Categories
Ohabolana

Ohabolana 26

Ataovy mifanendrika amin’ny fahendrena ny atao

1 Toy ny oram-panala fahavaratra sy ranonorana amin’ny taom-pijinjana,

no tsy iendrehan’ny voninahitra ho an’ny adala.

2 Toy ny fitsoatsoaky ny fody, sy fanidintsidin’ny sidintsidina,

no tsy fihàtran’ny ozonozom-poana.

3 Ny karavasy ho an’ny soavaly, ny lamboridy ho an’ny ampondra,

ary ny tsora-kazo ho an’ny lamosin’ny adala.

4 Aza mamaly ny adala araka ny hadalany,

fandrao dia manahaka azy koa ianao.

5 Valio araka ny hadalany ny adala,

fandrao dia manao azy ho hendry izy.

6 Manapaka ny tongony sy misotro tsy fahamarinana,

izay mampitondra teny ny adala.

7 Esory amin’ny mandringa ny tongony,

sy ny oha-teny eo am-bavan’ny adala.

8 Toy ny mamehy vato amin’ny antsamotady,

ny manome voninahitra ny adala.

9 Toy ny tsilomilentika amin’ny tanan’ny mamo,

ny oha-teny eo am-bavan’ny adala.

10 Toy ny mpandefa tsipìka mandratra ny olona rehetra,

ny manakarama ny adala sy ny mpandalo.

11 Toy ny amboa miverina amin’ny loany,

toy izany ny adala miverina amin’ny hadalany.

12 Raha mahita olona manao azy ho hendry ianao,

ny adala no misy hantenaina kokoa noho izy.

13 Hoy ny kamo: «Misy liona any an-dalam-be;

misy liona atsy amin’ny arabe.»

14 Ny varavarana mihodina eo amin’ny saviliny,

toy izany koa ny kamo mihodina eo amin’ny fandriany.

15 Mangaron-dovia amin’ny tanany ny kamo;

ary manahirana azy ny hampakatra izany eo am-bavany.

16 Ny kamo manao ny tenany ho hendry,

mihoatra ny mpihevitra fitomahira-tsaina.

17 Toy ny olona misambotra amboa amin’ny sofiny,

ny mpandalo misafoaka amin’ny adin’ny hafa.

18 Toy ny mpisafoaka mandefa longy mirehitra afo,

sy zana-tsipìka amam-pahafatesana,

19 ny olona izay efa namitaka ny namany,

ka manao hoe: «Vosibositra fotsiny no nataoko.»

20 Raha tsy eo ny kitay, maty ny afo:

halaviro ny mpitati-bolana, mitsahatra ny fanditra.

21 Ny arina mampisy vainafo, ny kitay mampisy afo,

ny olona tia ady kosa mamelona fifandirana.

22 Toy ny hanim-py ny tenin’ny mpitati-bolana,

ka mikorotsaka hatrany anatin’ny tsinay.

23 Vilany tany mipetaka taim-bolafotsy,

ny molotra maimay miaraka amin’ny fo ratsy.

24 Mihatsaravelatsihy amin’ny vavany ny mpankahala,

kanjo manafim-pitaka ao anatiny;

25 koa aza matoky azy raha manao feo malefaka izy,

fa fahavetavetana fito no ao am-pony.

26 Azony afenina ihany amin’ny fihatsarambelatsihiny ny fankahalany,

nefa mbola hiharihary eo amin’ny fivoriana ny faharatsiany.

27 Izay mihady lavaka no ho latsaka ao;

ary izay manakodia vato no hikodiavany.

28 Mankahala izay olona simbany ny lela mandainga,

ary mampidi-doza ny vava mandoka.

Categories
Ohabolana

Ohabolana 27

Misy ny tsy zaka

1 Aza mirehareha ny amin’ny ho ampitso;

fa tsy fantatrao izay havoakan’ny andro manaraka.

2 Aoka ny hafa no hidera anao, fa tsy ny vavanao;

ary ny vahiny fa tsy ny molotrao.

3 Madonda ihany ny vato, mavesatra koa ny fasika,

fa mavesatra noho ireo indray ny hasosoran’ny adala.

4 Masiaka ny havinirana, miafonafona ny hatezerana,

fa zovy no hahatoetra raha asian’ny fialonana?

5 Aleo anatraimaso,

toy izay fitia miafina.

6 Ny ratra avy amin-tsakaiza dia vokatry ny fitiavany tsy mivadika,

fa ny oroky ny fahavalo kosa, fitaka foana.

7 Amin’ny voky, na ny toho-tantely aza hoseny tongotra fotsiny,

fa amin’ny noana, na ny zava-mangidy aza, maminy avokoa.

8 Toy ny voronamirenireny lavitra ny akaniny:

toy izany koa ny olona mirenireny lavitra ny fonenany.

9 Mampiravoravo ny fo ny diloilo aman-java-manitra;

torak’izany ny hamamian-tsakaiza manoro hevitra avy amin’ny fony.

10 Aza mahafoy ny sakaizanao aman-tsakaizan-drainao;

ary aza miditra ny tranon’ny rahalahinaoamin’ny andron’ny fahorianao:

fa aleo namana akaiky toy izay havan-davitra.

11 Anaka, hendre, ary ampifalio ny foko,

mba hahaizako mamaly an’izay miteny ratsy ahy.

12 Ny mahira-tsaina mahatsinjo ny ratsy ka miery;

ny kely saina mandroso ihany ka voan’izany.

13 Endaho ny lambany fa efa niantoka ny hafa izy,

mangalà antoka aminy noho ny amin’ny vahiny.

14 Ny misaotrany namany, maraina koa, amin’ny feo avo,

dia isaina ho toy ny manozona ihany.

15 Ny fijononòkan’ny rano mitete ao an-trano amin’ny andro manorana,

sy ny vehivavy tia ady, sahala tsy misy hafa.

16 Ka izay mitana azy, mitana rivotra,

ary ny tanany mahafihina diloilo.

17 Vy ihany no maharanitra ny vy;

olona ihany koa no maharanitra olon-kafa.

18 Izay mitahiry ny aviaviny hihinana ny voany;

ary izay miaro ny tompony homem-boninahitra.

19 Toy ny ifanahafan’ny tarehy sy ny tandindony ao anaty rano,

no ifanahafan’ny fon’ny olona sy ny an’ny olon-kafa koa.

20 Tsy mety voky ny fasana aman-tSeoly,

tsy mety afa-po toy izany koa ny mason’ny olombelona.

21 Ny memy atao hanadio ny volafotsy; ny fandrendrehana hanadio ny volamena.

ary ny fiderana raisin’ny olona, aoka hozahany toetra toy izany koa.

22 Na hototoinao ao an-daona aza ny adala,

tahaka ny fitoto vary amin’ny fanoto,

tsy hisaraka aminy ny hadalany tsy akory.

23 Fantaro tsara ny toetry ny ondrinao,

ny sainao ento mandinika ny biby fiompinao;

24 fa ny harena tsy maharitra mandrakizay,

na ny satroboninahitra amin’ny taona mifandimby.

25 Nefa rehefa nitranga ny ahitra ka niseho ny zava-maitso,

ary voaangona ny vilona avy eny an-tendrombohitra,

26 dia indreo ny zanak’ondry hahazoanao fitafiana;

ny osilahy hividiananao saha anankiray:

27 be ny rononon’osy

ho sakafonao sy ny ankohonanao,

ary ho famelomana ny ankizy vavinao koa.

Categories
Ohabolana

Ohabolana 28

Ny olo-marina sy ny olon-dratsy

1 Mandositra tsy enjehina ny ratsy;

fa matoky toy ny liona kosa ny marina.

2 Amin’ny tany tsy mandry, mihamaro ny mpanapaka,

fa amin’ny olona manan-tsaina sy hendry kosa, maharitra ny filaminana.

3 Ny olo-mahantra mampahory ny malahelo,

dia orana mivatravatra mahatonga mosary.

4 Ny mahafoy ny lalàna, mandoka ny ratsy fanahy;

fa ny manara-dalàna kosa mitezitra aminy.

5 Ny olon-dratsy tsy mahalala ny mety,

fa ny mitady an’i Iaveh kosa, mahalala ny zavatra rehetra.

6 Aleo olo-mahantra ombam-pahamarinana,

toy izay olona miolikoli-dalana sy manan-karena.

7 Izay mitandrin-dalàna dia zanaka hendry,

fa izay mamelona ny mpijangajanga manome henatra an-dreniny.

8 Izay manangon-karena amin’ny zana-bola

amam-pilàn-tombony be loatra,

dia manangona izany ho an’izay miantra ny mahantra.

9 Raha misy mamily ny sofiny tsy hihaino ny lalàna,

na ny fivavahany aza dia fahavetavetana.

10 Izay mamily ny mahitsy fo, ho amin’ny lalan-dratsy,

dia mandatsaka ny tenany amin’ny lavaka nohadiny,

fa ny tsy misy tsiny dia handova ny fahasambarana.

11 Ny manan-karena manao ny tenany ho hendry;

fa ny mahantra manan-tsaina kosa, mahalala azy ihany.

12 Raha mandresy ny marina dia misy fety lehibe

fa raha misandratra kosa ny ratsy fanahy, samy miery ny olona.

13 Izay manafina ny fahotany tsy mba hambinina;

fa izay mitsotra sy mahafoy izany dia hahazo famindram-po.

14 Sambatra ny olona izay manam-pahatahorana mandrakariva;

fa izay manadonto ny fony kosa ho latsaka anatin’ny fahoriana.

15 liona mierona sy orsa noana;

toy izany ny ratsy fanahy manapaka amin’ny olo-mahantra.

16 Ny mpanapaka tsy manan-tsaina mampitombo ny famoretana,

fa izay mankahala ny fierenana kosa, ho lava andro iainana.

17 Izay mivesatra ny ran’olona nalatsany,

dia mandositra hatrany an-davaka: Aza misakana azy.

18 Hahita famonjena ny mandeha amin’ny fahamarinana tanteraka,

fa ho lavo tsy afa-miarina intsony, ny manaraka lala-miolikolika.

19 Ny miasa ny taniny, ho voky hanina;

fa ny manenjika zava-poana, ho voky fahantrana.

20 Ny olona mahatoky, feno fanambinana,

fa ny maimay hanan-karena, tsy hialàm-pahadisoana.

21 Tsy mety ny mizaha tavan’olona,

fa sombi-mofo monja, dia mahatonga ho olo-meloka.

22 Maimay ny hanan-karena, ny mpialona,

tsy fantany fa ho tonga aminy ny tsy fahampiana.

23 Ny mananatra olona dia hahita fitia kokoa rahatrizay,

noho ny mahatonga ny lelany ho mpidoka.

24 Izay mandroba ray aman-dreny,

ka manao hoe: «Tsy fahotana izany»,

dia naman’ny jiolahy.

25 Ny olona matimatin-karena, mamelona ady,

fa izay mitoky amin’i Iaveh, dia ho voky.

26 Adala izay mitoky amin’ny fon’ny tenany,

fa izay mandeha amim-pahendrena dia ho voavonjy.

27 Tsy ho voan’ny tsy fahampiana izay manome ny mahantra,

fa hianjeran’ozona kosa, izay mihirim-belona.

28 Raha misandratra ny ratsy fanahy, miery avokoa ny olona,

fa raha ringana kosa ireny, mihamaro ny marina.

Categories
Ohabolana

Ohabolana 29

Diniho ny atao

1 Ny olona tandrifin’ny hanarina, ka mihamafy hatoka,

dia ho torotoro tampoka tsy hisy fanafody hahasitrana.

2 Raha mihamaro ny marina, faly ny vahoaka,

fa raha ny ratsy fanahy no mitondra fanjakana, misento ny vahoaka.

3 Izay tia ny fahendrena, mahafaly ny rainy,

fa izay fatra-piaraka amim-behivavy janga, mandany ny hareny.

4 Ny mpanjaka mampiorina mafy ny taniny amin’ny fahamarinana,

fa izay tia kolikoly kosa, mandrava azy.

5 Ny olona mandoka ny namany,

mamela-pandrika ny tongony.

6 Fandrika no amin’ny heloky ny olon-dratsy fanahy;

fa hoby aman-kafaliana kosa no an’ny marina.

7 Ny marina, mahalala ny adin’ny mahantra:

fa ny ratsy fanahy kosa tsy mahatakatra ny fahaizana.

8 Ny mpamazivazy mampirehitra afo handoro ny tanàna,

ny hendry kosa, mampitony ny hatezerana.

9 Raha ny hendry no miadyamin’adala,

na tezitra izy na mihomehy, tsy hisy fihavanana.

10 Halan’ny olona mpandatsa-dra ny tsy misy tsiny;

fa miahy ny ain’izy io kosa, ny mahitsy fo.

11 Ny adala manampatra ny hatezerany rehetra,

ny hendry kosa, manonona sy mahafehy azy.

12 Raha mihaino teny lainga ny mpanapaka,

dia ratsy fanahy avokoa ny mpanompony.

13 Mihaona ny mahantra sy ny mpampahory,

i Iaveh no manazava ny mason’izy roa tonta.

14 Ny mpanjaka mitsara marina ny mahantra,

dia hahamafy orina ho mandrakizay, ny seza fiandrianany.

15 Ny tsora-kazo amam-pamaizana mampahazo ny fahendrena,

fa ny zaza ampanaranina, manome henatra ny reniny.

16 Raha mitombo ny ratsy fanahy, mitombo koa ny heloka,

fa ny marina kosa hahita ny fidabok’ireny.

17 Faizo ny zanakao dia hanome fitsaharana anao izy,

sy hampahazo fifaliana ho an’ny fanahinao.

18 Rehefa tsy misy fahitana intsony tsy misy mahafehy ny vahoaka.

Sambatra izay mitandrina ny lalàna.

19 Tsy mba teny no ananarana ny mpanompo;

fa na azony aza izany dia tsy mba manaiky izy.

20 Raha mahita olona haingam-bava ianao,

dia ny adala no misy hantenaina noho izy.

21 Mpanompo nohantaina fahazaza;

mihambo ho zanaka no farany.

22 Ny olona mora tezitra mamelona ady;

ny olo-masiaka, be hadisoana.

23 Ny avonavon’ny olona, mamarina amin’ny fietrena;

fa ny manetry tena ao am-po mahazo voninahitra.

24 Mankahala ny fanahiny, izay miara-mizara amin’ny mpangalatra,

fa mandre ny fanozonana izy, nefa tsy milazana inona na inona.

25 Ny tahotra olombelona, misy fandrika anatiny;

fa ny matoky amin’i Iaveh, no tafatoetra tsy misy hatahorany.

26 Maro no mila sitraka amin’ny mpanapaka;

fa i Iaveh ihany no iavian’ny fitsarana marina ny olona isam-batana.

27 Ny olon-dratsy, fahavetavetana ho an’ny marina;

ny mahitsy lalana kosa, fahavetavetana ho an’ny ratsy fanahy.

Categories
Ohabolana

Ohabolana 30

6. TENIN’I AGORA

1 Tenin’i Agòra, zanak’i Jake; oha-teny. Hoy izany lehilahy izany:

Nanasa-tena aho, mba hahalalako an’Andriamanitra,

mba hahalalako an’Andriamanitra dia lany ny heriko.

2 Fa ketrina noho ny olona rehetra aho,

ary tsy mba sain’olombelona ny ahy.

3 Fa tsy mba nianatra ny fahendrena aho,

ary tsy fantatro ny fahalalana an’ilay Masina.

4 Iza no miakatra any an-danitra, ary iza no midina avy any?

Iza no nanangona ny rivotra teo an-tanany?

Iza no nahafono ny rano tamin’ny lambany?

Iza no mampiorina mafy ny faran’ny tany rehetra?

Iza no anarany, ary iza no anaran-janany?

Mahalala izany va ianao?

5 Voazaha toetra tamin’ny afo avokoa ny tenin’Andriamanitra;

ampinga ho an’izay mialoka aminy izy.

6 Aza manampy na inona na inona amin’ny teniny;

sao anariny ianao, ka ho hita fa mpandainga.

7 Zavatra roa no angatahiko aminao,

ka aza dia lavina, dieny mbola tsy maty aho:

8 Ampanalaviro ahy ny fitaka aman-teny mandainga;

aza misy omena ahy, na ny fahantrana na ny harena.

Fa izay hanina ilaiko no omeo ahy:

9 fandrao voky aho dia mandà Anao,

ka hanao hoe: «Iza moa i Iaveh?»

ary andrao koa mangalatra aho, raha mahantra,

ka hanamavo ny Anaran’Andriamanitra.

10 Aza manendrikendrika mpanompo amin’ny tompony,

fandrao hozoniny ianao, ka hitondra faisana amin’izany.

11 Misy taranaka manozona ny rainy,

sady tsy misaotra ny reniny.

12 Misy taranaka manao ny tenany ho madio,

kanjo tsy voasasa amin’ny fahalotoany.

13 Misy taranaka, miandranandram-pijery aoka izany,

sady miavonavona hodimaso erỳ!

14 Misy taranaka, ka sabatra ny nifiny,

ary antsy ny vazany;

hihinana ny ory tsy ho amin’ny tany,

sy ny tsy manana tsy ho eo amin’ny olombelona.

15 Manan-janaka vavy roa ny dinta, dia ny hoe: «Omeo! Omeo!»

Zavatra telo no tsy mety voky,

efatra no tsy mba manao hoe: «Aoka izay!» na oviana na oviana;

16 dia ny Seoly, ny kibo momba,

ny tany tsy vonton-drano,

ary ny afo koa, izay tsy mba manao hoe: «Aoka izay!» na oviana na oviana.

17 Ny maso maniratsira ny ray,

sy maneso ny fanoavan-dreny,

dia hogorobahin’ny goaika eny an-dohasahan-driaka,

sy hohanin’ny zana-boromahery.

18 Misy zavatra telo mihoatra ny saiko,

efatra aza no tsy takatro;

19 dia ny nalehan’ny voromahery teny amin’ny habakabaka;

ny dia nalehan’ny bibilava teny amin’ny vatolampy;

ny dia nalehan’ny sambo teny amin’ny ranomasina;

ary ny famantarana ny nandehanan’ny lehilahy tamin’ny tovovavy.

20 Toy izao no lalan’ny vehivavy mpaka vadin’olona:

Mihinana izy, dia mamafa ny vavany,

ka manao hoe: «Tsy nanao ratsy aho.»

21 Raha vesaran’ny zavatra telo ny tany no mihorohoro,

ary raha vesaran’ny efatra izy no tsy tantiny;

22 raha tsindrian’ny andevo sendra mahazo fanjakana,

na adala rehefa voky hanina izy io;

23 na tsindrian’ny vehivavy tsy nisy mpaka raha ampakarina;

na ankizy vavy mandova tompo vavy.

24 Eto an-tany dia misy efatra kely dia kely,

nefa hendry dia hendry izy ireo:

25 Ny vitsika izay firenena tsy manan-kery,

dia mamonona ny hanina amin’ny fahavaratra;

26 Ny damàna izay firenena tsy manam-pahefana,

dia manao ny tranony eny amin’ny haram-bato.

27 Ny valala, tsy mana-mpanjaka,

nefa miainga, manao antokony avokoa izy ireo;

28 ny antsiantsy, azonao samborin-tanana,

nefa ao an-dapan’ny mpanjaka izy.

29 Misy biby telo tsara famindra,

ary efatra no tsara fandeha;

30 ny liona, biby mahery fo indrindra,

tsy mihemotra, na amin’inona na amin’inona hiadiany;

31 ny biby kinga valahana, mbamin’ny osilahy,

ary ny mpanjaka, tsy azon’olona tohaina.

32 Raha dia efa adala loatra ianao, ka mila hoentin’avonavona,

raha manan-kevitra izany ianao, dia tampeno tanana ny vavanao;

33 fa ny fivelezana ny ronono miteraka dibera,

ny fanerena ny orona miteraka ra;

ary ny fanohinana ny hatezerana, miteraka fifandirana.

Categories
Ohabolana

Ohabolana 31

8. TENIN’I LAMOELA

1 Tenin’i Lamoelampanjaka. Oha-teny nampianarin-dreniny azy.

2 Inona no ho lazaiko aminao, anaka? Inona no holazaiko,

ry zanako nateraky ny kiboko?

Inona no holazaiko aminao, anaka, ianao izay nalehan’ny faniriako!

3 Aza atolotra ny vehivavy ny herinao;

na ny lalanao an’ireo vehivavy mamery mpanjaka.

4 Tsy mba an’ny mpanjaka, ry Lamoela,

tsy mba an’ny mpanjaka ny misotro divay,

na an’ny mpanapaka ny mitady toaka;

5 fandrao manadino ny lalàna izy, raha misotro;

ka mamily ny rariny ananan’ny mahantra rehetra.

6 Fa ny efa ho faty no omeo toaka,

ary ny efa vontom-pahoriana ny fanahiny no omeo divay;

7 aoka hisotro izy, ka hanadino ny fahoriany

ary tsy hahatsiaro ny manjò azy intsony.

8 Sokafy ny vavanao hanasoavana ny moana,

sy hanohana ny resy tondro maso rehetra manana ady.

9 Sokafy ny vavanao, mamoaha fitsarana marina,

ary omeo rariny ny ory sy ny mahantra.

9. NY VEHIVAVY MAHERY FO

10 Iza no mba mety mahita vehivavy mahery fo?

mihoatra lavitra noho ny an’ny voahangy, ny tombany.

11 Matoky azy, ny fon’ny lahy,

ary tsy mba handao azy ny tombony miditra

12 Soa ny ataony aminy, fa tsy mba ratsy;

amin’ny andro rehetra iainany.

13 Mamory ny volon’ondry aman-drongony izy,

dia miasa an-kafalianaamin’ny tanany.

14 Manahaka ny sambon’ny mpandranto izy,

mitondra ny haniny, avy lavitra.

15 Mifoha mbola alina izy,

dia manome hanina ny ankohonany,

sy lahasa ho an’ny ankizy vaviny.

16 Mandinika saha izy, dia mividy azy,

ary mamboly tanimboaloboka amin’izay efa azon’ny tanany.

17 Sikinany hery ny valahany,

ary hatanjahany ny sandriny.

18 Tsaroany mamy ny tombony efa azony,

tsy maty jiro izy mandritra ny alina.

19 Mandray ny fihazonam-bohavoha ny tanany;

ary mihazona ny ampela ny rantsan-tanany.

20 Manatsò-tanana amin’ny ory izy;

ary mamela-tanana amin’ny mahantra.

21 Tsy atahorany fanala ny ankohonany,

fa voatafy lamba mena antitra avokoa izy ao an-tranony.

22 Manao firakotra ho azy izy,

manam-pitafiana rongony fotsy madinika sy jaky izy.

23 Fantatra tsara ny lahy eo am-bavahady,

raha mipetraka hitsara miaraka amin’ny loholona.

24 Manao akanjo lobaka izy, hamidiny;

ary mivarotra fehikibo amin’ny mpandranto.

25 Ny hery sy ny hasoavana no firavaka eny aminy,

ary ny andro ho avy ihomehezany.

26 Amim-pahendrena no isokafan’ny vavany,

ary teny soa no eo amin’ny lelany.

27 Mitandrina ny alehan’ny ankohonany izy;

ary tsy mba mihinana mofom-pahakamoana.

28 Ny zanany lahy mitsangana ka milaza azy hoe sambatra;

ny vadiny koa mitsangana manome fankalazana azy.

29 Maro ny zaza vavy miseho ho tsara fanahy,

fa ianao kosa anefa dia tafahoatra azy rehetra.

30 Fitaka ny bika soa, zava-poana ny hatsaran-tarehy;

fa ny vehivavy matahotra an’i Iaveh ihany no hoderaina.

31 Aoka ny vokatra avy amin’ny tanany homena azy;

ary aoka hitory fiderana eo am-bavahady ny asany.

Categories
Mpit

Mpit 1

1 Tenin’ny Mpitory teny, zanak’i Davida,

mpanjaka tao Jerosalema.

2 Zava-poana dia zava-poana, hoy ny Mpitory teny,

zava-poana dia zava-poana!

Zava-poana ny zavatra rehetra.

3 Inona no soa azon’ny olona,

amin’ny fisasarana rehetra ikezahany atỳ ambany masoandro?

Teny mialoha

4 Lasa ny taranaka iray, tamy ny taranaka iray.

Ary ny tany maharitra mandrakariva ihany.

5 Miposaka ny masoandro, milentika ny masoandro,

ary dodona izy mba hody any amin’ny fonenany,

dia miposaka avy any ihany indray.

6 Mianatsimo ny rivotra, dia mihodina mianavaratra,

vao misampotina indray,

ka manomboka mihodina toraky ny teo.

7 Mankany amin’ny ranomasina avokoa, ny renirano,

nefa tsy feno ny ranomasina;

any amin’ny toerana alehany

no ankanesany tsy tapaka.

8 Miasa avokoa ny zavatra rehetra,

mihoatra noho ny azo lazaina;

ny maso tsy mamo mijery;

ary ny sofina tsy ketra-mihaino.

9 Izay efa teo no ho eo,

ary izay efa natao no hatao,

fa tsy misy zava-baovao atỳ ambany masoandro.

10 Raha misy zavatra lazaina hoe: He, vaovao izany!

dia efa nisy sahady tamin’ny siekla talohantsika izany zavatra izany.

11 Ny taloha tsy tsaroan’ny olona;

ny ho avy any aoriana koa,

tsy hamela fahatsiarovana,

ao amin’izay ho velona rahatrizay.

1. Fiainan’i Salômôna

12 Izaho, Mpitoriteny, dia efa mpanjakan’i Israely, tao Jerosalema,

13 ary nampiasa ny saiko aho,

hikaroka sy hamantatra amin’ny fahendrena,

ny zavatra rehetra atao atỳ ambany masoandro:

asa manasatra izany,

nefa asain’Andriamanitra ilofosan’ny zanak’olombelona.

14 Nodinihiko avokoa ny zavatra atao etỳ ambany masoandro,

ka indro, zava-poana amam-panenjehan-drivotra daholo.

15 Ny meloka, tsy mety mihamahitsy indray,

ary ny tsy eo, tsy azo isaina.

16 Hoy aho anakampo:

Indro efa nahazo ny fahendrena be sy miavosa aho,

mihoatra noho izany rehetra talohako teto Jerosalema,

ka nanam-pahendrena amam-pahaizana ampy be ny foko.

17 Nampiasa ny saiko aho, hahalala ny fahendrena,

sy hahalala ny hadalana amam-pahatezerana,

dia fantatro fa fanenjehan-drivotra ihany koa izany,

18 Satria rehefa be fahendrena, be alahelo koa;

ary izay mampitombo ny fahaizany, mampitombo ny fahoriany koa.

Categories
Mpit

Mpit 2

1 Hoy aho tamin’ny foko: Andeha àry

hozahako toetra amin’ny hafaliana ianao, ka andramo ny fahafinaretana.

Kanjo indro, zava-poana ihany koa izany.

2 Hoy aho mantsy ny fihomehezana: Hadalana!

ary mantsy ny fifaliana: Inona no vokatra avy aminy?

3 Ny hanarana ny nofokoamin’ny divay no nimasoako tao am-poko,

nefa amin’izay dia mbola hotarihin’ny foko

amim-pahendrena ihany aho;

ary hiraikitra amin’ny hadalana,

mandra-pahitako izay tsara ho an’ny zanak’olombelona,

hataony amin’ny andro iainany atỳ ambanin’ny lanitra.

4 Nanao asa lehibe aho,

nanorina trano ho ahy;

namboly tanimboaloboka ho ahy aho,

5 nanamboatra zaridaina aman-tsaha nambolena hazo mamoa,

dia namboly hazo fihinam-boa isan-karazany teo,

6 nanao famorian-drano aho,

hanondrahana ny alakely anirian’ny hazo.

7 Nividy ankizy lahy aman’ankizy vavy aho,

ary nanana ny zanany teraka tao an-tranoihany;

nanana andian’ondry aman’omby koa aho,

mihoatra noho ireo rehetra izay talohako teto Jerosalema.

8 Nanangona volafotsy amam-bolamena aho,

mbamin’ny harenan’ny mpanjaka sy ny faritany;

naka mpihira lahy ama-mpihira vavy aho,

ary nahazo ny fahafinaretan’ny zanak’olombelona,

vehivavy ankamaroany.

9 Dia tafasandratra aho, ary tafahoatra

noho izay rehetra talohako teto Jerosalema,

ary na ny fahendreko aza, mbola nipetraka tato amiko ihany.

10 Izay rehetra nirin’ny masoko,

tsy nisy noesoriko taminy;

izay mety ho fifaliana, tsy misy nolaviko tamin’ny foko;

fa nifaly tamin’ny asako rehetra ny foko,

ary izany no anjarako tamin’ny asako rehetra.

11 Nony inona, nodinihiko izay asa rehetra nataon’ny tanako,

mbamin’ny fahasasarako nolaniko nanatanterahana izany;

ka indro zava-poana amam-panenjehan-drivotra foana izany;

fa tsy misy zava-tsoa azo, atỳ ambany masoandro.

12 Dia nitodika hijery ny fahendrena aho,

hampitaha azy amin’ny hadalana amam-pahafokana;

satria zovy indray moa no mety hanaraka ny mpanjaka,

izy izay efa nomena izany fiamboniana izany hatr’izay ela izay?

13 Ary hitako fa ny hatsaran’ny fahendrena noho ny hadalana,

dia toraky ny mazava noho ny maizina.

14 Ny mason’ny hendry dia eo an-dohany,

fa ny adala kosa mandeha amin’ny maizina.

15 Ary hitako kosa anefa fa iray ihany ny anjara hahazo azy roa tonta.

Ka hoy aho anakampo:

Iray amin’ny anjaran’ny adala ihany no anjara hihatra amiko;

ka soa inona àry ho ahy izao fahendreko rehetra izao?

Dia hoy aho anakampoko:

Zava-poana ihany koa izany.

16 Fa ny fahatsiarovana ny hendry,

dia tsy mandrakizay, toy ny an’ny adala ihany koa;

hatramin’ny andro vao manaraka

dia samy hohadinoina ihany izy roa tonta.

Hanky ny hendry mba maty tahaka ny adala!

17 Ka dia boboky ny fiainana aho,

satria ratsy eo imasoko ny zavatra atao atỳ ambany masoandro,

fa zava-poana amam-panenjehan-drivotra foana avokoa.

18 Ary halako ny asako rehetra

izay nataoko atỳ ambany masoandro,

sy izay havelako ho an’ilay olona ho tonga manaraka ahy.

19 Ary iza moa no mahalala, na ho hendry na ho adala izy?

Kanefa izy no ho tompon’ny asako rehetra,

izay nametrahako ny fahamarinako amam-pahendreko tatỳ ambany masoandro.

Zava-poana koa izany.

20 Dia tonga namarina ny foko amin’ny fanarian-toky aho,

noho ny asa rehetra nataoko tatỳ ambany masoandro.

21 Fa olona nanampatra, tamin’ny asany,

fahendrena amam-pahalalana sy fahakingana,

ka dia mamela ny vokatry ny asany

ho anjaran’ny olona tsy nisasatra tamin’izany akory:

izany indray koa dia zava-poana sy loza lehibe!

22 Inona tokoa moa, no azon’ny olona amin’ny asany rehetra,

sy amin’ny ahiahim-pony rehetra,

izay nanasatra azy tatỳ ambany masoandro?

23 Fa ny androny, fahoriana avokoa,

ny rahalahiny, fahasorisorenana fotsiny.

Ny alina avy no tsy itsaharan’ny fony:

Zava-poana ihany koa izany.

24 Tsy misy soa ho an’ny olombelona,

mihoatranoho ny mihinana sy misotro,

ary ny mampanarana ny fanahiny amin’ny fiadanana,

eo amin’ny fanaovana ny asany.

Izany indray koa efa hitako fa avy amin’ny tanan’Andriamanitra.

25 Zovy tokoa moa, raha tsy misy azy,

no ho afa-mihinana sy miarana amin’ny fiadanana?

26 Fa ny olona izay tsara eo imasony

dia omeny ny fahendrena amam-pahaizana ary fifaliana.

Ny omeny ny mpanota kosa, dia ny mikarakara

ny famoriana amam-panavosàna zavatra

mba hisy omeny an’izay olona tsara eo imason’Andriamanitra.

Ary zava-poana ihany koa izany sady fanenjehan-drivotra.

Categories
Mpit

Mpit 3

2. Ny fahafatesana

1 Samy misy fotoana voatendry ho azy avyny zavatra rehetra;

misy fotoana ho azy avokoa ny zavatra atỳ ambany masoandro:

2 fotoana hahaterahana, ary fotoana hahafatesana;

fotoana hambolena, ary fotoana hanongotana izay nambolena.

3 Fotoana hamonoana, ary fotoana hanasitranana;

fotoana hanjerana, ary fotoana hananganana.

4 Fotoana hitomaniana, ary fotoana hihomehezana;

fotoana higogogogoana, ary fotoana handihizana.

5 Fotoana hanelezam-bato, ary fotoana hanangonana azy;

fotoana hamihinana, ary fotoana hifadiana fifamihinana.

6 Fotoana hitadiavana, ary fotoana hamerezana,

fotoana hitahirizana, ary fotoana hanariana.

7 Fotoana handrovitana, ary fotoana hanjairana;

fotoana hanginana, ary fotoana hitenenana.

8 Fotoana hitiavana, ary fotoana hankahalana;

fotoana hiadiana, ary fotoana hihavanana.

9 Inona no soa an’izay miasa, amin’ny hasasarana iaretany?

10 Nodinihiko ny asa asain’Andriamanitra

isasaran’ny zanak’olombelona;

11 Ka ny zavatra rehetra samy nataon’Andriamanitra ho tsara amin’ny fotoany avy:

ny mandrakizay nataony ao am-pon’izy ireokoa,

nefa tsy azon’ny olombelona fantarina ny asa

ataon’Andriamanitra hatramin’ny fiandohany

ka hatramin’ny fiafaràny.

12 Ary hitako fa tsy misy soaho azy ireo,

mihoatra ny mifaly sy manao izay hiadanany amin’ny andro iainany:

13 ary fantatro koa fa matoa misy olona mihinana sy misotro,

sady mahita fiadanana amin’ny asany rehetra,

dia fanomezan’Andriamanitra izany.

14 Fantatro fa haharitra mandrakizay,

izay ataon’Andriamanitra,

tsy misy tokony hanampiana an’izany na analana amin’izany.

Ka ny hahatahoran’ny olona azy,

no nanaovan’Andriamanitra an’izany.

15 Ny atao izao dia efa nisy sahady,

ary izay mbola hatao koa, efa nisy sahady;

fa averin’Andriamanitra ny efa lasa.

16 Izao koa no hitako, tatỳ ambany masoandro:

Ny fiketraham-pitsaranaaraka ny rariny,

dia ipetrahan’ny faharatsiana,

ary ho solon’ny fahamarinana dia ao ny tsy fahamarinana.

17 Hoy aho anakampo:

Hotsarain’Andriamanitra ny marina sy ny ratsy,

fa samy manana ny fotoanany avokoa ny zavatra rehetra

sy ny asa rehetra.

18 Hoy aho anakampoko:

Ny amin’ny zanak’olombelona:

Tonga izany, mba hizahan’Andriamanitra toetra azy ireo,

19 Fa ny anjaran’ny zanak’olombelona,

dia ny anjaran’ny biby,

iray ihany no anjaran’izy roa tonta;

toy ny ahafatesan’ny iray, no ahafatesan’ny iray koa;

fofon’aina iray no an’izy roa tonta;

ka tsy misy ihoaran’ny olombelona amin’ny biby,

fa samy zava-poana ny zavatra rehetra.

20 Fitoerana iray, no alehan’ny zavatra rehetra:

vovoka no niavian’ny zava-drehetra;

ary vovoka no hiverenan’ny zava-drehetra.

21 Iza moa no mahalala ny fofon’ain’ny zanak’olombelonamiakatra any ambony,

ary ny fofon’ain’ny biby, midina any ambany mankamin’ny tany?

22 Ka dia hitako fa tsy misy soa ho an’ny olombelona,

mihoatra ny mifaly ao amin’ny asany;

fa izany no anjarany.

Fa aiza moa no mety hahafantarany izay ho avy any aoriany?

Categories
Mpit

Mpit 4

3. Ny mpiara-miaina

1 Nitodika aho dia nahita

ny fampahoriana rehetra atao atỳ ambany masoandro:

ao ny ampahoriana, vonton-dranomaso,

ary tsy misy olona manala alahelo azy.

Iharan’ny fanaovana an-kerin’ireo mpampahory azy,

ary tsy misy olona manala alahelo azy.

2 Dia loa-bava aho niantso ho sambatra ny matyizay efa maty,

noho ny velona izay mbola velona izao.

3 Ary sambatranoho izy roa tonta ireo indray aza,

ny tsy mbola àry akory,

ka tsy nahita ny asa ratsy,

atao atỳ ambany masoandro.

4 Hitako fa ny asa rehetra

mbamin’ny fahakingana rehetra amin’ny taozavatra

dia ny fialonana mihatra amin’olona

avy amin’ny namany ihany;

koa dia zava-poana amam-panenjehan-drivotra foana koa izany.

5 Ny adala manohon-tanana ihany,

sady mihinana ny nofon’ny tenany.

6 Aleo tanana ila feno fiadanana;

toy izay tanan-droa feno fisasarana amam-panenjehan-drivotra.

7 Nitodika aho ka nahita zava-poana hafa atỳ ambany masoandro:

8 Misy olona mitoetra irery, ka tsy misy anankiray hafa miaraka aminy,

tsy zanaka, tsy rahalahy,

kanefa aza lava tsy misy farany ny azy,

ary tsy afa-dian-karena ny masony:

Ho an’iza àry ity iasako,

sy tsy ampananako fiadanana ny fanahiko?

Zava-poana koa izany, ary lahasa ratsy.

9 Aleo roa miara-mitoetra, toy izay manirery:

fa rehefa olon-droa dia misy karama be azony amin’ny asany.

10 fa raha lavo izy ireo, azon’ny anankiray arenina ny namany.

Fa loza kosa no mahazo ny manirery,

ka lavo tsy misy namana hanarina azy!

11 Izao koa, raha roa no miara-mandry, mafanafana izy roroa;

fa raha olona iray monja kosa, ahoana no hahafana azy?

12 Ary raha misy maharesy ny irery,

ho voatohitry ny roa ihany kosa;

ary ny kofehy telo olana tsy mora tapahina.

13 Aleo zatovo mahantra sy hendry,

toy izay mpanjaka antitra sy adala,

tsy mety mihaino torohevitra intsony;

14 fa nivoa-kanjaka, avy ao an-tranomaizina izy,

na dia teraka mahantra teo amin’ny fanjakany aza.

15 Nahita ny velona rehetra izay mihetsiketsika ambany masoandro aho,

teo anilan’ilay tovolahy nitsangan-kisolo ny mpanjakaantitra.

16 Tsy nisy fahataperana izany vahoaka be rehetra izany,

dia ireo rehetra ireo izay notarihiny lalana avy eo aloha.

Nefa ny taranaka tsy hifaly aminy akory.

Zava-poana amam-panenjehan-drivotra foana koa izany.

17 Tandremo ny tongotrao

raha mankany an-tranon’Andriamanitra ianao;

fa ny manatona hihaino

no tsara noho ny manatitra sorona, araka ny fanaon’ny adala;

satria entin’ny fahalalany hanao ratsy izy ireny.