Categories
Jeremia

Jeremia 38

I Jeremia tao an-dava-drano, te hanafaka azy i Abdemeleka

1 Tamin’izay i Safatiasa zanak’i Matàna, i Gedeliasa zanak’i Fasora, ary i Jokaly zanak’i Selemiasa, ary i Fasora zanak’i Melkiasa, dia nandre ny teny nolazain’i Jeremia tamin’ny vahoaka rehetrahoe:

2 «Izao no lazain’i Iaveh: Izay hitoetra amin’ity tanàna ity, ho fatin’ny sabatra sy ny mosary ary ny pesta; fa izay hivoaka hanatona ny Kaldeanina kosa, ho velona aina sy hahazo ny ainy ho babony, ka ho velona.

3 Izao no lazain’i Iaveh: Hatolotra ny tafiky ny mpanjakan’i Babilôna ity tanàna ity, ka ho afany.»

4 Dia hoy ny lehibe tamin’ny mpanjaka: «Aoka hovonoina io lehilahy io! Fa mampiraviravy tanana ny lehilahy mpiady sisa eto an-tanàna mbamin’ny vahoaka rehetra izy, amin’ny fanaovana teny toy izany aminy. Fa tsy mba mitady izay hahasoa ity vahoaka ity io lehilahy io, fa izay hampidi-doza aminy ihany.»

5 Ka hoy i Sedesiasa mpanjaka: «Anananareo fahefana izy, fa ny mpanjaka tsy mahefa na inona na inona hisakanana anareo.»

6 Dia noraisin’izy ireo i Jeremia, ka nampidininy tao an-davak’iMelkiasa zanak’andriana, ao an-kianjan’ny fiambenana; mahazaka no nampidinana an’i Jeremia tao an-davaka izay tsy nisy rano, fa fotaka ihany, ka nilentika tanaty fotaka i Jeremia.

7 Ren’i Abdemeleka etiôpianina eonòka tao an-tranon’ny mpanjaka fa hoe tao an-davaka i Jeremia; nipetraka teo am-bavahadin’i Benjamina ny mpanjaka tamin’izay;

8 dia nivoaka avy tao an-tranon’ny mpanjaka i Abdemeleka, ka niteny tamin’ny mpanjaka nanao hoe:

9 «Ry mpanjaka tompoko ô, ratsy izany nataon’ireo olona ireo tamin’ny nitondrany toy izany an’i Jeremia mpaminany, fa nampidininy ao an-davaka izy; ho faty mosary ao ihany izy, satria tsy misy mofo intsony eto an-tanàna.»

10 Dia nanome teny an’i Abdemeleka etiôpianina ny mpanjaka nanao hoe: «Mangalà olona telopolo lahy etoana, hiaraka aminao, ka ampakaro i Jeremia mpaminany avy ao an-davaka dieny mbola tsy maty izy.»

11 Ary naka ireo olona ireo hiaraka aminy i Abdemeleka, dia niditra tao amin’ny tranon’ny mpanjaka ao ambanin’ny trano firaketana. Naka lamba tonta amam-boro-kitsay tao izy, ka nalefany tamin’ny tady izany ho ao amin’i Jeremia ao an-davaka.

12 Dia hoy i Abdemeleka etiôpianina tamin’i Jeremia: «Ataovy ao ambany helikao ireny lamba tonta amam-borodamba ireny eo ambanin’ny tady.» Nataon’i Jeremia izany.

13 Ka nosintonin’izy ireo tamin’ny tady izy, dia nampiakariny avy ao an-davaka. Ary i Jeremia nitoetra teo an-kianjan’ny fiambenana.

Fara resak’i Jeremia tamin’i Sedesiasa

14 Tamin’izay dia naniraka haka an’i Jeremia i Sedesiasa mpanjaka mba ho ao aminy, ao amin’ny fidirana fahatelo, amin’ny tranon’i Iaveh. Dia hoy ny mpanjaka tamin’i Jeremia: «Misy zavatra hanontaniako anao, ka aza anafenana aho.»

15 Ary hoy i Jeremia tamin’i Sedesiasa: «Moa tsy hamono ahy tokoa va ianao, raha ilazako izany. Ary raha omeko hevitra ianao, tsy hihaino ahy.»

16 Dia nianiana mangingina tamin’i Jeremia i Sedesiasa mpanjaka, nanao hoe: «Velona i Iavehizay nanome antsika ity fiainana ity. Tsy hamono anao aho, na hanolotra anao amin’ireo olona mitady ny ainao ireo.»

17 Ka hoy i Jeremia tamin’i Sedesiasa: «Izao no lazain’i Iavehn’ny tafika, Andriamanitr’i Israely: Raha mivoaka hanaiky ny lehiben’ny mpanjakan’i Babilôna ianao, dia ho velona aina ianao sy ny mpianakavinao.

18 Fa raha tsy mivoaka hanatona ny lehiben’ny mpanjakan’ny Babilôna kosa ianao: ity tanàna ity hatolotra eo an-tanan’ny Kaldeanina, ka hodorany; ianao kosa tsy ho afa-mandositra azy ireo.»

19 Dia hoy i Sedesiasa mpanjaka tamin’i Jeremia: «Matahotra an’ireo Jodeanina efa nanatona ny Kaldeanina aho; dia hatolotry ny olona an’ireo aho ka hataon’ireo fihomehezana.»

20 Fa hoy ny navalin’i Jeremia: «Tsy hanolotra anao ny olona; mba henoy re ny feon’i Iaveh amin’izay ambarako aminao, dia hahita soa amin’izay ianao ary ho voavonjy ny ainao.

21 Fa raha mandà tsy hivoaka ianao dia izao no nambaran’i Iaveh tamiko:

22 Indro fa ny vehivavy sisa rehetra amin’ny ankohonan’ny mpanjakan’i Jodà, hoentina ao amin’ny mpanapaky ny mpanjakan’i Babilôna, ka hanao aminao hoe: Sodòkan’ny sakaizanao ianao, ka resiny; nihitsoka anaty fotaka ny tongotrao dia nidify kosa izy ireo.

23 Ny vady aman-janakao rehetra hoentina ao amin’ny Kaldeanina, ianao koa tsy ho afa-mandositra azy ireo, fa ho azon’ny mpanjakan’ny Babilôna, ary ianao no nandoro ity tanàna ity.»

24 Dia hoy i Sedesisa tamin’i Jeremia: «Aoka tsy hisy olona hahare na inona na inona amin’izao resaka izao, dia tsy ho faty ianao.

25 Raha ren’ny mpanapaka fa niresaka taminao aho, ka tonga aminao izy manao hoe: ‹Ambarao anay izay nolazainao tamin’ny mpanjaka sy nolazain’ny mpanjaka taminao; aza misy afenina aminay, dia tsy hamono anao izahay›; dia izao no amalio azy:

26 ‹Nanatitra ny fitarainako tamin’ny mpanjaka aho, mba tsy haveriny any an-tranon’i Jonatàna izay hahafatesako, aho.› »

27 Dia tonga tao amin’i Jeremia tokoa ny mpanapaka rehetra, ka nanontany azy, ka novaliany araka ireo teny rehetra nandidian’ny mpanjaka azy indrindra, ka dia navelany tsy nosahiraniny izy; satria tsy nisy re ny resaka.

28 Dia nipetraka tao an-kianja fiambenana i Jeremia mandra-pahafaka an’i Jerosalema; ka dia tao ihany izy, nony azo Jerosalema.

Categories
Jeremia

Jeremia 39

Ny nanjò an’i Jeremia nony nirodana i Jerosalema

1 Tamin’ny volana fahafolo, amin’ny taona fahasivy nanjakan’i Sedesiasa, mpanjakan’i Jodà, dia tonga teo anoloan’i Jerosalema i Nabokodonozora, mpanjakan’i Babilôna, mbamin’ny tafiny rehetra, ka nanao fahirano azy.

2 Tamin’ny taona faha-11 nanjakan’i Sedesisa, volana fahefatra, andro fahasivin’ny volana, dia nisy voabanga ny tanàna;

3 ka niditra avokoa ny mpanapaky ny mpanjakan’i Babilôna, ary naka toerana mafy teo amin’ny vavahady afovoany, dia i Nergaly-Seresera mpiambina ny trano firaketana, i Nabo-Sarsakima lehiben’ny eonòka, i Nergaly-Seresera lehiben’ny majy, mbamin’ny sisa rehetra amin’ny mpanapaky ny mpanjakan’i Babilôna.

4 Nony nahita azy ireo i Sedesiasa, mpanjakan’i Jodà, mbamin’ny lehilahy mpiady rehetra, dia nandositra sy nivoaka ny tanàna tamin’ny alina, nihazo ny lalan’ny zaridainan’ny mpanjaka, teo amin’ny vavahady anelanelan’ny manda roa izy, dia niditra ny lalana mankany amin’ny tany lemaka.

5 Nenjehin’ny tafiky ny Kaldeanina anefa izy ireo, ary tratrany teo amin’ny tany lemak’i Jerikô i Sedesiasa. Dia noraisin’izy ireo izy ka nentiny niakatra ho any amin’i Nabokodonozora, mpanjakan’i Babilôna, tao Reblà, amin’ny tanin’i Emata, ka namoaka teny fitsarana momba azy izy.

6 Ireo zanaka lahin’i Sedesiasa novonoin’ny mpanjakan’i Babilôna teo imasony, tao Reblà; ny lehibe rehetra tamin’i Jodà, novonoin’ny mpanjakan’i Babilôna koa.

7 Raha efa izany dia nopotsiriny ny mason’i Sedesiasa, ary nafatony tamin’ny rojo varahina roa izy hoentina any Babilôna.

8 Raha efa izany, dia nodoran’ny Kaldeanina ny tranon’ny mpanjaka mbamin’ny tranon’ny vahoaka, ary noravany ny mandan’i Jerosalema. Ny vahoaka sisa izay tafajanona tao an-tanàna, mbamin’ireo mpilefa nitolo-tena nanaiky azy;

9 ary ny vahoaka sisa tamin’ny tany izay tafajanona teo, dia nentin’i Nabozardàna lehiben’ny mpiambina, ho babo any Babilôna.

10 Fa ny olona mahantra sasantsasany, tsy manana na inona na inona, dia navelan’i Nabozardàna, lehiben’ny mpiambina, teo amin’ny tanin’i Jodà, sady nomeny tanimboaloboka aman-tanimboly tamin’izay andro izay izy ireo.

11 Nisy didy nomen’i Nabokodonozora, mpanjakan’i Babilôna, an’i Nabozardàna, lehiben’ny mpiambina, ny amin’i Jeremia, nataony hoe:

12 «Alaovy izy, ka ataovy andry maso, aza asian-dratsy, fa araka izay lazainy aminao ihany atao aminy.»

13 Ary i Nabozardàna lehiben’ny mpiambina, i Nabosezibàna lehiben’ny eonòka, sy i Nergaly-Seresera lehiben’ny majy, mbamin’izay rehetra mpanapaky ny mpanjakan’i Babilôna,

14 naniraka haka an’i Jeremia, tao an-kianjan’ny fiambenana; dia napetrany tamin’i Godoliasa zanak’i Ahikama zanak’i Safàna izy, hoentiny any an-trano, ka dia nitoetra teo amin’ny vahoaka izy.

Tenin’Andriamanitra momba ny hamonjena an’i Abdemeleka

15 Fony i Jeremia mbola voafahy tao an-kianjan’ny fiambenana, dia tonga taminy ny tenin’i Iaveh nanao hoe:

16 Mandehana ianao milaza amin’i Abdemeleka Etiôpianina hoe: Izao no lazain’i Iavehn’ny tafika, Andriamanitr’i Israely: Indro Aho hanatanteraka ny teniko momba ity tanàna ity, hampahita loza fa tsy hanasoa, ary dia ho eo imasonao androtr’izay ihany izany.

17 Hovonjeko anefa ianao amin’izany andro izany, – teny marin’i Iaveh, – fa tsy ho voatolotra ao an-tanan’ny olona atahoranao.

18 Hataoko afaka tokoa ianao ka tsy ho lavon-tsabatra, fa hahazo ny ainao ho babo, satria natoky Ahy ianao, – teny marin’i Iaveh. –

Categories
Jeremia

Jeremia 40

Mbola ny hanjò an’i Jeremia ihany

1 Ny teny natao tamin’i Jeremia avy amin’i Iaveh taorian’ny nandefasan’i Nabozardàna, lehiben’ny mpiambina azy hiala tany Ramà, nony nampanalainy izy, ilay mbola nifatotra iny, teo amin’ireo babo rehetra avy any Jerosalema sy Jodà izay nentina ho any Babilôna.

2 Nentin’ny lehiben’ny mpiambina i Jeremia, ka nilazany hoe: «I Iaveh Andriamanitra efa nanambara izao loza izao amin’ity tanàna ity, ka nahatonga azy izy.

3 Notanterahin’i Iaveh izay efa voalazany, satria nanota tamin’i Iaveh ianareo sy tsy nihaino ny feony, ka dia tonga taminareo izao zavatra izao.

4 Ary ianao izao, dia indro fa novahako ny fatorana tamin’ny tananao, ka sitrakao moa ny hiaraka amiko ho any Babilôna, dia andeha fa hitandrina anao aho; tsy sitrakao kosa ny hiaraka amiko any Babilôna, dia aoka tsy hoheverina izany. Jereo, eo anoloanao ny tany rehetra, ka mandehana amin’izay heverinao ho tsara sy mety.»

5 Raha mbola nijanonjanona teo, tsy nandeha i Jeremia: «Miverena àry, hoy izy, any amin’i Godoliasa zanak’i Ahikama zanak’i Safàna, izay natsangan’ny mpanjakan’i Babilôna hanapaka ny tanànan’i Jodà, ka miaraha mitoetra aminy, eo amin’ny vahoaka; na mandehana any amin’izay tianao haleha, na aiza na aiza.» Dia nomen’ity lehiben’ny mpiambina vatsy amam-panomezana izy, vao nalefany handeha.

6 Nankany amin’i Godoliasa, tany Masfà, i Jeremia, ka niara-nonina taminy, teo amin’ny vahoaka sisa navela teo amin’ny tany.

I Godoliasa governora sy ny namonoana azy

7 Nony nandre ry zareo mpifehy miaramila rehetra tany ambanivohitra mbamin’ireo olom-peheziny, fa hoe: i Godoliasa zanak’i Ahikama no natsangan’ny mpanjakan’i Babilôna ho governora amin’ny tany, sy nametrahany ny lehilahy, ny zaza amam-behivavy ary ny mahantra amin’ny tany, tsy nentin-ko babo any Babilôna,

8 dia nanatona an’i Godoliasa, tany Masfà izy ireo, izany hoe i Ismaely zanak’i Nataniasa, i Johanàna sy i Jonatàna zanak’i Karea, i Seraiasa zanak’i Tanehometa, ireo zanak’i Efoì, sy i Netofà, ary i Jezoniasa zanak’ilay Môahatianina, dia ireo mbamin’ny olom-peheziny avy.

9 Dia izao no nolazain’i Godoliasa zanak’i Ahikama zanak’i Safàna tamin’izy ireo sy tamin’ireo olom-peheziny: «Aza matahotra ny hanompo ny Kaldeanina ianareo; monena amin’ny tany, dia hahita soa ianareo.

10 Ny amiko, dia honina ao Masfà aho, ho mpanao raharahan’ny Kaldeanina, tonga atỳ aminareo; ary ianareo kosa, angony ny divay amam-boankazo sy diloilo, ka ataovy amin’ny fasiana azy, dia monena amin’izay tanànanareo, izay hipetrahanareo.»

11 Ny Jodeanina rehetra izay tany amin’ny tanin’i Moaba ao amin’ny taranak’i Amôna, sy tany Edôma, nony efa nandre tao amin’izany tany rehetra izany fa hoe mbola misy sisan’i Jodà navelan’ny mpanjakan’i Babilôna, ary i Godoliasa zanak’i Ahikama zanak’i Safàna, no napetrany ho governoran’izy ireo,

12 dia tamin’izay ny Jodeanina rehetra no niverina avy any amin’ny tany rehetra nandroahana azy avokoa, ka nankao amin’ny tanin’i Jodà, nanatona an’i Godoliasa, tany Masfà, ary nanangona divay amam-boankazo be dia be.

13 Fa i Johanàna zanak’i Karea, mbamin’ny mpifehy miaramila tany ambanivohitra rehetra kosa, tonga tany amin’i Godoliasa tany Masfà,

14 ka nanao taminy hoe: «Fantatrao va, fa i Baalisa mpanjakan’ny taranak’i Amôna, efa naniraka an’i Ismaely, zanak’i Nataniasa, hamono anao?»

15 Tsy nino azy anefa i Godoliasa zanak’i Ahikama. Ary niteny mangingina tamin’i Godoliasa tany Masfà i Johanàna zanak’i Karea nanao hoe: «Aoka àry aho handeha hamono an’i Ismaely zanak’i Nataniasa, hatao tsy fantatr’olona velively. Fa nahoana no hamonoany anao, ka ho tafaely ny Jody rehetra efa tafangona atỳ aminao, ary ho lany ringana ny sisan’i Jodà?»

16 Fa izao no nolazain’i Godoliasa zanak’i Ahikama, tamin’i Johanàna zanak’i Karea: «Aza manao izany, fa tsy marina akory izay lazainao momba an’i Ismaely.»

Categories
Jeremia

Jeremia 41

1 Nony tamin’ny volana fahafito, tonga tao amin’i Godoliasa zanak’i Ahikama tao Masfà, i Ismaely zanak’i Nataniasa zanak’i Elisamà, taranak’andriana, nomban’ireo andriambaventin’ny mpanjaka sy olona folo lahy koa, dia niara-nihinana tao Masfà izy ireo.

2 Ary nitsangana i Ismaely, zanak’i Nataniasa, mbamin’ireo olona folo lahy niaraka taminy, ary namely sabatra an’i Godoliasa zanak’i Ahikama, zanak’i Safàna, ka matiny izy ilay napetraky ny mpanjakan’i Babilôna ho governora amin’ny tany,

3 mbamin’ny Jodeanina rehetra, izay tao aminy, dia tao amin’i Godoliasa, tao Masfà; novonoin’i Ismaely koa ny Kaldeanina sendra tao, dia ny olona mpiady.

4 Nony afak’ampitson’ny andro namonoana an’i Godoliasa, raha mbola tsy nisy olona nahalala izany akory,

5 nisy olona valopolo lahytonga avy any Sikema sy Silô ary Samaria, samy voaharatra ny volombavany, voatriatra ny fitafiany, voatetikany tenany, nitondra fanatitra aman’emboka manitra, haterina ao an-tranon’i Iaveh.

6 Nivoaka avy ao Masfà i Ismaely zanak’i Nataniasa, hitsena azy ireo, sady nitomany ka nony tafahaona taminy, dia nanao tamin’izy ireo: «Andeha ianareo ho ao amin’i Godoliasa zanak’i Ahikama.»

7 Kanjo vao tonga teo afovoan’ny tanàna izy ireo, dia novonoin’i Ismaely, zanak’i Nataniasa sy iretsy olona niaraka taminy, ka natsipiny tao afovoan’ny lava-drano.

8 Nisy folo lahy tamin’izy ireo anefa, nilaza tamin’i Ismaely hoe: «Aza mba vonoina izahay, fa manam-pitaovana miafina any an-tsaha, dia varimbazaha, orja, diloilo, sy tantely.» Ka dia nijanona izy, fa tsy namono an’ireo teo afovoan’iretsy rahalahiny.

9 Ny lava-drano nanarìan’i Ismaely ny fatin’ireo olona novonoiny noho ny amin’i Godoliasa, dia ilay nataon’i Asa, mpanjaka, noho ny amin’i Baasa, mpanjakan’i Israely, io no nofenoin’i Ismaely zanak’i Nataniasa, faty.

10 Dia nentin’i Ismaely ho babo ny olona sisa tao Masfà, ireo zanaka vavin’ny mpanjaka mbamin’ny vahoaka rehetra tafajanona tao Masfà, izay nomen’i Nabozardàna lehiben’ny mpiambina an’i Godoliasa zanak’i Ahikama, ho filohany; nentin’i Ismaely zanak’i Nataniasa ho babo ireo, dia lasa nankany amin’ny taranak’i Amôna izy.

11 Nony ren’i Johanàna zanak’i Karea mbamin’ny mpifehy miaramila rehetra teo aminy ny ratsy rehetra nataon’i Ismaely zanak’i Nataniasa,

12 dia nitondra ny miaramilany rehetra izy ka niainga hiady amin’i Ismaely zanak’i Nataniasa; tratrany tao akaikin’ny kamory lehibe ao Gabaôna io.

13 Faly ireo vahoaka rehetra teo amin’i Ismaely, nony nahita an’i Johanàna zanak’i Karea, mbamin’ny mpifehy miaramila rehetra niaraka taminy,

14 ka niverina nandeha nikambana tamin’i Johanàna zanak’i Karea, avokoa ny vahoaka rehetra nentin’i Ismaely ho babo avy any Masfà.

15 Fa i Ismaely zanak’i Nataniasa no afa-nandositra teo anatrehan’i Johanàna ka nankany amin’ny taranak’i Amôna, nomban’ny olona valo lahy.

16 Noraisin’i Johanàna zanak’i Karea mbamin’ny mpifehy miaramila rehetra nomba azy, ny vahoaka sisa rehetra izay efa nentin’i Ismaely zanak’i Nataniasa, avy any Masfà, nony avy namono an’i Godoliasa, zanak’i Ahikama izy, dia ny olona mpiady, ny zaza amam-behivavy, ary ny eonòka, ka nentiny niverina avy any Gabaôna izy ireo.

17 Dia nandeha izy ireo, ka teo amin’ny tranom-bahiny ao Kanaama, akaikin’i Betlehema, no nijanona, vao lasa nankany Ejipta,

18 nanalavitra ny Kaldeanina izay natahorany, noho ny namonoan’i Ismaely zanak’i Nataniasa an’i Godoliasa zanak’i Ahikama, izay napetraky ny mpanjakan’i Babilôna, ho governoran’ny tany.

Categories
Jeremia

Jeremia 42

Ny nandosirana tany Ejipta

1 Tamin’izay, nanatona an’i Jeremia avokoa ny mpifehy miaramila rehetra mbamin’i Johanàna zanak’i Karea, i Jezoniasa zanak’i Osaiasa, ary ny vahoaka rehetra na kely na lehibe,

2 ka nanao taminy hoe: «Aoka ho tonga eo anatrehanao anie izao fihantanay izao: mivavaha amin’i Iaveh Andriamanitrao, ho an’izao sisa rehetra izao, fa maro izahay taloha, nefa efa tonga vitsy sisa araka izao hitan’ny masonao izao.

3 Aoka hambaran’i Iaveh Andriamanitrao aminay, izay lalana tokony hizoranay, sy izay zavatra tokony hataonay.»

4 Ary hoy i Jeremia mpaminany, namaly azy ireo: «Dia reko izany; ka indro aho, hivavaka amin’i Iaveh Andriamanitrareo araka ny teninareo; ary hambarako aminareo avokoa, fa tsy misy hanafenako izay havalin’i Iaveh anareo.»

5 Dia hoy izy ireo tamin’i Jeremia: «Aoka i Iaveh ho vavolombelona marina sy mahatoky miampanga anay, raha tsy manatanteraka ny zavatra rehetra araka ny tenin’i Iaveh Andriamanitrao izay hampitondrainy anao ho anay izahay. Hanaiky ny feon’i Iaveh Andriamanitray, izay nanirahanay anao izahay,

6 na ho soa na ho ratsy, mba hiavian’ny soa aminay amin’ny fanekenay ny feon’i Iaveh Andriamanitray.»

7 Nony afaka folo andro, tonga tamin’i Jeremia ny tenin’i Iaveh,

8 ka nantsoin’i Johanàna zanak’i Karea, mbamin’ny mpifehy miaramila rehetra teo aminy, sy ny vahoaka rehetra na kely na lehibe,

9 dia nilazany hoe: Izao no lazain’i Iaveh Andriamanitr’i Israely, izay nanirahanareo ahy hitondra eo anatrehany ny hatakareo:

10 Raha manohy ny fonenana amin’ity tany ity ianareo, dia haoriko fa tsy horavako, hamboleko fa tsy hongotako, fa anenenako ny loza namelezako anareo.

11 Aza matahotra ny mpanjakan’i Babilôna, izay atahoranareo; aza matahotra azy – teny marin’i Iaveh, – fa momba anareo Aho, hamonjy sy hanafaka anareo amin’ny tanany.

12 Hataoko mahazo famindram-po ianareo, ka hamindra fo aminareo izy, dia hampody anareo amin’ny taninareo.

13 Fa raha hoy kosa ianareo: Tsy honina amin’ity tany ity izahay, ka tsy manaiky ny feon’i Iaveh Andriamanitrareo ianareo;

14 raha hoy ianareo: Tsia, fa any Ejipta no halehanay, izay tsy hahitanay ady, tsy handrenesanay feon’anjomara, tsy hahatsiarovanay noana, ka any no honenanay;

15 dia henoinareo ny tenin’i Iaveh, ry sisa amin’i Jodà: Izao no lazain’i Iaveh Andriamanitr’i Israely: Raha mitodi-maso mankany Ejipta ianareo mba ho any ka miditra hitoetra any ianareo,

16 ny sabatra atahorananreo, hahatratra anareo any amin’ny tany Ejipta, ny mosary ahìnareo mafy, hanjòhy anareo any Ejipta, ary ho faty any ianareo.

17 Izay rehetra mitodi-maso mankany Ejipta mba ho any sy honina any, dia ho fatin’ny sabatra sy ny mosary ary ny pesta avokoa, fa tsy misy ho velona sy afa-mandositra ny loza hahàtrako aminy.

18 Fa izao no lazain’i Iavehn’ny tafika, Andriamanitr’i Israely: Toy ny niantefan’ny fahatezerako amam-pahavinirako tamin’ny mponina tao Jerosalema, no hiantefan’ny fahatezerako aminareo, nony tafiditra any Ejipta ianareo, ka dia ho fisahato, fitalanjonana, fanozona ary fandàtsan’ny olona ianareo sady tsy hahita ity tany ity intsony.

19 Ry sisa amin’i Jodà ô, izao no lazain’i Iaveh aminareo: Aza miditra any Ejipta ianareo; fantaro tsara fa efa nanariko ampahibemaso ianareo izao androany.

20 Fa efa naningo-tena ianareo, tamin’ny nanirahanareo ahy ho any amin’i Iaveh Andriamanitsika, nanao hoe: Mivavaha amin’i Iaveh Andriamanitsika ho anay, fa izay rehetra holazain’Iaveh Andriamanitsika, dia ambarao anay fa hotanterahinay avokoa.

21 Nanambara izany taminareo aho androany, fa tsy nihaino ny feon’i Iaveh Andriamanitrareo kosa ianareo, na ny zavatra inona na ny zavatra inona nanirahany ahy ho aminareo.

22 Koa aoka ho fantatrareo marimarina izao, fa ho fatin’ny sabatra sy ny mosary ary ny pesta any amin’ny tianareo haleha honenana ianareo.

Categories
Jeremia

Jeremia 43

1 Nony tapitra voalazan’i Jeremia tamin’ny vahoaka rehetra avokoa ny tenin’i Iaveh Andriamaniny, ireo teny rehetra nanirahan’i Iaveh Andriamaniny azy ho aminy,

2 dia niteny i Azariasa zanak’i Osaiasa, sy i Johanàna zanak’i Karea, mbamin’ireo lehilahy mpiavonavona rehetra, ka nanao tamin’i Jeremia hoe: «Milaza lainga ianao; i Iaveh Andriamanitsika tsy naniraka anao hilaza aminay hoe: ‹Aza miditra any Ejipta mba hitoetra ao›.

3 Fa i Baròka zanak’i Nerià, no nanome fo anaohamely anay, mba hanolotra anay ho eo an-tanan’ny Kaldeanina, hahafaty anay sy hahalasan-ko babo anay any Babilôna.»

4 Ka dia tsy nihaino ny feon’i Iaveh nandidy azy hitoetra amin’ny tanin’i Jodà i Johanàna zanak’i Karea, sy ny mpifehy miaramila rehetra mbamin’ny vahoaka rehetra.

5 Fa nentin’i Johanàna zanak’i Karea, mbamin’ireo mpifehy miaramila rehetra ihany ny sisan’i Jodà rehetra, ireo izay efa niverina avy any amin’ny firenena rehetra nielezany, honina eo amin’ny tanin’i Jodà,

6 ny lehilahy, ny zaza amam-behivavy, ny zanaka vavin’ny mpanjaka, mbamin’ny olona rehetra navelan’i Nabozardàna lehiben’ny mpiambina niaraka tamin’i Godoliasa zanak’i Ahikama, zanak’i Safàna, ary koa i Jeremia mpaminany, mbamin’i Baròka zanak’i Nerià.

7 Niditra tany amin’ny tany Ejipta izy ireo, dia tonga hatrany Tafnesa, fa tsy nihaino ny feon’i Iaveh.

Nolazain’i Jeremia mialoha ny fanafihan’i Nabokodonozora

8 Ary tonga tamin’i Jeremia tao Tafnesa ny tenin’i Iaveh nanao hoe:

9 «Mitondrà vato lehibe eny an-tananao, ka afeno eo anatrehan’ny lehilahy amin’i Jodà, ataovy ao anaty simenitra eo amin’ny ngorodona taila, izay anoloan’ny tranon’i Faraôna, ao Tafnesa;

10 dia lazao amin’izy ireo hoe: Izao no lazain’i Iavehn’ny tafika, Andriamanitr’i Israely: Indro Aho haniraka haka an’i Nabokodonozora, mpanjakan’i Babilôna mpanompoko, sy hametraka ny seza fiandrianany eo ambonin’ireto vato nafeniko ireto; ary izy hamelatra ny karpetrany eo ambonin’ireo.

11 Ho avy izy, ka hamely ny tany Ejipta; ka izay ho amin’ny fahafatesana, matesa; izay ho amin’ny fahababoana, baboy; izay ho amin’ny sabatra, alavoin-tsabatra.

12 Handrehitra afo ao amin’ny tranon’ireo andriamanitr’i Ejipta Aho, ka hodorana izany, ary hoentiny babo ireo andriamanitra ireo; ary hihodidinany hoatra ny hihodidinan’ny mpiandry ondry ny lambany ny tany Ejipta, vao hiala eo amim-piadanana izy.

13 Ireo tsangam-bato ao an-tranon’ny Masoandro, eo amin’ny tany Ejipta, hotorotoroina, ary ireo tranon’ny andriamanitr’i Ejipta hodorana.»

Categories
Jeremia

Jeremia 44

Fara asan’i Jeremia: Ireo vehivavy Jody sy ny Mpanjaka vavin’ny lanitra

1 Ny teny tonga tamin’i Jeremia, ho an’ny Jodeanina rehetra nitoetra tany amin’ny tany Ejipta, dia izay nitoetra tany Migdôla, tany Tafnesa, tany Nôfa, sy tany amin’ny tany Fatoresa, nanao hoe:

2 Izao no lazain’i Iavehn’ny tafika, Andriamanitr’i Israely: Efa hitanareo ny loza rehetra nahàtrako tamin’i Jerosalema sy ny tanànan’i Jodà rehetra, fa indreo izy ankehitriny, fa efa tany lao sy tsy misy mponina intsony,

3 noho ny ratsy nataony hampahatezitra Ahy tamin’ny nandehanany hanatitra emboka manitra amam-panompoana amin’izay andriamani-kafa tsy nisy nahalala, na izy, na ianareo, na ny razanareo.

4 Efa naniraka ny mpaminany mpanompoko rehetra taminareo Aho, sady naniraka azy hatramin’ny vao maraina, hilaza aminareo hoe: «Aza dia manao izany fahavetavetana hàlako izany ianareo.»

5 Kanefa tsy nihaino izy ireo, na nanongilan-tsofina mba hialany amin’ny haratsiany sy tsy hanaterany emboka manitra intsony, amin’izay andriamani-kafa.

6 Ka dia niantefa tamin’izy ireo ny fahavinirako amam-pahatezerako, ka nirehitra tamin’ny tanànan’i Jodà sy ny lalam-ben’i Jerosalema, ka tonga tany lao sy efitra izany, araka ny hita ankehitriny izao.

7 Koa ankehitriny dia izao no lazain’i Iaveh, Andriamanitry ny tafika, Andriamanitr’i Israely: Nahoana ianareo no nampidi-doza mafy toy izao aminareo, dia izay haharingana anareo ao amin’i Jodà, na ny lehilahy na ny vehivavy aminareo, na ny zaza na ny vao minono aminareo, tsy hisy izay sisa havela akory;

8 dia izay hampahatezitra Ahy amin’ny asan-tananareo, amin’ny anateranareo emboka manitra amin’izay andriamani-kafa, eo amin’ny tany Ejipta, izay nidiranareo hitoerana, mba haharingana anareo, sy hahatonga anareo ho fanozona sy fandatsa amin’ny firenena rehetra ambonin’ny tany?

9 Hadinonareo va ny heloky ny razanareo, ny heloky ny mpanjakan’i Jodà, ny heloky ny vehivavy ao Jodà, ny heloky ny tenanareo, ary ny heloky ny vadinareo, izay nataony teo amin’ny tanin’i Jodà, sy teny an-dalamben’i Jerosalema?

10 Mandrak’androany izy ireo tsy mbola nanenina, tsy mbola nanan-tahotra, tsy mbola nandeha araka ny lalàko na ny didy nataoko teo anoloanareo sy teo anoloan’ny razanareo.

11 Noho izany, izao no lazain’i Iavehn’ny tafika, Andriamanitr’i Israely: Indro Aho hitodi-tava hamely anareo, hahatonga loza aminareo sy handringana an’i Jodà rehetra.

12 Halaiko ny sisa amin’i Jodà, izay nitodi-maso mankany Ejipta mba ho tonga hitoetra any: Ho levona any amin’ny tany Ejipta, dia ho lavo izy ireo: ho levon’ny sabatra sy ny mosary; na ny kely na ny lehibe, ho fatin’ny sabatra sy ny mosary izy ireo ary ho tonga fisahato, fitalanjonana, fanozona, ary fandatsa.

13 Toy ny namangiako an’i Jerosalema tamin’ny sabatra sy ny mosary ary ny pesta no hamangiako an’izay mitoetra eo amin’ny tany Ejipta.

14 Tsy hisy ho afaka handositra na ho velona ny sisa amin’i Jodà, tamin’ireo izay tonga mba honina eto amin’ny tanin’i Ejipta, ka hiverina indray amin’ny tanin’i Jodà, izay irin’ny fony hiverenany mba honenana. Satria tsy hisy hody any izy afa-tsy izay vitsivitsy afa-mandositra ihany.

15 Tamin’izay namaly an’i Jeremia ny lehilahy rehetra, nahalala fa efa nanatitra emboka manitra tamin’ireo andriamani-kafa, ny vadiny sy ny vehivavy rehetra tafavory teo amin’ny fivoriam-beary ny vahoaka rehetra nitoetra tany amin’ny tany Ejipta tao Fatoresa, ka nanao hoe:

16 «Tsy nihaino anao izahay amin’ny teny nolazainao taminay, amin’ny Anaran’i Iaveh.

17 Fa ny teny rehetra naloakan’ny vavany, dia tsy maintsy tanterahinay tokoa tokoa, amin’ny fanaterana emboka manitra amin’ny Mpanjaka vavin’ny lanitra, amin’ny fandraràhana fanatitra araraka ho azy, araka ny efa nataonay, dia izahay sy ny razanay ary ny mpanjakany ama-mpifehy anay tany amin’ny tanin’i Jodà sy teny an-dalamben’i Jerosalema. Tamin’izay, izahay voky hanina, niadana ary tsy nahita loza.

18 Fa hatramin’ny nitsaharanay tsy nanatitra emboka manitra ho an’ny Mpanjaka vavin’ny lanitra sy tsy nandrarahanay fanatitra araraka ho azy, vao tsy nanana na inona na inona izahay, sady levon’ny sabatra ama-mosary.

19 Ary raha nanatitra emboka manitra sy nandraraka fanatitra araraka ho an’ny Mpanjaka vavin’ny lanitra izahay, moa takona ny vadinayva ny nanaovanay mofomamy manambara azy, sy nandrarahanay fanatitra araraka ho azy?»

20 Dia niteny tamin’ny vahoaka rehetra i Jeremia, namelively ny lehilahy sy ny vehivavy sy ireo namaly azy toy izany, ka nanao taminy hoe:

21 «Tsy izany indrindra va no tsaroan’i Iaveh sy tafasondrotra tao am-pony, dia ny emboka manitra nodoranareo tany an-tanànan’i Jodà, sy teny an-dalamben’i Jerosalema, na ianareo sy ny razanareo, na ny mpanjakanareo ama-mpanapaka anareo, na ny vahoaka tamin’ny tany?

22 Tsy nahalefitra mihoatra noho izay intsony i Iaveh, noho ny haratsian’ny nataonareo, sy noho ny fahavetavetana notanterahinareo, ka dia zary efitra lao, voaozona, ary tsy misy mponina ny taninareo, araka izao hita anio izao.

23 Satria ianareo nanolotra emboka manitra sy nanota tamin’i Iaveh, fa tsy nihaino ny feon’i Iaveh, ny lalàny sy ny fitsipika aman-didiny; dia noho izany no niharan’izao loza manjò anareo izao ianareo, araka izao hita anio izao.»

24 Ka dia hoy i Jeremia tamin’ny vahoaka rehetra sy tamin’ny vehivavy rehetra nanao hoe: «Mihainoa ny tenin’i Iaveh, ianareo Jodà rehetra atỳ amin’ny tany Ejipta.

25 Izao no lazain’i Iavehn’ny tafika, Andriamanitr’i Israely: Ianareo sy ny vadinareo, samy efa nanambara tamin’ny vavanareo sy nanatanteraka tamin’ny tananareo nanao hoe: ‹Hoefainay tokoa ny voady nataonay, hanolotra emboka manitra sy handraraka fanatitra araraka ho an’ny Mpanjaka vavin’ny lanitra.› Aoka àry, ka efao ny voadinareo, aza diso ny manatanteraka ny voadinareo.

26 Koa mihainoa ny tenin’i Iaveh, ry Jodà rehetra mitoetra atỳ amin’ny tany Ejipta: Indro Aho fa mianiana amin’ny Anarako lehibe, hoy i Iaveh, fa tsy hotononin’ny vavan’ny lehilahy amin’i Jodà eran’ny tany Ejipta intsony, ny Anarako, hatao hoe: ‹Velona i Iaveh Tompo›.

27 Indro Aho miambina azy ireo, hampidi-doza fa tsy soa amin’izy ireo, ka dia ho levon’ny sabatra sy ny mosary avokoa, ny lehilahy amin’i Jodà, mandra-paharingany.

28 Ary izay vitsy kely no ho afa-mandositra ny sabatra, dia ho tafaverina any amin’ny tanin’i Jodà, avy atỳ amin’ny tany Ejipta. Ka dia ho fantatr’izay sisa amin’i Jodà rehetra, dia izay tonga tany Ejipta, hitoetra tany, izay tò teny, na izaho, na izy ireo.

29 Ary izao no famantarana ho anareo – teny marin’i Iaveh, – fa hovangiako eto amin’ity fitoerana ity tokoa ianareo, mba hampiharihary aminareo fa tsy maintsy tò mihitsy ny teniko hahatonga loza aminareo.

30 Izao no lazain’i Iaveh: Indro Aho manolotra an’i HôfràFaraôna, mpanjakan’i Ejipta, eo an-tanan’ny fahavalony, sy eo an-tanan’izay mitady ny ainy; toy ny nanolorako an’i Sedesiasa, mpanjakan’i Jodà, tamin’i Nabokodonozora, mpanjakan’i Babilôna, fahavalony sy nitady ny ainy.»

Categories
Jeremia

Jeremia 45

Teny fampaherezana an’i Baròka

1 Ny teny nolazain’i Jeremia mpaminany tamin’i Baròka zanak’i Nerià, fony izy nanoratra ireo teny ireo tamin’ny taratasy araka ny nanononan’i Jeremia azy, tamin’ny taona fahefatra nanjakan’i Jôakima, zanak’i Josiasa, mpanjakan’i Jodà, toy izao:

2 Izao no lazain’i Iaveh mpanjakan’i Israely ny aminao, ry Baròka:

3 Ianao nanao hoe: «Idiran-doza aho ity! fa tsindrian’i Iaveh alahelo ny fijaliako, reraky ny misento aho, fa tsy mahita fitsaharana.» Ka lazao aminy hoe:

4 Izao no lazain’i Iaveh: Indro fa izay efa noarîko ravàko, izay efa namboleko ongotako; dia izao tany rehetra izao.

5 Ary ianao kosa hitady zava-dehibe ho anao? Aza mitady izany, fa indro hahatonga loza amin’ny nofo rehetra Aho, – teny marin’i Iaveh, – fa ianao kosa homeko ny ainao ho babonao, any amin’izay fitoerana rehetra halehanao.

Categories
Jeremia

Jeremia 46

2 – ANDININDININY AMIN’IREO TENIN’ANDRIAMANITRA

1 Tenin’i Iavehtonga tamin’i Jeremia mpaminany, ny amin’ireo firenena mpanompo sampy.

Tenin’Andriamanitra mamely an’i Ejipta- Ho resy i Karkemisa

2 Ny amin’i Ejipta. Teny mamely ny tafik’i NekôFaraôna mpanjakan’i Ejipta, teo amoron’ny ony Eofrata, tao Karkemisa, izay resin’i Nabokodonozora. mpanjakan’i Babilôna, tamin’ny taona fahefatra nanjakan’i Jôakima, zanak’i Josiasa, mpanjakan’i Jodà.

3 Vonòny ny ampinga kely aman’ampinga be ka mandrosoa hiady!

4 Ataovy amin’ny kalesy ny soavaly;

Miakara ambony soavaly ianareo mpitaingina azy!

Ianareo misatroka fiarovan-doha, milahara!

Fotsio ny lefona, iakanjoy ny fiarovan-tratra.

5 Fa inona re ity hitako e? Raiki-tahotra izy ireo

ka miamboho lahy!

Resy ny mpiadiny!

Mandositra tsy miherika akory izy ireo!

Fa misy fampangorohoroana hatraiza hatraiza,

– teny marin’i Iaveh. –

6 Ny faingan-tongotra, aza afa-mandositra!

ny lehilahy mahery fo, aza afa-mitsoaka!

Any amin’ny tany avaratra, amoron’ny ony Eofrata,

indro izy mivembena dia lavo.

7 Iza izao miakatra hoatra an’i Nila

sy misamboaravoara ny onjany hoatra ny ony be?

8 I Ejipta izao miakatra hoatra an’i Nila izao,

ka misamboaravoara ny onjany hoatra ny ony be,

Hoy izy: «Hiakatra aho, ka hanapaka ny tany,

haringako ny tanàna mbamin’ny mponina ao aminy.

9 Mandrosoa, ry soavaly; mirimorimoa, ry kalesy!

Miaingà, ry mpiady!

Ry Etiôpianina sy Libianina mitana ampinga,

Ry Lidianina, mitana sy manenjana tsipìka!»

10 Fa andron’ny Tompo Iavehn’ny tafika ity,

andro famaliana, hamaliany ny fahavalony!

Mihinana ny sabatra ka mivoky,

etsaky ny ran’ireny izy;

fisoronana ho an’ny Tompo Iavehn’ny tafika izao,

any amin’ny tany avaratra amoron’ny ony Eofrata.

11 Miakara any Galaada, ka makà ditin-kazo manitra,

Ry virjiny, zanaka vavin’i Ejipta.

Mampitombo ny fanafody foana ianao;

fa tsy hanam-pahasitranana tsy akory.

12 Ren’ny firenen-tsamihafa ny henatrao;

manenika ny tany ny fikiakiakanao;

fa ny samy mahery no mifandona;

ka samy lavo izy roa tonta.

Fanafihana an’i Ejipta

13 Teny nataon’i Iaveh tamin’i Jeremia, mpaminany, ny amin’ny hiavian’i Nabokodonozora mpanjakan’i Babilôna hamely ny tany Ejipta:

14 Torionareo any Ejipta, ampandreneso any Migdôla,

ampandreneso any Nôfa sy any Tafnesa;

ka lazao hoe: Milahara ianareo, ka miomàna;

fa efa mandripaka sahady eny amin’ny manodidina anareo ny sabatra!

15 Hanky! efa lavo ny maherinao,

tsy nahajoro izy,

satria nazeran’i Iaveh amin’ny tany izy.

16 Hamaroiny ny isan’izay tafintohina,

ka lavo mifanindry ireny, sady manao hoe:

«Mitsangàna isika, miverena any amin’ny firenentsika,

sy any amin’ny tany nahaterahantsika,

lavitra ny sabatra mahafaty olona.»

17 Izao no fiantsoantsony any: «Voa i Faraôna, mpanjakan’i Ejipta;

nandiso ny fotoana mety izy!»

18 Velona Aho, – teny marin’ny Mpanjaka,

tompon’ny anarana hoe: Iavehn’ny tafika:

Tahaka an’i Tabôra eo amin’ny tendrombohitra,

tahaka an’i Karmela, eo ambonin’ny ranomasina, dia tamy izy.

19 Fehezo ny entanao, entan-tambotra,

ry mponina zanaka vavin’i Ejipta,

fa indro i Nôfa ho zary tany efitra;

hodorana izy, ka tsy hisy mponina intsony.

20 I Ejipta dia ombivavy kely tsara tarehy fatratra,

fa misy fihitra tonga avy any avaratra.

21 Ny mpikarama eo aminy kosa,

hoatra ny zanak’omby voafahy.

Indreny miamboho koa izy ireo

dia miara-mandositra, fa tsy manohitra izy,

fa nihatra taminy ny androm-pahoriana,

dia ny fotoana hamaliana azy.

22 Ny feony diahoatra ny sasasasan’ny menarana mandeha;

satria marobe izy ireo no tonga,

dia tonga eo aminy, mitondra famaky,

sahala amin’ny mpikapa hazo.

23 Nokapain’ireo ny alany, – teny marin’i Iaveh, –

nefa nikitroka efa izaitsizy;

satria maro noho ny valala izy ireo,

ka efa tsy tambo isaina.

24 Mangaihay ny zanaka vavin’i Ejipta;

natolotra eo an-tanan’ny firenena any avaratra izy!

25 Hoy i Iavehn’ny tafika, Andriamanitr’i Israely:

Indro, hovangiako avokoa i Amôna any Nô,

sy i Faraôna sy i Ejipta, ireo andriamaniny sy ny mpanjakany,

ary i Faraôna mbamin’ireo natoky azy.

26 Ary hatolotra eo an-tanan’izay mitady ny ainy izy ireo,

dia eo an-tanan’i Nabokodonozora, mpanjakan’i Babilôna,

sy eo an-tanan’ny mpanompony.

Fa any aorian’izany, vao honenana izy,

toy ny tamin’ny andro taloha, – teny marin’i Iaveh.

27 Ary ianao, aza matahotra, ry Jakôba, mpanompoko,

aza manam-badi-po, ry Israely.

Indro ianao, halaiko avy any an-tany lavitra,

ary ny taranakao, avy any amin’ny tany nahababo azy.

Ho tafaverina i Jakôba, ka hiadana,

handry fehizay, tsy misy mpanaitaitra.

28 Aza matahotra ianao, ry Jakôba, mpanompoko,

– teny marin’i Iaveh, – fa momba anao Aho!

Haringako avokoa ny firenena rehetra

nandroahako anao.

Fa ianao kosa tsy mba haringako.

Hofaizako ara-drariny anefa ianao,

fa tsy dia havelako ho afa-potsiny tsy akory.

Categories
Jeremia

Jeremia 47

Tenin’Andriamanitra mamely ny Filistinina

1 Tenin’i Iaveh tonga tamin’i Jeremia mpaminany, ny amin’ny Filistinina, fony i Faraônatsy mbola namely an’i Gazà.

2 Izao no lazain’i Iaveh:

Indro, misy rano be misondrotra avy any avaratra;

dia tonga sahala amin’ny renirano maria tondraka,

ka hanafotra ny tany mbamin’izay rehetra ao aminy,

na ny tanàna, na ny mponina.

Mihorakoraka ny lehilahy,

ary midradradradra avokoa ny mponina amin’ny tany.

3 Rehefa re ny fikatraokan’ny tongo-tsoavaliny,

sy ny firodorodon’ny kalesiny aman-tabataban’ny kodiarany:

tsy miherika izay zanany intsony ny rainy,

fa efa miraviravy tanana fatratra ny olona.

4 Izany dia noho ny fahatongavan’ny andro

handringanana ny Filistininarehetra;

handripahana an’izay sisa amin’ny mpikambana

amin’i Tira sy i Sidona;

fa horavan’i Iaveh ny Filistinina,

izay sisa amin’ny nosy Kaftôra.

5 Tonga mangadihady loha i Gazà;

levona i Askalôna,

mbamin’ny lohasaha manodidina azy.

Mandra-pahoviana ianao no mbola hiteti-tena ihany?

6 Indrisy, ry sabatr’i Iaveh,

mandra-pahoviana no tsy hanam-pitsaharana ianao?

Midira indray ao amin’ny tranonao,

miatoa ary mandria!

7 Hataonao ahoana moa no fitsahatra,

fa nomen’i Iaveh didy ianao?

Mankany Aksalôna sy any amoron-dranomasina

no itarihany azy.