amin’ny fahaverezana.

10 Ny Anaran’i Iaveh dia trano avo mafy;

ialofan’ny marina, sy itoerany tsy aman’ahiahy.

11 Ny haren’ny mpanana no vohiny mafy,

araka ny heviny dia manda avo izany.

12 Misandratra ny fon’ny olona alohan’ny faharavàny,

fa ny fanetren-tena kosa, mialoha ny voninahitra.

13 Izay mamaly teny mbola tsy nihaino,

dia hadalana sy henatra ho azy izany.

14 Ny sain’ny olona no manohana azy raha marary;

fa raha ny sainy no kivy, iza indray no hanarina azy?

15 Ny fo manan-tsaina, mahazo ny fahaizana,

ary ny sofin’ny hendry mitady ny fahaizana.

16 Ny fanatitraomen’ny olona no mahalalaka ny lalany,

sy mampiditra azy eo amin’ny lehibe.

17 Izay mandahatra aloha toa marina;

fa tamy ny an-daniny, dia dinihina ny ady.

18 Ny filokana mampitsahatra ny fifandirana,

sy mampisaraka ny samy mahery.

19 Manoatra ny tanàna mimanda, ny rahalahy miady amin’ny rahalahiny;

ary tahaka ny hidin’ny lapa ny fifandiran’izy ireo.

20 Ny vokatry ny vavan’ny olona no iveloman’ny vatany,

ary ny vokatry ny molony no ivokisany.

21 Manam-pahefana hahafaty sy hamelona ny lela;

ka araka izay fidiny dia hohanin’ny olona ny voany.

22 Izay mahita vehivavy mahita ny fahasambarana,

tombon-tsoa azony tamin’i Iaveh izany.

23 Fitarainana no fitenin’ny mahantra,

ka teny henjana no avalin’ny mpanana.

24 Ny olona maro sakaiza, hahazo loza amin’ireny;

fa mba misy izay sakaiza mifikitra noho ny rahalahy.

Categories
Ohabolana

Ohabolana 19

Ny manam-panahy sy ny ratsy

1 Aleo olo-mahantra mandeha tsy misy tsiny,

toy izay olona miavonavom-bava, sady adala.

2 Tsy tsara ny tsy fahalalan’ny fanahy,

ary lavo ny olona faingam-pandeha.

3 Ny hadalan’ny olona no mahasimba ny lalany;

ka i Iaveh no itezeran’ny fony.

4 Ny harena mahamaro sakaiza,

fa ny mahantra dia tafasaraka amin’ny sakaizany.

5 Ny vavolombelona mandainga, tsy ho afa-maina,

ary izay milaza lainga koa, tsy ho afa-mandositra.

6 Ny olona mahafoy be, maro mpandoka;

ary izay mahatolotolotra, sakaizan’ny rehetra.

7 Ny rahalahin’ny mahantra mankahala azy avokoa,

koa mainka ny sakaizany, no mihataka aminy koa!

Mba mitady teny soa izy, fa tsy mahita izany akory.

8 Izay mahazo fahalalana no tia ny fanahiny,

ary izay manaraka ny fahamalinana hahazo ny fahasambarana.

9 Ny vavolombelona tsy marina, tsy ho afa-maina;

ary izay milaza lainga, ho very.

10 Ny adala tsy tandrifin’ny hiaina ao anatin’ny fahafinaretana;

ka mainka izay mpanompo ve no hanapaka ny andriandahy?

11 Ny fahendren’ny olona mahatonga azy hahalefitra,

ary ataony voninahitra ho azy ny manadino ny ratsy natao taminy.

12 Tahaka ny fieron’ny liona ny hatezeran’ny mpanjaka;

ary tahaka ny ando amin’ny ahitra ny fanambinany.

13 Ny zanaka adala mampidi-doza an-drainy;

ary ny ady ataon’ny vehivavy, toy ny tafon-trano mitetetsy an-kijanona.

14 Trano sy herana no lova amin’ny ray;

fa ny vady manan-tsaina, famonjena avy amin’i Iaveh.

15 Ny hakamoana mampatoritory foana;

ary ny fanahy malaina ho tratry ny mosary.

16 Izay mitandrina ny lalàna miaro ny fanahiny;

izay tsy mitandrina ny lalany, ho faty.

17 Izay miantra ny mahantra, mampisambotra an’i Iaveh,

ka Izy no hamaly ny soa nataony.

18 faizo ny zanakao fa mbola misy antenaina ihany;

nefa aza dia lasa loatra ka mahafaty azy.

19 Ny olona misafoaka mafy, hilonjo ny sazin’izany;

raha voavonjinao indray mandeha izy, dia tsy maintsy hovonjenao indray.

20 Henoy ny fanoroana, ary raiso ny fampianarana;

mba ho hendry ianao amin’ny andro sisa hiainanao.

21 maro ny fikasana mihetsiketsika ao am-pon’ny olona,

fa ny hevitr’i Iaveh ihany no tanteraka.

22 Ny hatsaram-pon’ny olona no manambara azy ho mahafatra-po,

ary aleo ny mahantra toy izay ny mpandainga.

23 Ny fahatahorana an’i Iaveh no mitarika ho amin’ny fiainana,

ka dia voky tsara, tsy vangiam-pahoriana.

24 Ny kamo mangaron-dovia amin’ny tanany;

fa tsy mampakatra ny tanany ao am-bavany indray.

25 Kapohy ny mpamazivazy, dia hihahendry ny kely saina;

anaro ny olona manan-tsaina dia hahazo ny fahaizana izy.

26 Izay ratsy fitondra ray, sady sahy mandroaka reny,

dia zanaka mitototra henatra amam-pahafaham-baraka.

27 Anaka, raha mitsahatra tsy mihaino fampianarana ianao,

dia hanalavitra ny tenin’ny fahaizana.

28 Ny vavolombelona ratsy, manamavo ny rariny,

ary ny vavan’ny ratsy fanahy mitelina faharatsiana.

29 Vonona ho an’ny mpamazivazy ny fitsarana,

ary ho an’ny lamosin’ny adala ny kapoka.

Categories
Ohabolana

Ohabolana 20

Tandremo ny atao

1 Mpamazivazy ny divay, mpitabataba ny toaka,

ka izay miarana amin’izany tsy mba hendry.

2 Sahala amin’ny fieron’ny liona ny fampitahorana avy amin’ny mpanjaka;

ka manota amin’ny tenany izay mampahatezitra azy.

3 Voninahitra ho an’ny olona ny mifady fifandirana;

fa ny adala rehetra milomano amin’ny hatezerana.

4 Tsy mety miasa ny kamo fa hoe ratsy ny andro;

ka amin’ny andro fijinjana,

hitady izy fa tsy hisy na inona na inona.

5 Rano lalina ny fisainana ao am-pon’ny olona;

fa ny olona manan-tsaina dia hanovo azy ao.

6 Maro ny olona midera ny hatsaram-pony avy;

fa izay olona mahatoky kosa, dia iza no hahita azy?

7 Handeha amin’ny fahamarinany ny olona marina;

sambatra izay zanany mandimby azy!

8 Ny mpanjaka mipetraka eo amin’ny seza fitsarana

dia manafoana ny ratsy rehetra amin’ny fijeriny.

9 Iza no hilaza hoe: «Efa nandio ny foko aho,

ka afaka madiodio tamin’ny fahotako?»

10 Ny vato-mizàna samy hafa sy ny efah samihafa,

dia samy zavatra hankahalain’i Iaveh.

11 Ny zaza dia efa maneho amin’ny fanaony sahady,

na ho madio sy mahitsy ny asany, na hanao ahoana.

12 Ny sofina mandre sy ny maso mahita,

dia samy nataon’i Iaveh avokoa.

13 Aza tia torimaso, fandrao tonga mahantra;

ahirato ny maso, dia ho voky hanina ianao.

14 Ratsy! Ratsy! hoy ny mpividy;

kanjo nony avy eo izy, falifaly erỳ!

15 Eo ihany ny volamena amam-boahangy betsaka;

fa fanaka sarobidy, ny molotra hendry.

16 Endaho ny lambany fa efa niantoka olon-kafa izy;

tereo izy hanome antoka noho ny amin’ny vahiny.

17 Mamin’ny olona ny hanina azo am-pitaka,

nefa amin’ny farany feno fasika ny vavany.

18 Ny filan-kevitra mampiorina ny hevitra kasaina;

ka fahiratan-tsaina no itariho ny ady.

19 Izay mamafy fifosana manambara zavatra miafina;

ka ialao tsara rehefa olona miteniteny lava.

20 Raha misy manozona ny ray aman-dreniny,

dia ho faty jiro anatin’ny haizim-pito.

21 Ny lovamalaky azo tam-boalohany,

dia tsy arahin-tso-drano any am-parany.

22 Aza manao hoe: «Hamaly ratsy ny nataony aho»,

fa manantenà an’i Iaveh, dia hamonjy anao Izy.

23 Halan’i Iaveh ny vato mizàna samy hafa;

ary tsy mba tsara ny mizàna mandainga.

24 I Iaveh no mitarika ny dian’ny olona;

ary ataon’izay olombelona ahoana no fahalala ny lalany?

25 Fandrika ho an’ny olona ny manaonao foana hoe: Zavatra masina ity;

ka efa vita ny voady vao mieritreritra.

26 Ny mpanjaka hendry manafoana ny ratsy fanahy,

sy mandefa kodiaeo ambonin’ireny.

27 Jiron’i Iaveh, ny fanahin’ny olombelona maninteraka hatrany anatin’ny fo.

28 Ny fahatsaram-po amam-pahamarinana no miaro ny mpanjaka;

ary ny hatsaram-po no anamafisany ny seza fiandrianany.

29 Ny hery no haingon’ny zatovo,

ary ny volo fotsy no ravaky ny anti-panahy.

30 Ny kapoka mandrovirovitrany nofo, mahasitrana ny faharatsiana;

torak’izany koa, ny kapoka mihatra hatrany an-kibo.

Categories
Ohabolana

Ohabolana 21

Lalana samihafa

1 Rano mandeha eo an-tanan’i Iaveh ny fon’ny mpanjaka,

ka atongilany amin’izay rehetra tiany.

2 Mahitsy eo imason’ny olona ny lalany rehetra,

nefa i Iaveh ihany no mandanja ny fo.

3 Ny manaraka ny rariny sy ny hitsiny,

no tsara eo imason’i Iaveh mihoatra noho ny sorona.

4 Ny fijery miandranandrana sy fo miavonavona:

fanilon’ny ratsy fanahy, dia fahotana avokoa izany.

5 Ny fikasan’ny olo-mazoto ahazoan-karena be;

fa izay mikorapaka foana amin’ny ataony dia mosary ihany no azony.

6 Ny rakitra azon’ny lela mandainga,

dia rehareha mihelina ho an’olona mila faty.

7 Ny hatezeran’ny ratsy fanahy mampivaona azy;

satria efa tsy tiany ny hanaraka ny rariny.

8 Miolikolika ny lalan’ny olo-meloka,

fa ny tsy manan-tsiny kosa dia mahitsy amin’ny asany.

9 Aleo mitoetra eny an-joron-tafon-trano,

toy izay miara-monina amin’ny vehivavy tia ady.

10 Maniry ny ratsy ny fanahin’ny ratsy fanahy,

ka ny sakaizany avy no tsy mahita fitia aminy.

11 Raha faizina ny ratsy fanahy, mihahendry ny kely saina,

ary raha toroana ny hendry dia vao mainka mihahendry.

12 Dinihin’ny Marinany tranon’ny ratsy fanahy;

Andriamanitra mamarina ny ratsy fanahy amin’ny loza.

13 Izay manentsin-tadìny amin’ny fitarainan’ny mahantra,

dia mba hitaraina koa fa tsy hovaliana akory.

14 Ny fanomezana mangingina mampitony hatezerana;

ny fanatitra alaina anaty valombalonan-damba

mampitsahatra fahavinirana efa tafahoatra.

15 Hafaliana ho an’ny marina, ny manaraka ny rariny,

fa vadi-po kosa, no an’izay manao ratsy.

16 Ny olona miala amin’ny lalan’ny fahamalinana,

dia handry eny amin’ny fivorian’ny maty.

17 Ho tratry ny fahantrana izay tia fifaliana,

tsy mba mitombo harena izay tia divay aman-diloilo manitra.

18 Ny ratsy fanahy hisolo voina ny marina;

ary ny mpivadika hisolo voina ny olo-mahitsy fo.

19 Aleo mitoetra any an’efitra,

toy izay amin’ny vehivavy tia ady sy foizina.

20 Ny tranon’ny hendry misy rakitra sarobidysy diloilo;

fa ny adala kosa mikepoka ireny.

21 Izay fatra-panaraka ny fahamarinana amam-pamindram-po,

hahazo ny fiainana amam-pahamarinana ary ny voninahitra.

22 Mahanika ny vohitry ny mahery ny hendry;

sady mandrodana ny manda nataony fianteherana.

23 Izay miambina ny vavany aman-delany,

mpiaro ny fanahiny tsy ho azon’ahiahy.

24 Ny atao hoe mpamazivazy dia izay olona mianjonanjona, feno avona,

izay fatra-pirehaka amin’ny ataony.

25 Ny faniriana foan’ny kamo mahafaty azy,

satria mandà tsy hiasa ny tanany.

26 Maniry mafy izy tontolo andro,

fa manome tsy an-kijanona kosa, ny marina.

27 Ny soron’ny ratsy fanahy, dia fahavetavetana,

indrindra fa raha sain-dratsy no anaterany azy.

28 Ny vavolombelona mandainga, ho faty;

fa ny olona mihaino kosa manan-kalahatra mandrakariva.

29 Ny ratsy fanahy maneho hasahisahiana amin’ny endriny,

fa ny mahitsy fo kosa manitsy ny lalany.

30 Tsy misy fahendrena na fahamalinana,

na fisainana eo anatrehan’i Iaveh.

31 Ny olona manomana ny soavalyho amin’ny andro hiadiana,

fa i Iaveh ihany, no iankinan’ny fandresena.

Categories
Ohabolana

Ohabolana 22

Ny laza tsara

1 Aleo laza tsara, toy izay harem-be,

ary ny fanajana dia ambony vidy noho ny volafotsy amam-bolamena.

2 Mihaona ny mpanana sy ny mahantra,

samy asan’i Iaveh izy roa tonta.

3 Ny mahira-tsaina, mahatsinjo ny ratsy, dia miery;

fa ny kely saina kosa, mandroso ihany ka voa.

4 Ny vokatry ny fanetren-tena, dia ny fahatahorana an’i Iaveh;

harena amam-boninahitra ary fiainana izany.

5 Tsilo amam-pandrika no eny amin’ny lalan’ny ratsy fanahy,

fa izay miaro ny fanahiny kosa manalavitra izany.

6 Ampianaro ny zaza ny lalana tokony halehany,

dia tsy hiala amin’izany izy, na rehefa antitra aza.

7 Ny manan-karena manapaka ny mahantra;

ary ny misambotra, mpanompon’ny mpampisambotra.

8 Izay mamafy heloka, hijinja fahoriana,

ary ho foana ny tsora-kazon’ny fahatezerany.

9 Hambinina ny olona antra fijery,

fa anomezany ny mahantra ny mofony.

10 Roahy ny mpamazivazy, dia ho tapaka ny fifandirana,

hitsahatra ny ady amam-panalam-baraka.

11 Izay tia ny fahadiovam-po

sy mahafinaritra ny tenin’ny molony, dia ho sakaizan’ny mpanjaka.

12 Miaro ny fahaizana ny mason’i Iaveh,

fa mamaky betroka ny tenin’ny olon-dratsy kosa izy.

13 Hoy ny kamo: «Misy liona any ivelany!

Ho vonoin-ko faty eny an-kianja eny aho!»

14 Lavaka lalina ny vavan’ny vehivavy an’olon-kafa;

izay mahatezitra an’i Iaveh ho latsaka ao.

15 Miraikitra amin’ny fon’ny zaza ny hadalana;

ny tsora-kazon’ny famaizana no hanesotra izany aminy.

16 Ny mampahory ny mahantra no mampitombo harena azy;

ny manome ny manan-karena no mampihena ny ananany.

Araho ny tsara, ialao ny ratsy

17 Mampandria sofina ka henoy ny tenin’ireo hendry,

manombena saina amin’ny fampianarako.

18 Fa zava-mahafinaritra izany raha tany tahirizinao ao anatinao;

aoka hipetraka eo amin’ny molotrao avokoa izy!

19 Mba hianteheran’ny fitokianao amin’i Iaveh,

dia ianao no tiako hotoroana izao.

20 Moa tsy efa imbetsaka va izaho no nanao an-tsoratra,

torohevitra amam-pampianarana ho anao?

21 Mba hampianarana anao ny mahamarina ny zavatra fantatra tsara,

hahazoanao mamaly teny marina an’izay maniraka anao.

22 Aza endahanao ny mahantra noho izy mahantra,

ary aza mampahory ny ory eo am-bavahady.

23 Fa i Iaveh hiaro azy ireny amin’ny adiny;

sy hanala aina an’izay nanendaka an’ireny.

24 Aza mikambakambana amin’izay olona foizina,

na miarakaraka amin’izay olona masiaka:

25 fandrao mianatra ny lalany ianao,

ka manomana fandrika ho an’ny fanahinao.

26 Aza mba mety ho isan’izay mora manao fanekena,

dia ireo izay miantoka trosan’olona.

27 Raha tsy manan-kaloa ianao,

nahoana no dia mitono tena, halain’olom-parafara eo ambaninao?

28 Aza mamindra ny faritany fahataloha,

izay efa naorin’ireo razanao.

29 Mahita olona mailaka amin’ny raharahany va ianao?

Ho eo anilan’ny mpanjaka no honenany,

fa tsy mba hifanila fonenana amin’ny olona ambany izy.

Categories
Ohabolana

Ohabolana 23

Aza tia harena, mahonòna, madiova

1 Raha tafaray latabatraamin’ny lehibeianao,

dia hevero tsara izay eo anatrehanao.

2 Andraso antsy ny tendanao,

raha dia liana loatra ianao.

3 Aza mitsiriritra ny hanim-piny,

fa hanina manodòka izany.

4 Aza miferinaina ho tonga mpanan-karena,

fadio ny mandà ny ron-doha amin’izany.

5 Te hanara-maso izay zava-mandalo va ianao?

fa maniry elatra ny harena,

ka misidina ho eny an-danitra, toy ny voromahery.

6 Aza mihinana ny mofon’ny mpialona,

ary aza mitsiriritra izay hanim-piny;

7 fa izy akory tsy tsara noho ny hevitra ao am-pony;

Mihinàna, misotroa, hoy izy aminao,

kanjo ny fony tsy momba anao akory.

8 Haloanao izay sombiny voatelinao;

ary ho very maina ny teny soa nataonao.

9 Aza mba miteny hohenoin’ny adala,

fa hohamavoiny foana, ny fahendren’ny lahateninao.

10 Aza mamindra ny faritany fahataloha;

ary aza mitsofoka amin’ny sahan’ny kamboty.

11 Fa mahery ny mpamaly ho azy,

dia hiaro azy amin’ny adiny aminao.

12 Mandraiketa ny fonao amin’ny fanoroana,

ary ny sofinao amin’ny tenin’ny fahaizana.

13 Aza mitsitsy famaizana aman-janaka,

fa tsy dia hahafaty azy akory raha kapohinao amin’ny tsora-kazo.

14 Ny mikapoka azy amin’ny tsora-kazo,

no anafahanao ny fanahiny amin’ny Seoly.

15 Anaka, raha hendry ny fonao,

izaho koa, dia hifaly ny foko.

16 Dia hientan-kafaliana ny kiboko,

raha miteny izay marina ny molotrao.

17 Aoka tsy hialona ny mpanota ny fonao,

fa hitoetra mandrakariva amin’ny fahatahorana an’i Iaveh.

18 Satria misy tokoa ny ho avy,

ka tsy ho foana ny fanantenanao.

19 Mihainoa, anaka, ka hendre;

ampizory amin’ny lala-mahitsy ny fonao.

20 Aza mba anisan’ny mpiboboka divay,

na eo amin’izay fatra-piletra hena,

21 fa hahantra ny fatra-pisotro amam-pihinan-kanina,

ary mampisingo-borodamba ny faharendremana.

22 Maneke ny rainao, izy izay niteraka anao;

ary aza manamavo an-dreninao, saingy efa antitra izy.

23 Mahazoa ny marina, ka aza amidinao,

mbamin’ny fahendrena, ny fampianarana, ary ny fahalalana.

24 Ravoravo ny rain’ny marina;

izay miteraka ny hendry dia ho faly amin’izany.

25 Aoka hifaly ny ray aman-dreninao;

aoka hiravoravo ny reninao niteraka anao.

26 Anaka, omeo ahy ny fonao,

ary aoka hitandrina ny lalako, ny masonao;

27 fa lavaka lalina, ny akangavavy,

ary lavaka famorian-drano ety, ny an’olon-kafa.

28 Mamela-pandrika toy ny hihaza remby izy,

ary mampitombo isa ny mpivadika ao amin’ny olombelona.

29 Ho an’iza ny indrisy? Ho an’iza ny endrey?

Ho an’iza ny fanditra? Ho an’iza ny fimonjomonjoana?

Ho an’iza ny ratra tsy ahoan-tsy ahoana?

Ho an’iza ny maso mivaivay?

30 Ho amin’ireo mijanonjanona ela amin’ny divay;

ho an’ireo mandeha manandrana divay miharo zava-manitra.

31 Aza mijery ny divay: He izany hamenany,

izany famirapirany eo amin’ny kopy,

izany fikararànany mora loatra.

32 Fa hanaikitra toy ny bibilava izy amin’ny farany,

ary hanindrona toy ny menarana.

33 Dia ho any amin’ny vehivavy an’olon-kafa ny masonao,

ary hanao resaka ratsy ny fonao.

34 Hanahaka ny olona mandry eo afovoan’ny ranomasina, ianao;

na ny olona matory eo an-tampon’ny andrin-tsambo.

35 Nokapohiny aho, hoy ianao, fa tsy mahatsiaro maharary;

nandalasiny aho… fa tsy mahare na inona na inona!…

Rahoviana aho no hifoha?… Mbola ilaiko ihany izany!

Categories
Ohabolana

Ohabolana 24

Halaviro ny olon-dratsy sy ny adala

1 Aza mialona ny ratsy fanahy,

na maniry hiaraka aminy akory.

2 Fa fandozàna no saintsainin’ny fony,

ary fampahoriana no mahavantam-bava azy.

3 Ny fahendrena no itsanganan’ny trano,

ary ny fahalalana no iorenany mafy.

4 Ny fahaizana no amenoana ny ao anatiny,

amin’ny harena soa sy mahafinaritra rehetra.

5 Feno hatanjahana, rehefa olon-kendry,

ary maneho hery lehibe, izay manam-pahaizana.

6 Fa ny fahamalinana no itarihanao ny ady,

ary ny mpanolo-tsaina maro no isian’ny famonjena.

7 Avo tsy takatry ny adala ny fahendrena,

tsy mba mahaloa-bava izy, eo am-bavahady;

8 Izay misaintsaina hanao ratsy,

no atao hoe mpamoron-tsain-dratsy.

9 Ota no fikasan’ny adala,

ary fahavetavetana eo imason’ny olona mpamazivazy.

10 Raha osa amin’ny andron’ny fahoriana ianao,

dia fahosana ihany ny herinao.

11 Afaho izay entina hovonoina ho faty;

ary vonjeo izay mandroso mangozohozo entin-kovonoina.

12 Raha hoy ianao: «Tsy mahalala izany anie izahay!»

moa tsy mahita izany va Ilay mandanja ny fo?

tsy mahalala izany va, Ilay mitandrina ny fanahinao?

ary tsy hovaliany araka ny nataony avy va ny olona rehetra?

13 Anaka, mihinàna tantely fa tsara izany,

ho mamy eo am-bavanao ny takela-tantely.

14 Ary fantaro fa torak’izany ny fahendrena ho an’ny fanahinao;

ka raha mahazo azy ianao, dia hanan-kiafarana,

ary tsy ho foana ny fanantenanao.

15 Aza manotrika eo amin’ny fonenan’ny marina, ry ilay ratsy;

ary aza mandrava ny toerana fitsaharana,

16 fa ny marina, lavo impito, nefa tafarina ihany;

ny ratsy fanahy kosa avarina amin’ny loza.

17 Aza mifaly raha lavo ny fahavalonao;

ary aza miravoravo fo amin’ny faharavàny,

18 fandrao hitan’i Iaveh izany, ka ratsy eo imasony,

dia haviliny tsy ho any aminy, ny hatezerany.

19 Aza sosotra noho ny amin’ny ratsy fanahy,

na mialona an-dry zareo olon-dratsy,

20 fa tsy manan-kiafarana ny manao ratsy,

ary ho faty ny jiron’ny ratsy fanahy.

21 Anaka, matahora an’i Iaveh sy ny mpanjaka,

ary aza mba miharoharo amin’ny olona mpanakorontana.

22 Fa hidona tampoka ny lozan’ireny,

ary iza moa no mahalala izay hanjò azy isany?

4. TOHIN’NY TAHIRIN-TENIN’OLON-KENDRY

23 Izao manaraka izao no avy amin’ny hendry:

Tsy mety ny mizaha tavan’olona amin’ny fitsarana.

24 Izay milaza amin’ny ratsy hoe: «Marina ianao,»

dia hozonim-bahoaka, ho halam-pirenena.

25 Fa izay mamay azy kosa ankalazaina,

mirotsaka aminy ny tso-drano amam-pahasambarana.

26 Manorokaao amin’ny molotra,

izay mahavoaka valy marina.

27 alamino ny asanao eo ivelany;

ny sahanao aloha no iraiketo asaina,

vao izay no manao ny tranonao ianao.

28 Aza mba mety ho vavolombelona foana, hamely ny namana,

fa ianao angaha te hamitaka amin’ny molotrao?

29 Aza manao hoe: «Hataoko aminy izay nataony tamiko;

hovaliako araka ny nafitsony iny olona iny.»

30 Nandalo ny sahan’ny kamo aho,

sy nanamorona ny tanimboaloboky ny adala.

31 Ka indro tsilo no maniry hatraiza hatraiza,

roy no mandrakotra eny rehetra eny,

mirodana koa ny tamboho vato aminy.

32 Nijery aho, ka nandinika tao am-poko,

nieritreritra aho, ka izao no fianarana nalaiko tao:

33 Torimaso kely ihany, firendremana kely ihany,

ohon-tanana kely hatory,

34 dia indro, tonga toy ny jiolahy ny fahantranao,

ary toy ny lehilahy mitam-piadiana ny tsy fanananao.

Categories
Ohabolana

Ohabolana 25

Lanjalanjao ny teny sy ny atao

1 Izao koa no ohabolan’i Salômôna, nangonin’ny olon’i Ezekiasa, mpanjakan’i Jodà.

2 Voninahitr’Andriamanitra ny manafin-javatra,

fa voninahitry ny mpanjaka kosa ny mandini-javatra.

3 Ny lanitra amin’ny haavony, ny tany amin’ny halaliny,

ary ny fon’ny mpanjaka, samy zavatra tsy azo takarina.

4 Esory ny taim-bolafotsy,

dia hisy hanaovana fanaka hataon’ny mpanao anidina.

5 Esory ny ratsy fanahy eo anoloan’ny mpanjaka.

dia hiorina mafy ny seza fiandrianany amin’ny fahamarinana.

6 Aza manao endrika miavonavona eo anatrehan’ny mpanjaka,

ary aza mipetraka eo amin’ny fitoeran’ny lehibe;

7 Fa aleo ny olona no hilaza aminao hoe: Miakara atỳ;

toy izay ianao no haetry eo imason’ny andriana,

izay efa hitanao maso.

8 Aza dia faingam-panohitra foana,

fandrao tsy mahita izay hatao ianao amin’ny farany.

9 Raha naniratsira anao ny namanao,

dia tohano ny adinao amin’ny namanao,

10 fa aza manambara ny zavatra miafin’ny olon-kafa,

fandrao mahasafo-kenatra anao, izay mandre izany,

ka tsy ho afaka aminao ny fahafaham-baraka.

11 Toy ny paoma volamenaeo amin’ny ravaka voasikotra amin’ny volafotsy,

ny teny atao amin’ny antony.

12 Toy ny kavim-bolamena amam-piravaka volamena tsara,

ny olon-kendry mananatra olona manan-tsofina mihaino tsara.

13 Toy ny fangatsiatsiakan’ny oram-panalaamin’ny taom-pijinjana,

ny iraka mahatoky amin’izay naniraka azy:

mamelombelona ny fanahin’ny tompony izy.

14 Fa toy ny rahona aman-drivotra tsy misy orana kosa,

ny olona mirehaka amin’ny fanatitra hosoka.

15 Ny fahari-po mety hampiekena ny mpitsara;

ary ny vava malefaka, mahafolaka ny taolana.

16 Raha tojo tantely ianao, ny sahaza anao ihany hanina,

fandrao voky azy ianao, ka handoa azy indray.

17 Aza mateti-piavy ao an-tranon’ny namanao,

fandrao tofoka anao izy, ka hankahala anao.

18 Kanonta aman-tsabatra ary zana-tsipìka maranitra;

toy izany ny olona mitsangan-kiampanga tsy marina ny namany.

19 Nify tapatapaka sy tongotra mibolisatra,

dia toy izany no fitokiana ny mpamadika, amin’ny andron’ny fahoriana.

20 Toy ny miala lamba amin’ny andro mangatsiaka,

na manisy vinaingitra amin’ny sirahazo,

ny manao kalokalo amin’ny malahelo am-po.

21 Raha noana ny fahavalonao, omeo mofo hohaniny,

raha mangetaheta izy, omeo rano hosotroiny;

22 fa amin’izany ianao hanangona vainafo ho eo an-dohany;

ary i Iaveh hamaly soa anao.

23 Ny rivotra avy avaratra miteraka orana;

ny lela mpifosa kosa, mampahasosotra endrika.

24 Aleo mitoetra eny an-joron-tafon-trano,

toy izay miara-mipetraka amin’ny vehivavy tia ady.

25 Rano mangatsiaka ho an’ny olona mangetaheta,

toy izany ny filazan-java-tsoa, avy any an-tany lavitra.

26 Fantsakana voatsikebona, loharano voaloto,

toy izany ny marina mangozohozo eo anoloan’ny ratsy fanahy.

27 Tsy mety ny mihinan-tantely betsaka,

toy izany koa ny mitady hahatakatra ny fiambonian’Andriamanitra,

fa ho resin’ny voninahiny.

28 Tanàna efa afaka ny fahavalo ka tsy misy manda,

toy izany ny olona tsy mahay mifehy tena.