Categories
Mpit

Mpit 5

1 Aza haingam-bava foana,

ary aoka ny fonao tsy ho maimay foana

hanonona teny eo anatrehan’Andriamanitra:

fa Andriamanitra any an-danitra, Ianao etỳ an-tany;

ka aoka ho vitsy teny ianao.

2 Fa ny hamaroan-draharaha, miteraka nofy;

ary ny hamaroan-teny, mampisy rediredin’adala.

3 Raha manao voady amin’Andriamanitra ianao,

aza ela fanefa izany,

fa tsy misy hasoavana homena ny adala:

koa efao ny voady ataonao.

4 Tsara kokoa ho anao ny tsy mivoady,

toy izay mivoady tsy mahefa.

5 Aza avela hampanota ny nofonao, ny vavanao;

ary aza milaza eo anatrehan’ny irak’Andriamanitrahoe:

zavatra tsy nahy izany:

fa nahoana moa Andriamanitra no ho tezitra ny amin’ny teninao,

ka handrava ny asan’ny tananao?

6 Fa toy ny isian’ny zava-poana amin’ny hamaroan-draharaha,

no isian’izany koa, amin’ny teny maro;

ka matahora an’Andriamanitra.

7 Raha misy tany hahitanao fampahoriana ny mahantra,

fanitsakitsahana ny rariny amam-pahamarinana:

aza sanganehana foana amin’izany,

fa ny olona ambony tandreman’ny ambony kokoa,

ary mbola misy ambony kokoa indray aza mitandrina azy ireo.

8 Tena soa kokoa ho an’ny tany, raha dinihina tsara,

ny hananany mpanjaka mikarakara ny fambolena.

4. Ny vola

9 Izay tia vola tsy mety vokim-bola;

ary izay tia harena, tsy hanandrana ny vokatr’izany.

Zava-poana koa izany.

10 Raha mitombo ny harena, mitombo koa ny mpihinana azy,

ary inona moa no soa azon’ny tompony amin’izany,

afa-tsy ny mahita maso izany fotsiny?

11 Mamy ny torimason’ny mpiasa,

na kely na be no hanin-kohaniny;

fa tsy ahitan’ny mpanankarena tory kosa ny fahavokisany.

12 Misy loza makadiry hitako tatỳ ambany masoandro,

dia harena tahirizin’ny tompony, ka mampidi-doza ny tenany,

13 Fa sendra misy zava-mihatra ka levona izany harena izany;

ary raha mitera-dahy ralehilahy,

dia tsy manana na inona na inona eo an-tanany.

14 Ny toetra nivoahany avy ao an-kibon-dreniny

no hiverenany ao, dia mitanjaka toy ny niaviany avy ao ihany;

fa tsy hahazo na inona na inona avy amin’ny asany,

ho azony entina eny an-tanany.

15 Fahoriana lehibe koa izao,

dia ny hahalasanany toy ny niaviany:

ka inona no soa azony, tamin’ny nisasarany ho an’ny rivotra?

16 Fanampin’izany, nandritra ny andro rehetra niainany, nihina-maizina izy

sady be alahelo amam-pijaliana sy fahasosorana.

17 Ka izao no hitako:

Tsara sy mety ho an’ny olona ny mihinana sy misotro,

ary ny mahazo miadana amin’ny asa rehetra ataony,

izay imasoany atỳ ambany masoandro,

mandritra ny andro iainany, omen’Andriamanitra azy;

fa izany no anjarany.

18 Fanampin’izany koa, ny olona rehetra mandray vola aman-karena tamin’Andriamanitra

hahazoany mihinana sy maka izay anjarany amin’izany

ary mifaly amin’ny asany:

dia fanomezan’Andriamanitra izany.

19 Fa tsy eritreretiny loatra amin’izay ny andro iainany,

satria efa rotsahan’Andriamanitra fifaliana ny fony.

Categories
Mpit

Mpit 6

1 Misy ratsy hitako atỳ ambany masoandro;

sady mavesatra amin’ny olombelona izany ratsy izany:

2 Misy olona nomen’Andriamanitra

vola aman-karena sy voninahitra,

ka tsy misy tsy ananany,

rehefa mety ho zavatra irin’ny fanahiny;

nefa tsy omen’Andriamanitra fahefana hiarana amin’izany izy,

fa olon-kafa no miarana amin’izany.

Zava-poana amam-pahoriana mavesatra koa izany.

3 Na dia manan-janaka zato lahy aza ity olona anankiray

sady ela velona taona maro izy,

ary nihamaro ny andron’ny taonany,

raha tsy voky hasambarana ny fanahiny,

ary tsy nahazo levenana akory ny tenany,

dia sambatra noho izy, ny tsy tonga volana, hoy aho.

4 Satria foana ny nahatongavany,

amin’ny maizina no ahalasanany;

ho voasaron’ny haizina ny anarany;

5 tsy hitany na fantany akory izay masoandro;

be fialan-tsasatra izy noho ilay olona.

6 Ka na ho velona roa arivo taona aza izy

nefa tsy miarana amin’ny fahasambarana,

tsy samy ho any amin’ny fitoerana iray ihany va ny zava-drehetra?

7 Ny asan’ny olombelona dia ho an’ny vavany avokoa,

nefa ny faniriany tsy mety afa-po na oviana na oviana.

8 Fa inona no soa azon’ny hendry mihoatra noho ny an’ny adala?

inona no soa azon’ny mahantra mahay mitondra tena eo imason’ny velona?

9 Aleo ny hita maso,

toy izay ny firedireden’ny faniriana.

Zava-poana amam-panenjehan-drivotra ihany koa izany.

10 Ny zavatra tonga rehetra, dia efa voatondro anarana rahateo;

fantatra ihany izay ho toetry ny olona;

ary tsy mahazo mifandahatra amin’izay mahery noho izy izy.

11 Fa betsaka ny teny izay mampitombo ny zava-poana fotsiny:

ka inona no soa azon’ny olona amin’izany?

12 Satria, iza tokoa moa no mahalala,

izay soa ho an’ny olona amin’ity fiainana ity;

dia amin’izao andro foana iainany izao,

izay andalovany toy ny fihelin’ny aloka?

Ary zovy no mahalaza amin’ny olona,

izay zavatra ho avy any aoriana, atỳ ambany masoandro?

Categories
Mpit

Mpit 7

Teny mialoha

1 Aleo laza soa, toy izy hanitra soa;

ary aleo ny andro ahafatesana, toy izay ny andro ahaterahana.

2 Aleo mankany an-trano misy fisaonana,

toy izay mankany an-trano misy fanasana;

satria itsy voalohany ny isehoan’ny hiafaran’ny olombelona,

ka atodiky ny velona hieritreritra an’izany ny fony.

3 Aleo alahelo toy izay hehy;

fa ny tarehy malahelo, mahasoa ny fo.

4 Ny fon’ny hendry, ao an-trano misy fisaonana,

fa ny fon’ny adala, ao an-trano misy fifaliana.

5 Aleo mihaino ny fananaran’ny hendry,

toy izay mihaino ny hiran’ny adala.

6 Fa toy ny firefodrefotry ny tsilo ambany vilany

ny hehin’ny adala.

Zava-poana koa izany.

7 Fa ny fampahoriana, mahavery saina ny hendry;

ary ny kolikoly, mahasimba ny fo.

1. Ny valin’ny atao

8 Aleo ny fiafaran’ny zavatra, toy izay ny fiandohany;

aleo fo mahalefitra, toy izay fo miavonavona.

9 Aza maika foana ny ho tezitra am-po;

fa ny tratran’ny adala no fitoeran’ny hatezerana.

10 Aza manao hoe: Nahoana ny andro taloha,

no tsara noho ny ankehitriny?

fa tsy mba fahendrena no anontaniana an’izany.

11 Tsara ny fahendrena miaraka aman-dova,

ary mahasoa an’izay mahita masoandro izy.

12 Fa sahala ny fiarovana avy amin’ny vola

sy ny fiarovana avy amin’ny fahendrena;

nefa soa manan-tombo ny fahaizana,

dia mampiaina an’izay manana azy ny fahendrena.

13 Jereo ange ny asan’Andriamanitra:

Zovy moa no hahahitsy izay nomelohiny?

14 Mifalia, amin’ny andron’ny fahasambarana,

ary mieritrereta, amin’ny andron’ny fahoriana:

fa samy nataon’Andriamanitra ireo,

mba tsy hahafantaran’ny olona izay tsy maintsy hihatra aminy.

15 Izao rehetra izao no efa samy hitako,

tamin’ny andron’ny hatsinontsinoko.

Misy marina, maty amin’ny fahamarinany;

ary misy ratsy fanahy ela velona amin’ny faharatsiany!

16 Aza dia marin-doatra,

ary aza dia miseho ho hendry loatra:

ahoana no hitadiavanao hamono tena?

17 Aza dia sompatra loatra,

ary aza dia adala:

Ahoana no hitadiavanao ny ho faty alohan’ny fotoanao?

18 Tsara ny hitananao an’ity,

sy tsy hanaovanao mosalahy amin’irỳ;

fa ny matahotra an’Andriamanitra manalavitra ireo zavatra rehetra diso ohatra ireo.

19 Ny hendry, omen’ny fahendrena hery,

mihoatra noho ny an’ny mpanapaka folo ao an-tanàna.

20 Fa tsy misy olombelona marina amin’ny tany,

izay manao ny tsara, ka tsy manotaakory.

21 Aza asianao raharaha loatra

izao teny lazaina rehetra izao;

fandrao dia renao manozona anao ny mpanomponao.

22 Satria fantatry ny fieritreretanao fa matetika

dia efa nanozona ny sasany koa ianao.

23 Hitako tamin’ny fahendrena, fa marina izany rehetra izany;

dia hoy aho: Ho hendry aho!

kanjo nitoetra lavitra ahy ny fahendrena.

24 Izay tonga dia lavitra

sady lalina dia lalina; ka zovy no mahatratra izany?

25 Nikezaka aho, ary ny foko nitady, hahalala, hamototra sy handalina

ny fahendrena aman’anton-javatra,

ary hitako fa fahaverezan-tsaina ny faharatsiana,

ary rediredy foana ny fitondran-tena adala.

26 Ka hitako fa mangidy noho ny fahafatesana

ny vehivavy izay fandrika sy harato ny fony;

ary famatorana ny tanany;

izay matahotra an’Andriamanitra afa-mandositra azy;

fa ny mpanota kosa hosingorany.

27 Izao no hitako, hoy ny Mpitory teny,

tamin’ny andinihana ny zavatra tsirairay,

hahitana ny antony,

fa tsy tapaka mikatsaka izany ny fanahiko,

nefa tsy hitako, dia izao:

Nahita lehilahy iray tamin’ny arivo aho,

nefa tsy nahita vehivavy iray tamin’izany isa izany ihany kosa.

28 Fa jereo ange, izao no hitako:

Nataon’Andriamanitra mahitsy fo ny olona,

fa mamorona saim-petsy maro kosa izy ireo.

Categories
Mpit

Mpit 8

1 Iza moa no tahaka ny hendry,

ary zovy no mahalala ny anton-javatra, toa azy?

Ampamirapiratin’ny fahendren’ny olona ny tarehiny,

ary ny tarehiny marokoroko dia voaova.

2 Hoy aho: Tandremo ny didin’ny mpanjaka,

noho ny efa nianianana tamin’Andriamanitra:

3 aza maika hiala eo anatrehany.

Aza mikiribiby amin’ny zavatra tsy mety,

fa izay sitrany rehetra azony atao avokoa.

4 Manan-kery tsy toha ny tenin’ny mpanjaka,

ka iza no hanao aminy hoe: Inona ity ataonao?

5 Izay mitandrina ny didy, tsy iharan-doza na inona na inona;

ary ny fon’ny hendry hahalala ny fotoana sy ny fitsarana.

6 Fa samy misy fotoana amam-pitsarana ho azy avy ny zavatra rehetra,

fa lehibe ny loza hanjò ny olombelona.

7 Tsy mahalala izay ho avy izy;

ary iza no hilaza aminy, na hanao ahoana na hanao ahoana no hiavian’izany?

8 Tsy tompon’ny fofon’ainy ny olombelona,

ka hahatana ny fofon’ainy;

ary tsy manam-pahefana amin’ny andro ahafatesany izy;

tsy misy avaka ny amin’izany ady izany,

ary ny heloka tsy hahavonjy ny olo-meloka.

9 Nahita izany rehetra izany aho;

fa nentiko mandinika ny zavatra rehetra

atao atỳ ambany masoandro, ny saiko,

amin’ny andro anapahan’olona iray, ny olon-kafa,

ka ampidirany loza aminy.

10 Hitako fahizany, fa ny ratsy fanahy mahazo levenana,

sy tafiditra ny fitsaharany,

fa ny olona manao ny marina kosa,

miala lavitra ny fitoerana masina,

ary hadinoina ao an-tanàna.

Zava-poana koa izany.

11 Saingy tsy tanterahina vetivety,

ny teny fitsarana navoaka hamaliana ny ratsy atao,

ka noho izany ny fon’ny zanak’olombelona dia mihasahy ao anatiny amin’ny fanaovan-dratsy;

12 fa na hanao ratsy injato aza ny mpanota,

ka ho lava andro iainana koa,

fantatro fa ny fahasambarana kosa,

dia an’izany matahotra an’Andriamanitra,

dia izay tsindrian’ny fahatahorana eo anatrehany.

13 Fa tsy mba an’ny ratsy fanahy, ny hasambarana;

ary ho toy ny aloka izy fa tsy lava andro iainana,

noho izy tsy matahotra an’Andriamanitra.

14 Izao koa no zava-poana miseho atỳ ambonin’ny tany:

Misy olo-marina iharan’

izay mendrika ny asan’ny ratsy fanahy;

ary misy olon-dratsy

iharan’izay mendrika ny asan’ny tsara fanahy.

Ka hoy aho: zava-poana koa izany.

15 Koa midera ny fifaliana aho,

satria tsy misy hasambarana ho an’ny olona atỳ ambany masoandro,

afa-tsy ny mihinana sy misotro ary mifaly;

ary izany no tokony homba azy

amin’ny asany, mandritra ny andro

omen’Andriamanitra hiainany, atỳ ambany masoandro.

2. Ny fitiavana

16 Raha nentiko hamantatra ny fahendrena ny saiko,

sy handinika ny anjara asa,

atao atỳ ambonin’ny tany, –

fa na andro na alina

tsy mahita tory ny mason’ny olona –

dia hitako ny asan’Andriamanitra manontolo;

17 hitako fa hain’olombelona fantarina

ny asa atao atỳ ambany masoandro;

misasatra mitady ny olombelona fa tsy mahita,

na maniry te-hahalala aza ny hendry

dia tsy mahatakatra koa.

Categories
Mpit

Mpit 9

1 Nasiako raharaha tokoa izao rehetra izao

ary hitako tsara izao rehetra izao:

Eo an-tanan’Andriamanitra ny marina sy ny hendry

mbamin’ny asany rehetra;

tsy misy fantatry ny olombelona na ny fitiavana na ny fankahalana;

eo anoloany avokoa ny zavatra rehetra.

2 Na inona na inona tsy misy avaka ny mahazo ny olombelona rehetra;

sahala ny anjaran’ny marina sy ny ratsy,

ny tsara sady madio, sy ny tsy madio,

ny manao sorona sy ny tsy manao sorona;

izay manjò ny olona tsara fanahy ihany no manjò ny mpanota koa;

izay nianiana, tsy misy hafa amin’izay tsy sahy mianiana.

3 Zavatra ratsyanankiray amin’izay rehetra atao atỳ ambany masoandro

dia ny itovian’ny olombelona rehetra anjara;

ka noho izany dia feno hasomparana ny fon’ny zanak’olombelona.

ary ao am-pony mandritra ny andro iainana, ny hadalana.

Nony afaka izany, mankany amin’ny maty izy.

4 Fa raha anisan’ny velona, dia mbola misy fanantenana,

aleo amboa velona, toy izay liona maty.

5 Fa ny velona mahalala fa ho faty izy;

fa ny maty kosa tsy mahalala na inona na inona,

ary tsy manan-tamby intsonyizy

fa hadino ny fahatsiarovana azy.

6 Levona sahady ny fitiavany,

sy ny fankahalany amam-pialonany;

ary tsy hanana anjara akory na oviana na oviana izy

amin’izay atao atỳ ambany masoandro intsony.

7 Mandehana, hano an-kafaliana ny mofonao,

ary sotroy am-piravoravoam-po ny divainao;

fa efa asehon’Andriamanitra ny fankasitrahany ny asanao.

8 Aoka ho fotsy mandrakariva ny fitafianao;

ary tsy ho diso diloilo manitra ny lohanao.

9 Miadàna amin’izao fiainanao izao miaraka amin’ny vady tianao,

mandritra ny andro tsinontsinona rehetra iainanao

izay nomen’Andriamanitra anao atỳ ambany masoandro,

dia mandritra ny andro foana rehetra izay anao,

fa izany no anjaranao amin’ity fiainana ity,

sy amin’ny asa ataonao atỳ ambany masoandro.

10 Izay rehetra azon’ny tananao atao,

dia ataovy amin-kerim-po;

fa tsy misy asa na fahalalana na fahaizana,

na fahendrena any amin’ny Seoly izay halehanao.

3. Ny anjara

11 Nihodina aho, ary hitako atỳ ambany masoandro

fa ny fihazakazahana tsy an’ny faingan-tongotra;

na ny ady an’ny mahery fo

na ny hanina an’ny hendry

na ny harena an’ny mahalala

na ny tombon-tsoa an’ny mahay

fa samy voan’ny fotoana aman-tsampona avokoa izy rehetra.

12 Fa ny fotoanany aza tsy fantatry ny olombelona;

toy ny hazandrano latsaka am-bovo tsy azo ialana,

sy toy ny vorona voan’ny fandrika,

tahaka azy ireo koa ny zanak’olombelona

dia voafadiditra amin’ny androm-pahoriana,

raha avy izay iantsamboran-doza tampoka aminy.

13 Izao koa no fahendrena hitako tatỳ ambany masoandro,

ka nataoko ho lehibe izy io.

14 Nisy tanàna kely anankiray vitsy mponina ao anatiny;

nalehan’ny mpanjaka mahery, nataony fahirano,

sy nananganany tilikambo avo hamelezana azy.

15 Fa nisy mahantra sy hendry kosa tao,

ka namonjy ny tanàna tamin’ny fahendreny.

Ary tsy mba nisy nahatsiaro an-dralehilahy mahantra akory ny olona

16 Ary hoy aho: Aleo fahendrena toy izay hery;

nefa hamavoin’ny olona ny fahendren’ny mahantra,

ary tsy henoina akory ny teniny.

17 Ny tenin’ny hendry tononina amim-piadanana dia henoina tsara,

mihoatra noho ny fitreron’ny mpanapaka eo afovoan’ny adala.

18 Aleo fahendrena, toy izay fitaovana enti-miady;

nefa mpanota iray monja dia mandrava soa betsaka.

Categories
Mpit

Mpit 10

1 Fatin-dalitra mahamaimbo sy manimba ny diloilon’ny mpanao zava-manitra;

tahaka izany koa ny fahadalana kely

mahaleo ny fahendrena amam-boninahitra.

2 Ny fon’ny hendry eo ankavanany;

ny fon’ny adala kosa eo ankaviany.

3 Ary koa raha mandeha any an-dalana ny adala,

dia very hevitra izy,

ka maneho ny hadalany amin’ny olona rehetra.

4 Raha misondrotra tezitra aminaony fon’ny mpanapaka,

aza miala eo amin’ny fitoeranao,

fa ny fahatsindriam-po mahasakana hadisoana be vava.

5 Misy ratsy efa hitako atỳ ambany masoandro,

tahaka ny hadisoana avy amin’ny mpanjaka izany:

6 Ny fahadalana mitana raharaha ambony,

ary misy mpanan-karena, mipetraka amin’ny toetra ambany.

7 Misy mpanompo hitako mitaingin-tsoavaly,

ary andriandahy kosa nandeha tongotra toa mpanompo.

8 Izay mihady lavaka mety ho latsaka ao,

ary izay mandrava rafi-bato

mety hokaikerin’ny menarana.

9 Izay manenda-bato, mety haratran’izany;

ary ny mamaky hazo mety ho voany.

10 Raha dombo ny antsy

ka tsy asaina ny lelany,

dia tsy maintsy manao an’aina ny mpikapa;

fa ny fahendrena no metimety kokoa hahombiazana.

11 Raha manaikitra ny bibilavafa tsy natao izay hampahasondriana azy,

dia tsy misy tombon-tsoa ho an’ny mpampahasondriana.

12 Mahafinaritra erỳ ny teny aloaky ny vavan’ny hendry;

mihinana ny tenany kosa ny molotry ny adala.

13 Ny fiandohan’ny teny avy amin’ny vavany, fahadalana;

ary fiafaran’ny lahateniny koa, fahaverezan-tsaina misafoaka.

14 Mampitombo ny teny ho maro, ny adala!…

Tsy fantatry ny olona izay ho avy;

ary iza no hilaza aminy izay ho avy any aoriany?

15 Ny asan’ny adala mandreraka azy;

fa ny mankany an-tanàna avy no tsy fantany.

16 Loza ho anao, ry tany izay manana zaza ho mpanjaka,

ary ny mpifehy homana hatry ny vao maraina!

17 Sambatra ianao, ry tany, izay manana zanak’andriana ho mpanjaka,

ary ny mpifehy homana amin’ny fotoanany mety,

mba hanohana ny ainy fa tsy hiarana amin’ny fisotro.

18 Raha kamo ny tanana, miletsy ny lohatrano;

ary raha miborera ny tanana, mitete ny trano.

19 Misakafo ny olona hiaranana amin’ny fahafinaretana;

ny divay maharavoravo ny fiainana,

ary ny vola, ahazoana ny zavatra rehetra.

20 Aza manozona ny mpanjaka, na ao an-tsainao aza;

aza manozona ny manam-pahefana, na eo an’efitrano fandrianao aza;

fa ny voromanidina hitondra ny feonao;

ary ny biby manana elatra hanely ny teninao.

Categories
Mpit

Mpit 11

1 Atsipazo eny ambony rano ny mofonao,

fa mbola any ny andro hahitanao azy indray.

2 Omeo anjara ny fito, ary na dia ny valo aza,

fa tsy fantatra izay loza mety hanjò eto ambonin’ny tany.

3 Rehefa feno orana ny rahona,

dia alatsany amin’ny tany izany;

ary raha mianjera mianatsimona mianavaratra ny hazo,

dia izay ianjerany ihany no itoerany koa.

4 Izay fatra-pandinika ny rivotra tsy mba hamafy,

ary izay fatra-panadihady ny rahona tsy mba hijinja.

5 Toy ny tsy ahalalanao ny lalan’ny rivotra

sy ny fomba fiforonan’ny taolana ao am-bohoka,

no tsy ahalalanao ny asan’Andriamanitra izay manao ny zavatra rehetra.

6 Vao maraina dia afafazo ny voanao,

ary ny hariva koa aza avela hitsahatra ny tananao,

fa tsy fantatra izay ho vanona na ity na irỳ,

na samy ho vanona aza izy roa tonta.

4. Ny fahanterana

7 Mamy ny fahazavana,

ary mahafinaritra ny maso ny mahita ny mason’andro.

8 Na maro toy inona aza ny taona iainan’ny olona,

aoka hifaly izy amin’izany taona rehetra izany

ary aoka hoheveriny ny andro maizina,

fa ho maro izy ireny:

izay mahazo rehetra dia zava-poana avokoa.

9 Ry zatovo, mifaliadieny mbola tanora ianao;

aoka hahazo firavoravoana amin’ny fonao ianao amin’ny andron’ny fahatanoranao!

Mandehana any amin’izay lalan’ny fonao,

sy araka izay fijerin’ny masonao.

Fantaro anefa fa izany rehetra izany

dia hiantsoan’Andriamanitra anao hotsaraina.

10 Esory ao am-ponao ny alahelo,

ary halaviro ny vatanao ny ratsy,

samy zava-poana ny hatanorana amam-pahamaitsovolo.

Categories
Mpit

Mpit 12

1 Tsarovy ny Mpahary anao,

amin’ny andron’ny fahatanoranao,

dieny tsy mbola tongany andro ratsy

ary tsy mbola akaiky ny taona hanaovanao hoe:

– Tsy sitrako izao.

2 Dieny mbola tsy maizina ny masoandro,

sy ny fahazavana ary ny volana aman-kintana,

ary mbola tsy mitambatra indray ny rahona aorian’ny orana,

3 amin’ny andro angovitan’ny mpiandry trano,

ikainkonan’ny lehilahy matanjaka,

iatoan’ny ankizy vavy mitoto, fa mihavitsy isa;

ihamaizinan’ireomitazana eo am-baravarankely,

4 ikatonan’ny varavarana kopa-droamankeny an-dalambe,

naha mihamalemyny feon’ny vato fikosoham-bary,

izay itsanganan’ny olona mandre ny feon’ny voronkely,

sy ahalasanan’ny ankizy vavy mpihirarehetra,

5 amin’izay atahoran’ny olonany eny amin’ny fitoerana avo,

izay ivadihan’ny olona fo eny an-dalambe,

amin’izay amonian’ny amandie,

sy ahatongavan’ny valala ho mavesatra,

ary tsy hisy asany intsony ny kapra,

fa miainga ho any amin’ny fonenany mandrakizay ny olona,

ary mitety ny arabe ny mpitomany;

6 Dieny mbola tsy tapaka ny kofehy volafotsy,

mbola tsy vaky ny tamaboa volamena,

mbola tsy vaky ny siny eo an-doharano,

mbola tsy tapaka ny bolaky

ka latsaka eo an-davaka famorian-drano;

7 dieny mbola tsy miverinaamin’ny tany ny vovoka,

araka ny toetrany taloha indray,

ary ny fanahy kosa hiverina amin’Andriamanitra izay nanome azy.

8 Zava-poana dia zava-poana, hoy ny Mpitoriteny,

zava-poana ny zavatra rehetra.

Teny famaranana

9 Afa-tsy ny maha olon-kendry ny Mpitory teny,

dia nampianatra ny fahaizana ny vahoaka koa izy;

nandinika sy nandanjalanja izy,

ary nandahatra oha-teny maro.

10 Nikely aina ny Mpitory teny hahita fomba fiteny mahafinaritra,

sy hanoratra tenim-pahamarinana araka ny hitsiny.

11 Ny tenin’ny hendry dia toy ny fanindronana omby;

ny boky nanangonana azy toy ny fantsika voahombo;

atolotry ny Mpiandry iray monja ireo teny ireo.

12 Ary raha teny mihoatra noho izao kosa, anaka, aoka ho efa voaanatra ianao.

Fa ny manampy manampy boky ihany, tsy hisy farany;

ary ny fianarana be koa, fanasaran-tena.

13 Famaranana ny lahateny, rehefa heno avokoa izy rehetra:

Matahora an’Andriamanitra ary mitandrema ny didiny,

fa izany tokana no izy amin’ny olombelona;

14 satria holazain’Andriamanitra amin’ny fitsarana avokoa,

ny zava-miafina rehetra,

mbamin’ny asa rehetra, na tsara na ratsy.

Categories
Tononkira dia Tononkira

Tononkira dia Tononkira 1

LOHATENY SY TENY VOALOHANY

1 Tononkira dia tononkira, nataon’i Salômôna.

Ny ampakarina

2 Hanoroka ahy amin’ny fanorohan’ny vavany anie izy!

Fa tsara noho ny divay ny fitiavanao;

3 soa ny hanitry ny zava-manitrao,

diloilo mamerovero ny anaranao,

izany no itiavan’ny zatovo vavy anao.

4 Ento hanaraka anao aho; andao faingana isika!

Nentin’ny mpanjaka ho ao an’efitranony mitokana aho,

hientan-kafaliana sy hiravoravo aminao izahay,

hidera ny fitiavanao, mihoatra noho ny divay izahay.

An-drariny loatra ny itiavan’ny olona anao!

Ny ampakarina

5 Mainty aho, ry zanaka vavin’i Jerosalema, nefa tsara tarehy.

Sahala amin’ny lain’i Sedera, tahaka ny trano lain’i Salômôna.

6 Aza ny hamaintiko no jerena,

fa ny hainandro no nampivalomainty ahy:

tezitra tamiko ny zanak’i neny;

nasainy niandry tanimboaloboka aho,

ny tanimboaloboko, ny ahy, tsy mba nandrasako.

7 Lazao ahy, ry malalan’ny foko

izay iandrasanao ny ondrinao,

izay ampandrianao azy raha mitatao vovona ny andro,

mba tsy ho tahaka ny mpirenireny foana aho,

eny amin’ny andian’ondrin’ny namanao eny.

Antoko-mpihira

8 Raha tsy fantatrao izany, ry tsara tarehy indrindra amin’ny vehivavy,

mandehana manaraka ny biby fiompinao,

dia andraso eny akaikin’ny trano bongon’ny mpiandry ondry, ny zanak’osinao.

Mpampakatra

9 Amin’ny soavaly vaviko mitarika ny kalesin’i Faraôna

no ampitahàko anao, ry malalako.

10 Tsara ny takolakao voahodidin’ireo fehivozona,

soa ny vozonao, voahodidin’ireo voahangy maro andalana.

11 Ny hataonay ho anao dia rado volamena mitentim-bolafotsy.

Ampakarina

12 Raha teo amin’ny saofàny indrindra iny ny mpanjaka

no nandefa ny fofony kosa ny zava-manitro.

13 Ho ahy ny malalako, dia mira eran-kitapo kely,

izay miondana eo an-tratrako.

14 Amiko ny malalako, dia sipra iray sampaho,

any an-tanimboalobok’i Engadi!

Mpampakatra

15 Eny, tsara tarehy ianao, ry malalako; eny tsara tarehy ianao!

Masom-boromahailala, ny masonao.

Ampakarina

16 Eny, tsara tarehy ianao, ry malalako,

eny mahafinaritra ianao.

Ny farafarantsika dia farafara zava-maitso.

Mpampakatra

17 Sedera ny sakamandimbin-tranontsika;

sipresy ny peta-drindrintsika.

Categories
Tononkira dia Tononkira

Tononkira dia Tononkira 2

Ampakarina

1 Izaho, dia narsisa any Arôna,

lisy eny an-dohasaha.

Mpampakatra

2 Toy ny lisy eo afovoan’ny tsilo,

ny malalako eo amin’ny zazavavy.

Ampakarina

3 Toy ny foto-pôma any afovoan’ny hazo any an’ala,

ny malalako eo amin’ny zazalahy.

Niriko ny hipetraka eo ambanin’ny alokalony,

ary mamy ao am-bavako ny voany.

4 Nampidiriny ao an-tranon-divainyaho,

ary fitiavana no faneva atsangany ho ahy.

5 Tohano ampempam-boaloboka aho,

hatanjaho amin’ny pôma aho,

fa matim-pitia ny foko.

6 Hanondana ahy anie ny tanany havia,

ary hanohona ahy ny tanany ankavanana.

Mpampakatra

7 Ry zanaka vavin’i Jerosalema, izaho miangavy anareo indrindra,

noho ny gazela aman-tserfavavy eny an-tsaha,

aza fohazinareo, aza fohazinareo ny malalako,

raha tsy efa sitrapony.

Ampakarina

8 Injay ny feon’ny malalako, indrỳ tamy izy,

miantsambotsambotra eny an-tendrombohitra;

mitsambikina amin’ny havoana.

9 Manahaka ny gazela ny malalako,

sy ny zanaky ny serfa vavy.

Indro izy eo ivohon-drindrin-tranonay

mijery eo am-baravarankely,

mijery eo amin’ny makarakara.

10 Niteny ny malalako, ka nanao tamiko hoe:

«Mitsangàna, ry malalako, ry tsara tarehiko, ka avia!

11 Fa indro ny ririnina efa lasa;

ny ranonorana efa nitsahatra tsy misy intsony.

12 Ny voninkazo efa miposaka amin’ny tany;

ny fotoana fihirana efa tonga.

Ny feon-domohina efa re eny an-tsahantsika;

13 efa mipoitra ny voan’aviavy vao mitsimoka,

ny voaloboka mamòny efa mamerovero;

mifohaza, ry malalako, ry tsara tarehiko, ka avia!

14 Ry voromahailalako izay mipetraka eo an-tsefatsefa-bato;

eo amin’ny fialofan’ny rindrim-bato mideza,

asehoy ahy ny endrikao,

ampandreneso ahy ny feonao,

fa mamy ny feonao,

ary mahafinaritra ny endrikao».

15 Isambory ny fosa izahay

ny fosa madinika

izay manimba ny tanimboaloboka;

fa efa mamòny ny voalobokay.

16 Ahy ny malalako, ary azy aho;

miandry ny ondriny eny amin’ny lisy izy.

17 Alohan’ny hangatsiatsiahan’ny andro,

sy hahalasanan’ny aloka,

mba miverena… Ry malalako, aoka ianao hanahaka

ny gazela na ny zanaky ny serfa vavy

eny an-tendrombohitra voatsefatsefaka.