Categories
Ekleziastika

Ekleziastika 25

Ohabolana

1 Misy zavatra telo ankasitrahiko,

sady tsara izy ireo eo anatrehan’ny Tompo sy ny olombelona:

dia ny fifanarahan’ny mpirahalahy, ny fifankatiavan’ny mpihavana,

ary ny fifanarahan’ny mpivady tsara.

2 Fa misy olona telo karazana halako,

sady tena tsy tiako fiaina mihitsy:

dia ny mahantra miavonavona, ny mpanana manambaka,

ary ny anti-panahy manaram-batana, tsy misy saina.

Ny zokiolona

3 Tsy nahangona na inona na inona ianao tamin’ny fahatanoranao,

ahoana no hanananao amin’ny fahanteranao?

4 Zavatra tsara loatra ny itsaran’ny fotsy volo araka ny mety

sy ny ahalalan’ny anti-panahy ny hevitra tsara!

5 Tandrifiny tsara ho an’ny anti-panahy ny fahendrena,

ary ho an’izay hajaina, ny fahamalinana amam-pisainana.

6 Ny fehilohan’ny anti-panahy dia ny nahitany zavatra betsaka.

Ny voninahiny, dia ny fahatahorana ny Tompo.

Ohabolana ambara amin’ny isa

7 Misy zavatra sivy tombanan’ny foko ho mahafaly,

ary ny iray fahafolo koa ankalazain’ny lelako.

Ny olona mahazo hafaliana amin’ny zanany,

izay ampy andro iainana, hahita ny faharavan’ny fahavalony.

8 Sambatra izay miara-monina amin’ny vehivavy manan-tsaina;

mbamin’izay tsy manota amin’ny lelany.

Sambatra izay nahazo sakaiza mahatoky,

mbamin’izay tsy manompo tompo tsy manendrika azy!

9 Sambatra izay mahazo fahamalinana,

sady mampianatra izany amin’ny sofina mitandrina!

10 Endrey ny halehiben’ny olona nahazo fahendrena!

kanefa tsy ambony noho izay matahotra ny Tompo izy.

11 Mihoatra noho ny zavatra rehetra ny fahatahorana ny Tompo;

zovy moa no hampitahaina amin’izay manana azy?

Ny fahatahorana ny Tompo no fiandohan’ny fitiavana Azy,

ary ny finoana no fiandohan’ny firaiketana amin’Andriamanitra.

Ny vehivavy

12 Ny fahoriana rehetra anie, fa aza ny fahorian’ny fo;

ny hasomparana rehetra anie, fa aza ny hasomparan’ny vehivavy!

13 Ny loza rehetra anie, fa aza ny loza afitsoky ny rafilahy,

ny famaliana rehetra anie, fa aza ny famalian’ny fahavalo!

14 Tsy misy poizina ratsy noho ny poizin’ny menarana;

ary tsy misy hatezerana lehibe noho ny hatezeran’ny vehivavy.

15 Aleo miara-monina amin’ny liona sy ny dragona,

toy izay miara-monina amin’ny vehivavy ratsy fanahy.

16 Manova endrika ny vehivavy ny haratsiam-panahiny,

fa manamainty ny tarehiny tahaka ny lasàka.

17 Mba mandeha mipetraka eo amin’ireo sakaizany ny lahy,

ka misento fatratra izy, mandre an’ireo!

18 Maivana ny haratsiana rehetra,

miolotra amin’ny haratsian’ny vehivavy:

aoka ny anjaran’ny mpanota hianjera aminy.

19 Sahala amin’ny fiakarana be fasika, amin’ny tongotry ny anti-panahy,

ny vehivavy basivava amin’ny vadiny bonaika.

20 Aza mety ho sodokan’izay hatsaran-tarehim-behivavy,

aoka tsy hisy vehivavy hamelom-paniriana anao.

21 Zava-mahatezitra, fahafaham-baraka aman-kenatra be vava

raha vehivavy mamonona fivelomana ho an’ny lahy.

22 Hareraham-po, endrika malahelo, fahoriam-panahy;

izany no vokatry ny vehivavy ratsy fanahy.

Tanana osa, lohalika ketraka:

izany no vokatra avy amin’ny vehivavy tsy manome hafaliana ny vadiny.

23 Vehivavy iray no niandohan’ny fahotana:

ka izy no anton’ny hahafatesantsika rehetra

24 Aza avela hanam-pivoahana ny rano,

na hanam-pahefana akory ny vehivavy ratsy.

25 Raha tsy mandeha araka izay itarihan’ny tananao azy izy,

esory ho afaka amin’ny vatanao.

Categories
Ekleziastika

Ekleziastika 26

1 Sambatra ny vadin’ny vehivavy tsara fanahy,

ary hampitomboina avo sasaka ny andro iainany.

2 Ny vehivavy mahery fo, dia fifalian’ny vadiny,

izay miadana amin’ny taona iainany.

3 Anjara soa ny vehivavy tsara fanahy,

ary omena ho anjaran’izay matahotra ny Tompo izy.

4 Ravoravo ny fon’ny lahy, na manan-karena izy na malahelo,

miramirana lava ny tarehiny na rahoviana na rahoviana.

5 Misy zavatra telo atahoran’ny foko,

ary ny amin’ny fahefatra dia mivavaka eo anatrehan’ny Tompo aho:

ny resaka fanaratsiana ataon’ny tanànairay manontolo;

ny fanozonan’ny be sy ny maro, ary ny fanendrikendrehana:

halako noho ny fahafatesana, ireo zavatra rehetra ireo;

6 fa ny vehivavy mpialona ny vehivavy hafa,

no dia fijaliam-po amam-pangirifiriana,

sy ny fioky ny lela mamisavisa amin’ny olon-drehetra ny anton’ny alahelony.

7 Ny vady ratsy fanahy, dia toy ny omby miray jioga tsy mifanaraka,

izay mitana azy io dia sahala amin’izay nahazo mambambohitra.

8 Zava-mahatezitra loatra, ny vehivavy manaram-po amin’ny divay,

fa tsy hanarona ny fahamenarany akory aza izy.

9 Amin’ny fijeriny tsy valahara sy amin’ny fanaovany pi-maso

no ahalalana ny hajangan’ny vehivavy.

10 Ataovy tsara fiambenana ny zazavavy maditra,

fandrao mahita ny fitsirambînanao izy,

ka hanaram-po amin’ny fahalotoana.

11 Mitandrema mba tsy hanaraka ny maso tsy mahalala henatra,

fa raha tsy izany, aza gaga raha voatariny amin’ny ota ianao.

12 Toy ny mpivahiny mangetaheta manoka-bava,

ka misotro izay rano rehetra sendra azy,

ny vehivavy janga mipetraka eo anoloan’ny tsato-kazo rehetra

sy manokatra ny fitoeran-jana-tsipìkany amin’ny zana-tsipìka.

13 Ny hasoan’ny vehivavy dia fifalian’ny vadiny,

ary ny hazavan-tsainy mandrotsaka hery amin’ny taolany.

14 Fanomezana avy amin’Andriamanitra, ny vehivavy mangina,

ary tsy misy azo oharina amin’ny vehivavy tsara taiza.

15 Fahasoavana mihoatra noho ny fahasoavana rehetra ny vehivavy maotina,

ary tsy misy rakitra soa noho ny vehivavy madio.

16 Toy ny masoandro miposaka eny amin’ny hahavon’ny Tompo,

ny famirapiratry ny hatsaran-tarehin’ny vehivavy

eo an-tranony voahaingo tsara.

17 Toy ny fanilo mirehitra eo amin’ny fanaovan-jiro masina,

ny hatsaran-tarehiny eo ambonin’ny tena ranjanana mahate-hanaja.

18 Toy ny andry volamena misy faladia volafotsy

ny tongotra tsara bika, miorina amin’ny ombalahin-tongotra mandonda.

Zavatra mampalahelo

19 Misy zavatra roa mampalahelo ny foko,

ary ny fahatelo manetsika ny fahatezerako;

ny lehilahy mpiady, miaritra ny fahantrana;

ny olona manan-tsaina, ataon’ny olona faniratsira,

izay miala amin’ny fahamarinana ho amin’ny fahotana;

omanin’ny Tompo izy, ho an’ny sabatra.

Varotra

20 Saro-misoro-kadisoana, ny olona mpivarotra;

ary tsy ialam-pahotana, ny mpivaro-divay.

Categories
Ekleziastika

Ekleziastika 27

1 Maro no manota hahazoam-bola;

ary izay maniry hanan-karena dia mamily ny masony.

2 Mitsofoka anelanelan’ny vato roa ny tsimatra;

miditra anatin’ny fivarotana sy fividianana toy izany koa ny ota.

3 Raha tsy miraikitra mafy amin’ny fahatahorana an’Andriamanitra ianao,

dia ho rava faingana ny tranonao.

Ny teny lazaina

4 Amin’ny fanetsiketsehana ny sivana, no ijanonan’ny faikany betsaka;

amin’ny tenin’ny olona koa, no isehoan’ny kilemany.

5 Ny memy no fizahan-toetra ny sinin’ny mpanao tanimanga;

ary ny resany kosa no fizahan-toetra ny olombelona.

6 Ny voan’ny hazo no ahafantarana ny tany aniriany;

toy izany koa ny teny maneho ny hevitry ny fon’ny olombelona.

7 Aza midera olona alohan’ny nitenenany,

fa ny teny no fizahan-toetra ny olombelona.

Ny rariny

8 Raha mikatsaka ny fahamarinana ianao, dia hahatratra azy,

ka hitafy azy toy ny akanjom-boninahitra.

9 Mivory eo amin’izay namany ny vorona;

miverina amin’izay manaraka azy, toy izany koa, ny fahamarinana.

10 Ny liona mikendry ny rembiny;

toy izany koa ny fahotana mikendry izay manao ny tsy rariny.

11 Fahendrena mandrakariva ny tenin’ny olona tia vavaka;

fa miovaova hoatra ny volana kosa, ny adala.

12 Tandremo ny fotoana raha ho any amin’ny adala ianao,

fa ny olona mieritreritra kosa dia aoka ho eo afovoany mandrakariva ianao.

13 Maharikoriko ny resaky ny adala:

mikakakaka eo amin’ny hafaliana noho ny fahotana ny hehiny.

14 Mampitsangana ny volon-doha ny fitenin’izay fatra-pianiana,

rehefa izy no mifanditra, mitampin-tsofina ny olona.

15 Mahalatsa-dra ny fifandiran’ny mpiavonavona;

ary mampalahelo ny mihaino ny famoapoàhany.

Ny tsiambaratelo

16 Very ny fitokiana an’izay manambara ny tsiambaratelo

ary tsy hahita sakaiza araka ny sitrany intsony izy.

17 Tiavo ny sakaizanao, ary aza mivadika aminy;

fa aza midodododo any aminy intsony,

raha manambara ny tsy ambaratelo avy aminy ianao.

18 Satria toy ny olona namono nahafaty ny fahavalony

no namonoanao ny fitiavan’ny namanao.

19 Ary toy ny raha navelanao handositra ny vorona teo an-tananao

no nampandosiranao ny sakaizanao, tsy hahatratra azy intsony ianao.

20 Aza manenjika azy, fa efa lasa lavitra izy,

nandositra toy ny gazela tafatsoaka tamin’ny fandrika izy.

21 Bandìna ny ratra, ary toy izany koa no hihavanana indray,

rehefa nifanala baraka;

fa raha izay nanambara ny tsy ambaratelo kosa,

dia tsy manam-panantenana intsony.

Fihatsarambelatsihy

22 Mamoron-tsy fahamarinana izay maniringiri-maso,

ary tsy misy olona afa-miala amin’izany.

23 Eo imasonao izy malefaka am-bava erỳ, migaga ny teninao;

nony avy eo anefa izy mivadika ny fiteniny,

ary ahodiny any amin’ny hevitra mamohehatra ny teninao.

24 Maro ny zavatra tsy tiako mainty, fa tsy misy tahaka io;

ary ny Tompo koa mankahala azy.

25 Izay manipy vato savoan-danitra manipy azy amin’ny lohany;

toy izany ny famelezana am-pitaka, mandratra ny mpamitaka.

26 Izay mihady lavaka no hianjera ao;

ary izay mamela-pandrika no ho voan’izany.

27 Izay manao ratsy, hahita izany ratsy izany

hanakodia ny tenany,

ary tsy ho fantany akory, izay iavian’izany aminy.

28 Ao am-bavan’ny mpiavona ny fananihaniana amam-panalam-baraka,

fa mihendry azy toy ny liona kosa ny famalian-dratsy.

29 Ho voan’ny fandrika izay mifaly amin’ny manjò ny tia vavaka,

ary ho levon’ny fijaliana alohan’ny hahafatesany izy.

Lolom-po

30 Mendrika hankahalaina koa ny lolom-po amam-pahatezerana,

ary manana izany ny mpanota.

Categories
Ekleziastika

Ekleziastika 28

1 Izay mamaly ratsy, dia hiharan’ny fanahin’Andriamanitra,

izay hitahiry fatratra ny fahotany.

2 Avelao ny nataon’ny namana tsy an-drariny,

dia havela ny fahotanao, rehefa mifona ianao.

3 Akory ity olona mitahiry fahatezerana amin’ny olon-kafa,

nefa mangataka fanasitranana amin’Andriamanitra ho an’ny tenany.

4 Tsy mamindra fo amin’ny olombelona namany izy,

nefa mitaraina noho ny hadisoan’ny tenany.

5 Izy izay nofo foana mitahiry lolom-po;

ka zovy indray no hahazo ny famelana ny fahotany?

6 Tsarovy ny hiafaranao, ka atsaharo ny fankahalana;

tsarovy ny hahalòvana amam-pahafatesana ary tandremo ny didy.

7 Tsarovy ny didy, ka aza manao an-dolompo amin’ny namana;

tsarovy ny faneken’ny Avo Indrindra

ary modia tsy mahita ny fanevatevana anao.

Fifandirana

8 Mijanòna any lavitry ny fifandirana,

dia ho vitsy kokoa ny fahotanao,

fa mampirehitra ny fifandirana ny olona saro-po,

9 ary manisy fikorontanana eo amin’ny mpisakaiza ny mpanota;

sady manipy fanendrikendrehana amin’izay miadam-piainana.

10 Arakaraka ny zavatra amelomana azy no firehitry ny afo;

arakaraka ny fahefana ananany koa no firehitry ny hatezeran’ny olona:

mampisondrotra ny hatezerany araka ny hareny izy,

ka mirehitra araka ny hamafin’ny fifandirana izany.

11 Ny fifandirana malaky mampirehitra ny afo;

ary ny ady vava tsy voahevitra, mahalatsa-dra.

12 Ny pik’afo, raha tsofina izy, dia mirehitra;

raha roranao izy dia maty;

samy avy ao am-bavanao ihany ireo zavatra roa ireo.

Ny lela

13 Ozony ny mpitati-bolana sy ny olona miroa lela,

fa loza ho an’ny maro niaina tamim-piadanana izy.

14 Namarina olona maro be ny lela mpanendrikendrika;

ka nasesiny hifindrafindra firenena izy ireny.

Ny tanàna mimanda narodany;

ny lapan’ny lehibe nazerany amin’ny tany.

15 Nampandroaka vehivavy mahery fo

ny lela mpanendrikendrika,

ary nanendaka ny vokatry ny asany taminy.

16 Izay manongilan-tsofina aminy,

tsy hahita fitsaharana intsony,

ary tsy hanam-piadanana eo amin’ny tranony intsony.

17 Ny famelezan’ny tsora-kazo mahamangana;

ny famelezan’ny lela mahavakivaky ny taolana.

18 Betsaka no matin’ny lelan-tsabatra;

fa tsy betsaka tahaka ny matin’ny lela.

19 Sambatra izay voaaro amin’izany,

tsy voatolotra amin’ny fisafoahany,

tsy nitondra ny jiogany,

ary tsy voafatotry ny famatorany.

20 Fa jioga vy ny jiogany;

ary famatorana varahina ny famatorany.

21 Fahafatesana mahatsiravina ny fahafatesana afitsony,

ka aleo ny Seoly toy izay izany.

22 Ny olona tia vavaka, tsy mba hananany fahefana

ka tsy mba main’ny lelafony.

23 Izay mahafoy ny Tompo, no ho latsaka eo aminy,

ka handevona azy izy mirehitra tsy mety maty.

24 Koa hodidino fefy tsilo ny taninao,

fehezo an-dasàka ny volamena sy volafotsinao,

25 ary manaova mizana sy vato handanjanao ny teninao,

ary manaova hidy amam-baravarana ho an’ny vavanao.

26 Mitandrema mba tsy hanota amin’ny lela,

fandrao dia lavo eo imason’izay mihendry anao ianao.

Categories
Ekleziastika

Ekleziastika 29

Ny mampisambotra

1 Manao fiantrana izay mampisambotra ny namany;

ary mitandrina ny didy izay manohana azy amin’ny tanany.

2 Mampisambora ny namanao raha poritra izy;

ary ianao kosa mamerena amin’ny namanao, raha tonga ny fotoana.

3 Tano ny teninao, ary manaova amin’ny ara-dalàna,

dia hahazo izay ilainao na amin’ny fotoana inona na amin’ny fotoana inona.

4 Maro no manao ny zavatra nampisamborina azy,

ho toa zavatra hitany,

ka miteraka fahasahiranana ho an’izay nanampy azy.

5 Mandra-pandrain’ny olona dia orohany ny tanan’ny namany,

ankalazainy amin’ny feo manetry tena ny hareny.

Kanjo nony tonga ny fotoana hamerenany dia mangataka andro ny olona,

teny fitarainana foana no averiny,

ary ny andro sarotra no omeny tsiny.

6 Raha manan-kaloa ny olona

dia zara raha mandray ny antsasany ny mpampisambotra,

dia hihevitra azy ho nahazo zavatra tsy nampoizina.

Raha tsy manan-kaloa indray ny olona dia tsy azony ny volany,

ary ampanjariany tsy fidiny ho fahavalony ilay nasiany soa,

izay mandoa sahato amam-panevatevana aminy,

sy mamerina fanalam-baraka ho solom-boninahitra.

7 Be no mandà tsy hampisambotra, noho ny haratsian’ny olona;

matahotra ny hahaverezan’ny volany maimaim-poana izy.

Fiantrana

8 Nefa aoka ho antra ny ory ianao;

ary aza avela hiandry ny fiantrana omenao azy izy.

9 Mamonje ny mahantra, noho ny didin’Andriamanitra,

ary aza mandefa azy mitondra tanam-polo, noho ny fahoriany.

10 Maneke hanary vola, hanasoavana ny rahalahy aman-tsakaizanao,

fa aza avela ho harafesina foana ao ambany vato izy.

11 Ampiasao ny rakitrao, araka ny didin’ny Avo Indrindra,

dia hahazoanao soa mihoatra noho ny volamena izy.

12 Hidio ao an’efitranonao ny hataonao fiantrana,

fa hamonjy anao amin’ny fahorianao rehetra izany.

13 Mihoatra noho ny ampinga mafy, sy ny lefona mahery,

no hiadiany hiaro anao, eo anoloan’ny fahavalo.

Antoka omena

14 Ny olona tsara fo miantoka ny namany,

fa izay efa lany henatra ihany no mahafoy azy.

15 Aza manadino ny hatsaram-pon’izay niantoka,

fa namehy tena ho anao izy.

16 Mahavery ny hareny rehetra, amin’ny mpiantoka azy, ny mpanota;

ary mahafoy ny mpamonjy azy ny tsy mpankasitraka.

17 Nampiditra faty antoka tamin’olo-miadana maro, ny antoka nomena,

ary nampivezimbezina azy, hoatra ny alon-dranomasina.

18 Nataony sesitany ireo olona nanam-pahefana,

ka heriny mirenireny, any amin’ny firenen-kafa.

19 Mora manaiky hiantoka ny mpanota,

ary hiharan’ny hamafin’ny fitsarana ny fatra-pitady tombony.

20 Manampia ny namana, araka ny azonao atao,

ary mitandrema, mba tsy ho latsaka amin’ny fahoriana ianao.

Mampiantrano vahiny

21 Ny zavatra voalohany amin’ny fivelomana,

dia ny rano sy ny mofo,

ary ny fitafiana aman-trano hanaronana ny fitanjahana.

22 Aleo ny fiveloman’ny mahantra ao ambany tafon-trano hazo,

toy izay nahandro mandany be, any an-tranon’olon-kafa.

23 Mifalia, na kely na be anananao:

dia tsy handre anao esoina ho vahiny ianao.

24 Fiainana mampiferin’aina ny mitety trano mby eny, mby eny;

any amin’izay handraisana anao ho vahiny,

tsy sahy misoka-bava akory.

25 Hanome hanina amam-pisotro ny mpampiantrano anao ianao,

na tsy ankasitrahana anao aza izany,

ary handre teny maharary koa indray aza ianao ho fanampiny.

26 Avia, ry vahiny, amboary ny fihinanana,

ary raha manan-javatra ianao, omeo aho hohaniko.

27 Mandehana any, ry vahiny, ialao ity hanim-be ity;

handray ny rahalahiko aho, ilaiko ny tranoko.

28 Mafy amin’ny olona manan-tsaina,

ny mandre latsa amin’ny fampiantranoana azy,

sy tevatevain’izay ananany trosa.

Categories
Ekleziastika

Ekleziastika 30

Fanabeazana

1 Izay tia ny zanany mampanandrana azy matetika ny kotopia,

mba hananany hafaliana izany amin’ny andro aoriana.

2 Izay tsara fanabe ny zanany, hahazo tombon-tsoa avy aminy,

ary horehareha aminy eo anatrehan’ny olom-pantany.

3 Izay mampianatra ny zanany, hahatonga ny fahavalony hialona;

ary hifaly aminy eo anatrehan’ny sakaizany.

4 Raha avy izay hahafatesan-drainy, ho toy ny tsy maty akory izy,

fa avelany aoriany izay manahaka azy ihany.

5 Velona izy, mahita azy sy mifaly aminy;

maty indray tsy mba malahelo izy;

6 fa mamela olona hamaly ny nataon’ny fahavalony,

sy haneho fankasitrahana ny sakaizany.

7 Izay mampiangoty ny zanany hamehy ny feriny,

ary hangotikotika ny atiny isaky ny antsoantsony.

8 Tonga tsy azo entina, ny soavaly tsy voafolaka;

tonga adaladala ny zaza navela hanaram-po.

9 Tambatambazo ny zanakao, dia hampangovitra anao;

misangisangia aminy, dia hampalahelo anao.

10 Aza miara-mihomehy aminy,

fandrao ho avy izay tsy maintsy hiarahanao miory aminy;

ka hikitro-nify foana ianao, amin’ny farany.

11 Aza avela hanao ny danin’ny kibony izy, raha mbola tanora;

ary aza odian-tsy hita ny hadalany.

12 Ataovy miondri-doha izy, mandritra ny fahatanorany,

ary ataovy mangana ny tehezany dieny mbola zaza izy,

fandrao maditra tsy hanaiky anao intsony izy,

ka hanananao alahelo ao am-po.

13 Faizo ny zanakao, ary asaovy miasa izy,

fandrao tafintohina noho ny halemenao mahamenatra.

Fahasalamana

14 Aleo mahantra salama sy matanjaka,

toy izay manan-karena andalasin’ny aretina amin’ny vatany.

15 Tsara noho ny volamena rehetra ny fahasalamana aman-toe-tena tsara;

ary aleo vatana mavitrika, toy izay harena tsy hita lany.

16 Tsy misy harena tsaratsara kokoa noho ny hasalamam-batana

ary tsy misy hafaliana tsaratsara kokoa noho ny hafaliam-po.

17 Aleo maty toy izay velon-dratsy,

aleo fitsaharana mandrakizay, toy izay fijaliana lalandava.

18 Ny fananana atolotra amin’ny vava mikombona,

dia toy ny fanatitra fihinana, apetraka eo ambony fasana.

19 Atao inona ny fanatitra amin’ny sampy?

tsy mahahinana izany izy, na handre izay fofony akory:

20 toy izany ny olona tanahin’Andriamanitra amin’ny aretina:

mahita maso izy ka misento,

toy ny fisenton’ny eonòka, mitana virjiny eo an-tanany.

Hafaliana

21 Aza avela hianjadian’alahelo ny fonao;

ary aza mampahory tena amin’ny eritreritra.

22 Ny hafaliana ao am-po no fiainan’ny olombelona;

ary ny firavoravoan’ny olona no halavam-piainana ho azy.

23 Tiavo ny fanahinao, ka ampionony ny fonao,

ary roahy lavitra anao ny alahelo.

Betsaka ny matin’ny alahelo,

ary tsy misy soa azo amin’izany.

24 Mahafohy andro iainana ny hatezerana amam-pisafoahana;

ary maha antitra alohan’ny fotoana ny ahiahy.

25 Ny fo mazava sy tsara

miahy ny hanina izay antom-pivelomany

Categories
Ekleziastika

Ekleziastika 31

Harena

1 Ny fiaretan-torin’ny mpanan-karena mandany ny nofo;

ary ny ahiahy manala ny torimaso aminy.

2 Ny ahiahy lalandava misakana ny torimaso,

toy ny aretina mafy mampandositra azy.

3 Miasa ny manan-karena, mba hanangon-karena;

ary nony mitsahatra izy mivoky fahafinaretana.

4 Miasa ny mahantra, noho izy tsy manan-kivelomana;

ary nony mitsahatra izy, tsy manana na inona na inona.

5 Izay tia volamena, tsy ialam-pahotana,

ary izay fatra-pitady zava-mety lo, ho voky izany.

6 Maro no efa natolotra ho amin’ny faharavana,

noho ny amin’ny volamena,

ary teo anoloan’izy ireo ny fahaverezana.

7 Hazo manafintohinaho an’izay manatitra sorona aminy ny volamena:

ny adala rehetra ho voa amin’izany.

8 Sambatra ny manan-karena ho hita tsy manan-tsiny,

sy tsy mba nidodododo nitady volamena!

9 Iza moa izy, mba hankalazantsika azy hoe sambatra?

fa nanao zava-mahagaga teo amin’ny fireneny izy.

10 Iza no nozahan-toetra ny amin’izany, ka hita fa tsy manan-tsiny?

Aoka ho foto-boninahitra ho azy izany fizahan-toetra izany!

Iza no afa-nandika ny lalàna, ka tsy nandika azy?

afa-nanao ratsy ka tsy nanao izany?

11 Dia ho voaorina mafy ny fananany,

ary hitory ny soa ataony ny fiangonana.

12 Tafapetraka eo amin’ny fihinanana efa voaroso tsara ve ianao?

aza miloa-bava eo anoloany,

ary aza manao hoe: Indreto ny nahandro betsaka.

13 Aza manadino fa zava-dratsy ny maso mialona.

Moa misy zava-boaary ratsiratsy kokoa noho ny maso mialona va?

Koa mitomany izy amin’ny tava rehetra.

14 Aza manatsò-tanana amin’izay jerena;

ary aza mifanehatra aminy, eo amin’ny lovia.

15 Tsarao araka ny anao ny fanirian’ny namanao,

ka ataovy amim-pisainana ny zavatra rehetra.

16 Mihinàna araka ny fanaon’olona amin’izay eo anoloanao,

ary aza mitsamontsamona, fandrao dia maharikoriko ny olona ianao.

17 Ianao no mijanòna voalohany noho ny mahatsara taiza anao,

ary aza dia miseho ho tsy afa-po, fandrao dia manafintohina.

18 Raha tafapetraka miaraka amin’ny maro ianao,

aza manatsò-tanana alohan’ny hafa.

19 Zavatra kely toy inona dia ampy ho an’ny olona tsara taiza!

Noho izany eo am-pandriana izy, miaina malalaka tsara.

20 Ny torimaso mahasoa no an’ny ambavafo mahalala onony,

mifoha maraina ny olona toy izany sady mavitri-tsaina.

Ny fijaliana amin’ny tsy fahitan-tory, ny fandoavana,

aman’areti-mandalo kosa no an’ny olona tsy mahalala onony.

21 Raha mba voataona hihinam-be loatra ianao,

dia mitsangàna ka mitsangantsangàna eny an-kalalahana, fa hihamaivamaivana.

22 Mihainoa ahy, anaka, ka aza manamavo ahy,

ary ho hitanao ny hamarinan’ny teniko amin’ny farany:

mazotoa amin’izay rehetra ataonao,

dia tsy havenin’aretina akory ianao.

23 Izay mahafoy malalaka amin’ny fanasana

dia tsofin’ny molotra rano,

ary marina ny teny ilazana ny hazavam-pony.

24 Ny tanàna manontolo no indray mimonomonona

amin’izay kahihitra amin’ny fanasana ataony,

ary marina ny teny ilazana ny fahidiany.

Ny divay

25 Aza manao ho dontolahy amin’ny divay,

fa efa nahavery olona maro ny divay.

26 Ny memy no izahan-toetra ny vy, raha aofana izy;

ny divay no izahan-toetra ny fo, raha mifanditra ny mpirehareha.

27 Toy ny fiainana ho an’ny olona ny divay,

raha sotroina am-patrany marina.

Fiainana toy inona no an’izay tsy manan-divay?

Fa ny hampiravoravo ny olona no nanaovana ny divay.

28 Firavoravoan’ny fo amam-pifalian’ny fanahy,

ny divay raha sotroina amim-potoana sy am-patrany marina.

29 Fangidiam-panahy ny divay raha isotroana be,

raha mirehidrehitra sy mifandiditra ny olona.

30 Ny hamamoana dia mampirehitra ny hatezeran’ny adala sy mampipotraka azy:

mampihena ny hery ary mahatonga ratra.

31 Amin’ny fanasana, aza mandevilevy ny namana,

ary aza maneso azy raha mbola ao anatin’ny fifaliana izy;

aza manao teny fanalam-baraka azy,

ary aza manery azy amin’ny fitakian-javatra aminy.

Categories
Ekleziastika

Ekleziastika 32

Ny fanasana

1 Voatendry ho mpanjakan’ny fanasanava ianao? Aza manandra-tena.

Aoka ho eo amin’ny mpiara-mihinana toy ny iray aminy ihany ianao:

karakarao aloha izy ireo, vao mipetraka ianao.

2 Rehefa vita avokoa ny didy iandraiketanao, makà toerana,

mba hifalianao noho ny amin’izy ireo,

sy handraisanao fehiloha, amin’ny nandaminana tsara ny fanasana.

3 Mitenena, ry anti-panahy, fa tandrifinao izany;

nefa mitenena amim-pahamarinana sy fahaizana sady aza misakantsakanany zava-maneno.

4 Fa raha mihaino ny mozika ny olona, aza mandraraka teny maro,

ary aza manampatra ny fahendrenao, tsy amin’ny fotoana.

5 Toy ny fitomboka vatosoa voapetaka amin’ny volamena,

ny kônsertra mireondreona eo amin’ny fanasana.

6 Toy ny fitomboka vatosoa maitso amin’ny firavaka volamena,

ny kalokalo malefaka miaraka amin’ny divay tsara.

7 Mitenena, ry zatovo, raha misy soa ho anao amin’izany,

indroa saiky be, raha anontaniana ianao.

8 Afohezo ny teninao, zava-be amin’ny teny vitsy;

aoka ho toy ny olona manam-pahaizana, fa mahay mangina.

9 Raha eo amin’ny lehibe, aza manao ny tenanao ho sahala aminy;

ary amin’ny toerana misy anti-panahy, mbà vitsy teny.

10 Tselatra mamirapiratra no mialoha ny kotro-baratra;

toetra mahafinaritra kosa no mialoha lalana ny zatovo maotona.

11 Rehefa tonga ny fotoana, mitsangàna ary mihinàna fa aza milasilasy,

modia faingana any an-tranonao, fa aza tsy miraidraika.

12 Any milalaova, manaràna fo amin’izay angotingoty tianao,

kanefa aza manota amin’ny teny an’avonavona.

13 Ary noho izany rehetra izany, misaora an’Ilay Nahary

izay manetsaka anao amin’ny zava-tsoa avy aminy.

Tahotra an’Andriamanitra

14 Izay matahotra ny Tompo mandray ny fampianarana,

ary izay mazoto mitady Azy, hahazo sitraka aminy.

15 Izay mitady ny lalàna, hahazo fahafaham-po aminy;

fa ho an’ny mpihatsaravelatsihy izy no antony hahalavo azy.

16 Izay matahotra ny Tompo no hahita ny fitsarana marina;

ka hampamirapiratra ny teny fitsarana marina, hoatra ny fanilo.

17 Mandà famaizana ny mpanota;

ary mahita fialan-tsiny araka izay tiany izy.

18 Ny olona manan-tsaina, tsy mba maneso anatra na inona na inona,

fa ny olon-kafa sy ny mpiavonavona,

tsy mba voasakan-tahotra na inona na inona;

ary nony efa avy nanao izy, dia tsy manam-pieritreretana akory,

(ka amin’izany dia miharihary ny fahadalany).

19 Aza manao na inona na inona tsy amim-piheverana,

dia tsy hanan-kanenenana ianao, aorian’ny asa.

20 Aza mandeha amin’ny lalana efa simba,

dia tsy ho tafintohina amin’ny vato ianao.

21 Aza matoky ny lalana mitovy tantana;

ary mitandrema tena ianao amin’ny zanakao.

22 Ny fanahinao no itokio, amin’izay rehetra ataonao;

fa fanarahana ny didy koa izany.

23 Izay mitoky amin’ny lalàna, dia mihaino tsara ny didiny,

ary izay matoky ny Tompo, dia tsy mba hiharam-patiantoka.

Categories
Ekleziastika

Ekleziastika 33

1 Izay matahotra ny Tompo, tsy mba tongan’ny loza,

nefa raha zahan-toetra izy, dia vonjen’ny Tompo.

2 Ny olona hendry, tsy mba mankahala ny lalàna,

fa izay manao fihatsarambelatsihy aminy,

dia toy ny sambo anatin’ny tafio-drivotra.

3 Ny olona manan-tsaina, mitoky amin’ny lalàna,

ary ho azy ny lalàna dia mendrika hitokiana

toy ny filazan’ny Orima.

4 Omàny ny teninao, dia hohenoina ianao,

angony ny fahalalanao, vao mamaly ianao.

5 Sahala amin’ny kodiaran-tsarety ny fon’ny adala;

ary sahala amin’ny lahin-tangerina mihodina ny sainy.

6 Ohatra amin’ny sakaiza mifaniratsira, ny lahin-tsoavaly:

izay mitaingina azy rehetra, anenoany avokoa.

Saranga tsy mitovy

7 Nahoana ny andro iray

no mihoatra noho ny andro iray hafa,

nefa masoandro iray ihany

no iavian’ny hazavan’ny andro rehetra amin’ny taona?

8 Ny fahendren’ny Tompo no nanisy avakavaka amin’izy ireo;

Izy no nanendry fotoana samihafa sy fety.

9 Ka ny andro dia misy nasandrany sy nohamasininy,

ary misy nataony ho anisan’ny andro andavanandro.

10 Toy izany ny olombelona dia avy amin’ny tany avokoa;

dia ny tany nanaovana an’i Adama.

11 Nefa navakavahan’ny Tompo tamim-pahendrena lehibe izy ireo;

ary nampandehaniny amin’ny lalana samihafa.

12 Ny sasany, nambininy sy nasandrany;

ny sasany nohamasininy sy nampanakaikeziny Azy,

ny hafa kosa nozoniny sy naetriny,

ary naongany hiala amin’ny fitoerana nipetrahany.

13 Toy ny tanimanga eo an-tanan’ny mpanefy,

ka ataony araka izay itiavany azy;

toy izany ny olombelona eo an-tanan’Ilay nanao azy,

ka homeny araka izay heviny avy izy ireo.

14 Eo anatrehan’ny ratsy ny tsara,

eo anatrehan’ny fahafatesana ny fiainana;

toy izany koa ny mpanota dia eo anatrehan’ny marina.

15 Diniho torak’izany avokoa ny asan’ny Avo Indrindra:

Mifanindrana tsiroaroa izy, ka ny iray mifanohitra amin’ny iray hafa.

16 Izahoizay tonga farany,

dia nanokana ny fiaretan-toriko ho an’ny fahendrena;

tahaka an’izay mitsimpona voaloboka aorian’ny fitoazana azy,

fa noho ny fitahian’ny Tompo nandroso any aloha aho

ka nameno ny famiazana, hoatra ny mpioty voaloboka.

17 Mieke fa tsy miasa ho an’ny tenako samy irery aho,

fa ho an’izay rehetra mitady ny fahendrena koa.

18 Koa mihainoa ahy, ianareo lehiben’ny vahoaka;

mampandria sofina amiko ianareo mpitondra fiangonana.

Fahaleovan-tena

19 Na zanaka, na vady, na rahalahy, na sakaiza,

dia aza misy omenao fahefana aminao,

raha mbola velona koa ianao.

Ka aza afoy ho an’ny hafa ny harenao,

fandrao ianao indray no voatery tsy satry hiambezo aminy.

20 Raha mbola velona sy manam-pofon’aina koa ianao,

aza ivarotana tena na iza na iza nofo.

21 Satria aleo ny zanakao no mangataka aminao,

toy izay ianao no hangata-maso amin’ny tanan’ny zanakao.

22 Amin’izay rehetra ataonao mahareta ho tompony,

ary aza asiana takaitrany iray ny lazanao.

23 Rehefa tonga ny fara andro iainanao,

sy ny fotoana hahafatesanao, vao zarao amin’ny mpandova ny anananao.

Ny mpanompo

24 Ny vilona sy ny tsora-kazo ary ny entana no an’ny ampondra,

ny hanina sy ny famaizana ary ny asa kosa, an’ny mpanompo.

25 Ampiasao ny mpanomponao, dia hanam-pitsaharana ianao,

fa raha avelanao hanao izay tiany izy,

dia hitady fahafahana.

26 Ny jioga aman-koditra no mampilefaka ny hatoka;

ny fampijaliana amam-pangirifiriana no an’ny mpanompo ratsy fanahy.

27 Iraho izy hiasa, mba tsy hipetraka midonana-poana;

fa mampiana-dratsy maro ny fidonanaham-poana.

28 Asaovy manomboka miasa izy, fa izany no tandrify azy;

ary raha tsy manaiky izy, tereo ny parapaingony.

Nefa aza mihoatra ny etra, na amin’iza na amin’iza;

ary aza manao zavatra mifanohitra amin’ny rariny.

29 Raha mana-mpanompo ianao, dia aoka ho toy ny tenanao izy,

fa tamin’ny ra no nahazoanao azy.

30 Raha mana-mpanompo ianao,

ataovy toy ny tenanao no fitondra azy,

fa izany no hanintonanao azy, hiraikitra amin’ny fanahinao.

31 Raha ratsy fitondra azy ianao, ka mitsoaka mandositra izy,

aiza no lalan-kalehanao hitady azy?

Categories
Ekleziastika

Ekleziastika 34

Ny nofy

1 Fanantenam-poana sy mamitaka no andrandrain’ny adala;

ary ny nofy mampisidina ny ketrina.

2 Toy ny mitady hisambotra aloka sy hahataka-drivotra,

ny mandraiki-tsaina amin’ny nofy.

3 Zavatra iray araka ny iray hafa, no hitan’ny olona amin’ny nofy;

toy ny sarin’ny tavan’olona anankiray, eo anoloan’ny tavany.

4 Inona no madio, mety hipoitra avy amin’ny fahalotoana?

Inona no marina mety hipoitra avy amin’ny lainga?

5 Zava-poana ny fanandroana sy ny fambara ary ny nofy,

tahaka ny anjoanjom-pieritreretana ao am-pon’ny vehivavy bevohoka.

6 Aza avela hiraikitra amin’izany ny fonao,

afa-tsy raha nirahin’ny Avo Indrindra, amin’ny famangiana.

7 Fa efa namily lalana olona maro ny nofy,

ary lavo izay nanankina ny fanantenany taminy.

8 Ny lalàna no tanteraka tsy misy fitaka,

toy ny hahatanterahan’ny teny misy fahendrena, aloaky ny vava mahatoky.

Ny dia aleha

9 Mahay zavatra betsaka ny olona nahita fianarana;

ary miteny amim-pahendrena ny olona ela nikarohana.

10 Izay tsy nozahan-toetra, kely zava-pantatra;

ary izay efa nandeha nivahiny, be fahamalinana.

11 Nahita zavatra betsaka aho tany am-pivahiniako,

ka be noho ny teniko ny fahaizako.

12 Matetika no efa saika maty aho,

fa voavonjy noho izany fikarohana izany.

Ny sorona

13 Ho velona ny fanahin’izay matahotra ny Tompo;

fa amin’ny Mpamonjy azy ny fanantenany.

14 Izay matahotra ny Tompo, tsy matahotra na inona na inona,

tsy mangovitra izy fa Andriamanitra no fanantenany.

15 Sambatra ny fanahin’izay matahotra ny Tompo!

Iza no iankinany, ary iza no manohana azy?

16 Ny mason’ny Tompo dia eo amin’izay tia Azy;

mpiaro mahery Izy, ary fiankinana mafy,

fialofana amin’ny rivotra avy atsinanana,

fialofana amin’ny hainandro mirehitra avy atsimo,

fiambenana amin’ny fanafintohinana, vonjy amin’ny fahalavoana;

17 manandratra ny fanahy, manazava ny maso,

manome fahasalamana, fiainana amam-pitahiana Izy.

18 Fanatitra vazivazy ratsy,

ny harena azo tsy an-drariny atao sorona;

ary ny vazivazin’ny mpanota,

tsy ankasitrahin’Andriamanitra.

19 Tsy ankasitrahin’ny Avo Indrindra

ny fanatitry ny mpankahala fivavahana,

ary tsy ny hamaroan’ny zavatra atao sorona no amelany ny heloka.

20 Mamono zanaka eo imason-drainy,

izay manatitra sorona nalaina tamin’ny fananan’ny mahantra.

21 Ny mofon’ny malahelo no ain’ny mahantra;

fa izay manala izany aminy, dia mpamono olona.

22 Mamono mahafaty namana, izay maka ny fivelomany;

mandatsa-dra izay mitana ny tambin’ny mpikarama.

23 Ny iray manorina, ny hafa kosa mandrava;

inona no azon’ireo afa-tsy ny fisahiranana ihany?

24 Ny iray mivavaka, ny iray kosa manozona;

ny feon’iza amin’izy roa tonta ireo no hohenoin’ny Tompo?

25 Izay misasa, avy nikasika ny maty, mikasika azy indray,

inona no azony tamin’ny nisasany?

26 Toy izany ny olona mifady hanina noho ny fahotany,

raha miverina manota indray izy:

iza no hihaino ny fivavahany ary hampaninona azy ny fietreny?