Categories
Jeremia

Jeremia 8

1 Amin’izany andro izany, – teny marin’i Iaveh, –

hofongarina avy ao am-pasany,

ny taolan’ny mpanjakan’i Jodà,

ny taolan’ny mpanapaka ao aminy,

ny taolan’ny mpaminany,

ary ny taolan’ny mponina ao Jerosalema.

2 Fa hahahy eo anatrehan’ny masoandro amam-bolana,

mbamin’ny tafiky ny lanitra rehetra,

izay efa tiany, notompoiny, narahiny,

nilany hevitra ary niankohofany teo anatrehany;

ka tsy hangonina na halevina ireo taolana ireo,

fa hanjary zezika eo ambonin’ny tany.

Ary ny ho faty fa tsy ho velona, no ho aleon’

3 izay sisa tavela rehetra amin’ity taranaka ratsy ity,

any amin’ny tany handroahako azy any,

– teny marin’i Iavehn’ny tafika. –

Ny nivadihan’i Israely

4 Lazao azy ireo hoe: Izao no lazain’i Iaveh:

«Moa ny lavo, tsy miarina va?

ary moa ny diso lalana, tsy miverina va?

5 Ka nahoana àry ity vahoaka eto Jerosalema no efa diso lalana,

ka no dia mbola mizotra amin’ny hadisoana ihany?

Fa mikikitra mafy amin’ny fitaka izy ireo,

ka tsy mety miverina akory.»

6 «Nitandrina tsara Aho ary nihaino:

Tsy miteny araka ny mety izy ireo;

tsy misy manenina amin’ny haratsiany,

na manao hoe: Inona re ity nataoko e?

Fa dia samy rafitra mihazakazaka indray avokoa,

hoatra ny soavaly miezaka ho amin’ny ady!

7 Ny vano eny amin’ny habakabaka aza

mahalala ny fotoan’androny,

ny domohina aman-tsindintsidina mbamin’ny vanobe,

samy mitandrina ny fotoam-piverenany koa;

fa ny vahoakako kosa, tsy mahalala

ny lalàn’i Iaveh.

Ny lalàna eo an-tanan’ny Mpisorona

8 Ahoana no ahalazanareo hoe Hendry izahay,

ary mby ato aminay ny lalàn’i Iaveh?

Indro fa ny fandaharan-dainga nataon’ny mpampiana-dalàna

mahatonga izany ho lainga!

9 Ny hendry dia efa mahazo henatra,

miraviravy tanana, ary voasambotra;

indro fa nanary ny tenin’i Iaveh izy ireo!

Ka inona intsony no ho fahendreny eo…?

Famerenana fandrahonana

10 Noho izany, dia homeko ny hafa ny vadiny,

ary ny sahany homeko ny tompo hafa;

satria hatramin’ny kely indrindra ka hatramin’ny lehibe indrindra,

samy manao filàna tsy marina avokoa;

ary hatramin’ny mpaminany ka hatramin’ny mpisorona,

samy mpamitaka avokoa.

11 Ataotaony foana ny fitsaboana ny ferin’ny zanaka vavin’ny vahoakako,

lazainy hoe: Fiadanana! Fiadanana!

Nefa tsy misy fiadanana tsinona.

12 Homenàrina izy, fa nanao fahavetavetana,

nefa tsy mba mahalala menatra intsony izy,

ary tsy mba valahara!

koa dia hiara-davo amin’izay lavo izy ireo;

ary hiteraka amin’ny andro hamangiako azy izy»,

hoy i Iaveh.

Fandrahonana an’i Jodà foto-boaloboka

13 Indro horaofiko izy ireo, dia hongoahako, –

teny marin’i Iaveh. –

Ny voaloboka tsy misy voam-boaloboka intsony;

ny aviavy tsy misy voan’aviavy intsony,

ary ny raviny aza malazo!

Ary izy ireo, nanendreko olona hanafika ny taniny.

14 Nahoana isika no mitomoe-poana?

Mivoria ianareo, andeha isika ho ao an-tanàna mimanda,

dia aoka ho faty ao;

satria i Iaveh Andriamanitsika mandevona antsika,

sy mampisotro antsika rano misy poizina,

noho ny nanotantsika tamin’i Iaveh!…

15 Nanantena fiadanana isika, nefa tsy mahita soa kely akory;

sy andro fanaretana, kanjo fampitahorana no mitranga!

16 Re hatrany Dana ny fiefonefon’ny soavaliny.

Raha mahare ny fanenon’ny soavaliny

dia mihorohoro avokoa ny tany.

Tonga izy dia levoniny ny tany mbamin’izay ao aminy,

ny tanàna mbamin’ny mponina ao aminy.

17 Fa indro alefako hamely anareo

ny bibilava sy ny aspìka,

izay tsy leon’ny ody fankatoavana;

dia hanaikitra anareo ireny, – teny marin’i Iaveh. –

Mosary itarainan’ny mpaminany

18 Indrisy, ry fampiononana ahy amin’ny fahoriako ô!

Reraka ny foko ato anatiko!

19 Injany tonga amiko avy any an-tany lavitra,

ny fitarainan’ny zanaka vavin’ny oloko manao hoe:

Tsy ao Siôna intsony va i Iaveh?

Tsy ao afovoany intsony va ny mpanjakany?

Nahoana izy ireo no nampahatezitra ahy tamin’ny sampiny,

sy tamin’ny zava-poanaavy any amin’ny firenen-kafa?

20 Lasa ny fararano, tapitra ny fampakaram-bokatra

nefa isika ity tsy mbola voavonjy!

21 Mangana aho amin’ny hamanganan’ny zanaka vavin’ny oloko;

misaona aho ary raiki-tahotra aho.

22 Tsy misy baoma intsony any Galaada,

tsy misy dokotera intsony va any?

Sa nahoana no tsy nasiana

bandy ny zanaka vavin’ny oloko?

23 Iza no hanova ny lohako ho rano?

sy ny masoko ho loharanon-dranomaso,

mba hitomaniako andro aman’alina,

ireo maty tamin’ny zanaka vavin’ny oloko?

Categories
Jeremia

Jeremia 9

Fahasimbam-panahin’i Jodà

1 Iza no mba hampahita ahy,

fialofan’ny mpandeha any an’efitra,

handaozako ny fireneko,

hihatahako amin’izy ireo,

satria izy ireo mpijangajanga avokoa,

fiangonan’olona mpivadika.

2 Manenjan-dela, toy ny tsipìka, handefasan-dainga;

tsy amin’ny marina no mahahery azy amin’ny tany,

fa mivarilavo amin’ny fahotana ihany izy ireo,

ary Izaho tsy mba fantany, – teny marin’i Iaveh. –

3 Samia miaro tena amin’ny sakaizany avy ianareo,

ary aza matoky izay rahalahy, na dia iray aza;

fa misongona ho hàny ataon’ny rahalahy rehetra;

ary lasa mitati-bolana fanaratsiana avokoa ny sakaiza.

4 Izy rehetra rehetra samy mifamitaka;

tsy mba milaza ny marina;

mampiasa lela mandainga, misahirana hanao ratsy.

5 Monina eo afovoan’ny minia tsy marina ianao;

fa minia tsy marina izy ireo no mandà tsy hahalala Ahy,

– teny marin’i Iaveh. –

6 Koa izao no lazain’i Iavehn’ny tafika:

Indro Aho handrendrika azy amin’ny memy sy hizaha toetra azy;

fa inona indray moa no hatao amin’ny zanaka vavin’ny vahoakako?

7 Longy mahafaty ny lelan’izy ireo;

fa lainga no hany alefany;

Fihavanana no lazain’ny vavany amin’ny namana,

nefa ao anatin’ny fony dia otrika no heveriny hamelezana azy.

8 Ka tsy hosaziko va izy amin’izany heloka izany?

– teny marin’i Iaveh, –

ary izay firenena toy izany va, tsy hovaliako?

Fitomaniana an’i Siôna

9 Ny tendrombohitra dia hanaovako fitarainana sy fitomaniana,

ny tanim-bilona any an’efitra hanaovako hira fisaonana!

Fa may ireny, ka ny olona tsy mandalo ao intsony;

ny feom-biby fiompy tsy re ao intsony;

ny voromanidina amam-biby fiompy

nandositra tsy misy intsony.

10 Ary i Jerosalema hataoko korontam-bato,

sy fieren’amboadia;

ny tanànan’i Jodà koa hataoko lao, tsy misy mponina.

11 Iza no olon-kendry izay mba hahafantatra izao,

izay efa nitenenan’ny vavan’i Iaveh, mba hampahalala izao?

Nahoana no rava ny tany

sy kila tahaka ny efitra, tsy misy olo-mandalo akory?

12 Dia hoy i Iaveh: «Satria izy ireo nahafoy ny lalàko,

izay nataoko teo anoloany;

tsy nihaino ny feoko,

sy tsy nanaraka izany.

13 Fa nizotra izy ireo araka ny ditran’ny fony,

sy nanaraka an’i Baala,

izay natoron’ny razany azy.»

14 Noho izany, izao no lazain’i Iaveh

Andriamanitr’i Israely:

«Indro ity firenena ity hofahanako zava-mangidy,

hampisotroiko rano misy poizina.

15 Haeliko any amin’ny firenen-tsamihafa,

izay tsy fantatr’izy ireo na ny razany akory,

ary halefako hamely azy ny sabatra

mandra-pandringako azy.»

16 Izao no lazain’i Iavehn’ny tafika:

«Mihevera ny hiantsoana izay hiati-dranomaso

ka aoka ho tonga izy ireo!

maniraha ho any amin’ireo mahay indrindra,

ka aoka ho tonga ireny!

17 Aoka ho tonga faingana izy, aoka hiventy

fidradradradràna amintsika;

aoka hijoy ny ranomasontsika,

sy hivarina ny ranomaso avy amin’ny hodimasontsika.

18 Fa misy feo fidradradradràna re avy ao Siôna manao hoe:

‹Indrisy ity isika dia rava,

safo-kenatra, tsy maintsy mandao ny tany,

satria efa nazera ny tranontsika!›

19 Ianareo vehivavy, mihainoa ny tenin’i Iaveh,

ary aoka horaisin’ny sofinareo ny tenin’ny vavany!

Ampianaro hira fitomaniana anankiray ny zanaka vavinareo,

ary samia mampianatra hira fisaonana anankiray ny namany avy.

20 Fa tafanika tamin’ny varavarankelintsika ny fahafatesana,

tafiditra ny lapantsika izy,

handringana ny zaza eny an-dalambe,

sy ny zatovo eny an-kianjam-bahoaka:

21 Ataovy hoe: Izao… – teny marin’i Iaveh: –

Hifitsaka hoatra ny zezika eny an-tsaha,

ny fatin’ny olona,

sy hoatra ny andalam-bary eo aorian’ny mpijinja,

ka tsy misy mpanangona.»

Ny tena fahendrena

22 Izao no lazain’i Iaveh:

«Aoka ny hendry tsy hirehareha amin’ny fahendreny;

ny mahery, tsy hirehareha amin’ny heriny;

ny manan-karena, tsy hirehareha amin’ny hareny.

23 Fa izao no aoka hireharehan’ny mirehareha:

Ny ananany saina sy ahalalany Ahy.

Fa Izaho no Iaveh izay manao ny famindram-po,

sy ny hitsiny ary ny rariny etỳ ambonin’ny tany,

fa izany no ankasitrahiko – teny marin’i Iaveh. –

Ny famorana, antoka manodòka

24 Indro avy ny andro, – teny marin’i Iaveh, –

izay hamaizako ny voafora rehetra, miaraka amin’ny tsy voafora,

25 dia i Ejipta, i Jodà, i Edôma,

ny taranak’i Amôna, i Moaba,

mbamin’izay rehetra miharatra fihirìfana,

izay monina any an’efitra;

satria ny firenena rehetra dia tsy voafora,

ary ny taranak’i Israely koa, tsy voafora fo.»

Categories
Jeremia

Jeremia 10

Ireo sampy sy ny tena Andriamanitra

1 Henoy ny teny lazain’i Iaveh aminareo,

ry taranak’i Israely: Izao no lazain’i Iaveh:

2 «Aza mianatra ny lalan’ny firenena,

ary aza mety matahotra izay famantarana eny an-danitra,

toy ny atahoran’ny firenena azy.

3 Fa zava-poana ny fanaon’ny firenena;

hazo nokapaina tany an’ala,

taozavatra nataon’ny tanan’ny mpisokitra,

sary tamin’ny fandraka,

4 ka ravahanaamin’ny volafotsy sy volamena.

Homboana amin’ny fantsika, velezina amin’ny tantanana izany,

mba tsy hihetsiketsika,

5 Sahala amin’ny andry voavaofy tamin’ny milina fandrafetana

ireny andriamanitra ireny

ka entin’olona, fa tsy afa-mandeha.

Aza matahotra an’ireny, fa tsy mahay manisy ratsy izy;

ary indrindra koa tsy mahay manisy soa.»

6 Tsy misy toa Anao, Iaveh ô;

lehibe Ianao, ary lehibe amin-kery ny Anaranao.

7 Zovy no tsy hatahotra Anao;

ry mpanjakan’ny firenena ô,

Ianao tsy maintsy atahorana.

Fa amin’ny hendry rehetra eo amin’ny firenena,

sy eo amin’ny fanjakany rehetra,

tsy misy tahaka Anao.

8 Adala sy ketrina avokoa izy rehetra;

fampianaran-java-poana; dia hazo!

9 Volafotsy voatefy avy any Tarsisa,

volamena avy any Ofaza;

asan’ny mpisokitra sary, asan-tanan’ny mpanefy volamena!

Tafîna jaky volomparasy sy mena izany;

asan-tanan’ny mpahay zavatra avokoa izy ireny.

10 Fa i Iaveh kosa dia tena Andriamanitra tokoa;

Izy dia Andriamanitra velona,

sy Mpanjaka mandrakizay;

ny tany mihorohoro amin’ny fahatezerany;

ary ny firenena tsy mahatanty ny fahavinirany.

11 Izao no holazainareo amin’ireny:

Ireo andriamanitra tsy mba nanao ny lanitra sy ny tany,

dia hofongorana eto an-tany sy atỳ ambanin’ny lanitra.

12 Fa Izy no nanao ny tany tamin’ny heriny;

nampiorina izao tontolo izao, tamin’ny fahendreny;

ary namelatra ny lanitra tamin’ny fahaizany.

13 Raha miteny Izy, dia miangona eny an-danitra ny rano;

mampiakatra ny rahona, avy any amin’ny faran’ny tany;

mampanjelatra ny helatra izay iavian’ny ranonorana mivatravatra;

ary mamoaka ny rivotra avy ao amin’ny fitahirizany.

14 Ketrina avokoa ny olona na iza na iza, sady very hevitra;

menatra noho ny amin’ny sampiny koa ny mpanao azy,

fa fitaka foana ny sary anidina nataony,

tsy manam-pofon’aina akory ireny.

15 Zava-poana sy asa famitahana ireny;

ho levona izy amin’ny andro famaliana azy ireo.

16 Tsy toy izany ny anjaran’i Jakôba;

fa Izy dia Ilay namorona an’izao rehetra izao;

ary i Israely no firenena lovany;

i Iavehn’ny tafika no Anarany.

Hatairana tao an-tanàna

17 Angony ny entanao amin’ny tany,

ry ilay afahirano!

18 Fa izao no lazain’i Iaveh:

«Indro hatsipiko lavitra amin’izao

ny mponina amin’ny tany,

hotereko mafy izy,

mba ho tratry ny fahavalo.»

19 Loza ho ahy noho ny fahamangànako:

manaintaina ny feriko; nefa hoy aho:

Eny, anjara fahoriako izao, ka hozakaiko.

20 Ny laiko rava; ny kofehin-daiko, tapaka avokoa;

ny zanako nandao ahy, tsy misy intsony izy ireo;

tsy misy olona intsony, hanangana indray ny laiko,

sy hanorina indray ny tranolaiko.

21 Indrisy, ketrina ireo mpiandry ondry;

tsy nitady an’i Iaveh izy;

koa tsy nambinina akory izy,

dia naely avokoa ny biby andrasany.

22 Misy tsaho sy siosion-teny! Injany tamy izy,

misy tabataba be avy amin’ny tany avaratra,

hanova ny tanànan’i Jodà ho efitra,

sy fieren’amboadia!

Vavak’i Jeremia

23 Fantatro, ry Iaveh ô,

fa tsy ny olombelona ny tompon’ny lalany,

tsy mba an’ny olona mandeha, ny manitsy ny diany.

24 Iaveh ô, faizo aho, nefa aoka ho ara-drariny,

fa tsy araka ny hatezeranao,

fa ataonao zary tsinontsinona aho.

25 Ny firenena tsy mahalala Anao no rotsahy ny fahatezeranao,

dia ny vahoaka tsy miantso ny anaranao;

fa nolanîny i Jakôba dia nolanîny,

vitainy izy, ary ny fonenany ravany!

Categories
Jeremia

Jeremia 11

I Jeremia sy ny teny fanekem-pihavanana

1 Ny teny avy amin’i Iaveh natao tamin’i Jeremia toy izao:

2 Mihainoa ny teny amin’izao fanekena izao, ianareo;

ary mitenena amin’ny olona any Jodà,

sy amin’ny mponina ao Jerosalema,

3 ka lazao aminy hoe: Izao no lazain’i Iaveh,

Andriamanitr’i Israely:

«Ho voaozona ny olona tsy mihaino

ny tenin’ity fanekena ity,

4 izay nandidiako ny razanareo,

tamin’ny andro nitondrako azy nivoaka avy any amin’ny tany Ejipta,

avy any amin’ny memim-by, nanaovako taminy hoe:

Henoy ny feoko ary ataovy izany zavatra izany,

araka izay rehetra andidiako anareo,

dia ianareo ho oloko,

ary izaho ho Andriamanitrareo;

5 mba hanatanterahako ny fianianana,

nataoko tamin’ny razanareo,

dia ny hanomezako azy tany tondra-dronono sy tantely,

araka izao hita izao.»

Ary izao no navaliko: «Eny! Ry Iaveh ô!»

6 Dia hoy i Iaveh tamiko:

«Torio any an-tanànan’i Jodà sy eny an-dalamben’i Jerosalema

izany teny rehetra izany ka ataovy hoe:

Henoy ny teny amin’ity fanekena ity,

ka tanteraho amin’ny asa izany.

7 Fa ny razanareo efa nanariko mafy;

hatramin’ny andro nitondrako azy nivoaka avy any amin’ny tany Ejipta,

ka mandraka androany;

tsy nitsahatra ny nananatra azy ireo Aho nanao hoe:

Henoy ny feoko!

8 Kanefa izy ireo tsy nihaino na nanongilan-tsofina;

fa samy nandeha nanaraka ny ditran’ny fo ratsiny;

ka dia notanterahiko taminy ny teny rehetra amin’ity fanekena ity,

izay nandidiako azy hotandremany;

nefa tsy notandremany.»

9 Hoy i Iaveh tamiko:

«Nisy firaisan-tetika hikomytao amin’ny olon’i Jodà,

sy amin’ny mponin’i Jerosalema.

10 Fa izy ireo niverina ho amin’ny heloky ny razany,

izay nandà tsy hihaino ny teniko;

ka lasa nanaraka ireo andriamani-kafa, mba hanompo ireny.

Samy nivadika ny fanekena nataoko tamin’ny razany,

ny taranak’i Israely sy ny taranak’i Jodà.»

11 Noho izany, izao no lazain’i Iaveh:

«Indro Aho hahatonga loza aminy,

tsy ho azony idifiana.

Ka na hitaraina amiko aza izy, tsy hohenoiko akory.

12 Dia hiainga ny tanànan’i Jodà sy ny mponina ao Jerosalema

hiantso an’ireo andriamanitra

nefa ireo andriamanitra ireo tena tsy hahavonjy azy akory,

amin’ny andron’ny fahoriany.

13 Fa araka ny isan’ny tanànanao,

no isan’ny andriamanitrao, ry Jodà;

ary araka ny isan’ny lalam-be ao Jerosalema,

no isan’ny ôtely natsanganareo ho an’ilay sampy mahafa-baraka,

dia ireo ôtely anaterana emboka manitra ho an’i Baala.

14 Ary ianao, aza mifona ho an’ity firenena ity,

na manandra-pitarainana amam-bavaka ho azy;

fa tsy hihaino azy akory Aho,

raha avy izay hitarainany Amiko,

amin’ny andron’ny fahoriany.

Faniniana an’ireo mpankao amin’ny Tempoly

15 Inona no hataon’ny malalako ao an-tranoko?

Fihatsarambelatsihy va?

Moa va ny voady aman-kena masina,

hahafaka anao amin’ny loza manindry anao,

no mety mirobiroby amin’ny firavoravoana ianao?

16 Fototr’ôliva maitso tsara, miravaka voa tsara tarehy,

no anarana nomen’i Iaveh anao.

Ary tamin’ny horakoraka be,

no nandrehetany afo taminy,

ka tapaka ny rantsany.

17 I Iavehn’ny tafika izay namboly anao,

no nandidy ny loza hanjò anao.

Noho ny ratsy nataon’ny taranak’i Israely sy ny taranak’i Jodà,

izay nataony hihatsy ny hatezerako,

tamin’ny fanaterana emboka manitra ho an’i Baala.»

I Jeremia enjehina ao Anatôta

18 Nampahalalain’i Iaveh aho, ka nahalala;…

nampahafantarinao ahy tamin’izay ny ataon’izy ireo!

19 Izaho, tamin’izany, hoatra ny zanak’ondry bonaika

entin’ny olona hovonoina,

ka tsy nahalala ny tetika nataony hamelezana ahy hoe:

«Fongory mbamin’ny voany ny hazo!

Esory eo amin’ny tanin’ny velona izy

ary aoka tsy ho tsaroana intsony ny anarany!»

20 Mitsara ara-drariny anefa i Iavehn’ny tafika;

mamantatra ny voasy ny fo Izy.

Ka hahita ny famalianao azy ireo aho,

fa ianao no efa nanankinako ny adiko.

21 Ka dia izao no lazain’i Iaveh,

ny amin’ireo olona ao Anatôta,

izay mitady ny ainao, sy manao hoe:

Aza maminany amin’ny Anaran’i Iaveh,

raha tsy te ho fatin’ny tananay ianao!

22 Noho izany izao no lazain’i Iavehn’ny tafika:

«Indro aho hamay azy ireo,

ny zatovo, ho fatin’ny sabatra;

ny zanany lahy aman-janany vavy, ho fati-mosary;

ary tsy hisy miangana aminy;

23 fa hahatonga loza amin’ny olona ao Anatôta Aho,

amin’ny taona hamangiako azy.»

Categories
Jeremia

Jeremia 12

Ny hasambaran’ny ratsy fanahy

1 Marina Ianao, ry Iaveh ô,

ka tsy afaka hiady hevitra aminao aho;

fa hany tiako horesahina aminao, dia ny amin’ny rariny:

Nahoana no ambinina ny lalan’ny ratsy fanahy?

Nahoana no velona amim-piadanana ny mpivadika rehetra?

2 Ambolenao izy, dia latsa-paka,

mitombo, mamoa;

akaiky ny vavany ianao,

fa lavitra ny fony.

3 Ary Ianao, ry Iaveh, mahalala ahy, mahita ahy,

sady mizaha ny toetry ny foko ny aminao.

Alao hoatra ny ondry entina hovonoina ireny,

ary atokàny ho amin’ny andro famonoana.

4 Mandra-pahoviana no hisaonan’ny tany,

sy hahalazo ny ahitra eo amin’ny saha rehetra?

Noho ny haratsian’izay monina eo

dia maty avokoa ny biby amam-borona,

fa hoy izy ireo: «Tsy hahita ny hiafarantsika izy!»

5 Raha ny mandeha tongotra,

iarahanao mihazakazaka aza, mahavoa anao;

hataonao ahoana no fifaninanana amin’ny an-tsoavaly?

Raha ny tany nandry feizay no hany anananao toky,

hanao ahoana ianao, raha sehatra ny liona eny amoron’i Jordany?

6 Fa na rahalahinao amam-pianakavian-drainao aza,

mamadika anao;

ireny aza miantsoantso mafy avy eo aorianao;

aza mino azy, na manao teny malefaka aminao aza izy.

Tarainan’i Iaveh fa voaroba ny lovany

7 Nilaozako ny tranoko, nafoiko ny lovako;

izay tiako dia natolotro

ho eo an-tanan’ny fahavaloko.

8 Zary toa liona an’ala ho ahy ny lovako,

nanandra-peo manerona ahy izy,

ka tonga halako.

9 Papango sadasada va ity lovako,

ka ifandafaran’ny papango avy hatraiza hatraiza?

Avia ianareo, angony ny biby rehetra eny an-tsaha,

ka ento ireny hihinana!

10 Mpiandry ondry maro no nanimba ny tanimboaloboko,

nanosihosy ny taniko,

nanova ny anjara mamiko ho efitra, ho tany lao.

11 Nataony rava izany,

ka indro fa lao dia misaona eo anatrehako;

simba avokoa ny tany,

satria tsy misy mandatsaka izany am-po.

12 Ny havoana rehetra any an’efitra

dia ahatongavan’ny mpandrava avokoa,

fa i Iaveh manan-tsabatra mandevona

amin’ny tany rehetra hatraiza hatraiza;

tsy misy famonjena ho an’ny noforehetra na iza na iza.

13 Vary no nafafiny, fa tsilo no jinjainy;

nandany ny herim-pony, fa aim-bery foana izany.

Menàra amin’ny vokatra azonareo;

avy amin’ny firehetan’ny hatezeran’i Iaveh izany.

Fitsarana sy famonjena an’ireo firenena

14 Izao no lazain’i Iaveh amin’ireo ratsy fanahy rehetra mifanolotra amiko,

izay mandramatra ny lova nomeko an’i Israely vahoakako:

«Indro hongotako hiala amin’ny taniny izy ireo;

ary hongotako hiala amin’izy ireo koa ny taranak’i Jodà.

15 Saingy rehefa voaongotro,

dia hiantrako indray izy ireo.

Ka samy hoentiko ho any amin’ny lovany,

samy ho any amin’ny taniny avy.

16 Ary raha mianatra ny lalan’ny vahoakako izy,

ka amin’ny Anarako no hianianany hoe: Velona i Iaveh!

toy ny nampianarany ny vahoakako hianiana amin’ny anaran’i Baala,

dia voaorina eo amin’ny vahoakako izy.

17 Fa raha tsy mihaino kosa, dia hongotako izany firenena izany,

hongotako sy haringako izy,» – teny marin’i Iaveh. –

Categories
Jeremia

Jeremia 13

Ilay fehikibo tao Eofrata

1 Izao no lazain’i Iaveh tamiko: «Mandehana mividy fehikibo rongony madinikaho anao; ka ataovy amin’ny tehezanaofa aza atao anaty rano.»

2 Dia nividy ny fehikibo araka ny tenin’i Iaveh aho, ka nataoko tamin’ny tehezako.

3 Tonga tamiko fanindroany indray ny tenin’i Iaveh, nanao hoe:

4 «Ento ilay fehikibo novidinao, izay efa eo amin’ny tehezanao; ka mitsangàna, mandehana mankany Eofrata, afeno any, ao an-tsefatsefaky ny vatolampy izy.»

5 Dia nandeha aho, ka nafeniko tao amoron’i Eofrata izy, araka ny nandidian’i Iaveh ahy.

6 Nony afaka andro maro be, dia hoy i Iaveh tamiko: «Mitsangàna ianao, mandehana mankany Eofrata, alao ilay fehikibo nasaiko nafeninao any.»

7 Dia nandeha nankany Eofrata aho, ka nihady, dia naka ilay fehikibo teo amin’ny fitoerana nanafenako azy; kanjo indro, simbatsy azo atao na inona na inona intsony, ilay fehikibo.

8 Ary tonga tamiko ny tenin’i Iaveh nanao hoe:

9 Izao no lazain’i Iaveh:

«Toy izany no hahafoanako ny avonavon’i Jodà,

sy ny avonavon-dehiben’i Jerosalema.

10 Ity vahoaka ratsy ity, izay tsy mety mihaino ny teniko,

fa mandeha amin’ny ditran’ny fony,

sy manaraka andriamani-kafa, mba hanompo azy sy hivavaka aminy,

dia ho tahaka ity fehikibo

tsy azo atao na inona na inona intsony ity.

11 Satria toy ny firaikitry ny fehikibo amin’ny tehezan’ny olona,

no nandraiketako ny taranak’i Israely rehetra

sy ny taranak’i Jodà rehetra tamiko, – teny marin’i Iaveh, –

mba ho vahoaka ho Ahy izy ireo

mba ho anarana, ho haja, ho voninahitra,

nefa tsy nihaino Ahy izy.»

Siny feno divay nifandona

12 Lazao azy ireo izao teny izao:

Izao no lazain’i Iaveh Andriamanitr’i Israely:

«Rehefa mety ho siny tsy maintsy hofenoina divay.»

Fa izy ireo hamaly hanao hoe: «Moa tsy fantatray va,

fa rehefa mety ho siny tsy maintsy hofenoina divay?»

13 Ary ianao kosa hanao aminy hoe: Izao no lazain’i Iaveh:

«Indro hofenoiko hamamoana, ny mponina rehetra amin’ity tany ity,

mbamin’ny mpanjaka mipetraka eo amin’ny seza fiandrianan’i Davida,

ny mpisorona ama-mpaminany,

ary ny mponina rehetra ao Jerosalema.

14 Ary hampifandòniko ho vaky izy ireo,

dia ny ray mbamin’ny zanany rehetra, – teny marin’i Iaveh; –

tsy hotsitsiko, tsy hananako antra,

tsy hamindrako fo tsy haharingana azy izy.»

Sesitany atahorana ho avy

15 Mihainoa, ary atongilano ny sofinareo, aza miavonavona,

fa miteny i Iaveh.

16 Manomeza voninahitra an’i Iaveh Andriamanitrareo,

dieny tsy mbola tonga ny haizina,

dieny tsy mbola mipoka

amin’ny tendrombohitry ny alina ny tongotrareo,

dieny tsy mbola novany ho aloky ny fahafatesana

ny mazava andrasanareo,

ary tsy mbola nampanjariny ho haizim-pito.

17 Raha tsy mihaino izany ianareo,

dia hitomany mangingina ny fanahiko

noho ny fiavonavonanareo;

hamarin-dranomaso mangidy ny masoko,

hanao ranomaso havozona aho,

satria ho lasan-ko babo ny ondrin’i Jakôba.

Fanambanana an’i Jôakima

18 Lazao amin’ny mpanjaka lahy sy ny mpanjaka vavy hoe:

Mipetraha ianareo amin’ny tany,

fa nianjera avy eny an-dohanareo

ny satroboninahitrareo.

19 Ny tanàna amin’ny tany atsimo, voahidy

ary tsy misy mpamoha azy;

i Jodà manontolo lasan-ko babo;

ka tanteraka indrindra ny famaboana.

Fananarana an’i Jôakima

20 Atopazo ny masonao, ka jereo irerỳ avy avaratra:

Nankaiza ny andian’ondry nomena anao,

dia ireo ondry voninahitrareo?

21 Hanao ahoana kosa ianareo, rehefa tendren’i Iaveh ho tomponao

ireo nampianarinao hamely anao – ireo mpifankazatra aminao!

Moa tsy hahazo anao va ny fanaintainana,

toy ny an’ny vehivavy raha miteraka?

22 Raha tahiny ianao manao anakampo hoe:

Nahoana aho no dia nidiran-doza toy izao?…

Dia ny haben’ny helokao,

no antony nanaingana ny morontongotr’akanjonao,

sy nandratràna ny ombalahin-tongotrao.

23 Hahova ny hodiny va ny Etiôpianina,

hahova ny sorany va ny leoparda?

Ary ianareo va hety hanao ny tsara?

24 Haeliko hoatra ny mololo

indaosin’ny rivotra mifofofofo avy any an’efitra izy ireo.

25 Izany no anjaranao,

anjara voalanjako, ho anao, – teny marin’i Iaveh, –

satria ianao nanadino Ahy,

sy nitoky tamin’ny lainga.

26 Ary Izaho kosa dia hanainga ho eny amin’ny tavanao ny morontongotr’akanjonao,

hahitan’ny olona ny mahafa-baraka anao.

27 Ny fijangajanganao, ny fanenonao,

ny fanoloranao vatana ho amin’ny asa vetaveta,

eny amin’ny havoana, eny an-tsaha eny,

ny fahavetavetanao rehetra dia hitako avokoa.

Loza ho anao, ry Jerosalema! Maloto ianao,

ka mbola haharitra mandra-pahovianaizany?

Categories
Jeremia

Jeremia 14

Hain-tany lehibe

1 Tenin’i Iaveh tonga tamin’i Jeremia, ny amin’ny fahamainan’ny tany.

2 «Misaona i Jodà,

miferinaina ny vavahadiny,

mandry amin’ny tany izy efa rera-po,

ary miakatra ny fitarainan’i Jerosalema.

3 Irahin’ny lehibe haka rano ny madinika,

dia mankany amin’ny lavaka famorian-drano ireo,

fa tsy mahita rano;

ka miverina mitondra siny foana;

menatra sy mangaihay, ary misaron-doha foana.

4 Noho ny tany vaky hentana,

azon’ny tsy fisian’ny orana amin’ny tany,

dia mangaihay ny mpiasa, ka misaron-doha.

5 Ny serfa vavy any an-tsaha aza,

aterany ny zanany dia ilaozany,

noho ny tsy fisian’ny ahitra.

6 Ny ampondra dia, mijanona eny amin’ny havoana,

manambolo rivotra hoatra ny amboadia;

manjambena ny masony,

noho ny tsy fisian’ny zava-maitso.»

7 Ry Iaveh ô, na dia miampanga anay aza ny helokay,

aoka hanao ihany Ianao ho voninahitry ny Anaranao;

fa maro ny hadisoanay; nanota taminao izahay.

8 Ianao ilay fanantenan’i Israely,

sy mpanafaka azy amin’ny andro fahoriana,

nahoana no dia tahaka ny vahiny amin’ny tany,

sy tahaka ny mpandeha manorin-day handry amin’ny alina?

9 Nahoana Ianao no ho tahaka ny olona very hevitra,

tahaka ny lehilahy mahery tsy afa-manafaka?

Kanefa eto afovoanay no itoeranao, ry Iaveh;

ny Anaranao no antsoina hiaro anay;

aza dia ilaozanao izahay! –

10 Izao no lazain’i Iaveh ny amin’ity vahoaka ity:

«Eny, ny hiverenany atsỳ arỳ no tiany,

ka tsy mahatana ny tongony izy.

Tsy nankasitraka azy intsony i Iaveh;

dia indro ho tsaroany amin’izao ny helony

ary hovaliany ny fahotany.»

11 Dia hoy i Iaveh tamiko:

«Aza mangataka ho an’ity vahoaka ity.

12 Rehefa hifady hanina izy, tsy hohenoikony fitarainany,

rehefa hanolotra sorona dorana amam-panatitra ho ahy izy,

tsy hankasitrahiko; fa tiako haripaka izy

amin’ny sabatra, ny mosary, sy ny areti-mandringana.»

13 Ka hoy aho namaly: «Indrisy, ry Iaveh Tompo ô,

indreto ny mpaminany milaza amin’izy ireo hoe:

Tsy hahita sabatra ianareo,

ny mosary tsy hisy,

fa homeko fiadanana azo antoka tsara

amin’ity fiainana ity!»

14 Dia hoy i Iaveh tamiko:

«Lainga vinanin’ny mpaminany amin’ny Anarako izany;

fa Izaho tsy naniraka azy, na nanome didy azy;

na niteny taminy.

Fahitana mandainga, vinany foana,

ary fitaky ny fony,

izany no faminaniany aminareo.»

15 Koa izao no lazain’i Iaveh:

«Ny amin’ireo mpaminany, maminany amin’ny Anarako ireo,

izay tsy nirahiko,

ka milaza hoe:

Tsy hisy sabatra na mosary amin’ity tany ity!

dia sabatra ama-mosary indrindra no handringana

ireo mpaminany ireo!

16 Ny olona aminaniany koa:

hatsipy eny an-dalamben’i Jerosalema,

fa matin’ny mosary sy ny sabatra

ka tsy hisy olona handevina azy,

na ny tenany, na ny vadiny, na ny zanany lahy aman-janany vavy,

fa harotsako amin’izy ireo ny haratsiany.

17 Ary lazao azy ireo izao teny izao:

Ny masoko handrotsa-dranomaso

andro aman’alina tsy tapaka,

fa ny virjiny zanaka vavin’ny vahoakako,

dia efa hiharan-doza lehibe,

sy fery mampanaintaina fatratra.

18 Raha mankany an-tsaha aho,

dia indreto olona voagorobaky ny sabatra;

raha miditra ao an-tanàna, dia inty ny fahoriana avy amin’ny mosary.

Ny mpaminany ama-mpisorona avy no mirenireny

any amin’ny tany tsy fantany.

19 Dia narianao avokoa va i Jodà?

Efa naharikoriko ny fanahinao va i Siôna?

Nahoana no dia kapohinao tsy manam-pahasitranana izahay?

Niandry fiadanana izahay, nefa tsy misy soa kely akory.

Niandry fotoam-pahasitranana, kanjo fampitahorana no mitranga.

20 Ry Iaveh ô, miaiky ny haratsianay izahay,

sy ny heloky ny razanay;

fa nanota taminao izahay.

21 Noho ny Anaranao, aza dia atao tsinontsinona,

aza dia hamavoina ny seza fiandrianan’ny voninahitrao.

Tsarovy fa aza tsoahana ny fanekenao taminay.

22 Mba misy mahalatsaka orana va ny sampy foanan’ny firenena?

sa ny lanitra no manome ny ranonorana?

Fa tsy Ianao ihany, ry Iaveh Andriamanitray?

Koa Ianao no antenainay,

satria Ianao no manao izany rehetra izany.»

Categories
Jeremia

Jeremia 15

1 Fa izao no navalin’i Iaveh ahy:

«Na i Môizy sy i Samoelaaza no hitsangana eto anatrehako,

dia tsy hitodika ity firenena ity ny Fanahiko;

roahy hiala eo anatrehan’ny Tavako izy, ka aoka handeha!

2 Ary raha tahiny izy manao aminao hoe:

Ho aiza anefa izahay?

dia izao no holazainao aminy: Izao no tenin’i Iaveh:

Ny ho amin’ny fahafatesana, ho any amin’ny fahafatesana;

ny ho amin’ny sabatra, ho any amin’ny sabatra;

ny ho amin’ny mosary, ho any amin’ny mosary;

ny ho amin’ny fahababoana, ho any amin’ny fahababoana.

3 Ary loza efatra karazana no haingaiko hamely azy,

– teny marin’i Iaveh –

dia ny sabatra hamono, ny amboa hamiravira,

ny voromanidina, amam-bibin’ny tany,

hihinana sy handringana.

4 Hataoko zavatra maharikoriko

halan’ny fanjakana rehetra amin’ny tany izy ireo

noho ny amin’i Manase, zanak’i Ezekiasa, mpanjakan’i Jodà,

dia noho ny nataony tany Jerosalema.

Loza vokatry ny ady

5 Iza àry no hiantra anao, ry Jerosalema?

Zovy no higogogogo noho ny manjò anao?

Zovy no hivily lalana,

hanontany ny amin’ny toetranao?

6 Efa nakifikao Aho, – teny marin’i Iaveh, –

ka lasa nihemotra any ianao;

ka indro kosa Aho maninjitra ny tanako aminao handringana anao,

fa efa sasatry ny mamindra fo Aho.

7 Hokororohiko amin’ny sahafa fikororohana eo amin’ny vava-tany izy;

hofoanako anaka, ary haringako ny vahoakako;

fa tsy mety miverina hiala amin’ny lalany izy.

8 Ho maro ny mpitondratenany,

mihoatra noho ny fasika eny an-dranomasina.

Hitondra mpandringana ho ao aminy Aho,

ao amin’ny renin’ny mpiady tanora

amin’ny mitataovovonana.

Hataoko mirotsaka aminy tampoka

ny ahiahy mafy sy ny vadi-po.

9 Mahatsiaro reraka ny reny niteraka fito,

efa hiala aina izy;

milentika mbola antoandro ny masoandrony;

mangaihay sy safo-kenatra izy.

Izay sisa tavela aminy, hatolotro ho voan’ny sabatra

eo anoloan’ny fahavalony, – teny marin’i Iaveh.

I Jeremia antsoina indray

10 Loza ho ahy, ry neny, ny niterahanao ahy,

mba ho olona filàna ady

amam-pifandirana amin’ny tany rehetra aho.

Tsy mba nisambotra na inona na inona aho,

tsy nampisambotra na inona na inona tamiko izy,

nefa manozona ahy avokoa izy rehetra!»

11 Dia hoy i Iaveh: «Hanamafy anao aho mba hahasoa anao;

hataoko tonga hifona aminao tokoa ny fahavalonao,

amin’ny andron’ny loza amam-pahoriana.

12 Moa ny vy va, mahatapaka ny vy tavaratra sy ny varahina?

13 Hatolotro ho babomaimaim-poana ny rakitra amam-panananao,

noho ny fahotanao rehetra, sy eo amin’ny faritaninao rehetra;

14 ary hafindrako miaraka amin’ny fahavalonao,

ho any amin’ny tany tsy fantatrao;

fa nisy afo nirehitra tamin’ny fahatezerako;

dia hirehitra eo amboninareo izy.»

15 Mahalala izany ianao, ry Iaveh! Tsarovy aho, ahio aho,

ary valio izay manenjika ahy.

Aza alainao eto an-tany aho, noho ny fandeferanao azy;

fantaro fa noho ny aminao ihany no itondrako latsa.

16 Vao tonga teo anatrehako ny teninao, dia nohaniko;

zary hafaliako amam-piravoravoan’ny foko,

satria nantsoina tamiko ny Anaranao,

ry Iaveh, Andriamanitry ny tafika ô!

17 Tsy mba nipetraka teo amin’ny fivorian’ny mpihomehy aho,

mba hiaranako amin’ny firavoravoana;

fa nipetraka nanirery teo ambanin’ny tananao aho,

satria nofenoinao hatezerana.

18 Nahoana no dia tsy misy farany ny fijaliako,

ary manaintaina ny feriko,

sady tsy mety sitrana?

Moa ho tahaka ny rano mamitaka ho ahy va Ianao,

ho tahaka ny rano tsy azoko itokiana?

19 Koa izao no lazain’i Iaveh:

«Raha miverina amiko ianao, dia hampodiko indray;

hitsangananao eo anatrehan’ny Tavako;

ary raha manavaka izay sarobidy amin’izay tsinontsinona ianao,

dia ho tahaka ny vavako;

ary izy ireo hiverina hanatona anao;

fa tsy ianao no hiverina hanatona azy.

20 Hataoko manda varahina mafy

ho an’ity vahoaka ity ianao;

hiady aminao izy, nefa tsy hahavoa anao akory;

satria homba anao Aho, hamonjy,

sy hanafaka anao, – teny marin’i Iaveh. –

21 Hanafaka anao amin’ny tanan’ny ratsy fanahy Aho,

ary hanavotra anao amin’ny tanan’ny mpanao an-keriny.»

Categories
Jeremia

Jeremia 16

Atao famantarana, ny fiainan’ny mpaminany

1 Tonga tamiko ny tenin’i Iaveh nanao hoe:

2 «Aoka ianao tsy haka vady,

ary tsy hanana zanaka lahy na zanaka vavy,

amin’ity tany ity.»

3 Fa izao no tenin’i Iaveh:

«Ny amin’ny zanaka lahy aman-janaka vavy,

teraka amin’ity tany ity;

ny amin’ny reny miteraka azy,

sy ny amin’ny rainy miteraka azy,

amin’ity tany ity:

4 Izy ireo dia ho fatin’ny areti-mahafaty;

tsy hitomaniana na halevina,

ho tahaka ny zezika eo ambonin’ny tany.

Ho fatin’ny sabatra ama-mosary;

ary ny fatiny ho fihinan’ny voromanidina

amam-bibin’ny tany.»

5 Satria izao no lazain’i Iaveh:

«Aza miditra amin’ny trano misy fisaonana,

aza mandroso hitomany sy higogogogo miaraka amin’izy ireo;

fa ny fiadanako dia efa noesoriko

tamin’ity firenena ity, – teny marin’i Iaveh, –

noesoriko taminy ny famindram-poko amam-piantràko.

6 Amin’ity tany ity, na ny lehibe na ny kely, ho faty avokoa,

nefa tsy hisy levenana na fitomaniana ho azy;

tsy hisy hiteti-tena

na hibory noho ny aminy ny olona.

7 Ny olona tsy hizara aminy ny fahan-kanina amin’ny fisaonana,

ho fampiononana azy raha mana-maty;

ary tsy hampisotro azy ny kapoaka fampiononana

noho ny amin’ny ray na ny reny.

8 Aza mankeny amin’ny trano fanasana ianao,

mba hiara-mipetraka aminy,

hihinana sy hisotro.

9 Fa izao no lazain’i Iavehn’ny tafika,

Andriamanitr’i Israely:

Indro hatsahatro amin’ity tany ity,

eo imasonareo sy amin’ny andronareo,

ny hobin-kafaliana sy ny hobim-piravoravoana,

ny hiran’ny mpampakatra, aman-kiran’ny ampakarina.

10 Rehefa lazainao amin’ity vahoaka ity,

ireo zavatra rehetra ireo, dia hiteny aminao izy hanao hoe:

‹Ahoana i Iaveh no mampandre anay mialoha

izany lozabe rehetra izany?

Inona no helokay, ary inona no fahotanay,

izay nataonay tamin’i Iaveh Andriamanitray?›

11 Dia izao no holazainao azy:

Noho ny nahafoizan’ny razanareo Ahy,

– teny marin’i Iaveh; –

sy andriamani-kafa no narahin’ireny,

notompoiny, nivavahany;

fa Izaho nilaozany,

ny lalàko tsy notandremany.

12 Ianareo indray nanao ratsy mihoatra noho ny razanareo aza;

ka indro fa samy manaraka ny haratsian’ny fo ratsinareo ianareo,

mba tsy hihaino Ahy.

13 Ka hariako any ivelan’ity tany ity ianareo;

ho any amin’ny tany tsy fantatrareo,

na ianareo na ny razanareo;

ary ianareo hanompo ny andriamani-kafa

andro aman’alina;

fa tsy hamindra fo aminareo Aho.

Fiverenan’ireo vahoaka Israely tafaely

14 Noho izany indro avy ny andro,

– teny marin’i Iaveh, –

izay tsy hanaovana itsony hoe: Velona i Iaveh!

izay nitondra ny zanak’i Israely niakatra

avy any amin’ny tany Ejipta;

15 fa hoe kosa: Velona i Iaveh, izay nitondra ny zanak’i Israely hiakatra

avy any amin’ny tany avaratra,

sy avy any amin’ny tany rehetra nandroahany azy.

Fa hampodiko amin’ny tany

efa nomeko ny razany izy.

Ambara ny fanafihana

16 Indro aho miantso mpanarato an-kamaroany,

– teny marin’i Iaveh, – ka hanarato azy ireo izy.

Manaraka izany, hiantso mpihaza ankamaroany Aho,

ka hihaza azy hiala any an-tendrombohitra rehetra

ary eny an-tsefatsefaky ny harambato eny.

17 Fa eny amin’ny lalany rehetra ny masoko,

ka tsy miafina eo anatrehan’ny Tavako izany;

ary tsy takona amin’ny fijeriko ny helony.

18 Ary voalohany aloha, dia hovaliako avo sasaka

ny heloka amam-pahotany;

satria izy ireo nandoto ny taniko,

ny fatin-tsampiny sy ny fahavetavetany

no namenoany ny lovako.»

Ny hibebahan’ny hafa firenena

19 Ry Iaveh, heriko ama-mandako,

sy fialofako amin’ny andron’ny fahoriana,

ho tonga aminao ny firenena maro,

avy amin’ny faran’ny tany, ka hanao hoe:

Ny razanay tsy nahazo lova afa-tsy ny lainga,

sy zava-poana tsy azo atao na inona na inona!

20 Moa mety hisy va izany hoe: olona mamorona andriamanitra ho an’ny tenany?

Tsy Andriamanitra akory anefa izany!

21 Koa indro hampahafantariko azy ireo

amin’ity indray maka ity,

hampahafantariko azy ireo ny tanako sy ny heriko

dia ho fantany fa i Iaveh no Anarako.

Categories
Jeremia

Jeremia 17

Helok’i Jodà ara-pivavahana

1 Ny fahotan’i Jodà dia voasoratra tamin’ny vy fanoratana

sy tamin’ny fantsika diamondra,

voasokitra eo amin’ny takelaky ny fony izany,

sy eo amin’ny tandroky ny ôtelinareo.

2 Toy ny fahatsiaronyny zanany,

no fahatsiarony ny ôteliny aman’aseràny,

eny akaikin’ny hazo maitso

sy eny amin’ny havoana manerinerina eny.

3 Ry tendrombohitro izay any an-tany lemaka

hatolotro ho babo avokoa ny fanananao, ny rakitrao,

ny fitoeranao avo, noho ny fahotanao, teo amin’ny faritaninao rehetra.

4 Havelanao ho faty foana sady vokatry ny hadisoanao izany,

ny lovako nomeko anao;

hampanompoiko ny fahavalonao

any amin’ny tany tsy fantatrao ianao,

satria narehitrareo ny afon’ny fahatezerako,

ka mirehitra ho amin’ny mandrakizay.

Oha-teny fahendrena

5 Izao no lazain’i Iaveh:

«Ho voaozona ny olona izay mitoky amin’olombelona,

sy manao ny nofo ho sandriny,

ary miala amin’i Iaveh ny fony!

6 Manahaka ny anjavidy eny an-tany lava volo izy,

ary rehefa misy hasambarana tonga, tsy ifaliany;

honina amin’ny tany karankaina any an’efitra,

any amin’ny tany sira, tsy misy mponina!

7 Hohasoavina ny olona mitoky amin’i Iaveh,

sy manantena an’i Iaveh ho tokiny!

8 Manahaka ny hazo nambolena eo amoron-drano izy,

mandatsaka ny fakany mankany amin’ny rano mandeha;

tsy matahotra rehefa tonga ny hainandro,

sady maitso ravina mandrakariva;

tsy manahy izay taona fahamainana izy,

ary tsy mitsahatra ny mamoa.

9 Mamitaka mihoatra noho ny zavatra rehetra ny fo,

sady simba: iza no hahalala azy?

10 Izaho Iaveh izay mandinika ny fo,

sy mamantatra ny voa;

ary ny hanaovako izany, dia mba hamaly ny olona araka ny lalany,

sy araka ny vokatry ny asany.

11 Tsipoy mikotrika izay atodiny,

toy izany ny olona mahazo harena tsy an-drariny;

fa tsy maintsy mandao izany eny antenantenan’ny androny,

ary ho adala foana no hiafarany.»

Fitokiana ny Tempoly sy fitokiana an’i Iaveh

12 Seza fiandrianana be voninahitra, fiamboniana mandrakizay,

fitoeran’ny tranonay masina,

13 fanantenan’i Israely, Iaveh ô,

ho menatra izay rehetra mahafoy anao!

Hosoratana amin’ny tany izay miala amiko,

satria nandao ny lohan’ny rano velona, Iaveh, izy ireo.

Vavaka hamaliana ny ataon’ny ratsy

14 Ry Iaveh ô, sitrano aho, dia ho sitrana;

vonjeo aho, dia ho voavonjy;

fa Ianao no fiderako!

15 Indreo ry zareo manao amiko hoe:

Aiza izay tenin’i Iaveh? Aoka ho tonga izany!

16 Ary izaho tsy mba nandà tsy ho mpiandry manaraka anao;

tsy mba naniry ny andron’ny loza, fantatrao izany;

ny naloaky ny vavako, dia efa teo anatrehan’ny tavanao.

17 Aoka tsy ho antom-pahaverezana ho ahy Ianao;

Ianao no aroko amin’ny andro fahoriana.

18 Ny mpanenjika ahy no aoka ho menatra;

fa izaho aoka tsy ho menatra.

Izy ireo no aoka hangovitra;

fa izaho aoka tsy hangovitra.

Ataovy tonga aminy ny andro fahoriana,

ary torotoroy amin’ny fanimbana roa sosona izy.

Fankamasinana ny Sabata

19 Izao no nolazain’i Iaveh tamiko: «Mandehana ianao mitsangàna eo am-bavahadin’ny zanaky ny vahoaka, izay idirany sy ivoahan’ny mpanjakan’i Jodà; sy eo amin’ny vavahady rehetra ao Jerosalema;

20 ka lazao amin’izy ireo hoe:

‹Mihainoa ny tenin’i Iaveh,

ianareo mpanjakan’i Jodà, sy ianareo Jodà rehetra,

mbamin’ireo rehetra mponina ao Jerosalema,

izay miditra amin’ireto vavahady ireto?› »

21 Izao no lazain’i Iaveh:

«Tandremo ny fanahinareo;

ka aza mitondra entana amin’ny andro sabata,

ary aza mampiditra izany amin’ny vavahadin’i Jerosalema.

22 Aza mamoaka entana avy ao an-tranonareo, amin’ny andro sabata,

ary aza manao taozavatra akory;

hamasino ny andro sabata,

araka ny efa nandidiako ny razanareo.»

23 Nefa izy ireny tsy nihaino, na nanongilan-tsofina;

fa nanamafy ny hatony, mba tsy hihaino,

sy tsy handray ny fampianarana.

24 «Raha mety mihaino Ahy tsara ianareo,

– teny marin’i Iaveh, –

ka tsy mampiditra entana,

amin’ny vavahadin’ity tanàna ity, amin’ny andro sabata,

ary mankamasina ny andro sabata,

tsy manao na inona na inona amin’izany andro izany,

25 amin’izany dia hiditra amin’ny vavahadin’ity tanana ìty,

ny mpanjaka sy ny mpifehy,

mipetraka eo amin’ny seza fiandrianan’i Davida,

dia hiditra izy ireo mitaingina kalesy aman-tsoavaly,

izy sy ny mpifehy momba azy,

mbamin’ny olona ao Jodà sy ny mponina ao Jerosalema;

ary honenana mandrakizay ity tany ity.

26 Ho avy ny olona avy amin’ny tanànan’i Jodà,

sy amin’ny manodidina any Jerosalema,

sy avy amin’ny tanànan’i Benjamina,

amin’ny Sefelà sy amin’ny tendrombohitra ary amin’i Negeba,

hitondra sorona dorana aman-tsorona,

fanatitra aman’emboka manitra,

hitondra fanati-pisaorana ho ao an-tranon’i Iaveh.

27 Fa raha tsy mihaino Ahy ianareo,

tsy mankamasina ny andro sabata,

mitondra entana na iray ihany aza,

raha miditra ny vavahadin’i Jerosalema

amin’ny andro sabata,

dia handrehitra afo eo am-bavahadin’ny tanàna Aho,

handevona ireo lapa ao Jerosalema,

ary tsy ho faty io afo io.»