Categories
Ezekiela

Ezekiela 25

Mamely an’i Amônita

1 Tonga tamiko ny tenin’i Iaveh nanao hoe:

2 Ry zanak’olona, atodiho mankany amin’ny taranak’i Amôna ny tavanao, ka maminania ny hanjò azy ireo.

3 Lazao amin’ny taranak’i Amôna hoe: Mihainoa ny tenin’ny Tompo Iaveh! Izao no lazain’ny Tompo Iaveh: Noho ianao nanakora hoe: «Hia! Hia!» ny amin’ny fitoerako masina satria efa voavetaveta, sy ny amin’ny tanin’i Israely, satria efa voarava, sy ny amin’ny taranak’i Jodà, satria lasan-ko babo izy ireo;

4 noho izany dia indro hatolotro hozakain’ny zanaky ny Atsinananakosa ianao; ka hanorina ny tobiny eo aminao izy ireo, sy hiorim-ponenana ao aminao; izy no hihinana ny voankazonao, sy hisotro ny ronononao.

5 Ary i Rabatahataoko tany fihinanan-drameva; ary ny tanin’ny taranak’i Amôna ho valan’ondry, dia ho fantatrareo fa Iaveh Aho.

6 Fa izao no lazain’ny Tompo Iaveh: Noho ianao niteha-tanana sy ningadon-tongotra, ary nifaly tao am-ponao tamin’ny fanesoanao rehetra, ny amin’ny momba ny tanin’i Israely;

7 noho izany dia indro Aho haninji-tanana aminao: hanolotra anao ho babon’ny firenena, hamongotra anao, eo amin’ny vahoaka, hanesotra anao tsy ho isan’ny tany; handringana anao Aho, ka ho fantatrao fa Iaveh Aho.

Mamely an’i Moaba

8 Izao no lazain’ny Tompo Iaveh: Noho i Moaba sy i Seira manao hoe: «Indro ny taranak’i Jodà fa sahala amin’izao firenena rehetra izao ihany.»

9 noho izany dia indro hotatahako ny lanivoan’i Moaba, hatrany amin’ny tanàna, hatrany amin’ny tanànany, hatrany amin’ny faritry ny taniny, tabihan’ny tany, i Betjesimôta, i Beelmeôna, i Kariataìna.

10 Hotatahako hidiran’ny zanaky ny Atsinanana izy, toraky ny tanin’ny taranak’i Amôma, hatolotro hozakainy izy, mba tsy ho tsaroana intsony eny amin’ny firenena ny taranak’i Amôna.

11 Hanao fitsarana any amin’i Moaba Aho, ka ho fantany fa Iaveh Aho.

Mamely an’i Edôma

12 Izao no lazain’ny Tompo Iaveh: Noho i Edôma namaly an-kalozana ny taranak’i Jodà, ka nanao heloka makadiry tamin’ny namaliany azy ireo;

13 noho izany dia izao no lazain’ny Tompo Iaveh: Haninji-tanana amin’i Edôma Aho; ka haringako ny olona sy ny biby eo aminy; hataoko zary efitra, hatrany Temàna izy; ary ho lavon-tsabatra hatrany Dedana.

14 Ny hanaovako famalianaan’i Edôma, dia ny tanan’i Israely, vahoakako; hasiany araka ny hatezerako amam-pahavinirako i Edôma, ka ho fantany ny famaliako, – teny marin’ny Tompo Iaveh. –

Mamely an’i Tira

15 Izao no lazain’ny Tompo Iaveh: Noho ny Filistinina nanampatra ny famaliana, sady namaly an-kalozana, tamin’ny fanesoana ao am-po, mba handringana izao rehetra izao noho ny fankahalany tsy misy farany,

16 noho izany dia izao no lazain’ny Tompo Iaveh: Indro Aho haninji-tanana amin’ny Filistinina, handringana ny Kretoà, ary handrava izay sisa monina eny amoron-dranomasina.

17 Hanao famaliana lehibe azy ireo Aho, hanasazy azy amin-katezerana mafy, ka ho fantany fa Iaveh Aho, rehefa mampihatra aminy ny famaliako Aho.

Categories
Ezekiela

Ezekiela 26

Fitomaniana ny faharavan’i Tira

1 Tamin’ny taona faha-11, andro voalohan’ny volana, tonga tamiko ny tenin’i Iaveh nanao hoe:

2 Ry zanak’olona,

noho ny nitenenan’i Tira momba an’i Jerosalema

nataony hoe: «Hia! Hia!

vaky ilay vavahadin’ny firenena!

atỳ amiko indray no todihin’ny olona;

ka izaho ho feno; izy kosa efa zary efitra!»

3 noho izany, dia izao no lazain’ny Tompo Iaveh:

Indro, hiaviako ianao, ry Tira!

Hampiakatra firenena maro hamely anao Aho,

toy ny fampisondrotry ny ranomasina ny onjany.

4 Horavan’ireo ny mandan’i Tira,

sady harodany ny tilikambony;

haìliko lavitra azy no vovo-taniny;

ary hataoko toy ny vatolampy mangadihady izy;

5 dia ho fitoerana hanahazana harato,

ao afovoan’ny ranomasina izy,

fa efa niteny Aho – teny marin’ny Tompo Iaveh; –

ka ho babon’ny firenena izy.

6 Ny zanany vavyeny an-tanety

hovonoina amin’ny sabatra,

ka ho fantatra fa Iaveh Aho.

7 Fa izao lazain’ny Tompo Iaveh:

Indro, hoentiko avy any avaratra hamely an’i Tira,

i Nabokodonozora mpanjakan’i Babilôna,

mpanjakan’ny mpanjaka,

mitondra soavaly aman-kalesy, mitaingin-tsoavaly,

omba-miaramila betsaka sy vahoaka maro.

8 Hovonoiny amin’ny sabatra ny zanakao vavy eny an-tanety,

hanorina manda hamelezana anao izy,

hanandratra tovon-tany hamelezana anao,

handahatra ny sokatra ampinga hanoherany anao.

9 Hanitsy ny fikapoky ny lohondry vy ho ao amin’ny mandanao,

ary handrava ny tilikambonao amin’ny faraingony.

10 Tsy erany ny habetsahan’ny soavaliny

ka ho tototry ny vovo-taniny ianao;

ary ho azon’ny firodorodon’ny mpitaingin-tsoavaly,

sy ny kodiarana aman-kalesy,

dia hihozongozona ny mandanao,

rehefa miditra amin’ny vavahadinao izy,

toy ny fiditry ny olona amin’ny tanàna voabanga.

11 Ny lalam-benao rehetra,

hohitsakitsahin’ny kitron-tsoavaliny;

ny olonao, hovonoiny amin’ny sabatra,

ary ny andrinao mafy, hazerany amin’ny tany.

12 Ny harenao, halainy; ny entam-barotrao, hobaboiny;

ny mandanao, harodany; ny lapa soanao, hazerany;

ary hariany eny amin’ny rano

ny vato aman-kazonao mbamin’ny vovokao.

13 Hataoko mitsahatra ny feon-kiranao,

ary tsy ho re intsony ny feon-dokanganao.

14 Hataoko vatolampy mangadihady ianao;

dia ho fitoerana fanahazana harato;

tsy haorina intsony ianao;

fa Izaho Iaveh, efa niteny,

– teny marin’ny Tompo Iaveh. –

15 Izao no lazain’ny Tompo Iaveh amin’i Tira:

Ny fikotrokotroky ny fianjeranao,

rehefa hidridridridry ny maratra eo aminao,

rehefa handripaka, ny vonoana eo afovoanao,

moa va tsy hihorohoroan’ny nosy izany?

16 Hidina hiala amin’ny seza fiandrianany

ireo andrian’ny ranomasinarehetra;

hanesotra ny lambany,

hanala ny fitafiany misy amborodao;

hitafy fangorohoroana,

hitombina amin’ny tany,

hangovitra isan-tapak’andro,

ary ho talanjona noho ny aminao.

17 Hanao hira falahelovana anao izy,

ka hanao aminao hoe:

Endrey izao faharavanao izao,

ianao ilay nitsangana avy amin’ny ranomasina,

tanàna malaza, nahery teo amin’ny ranomasina,

ianao mbamin’ny mponina teo aminao,

nefa izy ireo izay nampahatahotra mafy teo iny

ny mponina rehetra ao amin’ny ranomasina.

18 Kanjo, ankehitriny, hangovitra ny nosy,

amin’ny andro hianjeranao,

ary ny nosy eo amin’ny ranomasina,

dia ho raiki-tahotra amin’ny iafaranao.

19 Fa izao no lazain’ny Tompo Iaveh:

Raha avy izay hanaovako anao ho tanàna haolo,

toy ireo tanàna tsy misy mponina;

rehefa hampiakarako ho eo amboninao ny rano lalina,

ka hanaforan’ny ranobe anao,

20 dia hampidiniko hiaraka amin’ireo nivarina any an-davaka, ianao,

ho any amin’ireo vahoaka fahagola;

ka hamponeniko any ambanin’ny tany,

any amin’ny fanginginana mandrakizay,

miaraka amin’ireo nivarina any an-davaka,

mba tsy honenana intsony ianao;

ary hanisy ravaka amin’ny tanin’ny velona Aho.

21 Hataoko zavatra mahatsiravina ianao;

ary tsy hisy intsony ianao;

hotadiavin’ny olona ianao, nefa tsy ho hitany intsony;

– teny marin’ny Tompo Iaveh. –

Categories
Ezekiela

Ezekiela 27

Fitomaniana ny faharavan’i Tira

1 Tonga tamiko ny tenin’i Iaveh nanao hoe:

2 Manaova hira fitomaniana an’i Tira ianao, ry zanak’olona,

3 ka lazao amin’i Tira hoe: Ianao ry ilay mitoetra eo amin’ny vava-ranomasina, izay nifankahazo varotra amin’ny firenena, any amin’ny nosy maro, izao no lazain’ny Tompo Iaveh:

Tiraô, ianao nanao hoe: Baondy tsy resy aho amin’ny hatsaran-tarehy;

4 ny fanjakanao eo amin’ny ranomasina;

izay nandrafitra anao, nanao anao ho tsara tarehy mahagaga.

5 Hazo sipresa avy any Sanirano nandrafetany

ny hazo fisaka rehetra aminao;

sedera nalaina tany Libàna,

no nataony salazana ho anao.

6 Oaka avy any Basàna

no nanaovany fivoy ho anao;

ny bànao nataony tamin’ny ivoara voapetaka amin’ny boisy,

avy amin’ny nosy Sitima.

7 Rongony fotsy madinika avy any Ejipta,

mbamin’ny amborodaony

no natao lain-tsambo ho anao,

sady natao faneva ho anao;

ny hiasinta sy ny lamba mena mangatrakatraka

avy any amin’ny nosy Elisà

no lamba temitra ho anao.

8 Ny mponina ao Sidonasy Arvada

no mpivoy ho anao,

ary ny olon-kendry izay eo aminao, ry Tira,

no mpanamory ho anao.

9 Ny tranainy avy any Gibliomasy ny olon-kendriny dia teo aminao, mpamboatra ny vakivaky aminao.

Tao aminao avokoa ny sambo aman-tsambo eny amin’ny ranomasina, hanakalo ny entam-barotrao.

10 Na Persa, na Lidianina, na Libianina, dia samy isan’ny miaramilanao. Ireny no lehilahy mpiadinao; nahantony teo aminao ny satroka fiarovana aman’ampinga, nampanetriketrika ny voninahitrao izy, mahamendrimendrika anao erỳ.

11 Ny terak’i Arvada sy ny miaramilanao dia teo ambonin’ny mandanao manodidina, ary lehilahy mahery no teo amin’ny tilikambonao; nahantony teo amin’ny mandanao manodidina ny ampingany, ka nahalavorary ny hatsaran-tarehinao.

12 I Tarsisanifampivarotra taminao, tamin’ny hareny isan-karazany: volafotsy, vy, fira-potsy amam-pira-mainty, izay nataony vidin’ny entanao.

13 I Javàna, i Tobala, Mosòka, nifampivarotra taminao, ain’olona sy fanaka varahina, no nanefany ny volanao aminy.

14 Ry zareo taranak’i Tôgôrmà, dia soavaly mpitarika kalesy, soavaly fitaingina, ary mole, no nandoavany ny vidin’ny entanao.

15 Ny terak’i Dedananifampivarotra taminao; ny varotra tamin’ireo nosy maro, teo am-pelatananao: ny naloany ho vidiny dia tandroka ivoara sy hazo mainty.

16 I Arama nifampivarotra taminao, ny amin’ny habetsahan’ny vokatrao; vatosoa, jaky, amborodao, rongony madinika, voahangy sy robisy no nanefany ny volanao aminy.

17 I Jodà sy ny tanin’i Israely nifampivarotra taminao, ny amin’ny varin’i Minîta, ny zava-manitra, ny tantely, ny diloilo, ny ditin-kazo manitra.

18 I Damasa nifampivarotra taminao, ny amin’ny habetsahan’ny vokatrao, sy ny habetsahan’ny fanananao, izay notakalozany ny divain’i Helbôna sy ny volon’sondrin’i Tsakara.

19 I Vedàna sy i Javàna any Ozaly, dia vy voatefy no nividianany ny entam-barotrao; kasy sy veromanitra no nanefany ny volanao aminy.

20 I Dedana nifampivarotra taminao ny amin’ny lamban-tsoavaly fanao hitaingenan-tsoavaly.

21 I Arabia sy ny andriana rehetra tany Sedara nifampivarotra taminao; ondry sy ondralahy aman’osilahy no nifampivarotany taminao.

22 Ny mpandranto avy any Sabà sy Reemà nifampivarotra taminao; izao zava-manitra tsara indrindra rehetra izao sy izao vatosoa isan-karazany rehetra izao mbamin’ny volamena koa no nandoavany ny vidin’ny entanao.

23 I Haràna, i Senesy i Edena, ny mpandranto avy any Sabà, i Asora sy i Kelmàda nifampivarotra taminao:

24 zavatra fanao ravaka no nataon’ireo varotra taminao; kapaoty jaky, volomparasy, lamba misy amborodao volamena, vata fitoeram-pitafiana, tady mirandrana sady mafy, hazo fisaka sedera fandefasanao entana.

25 Ny sambon’i Tarsisa no niara-nandeha maro, nitatitra ny entanao.

Tonga mpanefoefo sy be voninahitra ianao;

teo amin’ny ranomasina.

26 Kanjo teo amin’ny rano be,

izay nitondran’ireo mampiasa fivoy anao

no namakian’ny rivotra avy atsinanana, anao,

tao afovoan’ny ranomasina.

27 Ny harenao, ny varotrao, ny entanao,

ny mpiantsambonao amam-panamory eo aminao,

ny mpamboatra sambo sy ny mpanelanelam-barotrao,

ny lehilahy mpiady rehetra

izay eo aminao, mbamin’ny vahoaka zavon-tany

izay eo afovoanao,

dia ho latsaka ao anatin’ny ranomasina

amin’ny andro hianjeranao.

28 Amin’ny fidradradradran’ny mpitondra sambonao

ny morontsiraka hihorohoro.

29 Hidina hiala amin’ny sambony avokoa

izay rehetra mampandeha fivoy,

ny tantsambo sy ny mpitari-dalan-tsambo rehetra amin’ny ranomasina,

ka hijanona eny an-tanety.

30 Hanandra-peo noho ny manjò anao

sy handefa fidradradradràna mampalahelo;

hanosim-bovoka ny lohany,

ary hihosinkosina amin’ny lavenona.

31 Noho ny aminao izy ireo hibory loha,

hitafy lasàka,

ary amin’ny alahelon’ny fanahiny dia handrotsa-dranomaso ny amin’ny momba anao,

dia ranomaso mangidy.

32 Ao anatin’ny alahelony izy ireo, hanao hira falahelovana anao,

ka hitomany anao hanao hoe:

Iza moa no tahaka an’i Tira,

tahaka an’ilay tonga mangina, ao afovoan’ny ranomasina?

33 Fony nivoaka avy amin’ny ranomasina ny entanao,

nahavoky firenena maro ianao;

amin’ny habetsahan’ny harenao amam-barotrao,

nampanan-karena ny mpanjakan’ny tany ianao.

34 Ankehitriny kosa rehefa ravan’ny ranomasina ianao,

sady nazera any amin’ny fara fanambanin’ny riaka,

ny entanao mbamin’ny vahoaka rehetra tao aminao,

niara-drendrika taminao koa.

35 Ny mponina rehetra amin’ny nosy,

talanjona noho ny aminao;

ny mpanjakany raiki-tahotra;

ny tarehiny niova endrika.

36 Ny mpandranto avy amin’ny firenen-kafa

misitrîsitra aminao.

Zary zava-mahatsiravina ianao;

ka tsy misy intsony ianao mandrakizay!

Categories
Ezekiela

Ezekiela 28

Teny mamely ny mpanjakan’i Tira

1 Tonga tamiko ny tenin’i Iaveh nanao hoe:

2 Ry zanak’olona, lazao ny mpanjakan’i Tira hoe: Izao no lazain’ny Tompo Iaveh:

Noho ny fonao nanandra-tena,

sady ianao nanao hoe: Andriamanitra aho,

no ipetrahako eo anivon’ny ranomasina,

seza fiandrianan’Andriamanitra;

nefa olombelona ihany ianao, fa tsy Andriamanitra tsy akory,

na dia ataonao ho toy ny fon’Andriamanitra aza ny fonao!

3 – Indro ianao fa hendry noho i Daniela,

tsy misy zava-takona miafina aminao;

4 tamin’ny fahendrenao amam-pahalalanao,

nahazo harena ho anao ianao;

ka nahangona volamena sy volafotsy miavosa,

ho ao amin’ny rakitrao;

5 tamin’ny halehiben’ny fahendrenao, tamin’ny varotrao,

hampitombo ny harenao,

ka dia nanandra-tena ny fonao azon’ny harenao. –

6 Noho izany, izao no lazain’ny Tompo Iaveh:

Satria nanao ny fonao

ho toy ny fon’Andriamanitra ianao;

7 noho izany dia indro, hitondra firenen-kafa hamely anao Aho,

dia firenena masiaka indrindra amin’ny firenena;

hotsoahiny ny sabany, hamelezana ny filohan’asan’ny fahendrenao,

ary hohamavoiny ny famirapiratanao.

8 Havarina any an-davaka ianao,

ka ho faty amin’ny fahafatesan’izay voavono

ao anatin’ny ranomasina.

9 Ianao va mbola hilaza hoe: «Andriamanitra aho,»

eo anatrehan’ny mpamono anao;

nefa olombelona ihany ianao,

fa tsy Andriamanitra tsinona,

eo an-tanan’izay mamono anao?

10 Toy ny fahafatin’ny tsy voafora no hahafaty anao,

amin’ny tanan’ny hafa firenena;

fa Izaho niteny, – teny marin’ny Tompo Iaveh. –

Ny nianjeran’ny mpanjakan’i Tira

11 Tonga tamiko ny tenin’i Iaveh nanao hoe: Ry zanak’olona, manaova falahelovana ny mpanjakan’i Tira;

12 ka lazao aminy hoe:

Izao no lazain’ny Tompo Iaveh:

Ianao no tampon-dohan’nyfahalavorariana,

feno fahendrena, tapitra ohatra amin’ny hatsaran-tarehy,

13 tany Edena, sahan’Andriamanitra, ianao,

rakotry ny vatosoa:

dia sardoana, tôpazy, diamondra, krisôlita, ôniksa, jaspa,

safira, eskarbokla, emeraoda, ary volamena

nanana amponga tapaka aman-tsodina ho fanompoana anao

efa voaomana tamin’ny andro nahariana anao.

14 Ianao no Kerobima voahosotra hiaro,

napetrako tao amin’ny tendrombohitra masin’Andriamanitra;

tao ianao nandeha teo afovoan’ny vato mirehitra.

15 Lavorary ianao tamin’ny lalanao

hatramin’ny andro nahariana anao

ka hatramin’ny nisian-keloka teo aminao.

16 Tamin’ny fampitomboana ny varotrao,

dia tonga feno fanaovana an-keriny ao anatinao;

nanota ianao ka nariako

hiala teo amin’ny tendrombohitr’Andriamanitra,

ary nataoko levona ianao, ry Kerobima mpiaro,

teo afovoan’ny vato mirehitra.

17 Nanandra-tena noho ny hatsaran-tarehinao ny fonao;

nosimbanao ny fahendrenao azon’ny famirapiratanao,

ka nazerako amin’ny tany ianao,

sady natolotro ho fizahan’ny mpanjaka.

18 Noho ny fitomboan’ny helokao,

tamin’ny tsy fahamarinan’ny varotrao,

dia novetavetainao ny fitoeranao masina,

ka namoaka afo teo afovoanao Aho,

ka izy no nandevona anao;

dia nampanjarîko lavenona eny ambonin’ny tany ianao,

eo imason’izay rehetra nahita anao.

19 Izay rehetra nahalala anao, teo amin’ny firenena,

gaga foana noho ny aminao;

zary zava-mahatsiravina ianao;

ka tsy misy intsony ianao mandrakizay!

Teny mamely an’i Sidona

20 Tonga tamiko ny tenin’i Iaveh nanao hoe:

21 Ry zanak’olona, atodiho mankany Sidona ny tavanao, ka maminania ny aminy,

22 ataovy hoe:

Izao no lazain’ny Tompo Iaveh:

Indro ho avy aminao Aho, ry Sidona;

hanome voninahitra ny Tenako eo aminao Aho.

Ho fantatry ny olona, fa Iaveh Aho,

rehefa manatanteraka fitsarana momba azy Aho,

sy manamasina ny Tenako eo aminy.

23 Hahatonga pesta hamely azy Aho;

ary hisy ra eny an-dalambeny;

hiampatrampatra eo aminy ireo voavono,

matin’ny sabatra izay hamely azy hatraiza hatraiza.

Dia ho fantatry ny olona fa Iaveh Aho.

Afaka amin’ny hafa firenena i Israely

24 Amin’izay tsy hisy intsony, ho an’ny taranak’i Israely,

izay tsilo mandoza, na roy mampangirifiry

eo amin’izay rehetra mifanila aminy

ka manao azy ho tsinontsinona;

dia ho fantatry ny olona fa Tompo Iaveh Aho.

25 Izao no lazain’ny Tompo Iaveh:

Rehefa manangona ny taranak’i Israely,

avy any amin’ny firenena nampielezako azy Aho,

dia hanamasina ny Tenako eo amin’izy ireo,

eo imason’ny firenena;

ka honina eo amin’ny taniny,

izay nomeko an’i Jakôba, mpanompoko, izy ireo.

26 Honina ao izy tsy amin’ahiahy;

hanorin-trano sy hamboly voaloboka,

honina ao tsy amin’ahiahy izy ireo,

rehefa vitako ny fitsarana

an’izay rehetra mpifanila aminy sy maneso azy.

Dia ho fantatry ny olona fa Iaveh Andriamanitr’izy ireo Aho.

Categories
Ezekiela

Ezekiela 29

Teny mamely an’i Ejipta

1 Tamin’ny taona faha-10, volana faha-10, andro faha-12n’ny volana, tonga tamiko ny tenin’i Iaveh nanao hoe:

2 Ry zanak’olona, atodiho mankany amin’i Faraôna mpanjakan’i Ejipta ny tavanao, ka maminania ny aminy sy ny amin’i Ejipta manontolo.

3 Mitenena ka ataovy hoe:

Izao no lazain’ny Tompo Iaveh:

Indro ho avy ao aminao Aho, ry Faraôna, mpanjakan’i Ejipta,

ianao ilay mamba makadiry,

mandry eo afovoan’ireo oninao, sy nanao hoe:

«Ahy ny oniko,

fa izaho no nanao azy ho an’ny tenako.»

4 Hanisy farango ny valanoranonao Aho,

hampiraikitra ny hazandranoao amin’ny oninao, amin’ny kiranao,

ary hampiakatra anao avy ao amin’ny oninao,

dia ianao mbamin’ny hazandranon’ny oninao

rehetra tafaraikitra amin’ny kiranao.

5 Hatsipiko any an’efitra ianao,

mbamin’ny hazandrano rehetra ao amin’ny oninao;

dia hiankarapoka eny an-tampon-tanety,

ary tsy hisy hanarina na hanangona,

fa efa nomeko hohanin’ny biby eny an-tsaha sy ny voromanidina.

6 Dia ho fantatry ny mponina rehetra any Ejipta fa Iaveh Aho:

– satria efa tehina volotara ho an’ny taranak’i Israely izy ireo.-

7 Raisiny amin’ny tanana ianao, dia tapaka,

sady mandrotidrotika ny sorony rehetra;

mitehina aminao indray izy, dia folaka ianao,

ataonao tafatehina amin’ny valahany avokoa.

8 Koa izao no lazain’ny Tompo Iaveh: Indro hahatonga sabatra hamely anao Aho, ary handringana ny olona sy ny biby eo aminao;

9 ka ho zary tany lao sy efitra ny tany Ejipta. Dia ho fantatry ny olona fa Iaveh Aho. Noho i Faraôna nanao hoe: «Ahy ny ony, ary izaho no nanao azy»,

10 noho izany dia indro Aho ho avy ao aminao sy ny oninao; ka ataoko zary zavatra rava sady foana no nidiran-doza ny tany Ejipta, hatrany Migdôlaka hatrany Siena, ary hatrany amin’ny sisin’ny tanin’i Etiôpia.

11 Tsy hodiavin-tongotr’olona intsony eo; ary ny tongo-biby tsy handia azy, ary tsy hisy mponina eo, mandritra ny efapolo taona.

12 I Ejipta, hataoko tany foana eo amin’ny tany lao rehetra; ary ny tanànany, eo afovoan’ny tanàna rava, dia ho tany lao foana mandritra ny efapolo taona; haeliko any amin’ny firenena ny Ejiptianina, ary hahahako any amin’ny tany samihafa izy.

13 Fa izao no lazain’ny Tompo Iaveh: Rehefa tapitra ny efapolo taona, hangoniko ny Ejiptianina avy any amin’ny firenena nielezany,

14 haveriko indray ireo voababo avy any Ejipta, ka hampodiko amin’ny tany Patrôsa, any amin’ny tany niaviany, ary ao izy dia ho fanjakana ambanimbany.

15 Ho fanjakana ambany i Ejipta, raha samy fanjakana, ary tsy hisandratra ho ambonin’ny firenena, hohavitsiko ny isany, mba tsy hanapahany ny firenena.

16 Tsy ho fitokian’ny taranak’i Israely intsony izy; hampahatsiarovina azy ny heloka nataony, tamin’ny nitodihany nankany aminy; dia ho fantatry ny olona fa Tompo Iaveh Aho.

17 Tamin’ny taona faha-27, volana voalohany, andro voalohan’ny volana, dia tonga tamiko ny tenin’i Iaveh nanao hoe:

18 Ry zanak’olona, i Nabokodonozora, mpanjakan’i Babilôna, nampanao fanompoana mafy ny miaramilany, namely an’i Tira; tonga sola avokoa ny lohany, mangana avokoa ny sorony; nefa tsy nahazo karama kely akory tamin’i Tira, na ho an’ny tenany na ho an’ny miaramilany tamin’ny fanompoana nataony, namelezany azy.

19 Koa izao no lazain’ny Tompo Iaveh: Indro omeko an’i Nabokodonozorampanjakan’i Babilôna, ny tany Ejipta, ka halainy ny hareny ao; hobaboiny izay azo baboina ao; horobainy izay babo ao, ary hoentiny izay remby azo aminy, dia ho karama izany ho an’ny tafiny.

20 Ho valin’ny asa nataony namelezany an’i Tira, omeko azy ny tany Ejipta; satria niasa ho Ahy izy ireo – teny marin’ny Tompo Iaveh. –

21 Amin’izany andro izany, hampaniriako tandrokany taranak’i Israely, ary hampiloa-bava anao Aho eo amin’izy ireo; ka ho fantany fa Iaveh Aho.

Categories
Ezekiela

Ezekiela 30

Ny andron’i Iaveh amelezany an’i Ejipta

1 Tonga tamiko ny tenin’i Iaveh nanao hoe:

2 Ry zanak’olona, maminania ka ataovy hoe: Izao no lazain’ny Tompo Iaveh: Midradradradrà ianareo! Endrey! izao andro izao!

3 Fa efa antomotra ny andro; antomotra ny andro ho an’i Iaveh! Andron-drahona! Io no fotoan’ny firenena!

4 Hisy sabatra ho tonga hamely an’i Ejipta; ary hisy fitebitebena mafy any Etiôpia, rehefa hiampatrampatra any Ejipta ny maratra ho faty, rehefa halaina ny hareny, sy horavana ny fanorenany.

5 Ny Etiôpianina, ny Libianina, ny Lidianina, ny hafa firenena isan-karazany, i Koba, sy ny zanaky ny tany vita fanekena, ho lavon-tsabatra miaraka aminy koa.

6 Izao no lazain’i Iaveh: Ho lavo ry zareo niankinan’i Ejipta, ary haetry ny fiavonavonan’ny heriny: Hatrany Migdôla ka hatrany Siena, dia ho lavon-tsabatra ny olona, – teny marin’ny Tompo Iaveh. –

7 Ho lao eo amin’ny tany lao izy; ary ho rava eo amin’ny tanàna rava ny tanànany.

8 Dia ho fantatry ny olona fa Iaveh Aho, raha avy izay handoroako an’i Ejipta sy hahatorotoro an’izay rehetra manampy azy.

9 Amin’izany andro izany, hisy iraka avy amin’ny Anarako handeha an-dakana hampitebiteby an’i Etiôpia izay mitoetra tsy amin’ahiahy, ka hisy fanahiana lehibe any aminy, toy ny tamin’ny andron’i Ejipta, fa indro tonga izy io.

10 Izao no lazain’ny Tompo Iaveh: Hampitsahatra ny tabataba ben’i Ejipta Aho, amin’ny tanan’i Nabokodonozora, mpanjakan’i Babilôna.

11 Izy mbamin’ny vahoakany miaraka aminy, firenena masiaka noho ny hafa rehetra, no hoenti-mandrava an’i Ejipta; hanatsoaka sabatra hamelezana an’i Ejipta izy, ka hameno faty ny tany.

12 Ny ony hovako ho tany maina; ny tany hatolotro eo an-tanan’ny olona masiaka; ary ny tany mbamin’izay rehetra ao aminy, horavako, amin’ny tanan’ny hafa firenena. Izaho Iaveh no niteny.

13 Izao no lazain’ny Tompo Iaveh: Hofoanako ny sampim-betaveta, holevoniko ny andriamanitra tsy izy ao Nôfa, tsy hisy mpanapaka intsony, avy amin’ny tany Ejipta, ary hanidinako tahotra ny tany Ejipta.

14 I Patrôsa horavako; i Tsôana hodorako; i Nô, hanatanterahako fitsarana;

15 hampidina ny hatezerako amin’i Sina, trano mimandan’i Ejipta; ary hofongorako ny vahoaka be any Nô.

16 I Ejipta hodorako; i Sina, hiolanolana mijaly; i Nô halana an-keriny; ary i Nôfa, hanihim-pahavalo antoandrobe.

17 Ny zatovon’i Avena sy i Bobasta, ho lavon-tsabatra; ary ny tenan’izy ireo ho lasan-ko babo.

18 Ao Tafnesa ho maizina ny andro, raha avy izay hanapahako ao ny jiogan’i Ejipta, sy hitsaharan’ny fiavonavonan’ny heriny; ho voasaron-drahona izy, ary ho lasan-ko babo ny zanany vavy.

19 Hanao fitsarana an’i Ejipta Aho, ka ho fantatry ny olona fa Iaveh Aho.

20 Tamin’ny taona faha-11, volana voalohany, andro fahafiton’ny volana, tonga tamiko ny tenin’i Iaveh nanao hoe:

21 Ry zanak’olona, ny sandrin’i Faraôna mpanjakan’i Ejipta,

dia notapahiko, ka indro tsy notsaboina,

tsy nasiam-panafody na nopetahana bandy,

hitsaboana azy mba hahatanjaka azy, hahatan-tsabatra.

22 Ka izao no lazain’ny Tompo Iaveh:

Indro Aho ho avy, amin’ny Faraôna mpanjakan’i Ejipta;

hotapahiko ny sandriny roa,

na ny mbola matanjaka na ilay efa tapaka,

ary hataoko latsaka ny sabatra eny an-tanany.

23 Haeliko any amin’ny firenena ny Ejiptianina,

ary hahahako any amin’ny tany.

24 Fa ny sandrin’ny mpanjakan’i Babilôna, hohatanjahiko,

ary ny sabatro, hataoko eo an-tanany;

hotapahiko kosa ny sandrin’i Faraôna

ka hitoloko eo anoloany izy, toy ny fitolokon’ny maratra ho faty.

25 Ny sandrin’ny mpanjakan’i Babilôna, hohatanjahiko;

ny sandrin’i Faraôna kosa hianjera;

ary ho fantatry ny olona fa Iaveh Aho,

rehefa ataoko eo an-tanan’ny mpanjakan’i Babilôna ny sabatro;

ka hoentiny mamely ny tany Ejipta.

26 Haeliko any amin’ny firenena ny Ejiptianina,

ary hahahako any amin’ny tany izy;

dia ho fantatry ny olona fa Iaveh Aho.

Categories
Ezekiela

Ezekiela 31

Ilay sedera

1 Tamin’ny taona faha-11, volana fahatelo, andro voalohan’ny volana, tonga tamiko ny tenin’i Iaveh nanao hoe:

2 Ry zanak’olona, lazao amin’i Faraôna mpanjakan’i Ejipta sy amin’ny vahoakany maro hoe:

Tahaka an’iza moa ianao, amin’ny fahalehibeazanao?

3 Indro fa i Asora dia hazo sedera any Libàna,

tsara rantsana, be alokaloka, avo vatana,

ary mitehika amin’ny rahona ny tendrony.

4 Ny rano be nampitombo azy,

ny rano lalina, nahalehibe azy,

tamin’ny nampandehanany ny oniny,

tamin’ny manodidina ny fitoerana nambolena azy,

sy tamin’ny nandefasany ny sakeli-dranony,

ho ao amin’ny hazo rehetra any an-tsaha.

5 Noho izany ny vatany nijoroaka,

lasa avo noho ny hazo rehetra any an-tsaha;

ny sampany nihalehibe;

ny rantsany, nihalava,

noho ny habetsahan’ny rano, tamin’ny fotoana nitomboany.

6 Ny voromanidina rehetra, nanao akany teo amin’ny sampany;

ny biby rehetra any an-tsaha, niteraka teo ambanin’ny rantsany;

ny firenena maro no nipetraka teo ambany alokalony.

7 Nahatsara tarehy azy ny fahalehibeazany,

sy ny halavan’ny sampany,

fa latsaka lalina tao amin’ny rano betsaka

ny fakany.

8 Ny sedera ao amin’ny sahan’Andriamanitra,

tsy nahamatroka azy;

ny sipresa, tsy nahatoraka ny sampany;

ary ny platàna tsy tahaka ny rantsany;

ary ny hazo tao amin’ny sahan’Andriamanitra,

tsy nisy tsara tarehy toa azy.

9 Nataoko tsara tarehy izy amin’ny hamaroan’ny rantsany,

ka hialona azy avokoa ny hazo rehetra ao Edena,

dia izay rehetra ao amin’ny sahan’Andriamanitra.

10 Koa izao no lazain’ny Tompo Iaveh: satria izy nisandratra ho avo, sy nanandratra ny tendrony hatrany amin’ny rahona, ary niavonavona noho ny fisandratany ny fony,

11 dia natolotro izy ho eo an-tanan’ny andriamanitry ny firenena hataony amin’izay sitrapony; noroahiko izy, noho ny haratsiany.

12 Notapahin’ny hafa firenena – firenena masiaka indrindra amin’ny firenena, – navelany teo izy; teny an-tendrombohitra aman-dohasaha rehetra teny no niampatramparan’ny sampany; ny rantsany tapaka nitsingidina teny amin’ny mason-driaka rehetra amin’ny tany; nihataka niala tamin’ny alokalony ny firenen’ny tany rehetra, ka dia nandao azy avokoa.

13 Ny tapatapany ahatongavan’ny voromanidina rehetra hipetraka, ary ny rantsany itsofohan’ny biby rehetra any an-tsaha:

14 mba tsy hisy hazo voavoly amin’ny rano, hisondrotra ho avo, sy hanandratra ny tendrony hatrany amin’ny rahona, ary mba tsy hisy amin’izay mifo-drano, hatoky tena noho ny fiavonavonany; fa izy rehetra, samy voatendry ho faty, ho any ambanin’ny tany, hiharo amin’ny zanak’olombelona, dia amin’izay midina any an-davaka.

15 Izao no lazain’ny Tompo Iaveh: Tamin’ny andro nidinany ho any amin’ny Seoly, nampanao fisaonana Aho; ny rano lalina nosaronako, noho ny aminy; ny ony mandeha najanoko; ny rano be, niato; i Libàna nampanjomboniko, noho ny aminy; ary ny hazo any an-tsaha, nilofika avokoa noho ny aminy.

16 Nataoko nihorohoro ny firenena, tamin’ny fiezinezin’ny fianjerany, tamin’ny namarinako azy ho any amin’ny Seoly, miaraka amin’ireo midina any an-davaka. Nianina tany ambanin’ny tany ny hazon’i Edena rehetra, ny tsara tarehy sy kanto indrindra tany Libàna, dia izay rehetra bobo-drano.

17 Niara-nidina taminy koa ireo, ho any amin’ny Seoly, nankany amin’ireo matin’ny sabatra, izay sandriny, sy nipetraka teo amin’ny alokalony, teo afovoan’ny firenena.

18 Koa iza no itovizanao voninahitra amam-pahalehibeazana, ireo hazon’i Edena? Havarina ianao miaraka amin’ny hazon’i Edena any ambanin’ny tany; hamparina eo amin’ireo tsy voafora, miaraka amin’ireo voatrobaky ny sabatra. Izany no hanjò an’i Faraôna, mbamin’ny vahoakany maro, – teny marin’ny Tompo Iaveh.-

Categories
Ezekiela

Ezekiela 32

Ny mamba

1 Tamin’ny taona faha-12, volana faha-12, tamin’ny andro voalohan’ny volana, tonga tamiko ny tenin’i Iaveh, nanao hoe:

2 Ry zanak’olona, manaova hira fitomaniana an’i Faraôna, mpanjanak’i Ejipta, ka lazao aminy hoe:

Ry lion’ny firenena ô, levona ianao!

Tahaka ny mamba teo anatin’ny ranomasina ianao,

niezaka tany amin’ny oninao ianao,

ary nanakobana ny ranony tamin’ny tongotrao,

ary nandoto ny lakan-dranony.

3 Ka izao no lazain’ny Tompo Iaveh:

Hamelatra ny fandriko hamely anao Aho;

ka fitambaran’ny firenena maro no hoentiko manao izany,

ka hotarihiny hivoaka, amin’ny haratoko ianao,

4 dia havelako eo amin’ny tany ianao,

hatsipiko eny an-tampon-tanety ianao,

ka ny voromanidina rehetra hoentiko hipetraka aminao;

ary ny biby amin’ny tany rehetra, hataoko voky amin’ny tenanao.

5 Hataoko eny an-tendrombohitra ny nofonao,

ary hofenoiko ny tapatapakao sisa ny lohasaha.

6 Hotondrahako ny ranao mandriaka ny tany,

hatramin’ny tendrombohitra,

ary ho feno anao ny mason-driaka.

7 Amin’ny hamonoako anao, hotakonako ny lanitra,

ary hohamaiziniko ny kintana,

ny masoandro hosaronako rahona;

ny volana, tsy handefa intsony ny fahazavany.

8 Hotafiako fisaonana noho ny aminao

ny kintana mamirapiratra rehetra eny an-danitra;

ary ny taninao hosaronako haizim-be

– teny marin’ny Tompo Iaveh.-

9 Hataoko mitebiteby ny fon’ny firenena maro, rehefa ampandrenesiko ny faharavanao ireo firenena, any amin’ny tany tsy fantatrao.

10 Hataoko talanjona noho ny aminao ny firenena maro; hihena velona, noho ny aminao, ny mpanjakany, rehefa ampandihiziko eo imasony ny sabatro; ary hanjònitra lava izao izy amin’ny andro haharavanao, samy manahy ny ainy avy.

11 Fa izao no lazain’ny Tompo Iaveh: Ny sabatry ny mpanjakan’i Babilôna, ho tonga aminao!

12 Ny ankabeazam-bahoaka, hataoko lavo, amin’ny sabatry ny mahery, izay masiaka eo amin’ny firenena rehetra; haongany ny reharehan’i Ejipta, ary ny vahoaka rehetra ao aminy ho voafongotra.

13 Tsy hasiako miangana ny biby fiompiny rehetra, eny amoron’ny rano betsaka; tsy hokobanin-tongotr’olona intsony ireny na hokobanin-kitrom-biby intsony.

14 Amin’izany ny ranony hampandriako, ary ny oniny hampandehaniko hoatra ny diloilo; – teny marin’ny Tompo Iaveh.-

15 Rehefa avy izay hampanjariako ho tany lao ny tany Ejipta, sy izay hahafoana ny tany amin’ny zavatra ao aminy, ary hamelezako ny mponina rehetra ao aminy, dia ho fantatr’izy ireo fa Iaveh Aho.

16 Izany no hira fitomaniana, ka hotononin’ny olona io, hotononin’ny zanaka vavin’ny firenena; hotononiny momba an’i Ejipta sy ny vahoakany be rehetra; – teny marin’ny Tompo Iaveh. –

Fivarinan’i Faraôna any amin’ny Seoly

17 Tamin’ny taona faha-12, andro faha-15n’ny volana, tonga tamiko ny tenin’i Iaveh, nanao hoe:

18 Ry zanak’olona, midridridridria momba ny vahoaka ben’i Ejipta; ampidino izy, mbamin’ny zanaka vavin’ireo firenena malaza, ho any ambanin’ny tany, miaraka amin’izay midina any an-davaka.

19 «Iza no nihoaranao hatsaran-tarehy?… Midìna, ka miampara ao akaikin’ireo tsy voafora!»

20 Hiampatrampatra eo afovoan’ny voatrobaky ny sabatra izy ireo! Efa voatolotra ny sabatra; tariho i Ejipta, mbamin’ny vahoakany maro be rehetra.

21 Hiteny aminy ny mahery indrindra amin’ireo lehilahy mahery fo, mbamin’ny mpanampy azy ao afovoan’ny Seoly, hanao hoe: «Tafidina sy miampatra, ireo tsy voafora voatrobaky ny sabatra!»

22 Ao i Asora, mbamin’ny vahoakany rehetra; manodidina azy ny fasany; voatrobaka avokoa, lavon’ny sabatra avokoa izy.

23 Natao any am-paravody lavaka, ny fasan’izy ireo: voalahatra manodidina ny fasany ny vahoakany; voatrobaka avokoa, lavon’ny sabatra avokoa izy ireo, izay naharaiki-tahotra teny amin’ny tanin’ny velona.

24 Ao ry i Elama, mbamin’ny vahoakany rehetra alinalina manodidina ny fasany; voatrobaka avokoa, lavon’ny sabatra avokoa; ireo tsy voafora nidina tany ambanin’ny tany, izay efa naharaiki-tahotra, teny amin’ny tanin’ny velona; nivesatra ny fahafaham-barakany izy ireo, miaraka amin’izay nidina any an-davaka.

25 Teo amin’ireo voatrobaka no anamboarana fandriana ho azy mbamin’ny vahoakany rehetra alinalina; manodidina azy ny fasany; samy tsy voafora avokoa, samy voatrobaky ny sabatra avokoa izy ireo, fa niely ny fahatahorana azy teny amin’ny tanin’ny velona, ary nitondra ny fahafaham-barakany izy, miaraka amin’izay midina any an-davaka; napetraka teo amin’ireo voavono izy.

26 Ao ry i Mosòka, i Tobala, mbamin’ny vahoakany rehetra alinalina, manodidina azy ny fasany; samy tsy voafora avokoa, samy lavon’ny sabatra avokoa izy, fa nampiely fahatahorana teny amin’ny tanin’ny velona.

27 Izy ireo tsy mba hiara-miampatra amin’ny mahery, izay lavo isan’ny tsy voafora, sy nidina any amin’ny Seoly nitondra ny fiadiany, sy nopetrahana ny sabany eo ambonin’ny lohany; fa eo ambonin’ny taolany ny helony, satria hampatahotra ny mahery izy, teny amin’ny tanin’ny velona.

28 Ianao koa ho torotoro, eo afovoan’ny tsy voafora; sy hiara-miampatra amin’izay voatrobaky ny sabatra.

29 Ao ry i Edôma, mbamin’ny mpanjakany sy ny mpanapaka rehetra teo aminy: izy ireo, na dia be aza ny heriny, dia natao teo amin’ny voatrobaky ny sabatra, miara-miampatra amin’ny tsy voafora koa izy, sy amin’izay nidina any an-davaka.

30 Ao ny andrian’ny Avaratra, dia izy rehetra mbamin’ny Sidonianina rehetra; niara-nidina tamin’ny voatrobaky izy ireo, na dia efa nampatahotra aza izy, na dia mahery fo aza, dia efa mangaihay! Miampatra ireo tsy voafora amin’izay voatrobaky ny sabatra, ary mitondra ny fahafaham-barakany miaraka amin’ny midina any an-davaka.

31 Hahita azy i Faraôna, ka hanonon-tena, ny amin’ny vahoakany maro be. Niara-boatrobaky ny sabatra, i Faraôna sy ny miaramilany rehetra, – teny marin’ny Tompo Iaveh!-

32 Fa efa nanely ny fahatahorana azy Aho teny amin’ny tanin’ny velona; ary indro izy miara-miampatra amin’ny tsy voafora, miaraka amin’izay voatrobaky ny sabatra, izy Faraôna sy ny vahoakany rehetra alinalina; – teny marin’ny Tompo Iaveh. –

Categories
Ezekiela

Ezekiela 33

Ny mpaminany: mpitily

1 Tonga tamiko ny tenin’i Iaveh, nanao hoe:

2 Ry zanak’olona, mitenena amin’ny zanaky ny firenena, ka lazao aminy hoe: Raha mandefa sabatra hamely ny tany anankiray Aho, ary ny mponina amin’izany tany izany kosa mandray ny anankiray amin’ireo mpitily,

3 ka mitsoka anjomara hanaitra ny vahoaka ralehilahy, nony mahita ny sabatra tamy hamely ny tany;

4 nefa ohatra ka misy tsy mety miraika akory, izay mandre ny feon’anjomara, ary tonga ny sabatra ka mahavoa azy tampoka, dia ho eo amin’ny lohany ihany ny rany;

5 nandre ny feon’anjomara izy, saingy tsy niraika, ka dia ho eo aminy ihany ny rany; fa raha miraika izy, dia hahavonjy ny ainy.

6 Raha ilay mpitily kosa no mahita ny sabatra tamy nefa tsy mitsoka ny anjomara, ka tsy voataitra ny vahoaka, koa tonga ny sabatra, sady mahavoa tampoka olona iray amin’izy ireo, dia ho faty eo amin’ny helony ihany, izany olona izany, nefa hadiniko amin’ilay mpitily ny tany.

7 Koa ianao, ry zanak’olona, no efa notendreko ho mpitily, ho an’ny taranak’i Israely, ary rehefa mandre teny aloaky ny vavako ianao dia hanaitra azy amin’ny Anarako.

8 Raha niteny aho nilaza tamin’ny ratsy fanahy hoe: «Ho faty marina ianao, ry ilay ratsy fanahy,» ka tsy miteny ianao, hananatra ny ratsy fanahy hiala amin’ny lalany, dia ho faty amin’ny helony ihany ilay io, noho izy ratsy fanahy, nefa hadiniko aminao ny rany.

9 Fa raha mananatra ny ratsy fanahy kosa ianao, hialany amin’ny lalany, fa izy no tsy mety miala amin’ny lalany, dia ho faty ao amin’ny helony, fa ianao kosa hahavonjy ny fanahinao.

Fibebahana sy fiharatsiana

10 Ary ianao, ry zanak’olona, mitenena amin’ny taranak’i Israely hoe: Indreto ianareo miteny manao hoe: «Ny hadisoanay amam-pahotanay, dia momba anay; ka mihalevona izahay noho izany, ka ahoana indray no hahavelona anay?»

11 Lazao aminy hoe: «Velona Aho, – teny marin’ny Tompo Iaveh: – tsy ny fahafatesan’ny ratsy fanahy no sitrako, fa ny hialan’ny ratsy fanahy amin’ny lalany, ka ho velona izy. Miverena! miverena! avy amin’ny lalan-dratsinareo! Fa nahoana no ho faty ianareo, ry taranak’i Israely?»

12 Ary ianao, ry zanak’olona, milazà amin’ny zanaky ny firenenao hoe: Ny fahamarinan’ny marina tsy hahavonjy azy amin’ny andron’ny fahadisoany; ary ny ratsy fanahy tsy ho lavo noho ny haratsiany, amin’ny andro hialany amin’ny haratsiany; toy ny tsy hahazoan’ny marina ho velona amin’ny fahamarinany, amin’ny andro anotany.

13 Na efa nilaza tamin’ny marina aza Aho, fa ho velona marina izy; raha sendra mitoky ny fahamarinany kosa izy, ka manao ny ratsy, dia tsy hotsarovana intsony ny asa marina rehetra nataony, fa ny ratsy nataony dia izany ihany no anton’ny fahafatesany.

14 Ary na dia efa nilaza tamin’ny ratsy fanahy aza Aho nanao hoe: «Ho faty marina ianao», raha miala amin’ny fahotany izy, ka manaraka ny rariny sy ny hitsiny,

15 fa mamerina ny natao antoka, mamerina izay nangalariny, manaraka ny lalàna mahavelona, ary tsy manao ratsy akory; dia ho velona marina tokoa izy, tsy ho faty!

16 Tsy hotsarovana intsony ny fahotany rehetra izay nataony; efa nanaraka ny hitsiny sy ny rariny izy, ka ho velona marina tokoa.

17 Ny zanaky ny firenenao, nanao hoe: «Tsy mahitsy ny lalan’i Iaveh.» Ny lalan’izy ireo anefa no tsy mahitsy.

18 Raha misy marina miala amin’ny fahamarinany ka manao ratsy, dia maty noho izany izy;

19 ary raha misy ratsy fanahy miala amin’ny haratsiany, ka manaraka ny hitsiny sy ny rariny, dia velona izy noho izany.

20 Nefa ianareo manao hoe: «Tsy mahitsy ny lalan’i Iaveh!» Samy hotsaraiko araka ny lalanareo avy ianareo, ry taranak’i Israely!

Fakàna ny tanàna

21 Tamin’ny taona faha-12n’ny nahababo antsika, tamin’ny volana faha-10, andro fahadimin’ny volana, nisy olona nandositra avy any Jerosalema, tonga tao amiko nilaza hoe:

22 «Afaka ny tanàna!» Ary ny hariva kosa talohan’ny nahatongavan’ilay nandositra, dia efa nanindry ahy ny tanan’i Iaveh, ka efa nosokafany ny vavako, talohan’ny nahatongavan’ilay io tao amiko ny maraina; ka dia voasokatra ny vavako, ka tsy moana intsony aho.

Fandravana ny tanin’i Israely

23 Tonga tamiko ny tenin’i Iaveh, nanao hoe:

24 Ry zanak’olona, ireo monina ao amin’ireny toeran-dravarava amin’ny tanin’i Israely ireny, manao hoe: «Irery i Abrahama, ary efa nahazo ny tany ho anjarany; isika kosa maro ary efa nomena antsika ny tany ho fananantsika.»

25 Koa lazao aminy hoe: Izao no lazain’ny Tompo Iaveh: Ianareo mihinan-kena miharo ra, miandrandra maso amin’ny sampinareo vetaveta, ary mandatsa-dra, ka hanana ny tany va?

26 Nitoky amin’ny sabatrareo ianareo, nanao fahavetavetana, samy nanala baraka ny vadin’ny namany avy, ka hanana ny tany va?

27 Lazao amin’izy ireo hoe: Izao no lazain’ny Tompo Iaveh: Velona Aho! Izay eo amin’ny tanàna rava, ho lavon-tsabatra; izay eny an-tsaha, hatolotro hohanin’ny biby masiaka; ary izay eny amin’ny fitoerana mimanda sy any an-johy, ho fatin’ny pesta.

28 Ny tany, hataoko lao sy zary efitra; ary ny fiavonavon’ny heriny, hitsahatra; ary ny tendrombohitra amin’ny tany ho lao tsy hisy mpandia akory.

29 Dia ho fantatry ny olona fa Iaveh Aho, rehefa nataoko lao sy zary efitra ny tany, noho ny fahavetavetana rehetra nataony.

Vokatry ny toriteny

30 Ary ianao, ry zanak’olona, dia ataon’ny zanaky ny firenenao firesaka eny anilan’ny rindrina sy eny am-baravaran-trano eny; mifampiteny samy amin’ny namany avy izy ireo, manao hoe: «Andeha hihaino izay teny avy amin’i Iaveh.»

31 Ary dia mankao aminao izy ireo toy ny fiavin’ny vahoaka be; mipetraka eo anatrehanao ny vahoakanao; mihaino ny teninao, nefa tsy manatanteraka izany, fa izay ankasitrahin’ny vavany no ataony, ny filan-karena no arahin’ny fony.

32 Ianao izany dia mpihira mahafinaritra ho azy ireo, tsara feo sy mahay mitendry ny zava-maneno eo an-tanany; izy ireo kosa, mandre ny teninao, nefa tsy manatanteraka izany akory.

33 Rehefa ho tonga izany zavatra izany, – sady indro efa tonga tokoa izany – dia ho fantatr’izy ireo, fa efa nisy mpaminany teo aminy.

Categories
Ezekiela

Ezekiela 34

Ireo mpiandry an’i Israely

1 Tonga tamiko ny tenin’i Iaveh nanao hoe:

2 Ry zanak’olona, maminania ny amin’ny mpiandry an’i Israely. Maminania, ka lazao aminy, dia amin’ireo mpiandry ireo hoe: Izao no lazain’ny Tompo Iaveh: Loza ho an’ny mpiandry an’i Israely, fa ny tenany ihany no nofahanan’izy ireo! Moa tsy ny ondry va no tokony hofahanan’ny mpiandry?

3 Nohaninareo ny taviny, notafinareo ny volony, novonoinareo ny matavy; tsy namahana ny ondry ianareo:

4 tsy nanatanjaka ny malemy, tsy nitsabo ny marary, tsy namehy ny naratra, tsy namerina ny nania, tsy nitady ny very, fa nanapaka azy an-kalozana sy an-kasiahana!

5 Ka niely izy, fa tsy nisy mpiandry; zary rembin’izao biby an-tsaha rehetra izao, dia tafaely.

6 Mirenireny eny an-tendrombohitra rehetra eny, ny ondriko, sy eny an-kavoana milangalanga rehetra eny; tafaely any amin’ny tany rehetra ny ondriko, nefa tsy ahin’ny olona akory, na mba misy lasa nitady azy.

7 Koa mihainoa ny tenin’i Iaveh ianareo, ry mpiandry ondry:

8 Velona Aho, – teny marin’ny Tompo Iaveh: – Noho ny ondriko navela hobaboina, noho ny ondriko zary remby ho an’ny biby dia rehetra fa tsy nisy mpiandry, sy noho ny mpiandriko tsy niahy ny ondriko, fa ny tenany ihany no fahanan’ireo mpiandry ireo, ary ny ondriko tsy mba nofahanany;

9 noho izany dia mihainoa ny tenin’i Iaveh, ianareo, ry mpiandry ondry.

10 Izao no lazain’ny Tompo Iaveh: Indro ho avy any amin’ny mpiandry ondry Aho; hotadiaviko ao amin’ny tanany ny ondriko, ary tsy hisy ondry havelako handrasany intsony; ary ny mpiandry tsy hamahana ny tenany intsony; hotsoahiko eny am-bavany ny ondriko, ka tsy ho remby ho azony hanina intsony.

11 Fa izao no lazain’ny Tompo Iaveh: Indro Izaho dia Izaho ihany no hiahy ny ondriko, sy handinidinika azy.

12 Toy ny fandinidiniky ny mpiandry ny ondriny, amin’ny andro hitsanganany eo amin’ireo ondriny mihahaka no handinidinihako ny ondriko; ary hoesoriko izy ireo, hiala any amin’ny tany rehetra efa nielezany tamin’ny andro mandrahona sy manjombona.

13 Hoentiko mivoaka avy any amin’ny firenena izy, ary hangoniko avy any amin’ny tany samihafa, hampodiko eo amin’ny tena taniny izy, dia handrasako eny amin’ny tendrombohitr’i Israely, eny an-dohasaha aman-toerana rehetra onenana amin’ny tany.

14 Amin’ny tany tsara ho fiandrasana no hiandrasako azy; ary any an-tendrombohitra avon’i Israely no ho valany; any izy no handry amin’ny valan’ondry tsara, sy hihinana amin’ny tany be vilona, eny an-tendrombohitr’i Israely

15 Izaho no hiandry ny ondriko, Izaho no hampandry azy; – teny marin’ny Tompo Iaveh. –

16 Ny very hotadiaviko; ny nania, haveriko; ny naratra hotsaboiko; ary ny marary, hohatanjahiko; fa ny matavy sy ny matanjaka kosa haringako; handrasako ara-drariny izy ireo.

17 Ary ny aminareo, ry ondriko, izao no lazain’ny Tompo Iaveh: Indro Aho, hitsara, manavaka ny reniondry sy ny reniondry; manavaka ny ondralahy sy ny osilahy.

18 Mbola tsy ampy anareo ve ny mihinana ahitra tsara, no dia mbola hosihosen’ny tongotrareo indray ny ahitrareo sisa; sy ny misotro ny rano madio, no dia mbola kobanin’ny tongotrareo koa ny sisa?

19 Hany ka ny voahosihosin’ny tongotrareo no tsy maintsy hanin’ny ondriko; ary ny voakoban’ny tongotrareo, no hosotroiny?

20 Koa izao no lazain’ny Tompo Iaveh: Indro Aho handeha hitsara ny adin’ny ondry matavy sy ny ondry mahia:

21 satria ianareo nanosika tamin’ny tehezanareo aman-tsorokareo, sady nanoto ny ondry osa rehetra tamin’ny tandrokareo, mandra-pandronjinareo azy ho any ivelany:

22 dia hovonjeko ny ondriko,

ka tsy hatao fandroba intsony;

ary hitsara Aho manavaka ny ondry amin’ny ondry.

23 Mpiandry iray ihany ny hatsangako ho azy; – ary izy ny hamahana azy ireo, – izy no hamahana azy ireo, dia i Davida mpanompoko; ary izy no ho tena mpiandry ho azy ireo.

24 Izaho Iaveh no ho Andriamanitr’izy ireo; ary i Davida mpanompoko no ho mpifehy eo aminy; Izaho Iaveh no niteny.

25 Hanao fanekem-pihavanana amin’izy ireo Aho; hofoanako tsy hisy amin’ny tany, ny biby masiaka; handry feizay izy any an’efitra; ary hatory any anaty ala.

26 Hataoko fitahiana izy sy ny manodidina ny havoanako; halatsako aminy fotoany ny ranonorana, dia ho ranonoram-pitahiana izany.

27 Ny hazo any an-tsaha, hamoa; ny tany koa hahavokatra, ary izy ireo, handry feizay amin’ny taniny, dia ho fantany fa Iaveh Aho rehefa voatapako ny baran’ny jiogany ary afako tamin’ny tanan’ireo nampanompo azy izy.

28 Ny firenena tsy hamabo azy intsony; ny bibin’ny tany tsy hihinana azy intsony ary handry feizay, tsy hisy hanaitaitra azy izy.

29 Hampaniry voly tsara laza ho azy Aho; ka tsy ho ritry ny mosary amin’ny tany intsony izy, na hitondra ny latsan’ny firenena.

30 Dia ho fantany fa Izaho Iaveh Andriamaniny no momba azy, ary izy taranak’i Israely no vahoakako, – teny marin’ny Tompo Iaveh. –

31 Ary ianareo, ry ondriko, ondry andrasako: dia olombelona ianareo; ary Izaho dia Andriamanitrareo, – teny marin’ny Tompo Iaveh.-