Categories
Eksaody

Eksaody 21

Lalàna momba ny olona andevozina

1 «Izao no lalàna homenao azy ireo:

2 Rehefa hividy mpanompo hebrio ianao, enin-taona no hanompoany, fa amin’ny taona fahafito dia hiala izy ka afaka tsy mandoa na inona na inona.

3 Raha izy irery no niditra dia izy irery no hiala; raha niaraka tamim-bady izy dia hiara-miala aminy koa ny vadiny.

4 Raha ny tompony anefa no manome vady azy, ka niteraka lahy amana vavy taminy izy dia an’ny tompony ravehivavy sy ny zanany, fa izy kosa dia honjihonjin’izy irery no hiala.

5 Ary raha ny mpanompo kosa no manao hoe: Tsy mahafoy ny tompoko sy ny vady aman-janako aho, ka tsy te-ho afaka,

6 dia ho entin’ny tompony eo anatrehan’Andriamanitraizy ka hasainy miolotra ny varavarana na ny tolàm-baravarana, ary hotevehiny amin’ny haolo ny sofiny, dia ho mpanompony hanompo azy mandrakizay izy.

7 Raha misy lehilahy mivaro-janaka vavy ho mpanompon’olona dia tsy mba ho toy ny andevolahy ny fahafahany,

8 fa raha ilay tompony izay nihevitra azy ho an’ny tenany no tsy tia azy dia havelany havotana izy; fa tsy ho azony amidy amin’olon-kafa nony efa nivadihany.

9 Raha ny zanany lahy no kasainy homena azy dia hoentiny araka izay tsy maintsy ho fitondra ny zanakavavy izy.

10 Ary raha mbola maka vehivavy hafa izy dia tsy misy azony ahena ny fanome an-dravehivavy voalohany, na ny momba ny sakafo, na ny momba ny fitafiana, na ny momba ny hanina.

11 Ary raha tsy tanterahiny aminy ireo zavatra telo ireo dia mahazo miala fotsiny izy, fa tsy handoa vola akory».

Famonoana olona

12 «Izay mamono mahafaty olona dia tsy maintsy atao maty.

13 Nefa raha tsy nanao otrika taminy izy, fa tolotr’Andriamanitra no nahavoazan’ny tanany azy dia hoferako aminao izay toerana hahazoany ialofana.

14 Fa raha misy kosa lehilahy nanao an-kasomparana amin’ny namany hamonoany azy an-kafetsena, na mby eo amin’ny ôtely aza, tsoahy eo ka vonoy ho faty.

15 Izay mikapoka ny rainy na ny reniny tsy maintsy hatao maty.

16 Izay mangalatra olona, na namidiny izy io, na tratra eo an-tanany, dia tsy maintsy atao maty.

17 Izay hanozona ny rainy na ny reniny dia hohelohin-ko faty».

Kapoka sy ratra

18 «Raha misy olona mifanditra ary asian’ny iray vato na totohondry ny namany, nefa tsy nahafaty azy, fa nampihonaka am-pandriana azy izany, dia ho afaka ilay namono,

19 raha manaritra ny anankiray ka afa-mitsangatsangana any ivelany miankina amin’ny tehina; nefa kosa tsy maintsy onerany ny andro tsy niasany ary hiantohany ny fitsaboana azy.»

20 «Izay mikapoka hazo ny andevolahiny na ny andevovaviny, ka mahafaty azy eo no ho eo, dia hovaliana tokoa.

21 Fa raha mbola velona indray andro na indroa andro ihany izy, dia tsy hovaliana izy, satria an’ny tompony ihany io.»

22 «Raha misy olona miady ary mandona vehivavy bevohoka, ka teraka azon’izany ravehivavy nefa tsy maninon-tsy maninona izy, dia izay onitra ilain’ny vadiny sy didian’ny mpitsara haloa ihany no ho sazin’ilay diso.

23 Fa raha misy loza mihatra kosa dia hasainao efaina aina ny aina,

24 efai-maso ny maso, efai-nify ny nify, efain-tanana ny tanana, efain-tongotra ny tongotra,

25 efain-dotra ny voadotra, efain-dratra ny ratra, efai-mangana ny mangana.»

26 «Raha misy olona mamely ny mason’ny ankizilahiny na ny ankizivaviny, ka mahajamba ny masony, dia halefany ho afaka izy ho onitry ny masony.

27 Ary raha mahafa-nify iray amin’ny ankizilahiny na ny ankizivaviny izy, dia handefa azy ho afaka ho onitry ny nifiny.

28 «Raha misy omby manoto lehilahy na vehivavy ka mahafaty azy, dia ny omby no hotoraham-bato sy tsy hohanin-kena, fa ny tompony ho afaka.

29 Raha omby efa nanoto hatramin’ny ela anefa sady efa nilazana izany ny tompony, nefa tsy mitandrina azy, dia hotoraham-bato ny omby, raha mahafaty lehilahy na vehivavy, ary atao maty koa ny tompony.

30 Raha vidin’aina no asaina ataon’ny tompon’ny omby dia haloany izay didiana haloany.

31 Raha zazalahy na zazavavy no totoin’ny omby, dia io lalàna io ihany koa no hampiasaina.

32 Fa raha andevolahy na andevovavy no totoin’ny omby dia vola fotsy telopolo sikla no haloa ho an’ny tompon’ny andevo, ary ny omby hotoraham-bato.»

33 «Raha misy olona manokatra lava-drano, na olona vao mandavaka lava-drano ka tsy mandrakotra azy, ka misy omby na ampondra latsaka ao,

34 dia hanonitra ny tompon-davaka, haloany volafotsy izay vidin’ny biby maty, ho azy».

Fangalarana biby

35 «Raha misy ombin’olona manoto ombin’olon-kafa ka mahafaty azy, dia hamidin’izy ireo ny omby velona, ka ny vidiny hozarainy, ny omby maty koa hozarainy.

36 Raha fantatra anefa fa efa mpanoto hatramin’ny ela ilay omby fa tsy nitandrina azy ihany ny tompony, dia hanonitra izy, hoefainy omby ny omby, fa ny omby maty no ho azy.»

Categories
Eksaody

Eksaody 22

1 «Raha misy olona mangalatra omby na zanak’ondry, ka mamono izany na mivarotra, dia honerany omby dimy ny omby iray ary zanak’ondry efatra ny zanak’ondry iray.»

2 «Raha misy mpangalatra azo manami-trano alina, ka voavela izy ka maty, dia tsy misy valin-dra amin’izany;

3 fa raha efa niposaka kosa ny masoandro dia hisy valin-dra ihany. Hanonitra ny mpangalatra; raha tsy manana na inona na inona izy dia ny tenany no amidy ho onitr’izay nangalariny;

4 ary raha mbola tratra velona eo an-tanany izay nangalariny, na omby na ampondra na ondry, dia honerany avo sasaka».

Fanimban-javatra tsy maintsy onerana

5 «Raha misy olona manimba voly na tanimboaloboka, fa nampitondraka ny bibiny tamin’ny sahan’olona dia honerany izany amin’izay tsara indrindra amin’ny voliny sy amin’izay tsara indrindra amin’ny tanimboalobony.»

6 «Raha misy afo mirehitra ka mahazo ny tsilo aloha, izay vao mandevona amboaram-bary koa, na vary mbola tsy voajinja, na saha, dia hanonitra izay nandrehitra ny afo.»

7 «Raha misy nametra-bola na fanaka hotahirizin’ny namany, ka nangalarin’ny sasany tao an-tranon’ity namany izany: raha hita ny nangalatra dia hanonitra avo sasaka,

8 fa raha tsy hita ny mpangalatra, dia hiseho eo anatrehan’Andriamanitra ny tompon-trano, sao dia noraisin’ny tanany ihany ny fananan’ny namany.

9 Na inona na inona zavatra hifandirana, na omby na ampondra na fitafiana, na zavatra inona na zavatra inona very, ka lazain’ny olona hoe: Izy indrindra ity, dia hoentina eo anatrehan’Andriamanitra ny tenin’izy roa tonta, ka izay hoheloin’Andriamanitra dia hanonitra avo sasaka ho an’ny namany.»

10 «Raha misy olona manome omby na ondry na biby hafa anankiray hotahirizin’ny namany, ka maty ilay biby na tapaka, na misy naka nefa tsy nisy nahita,

11 dia ny fianianana amin’i Iaveh no hampanaovina amin’izy roa tonta hahalalàna raha noraisin’ny tanany ny fananan’ny namany, ary hanaiky izany ny tompom-biby, dia tsy hanonitra itsy anankiray.

12 Raha tao aminy anefa no nangalarana ny biby, dia tsy maintsy manonitra amin’ny tompom-biby izy.

13 Ary raha voaviraviram-biby masiaka ny biby, izay sisa tsy laniny no hoentiny ho vavolombelona, dia tsy hanonitra ilay biby voaviravira izy.»

14 «Raha misy olona mindram-biby amin’ny namany, ka tapaka na maty ilay biby tsy teo anatrehan’ny tompony, dia hisy onitra;

15 fa raha teo anatrehan’ny tompony kosa, tsy hisy onitra. Ary raha biby nohofany, dia ny hofany no ho solon’ny onitra».

Fanimbana zazavavy

16 «Raha misy lehilahy manakojikojy zazavavy tsy voafofo ka mandry aminy dia handoa ny hajam-bolany izy ka hanambady azy.

17 Ary raha lavin-drainy ny hanambadiany azy, dia ny vola fanome amin’ny zazavavy virjiny no haloany».

Lalàna momba ny fitondran-tena sy ny fivavahana.

18 «Aza velomina izay zazavavy mpanao ody.

19 «Ataovy maty izay olona miray amin’ny biby.

20 «Ataovy anatema izay manolotra sorona amin’ny andriamanitra, fa tsy amin’i Iaveh irery.

21 «Aza ratsy fitondra vahiny na mampahory azy, fa efa mba vahiny tany amin’ny tany Ejipta ianao.

22 «Aza manao izay hampalahelo ny mpitondra tena sy ny kamboty;

23 fa raha manao izay mampalahelo ireny ianao, dia hitaraina amiko izy, ka hohenoiko ny fitarainany;

24 hirehitra ny fahatezerako ka haringako amin’ny sabatra ianareo; ary ny vadinareo ho mpitondra tena, ny zanakareo ho kamboty.»

25 «Raha mampisambo-bola olona amin’ny vahoakako ianao, amin’ny mahantra eo aminao, aza mitsangan-ko mpanana vola aminy, aza maka zana-bola aminy.»

26 «Raha alainao ho antoka ny kapaotin’ny namanao dia avereno aminy alohan’ny maty masoandro,

27 fa iny no hany firakofany, iny no fitafiana anaronany ny tavany, ka inona ary no hoentiny mandry? Raha mitaraina amiko izy, hohenoiko ny fitarainany, fa antra olona aho.»

28 «Aza miteny ratsy an’Andriamanitra, na manozona ny filohany amin’ny firenena».

Santa-bokatra sy lahy matoa

29 «Aza milasilasy amin’ny fanaterana amiko ny voaloham-bokatry ny varinao sy ny voalobokao. Atolory ahy ny lahy matoa amin’ny zanakao lahy.

30 Ataovy toy izany koa ny voalohan-teraky ny omby aman’ondrinao; hafitoana no hiarahany amin-dreniny dia haterinao ho ahy izy amin’ny andro fahavalo.»

31 «Ho olona masina ho ahy ianareo; aza mihinan-kena voaviraviram-biby hita any an-tsaha, fa atsipazo ho an’ny amboa ireny.»

Categories
Eksaody

Eksaody 23

Ny rariny. Ny adidy amin’ny fahavalo

1 «Aza manely tsaho tsy marina. Aza manampy ny ratsy fanahy ka mitsangan-ko vavolombelona manombotomboka.

2 «Aza momba ny maro hanao ratsy; raha misy ady, aza miandany amin’ny maro ka mitsangan-ko vavolombelona nampitanila ny fitsarana.

3 Aza momba ny malahelo amin’ny adiny.

4 «Raha hitanao mania ny ombim-pahavalonao na ny ampondrany, dia aza diso ny mamerina izany any aminy.

5 Raha hitanao mihonaka ao ambanin’ny entany ny ampondran’izay mankahala anao, dia aza ilaozanao izy, fa miraisa hina aminy hanala ny entany.

6 «Aza mamilivily ny rariny ananan’ny mahantra raha manana ady izy.

7 Fadio ny ady tsy marina ka aza mamono ny tsy manan-tsiny sy ny marina, fa tsy hamela ny meloka Aho.

8 Aza mandray kolikoly fa mahajamba ny mahiratra ny kolikoly, ka tsy ahombiazan’ny ady marina.

9 Aza mampahory vahiny fa fantatrao ny fon’ny vahiny, satria efa mba vahiny tany amin’ny tany Ejipta koa ianareo.»

Taona fitsaharana sy sabata

10 «Mandritra ny enin-taona no hamafazanao ny taninao sy hanangonanao ny vokatra aminy.

11 Fa amin’ny taona fahafito, avelao izy fa aza kasihina, ary hohanin’ny mahantra eo amin’ny firenenao ary hohanin’ny biby any an-tsaha ny sisa tsy lany. Torak’izany koa no hataonao amin’ny tanimboalobokao sy ny ôlivanao.

12 «Mandritra ny henemana no hanaovanao ny asanao, fa amin’ny andro fahafito mitsahara, mba hiala sasatra ny omby aman’ampondranao, sy haka aina ny zanaky ny ankizivavinao sy ny vahiny.

13 «Tandremo avokoa ny zavatra rehetra nandidiako anao; aza manonona anaran’andriamani-kafa: aoka tsy hisy re aloaky ny vavanao akory izany.»

Ireo fetin’i Israely

14 «Intelo isan-taona no hanaovanao fety fankalazana Ahy.

15 Hitandrina ny fetin’ny Azima ianao; mandritra ny hafitoana dia hihinana mofo tsy misy lalivay ianao araka ny nandidiako anao, amin’ny fotoam-boafetra amin’ny volana abiba, fa tamin’io volana io no nivoahanao tany Ejipta; ka aza miseho eo anatrehako tsy mitondra fanatitra.

16 Hotandremanao ny fetin’ny fijinjana, fetin’ny voaloham-bokatry ny asanao izay nafafinao tany an-tsaha; ary ny fetin’ny fanangonam-bokatra amin’ny faran’ny taona, izay hanangonanao ny vokatry ny asanao tany an-tsaha;

17 koa intelo isan-taona no hisehoan’ny lehilahy rehetra eo anatrehan’ny Tompo Iaveh.»

18 «Tsy haterinao miaraka amin’ny mofo misy lalivay ny ran’ny sorona atao amiko; ary tsy hotahirizina ho tra-maraina ny menaka momba ny fetiko.»

19 «Haterinao ao an-tranon’i Iaveh Andriamanitrao ny santatry ny voaloham-bokatry ny taninao. Aza mahandro zanak’osy amin’ny rononon-dreniny.»

Fampanantenana sy hafatrafatra hidirana any Kanaana

20 «Indro Aho maniraka Anjely eo alohanao, hiaro anao eny an-dalana sy hahatonga anao any amin’ny toerana nomaniko.

21 Mitandrema tena eo anatrehany ary henoy ny feony; aza manohitra azy, fa tsy hamela ny fandikanareo ny didiny izy, satria ny Anarako no eo aminy.

22 Fa raha mihaino ny feony kosa ianao, ka manao izay rehetra holazaiko, dia ho fahavalon’ny fahavalonao Aho, sy ho rafin’ny rafinao.

23 Fa handeha eo alohanao ny Anjeliko hitondra anao ho any amin’ny Amôreana, ny Heteanina, ny Ferezeanina, ny Kananeanina, ny Heveanina ary ny Jeboseanina, dia haringako ireny.

24 Aza mivavaka amin’ny andriamaniny na manompo azy: aza mianatra ny fombany, fa azerao sy montsàny ny tsangam-baton-tsampiny.

25 Manompoa an’i Iaveh Andriamanitrareo, dia hitso-drano ny mofonao aman-dranonao Aho ary hampanalaviriko anao ny aretina.

26 Tsy hisy vehivavy afa-jaza, na vehivavy momba eo amin’ny taninao, ary hofenoiko isa ny andronao.»

27 «Handefa ny fampangorohoroako hialoha anao Aho, hampifandritahiko ny firenena rehetra hahatongavanao, ary hampiambohoiko anao ny fahavalonao rehetra.

28 Handefa fanenitra hialoha anao Aho, ka horoahin’ireny handositra ny tavanao ny Heveanina, ny Kananeanina mbamin’ny Heteanina.

29 Tsy hataoko indray mandroaka eo anatrehanao amin’ny taona iray anefa ireny, fandrao zary efitra ny tany, ka hihamaro ny biby ka hamely anao.

30 Fa horoahiko tsikelikely eo anoloanao izy mandra-pahamaro isa anao, ka hahazoanao mizaka ny tany.

31 Izao no hataoko faritaninao: hatramin’ny Ranomasina Mena ka hatramin’ny ranomasin’ny Filistinina, ary hatramin’ny efitra ka hatramin’ny ony, satria hatolotro eo an-tananao ny mponina amin’ny tany ka horoahinao hiala eo anoloanao.

32 Tsy hanao fanekem-pihavanana amin’izy ireo na amin’ny andriamanitr’izy ireo ianao.

33 Tsy honina eo amin’ny taninao ireny, fandrao mampanota anao amiko, sao dia hanompo ny andriamaniny ianao ka ho tonga fandrika ho anao izany.»

Categories
Eksaody

Eksaody 24

1 Ary hoy Andriamanitra tamin’i Môizy: «Miakara atỳ amin’i Iaveh ianao sy i Aarôna, i Nadaba sy i Abiò, ary loholona fitopolo amin’i Israely, ka mbola lavitra dia miankohofa.

2 I Môizy irery no hanakaiky an’i Iaveh, fa ireo hafa tsy hanakaiky; ary ny vahoaka tsy hiara-miakatra aminy».

3 Dia tonga i Môizy, nitondra tamin’ny vahoaka ny tenin’i Iaveh rehetra sy ny lalàna rehetra, ka indray niredona ny vahoaka ka namaly hoe: «Izay teny rehetra voalazan’i Iaveh dia hotanterahinay avokoa».

4 Nosoratan’i Môizy avokoa ny tenin’i Iaveh. Dia nifoha maraina koa izy, nanorina ôtely teo ampototry ny tendrombohitra sy nanangana tsangam-bato roa ambin’ny folo ho an’ny fokon’i Israely roa ambin’ny folo.

5 Ary naniraka zatovolahy zanak’i Israely izy, ka nanolotra sorona dorana tamin’i Iaveh izy ireo sy namono ombalahy hatao sorom-pisaorana.

6 Nalain’i Môizy ny antsasaky ny ra nataony teo amin’ny tany, ary ny antsasany nararany teo ambony ôtely.

7 Izay vao nalainy ny bokin’ny fanekena ary novakiny teo anatrehan’ny vahoaka, izay namaly hoe: «Hataonay sy hoekenay avokoa izay rehetra voalazan’i Iaveh.»

8 Dia nalain’i Môizy ny ra, nafafiny tamin’ny vahoaka sy nolazainy hoe: «Ity no ran’ny fanekena nataon’i Iaveh taminareo momba izany teny rehetra izany.»

9 Niakatra i Môizy, nomban’i Aarôna sy i Nadaba ary i Abiò mbamin’ny fitopolo lahy tamin’ny loholon’i Israely,

10 ary nahita ny Andriamanitr’i Israely izy ireo: teo ambanin’ny tongony dia nisy toa zavatra voavoatra natao tamin’ny safira mamirapiratra, zavatra mangarangarana toy ny lanitra.

11 Tsy naninjitra ny tanany tamin’ireo olom-boafidin’ny zanak’i Israely izy: dia nahita an’Andriamanitra ireo, ka nihinana sy nisotro.

I Môizy any an-tendrombohitra

12 Ary hoy i Iaveh tamin’i Môizy: «Miakara atỳ amiko eto an-tendrombohitra ka mijanòna eo, fa homeko anao ny vato fisaka, ny didy aman-dalàna nosoratako hampianarina azy ireo.»

13 Dia niainga i Môizy nomban’i Jôsoe mpanompony, nandroso nankeo an-tendrombohitr’Andriamanitra.

14 Hoy izy tamin’ireo loholona: «Andraso eto izahay mandra-piverinay atỳ aminareo. Ary indreo i Aarôna sy i Hora eto aminareo, ka raha misy manana ady dia aoka hanatona azy ireo.»

15 Niakatra tao an-tendrombohitra i Môizy, ary nosaronan’ny rahona ny tendrombohitra.

16 Nipetraka teo an-tendrombohitra Sinaia ny voninahitr’i Iaveh ka saron’ny rahona io nandritra ny henemana. Tamin’ny andro fahafito dia nantsoin’i Iaveh i Môizy, tao anatin’ny rahona.

17 Toy ny afo midedadeda teo antampon-tendrombohitra no fisehon’ny voninahitr’i Iaveh tamin’ny zanak’i Israely.

18 Niditra tao anatin’ny rahona i Môizy, dia niakatra tao an-tendrombohitra, ka nijanona teo an-tendrombohitra efapolo andro sy efapolo alina i Môizy.

Categories
Eksaody

Eksaody 25

Ny hoenti-manana ny tabernakla

1 Dia niteny tamin’i Môizy i Iaveh nanao hoe:

2 «Ilazao ny zanak’i Israely mba hanokan-javatra hafoy ho Ahy, ka horaisinareo amin’izay olona rehetra mahafoy an-tsitrapo malalaka ny zavatra omeny Ahy.

3 Izao no fanatitra horaisinareo avy amin’izy ireo: volamena sy volafotsy ary varahina;

4 jaky volomparasy, jaky mena mangatrakatraka, lamba mena antitra, rongony madinika sy volon’osy;

5 hoditr’ondrilahy voasoka mena, hodi-dogaona, hazo akasià;

6 solika hatao amin’ny fanaovan-jiro, zava-manitra hatao amin’ny diloilo fanosorana sy amin’ny zava-manitra fanembohana;

7 vatosoa berila sy vatosoa fandatsaka an-tranontranony, hatao amin’ny efôda sy ny saron-tratra.

8 Hanao fitoerana masina ho Ahy izy ireo dia honina eo aminy Aho.

9 Ary harahinareo tsara izay rehetra hasehoko anareo, ny mariky ny tabernakla sy ny mariky ny fanaka rehetra momba azy.»

Ny trano lay sy fanaka ao. Ny fiaran’ny fanekena.

10 «Hanao fiara hazo akasià izy; roa akihosy sasany ny lavany, ary iray akiho sy sasany ny sakany, ary iray akiho sy sasany ny haavony.

11 Hasianao takela-bolamena izy ao anatiny sy ao ivelany, ary hasianao tanjo-miolaka volamena ny manodidina azy.

12 Handrendrika masom-bolamena efatra hatao aminy ianao, hapetaka amin’ny tongony efatra; ny masom-bolamena roa amin’ny lafiny iray, ny masom-bolamena roa amin’ny lafiny iray.

13 Hanao bao hazo akasià ianao ka hasianao takela-bolamena,

14 dia hampiditra ny bao amin’ny masom-bolamena eo an-danin’ny fiara avy, hitondrana azy.

15 Havela hijanona eo amin’ny masom-bolamena ny bao fa tsy hesorina eo.

16 Ary hataonao ao amin’ny fiara, ny vavolombelona izay homeko anao.

17 Hanao fanaovam-panavotanaamin’ny volamena madio ianao, roa hakiho sy sasany ny lavany, iray hakiho sy sasany ny sakany.

18 Ary hanao kerobima volamena roa ianao hataonao an-tefiny, dia iray avy no ho eo an-daniny roa amin’ny fanaovam-panavotana;

19 ny kerobima iray hatao amin’ny laniny iray, ary ny kerobima iray hatao amin’ny laniny iray koa; ny kerobima dia hatao tafahoatra ny fanaovam-panavotana amin’ny laniny roa.

20 Hatao mivelatramiaraka ny elatry ny kerobima, hanarona ny fanaovam-panavotana amin’ny elany, ary hifanatrika ny tavany, hitodika manatrika ny fanaovam-panavotana, ny tavan’ny kerobima.

21 Dia hapetrakao eo ambonin’ny fiara ny fanaovam-panavotana; ary hapetrakao ao anatin’ny fiara ny vavolombelona izay homeko anao.

22 Fa eo no hihaonako aminao; ary eo ambonin’ny fanaovam-panavotana, anelanelan’ny kerobima roa, izay ao ambonin’ny fiaran’ny vavolombelona, no hampandrenesako anao ny didy rehetra homeko anao ho an’ny zanak’i Israely.»

Ny latabatra hasiana ny mofo atolotra

23 «Hanao latabatra hazo akasià ianao; ho roa hakiho ny lavany, iray hakiho ny sakany, ary iray hakiho sy sasany ny haavony.

24 Petaho volamena madio izy, ary asio tanjo-miolaka volamena ny manodidina azy.

25 Hasiana sisiny vody voampelatanana ny manodidina azy, ka asianao tanjo-miolaka volamena manodidina izay.

26 Hanao masom-bolamena efatra ianao ka hapetrakao amin’ny zoron’ny latabatra efatra ireo masom-bolamena ireo, dia amin’ny tongony efatra.

27 Hataonao eo akaikin’ny sisiny ny masom-bolamena, fa hampidirana ny bao hilanjana ny latabatra.

28 Hazo akasià no hanaovanao ny bao ary hasianao takela-bolamena; dia hitondrana ny latabatra ireo.

29 Dia hataonao ny loviany, ny vata kely fitoeran-java-manitra, ny kôpy aman-tasiny hanaovana ny fanatitra araraka; ka volamena madio no hanaovanao izany.

30 Hasianao ny mofo alahatra,izay ho eo anatrehako mandrakariva eo ambony latabatra.»

Ny fanaovan-jiro

31 «Hanao fanaovan-jiro amin’ny volamena madio ianao; hataonao an-tefiny avokoa izy mbamin’ny faladiany sy ny tahony, ary fonjany iray ihany ny ravim-boninkazo, ny bokony ary ny voniny,

32 ka hasianao rantsany enina maniry amin’ny laniny; ny rantsany telo, avy amin’ny laniny iray, ary ny rantsany telo, avy amin’ny laniny iray.

33 Ny rantsany voalohany dia hisy ravim-boninkazo telo miendrika vonin’amandia bokony sy voniny; ny rantsany faharoa dia hisy ravim-boninkazo telo miendrika vonin’amandia, bokony sy voniny; dia ho toy izany avokoa ny rantsany enina avy, amin’ny fanaovan-jiro.

34 Ny tahon’ny fanaovan-jiro hisy ravim-boninkazo efatra miendrika vonin’amandia, bokony sy voniny.

35 Hisy bokony iray eo ambanin’ny rantsana roa voalohany, avy amin’ny tahom-panaovan-jiro, bokony iray koa eo ambanin’ny rantsany roa manarakaraka, avy amin’ny tahom-panaovan-jiro, ary bokony iray koa eo ambanin’ny rantsany roa farany, avy amin’ny tahom-panaovan-jiro, araka ny rantsany enina, avy amin’ny tahom-panaovan-jiro.

36 Ho fonjany iray ihany amin’ny fanaovan-jiro ireo bokony sy rantsany ireo, ary ho fonjam-bolamena an-tefiny iray ihany avokoa izy manontolo, sady volamena madio.

37 Manaova lalampy hatao aminy, ataovy fito ny isany, dia hitaingina eny amin’ny rantsany ireo lalampiny ireo hanazava ny eo anoloany.

38 Ataovy volamena madio ny hetin-jirony sy ny fitoeran-davenon-jirony.

39 Volamena madio talenta irayno hanaovana ny fanaovan-jiro sy ny fanaka rehetra momba azy.

40 Jereo ka ataovy araka ny marika aseho anao ao an-tendrombohitra.»

Categories
Eksaody

Eksaody 26

Ny Fonenana. Ireo lamba sy rakotra.

1 «Ny hanaovana ny Fonenana dia ambainy folo; ny hanaovana azy ireo dia amin’ny rongony madinika voahasina, sy amin’ny jaky volomparasy, amin’ny kajy mangatrakatraka, ary amin’ny lamba mena antitra, asiana kerobima, asan-tanan’ny mpanenona mahay.

2 Valo amby roapolo hakiho ny halavan’ny ambainy iray, ary efatra hakiho ny sakan’ny ambainy iray, ary hampitoviana daholo ny haben’ny ambaina rehetra.

3 Havitrana ho iray ny ambainy dimy, dia havitrana ho iray koa ny ambainy dimy hafa.

4 Hasianao tadivavarana jaky volomparasy ny sisiny iafaran’ireo ambainy navitrana voalohany ireo, dia hasianao toy izany koa ny sisiny iafaran’ireo ambainy navitrana faharoa.

5 Hataonao dimampolo ny tadivavarana amin’ny ambainy voalohany, ary hataonao dimampolo koa ny tadivavarana amin’ny sisiny iafaran’ny ambainy navitrana faharoa, ary hifanandrify ireo tadivavarana ireo.

6 Dia hanao jaigirafy volamena dimampolo hampifanakambananao ny ambainy, mba ho voavoatra iray ihany ny Fonenana.»

7 «Hanao ambainy amin’ny volon’osy koa ianao, hatao lay ao ambonin’ny Fonenana, hataonao iraika ambin’ny folo ambainy izy,

8 telopolo hakiho no ho lavan’ny ambainy iray, ary efatra hakiho no ho sakan’ny ambainy iray; ampitovîna daholo ny haben’ireo ambainy iraika ambin’ny folo ireo.

9 Ny ambainy dimy amin’izy ireo havitranao manokana koa, ary haforitrao eo anoloan’ny lay ny ambainy fahenina.

10 Hasianao tadivavarana dimampolo ny vavan’ny ambainy sisin’ireo navitrana voalohany ary dimampolo koa amin’ny vavan’ireo navitrana faharoa.

11 Dia hanao jaigirafy varahina dimampolo ianao, hampidirinao amin’ny tadivavarana ny jaigirafy mba hanakambananao ny lay ho iray ihany.

12 Ny ambiny tafahoatra amin’ny ambain’ny lay, izany hoe ny antsasaky ny ambainy, dia hiraviravy eo ivohon’ny Fonenana;

13 ary ny ambiny amin’ny halavan’ny ambainy dia ny hakiho iray amin’ny laniny iray, ny hakiho iray amin’ny laniny iray, dia hiraviravy avy eo an-daniny roa amin’ny Fonenana, handrakotra azy.»

14 «Hanao rakony hoditr’ondralahy voasoka mena ianao hatao amin’ny lay, ary rakony hodi-dogaona koa eo ambonin’io.»

Rafitra hazo

15 «Hanao hazo fisaka koa ianao hatao amin’ny Fonenana, hazo fisaka amin’ny akasià dia hatsangana izany.

16 Hatao folo hakiho avy ny halavan’ny hazo fisaka iray, ary iray hakiho sy sasany ny sakany.

17 Hisy lahiny roa avy, amin’ny hazo fisaka iray, ka hatao izay hifandraisany; ka hataonao toy izany avokoa ny hazo fisaka amin’ny Fonenana.

18 Hanao ny hazo fisaka hatao amin’ny Fonenana ianao; hazo fisaka roapolo ho an’ny lafiny atsimo, ankavanana izany.

19 Hasianao faladia volafotsy efapolo ny fanambanin’ireo hazo fisaka roapolo ireo, dia faladia roa isan-kazo fisaka izany, no an’ny lafiny roa avy.

20 Ny lafiny anankiray amin’ny Fonenana dia ny lafiny avaratra, hanaovanao hazo fisaka roapolo koa,

21 mbamin’ny faladia volafotsy efapolo; faladia roa ambanin’ny hazo fisaka tsirairay avy.

22 Hanao hazo fisaka enina ianao hatao amin’ny faran’ny Fonenana amin’ny lafiny andrefana,

23 hanao hazo fisaka roa ianao hatao amin’ny zoron’ny Fonenana, ao amin’ny farany,

24 dia hikambana tsiroaroa hatrany ambany ireo, ka hatao miray tsara hatrany ambony amin’ny masom-bola voalohany. Toy izany no hanaovana azy roa avy; hatao amin’ny zorony roa.

25 Dia ho hazo fisaka valo izy izany mbamin’ny faladiany volafotsy, faladia enina ambin’ny folo, faladia roa avy isam-panambanin’ny hazo fisaka iray.

26 Hanao barany akasià ianao; ny dimy hatao amin’ny hazo fisaka amin’ny lafiny anankiray amin’ny Fonenana.

27 Ny dimy koa hatao amin’ny hazo fisaka amin’ny lafiny faharoa amin’ny Fonenana; ary ny dimy hatao amin’ny hazo fisaka amin’ny lafiny farany amin’ny Fonenana, amin’ny andrefana.

28 Ny barany afovoany hatao manaraka ny hazo fisaka, mahatratra ny sisiny roa.

29 Petaho takela-bolamena ny hazo fisaka; ataovy volamena ny masom-bola hitoeran’ny barany, ary petaho takela-bolamena ny barany.

30 Ataovy toy ny marika naseho anao tany an-tendrombohitra no fananganana ny Fonenana.»

Ny efitra lamba

31 «Manaova efitra lamba amin’ny jaky volomparasy sy jaky mangatrakatraka sy lamba mena antitra ary rongony fotsy madinika voahasina, asiana sarin-kerobima, asan-tanan’ny mpanenona mahay;

32 ka ahantòny amin’ny andry hazo akasià efatra, samy voapetaka takela-bolamena sy misy faraingo volamena ary miorina amin’ny faladia volafotsy efatra.

33 Apetaho eo ambonin’ny jaigirafy ny efitra lamba, ka dia ao indrindra no hampidiranao ny fiaran’ny vavolombelonaao ivohon’ny efitra lamba; fa ny efitra lamba no hampisaraka eo imasonareo ny Fitoerana Masina sy ny Fitoerana Masina indrindra.

34 Hataonao eo ambonin’ny fiaran’ny vavolombelona ny fanaovam-panavotana, amin’ny Fitoerana masina indrindra.

35 Hapetrakao eo ivelan’ny efitra lamba ny latabatra, ary eo anoloan’ny latabatra, amin’ny lafiny atsimo amin’ny Fonenana, ny fanaovan-jiro, fa amin’ny avaratra no hametrahanao ny latabatra.»

36 «Ny fidirana ao amin’ny lay, dia anaovy efitra lamba amin’ny jaky volomparasy sy jaky mangatrakatraka sy lamba mena antitra ary rongony fotsy madinika voahasina, voatenona amin’ny soratra maro samihafa.

37 Hanaovanao andry akasià dimy io varavarana lamba io, ka petahanao takela-bolamena ny andry sy asianao faraingo volamena; ary handrendrika varahina hatao faladiany dimy ianao.»

Categories
Eksaody

Eksaody 27

Ny ôtely hasiana ny sorona dorana.

1 «Hanao ôtely amin’ny hazo akasià ianao: dimy hakiho ny halavany, dimy hakiho ny sakany, ka hitovy efatra ny lafiny, ary telo hakiho ny haavony.

2 Amin’ny zorony efatra hasianao tandrony mivoaka avy ao amin’ny ôtely, ary petahanao takela-barahina izy.

3 Hanao tavy fandraofan-davenona momba ny ôtely ianao, ary sotron’afo, tavy, fitrebika, ary fatana; ataovy varahina avokoa ireo fanaka ireo.

4 Ary manaova karakara varahina miendri-karato ho an’ny ôtely ka asio masom-barahina efatra ny zorony efatra amin’io harato io,

5 dia apetraho eo ambanin’ny koronosin’ny ôtely avy ao ambany ary ho tonga hatreo amin’ny fisasahan’ny ôtely ny harato;

6 manaova bao hatao amin’ny ôtely, bao hazo akasià, ka petaho takela-barahina.

7 Hampidirina eo amin’ny masom-barahina ny bao, eo an-daniny roa amin’ny ôtely, rehefa hoenti-mifindra izy.

8 Ataovy hoboka aty, amin’ny hazo fisaka, izy: araka ny efa naseho anao tany an-tendrombohitra no hanaovana azy.»

Ny kianja

9 «Manaova ny kianjan’ny Fonenana. Ny lafiny atsimo, ao ankavanana, ny kianja dia hasianao fefy lamba rongony madinika voahasina hatao zato hakiho ny halavan’ny lafiny.

10 Hasianao andriny roapolo misy faladia varahina roapolo io lafiny iray io, ka hatao volafotsy avokoa ny faraingo amin’ny andriny sy ny anjaka hitohizany.

11 Toy izany koa ny lafiny avaratra, hisy fefy lamba zato hakiho ny halavany, amin’ny andriny roapolo misy faladia varahina roapolo, volafotsy avokoa ny faraingo amin’ny andriny sy ny anjaka hitohizany.

12 Ny amin’ny lafiny andrefana dia hatao dimampolo hakiho ny halavan’ny fefy lamba amin’ny sakan’ny kianja, ary folo ny andry, folo ny faladiany.

13 Amin’ny lafiny atsinanana eo anoloany dia ho dimampolo hakiho ny sakan’ny kianja;

14 ka ny ilan’ny iray hasiana fefy lamba dimy ambin’ny folo hakiho mbamin’ny andry telo misy faladia telo,

15 ny ilany iray koa, fefy lamba dimy ambin’ny folo hakiho mbamin’ny andry telo misy faladia telo.

16 Ny amin’ny vavahadin’ny kianja, dia hasiana varavarana lamba, roapolo hakiho, vita amin’ny jaky volomparasy, sy jaky mena mangatrakatraka sy lamba mena antitra, ary rongony madinika voahasina, misoratsoratra, mbamin’ny andriny efatra sy faladia efatra.

17 Ny andriny rehetra manodidina ny kianja, dia hakamban’ny anja-bolafotsy, sy hasiana faraingo volafotsy, ary hisy varahina avokoa.

18 Ny lavan’ny kianja dia ho zato hakiho, ny sakany ho dimampolo avy, ny haavony ho dimy hakiho, ny fefy lamba ho rongony fotsy madinika voahasina ary ny faladiany ho varahina.

19 Ho varahina avokoa ny fanaka rehetra hampiasaina amin’ny raharahan’ny Fonenana, ny tsimatra rehetra ao aminy ary ny tsimatry ny kianja.»

Ny menaka hatao amin’ny jiro

20 «Omeo didy ny zanak’i Israely hitondra aminao diloilon’ôliva voatoto, hatao jiro hamelona ny lalampy lalandava.

21 Ao an-trano lay fihaonana, ivelan’ny efitra lamba anoloan’ny vavolombelona, no hanamboaran’i Aarôna sy ny zanany avy, hirehetany eo anatrehan’i Iaveh hatramin’ny hariva ka hatramin’ny maraina. Lalàna mandrakizay izany ho an’ny zanak’i Israely, hatramin’ny taranaka mifandimby.»

Categories
Eksaody

Eksaody 28

Ny akanjon’ny mpisorona

1 «Asaovy manatona anao i Aarôna rahalahinao, mbamin’ny zanany, ao amin’ny zanak’i Israely, mba ho mpisorona amin’ny fanompoana Ahy, dia i Aarôna, i Nadaba, i Abiò, i Eleazara, ary i Amôra, zanak’i Aarôna.

2 «Manaova fanamiana masina ho an’i Aarôna, rahalahinao, ho mariky ny fiamboniany sy ho fihaingony.

3 Ireo olo-mahay rehetra nofenoiko fanahim-pahendrena no hantsoinao, dia izy no hanao ny fanamiana ho an’i Aarôna mba hohamasinina izy hanaovany ny fisoronana amiko.

4 Ka izao no fanamiana hataon’izy ireo: saron-tratra iray, efôdairay, akanjo lava iray, akanjo anaty misy amborodao iray, satroka hamama iray ary fehin-kibo iray. Ireo no fanamiana masina hataony ho an’i Aarôna rahalahinao, sy ny zanany, mba ho mpisorona hanao fanompoana ahy izy ireo.

5 Ny hanaovany azy dia volamena, jaky volomparasy, jaky mangatrakatraka, lamba mena antitra, ary rongony madinika.»

Ny efôda

6 «Ny efôda dia hataony amin’ny volamena, jaky volomparasy, jaky mangatrakatraka, lamba mena antitra, ary rongony madinika voahasina, ampifahoina amin’ny tenona lavorary.

7 Asiana sorony roa izy, hanambatra ny sisiny roa hampikambana azy.

8 Hitovy tenona aminy koa ny fehin-kibo hamehezana azy eo amboniny sy hiray aminy, fa hatao amin’ny volamena, jaky volomparasy, jaky mangatrakatraka, lamba mena antitra, ary rongony madinika voahasina.

9 Ary makà vato berila roa, dia hosokirinao aminy ny anaran’ny zanakalahin’i Israely:

10 ny enina amin’ny anarany, amin’ny vato iray, ny anarany enina sisa amin’ny vato iray, alahatra araka ny fizokiana.

11 Tahaka ny fikapa vato sarobidy sy fisikotra fanombohan-kase aminy, no ho fisikotrao ny anaran’ny zanak’i Israely amin’ireo vato roa ireo, ary hasianao randram-bolamena manodidina izy.

12 Ataovy eo amin’ny soroky ny efôda ireo vato roa ireo, ho vato fahatsiarovana ny zanak’i Israely, fa hoentin’i Aarôna amin’ny sorony roa eo anatrehan’i Iaveh ny anaran’izy ireo ho fahatsiarovana.

13 Ary manaova randram-bolamena,

14 sy rojo volamena madio madinika roa hatao mirandrana toy ny tady, araiketo amin’ny randram-bolamena ny rojo madinika miendri-tady.»

Ny saron-tratra

15 «Dia manaova saron-tratrafitsarana, asa-mpanenona mahay; hatao mitovy tenona amin’ny efôda, hatao amin’ny volamena, jaky volomparasy, jaky mangatrakatraka, lamba mena antitra, ary rongony madinika mihasina.

16 Ataovy efa-joro mitovy efatra sy roa sosona izy, irain-jehy ny lavany, irain-jehy ny sakany;

17 ka petaho rava-batosoa an-tranontranony, vatosoa efatra andalana; ny andalana voalohany: sardoana, tôpaza, emeraoda iray avy.

18 Ny andalana faharoa: ekarbokla, safira, diamondra iray avy.

19 Ny andalana fahatelo: ôpala, agata, ametista iray avy.

20 Ny andalana fahefatra: krisôlita, berila, jaspa iray avy. Hodidino raozy volamena avokoa ireo vato ireo.

21 Hifanisa amin’ny anaran’ny zanak’i Israely ny vatosoa, dia roa ambin’ny folo araka ny anaran’izy ireo; ho voasikotra toy ny fanombohan-kase, samy misy ny anarany avy araka ny foko roa ambin’ny folo.

22 Amin’ny saron-tratra asio rojo volamena madio madinika, atao mirandrana toy ny tady;

23 hanaovanao masom-bolamena roa sy saron-tratra, ary hapetakao amin’ny tendrony roa amin’ny saron-tratra ny masom-bolamena roa.

24 Ka ny rojo volamena roa hampidirinao amin’ny masom-bolamena roa, amin’ny tendron’ny saron-tratra;

25 ny tendrony roa amin’ny rojo roa dia hofehezinao amin’ny randram-bola roa, dia hasampinao eo amin’ny sorony roa amin’ny efôda avy eo anoloany.

26 Manaova koa masom-bolamena roa, hatao amin’ny tendrony ambany roa, amin’ny saron-tratra eo amin’ny sisiny anatiny, manolotra ny efôda.

27 Dia manaova koa masom-bolamena roa hatao eo ambanin’ny sorony roa amin’ny efôda, eo anoloana, akaikin’ny famatorana azy sy ambonin’ny fehikibo amin’ny efôda.

28 Hampifamehezina amin’ny ribà jaky volomparasy ny masom-bolamenan’ny saron-tratra sy ny an’ny efôda, hitana ny saron-tratra eo ambonin’ny fehikibo amin’ny efôda, fa tsy hosarahina amin’ny efôda ny saron-tratra.

29 Amin’izay i Aarôna, rehefa miditra ny Fitoerana Masina dia hitondra ny anaran’ny zanak’i Israely, manolotra ny fony, amin’ny saron-tratra fitsarana, ho fahatsiarovana mandrakizay, eo anatrehan’i Iaveh.

30 Ataovy mikambana amin’ny saron-tratra fitsarana koa ny Orima sy ny Tomima, ka hanolotra ny fon’i Aarôna, rehefa miseho eo anatrehan’i Iaveh izy, ka amin’izany dia hoentin’i Aarôna mandrakariva manolotra ny fony eo anatrehan’i Iaveh ny fitsarana ny zanak’i Israely.»

Ny akanjo lava

31 «Ataovy amin’ny jaky volomparasy ny akanjo lavan’ny efôda manontolo.

32 Asio vozony, eo afovoany, hidiran’ny loha, ary hisy sisiny manodidina io vozony io ka ho voatenona toy ny fanao amin’ny vozon’akanjo fiarovan-tratra, mba tsy ho rovitra ny akanjo lava.

33 Ny moron-tongony asio sarin’ampongabendanitra jaky volomparasy sy jaky mangatrakatraka ary lamba mena antitra, amin’ny morony ambany, atao manodidina, elanelanin’ny lakolosy kely volamena manodidina hatrany:

34 lakolosy kely volamena dia sarin’ampongabendanitra, manaraka ny morontongotry ny akanjo lava manodidina hatrany.

35 Hiakanjoan’i Aarôna izany, rehefa manao ny fanompoam-pivavahana izy, ary ho re ny fanenony amin’ny hidirany sy amin’ny hivoahany ny fitoerana masina eo anatrehan’i Iaveh, ka tsy ho faty izy.»

36 «Manaova takela-bolamena madio, ka sokiro eo amin’io, toy ny fisikotra fanombohan-kase, izao teny izao: Fahamasinanaho an’i Iaveh.

37 Dia afehezo amin’ny ribà jaky volomparasy amin’ny hamamadia hatao eo anoloan’ny hamama io.

38 Ho eo an-kandrin’i Aarôna izy, mba hitondran’i Aarôna ny heloka rehetra natao tamin’ny zava-masina izay hatokan’ny zanak’i Israely ho fanatitra masina isan-karazany; ary ho eo an-kandriny lalandava izy eo anatrehan’i Iaveh mba hahitan’izy ireo sitraka amin’i Iaveh.

39 Ataovy rongony madinika ny akanjo anatiny, ataovy rongony madinika koa ny hamama, ary ataovy misoratsoratra ny fehikibo.»

40 «Ny an’ny zanak’i Aarôna dia tonîka no ataovy ho azy ireo, ary anaovy fehikibo sy mitra koa izy, ho mariky ny fiamboniany sy ho fihaingoany.»

41 «Hampiakanjoinao i Aarôna rahalahinao, sy ny zanany koa, hosoranao izy, hatokanaoizy, ho hamasininao izy, mba ho mpisorona hanao fanompoana Ahy.

42 Manaova kalisaona rongony fotsy ho azy ireo, hanarona ny fitanjahany; ataovy hatreo amin’ny valahany ka hatreo amin’ny feny.

43 Ireo no hoentin’i Aarôna sy ny zanany, na hiditra eo amin’ny trano lay fihaonana izy ireo, na hankeo amin’ny ôtely hanao ny Fanompoam-pivavahana eo amin’ny Fitoerana Masina. Ary amin’izany dia tsy ho voan-keloka izy ka tsy ho faty. Lalàna mandrakizay izany, ho an’i Aarôna sy ny taranany mandimby azy.»

Categories
Eksaody

Eksaody 29

Fanamasinana an’i Aarôna sy ireo zanany. Fanomanana

1 «Izao no ataovy amin’ny fanamasinana azy ireo ho mpisorona ho Ahy: Makà vantotr’ombalahy iray sy ondralahy roa, samy tsy misy kilema.

2 Mofo tsy misy lalivay, mofo mamy tsy misy lalivay voadity tamin’ny diloilo, mofo mamy manify tsy misy lalivay voatondraka diloilo, ka lafarinam-barim-bazaha tsara indrindra no hanaovana azy.

3 Ataovy an-tsobika iray ihany izy, dia atero izany ao anatin’ny sobika miaraka amin’ny vantotr’ombalahy iray sy ny ondralahy roa.»

Fanadiovana, fanomezana akanjo sy fanosorana

4 «Dia ampandrosoy i Aarôna sy ireo zanany ho eo amin’ny fidirana amin’ny trano lay fihaonana, ka ampandroy amin’ny rano izy.

5 Raha efa izany alao ireo fanamiana, ka ampiankanjoy an’i Aarôna ny akanjo anatiny, ny akanjo lavan’ny efôda, ary ny efôda sy ny saron-tratra, dia etrao amin’ny fehikibon’ny efôda izy.

6 Ataovy eo an-dohany ny hamama, ary ataovy eo amin’ny hamama ilay diademam-pahamasinana.

7 Dia alaovy ny diloilo fanosorana, ka aidino eo amin’ny lohany hanosoranao azy.

8 Ary ampandrosoy koa ireo zanany, ka ampiakanjoy ny tonîka.

9 I Aarôna sy ireo zanany samy etrao amin’ny fehikibo; ary ireo zanak’i Aarôna ampisatrohy mitra. Dia ho azy ireo, amin’ny lalàna mandrakizay ny fisoronana; ary hanokana an’i Aarôna sy ireo zanany ianao.»

Ireo zavatra hatolotra

10 «Ny ombalahy hoentinao mankeo anoloan’ny trano lay fihaonana, ary i Aarôna sy ireo zanany hametraka ny tanany eo ambonin’ny lohan’ny ombalahy.

11 Hovonoinao eo anatrehan’i Iaveh ny ombalahy eo amin’ny fidirana ho ao an-trano lay fihaonana;

12 ka angalao ny ran’ny ombalahy atenteno amin’ireo tandroky ny ôtely amin’ny fanondronao, dia araraho eo am-pototry ny ôtely avokoa ny sisa.

13 Alaovy avokoa ny sabora safodrorohany, ny saron’atiny, ny voany roa mbamin’ny fonom-boany, ka indray dory hanetona eo ambony ôtely.

14 Fa ny nofon’ny ombalahy kosa mbamin’ny hodiny sy ny tain-drorohany, dory amin’ny afo any ivelan’ny toby; sorona noho ny ota izany.»

15 «Alao ny iray amin’ireo ondralahy, ka i Aarôna sy ny zanany hametraka ny tanany ambonin’ny lohan’ny ondralahy;

16 ianao kosa hamono ny ondralahy sy hananty ny rany ary handraraka izany manodidina ambony ôtely.

17 Teteho ny ondralahy ary rehefa voasasanao ny taovany sy ny ranjony dia hapetrakao eo ambonin’ny tetiny sy ny lohany;

18 dia hodoranao hanetona eo ambony ôtely ny ondralahy manontolo. Sorona dorana ho an’i Iaveh izany, hankasitrahany ny fofony, fanatitra atao amin’ny afo ho an’i Iaveh.»

19 «Alao koa ny ondralahy faharoany, ka i Aarôna sy ny zanany hametraka ny tanany ambony lohan’ny ondralahy.

20 Ianao hamono ny ondralahy dia haka amin’ny rany, ka hatentinao amin’ny tendron-dravintsofina ankavanan’i Aarôna, sy amin’ny tendron-dravintsofina ankavanan’ireo zanany, ary amin’ny ankiben-tanany ankavanana, mbamin’ny ankiben-tongony ankavanana, ary hararakao manodidina eo ambonin’ny ôtely ny ra.

21 Makà amin’ny ra izay eo ambonin’ny ôtely, sy ny diloilo fanosorana, ka fafazo amin’i Aarôna mbamin’ny fanamiany, sy amin’ny zanany mbamin’ny fanamiany dia ho voahasina avokoa izy, na ny tenany amam-panamiany na ny zanany amam-panamiany miaraka aminy.»

Fanomezam-pahefana ny mpisorona

22 «Halainao ny saboran’ny ondralahy, ny hofany, ny safodrorohany, ny saron’atiny, ny voany roa mbamin’ny fonom-boany ary ny sorony havanana, fa ondralahy fanokanana io.

23 Ao amin’ny sobika misy ny mofo tsy misy lalivay voapetraka eo anatrehan’i Iaveh, dia angalao vonga-mofo iray sy mofo mamy miharo diloilo iray ary mofo mamy manify iray.

24 Dia hapetrakao eo amin’ny felatanan’i Aarôna sy amin’ny felatanan’ny zanany avokoa ireo zavatra ireo, ka hahevahevanaoho fanatitra ahevaheva eo anatrehan’i Iaveh.

25 Raha efa izany hoesorinao eo an-tanany ireo ka hodoranao eo ambony ôtely, ambonin’ny sorona dorana, ho hanitra ankasitrahina eo anatrehan’i Iaveh: sorona atao amin’ny afo ho an’i Iaveh izany.

26 Ary halainao ny tratran’ny ondralahy izay nenti-nanokanana an’i Aarôna, ka hahevahevanao ho fanatitra ahevaheva eo anatrehan’i Iaveh: io no ho anjaranao.

27 Amin’ny ondralahy fanokanana, amin’izay anjaran’i Aarôna sy amin’izay anjaran’ny zanany, dia hohamasininao izay efa voahevaheva sy izay efa voasandratra, dia izao avy: ny tratra voahevaheva sy ny soroka voasandratra;

28 izany no anjaran’i Aarôna sy ny zanany, tsy maintsy hafoin’ny zanak’i Israely ho azy ireo mandrakizay; fa fanatitra voasandratra izany, ary ny zanak’i Israely tsy maintsy hanokana fanatitra avy amin’ny sorona fisaorana, fanatitra atokany ho an’i Iaveh.»

29 «Ny fanamiana masin’i Aarôna dia ho an’ny zanany handimby azy koa, ka hatafy azy izany, rehefa avy izay hanosorana azy sy hanokanana azy;

30 ka hitafy izany mandritra ny hafitoana, izay anankiray amin’ny zanany ho tonga mpisorona handimby azy; dia izay hiditra ao an-trano lay fihaonana, hanao ny fanompoam-pivavahana ao amin’ny fitoerana masina.»

Sakafo masina

31 «Halainao ny ondralahy fanokanana, ka handrahoinao eo amin’izay toerana masina ny henany.

32 Dia hohanin’i Aarôna sy ny zanany eo anoloan’ny trano lay fihaonana ny henan’ny ondralahy, sy ny mofo ao anatin’ny sobika.

33 Toy izany koa no hihinanany izay nanaovana ny fanoneram-pahotana tamin’ny nanokanana azy sy nanamasinana azy; tsy hisy olon-kafa hihinana amin’izany, satria zava-masina izany.

34 Raha misy sisa tsy lany ka tra-maraina ny hena avy amin’ny fanokanana ny mofo, dia hodoranao izany fa tsy hohanina, satria zava-masina.»

35 «Izany no hataonao amin’i Aarôna sy ny zanany, araka ny didy rehetra nomeko anao. Hafitoana no hanokananao azy.»

Fanamasinana ny ôtely hasiana ny sorona dorana

36 «Vantotr’ombalahy iray isan’andro no hatolotrao ho sorona noho ny ota, ho fanoneram-pahotana. Izany fanonerana izany no hanavotanao ny fahotana amin’ny ôtely, dia hanosotra azy ianao, hanamasinana azy.

37 Hafitoana no hanaovanao fanoneram-pahotana ho an’ny ôtely sy hanamasinanao azy, dia ho masina indrindra ny ôtely, ary ho masina avokoa izay mikasika ny ôtely.»

Sorona dorana, atao isan’andro

38 «Izao no hatolotrao eo ambonin’ny ôtely: zanak’ondry efa iray taona, roa isan’andro tsy tapaka.

39 Ny iray amin’ireo zanak’ondry ireo hatolotrao ny maraina, ny iray kosa hatolotrao amin’ny aty takariva.

40 Miaraka amin’ny ondry voalohany, hatolotrao koa ny lafarina tsara indrindra, ampahafolon’ny efah voadity tamin’ny diloilon’ny ôliva, voatoto, ampahefatry ny hina, ary divay ampahefatry ny hina ho fanatitra hararaka.

41 Ny zanak’ondry faharoa hatolotrao amin’ny aty takariva dia hampombainao fanatitra sy divay hatao fanatitra araraka toraky ny tamin’ny maraina, ankasitrahina ny fofony, sorona atao amin’ny afo ho an’i Iaveh.

42 Sorona dorana tsy tapaka izay tsy maintsy hatolotrareo amin’ny taona mifandimby ao amin’ny fidirana ny trano lay fihaonana, eo anatrehan’i Iaveh, dia eo amin’izay hihaonako aminareo mba hitenenako aminao.

43 Fa hihaona amin’ny zanak’i Israely eo Aho, ka ho voahasin’ny voninahitro izany fitoerana izany.

44 Hohamasiniko ny trano lay fihaonana sy ny ôtely, hohamasiniko i Aarôna sy ny zanany, mba ho mpisorona manao fanompoana Ahy.

45 Honina eo afovoan’ny zanak’i Israely Aho, dia Izaho no Andriamanitr’izy ireo.

46 Ho fantany fa Izaho Iaveh no Andriamanitr’izy ireo, izay namoaka azy tany amin’ny tany Ejipta, mba honenako eo afovoan’izy ireo, dia Izaho Iaveh no Andriamaniny.»

Categories
Eksaody

Eksaody 30

Otely fandorana ny zava-manitra

1 «Hanao ôtely fandorana emboka ianao, hataonao amin’ny hazo akasià;

2 iray hakiho ny lavany, iray hakiho ny sakany, ka hitovy ny lafiny efatra, ary roa hakiho ny haavony; iray amin’ny tandrony.

3 Hopetahanao takela-bolamena madio ny tampony, ny lafiny manodidina, ny tandrony, ary hasianao koronosy volamena manodidina izy.

4 Hanaovanao masom-bolamena roa izy eo ambanin’ilay koronosy eo amin’ny rirany roa, hataonao amin’ny laniny roa, hidiran’ny bao hitondrana azy.

5 Hataonao amin’ny hazo akasià ny bao, ary hopetahanao takela-bolamena izy.

6 Io ôtely io dia hapetrakao manatrika ny efitra lamba izay eo anoloan’ny fiaran’ny vavolombelona, manatrika ny fanaovam-panavotana izay eo ambonin’ny vavolombelona, dia eo amin’izay hihaonako aminao.

7 Eo no handoroan’i Aarôna ny emboka; isa-maraina no handoroany azy, rehefa mamboatra ny lalampy izy;

8 ary isaky ny àty takariva koa no handoroany azy, rehefa mametraka ny lalampy eo amin’ny fanaovan-jiro izy. Emboka manitra mandrakizay eo anatrehan’i Iaveh izany amin’ny taranakareo.

9 Aza misy atolotrareo eo ambonin’io ôtely io, na ny zava-manitra tsy masina na ny sorona dorana na ny fanatitra, ary aza araraka eo ny fanatitra araraka.

10 Eo amin’ny tandrok’io ôtely io no hanaovan’i Aarôna ny fanoneram-pahotana indray mandeha isan-taona; ny ran’ny sorona fanoneram-pahotana no hanaovany ny fanoneram-pahotana ao, indray mandeha isan-taona, hatramin’ny taranaka mifandimby. Ho masina indrindra amin’i Iaveh io ôtely io.»

Hetra isan’olona

11 Ary niteny tamin’i Môizy i Iaveh nanao hoe:

12 «Raha avy izay hanisanao ny zanak’i Israely mba hahitana ny isany, dia samy hanome avotra aina ho an’i Iaveh izy tsirairay avy rehefa hatao ny fanisana azy, mba tsy hisy loza manjò azy, amin’ny fanisana azy.

13 Izao no haloan’izay rehetra anatin’ny voaisa: antsasaky ny sikla masina izay roapolo gerà; antsasaky ny sikla no ho fanatitra halaina ho an’i Iaveh.

14 Samy handoa ny hajian’i Iaveh avokoa ny lehilahy anatin’ny voaisa rehetra hatramin’ny roapolo taona no ho miakatra.

15 Ny mpanan-karena tsy handoa mihoatra, ny mahantra tsy handoa latsaka ny antsasaky ny sikla amin’ny fandoavana ny hajian’i Iaveh ho avotry ny ainareo.

16 Horaisinao amin’ny zanak’i Israely ny vola avy amin’izany avotra izany ka hoenti-manao ny raharaha momba ny trano lay fihaonana. Dia ho antoka eo anatrehan’i Iaveh izany, ho an’ny zanak’i Israely hanavotana ny ainy.»

Ny tavy varahina

17 Niteny tamin’i Môizy koa i Iaveh nanao hoe:

18 «Hanao tavy varahina, misy faladiany varahina, hatao fiafanana ianao, ka hapetrakao eo anelanelan’ny trano lay fihaonana sy ny ôtely,

19 dia hasianao rano, hangalan’i Aarôna sy ny zanany hanasany ny tanany aman-tongony.

20 Fa hiàfana amin’io rano io izy mba tsy ho faty, na rehefa hiditra amin’ny trano lay fihaonana, na rehefa hanatona ny ôtely hanao ny raharahany hampanetona sorona amin’i Iaveh.

21 Hanasa ny tongony aman-tanany izy, ka tsy ho faty izy. Lalàna mandrakizay ho azy ireo izany, dia ho an’i Aarôna sy ny taranany amin’ny taona mifandimby.»

Ny menaka fanosotra

22 Hoy koa i Iaveh tamin’i Môizy:

23 «Makà amin’ny zava-manitra izay tsara indrindra, mira madio dimanjato sikla, ary ny antsasak’izany, dia sinama mamerovero dimampolo sy roan-jato sikla, veromanitra dimampolo sy roan-jato sikla,

24 kasa dimanjato sikla, araka ny sikla masina, ary diloilon’ôliva iray hina;

25 ka amboary izany ho diloilo hanaovana ny fanosorana masina; ho zava-manitra voaharoharo araka ny asan’ny mpahay zava-manitra; dia izany no diloilo hanaovana ny fanosorana masina.

26 Io no hanosoranao ny trano lay fihaonana, ny fiaran’ny vavolombelona,

27 ny latabatra mbamin’ny fanaka momba azy rehetra, ny fanaovan-jiro mbamin’ny fanaka momba azy, ny ôtely fandoroan-java-manitra,

28 ny ôtely fanaovan-tsorona dorana mbamin’ny fanaka rehetra momba azy, ary ny tavy varahina mbamin’ny faladiany.

29 Hohamasininao ireo dia ho masina indrindra ary ho masina avokoa izay hikasika azy.

30 Hohosoranao koa i Aarôna sy ny zanany, ary hohamasininao izy, mba ho mpisorona hanao fanompoana Ahy.

31 Mitenena amin’ny zanak’i Israely ka lazao hoe: Ho diloilo fanaovana fanosorana masina izany ho Ahy, hatrany amin’ny taranaka mifandimby.

32 Tsy hararaka amin’ny tenan’ny olona izany, ary hamorona hafa tahaka an’io ianareo amin’izay zavatra hamoronana an’io, fa zava-masina izany, ka tsy maintsy hataonareo ho zava-masina.

33 Na zovy na zovy hanamboatra tahaka an’io na hanosotra izany amin’ny olona tsy fanosotra azy, dia hofongorana tsy ho eo amin’ny fireneny.»

Ny zava-manitra

34 Hoy i Iaveh tamin’i Môizy: «Makà zava-manitra, ditin-kazo, ongila mani-pofona, galbanôma, zava-manitra sy emboka tsy mifaho zavatra hafa, izany rehetra izany ampitovio fatra.

35 Dia ireo no hanamboaranao zava-manitra hanaovana ny fanembohana, voaharoharo araka ny asan’ny mpahay zava-manitra; asio sira izy, ary aoka ho madio sy masina.

36 Torotoroy hanjary vovony izy, dia ametraho eo anoloan’ny vavolombelona ao an-trano lay fihaonana izay hihaonako aminao. Ho zava-masina indrindra izany.

37 Izany zava-manitra hataonareo izany dia tsy azonareo anaovana mitovy aminy ho anareo, fa hataonareo ho zava-masina ho an’i Iaveh.

38 Ka na zovy na zovy hanao mitovy amin’izany hanamboloany ny havany, dia hofongorana tsy ho eo amin’ny fireneny.»