Categories
Izaia

Izaia 34

Ny niafaran’i Edôma

1 Manatòna hihaino, ianareo firenena,

mampandria sofina, ianareo vahoaka!

Aoka hihaino avokoa ny tany mbamin’izay rehetra ao aminy;

izao tontolo izao mbamin’ny vokatra rehetra avy aminy.

2 Fa mihatra amin’ny firenena rehetra ny haviniran’i Iaveh,

ary amin’ny miaramilany rehetra ny hatezerany;

nataony anatema, natolony hovonoina ireny.

3 Ny maty amin’izy ireo hariana,

ny fatiny hitera-pofona maimbo,

ary hiempo azon’ny rany ny tendrombohitra.

4 Ny tafiky ny lanitra rehetraho zary vovoka;

ny lanitra hahorona hoatra ny taratasy;

ary ny tafiny rehetra hiraraka

hoatra ny firaraky ny ravim-boaloboka,

hoatra ny firaraky ny ravina malazo amin’ny aviavy.

5 Fa efa mamon-dra teny amin’ny lanitra ny sabatro,

ka indro izy midina ho any Edôma,

ho any amin’ny firenena nataoko anatema hitsarana azy.

6 Ny sabatr’i Iaveh dia feno ra,

mihosi-menaka,

sy ran-janak’ondry aman’osilahy,

ary sabora fonom-boan’ondralahy.

Fa manao sorona ao Bôsrà, i Iaveh,

sy famonoam-be ao amin’ny tanin’i Edôma

7 Miaraka aripaka amin’izany koa ny ombimanga,

sy ny omby miaraka amin’ny ombalahy.

Vonto ra ny taniny,

mandriaka ny menaka ao amin’ny vovok’izy ireo.

8 Fa andro famalian’i Iaveh izany,

ary taona famalianany nataony tamin’i Siôna.

9 Hanjary dity ny reniranony,

ho solifara ny vovo-taniny,

ary ho tonga dity mahamay ny taniny,

10 ka ny firehiny tsy hovonoina na andro na alina,

ary ny setrony, hisavoana mandrakizay.

Ho foana amin’ny taona mifandimby izy io,

tsy hisy olona handeha hamaky azy mandrakizay doria.

11 Ny pelikano aman-tsokina no hivolon-tompony ao;

ny vorondolo sy ny goaika no honina ao;

ary hoenjehina eo aminy

ny famolain’ny fikorontanana

sy ny levin’ny fanafoanana.

12 Tsy hisy intsony ny lehibe hanangana mpanjaka;

ary hofoanana avokoa ny mpanapaka ao.

13 Tsilo no haniry ao an-dapany;

ary voaroy amam-beroberokamboa no ho eo an-tranony mimanda,

ka ho fieren’amboadia

sy ho valan’ostritsa foana izy.

14 Ny kary aman’amboadia, ho tafahaona ao;

ary ny sitara hifampiantsoantso ao.

Ny lolovokatra mpiseho alina hiorim-ponenana ao koa,

sy hahazo fitoerana fitsaharany.

15 Ao ny bibilava no hanao ny akaniny sy hanatody

sy hikotrika azy hanangona ny zanany eo ambanin’ny alokalony.

Hiangona ao avokoa ny papango.

16 Izahao ao amin’ny bokin’i Iaveh ka vakio:

Tsy misy tsy ao ireo na dia iray aza,

na ity na itsy tsy misy tsy tonga ao.

Fa ny vavan’i Iaveh no efa nandidy izany,

ary ny fofon’ainy no nanangona azy.

17 Tenany no nanao loka ho an’ireo,

ary tanany no nizara ny tany ho azy ireo amin’ny famolaina;

ka hanana izany mandrakizay ireo;

ary honina ao amin’ny taona mifandimby.

Categories
Izaia

Izaia 35

Fitsaràn’Andriamanitra

1 Hifaly ny efitrasy ny tany karankaina,

hiravoravo ny tany lemaka lava volo,

2 ary hamony tahaka ny narsisa;

hirakotra voninkazo sy hientan-kafaliana

ary hanao hoby firavoravoana izy.

Homena azy ny voninahitr’i Libàna

mbamin’ny hakanton’i Karmely sy i Sarôna.

Izy ireo hahita ny voninahitr’i Iaveh,

sy ny famirapiratan’ny Andriamanitsika.

3 Hatanjaho ny tanana osa,

herezo ny lohalika mangozohozo!

4 Ilazao ny mitebiteby fo ataovy hoe:

Makà hery fa aza matahotra. Inty ny Andriamanitrareo;

tamy ny famaliana, famalian’Andriamanitra,

tenany no avy, dia hamonjy anareo.

5 Amin’izay dia hahiratra ny mason’ny jamba,

halady ny sofin’ny marenina.

6 Hitsambikina hoatra ny serfa ny mandringa,

hinantsanantsan-kafaliana ny lelan’ny moana.

Fa hisy rano miboiboika any an’efitra;

ary sakeli-drano eny amin’ny tany lemaka lava volo.

7 Ny tany hay, hanjary ho farihy,

ary ny tany mangentana ho loharano.

Ny lavaka fonenan’ny amboadia hanjary

saham-bolotara aman-jozoro.

8 Hisy arabe, hisy lalana,

izay atao hoe ny lalana masina;

ka ny tsy madio tsy mba hihazo eo;

fa ho azy ireo ihany izy io;

izay homba azy na ny olon-tsotra aza tsy hivilivily.

9 Ao tsy mba hisy liona,

tsy hisy biby masiaka mandia ao,

tsy hisy ho hita ao.

Fa ny voavonjy no hizotra ao,

ary ny navotan’i Iaveh no ho tonga ao indray;

10 ho tonga ao Siôna amin’ny hobin-kafaliana izy ireo;

firavoravoana mandrakizay no ho fehilohany;

fifaliana amam-piravoravoana no hahenika azy;

fa ny sento amam-pijaliana handositra.

Categories
Izaia

Izaia 36

Fanafihan’i Senakeriba an’i Jerosalema

1 Tamin’ny taona faha-14, nanjakan’i Ezekiasa, niakatra i Senakeriba, mpanjakan’i Asiria, hamely ny tanàna mimanda rehetra any Jodà, ka nahafaka ireny.

2 Ary nirahin’ny mpanjakan’i Asiria ny lehiben’ny mpandroso divay aminy nitondra miaramila maro, avy ao Lakisa ho any Jerosalema, amin’i Ezekiasa mpanjaka; nijanona teo amin’ny lakan-drano amin’ny kamory ambony, eo amin’ny lalana mamkamin’ny sahan’ny Mpamotsy lamba, ny lehiben’ny mpandroso divay.

3 Dia nanatona azy i Eliasima, zanak’i Helkiasa lehiben’ny tao an-dapa, nomban’i Sobnà mpanoratra, ary i Jôahe zanak’i Asafa, mpitahiry ny bokim-panjakana.

4 Hoy ny lehiben’ny mpandroso divay tamin’izy ireo: «Mba lazao kely amin’i Ezekiasa izao: Izao no tenin’ny mpanjaka lehibe, mpanjakan’i Asiria: Avy aiza no nahazoanao toky iankinanao toy izao? Hoy izaho: Teny foana izany fikasana aman-kery hoenti-miantafika izany.

5 Fa ankehitriny, iza no itokianao no niodina tamiko ianao?

6 Indro fa ny itokianao hitehenana dia ilay volotara folaka, i Ejipta, izay manindrona sy manaboroaka ny tanan’izay rehetra mitehina aminy; fa izany no afitsok’i Faraôna amin’izay rehetra matoky azy.

7 Ary raha ianao manao amiko hoe: ‹I Iaveh Andriamanitray no itokianay› – moa tsy Izy va no nanesoran’i Ezekiasa ny fitoerana avo aman’ôtely nanaovany tamin’i Jodà sy i Jerosalema hoe: ‹Eo anoloan’ity ôtely ity no hiankohofanareo?›

8 Koa ankehitriny manaova fanekena amin’ny tompoko, ny mpanjakan’i Asiria, fa homeko soavaly roa arivo ianao, raha afa-mamory olona hitaingina azy!

9 Hataonao ahoana no fampiamboho kapiteny iray akory, amin’ny mpanompon’ny tompoko, na dia izay kely indrindra amin’izy ireo aza? Noho izany dia i Ejipta no itokianao hahazoana kalesy aman-tsoavaly.

10 Ary ankehitriny matoa niakarako ity tany ity handrava azy, moa tsy avy amin’ny sitrak’i Iaveh izany? – Izao no nolazain’i Iaveh tamiko: ‹Miakara hamely izany firenena izany, ka ravao izy!› »

11 Dia hoy i Eliasima sy i Sobnà ary i Jôahe, tamin’ny lehiben’ny mpandroso divay: «Mba teny arameanina no ataovyamin’ny mpanomponao, satria hainay izany; fa aza dia manao teny jodaika, ho ren’ny vahoaka eny ambony manda.» Fa izao no navalin’ny lehiben’ny mpandroso divay:

12 «Moa ny tomponao sy ianao va, no nanirahan’ny tompoko ahy, hilaza izany teny izany; fa tsy ireo olona mipetraka eo ambony manda hihinana ny dikiny sy hisotro ny ditsany miaraka aminareo?»

13 Dia nandroso ny lehiben’ny mpandroso divay ka nanao feo avo niantso tamin’ny teny jodaika nanao hoe: Mihainoa, ianareo, ny tenin’ny mpanjaka lehibe, mpanjakan’i Asiria!

14 Izao no lazain’ny mpanjaka: Aza mety hofitahin’i Ezekiasa ianareo, fa tsy hahavonjy anareo izy.

15 Ary aza mety hotaritin’i Ezekiasa hatoky an’i Iaveh, hataony hoe: Hamonjy antsika tokoa i Iaveh, ary tsy hatolotra eo an-tanan’ny mpanjakan’i Asiria ity tanàna ity.

16 Aza mihaino an’i Ezekiasa ianareo fa izao no tenin’ny mpanjakan’i Asiria: Manaova fanekem-pivavahana amiko, ary maneke ahy ianareo, dia samy hihinana ny voaloboka aman’aviaviny, sy hisotro ny rano eo amin’ny dobo famorian-dranony avy ianareo;

17 mandra-piaviko hitondra anareo, ho any amin’ny tanytoy ny anareo, dia tany misy vary aman-divay, tany misy mofo amam-boaloboka.

18 Aza mety hambosin’i Ezekiasa ianareo, ataony hoe: Hamonjy antsika i Iaveh? Moa misy andriamaniny ny firenena nahavonjy ny taniny, tamin’ny tanan’ny mpanjakan’i Asiria va?

19 Aiza ny andriamanitr’i Emata sy i Arfada? Aiza ny andriamanitr’i Sefarvaima? Moa nanafaka an’i Samaria tamin’ny tanako va ireny?

20 Iza tamin’ireo andriamanitry ny firenena rehetra ireo no nahavonjy ny taniny tamin’ny tanako, no hahavonjen’i Iaveh an’i Jerosalema amin’ny tanako?

21 Nangina tsy nisy namaly izy ireo na dia teny indraimbava aza, satria efa nodidian’ny mpanjaka hoe: «Aza mamaly azy ianareo.»

22 Dia nankany amin’i Ezekiasa i Eliasima zanak’i Elkiasa lehiben’ny ao an-dapa, sy i Sobnà mpanoratra, ary i Jôahe zanak’i Asafa mpitahiry ny bokim-panjakana, ka nambarany taminy ny tenin’ny lehiben’ny mpandroso divay, ary samy voatriatra ny fitafiany.

Categories
Izaia

Izaia 37

Filana hevitra amin’i Izaia mpaminany

1 Nony nandre izany teny izany i Ezekiasa, dia notriariny ny fitafiany, notafiny ny lasàka, lasa izy nankao an-tranon’i Iaveh.

2 Ary nirahiny i Eliasima, lehiben’ny ao an-dapa, sy i Sobnà mpanoratra, ary ny lohandohan’ny mpisorona, samy voatafy lasàka, ho any amin’i Izaia zanak’i Amôsa, mpaminany,

3 ka nanao taminy hoe: «Izao no lazain’i Ezekiasa: Androm-pahoriana amam-pamaizana sy fahafaham-baraka izao andro izao, fa ny zaza vonon-kivoaka avy ao am-bohoka nefa ny hery hiterahana azy, tsy misy.

4 Angamba ho ren’i Iaveh Andriamanitrao, ny tenin’ny lehiben’ny mpandroso divay nirahin’ny mpanjakan’i Asiria, tompony, hanevateva an’Andriamanitra velona, ka hosaziny noho ny teny efa ren’i Iaveh Andriamanitrao. Koa manaova fivavahana ho an’izay sisa mbola tavela.»

5 Lasa nankany amin’i Izaia ireo mpanompon’i Ezekiasa,

6 dia hoy i Izaia tamin’izy ireo: «Izao no holazainareo amin’ny tomponareo: Toy izao no tenin’i Iaveh: Aza matahotra ny teny efa renao, izay naniratsiran’ny mpanompon’ny mpanjakan’i Asiria Ahy.

7 Fa indro Aho, manisy fanahy ao anatiny, hany ka noho ny vaovaohampandrenesina azy dia hiverina ho any amin’ny taniny izy, dia hataoko lavon-tsabatra any amin’ny taniny.»

Ny niverenan’ny lehiben’ny mpandroso divay

8 Dia niverina ny lehiben’ny mpandroso divay ka nahita ny mpanjakan’i Asiria, nanao fahirano an’i Lobnà; efa reny ny nialan’ny tompony tany Lakisa.

9 Ary nandre vaovao ny mpanjakan’i Asiria ny amin’i Tharakà, mpanjakan’i Etiôpia, fa hoy ny olona taminy: «Efa niainga izy io hanafika anao.»

Tantaraina fanindroany ny fanafihan’i Senakeriba

Nony vao nandre izany izy, dia nandefa iraka ho any amin’i Ezekiasa, hanao hoe:

10 «Izao no holazainareo amin’i Ezekiasa mpanjakan’i Jodà ataovy hoe: Aza mety hofitahin’ny Andriamanitrao, izay itokianao ianao, ataony hoe: ‹Tsy hatolotra eo an-tanan’ny mpanjakan’i Asiria i Jerosalema.›

11 Indro efa renao ny nafitsoky ny mpanjakan’i Asiria, ny tany rehetra, fa nataony anatema izany!… Ka ianao ve dia ho voavonjy?

12 Moa nahavonjy azy va ireo andriamanitry ny firenena noravan’ny razako dia i Gôzàna, i Harama, i Resefa, ary ny taranak’i Edena, izay any Telasara?

13 Aiza avy ny mpanjakan’i Emata, ny mpanjakan’i Arfada, ary ny mpanjakan’ny tanàna Sefarvaima, ny an’i Anà, ny an’i Avà?»

14 Noraisin’i Ezekiasa avy eny an-tanan’ireo iraka ny taratasy, ka novakiny; dia niakatra ho ao an-tranon’i Iaveh izy sady namelatra izany teo anatrehan’i Iaveh.

15 Ary nivavaka teo anatrehan’i Iaveh i Ezekiasa nanao hoe:

16 «Ry Iavehn’ny tafika, Andriamanitr’i Israely ô, izay mipetraka amin’ny Kerobima, Ianao irery no Andriamanitry ny fanjakana rehetra ambonin’ny tany, Ianao no namorona ny lanitra sy ny tany.

17 Atongilano ny sofinao, Iaveh, ka mihainoa! Ahirato ny masonao, Iaveh, ka mijere! Henoy avokoa ny tenin’i Senakeriba izay nalefany, hanevatevana an’ilay Andriamanitra velona.

18 Marina tokoa, ry Iaveh ô, fa i Senakeriba dia nandrava ny firenena rehetra mbamin’ny taniny,

19 ary nanipy ny andriamanitr’ireny tao anaty afo, satria tsy andriamanitra ireny, fa asan-tanan’olombelona, vato aman-kazo, ka dia voaravany.

20 Ankehitriny, Iaveh Andriamanitray ô, vonjeo amin’ny tanan’i Senakeriba izahay; ary aoka ho fantatry ny fanjakana rehetra ambonin’ny tany, fa Ianao irery no Iaveh.»

Tenin’i Izaia mpaminany

21 Dia naniraka ho any amin’i Ezekiasa i Izaia zanak’i Amôsa, hilaza hoe: «Izao no lazain’i Iaveh, Andriamanitr’i Israely: Efa reko ny vavaka nataonao tamiko, ny amin’i Senakeriba, mpanjakan’i Asiria;

22 ka izao no teny nolazain’i Iaveh ny aminy:

Maneso anao, mihomehy anao

ilay virjiny zanaka vavin’i Siôna;

manifikifi-doha eo aorianao,

ny zanaka vavin’i Jerosalema!

23 Iza no notsiratsirainao sy nompanao?

Hamely an’izay no nanandratanao feo,

sy niandranandrànanao maso? –

24 Hamely an’ilay Masin’i Israely.

Ny mpanomponao no efa naniratsiranao ny Tompo,

ary ianao efa nanao hoe: ‹Amin’ny hamaroan’ny kalesiko

no efa niakarako teny antampon-tendrombohitra,

teny amin’ny fara sisin’i Libàna;

hokapaiko ny avo indrindra amin’ny sipresa ao aminy,

ny tsara indrindra amin’ny sipresa ao aminy,

dia hahatakatra ny tendrony avo indrindra aho,

mbamin’ny alany, hoatra ny saha misy hazo mamoa.

25 Nihady aho, dia manan-drano hosotroina;

homainiko amin’ny faladian-tongotro

ny onin’i Ejipta rehetra.›

26 Tsy mba renao va fa efa hatramin’ny ela dia nanao izany aho,

ary efa noforoniko hatramin’ny andro taloha?

Ankehitriny ataoko izay hahatanterahan’izany.

hampanjarianao korontan-javatra miavosa

ny tanàna mimanda.

27 Tsy manan-kery ny mponina

fa raiki-tahotra sy mivadi-po;

izy ireo manahaka ny ahitra eny an-tsaha

aman-java-maitso milenodenoka,

tahaka ny ahitra ambony tafon-trano,

tahaka ny vary mandavenona, maina alohan’ny fahamasahany.

28 Fantatro anefa ianao na mipetraka ianao

na mivoaka ianao, na miditra ianao;

fantatro ny hatezeranao amiko.

29 Noho ianao misafoaka amiko,

sy noho ny fireharehanao efa tafakatra mby ao an-tsofiko,

izaho kosa hametraka ny masom-bikoamin’ny oronao

sy ny lamboridiko eo amin’ny vavanao,

ka hamerina anao amin’ny lalana niavianao».

Famantarana nomena an’i Ezekiasa

30 Ary izao no ho famantaranaho anao: Amin’ity taona ity, ny vokatra avy amin’ny vary raraka an-tany no hohanina; amin’ny taona faharoa ny maniry ho azy no hohanina; fa amin’ny taona fahatelo kosa hamafy sy hijinja ianareo; hamboly tanimboaloboka sy hihinana ny vokany ianareo.

31 Izay voavonjy tamin’ny taranak’i Jodà, izay sisa tavela mbola handatsaka faka any ambany, ary hamoa voa any ambony.

32 Fa hisy sisa hivoaka avy amin’i Jerosalema, ary hisy afaka avy ao an-tendrombohitra Siôna. Izany no hoefain’ny firehetam-pon’i Iavehn’ny tafika.

Tenin’Andriamanitra momba an’i Asora

33 Noho izany izao no lazain’i Iaveh, ny amin’ny mpanjakan’i Asiria:

«Tsy hiditra amin’izany tanàna izany izy,

na handefa zana-tsipìka ao aminy,

na hanangana ampinga eo anoloany,

na hanandratra tovon-tany hamelezana azy.

34 Hiverina amin’ny lalana niaviany izy,

fa tsy ho tafiditra amin’ity tanàna ity.

Teny ton’i Iaveh.

35 Hiaro ity tanàna ity Aho mba hamonjy azy,

noho ny amin’ny Tenako, sy noho ny amin’i Davida mpanompoko».

Sazin’i Senakeriba

36 Dia nivoaka ny Anjelin’i Iaveh, ka namely olona 185.000 teo an-tobin’ny Asirianina, ary nony vao nifoha ny olona tamin’ny maraina dia indreo maty avokoa ireo.

37 Ary i Senakeriba mpanjakan’i Asiria, nony avy nandrava ny tobiny, dia lasa nody,

38 ka nitoetra tany Niniva. Fa raha ilay niankohoka tao an-tranon’i Nesrôka, andriamaniny iny izy, dia nokapain’i Adrameleka sy i Sarasara, zanany lahy, tamin’ny sabatra, ka nandositra tany amin’ny tanin’ny Ararata izy ireo, dia i Asaradôna, zanany lahy, no nanjaka nandimby azy.

Categories
Izaia

Izaia 38

Aretin’i Ezekiasa sy fahasitranany

1 Tamin’izany andro izany, narary efa ho faty i Ezekiasa. Ary tonga tao aminy i Izaia, zanak’i Amôsa, nanao taminy hoe: «Izao no lazain’i Iaveh: Omeo ny fianakavianao izay didinao, fa ho faty ianao, fa tsy ho velona intsony.»

2 Dia nitodika nankany amin’ny rindrina i Ezekiasa, ka nivavaka tamin’i Iaveh; hoy izy:

3 «Iaveh ô, tsarovy fa nandeha teo anatrehanao tamim-pahamarinana sy firaiketam-po aminao aho, ary nanao izay tsara eo imasonao.» Sady nitomany nanao ranomaso havozona i Ezekiasa.

4 Dia tonga tamin’i Izaia ny tenin’i Iaveh, nanao hoe:

5 «Mandehana lazao amin’i Ezekiasa hoe: ‹Izao no lazain’i Iaveh, Andriamanitr’i Davida, rainao: Reko ny vavakao, hitako ny ranomasonao, ka indro, ampiako dimy ambin’ny folo taona ny andronao.

6 Hamonjy anao sy ity tanàna ity amin’ny tanan’ny mpanjakan’i Asiria Aho; ary hiaro ity tanàna ity.

7 Ary izao no famantarana omen’i Iaveh ho anao, hahafantaranao fa hotanterahin’i Iaveh izany teny nolazainy izany:

8 Indro aho hampihemotra ny aloka hiverina araka ny ambaratonga efa nampidinan’ny masoandro azy, eo amin’ny ambaratongan’i Akaza, dia ambaratonga folo.› » Dia nihemotra ambaratonga folo, teo amin’ny ambaratonga efa nidinany teo, ny masoandro.

Tononkiran’i Ezekiasa

9 Zavatra nosoratan’i Ezekiasa, mpanjakan’i Jodà, fony izy narary ka sitrana tamin’ny aretiny:

10 Hoy aho: «Dia amin’izao andro mbola iadanakoizao aho

no midina ho any amin’ny vavahadin’ny seoly;

ka hanesorana amiko ny taonako sisa!»

11 Hoy aho: «Tsy mba hahita an’i Iaveh intsony aho,

tsy hahita an’i Iaveh, eo amin’ny tanin’ny velona;

tsy mba hahita ny olombelona intsony aho

eo amin’ny mponina any amin’ny fonenana mangina!»

12 Ny fonenakonesorina, nentina lavitra ahy,

tahaka ny lain’ny mpiandry ondry.

tahaka ny mpanenona aho manao ny tenon’ny fiainako,

fa tapahiny hiala amin’ny fanenomana aho!

Hatramin’ny antoandro ka mandra-piavin’ny alina

dia hotaperinao ny aiko.

13 Tsy niteny tsy nivolana aho,

mandra-pahamarain’ny andro.

Nanapatapaka ny taolako rehetra toy ny liona izy;

hatramin’ny antoandro ka mandra-piavin’ny alina

dia hotaperinao ny aiko!

14 Nikoraraika toy ny vano aman-tsidintsidina aho,

nitoloko toy ny voromahailala aho,

valalanina ny masoko, mijery any ambony:

15 Iaveh ô, anaovana an-tery setra aho, anie

Ianao no hiantoka ahy.

Inona no holazaiko? Nilaza tamiko izy, nahavita izy.

Handeha amim-panetren-tena aho,

amin’ny taona iainako rehetra,

mahatsiaro ny hangidin’ny aiko.

16 Tompo ô, izany no fiainana,

ao amin’izany rehetra izany ny fiainan’ny fanahiko.

Mahasitrana ahy Ianao, mampody ny aina amiko;

17 koa indro manjary fiadananaho ahy

ny mangidy mafy indrindra.

Nanesotra ny fanahiko Ianao,

teo amin’ny lavaka famoizana;

narianao any ivohonao ny fahotako rehetra.

18 Satria tsy mankalaza anao ny Seoly,

ary ny fahafatesana tsy manao hira fiderana Anao;

ireo midina any an-davaka,

tsy manantena ny fahamarinanao intsony.

19 Fa ny velona dia ny velona ihany no mankalaza Anao

tahaka izao ataoko anio izao;

ny ray hampahalala ny zanany ny fahamarinanao.

20 I Iaveh efa nalaky namonjy ahy;

isika kosa hitendry hampaneno ny kofehin’ny lokangako

amin’ny andro rehetra iainantsika,

ao an-tranon’i Iaveh.

21 Hoy i Izaia: «Mitondrà ampempan’aviavy iray, dia apetaho amin’ny fery, ary aoka ho sitrana ny mpanjaka.» Ary hoy i Ezekiasa: «Inona no famantarana ahalalako fa hiakatra any amin’ny tranon’i Iaveh aho?»

Categories
Izaia

Izaia 39

Masoivohon’i Babilôna

1 Tamin’izany andro izany, i Merôdàka-Baladàna, zanak’i Baladàna mpanjakan’i Babilôna, nampitondra taratasy amam-panomezana ho an’i Ezekiasa, fa efa reny ny naharariany sy ny nahasitranany.

2 Faly i Ezekiasa tamin’ny nahatongavan’ireo iraka ireo ka nasehony azy ny trano fitahirizany ny rakiny, ny volafotsy amam-bolamena, ny zava-manitra aman-diloilo sarobidy, ny trano fitahirizam-piadiany, mbamin’izay rehetra tao amin’ny trano firaketany; tsy nisy tsy nasehon’i Ezekiasa an’ireo na ny tao an-tranony, na ny teo amin’ny fanjakany rehetra.

3 Dia nankeo amin’i Ezekiasa mpanjaka i Izaia, mpaminany, ka nanao taminy hoe: «Inona no nolazain’ireo olona ireo; ary avy aiza izy ireo no nankatỳ aminao?» Hoy ny navalin’i Ezekiasa: «Avy lavitra izy ireo no nankatỳ amiko; avy any Babilôna.»

4 Ary hoy i Izaia: «Inona avy no hitany tato an-tranonao?» Ka hoy ny navalin’i Ezekiasa: «Hitany avokoa izay rehetra ato an-tranoko; tsy misy tsy nasehoko azy ny firaketako rehetra.»

5 Dia hoy i Izaia tamin’i Ezekiasa: «Henoy ny tenin’i Iavehn’ny tafika:

6 Indro ho avy ny andro, hitondrana any Babilôna izay rehetra ato an-tranonao, sy izay rehetra nangonin’ny razanao mandrak’androany; tsy hasiana mijanona na inona na inona, hoy i Iaveh.

7 Ary amin’ireo zanakao, avy amin’ny tenanao, naterakao, dia hangalana hatao eonoka, any an-dapan’ny mpanjakan’i Babilôna.»

8 Ka hoy i Ezekiasa tamin’i Izaia: «Tsara ny tenin’i Iaveh nambaranao»; ary nanampy teny izy nanao hoe: «Fa hisy fiadanana sy fandriana feizay, amin’ny androko.»

Categories
Izaia

Izaia 40

Ny niantsoana an’ilay Mpaminany

1 «Ampionony, ampionony ny vahoakako,»

hoy ny Andriamanitrareo.

2 Mitenena amin’ny fon’i Jerosalema,

ary ataovy antso avo aminy,

fa tapitra ny fanompoany,

voaonitra ny helony,

voarainy tamin’ny tanan’i Iaveh,

ny indroa heny valin’ny fahotany.

3 Injany misy feo miantsohoe:

«Misavà lalana any an’efitra, ho an’i Iaveh,

manorena arabe any an-tany lava volo ho an’ny Andriamanitsika!

4 Aoka ny lohasaha rehetra hasandratra;

ny tendrombohitra aman-kavoana rehetra haetry;

ny avo hanjary tany lemaka;

ary ny vato mideza ho lembalemba.

5 Dia hiseho ny voninahitr’i Iaveh,

ka ho hitan’ny nofo rehetra tsy an-kavanavaka

fa ny vavan’i Iaveh no efa niteny.»

6 Injay misy feo manao hoe: «Miantsoa!»

dia nisy namaly hoe: «Ahoana no antso hataoko?»

«Ahitra ihany ny nofo rehetra,

ary tahaka ny vonin-javatra eny an-tsaha, ny hatsaran-tarehiny.

7 Maina ny ahitra, malazo ny voniny,

rehefa seranin’ny fofon’ain’i Iaveh.

Eny, ahitra ihany ny olombelona:

8 maina ny ahitra, malazo ny voniny,

fa ny tenin’Andriamanitra haharitra mandrakizay.»

Fanambaràna fa hiseho Andriamanitra

9 Miakaraeny an-tendrombohitra avo ianao,

izay mitondra ny teny soa ho an’i Siôna.

Manandrata feo mafy ianao,

izay mitondra ny teny soa ho an’i Jerosalema;

manandrata feo, fa aza matahotra,

lazao amin’ny tanànan’i Jodà hoe:

«Indro ny Andriamanitrareo!»

10 Indro fa tonga i Iaveh Tompo, amin’ny heriny;

ny sandriny mampiasa ny fanapahana.

Indro fa miaraka aminy ny valisoa avy aminy,

ary ny tamby homeny, eo anoloany.

11 Toy ny mpiandry ondry hiandry ny andian’ondry Izy;

handray ny zanak’ondry amin’ny sandriny,

hitondra an’ireny eo an-trotroany,

ary handroaka moramora ny mampinono.

Lehibe Andriamanitra

12 Iza no namatra ny ranomasina tamin’ny tanana ilany,

sy nanjehy ny lanitra tamin’ny zehiny?

ary namatra ny vovo-tany rehetra tamin’ny vata,

sy nandanja ny tendrombohitra

tamin’ny farangom-pandanjana,

ary ny havoana tamin’ny mizana?

13 Iza no nitari-dalana ny Fanahin’i Iaveh,

ary iza no nanolo-tsaina nampianatra Azy?

Iza no nidinihany mba hanoro hevitra Azy

14 sy hampianatra Azy ny lalan’ny fahamarinana?

ary hampianatra Azy ny fahendrena

sy hanoro Azy ny lalan-tsaina?

15 Indro ny firenena fa hoatra ny rano indray mitete

miraikitra amin’ny siny,

heverina hoatra ny vovoka eo amin’ny mizana;

indro ny nosy fa hoatra ny vovoka madinika.

16 I Libàna, tsy ampy hataina,

ary ny biby ao, tsy ampy ho sorona dorana.

17 Ny firenena rehetra tahaka ny tsinontsinona eo anatrehany,

fa ataony zava-poana sy tsinontsinona.

18 Koa ampitovinareo amin’inona àry Andriamanitra,

ary sarin’inona no hamboarinareo ho Azy?

19 Rehefa nanao sampy anidina ny mpanao taozavatra

dia petahan’ny mpanefy volamena takela-bolamena,

sy anaovany tongalika volafotsy anidina.

20 Ny mahantra tsy manam-be hatolotra

mifidy izay hazo tsy mety lo,

dia mitady mpiasa mahay zavatra,

hanaovany sampy tsy mihozongozona.

21 Tsy fantatrareo va? Tsy renareo va?

Tsy nisy nanambara taminareo hatramin’ny voalohany va?

Tsy renareo va izay nandatsaka ny fanorenan’ny tany?

22 Izy no manerinerina eo ambonin’ny andohalambon’ny tany;

ary ny mponina eo dia tahaka ny valala ihany;

Izy no namelatra ny lanitra tahaka ny voaly,

sy nanenjana azy, hoatra ny lay hitoerana.

23 Hahatsinontsinona ny mpanapaka Izy,

sy hampanjary zava-poana, ny mpitsara amin’ny tany.

24 Vao nambolena ireo, vao nafafy ireo,

vao latsa-paka amin’ny tany ny fotony,

dia tsofiny ka malazo,

ary nindaosin’ny ranonoram-baratra hoatra ny vodivary.

25 Koa iza àry no hampitovinareo Ahy,

ka ho tahaka azy Aho, hoy ilay Masina?

26 Asandrato ny masonareo amin’ny eo ambony, ka mijere.

Iza no nahary ireo zavatra ireo?

Dia izay mampandeha milahatra ny tafik’ireo,

sy miantso azy rehetra amin’ny anarany avy;

ary noho ny haben’ny heriny sy ny hafatratry ny tanjany,

tsy misy midify ireny na dia iray aza.

Mitsimbina ilay Mahefa ny zavatra rehetra

27 Nahoana ianao, ry Jakôba, no milaza,

ary ianao koa, ry Israely, no miteny hoe:

«Miafina amin’i Iaveh ny lalako,

ary takona eo anatrehan’Andriamanitra ny rariny ananako?»

28 Tsy fantatrao va? tsy renao va?

Andriamanitra mandrakizay i Iaveh,

izay namorona ny eran’ny tany;

izay tsy mba mety sasatra na vizana

ary tsy takatry ny saina ny fahendreny

29 Manome hery an’izay sasatra Izy

ary mampitombo tanjaka an’izay reraka.

30 Ny zatovo mety sasatra sy vizana,

ary ny tovon’olona mety hangozohozo.

31 Fa izay miankina amin’i Iaveh kosa, mahazo hery vaovao;

hisidina avo toy ny voromahery;

hihazakazaka, tsy hahalala sasatra;

handeha fa tsy hahatsiaro vizana.

Categories
Izaia

Izaia 41

Asa iantsoan’Andriamanitra an’i Sirosy.

1 Mangina hihaino Ahy ianareo, ry nosy,

ary aoka ny firenena hamelombelona ny heriny,

ka hanatona sy hiteny!

Andeha isika hiaraka ho eo amin’ny fitsarana

2 «Iza no nampiakatra avy any atsinanana

an’ilay ifanenan’ny fahamarinana. ny diany?

Iza no nanolotra azy an’ireo firenena,

sy nampanaiky azy an’ireo mpanjaka?

Mampanjary ny sabany ho vovoka Izy;

ary ataony tonga sahala amin’ny akofa entin-drivotra ny tsipìkany.

3 Enjehiny ireo, ka mizotra soa aman-tsara Izy;

eo amin’ny lalana mbola tsy nodiavin’ny tongony.

4 Iza no nanao izany? Iza no nahefa izany?

Ilay niantso ny taranaka hatramin’ny voalohany,

Izaho Iaveh, Izay voalohany,

sady ho eo amin’ny farany koa!»

5 Mahita izany ireo nosy, ka raiki-tahotra;

mangovitra ny vazantany;

manatona izy ireo ka tonga.

6 Samy manampy ny namany avy izy,

ary mifampilaza hoe: «Matokia!»

7 Ny mpanefymankahery ny mpanao anidina;

ny mpandama amin’ny tantanana mankahery ny mively eo amin’ny riandriana;

hoy izy, miantso ny faninginana: «Tsara ity»;

dia homboany amin’ny fantsika ilay sampy tsy hihozongozona.

Momba an’i Israely Andriamanitra

8 Fa ianao kosa, ry Israely, mpanompoko,

ianao, ry Jakôba nofidiko,

taranak’i Abrahama, sakaizako.

9 Ianao izay notantanako avy any am-paran’ny tany,

sy nantsoiko avy any amin’ireo tany lavitra ireo:

ianao izay nilazako hoe: «Mpanompoko ianao,

efa nofidiko, ka tsy mba nariako.»

10 Aza matahotra ianaofa momba anao Aho;

aza mijerijery amin’ahiahy, fa Izaho no Andriamanitrao;

Nohazoniko mafy ianao, ka manampy anao Aho;

ary manohana anao amin’ny tanana ankavanan’ny fahamarinako.

11 Ho menatra sy hangaihay foana,

izay rehetra misafoaka hamely anao;

hanahaka ny zava-poana sy ho levona,

izay mifanditra aminao.

12 Hozahanao fa tsy ho hitanao intsony,

ry zareo mila sotasota aminao;

hanahaka ny zava-poana, hanjary tsinontsinona,

ry zareo miady aminao.

13 Fa Izaho Iaveh Andriamanitrao,

mitantana anao amin’ny tanana ankavanana,

milaza aminao hoe: «Aza matahotra,

Izaho no tonga mamonjy anao.»

14 Aza matahotra, ry kankana avy amin’i Jakôba,

ry olom-bitsy sisa, tamin’i Israely!

fa Izaho no tonga mamonjy anao – teny marin’i Iaveh –

ary ilay Masin’i Israely no mpanavotra anao.

15 Indro ataoko ambaràmba maranitraianao

sady vao no marani-daniroa,

hodiavinao ny tendrombohitrasy hotorotoroinao,

ary hampanjarianao akofa ny havoana.

16 Hokororohinao izy, ka hopaohin’ny rivotra,

sy haelin’ny ranonoram-baratra.

Fa ianao kosa hientan-kafaliana amin’i Iaveh,

ary ilay Masin’i Israely no hireharehanao.

Zava-mahagaga vaovao tamin’ilay Eksaody faharoa

17 Ireo ory sy mahantra,

izay mitady rano fa tsy mahita,

ka mainan’ny hetaheta ny lelany,

dia Izaho Iaveh no hihaino azy,

Izaho Andriamanitr’i Israely tsy handao azy.

18 Hampiboiboika renirano,

eo amin’ny tendrombohitra mangadihady Aho,

ary loharano eo afovoan’ny lohasaha;

hovako ho farihy ny efitra;

ary ho loharano miboiboika, ny tany karankaina.

19 Ny efitra hampaniriako sedera

akasià, mirta sy ôliva;

hataoko indray maniry eo amin’ny tany lava volo

ny sipresa, platàna, ary boisy.

20 Mba ho hitany sy fantany

ary hodinihiny sy hiarahany mahalala,

fa ny tanan’i Iaveh no nanao izany,

ary ilay Masin’i Israely no nahary izany.

I Iaveh no hany Andriamanitra

21 «Alaharo ny teninareo, hoy i Iaveh,

Asehoy izay mahamarina ny anareo,

hoy ny mpanjakan’i Jakôba.

22 Aoka hasehony sy hambarany amintsika,

izay zavatra ho avy!

Ambarao izay zavatra taloha,

mba inona sy inona avy ireny?

hiezaka handinika izany ny fonay,

hahalalanay izay nahatanterahany!

Na hoe ampandreneso anay, izay zavatra ho avy!

23 Lazao izay zavatra ho avy any aoriana any,

dia ho fantatray fa andriamanitra ianareo.

Manaova soa, na manaova ratsy,

mba nahitanay izany sy hiarahantsika migaga.

24 Indro fa tsinontsinona ianareo,

ary zava-poana ny asanareo;

vetaveta izay mifidy anareo!»

Ambaran’Andriamanitra mialoha ny handresen’i Sirosy

25 «Nampitranga azy avy any avaratra Aho, ka tonga izy,

avy any atsinanana izy miantso ny Anarako;

hoseny hoatra ny fanosy fotaka, ny mpanapaka;

sy tahaka ny fanosin’ny mpanao vilany ny tanimanga.»

26 Iza no nampahalala azyhatramin’ny voalohany

mba hahafantaranay izany,

sy teo aloha ela, mba hilazanay hoe: «Marina izany?»

Tsia: tsy nisy olona nilaza azy!

Tsia, tsy nisy olona nampandre azy!

Tsia, tsy nisy olona nandre ny teninareo!

27 Izaho no voalohany nilaza tamin’i Siôna hoe: «Indro! indreo izy.»

ary mandefa mpitondra teny soa mahafaly hoe

an’i Jerosalema Aho.

28 Mijery Aho, ka tsy misy olona;

tsy misy mpanolo-tsaina amin’izy ireo,

izay azoko nanontaniana sy hamaly Ahy.

29 Indro fa zava-poana avokoa izy rehetra;

tsinontsinona ny asany; rivo-poana ny sampiny.

Categories
Izaia

Izaia 42

Tapany voalohany

1 Indro ny mpanompokoizay tantanako;

ilay voafidiko ka sitraky ny foko;

napetrako ao aminy ny fanahiko;

hamoaka fahamarinana ho an’ny firenena izy.

2 Tsy hiantso mafy izy, na hanandra-peo,

na hanao izay handrenesana ny feony eny an-dalambe.

3 Ny volotara efa poritra, tsy hotapahiny;

ny lahin-jiro efa ho faty, tsy hovonoiny.

Hanambara ny rariny, araka ny marina izy;

4 tsy ho ketraka izy na ho kivy akory,

mandra-panoriny ny rariny amin’ny tany;

ary ny nosy hiandry ny lalàny.

Tapany faharoa

5 Izao no lazain’i Iaveh Andriamanitra

Izay nahary ny lanitra sy namelatra azy,

izay namelatra ny tany mbamin’ny vokatra ao aminy,

izay nanome fofon’aina ny olona eo aminy,

sy fofon’aina ho an’izay mandeha eo.

6 Izaho Iaveh no niantso anao, tamin’ny fahamarinana,

sy nandray tanana anao,

miaro anao Aho ary manao anao ho fanekem-pihavananaho an’ny vahoakako

sy fahazavan’ny firenena,

7 hampahiratra ny mason’ny jamba,

hamoaka ny mifatotra eo amin’ny tranomaizina,

sy ireo mipetraka ao anatin’ny haizina ao amin’ny fonja.

8 Izaho no Iaveh, izany no Anarako;

ary ny voninahitro tsy homeko ny hafa.

Ny fanajana Ahy, tsy ho an’ny sampy.

9 Efa tanteraka izay, ireo zavatra taloha;

ary zava-baovao indray izao no ambarako;

alohan’ny hitrangany

dia ampandrenesiko rahateo ianareo.

Antsa fandresena

10 Mihirà fihiram-baovao ho an’i Iaveh;

sy fiderana Azy, hatramin’ny faran’ny tany,

ianareo miantsambo amin’ny ranomasina sy monina ao aminy,

ianareo, nosy, mbamin’ireo mponina aminareo!

11 Aoka hanandra-peo ny efitra mbamin’ny tanàna eo aminy;

ny toby onenan’i Sedera!

Aoka hientan-kafaliana, ny mponina any Selà;

aoka hihobim-piravoravoana any an-tampon-tendrombohitra!

12 Aoka hanome voninahitra an’i Iaveh,

sy hitory fiderana Azy eny amin’ny nosy!

13 Fa mivoaka i Iaveh toy ny lehilahy mahery;

mamoha ny firehetam-pony, toy ny mpiady,

mandefa akoran’ady, akora mikotrokotroka;

manampatra ny heriny, handresy ny fahavalony.

14 «Ela nangina Aho;

nitam-bava tsy niteny sy nanindry fo Aho;

mitolokoloko toy ny vehivavy miteraka,

misentosento sy mihanahana Aho.

15 Hofoanako ny tendrombohitra aman-kavoana;

hataoko maina avokoa izay maitso eo aminy;

hampanjariako nosy ny ony,

ary homainiko ny farihy.

16 Hampandehaniko amin’ny lalan-tsy fantany ny jamba;

ary hotarihikoamin’ny sakeli-dalana mbola tsy hitany;

ny maizina hataoko mazava eo anoloany;

ary ny tany be havoana halamako.

Hotanterahiko ireo teny ireo;

ary tsy havelako tsy hatao.

17 Hihemotra sy ho safo-kenatra ireo izay matoky ny sampy,

izay milaza amin’ny sarin-javatra anidina hoe:

Ianareo no andriamanitray.»

Hajamban’ny vahoaka

18 Mihainoa, ianareo marenina;

mihirata hijery, ianareo jamba!

19 Iza no jamba afa-tsy ny mpanompoko;

iza no marenina tahaka ny iraka irahiko?

Iza no jamba tahaka an’izay nataoko sakaizako,

sy jamba tahaka ny mpanompon’i Iaveh?

20 Nahita zavatra maro ianao, fa tsy nahatana na inona na inona;

nisokatra ny sofiny, fa tsy nandre na inona na inona izy.

21 Sitrak’i Iaveh noho ny fahamarinany,

ny nanome lalàna lehibe sy be voninahitra!

22 Ary indro ity vahoaka ity, dia voababo sy norobaina ny fananany.

Voafatotra ao an-johy avokoa izy rehetra;

voahiboka ao an-tranomaizina izy;

robaina izy nefa tsy misy mamonjy azy,

baboina ny fananany, nefa tsy misy manao hoe: «Avereno!»

23 Iza aminareo moa no hety handre izany

dia handinika sy hihaino amin’ny sisa?

24 Iza no nanolotra an’i Jakôba horobaina,

sy i Israely hobaboina?

Moa tsy i Iaveh va, izay nanotantsika?

Tsy nety nanaraka ny lalany izy ireo;

ary ny lalàny tsy nohenoiny?

25 Dia nalatsany tamin’izy ireo ny afon’ny fahatezerany,

sy ny firehitry ny ady:

ka nirehitra nanodidina azy izany, nefa tsy azony an-tsaina,

ary nandoro azy, nefa tsy noheveriny.

Categories
Izaia

Izaia 43

Fanafahana an’i Israely

1 Ary ankehitriny, izao no lazain’i Iaveh,

dia ilay nahary anao, ry Jakôba,

sy namorona anao, ry Israely:

«Aza matahotra fa Izaho efa nanavotra anao,

Izaho efa niantso anao amin’ny anaranao, ka Ahy ianao!

2 Raha mita rano ianao, dia homba anao Aho;

raha mamaky ny ony ianao, tsy hanafotra anao izy;

raha mandeha eo afovoan’ny afo ianao, tsy ho may;

ary ny lelafo tsy handoro anao.

3 Fa izaho Iaveh no Andriamanitrao;

ilay Masin’i Israely no mpamonjy anao.

Efa nomeko ho avotrao, i Ejipta,

ary ho solonao i Etiôpia sy i Sabà.

4 Satria sarobidy eo imasoko

sy mendrika hohajaina ianao, sady tia anao Aho,

hanome olona maro ho takalonao Aho,

sy firenena maro, ho solon’ny ainao.

5 Aza matahotra fa momba anao Aho,

hamerina ny taranakao avy any Atsinanana Aho,

ary hanangona anao avy any Andrefana.

6 Ny Avaratra hilazako hoe: ‹Atolory izy!›

ary ny Atsimo hataoko hoe: ‹Aza mitana azy!›

Avereno ny zanako lahy, avy any lavitra any,

sy ny zanako vavy, avy any am-paran’ny tany,

7 dia izay rehetra mitondra ny Anarako,

izay noarîko ho voninahitro sy noforoniko ary nataoko.»

I Iaveh ihany no Andriamanitra

8 Avoahy ny olona jamba mana-maso,

sy ny marenina manan-tsofina.

9 Aoka hivory ny firenena rehetra,

sy hiangona ny vahoaka!

Iza amin’izy ireo no nanambara izany zavatra izany,

sy nilaza tamintsika ny faminaniana taloha?

Aoka hasehony izay vavolombelona sy hanamarina ny filazana izy;

aoka hihaino azy ny olona sy hanao hoe: «Marina izany!»

10 Ianareo no vavolombeloko, – teny marin’i Iaveh

sady mpanompoko, izay nofidiko;

mba hahafantaranareo sy hinoanareo Ahy

ary hahazoanareo an-tsaina, fa Izaho no izy.

Tsy misy Andriamanitra voaforona talohako;

ary tsy hisy koa any aoriako.

11 Izaho dia Izaho ihany no Iaveh

ary tsy misy mpamonjy afa-tsy Izaho.

12 Izaho no nilaza, Izaho no namonjy, Izaho no nilaza mialoha,

tsy mba andriamani-kafa eo aminareo;

ary ianareo no vavolombeloko – teny marin’i Iaveh.

13 Izaho no Andriamanitra.

Amin’ny sisa Izaho ihany koa no izy,

ary tsy misy olona mahafaka amin’ny tanako;

Hiasa Aho, ka zovy moa no hahasakana izany?

Ho rava i Babilôna

14 Izao no lazain’i Iaveh, mpanavotra anareo,

ilay Masin’i Israely:

«Noho ny aminareo, dia naniraka hamely an’i Babilôna Aho,

ka hataoko vaky mandositra avokoa izy ireo,

dia ny Kaldeanina, ka hidina any amin’ny sambo ireharehany fatratra!

15 Izaho no Iaveh, ilay Masinareo,

ilay mpahary an’i Israely, mpanjakanareo!»

Zava-mahagaga teo amin’ilay Eksaody faharoa

16 Izao no lazain’i Iaveh,

Izay nanao lalanaeny amin’ny ranomasina,

sakeli-dalana eny amin’ny rano mahery,

17 izay namoaka kalesy aman-tsoavaly,

sy tafika ama-mpiady mahery, hiantafika,

– indray lavo tsy hiarina intsony izy rehetra;

voakenda sy maty toy ny lahin-jiro izy. –

18 Aza mahatsiaro ny zavatra lasa intsony,

ary aza mihevitra ny zavatra taloha intsony!

19 Fa indro aho, hanao zava-mahagaga vaovao;

efa hiposaka izy izao, tsy hahalala izany va ianareo?

Hanisy lalana any an’efitra Aho,

sy ony eny an-tany karankaina.

20 Hanome voninahitra Ahy ny biby eny an-tsaha,

mbamin’ny amboadia sy ny ostritsa,

satria nanisy rano tany an’efitra Aho,

sy ony eny amin’ny tany karankaina,

hampisotroana ny vahoakako, ny olom-boafidiko,

21 ny vahoaka noforoniko mba ho Ahy,

ka hitory ny fiderana Ahy.

Tsy mahay mankasitraka i Israely

22 Kanefa, ry Jakôba ô, tsy mba niantso Ahy ianao,

na nisahirana tamiko akory, ry Israely.

23 Tsy mba nateranao ny ondrin’ny sorona dorana Aho,

na nomenao voninahitra tamin’ny soronao akory.

Tsy namesatra anao tamin’ny fanatitra Aho

na nanasatra anao tamin’ny emboka manitra.

24 Tsy lany vola namidy veromanitra ho Ahy ianao;

na namoky Ahy tamin’ny saboran-tsoronao;

fa ianao aza no namesatra Ahy tamin’ny fahotanao;

nanasatra Ahy tamin’ny tsy fahamarinanao.

25 Izaho dia Izaho ihany no namono ny fahadisoanao,

noho ny fitiavako ny Tenako,

ka tsy hotsarovako intsony ny fahotanao.

26 Ampahatsiarovy Aho; aoka hifandahatra isika.

Aoka ny tenanao no hilaza izay mahamarina ny anao.

27 Nanota ny rainao voalohany,

ary nivadika tamiko ireo mpanalalanao.

28 Ka izany no nanonganako an’ireo loholon’ny fitoerana masina,

nanolorako an’i Jakôba ho anatema

sy i Israely ho fandatsa.